- "Mandroso ianao, ianao mihitsy izao no andrasanay."
Tsy nahateny i Hery, ny fony no nidobodoboka mafy ary mila hangovitra mihitsy aza ny anao lahy.
- " Mahazoa toerana, ... Hono ho’aho Dr Mihary. Izy moa izany no nanavotra anao tany anaty ranomasina? " hoy ny fanontanian'ilay polisy mpaka ambavany.
- "Eny tompoko," hoy i Mihary.
- "Fa mpifaninona moa ianareo?"
Somary niahotra i Mihary tsy niteny, fa i Hery no nojereny tsara.
- "Mpinamana mpiara-mianatra izahay efa hatramin’ny fony kely, dia nifankahita taty."
- "Hay, tsy mpifankatia akory."
- "Tsia tompoko," hoy i Mihary. I Hery etsy efa mivaloharika tsy misy ohatr’izany.
- "Azonao ambara aminay ve anefa ny antony nahatonga anao nanao izao fihetsikao izao."
Tsy sahy nijery intsony i Hery fa ny masony no nakimpiny.
- "Euuhh ! sarotra be izany tompoko! fa resaka asa izay nahatsiarovako fahadisoana lalina no nahatonga ahy nanao izao."
Nisokatra tampoka ny mason’i Hery.
- "Hay!"…tsy niteny aloha ilay polisy, tany amin’ny varavaran-kely no nojereny.
- "Matetika mantsy dia fahadisoam-panantenana ara-pitiavana no mahatonga ny olona hamono tena."
- "Eny e!" hoy ihany izy. Rehefa tsapanao fa tsy nisy olona nanery an-kolaka nanao izao dia miala ny fiahiahianay!
Gaga i Hery, toa niverina tampoka tamin’i Mihary ilay fo mahery tsy ravan’iza na iza. Izy etsy tsy nahateny, ny tanany fotsiny no natolony ireo polisy, ary ilay iray nikapoka ny lamosiny sady niteny hoe :
- "Misaotra ry ise izany nanavotra ain’olona an!"
Tahaka ny nisy lanja mavesatra izany niala tamin’i Hery. Tsy nampitony ny fony mihitsy ny fahatongavan’ireo polisy roalahy. Ny mason’i Mihary no nojereny tsara izay tsikariny fa nanomboka nanganohano indray. Nanatona teo akaikiny izy nandray ny tanany nefa nakifik’ity farany no sady nakimpiny ny masony tsy hijery.
Fahanginana tanteraka no taorian'izay. Tonga ilay dokotera mpizaha marary vao nanokatra ny masony indray i Mihary.
- "Tsy aleo aloha ise mba mivoaka fa hanao fizahana aho."
- " Eny tompoko," hoy i Hery, sady nitsangana izy nivoaka ny efitra;
Tsy hitan’i Hery intsony izay hatao, ny alehelony an’i Alexia mbola mitombo ihany. I Mihary ity toa manavotra azy nefa tsy te-hierika aminy intsony. Tsy azony intsony ny fandehan-javatra.
Farany, nangataka tamin’ireo dokotera mpiandry raharaha izy aloha hiverina any amin’ny hotely hiomana sy handeha hamita ny asa izay iraka nalehany aty Mahajanga. Fa mbola hiverina kosa araka izay azony hatao vao misy malalaka kely.
Tsy nitombin-tsaina mihitsy i Hery, na inona na inona nataony. Zara raha vita ny asa. Nanaraka ny onjany teny fotsiny no azony natao.
Tonga tao am-piasana izy dia nahita solosaina afaka mifandray amin’ny tranonkala. Nosokafany ny mailakany, tsy nisy olona namaly, tsy nisy nantenanina ihany koa fa i Alexia aza mbola marary izay ka tsy afaka ny hanoratra ho azy. Nojereny indray ilay mailaka kelymaditra, nosokafany ireo nifanoratra taminy. Mbola eo ilay hafatr’i Tiana nifampiresahany farany. Nojereny ilay daty, ity ilay daty nahatratraran’i Alexia ilay string an’i Malala tao anaty efitra fandroana. Tsy nisy tohiny intsony taorian’izay.
Mila namana aho hifampiresahiko izao zava-manjo ahy izao.
Nialàny aloha ilay mailaka, nijery indray ny takela-pifandraisana tao amin’ny wanadoo.mg izy. Efa nivadika ho tantara lava dia lava ilay « tourbillon de l’amour ». Gaga izy, variana nijery sy namaky. Isaky ny andalana iray dia toa mamakivaky ny fiainany. Kivy sy ketraka izy, tena nisento tokana amin’ity zava-bitany. Ny alahelo mitoetra, i Toky sy Cynthia re izay nanao ahoana ? Tsy nahazoako vaovao intsony. I Malala maninona no tsy miantso azy mihitsy?
Farany, niverina niditra tamin’ilay mailaka kelymaditra teo indray izy. Nandefasany hafatra i Tiana raha mbola afaka mifandray aminy.
Notantarainy teo izay rehetra nanjo azy taorian’ny nifampiresahan-dry zareo farany iny. Voatantara teo avokoa na ny nataony tamin’i Tahiana, na ilay resaka string, na izao manjo azy misy an’i Mihary izao. Namborakany teo ny adin-tsainy rehetra ary voalazany hatramin’ny antsipirihiny. I Tiana no fantany fa mety afaka hanome torohevitra azy.
--------------------
Vao maraina dia niarina teo ambony fandriana i Tahiana. Tsy tafandry mandry ny anao vavy fa lasa saina tamin’ny nanjo an’i Hery. Nisy hevitra nipoitra anefa tany an-tsainy tany, hevitra ratsy naniry ho azy, mikasika ny valifaty tiany hatao amin’i Malala. Niomana haingana izy, nahandro sy nisakafo, nampirina ny trano dia lasa nandeha niasa.
Vao tonga tany am-piasàna dia namita izay asa mbola tsy efany omaly hariva. Tamin’ny 9 ora sy sasany tany ho any. Nantsoiny tamin'ny fidainy amin'izay i Malala:
- "Allo ! Malala an!"
- "Ahoana Tahiana?"
- "Afaka antsoin-dry aho ve fa lafo loatra ny miantso mankany an-dafy amin’ity findaiko ity?"
- "Tsy mampaninona ka!"
Nony afaka kelikely,
- "Allo!"
- "Ahoana akia! Nahita vaovao ve indry mikasika an’i Hery?"
- "Ie ! avy tany amin’ny toeram-piasàny aho izao, nalefa namita iraka hono izy, kanefa mbola tsy nahandrenesam-baovao mihitsy izy lasa any,"
- "!!!!!! ahoana tsara hoe?"
- "Efa hoe nalefan’ny orinasany hono izy dia tsy nahitam-baovao mihitsy. Antsoy ange ny findainy e! tsy azo mihitsy… Efa niantso azy im-piry aho izay…."
Tsy nisy niteny aloha...
- "Tahiana an ! tsy mampitombina ny saiko mihitsy izany lazain-dry izany. Aleo aloha tapahiko ny antso fa manomboka marary ny andohako."
- " Eny ary Malala an! tsy maninona fa andramo antsoina indray e!"
Izay mihitsy no tian’i Tahiana hahatongavana. Ny tsy hampitombin-tsaina an’i Malala. Tsy nahoany fa valifaty no nanenika ny sainy. Na izany aza. Mbola mivilivily ihany koa ny any anatiny any ny amin’ny nanjo an’i Hery.
Tadiom-pitiavana ([email protected])
Raha iny nitsirempirempy iny ny mason’i Hery dia tsapany fa lavo tamin’ny tany izy. Natrakany moramora ny lohany. Ny gorodona mirakotra taila miendrika efajoro marobe no milahadahatra manodidina ny seha-pijeriny. Hitany koa ny kodiaran’ny fandriana izay misy an’i Mihary. Ny lohany maharary azy, ny kibony toa misalebolebo mila tsy ho tantiny. Izy mbola fanimpanina, ary mahatsiaro mangatsiaka tsy misy ohatr’izany.
Niarina izy, tsy teo intsony Ratrema saika namono nahafaty azy teo. Ilay salebolebo tao anaty vavoniny teo no tsy maintsy nampitsangana azy hamonjy ny efitra fidiovana haingana. Raha vao tonga teo amin’ilay bakoly lehibe fanarian-drano izy dia nihoaka nandoha. M bola henony naharary azy mafy ny lohany, toa fanimpanina sy badenina mila hitsirara amin’ny tany indray izy. Naka toerana nipetraka tamin’ny tany indray izy aloha sady niankina tamin’ny rindrina. Rehefa nahatsiaro saina sy tony tsara vao nitsangana nijery ny tarehiny tamin’ny fitaratra…..
Akory ny hagagany fa tsy nisy na dia ratra iray akory aza tamin’ny tarehiny. Fa nisy inona teo ?
- Nahatsiaro tena naharary mihitsy aho teo, nefa izao tsy misy diam-pery akory. Tena nanonofy ratsy aho! Tena loza fa mihatra hatramin’ny nofiko ny adin-tsaiko.
Afaka fotoana elaela izy vao nivoaka tao amin’ny efitra fidiovana rehefa avy nisasa tarehy. Hitany avy hatrany i Mihary mijery azy tsara.
- "Hery an! fa maninona ianao?
Tsy niteny aloha ny lehilahy fa naka ny seza ary nanatona teo akaikin’ity marary.
- "Mihary an ! efa niteny ny dokotera fa mila maka aina tsara ianao ! Tsy aleo aloha matory ihany?"
- "Fa tamin’ny firy aho no tonga tato amin’ny hopitaly?"
- "Tamin’ny valo sy sasany alina tany ho any."
- "Ary izao amin’ny firy."
Nojeren’i Hery ny famataran’ora teo an-doham-pandriana :
- "Efa amin’ny roa maraina."
Tsy namaly aloha i Mihary. Nakimpiny indray ny masony.
- "Hery an! … nitsangana tampoka ianao teo dia nitsirara tamin’ny gorodona. Asa, nihevitra ny ho atsy amin’ny efitra fidiovana angamba. Manana olana amin’ny resaka tosi-dra angaha ianao? Ianao nianjera tamin’ny tany no nanaitra ahy. Nikarokaroka ilay bokotra fiantso vonjy aho fa tsy hitako akory fa voatsindry tato ambany ondako tato. Tafatsangana ihany ianao ny farany dia naleoko niandry fa tsy niantso mpitsabo indray.
Tsy niteny i Hery fa nangina fotsiny, nisaintsaina izay nanjo azy. - "Tena tianao izy e?"
- " Izy iza no tianao hotenenina!" hoy i Hery.
- "I Alexia ! izay foana no anarana naverimberinao tamin’ianao nitsirara amin’ny tany teo."
Nanganohano ny mason’i Hery. Niondrika izy tsy sahy nijery intsony, menatra an’i Mihary loatra. Ary ny henatra eo ihany fa ny fahadisoana goavana naverimberiny no tena tsy tantiny.
Na dia nofy ratsy aza ny nahazo azy teo, toa hafatra miletra any am-pony any mihitsy. Ary tahaka ny kapoka maharary tamin’ny vatany akory aza ilay nofy ratsiny.
Tsy nanana eritreritra afa-tsy izao intsony izy: hitady an’i alexia, na inon-kihatra, na inon-kidona. Eny, na dia handaniany izay kely mba hananany aza. Tsy maintsy mandeha izy, tsy maintsy mahita ilay olon-tiany.
Nitsangana teo amin’ny toerany i Hery dia nivoaka ny efitra, namonjy seza fiandrasan’ny marary tao an-dalantsara. Alahelo tsy roa aman-tany no niainany.
I Mihary kosa, niverina tsikelikely tao an-tsainy ny hafatra voarainy nandritra ilay fotoana nameloman’i Hery azy. Toa nofy, nefa mitory ny marina entiny hiatrika ny fiainany any aoriana. Inona no maha-sarotra ilay iraka. Ary raha tsy vitany ilay iraka : inona no valin’izany?
………… Na dia tafiditra anatin'ny nofy ratsin'i Hery aza Ratrema, ity farany kosa mbola very hevitra ary tsy mitombin-tsaina mihitsy na dia eo aza ny otra malefaka sy ny safosafo ataon'i Corine azy.
- "Ratrema an ! « Laisse-moi faire, et laisse-toi aller! », hoy i Corine nibitsibitsika mora teo amin’ny sofiny.
Tsy nanan-kolazaina intsony izy fa nanaiky tsotra izao ny otra nataon’i Corine taminy. Injay fa tsapany ny bokotry ny lobaka mivaha tsirairay. Iny indray ny tanan’ity vehivavy nisintona ilay lobaka hiala tanteraka amin’ny pataloha.
- "Corine an ! efa nilamina ange ilay adinay sy Malala iny e!"
- "Tsy ahoantsika letsy izany Ratrema an ! Tsy fantatr’ialahy akory izay ataony any lavitra tsy taka-maso any." Sady niodina teo anoloany i Corine no nanala ilay akanjo ivelany. Avy eo namaha tsikelikely ny lobaka fotsy nitafy ny hodiny. Toy ny tsy teo no nanalàny iny ary atin’akanjo mainty feno dantela manify sisa no nasarony ny nonony. Natosiny tamin’ny tongony ilay sezan-dRatrema misy kodiarana ary nikisaka kely nahazoany toerana malalaka tsara.
- "Mbola ao ve letsy ilay efitra kely fatorian’ialahy iny rehefa tsy afaka mody atoandro ialahy?" hoy ihany i Corine nanontany an-dRatrema.
- "Corine ann ! aza tonga dia maika ny amin’izany aloha ianao? izao ihany no nahavoa antsika ilay tamin’ny farany teto."
- "Ialahy koa!" sady nitsangana izy nanokatra ilay varavarana dia niditra tao. Afaka dimy minitra dia nosokafany indray, sady ny fanondrony roa no navoakany teo niantso an-dRatrema tahaka ireny amin’ny sarimihetsika ireny.
- "Ratrema chéri ! Avia letsy fa efa voaomako tsara ny ato an!"
Tsy niteny Ratrema fa ny sezany no nitapikirany mafy. Tsy sahy handingana indray izy ka handrava ilay fifankatiavany efa nirehitra indray tamin’i Malala.
Tsy tratra fa nivoaka tao amin’ilay efitra i Corine, amin’izato bikany mahasarika ny maso; Ny nonony mameno tsara ny tatiny, ny bikany mbola mitana maharesy ireny tovovavy tsy dia mahakarakara vatana loatra ireny. Atin’akanjo mainty ambony ambany no nanaovany, somary mitaditady ny sisiny, ary zara raha takon-kenatra fotsiny fa dia entina hanintona lehilahy no tena andraikiny. Nanatona teo anoloan-dRatrema indray i Corine sady nandray ny tanany roa no nisintona azy hitsangana.
- "Avia letsy Ratrema an ! izaho ange izao efa ho iray volana sy tapany tsy nanao mihitsy e! Ny asa sy ny afera nefa tena manome « stress » mihitsy. Vao niantso ahy fotsiny ange ialahy teo dia nahatsiaro ny nataontsika fahiny aho e! Avia letsy an!"
Fiangotingotiana izany ka fiangotingotiana, notaritaritiny hanaraka azy tao anatin’ilay efitra Ratrema ary nasainy nipetraka teo ambony fandriana. Nampatoriany tamin’ny lamosina. Norokorohany ny tendany sy ny tratrany, nosafosafoiny hatrany ary nampidininy hanaraka ny kibony.
Novahany ny fehikibo sady nosintominy hiala, avy eo novahany koa ny bokotry ny pataloha, ary nampidininy moramora hiala. Ratrema rahateo nanampy tosika tamin’ny tanany.
Rakitra ny orokoroka tamin’ny vatan-dRatrema ; Ilay kalisaona sisa no teny aminy. Safosafo lavareny, orokoroka tsy tana mihitsy. Natsofok’i Corine tany anatin’ilay kalisaona ny tanany ilany, ny ilany manafosafo ny tratrany. Ny molotra miakatra mananika ny an-dRatrema….
- "Mody manao mafy loha an! hoy izy somary mihomehy nefa manoroka an-dRatrema ihany.
Nony afaka kelikely….
- "Andray letsy Ratrema, fa angaha letsy dia tena mafy mihitsy ity adin-tsaina mahazo an’ialahy. Izaho letsy eto manovokovoka mihitsy mamelona fa toa tsy taitra akory ny an’ialahy. Fa maninona ialahy ity e?" Sady niala i Corine no nitsangana teo anoloany.
- "Tsss ! izao ve letsy no ataon’ialahy. Ka raha tsy mitohana ko!" hoy ihany izy.
- "Miala tsiny !" hoy Ratrema namaly azy tamin’ny fahamenarana, Tena tsy fantatro mihitsy e ! ssshhh, raha mba tena fantatrao marina mantsy ny olana mianjady amiko!"
……..
Nanandrana namerina niantso an’i Hery ihany i Tahiana fa tsy nahazo azy. Farany, ilay laharan’ny findain’i Malala teo no nampidiriny tao anaty fitehirizan-daharanan’ny findainy.
- "Mba vehivavy tsy manana ny hajany koa ry Malala, resaka ohatr’izany ve no andaniana vola hiantsoantsoana aty, vadin’ny mpanankarena tokoa, tsy miraharaha izay lany fa dia heveriny ho maniry ohatry ny anana ny vola ao an-tranony. Tsy misy asa atao fa mandany andro mitety magazay Izany mihitsy ny mahatonga iny tsy menatry ny mampirafy. Shhh ! nahazo ihany izy nahazo an-dRatrema fa nahazo koa Ratrema sendra iny vehivavy iny. Atao ahoana fa namana tsy nifankafoy, nifampizara ny manta sy ny masaka, nifampitantaràna ny fiainana rehetra, noraisina ho toy ny rahavavy. Nefa… Tsy handefitra manana ny rariny aminy intsony aho fa ho hitako eo.
… Malahelo aho malahelo, koa maninona raha miverina, lazaina fa nilamina ny aminay sy Ratrema e ! efa hadino daholo ny nataonay taloha e ! nefa tsy miherina akory ny andro dia efa mampirafy sahady. Tsy ho fantatr’i Ratrema angaha moa izany nataony izany? Ho main’ny afo natsangany iny izao. Sshh, aleo tsy eritreretina intsony fa aza manody ny tahaka izany…"
Nidina tany ambany izy nikarakara sakafo, i Manitra rahateo tsy tao an-trano. Lasa eritreritra lalina izy ny amin'izay nahazo an’i Hery, fa maninona izy no any amin’y hopitaly?
Ora vitsivitsy taorian’izany kosa tany Mahajanga tany,
Tsy naharitra nijanona teo amin’ny sezan’ny lalantsara akory i Hery. Niditra tao an’efitra indray izy, naka ilay seza nipetrahany teo. Ny rano no nosotroiny betsaka, hanala ny makafoka tany anaty vavoniny tany. Nahita tory ihany izy nony avy eo ary efa madiva haraina izy vao nifoha. Hitany i Mihary mbola renoky ny torimaso.
Nitsangana izy avy eo dia nanasa ny tarehiny tamin’ny rano mangatsiaka. Nanadio izay lotoloto rehetra tamin’ny efitra fidiovana. Fofona hafahafa no nameno ny efitra, notobasany tamin’ny rano mba hialan’izany. Vita tanteraka ny fanadiovana ilay efitra kely vao nivoaka tao izy :
I Mihary mbola matory no nobanjininy tsara sady lasa ny fisainany.
- I Mihary ve?
Vao nivaly ny bakalorea dia nahazo vatsim-pianarana ho any Amerika izy, nilamina ny antontan-taratasy rehetra dia lasa niampita ranomasina nianatra momba ny fitsaboana, ary nandalina manokana momba ny fananahana sy ny reny bevohoka. Valo taona izy tany foana. Nitazona ny fahadiovany ary voaporofo mihitsy.
Tsy nijanona tany fa nody an-tanindrazana, dia nahita ahy, dia tsy nisy na inona na inona fa nomeny ahy tsotra izao ilay fahadiovany tsy noheveriko akory. Dia diso aho teo, tokony nilaza taminy ny fiainako aho, nefa nahoana ary izy no tsy nanohitra na dia kely fotsiny aza tamin’ilay firaisana nataonay tamin’ny zoma hariva? Raha izaho manokana aloha dia tsy mba nievitra an’i Mihary ho virjiny izany mihitsy aho na dia kely aza. Nihevitra mihitsy aza aho fa olona niaina tany Amerika izany efa malalaka fomba fisainana, nefa nahoana?
Tsy afaka miala amin’izao manjo azy izao aho, ary tsy maintsy misy ny fanadihadiana ataon’ny manam-pahefana ny amin’iny loza iny.
Noraisin’i Hery moramora ny tanan’i Mihary, ary iny no nanaitra azy sy nampisokatra moramora ny masony.
- "Nanao ahoana ianao izay," hoy i Hery.
- "Mihatsara kokoa fa misaotra anao!" hoy i Mihary nanisy tsiky kely tamin’ny molony.
- "Faly aho rehefa tsy naninona intsony ianao. Tsy misy tokony hisaoranao mihitsy na dia kely aza, mifona aminao aza aho… sady latsaka ihany ny ranomason’i Hery, nanondrika ny lohany teo amin’ny tanan’i Mihary.
Tsy niteny aloha i Mihary fa ny tanany no nasafosafony tamin’ny tarehin’i Hery. Somary namafa koa ny ranomason-toloko sy fitarainana.
-fotoana ela no tsy naha-teto an-tanindrazana ahy. Tsy hoe tsy niaraka tamin’iza na iza aho tao anatin’izay fa nisy gasy izay niaraka tamiko, roa taona taorian’ny nahatongavako tany, nifanalavitra anefa ny oniversite nisy anay dia nifanoratra mailaka sy taratasy fotsiny no natao betsaka, ary zara raha isam-bolana vao mifankahita.
Ny Amerikana moa, hitanao ihany fa olona lava sy ranjanana avokoa, izaho hatreny amin’ny tratran’izy ireo, dia nihevitra ahy mbola zaza avokoa ny rehetra. Ny antontan-taratasiko koa tsy dia niparitaka firy. Ny fianarana rahateo no nataoko ho vaindohan-draharaha. Ary tsy nisy nampiraika ahy izay mpiara-mianatra tamiko.
Niaraka nandritra ny herin-taona teo izahay sy ilay bandy gasy izay, izaho foana no nandeha nankany aminy, zara raha in-dray mandeha ihany izy no namangy ahy. Ary isaky ny nifankahita izahay dia tsy nitady afa-tsy ny firaisana ara-nofo tamiko no ambetin-dresany. Tsy nanaiky mihitsy aho ary farany dia reko tamin’ny namako fa miaraka amina vazaha amerikana izay hono izy.
Tsy nanaiky mihitsy aho ny handry niaraka taminy satria nanana hambom-po be loatra, hambom-po amina safidy roa monja:
Ny voalohany dia ny hitazona ny fahadiovako ambara-pahatongan’ny fampankarana ahy. Ary ny faharoa dia ianao, ilay fitiavako voalohany.
Dia tampoka ny nahitako anao taty, dia naleoko nisafidy ilay faharoa, indrindra moa ianao hoe: mbola tsy manambady. Ny taona rahateo mandroso ihany.
Dia izay, izay ilay fahadisoam-panantenana taty amiko.
Valo taona lasa izay, tsy niova ny fitiavako anao na dia nafeniko aza. Na dia nosaromako tamin’ny fianarana foana aza ny fitiavako, ilay afo mbola nirehitra nitsilopilopy nanazava sy nanafana ny foko tao ihany.
Dia izao , izaho raiki-pitia taminao, nefa ianao raiki-pitia amin’olon-kafa, samy manana fitiavana mipololotra tsy mety maty isika fa tsy mitovy làlana.
Samy diso angamba isika satria tsy nilaza ny marina, (nanomboka nanganohano koa ny mason’i Mihary), Izay ry Hery no nahatonga ahy nanontany anao tamin’ny alina hoe : « tena tianao izy e? »
Fantatro avy hatrany ny valiny na dia tsy te-hiteny aza ianao !
Zavatra roa loha no tiako hotenenina aminao :
Raha tena tianao marina IZY dia hajao amin’ny fonao rehetra.
Voalohany amin’izany aloha, hajao ny tenanao. Aza mihevitra ny tenanao ho very fa mahaiza mionona amin’ny fiainanao: ajanony aloha ny filàn’ny nofo, mety anatra mikapoka anao ange izao manjo ahy izao e ! Dia sanatria ve sahinao ny hamerina izany amin’olon-kafa?
Mitandrema fa maro ny fakam-panahy, ary ianao dia manam-bika sy endrika, mety ho maro ny misari-zoro sy mitady hisintona anao hanaraka azy. Ka eo no ilàna ny fahamatoran-tsaina satria efa nilaozanao lavitra ny fahazazana.
Ary tadidio fa raha fantatr’i Alexia izao ataonao izao dia mety hamoy fo ihany koa izy! Mitandrema mihitsy mba tsy ho lavon’ny fakam-panahy indray ianao.
Ny faharoa dia tsy hiteny aho hoe : tia na tsy tia anao. Marina fa mavesatra amiko ny fahadisoam-panantenana, fa tsy izany akory no hampijanona ny fiainako. Ary eo foana aho, hanampy sy hanoro hevitra anao. Raisiko ho adidy ny hanitsy anao amin’ny làlana marina. Fa apetrako kosa fa tsy hanana firaisana ara-nofo aminao intsony aho…
Tampoka, nisy nandondona tao am-baravarana, tonga dia niditra ny dokotera sy ny mpitsabo mpanampy.
- "Dia ahoana Dokotera? Nanapa-kevitra ny handao anay tampoka angaha ity ianao?" hoy ilay Dokotera nanao fizahana sady mananihany ihany. "Tsy izahay irery ange no hilaozanao fa i Madagasikara mihitsy e!"
Raha tsy nisy izao tovolahy mirijarija be izao dia efa tsy nisy azo natao na inona na inona intsony. Ka dia nanao ahoana aloha izato Dokoteranay e?"
Tsy niteny i Mihary fa nitsiky fotsiny tamin’ilay hanihany nataon’ilay dokotera.
- "Ka inona izao no atao anao?"
- "Manao ahoana anefa izy io dokotera," hoy i Hery nitsatsaingoka ;
- "Iza izao no tena mahalala izany fa izaho ange mijery ivelany fotsiny e!"
- "Ka inona no fanafody tianao hosoratako ato dokotera? sady nitsapa ny tosi-dra ihany izy.
- "Mody ihany izao no fanafody hitako fa tsara indrindra.! hoy i Mihary ;
- "Ha, ha, ha!" hoy ilay dokotera nihomehy. "Ianao ity koa mampihomehy ahy mihitsy. Tsy maintsy misy ny fepetra tokony harahina ; mino aho fa ho avy tsy ho ela ny polisy hanadihady ny zava-nitranga ; amin’ny tahaka izao koa dia tsy maintsy misy mpitsabo hafa manamarina fa efa mitombin-tsaina ny tra-boina sao dia mamerina indray ka loza ! vita izay… tsy maintsy hotazominay roa na telo andro eto aloha ianao fa mba namanay hangalanay hevitra e!"
Nivaloharika i Hery, tsy nahateny fa natahotra akory aza. Toa misamboaravoara indray ny kibony.
- "Ary ny tovolahy nefa manao ahoana?"
- "Izy aza no tena marary kokoa noho izaho Dokotera," hoy Mihary namaly, vizana koa ny fahitako azy, mila jerena kely fa nandoha tampoka, mety nahatelina ranomasina koa angamba dia izay no tsy zakany.
- "Manaraka ahy any amin’ny biraoko izany izao hojerena tsara. Efa nisakafo moa ise io?
- "Tsia tompoko!" hoy i Hery.
- "Ka izay ange no mahavoa anareo e! eny e ! Andao fa hojerentsika izay manjo an’ise"
Tsy nahatobin-tsaina intsony i Hery, nitaintaina izay tsy izy satria hiafara aminy izao loza manjo an’i Mihary izao. Tsy amin’izay fitsaboana ny tenany ny sainy, ary na ny sakafo nohanininy aza tsy tsaroany intsony.
Vao niverina tao amin’ny efitranon’i Mihary izy dia indreo Polisy roalahy efa manao fanadihadiana sy mametraka fanontaniana amin’i Mihary.
- "Mandroso ianao Andriamatoa ! ianao mihitsy izao no nandrasanay ;
Nidobodoboka tsy misy ohatr’izany ny fon’i Hery.
Tadiom-pitiavana ([email protected])
Tsy nahateny akory i Hery, zara izy raha nahavoalaza hoe « aty amin’ny hopitaly aho » dia tapaka ilay antso. Nantsoiny indray i Tahiana fa tsy nety azony intsony. Kivikivy ihany izy niverina tao amin’ny efitry ny marary. Ilay findainy rahateo koa ritra herin'aratra ka tsy afaka narehitra intsony.
Very hevitra ny amin’ity nataon’i Mihary izy. Tsy nampoiziny mihitsy ny tahaka izao. Tsy mba malaky kivy izany mihitsy raha i Mihary araka ny fahalalany azy. Izy aza no anisan’ny mpampitraka ny namany, kanefa, dia miova tokoa ve ny toetran’ny olona hoy izy rehefa miha-lehibe. Fa dia naninona loatra ary i Mihary?
Nahatsiaro tena ho diso i Hery, nanenina tanteraka tamin’ny tsy fahatsiarovan-tsainy. Tsy nampoiziny ho tahaka izao ny ho fandehan’ny tantara. Nihevitra izy mantsy fa mbola tahaka ny fisakaizàna tamin’ireo namany fahiny ihany ity indray mitoraka ity, kinanjo…
Lasa saina teo izy niandry an’i Mihary eo am-parafaran’ny hopitaly. Nojereny tsara I Mihary toa tsy mahatsiaro izay manodidina azy. Reraka ny endriny sady toa hatsatra tampoka. Ny tanany havia mitsindrona fanjaitra mitondra ny serôma mitsitaitaika miditra moramora amin'ny vatany.
Eo am-pibanjinana an’i Mihary izy no nandefa tsy nahy ny sainy tamin'ny fahazazany. Tadidiny ny fotoana niarahan'izy sy Mihary nianatra voalohany. Mbola zaza saina tokoa aho tamin’ireny hoy izy. Niditra ny kilasy faharoa, tamin’izay rahateo vao nanomboka niara-nianatra ny lahy sy ny vavy, i Mihary nianatra tany amin-dry Masera foana hatramin’ny naha-kely azy tsinona moa I Hery nianatra tao amin-dry Mompera, dia raikitra tamin’izay ny fifangaroan’ny fianarana; Samy nitondra izay fahaizany avy any avy. Nifandany an-kolaka tamin’ny fahaizana; niady mafy ny ho voalohany. Dia rehefa samy tsy nisy resy sy naharesy dia niray làlana, niaraka tamin’ny fotoana tsy nampoizina. Mody niaraka fa tsy tena niaraka, nefa nampitsiry tampoka ilay afom-pitiavana voalohany tany anatin’ny tsirairay izany.
Toa fotoana nandalo ireny nahavarimbariana azy roa ireny, nisongonan’ny sasany izy ireo, ary samy tsy tonga saina raha tsy efa avy nijery ny valim-panadinana. Dia notapahina teo ilay saika ho doria, ary tsy nisy nifamela ny mamy na koa ny mangidy fa ny hahatafitàna ny bakalorea no natao tanjona. Lasa tany Amerika moa i Mihary nony avy eo nanohy ny fianarany ary izao indray izy roa vao nifankahita.
Raha lasalasa saina teo izy nijery ny lasany, indro fa somary nihetsika kely ny rantsan-tanan’i Mihary, nahita izany i Hery dia noraisiny tsimoramora. Nofeheziny sy nomeny hafanana ilay tanana mangatsiaka saika fefiky ny rano teo.
Tsy niala teo amin’ny tarehin’i Mihary intsony ny masony. Indro nanomboka nitsirempirempy, toa taitra tamin’ny torimasony.
- "…Fa aiza aho izao?"
- "Aty amin’ny hopitaly ianao fa aza mbola miteny mafy aloha Mihary an!"
Tsy niteny i Mihary, ny masony no nahirany nijery ny manodidina. Tsapany ny hafanan’ny tanan’i Hery nanotra malefaka ny sandriny.
Raha sendra nifanojo ny mason’izy roa, dia niraraka moramora ny ranomasony. Nifokofoko nitomany nefa nampanginin’i Hery tamin’ny safosafo sy tambitamby.
- "Mihary an! mbola vizana be ianao fa aza manao toa io e!
- "Hery an ! Tsy fantatro intsony izay nahazo ahy, tsaroako ho diso fanantenana tanteraka aho ary nahita ilay ranomasina mangeniheny dia niroboka tsy ampiheverana akory."
- "An, an, ry Mihary an ! aza alefa amin’izany intsony ny sainao fa mbola eto aho ary tsy handao anao mihitsy."
- "Hery an ! … Tsy fantatrao ny tena antony…" hoy i Mihary, nisento tokana izy sady nampikimpy ny masony tsy hijery intsony…
Toa fantsika niletra ny fon’i Hery izay teny farany izay. Teny nampitroatra ny nenina tany anatiny. Teny nikapoka sy nively ny sainy. Ary toa nipoipoitra nanodidina azy ny hadalàna rehetra nataony hatramin’izay. Tsy mandry mihitsy ny eritreriny, isaky ny mandefa sary ao an-tsainy dia tsy nisy afatsy zava-dratsy nataony no nameno ny fijeriny. Naka ilay seza fiandrasana marary izy dia nitoetra teo. Nanala izay sorisorin-tsainy nameno ny atidohany.
Afaka fotoana elaela dia resin-tory izy noho ny fahavizanana be nahazo azy.
_________________________________
Tsy hitan’i Hery akory fa nisy olona niditra tao an’efitry ny hopitaly. Tonga dia nandray ny vozon’akanjony no nibata sady nanipy azy tamin’ny tany. Tsy nahaetsika akory izy. Ilay olona misaron-tava, tsy fantatra na iza na iza. Vao nitsikasina tamin’ny tany dia nampiany daka mandrivorivo indray teo amin’ny kibony. Nanaintaina tsy nisy ohatr’izany ny fahatsapany azy.
Totohondry izany, tsy nanana hery intsony izy hiadiana fa tratry ny tampoka tsy maha-lehilahy. Vao niarina kely anefa izy dia notsetsefan’ilay olona totohondry mafy indray teo amin’ny tarehiny; nidaboka tamin’ny tany izy avy eo, sady mbola voadakadaka tsy nananan'ilay olona antra.
- "Fantatr’ialahy amin’izay hoe iza aho?"
- "Mifona re tompoko o ! mifona e !" hoy i Hery mitomany, ny tarehiny mivindimbindina sy mivoara-mena, ny vavany tsapany fa mivoa-dra.
- "Izao no anaovako an’ialahy rehefa tsy vanona. Mpamitaka sy mihevitra ny tenany ho tsy misy mpahita. Mbola aiza ny hanjo an’ialahy?"
- "Mifona sy mibaboka re tompoko o! aza ampijaliana aho re!"
- "Tsy misy an’izany leity an! Iny indray ny an’ialahy …" Sady nobatainy i Hery no nasiany totohondry farany ary natsikasiny teo ambany fandriana nisy an'i Mihary. Niezaka ny hiarina izy fa tsy nahavita. Izay mba hery kely tany anatiny tany no namikirany tamin’ny tongom-pandriana, niezaka mafy nitsangana nanakatra ny tanan’i Mihary.
Nihomehezan’ilay lehilahy fotsiny anefa izy fa tsy noraharahiany.
Mbola niezaka hatrany ny hitsangana ihany anefa i Hery. Ny masony amin’io efa mivindana mila tsy hahita intsony. Vao naharay ny tanan’i Mihary izy dia niantso vonjy taminy,
- "Mihary an ! Mihary an ! Misy manafika isika e, Vonjeo !" hoy i Hery tamin’ny feo reraka dia reraka.
Rehefa hitany fa tsy nandre azy mihitsy i Mihary fa renoky ny torimaso lalina dia nijery ilay lehilahy izy. Gaga i Hery, toa nofy ratsy izato mahazo azy. Ilay lehilahy etsy mbola mitsikanikany mijery azy sady nanala ilay saron-tava.
- "Ratrema marina ! loza ity." Ny hery am-pelantanana tsy misy intsony. Ilay tanany teo voakifika sady teha-maina mandrivorivo no nipetaka tamin’ny tarehiny.
- "Mihary an ! mifona e !" hoy i Hery mitomany ihany.
- "Hay izao no ataon’ialahy ? sao dia heverin’ilahy fa ekeko foana ny ditra ataon’ialahy?"
- "Tsia re tompoko o ! manina an’i Alexia foana aho rehefa tsy eo izy!" sady nidradradradra nitomany hatrany.
- "Iny ny an’ialahy," hoy i Ratrema ! "Ny zanako tsy azon’ialahy antsointsoina intsony raha mbola eto aho." Sady nomeny daka mandrivorivo indray tamin’ny takibany ary nampitsikasina an’i Hery. Lavo izy, nitsirara tamin’ny tany.
Hany heriny, niantsoantso :
- "Vonjeo aho Alexia an ! mifona tamin’ny nataoko anao rehetra e!"
Tsy nanana aina intsony i Hery fa fanina tsy nahatsiaro tena;
Raha tsy afaka fotoana elaela vao nisokatra ny masony. Ny taila fotsin’ny hopitaly no lasa ondana ipetrahan’ny firihifany. "Fa nanino aho? " hoy izy nanontany tena.
Tadiom-pitiavana ([email protected])
Na dia naniry ny handeha ho any Mahajanga mihitsy aza i Tahiana, hamonjy an’i Hery hitantaràny ny resaka nifanaovan’izy sy Malala. Dia ilay olon-kafa no voatery nandeha satria mbola misy asa izay tsy azony navela koa. Nalahelo izy fa naniry loatra ny hahita an’i Hery. Ny nahagaga anefa dia tsy sahy nanambara mihitsy tamin’i Lala ny nataon’izy roa izy, eny fa na dia ny nanavotany an’i Hery teny Ivato aza. Zava-dehibe loatra taminy anefa ny zava- niseho nandritra izay fotoana tsy naha-teto an-toerana an-dRatrema mianakavy izay ary tiany hijanona ho tsiambaratelo ho azy sy Hery samy irery.
Vao nigadona tany an-trano izy dia…, injay fa naneno ny findainy.
- “Allo Tahiana!”
- “Lala ! Manao ahoana indry?”
- “Tsara ka, tsy maninona mihitsy izahay aty, hatramin’izao aloha dia mbola mahazaka ny hatsiaka izy mianadahy kely. Tsy misy atahorana. Ary tsy dia entiko mivoaka ny trano loatra.”
- “Ary nanao ahoana anefa i Alexia?”
- “Efa mandroso miha-tsara koa izy ka. Mampisaotra an’Andriamanitra mihitsy.”
- “Hay, tsara izany!”
- “Eto aho akia vao mahatsiaro. Tamin’izaho ilay narary ilay nivadi-nono iny, tadidin-dry moa? Ny nahafantaran-dry hoe narary aho moa tsy i Hery ve? Tena hadinoko tokoa fa hay moa isika nifanena teny Ivato talohan’ny nandehananay. Dia tonga teny koa i Hery fa tena naharikoriko be ahy. Mamo, sady nila ady tamin-dRatrema. Noraofin’ny polisy izy avy eo. Nahita iny ve ndry?”
Nisalasala kely i Tahiana, tsy nahateny. Tiany tsy ho fantatr’i Malala ny fifaneraseran’izy sy Hery.
- “an ! Tsy hitako aloha e! tsy nahatsikaritra izay aho, sady vao nisaraka teo ange isika dia lasa aho tamin’iny e ! Fa maninona akia?”
- “Tsy haiko akia fa toa malahelo azy aho an! Tsy haiko mihitsy hoe maninona. Isaky ny manao firaisana aho na manafosafo ny tenako dia ohatran’ny tsy mahazo aina raha tsy mieritreritra azy, mieritreritra ny nataonay roa.
- “izany an!” hoy i Tahiana nihomehy.
- “Aza ihomehezan-dry aho fa tena izany mihitsy. Amiko akia ny fahitako ny atao hoe lehilahy « sexy » dia tahaka an’i Hery an ! Vao mahita azy fotsiny aho hatramin’ny voalohany dia te-hanao be taminy. Ohatran’ny miontana izany daholo ny any anatiko rehetra any te hitady azy. Ary rehefa tonga eo am-pandriana indry miaraka aminy dia tsy mahatsiaro izay ambonin’ny tany intsony fa tahaka ny mitsingevaeva eny amin’ny rahona sy ny habakabaka.
- “Ka izy koa ange soavaly voafantina e! Bandy ohatran’iny ve akia!”
- “Soavaly voafantina ahoana izany?”
- « Etalon » akia an! Ndry koa tsy mahazo resaka.
- “Marina izany!”
- “Fa izany eo ihany fa maninona anefa izy raha antsoin-dry e! angaha tsy ananandry ny laharan’ny findainy?”
- “Ka eo indrindra no tena olako. Tsy fantatro intsony izay nanjo azy, mety nogadrain’ny polisy angamba izy, na koa nivarilavo niboboka toaka. Tsy haiko intsony e! Matahotra koa aho ny hiantso azy. Vao miezaka ny mamerina ny laharany fotsiny aho dia efa midobodoboka ny foko. Manginy fotsiny raha sendra tafiditra famelan-kafatra eo dia hitaintaina tsy misy ohatr’izany. Ary indrindra moa fa raha sendra ny hoe « tsy miasa intsony io laharana io» dia hivadi-po eo indray aho. Rain-janako ange iny ry Tahiana e! Ary izahay rehetra ange sisa no mba azony ianteherana ! Ny raibeny sy ny renibeny any ambanivohitra lavitra any, tsy mahalala izay nataony any Antananarivo any akory. Ary ny tena loza dia Ratrema tsy te-hierika azy intsony
- “Dia ahoana nefa hoy i Alexia?”, hoy ihany i Tahiana manatsafa.
- “Misy tsy mazava amiko amin’izy roa! Tamin’i Alexia notsaboina tany amin’ny hopitaly, nitady foana an’i Hery. Izao indray izy anefa nilaza fa hijanona aty fa tsy hody intsony, hanohy fianarana. Ny fifankatiavan’izy roa sisa no mba hianteherako hahitàna an’i Hery. Tena miangavy aho akia an ! Raha mba sendra hitan-dry izy dia ilazao aho, ity ny azon-dry iantsoana ahy. Tena malahelo ange akia e ! Ary tsy malahelo fe malahelo fotsiny fa tena misy filàna tsy haiko tanana intsony.”
- “ Fa angaha indry tsy mahita hanaovana any e!”
- “Misy bandikely izay akia aty fa mbola votsavotsa be izy an ! Kilometatra maromaro no mbola hodinganiny vao tody amin’ny fahaizan’i Hery izy. Izaho aza mbola mampianatra azy. Nihevitra aho fa mba hanadinoako ny sorisoriko amin’i Hery no niarahako taminy, nefa vao mainka aza malahelo ilay tiako aho.”
- “ Dia inona anefa no tiandry lazaiko aminy raha hitako tampoka izy. Azoko atao ange ny mitady azy any am-piasàny e!”
- “Ilazao fotsiny izy fa malahelo mafy azy i Malala. Dia ampiasao ny fahaizan-dry mandangolango azy fa tsy ho resin-dry lahatra eo ve izy e! Dia mitandrema fa mitaintaina fatratra aho amin’izay niafaràny. Raha sendra hitan-dry izy nefa efa potika tanteraka na sanatria namono tena, tsy fantatro e! dia mba ilazao moramora aho fa aza tonga dia tairina. Izay Tahiana an!”
- “Eny ary e! tsy dia afaka hampanantena be aho fa ezahiko aloha ny hitady azy ao amin’ny orinasany; dia hitako eo. Izay ! Veloma ary Malala an ! Bisous be!”
...
Aza matahotra indry ry Malala fa azoko amin’ny fahalemen-dry amin’izay indry androany. Tanteraka eto amin’izay ny valifaty ataoko amin-dry. Ary efa am-polontaonany izay no niandrasako izao. Nandefitra foana aho fa ho hitan-dry amin’izay ny hijinja izay nataon-dry.
Valifaty tahak’izany no nisesika tao an-tsain’i Tahiana, ho vitany ve, ahoana no hanatanterahany ny sitrapony? vitany ve ny hampisaraka tanteraka an’i Hery amin’ny fianakavian-dRatrema. Hitako eo izay hataoko rahampitso, fa aleo aloha aho hatory hoy izy fa ny alina tsinona hono mitondra fisainana.
Noraisiny indray ny findainy. Nosokafany ny bokin-daharana tao dia nalefany ny antso. Natohony tamin’ny sofiny ny finday : naharitra elaela kely vao nisy nandray.
- “allo!”
- “allo!”
- “Hery? i Tahiana ihany.”
- “Tena miandry ny antsonao mihitsy aho io. Loza fa tena tratry fahasahiranana lehibe mihitsy aho. Efa niala any Tanà angaha ianao io?”
- “Fa ahoana?”
- “Rehefa tonga aty ianao dia miresaka tsara isika fa manahirana be ny mahazo ahy.”
- “Tena miala tsiny ry Hery fa olon-kafa no nirahin’ny farmasia nankany, fa izaho tsy maintsy mijanona.”
- “Tssss ! dia mbola manirery aty aho izany ! inona ary izao no hataoko?”
- “Fa ahoana ry Hery an!”
- “Aty amin’ny hopitaly aho izao! mbo…. Krkrrrr krrrk…..kkrrr “
- “Allo ! Hery ? allo…. ! kkrrr kkrr ppîîîîîp.”
Tapaka ny antso. Fa nisy inona. Naverin’i Tahiana indray. Tsy nahazo intsony. Fa ahoana? Vaky ny sainy ary taitra tampoka izy. Any amin’ny hopitaly i Hery! toa nisendoatra be ny fahenoany azy. Loza izany ! hoy izy fa misy inona ary?
---------------------
- “Fa aiza i Neny no tsy mbola tonga foana ry Profesora Mahefa? Isan’andro izy amin’ny 10 ora maraina fara fahatarany dia efa tonga mamangy ahy aty. Izao anefa jereo efa amin’ny 1 ora antoandro. Sao mba diso làlana ary izy ka very any. Ny laharan’ny findainy tsy mba nomeny akory, izy koa anefa tsy miantso.”
- “Aza manahy ianao Alexia a! Izaho niserana tany an-trano naka akanjo io maraina io dia tena mbola natory mihitsy izy. Izaho aza no niangaviany hanatitra ny ankizy.”
- “Fa naninona? Tsy mba fanaony mihitsy izany matory maraina izany, olona faran’izany mavitrika raha i Neny.”
- “Tsy haiko retsy a, mety naditra angamba ny ankizy ny alina tontolo, na koa reraky ny niantsena izy, dia mety nampian’ny hatsiaka ka malaina ny hitsangana eo am-pandriana. Tsy maintsy ho avy eo izy fa aza manahy ianao.”
Somary nangina i Mahefa toa lasa saina izany. Sarotra inoana tokoa ireo mety ho antony notantarainy an’i Alexia ireo. Nefa dia ireo no antony nolazain’i Malala taminy. Tsy mino i Alexia, maika moa fa i Profesora, izay nahatsikaritra trangan-javatra hafahafa raha niserana tany io maraina io? Fa inona tokoa ary no nitranga?
Vao maraina nangirandratsy i Tojo dia efa niainga hamonjy ny fodiany fa mbola hianatra koa avy eo. Maivamaivana ery ny famindrany, ny hatsiaka koa nampavitribitrika azy na dia zara raha nipoizin-tory aza izy. Naharitra ela tokoa ny faharetan’ny lalaon’izy sy i Malala iny alina iny. Avy eo mbola narahina resaka lavabe ifankahalalan’ny roa tonta bebe kokoa. Samy nitantara ny ambangovangom-piainany teo. I Tojo moa tsy dia mbola nisy nivaingana ho tantaraina afa-tsy ny olany teo anivon’ny ray aman-dreniny, ny fahombiazany tamin’ny fianarany, ny karazam-pitadiavam-bola efa nosedrainy. I Malala indray somary nitantara ny tantaran-tokatranony, indrindra indrindra ny amin’i Alexia, Vololona, Ratrema. Nolazainy koa fa i Mahefa no tena rain’i Alexia, saingy ampahafantarina azy izany amin’ny fotoana mahamety azy. Niangavy tamin’i Tojo izy noho izany mba tsy hamoaka izany na amin’iza na amin’iza aloha. I Tojo sy Alexia koa moa tsy mbola nifankafantatra rahateo. Tsy notononiny mihitsy kosa ny anaran’i Hery sy ny momba azy, eny fa na dia amin’ny maha fofombadin’i Alexia azy ihany aza. Tsy nitsangana teo am-pandriana mihitsy i Malala, nasainy nakaton’i Tojo mora fotsiny ny varavarana. Oroka mamy no nifanoloran’izy ireo ho mariky ny mandrapihaona. Dia iny izy nibonoka tanaty lamba mafana, nihodina kely dia renoka.
Mbola tao anaty torimaso tanteraka i Malala no niditra ny trano i Mahefa. Tsy mbola zatra i Malala hoy izy ka adinony ny nanidy ny varavarana, soa ihany fa mihidy ny any amin’ny farany ambany. Nijaikojaiko izy niditra tao andakozia nanao dite. Nino izy fa mbola natory daholo satria na hiakan-jaza iray aza tsy re. Olona faran’izay tia filaminanana raha i Mahefa, hany ka tsikariny avy hatrany ny fisavoritahan’ny seza tao amin’ny trano fihinanana, saingy ankizy moa no ampiantranoiny ka tsy dia nahoany loatra. Nisintona seza iray izy hipetrahany, nisotro ilay dite anomezana hafanana kely ny vatany, no sady nisaina ny mety ho fizotry ny tontolo androny. Somary niondrika ambany ny fijeriny, natopiny kely niankavia avy eo, hitany lambakely dentelle fotsifotsy indry etsy amin’ny tany. Noraisiny, nodinihiny akaiky, toa tsy madio, nohamboloiny, misy fofon-tsiranom-pitiavana. Gaga izy, nefa tsy te hamisavisa izay mety ho nitranga. Lasa nankany anefiny izy avy eo. Vao maika akory ny hatairany nahita an’i Malala nandry tamin’ny farafarany? Taitra koa i Malala fa toa nandindona azy ny fidiran’i Mahefa ny efitra. Sadaikatra avy hatrany izy satria tsaroany tampoka fa ny vatany anaty lamba mihanjaka tanteraka. Hitan’i Mahefa avy hatrany koa ny akanjomandriny eo amorontongom-pandriana. Tsy nanontany i Mahefa, moa i Malala nanesika hoe naditra ny ankizy alina …. I Mahefa koa tsy te hiditra lalina na dia nametra-panontaniana ihany aza izy tany antsainy tany.
Natahotra an’i Mahefa i Malala, fantany loatra ny maha-olon’ny moraly an’i Mahefa. Nanahy tanteraka izy sao ho rava ilay fomba nandraisan’i Mahefa azy hatramin’izay: tia rahavavy, tsara fitondran-tena, nahay nitaiza, fitondran-tena tsara no notahafin’i Alexia. Fantany fa tsy fahamendrehana ihany koa ny nanaovany firaisana tamin’olona teo ambony farafaran’ny Mahefa. Raha fantatry Mahefa hoy izy tany antsainy tany izay olona niaraka tamiko tato de asa fotsiny izay hanjo ahy.
Niangavy an’i Mahefa mba hanatitra ny ankizy izy nony avy eo fa hoe handeha metro hono izy hoany amin’ny hopitaly. Tsaroany ny fahatahoran’i Tojo an’i Mahefa, tsy misy hevitra hoy izy ny amin’i Tojo, mbola tsy lasa lavitra aho. Mbola azoko atao tsara mihitsy ny mihemotra. Nitopy tany amin’i Hery ny sainy, nanao ahoana tokoa izy any? Rehefa niheritreritra kely teo izy dia tapa-kevitra ny hiantso an’i Tahiana hanadihadiany izay nanjo an’i Hery.
- “Allo Tahiana!”
Tadiom-pitiavana (Madagasikara) [email protected] & Loulou (France) [email protected]
Raha dia sahirana tamin’ny nahazo azy tany Mahajanga i Hery, Ratrema kosa aty Antananarivo somokotra aok’izany miezaka mafy ny miavo-tena hanarenana ny orinasany. Tsy natory andro izy, tsy natory alina. Nivezivezy nanatona izay olom-pantany rehetra. Nifampiantso an-telefaona. Nitady hevitra hanarenana ny eo am-pelatanany.
Manakaiky ny Krismasy, ny taona efa hifarana. Tsy azo atao hoe mandeha, nefa tsy azo atao hoe mihisatra ihany koa ny varotra. Ny kely izay tombony ho lany hanefaina ny karama fahateloambinifolo volan’ny mpiasa. Very hevitra izy. Ny fananana efa lany tamin’ny fandoavana ny hetra. Tampoka taminy koa iny resaka iny ary ny loza dia tamin’ny fotoana tsy naha-teo azy no niantombohany. Tsy afaka ny hanome tsiny na iza na iza anefa izy. Na ireo mpitantana nametrahany fitokisana aza tsy afa-nanoatra noho ny antony maro tsy niafina taminy hatramin’izay.
Dia ahoana ny hilazàna amin-dry Malala sy Alexia hoe namidy tampoka ny trano tao Ivandry. Asa tokoa, fa raha mbola misy koa ny farany dia tsy ho foana akory ny fanantenako, hoy Ratrema tany anatiny tany. Mbola manana telo volana aho ary raha tratrako ao anatin’ny telo volana ny mamerina ny vola naloan’ilay namako nividy ny trano, miampy ny zana-bola efa nifanarahanay dia miverina amiko ihany izy io. Asa anefa, apetraka amin’Andriamanitra ny ho avy hoy izy nanohy ny teny ireriny anakampo.
Nisy hevitra nitsiry tampoka anefa tonga tao antsaina ary avy hatrany izy dia nandray ny findainy:
- “Allo ! …..Corine?”
- “Ratrema! Inona ny vaovao. Elaela indray ialahy tsy niantso ahy an! Ka ahoana ?”
- “Tss ! sahirana e! Fantatrao angamba fa tsy maintsy nandao tanindrazana kely aho teo fa narary mafy nalefa any Frantsa ilay vavimatoa.”
- “Dia nanao ahoana? ialahy letsy tsy niantso ahy mihitsy,” sady nanao feo niangoty ilay ramatoa.
-“Tsy maintsy nandeha aho ..., efa vita ny fandidiana sady mbola any ny reniny. Fa na izany aza…” Nisento tokana Ratrema… “sshhh”
-“Fa na izany aza ahoana Ratrema an! ialahy koa… Sao dia resaka tsy vita an-telefaona izany. Aleo mihitsy aho ho any amin’ialahy. Tsy mbola any Ankorondrano ialahy io?”
- “Ie ! izay mihitsy, tongava fa tsy vita eto ny resaka tiako hatao aminao.”
- “Resaka momba ny inona aloha e! sao dia adim-pianakaviana fa ialahy ange izao efa ho iray volana sy tapany tsy niantso ahy intsony, taorian’ilay isika nananona be iny e! Fa angaha tena nihitatra be tsy azo nalamina?”
-“Tss ! ianao koa ! tsy maninona ho’aho fa tongava fotsiny aty.”
- “ Eny ary e ! ho avy any aho izao dia izao fa aza matahotra.”
Tsy hitan-dRatrema intsony izay azony natao, i Corine angamba no fanantenana mety ahitany vahaolana amin’izao mianjady aminy izao. Fantany tsara ny fomba fiharian’i Corine, vehivavy mahay manao afera ikoizana ary tena sahisahy manao zavatra. Tena hainy ny mandangolango ary anisan’ny babony tamin’izany i Ratrema tamin’ny fotoana tsy nampoiziny.
Loza koa iny resaka iny, zara aza voalamina fa raha tsy izany, hoy i Ratrema toa miteny irery anaty nony avy eo. Atao ahoana fa mijinja izay nafafiny avokoa ny rehetra. Ity tokoa hoy izy no tonga amin’ilay fitenenana hoe « izay mamafy rivotra hijinja tadio». Tsy maintsy mitraka anefa aho, hoy ihany izy nankahery tena fa ny fiainana tsy maintsy mitohy. Olombelona mandia tany aho ary tsy maintsy solafaka fa ny fihezahako mitraka ary mibanjina ny ho avy no fanoitra lehibe hoentiko misedra izao fahasahiranana goavana mianjady amiko izao.
Tsy ela taorian’izay, Naneno ny telefona teo anoloan'i Ratrema. Tsy iza akory no niantso tao fa i Mme Sahondra, mpitan-tsoratrany ihany nilaza fa efa tonga ao i Mme Corine. - " Ampandrosoy avy hatrany izy" hoy i Ratrema dondona ery. Tsy ampy iray minitra monja taorian'izay, injay fa nisy nandondona tao am-baravarana. Nitsangana izy namoha ary indro i Corine mitsiky sady nanolo-tanana azy.
- “Mandrosoa!” hoy Ratrema sady nifanolotra takolaka teo izy ireo dia niditra tao amin'ny biraony.
Akanjo mihaja sady raitra no nanaovan’i Corine, tena manendrika azy tanteraka. Vehivavy bikana sy tsara tarehy koa moa izy ka dia tena nahafinaritra ny nitombana azy. Ananany rahateo ny vola ka azony avokoa izay karazan’akanjo lafo vidy tiany ho vidiana. Manginy fotsiny ny fandehanana miampita ranomasina sy ny fanamboarana tarehy. Mora aminy ny maka izay tiany halaina sy misarika izay tiany hanaraka azy.
Nakaton’i Ratrema ny varavarana ary dia samy naka toerana izy ireo.
- “Dia ahoana letsy Ratrema ! Inona indray izao olana tsy hain’ialahy vahàna izao e!”
- “Sshhh ! Tena olana goavana, ary tsy resaka ara-pianakaviana araka ny noheverinao azy teo!”
- “Olana inona ary izany e!”
- “Banky ry Corine ny orinasako an! Voatery tsy maintsy namidiko ny fanananako, resaka Bianco no niantombohany. Lasa tsy ampy intsony ny vola hanakaramàna ny mpiasa nefa ny andro ity efa akaiky Krismasy.”
- “Le aza! Efa nampitandrina an’ialahy aho ange letsy tamin’io resaka io e! Fa ialahy nihevitra fa akaiky ny filoham-pirenena nefa mila mitandrina fa tsy afaka hanavotra an’ialahy izy raha vao tratra eo.”
- “Olana goavana le izy ry Corine an! Ny ankizy izao tsy misy mahalala akory fa efa namidiko ny trano tany Ivandry. Dia tsy maintsy hiditra eo amin’izay ny resaka olana ara-pianakaviana.”
- “Dia inona letsy no azoko atao amin’izany?”
- “Niantso anao aho fa misy mangirana kely ihany araka ny nieritreretako azy. Manana telo volana aho mantsy hamerenako ny volan’ilay olona nividy ny tranonay. I Rafenomanana letsy ilay izy an! Tsy ny tontalin’ny vidin-trano rehetra anefa no nomeny fa izay tena nilaiko ihany, izy koa mbola tsy ampy ny tany aminy. Ka raha toa ka voaveriko alohan’izay ny vola rehetra sy ny zanabola dia ho avotro ihany ny tranoko. Izay no nahatonga ahy tsy nilaza tamin-dry Malala aloha.”
- “Gaigy be izany an, nefa misy mahamarina azy ihany ny an’ialahy. Fa na izany aza, ny trano nahalehibeazana ny ankizy letsy tsy fanao mihitsy ny mivarotra azy raha tsy ifampieràna an!”
- “Ka izay ilay afera eh! Rehefa tratra dia manefa. I Alexia moa amin’izao mbola marary any an-dafy ka tsy sahy manakotaba an’dry zareo amin’ity resaka ity mihitsy aho aloha amin’izao fa sao dia vao maika hanahirana eo.”
Gina samy tsy nisy nahateny aloha izy roa nandritra ny fotoana vitsy. Toa samy miady saina lalina amin’izay hevitra tokony hatao. Ny tanan-dRatrema no nalefany nankany aoriana hanotra ny hatony. Nahita izany i Corine dia nitsangana koa, niodina nanatona azy sady nanampy otra malefaka ny sorony.
Naka aina Ratrema. Tsaroany fa raha i Malala no nanao azy tahaka izao dia mety hampitony bebe kokoa ny fanaintainany. Any amin’ny amanarivorivony kilometatra any anefa no misy ilay Malalany. Tsapany ny hafanan’ny tarehin’i Corine manatona ny lohany, manoroka ny tarehiny. Ary avy ao aoriana ao manakatra ny molony. Somary niala kely izy.
- “Corine an ! tena miala tsiny aho fa tsy amin’izany intsony ny saiko ! Aza tsiny re fa mety hanahirana indray e!”
- “Ratrema an ! izaho tonga eto hanala izay sorisorim-piainana mianjady amin’ialahy na dia amin’ny ampahany fotsiny aza.” Tahaka ny notazominy ny lohan-dRatrema dia notakariny moramora ny molony. Ny tanany roa midiny hatrany hanafosafo ny tratrany…
Tadiom-pitiavana ([email protected])
Latsa-dranomaso i Hery, ny tanany manindritsindry ny tratran’i Mihary mafy dia mafy, averiny indray ny fanohofana ny vavany, nataony izay fara-heriny.
Ny olona tonga miha-maro hatrany mijery azy. Izy mitabataba miantsoantso:
- “Mihary ! Mihary ! Fa maninona ianao no manao toy izao?”
Nopotsipotseriny, nohozongozoniny, nareniny dia nampatoriany indray.
Zara raha mitempo ny fony, ny masony nosokafana efa manomboka milentika tratran’ny ranomasina, ny hatsiaka manenika ny vatany.
Nidradradradra nitomany i Hery. Mila ho lasa adala.
Nanenina fa kilalao no niheverany ny fitiavana nifanaovany tamin’i Mihary kanjo, noraisin’ity farany anatin’ny fo. Ny nenina tokoa tsy ao aloha hananatra fa ao aoriana handatsa. Nidaboka teo ambony fasika izy rehefa hitany fa tsy misy azony hatao intsony, ny ranomasony no nipatrapatraka, ary ny feony nidradradradra toy ny ankizy kely nilaozan-dreniny ireny.
__________________________________________
Zavona tsy hita noanoa no manenika ny tontolony. Tsy misy hitany akory na dia ny roa metatra manoloana azy aza fa ny andalan-tohatra fotsiny no hitany eo ambany masony. Isaky ny mamindra izy dia tsy hita ny zana-tohatra nodiaviny teo, ary fotoana fohy monja dia nifanehitra tamin’ny varavarana lehibe izay nisokatra ho azy izy. Hazavàna misandratra no tazany, niditra, ary saha mahafinaritra mbola tsy fahitany no tazany mamirapiratra eo anoloany.
Nijery ny manodidina anefa izy fa toa tsy nisy olona, siotsiokam-boronkely mahafinaritra, andro tony dia tony, hanitra mahatamana no manenika ny tontolo. Ny ahitra maitso mavana aok’izany. Izao angamba no atao hoe: paradisa hoy izy. Namonjy nipetraka izy sady nandinika ny tontolo mahafinaritra loatra manodidina azy.
Tampoka, somary nisy rivotra nitsoka mafimafy avy ao aoriany. Nitodika izy, tadio arahin-drahona fotsy no nanoloana azy. Tao anatiny tao nisy olona iray manao akanjo fotsy manjopiaka hatreo amin’ny hatony ka hatreny am-paladihany. Lehilahy tsara bika, tsara tarehy, nitsiky taminy. Najanony ilay tadio dia nanolotra ny tanany izy hampitsangana an’i Mihary.
- “Tonga soa eto ianao ry Mihary,” hoy ilay lehilahy.
- “Manao ahoana ianao tompoko,” hoy i Mihary, “fa iza moa ianao ary aiza aho izao?”
- “Ity toerana ity dia tsy voafaritra hatramin’izao, olona vitsy dia vitsy monja no afaka mandalo eto. Izahay ihany no manafatra azy ireo. « FITIAVANA » no anarako. Afaka maka endrika maro aho. TADIO no nosafidiako ho anarako androany satria izay no mifandraika amin’ny tantaranao.
- “Tantarako inona moa tompoko?”
Nipe-tanana fotsiny izy dia nisy horonan-taratasy feno sary nasehony an’i Mihary, toa ny indray mipi-maso dia nandalo teo aminy avokoa ny tantaram-piainany rehetra, ary tapitra teo amin’i Hery niezaka nanavotra azy, mikiakiaka sy midradradradra manoloana ny vatany efa tsy mahatsiaro tena intsony.
Tampoka, nilatsaka tsy hita intsony ny nanoloana azy, tahaka ny teo amoron-tevana izy sy ilay olona miendrika anjely.
- “Mihary, voafetra ny fotoana anananao. Manome safidy anao aho, ary fotoana fohy no anaovanao izany.”
- “Itsy ambany itsy ny tany izay nokasainao hialàna, ary efa nilaozanao mihitsy raha ny tena marina. Manjaka ao ny faharatsiana sy ny hadalana, ny fahoriana sy ny alahelo. Misy ao ihany koa anefa ireo mitàna ny marina sy manao izay hahatsara ny fiainana. Noho ny fisian’ireo olom-bitsy miezaka ny hanatsara hatrany io tontolo io no mbola tsy nandravan’Andriamanitra azy.
Itsy amin’ny ilany itsy kosa ny fanaintainana mandrakizay, any no misy ny tomany sy ny fikotroha-nify. Tsy manan-tsafidy ankoatr’ireo ianao. Ary tadidio fa raha te-hiverina eny ambonin’ny tany ianao, dia misy iraka tsy maintsy ampanaovina anao. Iraka faran’izay sarotra anefa izany ka diniho tsara:
- “Te-hijanona eto aho, Tompoko” hoy i Mihary.
- “Tsia, tsy azonao atao izany!” tamin’izay dia nihazakazaka tahaka ny rivotra ny fihintsan’ilay paradisa teo ary hantsana amoron-tevana no nitoeran’i Mihary. Nojereny ny tao aoriany efa tsy misy intsony, ilay afobe no hany sisa nanodidina azy.
- “Efa ho tapitra ny fotoana, hiverina eny an-tany aho sa tsia?” hoy i Mihary miady saina mafy.
- “Hiverina aho tompoko!”
Nanao teha-tanana fotsiny ilay lehilahy dia nihevaheva teny amin’ny rivotra i Mihary, foana tsy nisy intsony ilay paradisa teo. Tahaka ny nanonofy izy.
- “Ity ny iraka hampanaoviko anao! Jereo i Hery, zaza tokana irery izy, tsy nahita ny rainy akory. Fahadisoako ny nanaisotra ny reniny teo aminy. Ianao no hirahiko hanova ny fiainany. Ovay ny toetrany ho hendry. Anjaranao ny manoro ny làlana tokony halehany. Mety ho mora ny fahitanao azy, nefa eny am-pandrasàna eny ianao no hahitanao ny hamafiny. Ary farany dia tsy azonao tantaraina na amin’iza na iza izao nitranga taminao izao fa hitarika fahafatesana tampoka ho anao izany, ary tsy handalo amin’ilay toerana teo intsony ianao fa tonga dia any amin’itsy afobe tsy mety maty itsy.”
Tampoka, natsindriny ny tratran’i Mihary ny fanondrony, tahaka ny nisy herin’aratra tampoka nandalo teo an-tratrany teo. Iny herin’aratra iny no nanosika azy hianjera ary avy hatrany dia nisidisidina nilatsaka niverina teto antany. Fotoana vitsy dia…
____________________________________
Tsy aritry i Hery intsony fa niverina teo ambonin’i Mihary indray izy! naveriny avokoa ny tsindritsindry teo amin’ny tratran’i Mihary, very fanatenana ny lehilahy, ny ranomasony mameno ny tavany. Hany heriny farany: nodarohany tamin’ny tanany roa ny tratran’i Mihary, nisy rano nivoaka teo amin’ny vavany, nikohoka tampoka i Mihary sady toa niezaka ny hiarina. Noraisin’i Hery ny lohany, nareniny sady notatazany avy ao amin’ny lamosiny. Nikohoka fanindroany i Mihary sady toa nanala ny rano mbola tany an-tendany. Nangovitra ny ratsam-batany rehetra. Nalain’i Hery ilay akanjo maina nentiny teo ary nisy ilay lehiben’ny hotely koa nitondra bodofotsy manify natafiny an’i Mihary.
Horakoraka ny an’ny rehetra. Nisy ny nitehatehaka. Hafaliana ny an’ny olona nanatrika.
Efa naharitra ho 7 minitra angamba ny fameloman’aina teo. Nahoraka eraky ny hotely ilay loza teo fa feno olona eraky ny sisin-dranomasina.
- “Mihary an ! aza mandao ahy ianao!” hoy i Hery;
Tsy nahateny mihitsy i Mihary, ny hatsiaka no tsapany nanenika ny vatany, ny fangirifirian’ny masony mbola tsy nahitàny na inona na inona, tahaka ny manako aminy ny tenin’ny olona fa feno rano ny sofiny. Tsapany fotsiny i Hery mamihina azy mafy ary nibata azy teo ambony filanjàna.
Angamba tsy nisy olona intsony tao amin’ny hotely fa dia nitanjozotra nanodidina an’i Mihary sy Hery avokoa izao karazan’olona rehetra izao. Efa tonga avokoa moa ny mpiala sasatra ka nahoraka eran’ny tanàna ity zava-nitranga. Ireny ny olona mitondra fanilo samihafa manaraka ny lalan-kely mitondra any amin’ny hotely.
Nampidirina tao an’efitra aloha i Mihary, nisy dokotera tonga koa teo ary fantany tsara i Mihary. Izy no nikarakara azy, ary tsy niala teo anilany mihitsy i Hery na dia iray minitra aza.
Afaka fotoana vitsy dia niditra tao an’efitra ny lehiben’ny hotely, nilaza tamin’i Hery fa efa vonona ny fiara hitondra an’i Mihary any amin’ny Hopitaly.
Nasain’ilay dokotera niomana i Hery, hisolo ny akanjony, ary hiaraka aminy any amin’ny hopitaly. Nihazakazaka aok’izany izy nankao amin’ny efitranony, nanamaina ny lohany sady nisolo akanjo hafa. Naka izay akanjo tokony hilain’i Mihary ihany koa ary vetivety dia niverina tao amin’ilay efitra mafana nisy an’i Mihary.
Minitra vitsivitsy taorian’izay, iny izy ireo niakatra ny làlana mankany amin’ny hopitaly tao Androva. Samy tsy nisy niteny anefa ny rehetra na dia hita taratra teny amin’ny endriky ny tsirairay aza ny hafaliana fa avotra ihany ihany ity tovovavy nanoloana azy ireo.
Tadiom-pitiavana ([email protected])
Fa inona marina ny olan-dRatrema tamin’izy tonga taty Antananarivo.
Rehefa vitan-dRatrema ny nijery ny antontan’isa marobe mikasika ny fampandehanana ny orinasany dia nampiantso ireo mpiara-miasa akaiky eo ambany fifehezany izy. Fanapahan-kevitra goavana tsy maintsy atao maika ny ifampidinihana.
Vory ireo tale rehetra, fotoana tsy nampoizina rahateo, samy nanao ny tatitra ny tsirairay, hita fa misy fahabangàna goavana eo anivon’ny orinasa, ny hetra anefa tsy maintsy aloha fa mety hitarika hatramin’ny fanakatonana ny orinasa ny tsy fandoavana izany. Very hevitra ny rehetra. Hindram-bola amin’ny banky, ny fananan’ny orinasa rehetra efa tapitra nanaovana antoka avokoa, ny petra-bola efa kely sisa no eo ampelan-tanana, nampian’ny fiantohana ny dian-dRatrema sy ny fianakaviany tany ampitan-dranomasina ihany koa.
Hany hevitra hita farany dia ny hiroso amin’ny findramam-bola hafa indray ary tsy maintsy ny tranon-dRatrema no natao antoka.
Nantsoina ny banky. Tsy nanaiky intsony anefa ry zareo satria efa tena idiran-trosa be loatra ny orinasa, ny varotra anefa toa tsy dia mandeha.
Nantsoiny avokoa ny olom-patany rehetra, nefa tsy sahy niditra satria efa olana goavana no mianjady amin-dRatrema. Tsy misy sahy hifanehitra amin’ity resaka Bianco efa mananontanina ity. Hany sisa heriny dia ny hivarotra ny fananany.
Te-hiala amin’izay resaka izay Ratrema nefa voatery. Raha tsy izany dia hitambesatra aminy avokoa ny fikatonan’ny orinasany efa nandaniany ny fiainany hatramin’ny fahatanorany. Hamidiny ary ny ranony eny Ivandry.
Io no hany sisa tsy nataony antoka na taiza na taiza.
Nantsoiny avy eo ilay olona efa nandrokiroky azy fotoana maromaro lasa izay amin’io tranony io fa nolaviny mafy satria mirakitra ny fiainany manontolo, ary tsy ny azy ihany fa na ny vady aman-janany koa aza. Somary latsa-dranomaso izy. Ny raharaha anefa tsy azony andrasana intsony;
Fotoana vitsivitsy taorian’izay dia tonga ilay olona efa nikasa mafy hividy ny tananan-dRatrema. Natao ny fifanarahana ary tsy maintsy tonga dia noraiketina maika satria ny fotoana efa isaina isan’ora fa mety hitarika hatramin’ny fanagadrana an-dRatrema mihitsy raha tsy mahita vola haingana dia haingana izy. Tsy vitany akory aza ny nanontany izay hevitry Malala sy Alexia fa tonga dia fanapahan-kevitra tsy azony idivirana intsony no norasiny. Latsa-dranomaso indray ny ranomasony ary dia tena onena azy ilay olona hividy ny tranony.
- “Tsy mampaninona,” hoy ilay mpividy, “fa mbola azonao hipetrahana mandritra ny telo volana aloha ny trano.”
- “Aza mbola ampahafantarina izao aloha ny vady aman-janako fa mety tsy ho tantiny any an-tanin’olona any izao mitranga aty izao.” Dia nifanaraka tsara izy roalahy, sady olona mifanaja tsara rahateo moa, fa dia samy hitazona ny tsiambaratelo na dia amin’ny mpiasa faran’izay hitokisana indrindra aza.
Kivy Ratrema, ny tanànany izay tsy foiny indrindra, ary tsy nanaovany antoka na taiza na taiza no voatery hamidiny amin’ny fotoana tsy azony nanoharana.
Izay tokoa ilay manao afera. Mivadibadika. Indraindray avo, indraindray iva. Boribory tokoa ny tany, ny ambony mety ho ambany, ny ambany mety ho lasa ambony. Tsy hitany intsony izay hotenenina, fa dia niady mafy ny sainy ambara-pahatongany tao an-tranony izay tsy maintsy hilaozany afaka volana vitsy ihany.
Hataoko ahoana ny hampilaza izao amin’i Malala, sy Alexia ? hoy izy niady saina samy irery teo.
………………………………… Fa tany Mahajanga:
Ilay fahatairany teo no nampiarina an’i Mihary, nitsangana izy, nisintona ilay lamba manify teo ary natafiny ny vatany efa somary tera-tsemboka. Lasa niala teo namonjy ny efitra fandroana.
Nipetraka teo ambonin’ny taila mangatsiaka tao izy ary nanomboka latsa-dranomaso. Nifokofoko, nitomany nigogogogo irery tao, nihodina taminy ny tany aman-danitra. Ny lohany no natohony teo ambony lohalika nisedra ny fitarainany. Fitarainana miharo fahadisoam-panantenana tsy roa aman-tany.
Tampoka nitsangana izy nandray ny akanjony ary nampiditra izany.
Reny fa nisy nandondona ny varavarana, fa tsy novaliany. I Hery io, ary tsy tiany ho hita intsony aza.
Novoahainy tampoka ny varavarana ary nihazakazaka izy nivoaka ny efitrano sy ny hotely. I Hery tsy sahy nivoaka akory fa silipy kely monja no teny aminy.
Lasa i Mihary, lasa nihazakazaka tsy tanan’iza na iza amin’ity andro alina efa maizimaizina.
Nikoropaka i Hery, zara raha mahafantatra ny tanànan’i Mahajanga i Mihary nefa lasa nivoaka tsy fantatra akory izay nalehany.
Nampidiriny ny akanjony, nivadika tao amin’ny efitranony izy nitady jiro fitsilovana sy akanjo mafàna ary nahatsiaro nenina tsy roa aman-tany ihany koa tamin’ilay teny nataony teo. Ny fony efa mitempotempo mafy, mila tsy arany intsony, izy natahotra fadiranovana amin’ny nalehan’i Mihary.
Nivoaka ny hotely izy, nanontany izay olona nifanena taminy raha nahita vehivavy nihazakazaka.
Ilay mpiambina ny vavahadin’ny hotely no nilaza fa nanaraka ny lalana nankany amoron-dranomasina ilay vehivavy teo… Tsy hitan’i Hery izay natao fa nihazakazaka ihany koa izy nanara-dia ny làlan’i Mihary.
Ny sainy tsy mitombina intsony. Nanahy ny afitsoky ny ho avy toa maizina tanteraka aminy.
- “Aza hitako ka hiafara amin’ny … aza hitako marina e ! Loza izany ! loza iray, loza roa fa ny valiny no tena loza. Aza hitako.” Hoy izy nitebiteby fatratra.
Efa mila ho sempotra i Hery vao tonga teny amoron-dranomasina. Toerana tsy dia lavitra akory ny misy ilay hotely nefa ny tahotra nameno ny sainy mila hanefika azy. Tora-pasika haolo tsy misy tamingan’olona intsony no hitany tsilovin’ny hazavan’ny volana. Ny fitopatopan’ny ranomasina no mba feo re teny amin’ny tora-pasika. Nojereny ny manodidina azy, tsy nisy na inona na inona. Lakana mihoaka no hany mba tazany, ny andro rahateo maizina ary ilay fanilo keliny no natsilotsilony ny onjan-drano sao dia hitany eny ihany i Mihary.
Tampoka, nisy lohan’olona tazany kely ery lavidavitra anaty rano ery, miroso amin’ny lalindalina hatrany. Nikoropaka i Hery, taitra sy natahotra, navelany tamin’ny tany izay teny an-tanany rehetra ary nihazakazaka izay tsy izy namonjy ilay olona efa niroboka lalina tao anaty ranomasina.
Loza ity, hoy izy tany an-tsainy tany, ny onjan-drano nampihisatra ny fihazakazahany nefa nanao ezaka tsy omby tratra izy nitady ilay olona efa ny volony sisa no nitsingevana anaty rano. Ny onja madinika koa nanositosika azy fa tratrany ihany ary nobedainy ary niezaka izy niverina moramora teny amoron-drano nisarika ilay olona tamin’ny sandriny.
Tsy fantatra intsony na iza na iza fa ny hamonjy aina no masaka tao an-tsainy. Ity hovonjena efa tsy mahatsiaro tena intsony, soa fa manam-batana tomady sy tena mahay milomano ity Hery ity fa raha tsy izany efa fefiky ny onja teo koa angamba.
Tonga teny amin’ny tora-pasika ihany izy ny farany. Fantany amin’izay fa i Mihary io novonjeny io, nefa Mihary efa tsy mahatsiaro tena intsony…
Loza inona ity ! Very aho marina ! Fa inona ity nataoko?
Indreny fa nisy olon-kafa tonga nahita azy ireo teo ambony fasika, norina ny tratran’i Mihary, natao daholo izay azo natao ! notohofana ny vavany saingy…
----------------------
Vao avy niresaka naharitra tamin’i Tahiana i Malala, dia injao naneno ny famantarana fa nahazo hafatra ny findainy. Gagagaga ihany izy satria ny finday vaovao ka tsy mbola tokony hisy hahalala ny laharany. “ Niantso aho fa occupé. Antsoy aho raha mety. Tojo” izay no nisoratra teo. Niontana iray ihany ny fon’i Malala. Poatoa izay dia efa voatsindry ny laharana rehetra. Mbola nanontany naka toky tsara ny amin’i Mahefa ihany anefa i Tojo sao, hono manao tampody tampoka sady narahiny ny hoe:
- “Tsy nieritreritra ny ho avy intsony aho fa efa tara be, saingy toa nahatsiaro ny tsikinao sy ny hatsaram-bikanao aho dia tsy aritro dia naleoko niantso ihany.”
- “Aiiy! Tojo koa,” hoy i Malala mody nandà nefa sady nankasitraka.
- “Tena marina anie izany ry Malala e! mahafatifaty be ahy ianao saingy somary natahotra aho. Izao afaka ny tahotro sady tsy raharahiko e! Manina anao tanteraka aho.”
- “Tongava aty ahitako izany tsy mahatahotra izany e!” hoy i Malala sady mody nivazivazy nefa tena tsy andriny izay fotoana ahatongavan’i Tojo.
Toa nikoropaka tampoka izy, namboarimboariny ny molony, ny volony… tampoka teo anefa naneno sahady ny kiriokan’ny varavarana lehibe iraisana any ambany izy. “... sahady ve?” hoy izy nanontany. Tsy nisy namaly anefa. Afaka segondra vitsy dia nisy nandondona mora ny varavarany, taitra izy, i Mahefa ve izany? Tsia an! Dia ahoana? Nahilany mora ny varavarana, tosika somary mafy avy any ivelany anefa no nitsena azy, avy hatrany dia oroka tsy nifankahitana no nitsenan’i Tojo azy. Nampiakatra avy hatrany ny tsirim-pientanana tao anatin’i Malala ihany koa ny fahitana fa i Tojo no tao. Ankilany saika hanosika azy ihany ny tananany hoe aleo handeha miadana noho ny henatra kely nananany sao dia hoheverin’i Tojo fa dia tsy mahari-boa-kena eo tokoa, andaniny anefa, te hiroso haingana avy hatrany koa izy sao ho tonga tampoka i Mahefa, ka tsy ho vita izay tiany hatao.
Nahankin’i Tojo tamin’ny rindrin’ny lalantsara izy, nosarihiny hiakatra ilay akanjo mandry malama tohitena hatreo amin’ny lohalika teny amin’i Malala. Sady nosafosafoiny no nopondipondesiny ny fitombenan’i Malala roa, izy amin’io sady mitringa mba ahatakarany ny vavan’i Tojo, ity farany indray somary manondrika kely ny lohany. Nahankin’i Tojo taminy avy eo ny azy, somary notereny tamin’ny rindrina aza, nakasokasony sy nodiliridiliriny teo. Na dia henon’i Malala ho narary azy aza ny fikasokasokin’ny vy ny fehikibo tamin’ny kibony dia toa tsy nampaninona azy izany. Tsapany koa ny fidiridirin’ny filahian’i Tojo efa tena mila azy fatratra. Ningainy hisadika amin’ny valahan’i Tojo avy eo ny tongony havanana, ny tanany etsy namikitra tamin’ny sorony, ny vavan’izy roa ery ambony mbola mifampitohoka lalina, toa mifampikarokaroka foto-dela hatrany. Notakarin’i Tojo tamin’ny tanany avy ao aoriana ny zohim-pahafinaretan’i Malala izay efa notsiririrtiny fatratra. Somary natosiny ilay tady kely teo anelakelam-peny. Efa rakotry ny hamandoana tanteraka i Malala. Vao nahakasika ny azy i Tojo dia namihina mafy tampoka ny tanany tery ambony, vao maika moa natsofony lalina tany ny rantsan-tanany roa, naveziveziny tao, nahankiny tamin’i soron’i Tojo ny lohany, sady narahiny fisefoana miangoty makany ny tsirom-pahafinaretany tsy nisy ohatran’izany. Nifampijery kely izy roa nony avy eo sady nifanankalo tsiky. Tsy naharitra intsony i Malala fa tonga dia natosiny moramora i Tojo hamonjy ny varavarana iray hiditra ao an’efitr’i Mahefa. Somary sadaikatra ihany i Tojo, toa nanohitra ny vatany sady nosarihany ho ao an-dakozia i Malala. Nobatainy ity farany nony avy eo ary dia natombony teo ambonin’ny latabatra fihinanana. Saika hanakatra hamaha ny patalohany amin’izay i Malala nefa… natosiny handry tsimoramora, sady nifanorokoroka ihany izy roa. Avy eo i Tojo nidina moramora nanoroka ny tendany, somary nokaikikakeriny malefaka tamin’ny nify mihitsy aza. Nanaitaitra ny tsirim-panentanana tany anatiny tany ny halandilandy sy ny hanitra navoakan’ny hoditry i Malala. Ningain’i Malala ny fitombenany ary dia nalaky koa ny nanesoran’i Tojo ilay takokenatra teny aminy. Novelarin’i Malala ny feny nony avy eo. Nampiakarin’i Tojo haingana ilay akanjomandry maivana hoe eo amin’ny soroky Malala. Namonjy avy hatrany ny nonony indray avy eo ny tanany roa sady nanafosafo azy, ny vavany mitohoka eo afovoany, nampidininy namaky ny tratra’i Malala, nandalo ny ny kibony. Toa ela loatra ny fahatsapan’i Malala ny hetsiky Tojo ka dia natosiny tamin’ny tanany hidina ambanimbany malaky kokoa ny lohan’i Tojo. Dia ravo ninononono teo tokoa ny anao lahy. Ny feo avoakan’ny lelan’i Tojo mikasoka ny zohim-pahafinaretan’i Malala izay mando tsy nisy ohatran’izany sy ny sento arahin-kiaka sy monomonona mitaraina malefaka mipololotra ny vavan’i Malala no hany sisa re tsindraindray nandrava ny fahanginana tao andakozia:
- “tsara be leitsy a!................................. tsara!.......................tiako be izany……………….izany ataon’ialahy izany,…………zany………ay………….eo……………. aan!....................aaannn!.......................aaaannnnn!” Tonga tany amin’ny lafatra ny anao vavy. Nitraka i Tojo nony avy eo, nizaha ny endriky i Malala toa vizana tanteraka nefa tsy niasa firy akory. Nitsiky i Malala sady somary nolelafiny ny molony. Niariana faingana izy raha vao hitany ho namaha ny fehikibony i Tojo. Natosiny somary hihataka azy. Niala teo ambonin’ilay latabatra nisy azy izy dia namonjy nandohalika teo anoloan’ity vao avy nanome azy ny fahasambarana sady nanampy azy hamaha ireto bokotra efatra somary saotra novohana. Vao maika koa nananosarotra ny famahana azy anefa ny fihenjanan’ny filahian’i Tojo tao anatiny. Toa tsapan’i Malala ery izato angezany. Vao tafavoaka tao koa moa izy dia tonga dia nihinjitra nisompirana, toa nifanandrify avy hatrany tamin’ny vavan’i Malala. Raha iny Malala mbola nibika azy fatratra iny, dia … noraisin’i Tojo ny hatony, somary narosony ny lohany, moa izy koa nampandroso ny filahiany. Noleladelafin’i Malala tsara teo aloha ny an’ity farany mba ho vonton’ny hamandoana dia nampiharany ny fahaiza-manaony teo nony avy eo. Nosokafany molony ary dia nampidiriny moramora hatrany amin’ny faran’izay lalina ny an’ny Tojo...
Nigohan’i Malala avokoa izay tsiranoka rehetra nivoaka teo. Tsapany tokoa ny mbola maha tanora sy ny tsy maha-be vehivavy an’i Tojo, efa ho in-dimy nitelina izy vao nitsahatra ny fitsitratsitran’ny ranon’aina nivoaka tamin’ity tovolahy nanome fahafinaretana azy. Tamin’i Ratrema vadiny, sy i Hery sakaizany no nampitahany azy. Tena mbola tanora loatra tokoa i Tojo, raha eo amin’ny sehatry ny fitiavana. Tsikaritry Malala fa mbola tsy ampy ny traikefa ananany, eny fa na dia amin’ity izy somary maherihery setra sy maimaika aza. Toy izany koa ny mbola tsy nahaizany nitazona elaela ny tsy handehanan’ny tsirinainy. Na dia izany aza anefa tena nankafiziny, vaovao indray ity hoy izy. Toa vonona tampoka izany izy hampihatra ny fahaizany, hizara ny traikefa ananany, hampianatra an’i Tojo ny fahaiza-manaon’i Hery, ilay olona hany tena nahababo sy nahaketraka azy, mbola mahababo sy mahaketraka, ary mbola hahababo hahaketraka azy tanteraka, indrindra amin’ny fahaizany mitia.
Nitsangana izy, nifanorokoroka teo izy roa, nosarihin’i Malala ho any an’efitry Mahefa indray i Tojo. Tsy nandà intsony ity farany.
- “Tianao?” Hoy i Malala sady nanao fijery miangoty somary misompirana kely.
- “Tiako be,” hoy i Tojo
- “Dia mbola tianao?” Hoy indray izy sady nanala ny akanjomandry keliny.
Nahataitra azy avy hatrany indray ny fihetsiky Malala teo, nobedainy avy hatrany i Malala, saingy ity farany nanao hoe:
- “ Aleo aloha alako ny akanjonao e!” Nifanorokoroka indray izy roa. Nony niboridana tanteraka koa i Tojo dia nampandrian’i Malala tamin’ny farafara. Tsy ela, nihenjana be sahady indray ny filahian’ity tovolahy tanora. Nanindry tena anefa izy, niezaka ny niandry izay ho tohiny, i Malala mantsy no mitondra ny familiana. Nisafosafo tena teo anoloany teo aloha i Malala, avy eo niakatra hisoavaly azy avy eo ambony. Nanomboka nandroso nihemotra vetivety aloha i Malala dia najanony kely. Notohizany indray rehefa avy eo. Anjanony kely indray raha vao tsikariny fa ho tafakatra ambonimbony i Tojo.
- “Aza ajanona fa tohizo ka! kely sisa,” hoy i Tojo nony farany tsy naharitra. Nalefan’i Malala mafimafy amin’izay fa na izy aza efa nientana be ihany koa. Ny tanan’i Tojo koa manozongonzona ny fitombenany hanampy azy haingana amin’ny fivezivezena.
Tampotampoka teo:
- “Zay! zay! aah! Tianao? Tonga aho, tonga aho Malala a! hhmmm! aaahhh!” nibaradaka ilay tovolahy, toa tsy tadidiny intsony hoe aiza no misy azy. I Malala koa anefa etsy andaniny toa marenina tsy maheno izay fibedibedin’i Tojo any akory fa namovokovoka mafy nitady ny fahafinaretana ho azy. Tsy ela akory:
- “aaaahhhh........ aahh....ahhhhouuiiiiiiiiiiiiiiiiiiiii.” sady nilofika nankany aoriana ny lohany” Nahatsiaro lafatra loatra ny tenany iray manontolo.
Tadiom-pitiavana (Madagasikara) [email protected] & Loulou (France) [email protected]
Dia ahoana ! Dia inona no hataoko? Hoy i Hery tany an-tsainy tany. Ny fivezivezena manginy fotsiny, mandalo amin’ny sampan-draharahan’ny fanan-tany, ny biraom-panjakàna samihafa; mila tsy ho zakany intsony ny manodina ny familiana fiara fa ny sainy nisangodina tamin’ny antson’i Tahiana teo.
- Matoa i Malala hatramin’izay tsy niantso ahy, misy antony ao. Tena mafy tamin-dry zareo ilay teny Ivato. Ary matoa koa i Alexia tsy niatso ahy, mbola mangidy taminy ny nitranga taminay ilay nihaonanay farany. Ka i Ratrema indray ve, tsy vao mainka ompa vary raraka sy eson-teny angamba no azo eo!
Fa dia nahoana loatra ny fiainako no toy izao. Tiako loatra i Alexia. Ary tsy misy olona haiko hatakaloko azy. Dia nefa ireto zavatra nataoko. Tsy mahatan-damba fa tahaka ny milina tsindriana bokotra dia roboka. Roboka aiza? roboka anaty maimbo; tena loza letsy ity mahazo an’ialahy Ra-Hery. Dia mety ho marina tokoa ve ny hevitr’i Mihary! Ka tsy loza an!
Ity izy manao andrana ny fiainako koa no tena loza. Tahaka ireny zavatra fanaovana fanandramana anaty labôratoara ireny koa aho. Nasainy niara-nivavaka taminy tamin’ny alahady. Lazainy fa ny tarehy ratsy aza hono, izao efa misy mahay manova ho tsara, ka ny toetra indray ve.
Dia nazavainy teo izao toetran’i Mama izao, fa raha ny fahitany azy dia olona nahay niova toetra i Mama nefa tahaka ahy izao tamin’ny fahatanorany, ary izay làlana nizoran’i Mama izay no kendreny hanitsiana ahy.
Raha ny zavatra tsaroako hatramin’izay dia tsy nahita taratra ny hadalan’i Mama mihitsy aho. Nandàla fivavahana sy fihavanana, nitaiza ahy tamin’izany ary saika tsy nino mihitsy aho ilay hafatra farany noteneniny momba ny fiainany. Ary tsy miala ato an-tsaiko mihitsy ilay teniny farany hoe: ilay fitiavana nananan-drainao no atolory an’i Alexia.
Ary izay no anisan’ny antony tsy hahaizako manadino an’i Alexia, ary tsy izay ihany fa misy hery hafa manintona ahy aminy, ka rehefa manalavitra ahy izy dia mihenjana mila ho tapaka ilay tady vita fato-maty aminay roa.
Tsy gaga aho ny amin’ny ataon’i Mihary, izy dia tsy mba tia mianona amin’ny taranja iray fa dia hainy foana ny mampifangaro ny taranja hafa, fanaony tamin’izahay mbola niara-nianatra izany, eny fa na dia fahalalàna tsy mbola natao tany am-pianarana aza, hainy. Dia izy izao manana fahaizana manokana amin’ny fanananahana sy ny reny bevohoka izao nefa dia tsy misalasala akory mampihatra ny psykolojia amiko. Sahirana ialahy Ra-Hery raha iny no vadin’ialahy, lasa sehatra fanaovany fanandramana ialahy fa mila mitandrina!
............................................ Sendra nitsipalotra tamin’ny famantaran’ora ny mason’i Hery vao nahita fa tokony haka an’i Mihary izy fa efa vita izay ny famelabelarany. Famataran’ora nomen’i Alexia iny, iny no nanombohan’ny disadisa dia nitohy zavatra hafa indray. Soa fa teo i Tiana, ilay mifanoratra mailaka taminy tamin’ireny fotoana ireny nanoro hevitra azy izay tokony hataony. Saika hadinony marina fa tokony hijery ny mailaka izy kanefa aleony aloha tonga any Antananarivo.
Naviliny teo amin’ny lapan’ny tanàna ny fiarany ary i Mihary kay efa nijoro teo, tsy fantatra na efa ela na vao haingana.
Najanon’i Hery teo anoloany ny fiara, nidina ny tohatra i Mihary; tsy nitsiky, tsy niteny fa nipetraka.
- “Ho aiza isika?” Hoy i Hery.
- “Hody any amin’ny hotely ka ho aiza indray. Ssshhh! Aleo mody ka!”
Tsy nisy nifampiresaka intsony teny an-dalana fa ny vata fandraisam-peo no naneno moramora sy nisiotsioka ny feon-kira malefaka.
Azon’i Hery an-tsaina fa tsy dia nanjary tamin’izy roa loatra ity andro iray ity, izy koa tsy te-hanohy resaka an’i Mihary aloha fa ilay antso finday tamin’i Tahiana teo no namaky ny sainy. Nefa tsy maintsy hifampiresaka lava indray rehefa avy eo izao. Anaovan’i Mihary izao karazana fanontaniana izao...
Tonga tao amin’ny hotely, samy nandray ny efitranony avy izy ireo ary rehefa vita ny fandroana dia nankao amin’i Hery i Mihary, mitondra boky sy taratasy vonona hanao ny fanadihadiana.
Tsy nisy nanjary izay fanontaniany fa toa misangodina be ihany, tsy hitan’i Hery izay havaly, i Mihary toa lasam-borona hafahafa.
Farany, tsy aritr’i Hery intsony:
- “Mihary an! Fa misy inona aminao e! Angaha tsy nanjary ny andronao androany no toa be fanahiana sy lasalasa saina izany ianao?”
- “Sshhh!”
Natsipiny teo ambony latabatra ny peniny, sady nikentrona no nijery an’i Hery.
- “Misy zavatra tsy azoko mihitsy!” Hoy ihany izy.
- “Tsy azonao ahoana, tantarao e! Ny ahy koa ange tena vizaka mihitsy aho tamin’ny asa e! Nivezivezy tetsy sy teroa, nitetitety birao.”
- “Tsy azoko e! Tsy nandeha amin’ny laoniny ny famelabelarana nataoko androany,” hoy i Mihary, “nisy fanontaniana aza tsy voavaliko fa nisangodina tao an-tsaiko izay tokony ho valiny. Ary ny tena loza dia lasa ilay olanao foana no mibahana ato an-tsaiko.”
- “Fa ahoana?” Sady te-hanohy hatrany i Hery.
- “Shh! Aleo aloha hijanona eo ny resaka fa sady mila tsy ho tantiko intsony ny hafanàna aty;” sady nitsangana i Mihary no nandao an’i Hery ary lasa namonjy ny efitranony.
I Hery kosa, zarany aza, nefa toa variana izy tamin’ilay tenin’i Mihary farany. Tsy dia nanaitra azy fa ny antontan-taratasy rehetra nandaniany ny androatokon’androny no naveriny nalahatra sy novakiany tsara. Kanefa, toa tsy afaka ao an-tsainy ihany koa i Mihary, te-hanome tambitamby sy fahatoniam-po izany izy.
Farany tsy naharitra fa nivoaka dia nosokafany mora ny varavaran’efitr’i Mihary, tsy nihidy, novoahainy kely.
Indro i Mihary matory eo ambony fandriana, mitafy lambam-pandriana tokana, ny lohalika somary miforitra maka aina sy mila tsy hahatsiaro izay ambonin’ny tany.
Nanatona i Hery, nijaikojaiko sao manaitra ity Dokoterany.
Nobanjininy tsara: ilay lamba manify dia manify ary nanaraka ny rafitry ny vatan’i Mihary, hita maranitra kely ireo lohanono roa ary manaloka tsotra fa tsy mitafy akanjo ity vehivavy: ilay lamba fotsiny no tako-kenatra aminy. Ny hafanana rahateo mila tsy ho tanty.
Nipetraka moramora teo amin’ny tongom-pandriana i Hery. Te-hanafosafo mafy izy, tsy ariny intsony, nesoriny mora ilay lamba, ary hitany amin’izay ny firafitry ny vatan’i Mihary tsy misy na dia lamba iray ary eny an-kodiny.
Nojereny tsara, nitsiriritra, ny ratsan-tanany no nasafony ny kibon-dranjo dongadonga tsara, nakariny hiakatra. Toa nisokatra ho azy ireo fe roa nampifanatrika ny fivaviana tamin’ny tarehiny.
Io ilay mariky ny maha-vehivavy, efa nisantatra ny fiainana vaovao vao andro vitsivitsy izay. Ny ratsan-tanany efa midina indray hamonjy ilay fari-pahasambarana amin’ny fikisaka mora dia mora, ary nampian’ny molotra mitohoka mora ihany koa amin’ny fe. Nikisaka nanaraka ny dian’ny ratsan-tanana teo. Farany naka ny hanitr’ilay zohy izy, ary nanomboka mandondona.
Asa tokoa, na efa tsapan’i Mihary ity ataon’i Hery na dia tena manonofy izy fa ny feny no novelariny bebe kokoa na dia tsy natosik’i Hery tehina iray aza.
Naleon’i Hery aloha nifoka ilay rivotry ny fahafinaretana ary natohony tampoka teo amin’ny fivavian’i Mihary ny molony. Tsapany fa mihetsika ny tanan’i Mihary mikaroka ilay faritra toa mitondra hafatry ny fitiavana any aminy any. Nandalo ny kibony iny, nidina ary nifanena tamin’ny lohany. Tsara, samy nankafy izy roa, ny molotra no navezivezin’i Hery teo amin’ilay harambaton’ny nofo malemy dia malemy ary miakatra hafanàna. Tsapany fa misy rano mitsoriaka moramora avy ao, notsenainy tamin’ny molotra ary noraisiny tamin’ny lela. I Mihary rahateo, vao mainka nankafy ity ataon’i Hery azy. Ilay tanany nanafosafo ny volony, toa manainga azy hanao tsaratsara kokoa.
Tena lafatra tokoa, tsy tambo isaina ilay tosam-pahasambarana nandalo taminy. Satriny tsy hijanona ilay rian’aratra madinika mivezivezy amin’ny vatany. Toa mamelona indray ny kiakiam-pitiavana nampimonomonona azy fa tsy tiany havoaka.
Tampoka, nisy tsirim-panentana tena nanaitra azy, ny lelan’i Hery amin’io mikaroka mafy ilay bokotra kely efa mihenjana aok’izany.
Taitra i Mihary, nijery ity ataon’i Hery. Tsara loatra, tiany hajanona nefa tsy nanana hery hanoherana an’I Hery izy. Ary naleony nankafy aza fa toa mananika ny lanitra mbola tsy nodiaviny akory izy.
Farany, izy no tsy naharitra fa niteny:
- “Hery an! Avia amin’izay! Avia ho’aho,” sady maingoty be mikaroka ilay fahasambarana tiany hotratrarina.
Niakatra i Hery, nandady tamin’ny vatan’i Mihary, orokoroka malefaka no nampandaloviny ny kibo sy ny tratra ary ireo lohanono roa. Farany, nosarangotin’i Mihary izy hifanoroka taminy. Naka tsiro ilay ranom-pahafinaretany hany sisa tavela. Oroka lavareny saika tsy nitsahatra.
Somary niharina i Hery, nanala ny akanjony rehetra, i Balita efa mijaridina ary efa vonona aok’izany. Ny tanan’i Mihary no namonjy azy voalohany ary tsy ela dia naka bahana teo anoloany i Hery. Nasafony in-dray mandeha, indroa, nikitika indray ilay bokotry ny fahafinaretana teo. Fahatelo dia nampidiriny moramora tany anatin’ny zohim-pahafinaretana.
Nifoka rivotra mafy i Mihary, tsapany ny fahafenoany, tsapany ilay firaisan’olon-droa efa nanaovany fikarohana an-taonany maro. Tsapany ny hevitry ny fitiavana arahin’ny firaisana.
Vao nihemotra kely i Hery dia nisy tsirim-panentana toa nandefa rian’aratra hafa indray tany anatiny tany.
Nandroso nihemotra teo i Hery, ny orokoroka nivezivezy tamin’ny molotra, ny tenda, ny hatoka. I Mihary mankafy ity lehilahy. Somary nakombony ny feny rehefa afaka folo minitra, niodina izy ary narahin’i Hery. Tsy nijanona raha tsy i Hery indray no teo ambaniny. Naforiny indray ny feny roa, i Hery amin’io tsy afa mihetsika intsony. Tiany ho izy indray no hitondra ny familiana.
Noraisiny sy nahitsiny hitsangana tsara ilay filahiana ary natohony teo aminy, ny lanjany no tosika nampiditra iny, ary ny maojany no nakariny sy nampidininy hitondra fahafinaretana tsy hita noanoa. Teo izy, elaela, sady mankafy ihany, ny masony no nakimpiny, ny sainy mikaroka ny lanitra fahafito.
I Hery koa amin’io, tsy fantatra intsony fa mikipy maso, mimonimonona.
I Mihary mitsapa ny fivaviany efa tena mando, ary mila handranoka eo ambonin’i Hery. Fantany amin’izay fa efa manakaiky azy ilay lanitra tiany hodiaviny. Nalefany mafimafy ny fihetsiny, nisefosefo izy, te-hikiakiaka arak’izay tratry ny aina.
I hery amin’io tahaka ny tsy ety an-tany intsony sady nibaradaka tampoka hoe:
- “Alexia!!!! Tena tsara be! Oouuuuiiii!”
Nijanona tampoka i Mihary! Taitra, ary tena gaga!
Nitsangana izy sady niala teo am-pandriana;
I Hery koa mba gaga, fa nisy inona. Fa lasa aiza ilay malalany teo....
Tadiom-pitiavana (Madagasikara) ([email protected])
Vao nivoaka ny Hopitaly i Malala, dia nandray ny findainy sady nikaroka ilay boky kely misy ny karazana laharana maro tao anaty poketrany.
- “Allo, Tojo? afaka mba miaraka amiko ve ianao izao? Misy fiara ianao? ... Tsara izany. Napetraky i Mahefa eto amin’ny Place de la Concorde aho. Nolazaiko taminy fa ianao no hiaraka amiko. Tena tsy mahalala toerana eto aho fa tongava an!... Hisotro kafe atsy amin’itsy Hotel de Crillon itsy aho mandra-pahatonganao. Ao aho no miandry.”
Lehilahy manana ny ny maha izy azy tokoa raha i Mahefa. Nahavita fianarana sy fiofanana tamina firenena matanjaka maromaro izy, efa niasa tamina karazana hopitaly ihany koa, ary tsy manambady aman-janaka ho velomina. Matetika izy no tazomin’ity hopitaly lehibe iray eto Paris ity, izay isan’ny niasany maharitra tokoa. Efa nitazona azy koa ny tany Etazonia, Alemaina, nanambitamby azy ny mba andraisany ny taratasy maha teratany azy, saingy nolaviny avokoa. Ny tena faniriany sy fahafinaretany indrindra indrindra dia ny mba ahafahany manampy ireo iray rà aminy, ireo malagasy sahirana nefa mila fitsaboana any amin’ny taniny. Impiry moa izy no nitondra fanafody sy fitaovana maro ho zaraina amina karazana toeram-pitsaboana eny ambanivohitra? Tsy zava-baovao aminy ny mianjaika ireo fitafiana faran’izay raitra indrindra, nefa fahazarany ihany koa ny mitafy amin’ny fomba faran’izay tsotra. Manendrika azy ny fitafy malagasy, ny satroka rarin’ny Sihanaka, ny samboady landin’Anosimpatrana, ny kapa hoditry Pochard… Hainy koa ny mampifandrindrany ny italiana sy ny frantsay toa an-dry Ermenegildo Zegna, ry Pierre Cardin, ry Kiton… Azo an-tsaina amin’izany ireo mety ho karazan’olona fantany, indrindra indrindra amin’ny maha mpitsabo mahay azy. Mankasitraka azy hatrany amin’ny sangany ka hatrany amin’ny madinika indrindra. Toa izany koa ireo mety ho karazan’olona misapaoritra sy miondrika eo anatrehany.
Napetrany teo amin’ny faritra ivon’ny hakanto sy hajan’ny Paris tokoa i Malala. Arabe mivelatra hatrany amin’arivo metatra toradroa any izay ravahan’ny gorodom-bato mahasondriana. Fiara maro no mifamoivoy eo, miankavia, miankavanana, mifanapaka, samy miriorio mafy aok’izany nefa dia tsy mba misy mifandona. Ravahan’ny filatsaky ny ranomandry madinika izay misafotofoto noho izato fitsokan’ny rivotra azy malefaka. Hanoherana ny hirifirin’ny hatsiaka aterak’izany indrindra no anaovan’i Malala ilay baoty somary matsoko loha mainty, migeja mananika hatreny amin’ny lohalika. Iray njehy monja no ahitana ny ampahany amin’izato hamandinan’ny tongony saronan’ny bà mifaninjitra miloko mavomanja mazava, miala avy eo no iantombohan’ny zipo mainty vita amin’iron’ny kasmira malefaka irony, manasongadina izato hafonjan’ny fitombenany. Misarona palitao kely mainty manomboka eo amin’ny tepany, izay mampiseho ny akanjo bà mavomanja mazava miakatra ny tendany. Salorany akanjo volom-biby lava hatreny an-kitrokely ireo rehetra ireo avy eo. Mihidy bokotra anoloana hatreo amin’ny lohalika ka ahitana ny ampahany amin’izato hakanton’ny ato anatiny. Izany rehetra izany no ampiany fonon-tanana vita amin’ny hoditra mainty, hilanjany ity poketra somary lehibe mainty, tsikaritry i Tojo hatramin’ilay sary sy soratra madinika teo amin’ny vatany “longchamp”. Toa nahavita kajy an-kandrina avy hatrany ny amin'izay mety ho fitambaram-bidiny izy nahita ny fianjaikan’i Malala.
- “Manao ahoana ianao? Miala tsiny fa manahirana anao.” Hoy Malala nitsiky nampiseho ireto nify fotsy mitandahatra toy ny nasiana lasitra, voadidin’ny molotra somary matevina, mitaratra miloko volontany. Ny maso voadio, tsy ahitana volo mitsiparaparaka, toa mitsiky manaraka ny endriny mandina fatratra, tsy matahotra ny ho simban’ny ririnina.
- “Salama,” sady somary niondrika i Tojo nampifanakaiky ny endriny, hanoroka ny takolany, tsy maninona fa mahafinaritra ahy aza.
…
Tamin’ny dimy ora hariva vao niditra ny trano i Malala telo mianaka. Nanampy azy nitondra ny karazan-karona feno entana niantsenana hatrao an-trano i Tojo. Voatetiny avokoa na ny magazain’i La Fayette, Madeleine, Champs Elysés, na ny Printemps sy ny sisa. Nisarika an’i Tojo hijanona hisakafo hariva i Malala, saingy nandà mafy izy sady nilaza tampoka fa mbola maika, eny fa na dia niangolàn’i Malala aza. Naroson’i Malala daholo izao antony rehetra izao mba handresen-dahatra an’i Tojo hijanona. Mba ho mariky ny fankasitrahana ny andro androany fotsiny anie hoy izy sady i Mahefa koa anie tsy hody hariva eo. Nandà hatrany ny tovolahy na dia tsikaritra tamin’ny fijeriny aza ny haherin’ny faniriany te hanaiky hoe “eny ary”. Rehefa tsy naharesy dohika an’i Malala teo i Tojo dia nilaza fa alina be izy vao afaka raha ho afaka. Ampahatsorana koa anefa no namalian’i Malala azy hoe
- “tongava aty rehefa vita izay hataonao ary e! na amin’ny firy na amin’ny firy. Tsy ato mihitsy ho’aho i Mahefa. Tsy mba matoky tss… antsoiko ianao? An!” sady nitsiky niangoty izy. Mailaka ery ny famindran’i Tojo hamonjy varavarana hivoahana. Nanaraka azy i Malala nanome ny anjara harony miisa telo, misy karazam-pitafiana sy ranomanitry Douglas izay fanomezana avy aminy, hono, ho mariky ny fankasitrahana.
Toa nanjetoka irery teo i Malala, ny ankizy koa vetivety dia resin-tory vantany vao avy nisakafo. Voasasa ny lovia, voalamina ny trano, vita ny fidiovana hariva, nampiasaina ny savony mitsiranoka, ny karazana fanositra amin’ny vatana, ny vy kely mifaraingoka fanalana volo, ny areza. Tapitra nobikaina daholo indray ny karazan’entana novidiana teo, kanefa … ny ora toa … nihisatra. Nikaroka laharana tao anatin’ilay boky kely maintimainty indray izy, nandray ny finday, nanindry marika maromaro…
...
- “Allo! Allo! Hery ve zao? Manao ahoana ianao?”
- “Salama tsara.”
- “Andray ry Hery izay dia saika tsy noraisinao mihitsy aho.”
- “Aiiy! Tsy henoko re e! Variana niasa aho.”
- “Izay dia raha tsy nafeniko ny laharan’ny findaiko tsy noraisinao aho, tsy te hiresaka amiko intsony angah ianao? sa... efa nahita olonkafa any izato ianao hasolo anay?” hoy izy sady toraky ny hehin'ny fifazivaziana.
- “Fa ianao kosa ve dia efa mihevitra ahy ho inona mihitsy e? Tena be asa be aho ho’aho, marina e!”
- “Alainao aty am-piasana aho rahariva amin’ny dimy?”
- “Izaho anie ry Tahiana mbola aty Mahajanga e! Sady tsy afaka miresaka ela aminao aho fa tena miasa be.”
- “Hay ianao moa mbola any? Tsy tsaroako. Dia na hiresaka vetivety aza ve dia tsy misy fotoana, tsy te hiresaka amiko mihitsy ianao o!”
- “Tsy izany re fa miasa aho e!”
- “Na dia misy vaovao mikasika andry Malala aza dia tsy hiresaka amiko ianao?”
- “An, hoy i Hery nifantoka tampoka tanteraka. Ahoana? Inona no vaovao henonao ry Tahiana?”
- “Niantso ahy i Malala alina. Nanandrana niantso anao foana aho taorian’izay fa tsy nahazo anao mihitsy.”
- “Dia ahoana, inona ny vaovao hono? Nanao ahoana i Alexia?”
- “Efa ho herinandro kay hono izao no niverenan-dRatrema eto an-tanindrazana, fa rahoviana ianao no miverina aty Tana ry Hery?”
- “Amin’ity faran’ny herinandro ity fa tsy mbola azo antoka tsara, na mety ho amin’ny fiantombohan’ny herinandro manaraka. Nahazo vaovao mikasika an’i Alexia ianao?”
- “Izato ianao koa, tsy mba misy fahavitrihana ny hiresaka amiko mihitsy raha tsy hoe ny vaovao mikasika an’i Alexia sy Malala ihany. Tsy dia afaka ny hiresaka lava loatra aho. Mikasa ny hidina any Mahajanga aho izao hariva izao, na rahampitso maraina.”
- “An! Inona no ho antony handehananao aty Mahajanga?” Hoy i Hery tena sadaikatra tokoa
- “Mba hiala sasatra kely no sady manana fikasàna ny hanokatra fivarotam-panafody any izahay, ka hanao ny fandinihana sy fanadihadiana any an-toerana aho. Rehefa tonga any aho miresaka tsara aminao ny mikasika azy efa-mianaka.”
- “Resaho izao re ry Tahiana a! Tsy fantatra na hifankahita akory isika aty na tsia, izaho koa be asa,” hoy i Hery toa nanontany tena ny amin’ny tanjona tian’i Tahiana ahatongavana. Tsapany tsara anefa fa I Tahiana no hany olona azony itokiana fa afaka hanelanelana azy sy Ratrema sy ny ankohonany raha sendra misy ny olana.
- “Miantso anao ihany aho rehefa tonga any e! Rehefa tsy izaho no mandeha dia ilay Dokotera lahy iray miara-miasa amiko ato. Iza no hotely ipetrahanao?”
Tena nitoetra teo anivon’ny fisalasalana tanteraka I Hery. Handroso ho babon’ny hafa, hihemotra ho babon’ny sasany. Niserana tao an-tsainy vetivety ny hoe hiantso any amin’ny biraon-dRatrema avy hatrany fa I Tahiana ity toa mampifilafila, ary sao hitady ny takalom-patsa vidim-pihinana indray avy eo.Ny tahony an-dRatrema koa anefa etsy andaniny nanampy trotraka. Raha nisy zavatra tian-dRatrema ho fantany tokoa mantsy dia efa ho niantso azy Ratrema raha vantany vao tonga. Dia…
Loulou (France) [email protected]
Tena hita ho nihatsara tokoa ny fahasalaman'i Alexia. Na dia mbola lalimaso sy vizana tanteraka aza. Ny ferifery nameno ny vatany koa efa tsy dia nanaintaina azy intsony. Ny hidihidy naterak’ireny no somary tsy maintsy iaretany sisa. Vao nigadona kelikely tao ry Mahefa dia injao naneno ny findainy. I Ratrema, nanome ny laharana miafin’ilay nadefasana vola. Nila resaka tamin’i Alexia izy avy eo. Tsy nisy naheno izay resaka nifanaovan’izy mianaka tao, i Malala mantsy nivoaka kely hikaroka izay azon’ny marary atao ody am-bava fo, moa i Mahefa variana tao amin’ny birao natokana ho an’ny mpitsabo, toa nisy antontan-taratasy tsy maintsy nokarakarainy mantsy.
- "Adinoko ny nanontany na masirasira no tian-dry na mamimamy dia samy nitondrako kely avy. Tsara aloha rehefa mazoto homana ianao e! izany ihany no tena iverenan’ny aina haingana. Mba mahery misotro rano ve nefa?" Hoy i Malala toa navitribitrika niverina avy any.
- "Eny e! efa miezaka aho, izay indray i Neny sy ilay rano, rano , rano, rano foana. Sitrapoko ve ry Neny ijanona ato amin’ity hopitaly ity na dia iray minitra aza a! Ataoko daholo izay fomba ahafahako miala ato faran’izay haingana. Oadray, saika adinoko, niantso i Papa teo, ity ny mombamomba ilay vola nalefany hono hangalan’i Neny azy. Mampamangy amin’izy dahy kely koa hono. Toa tsapako nalahelo ery izy na dia niezaka ny nanafina aza. Miezaka mikaroka teny holazaina izany izy nefa tsy mahita lazaina firy, ohatran'ny misy zavatra hafa iasan'ny sainy izany. fantatro miady mafy ery izao ny sainy any. Diso fantatro loatra raha i Papa."
- "Mahareta anaka fa kely sisa. Miandry vava avy amin’ny mpitsabo fotsiny dia hanao ny famandrihan-toerana amin’ny zotran’ny fiaramanidin'i Air Madagasikara aho hodiantsika efa-mianaka. Any indray tohizana ny fitsaboana sisa."
Somary toa nihaotra kely i Alexia vao nanohy ny teniny. Nobanjininy tsara amin'ny fijery miangola ity reniny.
- "Neny a! ahoana ny hevitry Neny raha mijanona aty aho, dia aty no manohy ny fianarako? Efa aty ihany tsinona koa, sady efa izany no faniriako?"
- "An! Avy aiza tampoka teo koa no nahazoanao izany fikasana izany anaka?"
- "Rehefa voafehin’ity rindrina efatra sy farafara ity anie ry Neny dia tsy maintsy lasa lavitra ny saina aman’eritreritra e! Efa noresahiko i Papa teo dia nanaiky izy, hevitra tsara hoy izy."
Aok’izany ny hafalian’ i Malala. Tsy latsak’izany koa ny an-dRatrema. Toa mahita ity zanany afaka tanteraka sahady amin’ny gadran’ny fitiavana an’i Hery. Toy ny tsy vao nizaka fanaintainana mafy ny fony. Fitiavana be toy iny dia adinony sahady tokoa va re?
- "Tsara rehefa mandray fanapaha-kevitra sahala amin’izany ianao ka!" Hoy I Malala nitsiky, sady nandray ny felan-tanan’ity zanany. Fanapahan-kevitra tsy ratsy tokoa, mino aho fa efa nandinika tsara tokoa izato ianao. Dia sehatra mikasika inona no tianao ianarana? Sa ny teny Ankatso ihany no ho tohizana? Tsara rehefa nanaiky rainao, dia tonga dia resaho koa i Mahefa rehefa avy eo, sa efa niresaka koa ianareo?" Toa adinon’i Malala fa tsy mbola mahafantatra ny marina anie ity Alexia. Faly loatra angamba izy noho ity zanany ka zary tsy ho voafehiny intsony ny fipetsopetson’ity vavany.
- "Nahoana moa izaho no tsy maintsy tokony hiresaka amin’i Profesora Mahefa? F’angah miankina aminy izany? Rehefa manaiky ianareo sy Dada dia izay."
- "Eny e!" hoy i Malala toa tonga saina tampoka, nikaroka hevitra haingana hanarenana ilay teo. "Nieritreritra aho mantsy fa afaka mikarakara ny taratasy fiantohana anao aty izy, ny trano ipetrahana sy ny sisa. Sa ahoana hoy ianao?"
Noresahina tamin’i Mahefa avy hatrany tokoa ny fikasan-drazazavavy. Aoka fotsiny ny hafaliany. Afaka hitondra ny anjara fitaizàna ity zanako aho izany hoy izy tany anatiny tany. Satriny tokoa aza hanonerana ny fotoana tsy mba niainany teo akaikin’ity zanany ny andro rehetra sisa iainany. Toa i Alexia no nanjary hany antoka ahavelomany. Toa noho i Alexia dia foiny avokoa izay rehetra sarobidy taminy, eny fa na dia ny ainy aza. Porofo mivaingana ny tsy nisalasalany akory ny hanomezeny taova ho an’i Alexia. Porofon’ny maha olona be fitiavana azy, mbola porofom-pitiavana an’i Vololona, porofom-pitiavan-janaka asehon’i Mahefa. Saingy… porofom-pitiavana anivon’olon-droa, lehilahy manana faniriana mafy ny hifampitantana aminy no… nandraisan’i Alexia azy.
“Endrey izany fikarakarany ahy, tsy adinony mihitsy ny mivily ato amiko manontany sao misa zavatra ilaiko. Endrey izato hery mivoaka amin’izato fijeriny, toa misy faniriana lalina tsikaritro na dia toneny mafy aza. Endrey ny fandinihany ahy, toa ankafiziny ery izato fihetsiko, indrindra moa rehefa misy zavatra ilaiko ka somary iangotiako izy. Dinihiny ery izato firafitry ny endriko, toa satrin’izato masony baliaka horombahina tsy ho ety amiko, hanaraka azy, honofinofisina isaky ny alina. Vao sendra mifanojo ny fijerinay dia, na ahodiny miankavia ny azy, mody mijery iretsy karazan’odin’ny fanaintainako, na aviliny miankavanana mba hitopy etsy amin’iretsy sakafo sy rano fisotroko, na aondriny moramora ny fijeriny, toa itoriany fa resin’ny fitiavana izy, nefa toa mahery loatra ny henatra tiany horesena, noho izato elanelan-taona misy aminay, sy noho ny fifankahazoany amin-dry Dada sy Neny angamba a!” Hoy ny fiventiventin’i Alexia rehefa iny izy lasalasa fisainana mandinika ny manodidina azy iny, babon’ireo fihetsiky Mahefa tanteraka.
Nametrapetraka ny taratasy rehetra momban’i Alexia i Ratrema, nandoa ihany koa ny saran’ny hotelin’izy efa-mianaka nandritra izay fotoana naharitraritra nipetrahany tao izay. Tsy maintsy hanainga hody any antanindrazana aho, hoy izy tamin’ity vadiny. Maro ny asa miandry ahy any, ny eto am-pelatanana koa ity efa miha manify dia manify, vao misy possibilité dia mandefa vola ho anareo aho, arakaraky ny fandehan-javatra any. Nefa aza miasa saina be loatra fa mila anao matanja-tsaina i Alexia, mila anao hampahery mba hahamora ny fitsaboana azy.
Nitodi-doha ho eny an-tseranam-piaramanidina Roissy izy efa mianaka rehefa vita ny veloma tamin’i Alexia. Ny fiaran’i Mahefa no nanatitra azy, ary tovolahy malagasy iray, mila ravinahitra aty, no niangaviana mba hamily.
- "Ratrema a! mahereza izany vady malalako izany, mino aho fa tsy ho ela dia salama tsara ny zanantsika ka afaka hody any izahay, hikarakara anao indray. Marina fa ao ry Zefa mpanampy nefa, an!an! Maninona moa raha maka manampy vehivavy ianao vao tonga any e! hahandro sakafo, hanasa lamba, handamitrano sy ny sisa, amin’izay matoky aho fa ho tsara karakara ianao any, dia milamina ny saiko." Hoy Malala sady nahodiny ny tarehiny hiala ny fibanjinam-badiny azy, satria tsy voasakany ny fiforonan-dranomasony nihazohazo te hilatsaka. Satriny tokoa hanaraka an-dRatrema, na dia noho ilay fahafinaretan’ny nofo niainany farany teo izay aza. Manahy izy sao hanembona any Ratrema ka hitady fahafinaretana hanalefahana ny fanembonana. Ny tenany moa ho aiza amin’ity marary tsaboina, ny zaza roa tezaina? Sa eo i… an!an! manana ny asa maha profesora azy izy, ary inoana fa toerana maro no iasany fa tsy eto Paris ihany na any Madagasikara. Ary araky ny filazany dia noho i Alexia fotsiny no maha-eto azy izao.
- "Aza manahy ianao e!" hoy Ratrema sady mody nihomehy mba hanalefahana ny alahelo niserana rehetra, "izaho anie na dia tsy mpandray ravin-dena aza hatramin’izay mba mahavita ihany e! Eny e! fa hitady olona aho hanampy ahy." Oroka am-panajana teo amin’ny andrina no nifanaovan’izy roa imason’ireto zaza. I Toky moa nisamaritaka fa may ny hijery fiaramanidina, hany ka zary tsy hita taratra ny alahelo ny hifandao.
-" Iry neny misy ngeza be a! ndao ho eny ho’aho! Sa etsy tsika mahita tsara an’i Papa? Iny misy vao tonga…"
Tsy mba afaka niandry ny fiaingan’ny fiaramanidina anefa izy ireo fa vao vita ny veloma dia nanainga hitodi-doha any amin’ny hopitaly indray. Sento tokana no nataon’i Malala, izaho irery izany zao no hitsabo an’I Alexia, handany fotoana, hivizaviza, hitaintaina sy hifi-dranomaso amin’ity tsy naloaky ny kibo akory.
Resin-tory izy mianadahy kely teny ambony fiara, asa, vizan’ny dia nandroso teo koa angamba a! Ao aoriana no misy azy telo mianaka, ilay vavikely eo am-pofoana, somary miankina amin’ny varavaran’ny fiara havanana ny lohany. Ilay lahy kely kosa miankina eo an-tratran-dreniny havia, isaloran’ny sandriny havia avy eo. Renoky ny torimaso, tsy mahatsapa akory ny sangodim-piainana mihatra amin’ireto manodidina azy akaiky. Raha tsy lehibe toa izao tokoa mantsy ny elanelan-taona nisy taminy sy Alexia dia inoana fa mba afaka niaro iry anabaviny izy, nanafay ilay Hery, izay antok’izao tebiteby sy fanaintainana mahazo ny rehetra izao. Nefa inoana koa fa nanana ny tantarany izy ary dia ho hafa tokoa any fizotran’ny raharaha! Ny tongony mikirazorazo tsy mipaika amin’ny tapis-n’ny fiara akory. Ny tanan-keliny havanana somary voatsindriny. Ny iviny amin’io miraraka amin’izato takolaka botabotakeliny havanana, mamonto ny lobaka mavokelin’ity nahitany masoandro, izay tsy mahatsapa akory ny hamandoana aterak’izany amin’ny ilany havia rehetra. Ny nonony havanana miraviravy avy ninonoan’i Cynthia teo, tsy tsaroany na dia ny hampiditra azy haka ny toerany aza. Bokotra iray tamin’ny farany ambany sisa no hany nitazona ity lobaka tsy hisonàka tanteraka. Ny chauffage tao anaty fiara koa moa nandeha ka tsy tsapa ny hatsiaka aterak’izato fanalan’ny ririnina eny ivelany. Somary ailany kely miankavanana ny lohany sy ny fijeriny. Toa sondriana ery mandinika ny hakanton’ny Paris, ny ngoly iainan’ny voahary rehetra. Nefa izao raha anontaniana azy ny zavatra hitany dia ilaza ho tsy nahita n’inon’inona izy. Toa miady saina mafy indray izato fijery azy ka! Nefa raha anontaniana azy izay eritreretina dia inoana koa fa tsy ho hitany izay havaly. Hay izao ilay atao hoe “ se plonger dans le vide”. Ny havizanana mitaky, ny torimaso koa tsy ampy.
Amin’ny antsipirihany no nandinihan’I Tojo, ilay mpamily, ireo rehetra ireo. Tsy tsikaritry Malala na ny nanodinany ny retrovisuer nihantona teo aloha izay fitarafana ny any aoriana hitopy any aminy aza. Mba niady mafy koa ny sainy tany anatiny tany: izany no arrrivage vaovao amin’izany tanàna, tsy mahalala na kely akory aza mikasika an’andafy, na ny fiainan’ny gasy eto aza tsy hainy. Nefa toa karazan’irony zanaka mpanankarena, dia avy eo nanambady mpanankarena. Hein, itony ve tsy hiavonavona? Ssshh, tsy hisintona ny mason’ialahy letsy ra-Tojo no tanjony amin’io nonony io a! sendra mba adinony fotsiny fa vizana izy. Sady toa mifankatia ery izy mivady teo, itony ve tsy irony karazana mpivavaka be, manaja vady, tsy hanaiky izany filan’ny nofo ivelan’ny tokantrano izany mihintsy, eny fa na dia sanatria maty vady aza? Efa Razoky be ihany anefa ilay vadiny teo, dia tsy ho taitra amiko ve ity. Aleo hilamina ka, tsy asiana resaka akory. Aleo zavatra hafa no iresahana. Sao mba ahitana lalana azo anaovana afera, sitran’ny ahay vola, sady olona mahitahita itony. Ny fiainana eto rahateo enjana. Sao samy votsitra eo.
- "Hono ho’aho Madama, tapaka tampoka ilay fahanginana efa ho 30 minitra lavabe teo, nifoha tampoka koa ny sain’i Malala, afaka mijanona hividy zavatra kely vetivety etsy amin’itsy toby fivarotana solika itsy ve isika?
- "Tsy maninona mihintsy ka, nefa aza dia maharitra ela fa tsy maintsy mbola hiverina any amin’ny hopitaly aho azafady." Toa somary mbola nisy avona ihany no fomba namalian’ny Malala azy.
- "Roa minitra raha betsaka ka, hividy pastille fotsiny aho, tsy dia mbola mahatanty an’ilay hatsiaka mantsy na dia efa ho efa-taona aza izao no naha-taty ahy. Misy zavatra ho entina ho anao?"
- "an!an! misaotra," sady somary nitsiky i Malala
Nisokatra ny varavana hivoahan'i Tojo no vao tsapany fa nangatsiaka tampoka ny tratrany. Tsy naka sarotra akory izy nanainga ny nonony amin’ny tanany havia, ny havanana mantsy tsindrian’I Cynthia. Nikarokaroka, nampiditra azy tao anaty kitapo itoerany, nanamboamboatra azy teo mba hipetraka hivoiboitra tsara, toy ny fanaony isan’andro, nanidy ny bokotra voalohany, faharoa, fahatelo, nanakatra ilay châle fotsy mitsoriadriaka mavokely madinika, nahodiny in-droa tamin’ny tendany, avy eo nankifiny any aoriana mba tsy hanitikitika ireto menaky ny ainy. Vita izay dia nisento tokana izy.
Segondra vitsy taorian’izay dia niverina i Tojo. Ampy nandinihan’I Malala azy ny fotoana nivoahany avy ao amin’ilay fivarotana amin’ny tobin-dasantsy, mandram-pahatongany teo amin’ny fiara.
Tovolahy manao endrika Andriamasinavalona I Tojo. Karanarana endrika, zarazara hoditra, somary lava marotsadrotsaka, bingobingo fandeha. Ny masony kely nefa toa mampiseho fa tovolahy sariaka izy ary malefaka. Toa tsara rafitra ny endriny, rakofan’ito volony fohy, ny sangany no miakatra, somary lava kokoa raha mitahy ny any aoriana. Asiany gel kely mba hihazona sy hampamiratra azy. Manao fiakanjona tovolahy matotra nefa tanora. Toa niangaliana izany ny loko ampiarahina. Vao mitopy ny fijery dia hita fa somary lafolafo vidy ihany ireny eny an-kodiny.
- "Ity ny biscuits ho an’izy dahy rehefa taitra, henoko nitaraina noana ihany mantsy ilay bandy kely io teo, sao ianao ho sahirana."
- "Marina tokoa," hoy I Malala, "tena tsy tao anatin’ny saiko mihintsy. Misaotra anao," sady nitsiky izy, toa nampiseho fankasitrahana tanteraka tamin’ny fihetsika nataon’I Tojo teo. Tao anatin’izany, tsikaritr’I Malala fa nitopy indray mandeha kely teny amin’ny tratrany ny mason’ I Tojo. Toa fijery nanao hoe: nankaiza ilay izy teo? Tonga dia nisamboaravoara be avy hatrany ihany ny tao anatin’I Malala. Ary tsy tao an-tsaiko mihitsy, hitany izany ny nonoko teo, eny e! hitany, matoa izy nijery ny tratrako.
Vao tafatombina tsara teo amin’ny familiana I Tojo, dia nifanojo tao anaty retroviseur ny fijerin’izy roa. Vao maika nientana iray ihany ny ambavafon’i Malala.
- "Raha tsy bouchée ny lalana dia afaka 15minitra farafahaelany dia tafavoaka isika."
- "Bouchée ahoana? Ambouteillage ve no tianao lazaina?"
- "Iee!"
- "Na aty amin’ny autoroute aza ve?"
- "Eny ho’aho, indrindra fa ity mivoaka amin’ny Paris centre ity, matetika mihintsy."
- "Eee! Zay moa mba anarany no hoe tonga aty nefa tsy mba manao vacance fa mitsabo marary. Tsy mba afaka ny hijery tanàna akory."
- "Rehefa misy fotoana kely dia ilazao aho fa entiko mandehandeha ianareo e! aty koa anie ny marary tsy mila ambesana lava sahalan’ny any Dago e! Ny infirmière miandraikitra azy tsara. Sady hoe fianakavian’I Professeur Mahefa izany tsy ho ataon-jareo ambanin-javatra mihintsy. Na rehefa sendra manana olana, na mila olona ianareo aty dia lazao aho, sao mba misy azoko atao."
- "Dia handehandeha amin’ireto forongokeliko anankiroa ireto? "
- "Tsy maninona ka, amin’izay mba maka rivotra koa izy dahy, ny akanjony fotsiny atao mafana tsara."
- "Eny e! fa hafa ihany izany mandeha tsisy ankizy izany. Maro kokoa ny zavatra azo atao."
Gina tsy nahateny Tojo. Inona koa no tian’ity Madama ity ho lazaina? Aza manantena tsy misy leitsy a! Marina ny azy, afaka miantsena, mitety magazay maro kokoa rehefa tsy misy ankizy. Izaho mihintsy koa no toa mitady hanao revin-gadra.
- "Fa inona no ataonao eto Paris? Miasa sa mianatra? I Tojo moa?" Hoy malala nanohy ny resaka fa toa tsikariny tsy nahita lazaina ny tovolahy.
- "Tojo Rahamefison, sady miasa aho no mianatra. Mianatra no tena anton-dia e! fa fantatrao moa Madama ny fiainana tsy mora, hany ka rehefa mahita azo atao dia atao e! Ny ray aman-dreny ny anay na dia any amin’ny tany niaviana aza, mbola mahatsiaro sahirana, maika fa izaho aty amin’ny tanin’olona."
- "Antsoy hoe Malala aho e! aza atao madama izany. Hitako ho tovolahy mavitribitrika aloha raha ianao e! Mino aho fa tsy dia manana fahasahiranana izany ianao eto o!" Hoy Malala sady somary niangoty.
- "Ahoana no ilazanao izany ry Malala?" Sady nihomehy i Tojo
- "Izany no fanombanako anao e! Un homme qui trouve une solution à tout problème, à juste temps. Sa tsy izany?"
- "Mety ho marina izany, raha teto aho aloha… maro ihany izay zavatra efa nosedraiko izay e! fa dia tafavoaka foana ihany aho."
Maro ny resaka nifanaovan’izy roa. Manao ahoana ny olona aty Frantsa, ny fiainana, ny fianarana sns… Tsy ampy hitantaraina ny efa-taona nodiavin’i Tojo raha ny minitra vitsy ambiny teny ambony fiara. Tao ny nampitaintaina, ny nampihomehy, ny adalana majinijinika. Toa nampisy sahady fifankazahoana am-po tamin’izy roa iny 20 minitra niarahana iny. Toa nampisinda kely ihany koa ny aloka nandrakotra ny fiainan’i Malala. Nivantana avy hatrany teny amin’ny Hopitaly ny fiara. I Tojo koa moa milaza fa mbola misy asa kely ataony hono. Fisaorana sy tsiky no nameno ny endriky Malala. Niserana teo imason’i Tojo ny hatsaran’i Malala, ireto fandaingana kely roa nateraky ny tsiky, toa nanjary ravaky ny takolany. Toa tsy mampino hoy izy tany an-tsainy, raha izao bika aman’endrika izao no efa niteraka ilay tovovavy hoe marary ao, toa efa lehibe izy ao raha tsy diso aho.
Notsenain’i Mahefa avy hatrany teo an-dalatsara i Malala sy ny ankizy. Nilaza i Mahefa fa vao avy nomena fanafody i Alexia ka sondrian-tory. Nentin’i Mahefa izy telo mianaka, nony avy niara-nisakafo dia naka ny entana rehetra tany amin’ny hotely. Tapaka mantsy fa any aminy izy ireo no mipetraka mandra-pahavitan’ny fitsaboana. Nisaotra an’i Malala i Mahefa noho ny fitaizany an’i Alexia hatramin’izay. Tena be herim-po sy herin-tsaina tokoa izy hoy i Mahefa, hany ka tsy dia manano-sarotra ny fitsaboana azy. Nilaza i Malala fa i Vololona no notahafiny. Raha nandatsa azy ny fianakaviana tamin’izany fotoana izany, hoy i Malala, hoe bevohoka tsisy ray, tao aza no niteny hoe alao io zaza io fa ho velomin-dry amin’ny rano mangatsiaka ve, tsy mba nanaiky izy fa dia nijoro foana, na dia sahirana aza izahay tamin’izany. Nanahy mafy aza aho tamin’izany sao hisy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny zaza ny adi-tsaina nianjady taminy. Nipoitra moa Ratrema avy eo dia mba somary nilamina, ary tokony ho nilamina tanteraka mihintsy, saingy indrisy, fantatrao ny tohiny.
Somary tsy dia lavitry ny centre ny trano nipetrahan’I Mahefa. Irony appartement irony. Aza mihafahafa, hoy i Mahefa, ataovy toy ny any aminareo, dia lasa namonjy ny any ampiasana indray izy. Vao miditra dia efitra iray lehibebe izay sady fisakafoanana no fandraisambahiny. Mifampiankina aminy eo ny lakozy. Lalantsara kely kosa no manelanelana ny efitra fandriana roa mifanatrika. Ny iray nisy an’i Mahefa, ny iray kosa handrian’izy telo mianaka.Ny efitra fidiovana kosa no mamarana ilay lalantsara. Tonga moa dia hita taratra fa lehilahy no ao fa mikorontana izay tsy izy.
Nandamindamina avy hatrany ny entana i Malala, ny ankizy koa sady nilalao, hany ka vetivety dia maizina ny andro. Teo am-pampatoriana ny ankizy izy no injao nitopy tamin’ny tontolo androny androany ny sainy. Ny veloma nifanaovany tamin-dRatrema, ny resaka nifanaovan’izy sy i Tojo, dia avy eo vao niserana tao an-tsaina ilay bika aman’endriny, ilay famindrany, ny fijeriny, ny fihetsiny. Tena nankafiziny tanteraka ka somary nitsiky irery teo izy. Tiany ho toherina anefa ny fakam-panahy, izay efa naharendrika azy foana hatramin’izay. Tsapany koa fa miserana fotsiny izao revorevony an’i Tojo izao. Hitsabo marary no anton-dia. Nitsangana izy. Naleony nandamin-trano toa izay ho voagejan’ny fitsiriritana eo indray, eny fa na dia efa akanjo mandry aza no teny ankodiny. Tsapany koa fa tsy nisy fisarihana azy mihintsy nataon’i Tojo fa dia fihetsika sy resaka tsotra fotsiny, nanala lalana angamba.
Nalaminy ny tao an-dakozia, ny efitra fihinanana, eny nataony hatramin’ny efitranon’i Mahefa aza. Vehivavy koa moa ka sady nandamindamina no nikarokaroka, sao mba hahalala zavatra bebe kokoa mikasika ity Mahefa ity. Tao anatin’ilay tiroir an-doha-pandriana tokoa, no nahitany sary maromaro. Nisy sariny taloha, tsaroany tokoa ilay endriky Mahefa tamin’izany fotoana. Nisy sarin’izy sy Vololona miaraka, tsy vitsy koa ny sarin’I Vololona irery, mbola voatahiry tao. Namadika ihany Malala sady nanjetoka nahatsiaro ity rahavaviny. Tampoka anefa, nisy sarim-behivavy hafa, mitokana, lava volo ary toa mbola tanora endrika, toa vao haingana koa ny fijery azy, nodinihiny fa tena tsy fantany. Raha mbola teo am-pandinihina ilay sary tao an’efitra tao indrinndra izy, noho injao Mahefa niditra tampoka, nanana ny fanalahidy rahateo moa izy. Saika hamonjy hivoaka i Malala nefa, nakatony ny tiroir dia naleony mody namonjy nipetraka haingana. Efa tena alina moa ny andro ka nijaikojaiko Mahefa niditra tao anefitra rehefa avy nanala ny menteau-ny, mba tsy hanaitra ny sasany. Taitra izy raha vao nahita an’i Malala tao anefiny.
- "Ngah’ ity ianao tsy mbola matory?"
- "Nandamindamina aho," hoy I Malala, sady toa menatra koa ny hoe sao tsikaritry Mahefa izy nisavasava teo, hany ka tsy hitany izay lazaina, "dia … dia sady miandry anao."
- "Tsy vizana?" hoy I Mahefa sady nisafo ny takolaky Malala havanana.
Toa nidika zavatra hafa tamin’I Mahefa ny teny sy fihetsiky Malala. Izy koa nipetraka teo amoron-tongotry ny farafara, ny akanjo teny aminy irony fitondra matory malamalama hatreo ambony lohalika irony. Tady kely no mba tanan’akanjo, hany ka toa vao maika nampivoitra ireto nonobe, toa miandry fotsiny ho pondesina. Natsipin’I Mahefa tetsy ambony seza ny kitapo teny aminy, nitingitingina izy ary nanomboka nanoroka an’I Malala. Sadaikatra i Malala: tsy izao mihitsy no tanjona tiako ahatongavana, nefa tsy sahiko ihany koa ny hanosika azy, sao ho gaga eo izy. Somary nahodiko ihany ny lohako, toa mbola any amin’ilay sary teo ihany ny saiko, nefa rehefa nosarihiny tamin’ny tanany havia ny lohako hifanatrika aminy, dia noharoniny tamin’ny lelany ny aty vavako, dia mba renoka ihany koa aho nampifanjevo ny lelako tamin’ny azy. Notsoahiny ny palitaony, notsetsatsetsafiny ny tendako, ny tanany namaha ny lobakany. Ampy naha-mando ahy tanteraka izay fihetsiky Mahefa izay. Hany ka nampiako izy hanala tanteraka ilay lobaka teny aminy. Somary natosiny moramora aho avy eo handry tanteraka amin’ny farafara. Nampifampikisininy ny tongony roa mba hanalany ny kirarony. Henoko ny fidoboky ny kiraro tamin’ny gorodona, ny iray aloha, dia avy eo ny koa faharoa. Toa vao maika nampiakatra ny faniriana tato anatiko. Somary nitambesatra tamiko izy ka tsapako ny firidiridin’ny filahiany. Toa may tampoka izany aho, nefa izy nandamina tanteraka, na dia efa tsapako aza ny fahavononany. Somary nobatainy aho hiakatra kokoa, hamonjy ny loha-pandriana, nihorirana teo an-kavanako izy avy eo, natohony tamin’ny tratrako ny molony, nanorokoroka, ny tanany natetiny ny vatako hikaroka ny faritry ny fahasambarako. Ningaiko ny maojako, tonga dia fantany fa tiako raha ahidiny ny silipoko, dia avy eo natosiko tamin’ny tongotro mandra-piala azy tanteraka. Nasamako amin’izay avy eo ny feko, niandry ny azy aho, kanefa izay nahasambatra ahy ihany no nataony, injao fa tsapany ny bokotro, nopotseriny, nihika kely indray mandeha aho, ary tsapako tena nahasambatra ahy ny rantsan-tanany efatra. Niezaka ny niarina aho avy eo, eny fa na dia mbola nisefosefo fatratra aza, notakariko tamin’ny molotro ny molony, natsipiko ny feko ankavia hisadika aminy avy atsy amin’ilany, niarina aho ka tafapetraka teo amboniny. Nitsikiko izy sady novahako ny patalohany, no sady nihetsiketsika madinidinika aho. Nientana sahady indray ny tao anatiko. Tsiky koa no navaliny ahy. Akory anefa ny hatairako, izao ve no nanonofy sa inona ilay tsapako nihenjana be teo?
Tsikariny angamba ny fahatairako sy ny fahadisoam-panantenàko, ka hoy izy:
- "Malala a! reraka aho, mafy be ny asako androany."
Toa tsapako nivoara-mena tampoka izany ny endriko, satria toa namaivay be tany anaty lohako. Nahatsiaro ho nitafy henatra aho, niala moramora,
- "izany ve?" Hoy aho toa diso fanantenana.
- "nisy opération tao dia ora maromaro mihitsy vao vita nefa izao mbola atahorana ny ain’ilay olona."
Somary nirintona i Malala niverina nitsilany,
- "mangalà aina ary e!" hoy izy nanome lamosina, toa tsy sahy hijery ny tavan’i Mahefa. Nosafoin’ity farany ny sandriny. Izay angamba no hany heveriny hanalefahana miadana ilay fanirian’i Malala teo.
- "Mijanòna matory eto akaikiko an!"
Tsy namaly Malala, nifangaro tao aminy ny henatra sy hatezerana. Ny hiaka kely nataon’i Cynthia nivadi-mandry no toa niandrasany dia nitsangana haingana izy, nilaza fa raha taitra kely ny iray amin’ireto zanany ka tsy mahatsapa azy dia mitomany. Adinony na ny nizaha ilay silipony aza.
Efa hadiva haraina i Malala vao sondrian-tory. Tsy nisy irim-pahazavana rahateo tao an’efitra na dia kely monja aza, eny fa na dia efa nijaridina nampisasaka roa mitovy ny famantaran’ora aza ireto fanjaitra fohy sy lava mihaona eo afovoany. Toetry ny ririnina a! manome vahana ny alina mba hanjaka. I Toky naka zoron-drindrina no mitsetsitra mafy izato ankihibekeliny. Toa mahazo fahafinaretana lalina ery izato izy. I Cynthia mandry eo afovoany, mitsipaka ny lamba volon-tany ikambanany amin-dreniny ny tongony havia. Mamelatra ny fekeliny, tsy manahy ny amin’ny mety ho tsiro sy fanaintainana ho tsapany any aoriana. Izato reniny miamboho azy, mamoaka ny sandriny havia tsy ho voakajen’ny lamba irakofany. Raha iny mbola renoka iny indrindra izy no injao nisy nandondona ny varavaran’ny efitranony. Sady niditra i Mahefa no…
- "Malala a! Malala!" Nanozongozona ny sandrin’i Malala, nanolotra ny finday, Ratrema miantso anao, tonga soa aman-tsara any antanindrazana izy, indro raiso fa te hiresaka aminao izy. Tsy nivoaka i Mahefa fa niandry teo, toa te haheno izay resaka ifanaovanizy mivady.
- "Allo!" Somary mbola tena ny nihisatra ny hisokatra ny vavany.
- "Malala a! mbola matory be ngah’ ianao? Aty efa amin’ny valo."
- "Alina be aho vao natory ka tena mbola tao anatin’ny torimaso tanteraka no notairin’i Mahefa"
- "Alina be e? tany amin’ny hopitaly sa…sa naninona? Tsy tiany ho tsapan’ity vadiny ny mbola tsy fahatokisany azy tanteraka, eny fa na dia nifona sy nilaza ho nanenina aza izy, ka notihizany hoe:
- "misy inona? Sa naninona i Alexia?"
- "an!an! tena efa mihatsara be i Alexia fa aza manahy ianao, ilay vao manavao trano aho dia saika tsy nahita tory fotsiny. Ka manao ahoana ny any izany tiako izany?" Somary nialona kely Mahefa, niodina nivoaka namonjy ny efitranony.
- "Tamin’ny efatra ora sy sasany no nigadona ny fiaramanidina. Efa aty am-piasana aho izao miantso anao izao. Milamina tsara ihany ny aty fa tsy maintsy miasa be aho. Haka vola aho, sady hiresaka amin’ny PDG-n’ny orinasa avy eo, vao vantany vao azoko izay dia alefako any aminao amin’ny alalan’ny Western Union."
- "Tsy dia maika be anie izany Ratrema e!"
- "Tsia, tsy tiako mihitsy ianareo hanana fahasahiranana ara-bola any lavitra any. Ny miantehatra be loatra amin’I Mahefa koa manahirana ihany. Lehilahy mba manana azon-damosina ihany ny tena. Na zanany ara-biolojika aza I Alexia, mbola adidiko sy andraikitro satria zanako, zanako, zanako."
Nony vita ny resaka dia nitsangana hanatitra ny finday any amin’I Mahefa i Malala. Tsy nisy na dia fisaorana aza nivoaka ny vavany, nefa toa fanahy iniany naseho fa faly izy satria niantso azy ny vadiny, tsy nanadino, ary tsy mbola nadiso fanantenana azy. Tsikaritry Mahefa izany fihetsika izany.
- "Hiaraka hanainga isika afaka ora roa eo na mahery kely hijery an’I Alexia a!" Azo aterina atsy amin’ny jardin d’enfant atsy ny ankizy.
- "F’angah’ tsisy taxi aty? Aleo aho handray taxi dia any mifankahita."
Izy nihodina hamonjy varavarana ivoahana iny no nosarihan’I Mahefa tamin’ny sandriny.
- "Malala a! tena tezitra amiko ve ianao? Ialako tsiny be dia be raha toa ka iny nitranga alina iny no naha tezitra anao tahaka izao. Nefa tsoriko fa tsy azoko mihitsy hoe iny ve dia hahatezitra be na dia inona aza? Tsy fidiny ahy anie e! Tsy fanahy iniako, sa misy inona. Miaraka mankany fotsiny anie isika e! any aho dia any miasa tsy afaka ny hanatitra anao hiverina, sady izaho no mpitsabo mpiandry raharaha anio alina ka tsy afaka ny hatory aty koa."
Vao maika toa nampisendaotra an’I Malala izay fehezanteny farany izay.
- "Nahoana ianao no mandainga ry Mahefa?" nalefaka ihany anefa ny feony na izany aza. "Inona no naha vizana anao? Lazao ahy fa aza mandainga, dia hoa aiza koa ianao anio alina fa tsy marina izany hiandry raharaha izany. Lazao ny marina. Manana ny fiainako aho, ary tsy misy idirako ny anao, saingy aza mandainga. Rehefa tsy misy faniriana any aminao dia aza mikasika ahy fotsiny, tsotra be."
Gaga ihany Mahefa amin’izato hasiakan’ity vehivavy niangolangola fiteny hatrizay.
- "Malala a! aza tsiny marina e! henoy aho fa ho lazaiko anao avokoa." Sady nosarihiny hipetraka teo amin’ny farafara i Malala. "hihaino ahy ianao?"
- "Ento ny teninao e! nefa raha misy fikasaina handainga dia aoka"
- "henoy aho ho’aho, lazaiko anao ny marina. Matahotra aho , matahotra ny mety ho tohin’ny fianaiko aho. Faly aho noho ny fananako an’i Alexia anilako ankehitriny, ilay sombin’ny aiko ary koa sombin’ny ain’i Vololona, ilay tompon’ny fitiavako. Avy niresaka taminy aho omaly, dia tena nahatsiaro an’i Vololona tanteraka, na ny endriny, ny fijeriny, ny firesany, kanefa zanako izy, zanako, ary ho tiaviko toy ny ray mitia ny zanany rehetra." Nisento tokana i Mahefa avy eo, saingy tsy dia niditra tao an-dohan’i Malala loatra, ny fanazavana toa nandrasany mantsy dia ny mikasika ilay sary. Hany ka tsy nahandry izy ka nitsatsaingoka:
- "Eny e! zanakao i Alexia tsy misy mandà an’izany fa avy eo, inona no nataonao avy eo?"
- "Araky ny nifampiresahanay sy Ratrema dia mbola tsy fotoanany izao hanamborahana amin’i Alexia ny tena marina, mafy ihany izay nahazo azy nifanesy faraparany teo izay, nefa ny fihetsiny…"
Navelany ho lasa ny segondra dimy vao nanohy izy:
- "toa nibosesika te hivoaka avy ao am-bavako ny teny hoe izaho no rainao, ray niteraka anao mba ho ren’izato sofiny, te hamihina an-janako mafy aho."
- "tsapako sarotra tokoa ny toerana misy anao, fa avelao handeha ny fotoana dia ho hitanao fa hilamina mora foana io. Tovovavy tsotra raha i Alexia, tia olona, manana fandeferana, ary “compréhensive”. Minoa ahy ianao, fotoana fotsiny no andrasana. Dia tohizo fa miheno anao aho, avy eo ianao nankaiza?" Hoy i Malala toa nandondona.
- "Saika tonga aho dia hamonjy fodiana taty, tamin’ny enina ora hariva teo, nefa natahotra ny fakam-panahy niandry ahy ato an-trano aho, izay fantatro fa tsy maintsy haharendrika ahy, dia naleoko niandry taratara mba hoe efa matory ianareo vao mody, kinanjo…"
- "Mahefa a! Tsy vao voalohany anie akory iny alina iny e! sady tsy azoko mihitsy."
- "Malala, tsy mbola niverina tanteraka ny aiko taorian’iny fandidiana natao iny ary…. nahatsiarovako loatra an’i Vololona i Alexia, ianao koa toa mitondra ahy tanteraka ho eo anilany, ny feonao, ny famindranao, ny halaman’ny hoditrao, ny fanafosafonao, ny fihetsikao mitia. Eny manana mihoatra noho i Vololona aza ianao satria matotra, efa anananao ny fahaiza-manao rehetra. Tsara taiza ny zanako.Toa mitady ho babonao ny foko ry Malala. Nefa ho heloko izany, ho tsiniko eo anatreha-janako. Manambady ianao ary, hitako taratra ny fitiavanao ny tokantranonao. Ny hasambaranao, ny fireharehan-dRatrema, tsara andefimandry, arahin-jazalahy sy zavavy, ireto ankizy tsara taiza, tsara aro, toa voafehy anaty fefy tsy ho sarangotin’ny hetraketrakin’ny tany sy raolombelona.. Ny anjarako, ahy. Izao angamba no ratsy vintana. Hany heveriko ho vahaolana, mandositra mba tsy ho rendrika. Tsy te hanimba ny fahasambaranareo aho, nefa koa tsy te hampijaly tena, …
Tsy marina ny hoe miasa aho anio alina fa, te hiala anao fotsiny, tsy te hitsiriritra anao aho mandritra ny alina. Nikasa ny hanao famandrihana amina hotely iray aho anio."
Tsapan’i Malala fa lehilahy be fitiavana ity manoloana azy, ary ankavitsiana no toa azy. Nobanjininy i Mahefa, notorahany tsiky malefaka. Toa velona tao aminy indray ilay fireharehana fa misy lehilahy solafaka aminy. Niverina ny fahatokisany ny tenany fa tsara izy, manintona lehilahy, tsy sembana ho azy amin’ny fambaboana lehilahy, na zatovo io na zokinjokiny, ny zaza roa efa naloaky ny kibony. Natoky ny filazan’i Mahefa tanteraka izy, nino izy fa tsy nisy lainga, saingy…. tsy ampy.
- "Mino anao aho Mahefa saingy…, sady somary niangoty indray izy toy ny fanaony hatrizay, misy zavatra tiako ho fantatra raha tsy ho tsiniko."
- "Mihaino anao aho, inona no tianao ho fantatra?"
- "Nilaza tamiko ianao ry Mahefa indray andro iry hoe taorian’i Vololona dia izaho no vao vehivavy niarahanao nandry indray. Efa nolazainao tamin’izany io fitovizako amin-drahavaviko io."
- "Marina izany, tena marina, minoa ahy."
- "Lazao ahy ary ry Mahefa , iza ilay sarina tovovavy lava volo ao anaty tiroir-nao ao."
- "Hay hitanao tao?" sady somary nitsiky Mahefa, nampiseho ireto kentrona efa manomboka miha-mahazo toerana amin’ny andriny. "Tovovavy tsotra, sady malefaka tokoa raha io tovovavy io."
Nisento lalina indray izy. Isaky ny misento izay Mahefa dia toa hitantara zavatra sampona foana, tiany atao nefa tsy vitany ny manatanteraka azy noho izy toa olon’ny moraly loatra. Rehefa tsy ataony nefa, toa milentika lalina ao am-pony ny nenina. Zary lanin’i Malala tsianjery sahady ny toetrany nandritra izay fotoana fohy nifampikasohany izay. Toa velom-pialonana sahady nefa izy, satria toa feno fankasitrahana sy fankafizana anaty izato fomba namaritana voalohany nataon’i Mahefa ity tovovavy. Na dia teo aza anefa izany fialonana niforona izany, dia toa resin’ilay fitia te hahalala ny tsiambaratelo’ny hafa tsotra izao. Nitsangana izy, notarihiny ilay seza somary niankin-dridrina, najanony manoloana ity tovolahy toa ho be ambara nefa mikaroka izay teny avoaka. Nitombina teo ambonin’ilay seza i Malala mba hifanatrika tsara amin’i Mahefa. Toa nidika ho fahavononana tanteraka hiaino izay hambaran’ity farany ny fihetsiny. Ny ora koa moa vao nisompirana kely niankavanana tamin’ilay teo fotsiny ilay fanjaitra lava be ka tsy nisy nahamaika.
- "Mbola tanora tokoa Ramatoa kely io." Hoy i Mahefa nanohy ny teniny, "tovovavy malemilemy paika hoy aho mantsy anao teo, malefadefaka fiteny, tsy miavona, nefa koa manaja tena. Nananany tokoa raha ny endrika, ary nampierika mpandalo raha ny bika. Nanaraka fiofanana tany Etazonia aho tamin’ny taona 2002, amin’ny maha mpitsabo ahy. Tany no nahafantarako azy. Mpianatra ho mpitsabo izy tamin’izany, ary tao amin’ilay hopitaly nisy ahy no fanaovan-dry zareo mpianatra fampiharana. Tonga moa dia mandeha vetivety ny resaka tamin’izy samy mpianatra fa misy Profesora malagasy koa ao amin’ny hopitaly. Nanao izay hanantonana ahy izy. Vitsy mantsy ny Malagasy tany hany ka samy miezaka ny hifandray avy hatrany izahay raha vantany vao nifankahalala. Ankizy isan’ny tena naranin-tsaina tokoa izy raha samy mpianatra tao. Hany ka nanjary lasa mpianatra tian’ny profesora vazaha rehetra. Tsaroako mintsy ny fomba nanononan’ilay profesora iray izay ny anarany, anarana gasy notononina tamin’ny teny anglisy, toa mitambolombolona anaty vavany izany ny lelany rehefa manonona ny “r”: Miss* Ramisarivo," hoy i Mahefa sady nitsiky. Toa toy ny niverenany niainana mihitsy ilay fotoana tamin’izany.
- "Tsy nisalasala izy nanontany ny hevitro mikasika izatsy na izaroa, indrindra moa fa rehefa misy olana kely. Isaky ny tojo fahombiazana izy, dia izaho no ampahafantariny izany alohan’ny rehetra. Ny fahaizany mankasitraka avy eo rehefa avy manampy azy aho, eny fa na dia toro-hevitra kely fotsiny aza dia nankasitrahany aoka izany. Itondrany fanomezana kely, na entina misakafo, na misotro kafe fotsiny. Tsy mba nisy lafo vidy, kanefa tsapako fa tena avy tamin’ny fony ireny ka tena nahasambatra ahy. Toa nozariny tamin’izany fomba fiaina mendrika maha te hidera izany aho, hany ka toa nisarangotra taminy. Nifangaro be ihany anefa ny fientanana tato anatiko. Ny saiko nanaiky izay rehetra nataony, niezaka koa nikaroka izay fomba rehetra anampiana azy, nefa toa tsy ny saiko koa io nisarangotra io. Ny vatako, naveziveziko tatsy, natotototoko taroa mba ho eo foana raha misy ilany azy, saingy toa tsy nisy naniry azy ny rantsana rehetra tety amiko, eny fa na dia singam-bolo iray tamin’ny vatako aza tsy mba nisy nitsingana. Ny foko no nankasitraka izay rehetra momba azy nefa… toa tsy ny foko io nisarangotra io. Tovovavy mbola nadio tanteraka izy, kanefa tsy mba naniry ny higoka ny tsiron’izany fisantarana fantsona mbola nisarom-boaly izany na ny rantsana faha iraikambin’ny foloko aza. Toa tsy ho sahiko na ny hieritreritra akory aza, ny hamaky ka handratra, sy handoto izato fantsona toa efa nokojainy sy narovany fatratra, indrindra nandritra izato fahatanorany, fotoana anjakan’ny fakam-panahy."
- "Tovovavy tonga lafatra sahala amin’izany ity izy koa inona indray izato sampona tany aminao ry Mahefa," hoy i Malala toa nandrabiraby. "Ianao koa ity toa tsy hita be ihany. Ny tanalahy aza ry Mahefa na dia mandroso mihemotra eo aza toa mba tonga amin’ny tanjona tiany ahatongavana ihany a! ka ianao indray, tsy vitan’ny hoe sady mamindra toy ny sokatra fa mbola miverin-dalana indray rehefa tonga amin’ny dingana farany tsy ahatrarana ny tanjona."
- "Tonga lafatra hoy ianao, tena lafatra tokoa. Tsy nisy azoko nokianina taminy. Saika hampakatra azy tokoa aho ry Malala. Izy koa mino aho fa hanaiky ny ho hampakariko. Saingy samy nahalala izahay fa tsy kilalao ny tokantrano fa ilàna fo mitempo fitiavana feno avy amin’olon-droa. Tsy ampy ny firaisan-tsaina, fifandeferana lalina, finiavana niraisanay. Toa nisy ezaka maro, na avy aty amiko na avy any aminy, ny mba hitsirin’ ilay fitiavana tsy hahasambatra anay nefa indrisy, toa nadamoaka."
- "Dia tsy mba tsikaritrao akory ve hoe inona no tena antony e! Sa ny elanelan-taona nisy taminareo?"
- "Tsia, tsia dia tsia," hoy Mahefa toa natoky fatratra ny tenany, nandritra ny nifampikasohana dia tsy hita taratra mihitsy fa nielanelana be ny taonanay, na tamin’ny zavatra niaraha-nanao na tamin’ny resaka nifanaovana, tsy nisy olana. Saingy…. toa mbola nanantena mafy ny hisian’ny fihaonako amin’i Vololona aho, mbola nino tanteraka fa tsy maty ny aminay. Izy koa… toa tsy misy fitserana izato fotoana very, toa vao maika aza nivonona ny hamela ny taona maro handalo, mandra-pahitàny indray izany olon-tiany, olona hany mba nitempon’ny fony fitiavana, nefa dia nosarahin’ny fialan-tsasatra. Nanantena ny mbola hifankahita nefa indrisy. Zary nokobonina tao am-po ilay fitiavana, nanao andraso andraso lava. Noeritreretiny ho fitiavana fahazaza mandalo fotsiny ihany, kinanjo, fito taona no efa lasa, toa vao maika niorim-paka lalina dia lalina, hay hatramin’ny fony fahakely mbola nilalao kanety no efa nitsirin’ny fitiavana tao anatiny tao."
Toa nanjetoka kely ery Mahefa nitantara azy. Feno fitserana izato tovovavy sy ny tantarany ny feony. Ny volom-bava mitady hitsiry no hany sisa nosafoiny. Tsikaritry Malala izany ka somary somary nikaroka hihomehezana izy handroahana ilay aloka niserana tamin’ny endrik’ity ankafiziny nefa toa tsy tiany.
- "Hanky va re e! toa mahavaky fo izato tantaranao ry Mahefa. Ary ahoana koa moa no ninoanao marina tokoa fa nadio izy? Amin’izy izato efa firy amby roapolo taona? Tsy hainao izay nafeniny tao anaty zipo lavabeny tao?"
- "Andray izato ianao ry Malala! Tsy ny taona ihany anie no mitondra ny filàna e! Marina fa misy ny tsirim-pientanana sy filàna ary ny fiovan’ny toe-batana ateraky ny fitombon’ny hormone, izay miovaova koa arakaraky ny taona. Fa eo koa ny fo ilaina mitempo fitiavana aloha, ho an’ny ankabetsahan’ny olona maro io, mba hanampy ny fitomboan’ny faniriana ary mba hahatonga lafatra ny fanataterahana ny filàn’ny nofo. Ary ny tena adinonao dia ny fisian’ny saina izay afaka mifehy tsara io filàna io. Na mitsiry ao anatin’ny olona iray aza ny filàna dia ny saina no mibaiko ny ny fihetsika. Ny saina no mitondra an’io, io no tsy hitovizan’ny olombelona amin’ny biby, mba ho baikon’ny saina fa tsy ho sanatria baikon’ny filàna."
Tsy nahateny i Malala fa nihatokatoka fotsiny. Toa nahatsiaro ho nanidrona azy ilay tenin’i Mahefa teo. Tsapany anefa ny fahamarinany, ary na izy aza mahalala fa azo toerina ny filàna, eny fa dia ireo efa naharendrika azy hatramin’izay aza, azony notoerina raha toa ka… tiany notoherina.
- "Tsy misy tokoa aloha ny sahala amin’io vehivavy io raha izany fitantaranao azy izany e! mety ho iray ao anatin’ny arivo." Hoy izy sady nitsangana. Handeha handro aho dia hikarakara ny ankizy. Miara miainga isika ho any amin’i Alexia a! Dia aleo aho hanao sakafo maraina aloha vao mandeha e! dia tonga dia aterina any amin’izany toerana izany ny ankizy. Any koa aho dia atoronao ahy ny toerana angalana ny vola izay halefan-dRatrema. Hividy finday koa aho mba ampiasaina. Mba te hanararaotra hijerijery magazay koa aho rehefa misy azo ametrahana ny ankizy ihany …"
Ny hazavan’ny varavaran-kely nitaratra tany amin’i Hery no nampiodina azy teo ambony fandriana. Nosokafany kely ny masony, nitsirempirempy, kanjo….
Niarina kely ny lohany, tsy nisy afa-tsy izy irery sisa no teo ambony fandriana. Notsapatsapainy, tsy nisy olona mihitsy teo, ary mety vao haingana no lasa. Tsy ho nofy kosa aloha ilay alina e! hoy izy sady nakipany ny lamba nirakotra azy dia nitsangana izy. Noraisiny ny akanjony dia lasa izy nankao amin’ny efitra fandroana. Nihevitr'izy fa mety ho hitany tao i Mihary saingy indrisy fa foana ny tao. Farany, nivoaka ny efitranony izy ary nandondona tao amin’ny efitra ilany. Tsy nisy namaly aloha. Afaka kelikely vao naneno ny famoaham-baravarana, iny lehilahy mbola manao akanjo mandry iray no nivoaka tao, gaga be i Hery. Fa inona ity?
- "Azafady Ramose fa, angaha moa tsy ato ny efitra fandrian’i Dr Mihary?" hoy i Hery.
- "Dr Mihary? Tsy azoko mihitsy ny tianao hotenenina ! Tsy misy izany ato ka!"
- "Ka izaho aza ange tena niditra tato mihitsy omaly e!"
- "Tena miala tsiny Ramose fa tsy misy izany ato an!" hoy ilay Rangahy, sady nakaratony ny varavarana.
- "Fa lasa aiza i Mihary, fa ahoana koa izany? Izaho ve no matory atoandro sa…"
Iny izy saika handondona fanindroany iny no nisokatra ilay varavaran’efitra ilany sady nisy nivoaka tao, niantso an’i Hery.
- "Hery ! avia aty fa inona no ataonao any?"
- "Andray ry Mihary, tena very tadiny aho, afa-baraka marina."
- "Ianao ity an ! ianao ve dia ho tratran’ny tamberin-tany mihoatra noho izaho aty."
- "Aleo aho aloha hiditra, sady menamenatra ihany ny tovolahy, vahotra be koa aho tsy nahita anao teo ambony fandriana teo, dia mety nampikorontana ny saiko."
Niditra ny efitr’i Mihary i Hery, boky roa sy antontan-taratasy maromaro no teo ambony latabatra. Niverina namonjy ny zavatra nataony i Mihary.
- "Tsy maintsy manomana ny famelabelaran-kevitra hataoko rehefa avy eo aho dia izay no nahatonga ahy niverina tato. Mandamina izay porofon-kevitra entiko manohana ny asako."
- "Hay, efa natahotra be aho mantsy nifanena tamin’ilay lehilahy teo. Loza izany."
Tsy nisy niteny intsony fa i Mihary variana namaky ny firaiketany, i Hery naka fandriana, ary rehefa kelikely dia nitsangana izy, nivoaka ny efitra, toa tsy noraharahian’i Mihary akory.
- "Izay izany ilay hoe manam-pahaizana, rehefa mifototra amin’ny zavatra iray ny saina dia mifantoka tsara, ny anio no atrehina. Hahita ialahy ry Hery miaraka amin’io Mihary io. Tadidiko tsara i Mihary ilay nanampoaka entona tamin’ny simia tany am-pianarana fahiny. Tia fanandramana. Nitsoka nivoaka ny trano daholo izahay, izy aza saika nifamonjena tao.
Niverina i Hery afaka fahaefa-kadiny sady nitondra ny sakafo sy ny dité mafana ho azy roa. Nijaikojaiko moramora, tsy ren’i Mihary akory. Ity farany mbola manoratsoratra eo ambony taratasy, tsy mahatsiaro izay manodidina azy.
Farany, napetrak’i Hery teo ambony latabatra ilay vilia lehibe fisaka nisy ny sakafo. Nanoroka mora ny tarehin’i Mihary izy sady hoy izy hoe raha noana anie ny kibo ry Mihary ka hivezivezy ny fanahy eh.
Nitsiky kely fotsiny i Mihary sady namaly moramora hoe:
- "Manandrana manova ahy an!"
- "Ilaina foana ny fanombohan’ny zavatra rehetra."
Tamin’ny fihetsika tsotra dia tsotra no nisarihan’i Mihary ny lohan’i Hery hifanoroka aminy. Nakipiny ny masony, naka fitiavana vaovao.
- "Misaotra betsaka ry malalako, hoy ity vehivavy. Sady hita miran’endrika ery izy notoloran’i Hery ireto sakafon’ny nofo."
Dia niara-nihinana teo izy roa sady nifampanontany, nifanakalo hevitra.
Niaraka nandray fandroana sy namerina indray ny safosafo sy ny oroka mamy rehefa avy eo. Toa hita hoe nifankatia tokoa ary nigoka ilay fitiavana vao niverina nandrobona indray.
Afaka ora roa taty aoriana dia indreny lehilahy iray sy vehivavy iray namonjy ny lapan’ny tanàna, i Hery no mitondra ny fiara, i Mihary eo akaikiny eo mitafy fitafiana mihaja, manara-damaody tsara, nahafatifaty ny fijery azy. Tsotra, nefa tena mametraka ny maha-mpitsabo azy.
Nandeha ny famelabelaran-kevitra nataony teo anoloan’ireo manam-pahefana sy mpitsabo maromaro, variana avokoa ny rehetra, nihaino, nandray ny hevitra aposak’ity manam-pahaizana manokana momba ny fananahana sy ny reny bevohoka. Nandeha ny fametrahana fanontaniana, nahafapo avokoa izay valiny nomen’i Mihary.
Anisan'ireo nanatrika teo koa i Hery. Nangilan-tsofina tsara, mankafy, mitsiriritra ity ravaka efa eny an-tanany. Nanomboka niha-nahazo vahana tao am-pony ilay fitiavany voalohany. Tahaka ny misy lalana vaovao misokatra eo anoloany, lalana milamina, nefa etsy amin’ny ilany, lalam-potaka mandrevo sy mila handetika; iza ary izao no lalana hofidiako? Hoy izy nanontany tena.
Efa tamin’ny 11 ora sy sasany vao vita ny ady hevitra, fiarahabana maro sy firarian-tsona no noraisin’i Mihary. Farany, nivoka izy roa, namonjy ny fiara ary nankany Amborovy hitsangatsangana. Asabotsy rahateo moa ny andro, andro mahafinaritra. Ny hafanàna mivaivay, soa fa nisy ny fiara azo nentina nitsangatsangana. Nijanona vetivety nisotro madrafo (ranom-boanio) teny andalana amin'ireny mpivaro antalantalana amoron'ny lalam-pasika mankany amoron-dranomasina iny izy roa. Tao amin'ny Zahamotel no nisafidianany hisakafoanana ary namonjy ny tora-pasika izy ireo nony avy eo mba hialas sasatra teo ambany elo-be feno alokaloka. Zara raha nisy olona teo amoron-dranomasina tamin'izay ka tena fahafinaretana aok'izany no tsapan'ireto mpifankatia nampihaonin'ny kisendrasendra indray.
Vetivety anefa dia niha-maro ireo mpitsangatsangana tonga hilalao rano, andro asabotsy fialan-tsasatra rahateo moa. Ary efa manakaiky ny fakan-drivotry ny Noely.
Variana ery izy roa mitazana izay ataon’ny olona. Fitafy manify fitena anaty rano sisa no teny aminy. I Mihary mirakotra lambahoany manify, i Hery mipetraka eo ambony fasika, ny tanany mamikitra amin'ity tovovavy eo anilany.
Natsofony tany anaty lambahoany norakofan'i Mihary ny tanany. Voakasiny ny lohalik’i Mihary ary dia nanomboka nosafosafoiny miadana. Nampiakariny kely hiakatra nandalo ny fe nony avy eo ary dia notohizany niakatra teo amin’ny kibo. Nankafy ny halaman’ny hoditr’i Mihary teo izy aloha. Malefaka sady toa mipetraka tsara. Nampiakariny moramora amin'izay ny tanany hamonjy ilay tati-nono somary kelikely nefa fenofeno sady midongona, nopolipolesiny mora, dia nokitikitihiny ireo loha-nono kely izay tsapany fa toa tonga dia niha vonton-dra avy hatrany.
I Mihary amin’io tsy miteny fa toa mandrimandry maso sady mandinika tsara an'i Hery sy ny fihetsiny. Tsy sahy nihetsika izy anefa fa natahotra sao dia hisarika ny mason'ny manodidina hitodika any aminy. Tsy aritrany intsony anefa nony kelikely fa tsapany nangitikitika loatra azy ny tany anatiny tany. Injay i Hery fa nampidina ny tanany amin’izay, nafindrafindrany tahaka ireny olona mamindra amin'ny fidinanana ireny ny rantsan-tananay. Toa mijaikojaiko teo ambony kibon’i Mihary, nidina ihany, nahatsapany ny hafanana miha-miakatra tamin'ny vatan'ity vehivavy eo anilany. Niova kely anefa ny famindrany nony tonga teo amin’ilay tady kely mihazona ny tako-kenatra, novelariny ny felan-tanany ka nampandriany teo ambon'ny foitran'i Mihary ary dia notohizany tamin'ny safosafo malefaka nidina nanaraka ilay hantsana mitondra any amin'ny fizaran’ny hoditra ho roa izay mbola voafono tao anaty silipo tsara.
Tsapan'i Mihary fa miha-mando ny fivaviany, tiany hotohizana kanefa… notazominy mafy ny tanan’i Hery, sady nivandravandra tamin'i Hery izy.
- "Hery ! aoka aloha!"
- "Fa ahoana!"
- "Aoka aloha, misy maharary raha vao kitihanao eo."
- "Tsy mampaninona izany…ho tsapanao fa tsy haharary intsony io rehefa avy eo !"
- "sssshhh! Hery an! Mahalalà menatra, efa miha-be olona ange eto e!"
- "Tsy sahy?"
- "Andray ry Hery," sady nosintominy tsara ilay lambahoany, "ianao ity an ! Fa angaha ianao tsy misaina afa-tsy izany?"
- "Bof! Ohatran’ny te-hanandrana fotsiny aho, raha sahy ianao!"
- "Fa angaha moa voatery tsy maintsy manao foana vao mifankatia!"
- "Porofom-pitiavana io amiko! Io no anisan’ny lalana iray ifampitàna hasambarana eo anivon’ny olon-droa. Fahafinaretana iaraha-manana sy ifampizarana."
- "Eny e! misy maha-marina azy izany, fa aiza ny fifampiresahana, aiza ny firaisam-po, aiza ny teny mamy ifanaovana sy ny tambitamby, sehatra faharoa ireny fa ny manao ihany ny anao no voalohany? Ianao izany toa ny hanafosafo sy hitady fahasambarana amin’ny alalan’ny firaisana hatrany no masaka ao an-dohanao."
- "I Mihary koa! mba te-hanandrana izany manao ety amorom-pasika izany aho e !"
- "Dia amin’izao ora manomboka miha-be olona izao? Andray ry Hery ! Tsy tiako !"
- "Tsy tianao amin’ny ahoana ary?"
- "Tsy haiko! izaho izao mba nanantena mihitsy izay fahitanao ilay famelabelaran-kevitra teo. Tsy nahitan-teny mihitsy ianao, nefa mba te-haheno izay fihetseham-ponao aho."
- "Pffff ! ianao koa ! Zavatra tsy misy kianina ireny ve dia inona moa no ambarako eo! Hay, tena marina izany, variana mihitsy aho tamin’ilay resaka hoe tsy tokony hipetrapetra-poana ny vehivavy rehefa bevohoka fa manjary msy fiantraikany amin’ny zanany any aoriana. Fa ahaona koa no hitenenanao izany, tsy amin'izy miasa mafy iny indrindra ary ve no hampisy tarazo amin’ny fiainan’ny zanany.
- "Tsy azonao mihitsy ny tiako hambara. Ahoana re ny hilazako azy e!
Tadidinao moa tamintsika tao amin'ny kilasy famaranana. Nisy an'izay mpampianatra antsika siansa sy ny zavaboahary izay. Niteny izy hoe aza avelanareo hipetrapetraka mihitsy ny vadinareo, na ianareo rehefa bevohoka! Fa izaho izao mihitsy mantsy hoy izy no nahatsapa an’izany! Tadidinao iny Madama iny? "
- " Tadidiko tsara, izy ilay niteny hoe ny zanako voalohany, mbola nianatra teny Ankatso aho tamin’izaho bevohoka azy, dia lasa matselatselaka be amin’ny fianarana, fa ilay faharoa, efa vita ny fianarana, dia naka aina tsy nanao inona na inona firy intsony fa novelomim-bady, nampiasa mpanampy, fa dia nahagaga fa dia lasa kamokamo no vontsavontsa izany ilay zaza.
- "Izay heviny izay no narahiko sy nifototrako hatramin’izay. Nandinika sy nanao famakafakàna lalina momba ny fiainan’ny reny bevohoka aho. Jerenao tsara ary, nahoana ny zanaky ny mpanakanto no lasa mpanakanto, ny mpampianatra matematika no mahay matematika be, ny zanaka dokotera vavy, lasa profesora manam-pahaizana. Noho ny inona no anton’izany hoy ianao?! Satria voatefy tao an-kibo ny sain’ilay zazakely. Tadidio fa ny loha ange no miforona voalohany ao an-kibo ao e!
Ka andramo ary, andramo dia ho hitanao, fa raha mitomany lava ny vadinao rehefa bevohoka, dia asa izay hanjo ny zanakao any aoriana, raha misendoatra lava izy, taitaitra, angamba mety harary fo ny zanakao. Ary io tsy ilay ara-batana ihany, tahaka ny hoe : marary ilay reny, na koa hoe mifoka sigara na misotro toaka, fa miantraika mihitsy amin’ny ara-tsaina.
Ka izaho dia tena mamporisika mihitsy ny reny rehefa bevohoka, tsy hipetrapetraka na handany andro fotsiny. Fa manao zavatra marobe, fanadrahoana sakafo, famakiana boky, fianarana marika sy kajikajy, fampiasan-tsaina isan-karazany. Ovaovaina ny zavatra atao. Ny fiaraha-monina ange manefy ny saina ry Hery e ! Fa hafa kokoa ilay saina raha efa voatefy tao am-bohoka. Nahoana tokoa ary no misy hatrany ny mahay kokoa ao am-pianarana, ary mifanalavitra amin’ny gisitra ny voalohany?"
- "Tsy manda izany teninao izany aho," hoy i Hery, "fa ny mahatonga ahy tsy niresaka ange, izaho lehilahy, tsy mahatsapa izany fiainan’ny bevohoka izany aho, nefa izaho no iresahanao azy. Ny tiako izao dia ny mba hampianaranao ahy izay mbola tsy fantatro mikasika ny fananahana. Ianao rahateo moa mandalina manokana momba io. Dia mba ilazao e!"
- "Fa inona anefa no tianao ho fantatra?"
- "Asa, maninona ohatra no misy olona tsy maharay lamba fa te hanao foana, nefa misy ny olona tsy taitra akory, na lahy io na vavy?"
- "Tsy haiko," hoy i Mihary, "fa maninona ianao no manontany izany?"
-" Tssss! fa ahoana koa. Aiza no tsy hahalalanao izany," sady nanao tarehy ratsy i Hery.
- "Io ry Hery, samy manana ny heviny ny tsirairay, ary tena hita tokoa, fa ny sasany tsy manaiky mihitsy, ny sasany manao amin’ny antonony, ny sasany mety tsy taitra. Fa amiko manokana, satria izaho ihany no nanao ity fanadihadiana ity dia izao:
Mbola mipetraka ihany ilay mikasika ny reny bevohoka teo. Satria, maro ny reny rehefa bevohoka dia tsy manao firaisana intsony, misy ny mbola manao mahalana, mety ho tsindraindray, ary misy aza ny tsy manaiky mihitsy fa vao mainka mitady be tsy misy ohatran'izany.
Dia mazava fa miantraika amin’ny zazakely io. Ny firaisan’ny mpivady dia fifandraisan’izy telo mianaka. Ray, Reny, Zanaka. Mety misy fahafinaretana io, ary io dia tokony ho tonga any amin’ilay zaza koa.
Ka raha ohatra izany ny vadinao, tsy maninona ve raha ataoko hoe « izaho », sady nipi-maso ihany i Mihary, tsy manao mihitsy isika mandritra ny maha-bevohoka ahy, dia tsy dia rototra firy amin’izay firaisana ny zanantsika rehefa lehibe, fa mety ny fiaraha-monina any aoriana no hanefy azy.
Fa raha manao tsindraindray nefa voalanjalanja tsara isika ohatra dia efa mizatra izay koa ny sain’ilay zaza, hany ka mifoha tsara ny sainy sy ny vatany raha vao miresaka fananahana.
Raha tena mpanao be indray isika amin'izaho mitondra vohoka, dia mety ho lasa tsy mahatan-damba araka ny noteneninao teo ny zaza mivoaka eo rehefa lehibe.
Aleo aloha hazava fa fanadihadiana nataoko io an! Fa ny marika hitako hatramin’izay fotsiny no ametrahako ny hevitro, tsy mbola misy manam-pahaizana hitako nandalina manokana ny momba io tsinona ary tena mahaliana ahy ny hanamarina ny mampitombona tanteraka an'ireo petra-kevitro ireo na tsia.
Fa ilay tranga faharoa no tsaratsara, na dia ilay fifampitan’ny fifankatiavana sy ny firaisana amin’izay telo maianaka fotsiny aza dia mahafinaritra.
Izaho izao, te hahafantatra mihitsy ny fiafaran’ireny zaza tao an-kibo niaina tao anatin’ny fampirafesana ireny. Izany hoe ilay reny bevohoka mihitsy no mampirafy, misy olona sahy manao izany an! Sao ianao dia taitra, fa tena misy mihitsy.
Nisendoatra kely i Hery, niezaka ny hitony haingana anefa izy sady niteny hoe:
- "Fa araka ny fihevitrao, tahaka ny inona ary no fiainan’ilay zaza rehefa lehibe ?"
- "Asa ! Ilay izy aloha raha ny fandinihako, tsy eo amin’ny maha-zaza azy no mitranga ny tena toetrany fa rehefa tonga amin’izay ilay fotoana hananany fahaleovan-tena isintahany amin’ny reniny na ny rainy. Rehefa mahatsapa izany izy fa afaka mitondra ny fiainany amin’izay.
Asa tokoa! mety olona ikoizana amin’ny fampirafesana, tsy mahatan-damba fa mivezivezy etsy sy eroa, raha misy olona misary zoro aminy angamba dia latsaka ao anaty dobony avy hatrany. Ary mety ho tena fahafinaretana ho azy ny manao ary tsy mifidy olona hiarahana, eny na dia olona bevohoka aza. Tsy haiko e! Eritreritro fotsiny izay fa te-hahita mihitsy aho.
Indraindray aza aho, te-hiresaka amin’ireny olona ireny hoe mba nanao ahoana kay ny mamanao tamin’izy bevohoka anao? Ratsy be izany ry Hery an! tsy fanao mihitsy, fa ho loza ny mitranga raha tahaka izany daholo ny miseho."
Very hevitra teo i Hery, tsy hitany izay hotenenina. Naforitrany ny lohaliny, dia nahankiny teo ny lohany. I Mihary mbola te-hanohy ny fanazavàny amin'io satria mbola toa mbola betsaka ny zavatra tiany holazaina. Tonga dia notapahin'i Hery avy hatrany anefa ny resany raha iny ndeha hanohy indrindra iny izy:
- "Mihary an! Tsy maninona ve raha tonga dia mody isika izao fa... "
- "Fa... fa maninona hoy ianao?"
- "Tsy haiko e! ohatran'ny te hody fotsiny aho fa ampy angamba izay nijanonantsika teto izay!"
- "Oay! Isika aza tsy mbola nitsoboka ranomasina akory," hoy i Mihary mbola nidongy.
- "Tsy mampaninona, andàna ary raha te-hilalalao ranomasina ianao fa izaho aloha hijanona eto sady hanomboka hampirina entana. Rehefa afa-po ianao dia miverena fa tonga dia mody isika."
Tsy niteny intsony i Mihary fa nitsangana, nanala ilay lambahoany teny aminy dia nihazakazaka madinika namonjy ny ranomasina efa manomboka miakatra ary nankaiky ny nisy azy roa.
I Hery kosa, nijanona teny lavidavitra teny, toy nianjadian'ny vatolampy mavesatra tao andamosiny izay mila hanapotsitra azy tanteraka raha tsy mitandrina kely fotsiny izy. Nanakoako tao an-tsainy ilay hafatry ny reniny teo ampialana aina, hafatra tsy nampoiziny nefa nambara taminy tamin'ny fotoana farany niresahan'izy mianaka.
"Misy fahamarinany ve ny tenin'i Mihary? Hoy izy niteny irery.
"Raha ampifandraisina tamin'ny hafatr'i Neny farany, dia tena mitombina tokoa izay zavatra nolazain 'i Mihary teo e. Nefa petra-kevitra ange ny azy fa tsy voaporofony akory e! Nefa dia izaho izao no porofo izay andrasany".
I Mihary amin'io fotoana io mankafy ery hatsiakan'ny ranomasina amin'ity andro migaingaina. Nakopakopany ny tanany hiantso an'i Hery, nefa ity farany tsy nihetsika teo amin'ny toerany fa toa niantso azy hiala tao anaty ranomasina indray aza.
Farany, nanatona an'i Hery izy nanontany izay manjo ity olon-tiany.
- "Fa ahoana?"
- "Metimety kokoa isika miverina any amin'ny hotely amin'izay e!"
- "Fa maninona ary i Hery no miova tampoka tahaka an'io e! Sa nalahelo ianao tamin'ilay tsy navelako hanao tamiko teo?"
- "Sshh! te-hody fotsiny aho fa tsy aleonao ve misolo akanjo amin'izay."
- "Eny ary ko! ianao moa no mitondra fiara ka ataoko ahoana. Fa sao dia marary ity ianao e! Sao dia tsy zakanao ny sakafontsika teo. Izaho ange dokotera ry Hery e!"
Tsy niteny intsony i Hery fa ny fiara no novonjeny, i Mihary kosa lasa namonjy efitra kely fisoloana akanjo. Vita iny dia namonjy ny fiara nisy an'i Hery izy.
Tsy nisy niteny teny an-dalana, i Hery miankina amin'ny sisin'ny varavaran-kely, toa tsy mitombina mihitsy ny sainy, lasalasa vinany, toa mivaloharika, ny lalana no nojereny tsara.
Tonga tao amin'ny hotely dia nosokafany ny varavarana aoriana hakany ny akanjo sy ny entan'i Mihary. I Hery no nitaridalana hamonjy ny efitrano nony avy eo moa i Mihary nanaraka moramora avy ato aoriana.
Nony tonga tao an'efitra…
- "Hery an! Mahatsikaritra zavatra hafahafa mihitsy aho aminao ity. Lazao fa naninona tampoka teo ianao e? Marary inona? Izaho ange eto afaka hitsabo ny aretina mahazo anao e!"
- "Raha vitan'ny fitsaboana izany dia efa nolazaiko taminao," hoy i Hery somary tezitra.
- "Andray ry Hery! Nisy zavatra tsy tantinao nolazaiko angaha?"
Nanomboka nanganohano ny mason'i Hery, nanondrika ny lohany sady naka andry teo ambony latabatra kely ny tanany. Nalahelo mafy ny reniny izy ka nila ho latsa-dranomaso. I Mihary amin'io tsy tonga saina mihitsy amin'izay zava-miseho tany andohany tany fa ny hany azony natao dia ny nanatona an'i Hery sady nanafosafo ny lamosiny.
- "Hery! Fa maninona ho'aho ianao? Izaho ve no mahatonga anao mitady hitomany?"
- "Mihary an! Fa maninona ianao no mandalo amin'ny fiainako? Fa nahoana ianao no nifanena amiko taty? Ny fiainako efa feno fahoriana sy fijaliana ary mangidy sy mafaitra nefa mbola omenao ny tangena mety hanapoizina ahy indray."
- "Fa nahoana, inona no nataoko taminao."
- "Hevitra manokana daholo ireny nambaranao teo ireny, hevitra nolalininao hatramin'izay, nefa dia taty amiko no nahitanao ny porofony ary tsy midivotra mihitsy."
- "Hery an!" hoy i Mihary manambitamby, "fa inona moa no ifandraisanao amin'ilay noteneniko teo?"
- "Ilay mikasika ny reny bevohoka nefa mampirafy, dia tranga nanjo ahy mihitsy! Asa izay tsoa-kevitra nahazoanao azy fa tena fiainako no nambaranao!"
sady latsa-dranomaso i Hery no nigogogogo nitomany.
Gaga be i Mihary.
- "Fa nahoana?"
Fahiny mantsy dia nandalondalo tany amin'i Hery foana i Mihary, ary ny Maman'i Hery aza dia olona niana tamin'ny fivavahana ary tena niaritra ny mafy tamin'ny fitaizana sy fanabeazana an-janany ho olom-banona, tsy naka vady hafa mihitsy fa nikolokolo samirery ity zanany lahitokana samy irery. Ka nahoana no hoe nampirafy; zavatra tsy azo eritreretina izany hoy i Mihary manontany tena.
Safosafo fotsiny no nataony tamin'i Hery hampitony ny fony. I hery mbola mifokofoko mitomany hatrany, tsy naharesaka intsony.
...
Efa afaka ny minitra vitsy vao niteny izy hoe
- "Talohan'ny nahafatesan'i Mama, dia nametraka hafatra tamiko izy..., nitantara ny fiainany taloha tamin'ny fahaveloman'i Dada, ary nifona tamiko izy noho ny fahotana tsy roa aman-tany nataony tamin'izy bevohoka ahy. Dia arak'ireny nolazainao ireny, nampirafy izy ary izany aza no tena nampaharary fo an'i Dada ka nitarika ny fahafatesany.
Nafenin'i Mama ahy izany rehetra izany, ary rehefa ho tapitra ny ainy vao nangataka famelàna tamiko izy.
Nefa izao, ianao tonga eto anoloako eto, dia manambara ahy ny fiainako ary voalazanao amin'ny ankapobeny tsy misy hokianina mihitsy."
- "Ka iny ange ry Hery petra-kevitra mbola tsy voamarina akory e! vao noeritreretiko fotsiny ireny aloha araka ny fahitako ny zava-misy fa tsy voatery ho tahak'izay ny tena fandehany."
- "an, an! Tsia dia tsia ry Mihary an! Tena ilay voalazanao no mamaritra ny fianako. Tsy afaka ny hanafina na inona na inona aminao intsony aho. Menatra aminao aho Mihary an! Nitovy fahaizana isika, niady ny toerana voalohany hatrany, ary izao aho vao mahatsapa fa tena anjaranao amin'izay ny maka ny toerana voalohany fa izaho tsinona efa nivary lavo" Mihary an! Mifona aminao aho, mifona fa namitaka sady tsy sahy nanambara anao akory izay tena fiainako."
Dia notantarain'i Hery avokoa ny lasany rehetra nandritra ny tsy naha-teto an-toerana an'i Mihary, ny fiarahany tamin'i Alexia, ny fisakaizany tamin'i Malala na dia efa bevohoka aza, ny zanany mianadahy, ny sangisangy tamin'i Tahiana ary izao izy mbola roboka amin'i Mihary izao indray.
- "Gadran'ny antson'ny nofo aho, ary tsy nahatohitra fakam-panahy, nitady porofo ianao? Ity manoloana anao ity no izy, porofo mivaingana satria vao nanomboka niasa fotsiny aho, araka ilay teninao hoe manana fahaleovan-tena, dia tsy nahatohitra ilay fakam-panahy fa nisakaiza tamin'i Malala nefa renin'ny fofombadiko. Izao efa tsy eo intsony i Mama, dia nivarilavo ny fiainako.
Ka iza no omeko tsiny, i Mama efa any am-pasana ve? Sanatria, sanatria amiko izany! Fa izaho manokana, izaho sy ny rendrarendrako, ny hadalako sy ny fitiavako diso teorana loatra."
- "Hery an! aza manao izany ianao! Fantatrao tsara fa voaloham-pitiavana nahay nifamaly tsara ny antsika. Voatery najanona satria nanana tanjona nitovy. Ary izay tanjona mitovy izay no entiko hobanjinitsika, tsy maintsy hanampy anao aho, na inona na inona fomba ampiasaiko hanovako io toetranao io. Mino tanteraka aho fa azo amboarina tsara ny fiainanao, azo averina tefena indray ny sainao mba ho olo-marina. Izaho mihitsy no handray an-tanana ny fanomezana ny toro-lalana fa matokia, tsy hanary anao aho."
Samy nanana ny fahadisoam-panantenany avy izy roa, ny iray ilay tonga dia nisarangotra, tsy nanadihady tsara akory, ny iray tsy nahatan-damba fa tonga dia nitsabaka fitiavana tamin'ny fotoana fohy loatra.
Soa i Mihary fa olona tsy be fihetsem-po fa na dia nanenina ny zava-bitany tamin'i Hery aza izy dia vonona hitraka hiatrika ny fiainany ho avy indray.
Olom-baovao no ezahiny hotefena, olona tokony hahay hiatrika ny ho avy am-pamendrehana ho reharehan'ny firenena. Mety ho eny an-tanany ny fanalahidin'izany.
Naleony namela an'i Hery irery tao an'efitranony, fa lasa izy namonjy ny fandriany, namoaka ny boky mikasika ny psykolojia nikaroka izay petra-kevitra vaovao homeny ity namany notolorany fitiavana voalohany ary tsy maty hatramin'izao. [email protected] (Misaotra betsaka an'i Tadiom-pitiavana tamin'ny finiavana hanoratra ity tantara ity hatreto. Mankasitraka.) I Loulou indray no manohy azy ao amin'ny Pejy 35. Misaotra an'i Loulou (France).
[email protected]