Tadiom-pitiavana

« Pejy 65 | Main | Pejy 67 »

Pejy 66
2006/07/07,04:01

   Tao anatin’ny fotoana indray mipi-maso Ratrema no tonga saina tampoka:
- "Manana ny zoko aho," hoy izy, "manana ny zoko hiantso ny mpisolo vava ahy. Tsy azonareo sambotsamborina tahaka ny mpangalatra aho. Zoko ny miantso ny mpisolo vava ahy izao dia izao."
- "Ianao ity ve rangahy mitapy an! efa olona tratra ambody omby izao ianao mangala-badin'olona ka hoe  manana ny zoko aho, ..." hoy ny  vadin’i Corine somary nohetanin-katezerana.
- "Manana ny zony tokoa izy," hoy ilay vaditany nanamafy, fa na izany aza, ny fahatratrarana azy dia midika fa azon’ ny polisy entina avy hatrany hanaovana fanadihadiana any amin’ ny kaomisaria izy. Zon’ny kosa araka izay voalazany ny miantso ny mpisolo-vava azy."

Tsy namaly intsony moa ny vadin'i Corine taorianan'izay fa dia niandry izay ho tohiny teo sisa. Ny masony amin'io mivandravandra any amin'ity vadiny mifokofoko mitomany.

Noraisin-dRatrema haingana ny telefaona, niantso avy hatrany ny mpisolo vava azy izy. Rehefa niresaka elaela teo izy dia nanaiky ihany i Ratrema ny ho entina any amin’ny kaomisaria fa any no ifanaovan’izy ireo fotoana. I Corine kosa amin’io mbola nitohy nitomany ihany. Ny manjamasony  amin'izany rava daholo sady nitakosina tamin’ny tarehiny. Nofafafafana fotsiny no niafarany.

Afaka folo minitra, indreny ry zareo nivoaka ilay trano fitaratra be eo Ankorondrano misy ny biraon'i Ratrema. Nandray fiara dia nizotra nankany amin’ny kaomisaria teny Tsaralalana.

Natao ny fametrahana fitoriana, nalàna am-bavany ary samy niaiky ny heloka vitany ny tsirairay.
Tonga avy eo ny mpisolo vava an-dRatrema, nanambara ny zony sy ny tokony hataony, ary nametraka ny onitra tokony haloany mba ahafahany mivoaka faran’izay haingana indrindra. Zony ihany koa ny hampitoetra ho tsiambaratelo izao zavatra mitranga izao mba tsy hiseho imasom-bahoaka.

Voaloa avokoa ny vola rehetra, dia nisaraka teo ry zareo, Ratrema niaraka tamin’ny mpisolo vavany, i Corine mivady kosa lasa nody.

Niverina tany amin'ny biraony indray aloha i Ratrema naka ny antontan-taratasy mbola tsy vita izay tokony entiny mody. Injay fa naneno ny finday. Noraisinay:
- "Malala an!" nisento fotsiny Ratrema
- "Allo!"
- "Eto ihany aho Malala an! manao ahoana ianareo rehetra any?"
- "Tsy misy maninona aloha hatramin’izao, vita ny fety, izahay salama tsara avokoa. Fa fantatrao ihany ny
antony iantsoako. Ratrema an! efa te-hody mafy mihitsy ange aho izao e!"
- "Eny Malala an! tena fantatro mihitsy, fa manana olana goavana be mihitsy aho aty, mbola tohin’ilay olana tamin’izaho tany! Raha mba niaraka tamiko taty mantsy ianao, mety tsy ho tahaka izao mahazo ahy izao ny fitrangan-javatra, ny mason-dRatrema amin’io manganohano ihany."
- "Ratrema an! fa misy inona e?"
- "Omany ny entana amin’izay ry Malala an! aleo mody amin’izay ianareo fa malahelo ny zanako aho! Malahelo anareo rehetra."

Faly aok’izany i Malala nandre ny feon-dRatrema nitalaho taminy ny hodiany amin’izay. Tsy andriny intsony ny ahatongavan’ny andro maraina hanaovany ny famandrihana ny toerana hiverenany an-tanindrazana.
- "Ratrema an! tena tiako be mihitsy ianao ! tsy andriko intsony ny ahatongavako any hanampy anao! Izay chéri an!"
- "Izaho koa mbola tia anao foana ry Malalako," hoy Ratrema sady latsa-dranomaso no nanapaka ny antso.
Niondrika teo ambony birao izy sady nifokofoko nitomany, nidradradradra irery tsy nisy nandre. Nalahelo mafy ary nanenina tamin’izay nataony.

Tahaka ny akoholahy voakapoka Ratrema nandeha nody, ny antanam-botsitra ny nantenain-tsy azo. Tsy kivy anefa ny lehilahy, tsy maintsy hitako foana izay vahaolana amin’izao krizy mandalo amiko izao hoy izy nankahery tena.
Nalahelo mafy ny ankohonany izy, tsy lalim-paka tahaka izao ny fitiavany ireo zanany hatramin’izay, fa nony injay lavitra azy dia toa manembona mafy ny fony te-hahita azy ireo sambatra ery eo anilany.
___________________________________________

Tany ampitan-dranomasina ny ampitson'io:

Endrika falifaly sady miramirana no nifohazan’i Malala tao am-pandriana, Nahavatra nifoha maraina mihitsy izy hiomana sahady handeha. Handeha ho aiza anefa?
Gaga izy raha nandalo ny lalantsara, nahita an’i Alexia nivoaka ny efitranon’i Mahefa, vao avy nifoha mihitsy.
- "Manao ahoana i Neny?"
- "Manao ahoana, natory tsara, fa angaha ity indry tao no natory," hoy Malala somary taitra.
- "Ie! tato amin’i Dada aho no natory tamin’ny alina…"
- "Fa nisy inona?" hoy i Malala sady nanokatra ny varavarana, hitany i Mahefa matory eo ambony seza lava, mitafy bodofotsy, ny fandriana kosa hita fa vao nialàn’i Alexia vao fotoana vitsy.
- "Fa inona koa ary ity mampisendaotra an’i Neny, ka tato aho no natory dia izay."
- "Fa angaha ity indry tsy manana ny efitranon-dry? sady notaritarihiny i Alexia hanaraka azy hidina ny tohatra, alazako amin-dRain-dry fa ataovy tsara, mitady hanararao-p…"
- "ssshhhhh, fa ity Neny ity ve adala e! inona ny fahadisoako amin’izany, ary i Neny izany ange manomboka miheritreritra zavatra hafa mihitsy e!"
- "Fa misy inona indray e!" hoy i Mahefa etsy ambony mitazana azy mianaka!
- "Fa inona no mahatonga an’i Alexia natory tao aminao, nefa ny efitranony malalaka?"
- "Ka tsy nandeha tsinona ny hafanana tao amin'ny efiny dia naleoko nafindra tao amiko izy no natory."

Tsy niteny i Malala, nangina fotsiny. Lasa izy nirintona tany an’efitra hafa. Toa menatra ihany nefa . Fotoana vitsy monja dia nivoaka indray…

- "Eny e ! tsy maninona izany, fa ianareo moa izany efa mifandray am-po tsara, dia ilazako fa handeha amin’izay izahay telo mianaka. Hamandrika ny toerana amin’izay aho rehefa avy eo! Ratrema mihitsy no niantso ahy mba hiverenako amin’izay. Halefany ny vatsy an-dalanay. Azoko atao ve ry Mahefa ny miantso an’i Tojo hiaraka amiko hikarakara ny famandrihantoerana androany?"
- "Ka maninona moa raha afaka izy", hoy i Mahefa.

Nangingina tsy nisy nifampiteny tao an-trano, i Malala toa manjetoka izany, tezitezitra fa asa mihitsy izay nahazo azy tampoka teo.
Nantsoiny tamin’ny telefaona i Tojo, avy koa dia nanaiky ny anao lahy.
Adim-pamantaran’ora iray dia tonga izy. Tsy be resaka fa dia andao fotsiny vao vita ny arahaba.

Nifampiresaka nilamina tamin'izay i Alexia sy Mahefa nony lasa kelilkey i Malala sy ny ankizy.
- "Dada an ! fa maninona kay i Neny no nanao toy ireny."
- "Ireny anaka no atao hoe fon-dreny, mitranga tahaka ireny izy indraindray. Ka naleoko tsy niteny mihitsy mba hanalàny ny fony."
- "Tsy azoko!" hoy i Alexia.
- "Malahelo izy satria amin’ny maha reny azy izay dia saro-piaro izy rehefa mandao azy ilay fitiavan’ny zanany azy. Tonga dia azoko avy hatrany izany teo, isika mianaka rahateo moa mifandray am-po be, dia mahatsiaro ho voailikilika izy, manirery ka nanaitra ny fony ianao natory tato amin’ny efitranoko tamin'ny alina, eny e ! misy fahadisoako ihany ilay izy, nefa tratry ny tampoka koa aho tamin’iny. Eny anaka, mbola ho tsapanao koa izany rehefa lehibe, rehefa…"

Notapahin’i Mahefa tampoka ny teniny, tsaroany fa i Alexia ange ka tsy afaka intsony ny hanana anaka na oviana na oviana satria efa nalàna taminy ny tranon-janany. Hadinony hatramin’izay izany fa dia faly sy nikorana tamin-janany foana no nataony. Navadiny  haingana ny resaka:

- "Eny e! trangan-javatra mpiseho ireny fa andao hiresaka zavatra hafa isika mianaka."
- "Ohatran’ny mahatsiaro diso ihany aho ry Dada teo, hay izay tokoa ilay fon-dreny, tsy maintsy mbola ho tsapako izany rehefa lehibe ny zanako any aoriana any. Sa tsy izany ry Dada?"

Sanganehina fotsiny i Mahefa, tsy nahita havaly, hay izay resaka tranon-jaza zay mbola olana goavana mila vahana ! Tsy maintsy ho fantatr’i Alexia na ho ela na ho aingana ny tsy fahampiana aminy, ny toe-batany iray manontolo mihitsy no hiova ary tsy maintsy ho tsapany koa!
- "Alexia, zanako izany, tsy maninona ve raha hiresaka zavatra hafa isika mianaka?"
- "Resaka toy ny inona moa ry Dada!"
- "Asa, tsy mampaninona ve ny miresaka Hery?"
- "Hery, Hery, fa maninona no tian’i Dada horesahina ny momba azy."
- "Asa tokoa, fa aleo tonga dia tsoriko e! mahare izay anarana izay foana aho tato ho ato, ary tamin’ny alina ohatra dia « Hery » no nantsoitsoinao ka nanaitra ahy. Ka asa, ataoko angamba fa fotoana izao. Ny hany fantatro mantsy dia ny hoe fofombadianao hono izy ary efa vita fisehoana ianareo. Asa, mety malahelo azy angaha izany zanako izany?"

Nisento indray mandeha fotsiny i Alexia, dia nifampijery izy mianaka, nanomboka nanganohano ny masony.

- "Azafady izany zanako izany, sady nahankiny tamin’ny tratrany ny lohan-janany, nampalahelo anao indray aho!"
- "Tsy maninona izany Dada an! fotoana koa angamba izao!"
- "Fa angaha tsy afaka mifampiresaka ianareo?"
- "Tsy haiko intsony ! Tsy fantatro intsony koa, nanofy ratsy aho tamin’ny alina hoe nandao ahy ho any amin’ny mandrakizay izy, fa tao anaty nofy fotsiny. Izy nilatsaka tany anaty hantsana no taitra tampoka aho, iny niantsoatso nanaitra an’i Dada iny."
Tamin’izay no nanomboka nilatsaka ny ranomason’i Alexia.
- "Dada an ! misy manjo azy any lavitra any matoa aho manofy tahaka ireny. Ary ny laharan’ny findainy efa tsy miasa intsony ."
Nitomany i Alexia, nanafosafo ny lohany no mba azon’i Mahefa natao.
- "Tsapako mihitsy izany anaka, tena tsapako tokoa, tadidio fa efa niaina ny mafy tahaka izany tokoa aho, indraindray aho taloha, nanofy mihitsy hoe nianjera teny amoron-tevana i Vololona, izaho no nitaty azy avy ety ambany, indraindray nanofy hoe : nofaon’ny fiara izahay….. mafy koa anaka ny nentiko nandritra ny roapolo taona mahery izao, fa dia indro ianao eto anilako eto, tony ny foko manana anao, ka aza malahelo intsony ny fonao fa eto foana aho izany zanako izany."
- "Eny e!" hoy ihany i Alexia mifokofoko, ekeko tokoa ny teninao, fa manana ray azoko itokisana aho, nefa tsy mety afaka ato an-tsaiko ilay fijeriny farany ahy tao anaty nofiko.

Nisento fotsiny i Mahefa, nandrasany aloha i Alexia hanala ny fony teo an-tratrany.

Tadiom-pitiavana (tadiom_pitiavana@yahoo.fr)

Hevitra

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype