Tadiom-pitiavana

Pejy 31
2006/04/26,09:38

Tsy hitan’i Tahiana akory ny nanarahan’i Manitra anay, ny valin-drihana rahateo tonga dia nanakona azy ary raha tsy tafiditra tao an’efitranony izahay telo vao nikentrona kely izy nijery an-jandriny.
- "Misy zavatra ilain-dry angaha ry Manitra?"
Tsy niteny ity farany fa, nanohy ny tsikiny ihany sady nanomboka niangolangola fihetsika.
- "Manitra an !azon-dry avela irery ato ve aloha izahay sy Hery fa mbola misy zavatra tianay halamina tsara. Sady natositosiny ho any amin’ny varavarana ity zandriny vavy.
- "Andray akia ry Tahiana," hoy ity zandriny, sady niangotingoty taminy ihany, te-hilalao fitiavana miaraka aminareo ange aho e! Fa angaha tsy… sady nomeny oroka kely teo amin’ny takolany havia ity zokiny, tena manakaiky ny molony.
- "tsy … ahoana koa ary," hoy i Tahiana sady nanomboka tezitra.
- "Hay izany rehefa nahazo izay nirina dia adino ny nanala ny fanaintainana fahiny. Lany ny rondohako hanomezana fitiavana an-dry dia mba mila izay tambiny aho, nefa izao no ataon-dry. Lasa izy, sady nirintona no nakaratony mafy ny varavarana.

Nanomboka kaodikaody aho, toa tsy mitombina intsony ny tao an-tsaiko. Te-hody tampoka, ny andro anefa manomboka mikotroka mafy ao ivelany ao.
Na dia olona tsy mandalina akory aza dia mahalala fa misy misitery marina ny amin’ny fiainan’i Tahiana sy ity zandriny ity. Efa notantarain’i Tahiana fa nisakaiza tamin’i Malala akory aza izy. Dia hay izao hita mivantana izao ity sangim-pitiavana ifanaovany amin-jandriny.
Mazava amiko amin’izay ny nahatonga azy tsy nahita izay mba anjara tandrifiny hatramin’izay. Tsy te-hitoetra amn’ity trano ity intsony aho na dia iray minitra monja aza. Aleo ny lalana mody no asiana olona sady ny tranoko koa miandry ahy any an-tanàna.

- "Tahiana an ! metimety amiko kokoa ny mandeha mody fa tsy te-hahita tantara hafa eto aho!"
- "Hery an ! iangaviako an-tanan-droa ianao mba hijanona aloha fa tsy maintsy hazavaiko aminao ny zavatra mitranga. Hery!"
- "Tsy misy tokony hazavaina intsony izany ry Tahiana an! sady somary tezitra koa aho. Dia sahinao ve ny manao toy izany nefa vao ny maraina teo ianao no nilaza fa tsy namerina ilay nataonareo intsony ianao sy Malala. Tsia an! Tena sarotra be ny fandidiana raha izany. Inona marina no tanjona tena tianao hahatongavana, fa raha izaho manokana no mijery dia matahotra mafy ny ho lany zara ianao io dia misarangotra amin’ny hazo tsy fantatrao akory."
Tsapako fa nandratra azy izay teniko izay fa nanomboka nanganohano ny masony. Ny tanany mandringotra ahy hipetraka teo ambony fandriana, nefa izaho tsy tana intsony fany hody no masaka ao an-tsaiko.
- "Hery an!" hoy izy sady nitomany no namihina ahy mafy. "Diso aho e! aza avelanao irery aho fa mila namana hanohana ahy."

Mba misy ny zavatra tsy tantiko amin’ny fiainana fa ny mahita vehivavy mitomany, nefa ny teny nataoko teo no nampijohy ny ranomasony. Izy rahateo vao mainka nigogogogo hatrany. Naleoko namoaka ny hambom-poko tao anaiko sady niteny taminy hoe:
- "Tahiana an ! tsy misy fanantenana ny amintsika mihitsy ato anatiko, ary tsoriko fa tsy tia anao velively aho."
- "Hery!" Sady nanomboka nifokofoko izy dia nigogogogo nitomany, maso efa menan’ny ranomaso no nijery ahy, nisintona indray ny tanako fa nakifiko, lasa koa aho nanatona ny varavarana, dia nitsangana izy nanaraka ahy sady niantso mafy teo amin’ny tohatra hoe:
- "Hery an ! avia fa miverena e!"
Nipitrapitra fotsiny izy nijery ahy nidina tany ambany, ary vao teo an-tokonana dia injay fa niverina tany an’efitranony tany izy sady nakatony moramora ny varavarana. Reko hatrany ny figogogogony na dia nihena tamin’ilay varavarana nihidy aza ny feony.

Raha vao hanatona ny varavaram-be fivoahana ny trano aho dia indro i Manitra mijoro sady mibahana ny tokonana niandry ahy tsara. Nobanjininy mafy aho sady notondroiny tamin’ny fanondrony.
- "Fa mieritreritra ny ho aiza ity ianao? hoy izy sady tsy niala teny amin’ny masoko mihitsy ny fijeriny.
- "Sshh ! tsy hidiranao izany fa tsy tananao ato izany aho."
- "Fa mihevitra ianao fa avelako hiala maina amin’izao."
Mba fantatrao moa fa ny olona toa anao izao no nandratra ny fony sy nampitolefika azy? Taiza ianareo lehilahy tamin’ireny fotoana mafy nahazo azy ireny? Asa ny fihevitrareo anay vehivavy fa angamba ho tahaka ireny karatra famahana ampiasaina amin’ny finday ireny, ka vao vita ny ilàna azy dia atsipitsipy etsy sy eroa. Mieritrereta ihany fa raha nisy ny nampahery azy voalohany tamin’ny andro nahakivy tanteraka azy, dia izaho rahavaviny. Afaka nanome ny tambitamby sy safosafo ary fitiavana malefaka afaka nanala ny sorisoriny. Ka izao ity ianao, mihevitra indray ny handratra ny fony efa mba nanakom-pery? Sanatria izany, aza mihevitra ny hivoaka eto mihitsy raha tsy te-hahita loza; ary mikasiha tanana ahy eo fa hitanao ny hanjo anao."
- "Tsy fombako mihitsy ry Manitra izany mikasi-tanana vehivavy izany an! Fa raha azonao atao dia avelao fotsiny aho handeha!"
- "Raha azonao hatao, hoy ianao? Tsy azoko atao. Tsy fantatrao angaha fa izao indray i Tahiana vao mba nitempo fitiavana marina izany efa ho taona maro izay. Andàna ianao miakatra, dia alamino ny olana misy aminareo fa raha mamoy fo eo io rahavaviko io dia tsy hamelako ianao."

Vavam-behivavy izany ka vavam-behivavy. Indraindray tokoa aho dia manenina ihany amin’ny zavatra tokony noteneniko sy nataoko. Raha izay tokoa aho mantsy no niteny tamin’i Tahiana hoe avelao i Manitra mba hiaraka amintsika teo dia efa … ny lanitra fahafito aza izay efa nihoarana…
Saika hifamaly tamin’i Manitra aho. Tsy mety mihitsy ireny nataony tamin’i Tahiana teo ireny. Aiza ve ka izy mangala-ketsa indray no avo vava. Vavan’olona izany?
Raha lehilahy no manao ahy toy izao dia efa nosintomiko hiala amin’io varavarana io dia natsinkasiko tamin’ny tany. Fa soa ihany fa vehivavy, ka na dia mitomban-dahy tahaka izao aza, aleo ampandeferina ihany ny hambom-po. Sao dia handratra olona eo vao loza.

Ka inona tokoa moa, inona no fatiantoka amiko raha mijanona ato amin-dry zareo aho. Tsy sanatria resim-bavy akory, eny e! tena toetrako mihitsy ny mora langolangoin’ny vehivavy, … langolaingoiny aza moa aho manaiky ka vao mainka koa aza tereny hanao izao sy izao.

Sady mody nihomehy an’i Manitra aho no niteny taminy hoe:
- "Tsy ratsy kosa ilay hoe tahaka ny karatra famahana an!.."
- "Ka hita koa! Fa angaha heverinao fa tsy marina izany! , no sady niova ihany koa ny endriny.
- "Aleo fa hiakatra ary aho e! Fanatanterahana ny sitrapon’i Madimôzely Manitra, sady mody nataoko eson-teny, fa tsy ilaiko kosa ianao hanampy trotraka ao indray."
- "Tsy maninona," hoy izy.

Dia niakatra tsimoramora ny tohatra aho, namoha ilay varavarana, kanjo nihidy. Niandry kely dia nanomboka nodondomiko.
- "Tahiana an!" (tsy nisy namaly), naleoko aloha niandry kelikely mihitsy sady nijoro teo amin’ilay lalan-tsara.
Segondra vitsy no nisaina dia nisokatra ilay varavarana, indro i Tahiana nangarangarana.
- "Avelanao hiditra aho?"
Tamin’ny teny manambitamby no nanaovako ilay fanontaniana, toa mangataka ny hamoram-pony hiditra amin’ny efitranon’ny fitarainany nefa efitrano fanehoam-pitiavany ihany koa. Tsy niteny izy fa ny varavarana no nosokafany tsara lasa namonjy ny fandriany izy ary niverina nipetraka teo anilany aho. Ny masony amin’io menan’ny ranomaso, ny tarehiny efa nofafàny ka namela diany teny amin’ny takolany ny manjamaso nahosony ny tarehiny ora vitsy lasa izay. Dia hitako nisoritra taminy tahaka ireny haingo voafafa ireny ny fahadisoam-panantenana namaivay tao am-pony.
Nidaboka teo am-pandriana izy sady nijery taty amiko. Maso mitory fitiavana tsy miloaka. Niverina nanganohano indray ny masony, dia nampiako safosafo ihany koa hampitony ny alahelony. Narakotro azy ilay lamba no sady nomeko oroka kely teo amin’ny takolany. Ary naleoko ny fahanginana no nampanjakaina hampitony ny alahelo sy ny ratra am-po nahazo azy. Ary tsy nisy teny nivoaka taminay na dia iray monja aza. Navelako izy hatory ary raha tsy afaka ora iray aho vao niala teo, nijaikojaiko mora aho avy eo nidina tany ambany.

Nanontany an’i Manitra aho izay misy ny trano fandroana, dia natorony ahy sady naka saina teo aho ny amin’ny hataoko rahampitso. Vita izay, i Manitra niandry ahy teo ambony seza lava, nila resaka tamiko izy, dia nifampitafa teo izahay. Notantarainy tamiko avokoa ny fiainan’i Tahiana sy izay tantaram-pitiavany, ny fiarahan’izy roa…
Ary ny tena nahagaga azy dia izao i Tahiana lasa tia ahy, nefa efa an-tanoany maro izy tsy naneho izany na tamin’iza na tamin’iza.
Alina dia alina ny andro vao vita ny resakay, niangavy rahateo moa i Manitra ny mba hijanonako any amin-dry zareo amin’ity alina ity.
Naleoko nangataka taminy lamba horakofana. Mety amiko kokoa ny matory eo ambony seza lava, hoy aho. Dia tsy nisalasala izy fa nomeny ahy, ary lasa niverina tany amin’ny efitranony rehefa nifanao tafandria-mandry izahay.

Namelombelona ny fitiavako an’i Alexia teo aho, nahatsiarotsiaro ireo nataonay fahiny. Any izy izay, tsy fanta-baovao. Tsy naharitra ela aho dia resin-tory teo ambony seza teo ary tsy nahatsiaro izay ambonin’ny tany intsony noho ny havizanana.

Fa tao amin’ny efitranon’i Tahiana tamin’io:

Satriny aza i Hery nijanona teo akaikiny teo foana, nahafinaritra azy ny safosafon-tanana nandalo tamin’ny takolany. Nahatsiaro fahabangana kely izy raha nandao ny efitranony ity olon-tiany. Niezaka ny haka torimaso, fa tsy nahita. Farany, niarina sy nampirehitra ny jiro tao an’efitranony.

Nalàny avokoa ny akanjo rehetra teny an-kodiny, naleony nitanjaka sy nanatrika ilay fitaratra lehibe teo amin’ny larimoara. Notsapainy avy any ambany ny nonony roa, ningainy tsimoramora dia nalatsany tampoka. Nihontsana in-dray mandeha ilay izy dia niverina naka ny toerany tsara indray. Narahiny maso tamin’ny fitaratra tsara ny fihontsany teo.
- "Mbola tsy milatsaka", hoy izy, niteny irery.
Somary nanatona akaiky ilay fitaratra indray izy nijery ny kentrona kely tamin’ny tarehiny. Teo vao tsapany ny isan’ny taonany efa mandroso, mandroso tsy hay naverina, fa na dia ezaka maro aza no natao, tsy azo notazomina intsony fa lasa toy ny ravin-kazo nanintsana.
Azony ary tsapany tsara amin’izay ilay tenin’i Hery nandratra ny fony sy nampitomany azy teo. Miha-antitra aho, tsapako tanteraka izany hoy izy niteny irery tany antsainy tany. Iny izy niverina teo ambony fandriana sy nandry tamin’ny lamosiny, ny tanany ilany notereny teo anelakelam-peny, ny ilany navelany nanafosafo ny kibony sy ny nonony.
- "Vehivavy ah," hoy izy niteny irery, "mila lehilahy aho hameno ny fiainako!"
Naleony nitady fahasambarana, nitady hanalana hamoamo tamin’ny ranomasony teo. Notadiaviny ary tsy namelany mihitsy raha tsy torovana tanterakany ratsam-batany hahafahany mahita izay anjara torimasony anio alina. Ora roa monja anefa taorian’io anefa taitra indray izy, nivadibadika tao am-pandriana tao, niankavia, niankavanana. Fa tsy hitany intsony izay hatao, dia niarina indray naka akanjo mandry dia nidina tany ambany hiala hetaheta.

    Hitako tovovavy iray tsara tatrehy sy bikàna nidina tsimoramora ny tohatra. Akanjo manify dia manify mena manopy mainty no mitafy ny vatany. Arahina atin’akanjo mena midorehitra misy dantela manify. Ny hazavana kelin’ny jiro dia ampy nahitako hakanton’ny fijorony manjavozavo tao anaty voaly manify tantera-pahazavàna.
Nidina ihany izy, ny ratsan-tanany no natendriny ny aro-fanina amin’ny tohatra. Namonjy nanatona ahy, niara-nipetraka tamiko teo ambonin’ilay seza lava.

Nalefako teny aminy ny fijeriko , notakariko ny tarehiny ary nosafoiko mora tamin’ny tanako. I Alexia io.
Tsy niteny izy fa nitsiky mora. Ny masonay nifanena dia nifampita hafatra feno fitiavana. Niondrika ihany koa izy nanakatra ny molotro. Oroka mamy tahaka ireny tsy nifankahita ela ireny no nifanaovanay. Nofeheziko tamin’ny tanako ny lamosiny. Sondriana ery aho mitsapa ny hakanton’ny bikany tsy manam-paharoa. Nekeny ny hikambana amiko teo ambonin’ilay seza, dia nifampitositosy, nifanoroka, nifampikaroka teo ny lelanay roa.
Tampoka, niarina izy sady nitsangana, niala teo amiko ary nihataka kely. Nihodina tamin’ny tongony dia nanatrika ahy indray.
Ny ratsan-tanany malefaka no namahany ny bokotra ambonin’ilay lamba manify. Natosiny hihataka fotsiny ireo tadin-damba teo amin’ny sorony dia nilatsaka tamin’ny tany ilay akanjo. Hatsaràm-bika izany, hatsaran-tarehy. Ny volony lava miondana any amin’ny lamosiny, ny masony tsy niala teny amiko intsony. Nanomboka nosafoiny ny kibony, nananika ny nonony misy tatiny mena mifanaraka tsara amin’ilay lamba manify teo. Tamin’ny fihetsika miadana dia miadana no nanafosafoany ny vatany iray manontolo. Nilendalenda fotsiny aho nijery azy, tsy te-hiala amin’ny toerako fa soa sy finaritra loatra ny mijery ny bikan’ity malalako amin’ny toerana misy ahy.

Toa manonofy aho, ary raha nofy aza, tsy tiako hijanona intsony.
Fotoana vitsy fotsiny dia nanatona izy, ny lohaliny no napetrany tamin’ny tany nakàny fitoerana. Nakipany hiala teo amiko ilay lamba nandrakotra ahy. Tsy sahirana mihitsy izy namaha ny patalohako ary nisintona izany, ny tanako koa nanampy azy amin’izay tiany hatao.
Mihahenjana hatrany ny filahiako. Nalàny koa ilay akanjo ambony teny amiko, ary samy atin’akanjo sisa no notafianay teo ambonin’ilay seza. Niverina indray ilay fifanonorohana, notadiaviny mafy aho, niriny ihany koa, tsy nisy teny na dia indraim-bava aza niloaka fa fihetsika fotsiny dia nifankahazoanay tany am-po tsy miloaka. Niala tamin’ny molotro ny azy dia nidina, nandalo tamin’ny tenda, ny tratra, ary ny lelany no nalentiny tao anatin’ny foitrako : nampangoritsina ny kiboko. Ny ratsan-tanako no nalefako hibango moramora ny volony, ny filahiako koa efa tena mihenjana ary miandry fotsiny izay hataon’ity malalako manaraka eo. Nalefany tany amin’ny filahiako amin’izay ny androatokon’ny eritreriny. Nosokafany ny silipiko dia nezahiny nalàna, ny maojako no ningaiko ary somary naforitro kely ny lohaliko mba hahamora izay tiany hatao. Vetivety dia nitafy ny rivotry ny alina ny hoditro iray manontolo, tsy nisy lamba intsony teny amiko. Nosafoiny indray ny filahiako ary nareniny hiatrika tsara. Nojereny, ny ratsan-tanany dimy no namehezany azy sady nosafosafoiny niakatra sy nidina. Ny ankihibe no nataony nanafosafo ny lohany malamalama, ny sisa kosa nanery tsimoramora ny vatam-pilahiana hahazoako aina tsara.

Natopiny vetivety teny amiko ny masony ary notorahany oroka tsotra, nalefany tany amin’ny filahiako amin’izay ny eritreriny manontolo. Ny hetsika nataony dia nahafinaritra ahy avokoa. Malefaka dia malefaka ny rantsany, toa manotra am-pitiavana tsara rindra ka nampientana ny tsirim-pitiavako rehetra nankafy izay nataony. Ny volony miparitaka eo ambony kiboko dia nanome ahy fahafinaretana hafa mihitsy ary tsy tiako hajanona mandrakizay.
Tsapako tamin’izay fa ny molony no manoroka ny filahiako, somary mandomando kely, dia notohizany tamin’ny tanany indray. Mandalo miserana vetivety ny fipaikan’ny lelany, nahodinkodiny. Tamin’izay ny molony efa reko nanomboka nampiditra ny filahiako tany anatiny tany. Tiako loatra ilay nataony : malemilemy, mandomando, ny molony mikorisa amin’ny hoditry ny maha-lehilahy ahy, mamelona ny hasambarana tsy ho tanako intsony. Nalefaka dia nalefaka ny fihetsiny rehetra. Dia somary nakatony kely ary nosintominy avy eo. Toa nisy onjam-pahafinaretana hafa mihitsy midaboka ato anatiko ary rehefa niverina izy nilalao ny lohan’ny taovako indray, nangorintsina tampoka aho, nisento tokana sady nanidy ny masoko hisaina izay nataony tao.
Dia niverina indray, nitelina tsimoramora, nisintona izay tany anatiko, onja mila tsy ho tanty fa vao mainka aza nanamafy ny fahafinaretako. Nahatsiaro sambatra ery aho.
Ny fihetsiny rehetra dia vita kajy avokoa, endrey ny hakanton’ny vehivavy manome fahasambarana tsy takatry ny saina.
Ny ratsan-tanany indray no nasolony ny molony rehefa hitany fa mando tsara, nisosasosa tsy nisy fitsaharany ny fihavin’ny tanany. Nenjaniko mafy ny hozatro rehetra, dia naveriny indray ny molony nandimby ny tanany nanampy hamandoana amin’ny fiveziveziny. Minitra maromaro no nanaovany izany.
Ny ratsan-tanako toa mahazo fy ery milalao ny volony lava, nofeheziko, indraindray aho manampy azy hampiditra ny filahiako any aminy any sady tsy nolaviny mihitsy.
Tsy aritro intsony fa nalefako teny amin’ny filahiako ny tanako, nefa nakifiny fa tiany ho izy irery no mitondra ny familiana. Dia natolotro azy manontolo ny vatako rehetra. Ny tanany nefa manome ahy onjam-pahafinaretana vaovao hatrany isaky ny mikorisa amin’ny hoditro. Ary tsy aritro intsony nony farany fa tahaka ny hisy rano miakatra te-hivoaka amiko.
Nihenjana aok’izany aho nanainga valahana ary nahazaka azy teo amboniko.
Injay fa tonga amin’ny fara-tampon’ny fahafinaretako aho sady nanokatra ny masoko tampoka. Iny nisy toraka tsirin’aina niala tamiko nifatsitsiatra in-droa ary navelany handeha faran’izay lavitra.
Nitsiky izy tao ambadiky ny volony tao sady nanoroka ny kiboko. Injay fa misy lanja tsy fanta-pihaviana mivesatra ny vatako. Fahafinaretana hafa kely, vitan’i Alexia ny nahatonga ahy, ary na dia reraka aza aho te-hanome izay valim-pitia tiako homena azy indray any amin’ny lanitra fahafito.

Nefa nitsangana izy, dia tsy niteny fa lasa niakatra tany ambony. Tsy nahavita niarina mihitsy aho fa ny torimaso no nandetika ahy tanteraka tsy hahavita ilay valim-pitia nokasaiko homena azy teo.
….
Tonga ny maraina.
Raha tsy nisy tara-pahazavàna teo amin’ny sisin’ny varavaran-kely nitaratra ny masoko tsy nahataitra ahy. Gagagaga, nijery ny toerana nisy ahy, tsaroako fa ato amin-dry Tahiana aho. Hay nofy mamy ilay nahazo ahy teo. Nofy tiako ho tanteraka. Raha mba teo mantsy i Alexia !
Nakipako ilay lamba norakofako, sady saika hiarina aho kanjo, tsy nisy na inona na inona teny an-koditro. Dia gaga aho, fa nisy inona tamin’ny alina?
Nahatsiarovako tantara efa niseho tamiko tany amin-dry Malala izy izany efa fotoana ela izay!
Dia sanatria ve? Vitan’izy mirahavavy ve ny hanao ahy ho….

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype