« Pejy 21 | Main
| Pejy 23 »
Nony tonga tany ampiasana i Hery dia maika mihitsy nandrehitra ny solosaina hanoratany ho an'i Alexia. Ny fahatapatapahan'ny jiro alina matetika mantsy no tsy nahafahany namaly azy teo no eo.
Nihisatra velona tsy nisy ohatr'izany anefa ny famelona ity masinina, hany heriny nitsangana nandehandeha eran'ny trano nanangona ireo antontan-taratasy tonga avy any amin'ny paositra. Raha mbola variana nijery izay anjarany tamin'ireo valopy ireo izy dia indro i Haja niditra ny biraony velon-tsikitsiky tsy nisy ohatr'izany...
- "Ka ahoana Rahery lay rahariva a! lasa izao izany an?"
- "Raikitra ka!" hoy i Hery namaly azy...
- "Ary toa tsy falifaly ialahy? misy olana indray angaha ilay rahariva? tsy maninona ange leitsy raha hahemotra fa iaraha-mahalala ny mbola mahasahirana an'ialahy fa..."
- "An an, atao ilay rahariva ka!" hoy i Hery nanapaka azy, " saingy izao misy olana leitsy eo aminay mitsam ka..."
- "Hery a, aleo rahatoandro isika roalahy miara-misakafo dia tantarao ahy izay mahazo an'ialahy!"
- "Mety mihitsy izay," hoy i Hery nisento kely! "alaivo eto aho dia miaraka isika!"
Dia samy namonjy ny asany izy roalahy iny maraina iny. Nieritreritra teo i Hery dia naleony indray tsy nandefa hafatra satria fantany tsara fa tsy hampiova inoninona izay fampanantenana na fitoriana fitiavana mety hosoratany eo. Nikatroka namita ny asany izy iny maraina iny ary tamin'ny mitatao vovonana katroka dia tonga i Haja.
- "Ndao ary e!"
Nandray ny palitaony i Hery dia lasa izy roalahy nidina hivoaka ny toeram-piasana. Teny andalana i Hery dia nanomboka nitantara tamin'i Haja ny zavatra rehetra nitranga hatramin'izay. Toa an-tsianjery sisa no hanafaran'izy roalahy ny sakafony, ny famonjeny latabatra ary ny fihinanany. Ny resaka tsy nijanona mihitsy.
- "Dia izany leitsy no mitranga a! tsy afaka mihaona intsony izahay fa Ratrema eo foana...izay angamba no vita ry Haja, kanefa izahay leitsy mbola mifankatia ihany."
- "Hay ve leitsy? dia tsy mino aho leitsy hoe Ratrema iny no lasa ohatr'izany!" tena olona tsongoin'olom-bolo mihitsy leitsy izy iny sady ramorabe hatrizay niainany...nisy nahazo azy angamba leitsy fa tsy mino aho!"
- "Minoa ahy ialahy ho'aho fa ny masoko roa ireto no tena nahita azy! ny olako izao dia ataoko ahoana ny hahita ilay olon-tiako? izay nahazo an-dRatrema any, c'est le cadet de mes soucis raha tian'ialahy ho fantatra!"
- "Ka raha antsoina izy l'ty rahariva ho any amin'ny fetintsika?"
- "Te-ho-tapa-doha angaha aho amin'ialahy? he aza leitsy amin'ny andro atoandro, efa tsy azoko atao ny mahita azy, ary maika fa ny alina?"
- "Ka angaha ialahy no hiantso azy?"
- "Fa iza?"
- "I Vero leitsy a! hiaraka izahay mivady dia i Vero no maka azy ao an-tranony! sa ahoana?"
- "Dray!!!! iny indray no tsy noheveriko! mety hanao izany ve leitsy ialahy?"
- "F'angaha leitsy izany sarotra? antsoiko izao dia izao i Vero dia amin'izay izy tafahomana mialoha haka ahy eto. Ialahy kosa tonga dia modia mikarakara izay atao...sao misy tian'ialahy hoentina aloha?"
- "An an, izay indray aloha tsy misy olana e!"
- "Eny ary fa dia rahariva izany e! ndao indray aloha hanompo patirao kely, azon'ialahy angaha ny anjaran'ialahy tamin'i Sefo?
- "Hay, ilay solosaina ve?"
- "Ie!"
- "Oadray leitsy, tena tsara leitsy ilay izy a! sady mora ampiasaina...tsy mihainohaino intsony leitsy rehefa ao an-trano ko!"
- "Izany ho'aho, vita hatreo ny famadibadihana tele rehefa ratsy ny fandaharana! Hahaha"
- "Aza atao fantatr'i Sefo hoe zavatra hafa ange leitsy no tena ampiasantsika ity zavany fa asa angamba, hahaha!"
Nikakakaka nihomehy izy roalahy niditra niasa ,ary tsapan'i Hery fa maivamaivana ohatr'izany izy iny tolakandro iny...
Nitsikitsiky tsy nisy ohatr'izany i Vero nitsena ilay olon-tiany iny hariva iny. Faly loatra ny fony fa efa ela izy roa izay no tsy mba nivoaboaka namonjy fety, eny fa na dia nisakafo ivelan'ny trano aza dia efa tena tsy tsaroany intsony ny daty. Samy sempotry ny asany koa moa dia tena zara aza tonga ao an-trano hitsotsotra, hany ka tsy tsaroana intsony ireo fahafinaretana ilain'ny saina rehetra. Ny tena loza aza dia hatrizay andro vitsivitsy nahazoan'i Haja io solosaina azo lanjalanjaina io dia tsy hitany intsony ny tokatranony. Asa loatra izay manintona azy ao. Ny an'i vero moa dia efa tena leo ny masony mijery ireny tontonlon'ny andro ka fadiany mihitsy ny hariva ny manohy izany any an-trano.
- "Manimanitra ny vadiko izany androany hariva!" hoy i Haja nanoroka azy
- "Ka hiaraka aminao tsinona ko! sady raha mitondra vady daholo ny namanao, sao dia izaho no ratsy indrindra any!" hoy i Vero nananihany.
- "Mmmh! aza miteniteny foana moa" hoy i Haja nijery ny vadiny tamin'ny masom-boromailala...
- "Ndao voahy ny fiara ry Haja fa tsy eto amoron-dalana eto no hanao izay hahababo ahy a!!!"
- "Koa maninona? efa ela ange aho no tsy nisangisangy ohatr'izany e," hoy izy namoha ny varavarana ilany ary nampiditra ny olon-tiany tao anaty fiara, dia iny izy nihodina hamonjy ny toerany.
- "Ouffff," hoy i Vero tany an-tsainy! tena ohatry ny hafana izany anio alina izany an! dia niainga ry zareo. Teny andalana anefa dia raikitra ny resaka momba an'i alexia ka nikaroka izay hevitra mety hahomby hahazoan'ilay tovovavy hivoaka hanaraka azy ry zareo.
- "Mivavaha mafy tsy ho ato Ratrema," hoy i Haja nivavabavaka!
- "Fa angaha isika tadidiny? efa tamin'ny fetin'i Alexia taloha ela be iry ange isika no taty e! koa raha tsy inona izy ko hahatsiaro an'izany intsony! sady izaho irery anie no hiditra any e!"
- "Dia mahereza ary ko!" hoy i Haja nampahery, "tadidinao tsara ve izay tokony holazainao?"
- "Aza matahotra! na mpilalao sarimihetsika aza tsy mahay noho izaho!" hoy izy nanokatra ny boati-manjamasony hijery ny fitaratra keliny hanitsy ny tarehiny.
Nony tonga teo ambavahady dia nitsikilo kely aloha i Vero ary hitany ny fiaran-dRatrema fa efa teo. Natahotra kely ihany izy kanefa nahitsiny ny akanjony dia nampanenoiny ny kiririoka fanairana.
Poa toy izay dia nipoitra i Zefa.
- "Manao ahoana Tompoko? iza no tadiavinao azafady?"
- "Mitady an'i Alexia aho!" hoy i Vero nitsikitsiky.
Tonga dia novohan'i Zefa ny vavahady ary niditra i Vero. Akanjo lava mainty marara-tena no teny ankodiny ary ny vololavany navelany hiraraka manaraka ny lamosiny mitanjaka kely indreo ahofahofan'ny rivotra mitsoka hatreny antokontanindry Ratrema mianakavy. Toa lavitra dia lavitra ity lalana taminy noho ireto kiraro avo fanahy iniany nanaovana iny hariva iny noho izy hamonjy lanonana. Tsy noheveriny loatra manko ny handeha tongotra toy izao... raha izy lasam-binany naneninenina tsy nivatsy kapa iny, hay i Ratrema efa nijoro teo anoloany mandinika mafy azy hatrery alavitra ery...Ny tanany ampaosy, ny kibony somary narosony ary ny masony mijery dia mijery, toa azon'andriamby!
- "Manao ahoana ianao ry Mademoiselle.....iza moa?" hoy Ratrema nitsiky taminy sady nanamboamboatra molotra ery...
- "Manao ahoana ianao Tompoko! efa Madame aho ka! Vero no anarako!"
- "Hay! faly mahafantatra anao Madama, fa iza no tadiavinao?"
- "Mitady an'i Alexia aho Tompoko" hoy izy "...ianao no Papany?"
- "Ie, izaho no rainy, ary ianao?"
- "Namany aho, namany taloha elabe saingy nandeha kely tany ivelany aho ka efa ela izahay roa no tsy nifankahita. Sendra mandalo eto antanindrazana aho izao ka niezaka ny niantso azy kanefa tsy mandeha intsony angamba ny findainy ka naleoko tonga aty haka azy fa hanao fety aho rahariva, sa tsy azo atao?" hoy i Vero mody nihakanakana
- "Hay! mandrosoa aza ianao ry ...Vero moa? mandrosoa fa ampanantsoiko izy..."
I Alexia anefa nandritr'io fotoana io dia teny andavarangana ary naheno tamin'ny antsipirihiny izay resaka nataondry zareo.
- "Inona no hosotroin'i Vero?" hoy Ratrema nikoropaka naka vera sy niantso ny mpanampiny hiantso anjanany vavy.
- "Aoka izao Tompoko," hoy izy nisakana an-dRatrema...tsy ho afaka hijanona ela aho fa ny vadiko miandry ahy ao ivelany ka sao dia ela loatra aho!
nitebiteby anefa izy sao ity i Alexia tsy hahazo resaka ka ho potika eo ity tetika efa natao tsianjery maimbo...ho afa-baraka eto marina! hoy izy namihina mafy ny poketrany...
Ny mason-dRatrema dia tsy niala teny amin'i Vero mihitsy na indray mipika aza, hany ka tsy hitany akory ny fijaikojaikon'i Alexia niditra ny efitrano fandraisam-bahiny sy ny py maso lavareny nataony an'i Vero hilazany ankolaka fa efa takany ny tiany hambara...
- "I Vero!" hoy izy mody nihazakazaka sady nanoroka ity farany...
- "Alexia!" hoy izy roa nifamihina mafy...
Raha mody nikiakiaka i Alexia nifalifaly tsy nety nijanona dia nanararaotra ny tabataba nataony i Vero nibitsika teo ampotontsofiny fa lalaovy hatramin'ny farany ny teatra...
- "Ka ahoana? ela be izay, taiza marina indry ty e?" hoy i Alexia
- "Tany Frantsa aho akia, dia nanambady tany! hoy i Vero, fa tonga eto izahay dia nahatsiaro andry dia izao..."
- "Faly be aho!" hoy i Alexia nihinjaka kely mihitsy...
- "Nandramako nantsoina indry hatry ny maraina tsy mamaly sa efa niova numéro?"
- "Na izaho koa aza," hoy Ratrema nitsatsaingoka tsy mety mahazo azy tato ho ato!!!"
- "Ndana reitsy miomana indry fa dia asaindry zareo indry rahariva! mandehana mihitsy aloha manova saina kely fa tena hatsatra kely mihitsy! mandehana miakatra haingana!"
Lasa nihazakazaka toy ny tadio Razazavavy niomana.
Tsy andrin-dRatrema izay hidifian'i Alexia hanohizany ny resany amin'i Vero...
- "Ka aiza ianareo no mamantana izany izao?"
- "Any amin'ny rafozako izahay izao," hoy izy niondrika tsy te-haneho hoe mandainga.
- "Hafiriana ianareo no eto?"
- "Iray volana ihany ka," hoy i Vero nitsangana nialaala satria hitany manindry azy mafy ny mason-dRatrema.
Nipoitra ihany i Alexia ary nofihininy ny tanan'i Vero...
- Amin'ny firy no vita ny fetinareo?"
- "Asa," hoy i Vero nijery famantaranandro..." tsy misy lera," hoy izy nijery nahitsy andRatrema...
Tsaroan-dRatrema fanina kely ny masony nijery ity vehivavy izy... eny ary, vehivavy lehibe ianao anaka ka matoky anao aho...na amin'ny firy ianao no hody na amin'ny firy dia tsy maninona..."sa alaiko any? aiza moa ianareo no handeha?"
- "Any Ivato ny rafozako no mipetraka," hoy i Vero fa lavitra loatra ny lalana ka aleo ihany izahay no hanatitra azy... "Lasa ary izahay fa veloma tompoko."
Toy ny voan'ody Ratrema fa dia tsy nanankalahatra mihitsy teo anoloan'i Vero. Nitsoriaka toy ny mpangalatra izy roa vavy nivoaka tao...
- "Moramora ry Alex," hoy izy fa avo be ny kiraroko ka tsy zatra aho sady toran'ny hehy izy.
- "Fa taiza indray no nahitanareo hevitra sahala amin'izany e?"
- "Anontanio i Haja!!!"
- "Ary inona no noresahin'i Papa taminao teo?"
- "Enquêtes be tsy nisy ohatr'izany, saika hibaradaka aho!!!"
- "Ary ho aiza isika e? toa mihaingo be ity i Vero? izaho koa voatery nanao akanjo tsara fa sao dia tratran'i Papa hoe tsy miady ny baolina!!! mbola tsy nandainga taminy aho raha tsy androany!"
- "Ndao ry alex fa hifety isika a!!! ndao!"
Efa hendratra ery i Haja tao anaty fiara vao nipoitra izy roa vavy. Nanahy be ihany izay mety fandehan-javatra tao anaty villa be tao izy ka nila ho gila mihitsy ny masony nivezivezy nitsipalotra teny amin'ireo retroviseurs rehetra.
Mbola nihomehy ihany anefa i Vero sy Alexia niditra tao anaty fiara. Poa tsy teo dia namelona ny motera i Haja ary nimaona niridana.
- "Mba moramora re ianao ry Haja fa inona ary ity mandeha mafy ity? ohatry ny mandositra!"
- "Ka ianareo roa aza nihazakazaka ery namonjy ahy ko! ka nanao ahoana?"
- "Eee, nilamina iny aloha, ny fety indray izao eritreretina." Hoy i Vero namihina ny sandrim-badiny.
- "Fa fety inona?" hoy i Alexia gaga...""f'angaha tena misy ilay fety e?
- "Oadray, andao ianao manaraka anay dia aza be resaka intsony! avoahy ny manjamaso dia ataovy manja be mihitsy fa sao tsy tian'ny akamako intsony eo..."
- "I Hery ve? aiza i Hery?" hoy i Alexia nihoraka
- "Any aminy izy ka! ho any isika izao fa milamina aloha ianareo roa vavy fa tsy concentré mihitsy aho mitondra fiara!"
Vetivety izy ireo dia tonga teo anoloan'ny tranon'i Hery. Efa manakoako hatrany ivelany ny hirahira sy ny fihomehezana.
- "Ary efa be olona be ato izany an!" hoy i Haja nitringatringa nijery tety ivelan'ny tamboho..."andao tarito ny lalana ry Alexia fa ianareo anie no tompon-trano e!"
Dia niditra izy telo mianadahy ary inty i Hery efa nijoro teo ambaravarana mitsena andry zareo.
Oroka lavareny ny azy roa teo, ary toy ny tsy nisy ry haja mivady...
- "E e e!" hoy i Haja sady nikohokohoka kely izy... "tsy aleo izahay aloha hiditra vao manohy indray ianareo?"
- "Manao ahoana i Vero! adray azafady ry ireto!" hoy i Hery nihomehy sady nandray tanana an'i Vero izy. "Ialahy ry Haja efa hitako tontolon'ny andro fa ndana miditra a!"
- "Andao ry Vero sao dia tazoniny ho azy eo koa ianao a!" hoy i Haja nananihany.
Niditra daholo izy efatra ary hay efa tonga teo daholo ry Andry sy Niry ary i Fidy sy Hanitra namandry zareo anisan'ny tratra antso ho avy io hariva io.
Nony vita ny présentation dia samy naka ny toerany ry zareo. Kelikely ihany moa ny efitrano kanefa dia nezahin'i Hery nahisaka daholo ny entana hampisy malalaka teo ampovoany hahafahana mandihindihy.
- "Sao misy hanampiana an'i Hery?" hoy i Alexia nitsangana nankany andakozia maika hiresaka amin'ny olon-tiany sady te-hamantatra bebe kokoa ny anton'ity fety ity.
- "Raha manaiky hifamihina amiko androany alina tontolo dia mahazo mijanona eto," hoy izy nitsiky malefaka.
- "Izay fotsiny?"
- "an an tsy izay fotsiny, dia manaiky hiara-mandihy amiko irery, sy....
- "Sy inona koa?" hoy i Alex nangata-maso be tsy nisy ohatr'izany...
- "MMMhhh! sy sy ahoana re no ilazako azy e? sy mmmhh mannaikkky hijannnona aty amiko rehefa lasa ireo olona manelingelina antsika ireeeeo?"
- "Dia hanao inona isika?" hoy ihany Alexia niandrandra ny molony teo ambany saokany.
- "MMhh, dia holazaiko eto ve? manjary lany tsiro sahady!!!" hoy i Hery nihomehy kely.
- "Entrée fotsiny no ilaiko ka!" hoy i Alexia nanoroka azy fa tsy nahandry intsony.
Niditra tampoka anefa i Haja hamoaka izay tavoahangy vitsivitsy novatsiany avy any...
- "Oadray, azafady fa mbola manelingelina indray aho" hoy izy mody tsy nahita.
- "F'ialahy ity leitsy toa ho problème ko androany alina koa!" hoy i Hery mody tezitra sady nandray ny plateau misy ireo voanjo sy sambosa. "Ary inona ity nentin'ialahy? efa ampy leitsy izay nomanikoa ato a!"
- "An an! fomban'ny gasy ny mitondra kely," hoy izy nihomehy, "sady mahakamo leitsy ny hitady mpivarotra indray rahalina raha tsy ampy a!"
Dia niverina tao amin'ny salon izy telo ary raikitra ny la mozika sy ny dihy isan-karazany. I Alexia sy Hery dia toy ireny mpivady vao ireny mihitsy fa mifamikotra mafy na mandihy na eo ambony seza.
Izy efatra mianadahy vahiny koa variana mihirahira sy mitendry gitara hany ka nahafinaritra dia nahafinaritra ny lanonana.
I Vero sy Haja kosa mitakoritsika ery anjoron-trano... tsy miady anefa na mifanazava fa mifantoka amina resaka hafa mihitsy...
- "Dia nanao inona anao marina izany Ratrema izany?" hoy i Haja nisikotra ambadiny.
- "Efa hoe ohatry ny mikoty mihitsy izy ry Haja," hoy i vero nanamafy izay efa nolazainy teo aloha...manadihady, manao fijery hafahafa...ohatry ny niboridana mihitsy aho ho'aho teo anatrehany! noheveriko fa mivaha ho azy mihitsy aza ny akanjoko!"
- "Dia variana mihitsy aho amin'izany ry Vero ka! vao aninkeheo i Hery no nitantara tamiko ny fiovan'ny toetran-dRatrema nefa dia tsy ninoako, fa ianao mitantara ity he manamafy izay nolazainy. Fa dia naninona loatra aza izy iny?"
- "Asa, mahatsiravina ahy ny olona toy ireny!" hoy i Vero tohina. " Mampalahelo ahy izay vadiny. He ity zanany gadrainy ao an-trano fotsiny nefa ny hadalany miharihary. Matim-behivavy!"
- "Marina ny anao" hoy i Haja nandray ny verany amin'izay.
- "Tena tiako hofaizina kely izany!" hoy i Vero mbola nanohy ihany...
- "Maninona? faizinao ahoana?"
- "Mbola mieritreritra kely aho..."
- "Aoka itsy ry Vero fa olona mahitahita ireny fa sao ianao tsy mahafaty biby eo ka ny rambony no tsy ho tanty! ary andao handihy fa efa ela loatra isika no nitokatokana teto... "
Nandihy slow nilamindamina izy roa ary nifamihina mafy. Ny sain'i Vero amin'io eo ampiheverana izay tetika maty paika hanafaizana an-dRatrema indray.
Nitohy ny fisotroana ary efa nanomboka nadeha ny rediredy isan-karazany. Efa mihohoka matory fotsiny i Andry sy Fidy hany ka sahirana ery izy roa vavy sakaizany avy iankinandry zareo. I Vero sy Haja mbola mitohy mihirahira sy mandihy teo afovoantrano, toy ny manenjika ireo fotoana laniny tsy mba nivoahany tato ho ato. Nifehy tena koa i Haja tsy hisotro loatra satria mbola hitondra fiara ary izy no mbola hanatitra an'i Alexia rehefa avy eo.
I Alexia sy Hery anefa indro nijaikojaiko niakatra tany ambony rihana, hanohy ny fety araky ny efa nikasan'i Hery azy. I haja sy Vero etsy mandihindihy sy mihirahira, misarika mafy ny sain’izay mbola tsy reraka any amin’izy ireo, handehanan’ireto vorona ankiroa mifankatia mba tsy hisy mpahita fa hikopaka elatra any ambony any.
Jiro teo an-doham-pandrianan'i Hery no hany nanazava ilay efitranony. Nohidian'i Hery avy hatrany ny varavarana. Nahatsiarovan’izy ireo ilay voaloham-pifankahalalàny ilay hazavana mitsilopilopy tao an’efitra.
Nifampiresaka izy roa :
- "Hery an ! nalahelo mafy anao aho.."
- "Izaho koa Alexia an ! mifona aminao mihitsy aho fa tena loza ity hadalako, ny fanomezana saro-bidy taminao no natolotrao ahy, nefa toa hadinoko tante…"
Nosakanan’i Alexia tsy hahaloaka ilay teny farany i Hery fa ny fanondrony no natohony teo amin’ny molony. Nanatona ny molotr’i Hery izy dia nifanoroka aok’izany. Niverina indray ilay fantsom-pitiavana nifanaovan’izy ireo tany Ambatofotsy. Tahaka ny hoe efa an-tanonany maro tsy nifankahitàna ireto olon-droa, ka pitik’afo kely monja dia ampy hampiredareda indray ilay afom-pitiavany nitambolonan’ny setroka matevina teo.
Poa toa izay dia nidaboka teo am-pandriana izy roa, maika ery nanala izay akanjo rehetra teny aminy, nifampikofokofoka tsy misy aok’izany ary tsy ela dia nihatakataka teny amin'ny sisim-pandriana ireo akanjony rehetra. Niakatra nipetraka teo ambony fen’i Hery i Alexia nony avy eo sady nihondrikondrika nanoroka ny tratrany. Niakatra moramora izy avy eo sady manafosafo indray ny tarehin’ity malalany. Novonoiny ny jiro ary dia nihanoka tao anatin'ny fahafinaretana tateraka izy roa. Efa ho amin’ny 2 ora maraina vao injay re ny varavarana nivoha, ny ao ambany efa mangina fa tena reraka tokoa angamba na i Haja sy Vero na ireo namana hafa.
Indreny olon-droa mijaikojaiko moramora mamonjy ny efitra fandroana. I Hery mitrotro an’i Alexia io, niditra ilay efitra, mbola mitohy ny orokoroka, niandry elalela kely, dia injay fa re ny fisasasasan’ny ny rano. Indro izy roa miara-mandro, mifamihina ery tondrahan’ny rano matimaty manala ny hatsembohana eny aminy. Tahaka ny nofo iray toa tsy te hisaraka mihitsy. Nifanaovany ny kosokosoka madinidinika amin’ny vatan’ny tsirairay. Vita izay dia, najanon’i Hery ny rano mikoriana, nosintoniny ilay lamba lehibe fifafàna, indro fa nikirazorazo ilay lamba fotsy iray, toa misy aloka mainty kely ao anatiny, ary misy tady kely mainty somary nivoaka teo amin’ny sisiny. Teo vao nikoropaka i Hery, ilay lamba famafàna amin’io efa anamainan’i Alexia ny vatany feno piti-drano madinika. Hendratrendratra ny anao lahy. Loza ity, tena maty harika mihitsy ialahy ity ry Hery, ahoana no hanafenako ity?
Nosintoniny ilay lamba fotsy nanarona teo, nataony haingana mba tsy ho hitan’ity malalany. Niezaka ny hamoriporitra iny dia hatsipiny eny an-jorontrano. Tsy tratra fa teo am-pisintomana azy no latsaka ilay atin’akanjo mitaditady kely.
Somary niondrika i Alexia, nijery ilay string mainty, taitra tampoka.
- "Hery an ! inona ity?"
Hevitra