TANTARA NOFORONINA - TENY MALAGASY MADIO - TSY AZON' NY ZAZA SY NY ZATOVO LATSAKY NY 18 TAONA VAKIANA
Fa tany andafin'ny riaka kosa tamin'io fotoana io...Mbola Hitohy.
Tadiom-pitiavana
[email protected]
Mbola Hitohy.
Tadiom-pitiavana
[email protected]
- " Andray ity niafaran'ity reniko" hoy i Alexia nifokofoko nitomany mitazana an'i Malala avy ety ivelany. Hanainga hoany Frantsa io hariva io tokoa mantsy izy sy Hery ary hoentin'izy ireo hanaraka azy i Toky sy Cynthia.
Mbola hitohy
Latina & Tadio ([email protected])
I Toky nilalao niaraka tamin'ilay mpanampy no nisarika ny mason'i Malala raha vao niditra tao antrano izy.
- " Mitombo ihany lesy ialahy ry Toky keliko" hoy izy aneritreritra sady lasa niampita tany amin'i Hery ny sainy. " Mba nanao ahoana tokoa ary izy any, efa vita ve izay ny fandidiana azy. Ho beep-evako kely ry zareo rahampitso maraina raha mbola tsy miantso eo anio hariva kah. Ohatran'ny mapitebiteby ahy izy izany"
Ny fanontanian'ingahy Ratrema tamin'ilay mpanampy no nanapaka ny eritreritry Malala teo.
- " Fa aiza i Cynthia" hoy i Ratrema?
- "Mbola matory izy, tompoko" hoy ny valinteny nomen'ity tovovavy mpitaiza."
- " Hay" hoy i Ratrema sady lasa nankany andakozia izy naka zava-pisotro hanalany ny hetahetany.
- " Mba itondray rano mangatsiaka koa anie aho Ratrema" hoy ny anao vavy sady namonjy ny tohatra miakatra ho any ambony rihana izy. Ny efitrano fatoriana no novonjeny avy hatrany. Valaka ny fahatsapany ny tenany ary reraka ihany koa ny saina aman'eritreriny. Tsy ela taorian'izay dia indro Ratrema niditra ny efitra niaraka tamin'ny rano mangatsiaka iray vera sady namonjy nitsotsotra teo akaikin'i Malala.
- " Raharaha letsy izy ity" hoy Ratrema sady nisento izy. " Iza re no olona mba afaka manampy antsika eh? Sady nandalo niserana tampoka tao antsainy ny endrik'i Corine.
" An, an, an" hoy izy niteny irery tany anatiny. " Afo nandoro ny lambako iny ramatoa iny ka tsy itanitaniako intsony kah". Toa mbola mangorintsina foana ny tenany iray manontolo nieritreritra an'iny indray andro iny.....Raha mbola lasa saina samy irery teo ingahy Ratrema no henony i Malala nitodika moramora tany aminy:
- " Ahoana ny eritreritrao Ratrema raha mba anontaniana i Mahefa sao dia afaka manampy?"
- " I Mahefa???? Tsy hahamenatra ve izany?" hoy i Ratrema somary nihaotraotra loha.
- " Mahamenatra tokoa aloha " Hoy ny navalin'ity vadiny " saingy andohalika ity ny ranom-bary Ratrema ka tsy hitako hoe ..."
- " Eny e!, marina ny teninao" hoy i Ratrema tsy namela an'i Malala hanohy ny resany.
- " Ka ahoana izany ny fomba hiresahana aminy, ohatran'ny sadaikatra ihany aho mantsy " hoy ihany Ratrema. " Efa tena betsaka izay zavatra nataony hoantsika izay ka tsy ohatran'ny hoe manararaotra ny fahatsorany ve isika?"
- " Ka misy hevitra hitanao ary ve?" hoy i Malala
- " Tena mbola eo ampandinihina an'izay mihitsy anie aho tamin'ianao nampitsidika ny momba an'i Mahefa teo eh!"
- " Izao no anaovana azy Ratrema, aleo aloha hiresaka amin'i Alexia aho dia hitako eo izay heviny sa tsy mazoto amin'izay ianao?" Hoy ihany i Malala.
Sento fotsiny no navaliny ny fanontanian'ny vadiny. Tsy tantin'ny sainy ny mieritreritra fa voatery hampiditra an'i Alexia amin'izao fahasahiranana mianjady amin'izy mianankavy izao izy.
- " Izaho moa mbola tsy nahita hevitra hafa fa aleo izany andramana izay eritreritrao izao dia ho hita eo ny tohiny" hoy i Ratrema nony avy eo nanaiky tsy fidiny ity soso-kevitry ny vadiny.
- " Ny mahavariana ahy amin'ny fiainana ry Malala" hoy ihany Ratrema tsy naharitra " dia ohatran'ny hoe miara tonga na indraindray manao tohivakana izany ny olana rehefa hitranga amin'ny fiainana sa ianao tsy mba mahatsikaritra an'izany?"
- " Tsy misy an'izany re Ratrema fa mba fifanandrifian-javatra fotsiny ny antsika ity indray mitoraka ity."
Tsy namaly ingahy Ratrema fa ny masony no nankipiny moramora hiezaka hiala sasatra kely mialoha ny sakafo hariva"...
Ny ampitso maraina tany ampiasan'ingahy Ratrema:
- Namory anareo tompon'andraikitra tampotampoka aho" hoy ingahy Tale." misy fanapahan-kevitra lehibe izay tsy maintsy noraisiko ka tsy maintsy ampahafantariko anareo. Mandalo olana arabola ny orinasan-tsika amin'izao fotoana izao. Mbola eo ampitadiavana vaha olana izahay mivady ankehitriny. Na izany aza anefa rehefa nandinika akaiky ny toe-bolantsika aho dia voatery tsy maintsy hanao fanamboarana eo amin'ny lafiny fandaniana."
Niherikerika toa nifampanontany tena ireo izay nanatrika an'ingahy Ratrema teo.
- " Tonga dia tsoriko ny resaka" hoy izy nanohy " fa ny dingana voalohany ataontsika dia ny famindrana ny biraontsika any amin'ny toerana moramora aloha mandra pa. Ny faharoa, tsy maintsy hampihena ny isan'ny mpiasa ihany koa isika"
Tsy tana intsony teo fa somary nihoraka ny tsirairay.
- "Ka iza izany no handeha ry ingahy Tale?" hoy ny iray tamin'ireo nivory teo tsy naharitra fa nitsatsaingoka.
- " Milamina tsara aloha ianareo" hoy ingahy Ratrema " fa ireo olona eo ambany fiadidinareo no voatery tsy maintsy hanesorana, samy mandinika ny sampan-draharaha iandraiketany avy any aloha izany ianareo anio sy rahampitso dia miverina mihaona tsirairay amiko indray rehefa avy eo handinihantsika azy akaiky."
Nangina ny tao amin'ny efitrano nivoriana. Samy lasa saina avokoa izay nanatrika.
- " Izay no izy ry zareo " hoy Ratrema tsy te hitazona ela ireo mpiasany " fa dia samy mahazo mamonjy ny asany amin'izay.
Mafy tamin'i Ratrema iny fihaonana tsy maintsy nataony teo iny saingy izay no heveriny fa vaha olana akaiky indrindra mba tsy hampitombo ny trosan'olona efa mihamavesatra andro aman'alina ao ambabeny.
Teny Ivandry nandritra izay fotoana izay:
- " Fa maninona aky no izao ianareo vao mba miantso" hoy i Malala tamin'i Alexia " Izaho aty tena efa mitaintaina mihitsy"
- " Ka tsy izany anie ry neny fa tena sahirana be izahay dia izay no tsy nahafahana eh?"
- " Vita ve ny fandidiana an'i Hery?
- " Vita soamatsara ry Neny ah. Io matory eo akaikiko io izy. I Dr Mihary no niandry azy taty tamin'ny alina..... fa ilazako zavatra i neny?"
- " Zavatra inona?" hoy i Malala somary taitra.
- " Tsy mampino anao mihitsy ity anakiray ity eh!"
Nangilantsofina tsara i Malala sady niezaka naminaviana izay resaka hoentin'ity zanany.
- " Mbola ao ve i Neny?" hoy i Alexia naka toky fa toa tsy henony tampoka ny feon'i Malala.
- "Mbola ato aky aho fa inona aloha izany zavatra tian-dry ho lazaina ahy izany eh"
- " Mino ve i neny raha ilazako hoe hanambady an'i Dada hono i Dr Mihary?
- " Ahoana tsara hoe aky?" hoy i Malala te haheno indray an'i Alexia hanamafy ny zavatra nolazainy.
- " Efa izay nolazaiko teo izay kah, hay hono efa niaraka tany Etazonia tany i Dada sy Dr mihary taloha ela be saingy tapaka ny fifandraisana avy eo dia izao nampihaonin'ny kisendrasendra izao indray ry zareo. Miramirana be foana izy ato"
- " Mba lalina retsy izany fandehan'izany. Tsy noheritrerentiko mihitsy. Hanao ahoana ny fahenon'i Papan-dry an'izany vaovao izany."
- " Fa izao Alexia ah, ...indry irery angaha no ao?" hoy i Malala nanohy ny teniny. " Misy fiangaviana mba tinay mivady atao amin-dry ity. I Mahefa moa no tena iantefan'izy ity fa indry izany no mba hampita azy any amin'i Mahefa"
" Fiangaviana ohatran'ny ahoana ary izany " hoy i Alexia niteny anakampo sady nitopy kely nijery tany amin'i Hery ny masony.
Nitsangana namonjy teo ankaikin'ilay varavaran-kely mahatazana any ivelany izy nony avy eo sady nanontany.
- " Fa misy inona ry neny?" hoy izy tamin'i Malala.
Dia nanomboka nanazava ny fandehan'ny olana mianjady amin'izy mianakavy teo i Malala. Ontsa dia ontsa ny fon'i Alexia mieritreritra ny olana mahazo ity fianankaviany.
- " Tsy fantatro ny toe-bolan'i dada aty" hoy izy tamin'i Malala "fa aleo aloha ary ho resahiko izy rahariva dia miantso anareo aho rahampitso maraina manome ny valiny."
- " Eny ary aky ry Alexia fa miandry izahay an" hoy Malala nanambitamby an'ity zanany dia nifaranan'izy mianaka teo ny resaka.
Tadio ([email protected])
- " Ela ela izany!' hoy i Mme Sahondra sady notohizany haingana tamin'ny hoe " Tonga dia mandrosoa hono ianao " ny fiarahabany.
- " Misaotra betsaka Mme Sahondra ah!" hoy i Malala sady nitsiky izy no namonjy namoha ny varavarana miditra makao amin'ny biraon'ingahy Ratrema vadiny.Nitsangana teo amin'ny seza nisy azy avy hatrany i Ratrema raha vao nahita an'i Malala niditra sady mailaka ery hanoroka sady hamihina ity farany.
- "Ndao isika tonga dia handeha avy hatrany" hoy i Ratrema nony avy eo fa sao dia taraiky eto.- " Handeha ho aiza?" hoy i Malala tsy nanampo.
- " Ndeha hisakafo atoandro re sa tsy noana ianao?"- " Tena noana mihitsy aho izany kah." Hoy i Malala somary nahazo toky fa tsy nahatsikaritra fiovana loatra teny aminy ny vadiny.
- " Niantso teo mantsy ingahy Ramanana" hoy ihany i Ratrema nony avy eo " fa hoe mila mandalo haingana any amin-dry zareo hono isika anio tolankandro amin'ny 2 ora."- " Fa maninona koa ary ry zareo ireny no manao programa tampotampoka be ohatran'izany ?" hoy i Malala sady nanaraka an'i Ratrema nivoaka ny lalantsara hivoaka ny birao ihany izy.
- " Aza atao mahasorena anao re izany ry Malala fa isika anie no mila ny fanampian-dry zareo eh!"Nisakafo haingana izy mivady dia lasa namonjy ny fotoana teny Tanjombato tao antranon'ingahy Ramanana.
Samy vory teo daholo izy telo mianaka. I Patrick hafa mihitsy no tsapan'i Malala nanoloana azy teo fa tsy ilay lehilahy nanaram-po tamin'ny filan'ny nofo niaraka taminy ora vitsivitsy teo aloha. Nanantena izy tany antsainy tany fa mba hanampy amin'ny fanapahankevitra ho raisin'ingahy Ranamana mianankavy ny fiarahany tamin'i Patrick teo.Ingahy Ramanana avy hatrany no nitarika ny resaka sady niala tsiny noho ny fampiantsona tampoka an'izy mivady.
- " Tsy hitazona anareo ela izahay "Hoy ihany ingahy Ramanana " ...fa aleo angaha tonga dia ataontsika ady vomangan'i Kirijavola izy ity ka avy hatrany dia ny voamasony no potsirina."Nifampijery haingana i Malala sy ingahy Ratrema toa mifanontany an'eritreritra ny mety ho ao ambadik'izao fanombohan-dresaka izao.
- " Niverina nifampidinika indray izahay telo mianaka ry izy mivady taorian'ireny fihaonantsika teto ireny ary dia nihevitra tokoa ny iray taminay fa mety hisy irika azo hamonjena ity orinasanareo ity saingy rehefa no fakainay lalina ny zava misy rehetra dia samy niara niaiky izahay telo mianaka tamin'ny farany fa mety kokoa ho anay ny tsy miditra ho mpiombon'antoka aminareo."Samy ketoka tsy nahateny na i Ratrema na i Malala naheno ny zava-boalazan'ingahy Ramanana. Tsy araky ny niheritreretan'i Malala azy mihitsy mantsy ny fanapahan-kevitra noraisin'izy telo mianaka. Raha azony natao ny nikiakiaka haneho ny fahadisoam-panantenany sady hanala ny hatezerany tamin'i Patrick dia izay no nataony. Vehivavy lehibe anefa ny tenany ka dia naleony nangina nanaja tena nikepoka samy irery tany anatiny tany ny nenina sy ny alahelo an'ity vadiny tsy mahalala na inona na inona ny zavatra nitraga. " Tsy nampoiziko!" hoy izy nisento lalina tany ampony tany. " Ataoko masaka homeko teny maharary azy mihitsy io Patrick, Patrick -ndoza io raha mifanena amiko eny andalana eny".
- " Halainareo avy hatrany ve izany ny trano ipetrahanay eny Ivandry " hoy ingahy Ratrema tamin'ny feo somary nangovitra sady nangata-maso tany amin'i Malala mba hanampy azy. Toa maizina tampoka taminy teo mantsy izay topazan'ny masony rehetra.- "Eny tokoa hoy aho ry izy telo mianaka" hoy i Malala niezaka ny ho tony " tsy misy hevitra hitanareo mba hanavotana anay mihitsy ve izany?"
- " Izao ry izy mivady ah!" hoy I Patrick sady nafantony samy irery tany amin'ingahy Ratrema ny fijeriny.- "Tsy haka avy hatrany ny trano ipetrahanareo izahay. Fantatray tsara ny olana mianjady aminareo. Nanapa-kevitra izahay ny hanome enimbolana vaovao anareo mba hitadiavanareo vaha olana hafa"
Nisento tokana i Ratrema. Valaka ny saina aman'eritreriny.- "Raharaha izy ity " hoy izy nandray fitenenana rehefa avy eo.
- " Misaotra anareo na dia izany aza nanaiky ny handinika an'iny soson-kevitra narosonay iny ary misaotra anareo koa nanome fanalavana ny fotoana hamerenanay ny volanareo."Tsy andrin'i Malala sy ingahy Ratrema ny ivoahana an'ilay efitra fa raha vantany vao nisy irika hangatahan-dalana dia iny izy roa no nanainga.
Nanganohano ny mason'i Malala niditra ny fiara. Tsy tanany intsony fa avy hatrany dia nigogogogo ny anao vavy raha vao nihidy ny varavarana teo anilany.- " Aza manao ohatran'io ianao Malala!" hoy i Ratrema sady nosintoniny moramora hiondana teo antsorony ny vadiny.
- "Aza manary toky izany ianao fa tsy maintsy mahita hevitra hafa isika" hoy ihany izy . Tsy azony antsaina anefa fa ketohan'ny nenina sy ny alahelo i Malala ary malahelo azy mafy ihany koa manoloana izao toe-java-misy mitranga amin'ny fiainan'izy ireo izao.- " Ndao aloha tonga dia hody" hoy i Ratrema tamin'ny vadiny rehefa tonitony ny anao vavy. Rahampitso ianao maka ny fiaranao any ampiasana.
Fa nanao ahoana ny alina voalohany niarahan'i Hery sy Alexia...- " Hery a!" hoy i Alexia. " Tena heniky ny hasambarana tsy misy ohatran'izany aho eto anilanao"
- " Izaho koa torak'izany ry Alexia havako" hoy i Hery miramirana. " azoko sary antsaina sahady izaho sy ianao mirihariha ao anatin'ny fahasambarana ao amin'ny tokantranon-tsika"Nifanoroka kely indray ireto mpifankatia dia indro i Alexia nanafosafo moramora ny tratran'ity olon-tiany.
- "Alexia a!" hoy i Hery nony avy eo. " misy zavatra mba tiako resahina anao"Somary taitra kely ity farany sady niarina mihitsy nijery an'i Hery.
- " Zavatra inona ry Hery?"- " An, an, an. Tsy fantantro izay mety hitranga aorian'io fandidiana ahy rahampitso io ka aleoko tantaraina aminao daholo ny zava-nitranga tamin'ny fiainako taorian'ireny nifankahitantsika farany tany Madagasikara ireny" hoy izy.
Izay vao tony kely i Alexia. Naverina hidaboka teo amin'ny ondana indray ny lohany.- " Tantarao fa tsy maninona kah. Tiako ho fantatra daholo koa amin'izay milamina ny saiko"
Dia nanomboka nitantara ny fiainany teo i Hery nanomboka tamin'ny fotoana nahavoazan'ny lozam-piarakodia an'i Alexia, ny fiarahany tamin'i Tahiana, ny fifanenany tampoka tamin'i Mihary ..."- " Miaraka izany ianao sy Mihary?" hoy izy somary tafarina indray sady nanapaka ny fitantaran'i Hery.
- " Avelao moa aho aloha hitantara" hoy i Hery " dia ho fantatrao eo ihany ny valiny."- "Hayyy! Izay vao azoko" hoy i Alexia nony afaka segondra vitsy.
- " Azonao amin'ny ahoana" hoy i Hery somary gaga.- " Efa nisy olona nitantaranao ny fiainanao ohatran'izao ataonao izao ve ry Hery?"
Tsy namaly avy hatrany aloha i Hery fa somary naka toerana tsara izy hahitany ny endrik'i Alexia matory mitsilany eo akaikiny.- " Nisy tokoa ry Alexia saingy tsy mbola nihaona tamin'ilay olona mihitsy aho"
- " Ahoana koa izany? Olom-pantatrao amin'ny telefona fotsiny izany?" hoy i Alexia mahazo antsaina tsara ny tian'i Hery ho lazaina fa mba te hanadala azy.- " An, an, an, kah! Tena hafa mihitsy fa izaho moa tia mijerijery ny zava-misy any amin'ny aterineto io dia sendra an'izay "forum" tao amin'ny wanadoo izay aho, dia lasa nifandray tamin'izay olona nitondra pseudo hoe Tina izay."
- " Niarahanao koa izany io Tina io" hoy ihany i Alexia mody serina dia serina mihitsy mametraka ny fanontaniana.- " Tsia dia tsia no valin'izay ry Alexia. Ny fiainako no voatantarako taminy. Saiky voalazako taminy amin'ny antsipirihany mihitsy eh. ..."
Nangina tsy niteny aloha i Alexia. Niady ny sainy nanontany ny tenany raha tokony hampahafantariny an'i Hery hoe iza tokoa moa io "Tina " nifandray taminy io. Tapaka anefa ny heviny tamin'ny farany fa fotoana tokony hifampitsorana ny marina izao hoy izy ka dia nihorirana moramora izy hifanatrika tsara tamin'i Hery.- " Hery a, mety tsy hino ianao raha ilazako fa izaho anie ilay "Tina" nifandray taminao iny e.
- " Ahoana tsara hoe ry Alexia" hoy i Hery taitra sady tafa arina mihitsy.
- " An, an, an" hoy i Alexia sady nosintoniny hiverina hatory teo akaikiny indray i Hery.
- "Tsy misangisangy mihitsy aho milaza anao an'izany fa raha tinao ho fantatra dia noho ny zavatra nosoratanao tamiko tao aza no saika nampamohy fo ahy indray nony tonga taty"
- "Tia anao koa aho ry Hery" hoy i Alexia sady nampanantoniny moramora hanoroka an'i Hery ny molony.
...Nony ampitso tolakandro,
Vita soamatsara ny fandidiana natao an'i Hery. Indro izy natosika moramora hoany amin'ny efitra natokana ireo vao avy nodidiana. Mirakotra bandy fotsy avokoa ny lohany iray manontolo.- " Efa nifoha izy " hoy i Mahefa tamin'i Mihary sy Alexia fa aza be eritreritra ianareo. Nandeha antsakany sy andavany ny fandidiana." Miandalana anefa ny fahasitranany ka mila faharetana be dia be amintsika rehetra. "I Mihary izany no mijanona miandry aty amin'ny hopitaly androany hariva" hoy ihany i Mahefa nony avy eo fa aleo aho aloha hody haka sasatra sady i Alexia koa mba mila maka aina kely any antrano.
Efa niomana ny hijanona rahateo moa i Mihary ka dia iny izy mianaka no nanainga nitodi-doha nody.- "Misaotra betsaka ry dada nanampy ahy sy Hery" hoy i Alexia nony teny andalana.
- " Tsy misy tokony isaoranao izany anaka" hoy i Mahefa fa adidiko amin-janako no ataoko. " Ny faniriako dia mba hanana tokantrano sambatra ianao any aoriana any"- " Misaotra ry dada an, ianao koa torak'izany" sady nitopy kely tany amin'i Mahefa ny mason'i Alexia. Nitsiky i Mahefa. Azony tsara ny tian'ity zanany lazaina.
- " Ireny hitanao ireny ry Alexia no zava-misy" sady nanomboka nitantara ny momba an'i Mihary teo izy.- " Faly aho rehefa sambatra ianao ry Dada a. Vonona ny handray an'i Mihary ho reniko aho raha izay no sitrakao"
...Nivadibadika tsy nahita tory i Alexia teo ambony fandriana niheritreritra ny zavatra notantarain'i Hery azy sy ny zavatra notantarain'i Mahefa teny andalana. " Tiako ianao ry Hery, tiako tena tiako" izay no niverimberina nipololoitra ny molony nony avy eo. Raha mbola variana mamisavisa ny lasa sy ny hoavin'ny fiainany teo izy dia tsy fantany hoe nahoana fa toa nivadika ho tononkalo mirindra ny eritreritra nandalo tao antsainy. Nosokafany ilay vata sarihana teo akaikin'ny loham-pandrianany dia noraisiny ny penina sy ilay kahie kely fanoratany tao. Nosoratany ny anaran'ilay olon-tiany: Hery !
Hery!…………… Herin’ny fitiavako!Anaran-tena kanto
Mirindra sy milantoAto anatiko ato!
Mambabo ity foko!
Manainga ny fanahiko!Mampandefitra ahy!
Mandresy ny fitiavako!………………………
Resinao tanteraka aho!Malemy toy ny zaza!
Tsy afak’hisarangotraNa dia voahitsaka aza!
………………………Andray inty vintako!
Loza inona no tsy hitakoAmin’ny fitiavako azy?
Marina tsy vazivazy!Tapitra niarahany avy Reo karazam-behivavy
Lehibe, tanora, maitso volo
Efa nandramany daholo !Milaza hanatitra marary Ilay hoe Dr Mihary
‘tsy nampoiziko, fa….. ho reniko faharoa
Hay efa, ... nandalo gara koa!Dada anefa tena tsapako Fa manaja ilay fitiavako
Ary tsy mivazivazy
F’haka ito farany... ho mariazy! ……………………..Fa nahoana kosa lahy
Izany foko tena tia
toa hatramin’ny anio Dia soparan’ny tadio?
Ngoly ny fanahiko Rotika ny foko
Maizina ny atoandroko
Ka zary toa hikoroIzay mba niriko ho aviko
…………………..Nefa,
Tiako ianao , tena tiako!Efa ela nihafiako
Tsy hatakaloko an’izaNa oviana… na oviana!
…………………Dia ho sanatria ve ireto reniko ankiroa
Dia ho rafiko avokoa?……………………
toa tsaroako niova tampoka‘lay halefahana tanatiko!
……………………Tsy misy reniko ianareo
Sarisariny daholoFa ilay niteraka ahy
Efa any ambanin’ny rangolahy…………………..
Tsia an! Tsy ekeko!Tsy handefitra intsony aho
Manomboka hatretoFa ho rombasako ho ahy daholo
Izay momba anao manontoloF’efa …Nomeko anao ts’isy fetra
Ny tontoloko rehetra !Ahy ianao, ahy irery
Izay no fantatro ao an-dohako!Ahy ianao hatramin’ny farany
Ahy ianao! Izay no anarany!LATINA
28/09/06Mbola hitohy
Tadio ([email protected])
- " Mahefa, fa maninona anie ianao no tsy nisisika nitady ahy fa dia navelanao tany fotsiny aho rehefa tsy niantso anao intsony eh" hoy i Mihary tamin'ny feo miangoty sady mitana ny vera misy ranomboakazo vao nampidinin'i Mahefa ho azy.
Tsy tonga dia namaly avy hatrany anefa ny anao lahy fa somary naka saina kely aloha sady mody sondriana nampidina rano mangatsiaka hosotroiny ihany koa. Namindra moramora nanatona teo akaikin'i Mihary izay nipetraka teo ambony seza lava izy nony avy eo sady namaly hoe:
- " An, an, an, ry Mihary a! aza alefa amin'izany intsony aloha ny sainao, ianao eto anilako no eritrereto, sa tsy tinao ho tanterahina amin'izay ireny vetsovetsom-ponao taloha ireny?" sady namonjy nipetraka teo akaikin'ity tovovavy toa manara-maso tsara ny fihetsiny iray manontolo i Mahefa.
- " Tena azonao antoka ve ry Mahefa fa mbola tia ahy ianao?" hoy ihany i Mihary tsy sahy tena nijery tsara an'i Mahefa.
- " Raha nisalasala aho ry Mihary dia tsy toy ireny zava-nitranga teny amin'ny seranam-piaramanidina tamin'ny fotoana nahitako anao teo ireny ny fihetsiko."
- " Mba maka toky fotsiny aho kah" hoy i Mihary nitsiky sady nahankiny moramora teo antsorok'i Mahefa ny lohany.
Tsy naharitra ity farany fa avy hatrany dia nanainga moramora ny tanany hanafosafo ny volo lavan'ity tovovavy henim-pahasambarana tamin'ny fotoana tsy nampoiziny. Nangina tsy nisy niteny aloha izy roa fa ny feon'ny vata fampangatsiahana tao andakozia no sisa feo heno. Toa samy lasa fisainana tamin'ity fihodinan'ny fiainany tampoka teo. Tsy fantatry Mihary ny mety ho tohin'ny fiainany rahampitso fa ny zavatra tsapany tamin'izay fotoana izay dia tsy nisy afatsy fahatoniana tanteraka. Adinony tanteraka ny momba an'i Hery sy ny tebitebiny amin'ny hahitany an'i Alexia. Tsy nanampotoana handinihina ny fihaonan'i Hery sy Alexia izy raha ny tena marina. Raha mbola varimbariana teo izy no injay henony misy hafanana manalokaloka ny tarehiny. Nakariny ny masony ary io tsinjony fa efa antomotra dia antomotra azy ny molotry Mahefa. Toa azom-panafody ny fahatsapany ny tenany. Nalemy izy ary tsy nanana hery hanoherana intsony fa dia namela an'ity lehilahy hanaram-po teo amin'ny molony teo. Nankimpiny ny masony. Tany Mahajanga no nahatsapany farany ny tsiron'izany oroka izany. Tsy te hieritreritra an'izany anefa izy fa fitiavana vaovao feno fanantenana no tiany hameno ny fiainany. Raha mbola variana naka fahafinaretana tamin'ny orokorok'i Mahefa teo izy no Injay henony nivadika moramora tao andamosiny ny tanan'i Mahefa sady nanomboka nanafosafo malefaka ny tenany. Niakatra tanteraka ny filana tao anatin'i Mihary. Tsy tiany hifarana intsony izao zavatra tsapany izao fa satriny hitohy foana. Nihilana moramora izy hidaboka teo amin'ilay seza lava vita amin'ny hoditra sady nosintoniny hanaraka azy teo amboniny i Mahefa. Tsy nanohitra na dia kely akory aza ny anao lahy fa dia nanaraka izay nitondran'i Mihary azy. Nosokafany kely ny masony sady nitsiky tamin'i Mahefa izy.
- "Vahao ny bokotr'ity lobako ity" hoy izy tamin'ity farany tamin'ny fihetsika toa sahisahy. Ny nahazoan'i Mahefa ny baiko no ela fa indro izy nanokatra nibanabana ny tratran'ity tovovavy sady nampiharihary ireo nono be mirongaronga mbola voasarona taty nono tao anatiny. Saika ndeha hamaha ny hidin'ilay taty nono avy hatrany i Mahefa no nosakanan'i Mihary haingana.
- "Mbola tsy iny aloha Mahefa fa ity indray no manaraka" hoy izy sady notondroiny ny pataloha teny aminy. Vaovao tamin'i Mahefa ity fihetsiky Mihary mihasahy mitaky ny zavatra tadiaviny ity saingy tsy nampaninona azy fa vao maika aza toa nampiredareda ny filana niakatra tao anatiny. Ohatran'ny nanonofy indray i Mahefa nahita ny hasohan'ny vatan'ity tovovavy efa nambabo ny fony. Henony fa nihafaingana ny fisefoany ary nanomboka nihateritery ny pataloha teny aminy.
- " Ao sokafy amin'izay ity " hoy i mihary sady noraisiny ny tanan'i Mahefa hakeo amin'ny ilay hidin'ny taty nonony teo anoloana. Toa nijanona kely ny fahatsapan'i Mahefa ny fitempon'ny fony raha vao nahita ireo nono somary kelikely nefa tsara rafitra.
- " Io ho anao io!" hoy i Mihary " Anarano fo amin'izay itiavanao azy fa omeko anao ambongadiny"
Nitsiky heniky ny hasambarana ny vatan'i Mahefa. Nihodrika izy sady nampanantoniny moramora teo amin'ilay lohanon'i Mihary teo ankavanana ny molony. Ny tanany iray kosa amin'io nanafosafo ilay nono teo ankavia. notsetsafiny kely indray mandeha aloha sady narahiny kitikitika moramora tamin'ny lohalelany. Nikiaka i Mihary, tsy tanany fa nitroatra avokoa toy ireny nokakerin'ny herinaratra ireny ny tenany. Niverina nakeo indray anefa i Mahefa afaka segondra vitsy sady nitsentsitsetsitra toy ireny zaza kely menavava noana ny rononon-dreniny ireny. Tsy hitan'i Mihary intsony izay hasiany ny tenany. Lafatra loatra ny zavatra tsapany ka hany heriny dia nanakimpy ny masony hianoka izato fahasambarana manenika ny vatany.
Henony fa injay misy ranoka mirotsaka tsikelikely mamonto ny atin'ny fivaviany. Nohenjanin'i Mahefa indray ny lohalelany rehefa avy eo dia nakasokasony sady nahodinkodiny nanodidina ilay loha nonon'i Mihary efa nihenjana izay tsy izy. Nivadibadika ny mason'i Mihary. Toa te ho safotra izany ny fahatsapany ny tenany. Mbetika izy te hihiratra te hijery an'i Mahefa, mbetika izy te hikimpy tsy hihaino afatsy ny tsirony tsapany any anatiny any fotsiny.
- " Mahefa, tiako be izany ataonao izany!" hoy ilay tovovavy tsy naharitra intsony fa nilaza ny tao antsainy.
- " Tinao?" hoy i Mahefa somary mingonongonona sady manohy ny orokoroka sy ny tsetsitra nanerana ny nonon'i Mihary. Tsy nisy navelany ho afa maina fa noleladelafiny avokoa ny tratran'i Mihary iray manontolo. Nampidininy moramora tamin'izay ny tanany hanafosafo ny fen'ity tovovavy efa miha malemin'ny fahafinaretana sady zara raha hahasokatra ny masony hijery azy. Nampiakariny kely hanafosafo teo amin'ny andilan'i Mihary aloha ny tanany izay vao nafindrany teo atampon'ilay dongona mbola tsara fono tao anaty silipo manify mampiseho manjavozavo ireo volo kely ao ambaniny. Safosafo malefaka fotsiny aloha no nataony teo. Tampoka tamin'ny tsy nampoizin'i Mihary, Injay fa henony ny tanan'i Mahefa mivezivezy amin'ny halavan'ny molotry ny fivaviany. Lafatra loatra izy. Nosokafany hivelatra kokoa ny feny. Injay fa henon'i Mahefa miainga moramora ny maonjan'i Mihary toa te hanenjika mafy ny toerana andalovan'ny tanany. Novonjeny norohana haingana aloha ny molotr'i Mihary fa tsy tantiny ny nijery ny molony efa mivontovonton'ny hasambarana somary nisanasana toa tsy mahatsiaro tena. Nikiaka kely kely ny anao vavy isaky ny ampandalovin'i Mahefa eo amin'ny kitson'ity farany ny ratsantanany. Satrin'i Mihary hiditra lalina any anatiny any ny tanan'i Mahefa iray manontolo. Toa miha tsy tompon'ny tenany intsony no fahatsapany azy. Tosam-pahasambarana no henony mananika ny tenany.
Niakatra ihany koa ny filana tao anatin'i Mahefa fa toa tsy ampy azy intsony ny ratsantanana iray fa dia telo avy hatrany no naveziveziny nivoaka niditra tao anatin'ilay zohim-pahafinaretan'i Mihary izay hotsaky ny hamandoana tanteraka. Nanomboka nimonomonona ity tovovavy. Te hiezaka hahazo izay tian'ity farany ho lazaina i Mahefa nefa toa tsy foiny ny hanapaka ny zavatra iainan'izy roa. Voatery tsy maintsy niarina kely ihany anefa izy nony avy eo fa tsapany toa nanelingelina azy ilay silipo mbola teny amin'i Mihary. Nahisany haka sisiny tsara mba hampiseho ireo molotra hotsaky ny hamandoana dia iny izy niverina nanohy ny nataony teo aloha indray. Vetivety dia mamon'ny filana indray i Mihary. Nafindran'i Mahefa moramora hanafosafo ny kibo sy ny nonon'i Mihary tamin'izay ny tanany ankavanana rehefa avy eo. Ny tanany ankavia kosa mbola nanohy nanafosafo fivavian'i Mihary iray manontolo. Raha mbola sondriana teo izy no injay henony fa nangovingovitra sady toa manenjika mafy ny onjan'ny tanany ny maojan'ity tovovavy. Tsinjon'i Mahefa fa efa tsy ho ela dia ho tonga any amin'ny farantampom-pahasambaran'ny nofo ity olon-tiany ka dia notohizany hatrany ny safosafo sy ny horokoroka sady mijery tsara ny tarehin'i Mihary izy. Tamin'ny fotoana tsy nampoiziny no injay henony nitaraina toa te hitomany sady niantsoantso " Maaaaheeeefaaa!" i Mihary. Azon'i Mahefa avy hatrany ny zava-nitranga. Ranoka fotsifotsy madio tanteram-pahazavana no indro nifantsitsitra nivoaka ny fivavian'i Mihary. Nikoropaka haingana izy nitady izay azony sarangotina hamafana ity rano mitsonika tamin'ity malalany. Tampoka loatra ary tsy nampoiziny ilay fitrangany teo. Nitsangana haingana izy nony avy eo sady nihazakazaka nankany amin'ny efitrano fandroana naka izay servieta sendra azy. Nofafany aloha izay raraka tamin'ny seza izay vao namafa moramora izay ambiny tavela teo amin'ny fivavian'i Mihary izy. Niharina moramora i Mihary nony avy afaka kelikely sady menamenatra nitompy maso tany amin'i Mahefa.
...
Tany antranon'i Malala, ny ampitso maraina.Tsy nahateny aloha ny anao vavy. Toa tsy nampoiziny loatra ilay fivadihan'ny resaka teo ity. "Hafahafa ihany ny fijerin'ity Patrick ity ahy tamin'ny fotoana nihaonanay farany iny an" hoy izy anankampo "fantatro ny zavatra tiany hahatongavana fa aleo mody andehanako any ihany aloha handinihako izay tena paikany."
- " Efa eo ampihomanana ny handeha hivoaka mihitsy aho io fa aiza no fotoanantsika izany" hoy i Malala. " Tsy resaka lava anefa fa mila mandalo eny amin'ny trano Fitaratra eny Alarobia aho amin'ny atoandro"Nony afaka antsasakadiny mahery,
Iny i Malala miakatra ilay tohatra kely miditra ao amin'ilay trano fialana hetaheta eo Ambohijatovo. Efa tonga mialoha kely noho izy teo anefa i Patrick na dia mbola tsy nivoaka tao anatin'ilay fiara maizim-pitaratra tanteraka aza. Nikoropaka nivoaka haingana ny tovolahy sady nanaraka avy ato aoriana nony avy eo. Raha eo ampiherikerehana teo i Malala no nifanojo ny mason'izy ireo. Nitsiky ny tovolahy ary dia namaly tamim-pitsikiana toa izany koa ny anao vavy. - " Noheveriko fa diso ny toerana nandehanako" hoy i Malala nitari-dresaka.
- " Efa folo minitra izay no nahatongavako teto " hoy i Patrick fa te hahita ny fahatongavanao fotsiny aho dia izay no tsy niandrasako taty anatiny... mba afaka mandinindinika tsara ny hakanton'ny bika aman'endrikao mantsy aho amin'izay raha ny tena marina."
Tsy namaly i Malala fa tsiky miharo fangarihana no nasetriny ny tenin'i Patrick. "Ho hitanao tsara ny hahazo anao fa miadaladala amiko eo" hoy i Malala tany antsainy tany. Tery amin'ny latabatra nitokatokana somary takotakona ny daholo be tery izy roa no naroson'ilay tovovavy mpampandroso olona.
- " Ahoana, hiara hiasa ihany ve isika sa tsia?" hoy i Malala sahisahy nahita ny fihetsiketsik'ilay tovolahy taminy.
- " Ka ny amin'izay mihitsy anie no nitadiavako an'i Ratrema teo iny eh?"
- " Misy olana be angaha?" hoy i Malala somary taitaitra.
- " Eny eh! Misy sakana ihany ilay izy satria ilay rahalahiko tena tsy mazoto mihitsy, i Dada moa izany mihazohazo eo ampovoany eo fa miandry izay tena hevitro sisa"
- " Ary ahoana ny hevitrao? " hoy i Malala mody nitsiky te halalala fantatra izay ao andohan'i Patrick.
- " tena tinao ho fantatra ny hevitro?" hoy i Patrick sady nanatokatoka ny lohany no mibanjina tsara ny mason'i Malala
- " Izay mihitsy" hoy ity farany.
- " Sady te hanampy anareo aho no te hiaraka aminao koa"
- " Ahoana tsara hoe ry Patrick" hoy i Malala mody taitra tamin'ny zavaboalazan'ity farany.
- " zany e, te hiaraka aminao aho fa raha mazoto ianao dia alamiko ny lohan'izy mianaka"
Tsy niteny i Malala fa i Patrick izay nandray ny vera nisy ny ranom-boakazo teo anoloany no nodinihiny tsara.
- " Maninona ianao no tsy miteny " hoy i Patrick afaka segondra vitsy toa tsy naharitra an'i Malala mandinika mafy azy.
- " Mahalasa fisainana ahy izany zavatra lazainao izany ry Patrick" hoy izy. " Raha tsy hiaraka aminao aho izany dia tsy hanampy anay ianao?"
- " Ohatra ohatran'izay no mety ho fitrangany " hoy i Patrick mody tsy naka sarotra.
Nangina tsy niteny indray ny anao vavy. Lasa tany amin'i Ratrema sy ny zanany mianadahy ny sainy. Nalainy sary antsaina ny mety hanjo azy ireo raha tsy manaiky ny hiombon'antoka aminy ry Patrick mianankavy.
- " Ngaha moa ianao io tsy manambady?" hoy izy tamin'i Patrick nony avy eo niezaka ny ho tony.
- " Manambady aho fa manakana ahy tsy ho voasintona aminao angaha moa izany"
Ndeha ho faiziko ataoko mahalala tsara ahy ity bandy ity hoy i Malala anakampo fa ndeha aloha hakeko any izay zavatra tadiaviny.
- " Tena sur ianao fa te hiaraka amiko?" hoy i Malala .
- " Tsy isalasalako izany ry Malala a! vao nahita anao aho tamin'ilay fihaonantsika tany amin'ny biraon'i dada iny dia tena efa tapaka ny hevitro"
- " Tsy mora anie ny miaraka amiko" hoy i Malala " fa ampijalijaliako mihitsy eh"
- " Tsy olana izany fa rehefa manaiky fotsiny ianao dia omeko anao izay tadiavinao"
- " Ndao ary!" hoy i Malala sady nitsangana moramora izy rehefa avy nisotro ilay ambiny faraparany tao anatin'ny verany.
Tadio ([email protected])
- " Efa tena tsy andriko mihitsy ry Mihary ah? hanao ahoana re ny fihetsiny mahita ahy eto ambonin'ity fandriana ity eh"
- " Aza be eritreritra ny amin'izany ianao ry Hery ah" hoy i Mihary " Rehefa tiany ianao dia tiany na ahoana na ahoana"
Tsy ela taorian'izay dia indro tokoa fa niditra ilay varavaram-pitaratra tsy lavitra teo i Alexia sy Pr Mahefa. Tsy tana fa dia nihazakazaka madinika mihitsy ny anao vavy namonjy teo amin'i Hery sady velon-tsiky tsy nisy ohatran'izany.
- " Hery ! Tonga soa. Hitako ihany ianao lahy nony farany! Ao ho rohako izany malalako izany" hoy i Alexia. Toa te handihindihy izany ny fahatsapany ny tenany noho ny hafaliana tsy omby tratra tsapany.
- " Alexia fitiavako!" hoy i Hery sady nanomboka nijohy mora ny ranomaso nanenika ny tavany. "Mbola tinao tokoa ve aho? ... Mifona aho fa tena tsapako mihitsy ireny fampijaliana anao nataoko ireny."
- " An, an, aza mitomany ohatran'io ianao fa tsy mety... Aleo aloha izany ho any fa tadidio fotsiny hoe tia anao aho ary tia dia tena tia, Izany an?" hoy i Alexia nanambitamby mafy ity olontiany izay saiky namoizany ny ainy. " tsy avelako handeha lavitra ahy intsony ianao" Hoy ihany izy sady nosafosafoiny moramora ny lohan'ity tovolahy toa nahatsiaro fahasambarana tonga eo anilan'ny tiany.
Samy tsy nisy nahaloam-peo na i Mahefa na i Mihary fa variana nijery ireto mpifankatia ela nifampiandrasana. Rehefa izay vao nanompy ny masony tany amin'i Mihary i Mahefa ary akory ny hagagany fa tsy iza akory ity olona manoloana azy ity fa i Ramisarivo ilay tovovavy nanaitaitra azy fahizay tany Etazonia. Nikoropaka ny anao lahy. Vahotra ny vavany. I Mihary koa moa tamin'io tsy naha hetsika tamin'ny toerana fa nijajirika toy ny labozia teo amin'izay nisy azy raha vao nahatsikaritra ny zava nitranga.
- " Tsy mampino!" hoy i Mahefa nony afaka kelikely rehefa avy nanagona ny heriny rehetra tao anatiny hiresahany tamin'ity tovovavy nambabo ny fony taona maromaro lasa izay.
- " Ianao marina ve io?" hoy Mihary namaly sady velon-tsiky toa tsy nino ihany koa sady nanatona moramora teo akaikin'i Mahefa. Nivadika ny fandehan'ny tantara fa nifantoka tany amin'ireto olon-dehibe indray ny mason'ireto zatovo mpifankatia. Tsy hay nafenina fa nisy hery nampifanintona azy roa ary dia nifamihina toa ireny mpifakatia ela tsy nihaonana ireny koa i Mahefa sy Mihary. Nitodika moramora tany amin'i Hery i Alexia te hanontany mafy hoe mifankahalala angaha ry zareo ireto. Na dia i Hery koa aza anefa dia tsy nanampo ny zava niseho ka dia nidanaka foana teo koa izy.
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |