Tadiom-pitiavana

« Pejy 66 | Main | Pejy 68 »

Pejy 67
2006/07/12,14:40
   Nisento fotsiny i Mahefa, nandrasany aloha i Alexia hanala ny fony teo an-tratrany. Tsy maintsy nanova resaka indray izy nony avy eo, fantany mantsy fa mafy loatra ny alahelo manjo an-janany.

- "Alexia an ! tsy tadidinao angaha fa androany ange ny fotoana hijerena ny toe-pahasalamanao any amin’ny hopitaly e! miomàna fa hateriko any ianao, rehefa vita ny fitiliana dia alefako fiarakaretsaka ianao miverina mody aty antrano."
- " Tena saika adinoko. Marina
tokoa izany ry Dada," hoy i Alexia sady namafa ny ranomasony tamin’ny takolany izy. Aleo hiomana haingana aho dia mandeha isika e!"

Talohan’izay anefa teny an-dalana, tao anaty fiara nentin’i Tojo :

Tsy niteniteny mihitsy i Malala, mbola somary vonto ny fony tamin’ny fihetsik’i Alexia teo, tsy mba fanaon’i Alexia mihitsy ny toy ireny hoy izy. Tsapany ary hitany mivantana amin’izay ny fiovan’ity zaza natsangany nony injay nahalala ny marina momba an’i Mahefa izy.
Ny toerana haleha fotsiny moa no nanontaniany an’i Tojo, dia nitondra azy tany ity tovolahy. Izy mianadahy kely ao aoriana samy mipetraka anaty fitaizàna, finaritra ery mijery ny manodidina rakofan’ny ranomandry fotsy. I Malala amin’io maka toerana eo afovoan’izy dahy, zipo mena malama izay no nanaovany, mipetaka tsara amin’ny feny ny ravin-damba, sendra nitsipalotra fotsiny ny mason’i Tojo no nahatsikaritra izay raha nihemotra naka fitoerana tsara iny izy. Te-hiresaka mafy i Tojo, fa toa tsy sahy, moa i Malala koa toa manjetoka toa lasam-borona izany. Tsy aritry i Tojo intsony anefa nony ela ny ela:
- "Malala an!"
- " Ahoana?" hoy i Malala mody tsy rototra.
- "Misy mahatezitra anao angaha?"
- "shhhh……………, fa angaha ………….. ssshhhh, tsy idiranao izany!"
- "Teneno e! teneno raha misy manahirana anao?"
………………….
- "Efa handeha koa izahay telo mianaka izao, avy maka vola ato isika dia mankany amin’ny masoivohom-pitaterana anabakabaka hamandrika ny toerana hodinay."
- "Hay handeha ianareo?"
- "Efa ela mihitsy no niandrasako izay, fa izao vao tena lasa!"

Somary nalahelo kely i Tojo, toa hikopak’elatra ity namany nitsirian’ny fitiavany. Tsy afaka ny hitazona izy, tsy manan-jo ny handresy lahatra ihany koa, nitempotempo mafy ny fony tao anatin’ny fotoana vitsy, te-hanana fotoana lava hifankahitany bebe kokoa sy hanaposahany ilay fitiavana nangalarina tao anatin’ny fotoana fohy nefa niraikitra tao am-pony.
Saingy, handeha i Malala, fotoana fohy sisa, ary mety ho andro vitsy. Dia hivadika ho tantara ilay fiarahana maminy tsy ho hadinoiny mandrakizay.

- "Malala an ! itsy ilay masohivoho notadiavinao, tianao angaha ny hiarahako aminao any!"
- "Tsy maninona ka, andao, hidio ny fiara dia araho fotsiny aho."

Dia lasa izy efa-mianaka mianaka, niditra tao amin’ilay birao. Natao ny famandrihana toerana:
- "Arak’izay haingana indrindra," hoy i Malala.
- "Tsara vintana ianao madama raha izany, misy mpivady nanao fampihemorana ny diany, ka misy toerana ho an’olon-droa malalaka rahafakampitso maraina."
- "Tsara be izany," hoy i Malala, sady faly no nibitaka teo am-pitoerany.
 - "Misaotra betsaka. Efa may ny hody mihitsy aho."

Nisento fotsiny i Tojo nandre izany rehetra izany, toa sary tsy adinony tao an-tsainy ilay nataony tamin’i Malala. Nefa dia hotapahina sahady ve? Lasalasam-borona ny tovolahy. Tsy azony intsony ilay fihetsiky Malala tato ho ato, toa tsy miraharaha azy, toa nanadino ilay fahasambarana nangalarina toa indray mipi-maso fotsiny. Raha tsy lasa nandehandeha eran’ny trano i Toky kely ka nodomin’i Malala izy vao taitra, nitsangana dia nisarika ity zazakely te-hilalao mafy ho eny amin-dreniny.
Vita ny famandrihana ny toerana rehetra, dia nitsangana i Malala, dia nanaraka koa ny tovolahy, nitrotro an’i Toky, lasa nivoaka ny efitra.
Izay vao hitan’i Tojo miramirana aok’izany ity Malala, toa velon-tsiky mihitsy aza, misoritra teny aminy ny hafaliana. Nefa i Tojo kosa tsy nahateny, tsy nahavolana. Zara izy raha nahateny hoe "handeha ho aiza indray isika?".
- "Mody ka," hoy i Malala, "rahariva isika angamba miantsena raha eken’i Mahefa, sy raha afaka koa ianao!" Nanainga hatoka koa i Tojo, tsy niteny.
Dia nangina aloha teny an-dalana, tsy aritr’i tojo intsony fa nalefany ny zava-maneno tao anaty fiara, sady naka horonam-peo misy ny raki-kiran’i Poopy izay ankafiziny tokoa izy, nandeha ny hira, samy nankafy koa izy ireo fa any an-tany lavitra rahateo moa, saika fandaharana avy any ivelany hatrany no narahina hatramin’izay. Nandeha amin’izay ilay hira miventso hoe :

« Raha handeha ianao izao,
Ka hilaozanao eto aho,
Raha avelanao irery,
Dia hangina aho tsy hiteny…………… »
………………
« Fa ny ho aviko eny indrisy,
Efa nopotehinao,
Hosaronako ilay tsiky,
Amin’izay tsy ho fantatrao »
(Poopy)

Dia nihira i Tojo sady nampiaka-peo hoe :
« …..Tsy ataoko ho fantatrao,
ny ratram-poko ao…………….. »

Nihomehy fotsiny i Malala tao aoriana tao, tsy azony an-tsaina fa izy no iantefan’ilay hira. Dia hoy izy
- "fa angaha dia tena nisy olona nandratra ny fonao mihitsy tany ry Tojo," sady lokilokin’ny hehy ny anao vavy.
Somary nitodika aloha i Tojo, nijanona tsy nihira, ny fitaratra no somary nahodiny hifanandrify amin’ny mason’i Malala, nahenany ihany koa ny feo.
- "ppfff, ahatsiarovako zavatra maro izany hira izany, izay no ametrahako azy ato anaty fiara ato, fa fiainana izany ka atao ahoana e!"
- "Mba tantarao e! sao dia ianao kosa ary no nandeha dia lasa namaky fon’olona tany Dago tany?"
- "Tia olona izay tsy tia ahy akory aho, noraisiny ho sangisangy ilay fitiavako, nefa aho nanolotra ny foko manontolo ho azy."
- "Manomboka liana amin’izany tantaranao izany aho ko, tiako ho fantatra alohan’ny hiverenako any Dago ilay izy, marina ange izany ry Tojo e!"
- "Izaho koa no adala e ! tia olona efa manan-tompo, sady nodondominy ny lohany. Olona efa manam-bady, ny zanany menavava, tena adala mihitsy aho e !"
- "Fa iza izany vehivavy maha-potipotika anao izany e! tovolahy tahaka anao izao ve dia ….. "
Sady nitodika i Tojo no nijery mivantana an’i Malala……….
- "Fa noheverinao iza?"
- "Izaho ve? hoy i Malala sady nanondro ny tenany izy no nivandravandra be ! « Non ! c’est impossible ! ».Sangisangy fotsiny ange ireny nataontsika sy ianao ireny e ! ny fahitako fa ianao manana ny fiainanao dia tsy mety amintsika ny manohy. Naleoko niala tsotra izao."
- "Tsy tsapanao mihitsy izany ireny fihetsika marobe nataoko ireny, fanampiana samihafa, vonona hatrany rehefa irahina," hoy i Tojo namaly azy.
- "Tojo an ! ajanony etsy aloha ny fiara dia andao hiresaka isika."

Naka toerana teo anoloan’ilay fivarotana lehibe i Tojo, ny ankizy koa moa ireto efa renoky ny torimaso norotsirotsian’ny lalana, dia nifindra nankao aloha i Malala.

- "Andray ry Tojo, hay ve ka noraisinao ho tena izy ireny nataontsika ireny e! Averiko fa dia fiarahana tsotra fotsiny ange e! izaho aza nihevitra fa …………… "
- "Eto vao tsapako ny nenina nataoko ry Malala an ! tsy tokony ho nanao ireny aho, nataoko foana izay hifampiresahana aminao hanambarako ny ato am-poko, dia izao, nefa ianao handeha. Ary ora aza sisa no isaina."

Nahankin’i tojo tamin’ny fitaratra ny lohany. Nitsipalotra kely teny amin’i Malala fotsiny ny masony dia nifampijery izy roa.
Farany, nalefan’i Malala teny amin’ny takolany ny tanany, nanafosafo kely sady niteny hoe :

- "Azoko tsara Tojo an ! ary misaotra anao tokoa aho noho izany, tena manohina ny foko ny fihetsikao, nefa tsy maintsy mandeha aho, miandry ahy ny tanindrazako, miandry ahy koa ny vadiko. Tsy hoe tsy mitempo fitiavana anao mihitsy aho akory hatramin’izay fa……….".

Notapahin’i Malala ny teniny, tsaroany tsara ny fotoana tahaka izao, nataony tamin’i Hery, fantany ary tsapany ny fahadisoana nataony, ary fantany fa ratsy hatrany ny vokatry ny fihetsika tsy voahevitra nataony ka tsy tiany hodiavin’i Tojo indray.
Tsapany ho misy hafaliana any am-pony any, nefa misy fanontaniana mipetraka ihany koa ny hoe maninona ny tovolahy mbola tanora tahaka an-dry Hery sy Tojo no raiki-pitia aminy. Nandini-tena tao anatin’izay fotoana izay i Malala, kanefa notairin’i Tojo hoe :

- "fa…………. andrasako ny tohin’ny teninao Malala an!"
- "An !" hoy ity iray somary taitra, "fa inona no noteneniko teo?"
- "Hoy ianao hoe "tsy hoe tsy mitempo fitiavana anao mihitsy aho akory fa…… " dia notapahinao ny teninao."
- "Sarotra be izany Tojo an! manana ny ho avinao mamirapiratra ianao ka aza simbaina amin’izany."
- "Malala an ! tia anao aho. Mitalaho an-tanan-droa aho, mijanona aloha andro maromaro, mbola azo ovaina ny famandrihana teo, ampianaro mitia aho……… ampianaro mitia anao!"

Nanankin-doha fotsiny i Malala, nijery ny tafon’ny fiara, ny tanany roa no nasafony ny tarehiny.

- "Tojo an ! tsy aleo aloha mody isika handinihana izany rehetra izany. Savolaina be ny foko sy ny fanahiko mandre izany teninao izany. Azonao atao ny manatitra anay telo mianaka any an-trano?

Nijery an’izy mianadahy kely tao aoriana izy ireo, mbola matory fehizay, ny toeran’izy ireo koa mifatotra tsara, tsy misy atahorana. Dia lasa avy eo namonjy ny tranon’i Profesora Mahefa.
Teny an-dalana, ny tanan’i Tojo tsy niala teo amin’ny famindrana hafainganam-pandeha, dia iny koa ny tanan’i Malala ankavia namonjy ny azy, namatotra sy nanafosafo tamin’ny ratsan-tanany, dia noraisin’i Tojo koa, nampifandraisiny tamin’ny azy. Nifampijery kely izy roa, nifampita hafanana amin’ity andro mbola mamirifiry.
Eny e ! nifampita hafatra am-pitiavana ihany koa angamba.

Rehefa tafavoaka ny fiara izy rehetra, izy mianadahy amin’io mbola renoky ny torimaso tokoa, faly ery ny reniny mahita azy ireo mandry eo an-tratrany, norokorohany kely. I Tojo kosa mitondra ny entana rehetra. Niakatra ho any an-trano.
Teny an-dalan-tsara anefa, naneno ny findain’i Tojo.

- "Allo ! Tojo ! Profesora Mahefa ihany ity ry ise an!"
- "Eny tompoko ! izaho ihany, mihaino anao!"
- "Lasa niaraka aty amin’ny hopitaly izaho sy Alexia ka nohidinay ny trano, mbola eo akaikin’ise eo angaha i Mme Malalatiana?"
- "Eny tompoko!"
- "Hay, dia izao ary, amin’ny lakilen’ny fiara dia misy ihany koa ny lakilen’ny trano ka iny no amohan’ise ny varavarana rehefa tonga ao an-trano ianareo, sao mantsy mangatsiaka any ny zazakely ka ho loza, fa aiza ianareo io?"
- "Miakatra ny tohatra mihitsy izahay io,  efa kely sisa dia ho tonga ao an-trano."
- "Omeo ahy ary i Malala e!"
- "eny ary!"

Dia natolotr’i Tojo ny finday, noraisin’i Malala.

- "Allo Malala an!"
- "Allo!"
- "Izao e! saika adinontsika fa hay moa androany i Alexia no miverina any amin’ny hopitaly hozaham-pahasalamana, vao ety an-dalana mihitsy izahay mianaka io. Ka sao dia gaga ianao hoe lasa aiza i Alexia fa niaraka izahay. Efa natoroko an’i Tojo teo ny lakilen’ny trano ka tonga dia midira fa sao mangatsiaka ny zazakely. Izay ! izay fa mbola mety ho elaela mihitsy izahay!"
- "voaray Mahefa an ! amin’ny firy izany ianareo no miverina?"
-" Mbola mety ho ela mihitsy, fa rehefa vita mantsy ilay fizaham-pahasalamana dia tiako mba ho hitan’i Alexia ny hopitaly fiasako e!"
- "Tsy maninona ary e ! efa hiditra ny trano koa izahay io.

- "Tompoko, tompoko, eny tompoko………" hoy i Malala tamin’ny tsikitsiky. "Ianao ity fatra-panaja an!"
- "Ka raisiko ho toy ny raiko mihitsy ange izy iny e!"

Nosokafana avy eo ny varavarana, dia niditra, nentina tany amin’ny efitranony ny ankizy kely, dia nitohy ny torimasony.
Dia hoy i Malala!
- "Aleo ianao mipetraka eto amin’ny fandraisam-bahiny fa hikarakara zavatra mafana ho anao aho, andraso eo an!"
- "Sao dia tokony ho ampiako ianao? tsy maninona ange e!"
- "an an an ! andraso eo mihitsy, ataoko izany ho fisaorana anao. Ny zazakely koa moa natory ka tsy sahirana mihitsy aho."

Sady lasa i Malala nankany an-dakozia, nikarakara sy nandefa ny fanaovan-dite; tsy hitan’i Tojo akory ny nifindrany tao amin’ny efitrano ilany fa variana namaky revio teo ambony latabatra izy. Afaka fahefatr’adiny, nivoaka ny vehivavy, mitondra ny ranon-dravim-boafotsy mafana.
Ny akanjony amin’io mena midorehitra manify dia manify. Akanjo tokana mampiseho ny bikan’i Malala amin’ny tena ankafizan’i Tojo azy. Ambony kely ny lohalika fotsiny ny moro-tongony, fa hita misoritra tsara ny fe sy ny amboniny rehetra. Tady kely no mitazona ny eny ambony, somary mirafitra telozoro ireo tako-nono roa, mivoitra tsara mampiseho ny hakantony.
Manaitra avy hatrany ny mijery azy. Tafatsangana mihitsy i Tojo raha nahita an’i Malala.

- "Non, mipetraha amin’ny toeranao teo ihany ry Tojo. Izaho no hikarakara anao androany." Sady somary natosiny i Tojo hipetraka dia narahiny koa.

- "Te hianatra mitia ahy ianao? ……………dia izaho izany no hampianatra anao!
Fa alohan’izay, sotroy aloha ity dité mafana ity, fa tiako hafanafana tahaka izay koa ianao.

Sady nitsiky i Malala no nijery an’i Tojo, ny maso manao fijery miangoty aoka izany………..


Tadiom-pitiavana ([email protected])

 

 

Hevitra

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype