Dia izay ilay voalohany nisantarako ny firaisana tamin’i Alexia, lozako raha manadino izay aho, natolony ahy ny tenany iray manontolo, nefa nolotoiko ny fitiavako, teo i Malala, izay namela takaitra tsy azo fafàna, dia izao indray ity Tahiana, tsy hahay hamela ny hadisoako mihitsy aho raha izay . . .
Aiza anefa izao i Alexia? Dia nanetsetra teo i Hery. Latsaka tamin’ny tany ilay sary misy ny malalany dia niondrika tao ambany fandriana izy, kanjo hitany tao ilay kitapo iray izay tsy dia fitondrany matetika.
Nosarihany dia nosokafany. Antontan-taratasy maromaro no tao, nesoriny, indro fa hitany teo ilay fanomezana mifono mangirana nomen’i Alexia azy ny alatsinainy hariva teo.
- Oadray, tena loza, tena looozzzzaa ! Ity no tena hadinoko tanteraka, tena tsy tao an-tsaiko noho ny fifamahoan-javatra tato anatiko. Adala mihitsy ialahy ry Hery. Tena tsy misaina, inona no ato?
Nosokafany, hay famataran’ora lafo vidy no tao, ireny marika malaza ireny.
Nisento tokana ity tovolahy, nanenina ity hadalany, tsaroany tamin’izay fa somary nisintona ny tanany roa i Alexia ilay tany am-piasàna ny talata maraina, tahaka ny hoe : misy zavatra tiany hojerena tao.
Tsikariny fa tsy novahako akory ity fanomezana ity, loza izany ; inona indray ity no hataoko. Ny andro efa tena alina.
Tena ataoko ambanin-javatra ilay malalako fa i Malalatiana indray no nahasomokitra ahy.
Tena very hevitra i Hery. Tsy nahita tory ny alin’iny fa nisaintsaina izay tokony hataony.
Famataran’ora tsara tarehy, marika malaza, lafo vidy : misy dikany manokana ity, hoy i Hery tsy nahateny. Nisy fotoana efa nilazan’i Alexia tamiko fa ny vola izay azony amin’ny tambim-pahasasarany rehetra, mikasika ilay fizaran’asany voalohany dia hatolony ho fanomezana ho ahy. Ary efa ela no nieritreretany mikasika ilay izy ka ampiany amin’ny tahiriny manokana raha tsy ampy ahazoany azy.
Somary sangisangy no nilazany izay. Izaho koa toa tsy dia niraharaha loatra. Inona tokoa moa, zanaky ny manan-katao izy ka zara raha iray ampahafolon’ny mandalo eo aminy izany, nefa...
Tambim-pahasasaran’i Alexia voalohany ity natolony ahy ity. Izany hadalako, dia tena maty harika, tsy nahatsiaro akory fa noheveriko ho zavatra tsy misy lanjany ity baoritra kely mifono mangirana ity. Hany ka ilay fatin-tsilipo nomen’i Malala indray no nataoko ambony.
Tena isaky ny misy masoandro mibaliaka izany amin’ny fiainako sy Alexia dia indro Ramatoa Malalatiana miaraka amin’ireto zanako mianadahy kely mitondra rahona sy zavona manakona ny lalanay, ary mandrakotra haizina sy oram-baratra mampitampify anay anaty orana?
Izao mahazo ahy izao mihitsy ilay ataon'ny olona hoe ny nenina tsy eo aloha hananatra, fa aoriana handatsa. Raha izay tokoa aho mantsy no nandà an’i Malala tamin’iny voalohany iny, dia tsy tahaka izao ny mahazo ahy.
Nipitrapitra teo ambony fandriana teo izy. Ny valin-drihana no nobanjininy mafy. Tsaroany tampoka ny fahabangan'ny reniny izay efa vovoka izay mba hany fitantarany ny fahoriany. Izao izy irery no ao an-trano, ny olon-tiana nantenaina tsy afaka ifandraisana akory, ka inona no hatao? Raha teo akaikiny tokoa matsy ilay malalany dia tsy tahaka izao mihitsy izy.
Te-hatory mafy izy noho ity fahoriana miampy adin-tsaina vaovao mianjady aminy. Efa reny vizana ny tenany nefa ny lohany tsy mitsahatra ny mihevitra izay tokony hataony.
Tampoka, niarina izy dia nanokatra ilay kitapo misy ny solosainy, natsofony ilay fitaovana mampifandray ilay vatakely tamin’izao tontolo izao, dia nikasa handefa hafatra tamin’i Alexia izy :
Tsy hitany anefa izay hosoratana, naveziveziny teo ilay tsipika kely, sokafana izao karazan-dahatsoratra hangalàna hevitra izao, tsy nahita hosoratana izay voasoratra nofafàna fa tsy nahafa-po. Najanony aloha ny fifandraisana ; dia nidina tany ambany izy nisotro rano. Vao tafaverina teo izy dia nahagaga, fa toa naniry tao aminy ny aingam-panahy hanoratra ka izao no vetsovetsony:
« Alexia,
Raha nandinika aho ny andro sy ny taona rehetra niainako,
Dia tsaroako fa ianao, no hany tokim-pitarainako.
Eto aho vao mahatsiaro fa ny androko hatrizay
Dia tsy nafoiko ho anao akory, fa nataoko alasafay.
Diso aho hatramin’izay, eny tena diso koa !
Ka ny fitarainanay dia mba henoy tokoa.
Ampio aho mba hijery, ilay fitiavanao madio
Aza avela hanirery, fa ny hafatro valio.
Eto aho vao mahatsapa, izato fanomezanao,
Fisaorana tsy ho voafafa no atolotro anao.
Miala tsiny re ry aiko, fa izao vao nahatsiaro
Fa torovana ny saiko, noho ireo adiny efa maro.
Koa veloma sy masìna, izany havako izany
Veloma fa ny faniriana, dia ny hahita anao hatrany ;
Ka ny tsy ampy hamenoako ny fiainako amin’izao
Dia tsy inona rahavako fa ny ho eo anilanao !
>>>>>>>
Nitsiky sy nisento izy raha vao nanoratra ilay fehezan-teny farany, tsy hay intsony na aingam-panahy avy aiza no nahavitany izany fa toa endrika hafa mihitsy no nivoaka tamin’i Hery. Naveriny indray ilay fifandraisana dia nalefany ho an’i Alexia ity tononkalo mahafinaritra ity. Tsy tsaroany akory fa efa amin’ny iray ora sy sasany maraina tamin'io fa sento sy tsiky no nandehanany natory, manantena ny hahita ity malalany any anaty nofiny mahafinaritra any.
Efa mazava ny andro vao taitra i Hery, nosokafany ny varavaran-kely, injany feom-boronkely mahafinaritra misiotsioka ery manainga anao fa andro mahafinaritra ny anio. Toa lasam-borona ny anao lahy, asa, mieritreritra lalina izay fandraisan’i Alexia ilay hafany omaly, na vao maraina, teo koa angamba izy. Naleony aloha tsy nelingelina amin’ny antso samihafa fa aleony mihitsy ny antson’i Alexia no hiraondraona voalohany na amin’ny finday na amin’ny antso an-tariby.
Kanefa, vita omana hiasa ihany izy, tsy mbola nisy aloha, mety mbola tsy nanokatra ny solosainy akory angamba ilay mamin’ny fony.
Tonga tany am-piasany izy afaka ora iray, tsaroany tampoka i Tiana, ilay nampahatsiaro azy fa mety misy fisaorana tsy nataony an’ity malalany. Asa tokoa fa nanana fahatokiana be an’ity mifandray aminy vaovao ity i Hery, nalefany ny hafatra voalohany araka ilay efa noresahina omaly, kelikely, injay fa namaly ;
Hery :-Manao ahoana i Tiana, tena misaotra be dia be !
Tiana :-Manao ahoana i Hery, misaotra noho ny inona ?
Hery :-soa fa teo ianao mampahatsiahy ahy ny tokony hataoko, tena nisy zavatra adinoko tokoa fa nanome fanomezana ahy izy talohan’ilay disadisa tao an-tranon-dry zareo ny alatsinainy teo, fa tena hadinoko.
Tiana :-Marina ve, Dia inona ilay izy ? Sao dia zavatra sarobidy.
Hery :-eny tokoa, fa ahoana ?
Tiana :-izay ary ilay efa nampoiziko !
Hery :- ???????
Tiana :-Dia inona no nataonao ? Efa nilaza taminao aho fa misy vehivavy sasany, tsy izy rehetra akory, rehefa manome fanomezana dia tena ataony amin’ny fony tanteraka kanefa tahaka ny tsy noraharahianao akory. Alatsinainy, tsy androany ve vao tsaroanao. Adala mihitsy ianao ity !
Hery :-Tsia an, omaly alina !
Tiana :-ka na androany na omaly, efa tara be foana. Dia inona izao no ataonao ?
Hery :-Efa nisaotra sy nifona taminy aho tamin’ny hafatra nalefako.
Tiana :-hafatra tahaka ny inona, mba avereno soratana eto hoe :
Hery :-Tsy tiako holazaina fa tiako ho anay irery !
Tiana TP !
Hery TP ahoana ? Tsy azoko !
Tiana :-Miangavy re ! izay no dikany.
Hery :-Tononkalo ilay izy, sady lasa tsianjeriko aza !
Tiana :-avereno soratana eto ary e !
. . . . .
Dia naverin’i Hery teo indray ilay tononkalo efa zary raikitra ao anaty masony. Vita izay dia hoy i tiana :
Tiana :- Oh ! tena tsara, tena miaiky aho. Raha mba ho ahy no anaovana tononkalo tahaka izao !Fa tena ianao ve aloha no nanoratra io e !
Hery :-Tena izaho fa tsy haiko mihitsy, ohatran’ny hoe : nisy hery hafa izany nanosika ny saiko hahavita io ! Dia ahoana, antsoiko ve i A. efa tsy andriko mihitsy ny haheno ny feony !
Tiana :-Aza maika aloha, sao mbola tsy hitany ny hafatrao dia hibitaka tsy afa-tavony eo ka vao mainka hisy fiantraikany ratsy. Aleo izy no hiantso na hitady anao. Tadidio fa ny fitiavana dia mahari-po hoy ny ao amin’ny Baiboly.
Izay fa lava loatra ny resaka. Azonao andefasana ny hafatrao ihany aho raha misy fiovàna. Veloma ry poety.
Nitsiky kely fotsiny i Hery dia nanomboka nandray ny asany efa mitobizika fa faran’ny volana ity andro. Mbola eo ihany koa ilay revy be omanin-dry zalahy rahariva.
Kanefa tsy mba niantso azy mihitsy i Alexia ny tontolo andron’iny. Toa zary niverina tamin’i Hery indray ilay fahanginany hatry ny alina teo.
Dia nihainohaino teo i Hery iny tontolon'ny andro iny, tsy hafatra, tsy antso antariby voarainy...tsy sahy miantso anefa satria matahotry ny mety ho fandraisan'i Alexia izay andro vitsivitsy tsy nandrenesany inoninona izay, indrindra ilay fisaorana, zavatra bitika indrindra amin'ny fahaiza-miaina. Ataony ahoana moa no hiteny hoe omaly anie ity fanomezana nomenao ahy iny vao nosokafako... Nandeha nody nijaingijaingy izy nony hariva ny andro. Teny andalana dia reny mangidihidy azy ny tongony te-hivily lalana hijery ny olon-tiany any an-tranony, nefa matahotry ny hihaona amin'i Malalatiana indray izy dia naleony nanamboatra saina. Raha izy handeha handray fiarampitanterana iny no injay avy tao aorianany nisy kiririoka naneno, niherika izy ka indro ny fiaran'i Malala no teo...May toy ny nodoran'ny afo i Hery! kaody tsy nisy ohatr'izany izy, nefa koa toa nitambolona tao anatiny tany amin'ny lalina indrindra ilay fahatsiarovana... "dia mbola resy indray ve ialahy ry Hery" hoy ny feon'ny fieritreretany...
Raha mbola nisalasala teo izy dia indro nipoitra avy any ny fiarabe mpitatitra. Tsy niherika intsony i Hery fa ny lalana nody no nasiany olona..."ao ivohoko ianao ry Satana" hoy izy sady niditra ity fiaram-bahoaka hitondra azy mody.
Teo ampamohana vavahady dia gaga izy nahita valopy kely nisisika niloko mavokely. Tsy nisy soratra afa-tsy hoe "Hery" teo ivelany. "mbola i Malalatiana sy ny hadalany indray izao ity" hoy izy nanipy ilay valopy teny antokotany. Niditra ny trano izy, ary niomana ny hahandro sakafo. Injay fa latsaka ny orana tany ivelany tany...nilatsaka koa ny ranomason'i Hery. Niverina tao an-tsainy ny reniny. "Toy izao izy miandry ahy isan-kariva", niverina tao an-tsainy koa i Alexia sy ny fitiavany...Nigogogogo mafy izy sady nikiaka hoe" Andriamanitro o, fa naninona re aho no dia lasa toy izao e! ny olona rehetra tokony hotiaviko tsy haiko ny mitia azy, ary ny an'ny hafa haiko ny maka ny fony!!!".
Raha mbola jenjina iny ny masony dia injay naneno tany ampaosiny tany ny telefoniny... "allo? allo? ary tsy misy mamaly?". Tena mbola ikala Malala iny indray angamba izany!
Iny i Hery dia natsipiny tao anaty fanasana vilia ny lapoaly saika hanendasany atody. Nalain-komana tampoka izy...Isan-kariva izy izao dia tsy misakafo, hitany miha-mahia ny tenany fa tsy amakiany loha. "izao angamba ny valin'asako" hoy izy.
Injany nikotrokotroka ny orambaratra, nidobodoboka koa ny fony, te-hiantso an'i alexia. Tapaka koa ny jiro, maizina ny manodidina. Tsy hitany ny labozia. Lasa izy niakatra moramora nitsidaikadaika ho any anefitra. Noraisiny tany ampaosiny ny telefonina ary nosokafany nataony solonjiro...sendra nitopy tao ny masony no nahita soratra izy: "1 sms vaovao" no soratra hitany teo, Antsianjery fotsiny no nanokafany ilay hafatra fa ny fony tsy ao akory, i Malala angamba ity, hoy izy
"Hery, voarainao ve ny taratasiko? Alexia"
Taratasy inona? hoy izy tafatsangana...Efa voavaliny tany andohany tany nandritr'izy nametraka ilay fanontaniana ny valiny...ilay taratasy mavokely...lozako lozako marina!!! hoy izy sady novelesiny indray ny lohany tamin'ny alalan'ilay telefonina tsy manan-tsiny...nihazakazaka izy nidina ny tohatra, mbola tsy niverina koa ny jiro ary ny orana mitohy mikija. Novohainy ny varavarana ary nifofofofo ny rivotra...nivoaka ihany anefa izy ary niraparapa tao anaty aizina, nandady eran'ny tokotany. Teny ampitadiavana teny izy vao tonga saina hoe mety ery anjorony ery izay ilay valopy satria raha nofahon'ny riaka ilay izy dia nentiny any ....amin'ny....d a l l e!
Dalle! dalle! soa fa misy makarakara ny dalle! mbola voatsapany tao ilay taratasy mifangaro amin'ny bozaka sy ny ahi-dratsy tsy voasariky ny rano...norohany tao anaty aizina ilay valopy efa tena hotsaka tsy nisy ohatr'izany. Faly anefa ny fony satria ao anatin'io valopy io ny hafatry ny olon-tiany...niditry ny trano izy ary niverina koa ny jiro...
Indrisy anefa fa tena nalemilemy be ilay valopy na dia tsapany aza fa toa taratasy matevina no tao anatiny."carte"angamba no ao! hoy izy kanefa tsy nosokafany aloha. "avela ho maimaina vao hokitihina"...
Lasa izy niakatra tany ambony ary nokarohiny tao ny entan-dreniny. Tsaroany fa nanana fanamainambolo izay i Ramihary fony fahavelony..."Mama! ampio aho amin'ity indray mitoraka ity" hoy izy niteny irery.
Nidina haingana izy ary natsatony ity fitaovana kely. Notsofiny moramora ilay valopy ary naveziveziny teo. Maika dia maika mihitsy izy, ny masony eny amin'ny famataran'andro...efa misasaka ny alina, mbola mihamikija ny orana...
Indro fa maina ilay valopy kely ary noezahiny nosokafana...Niraikitra ilay taratasy tao anatiny ary nony nosokafana dia rovitra, kanefa azo novakiana ihany ny soratra tao....
Hery,
Efa hatry ny fony mbola zaza ny foko no nitia anao
Ary mbola tia anao izy izay hatramin'izao
Tsy niova aho fa mbola toy ny taloha ihany
Ianao no hany tokana ilay safidiko eto an-tany
Na nisy aza onja mafy saika handrendrika antsika
Dia nataoko izay hahatody ny fitia hatreny ampita
Notampenako ny masoko, fa ny foko no niteny
Ka na mafy tamiko aza, nekeko ireny rehetra ireny
Isaorako ianao nahatsiaro ahy ihany ry Hery
Satria ny fitiavanao tsy azoko natao an-kery
Izao aho vao tena sambatra fa tafaray ihany isika
Ilay masoandron'ny fiainako he baliaka dia baliaka
« | Aprily 2006 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | ||||||
2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 |
9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 |
16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 |
23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 |
30 |