Tadiom-pitiavana

« Pejy 42 | Main | Pejy 44 »

Pejy 43
2006/05/19,10:22

Tsy nahateny akory i Hery, zara izy raha nahavoalaza hoe « aty amin’ny hopitaly aho » dia tapaka ilay antso. Nantsoiny indray i Tahiana fa tsy nety azony intsony. Kivikivy ihany izy niverina tao amin’ny efitry ny marary. Ilay findainy rahateo koa ritra herin'aratra ka tsy afaka narehitra intsony.

Very hevitra ny amin’ity nataon’i Mihary izy. Tsy nampoiziny mihitsy ny tahaka izao. Tsy mba malaky kivy izany mihitsy raha i Mihary araka ny fahalalany azy. Izy aza no anisan’ny mpampitraka ny namany, kanefa, dia miova tokoa ve ny toetran’ny olona hoy izy rehefa miha-lehibe. Fa dia naninona loatra ary i Mihary?
Nahatsiaro tena ho diso i Hery, nanenina tanteraka tamin’ny tsy fahatsiarovan-tsainy. Tsy nampoiziny ho tahaka izao ny ho fandehan’ny tantara. Nihevitra izy mantsy fa mbola tahaka ny fisakaizàna tamin’ireo namany fahiny ihany ity indray mitoraka ity, kinanjo…

Lasa saina teo izy niandry an’i Mihary eo am-parafaran’ny hopitaly. Nojereny tsara I Mihary toa tsy mahatsiaro izay manodidina azy. Reraka ny endriny sady  toa hatsatra tampoka. Ny tanany havia mitsindrona fanjaitra mitondra ny serôma mitsitaitaika miditra moramora amin'ny vatany.

Eo am-pibanjinana an’i Mihary izy no nandefa tsy nahy ny sainy tamin'ny  fahazazany. Tadidiny ny fotoana niarahan'izy sy Mihary nianatra voalohany. Mbola zaza saina tokoa aho tamin’ireny hoy izy. Niditra ny kilasy faharoa, tamin’izay rahateo vao nanomboka niara-nianatra ny lahy sy ny vavy, i Mihary nianatra tany amin-dry Masera foana hatramin’ny naha-kely azy tsinona moa I Hery nianatra tao amin-dry Mompera, dia raikitra tamin’izay ny fifangaroan’ny fianarana; Samy nitondra izay fahaizany avy any avy. Nifandany an-kolaka tamin’ny fahaizana; niady mafy ny ho voalohany. Dia rehefa samy tsy nisy resy sy naharesy dia niray làlana, niaraka tamin’ny fotoana tsy nampoizina. Mody niaraka fa tsy tena niaraka, nefa nampitsiry tampoka ilay afom-pitiavana voalohany tany anatin’ny tsirairay izany.
Toa fotoana nandalo ireny nahavarimbariana azy roa ireny, nisongonan’ny sasany izy ireo, ary samy tsy
tonga saina raha tsy efa avy nijery ny valim-panadinana. Dia notapahina teo ilay saika ho doria, ary tsy nisy nifamela ny mamy na koa ny mangidy fa ny hahatafitàna ny bakalorea no natao tanjona. Lasa tany Amerika moa i Mihary nony avy eo nanohy ny fianarany ary izao indray izy roa vao nifankahita. 

Raha lasalasa saina teo izy nijery ny lasany, indro fa somary nihetsika kely ny rantsan-tanan’i Mihary, nahita izany i Hery dia noraisiny tsimoramora. Nofeheziny sy nomeny hafanana ilay tanana mangatsiaka saika fefiky ny rano teo.
Tsy niala teo amin’ny tarehin’i Mihary intsony ny masony. Indro nanomboka nitsirempirempy, toa taitra tamin’ny torimasony.
- "…Fa aiza aho izao?"
- "Aty amin’ny hopitaly ianao fa aza mbola miteny mafy aloha Mihary an!"
Tsy niteny i Mihary, ny masony no nahirany nijery ny manodidina. Tsapany ny hafanan’ny tanan’i Hery nanotra malefaka ny sandriny.
Raha sendra nifanojo ny mason’izy roa, dia niraraka moramora ny ranomasony. Nifokofoko nitomany nefa nampanginin’i Hery tamin’ny safosafo sy tambitamby.
- "Mihary an! mbola vizana be ianao fa aza manao toa io e!
- "Hery an ! Tsy fantatro intsony izay nahazo ahy, tsaroako ho diso fanantenana tanteraka aho ary nahita ilay ranomasina mangeniheny dia niroboka tsy ampiheverana akory."
- "An, an, ry Mihary an ! aza alefa amin’izany intsony ny sainao fa mbola eto aho ary tsy handao anao mihitsy."
- "Hery an ! … Tsy fantatrao ny tena
antony…" hoy i Mihary, nisento tokana izy sady nampikimpy ny masony tsy hijery intsony…

Toa fantsika niletra ny fon’i Hery izay teny farany izay. Teny nampitroatra ny nenina tany anatiny. Teny nikapoka sy nively ny sainy. Ary toa nipoipoitra nanodidina azy ny hadalàna rehetra nataony hatramin’izay. Tsy mandry mihitsy ny eritreriny, isaky ny mandefa sary ao an-tsainy dia tsy nisy afatsy zava-dratsy nataony no nameno ny fijeriny. Naka ilay seza fiandrasana marary izy dia nitoetra teo. Nanala izay sorisorin-tsainy nameno ny atidohany.
Afaka fotoana elaela dia resin-tory izy noho ny fahavizanana be nahazo azy.

_________________________________

Tsy hitan’i Hery akory fa nisy olona niditra tao an’efitry ny hopitaly.
Tonga dia nandray ny vozon’akanjony no nibata sady nanipy azy tamin’ny tany. Tsy nahaetsika akory izy. Ilay olona misaron-tava, tsy fantatra na iza na iza. Vao nitsikasina tamin’ny tany dia nampiany daka mandrivorivo indray teo amin’ny kibony. Nanaintaina tsy nisy ohatr’izany ny fahatsapany azy.
Totohondry izany, tsy nanana hery intsony izy hiadiana fa tratry ny tampoka tsy maha-lehilahy. Vao niarina kely anefa izy dia notsetsefan’ilay olona totohondry mafy indray teo amin’ny tarehiny; nidaboka tamin’ny tany izy avy eo, sady mbola voadakadaka tsy nananan'ilay olona antra.
- "Fantatr’ialahy amin’izay hoe iza aho?"
- "Mifona re tompoko o ! mifona e !" hoy i Hery mitomany, ny tarehiny mivindimbindina sy mivoara-mena, ny vavany tsapany fa mivoa-dra.
- "Izao no anaovako an’ialahy rehefa tsy vanona. Mpamitaka sy mihevitra ny tenany ho tsy misy mpahita. Mbola aiza ny hanjo an’ialahy?"
- "Mifona sy mibaboka re tompoko o! aza ampijaliana aho re!"
- "Tsy misy an’izany leity an! Iny indray ny an’ialahy …" Sady nobatainy i Hery no nasiany totohondry farany ary natsikasiny teo ambany fandriana nisy an'i Mihary. Niezaka ny hiarina izy fa tsy nahavita. Izay mba hery kely tany anatiny tany no namikirany tamin’ny tongom-pandriana, niezaka mafy nitsangana nanakatra ny tanan’i Mihary.
Nihomehezan’ilay lehilahy fotsiny anefa izy fa tsy noraharahiany.
Mbola niezaka hatrany ny hitsangana ihany anefa i Hery. Ny masony amin’io efa mivindana mila tsy hahita intsony. Vao naharay ny tanan’i Mihary izy dia niantso vonjy taminy,
- "Mihary an ! Mihary an ! Misy manafika isika e, Vonjeo !" hoy i Hery tamin’ny feo reraka dia reraka.
Rehefa hitany fa tsy nandre azy mihitsy i Mihary fa renoky ny torimaso lalina dia nijery ilay lehilahy izy. Gaga i Hery, toa nofy ratsy izato mahazo azy. Ilay lehilahy etsy mbola mitsikanikany mijery azy sady nanala ilay saron-tava.
- "Ratrema marina ! loza ity." Ny hery am-pelantanana tsy misy intsony. Ilay tanany teo voakifika sady teha-maina mandrivorivo no nipetaka tamin’ny tarehiny.
- "Mihary an ! mifona e !" hoy i Hery mitomany ihany.
- "Hay izao no ataon’ialahy ? sao dia heverin’ilahy fa ekeko foana ny ditra ataon’ialahy?"
- "Tsia re tompoko o ! manina an’i Alexia foana aho rehefa tsy eo izy!" sady nidradradradra nitomany hatrany.
- "Iny ny an’ialahy," hoy i Ratrema ! "Ny zanako tsy azon’ialahy antsointsoina intsony raha mbola eto aho." Sady nomeny daka mandrivorivo indray tamin’ny takibany ary nampitsikasina an’i Hery. Lavo izy, nitsirara tamin’ny tany.
Hany heriny, niantsoantso :
- "Vonjeo aho Alexia an ! mifona tamin’ny nataoko anao rehetra e!"

Tsy nanana aina intsony i Hery fa fanina tsy nahatsiaro tena;
Raha tsy afaka fotoana elaela vao nisokatra ny masony. Ny taila fotsin’ny hopitaly no lasa ondana ipetrahan’ny firihifany. "Fa nanino aho? " hoy izy nanontany tena.

 Tadiom-pitiavana (tadiom_pitiavana@yahoo.fr)

Hevitra

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype