Tonga dia niverina namonjy natoritory kely teo amin'ny seza lavan'ny efitrano fandraisam-bahiny aloha i Malala nony avy nanatitra an'i Tojo teo ambaravarana ndeha hody. Henony somary valabalaka daholo ny vatany iray manontolo. Nandalo niverina kely tao antsainy ilay fahafinaretana nomen'ilay tovolahy azy vao tsy ela akory teo. Efa ela tokoa aho izay no tsy nanao raha tsy vao iny indray an. "Mampalahelo ahy ilay bandy kely iny nefa inona moa no azoko atao azy" hoy izy aneritreritra. " Enga anie mba hampilamina tsikelikely ny sainy ireny zavatra nolazaiko azy ireny, sady efa nomeko azy koa anie izay tadiaviny e." hoy ihany izy miezaka manamboatra saina fa toa mahatsiaro kely meloka tamin'ilay fahafinaretan'ny nofo nangalariny teo. "Tsy ho sitrana eo ihany ve izy rehefa lasa aho e.!" sady nitakisina kely izy nanamboatra ny ondana teo ambonin'ilay seza hakany aina tsara. Nitompy tany amin'i Ratrema amin'izay ny eritreriny rehefa avy eo. "Ndeha hody tokoa moa izahay telo mianaka rahampitso, aleo koa mody fa ohatran'ny tsy mety amiko mihitsy ny aty sady i Alexia efa tsara mpiantoka tsinona. ...Fa inona loatra aza izany zavatra olana goavana mianjady amin'i Ratrema izany. Dia ho sanatria ve ka ho rava ny orinasa e? " Tsy te hanaiky ity eritreriny farany ity i Malala dia naleony nivadika nieritreritra zavatra hafa haingana sady niarina izy fa tadidiny fa tokony hampirimpirina ny valiziny hoentiny mody any Madagasikara amin'izay izy io tolankandro io. " Aleo aho hifoha teto fa hay moa mbola miparitaka eran'ny efitro ny entako tokony ho entiko". Niverenany notompazana indray mipi-maso indray aloha ny manodidina azy sao misy zavatra tavela mety hampidi-doza ohatran'ilay tamin'ny indray mandeha eto indray ity hoy izy tany antsainy. Rehefa hitany fa tsy misy tokony hampiahiahy an'i Mahefa sy Alexia, dia lasa namonjy ny efitrano nisy ireto zanany natory izy. Eo ampampirimana entana eo izy no toa mahatsiaro dondona ny handeha ery. "Tsy andriko mihitsy izay hahitana an'i Ratrema kah" Manina azy iny ihany hay aho rehefa tena lavitra azy" hoy izy manohy miresaka amin'ny tenany. " Ary mba nanao ahoana ary izay i Hery izay ela be izay, .... an, an aleo hoany izany eritreritra izany fa rehefa tonga any Dago aho mahita izay fandehany e." sady nanidy ny valizy hipoky ny fitafiana lafo vidy vao azony tamin'izao fandalovany an'i Paris izao ihany izy. " Vita izany ny amin'iny fa ny an'ny ankizy sisa no ampidiriko atsy anatin'iny sakosy iray itsy " dia vonona izahay telo mianaka, sady nandray ny poketrany izy nijery hoe tao ve ny pasipaorony sy ny tapakila handraisany fiaramanidina ny ampitso. Niverina namonjy ny efitrano fandraisam-bahiny izy nony avy eo sady namelona ny fahita lavitra hanarinariana dia mandrapahatongan'izy mianaka avy any amin'ny hopitaly...
- " Fa hono hoy aho ry Alexia" hoy i Mahefa tamin'i Alexia iny izy mianaka eny andalana ndeha hody.
- " Ahoana izay ry Dada?" sady nitodika tany amin-drainy izy sady nitsiky.
- " Mbola tena lasa tamin'ilay zava-niseho taminao alina ny saiko. Ahoana no tena eritreritrao ny mikasika an'i Hery ?" sady nitodika kely tany amin-janany koa izy no sady niverina nibanjina ny fiara teo alohany izany nandroso moramora. Ora famonjen'ny ankamaroan'ny olona fodiana koa moa tamin'izay ka dia somary nitohana ny lalam-be mikodana mivoaka kely ny tananan'ny Paris.
Niova tampoka ny endriky Alexia naheno izato fanontanian-drainy. Tsy nampoiziny. Toa nandalo niserana tao anatin'ny segondra vitsy tao antsainy indray ny fiainan'izy sy Hery iray manontolo. Mifamahofaho be ny fahitany azy. Nandalo tao antsainy avokoa ny fifankatiavana be teo amin'izy roa, ny ditran'i Hery, ny fahadisoam-panantenany, ireo fintantarana marobe nataon'i Hery mikasika fiainan'izy roa tamin'ilay olona tao amin'ny wanadoo.mg izay tsy iza moa fa izy tenany ihany, ..." Mbola tia ahy tokoa ve izy matoa namboaraka ny fiainany tamin'olona ohatran'ireny sady mitady torohevitra sy fanampiana?" hoy ihany izy niady saina irery teo.
- "Aleo hijanona any aloha izay resaka izay raha manahirana anao anaka" hoy i Mahefa nanapaka ny eritreritry Alexia fa tsinjony fa toa lasa fisainana be ity zanany.
- "An, an, an kah! Misy zavatra tsaroako tampoka fotsiny" hoy i Alexia mody nitady hevitra ialana " raha ny momba an'i Hery ry Dada dia tena miroharoa be ny saiko. Indraindray aho tena tsy te hiherika azy intsony rehefa mieritreritra ny zavatra nandalovako taminy, rehefa tena mandinika lalina any anatiko any anefa aho dia tena tsapako fa mbola tena tia azy aho. " tadidin'i Alexia tampoka teo ilay nofiny momba an'i Hery tamin'ny alina.
- "Ary tena te haheno vaovao mafy momba azy mihitsy aho izao fa ratsy anie izay nofiko momba azy tamin'ny alina izay ry Dada eh!".
- "Izay tokoa ve no zavatra tena tsapanao? Mbola tena mahatsiaro tena tia ianao?" sady ohatran'ny notsindrian'ny Mahefa mafy ny feony rehefa nanonona ilay teny hoe "Tia".
- "Tena mbola Tia aho ry Dada a" izay no tena marina fa niezaka ny nanery ny saiko tsy hitia azy fotsiny aho indraindray.
- "Izay ve izany no mety hahasambatra anao?" hoy ihany i Mahefa nanontany toa naka toky tsara amin'ity tenin-janany.
- " Izay mihitsy ry Dada. Raha mba aty Paris koa i Hery miaraka amiko, ianao ray niteraka ahy moa eo. Izaho afaka manohy ny fianarako aty. Mandeha any Madagasikara mamangy izahay rehefa manomboka manana fidiram-bola izahay roa, dia izay no tena fahasambarako" sady ohatran'ny miramirana izany i Alexia mitanisa ny nofinofim-piainany.
- "Lafatra tokoa izany anaka raha izay no tanteraka. Azo tanterahina anefa izany fa mila faharetana kely fotsiny."
- " Zany ve ry Dada?" sady naka toerana somary nitodika tany amin'ny Mahefa i Alexia "Tena faly be aho raha mba tonga aty i Hery. Milamina aho raha izay no mitranga."
-" Izao no ataontsika e. Hiresaka amin'i Malala isika mianaka anio hariva dia hampitondra hafatra azy hoan'i Hery mba hifandraisany mivantana amintsika mianaka amin'ny telefona na amin'ny mailaka, sa ahoana?"
- "Hevitra mety tokoa izany ry Dada an, faly be aho sady nitsikitsiky miramirana toa feno fanantenana izany i Alexia.
Madagasikara....Tany amin'ny hopitaly misy an'i Hery amin'io fotoana io.
Lasa nandeha nody moa i Mihary sy Tahiana ka dia i Fano irery sisa no tavela teo miandry ity zana-drahalahiny. Lasa fisainana irery teo ny lehilahy mandinika an'ity zanany matory eo ambony fandriana. Ny masony amin'io mbola notampenan'ny dokotera aloha. - "Hanao ahoana lesy ny hoavin'ialahy ity ry Hery fa toa tena misamboaravoara izany fiainan'ialahy izany?" hoy izy lasa fisainana. " Raha izao moa ialahy no jamba tampoka eo dia inona no ataon'ialahy? Iza no hamelona? ..." tsy te hiheritreritra ny valin'ny fanotaniana napetrany tamin'i tenany i Fano dia naleony navadika tampoka tamin'ny zavatra noresahin'i Tahiana azy ny sainy. " Mialangalana ahoana koa ary aho araka ny fahitan'i Tahiana ahy teo?" sady namerina nitadidy izay fihetsiny sy zavatra nolazainy tamin'i Miary sy Tahiry izy. " Marina tokoa aloha ny teniny fa tsy misy havan'i nedala ity afatsy izaho irery eto akaiky eto, izy roa vavy mianaka ireny aza tsy taova tsy volovolony, jereo fa tena misahirana mafy tokoa." Sady ohatran'ny nahatsiaro menatra no tonga saina izany ny lehilahy. " Aleo fa hiresaka amin'i Tahiana aho rahampitso hisaotra azy nanokatra ny masoko fa tena marina mihitsy ny teniny. Miha tiako foana koa anie izy iny na dia ohatran'ny hoe andrakandrana fotsiny no niarahako taminy tamin'ny voalohany e. .. .izay mihitsy no ataoko kah." Sady nitsangana teo amin'ny toerany i Fano namonjy nivoaka ny efitrano mba haka rivotra kely. " Ndeha hitady gazety any ivelany any vetivety aloha aho" hoy izy aneritreritra hanalako an'ity alina mbola ho lava ity.
...Somary namaoka ny masony vonton'alahelo i Ratrema no niharina nitsotra naka toerana tsara teo ambonin'ilay seza hoditra nipetrahany teo amin'ny biraony. Nalefany tao ankatony ny tanany anakiroa sady niketriketrika ny sainy manoloana ity olana marobe mianjady aminy. " Ahoana re no hataoko hahitako hevitra hivoahako amin'izao olana mianjady amin'ny orinasa izao e? ny volan'olona anefa ity tsy maintsy efaiko haingana fa raha tsy izany dia ho votsitra eo ny trano ipetrahanay io" sady lasa tampoka tany amin'i Alexia, Toky ary Cynthia zanany ny sainy. " Tsy andriko mihitsy izay ahatongavan'i Malala kah. Mihoatra ny zakan'ny saiko vahana samy irery ity olana ity fa aleo borahiko aminy ny zava- nisy rehetra dia eo izahay mivady miara mitady izay hevitra tokony hatao... tsy dia fanaoko izao saingy andohalika tokoa ity ny ranom-bary ka tsy maintsy miditra amin'izay aho fa ho hita eo izay heviny." Sady nandray ny findainy i Ratrema ary nanomboka nanindry ny bokotra misy ny laharana ahazoana an'i Mahefa.
- " Allo,... Allo!" hoy i Ratrema somary nidobodoboka kely ny fony.
- " Allo" hoy i Mahefa namaly somary nanako ny fahenon'i Mahefa azy.
- " Profesora Mahefa ve izao? Ingahy Ratrema ihany ity e"
- " Ah, ingahy Ratrema marina, Inona no vaovao?
- " An, an, an tsy dia misy hambara fa te hanontany mikasika ny fandehanan'ny ankizy rahampitso fotsiny aho kah?"
- " Hay! Mbola aty anaty fiara andalana hody izahay mianaka io fa i Malala efa any antrano fa aleo antsoinay ianao afaka 15 minitra eo ho eo eh."
- " Eny ary e." hoy i Ratrema somary diso fanantenana kely.
- " Allo, mbola ao ve ianao? Aza miala ianao fa io akaikiko i Alexia te hiresaka aminao" hoy i Mahefa sady nanolotra ny findainy tamin'i Alexia velon-tsiky hiresaka amin'ity "rainy".
- "Papa!..."
Niontana kely ny fon'i Ratrema nandre ny fikarantsan'ny feon-janany nanako tao anaty finday.
- " ny zanako," hoy i Ratrema toa te hitomany izany. " Manao ahoana ianao izay anaka? Efa tsara?"
- " Efa mihatsara mihitsy aho ry Papa fa aza be ahiahy ianao. Manina anao fotsiny aho. Raha mba eto akikiko eto daholo mantsy ianareo rehetra olontiako amin'ny fiainako dia izay no tena lafatra indrindra" sady narahiny tsiky kely ny teniny izay fantany fa nofinofy sarotra taterahina. Nitsiky kely koa Ratrema nandre izany na dia nalahelo aza izy tany ampony lalina tany. Mbola manjavozavo aminy tsinona ny haloaky ny ampitson'ny fiainany noho izao olana andalovany izao.
- "Izay tokoa no lafatra anaka fa mety mbola hitranga ihany izany raha izay no sitrapon'Andriamanitra, sa ahoana?"
- " Nandeha nanao fizahana tany amin'ny hopitaly aho androany dia efa tena misy fihatsarana mihitsy ny toem-pahasalamako ry Papa a. Faly mihitsy aho sady finaritra mihitsy koa aho aty fa ianao sy Hery fotsiny sisa no ilaiko akaikiko dia milamina ny saiko" Toa nitselatra no nandrenesan'i Ratrema ny anaran'i "Hery" tao antsofiny. Toa tsy nampino azy fa mbola tafiditra lalina ao ampon'ity "zanany" ny amin'iny tovolahy nandreraka azy iny.
- " Eny eh, ho hitantsika eo ihany izany anaka" hoy i Ratrema tsy te hanohina ny fon-janany. " Ka manao ahoana ny fanomanan-dreninareo ny fandehanany rahampitso ao?"
- " An, an. Inoako fa efa vonona izy kah. Anikeo maraina mantsy aho no nahita azy farany fa izaho sy Dada tany amin'ny hopitaly foana androany tontolo sady nentiny nijery ny toeram-piasany aho. Aleo rehefa tonga any antrano indray izany izahay miantso fa misy izao Papa ah! Misy zavatra mba tiako iangaviana anao ity raha tsy dia manahirana anao? ..."
- " Ahoana izay anaka" hoy i Ratrema somary hendratrendratra mamaly sady manontany tena hoe "inona indray ary izany olana vaovao hangatahin'ity zanako ho vahako ity izany"
- " tsy izany hoy aho fa mba te hahazo vaovao mikasika an'i Hery mafy mihitsy aho fa nanonofy ratsy be momba azy aho tamin'ny alina ka tena tsy milamina mihitsy ny saiko."
Somary nisento kely ingahy Ratrema sady toa niha nafana tampoka ny tenany. " tena tsy ho afa-bela amin'ilay borikilahy iny mihitsy ve izany aho " hoy izy tany antsainy tany.
- " Tena tsy nahare vaovao momba azy mihitsy aho anaka" hoy izy aloha sady niketriketrika ihany izay teny ho lazaina tsy hanohana ity fon-janany marefo dia marefon'ny fitiavana.
- " Mba antsoy anie ry Papa ny any ampiasany fa tena te haheno vaovao mafy ny momba azy aho e. Efa nandramako nantsoina mantsy ny fidainy fa efa tsy mandeha intsony ilay laharana. Ilay laharany tany ampiasana taty amiko indray tsy hitako intsony hoe nankaiza."
- " Eny eh. Aleo ary fa hiantso any aho anaka fa mety tsy androany anefa satria efa nirava ry zareo izay. Rahampitso vao maraina amin'ny valo aho miantso any dia antsoiko ianao." Hoy i Ratrema namaly tsy zazoka tsy nahita fomba hialana intsony. Tiany loatra i Alexia ka tsy vitany ny handratra ny fony sy hampitondra alahelo azy. Teo izy vao tonga saina hoe ary raha mahazo an'ilay kary lahy iny avy hatrany eo moa aho raha miantso azy rahampitso dia ahoana no holazaiko azy. Niverina tao antsain'i Ratrema ny zava niseho teny Ivato tamin'ny fotoana niagan'izy ireo hitondra an'i Alexia hoany Frantsa. " Aleo rangahy hoany izany aloha fa tsy ho hitako eo foana ve izay hamaliana azy rehefa tena miresaka eo ah!"
- " Allo,...mbola ao ve i Papa? Ohatran'ny tsy henoko intsony tsinona!"
- " Mbola ato mihitsy aho anaka fa asa inona koa angamba no tsy nahenonao ahy teo fa izao, miandry anareo miantso aho izany rehefa avy eo an."
- " ie, rehefa avy eo izany Papa ah!" sady naforitry Alexia hikatona ny finday teny antanany.
Rehefa vita ny resak'izy mianaka teo dia tapakevitra ny handeha hody hamonjy fodiana i Ratrema. Niverina tao antsainy indray ny fangatahana nataon-janany teo. "dia tena olana miampy olana mihitsy anie izany iainako izany e. Dia voatery hitady an'i Hery tokoa ve aho? Niady teo ny sainy. Nony farany anefa dia tapaka ny heviny fa hiantso any ampiasan'i Hery araka ny nampanantenainy anjanany teo tokoa izy ny ampitso. Aleo hampandeferiko ny ambom-poko hoy izy noho ny fitiavako anjanako sady nanodina ny fanalahidin'ny biraony izy ary namonjy ny ny tohatra midina hoany ambany.
- " Lehilahy be fitiavana tokoa raha ingahy Ratrema iny ry Alexia" hoy i Mahefa sady mibanjina tsara ny fiara misosa eo anoloany izy.
- " Marina mihitsy izany teninao izany ry Dada a. Tena be fitiavana sady tsotra raha izy iny. Tsy arakaraky ny toerana misy azy ny toetrany e. Mampalahelo ahy izy indraindray fa dia toa ampijalian'i Neny izany ny fahitako azy" sady nangalam-pijery kely tany amin'i Mahefa i Alexia.
- " Zany ve? " hoy i Mahefa somary mody tsy taitra toa azony antsaina hoe inona no tian'ity zanany lazaina.
- " Aiza ve ry Dada ka dia iarakarahany daholo izao lehilahy rehetra izao, tsy andalovana mihitsy eh! Indraindray aho dia tena manontany tena mihitsy hoe inona loatra no manosika azy hanao tahaka izany. Fitiavana haka fahafinaretan'ny nofo fotsiny ve sa tena zavatra hafa mihitsy? "
Somary menatra tany anaty kely Mahefa nahatsiaro ilay fiarahany indray mandeha tamin'ny Malala tany amin'ny hotely ny fotoana voalohany nifakahalalan'izy roa.
-" hein, " somary nitelin-drora kely aloha izy vao niteny. " Ary tsy nampoiziko ho manao zavatra toa izany mihitsy izy iny an. Mety ho azoko ihany aloha ny antony ny mahatonga azy manao izany, nefa mety ho diso koa anefa ny eritreritro"
- "hoe ahoana?" hoy i Alexia ohatran'ny liana dia liana amin'izato valintenin'i Mahefa.
- " Betsaka no mety ho antony fa anisan'izany angamba aloha ny elanelan-taona be misy eo amin'izy mivady e. Mety mba te hiaraka amin'ny olona mitovitovy taona aminy i Malala na sahala amin'izany, dia .." Tonga dia nitsatsaingoka i Alexia
- " ka tsy olona mitovitovy taona aminy anie no anaovany ny adalany ry Dada fa bandy kely ireny daholo e."
- " izay indrindra no tiako anohizany ny eritreritro teo hoe mety mahatsiaro efa mandrosondro taona angamba izy mba te hitsapa hoe mbola voasarika amiko ve ny tovolahy, mbola tsara tarehy ve aho... na koa dia tia manao firaisana ara nofo amin'ny karazan'olona marobe tsotra izao fotsiny izy anaka, tombatombana daholo ny ahy izany fa tsy voatery ho marina an."
- "Mety misy mampitombina ny eritreritrao ihany aloha ry Dada fa de i Papa no tena mijaly amin'izay rehetra izay moa. Raha izaho aloha no tamin'ny toeran'i Papa mety tena mba lasa koa aho nanao ny adalako hamaizako azy"
- " Aiza kosa anaka dia hoe valiana amin'ny adalana ny adalana ataon'ny sasany aminao. Vao maika mampiditra amin'ny kizo ny vaha olana toa izany kah."
Tapaka tampoka teo moa ny resak'izy mianaka fa naneno indray ny fidain'i Mahefa.
- " Allo! Mahefa?"
- " Ie. Izaho ihany ity fa ahoana" hoy i Mahefa fa fantany avy hatrany fa i Malala no miantso.
- " Efa akaiky angaha ianareo?"
- " Efa akaiky mihitsy izahay kah. Afaka dimy minitra eo ho eo angamba"
- " Hay, eny ary e. Rehefa avy eo izany.
Mbola hitohy.
Tadio ([email protected])
Nanantona moramora an'i Tojo i Malala sady nampiakatra ny tanany nanafosafo malefaka ny takolak'ity tovolahy izay toa ila tsy haha hetsika teo amin'ny toerany.
- "Tsikaritro daholo ireny fihetsikao rehetra ireny ry Tojo a" hoy izy " saingy tsy te handratra ny fonao aho dia naleoko niezaka nampandefitra ny tao anatiko tao. Sarotra be koa ny toerana misy ahy sy ny misy anao ka naleoko mihitsy tsy nohasarotina eh."
Ohatran'ny somary nikipikipy kely aloha ny mason'i Tojo vao namaly izy hoe:
- "Eny e! Azoko tsara koa ny toerana misy anao ry Malala saingy tsy nisakana ahy tsy hitempo fitiavana anao izany taorinan'iny fiarahantsika indray mandeha iny. Raha mba fantatrao mantsy fa tsy nahatombina amin'izay ataoko mihitsy aho any amin'izay ataoko rehetra any fa toa lasa aty aminao aty foana ny saiko. Asa inona no hanjo ahy rehefa lasa tokoa ianao rahampitso maraina."
- "Voasarika aminao aho ry Tojo, tsy haiko hoe nahoana saingy tsy afaka mampanantena na inona na inona anao ny amin'ny hoavy koa anefa aho. Manambady amanjanaka aho ary tsy misy miafina aminao daholo izany. Raha afaka manamboatra saina anefa ianao hoe tsy misy na inona na inona mamatotra antsika dia hampianariko "mitia" araka ilay teniko teo tokoa ianao androany." Sady nanantona akaiky dia akaiky an'i Tojo ihany i Malala.
Nibanjina tsara azy aloha i Tojo toa mandinika lalina ny zavatra henony teo vao namaly hoe:
- "Manantsafidy firy ve moa aho ry Malala fa izay kely foinao ho ahy dia raisiko antanandroa. Efa ela no namisavisako ny fotoana iarahako aminao indray. Ampianaro aho hitia sy hanome izay tadiavinao amiko na dia fantatro aza hoe mandalo fotsiny izany."
Vao tsy tapitra akory ny tenin'i Tojo dia tsy tratra fa efa nitohaka moramora teo amin'ny molony ny molotry i Malala. Aleo aho hanala ny foko amin'ity Tojo ity hoy izy tany antsainy tany mba hanala izay sorisoriko tamin'i Alexia anikeo maraina izay sady nampiakariny hitazona ny tarehan'i Tojo ny tanany anakiroa hanorohany azy tsara. Nangorintsina toy ireny nokasihin'ny herinaratra ireny ny vatan'i Tojo vao tsapany ny fofon'ainan'i Malala antomotra be teo amin'ny vava orony. Nankimpiny ny masony dia nakatony ny eritreriny ny amin'izay ho mety ho tohin'izao fahasambarana tsapany sahady izao. Lafatra sahady aho izany hoy izy tany antsainy tany. Ho Sambatra tokoa aho raha izao no iainako isan'andro sady naka tsirony ny oroka nomen'i Malala azy ihany izy. Nampetrany teo amin'ny valahan'i Malala ny tanana ankavanana sady nanafosafo moramora ilay ankanjo mena mahafatifaty sady nanarabatana teny amin'i Malala izy. Ny tanany ankavia moa amin'io namikitra teo amin'ny soroky Malala sady misintona ity farany hiraikitra tanteraka amin'ny vatany.
- "Ampianaro mitia aho Malala" hoy i Tojo " fa tena maty aminao ny momba ahy rehetra" sady manafosafo ny lamosin'ity vehivavy bikana sady tsara tarehy ihany izy. Nitsiky kely fotsiny i Malala sady toa nikaroka izay ho tenenina. Ela tokoa mantsy izay fotoana nanaovany firaisana farany izay ka tena tsapany mivaivay mihitsy ny tany anatiny tany vao naheno ny filahian'i Tojo nivoitra be teo amin'ny patalohany nidona tamin'ny vatany. Tsy ariny intsony nony avy eo fa avy hatrany dia nosafosafoiny. Nakimpin'i Tojo ny masony vao henonny tanan'i Malala manafosafo ny filahiany mihamihenjana aok'izany. Impiry moa izy any antrano no tsy mahita tory raha tsy mamisavisa ny niarahan'izy sy Malala sy milalao ny filahiany ary tsy mijanona raha tsy toa ny faniriany. Tsy nofinofy intsony izao iainako izao hoy izy tany antsainy tany fa tena izy. Aleo aho hianoka tsara ao anatin'ity hasambarana ity fa tena lafatra loatra izy izany. - "Tojo ah, ampidiro any anaty ankajoko ny tananao dia safosafoy ny tenako iray manontolo" hoy i Malala tamin'ny feo miangoty nony avy eo nanapaka ny eritreritry Tojo lasa lavitra. Vetivety foana no nanarahan'i Tojo ny baiko nomena azy nampidina ilay tadin'akanjo iray teo amin'ny soroka ankavian'i Malala. Toa nandalovan-tselatra ny tany andohany tany nahita ny tati-nono mainty misy dentelles manify nanaovan'i Malala somary nanangasanga.
- "Mila vahanao kely koa ny "fermeture" aoriana akia Tojo an" hoy i Malala nanomboka nikisinkisina toa tsy mahandry ity fahavotsan'ity tovolahy manoloana azy. Tsy nila natoro intsony i Tojo nony avy eo fa tonga dia natsofony moramora tany anaty akajon'i Malala izay somary miala ilany fotsiny ny tanany hanafosafoany ny lamosin'ity olon-tiany. Malefaka be toa ireny hodi-jaza menavava ireny no fahatsapan'i Tojo ny hoditry Malala. Manomboka miha taitra daholo ny tenany iray manontolo. Raha ny sitrapon'i Tojo dia avy hatrany dia ny hihiditra avy hatrany any anatin'i Malala no tiany saingy efa nivalo ny hanaraka izay tian'i Malala izy ka dia nanaraka ny onjany fotsiny teo aloha sady naka fafiny hatrany. Nandritra izay fotoana izay nanomboka namaha ny bokotra tsirairay tamin'ny lobaka teny amin'ny Tojo tamin'ny tanany ilany fotsiny i Malala. Tena efa havanana sady mailaka mihitsy ny anao vavy. Tsy ela akory dia nihanjaka nibaribary ny tratra sy ny kibon'i Tojo izay tena mbola hita fa anjakan'ny hatanorana tokoa. Nosafosafon'i Malala ny tratran i Tojo sady narahiny tsongotsongo madinika teo amin'ny lohanonony. Nahatsiaro ohatran'ny maharary mangitikitika mahafinaritra izany ny anao lahy. Vaovao taminy ny zavatra tsapany. Tsy aritry Tojo intsony nony farany fa nalainy ny tanan'ity vehivavy dia napetrany teo amin'ny fehi-kibony. Azon'i Malala ny tian'i Tojo atao ary dia novahany haingana. Vao nivaha ilay fehin-kimbo dia toa ny tsy teo no namahan'i Malala ny bokotra sy ny "fermeture" izay tena niziriziry nibotsinan'ny filahian'i Tojo tao anatiny. Tsy nihambahamba ny anao vavy fa tonga dia natsofony tany anaty silipo tany ny tanany hahatsapan'ity filahiana efa tena mijaridina dia mijaridina aok'izany. Notopazan'i Malala maso kely ny zavatra fihinin'ny tanany. Fahafinaretana no tsapany tany anatiny. Toa mibosesika ao andohany ny filana te hampiditra azy io haingana any anatiny mba hahazoany tsirony mafimafy kokoa. Tsaroany tampoka anefa fa te hanome fanafinaretana faran-tampony an'i Tojo izy ka dia naleony mody nosafosafoina moramora teo ihany aloha ilay izy. I Tojo moa nandritra izay fotoana izay efa tsindrin-daona mafy ery ka sady niezaka ny hampidina ny patalohany hilatsaka amin'ny tany. Tampoka teo, natosik'i Malala hitsilany teo amin'ny seza lava izy sady niondrika ny anao vavy tonga dia nandray tamin'ny tanany ankavanana ny filahian'i Tojo teo amin'ny fotony. Nanomboka nosafosafoiny moramora tamin'ny tananany ankavia amin'izay ny loha-filahian'i Tojo izay somary namoaka ranoka madio somary maditidity. Fantany fa tena efa vonona be ity tovolahy manoloana azy. Na dia izany aza anefa dia tiany hampiakarina miadana ny onjam-pahasambarana tsapan'izy roa. Nikipy i Tojo fa toa sambatra loatra ny tenany. Tsy misy zavatra hafa ilaiko intsony eto antany hoy ny eritreritra niserana tao anatin'ny sainy. Aiza intsony aho no hahita fahasambarana ohatran'izany. Raha mbola varimbariana teo tokoa i Tojo no henony ohatran'ny nisy hafanana izany nandrakotra ny filahiany. Nahirany kely ny masony sady niharina kely izy hijery. Nangalam-pijery tany aminy i Malala sady nitsiky no niverina nanohy nitsetsitra sady nileladelaka ny halavan'ny filahiany.
- " Tiako be Malala a. Maninoa kay aho no omeno fahasambarana be ohatran'izany? " hoy i Tojo ohatran'ny farimparim-peo tampoka teo. " Mijaly aho rehefa tsy eo intsony ianao" tadidiny tampoka angamba fa mandalo ihany anie ity fahafinaretana tsapany ity.
Natosiky Malala tamin'ny tanany ankavia hiverina hidaboka anefa ilay tratrany niezaka niarina kely hijery teo iny toa milaza aminy hoe adinoy any izany tebitebinao izany fa ankafihizo aloha izay omekoanao izao. Nakipin'i Tojo indray ny masony sady ohatran'ny naka toerana tsara izy hakany izany tena fafiny omen'ity vehivavy azy.
- "Malala a, ho votsitra eto anie ity raha omenao tsirony be eo aho eh"
- "An, an" hoy i Malala sady nihato kely izy naka aina. " mbola vao fiantombohany fotsiny izao fa amboary ny saina Tojo ah. Rehefa miaraka amiko tsy maika ny handefa izany mihitsy, azonao?" sady naveriny natohoka teo amin'ny loha filahian'i Tojo indray ny molony roa malefaka sady somary matevina kely ny amboniny. Nitsangana i Malala nony avy eo dia nosintominy hiaraka aminy koa i Tojo.
- "Esory daholo ny ankajoko" hoy izy " fa mangetaheta anao ny vatako iray manontolo". Niarina haingana ny tovolahy ary dia nampidina ilay tadin'ankanjo teo ankavanana sisa tavela. Izay no ela fa tonga dia nihanjaka ny tampany ambonin'i Malala. Bika tsy manam-paharoa no nanoloana an'i Tojo. Nono mivohitra henjana tsara toa tsy nampino azy voaafina anaty taty nono mainty manify no tsinjony mirongaronga miandry ny tananany sy ny molony hanafosafo. Tsy maintsy somary narahin'i Malala tanana kely anefa ilay ankanjo mena manara-batana nony tonga teo amin'ny valahany fa somary teritery vao tafa ala tanteraka. Toa tsy nino ny mason'i Tojo fa eo anoloany indray ilay vatana tsy ahatsiarovany ny eto ambonin'ny tany. Toa ny tsy teo no namahan'i Tojo ny hidin'ilay taty nono tao aoriana sy nampidinany ny silipo "string" mainty teny amin'i Malala. Nosintoniny hanatona azy akaiky indray ny vatan'i Malala. Henony ny hafanana manenika ity vehivavy efa ihanahan'ny filana te hiray. Nifanantona indray ny molotr'izy roa sady nifanakalo tsetsitra sy rora toa tsy mahatsiaro izay eto ambonin'ny tany. Toa nandeha hoazy fa tsy tsikaritry i Malala akory ny tanan'i Tojo nakeo anelakelapeny. Tian'i Tojo ery ny mahatsapa ireo volo madinika malefaka tsara aratra mandrakotra ny tampon'ny fivavian'ity vehivavy. Lafatra no tsapany. Nalefany niaka-nidina teo ny tanany nanafosafo. Nakasokasony teo amin'ilay kitso kely efa henjana dia henjana tokoa. Nampidininy lalindalina ambanimbany ny tanany nony avy eo ary tsapany fa efa tena mitsiranoka madity aoka izany ity vehivavy manoloana azy. Nandeha hoazy ny fihetsika rehetra avy eo satria vao nahatsapa ny tanan'i Tojo i Malala dia somary nisabaka toa mankasitraka ny fihetsiny sady nanome alalana azy hiditra lalindalina kokoa. Ny oroka sy ny safosafo amin'ny tanana ilany avy ifanakalozan'izy roa amin'io mandeha ihany moa ny tanany ilan'i Malala manafosafo ny filahian'i Tojo efa nandranoka be aok'izany. Nanomboka henon'i Tojo nihanafana hatrany ny fofon'aina mivoaka ny vava oron'i Malala. Henony mimenomenona moramora sady miangoty ao ampoto-tsofiny i Malala nony avy eo hoe:
- "Ndao hoany ampandriana fa tena tsy tantiko intsony izy izany!"
- "Sao dia tonga tampoka eo aloha ry Mahefa sy Alexia eh?" toa tafaverina tampoka teto ambonin'i tany i Tojo.
- "Ndao fotsiny ho'a, fa mbola ela be ireny vao mody eo " sady notaritiny ihany i Tojo hoany amin'ny efitranon'i Alexia.
- " F'angaha tsy efitr'i Alexia ity? " hoy i Tojo.
- "ka ny ankizy anie matory ao amin'ny efitro e. Ndao fa tsy maninoa io fa hamboariko tsara rehefa avy eo, ndao haingana Tojo a. Mijaly be aho" Tsy nahaleo dohika i Tojo dia nanaraka ambokony sady toa tsy foiny koa ny hatapaka izao zavatra iainany izao. Izay iafarany any hoy izy fa aleo aloha aho haka ny anjarako.
Vao tafiditra tao anaty efitranon'ii Alexia izy roa dia:
- " Andraso eo kely aho" hoy i Malala " fa haka serviette hataontsika lafika" sady lasa izy nanao dia maika nivoaka. Vetivety dia iny ny anao vavy nitondra ireny serviette lehibe famelatra rehefa mitanin'andro eo amin'ny torapasi-morondranomasina ireny. Novelariny teo amin'ny karipetra malefaka feno volovolony nameno ilay efitra ilay servieta ary avy hatrany izy dia nitsilany teo amboniny sady novelariny ny feny. Tsy naha hetsika aloha i Tojo nanoloana ity fihetsika feno fahasahiana be ity.
- " Avy Tojo a, " hoy i Malala sady nantsoiny tamin'ny fanondrony hanatona azy eo ambany ity tovolahy. Niondrika moramora i Tojo saika tonga dia hiakatra teo ambonin'i Malala. Tsy niteny anefa i Malala fa ny tanany fotsiny no napetrany teo amin'ny soroky Tojo sady natosiny mafimafy ohatran'ny nanakana an'ity farany. Azon'i Tojo ny zavatra tian'i Malala hatao rehefa avy eo ka avy hatrany dia nandohalika teo amin'ny fivavian'i Malala izy sady nanomboka nanoronoroka ireo volo malefaka nandrakotra ny tampon'ny zohim-pahasambaran'ity ramatoa tiany. Niezaka nitraka kely i Malala handinika ity tovolahy tanora dia tanora mahita fahafinaretana amin'ny vatany. Nalain'i Malala ny tanany roa rehefa avy eo dia napetrany teo amin'ny lohan'i Tojo sady toa manosika ny tarehan'i Tojo hitakosinkosina lalin-dalina teo amin'ireo molotra roa efa diboky ny hamandoana izy. Somary naditidity masirasira ny tsiro tsapan'i Tojo. Asa na impiry amin'izao no niainan'i Tojo ny zavatra toy izao fa dia tena safononoka ny hasambarany ny tenany. Naveziveziny hiaka-midina iny afovoan'ny molotry ny zohim-pahafinaretan'i Malala iny ny molony sy ny lelany. Henony Tojo mimenomenona moramora ny anao vavy. Nampidiriny tao ambavany sady notsetsafiny maharitraritra tsindraindray ilay kitso kely efa tena henjana dia henjana ka niainga hoazy ny maojan'ity vehivavy heniky ny fahafinaretana.
- "Tinao ve" hoy i Tojo naka toky.
- "Tiako be izany an fa ataovy foana ... avia amin'izay ianao miditra any anatiko fa tena te hahatsapa be anao aho" hoy i Malala niangoty be sady nosintoniny hiakatra ho eo antratrany i Tojo.
- "Tinao ny milelaka azy io?" hoy ihany i Malala nony avy eo sady norohany ity tovolahy.
Tsy niteny i Tojo fa ny lohany fotsiny no nahatony sady noraisiny tamin'ny tananany ankavia ny filahiany hitady ny zohim-pahasambaran'i Malala. ...Natosiny indray mandeha tampoka. Nisento lalina i Malala sady nanakimpy ny masony.
- "Omeo ahy izay tadiaviko Tojo a, midira lalina be any anatiko any ianao fa mijaly be ny tenako" hoy i Malala somary ohatran'ny mandry maso izany mijery an'i Tojo sahirana manosika miditra sy mivoaka any anatiny.
- "Malala, tiako be enao" hoy i Tojo. " Maninona kay aho no ampijalinao e. Mandalo fotsiny ve izao hasambarana tsapako izao,..." sady mipaompy ihany ny tovolahy toa efa somary efa mitsingevana eny amin'ny habakabaka ny fahatsapany ny tenany. Tsy miteny intsony anefa i Malala nandritra izay fotoana izay fa toa toeran-kafa mihitsy no misy ny sainy. Ny masony moa ohatran'ny niakatra toa ireny olona safotra ireny na dia mihiratra aza. Ny tanany mamikitra mafy safy mifindrafindra no ahatsapan'i Tojo fa mbola mahatsiaro tena ihany izy. Tsy ela taorian'izay. Nitroatra tampoka i Malala sady nikiakiaka toa tsy nahafehy tena intsony niteny hoe " Tsy tanako intsony Hery an, *&%#..." Ny tanany amin'io namikitra be tsy nisy ohatran'izany ny valahan'i Tojo sady toa manosika ny maojan'ity farany hiditra lalina any anatiny. Nanaitra an'i Tojo moa ity ojam-pahafinaretana nitosaka tampoka ity ka tsy tanany koa ny azy fa nibosesika avy any koa ny azy. Tsy tadidiny intsony izay toerana nisy azy nandritra izay fotoana izay fa heniky ny fahafinaretana faratampony ny tenany iray manontolo. Rian'aratra mitselatra no tsapany niainga tany antampon-dohany, nandalo ny lohaliny ka nipaka hatrany ampaladihany. Safononoka sady nihanona ny hasambarana izy roa. Mbola nitakisinkisina kely teo aloha izy roa naka aina tsara izay vao Nahiratr'i Malala ny masony sady nitsiky izy no nisento tokana nijery an'i Tojo toa tony dia tony mandinika azy.
- "Mahay mampianatra mitia be enao an " hoy izy mantsy an'i Malala toa miezaka manamboatra saina fa vita hatreo ny tsirom-pahasambarana hiarahany amin'ity vehivavy nambabo ny fony.
- " Mety mbola afaka miaraka aminao ve aho rehefa tonga any Dago na hoe tonga mamangy an'i Alexia sy Mahefa aty ianao?"
- " Tsy haiko," hoy i Malala " Aleo fa ho hitantsika eo ihany izany fa amin'izao aloha dia amboary ny sainao mba tsy hijalinao irery aty lavitra aty." Tsaroany Malala tampoka tamin'izay fotoana izay mantsy fa toa niantso ny anaran'i Hery izy tamin'ny fotoana nahatsapany ny faratampom-pahasambaran'ny nofo teo iny. Natahotra izy sao dia noratrainy ny fon'ity tovolahy manoloana azy ity.
- " 'Zao Tojo a, fantatro fa tia ahy ianao, tsy misy miafina aminao anefa ny fiainako. Tsy afaka mampanantena anao na inona na inona aho fa ny hitako mety aminao dia ny mitady sipa mety ahazonao fahafinaretana be ohatran'izay nomeko anao teo izay, zany an." Tsy niteny tsy nivolana i Tojo fa i Malala no nataony tsara jery aloha tao anatin'ny segondra vitsy.
- "Eny e, aleo fa hiezaka hanamboatra saina aho. Misaotra anao aho nanome izay azonao nomena ahy. Enga anie mba hahita izay hasoloko anao tokoa aho... fa iza aloha ilay hoe Hery nantsoinao tamin'ianao tonga teo iny e... Sipanao taloha?" Nitsiky somary menamenatra i Malala.
- " F'angaha henonao moa izy teo iny?" hoy izy namaly moramora sadaikatra.
- " Henoko tsara saingy tsy dia norahirahiako loatra fa tena efa antomotra be nananika ny faran-tapony ianao moa izaho koa nahita fafiny be dia navelako tany fotsiny"
- " Aza fady Tojo a. Rain'ireo zanako kely anakiroa ireo izany Hery izany, tiako be izy izay saingy tena tsy misy hevitra mihitsy ny aminay e. Aleo tsy ho tantaraiko anao fa manjary mampitombo ny problemanao aty fotsiny."
- " An, an, tantarao fa aza maka fanahy ahy eo fotsiny enao e. Liana mihitsy aho"
- " Ndao aloha hiala tato haingana " hoy i Malala sady niarina izy dia namboamboatra ny efitra sady namoha ny varavarana nidanadana.
- " Aleo sokafako kely mihitsy ity varavaran-kely ity mba idiran'ny rivotra madio sao de misy fofona hafahafa ato ka raikitra eo indray ny fanontaniana hoe fa ahoana..ndana ianao tonga d mankany amin'ny douche fa tratrako any. Efa hoavy koa angamba ry zareo izay fa mila mandeha amin'izay ianao." hoy ihany i Malala ohatran'ny maika tampoka teo. Nanaraka ambokony fotsiny i Tojo na dia nanitikitika ny sainy mafy aza ny hihaino ny antsipiriham-piainan'i Malala izay toa tsinjony fa feno mistery.
Niditra namonjy azy tao amin'ny efitrano fandroana i Malala nony avy dia niara nandro hainga izy roa.
- " Zao ilay izy Tojo a. Izaho efa manambady an'i Ratrema io no niaraka tamin' izay Hery izay aho. Ohatran'izao nataontsika izao mihitsy no niantombohany. Dia io hitanao io fa dia niteraka taminy aho. I Ratrema moa momba dia natsangany ny zaza. Sarotra be noho izany ny tena fandehany fa tsotsoriko aminao fotsiny ilay resaka. Ny hiverenan'ny zavatra izay niainako teo aloha no nahatonga ahy niahotra ny hiaraka taminao. Ianao moa nisisika be dia iny niarahantsika nanao teo iny ny tohiny hatramin'izao iresahantsika izao. Handeha aho rahampitso an. Dia tiako raha handinoinao tanteraka ny amiko. Efa nomeko anao izay notadiavinao dia amboary ny saina fa mino aho fa misy vehivavy afaka manome anao tsaratsara kokoa noho izay nomeko anao any ambadika any. Be koa ny zavatra miandry ahy any Dago ka ary an'isan'izany i Hery ka aleo ianao manamboatra saina raha ny amiko. Aza malahelo an." Sady norohan'i Malala moramora teo amin'ny molony indray i Tojo. Te hitomany mafy ny tovolahy nefa menatra ka dia niezaka ny nanamafy fo.
- "Misaotra Malala a. Azokazoko izao ny momba ny fiainanao. Aleo fa hiezaka aho ny hanamboatra ny saiko. Ny faniriako dia ny mba hijanonantsika ho mpinamana foana na dia aty lavitra aty aza aho. Mitady anao aho rehefa tonga any Dago na dia hiara hisotro ranomboakazo fotsiny ihany aza, sa ahoana?" Nisento kely i Malala naheno an'izay tenin'i Tojo izay. Toa tafita tany amin'ity farany ihany ny tiany hampitaina.
- " Ndao amin'izay hivoaka tato sao dia tratra eto sika ry Tojo kah! izay vao tena loza ...." hoy izy ohatran'ny nijaikojaiko nibitabitaka nivoaka ny efitrano fandroana. Niakanjo haingana izy roa dia niverina tao amin'ny efitranon'i Alexia i Malala nanidy ilay varavaran-kely novohany teo. Efa tsy nahare fofona hafahafa intsony moa izy niditra ny varavarana avy nandro teo ka dia nilamina ny sainy fa tsy hahatsikaritra na inona na inona i Alexia raha miditra eo. Ohatran'ny vita koa angamba ny valifatiny tamin'ilay fahatsapana fihatahana nataon'i Alexia azy anikeo maraina rehefa avy nanaram-po tamin'ny filan'ny nofo tao amin'ny efitranon'i Alexia izy sy Tojo. Nivoaka ny efitrano izy nony avy eo dia nahita an'i Tojo efa tafa akanjo sady nanamboamboatra ny teo amin'ny seza lava nilalaovan'izy roa .
- " Izay Tojo a. Misaotra tamin'ny fanampiana rehetra, dia tafita amin'ny fianarana, dia mahazoa vady iadanana, dia ... ataovy fotsiny hoe vahiny teo amin'ny fiananao aho, dia teneno aho rehefa hoa vy any Dago ianao. ...mifanoratra mailaka eo ihany isika na henonao amin'i Mahefa sy Alexia eo ihany ny vaovao momba ahy." Sady norohany teo amin'ny molotra indray i Tojo no nofihinina mafy. Nifanakalo oroka kelikely teo izy roa dia hoy i Tojo niezaka nampahery tena nanoloana ity fakam-panahy mila handifotra azy hoe:
-" Aleo aho handeha amin'izay Malala fa tonga any CDG aho rahampitso manatitra anareo raha tsy sarotiny i Professeur."
- " Okay zany Tojo fa tsy hitako hoe inona moa no tokony hahasarotiny azy. Antsoy izy rahariva dia ho hitantsika eo e. Raha sanatria ka tsy mihaona intsony dia ireny efa noresahintsika ireny an." Sady naterin'i Malala teo ambaravarana i Tojo hivoaka ny trano.
Tadio ([email protected])
Nisento fotsiny i Mahefa, nandrasany aloha i Alexia hanala ny fony teo an-tratrany. Tsy maintsy nanova resaka indray izy nony avy eo, fantany mantsy fa mafy loatra ny alahelo manjo an-janany.
- "Alexia an ! tsy tadidinao angaha fa androany ange ny fotoana hijerena ny toe-pahasalamanao any amin’ny hopitaly e! miomàna fa hateriko any ianao, rehefa vita ny fitiliana dia alefako fiarakaretsaka ianao miverina mody aty antrano."
- " Tena saika adinoko. Marina tokoa izany ry Dada," hoy i Alexia sady namafa ny ranomasony tamin’ny takolany izy. Aleo hiomana haingana aho dia mandeha isika e!"
Talohan’izay anefa teny an-dalana, tao anaty fiara nentin’i Tojo :
Tsy niteniteny mihitsy i Malala, mbola somary vonto ny fony tamin’ny fihetsik’i Alexia teo, tsy mba fanaon’i Alexia mihitsy ny toy ireny hoy izy. Tsapany ary hitany mivantana amin’izay ny fiovan’ity zaza natsangany nony injay nahalala ny marina momba an’i Mahefa izy.
Ny toerana haleha fotsiny moa no nanontaniany an’i Tojo, dia nitondra azy tany ity tovolahy. Izy mianadahy kely ao aoriana samy mipetraka anaty fitaizàna, finaritra ery mijery ny manodidina rakofan’ny ranomandry fotsy. I Malala amin’io maka toerana eo afovoan’izy dahy, zipo mena malama izay no nanaovany, mipetaka tsara amin’ny feny ny ravin-damba, sendra nitsipalotra fotsiny ny mason’i Tojo no nahatsikaritra izay raha nihemotra naka fitoerana tsara iny izy. Te-hiresaka mafy i Tojo, fa toa tsy sahy, moa i Malala koa toa manjetoka toa lasam-borona izany. Tsy aritry i Tojo intsony anefa nony ela ny ela:
- "Malala an!"
- " Ahoana?" hoy i Malala mody tsy rototra.
- "Misy mahatezitra anao angaha?"
- "shhhh……………, fa angaha ………….. ssshhhh, tsy idiranao izany!"
- "Teneno e! teneno raha misy manahirana anao?"
………………….
- "Efa handeha koa izahay telo mianaka izao, avy maka vola ato isika dia mankany amin’ny masoivohom-pitaterana anabakabaka hamandrika ny toerana hodinay."
- "Hay handeha ianareo?"
- "Efa ela mihitsy no niandrasako izay, fa izao vao tena lasa!"
Somary nalahelo kely i Tojo, toa hikopak’elatra ity namany nitsirian’ny fitiavany. Tsy afaka ny hitazona izy, tsy manan-jo ny handresy lahatra ihany koa, nitempotempo mafy ny fony tao anatin’ny fotoana vitsy, te-hanana fotoana lava hifankahitany bebe kokoa sy hanaposahany ilay fitiavana nangalarina tao anatin’ny fotoana fohy nefa niraikitra tao am-pony.
Saingy, handeha i Malala, fotoana fohy sisa, ary mety ho andro vitsy. Dia hivadika ho tantara ilay fiarahana maminy tsy ho hadinoiny mandrakizay.
- "Malala an ! itsy ilay masohivoho notadiavinao, tianao angaha ny hiarahako aminao any!"
- "Tsy maninona ka, andao, hidio ny fiara dia araho fotsiny aho."
Dia lasa izy efa-mianaka mianaka, niditra tao amin’ilay birao. Natao ny famandrihana toerana:
- "Arak’izay haingana indrindra," hoy i Malala.
- "Tsara vintana ianao madama raha izany, misy mpivady nanao fampihemorana ny diany, ka misy toerana ho an’olon-droa malalaka rahafakampitso maraina."
- "Tsara be izany," hoy i Malala, sady faly no nibitaka teo am-pitoerany.
- "Misaotra betsaka. Efa may ny hody mihitsy aho."
Nisento fotsiny i Tojo nandre izany rehetra izany, toa sary tsy adinony tao an-tsainy ilay nataony tamin’i Malala. Nefa dia hotapahina sahady ve? Lasalasam-borona ny tovolahy. Tsy azony intsony ilay fihetsiky Malala tato ho ato, toa tsy miraharaha azy, toa nanadino ilay fahasambarana nangalarina toa indray mipi-maso fotsiny. Raha tsy lasa nandehandeha eran’ny trano i Toky kely ka nodomin’i Malala izy vao taitra, nitsangana dia nisarika ity zazakely te-hilalao mafy ho eny amin-dreniny.
Vita ny famandrihana ny toerana rehetra, dia nitsangana i Malala, dia nanaraka koa ny tovolahy, nitrotro an’i Toky, lasa nivoaka ny efitra.
Izay vao hitan’i Tojo miramirana aok’izany ity Malala, toa velon-tsiky mihitsy aza, misoritra teny aminy ny hafaliana. Nefa i Tojo kosa tsy nahateny, tsy nahavolana. Zara izy raha nahateny hoe "handeha ho aiza indray isika?".
- "Mody ka," hoy i Malala, "rahariva isika angamba miantsena raha eken’i Mahefa, sy raha afaka koa ianao!" Nanainga hatoka koa i Tojo, tsy niteny.
Dia nangina aloha teny an-dalana, tsy aritr’i tojo intsony fa nalefany ny zava-maneno tao anaty fiara, sady naka horonam-peo misy ny raki-kiran’i Poopy izay ankafiziny tokoa izy, nandeha ny hira, samy nankafy koa izy ireo fa any an-tany lavitra rahateo moa, saika fandaharana avy any ivelany hatrany no narahina hatramin’izay. Nandeha amin’izay ilay hira miventso hoe :
« Raha handeha ianao izao,
Ka hilaozanao eto aho,
Raha avelanao irery,
Dia hangina aho tsy hiteny…………… »
………………
« Fa ny ho aviko eny indrisy,
Efa nopotehinao,
Hosaronako ilay tsiky,
Amin’izay tsy ho fantatrao »
(Poopy)
Dia nihira i Tojo sady nampiaka-peo hoe :
« …..Tsy ataoko ho fantatrao,
ny ratram-poko ao…………….. »
Nihomehy fotsiny i Malala tao aoriana tao, tsy azony an-tsaina fa izy no iantefan’ilay hira. Dia hoy izy
- "fa angaha dia tena nisy olona nandratra ny fonao mihitsy tany ry Tojo," sady lokilokin’ny hehy ny anao vavy.
Somary nitodika aloha i Tojo, nijanona tsy nihira, ny fitaratra no somary nahodiny hifanandrify amin’ny mason’i Malala, nahenany ihany koa ny feo.
- "ppfff, ahatsiarovako zavatra maro izany hira izany, izay no ametrahako azy ato anaty fiara ato, fa fiainana izany ka atao ahoana e!"
- "Mba tantarao e! sao dia ianao kosa ary no nandeha dia lasa namaky fon’olona tany Dago tany?"
- "Tia olona izay tsy tia ahy akory aho, noraisiny ho sangisangy ilay fitiavako, nefa aho nanolotra ny foko manontolo ho azy."
- "Manomboka liana amin’izany tantaranao izany aho ko, tiako ho fantatra alohan’ny hiverenako any Dago ilay izy, marina ange izany ry Tojo e!"
- "Izaho koa no adala e ! tia olona efa manan-tompo, sady nodondominy ny lohany. Olona efa manam-bady, ny zanany menavava, tena adala mihitsy aho e !"
- "Fa iza izany vehivavy maha-potipotika anao izany e! tovolahy tahaka anao izao ve dia ….. "
Sady nitodika i Tojo no nijery mivantana an’i Malala……….
- "Fa noheverinao iza?"
- "Izaho ve? hoy i Malala sady nanondro ny tenany izy no nivandravandra be ! « Non ! c’est impossible ! ».Sangisangy fotsiny ange ireny nataontsika sy ianao ireny e ! ny fahitako fa ianao manana ny fiainanao dia tsy mety amintsika ny manohy. Naleoko niala tsotra izao."
- "Tsy tsapanao mihitsy izany ireny fihetsika marobe nataoko ireny, fanampiana samihafa, vonona hatrany rehefa irahina," hoy i Tojo namaly azy.
- "Tojo an ! ajanony etsy aloha ny fiara dia andao hiresaka isika."
Naka toerana teo anoloan’ilay fivarotana lehibe i Tojo, ny ankizy koa moa ireto efa renoky ny torimaso norotsirotsian’ny lalana, dia nifindra nankao aloha i Malala.
- "Andray ry Tojo, hay ve ka noraisinao ho tena izy ireny nataontsika ireny e! Averiko fa dia fiarahana tsotra fotsiny ange e! izaho aza nihevitra fa …………… "
- "Eto vao tsapako ny nenina nataoko ry Malala an ! tsy tokony ho nanao ireny aho, nataoko foana izay hifampiresahana aminao hanambarako ny ato am-poko, dia izao, nefa ianao handeha. Ary ora aza sisa no isaina."
Nahankin’i tojo tamin’ny fitaratra ny lohany. Nitsipalotra kely teny amin’i Malala fotsiny ny masony dia nifampijery izy roa.
Farany, nalefan’i Malala teny amin’ny takolany ny tanany, nanafosafo kely sady niteny hoe :
- "Azoko tsara Tojo an ! ary misaotra anao tokoa aho noho izany, tena manohina ny foko ny fihetsikao, nefa tsy maintsy mandeha aho, miandry ahy ny tanindrazako, miandry ahy koa ny vadiko. Tsy hoe tsy mitempo fitiavana anao mihitsy aho akory hatramin’izay fa……….".
Notapahin’i Malala ny teniny, tsaroany tsara ny fotoana tahaka izao, nataony tamin’i Hery, fantany ary tsapany ny fahadisoana nataony, ary fantany fa ratsy hatrany ny vokatry ny fihetsika tsy voahevitra nataony ka tsy tiany hodiavin’i Tojo indray.
Tsapany ho misy hafaliana any am-pony any, nefa misy fanontaniana mipetraka ihany koa ny hoe maninona ny tovolahy mbola tanora tahaka an-dry Hery sy Tojo no raiki-pitia aminy. Nandini-tena tao anatin’izay fotoana izay i Malala, kanefa notairin’i Tojo hoe :
- "fa…………. andrasako ny tohin’ny teninao Malala an!"
- "An !" hoy ity iray somary taitra, "fa inona no noteneniko teo?"
- "Hoy ianao hoe "tsy hoe tsy mitempo fitiavana anao mihitsy aho akory fa…… " dia notapahinao ny teninao."
- "Sarotra be izany Tojo an! manana ny ho avinao mamirapiratra ianao ka aza simbaina amin’izany."
- "Malala an ! tia anao aho. Mitalaho an-tanan-droa aho, mijanona aloha andro maromaro, mbola azo ovaina ny famandrihana teo, ampianaro mitia aho……… ampianaro mitia anao!"
Nanankin-doha fotsiny i Malala, nijery ny tafon’ny fiara, ny tanany roa no nasafony ny tarehiny.
- "Tojo an ! tsy aleo aloha mody isika handinihana izany rehetra izany. Savolaina be ny foko sy ny fanahiko mandre izany teninao izany. Azonao atao ny manatitra anay telo mianaka any an-trano?
Nijery an’izy mianadahy kely tao aoriana izy ireo, mbola matory fehizay, ny toeran’izy ireo koa mifatotra tsara, tsy misy atahorana. Dia lasa avy eo namonjy ny tranon’i Profesora Mahefa.
Teny an-dalana, ny tanan’i Tojo tsy niala teo amin’ny famindrana hafainganam-pandeha, dia iny koa ny tanan’i Malala ankavia namonjy ny azy, namatotra sy nanafosafo tamin’ny ratsan-tanany, dia noraisin’i Tojo koa, nampifandraisiny tamin’ny azy. Nifampijery kely izy roa, nifampita hafanana amin’ity andro mbola mamirifiry.
Eny e ! nifampita hafatra am-pitiavana ihany koa angamba.
Rehefa tafavoaka ny fiara izy rehetra, izy mianadahy amin’io mbola renoky ny torimaso tokoa, faly ery ny reniny mahita azy ireo mandry eo an-tratrany, norokorohany kely. I Tojo kosa mitondra ny entana rehetra. Niakatra ho any an-trano.
Teny an-dalan-tsara anefa, naneno ny findain’i Tojo.
- "Allo ! Tojo ! Profesora Mahefa ihany ity ry ise an!"
- "Eny tompoko ! izaho ihany, mihaino anao!"
- "Lasa niaraka aty amin’ny hopitaly izaho sy Alexia ka nohidinay ny trano, mbola eo akaikin’ise eo angaha i Mme Malalatiana?"
- "Eny tompoko!"
- "Hay, dia izao ary, amin’ny lakilen’ny fiara dia misy ihany koa ny lakilen’ny trano ka iny no amohan’ise ny varavarana rehefa tonga ao an-trano ianareo, sao mantsy mangatsiaka any ny zazakely ka ho loza, fa aiza ianareo io?"
- "Miakatra ny tohatra mihitsy izahay io, efa kely sisa dia ho tonga ao an-trano."
- "Omeo ahy ary i Malala e!"
- "eny ary!"
Dia natolotr’i Tojo ny finday, noraisin’i Malala.
- "Allo Malala an!"
- "Allo!"
- "Izao e! saika adinontsika fa hay moa androany i Alexia no miverina any amin’ny hopitaly hozaham-pahasalamana, vao ety an-dalana mihitsy izahay mianaka io. Ka sao dia gaga ianao hoe lasa aiza i Alexia fa niaraka izahay. Efa natoroko an’i Tojo teo ny lakilen’ny trano ka tonga dia midira fa sao mangatsiaka ny zazakely. Izay ! izay fa mbola mety ho elaela mihitsy izahay!"
- "voaray Mahefa an ! amin’ny firy izany ianareo no miverina?"
-" Mbola mety ho ela mihitsy, fa rehefa vita mantsy ilay fizaham-pahasalamana dia tiako mba ho hitan’i Alexia ny hopitaly fiasako e!"
- "Tsy maninona ary e ! efa hiditra ny trano koa izahay io.
- "Tompoko, tompoko, eny tompoko………" hoy i Malala tamin’ny tsikitsiky. "Ianao ity fatra-panaja an!"
- "Ka raisiko ho toy ny raiko mihitsy ange izy iny e!"
Nosokafana avy eo ny varavarana, dia niditra, nentina tany amin’ny efitranony ny ankizy kely, dia nitohy ny torimasony.
Dia hoy i Malala!
- "Aleo ianao mipetraka eto amin’ny fandraisam-bahiny fa hikarakara zavatra mafana ho anao aho, andraso eo an!"
- "Sao dia tokony ho ampiako ianao? tsy maninona ange e!"
- "an an an ! andraso eo mihitsy, ataoko izany ho fisaorana anao. Ny zazakely koa moa natory ka tsy sahirana mihitsy aho."
Sady lasa i Malala nankany an-dakozia, nikarakara sy nandefa ny fanaovan-dite; tsy hitan’i Tojo akory ny nifindrany tao amin’ny efitrano ilany fa variana namaky revio teo ambony latabatra izy. Afaka fahefatr’adiny, nivoaka ny vehivavy, mitondra ny ranon-dravim-boafotsy mafana.
Ny akanjony amin’io mena midorehitra manify dia manify. Akanjo tokana mampiseho ny bikan’i Malala amin’ny tena ankafizan’i Tojo azy. Ambony kely ny lohalika fotsiny ny moro-tongony, fa hita misoritra tsara ny fe sy ny amboniny rehetra. Tady kely no mitazona ny eny ambony, somary mirafitra telozoro ireo tako-nono roa, mivoitra tsara mampiseho ny hakantony.
Manaitra avy hatrany ny mijery azy. Tafatsangana mihitsy i Tojo raha nahita an’i Malala.
- "Non, mipetraha amin’ny toeranao teo ihany ry Tojo. Izaho no hikarakara anao androany." Sady somary natosiny i Tojo hipetraka dia narahiny koa.
- "Te hianatra mitia ahy ianao? ……………dia izaho izany no hampianatra anao!
Fa alohan’izay, sotroy aloha ity dité mafana ity, fa tiako hafanafana tahaka izay koa ianao.
Sady nitsiky i Malala no nijery an’i Tojo, ny maso manao fijery miangoty aoka izany………..
Tadiom-pitiavana ([email protected])
Tao anatin’ny fotoana indray mipi-maso Ratrema no tonga saina tampoka:
- "Manana ny zoko aho," hoy izy, "manana ny zoko hiantso ny mpisolo vava ahy. Tsy azonareo sambotsamborina tahaka ny mpangalatra aho. Zoko ny miantso ny mpisolo vava ahy izao dia izao."
- "Ianao ity ve rangahy mitapy an! efa olona tratra ambody omby izao ianao mangala-badin'olona ka hoe manana ny zoko aho, ..." hoy ny vadin’i Corine somary nohetanin-katezerana.
- "Manana ny zony tokoa izy," hoy ilay vaditany nanamafy, fa na izany aza, ny fahatratrarana azy dia midika fa azon’ ny polisy entina avy hatrany hanaovana fanadihadiana any amin’ ny kaomisaria izy. Zon’ny kosa araka izay voalazany ny miantso ny mpisolo-vava azy."
Tsy namaly intsony moa ny vadin'i Corine taorianan'izay fa dia niandry izay ho tohiny teo sisa. Ny masony amin'io mivandravandra any amin'ity vadiny mifokofoko mitomany.
Noraisin-dRatrema haingana ny telefaona, niantso avy hatrany ny mpisolo vava azy izy. Rehefa niresaka elaela teo izy dia nanaiky ihany i Ratrema ny ho entina any amin’ny kaomisaria fa any no ifanaovan’izy ireo fotoana. I Corine kosa amin’io mbola nitohy nitomany ihany. Ny manjamasony amin'izany rava daholo sady nitakosina tamin’ny tarehiny. Nofafafafana fotsiny no niafarany.
Afaka folo minitra, indreny ry zareo nivoaka ilay trano fitaratra be eo Ankorondrano misy ny biraon'i Ratrema. Nandray fiara dia nizotra nankany amin’ny kaomisaria teny Tsaralalana.
Natao ny fametrahana fitoriana, nalàna am-bavany ary samy niaiky ny heloka vitany ny tsirairay. Tonga avy eo ny mpisolo vava an-dRatrema, nanambara ny zony sy ny tokony hataony, ary nametraka ny onitra tokony haloany mba ahafahany mivoaka faran’izay haingana indrindra. Zony ihany koa ny hampitoetra ho tsiambaratelo izao zavatra mitranga izao mba tsy hiseho imasom-bahoaka.
Voaloa avokoa ny vola rehetra, dia nisaraka teo ry zareo, Ratrema niaraka tamin’ny mpisolo vavany, i Corine mivady kosa lasa nody.
Niverina tany amin'ny biraony indray aloha i Ratrema naka ny antontan-taratasy mbola tsy vita izay tokony entiny mody. Injay fa naneno ny finday. Noraisinay:
- "Malala an!" nisento fotsiny Ratrema
- "Allo!"
- "Eto ihany aho Malala an! manao ahoana ianareo rehetra any?"
- "Tsy misy maninona aloha hatramin’izao, vita ny fety, izahay salama tsara avokoa. Fa fantatrao ihany ny antony iantsoako. Ratrema an! efa te-hody mafy mihitsy ange aho izao e!"
- "Eny Malala an! tena fantatro mihitsy, fa manana olana goavana be mihitsy aho aty, mbola tohin’ilay olana tamin’izaho tany! Raha mba niaraka tamiko taty mantsy ianao, mety tsy ho tahaka izao mahazo ahy izao ny fitrangan-javatra, ny mason-dRatrema amin’io manganohano ihany."
- "Ratrema an! fa misy inona e?"
- "Omany ny entana amin’izay ry Malala an! aleo mody amin’izay ianareo fa malahelo ny zanako aho! Malahelo anareo rehetra."
Faly aok’izany i Malala nandre ny feon-dRatrema nitalaho taminy ny hodiany amin’izay. Tsy andriny intsony ny ahatongavan’ny andro maraina hanaovany ny famandrihana ny toerana hiverenany an-tanindrazana.
- "Ratrema an! tena tiako be mihitsy ianao ! tsy andriko intsony ny ahatongavako any hanampy anao! Izay chéri an!"
- "Izaho koa mbola tia anao foana ry Malalako," hoy Ratrema sady latsa-dranomaso no nanapaka ny antso.
Niondrika teo ambony birao izy sady nifokofoko nitomany, nidradradradra irery tsy nisy nandre. Nalahelo mafy ary nanenina tamin’izay nataony.
Tahaka ny akoholahy voakapoka Ratrema nandeha nody, ny antanam-botsitra ny nantenain-tsy azo. Tsy kivy anefa ny lehilahy, tsy maintsy hitako foana izay vahaolana amin’izao krizy mandalo amiko izao hoy izy nankahery tena.
Nalahelo mafy ny ankohonany izy, tsy lalim-paka tahaka izao ny fitiavany ireo zanany hatramin’izay, fa nony injay lavitra azy dia toa manembona mafy ny fony te-hahita azy ireo sambatra ery eo anilany.
___________________________________________
Tany ampitan-dranomasina ny ampitson'io:
Endrika falifaly sady miramirana no nifohazan’i Malala tao am-pandriana, Nahavatra nifoha maraina mihitsy izy hiomana sahady handeha. Handeha ho aiza anefa?
Gaga izy raha nandalo ny lalantsara, nahita an’i Alexia nivoaka ny efitranon’i Mahefa, vao avy nifoha mihitsy.
- "Manao ahoana i Neny?"
- "Manao ahoana, natory tsara, fa angaha ity indry tao no natory," hoy Malala somary taitra.
- "Ie! tato amin’i Dada aho no natory tamin’ny alina…"
- "Fa nisy inona?" hoy i Malala sady nanokatra ny varavarana, hitany i Mahefa matory eo ambony seza lava, mitafy bodofotsy, ny fandriana kosa hita fa vao nialàn’i Alexia vao fotoana vitsy.
- "Fa inona koa ary ity mampisendaotra an’i Neny, ka tato aho no natory dia izay."
- "Fa angaha ity indry tsy manana ny efitranon-dry? sady notaritarihiny i Alexia hanaraka azy hidina ny tohatra, alazako amin-dRain-dry fa ataovy tsara, mitady hanararao-p…"
- "ssshhhhh, fa ity Neny ity ve adala e! inona ny fahadisoako amin’izany, ary i Neny izany ange manomboka miheritreritra zavatra hafa mihitsy e!"
- "Fa misy inona indray e!" hoy i Mahefa etsy ambony mitazana azy mianaka!
- "Fa inona no mahatonga an’i Alexia natory tao aminao, nefa ny efitranony malalaka?"
- "Ka tsy nandeha tsinona ny hafanana tao amin'ny efiny dia naleoko nafindra tao amiko izy no natory."
Tsy niteny i Malala, nangina fotsiny. Lasa izy nirintona tany an’efitra hafa. Toa menatra ihany nefa . Fotoana vitsy monja dia nivoaka indray…
- "Eny e ! tsy maninona izany, fa ianareo moa izany efa mifandray am-po tsara, dia ilazako fa handeha amin’izay izahay telo mianaka. Hamandrika ny toerana amin’izay aho rehefa avy eo! Ratrema mihitsy no niantso ahy mba hiverenako amin’izay. Halefany ny vatsy an-dalanay. Azoko atao ve ry Mahefa ny miantso an’i Tojo hiaraka amiko hikarakara ny famandrihantoerana androany?"
- "Ka maninona moa raha afaka izy", hoy i Mahefa.
Nangingina tsy nisy nifampiteny tao an-trano, i Malala toa manjetoka izany, tezitezitra fa asa mihitsy izay nahazo azy tampoka teo.
Nantsoiny tamin’ny telefaona i Tojo, avy koa dia nanaiky ny anao lahy.
Adim-pamantaran’ora iray dia tonga izy. Tsy be resaka fa dia andao fotsiny vao vita ny arahaba.
Nifampiresaka nilamina tamin'izay i Alexia sy Mahefa nony lasa kelilkey i Malala sy ny ankizy.
- "Dada an ! fa maninona kay i Neny no nanao toy ireny."
- "Ireny anaka no atao hoe fon-dreny, mitranga tahaka ireny izy indraindray. Ka naleoko tsy niteny mihitsy mba hanalàny ny fony."
- "Tsy azoko!" hoy i Alexia.
- "Malahelo izy satria amin’ny maha reny azy izay dia saro-piaro izy rehefa mandao azy ilay fitiavan’ny zanany azy. Tonga dia azoko avy hatrany izany teo, isika mianaka rahateo moa mifandray am-po be, dia mahatsiaro ho voailikilika izy, manirery ka nanaitra ny fony ianao natory tato amin’ny efitranoko tamin'ny alina, eny e ! misy fahadisoako ihany ilay izy, nefa tratry ny tampoka koa aho tamin’iny. Eny anaka, mbola ho tsapanao koa izany rehefa lehibe, rehefa…"
Notapahin’i Mahefa tampoka ny teniny, tsaroany fa i Alexia ange ka tsy afaka intsony ny hanana anaka na oviana na oviana satria efa nalàna taminy ny tranon-janany. Hadinony hatramin’izay izany fa dia faly sy nikorana tamin-janany foana no nataony. Navadiny haingana ny resaka:
- "Eny e! trangan-javatra mpiseho ireny fa andao hiresaka zavatra hafa isika mianaka."
- "Ohatran’ny mahatsiaro diso ihany aho ry Dada teo, hay izay tokoa ilay fon-dreny, tsy maintsy mbola ho tsapako izany rehefa lehibe ny zanako any aoriana any. Sa tsy izany ry Dada?"
Sanganehina fotsiny i Mahefa, tsy nahita havaly, hay izay resaka tranon-jaza zay mbola olana goavana mila vahana ! Tsy maintsy ho fantatr’i Alexia na ho ela na ho aingana ny tsy fahampiana aminy, ny toe-batany iray manontolo mihitsy no hiova ary tsy maintsy ho tsapany koa!
- "Alexia, zanako izany, tsy maninona ve raha hiresaka zavatra hafa isika mianaka?"
- "Resaka toy ny inona moa ry Dada!"
- "Asa, tsy mampaninona ve ny miresaka Hery?"
- "Hery, Hery, fa maninona no tian’i Dada horesahina ny momba azy."
- "Asa tokoa, fa aleo tonga dia tsoriko e! mahare izay anarana izay foana aho tato ho ato, ary tamin’ny alina ohatra dia « Hery » no nantsoitsoinao ka nanaitra ahy. Ka asa, ataoko angamba fa fotoana izao. Ny hany fantatro mantsy dia ny hoe fofombadianao hono izy ary efa vita fisehoana ianareo. Asa, mety malahelo azy angaha izany zanako izany?"
Nisento indray mandeha fotsiny i Alexia, dia nifampijery izy mianaka, nanomboka nanganohano ny masony.
- "Azafady izany zanako izany, sady nahankiny tamin’ny tratrany ny lohan-janany, nampalahelo anao indray aho!"
- "Tsy maninona izany Dada an! fotoana koa angamba izao!"
- "Fa angaha tsy afaka mifampiresaka ianareo?"
- "Tsy haiko intsony ! Tsy fantatro intsony koa, nanofy ratsy aho tamin’ny alina hoe nandao ahy ho any amin’ny mandrakizay izy, fa tao anaty nofy fotsiny. Izy nilatsaka tany anaty hantsana no taitra tampoka aho, iny niantsoatso nanaitra an’i Dada iny."
Tamin’izay no nanomboka nilatsaka ny ranomason’i Alexia.
- "Dada an ! misy manjo azy any lavitra any matoa aho manofy tahaka ireny. Ary ny laharan’ny findainy efa tsy miasa intsony ."
Nitomany i Alexia, nanafosafo ny lohany no mba azon’i Mahefa natao.
- "Tsapako mihitsy izany anaka, tena tsapako tokoa, tadidio fa efa niaina ny mafy tahaka izany tokoa aho, indraindray aho taloha, nanofy mihitsy hoe nianjera teny amoron-tevana i Vololona, izaho no nitaty azy avy ety ambany, indraindray nanofy hoe : nofaon’ny fiara izahay….. mafy koa anaka ny nentiko nandritra ny roapolo taona mahery izao, fa dia indro ianao eto anilako eto, tony ny foko manana anao, ka aza malahelo intsony ny fonao fa eto foana aho izany zanako izany."
- "Eny e!" hoy ihany i Alexia mifokofoko, ekeko tokoa ny teninao, fa manana ray azoko itokisana aho, nefa tsy mety afaka ato an-tsaiko ilay fijeriny farany ahy tao anaty nofiko.
Nisento fotsiny i Mahefa, nandrasany aloha i Alexia hanala ny fony teo an-tratrany.
Tadiom-pitiavana ([email protected])
Naka rivotra teny amoron-tevana i Alexia sy Hery tamin’io harivariva io. Na dia nisy soratra aza teo nandrara azy ireo fa tsy azo ipetrapetrahana dia toa tsy nahasakana azy roa ny hankafy ny tsio-drivotra malefaka sy ny hakanton'ny tanàna tazany tery ambany izany.
Nony tafapetraka anefa dia samy nangina tsy nisy niteny izy roa. Toa samy mandinika ny ho aviny angamba, na koa nisaintsaina lalina ny fiainany avy sy izay vita hatrizay. Nitsangana tampoka i Alexia nony avy eo sady niteny tamin’i Hery hoe:
- "Hery an ! efa tena mangatsiaka aho, tsy aleo ve mody amin’izay isika?"
Tsy niteny i Hery fa nibanjina azy fotsiny aloha…
- "Tsy maninona," hoy izy, "andao ary hody fa na izaho koa aza mahatsiaro mangatsiaka aty amin’ny lamosiko aty!…"
Raha nitsangana iny anefa i Hery dia nibolisatra tampoka ary nikorisa nankeo amin’ilay moron-tevana. Ny tanany sisa no namikitra tamin’ny sisin-bato. Ny vatany efa mikiraviravy any amin’ny hantsana; Taitra sady nikoropaka i Alexia niezaka namonjy ity olon-tiany sady niantsoantso hoe:
- "Hery an ! omeo ahy ny tananao, haingana…"
Tsy afa-nanoatra i Hery, ho latsaka ihany izy raha vao manala ny tanany amin’ilay vato namikirany. Ny fony midobodoboka mafy aoka izany, tsy sahy nitodika nijery izay taoriany.
- "Hery, samboriko avy eto ny tananao… Hery an ! matahotra aho."
Raha iny nisambotra ilay tanan’i Hery iny i Alexia, no avy hatrany dia nihongotra teo amin’ny toerany ilay vato namikiran’i Hery teo, nikoropaka izay tsy izy iry roa, nifampisintona, niezaka ny hifamatotra mafy amin’ny tanany.
- "Hery an ! mavesatra be…. Mila tsy ho zakako, maharary ahy ny tanako ! Hery an !!!"
- "Alexia an ! maty aho fa aza avelanao, aza avotsotra fa mamikitra mafy aminao aho."
Tsy nanahetsika aloha izy roa nandritra ny fotoana fohy, nefa ny fisinton’ny hozatra amin’io tsapa niha-mavesatra sy manaintaina ihany.
- "Hery an ! maharary be ny soroko, mila tsy ho tantiko intsony ! Hery an!..." sady nanomboka nangovitra ny feon'i Alexia.
- "Andraso aloha Alexia! hiezaka hamikitra amin’itsy vato itsy aho," hoy i Hery nanomboka nangovitra ihany koa.
Tsy nanantsafidy i Hery fa avy hatrany dia nanala ny tanany ilany tamin’i Alexia ary dia niantsampy tamin’ilay vato teo akaikiny...Azony ihany, namikirany, nefa vao nizaka ny lanjany rehetra ity vato iray hafa ity dia niongotra ihany koa. Tsy nisy azon'i Hery natao intsony fa dia nianjera tamin'ilay tevana izy.
- " Maty aho Alexia, maty aho, vonjeo aho Alexia a..."
- "Hery !!! nnnoooooooooonnnnnnnnnn ! aza mandao ahy ianao ! aza avelanao irery ety ambony ety, sady nikiakiaky nitomany mafy izy niantso ny anaran'i Hery. Niezaka nanarangarana ilay tevana nianjeran'i Hery izy saingy toa maizina ny fahintany ny manondidina azy. Tsy mampino hoy izy tany antsainy fa dia maty ilay olontiany. "inona no hataoko Andriamanitro o!" hoy ihany i Alexia nidradradradra nitomany sady niezaka niala hiakatra hamonjy ilay lalan-kely teo ambony.
Taitra izy ary tafarina tampoka. Gaga izy fa eo ambony fandriana ny tenany fa tsy teny amoron-tevana akory. Teo vao tsapany fa hay nanonofy ratsy ny tenany. Ny zavatra tsy fantany anefa dia fotoana fohy talohan'ny nifohazany teo no nitrangan'ny lozam-piarakodia tamin'i Hery aty Madagasikara. Nahatsiaro nangatsiaka aok’izany izy ary dia nanamboamboatra ny lamba norakofany. Nampirehetiny ny jiro, nojereny ny manodidina azy. Niverina nandry moramora indray izy nony avy eo sady nisaintsaina lalina ity nofy ratsiny.
- "Hery, fa nisy inona, inona ny fambaran’iny nofy iny. Misy manjo azy ve any?"
Tamin’izay fotoana izay indrindra no novoahain’i Mahefa ny varavarany. Asa na naheno zavatra na nanao ahoana izy tany amin'ny efitra fatoriany tany. Nirehitra rahateo koa moa ny jiro tao amin'i efitranon'i Alexia ka tsy naharitra izy fa nanontany anjanany:
- "Fa maninona ianao anaka, ary toa mangatsiaka be ato aminao izany? tsy mandeha angaha itsy fitaovana itsy?"
tsy niteny i Alexia fa toa varimbariana izany na dia mitopy tany amin-drainy aza ny masony. Ndao hatory any amiko hoy izy tamin'ity zanany vavy fa mangatsiaka be ato aminao izany sady nosintoniny moramora hiarina teo ampandriana i Alexia.
-"Dada an ! mangatsiaka aho, nanofy ratsy be aho teo dia izay no nahataitra ahy!"
- " Efa fantatro mihitsy anaka fa nisy zavatra nahazo anao dia izay no nahataitra ahy. Henoko nikikiaka sady niantsoantso anaran’olona ianao teo,..."
- " Anaran'iza no henonao? Hoy i Alexia
- " Tsy dia henoko mazava tsara ilay izy fa ny kiakikanao no tena nanako tao antsofiko fa Aleo aloha aho hanao rano mafana vetivety ho sotroinao." Sady nivadika nankany an-dakozia nanomana rano mafana tamin'ny vata famanana hosotroin'i Alexia izy.
Lasa fisainana irery teo i Alexia nandinika ny zavatra niainany tao anaty nofy. Dia sanatria ve hoy izy ka misy zavatra manjo an'i Hery any lavitra any e?.
Na dia tsy nivaky fa naheno ny Anaran'i Hery aza i Mahefa dia lasa ihany koa ny sainy sady nanontany tena fa dia inona loatra no manjo ity zanany ary iza loatra izao "Hery" tafititra any anaty nofin-janany izao. Iza ary hoy izy no azoko hanontaniana momba ity Hery ity. Ny zanako ve ? sa i Malala ?
------------------------------------------------------------------------
Tany amin'ny hopitaly nisy an'i Hery aty Antananarivo:
- "Tahiana an ! mifohaza amin’izay fa efa maraina ny andro!"
hoy i Fano nibitsibitsika teo amin’ny sofiny.
- "Fa amin’ny firy izao?"
- "Efa amin’ny fito sady norohany tamin’ny takolaka ihany ity olon-tiany."
- "Tsy nahita tory mihitsy aho raha tsy efa nadiva haraina ny andro."
- "Nitondra sakafo maraina ho anao aho, ahoana, nanao ahoana nedala io?
- "Tsy nisy niova aloha, fa mbola tsy dia misy ahiana raha izao."
Tamin’izay no niditra ny efitra i Mihary sy ilay dokotera mpandidy maso. Nijery sy nizaha ity marary mbola tsy mahatsiaro na inona na inona.
Natao aloha ny fifampiarahabàna sy ny fifankafantarana, avy eo nivoaka ny efitra i Fano, mody niala teo imason’ny olona rehetra, asa, mety maro loatra koa angamba ny olona tao ka naleony nivoaka.
Nosokafan’ilay dokotera ny mason’i Hery, notarafiny….
Naka fanafody tao anaty kitapony izy dia nahosony teo ivelan’ny tata-maso. Avy eo norarahany fanafody mitete goty vitsivitsy tao anatiny. Nandrasany kely dia nojereny sady notarafiny indray.
- "Mbola tsy mahatsiaro tena izy ka fanafody hampitony ny fanaintainany fotsiny aloha iny nataoko iny. Izy ihany moa no ahafantarantsika izay manjo azy, fa manomboka izao dia aleo saronana lamba mainty ny masony sao dia tsy tantiny ny hazavana be rehefa mihiratra eo izy!
Izay Dr Mihary, antsoinao indray aho rehefa mahatsiaro tena tsara ny marary."
- "Misaotra Dokotera!" hoy i Mihary namaly moramora.
Tsy te-hanontany zavatra hafa aloha i Mihary, ilay dokotera rahateo mbola manana ny asany izay mbola sahaniny any amin’ny sampan-draharaha hafa ka teny an-dalantsara izy no nifampiresaka izay tokony hatao sy izay mitranga marina.
Vao lasa i Mihary sy ilay Dokotera, iny i Fano niditra sady nanontany an’i Tahiana:
- "Nanao ahoana?"
- "Nanao ahoana ahoana moa? hoy i Tahiana somary nanjetoka. Fa ny tsy azoko ry Fano dia izao, ianao ange no tena havany akaiky! nefa maninona ianao no ohatran'ny mialangalana izany. Tsy hita indraindray, lasa tampoka, tsy tamàna ato mihitsy. Toa tsy taitra akory ianao nilazako fa tratran’ny lozam-pifamoivozana i Hery."
- "Tsss ! ianao koa! raha nialangalana aho ve dia hiverina eto amin’izao!"
- "Ka izay indrindra, angaha izy manana havana intsony, tsy ray, tsy reny, ianao izao no mba havany akaiky, tsssss, tsy azoko indraindray. Izahay ange ka namany fotsiny e!"
- "Namany fotsiny an!……….. raha izany tokoa moa…………… i Hery, i Hery foana, i Hery hatrany no ambetin-dresakao hatramin’izay niarahantsika, fa inona marina ny ny fifandraisanareo e! Ianao milaza fa naman’ny rafozan’i Hery, nefa omaly alina, ny zana-drahavavinao milaza fa olon-tiany i Hery, nefa ange i Hery efa vita fisehoana amin’i Alexia e! Izaho mihitsy aza nanatrika tamin’iny fotoana iny. Izaho aloha tsy mahalala izay tantarany an!
- "Ka izay mihitsy, tsy fantatrao izay tantara marina. Fa ity ianao miala tampoka no loza, nefa dia havanao akaiky."
- "Ahatsiarovako tantara ratsy foana ny tahaka izao, dia izay no mahatonga ahy tsy miroboka lalina, ianareo koa moa mazoto dia avelako hikarakara azy tsara, ary isaorako anareo be dia be! Fa na izany aza, sarotra ny manadino ny tantara nitranga rahafa raikitra ao am-po tsy afaka mihitsy ary nitondra takaitra teo amin’ny fiainako."
- "Fa tantara inona indray izany," hoy i Tahiana somary sadaikatra.
- "Tsiambaratelon’ny fianakaviana izany, ary tsy hambarako mihitsy fa mankarary fo fotsiny…"
Tsy nifampiteny intsony izy roa, nangina ny efitrano. Ny sakafo moa no noloarana hihinanan’ity mpiandry marary. Ary afaka fotoana elaela….
Injay fa niverina niditra tao i Mihary, niverina niaraka tamin’ny dokotera hafa. Tsy tapitra teo akory ilay disadisa kely tamin’i Fano sy Tahiana, fa mody nifampianjonanjona tsy nifampiteny aloha…..
- "Izy no dokotera hikarakara an’i Hery amin’izay, hoy i Mihary, fa izaho moa nanavotra aina no nataoko, sady diso toerana rahateo i Hery ato amin’ity efitra ity fa entina any amin’ny sampan-draharaha tokony hisy azy amin’izay izy.
Mody nitsaitsaika hivoaka indray i Fano, fa tonga dia nosintomin’i Tahiana tamin’ny tanany hijanona sady nivandravandrany!
- "Efa ho avy any ny mpitsabo mpanampy rehetra hitondra ny marary, hafindra any amin’ny rihana ambony mihitsy izy izao," hoy ilay dokotera teo…
Tamin’izay indrindra anefa no nihetsika kely ny ratsan-tanan’i Hery, avy eo toa nimonomonona feo malefaka izy hoe :
- "Alexia ! … ampio aho…… avia Alexia…"
Nikoropaka i Mihary nijery azy, i Tahiana koa nitsamboatra mihitsy teo amin’ny seza nipetrahany. Nefa tsy nitohy intsony ilay fiteny, nangina indray ny iray trano.
- "Tsy Tonton Fano izao no hijanona hiandry ny marary? aleo angamba izahay sy Tahiana hody aloha … efa io ny Dokotera hanampy anao amin’izay ilaina rehetra."
- "Eny tompoko," hoy i Fano tsy naka sarotra, sorisorena koa natsoin’i Mihary hoe « tonton »
Iny fa lasa nivoaka ny efitra izy mirahavavy mianaka. Vao teo amin’ny lalan-tsara anefa dia hoy i Mihary :
- "Tahiana an ! tsy azoko atao ny mijery fotsiny amin’izao fa vao mahatsiaro tena eo i Hery dia tsy maintsy Alexia no hany hotadiaviny."
- "Fa ahoana?" hoy ny iray.
- "Izay fotsiny e ! fantatro avokoa ange ny tantara rehetra e! Fantatro fa manana ny laharana ahafahana miantso azy indry fa tsy te-hanome an’i Hery fotsiny. Izany foana no ambetin-dresany tamiko."
- "Ka misy antony ao, tsy tiako mihitsy ny handratrana ny fony rehefa any aoriana."
- "Azoko tsara izany, fa miangavy an-dry mihitsy aho mba omeo azy izay laharana izay rehefa ary saina tsara izy. Te-handeha izy, dia aleo alefa handeha. Aleo omena azy izay tadiaviny."
- "Ka efa hoe…"
- "Aza asiana izany Tahiana an! raha misy ny zavatra tadiavin’i Hery voalohany dia i Alexia! ka tsy mampaninona izay mety hitranga fa omeo azy re! miangavy an-tanan-droa mihitsy aho!
- "Dia ahoana anefa ny amin-dry, tsy vao alina ve i indry no nilaza fa tian-dry izy? Hoy i Tahiana somary nanao fijery miahotra.
Nisento fotsiny i Mihary, tafajanona tamin’ny toerana nisy azy mihitsy izy, nefa nandefitra amin’ity rahavavin-dreniny. Naleony tsy niteny. Naka poketra tao amin’ny birao fotsiny i Mihary dia niaraka nivoaka ny lalan-tsara izy mirahavavy mianaka.
Vao hivoaka ny vavahadin’ny hopitaly anefa, injay fa nisy fiara nampaneno ny anjomara tao aorian’izy ireo :
- "Dr Mihary. Andeha ho aiza ianareo izany? Ndao hateriko?
- "an, an, an, efa nivonona ny handray fiarakaretsaka etsy izahay fa tsy maninona Dr Harinaivo an!"
- "Tena tsy olana amiko mihitsy ka, afaka ateriko ianareo, jereo ange ny masonareo e! vizana dia vizana, hita mihitsy fa tsy nopoizinin-tory."
Nitsiky fotsiny i Mihary, somary menamenatra. Ka atao ahoana moa, ny maso no tsy mahay mandainga indrindra amin’ny tenan’ny olombelona fa hita taratra eo avokoa ny fihetsikao rehetra ; mbola saika handà ihany i Mihary nefa nodomin’i Tahiana tamin’ny sorony, dia nanaiky niditra tsy zazoka tao anatin'ilay fiara. I Mihary no teo aloha, i Tahiana kosa naka afovoany tao aoriana.
- "Dr Harianaivo an ! ity rahavavin-dreniko ity mbola tsy maintsy mandalo atsy amin’ny farmasia atsy fa haka fialan-tsasatra kely no hampilaza ihany koa, ka tsy mampaninona anao ve ny mandalo any?"
- " Tsy mampaninona mihitsy ka! Fa hono ho’aho, fa inonareo tokoa moa io tra-pahavoazana io ry zareo?"
Asa izay nahazo an’i Tahiana fa saika izy no hisolantsolana hiteny avy hatrany saingy ny an'i Mihary no tonga aloha nanao hoe:
- "Havana akaiky izy io ka! zana-drahalahin’ilay Mr.Fano teo izy ary ho vadin’izato ramatoa ato aoriantsika ato. Moa izy rahateo mpiara-mianatra tamiko tamin’ny mbola kely!"
Tsy niteny i Tahiana fa ny masony no navandravandrany tamin'’i Mihary izay nangalam-pijery kely tany aminy fotsiny.
- "Hay ve?", hoy ilay dokotera,…"eny e ! mafy avokoa rehetra tratran’ny tahaka izao, fa ny anareo moa ry zareo havana, sady efa andalam-pahatsaràna rahateo koa. Fa ny ahy tamin’izany……… ssshhhh, efa lasa izany fa tsy afaka averina intsony."
- "Fa inona moa izany Dokotera?"
- …ny ahy, efa fofom-badiko teo am-panomanana raharaha izahay no tratry ny lozam-piarakodia koa. Tsy tonga tany amin’ny hopitaly akory dia nafoy ny ainy. Efa nofo mangatsiaka no novantaniko tany amin’ny hopitaly. Raha mba teo aho mantsy tamin’izay… mbola mety ho avotra ihany ... sshhh, efa lasa ho’aho izany, tsy saintsainina intsony. Efa ho 3 taona lasa angamba izay."
- "Mampalahelo izany tantaranao izany dokotera. Miala tsiny raha nampahatsiaro ny fiainanao ny tranga aminay fa atao ahoana moa, izay ilay fiainana."
- "Dokotera an!" hoy i Tahiana, efa tsy ilay farmasia iasako ka tsy maninona fa apetrakareo fotsiny aho sady mety ho elaela koa. Misaotra betsaka nanatitra ahy taty."
Vao nijanona ny fiara dia nanolotra ny tanany i Tahiana, nifanao veloma.
Lasa avy eo Dr Harinaivo sy Dr Mihary nanohy ny diany.
Teny an-dalana:
- "Ary ianao hono mbola tsy manambady? azafady fa lasa tampoka ny vavako!
Menamenatra fotsiny i Mihary.
- "Fa ahoana no nahafantaranao izany"
- "Nalaza be tao amin’ny hopitaly mihitsy ange ny fiverenanao an-tanindrazana e! izao sy izao, hono ny mikasika izany, manam-pahaizana be nikoizana mihitsy fa na ny amerikana aza efa nandokiroky hampijanona azy tany…"
Tsy nisy niditra tamin’ny sain’i Mihary izay noresahin’ity namany dokotera, ny fahavizanany koa moa nanefika azy, moa ity olana mianjady amin’i Hery mbola babeny ao an-damosiny. Toa nanenina ihany anefa izy ny tsy nilazàny fa olon-tiany ange i Hery. "olon-tiako tokoa ve?" hoy izy niteny anankampo.
Rehefa tonga teo akaiki’ny tranony ny fiara dia nolazain’i Mihary fotsiny hoe :
- "itsy ny tranonay fa misaotra betsaka Dr Harinaivo an!, misaotra betsaka nisahirana tamiko. Mandra-pihaona fa antsoiko ianao raha vao tokony hijery an’i Hery" Niala ny fiara izy, nandeha moramora, niditra ny trano, ny reniny no hitany tao an-dakozia.
- "Neny an ! tena torovana tanteraka aho, sady napetrany ny poketrany…….. hiakatra any amin’ny efitranoko aho an ! hatory aloha ? misy zavatra azo hohanina angaha?"
- "ndana ary aloha maka aina izany zanako izany fa ateriko any ny dité mafana hosotrin-dry."
Vao tonga tao amin’ny efitranony izy dia nidaboka teo ambony fandriana. Nanganohano ny masony, niraraka tsimoramora ny ranomasony sady tsy tanany intsony fa nifokofoko nitomany izy.
Tadiom-pitiavana ([email protected])
Akory ny hatairany raha nahita an’i Mihary nitanondrika teo ambony biraony. Sady mifokofoko mila hitomany raha vao nahita azy roa…
- "Mihary an ! fa maninona indry ity e ! Fa naninona i Hery?"
- "Snif,…. snif," hoy ihany i Mihary nifokofoko. Tsy nahateny tsy nahavolana.
Nitsangana izy dia nataony baiko moana fotsiny izy roa hanaraka azy. Ny masony amin’io mila ho mena fefiky ny ranomaso.
Nidobodoboka mafy ny fon’i Tahiana nanaraka avy ato aoriana. I Fano koa, manahy ihany, toa tsy mandry saina amin’ity zavatra mitranga. Tsy vita akory ny fifankahalalàna fa toa mandeha mafy ny fandehan-javatra.
Tsy nisy nifampiresaka teny an-dalantsara fa samy hankona avokoa izy telo mianaka, nosokafan’i Mihary moramora ilay varavarana. I Hery matory eo ambony fandriana sady feno platira ny tratrany iray manontolo ary ny tongony mihantona ambony filanjana no hitan'i Tahiana sy Fano nanoloana azy ireo. Ny tarehiny amin'io voabandy tsy ahitàna afatsy ny masony sy ny orony ihany koa, sady misy fantsona mitondra ny rivotra iainany.
Tsy nahajery i Mihary fa nipitrapitra teo fotsiny ny masony.
Ankona tanteraka i Tahiana nahita an'i Hery tsy mbola mahatsiaro tena. I Fano moa toa tsy sahy nanatona mivantana izany fa toa mafy loatra taminy ny nahita ny zava niseho.
Nosintomin’i Tahiana avy eo ity zana-drahavaviny hivoaka ny efitra:
- "Mihary an ! fa nisy inona e?"
- "snif… tsy tantiko ny mahita azy tahaka izao, ny mahagaga ahy tamin’izaho tany Amerika, mbola misy aza ny loza mahatsiravina kokoa noho izao, navotana ny aina fa tsy tana. Fa ny mahita ny olona tianao tratran’izany toa mampisamboaravoara ny fo sy ny saina ; nitomany foana aho hatramin’ny nampidirana azy tato."
- "Fa nisy inona Mihary an ! taiza no nitrangan’ny loza?"
- "Lozam-pifamoivozana be teo amin’ny araben’ny fahaleovan-tena tamin’ny hariva teo,"
- "an, an, an… Tahiana an! tsy ho tantiko ny hitantara azy" sady nipatrapatraka indray ny ranomasony. Efa tsy nitempo efa ho minitra iray ny fony, fa nanao izay fara-herinay izahay dia avotra ihany ny ainy, fa na izany aza…mbola tsy fantatra izay akon’izay, ny fahitako azy…. mety tsy ho afaka mahita intsony i Hery,…. Rahampitso ny dokotera mpandidy maso no hijery azy, efa nifampiantso teo izahay!"
- "Tahiana an ! mila tsy ho tantiko intsony marina e!"
Nahankin’i Tahiana teo amin’ny sorony ny lohan’i Mihary, nampahery sady nanafosafo. Na izy koa aza toa manganohano hatrany ny masony, nahatsiaro ireo nataony tamin’i Hery fotoana vitsy lasa izay.
Tsapany koa ny fitiavan’i Mihary ity tovolahy ity, azony an-tsaina ny halalin’izany, toa faly ihany izy any am-pony, nefa toa sahirana ihany koa. .......
Tany amin'i biraon'i Ratrema talohan’io fotoana io.
- "Ratrema an!" hoy i Corine taminy, vola be tokoa aloha no tadiavintsika hanavotana an’ialahy e! dia raha avotra tokoa ary ialahy, dia inona no tambiny mba atolotr’ialahy ahy aorian’izany?"
Gina tsy nahateny Ratrema, mody niolankolana teo ambony seza teo izy, nodinihany tsara i Corine.
- "ka inona moa, inona ny azoko omena fa dia hisy ampaham-bola amboniny atolotro anao!"
- "ampaham-bola amin’ny ahoana ary, ny vola tadiavina aza letsy mila hanao ezaka tsy omby tratra vao azo ka ho ampaham-bola inona ary no heverin’ialahy. Fa angaha misy fahagagana ataontsika eo ! Ny tanjona fotsiny dia ny hahatratrarana ilay mari-bola, ary tadidio fa mandalo kirizy ange isika mianakavy amin’izao e ! Lasa iny ny fety, ny tranga iraisam-pirenena amin’ity fiakaran’ny vidin-tsolika manginy fotsiny. Mitandrema ihany letsy Ratrema an! Tadidio fa na dia mahita io vola io aza isika tsy midika izany fa tafita!"
- "Ka inona ary ny tianao homeko anao e!" hoy i Ratrema somary nisendoatra kely.
- "Ny angatahiko fotsiny, ataovy izay hahatamàna ny vadin’ialahy any an-dafy any, fa raha miverina aty iny dia tsy maintsy hanakorontan-javatra indray."
- "Eny e ! anjarako ny mandamina izany, fa izy aloha tena mibabababa mihitsy fa tsy tamàna fa dia ezahiko foana ny hampitony azy."
- "Tadidio fa efa ho afera maizina mihitsy ny ataontsika sy ialahy, arahi-maso tsara ny ao aoriana mba tsy ho tratra, noho izany, mitandrina foana na inona na inona atao."
Toa mila ho kivy sy ketraka Ratrema, nangina sady tsy niteny izy aloha nisaintsina izay zavatra nolazain'i Corine. Tena sarotra ity raharaha ity hoy izy fa tena mbola tsy sendra olana tahaka izao aho.
Tsikaritry i Corine fa toa lasa fisainana ny anao lahy ka dia nitsangna nijoro tao aoriany izy sady nanotra malefaka ny sorony sao mba hanamaivana ny adin-tsainy.
Nampidininy hanaraka ny tratrany avy eo sady namahy ny bokotra sy nisintona ny kiravaty hiala. Avy eo norohany tamin’ny takolany sady nolazainy hoe:
- "Tsy fantatr’ialahy mihitsy ny faniriako hahazo fahafinaretana amin’izao taom-baovao izao an!"
- "Io indray ianao Corine ! fa angaha dia tena misy filàna mipololotra mihitsy ao anatinao ao e!"
- "Ka izay mihitsy, tsy fantatro fa nony injay niha-lehibe aho, sady rehefa niaraka tamin’ialahy vao tena tsapako ilay izy letsy an!" sady norokorohany ihany ny takolak’i Ratrema avy ao aoriana ao. Avy eo izy nipetraka teo ambony ny latabatry ny birao indray, somary nakisany moramora ireo antontan-taratasy nanelingelina azy, dia naka toerana izy.
Nalàny ilay ambonin’akanjo, natsipiny, novahàny koa ilay lobaka manify hampiseho ireto tati-nono, avy eo ny tanany nalefany teny amin’ny saokan-dRatrema. Nanafosafo ny tarehiny dia niala vetivety naningotra ilay akanjo teny aminy. Avy eo namaha ilay tadi-nono avy any aoriana. Natsipiny tamin’ny tany ihany koa!
- "Ratrema an, avia letsy an ! tena efa mangidihidy mihitsy aho tampoka teo."
Sady nosokafany ny feny no nakariny ny zipony ho eo ambony lohaliny.
- "Esory letsy io atin’akanjo io an ! Ratrema chéri !…" hoy ity vehivavy amin’ny feo miangotingoty sady manainga ny fitombenany eo ambonin’ny birao….
Nahita ilay atin’akanjo maramara tarafin’ny hazavana koa Ratrema dia nanomboka taitra ny filahiany, nisy faniriana tampoka nandalo taminy, ny nonon’ity vehivavy rahateo tena mahavariana, sady amin’ilay hitiavany azy tsara. Adinony teo izay fitiavany an’i Malala, boky hafa feno sary no mivelatra eo anoloany. Te-handà izy fa tsy sahy. Te-hanaiky koa anefa toa miahotra. Farany, nalefany teny amin’ny fen’i Corine ny tanany roa, nasitriny tany nikaroka ilay atin’akanjo, dia nosarihiny hiala avy eo. Vao nandalo teo amin’ny feny dia napetrak’i Corine amin’izay ny fitombenany, ningainy ny tongony sady nakambany hialan’ity atin’akanjo.
- "Ouii ! tena manaitaitra ahy mihitsy ny alàna silipo tahaka ireny," hoy ity vehivavy sady nitsangana nanoloana an-dRatrema no namaha ilay zipo hany akanjo farany teny aminy.
Nalatsany iny dia nitanjaka tanteraka izy, avy eo natsangany koa Ratrema hanalany ny akanjony, novahany ny lobaka teny amin-dRatrema, ny orokoroka amin’io mandeha ihany, nifamihina mafy, oroka lavareny tsy misy farany.
- "Avia amin’izay letsy an ! avia fa tena mitady an’ialahy mihitsy aho"
Tsy hay nafenina fa dia niridiridy ny filahian-dRatrema. Tsy nila natao « contre-attaque » intsony fa tonga dia nitselatselatra ary velona avy hatrany ny maotera. Efa mibontsina izay tsy izy ny patalohany, nalàny haingana ny fehikibony, novahany ny bokotry ny patalohany.
I Corine etsy efa mitsilany eo ambony birao, sady hoy izy :
- "Avia fa tena mahafinaritra ahy mihitsy ity biraon’ialahy ity. Avia letsy an! avia fa tena efa mangoritsina mihitsy aho miandry ny an’ialahy!"
Tsy niteny i Ratrema, efa mandondona azy rahateo ny filàna te hiray amin'ity nofo nivelatra eo anatrehany. Noraisiny aloha ny tongotr’i Corine, norokorohany nidina ny fe, nandalo ny sisiny dia niakatra teo amin’ny kibony. Teo vao notsapainy ilay fivaviana efa mando aok’izany, tsapany avy hatrany ilay hafanana mila handoro mivoaka avy tao narahin’ny hamandoana mameno tampoka ilay faritra. Nokitikitihany mora, narahiny safosafo manaitaitra hatrany ity filàna mila tsy ho zaka.
- "tena tiako be, raha mba ataon’ny vadiko tahaka izao aho dia tena faly mihitsy… avia letsy Ratrema an!"
- "tonga dia alefako mihitsy ity fa sao tsy tanako intsony ry Corine an!"
Niarina haingana i Corine, nifanoroka aloha izy roa, dia nidaboka teo ambony latabatra indray ity vehivavy niandry izay ataon’ity sakaizany azy. Nasafosafon'i Ratrema moramora teo amin'ny molotry ny fivavian'i Corine aloha ny filahiany. Natsofony avy hatrany raha vao henony fa efa mando tsara vonony ny handray azy…
- "oohhhh," hoy i Corine tamin'ny feo miangoty naheno ny filahian'i Ratrema miha manenika ny vatany. "Annnn ! tena lafatra, ataovy mafimafy letsy Ratrema an!!"
Naka fihiny tokoa Ratrema, tena amin’ilay itiavany azy ilay fitoeran’i Corine ka tamana ery ny anao lahy, nanosika niditra sy nisintona hiverina...
Nivoha tampoka anefa ny varavarana, tsy noheverin’izy roa fa hisy olona any ivelan’ny birao satria i Mme Sahondra sekretera moa efa ela no lasa nody sady ny andro koa efa niha maizina tany ivelany. Hatairana ny azy roa. Indro niditra nivatravatra avy hatrany lehilahy telo. Avy hatrany dia nitabataba ny iray:
- "tratra ireto, tratrako ihany! hitanao tsara izao Maître ny fanitsakitsahana ahy, ary porofo mivantana mitohoka amin’ny tendany mihitsy!... Ary i tena ry Corine, ela nitoratorahana ka nahavoa mason’angatra, ny mpamosavy mandeha alina aza misy mpahita ka ianao indray ve!" Sady nalain’ilay vadiny ny poketrany, nosokafany ary nongotany tao ilay micro kely nafeniny antsokosoko tao anatiny.
Nikoropaka izay tsy izy Ratrema niala teo amin'i Corine sady nitsimpoka ny fitafiany izay voarambiny niparitaka tamin'ny tany. I Corine tsy nahahetsika sady tsy nahita ho tenenina fa nivaloarika. - "Hametraka fitoriana aho izao dia izao. Ary fantatro ny lalàna, ka anjaranao Monsieur l’Inspecteur ny mampihatra izany, ampidiro violon ilay mpangala-badin’olona io, ary i tena ry ilay mpamosavy ity dia hahita izany tsy manana na inona na inona izany intsony. Vita hatreo ny amintsika!"
- "Mifona tompoko ô! tena mifona e! hoy Ratrema nandadilady. Tsy nampoiziko e!"
- " Tsy nampoiziko, tsy nampoiziko inona Rangahy ity an! vita hatreo ny aminao. Mba olon-dehibe manan-kaja nefa hay tontakely mpangala-badin’olona."
Nitomany i Corine sady niezaka nitsimpona ny akanjony fa sady nahatsiaro menatra loatra izy no toa maizina tampoka taminy ny tany aman-danitra.
Tadiom-pitiavana ([email protected])
Efa miroso ho alina ny fotoana, ny andro fahavaratra, ny orana no namaly ilay hafanana be nanenika ny renivohitr’Antananarivo nandritra ny tontolo andro.
Nifafy tao antafontrano tao ny orana izay sady nanadio no nanome aina ireo zava-boary marobe.
Indreo olon-droa mifankatia tokoa no mifampitositosy eo ambony fandriana, mifanorokoroka. Misarona lambam-pandriana manify, mifampita fitiavana, mandefa safosafo malefaka ary mitady fahafinaretana amin’ny hakanton’ny vatany. Maka fy ihany koa ny oroka mampifandray ireo olon-droa te-hikambana ho iray.
I Tahiana sy Fano ihany ireo, mamy sady miredareda ny fifankatiavany ary toa tsy ho fatin’ilay orana mikija tao ivelany.
Sady mitsiky i Tahiana no mandefa ny tanany hidina manaraka ny kibon’i Fano. Vao tafidina ambaninmbany dia tsapany ny filahian’ity olontiany fa efa mihenjana tsy nisy ohatran'izany. Niverina nifanoroka izy roa. I Fano moa tsy nahahetsika fa ny fen’i Tahiana no henony niakatra teo amboniny. Nitohy ihany ny safosafon'i Tahiana sady naveziveziny moramora. Ny tanany ilany amin’io mihazona tsara ity tehin’ny nofo hijoro tsara, sady mamehy no manafosafo am-pitiavana ihany koa.
Tampoka, nakipany ilay lambam-pandriana norakofan’izy roa teo, tiany ho hita tsara ilay firafiny. Somary lava sady vaventy mampi-te hamihina azy mafy hatrany. Niarina izy, nijery dia avy eo nandinika an’i Fano.
- "mmmmhhhh," hoy i Tahiana tamin’ny feo miangoty, "fantatrao ve ny tiako hatao?"
- "Asa ! tsy fantatro mihitsy." Hoy i Fano namaly toa mody tsy rototra.
- " Ataoko tonga io nefa tsy miditra aty amiko mihitsy."
- " Izany ve?, Fa ahoana koa ny hahaizanao izany, izaho ange tsy tia ..."
- " ssshhhuuut, hitanao eo ny fanaovako azy."
Naka fitoerana teo ankaviany i Tahiana, dia nipetraka naka aina tsara, ny tanany tsy miala amin’ny filahian’i Fano mihitsy, ny tongony ilany nalefany teny an-tratran’ity lehilahy, ny feny kosa nosokafany tsara hijeren’ity olon-tiany ny zohim-pahafinaretany. Natsotrany avokoa ny tongony roa, ny ilany ankavanana maka toerana eo ambony fandriana, ny ilany ankavia somary miforitra eny ambony tratran’i Fano izay sady manafosafo moramora koa ny ranjony. Ny tanany amin’io manotra malefaka miaka-midina miadana dia miadana, mampitombo hatrany ny hamafin’ity filahiana fenjainy eo am-pelatanany.
Ny tanan’i Fano kosa, rehefa tonga teo amin’ny foto-pe dia niakatra indray namonjy ireto nono roa toa voasary milonjehitra mampite-hioty avy hatrany. Nanaitaitra ny tsirim-pitiavany avokoa izay tsapan'ny tanany rehetra, hany ka mihamafy tahaka ny hazo ilay filahiana fenjain’ity olon-tiany.
Ny otra miaka-midina amin’io mitohy hatrany, ary vao mainka mampitombo avo roa heny ny filàny.
Avy eo dia nidina indray ny tanan’i Fano nanafosafo moramora ireo molotry ny fivavian'i Tahiana izay voaaratra madio dia madio, zara-raha misy volo. Nanomboka namoaka tsiranoka kely madio mangarangarana ny tao anatin'i Tahiana tao. Ny mason'izy roa amin'io mifampijery tsara hatrany. Nitsiky fotsiny i Tahiana, tsapany koa fa mitambolombolona amin’izay ny any anaty kibony any. Henony fa mivoitra avy eo afovoany ilay bokotra kely nifoha tamin'ny torimasony. Somary naforitr’i Tahiana ilay tongony ilany, narosony ny maojany ahafahan’ny fanondron’i Fano hikitikitika tsara ilay faritry ny fahafinaretany. Henony fa manomboka mafana ny any anatiny any.
Nakimpiny ny masony, tiany hiakatra hantrany an-dohany any ny fahafinaretana mitambolona amin’ny vatany. Ary isaky ny mihetsika kely ny fanondron’i Fano dia mampangoritsina avy hatrany ny vatany iray manontolo. Ny tanany amin’io miaka-midina mafimafy ihany amin’ity andrarezina mijoro toa vatolahy, manaraka ny onjan’izay kitikitika ataon’i Fano aminy.
- "Fano an ! tiako be … tiako be mihitsy izany ataonao izany, fa inona no ataonao amiko e!" sady somary mijery ihany izy amin’ity maso mitsirempirempin’ny fahafinaretana.
Tsy niteny i Fano fa ny fikitikitiky ny fanondrony no nataony mafimafy kokoa, injay fa tsapany manery ny filahiany mafy ny tanan’i Tahiana, ary ity farany tsy nahatazona nipetraka intsony fa dia nitsilany koa niondana tamin’ny tongotr’i Fano.
Sendra nitsipalotra kely fotsiny ny mason’i Fano no nahita ilay lava-pitia efa misokatra lonaky ny hamandoana mila hiraraka amin'ny lambam-pandriana. Ilay bokotra kely amin'io efa mivoitra be tsy hay nafenina intsony toa mampisaraka tsara ireo molotra kely mangirana mihitsy tarafin’ny jiro avy eny amin’ny valindrihana.
- "mmmhhhh," hoy i Tahiana.
Tsy tratra fa nakarin’i Fano teo amin’ilay bokotra kely amin’izay ny fanondrony, dia nokitikitihany, injay fa nanomboka nangovingovitra ny tongotr’ity fitiavany, ary tsapany mihafamy ihany ny otra ataony amin’ny filahiany. Notohizany mafimafy ihany, nosikisokiriny ilay taova bitika kely, nosintominy vetivety, injay fa nanainga valahana tampoka i Tahiana sady nisefosefo mafy, natsofony moramora avy eo ny fanondrony iray, nikorisa fotsiny noho ny hamandoana efa manenika ilay zohim-pahafinaretana. Tsapany ho maneritery ny hozatry ny fivaviana, somary nampiany tosika hiditra hatrany.
Nihamafy hatrany ny fisefosefoan'i Tahiana. Tampoka teo, nikiaka in-dray mandeha ny anao vavy dia nidaboka toa tsy nahatsiaro tena.
Nisento fotsiny izy nony avy eo. Tonga tamin’ny faratampom-pahasambarana tampoka teo ny tenany. Izy te-hahatonga ity olon-tiany indray ity no nahatonga mialoha. Tsy te-ho resy ambony ringa anefa ny anao vavy, fa notohizany ihany ny otran’ny tanany mamehy ity hozatra efa miziriziry efa manakaiky ny fahafinaretany ihany koa.
Na reraka aza ny tanany, tsy nahoany fa nataony mafimafy hatrany, nosoloiny ny tanany ilany indray, somary niarina kely izy, nifantoka tanteraka amin’ny ataony.
Hay i Fano mbola tsy nijanona fa nanohy hatrany ny safosafony amin’i Tahiana!
Tampoka!
"pip pip pip », hoy ilay finday tany anaty poketrany tany. Nanenoneno foana, nitohy efa ho 10 segondra dia nijanona
- "noooonnnnnn!" hoy i Tahiana, aza ajanona fa aleo izay antso any ho tafiditra anaty famelan-kafatra. Tohizo foana Fano an! tsara be….., tena tiako be ny ataonao."
Tsy noraharahian’izy roa ilay antso. Navelany hitohy fotsiny teo, farany tapaka ihany, " izany hasambarana mananika ny vatako izany ve hoy i Fano havotsotso indray? sanatria an!"
Nanovokovoka hatrany i Tahiana hampiseho ny fahaizany, miaka-midina, manafosafo, miezaka ny hanamando ilay filahiana efa miridiridy.
Niverina naneno indray ilay kiririokan’ny finday fa tsy nahoan’izy ireo akory.
Farany, nihinjitsindritra aok’izany i Fano, nisefosefo ihany koa, ny fony nidobodoboka mafy, tampotampoka teo, nifatsitsitra tahaka ny ronono terena ny ranon’aina avy any anatiny tany. Niemponempona aok’izany izy namoaka azy iray manontolo. Ny tanan’i Fano amin’io toa mangovingovitra mikitikitika ny zohim-pahafinaretan’i Tahiana, namelona indray ilay ojam-pahasambarana vaovao nampikoriana rian’aratra hafa indray tany anaty kibony tany.
Vao nahita ilay rano fotsy nifatsitsiatra i Tahiana dia tafatorombina teo amin’ny lanton-tanan’i Fano. Tsy tanany fa dia nanenika azy fanindroany indray ny hasambarana.
Vizaka izy ireo, torovana tanteraka. Tsy tsaroan’izy ireo akory ilay antso teo, niakatra moramora i Tahiana namonjy an’i Fano, nifanoroka sady naka ilay lamba kely namafa izay tsirin’aina niparitaka teo ambony fandriana.
Naka aina aloha izy roa, nifampitositosy indray mba haka torimaso taorian’ny onjam-pahafinaretana tena nanefika ny vatany iray manontolo.
Niverina naneno indray anefa ilay findain’i Fano.
- "sssshhhh ! iza loatra ary izany!" hoy izy somary sorena sady nandray ilay akanjo niavian’ny feo. Nojereny ny laharana toa laharana tsy mahazatra azy.
- "Ento aty raisiko," hoy i Tahiana sady nosintominy teny amin’i Fano ilay finday.
- "Allo!" hoy ihany izy tamin’ny feo mikarantsana, vizan’ny fahafinarentan'ny nofo.
- "Allo! Oay, azafady fa nihevitra aho fa lehilahy no hiresaka amiko, mety diso laharana aho fa azafady indrindra!" hoy ilay feom-behivavy tao anaty finday.
- "fa ahoana, iza no tadiavinao?, gagagaga i Tahiana fa toa feon’olona fantany ilay miantso!"
- ""Saika hitady an’i M.Fano tompoko, ity mantsy no laharana mba tato!"
- "Allo ! Fa iza izao?," hoy i Fano nandray ilay finday.
- "M. Fano, azafady tompoko raha tsy mahadiso, ianao ve mahalala olona atao hoe: HERY, tovolahy tokony ho 29 taona?"
- "Fa ahoana, i Hery, rahalahin-drainy aho, fa misy inona?"
- "Hay ianao izany ilay dadafarany, ary raha azoko tsara koa dia i Dr Tahiana ilay nandray ny antso teo?"
- "Fa ahoana koa no ahafantaranao izany, fa iza ianao e?"
- "Havan’i Dr. Tahiana aho ka, fa azonao omena ahy ve izy fa misy resaka tiako hatao aminy, azafady indrindra M. Fano."
- "... tsy azoko mihitsy izany, fa misy inona e?, sady natolony an’i Tahiana ilay finday.
- "Allo ! fa iza izao e?"
- "I Mihary ry Tahiana an!"
- "Mihary, fa ahoana koa no nahazoan-dry ny laharan’ny findain’i Fano?"
- "tantara lava be izany fa efa niezaka niantso an-dry aho efa in-droa izay fa tafiditra anaty hafatra foana…. Tahiana an! toneo tsara ny fo dia aza taitra tampoka…..mila mankaty amin’ny hopitaly fiasàko ianareo roa maika dia maika."
- "Fa misy inona?" hoy ity iray !
- "Mikasika an’i Hery, i Hery…" hoy i Mihary sady nifokofoko ihany izy tao anaty finday,………… tongava fotsiny aty ianareo fa tsy vitako holazaina an-telefaona e !" sady notapahiny ny antso.
- "Fa misy inona indray ary, fa inona indray no nanjo an’i Hery ry Fano?" Asain’ilay zana-drahavaviko mankany amin’ny hopitaly isika izao dia izao! Mikasika an’i Hery hono."
Nikoropaka tampoka i Tahiana niala ny fandriana, i Fano etsy mbola vizana, toa tsy noraharahiany akory ilay resak’ity olon-tiany fa gagagaga tamin’ilay hoe: zana-drahavaviny mahafantatra ny laharan’ny findainy. Raha tsy niverina teo aminy i Tahiana nisarika azy handeha tsy niarina izy.
- "Tahiana an ! mbola vao ny fanombohana ange ilay teo e ! Dia faranana sahady ve?"
- "Andray ry Fano, ka efa hoe i Hery ange any amin’ny hopitaly e ! izay no hafatr’i Mihary, ilay zana-drahavaviko dokotera, afarany isika handeha ho any maika faran’izay azo atao."
Toa tsy rototra akory ity Fano , nefa avy hatrany dia natositosik’i Tahiana hatrany anaty efitra fandroana.
Afaka 15mn vao nivoaka ny trano, novelomina ny fiara dia nankany amin’ny hopitaly.
Ny orana mbola nikija be tao antokontany tamin'io. Tsy afaka nandeha mafy izy roa. I Tahiana etsy toa manahy be ihany, te-hiantso mafy an’i Mihary fa tsy sahy. Vao tonga tao amin’ny hopitaly dia natoron’ilay mpiandry vavahady ny misy an’i Mihary. Akory ny hatairany raha nahita an’i Mihary nitanondrika teo ambony biraony. Sady mifokofoko mila hitomany raha vao nahita azy roa ...
Tadiom-pitiavana ([email protected])
Nanaraka moramora avy ao aoriana ilay mpamily, izy amin’io tsy tena mifantoka tsara fa toa varimbariana nanara-dia ilay fiara karetsaka teo alohany fotsiny. Tampoka teo, tsy hitany akory fa nisy fiarabe mpitatitra olona nirimorimo mafy avy any ankavanany toa nanezaka mafy ny hijanona amin’izato figikan’ny kodiarana nefa mbola tsy tafajanona ihany raha tsy efa nidona mafy tamin’ilay varavarana manakaiky ny nisy an’i Hery. Avy hatrany dia nipitika teny amin’ny dimy metatra ilay fiara karetsaka, ary i Hery no voadona mafy tamin’ny fiforetan’ilay varavarana.
Nisy olona naratra koa tao anatin’ilay fiarabe fa nidona tamin’ny fitaratra teo alohany. Taitra sady nikoropaka avokoa ny mpandalo rehetra.
Nitangorona ny olona, tao ny nisomaritaka fa saika voadona, tao koa ny avy hatrany dia namonjy ny tao anaty fiara, navoaka ilay mpamily, tsy dia naninona loatra ilay rangahy fa i Hery sady naratra mafy no voadona koa ny lohany, toa tsy mahatsiaro tena…
Ilay fiarakaretsaka iray nitondra an’i Mihary kosa vao lasa lavidavitra ka nahare ilay lozam-pifamoivozana dia nijanona:
- "Azafady ramose mba ajanony kely hoe fa toa nisy loza nitranga io ao aoriantsika io. Mpitsabo mantsy aho ka tsy mandry ny saiko raha handao fotsiny ny zavatra toa izao. Aza mandeha anefa ianao fa andraso aho an."
Avy hatrany dia nivoka ny fiara i Mihary, ny andro rahateo efa maizimaizina fa efa madiva ho alina.
Vao tonga teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza izy, ny olona, mamoaka ity naratra mafy, tsy voavoha mihitsy ilay varavarana voadona fa avy aty amin’ny ilany no nosintonina ity tovolahy tsy mahatsiaro tena. Nihamaro hatrany ny olona nitangorongorona teo.
- "azafady, azafady," hoy i Mihary etsy, misisisisika sady manavatsava anatin’ireto olona marobe nifamahofaho sy nihazakazaka nijery.
- "azafady tompoko ô ! azafady fa dokotera aho hijery izay mitranga e ! azafady indrindra!"
Nomen’ny olona làlana izy, nijery ity lehilahy efa vonton-dra amin’ny tarehiny.
Tsy mbola azony an-tsaina na iza na iza, ny andro koa mihamaizina, ny olona nifanetinety ihany.
- "Azafady ry ise an ! raha azonao atao, dia aza avela hifanototra eto ireo olona marobe ireo, fa mila rivotra isika."
- "Raha misy olona afaka miantso fiara-mpamonjy voina rey olona dia mba antsoy azafady e!" hoy i Mihary niangavy ihany.
…
- "Angony daholo izay vatam-panafody vonjy taitra anatin’ireo fiara ireo, aingàna ianareo izay mahita izany e!"
Vetivety teo dia nipoitra avy any ny fitaovana nangatahiny, novahana ny vovon-dandihazo, nofafàna izay ra tamin’ny tarehin’ny maratra. I Hery amin’io mbola tsy mahatsiaro tena ihany, notsapaina ny fony mbola mitempo fa malefaka, izy zara raha miaina.
Injany fa re manakoako avy any ny anjomaran’ny mpitondra marary satria tsy lavitra avy teo ny toby misy azy, mitarataratra ny jiro manga, manavatsava ireo fiara mitohana noho ity lozam-pifamoivozana.
Vao tonga teo amin’ny toerana dia nobataina i Hery, nakarina teo ambony fandriana kely, nampidirina tao anaty fiara nony avy eo.
I Mihary moa tamin'io tsy maintsy mbola nijery ilay maratra hafa sy ireo mpamily. Nifampiresaka tamin’ilay mpamonjy voina izy nony avy eo ny amin’ny hitondrana ireo maratra hafa!
Alohan’ny hiaingàna dia niakatra tao anatin’ilay fiara i Mihary ary akory ny hatairany, tsy azony an-tsaina mihitsy hatramin’izay, fa i Hery anie ity maratra mafy manoloana azy. Taitra tsy mbola nisy ohatran'izany izy! tsy hitany anefa izay ho tenenina fa ny fony no tsapany nidobodoboka mafy. "Loza ity," hoy izy tany antsainy tany nony avy eo.
- "Tsy maintsy manaraka anareo aho izao fa olom-pantatro io maratra io!" hoy izy tamin'ireo mpamonjy voina. Soa fa lehibe ihany ilay fiara ka afaka nitondra izay tena naratra aloha. Niazakazaka i Mihary namonjy ilay fiara karetsaka niandry azy dia nanazava ny zava-misy tamin'ilay mpamily teo sady nandoa ny volany dia niverina haingana namonjy ilay fiara hitondra an'i Hery tany amin'ny hopitaly.
Natahotra mafy i Mihary teny an-dalana. Nohenoiny matetika ny fitempon’ny fon'i Hery izay tsapany fa toa malefaka dia malefaka. Nisento izy nijery ity olon-tiany rakofan'ny saron-tava mba hifohany rivotra madio iainany. Tsy mbola mahatsiaro tena hatrany i Hery. Ilay mpitsabo mpanampy mpamonjy voina moa mandritra izay fotoana izay tsy nitsahatra nanadio ny ratra amin’ireo marary hafa.
Vao tonga tao amin’ny hopitaly dia nikoropaka ny rehetra ary efa vonona ny handray azy ireo avokoa ny mpitsabo, mahafantatra an’i Mihary avokoa izy ireo satria hopitaly iasan’i Mihary koa ny nitondrana ireo maratra ireo.
- "Tsy maintsy miakatra any amin’ny efitra fandidiana izao dia izao, mila fitarafana izy ity hoy i Mihary fa mety misy tapaka any amin’ny tongony any,"
Nirodorodo ny rehetra. Ny maratra hafa moa navelan'ny Mihary nosahanin'ny mpitsabo hafa fa dia noraisiny antanana mihitsy ny momba an'i Hery.
Vao tonga tao amin’ny efitra fandidiana, napetaka avokoa ny fitsapàna rehetra, napetrak’i Mihary tamin’ny mpitsabo namany aloha ny marary fa naka ny akanjo sy nanao ny fanadiovana ny tenany izy.
Fotoana vetivety ihany dia iny i Mihary niditra ny efitra, injany ny feon’ny milina mipipika manambara ny fitempon’ny fon’i Hery, malefaka dia malefaka. Miha-miadana hatrany.
- "Mila mitandrina isika, miha-miadana hatrany ny fitempon’ny fony izany."
- "Ahoana ny valin’ny fitarafana?"
- "Misy tapaka ny taolam-peny dokotera!"
- "Ary ny tratra sy ny ratsam-batana hafa?"
- "Tsy maninona ka! azo tsapaina tsara!"
Notsindritsindrian’i Mihary aloha ny tratran’i Hery, ilay feon’ny milina niha-niadana hatrany. Nanomboka manganohano ny mason'i Mihary.
<<piiip, …piiiiiiip,…. piiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiii>>>>
Tsy nitempo intsony ny fon’i Hery, nikoropaka ny rehetra, nisamahotaka ny eran’ny trano, i Mihary etsy ila ho latsa-dranomaso toa tsy nahita hotenenina. Loza ity, loza marina.
- "Tsy tanantsika intsony, tsy tanantsika intsony, aingàna ianareo, .... "
Tadiom-pitiavana ([email protected])
- "Fantatro ry Mihary fa tsy tokony hanao ity zavatra ity aho, fa na dia ny fiarahantsika hatramin’izay aza dia aleoko manolotra anao ity fanomezana kely ity, mba ho fiarahabana tratry ny Krismasy sy ny taom-baovao e !," hoy i Hery sady nanolotra fonosana miendrika efa-joro mangirana tadiana kely izay izy ;
- "Oh ! misaotra betsaka, tena misaotra ry Hery, hay ve izay no nahatonga anao hitady ahy androany e!"
- "Ie ! eny e ! tsy izay ihany akory fa mba te-hiresaka koa aho, fa mila namana iresahana."
- "Tsy maninona raha vohaiko izao an!"
- "Tsy maninona ka ! enga anie ka ho tianao!"
….
- "Andray ry Hery, fa inona ity fanomezana atolotrao ahy, zavatra lafo vidy be!"
Nitsangana mihitsy i Mihary sady nanatona an’i Hery rehefa nivaha ilay fonosana. Rojo volamena manifinify izay no tao anatiny. Faly aok’izany izy. Nanatona dia nanoroka ny takolak’i Hery.
- "Andray, fa maninona ary aho no toloranao zava-tsarobidy toy izao!" sady niantsalorany ilay firavaka, i Hery tsy niteny.
….
- "Ianao no nanokatra ny masoko, dia tiako mba omena an’iny. Aleoko manao fandaniana be hahatsiarovako tsara izay nataoko. Sady izao fitsaboana ataonao ahy izao, fitsaboana moa no ilazako azy, dia tsy ho voavidim-bola mihitsy ry Mihary fa dia raiso fa natoako amin’ny fo tokoa."
- "Misaotra ary, dia misaotra betsaka, …. fa toa tsy manana fo faly izany mihitsy ho’aho ianao e!"
…
- "Jereo tsara ary ny masoko dia aleo mifampiresaka isika."
- "Ssshhh, ny mampalahelo ahy dia i Alexia tsy namaly ahy mihitsy hatramin’izao, nefa efa nalefako mailaka aminy ny laharan’ny findaiko. Mino aho fa i Tahiana dia mahalala tsara ny misy an-dry zareo fa tsy te-hiteny amiko, azonao atao ve ry Mihary ny mandresy lahatra azy, hanomezany vaovao? Ny atahorako mantsy, isaky ny mifankahita izahay, dia mety hisarika ahy hanao ny tsy tokony hatao foana izy. Moa tsy tiany mihitsy ny handehanako any an-dafy, nefa izaho efa nanao famandrihana tamina ivon-toerana fizahan-tany mba hahamoramora kokoa ny ahazoako ny visa."
- "Fa inona no saika nataony taminao?"
- "Mitady hoe hanao firaisana amiko foana izy!"
- "Hatramin’izao ve?"
- "Tamin’izaho ilay avy tonga tany Mahajanga iny."
- "Ka efa niova ny fandehan-javatra fa mety tsy mahalala ianao, izy ange ka efa miaraka amin’ny dadafaranao e!"
- "izay tokoa angaha fa ny adiresin’i Alexia no tiako ho fantatra aminy na dia laharana an-tarobia fotsiny aza!"
- "Eny e ! azonao atokisana aho fa mila mahandry tsara fotsiny ianao. Sady… ssshhh….eny e!"
Toa tsy nahoan’i Mihary akory ilay resak’i Hery, tsy niditra ny sainy akory aza, fa ity fanomezana ity no nampirehitra indray ny fitiavany toa tsy hainy nosakanana. Nitsangana izy dia niodina tao ambadik’i Hery.
- "Aleo aloha ianao oriko eto amin’ny soroka fa tena vizan-tsaina mihitsy. Mety izao!"
- "Ie ! mety tsara," hoy koa ity iray, naka fy ny otra nataon’i Mihary.
…
Afaka telo minitra, dia najanony, sady nijoro teo anoloan’i Hery izy sady nampitraka ny lohany.
- "Raha fantatrao mantsy ry Hery ny halalin’ny fitiavako anao!…"
Toa tsy nahoan’i Hery izay teny izay fa lasa lavitra tany amin’i Alexia ny sainy. Safosafo malemy no tsapany tamin’ny takolany, dia injay nisy hafanana mitohoka amin’ny molony sady nifanoroka taminy.
Navelany ity vehivavy hipetraka teo ambony lohaliny sady nofeheziny koa. Dia lasa ny safosafo, ny oroka tsy nijanona.
Ny mason’i hery amin’io mikimpy mameno ny endrika soan’i Alexia ao an-tsainy. I Mihary kosa naka fy nanome fisaorana ity fanomezana noheveriny fa tamin’ny fitiavana tokoa.
Rehefa lasa lavitra ny orokoroka, dia nifampikasoka ny lela ary teo vao tsaroan’i Hery ity hamamin’ny fitiavany ilay olon-tiany, nosokafany ny masony, toa diso fanantenana fa vehivavy manao akanjo fotsy fitondran’ny mpitsabo no hitany. Ny tanany efa mamaha tsikelikely ny bokotry ny lobany.
Tampoka, niala i Hery ;
- "Mihary an ! tena miala tsiny, fa …"
- "Hery an ! fantatrao tsara ny halalin’ny fitiavako anao," sady nofeheziny ny lohany hifanoroka taminy indray.
- "Tsia an ! tsia dia tsia, ry Mihary, efa nifampiresaka momba izay isika. Fa tena tsy inoanareo mihitsy ve izany ny fitiavako an’i Alexia no sedrainareo izay sarotra amiko aho?"
Nisento fotsiny i Mihary, tsy nahateny, dia avy eo natsangan’i Hery.
Iny izy niverina nipetraka teo ambony sezany, dia niondrika tsy te-hampiseho ny masony manganohano.
- "Tsy haiko," hoy i Mihary nanomboka latsa-dranomaso, tsy tsapanao tokoa ve fa ny nataontsika tany Mahajanga dia nanamarika zavatra lehibe tamin’ny fiainako? "
- "Azoko dia azoko Mihary an ! fa efa nilaza taminao aho fa efa niova sady efa nifanaiky isika."
Nanatona azy i Hery nefa natosiny tamin’ny tanany , izy nanomboka nitomany no namaha ilay rojo dia natolony an’i Hery.
- "Ento any ity ry Hery an ! tsy anjarako ity, tadidio fa tsy fanao ny manome volamena, na rojo io, indrindra moa fa peratra ho an’ny namana fa midika zavatra hafa izany.
Dia andàna mandeha…" hoy ihany i Mihary nifokofoko, "tadiavo ny Alexia anao fa izy no sahaza ireny."
Tsy nety nandray i Hery, latsaka tamin’ny gorodona ilay rojo, dia noraofin’i Mihary ihany sady natsofony tao anaty paosin’i Hery.
- "Tena miangavy mafy anao aho ry Hery an ! Andàna mandeha.
Efa hendry rahateo moa ianao ka vita ny adidiko! Vita koa izay iraka nampanaovina ahy!"
Tsy azon’i Hery izany teny izany, fa niala teo izy dia nanokatra ny varavarana, soa fa tsy nisy marary hozahana intsony dia nidina ny tohatra izy, niandriandry teo ivelany mba hanarahany maso tsara an’i Mihary sao dia hamerina indray ity nataony tany Mahajanga.
Afaka 15 minitra dia iny i Mihary nivoaka ny trano fiasàny, nisakana fiarakaretsaka sady toa tsy nanontany akory fa niditra dia lasa.
Tsy nisalasala i Hery naka fiarakaretsaka hafa koa dia niteny hoe :
- "azonao arahina ve iny « taxi » iray iny fa aloako ny hofan’ny fiaranao?
Nanaiky koa ilay mpamily dia nifanaraka teny ny fiara roa.
Tadiom-pitiavana ([email protected])
Efa madiva ho maizina ny andro vao tafaverina i Alexia sy Tojo. Maivamaivana tokoa i Alexia nony tonga tao an-trano. Ampy nandinihiny ny mikasika izay mety ho aviny ny tolakandro nolaniany teo. Faly izy e! faly. Adinony avokoa ny zava-nanahirana azy rehetra teo. Asa, izao tokoa ve ilay hoe ao anatin'ny mangidy no misy ny mamy? Sa ny mamy mihitsy no tsy mipoitra raha tsy avy misedra ny mangidy? Niverina indray ilay hatsara-pon'i Alexia hatrizay. Ny manodidina azy maizina tanteraka taminy teo iny toa nanjary rakotra hazavana mitsilo ny ho aviny. Miramirana ny endriny, mailamailaka ny fihetsiny, nampita tara-pankasitrahana izay nanodidina azy ny fitsikiny. Adinony fa mbola tohana mafy tamin'i Malala izy vao ora vitsivitsy lasa izay. Toa nanolatra sahady koa angamba ireo fery nateraky ny tantaran'ny setrasetram-pitiavan'i Hery. Nivimbina fehitenda mitsoriadriaka manga tanora izay izy nokasainy hatao fanomezana ho an'i Mahefa, ary fehezam-boninkazo maro loko ho an'i Malala. Saingy indrisy, tsy tao an-trano intsony ny rainy.
Vao tsinjon'i Malala ho navitribitrim-pamindra sy velombelon-tsiky i Alexia dia mba niezaka ihany izy nanafina ny adi-tsainy. Im-polo tokoa mantsy raha kely indrindra ny nanandramany niantso an-tarobia an'i Hery. Ny laharan'ny any am-piasana raha teo tsy nananany.
- "Bonsoir Neny, ngaha i Profesora efa lasa? ity voninkazo ho an'i Neny ho mariky ny tena hafaliako sy ny fankasitrahako an' i Neny. Fofony anie e! Manitra a! Sady namonjy nipetraka teo ankavananan-dreniny teo ambony sezalava fijerena fahitalavitra izy, nasampiny ny sorony ny tanany havanana, dia natohony moramora ny andriny ny molony."
- "Ary aiza i Tojo? "
- "Nanatitra ahy fotsiny izy dia lasa koa"
Nitsiky Malala, noraisiny ilay fehezam-boninkazo sady nahankiny tamin-tsandrin-janany ny lohany.
- "Misaotra izany zanako izany. Tsara fo sy saina loatra raha ianao Alexia a! Miondrika manoloana ny fahendrenao aho." Nanomboka nanganohano ny masony. Indraindray aho mieritreritra fa tsy mendrika ny ho reninao anaka. Toa Reny iray vaovao no sahaza ho anao fa tsy Ray vaovao, satria Ratrema dia nahafeno mandrakariva ny toetra vanona maha-Ray azy. Na dia niezaka ny hanafina aza i Malala dia tsinjon'i Alexia ihany ny fipatrapatrakin'ny ranomason'ity reniny.
- "Neny a! Aza manao izany ianao. Ianao no reniko, tsy manana reny hafa ankoatra anao aho, ary tsy mitady na haniry ny hanana reny vaovao. Tsapako ny fitiavanao ahy, aza manana eritreritra hafa ankoatr'izay ianao. Tsy hary aho raha tsy ianao sy Papa, ary raha mahita toetra tsara aty amiko ianao dia saino fa ianareo no nikolokolo ahy nandritra izay 22 taona niainako izay. Fotoana fanovozana ny tena maha-olona ifehezana ny fahatanorana, ary ireharehana amin'ny fahanterana. Afaka miantso an'i Papa amin'ny findainao tokoa ve aho, manina azy aho izany. Efa mahafantatra koa izany izy ry Neny hoe Profesora Mahefa no raiko?"
- "Eny anaka efa fantany!"
- "Ary ianareo an! Tena mba gisitra indray aho izany tamin'iny koa. Nefa vaovao tsara lafatra be iny Tsss. Iza izany sisa no tsy mahalala? Toky sy Cynthia? Hoy i Alexia nananihany."
- "Ka ianao anie teo tsy salama e! Dia nifanaraka izahy telo mianadahy fa hoe rehefa sitrana tsara ianao vao ampahafantarina ny marina. I Hery izao no tsy mahalala."
- "An ! Hery! hein! Mihevitra ve i Neny fa ho liana amin'izany? Tsss"
- "Andray, raha izay ranomasony teny Ivato izay anie ry Alexia, hein, tsy mino ianao hoe i Hery matanja-be iny no nidradradradra nitomany tery imasom-bahoaka. Andramo antsoy ihany hoe izy, dia lazao azy e!"
Zava-baovao tamin'ny sofin'i Alexia indray iny hoe i Hery nidradradradra teny an-tseranam-piaramanidina iny. Marina ve izany? hoy izy tany an-tsainy tany. Resy lahatra ve izy ny amin'ny tokony ampahafantarana an'i Hery ny marina? Sa dia mba te hampiseho andreniny fotsiny fa hoe manaraka ny toroheviny, sa tsy tiana ho tsikaritry Malala fa nihitatra anie ny olana amin'izy sy Hery, na koa mba te haheno ny feon'i Hery tsotra izao izy. Tsy fantatra aloha izay marina fa dia noraisiny ny findain'i Malala. Gaga izy raha nandre ilay famantarana fa tsy miasa intsony ny laharana. Namporisika anefa i Malala sao mba misy naman'izy ambamin-dry Hery azo antsoina, na koa raha tadidin'i Alexia ny laharan'ny any am-piasany. Na dia namporisika fatratra aza i Malala dia nanda i Alexia. Toa natahotra izy sao dia ho fambara hafahafa indray izao tranga miseho izao. Matahotra izy sao dia haheno zavatra hafahafa mikasika an'ilay olon-tsy foiny indray. Naleony ninia tsy niezaka ny ahafantatra izay momba azy.
- "Ary ny mailaka?" hoy i Malala niezaka hatrany handroso soso-kevitra, angah ianareo tsy mba mifanoratra amin'ny mailaka? Sao mba nandefa vaovao momba azy any izy?"
- "an an! mino aho fa efa maty izay ny adiresy mailaka-ko."
Sady niodina i Alexia ho any amin'ny trano fidiovana, toa tsy te hanohy ny resaka intsony. Niserana kely indray ilay aloka nanamaizina ny lanitry ny fiainany. Teo ambony bakoly fotsy fivalanan-drano izy no nitanondrika latsa-dranomaso indray. Nino izy fa efa tsy maintsy namaly ilay mailakany farany iny izay i Hery. Saingy... tsy tiany ho fantatra izay mety ho tohin'ny ao. Nanomboka iny andro mangidy iny dia toa zary nihozona anaty mihitsy izy tsy hanokatra ny aterineto intsony. Tahotra no nibahana tao anatiny. Tsapany fa marefo izy, ary ilay olona nantenainy ho andry matanjaka, azo iankinana rahatrizay no indray inty ninia namela takaitra ho azy. Tsy maintsy nahodiny any amin'ity rainy vaovao ny sainy mba hampitony azy indray. Iantso azy mba hifanao fotoana rahampitso na dia hiara-hisotro kafe fotsiny aza. Loulou ([email protected])
Ontsa dia ontsa ny fon’i Tojo mahita ny fipenipenin’i Profesora Mahefa amin’ny fikarakarana azy mianaka vehivavy. Toa ilay profesora mahay nikoizan’ny rehetra ity, na amin’ny fitsaboana na amin’ny torohevitra, no toa kivy sy mitady ho very hevitra ny amin’izay tokony atao manoloana ny olany. Hatramin’izay nahafantaran’i Tojo azy izay tokoa mantsy dia toa tsy mba noseranan-tsampona izany ny fiainan’i Profesora. Lehilahy nahavita be taminy raha i Profesora Mahefa, namonjy azy na tamin’ny lafiny ara-bola na tamin’ny lafiny ara-tsaina, indrindra indrindra moa fa ara-pahasalamana. Izy no mba hany solon-dray aman-dreniny nandritra izay dimy taona naha-taty Frantsa azy izay, ary toy ny zanaka nateraka ihany koa no nitondràn’i Profesora azy hatramin’izay. Ankehitriny hitany ho tena tojo olana i Profesora. Mba te hanampy azy koa araka izay azony hatao izy nefa amin’ny fomba ahoana? Tsy afaka ny hananatra na koa hoe hanome torohevitra, ny tenany koa mantsy mbola zaza loatra raha mihoatra amin’i Profesora. Nohararaotiny ihany anefa ny fotoana sendra nahatafahaona tao andakozia azy mianaka:
- "Profesora a! raha misy azoko anampiana anao dia aza misalasala miantso ahy, na andro mangirandratsy io na alina mamirifiry. Fahafinaretana lehibe ho ahy ny ahafahako manampy anao, ary matokia ahy fa am-pitiavana no hanaovako izany."
- "Eny r’ise Tojo, misaotra indrindra an’ise aho noho izany tenin’ise izany. Fantatro fa olona azo itokisana raha ise, ary tena natoky an’ise foana aho hatramin’izay. Ny tena olako izao dia ny fanahiako ny amin’izay mety ho tohin’izao fandehan-javatra rehetra izao. Ny amin’i Malala moa dia tsy azoko mihitsy hoe inona no tena manjo azy, inona no nahasafotra azy tampoka teo, tena mbola mila fanadihadiana lalina ny amin’iny fa tena misy zavatra tsy mazava amiko. Fa ny amin’i Alexia r’ise no tena mahavaky ny saiko a! Ohatran’ny matahotra aho ny amin’izay mety ho fiovan’ny fihetsiky i Alexia amiko aorian’izao fotoana izao. Tsy vitako akory ny nanadihady izay tena mahazo azy marina tokoa."
- "Aza manahy ianao Profesora a! omeo fotoana izy aloha ahafahany mandinika tsara izay ho ataony. Marina fa tampoka taminy ny nahenony ny tena marina, kanefa na rahampitso na afaka am-bolana dia tsy maintsy ho tampoka ho azy foana no handraisany azy. Araky ny fitantaran’i Madama ahy mantsy dia tena olona tsotra sy be fandeferana raha io tovovavy io, koa mino aho fa ho fantany izay tokony ataony. Manakory raha entoko mivoaka kely izy mianaka Profesora? Sao dia izay no tokony ataoko?"
Tsy nahateny i Mahefa. Tsy fanontaniana nipetraka na fanazavana natao, nefa dia toa arak’i Tojo ny fandehan-javatra rehetra. Tamin’ny fomba ahoana? Tsy maintsy Malala izay. Nanaovan’i Mahefa fijery miorirana i Tojo.
- "Aza manahy ianao Profesora a! Mba entoko haka rivotra kely fotsiny e! Ao anaty fiara ihany fa tsy mivoaka akory sao sanatria hisy fiantraikany amin’ny fahasalaman’i Alexia. Raha manaiky moa izy ireo mazava ho azy."
- "Eny e! eny e! Tena hevitra mety tokoa ny an’ise ka! Tsy misy sakana avy aty amiko mihitsy. Saingy i Alexia ihany entina, hahatsara azy izay hevitr’ise izay. Ilazao ary izy e! I Malala... mbola misy resala kely ifanaovako aminy."
Nanaiky izy, nefa azo lazaina ho nanaiky tsy sazoka ihany satria, raha ny tena faniriany dia i Malala no nentina, i Malala ihany, saingy ny hanampy an’i Mahefa no tanjony, dia izy mianaka no nolazainy, kinanjo … niafara tamin’i Alexia irery. Ity farany koa nanaiky avy hatrany, tsy nisy fihambahambana, toa zarany tokoa hivoaka kely, hihataka kely amin’izao fisafotofotoan-javatra izao. Tsy hitan’i Alexia marina izay hasiany ny tenany sy izay haloaky ny vavany. Toa saron’ny henatra ny hafaliany. Nefa lalina tany anatiny tany dia nisaotra an’Andriamanitra izy fa nivaly sahady ny vavaka nataony, tojo amin’ny niriany izy ity, ny ahafantarany ny ray niteraka azy. Ny fisaorana feno an’i Tojo no nalefany aloha indrindra noho ny fandavantena nananan’ity farany. Zay izy vao nilaza fa mbola hiakanjo aloha, fialantsiny koa nataony noho izany raha tsy maintsy mbola mampiandry kely. “Tsy maninona mihintsy ka, ataovy miadana” hoy i Tojo sady nitsiky.
Nony kelikely,
- "Tojo, izay fa vonona aho, tena tsy manahirana anao a!"
Nahodin’i Tojo niankavanana misy ny varavarana nihavian’ny feo ny lohany. Tovovavy mpanao akanjo mandry hitany foana hatrizay no indro nanao fitafy mendrika nefa mampisongadina ny hatsaram-bikany. Ny volo hitany nifatotra fingotra sady somary misaritaka nandritra izay fotoana vitsy nahalalany azy izay indretsy hitany lava mipariaka manarona ny hatreo an-tsorony. Ny sanga sy ny volo mandady zary manao tana-masoandro hatrizay, indretsy milamaka tsara somary misori-bilana miankavanana. Bika re izao, endrika re izao, ravahan’ny molony feno tsiky sy ivoahan-teny malefaka. Sanganehana i Tojo, ampian’izato fahalalam-pomban’i Alexia
- "An? ...non, tss tsy maninona ho’aho, sssady, ssssady malalaka ny fotoanako androany, tsy mianatra aho."
- "Ndao isika hanainga ary e!"
________________________________________________
- "Ka manao ahoana ianao izay ry Malala?" sady nanantona teo antongom-parafara i Mahefa
- "Efa tsara ka, toa fanina tampoka fotsiny aho teo iny."
- "Tsara izany, fa hono ho’aho ry Malala, fa ahoana ny fifandraisanao sy Tojo moa?"
- "Ahoana ahoana ry Mahefa? Faa… inona no nolazainy anao? Tsy hitako. Tsisy."
- "Toa mampanontany tena ny fihetsikao ry Malala"
- "Fantatro izy ka, fantatro, olona tsy ratsy, ianao koa aza efa niteny izany."
- "Vao afiriana no nahafantaranao azy nefa dia…"
- "Iie! Niara-niantsena izahay, nandehandeha, nisy fotoana izy mba nisakafo hariva niaraka taminay telo mianaka tato, izaho no nanasa azy mba ho fankasitrahana ny fanampiana nataony rehetra. Nisy zavatra notantarainy anao angah? Tsy mbola taitra ve ny ankizy? Aleo aho aloha hijery azy dahy kely. Sady nitsangana izy ho any an’efitra."
Na dia niezaka ny hiala aza i Malala mba tsy hihitaran’ny resaka dia indrisy, nanaraka azy avy ao aoriana i Mahefa.
- "Dia ny tsiambarantelon’olona ve no borahinao aminy na dia hoe nifandray be sahala amin’inona aza ianareo e!"
- "Tsiambaratelo inona ry Mahefa a! Tsory fotsiny raha toa tsy nankasitrahanao ny nanasako azy hisakafo hariva tato amin’ny tokantranonao. Tsory fa aza mody fanontaniana hafahafa tsy misy dikany no asesikao. Miala tsiny aho, manao azafady aminao raha toa ka somary nanjakazaka tato amin’ity trano ity. Tsapako mihitsy izao fa efa tokony hody aho hamonjy ny tokatranoko. Ela loatra no nijanonako tato aminao, ny havan-tiana tokoa angamba tsy tokony hiaraha-monina ka. Sady efa salama izao i Alexia, efa vaky koa izao fa ianao no rainy, ianareo mianaka ve tsy hifampizaka eo. Tsy misy antony intsony tokony ijanonako aty. Sao anjary ho enta-mavesatra ho anareo izahay telo mianaka. Efa hody izahay e! efa hody. Miandry vola avy amin-dRatrema aho. Tsss, maninona tsy tonga dia tsorina fa…"
Gina tsy nahateny ingahy Profesora, nijaikojaiko niditra tany an’efitranony. Tsy dia reny tsara intsony izay tohiny tao. Inona ity nahazo an’ity Ramatoa ity? Izany tena hoe bokotra iray no nopotsirina dia tonga dia nanao tifitra basy marovava avy hatrany. Nitsilany teo amparafara i Mahefa, nandinika ny zava-nitranga rehetra, takany, tena takany ny zava-niseho. Tadidiny ny fisian’ilay silipo indray maraina iry. Hein! Izany no hoe gisavavy homa-ketsa, izy manao ny tsy fanao indray ity no avo vava. Iny ketsa iny kosa tao amin’ny nilàna azy tsara, sa dia efa ity Malala ity mihitsy no tsy mifidy ketsa? Sady nihomehy irery teo i Mahefa. Ny tena nahavaka ny sainy indray avy eo dia ny hoe “nahoana ary I Malala no niezaka nampiaraka an’I Tojo tamin’I Alexia nefa I Tojo efa niaraka taminy? Tena tsy mazava amiko ny toetran’ity Malala ity ka! Nefa tokony ho tsinjoko lavitra ihany ka, izy aza vao nahita ahy dia nanaiky ny niray tamiko. Ssshh, deinn! Kiriko aho, marina tsy tena sady kiriko amin’ny tenako aho izany. Tsy tiako ho sainina akory izay mety ho fomba fiainany ka! Samy manana ny fiainany tokoa ny olona. Azy any izany, izay fomba itondrany ny tenany tsy ahoako.” Sady nihivingivindoha i Mahefa no namonjy nihohoka teo am-pandriana. “Nefa … nefa izay fiainana niainany dia nahakasika an’I Alexia, I Alexia zanako, izay mahakasika an-janako tokony koa ahakasika ahy. Tsy afaka ny hialangalana aho, adidiko ny zanako. Mba ahafahako mifankahazo am-po aminy sy manampy azy tanteraka dia tsy maintsy ezahiko ny miaina izay fiainana rehetra niainany tany aloha tany. Inona no nitranga? Ny fahazazany, ny fahamatoiny, izao ny fahatanorany. Hery, Hery, inona no olana nosedrain’izy sy Hery ka nahatonga iny loza-pifamoivoizana iny? Eny e! reko hoe nisy tovovavy iray hafa… nefa na dia izany aza ve? Ary i Malala safotra teo, toa ny anaran’i Hery no naverimberiny, sa Hery hafa? Azoko antoka zato isan-jato izao fa mihodina amin’io Hery io ny safotofoton-tadiom-piainan’ity fianakaviana ity. Saingy sahala amin’ny ahoana ny fitsokany?
Loulou ([email protected])
Ny andro mialoha ny fetin'ny Krismasy, andro tsy iasana rahateo...
- "Allo Fano! ho avy ianao rehefa harivariva an! efa manomana sakafo tsara mihitsy aho io! Ataoko fa ho tianao daholo ny sakafo karakaraiko ato an!" hoy i Tahiana sady niangotingoty ery.
- "Tsy maninona fa izaho no mitondra labozia! Dia ampirehetintsika hatramin’ny misasak’alina. Aza matahotra ianao fa ho tonga aloha mihitsy ary aho e!"
Revo dia revo ny anao vavy, nikarakara ny sakafo, nanomana izay metimety. Handray vahiny tsinona!
Tonga ny tamin’ny 6 ora katroka!
Naneno ny bokotra fanairana tao ambaravarana...ring, ring...nihazakazana i Tahiana nanokatra ny varavarana !
- "Manao ahoana !!!" hoy i Fano nitsikitsiky, ny tanany ilany mitazona fehezam-bonikazo anaty vazy sady midoroboka tsara. Fitafy sy fihaingo izao! Ananany tokoa aloha e! Nifanoroka izy roa.
- "Mandroso Fano an! Ho ahy ve ity voninkazo ity? misaotra betsaka ! sady norohany indray i Fano. Nampandrosoany ny vahiny ary dia nasainy hipetraka teo ambony seza lava aloha. Lasa nankany an-dakozia izy nony avy eo nanohy ny fikarakarany ny sakafo.
- "Fantatro mihitsy fa mbola misy anampiana anao ato," hoy i Fano niala teo amin’ny toerany.
- "Ka ianao tonga aloha loatra ko! mbola tena mamarana ny fikarakaràna mihitsy aho izao!"
…
- "Noana angaha i Fano," sady notolorany ovy voahendy mafanafana tsara iny ity lehilahy.
- "Ie, tena noana aho, fa ny tena mahanoana ahy koa dia ianao ka!"
- "ayyiii!" nandrakandraman’izy roa teo izay potipotika hanina tsy mbola voavoatra, ary vetivety fotsiny dia nofehezin’i Fano avy ao aoriana i Tahiana, norohany tsimoramora ny hatony. Nahatsiaro nangoritsina kely ny anao vavy. Somary taitra koa ny vatany manontolo nahatsapa ilay oroka mamy nitondra hafanana avy ao aoriany tao.
Nitodika kely izy dia nifanoroka izy roa, oroka lava toa nalaina ny hisaraka.
Niala vetivety i Tahiana, najanony avokoa ny afo rehetra na ny entona na ny mandeha amin’ny herin’aratra. Nosarihiny tamin’ny tànana amin’izay i Fano hanaraka azy. Niala tao an-dakozia izy roa ary nifindra tao amin’ny efitra ilany, efitra fidiovana, tsaroany tampoka ilay nataon’izy sy Hery voalohany ka tiany handramana indray.
Vao tonga tao, tsy nisalasala mihitsy i Tahiana nanala izay akanjo teny aminy, nahantony tahaka ny tsy teo. Variana i Fano nahita voalohany ity vatana tsy manam-paharoa an’i Tahiana. Ilay string kely maintimainty sisa no teny aminy. Tsy nahateny intsony i Fano fa dia variana nijery fotsiny. Ity iray koa moa, tsy nanao afa-tsy izay hisarihina azy hampitombo ny filàny.
Nanatona i Tahiana dia nifanoroka izy roa, novahany tsirairay ny bokotry ny lobaka teny amin' i Fano. Novahany koa ny fehikibo, ny bokotry ny pataloha ary dia tsy ela akory taorian'izay dia niborotsaka moramora tamin'ny tany ny patalohan'i Fano. Nasitriky Tahiana avy ao aoriana ny tanany dia nalatsany ny silip teny amin’i Fano. Tahaka ny tsy teo koa ny nanalàny ny kirarony.
Nosafosafoiny amin’izay ny lamosiny, i Fano amin’io tsy nahahetsika intsony sady nihenjana tsy nisy ohatran'izany ny filahiany.
- "Avia!" hoy ihany i Tahiana nony avy eo sady notaritiny hiditra tao amin'ny toerana fandroana i Fano. Nanaraka azy i Fano ary dia nalefa moramora ny rano mafana matimaty aloha. Nanomboka amin’izay ny safosafo madinidinika teny amin’ny vatan’izy roa. Maika ery ny lehilahy hikitikitika ireto nono tsy manam-paharoa nivelatra teo anoloany. Ny hafanan’ny rano koa moa tamin'io nanampy tosika ny fahafinaretany, ny safosafo sy ny orokoroka manginy fotsiny. Tampoka teo, nitodika i Tahiana dia nanome lamosina. Nahankiny tamin’i Fano ny vatany, tsapany ny firidiridin'ny filahian’i Fano mikasika ny vatany. Najanony anefa ny rano dia naka savony izy, dia natolony an’i Fano. Azon'i Fano antsaina ny tiany hatao ka dia nosoran’i Feno savony moramora ny nonony izay somary niha henjana ny lohany. Nampiakariny kely ny tanany nony avy eo hanosotra savony teo amin'ny soroky Tahiana izay maka fihiny mafy ery. Niverina teo amin'ilay loha nono maranitra indray ny tanany roa nony avy eo sady manafosafo ihany no nanohy nidina nakeo amin'ny silipo manify mbola teny ankoditry Tahiana. Natsofony tampoka tany ny tanany ankavia tsy nitazona ilay savony.
- "mmmmhhhh," hoy i Tahiana mimolomolom-pahafinaretana. Nosafosafony moramora teo aloha ny molon'ny zohim-pahafinaretan'ity olontiany. Henony nihahenjana ny kitson'ny fivavian'i Tahiana. Nampidininy moramora ny fanondrony hanakatra ilay molom-pahafinaretana teo ambany izay tsapany ohatran'ny niha naditidity. Tsy andriny intsony fa tonga dia nampidininy ilay silipo dentelle manify efa hotsaky ny rano teny amin'i Tahiana. I Tahiana amin'io tsy miteny mihitsy fa toa miandry fotsiny izay ataon'i Fano azy. Ny hany nataony dia ny nanetsika ny feny anakiroa mba hampilatsaka ilay silipo tateraka amin'ny tany. Afaka avokoa ny fitafiana rehetra teny ankoditr'izy roa. Ny roatran-tsavony no hany sisa hita nanakotakona ny faritra sasantsasany tamin’ny tenany.
Niakatra indray ny tanan’i Fano, dia nijanona teo amin’ilay telolafy iafenan'ny zohim-pahafinaretan'i Tahiana. Niverenany nosafosafoiny mora indray. Nampifandimbiasany teo ny tananay.
- "Tiako be izany ataonao izany," hoy Tahiana mahatsiaro ny onjam-pahafinaretana miakatra aminy.
Tsy niteny aloha i Fano sady nampiakariny hamonjy ny nonon'i Tahiana efa sasa-miandry ny tanany ilany. Nakimpin’i Tahiana ny masony, sonanika amin’ity ataon’ny olon-tiany izy. Niredareda tao am-pony ny faniriana sy ny fitiavana ity lehilahy miaraka aminy.
Nihorirana vetivety izy dia nosintoniny ny filahian'i Fano efa mihenjana be aok’izany. Nohosorany savony kely ny tanany aloha dia nakorisany tamin’ny halavan’ilay filahiana teo. Ny tanany ilany amin'io niakatra nanongo moramora ny lohanonon'i Fano. Taitaitra avokoa ny tsirim-panentan’ity lehilahy efa babony rahateo. Rehefa vita izay rehetra izay, dia nalefany indray ny rano. Ny fifanorohan'izy roa amin'io tsy hita ho tantaraina intsony. Nony avy eo, nalefan’i Fano ny tanany hisarika ilay lamba famafàna teo akaiky teo. Natafiny an’i Tahiana hanamaina ity vatana tsiriritiny loatra. Nataon’i Tahiana tahaka izay koa izy rehefa avy eo. Tsy nampoizin'i Tahiana, nobatain'i Fano tampoka izy ary nentiny nivoaka ny efitra fandroana. Nampofoiny teo ambony seza lava aloha sady norokorohany teo. Nyy tanan'izy roa amin’io mikaroka hatrany izay safosafo hampiakatra ny fahafinaretana tsy tiana hijanona intsony. Tsy naharitra intsony i Tahiana nony farany :
- "ndao ohany ambony fandriana isika" hoy izy.
- "Fa aiza ny efitranonao?" hoy i Fano sady toa tsy andriny ery izay hiseho manaraka.
Tsy niteny i Tahiana fa ny fanondrony fotsiny no natondrony niakatra. Izy amin’io tahaka ny tosahan’ny hafanan’ity lehilahy miampofo azy.
Tsy nisalasala i Fano fo tonga dia nibeda an’i Tahiana indray ary nitondra azy niakatra ny tohatra. Tsy nisy niteny izy roa fa ny fanondron’i Tahiana no naviliviliny hanondro ny efitranony. Tsy nihidy ny varavarana tao ambony fa tonga dia natosika fotsiny. Nopihan'i Tahiana ny fampirehetan-jiro izay tsy lavitry ny varavarana dia niditra izy roa. Mbola tsy nahita efitra tahaka izao i Fano, misy hazavan’ny jiro mitaratra toa kintana manazava ny valin-drihana miloko manga antitra. Ireo karazana hosodoko manenika ny trano koa nahavariana. Avy hatrany dia napetrany moramora teo ambony fandriana aloha i Tahiana. Tsikaritry Tahiana fa somary nihena ny hamafin’ity filahiana manoloana azy ka dia notakariny vetivety, nosintominy moramora, nosafosafoiny tamin’ny ankihibeny ilay lohany malamalama iny.
Tsapany koa fa na ny hamafin’ny fahafinaretany teo aza toa tsy dia reny intsony tamin’ilay niakatra ny tohatra teo, dia nalefany koa ny tanany ilany hanafosafo ny tenany, nanomboka hatreny amin’ny nono dia nidina moramora nikorisa teo amin’ny kibo ary avy eo nisafo ilay faritra telozoro irafetan’ny fahafinaretany. I Fano amin’io maka fy ity ataon’i Tahiana aminy. Nihenjana tsara indray ny filahiany. Iny i Fano ndeha hiakatra teo ambonin'i Tahiana iny no natosiky Tahina moramora tamin'ny tanany ny lohan'i Fano hidina teo amin'ny valahany. Takatry Fano avy hatrany ny zavatra tadiaviny.
- "Efa fatatro hatramin’ny voalohany," hoy i Fano sady nidina ambanimbany ihany izy. Natosiny niakatra kely aloha i Tahiana hiondana eo andoham-pandriana, dia naka fitoerana tsara ny lehilahy. Noraisiny ny felatongotry Tahiana dia notsetsafiny moramora ny ankihiben-tongony. Nikiakam-pahafinaretana ny anao vavy. Fahafinaretana mbola tsy niainany hatramin'izay no tsapany. Nifindra tamin'ireo rantsana madinika i Fano nony avy eo ary dia nanomboka nitankisinkisina toa tsy hitany izay hasiany ny tenany ny anao vavy. Fahafinaretana hafa kely mihitsy ity tsapany ity. Natahotra mafy izy fa raha izao fahafinaretana tsapany izao no mitohy dia tsy ho tanany intsony fa dia ho tonga tsy ho ela any amin'ny farantampom-pahasambarana ny tenany. Toa tsapan'i Fano fa nankafihiny loatra ity olontiany ka dia naleony aloha najanona kely sady nanomboka nanoroka moramora ny ranjon'i Tahiana izy no niakatra nankeo amin'ny zohim-pafahinaretany. Nosokafany hivelatra tsara ny fen'i Tahiana hahitany ireto molom-pivaviana roa efa vonton-drano somary madity. Tonga dia natohony tampoka teo ny molony sady nanomboka nolelafiny moramora ireo tsiranoka nivangogo teo. Nisento kely i Tahiana. Toa nisy rian’aratra madinika nandady tamin’ny vatany. Vao maika niampy ny hamandoana teo amin'ny fivaviany. Tsy toy ny eto antany intsony ny fahatsapany ny tenany. Novelariny tsara ny feny no sady ningainy ambony ny tongony roa mba hahitan'i Fano tanteraka ny momba azy rehetra. Onjam-pahafinaretana avo be no misamboaravoara manenika ny vatany, te-hikiakiaka izy fa tsy afaka, te hampijanona izao ataon’i Fano azy izao fa tsy nahateny. Toa tiany loatra izay atao aminy. Miontanontana tsy nisy ohatran'izany ny molotry ny fivaviany. Mandranoka izay tsy izy, mila hitosa-dranom-pahasambarana foana ihany koa.
Nosokafan'i Fano tamin'ny rantsantanany roa amin'izay ny molom-pahafinaretan'i Tahiana nony avy eo. Ary tamin'ny fihetsika tony no nitohofany ilay lava-piti vonton-dranoka. Natsofony moramora ny lelany hiditra tany, nitondra hafanàna mivaivay tao anatin'i Tahiana izany ary toa tsy tandriny ny fihetsiny fa dia ningainy ny maojany mba hakany fihiny tsara. Niala kely aloha i Fano nony avy eo dia niverina indray ary tonga dia ny lelany mihitsy no nivezivezy niaka-nidina teo amin’ilay faritra mitondra tosam-pahafinaretana.
- "mmmhhh…, mmmhhhh,.. Fano an! Ataonao ahoana kay aho izany e? hoy izy miangoty tsy nisy ohatran'izany. "Tena...tena tsara be lesy a…" hoy ihany izy sady nisefosefo maka tsirony.
Rehefa hitan’i Fano fa mila tsy ho tantin’i Tahiana intsony izay nataony dia niala tanteraka izy, ary ny tanany no nasolony ny molony hitazona ilay hafanana sy ny hamafin’ny fahafinaretana nanjo an’i Tahiana teo. Niakatra teo ambonin'i Tahiana tamin'izay izy. Nanakaiky an’i Tahiana sady nanoroka indray nampita ny fahafinaretana azony tamin’ity vehivavy.
- "Efa tena lasa lavitra mihitsy aho teo, tena saika safotra aho! Marina e! Hoy i Tahiana
Tsapan’i Fano fa efa miziriziry mafy dia mafy loatra ny filahiany sady efa misy tsiranoka madity be koa nivoaka teo amin'ny lohany dia naleony nanapa-kevitra ny hiditra tany anatin'i Tahiana amin'izay. Somary niarina izy ary nandoalika teo anoloan'i Tahiana. Nosintoniny i Tahiana hanaraka azy sady natohony hifanitsy tamin'ny kibony. Azon’i Tahiana avy hatrany izay tiany hatao, tsy nisalasala ny anao vavy fa tonga dia nilalao ilay nofo vonton-dra ary notsetsafiny ilay lohany malama vonton-tsiranoka teo. Nolalaoviny tamin’ny lelany dia nidina tsimoramora nanaraka ilay vatany hatreny amin’ny fotom-pen'i Fano izy nony avy eo. Niverina nanorokoroka niakatra indray nony avy eo ary dia natsofony moramora hiditra tany ambavany ny filahian'i Fano arak’izay farany azony natao. Somary lehibebe ihany anefa ny fitaovan'ity olon-tiany ka zara raha tafiditra tany ny antsasany dia tsy maintsy nitsetsitra nivoaka ny anao vavy. Nikiakam-pahasambarana ny anao lahy nahatsapa ny fisosan'ity molotra malefaka malamalama eo amin'ny filahiany. Fahasambarana tsy nisy ohatran'izany no tsapany. Navoakan'i Tahiana kely aloha ilay izy nony avy eo sady hoy izy hoe:
- "mmhhh, ngeza be izy izany ry Fano, angamba mandravarava mihitsy io an!,"
Sady nosafosafoiny indray ilay tehina mifono hoditra mihenjana tsara.
Tsy niteny i Fano fa ny molony fotsiny no natsikiny kely sady naveriny nakipy indray ny masony maka fihiny amin'ity ataon'i Tahiana azy. Tsy naharitra intsony i Fano nony ela fa natosiny hidaboka hitsilany teo ampandriana tamin'izay i Tahiana. Nakariny teny an-tsorony indray ny ranjon’ity olontiany. Nampanantoniny ny zohim-pitiavan'i Tahiana ny lohan’ny filahiany. Vonona ny handray ity fahafinaretana fara-tampon’ny nofo izy.
Nosakanan’i Tahiana tampoka anefa!
- "Fano an ! andraso aloha, 14 andro androany mihitsy ny …. "
- "Dia ahoana," hoy ity farany somary gaga. "Fa misy inona?"
- "Ka efa hoe 14 andro izay ny fadim-bolako, aleo aloha mitandrina mba tsy hanahirana."
- "Vitako foana ny mitandrina an'io fa aza matahotra ianao."
- "Aleo aloha asiana ihany fa sao…" sady nanakatra nanokatra haka fimailo tao anatin’ilay vata sarihina tsy lavitra teo i Tahiana. Nosokafany dia nomeny hatsofoky Fano.
- "Teritery be ange izy itony e! jereo fa mifinjifinjy be." Hoy i Fano sady manafosafo ny filahiany ihany.
- "Tsy maninona io fa ny fahafinaretana foana no tadiavintsika tiako an! Sady mahazo fafiny bebe kokoa aho rehefa milamina ny saiko."
Nomandomandoin’i Tahiana tamin'ny "KY" aloha ilay filahiana mifono dia naka fitoerana tsara ny anao vavy handraisany azy. Avy hatrany dia natsofok’i Fano moramora ity filahiany, nalentiny tsara, dia nahemony, nataony in-droa, in-telo dia hoy izy nony avy eo:
- "Aleo mitsongoloka ka! izay no hitako fa tsaratsara kokoa."
Tsy namaly i Tahiana fa avy hatrany dia nanaiky sady nampaka toerana tsara ny tongony sy ny tanany, dia nanolotra manontolo tsy ampihambahambana ny fitombenany an'ity olon-tiany. Nanaitra ny tsirim-panentanana rehetra tany anatin'i Fano ny zavatra nanoloana azy ary dia tsy ariny fa no nosafosafoiny tsara teo aloha ireo nofo toa miendrika tendrombohitra roa, nalefany teo afovoany ny ratsan-tanany nony avy eo hitsapa tsara ny hamandon’ity zohim-pahafinaretana tiany hidirana. Nokitikitihany mora, dia natsofony aloha ny ratsan-tanany hanaitaitra azy tsara. Vao nahatsapa izany i Tahiana dia nanomboka nimonomonona izao teny tsy fantatra rehetra izao. Onjam-pahafinaretana hafa indray no nikoriana tany anatiny tany. Rehefa tsapan’i Fano fa ampy tsara ny safosafo nataony dia naka toerana amin’izay izy sady nampiditra ny filahiany efa tena mafy dia mafy finjain’ny fimailo.
Vao tafiditra tao amin'ny lalina izy dia najanony kely tao aloha. Henony ny fiketoketoky ny hozatr’i Tahiana manery azy tsy te-hivoaka. Nosintoniny mora dia nampidiriny indray.
Feno dia feno ny anao vavy, tahaka ny misy lanja ampidirina any anatiny any mameno ny banga tao aminy. Heniky ny hasambarana ny tenany iray manontolo. Tsy misy zavatra henony afatsy ny tosam-pahasambarana entin'ny filahian'ny Fano midona any anatiny lalina indrindra any. Tsapany nihamafimafy tamin’izay ny tosika sy fisintonana nataon'i Fano ary dia tahaka ny misy herin’aratra mihitsy tsapany mikoriana any anatiny maheno izany. Ny hozany amin’io manery toy ny vahoho(1) ilay tehin’ny fahafinaretana mitsofoka any anatiny. Samy mankafy izy roa, nifampita hafatra, nifanome hasambarana.
Lasa ny fotoana, nihamafy hatrany ny fisefosefoan'i Tahiana, nidobodoboka mafy ny fony sady nimenomenona teny tsy miloaka ny molony.
- "annn, aaaaannnn, aaaaaaaaannnnnnnnn ! sady nikiaka mafy araka izay azony natao izy sady toa ila tsy hahazaka ny tenany intsony.
Najanon’i Fano ny fihetsiny, tsapany amin’izay ny fivavian’i Tahiana toa miemponempona, maneritery tsy hay najanona ity filahiany mbola eny an-dalam-pahatongavana. Nijanona aloha izy, Namonjy nitsilany teo ampandriany izy sady nasainy namonjy nipetraka teo ambony hifanatrika taminy i Tahiana. Ity farany amin'io mbola misefosefo hatrany taorianan'iny tosam-pahasambarana faran-tampony niainany teo iny. Nalainy ny filahian'i Fano dia namidiriny tao anatiny indray. Somary naka aina kely izy aloha sady nitankisinkisina teo ambonin'i Fano. Tsy ela taorianan'izay dia efa taitra indray ny tany anatiny rehetra tany. Nanomboka nataony nihahaingana tsikelikely ny fitankisinana teo ambonin'i Fano sady naka toerana tsara izy nisabaka sady mijery tsara ilay filahiana mihenjana be miditra sy mivoaka any anatiny. Tsapany miverina indray ilay onjam-pahasambarana niainany teo, tahaka ny nangovitra ny anao vavy, mila hianjera amin’ny toerany fa dia notazonin’i Fano mafy. Ity farany rahateo efa mahatsapa fa akaiky koa ny fahasambarany.
Niarina ny lehilahy, nisintona ity olon-tiany hidaboka hanaraka azy, tafala tampoka tao anatin’i Tahiana ny filahiany. Nihiaka hadisoam-panantenana kely izany i Tahiana sady nisambotra ilay izy haingana sady nampiditra azy tao anatiny. Asa na nanao ahoana fa ny nidiran'i Fano tao anatin'i Tahiana no ela dia tojo tosam-tampom-pahasambarana vaovao indray ny anao vavy. Vizana sy torovana izy nony avy eo toa tsy nahahetsika, efa manakaiky ny varavaran’ny fahasaforana.
Nitsangana i Fano, sady namoritra ny lohaliny indray teo anatrehan’i Tahiana, nalany toy ny tsy teo ilay fimailo dia nofehezin’ny tanany ny filahiany efa akaiky ho tonga amin’ny faratampony. Nofeheziny sady nosafosafoiny mafy….ary, indro nitosaka tena an-kibon’i Tahiana ilay ranom-pahasambarana mbola mafana izay toa nanaitra azy tamin’ny fahavizanany teo.
Heniky ny fahasambarana izy roa. Samy vizana tanteraka, nidaboka teo ambony fandriana amin’izay ny lehilahy. Nahatsiaro te hatory mafy. II Tahiana kosa nanafosafo ny kibony voatondraky ny ranom-pitiavana teo. Naka lamba hamafana azy nony avy eo dia nanoroka ity olontiany vaovao nanome fahasambarana azy. Tsy nisy niteny izy roa fa toa samy tony nifamihina nampita ny vetsovetsom-po tany an-tsaina avy. Tafahoana tokoa angamba ny tia sy ny manina. Afaka fahefatr’adiny taty aoriana,
- " Noana be aho izany, angaha moa isika tsy hisakafo indray? Hoy i Tahiana.
- "Ie, izay aloha ny sakafon’ny nofo fa hiditra amin’ny sakafon’ny kibo indray izao! Hoy i Fano namaly sady nitsiky.
- "ha, ha, ha!" hoy i Tahiana nihomehy fotsiny, .......izay tonga farany any anaty efitra fandroana ary no mamelatra ny latabatra! Sady niharina haingana izy ndeha hanokatra ny varavarana midina mankany ambany. Fantatry i Fano fa izy no tian'i Tahiana hamelatra latabatra dia naleony niarina moramora sady nitsiky tamim-pitiavana be!
Tadiom-pitiavana ([email protected])
Tadiompitiavana ([email protected])