Tadiom-pitiavana

« Pejy 60 | Main | Pejy 62 »

Pejy 61
2006/06/24,03:47

- "Fantatro ry Mihary fa tsy tokony hanao ity zavatra ity aho, fa na dia ny fiarahantsika hatramin’izay aza dia aleoko manolotra anao ity fanomezana kely ity, mba ho fiarahabana tratry ny Krismasy sy ny taom-baovao e !," hoy i Hery sady nanolotra fonosana miendrika efa-joro mangirana tadiana kely izay izy ;
- "Oh ! misaotra betsaka, tena misaotra ry Hery, hay ve izay no nahatonga anao hitady ahy androany e!"
- "Ie ! eny e ! tsy izay ihany akory fa mba te-hiresaka koa aho, fa mila namana iresahana."
- "Tsy maninona raha vohaiko izao an!"
- "Tsy maninona ka ! enga anie ka ho tianao!"
….
- "Andray ry Hery, fa inona ity fanomezana atolotrao ahy, zavatra lafo vidy be!"
Nitsangana mihitsy i Mihary sady nanatona an’i Hery rehefa nivaha ilay fonosana. Rojo volamena manifinify izay no tao anatiny. Faly aok’izany izy. Nanatona dia nanoroka ny takolak’i Hery.
- "Andray, fa maninona ary aho no toloranao zava-tsarobidy toy izao!" sady niantsalorany ilay firavaka, i Hery tsy niteny.
….
- "Ianao no nanokatra ny masoko, dia tiako mba omena an’iny. Aleoko manao fandaniana be hahatsiarovako tsara izay nataoko. Sady izao fitsaboana ataonao ahy izao, fitsaboana moa no ilazako azy, dia tsy ho voavidim-bola mihitsy ry Mihary fa dia raiso fa natoako amin’ny fo tokoa."
- "Misaotra ary, dia misaotra betsaka, …. fa toa tsy manana fo faly izany mihitsy ho’aho ianao e!"

- "Jereo tsara ary ny masoko dia aleo mifampiresaka isika."

- "Ssshhh, ny mampalahelo ahy dia i Alexia tsy namaly ahy mihitsy hatramin’izao, nefa efa nalefako mailaka aminy ny laharan’ny findaiko. Mino aho fa i Tahiana dia mahalala tsara ny misy an-dry zareo fa tsy te-hiteny amiko, azonao atao ve ry Mihary ny mandresy lahatra azy, hanomezany vaovao? Ny atahorako mantsy, isaky ny mifankahita izahay, dia mety hisarika ahy hanao ny tsy tokony hatao foana izy. Moa tsy tiany mihitsy ny handehanako any an-dafy, nefa izaho efa nanao famandrihana tamina ivon-toerana fizahan-tany mba hahamoramora kokoa ny ahazoako ny visa."
- "Fa inona no saika nataony taminao?"
- "Mitady hoe hanao firaisana amiko foana izy!"
- "Hatramin’izao ve?"
- "Tamin’izaho ilay avy tonga tany Mahajanga iny."
- "Ka efa niova ny fandehan-javatra fa mety tsy mahalala ianao, izy ange ka efa miaraka amin’ny dadafaranao e!"
- "izay tokoa angaha fa ny adiresin’i Alexia no tiako ho fantatra aminy na dia laharana an-tarobia fotsiny aza!"
- "Eny e ! azonao atokisana aho fa mila mahandry tsara fotsiny ianao. Sady… ssshhh….eny e!"

Toa tsy nahoan’i Mihary akory ilay resak’i Hery, tsy niditra ny sainy akory aza, fa ity fanomezana ity no nampirehitra indray ny fitiavany toa tsy hainy nosakanana. Nitsangana izy dia niodina tao ambadik’i Hery.
- "Aleo aloha ianao oriko eto amin’ny soroka fa tena vizan-tsaina mihitsy. Mety izao!"
- "Ie ! mety tsara," hoy koa ity iray, naka fy ny otra nataon’i Mihary.

Afaka telo minitra, dia najanony, sady nijoro teo anoloan’i Hery izy sady nampitraka ny lohany.
- "Raha fantatrao mantsy ry Hery ny halalin’ny fitiavako anao!…"

Toa tsy nahoan’i Hery izay teny izay fa lasa lavitra tany amin’i Alexia ny sainy. Safosafo malemy no tsapany tamin’ny takolany, dia injay nisy hafanana mitohoka amin’ny molony sady nifanoroka taminy.
Navelany ity vehivavy hipetraka teo ambony lohaliny sady nofeheziny koa. Dia lasa ny safosafo, ny oroka tsy nijanona.
Ny mason’i hery amin’io mikimpy mameno ny endrika soan’i Alexia ao an-tsainy. I Mihary kosa naka fy nanome fisaorana ity fanomezana noheveriny fa tamin’ny fitiavana tokoa.
Rehefa lasa lavitra ny orokoroka, dia nifampikasoka ny lela ary teo vao tsaroan’i Hery ity hamamin’ny fitiavany ilay olon-tiany, nosokafany ny masony, toa diso fanantenana fa vehivavy manao akanjo fotsy fitondran’ny mpitsabo no hitany. Ny tanany efa mamaha tsikelikely ny bokotry ny lobany.
Tampoka, niala i Hery ;
- "Mihary an ! tena miala tsiny, fa …"
- "Hery an ! fantatrao tsara ny halalin’ny fitiavako anao," sady nofeheziny ny lohany hifanoroka taminy indray.
- "Tsia an ! tsia dia tsia, ry Mihary, efa nifampiresaka momba izay isika. Fa tena tsy inoanareo mihitsy ve izany ny fitiavako an’i Alexia no sedrainareo izay sarotra amiko aho?"

Nisento fotsiny i Mihary, tsy nahateny, dia avy eo natsangan’i Hery.
Iny izy niverina nipetraka teo ambony sezany, dia niondrika tsy te-hampiseho ny masony manganohano.

- "Tsy haiko," hoy i Mihary nanomboka latsa-dranomaso, tsy tsapanao tokoa ve fa ny nataontsika tany Mahajanga dia nanamarika zavatra lehibe tamin’ny fiainako? "
- "Azoko dia azoko Mihary an ! fa efa nilaza taminao aho fa efa niova sady efa nifanaiky isika."

Nanatona azy i Hery nefa natosiny tamin’ny tanany , izy nanomboka nitomany no namaha ilay rojo dia natolony an’i Hery.

- "Ento any ity ry Hery an ! tsy anjarako ity, tadidio fa tsy fanao ny manome volamena, na rojo io, indrindra moa fa peratra ho an’ny namana fa midika zavatra hafa izany.
Dia andàna mandeha…" hoy ihany i Mihary nifokofoko, "tadiavo ny Alexia anao fa izy no sahaza ireny."

Tsy nety nandray i Hery, latsaka tamin’ny gorodona ilay rojo, dia noraofin’i Mihary ihany sady natsofony tao anaty paosin’i Hery.

- "Tena miangavy mafy anao aho ry Hery an ! Andàna mandeha.
Efa hendry rahateo moa ianao ka vita ny adidiko! Vita koa izay iraka nampanaovina ahy!"

Tsy azon’i Hery izany teny izany, fa niala teo izy dia nanokatra ny varavarana, soa fa tsy nisy marary hozahana intsony dia nidina ny tohatra izy, niandriandry teo ivelany mba hanarahany maso tsara an’i Mihary sao dia hamerina indray ity nataony tany Mahajanga.

Afaka 15 minitra dia iny i Mihary nivoaka ny trano fiasàny, nisakana fiarakaretsaka sady toa tsy nanontany akory fa niditra dia lasa.
Tsy nisalasala i Hery naka fiarakaretsaka hafa koa dia niteny hoe :
- "azonao arahina ve iny « taxi » iray iny fa aloako ny hofan’ny fiaranao?
Nanaiky koa ilay mpamily dia nifanaraka teny ny fiara roa.

Tadiom-pitiavana ([email protected])

Hevitra

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype