Tadiom-pitiavana

Pejy 29
2006/04/24,10:32

Niezaka nanarinary dia tamin'ireo asa be miavosa mitady hanempotra ahy aho saingy tsy tafatombina ny saiko noho ilay taratasy iray monja sendra nandalo ny masoko nisy ny anaran'i ALEXIA teo ivelany. Nitambolona  daholo indray ny alaheloko. Lasa tany aminy ny eritreritro rehetra. Nitsangana vetivety aho sady nijery tsara ilay antontan-taratasy nandalo teo amiko. Hafa mihitsy ilay sary nipetaka taminy, ary mbola zaza ny fijery azy. Ny taona nahaterahany voasoratra rahateo nanamarina izany. 
Ndry! zazakely mahafatifaty tokoa angamba izy ity sady nitsiky aho no nanembonembona ilay olon-tiako. Any izy izay! Velona sa maty? Matoa aho tsy naharay vaovao, dia mbola manana fanatenana be aho fa ho avotra soa aman-tsara izy. I Toky sy Cynhtia ary Malala izay mbola eny ambony fiaramanidina, na efa miantsona any Paris. Miandry fa atao ahoana moa e! Raha mba afaka mifampiresaka amin’i Alexia mivantana tokoa aho mantsy dia hisy lanja mavesatra hiala ato am-babeko ato. Na dia mafy aza ny asako, dia naleoko ihany nihafy namita izany arak’izay azoko natao, ary matetika rehefa te-hivoaka hody iny ianao vao tena mihisatra tsy misy ohatr’izany ny fotoana. 

Raha tsy nipaika ny tamin’ny iraika ambin’ny folo sasany atoandro vao niala teo amin’ny biraoko aho. Nivoaka ny fiasàna handeha hisakafo no fikasako, kinanjo ny làlana nankany amin’ny farmasia nisy an’i Tahiana no indro nizorako. 

Narangaraniko aloha teo am-baravarana fitaratra sao dia mba mahita an'i Tahiana avy hatrany aho, saingy tsy hitako izy dia voatery niditra ihany aho sady nanontany. Nilaza ireo mpiasa tao fa i Dr. Tahiana anie tsy miasa ao am-pivarotana fa manana ny biraony manokana. Rehefa miandry raharaha ihany izy vao manampy azy ireo mivarotra, hoy ilay olona niantefan'ny fanontaniako. 
Dia niantso ny tany ambony ilay mpiasa ary naniraka ankizy hitondra ahy hiakatra ary hiditra tao amin’ny misy azy. Somary sadaikatra ihany aho, toa misolantsolana tampoka amin’ny fotoana tsy ampoizina. Asa tokoa, fa teren’ny zava-misy ka tsy maintsy manao izao. 
Inona tokoa moa no azoko atao? Tsy an-tany tsy am-parafara! Ka izao te-hihaona mafy amin’i Tahiana izao no hitako fa mety hahitako izay mba rariny kely na dia saro-tadiavina aza. 

Vao tafiditra aho dia efitra lehibe nahitana birao maromaro mitovy no hitako, samy misy solosaina avokoa. Somary nitsipalotra kely ny masoko nijery izay misy an’i Tahiana. Hay manao tablier fotsy avokoa ireo mpiasa teo. Vao tafiditra anefa aho dia nitsangana i Tahiana sady nitsiky, dia nanatona azy aho sady noraisiny ny tànako. 
- "Fa angaha moa tsy efa nifankahita isika tamin’ny maraina no miverina mifampiarahaba indray." 
- "Hay tokoa moa! lasalasa koa ny tànako. Fa inona no antony hitadiavanao ahy?" 
- "Tsy izany fa… (toa tsy hitako izay hotenenina), … fa te-hisaotra anao be dia be aho tamin’ny nataonao ahy omaly alina.  Asa, ho fisaorana anao dia te-hanasa anao aho raha afaka ianao mba hoe miara-misakafo atoandro isika izao." 
- "Izao ve? Raha izao aloha dia tsy mety amiko satria fialan-tsasatra kely fotsiny no azoko atao, ary ato ihany aza aho no misakafo; indrindra fa niera kely aho nody tamin’ny maraina ka tsy maintsy mamita ny asako. Rahariva angaha tsy mety?" 
- "… rahariva, fa amin’ny firy ianao no miala eto?" 
(tena satriko tokoa raha izao atoandro izao, fa diso hevitra aho, tokony ho fanomezana no natolotro dia vita tany ny resaka, nefa misy tanjona tiako hahatongavana dia ny hahazoako vaovao avy amin’i Alexia sy Malala - izay rahariva izay manjary misy hevitra hanita-dàlana indray fa tiako kokoa ilay voafetran’ny fotoana atoandro dia samy miverina miasa rehefa vita ny resaka) 
- "Amin’ny dimy aho no mirava, ary ianao?" 
- "Afaka mandalo eto aho amin’izay ora izay fa tsy maninona." 
(dray ity hadalako, dia nanaiky tokoa aho marina, tsy maintsy hisy olana indray izao ny amin’izay fa aza hitako!) 
- "Eny ary," hoy i Tahiana. "Andrasako eto ianao fa aza mandiso fotoana an!" Tonga isika dia mankany amin’ilay restaurant nifankahitantsika tamin’ilay indray hariva iny. Tsy mampaninona anao?" 
- "Eny e! Tsy mampaninona akory sady avelako amin’izay ianao fa hitako koa fa be asa!" 

Dia nitodika aho namonjy ny varavarana, sady lasa no somary nanenina. Efa tena tsy mitombina marina ny saiko ka tsy manana fanapahan-kevitra matotra fa mpanarak’onja fotsiny dia atopatopan’ny ranomasina amin'izay tiany hametrahana ahy sisa. Dray, dray, dray! Raha tsy ho avy amin’ilay fotoana anefa izao dia ho afa-baraka! Tsoriko fa mbola manenina hatrany aho tamin’ilay fotoana nifankahitanay farany iny. Ary mino aho fa raha tsy nisy iny resaka silipo hadino iny dia mety tsy ho nisedra izao olana goavana izao akory aho. 

Iny aho no namonjy toeram-pisakafoanana, niverina tao am-piasana tamin’ny iray ora atoandro, dia nanohy ny asa aman-draharaha sy variana teo. Tsy tiako ho avy mihitsy ilay amin’ny dimy ora, nefa poa tahak’izay dia nigadona ny tamin’ny efatra ora sy sasany, hiomanako hamonjy an’i Tahiana. Sady te-hiala mafy aho, nefa efa nanaiky ny ho tonga haka azy, ka atao ahoana moa. 

Satriko hitantara aminareo ny nitranga raha nitsena an’i Tahiana tao amin’ny farmasia aho, saingy tantara lava ny amin'iny, fa ny tsapako dia ilay fitsiky toa maneso nataon’ilay mpandray vola nahita ahy sy Tahiana nivoaka. Asa, mihevitra zavatra hafa angamba izy! Ny amiko kosa anefa dia madio ny saiko. Marina fa nisy ilay fisaikaizàna tao anatin’ny fotoana tsy nampoizina tamin’i Tatiana, fa amiko tsy iverenako intsony iny fa nanimba ny ho avinay sy Alexia mihitsy. Ary raha ny elanelan-taona misy aminay dia tena sakana amiko tsy hahatanterahan’izany. 

Teny an-dàlana dia resaka asa no nanombohany. Nanontany izay fahasalamako izy avy eo, tsy dia lavitra ny farmasia iasàny rahateo moa ilay toeram-pisakafoanana ka vetivety dia tonga tao izahay. Vao tafapetraka dia natao ny komandin-tsakafo, dia niandry izahay sady nitohy indray ny resaka. 
Tsy haritro fa dia nanontany azy aho hoe:
- " Hay ve ianao ka Dokotera e?" 
- "Eny" hoy izy, "maro no tsy mahafantatra fa dokotera aho ary nianatra tany an-dafy mihitsy mikasika ny farmasia. Fa ahoana no nahafantaranao izany?" 
- "Sendra niantso an-telefaonina aho dia nilaza ry zareo mpiara-miasa aminao fa hoe Dr. Tahiana no misy ato." 
Somary nihomehy izy sady nijery ahy. 
- "Fa noheverinao fa inona aho? mpamafa trano angaha?" sady lokilokin’ny hehy izy. 
- "Eny e! maro tokoa no tsy mahafantatra fa manana « doctorat en pharmacie » aho, ny antony angamba dia ny fomba fihetsiko sy ny fitafiako. Fa aleoko toy izao, sady izaho koa ange tsy miseho mivantana mivaro-panafody eo e! Zara raha hitanao iny indray alina iny fotsiny aho tamin’iny fa nanao «garde» izahay dia mba anjarako no teo." 
Dia navalony teo iny resaka iny fa navadiny tamin’ny olako tamin’izay ny manaraka. 
- "Fa izao e!" hoy izy, "misy olana goavana mihitsy angaha aminareo sy Ratrema no nanao ireny omaly hariva ireny ianao ity?" 
- "… asa, te-hahafantatra moa ianao nefa efa mahalala ny sasantsasany amin’ny tantara, fa dia azoko ambara aminao izay hany fantatro…" 

Dia notantaraiko azy tamin’ny antsipirihany izay nitranga mba hahazoako ny fony sy ny fitokisany ahy raha sendra miantso tampoka i Malala, fa izay moa no tena tanjoko. 

- "Hay ve ka izany e! Dia inona izany izao no fanapahan-kevitrao?" 
- "Araka ny nolazaiko taminao, dia tsy mahalala mihitsy aho izay misy an-dry zareo, na aiza na aiza. Ny fantatro fotsiny dia ny fiaramanidina …" 
Raha mbola teo am-piresahana teo izahay dia indro fa tonga ny sakafo nafaranay. Nisava ny poketrany i Tahiana sady nanome ahy fanafody hafa indray. 
- "Iny aloha hano, fa mahatsara anao taorian’ilay omaly, ary mitandrema amin’ny sisa fa tsy voatery ho eo foana aho akory," sady somary nananatra kely izy. 
Dia nihinana izahay nony avy eo. Samy nankafý izay nafarany avy. 
Teny an-tsefatsefany teny dia nolazaiko azy fa tahaka ny vorona voafatotra aho ka tsy afaka hamonjy ilay tiany. Ny asa mangeja ahy, ny ranomasina mbola tsy niampitako mihitsy, nefa tena fahabangàna faran’izay lehibe amiko ny tsy mahita an’i Alexia; ary tsy mahalala akory izay vaovao nefa olona marary miady aman’aina no nahitako azy farany. 

Saika tsy zakako intsony ny alahelo tao am-poko fa nanganohano ny masoko ary niondrika aho ka ny handriko no natohoko ny moron-databatra. 
- "Tsy aleo ve," hoy i Tahiana, "tohizana any an-tranonao ity resatsika ity fa manjary hojerijeren’ny olona eto isika?" Sady niantso ilay «serveuse» izy nampanao ny fitambaram-bola. 
Sadaikatra tampoka aho, sady nitraka, ny masoko lasa mena vetivety teo. Fa inona indray ity? Tsy ny tahak’izao ihany ve no nandavo ahy tamin’ny farany? 
Tsy hitako izay natao fa naleoko nanaiky tsy sazoka, izy rahateo nitsangana nandoa ny vola fa navelany irery teo amin’ny latabatra teo aho. Nitsangana koa aho nanaraka azy dia nilaza fa tokony ho izaho no nandoa ny lany satria izaho no nanasa. Novaliany anefa fa izaho hono no mandoa ny fiarakaretsaka mody. 

Dia iny izahay nandray fiara nody tany amiko. Tsy nisy nifampiresaka teny an-dàlana. Asa izay tany an-tsainy tany, fa izaho kosa nanahy ny hiafaran’ity alina ity. Dia ho sahiko ve ny hiroboka ao anaty rano lalina efa tena nanafotra ahy? 
Asa, fa zara aza mba misy namana hiresahana sy mahalala ary mahatsapa ny adin-tsaiko. Efa niha-maizina ny andro vao tonga tao an-trano izahay. Novohaiko ny trano dia nampandrosoako izy ary nasaiko nipetraka. 
Tsy vita akory izay dia injay fa naneno ny findain’i Tahiana tany anaty poketrany tany. Navoakany sy nojereny aloha dia novaliany. Ary lasa izy nivoaka tany antokontany nifampiresaka tamin’ilay mpiantso. 
Niontana ny foko. Enga anie ka i Malala izay. Narahiko moramora izy avy ao aoriana nefa toa nitsoaka ahy. Asa! Toa tsy fahalalam-pomba be izany ataoko izany? May tsinona aho ka! 
Niverina teo an-tokonana aho niandry azy. 
Tsy niteny izy nony avy eo, tsy nivolana fa tsiky zary tenany no natolony ahy. 
Tsss! aza manonofy marina letsy ry Hery fa raha te-hatory dia fotoana fanaovana izany izao a! Niditra tao antrano izahay nony avy eo. 

Vao tafiditra kelikely anefa izahay dia injay fa nitraotrao be ny orana tao ivelany tao, tsy nifandrenesana teo an-tokontany. Nakatoko ny varavarana sady nanidy izay varavaran-kely rehetra aho. 

Dia notohizako ny resakay: 
- "Asa raha fantatrao fa tsy misy andrasako izao afa-tsy ny antso avy amin’i Malala. Koa raha sendra miantso anao izy dia azonao atao ve ny milaza amiko izay misy azy? Sa izy ilay niantso anao teo?" 
- "Tsss! fa ahoana koa no itenenanao izany? Eny e! Fantatro ny ahiahinao! Jereo izato ianao tahaka ny akoholahy voakapoka. 
Fa mikasika ilay hoe handehananao any an-dafy hitady an’i Alexia. Ianao milaza fa ny havanareo any tsy dia mifandray aminareo akory, dia aiza ihany koa moa no alehanao nefa ny misy azy ireo aza tsy fantatrao? Fa angaha heverinao fa tahaka an’Antananarivo i Paris ka hoe ho hitako atsy amin’ny hopitaly HJRA na HOMI Soavinandriana ry zareo? Dia jereo ihany koa, ianao ihany no milaza fa tsy azo avela ny asanao! Raha izany ianao dia tokony hametra-pialàna, kanefa mety hangataka onitra be aminao ny teoram-piasàna, ary na ny taratasy hanomananao ny dia aza ange tsy ho vita vetivety e! Volabe mihitsy no ilainao vao afaka mahazo <<visa>> ho an'ny fizahantany ianao; ankoatr'izany ny fampiantranoana, ny hotely, ny fivezivezena! Dia efa tafaverina eto ry Alexia vao afaka handeha ianao, nefa ny asa navotsitra, ny vola lany hatakalo Euro. Ary ianao ve mihevitra fa tsy nisy akony tamin-dry zareo iny nataonao teny Ivato iny? Asio fiheverana ihany ry Hery ny ho avy fa aza manao hevitra bontolo fotsiny a! Raha teo amin’ny toeranao aho aloha dia aleoko miandry e!" 

Tena azoko amin’izay fa i Malala no niantso an’ikala ity teo. Tsy maintsy ataoko fantatra androany alina ihany izany… 

- "Aleo aho aloha hikaroka izay azoko haroso anao fa ilaozako miresa-be eto fotsiny." 
Dia iny aho nitady ranom-boankazo tao anaty vata fampangatsiahana. Hay narahiny tsimoramora aho sady nofeheziny tamin’ny tànany ny kiboko sady namaha ny bokotry ny lobako izy. Ny tànany ilany nakariny ambony nisafo ny tratrako; ny ilany indray nidina ambanin’ny foitra sy nitsofoka tany anaty patalohako. Tsy nahahetsika aho aloha. Ny hatsiaka no tsaroako nivoaka avy tamin’ilay vata, nefa ny hafanan'ny tànany no niaro ahy, ny jiro avy ao anatiny nanazava ity tànany efa mikaroka ireo loha-nonoko kely. Efa fantatro fa tsy maintsy hanao izao i Tahiana. Satriko ve hotohizana, sa hoteneniko izy hijanona?! 
Raha ny nofoko no mitondra ahy dia hobataiko izy ary hampandriako eo ambony taila fotsin’ny lakozia ary hanaparako ny filàko rehetra sy hanalako ny sorisoriko. Fa raha ny foko sy ny saiko ny mibaiko ahy, dia asaiko hajanona avokoa izao ataony izao, ary hotantaraiko azy fa anisan’ny nahatonga izao rehetra izao ilay nataonay farany iny. Dia sanatria ve ho sahiko ny handetika kokoa ny fantsika efa mandratra ny foko? Vaka teo ny saiko. 

Tsapako amin'ny hoditro ny hafanan'ny tànany, midina manafosafo moramora ny ambany foitrako. Vao nahakasika kely ireo volo madinika fotsiny ny ratsan-tànany dia injay fa reko miha-mihenjana ny filahiako. Mitombo ny filàko hitady firaisana ara-nofo aminy. Toa tsy haiko hajanona fa ireo nonony roa no tena reko mitohaka ao an-damosiko. Tiako be ilay safosafo nataony. Nampiany oroka malefaka tao amin'ny hatoko rahateo koa moa. 
Raha nihena ny hevitro hampijanona izao ataony ahy izao, dia ny filàna tao anatiko kosa toa nitombo sady te-hihazakazaka handrifatra tsy ho tanako intsony. Nisento kely aho dia nihodina, ny tànany lasa namonjy ny lamosiko indray ary namihina ahy... nefa: somary natosiko izy hanalavitra kely fotsiny mba hisian'ny elanelana taminay. 
- "Tahiana a!", hoy aho, fantatro ny tianao hahatongavana fa misy zavatra tiako horesahiana aminao. 
- "Inona?" hoy izy somary niangoty kely sady niezaka ny nandroso hananika ny molotro fa tsy navelako. 
- "Asa raha fantatrao fa tamin'ilay isika nanao tahak'izao ilay indray hariva iny... dia fantatr'i Alexia ny farany ka izay no lasa ady saritaka taminay roa ary mbola tsy voavaha akory hatramin'izao." 
Najanony ny fihetsiny rehetra, novahany ny tànany dia nobanjininy tsara aho. 
- "Tsy azoko," hoy izy, "fa ahoana no nahatonga anao hiteny izany?" 
- "Izao fotsiny e! Tsy mandà ilay fanampianao ahy aho hatramin'ny omaly, ary mbola tsy ampy aza ny fisaorako anao... fa noho ilay silipo adinonao tato an-trano dia tsoriko fa tsy te-hanao firaisana aminao intsony aho." 
- "Fa maninona anefa no tsy noteneninao ahy hatramin'izay izany? Sao heverinao fa tsy mbola hitako tao anaty "douche"-nao ilay izy tamin'ny maraina teo? ary izaho aza nihevitra fa matoa mbola sahinao notehirizina tao iny dia nisy fahafinaretana hafa nataonao taminy?" 
Niaka-peo tampoka ny anao vavy! Asa, tsy tiako be ny fiteniny. Tsy hitako intsony izay havaly azy fa nahavita nikarokaroka izy matoa nahita ilay izy. Ary saika hadinoko akory aza ny toeran'iny silipo mainty iny taorian'ny nahitàn'i Alexia azy. 
-"Tu me dégoutes!", sady nalainy ny poketrany no lasa izy namonjy ny varavarana. 
Vao nisokatra anefa, mbola oram-be nivatravatra no tao ivelany tao. Nosokafany ny poketrany, tsy nahita elo. Avy hatrany izy dia nivoaka sy nitsotsotsotso tany an-tokontany efa difotry ny ranon'orana. 
Taitra aho nahita azy lasa tampoka tsy natahotra ity oram-baratra. 
Nihazakazaka koa aho nanenjika azy teny am-bavahady. Loza ity! Sahiny ve ny ny hanao izao? Na dia olona adala aza angamba tsy hihevitra ny hivoaka tsy manana elo hialofana akory. Ny andro alina, ny riaka eny an-dàlana aza mety hahazaka olona.... 
Iny izy saika hamoha ny vavahady iny no nosintomiko hanaraka ahy hiverina. Vetivety vonton'ny rano hatramin'ny atin'akanjoko. Ary fantatro fa tahak'izay ihany koa ny azy. Nosarihiko mafy fa tsy nety nandeha, hany heriko dia nanao an-katerena azy, ny feny roa sy ny lamosiny no nobataiko, namaly mafy ahy hatrany izy arak'izay azony natao. Ny tànany nidarodaroka ny lamosiko fa nihafiako ambara pahatongako tao an-trano. 
Vao tafiditra dia napetrako teo ambony seza lava. Hotsaka tanteraka izahay roa. Izy etsy toa mangovingovitra, ny valanondranony manakotsako ao anatin'ny hamandoana. Loza inona indray ity hiseho marina! Tsy hitako izay hatao, hany hevitro dia nibata azy indray ka nitondra azy niakatra tao amin'ny efitranoko. Tsapako fa nangatsiaka be izy hatrany anatiny any. Napetrako teo ambony fandriana ary naka lamba famafàna aho tao anaty larimoara, ary iny no namafako ny volony. Dia novahako ilay akanjo lava efa honaky ny orana dia nosintoniko hidina hanalàna azy. Nanaiky tsy sazoka fotsiny izy fa tsy niteny. Ny vatany iray manontolo mbola nangovitra be. Ireo atin'akanjo sisa teny amino, nefa mbola tena hotsaka ihany koa. Vao nalako ilay tadin'ny tati-nono dia fetaka teha-maina no nifatratra tamin'ny tarehiko. Dia niala aho sady nanolotra azy ilay lamba famafàna. Nefa izy aza tsy nahavita hetsika intsony fa vizana tanteraka. Niverina teo aminy aho sady nanamaina ny vatany. Dia nakipako ny lambam-pandriana dia narakotro azy. Nitsangana aho naka izay akanjoko maina dia nidina tany ambany nisolo ny teny an-koditro ary namàna rano tamin'ny fatana. Niverina indray nijery azy efa mibonoka tao anaty lamba. Navoaka ny bodofotsy sy ny akanjo maina afaka nomeko azy. Ny masony fotsiny no mipitrapitra nanezaka nanala izay atin'akanjo teny aminy, kanefa naleoko nihodina tsy nijery azy akory. Sady lasa aho nidina tany ambany. 
Vetivety dia vita ny rano mafana, nataoko tao anaty tavoahangy. Ny ravim-boafotsy mbola mivaivay no nentiko hosotroiny. Nosokafako avy any ambany ny lamba dia natsofoko ilay tavoahangy feno rano hitondra hafanana ny manodidina ny tongony. Nareniko izy avy eo ary nampiako hanidy ny bokotr'ilay akanjo nomeko azy. Dia nasaiko nisotro ilay ranon-dravim-boafotsy efa nomaniko ho azy izy. Tsy nisy nifampiteny izahay efa ho minitra maromaro. 
Tsy aritro intsony fa hoy aho: 
- "Ataoko angamba fa tsy maintsy matory atý indray ianao anio alina. Tsy maninona fa atsy amin'i efitr'i Mamanay aho no hatory fa aleo ianao mijanona eo! Ao ambadika ao aho raha misy ilànao ahy." Sady narehitro ilay jiro kely teo andoham-pandriana dia lasa aho nankao amin'ny efitra ilany nanomana izay hatoriako. 
Loza izany! omaly, izy no namonjy hay; izao indray, izaho no voatery mamonjy azy. Nidina indray aho nisotro ihany koa ny rano entiko hanala ny hatsiaka rehetra tany anatiko tany, tsy ho tantiko mihitsy ny hahazo aretina amin'izao fotoana izao. 
Navoakako daholo ny zavatra rehetra tao anaty poketrany fa sao nisy tsy mahatanty hamandoana. Gaga ihany aho fa nahita ny anarako tamin'ny taratasy iray sady misy ny laharan'ny findaiko. Nojereko indray ny laharana farany tamin'ny antso voaray tamin’ny findainy, laharana lavabe tsy tahaka ny mahazatra fa antso avy tany ivelany. Toa mifono zavatra maromaro mila hazavaina amin'ity Tahiana ity. Dia naparitako teo ambony latabatra kely ireo zavatra rehetra tao anaty poketrany, hanamaina ireo taratasy hafa tao. 

Mbola nandamina ilay fandrinan'i Neny aho sady nampirina ny efitrano ka afaka adiny iray vao niverina tao amin'ny efitra nisy an'i Tahiana. Hay efa matory izy noho ny havizanana nanjo azy. Dia nalaiko avokoa ny akanjony lena be teo ka nahahako tao amin'ny efitrano fandroana. 

Saika tsy nahita tory aho iny alina iny. Marobe ireo zavatra mifamahofaho ao an-tsaiko. Alexia, Malala, Toky, Cynthia, Ratrema, ny asa tsy ho tanty intsony ary tsy azo ialàna, dia miampy ity olana vaovao ity indray, Tahiana! 
Handeha hitady an'i Alexia aho ve? Ary any amin'ity Tahiana ity ve ny vahaolana amin'izao tranga misy ahy izao? Asa hoy aho fa dia aleo ny ampitso no hanambara. 
Tsy nopizinin-tory aho iny alina iny; vao mba renoka kely dia taitra indray. Farafara natorian’i Neny rahateo ity misy ahy, ka nahatsiaro sy manembonembona azy tsy hita be ihany aho! Hany ka raha vao nandre ny feom-boron-kely voalohany aho ny maraindraina dia tafarina teo am-pandriana. Novohaiko moramora ny varavaran-kely, dia nidina tany ambany aho. Nosokafako avokoa izay rehetra varavarana, na kely na lehibe, hidiran’ny rivotra vaovao. Nivoaka teny an-tokontany aho nony avy eo mba haka rivotra madio. Nahafinaritra ahy ny nihaino ireo siokam-boronkely mikalo ny hatsaran’ny tontolo manodidina. Tanàna somary lavitra ny arabe moa ny tranonay, kanefa tongan’ny fiara soa aman-tsara. Mangina dia mangina ny tontolo, mamela ireo voronkely hikalo fitiavana tsy mety ritra rehefa niharitra ny ora-mikija nandritra ny alina. 
Fanaoko ny mihazakazaka vao maraina manodidina ny tambohonay sady mijery izay simban’ny orana tamin’ny alina, na ny ivelan’ny trano izany na ireo hazo fihinam-boa manodidina. 
Vita izay dia nanatanjan-tena teo amin’ilay vy mahazaka izay aho, nanabokona ny sandriko sy manenjana ny hozatro rehetra. 
Teo am-panaovana izany indrindra aho no injay fa misy hira mandeha amin’ny onjam-peo avy ao amin’ny lakozian’ny mpifanolo-bodirindrina amiko. 
Fantatro tsara ilay izy, na dia malefaka dia malefaka aza ny fandrenesako azy. 
Hiran’i «Joe Dassin», «l’été indien» no lohateniny. Mampahatsiahy ahy zavatra marobe niainanay sy Alexia herintaona lasa izay: 

«…c’est comme si j’y étais… je pense à toi!… 
où es-tu? que fais tu? 
Est-ce que j’existe encore pour toi… 
… » 

Nentin’ny feon-kira teo aho, tahaka ny misy fanamafisam-peo mandefa azy mafy ato an-tsaiko. Any izay i Alexia! Tsy noraharahiako izay fitarainan’ny sandriko efa mila tsy hahazaka ny vatako manatanja-tena intsony! 

Ny feon'i Tahiana niantso ahy avy any aoriana no nanaitra sady nampijanona ahy. Io izy mijoro eo anoloan'ny tokonam-baravarana. Somary takon’ny haizina kely ny lohany, ary ilay lobaka lava nomeko azy alina no teny an-kodiny. Somary tery taminy ilay izy fa mifandrirodrirotra be ihany ireo bokotra manoloana ny nonony. Loba-dehilahy rahateo koa moa tsinona, izay no hany hitako azo natafy azy. Haka ny akanjon’i Neny ve? tsss. Toa ireny fiankanjo miantsy lehilahy ireny no fahitako azy, ka naleoko indray nihodina tsy nijery azy fa ilay fonjam-by kely no nalaiko nampiakariko sy nampidiniko tamin’ny sandriko. Notohiziny ihany ny resany na dia nomeko lamosina aza izy: 

- "17 taona aho tamin’izay", hoy i Tahiana nanomboka ny resany, "ary i Malala vao nandray ny faha-18. Mpinamana tsy nifankafoy, niray dabilio tany am-pianarana. Nifanampy sy nifanoro tamin’ny zavatra rehetra. Nifanaiky fa hifampitantara ireo tsiambaratelonay na ny soa na ny ratsy. Tany aminy aho indray asabotsy hariva, tsy dia be teny izy fa nitsapatsapa ny tao ambany kibony tao. Zipo fohifohy izay no nanaovako ary tsy nisalasala izy niteny tamiko hoe: « asehoy ny zavatr’indry fa misy tiako hojerena… » ! Gaga be aho tamin’izay, tsy natahotra aho akory satria efa nanao fampitahana aza izahay volana vitsivitsy izay fa samy mbola virjiny. Tadidiko tsara fa avy nianatra momba ny biolojian’ny fananahana izahay tany am-pianarana; dia liana erý, ary nitsiry taminay ny te-hahalala sy te-hahita mivantana ny taova rehetra mikasika izany. Izy aza nahatsapa fa misy tranga mahafinaritra rehefa nanafosafo io fivaviany io izy elaela. Notantarainy tamiko daholo izany, ary nataony teo imasoko aza fa tsy nampiraika ahy akory. Nanatona ahy izy sady ningainy ny zipoko no nosintominy ny atin’akanjoko. 
Hafahafa tamiko ny fihetsiny! Toa lasa menatra aho! 
- "Fa maninona?" hoy aho, somary tezitra, raha misy miditra tampoka eo dia ahoana?" 
- "Nanao tamin’i A… aho omaly hariva. Mbola misy maharary ahy hatramin’izao rehefa voakitika eto. Tiako hampitahaina indray ilay fiovàna fa tena maharary ahy." Sady natsindriny ny fivaviany indray ny tànany no naka fitaratra kely izy. Novahany ny bokotra marobe tamin’ny akanjony, nalatsany ny atiny. Nojereko tsara ny fihetsiny dia nanatona ny fandriana nisy ahy izy sady notarafiny ny maha-vehivavy azy. Iny koa aho nijery fa mba liana te-hahita. Fivaviana efa niala volo no hitako, ny molony ambany roa tahaka ny nihitatra tsy mitovy amin’ny ahy, ary hita tsara ilay zohy itoeran’ny fahasambarana miendrika haram-bato malemilemy. Tsy handriko intsony fa hoy aho: 
- "tantarao akia ny nahazo an-dry a!" somary nanenina. Tahaka ny nanao fifaninanana mantsy izahay momba io resaka io kay i Malala no nisantatra azy. 
Dia notantarainy tamiko ny tanaon’izy sy A…
Asa anefa izay nahazo ahy fa isaky ny mitantara izao sy izao izy, dia lasa nisy fahasarotam-piaro be izany tany an-tsaiko tany. Noho izaho voasongony ve, izaho anefa aza mbola tsy ampy taona akory tamin’izay sa inona? Indraindray izy lasa mirehareha, indraindray toa manenina. Hitako teny amin’ny endriny rehefa mitantara fa maharary azy ilay izy ka dia nomeko safosafo sy orokoroka teny amin’ny takolany izy mba ho mariky ny fiarahako mizaka izay mahazo azy. Kanjo, tsy fantatro ary mbola tsy azoko fantarina hatramin’izao, fa nifanatona ny molotray roa, izy rahateo tsy nandà. Ary toa satrinay notohizana aza. Oroka malefaka tsy tahaka ny an’ny lehilahy, nanisy lokomena koa moa izy ka asa, izay angamba no nahahafa azy. Nalefany teny amin’ny nonoko ny tànany, nosafosafoiny mora, lasa nifamihina mafy izahay ary samy nankafý tsy te-hijanona mihitsy. Ny bokotry ny ankanjony efa tapitra nivaha, novonjeko nosafoina koa ny nonony roa sady nopolipolesiko ireo lohanonony kely. 
Tsy nisy nifampiteny izahay, nampidiniko ny molotro namonjy ny tendany, namonjy ny loha-nonony iray, nahafinaritra azy ny nataoko fa ny voloko no nosafosafoiny toa nobangoiny tamin’ny ratsan-tànany. Tahaka ny nolalaoviko sy noketoketohiko mora tamin’ny molotro roa ny loha-nonony; nitsapatsapa zavatra maro mbola tsy nataoko aho fa toa nisy hery miafina izany nampifandray anay roa. Ary samy tianay tsy hay najanona. Fahafinaretana be ho ahy ny nanorokoroka azy; asa! tsy te-hiala mihitsy aho raha tsy nitsilany izy natory. Ny tànany avy eo nanafosafo moramora ny fivaviany, ary ny ilany kosa nisarika ny saokako hifanoroka taminy indray. Dia niverina indray ilay onjam-panorohana lavabe, ny lela nifampitady sy nifampita hafatra amin’ity fahasambarana mbola tsy niainanay mihitsy. Notadiaviny ny fela-tànako dia napetany teo amin’ny vivaviany. Fivaviana malama, tsapa avy hatrany ny lefaky ny hodiny ivoahan’ny hafanana kely. Hafanana mahafinaritra, ny ratsan-tànako nefa mila hivaivay. Ny fanondroko roa no nahatsapa fa misy mando teo aminy, natsofoko kely nampisaraka ireo molotra roa. Toa nimenomenona kely izy fa navelany notohizako ihany. Narosoko, nahemotro ny ratsan-tànako, injay fa nitombo hatrany ny hamandoany. Nifangaro tamin’i Malala ny fahafinaretana sy ny fanaintainana, fa mbola tsapako hoe reny maharary azy ny fivaviany nefa tobasan’ity tànako fahafinaretana hafa kely. Tànam-behivavy malefaka mbola tsy nanaitra ny tsirim-panentanany tahaka izao. 

- "Avia amin’izay," hoy izy, "soloy amin’ny lelan-dry amin’izay ny fanondron-dry fa nataon’i A… an’izay aho omaly. Tiako mbola hiverina ilay fahafinaretako talohan’ny nidirany tamiko." 
Tsy nandà mihitsy aho, te-hahalala izay vokany. Reko koa tany anatiko tany fa misy onja miakatra manenika ahy. Nosokafany tsara ny feny, niomana handray ahy, nojereko indray ny endriky ny fivaviany, nosafoiko tamin’ny tànako farany dia niondrika aho nampikasika ny lelako taminy. Nilomano tao anatin’ny hafanan’ny elakela-pen’i Malala ny tarehiko. Naka ny tsirony izay tsy noraharahiako fa ny fiaingan’ny andilany no tsapako isaky ny mandalo teo amin’ny bokotry ny fahafinaretany aho. Tsy fantatro intsony izay nataoko, elalela kely, ny lelako efa tsapako miha-vizana mivezivezy eo aminy, ny molotro roa indray no nampiako hisintontsintona ireo molotry ny fivaviany sy ny bokotra kely teo aminy. Tsapako amin’izay ny tànany manindry mafy ny lohako nefa ny valahany miainga miala ny fandriana. 
"Mmmmhhhhhhooouuuuiiii!!!" hoy i Malala tamin’izay sady ningainy ny tarehiko hijery azy. 
- " mmhhh, tonga!!!" sady nisento izy no nidaboka tsy nahatsiaro izay ambonin’ny tany intsony. Ny hany azoko natao dia namonjy azy sy nanoroka indray ny molony. Ary tsy taitra tamin’ny lanitra nisy azy teo izy raha tsy nanafosafo ny nonony indray aho. 
Nanana vahana foana i Malala teo alohako, izy hatrany no nisantatra ny zavatra rehetra, izaho kosa nanaraka azy teny akaikiny teny." 

- "Tsy azoko," hoy aho, "fiainanao sy Malala izany! Inona loatra moa no idirako amin’izany tantara izany? Ary tsy fantatrao angaha, fa ny fiarahan’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy, amiko, dia mbola tsy eken'ny saiko loatra?" 
- "Aza mbola misendoatra aloha ianao," hoy i Tahiana, "fa tsy mbola tapitra eo ny tantara".

- "Teo dia reko fa misy filàna tsy haiko notanana intsony. Te-hahazo ilay fahafinaretana nomeko an’i Malala teo aho, famerim-bolako tsy maintsy notakiako taminy izay. Hitany ny ratsan-tànako milalao ny ahy. Tamin’izay vao tena tsapako izany hoe “excitée” izany, ary tahaka ny onjam-pahasambarana izany no miakatra avy tany anaty kiboko tany, izay tsy haiko fefena tsy hivoaka. Tsy nisy nifampiteny akory izahay, fa avy izy nanoroka ahy nanomboka teo amin’ny molotro hatrany amin’ny fivaviako. Nangitikitika ahy ny safosafony, tiako be ny kaikitry ny molony, toy ny rivotra mitsoka manafotra ahy ny fofon’ainy sy ny hafanan’ny lelany mikaroka ny fahasambarako tsy hay notohaina. Injay fa nananika ahy ny fara-tampony. Ilay lambam-pandriana no nosarangitiko mafy. Tampoka teo, navelako hidaboka avokoa ny ratsam-batako rehetra, vizana, nitolefika tsy naharay lamba intsony. Sady faly i Malala no nitsiky… kanefa tamin’izay fotoana izay no niditra tampoka tao an’efitra i Vololona ary saika tantara lavitra be no nitranga, fa nifompona mafy taminy izahay fa tsy hamerina intsony." 

- "Dia ahoana?" hoy aho somary liana amin’ity tantarany ity. "Mbola namerina indray izany ianareo roa taty aoriana?" sady nitodika tany aminy aho nijery azy. 
- "an, an! tsy nanao izany intsony izahay na dia fantatray fa hafa noho ny hafa aza ny fahasambarana niainanay tamin’izay. Nefa tsy tianay ny antsoin’ny namana sy ny mpiara-mianatra hoe ireny ange ka izao sy izao. Dia naleonay tsy nanao izany intsony sady i Vololona nanara-maso anay hatrany fa raha vao mbola reny na hitany fa mbola manao izany dia halazany amin’ny ray aman-dreninay." 
- "Fa mbola tsy azoko ange ny tianao hahatongavana e! Inona marina no antony hitantaranao izany?" 
- "Telo taona tatý aoriana, efa samy nanao izahay roa, samy nitia ny azy, samy nifamboraka izay fanandramana nataony avy. Nahita lehilahy iray, izay tena nanana ny bika aman’endrika izay aho. Tena tiako ilay izy ary tia ahy koa. Nahatsiaro nanana fahasambarana sy fahafenoana aho tamin’izay lehilahy izay. Tamin’ny lafiny rehetra mihitsy, ary tsapako fa izay lehilahy izay no hitantana ahy hiatrika ny ho aviko. Asa izay nahazo an’i Malala, satria moa izahay nifanaiky fa hifamboraka izay samy tsiambaratelony, dia notantaraiko taminy ny fiainanay sy L… Nolazaiko taminy ny fahafaham-poko rehetra, ny nataonay na dia ny fiainana ara-pananahana izay fantatro fa tena tsiambaratelo tsy azo ambara an’iza na iza aza. Inona hoy ianao ny nataon’i Malala, hainy ny nandangolango an’i L… Lasany tamin’ny fotoana tsy nampoizina, ary ny tena loza dia izao: notantarainy tamin’i L… ilay tantaranay teo. Nisafoaka ny anao lahy, tsy mety aminy hono izany vehivavy tia vehivavy izany. Dia rava hatreo ny fahasambarako rehetra. Rava noho i Malala." 
Nikaroka izay mba mitovy tamin’i L… aho hatramin’izay, nivezivezy tetsy sy teroa, fa hafa ihany i L… I Malala moa iny hitanao fa nanambady an-dRatrema iny. 
Izaho eto izao, tsy an-tany tsy am-parafara. Tsy took, tsy forohana! 
Te-hamaly faty an’i Malala aho hatramin’izay, nefa namako izy, noraisiko ho tahaka ny rahavaviko akaiky. 
Dia naleoko mihitsy niala teto Madagasikara nianatra momba ny farmasia tany an-dafy. Koa aza gaga ianao amin’i Malala, fa toetrany mihitsy ny tsy mahatàna tsiambaratelo. Izay no nahafantarako tsara anao. Fantatro fa tsy zanak’i Ratrema akory i Toky fa zanakao. Efa notantarainy ahy ny firaisanareo voalohany. Ny sangim-pitia naharevo anareo roa. Tsy handriko mihitsy ny nifankahitana taminao hanatanterahako ny valifatiko. Nefa izao…" 
- "Nefa izao ahoana?" hoy aho, sady nanatona nipetraka teo akaikiko izy nanodina ny tànany teo amin’ny valahako; niondana vetivety teo amin’ny soroko. 
- "Nefa izao hitako amin’izay ilay L… nandao ahy fahiny noho i Malala. Tiako haveriny amiko satria efa eto akaikiko izy. Nefa ny fony mbola any amin’i Malala ihany." Sady nisy tsoria-dranomaso niala taminy… 
- "Tahiana!" hoy aho, "fantatrao tsara fa fitiavana tsy hisy mandrakizay izany antsika izany. Tsy i Malala akory no andrian’ny foko fa tena i Alexia, ary izy avokoa no ivon’ny fiainako rehetra. Fantatrao tsara i Malala, fa ny ara-nofo no mahamay azy." 
- "Eny e! fantatro tsara," hoy Tahiana, "fa na dia sombitsombin’ny fitiavanao fotsiny aza no atolotrao ahy, ary farananao ao anatin’ny fotoana fohy dia ampy ho ahy hanadinoako ny fitiavako an’i L… izay mibahana ato an-tsaiko. 
Ary tiako haverin’i Malala amiko amin’izay izay nalainy tamiko." 
- "Andao," hoy i Tahiana, "viens, viens me donner ce que je veux vraiment, viens..." 
Sady nosarihiny aho hiakatra tany amin’ny efitranoko. 
- "Avia," hoy i Tahiana, "avia fa mila anao aho." 
Nitsambikina kely izy nidaboka teo ambony fandriana. Toy ireny zaza milalao falifaly erý ampitsambikinin’ny vy miaina ireny. Ilay tantara nataony teo koa tsy laviko fa nanaitra ahy fa mody nafeniko, atao ahoana fa lehilahy ny tena. Izao ilay hoe boky mivelatra feno sary ve tsy ho vakiana? Saingy ny sary nameno ny takilany tsy fampiseho masoandro akory fa afenina mafy dia mafy sao misy mahita. Izy aloha dia bikan'olona e! Raha ianareo angamba no tamin’ny toerako, dia minoa marimarina fa na tsangambato aza mety hihetsika hitolona azy. 
- "Avia moa Hery a! Hery chéri…" sady miangotingoty no sady manafosafo ny vatany manomboka any ambany ka hatreny amin’ny nonony, ny masony tsy miala teny amiko, hitako tsy voasaron’ilay lobaka intsony ny faritra ilan’ny foto-peny, nanomboka novahany tsimoramora ny bokotr’ilay lobaka efa nanery ny nonony tsy manam-paharoa. Dia izay no tena nanetsika ny fihenjanan’i balita tao amiko tao. Nefa tsy sahiko nokitihana akory. 
Lasa nirehitra sy niredareda tao anatiko ny faniriana. Faniriana te hanome tsotr’izao, ary hitady fahasambarana ihany koa. Faniriana ny te-hamaly ilay voa-drà teo amin’ny nonon’i Malala vao andro vitsivitsy lasa izay. 
Teo amorom-pandriana aho no nijoro, nijery ity fihetsiny manafosafo ny vatany. Ny tahak’izao no tsy mba tantiko mihitsy amin’ny vehivavy, fa dia avy hatrany aho dia roboka, te hitady fahasambarana tsy hay tohaina na inona na inona fitrangany eo. 
Ny tànany havia no nanainga ilay lobaka avy any ambany dia nanomboka nikitika ilay fivaviany. Ny havanana kosa nanakatra ahy sady nisarika, toa manao baiko moana hoe "avia hiara-handry amiko!" 
Dia nandry teo akaikiny aho, niorirana kely izy dia nifanatrika izahay. Ilay tànany mbola manafosafo mora ilay fivaviany ihany, ny ilany kosa nampidiriny tany amiko hikaroka ilay filahiako efa mafy tahaka ny hazo voamboana. 
Natoniko ny molony ary ny tànako ilany nalefako hitsapa ilay nono efa niseho teo anatrehako. Nifanoroka izahay, injay fa ny lelany no nikaroka sy nanome hafanana ny ati-vavako. Nakorisako kely ny molotro hanakaiky ny sofiny. Dia nobitsihiko mora izy hoe: 
- "Inona no tadiavinao amiko?" 
- "Mmmhhhh, ny fanafahana ahy, fanafahana amin’ny gejan’ny fitadiavana ilay tsara indrindra. Omeo ahy fa fantatro fa anananao be dia be. Omeo ahy izao ilay nangalarin’i Malala tamiko hatramin’izay." 
- "Tsy azoko," hoy aho, ny molotro amin'io efa maka ny fofon’ny volony sy ny hatony. Fofona natoraly, fofony nampientana ny faniriako rehetra. 
- "Hazavaiko anao rehefa avy eo, fa avia, vokiso ny fitiavana aho hahatsapako ilay tena fahasambarana." 
Nomeny ahy ny azy iray manontolo, anjarako sisa ny mitolona azy, izy ilay mitady ny faratampon’ny fahasambarana mbola katsahiny. 

Tamin’ny fihetsika haingana no nanalako ny patalohako, ny ranjoko no nikofokofoka nanala azy tanteraka. Ny tànany amin’io tsy miala amin’i balita fa manafosafo, manapotsipotsitra, maka ny hafanany toa mirehitra handoro. 
Niharina aho sady nanala ilay akanjo ambony hany sisa teny amiko. Bokotra roa farany no novahako tamin’ilay lobaka teny aminy dia tazako iray manontolo ny toe-batan’i Tahiana. Ao amin’ilay itiavako azy mihitsy. Ny nonony tahaka ny voasary roa lehibe mipetraka tsara. Ny feny mbola voakolokolo sy mandimandina aok’izany. Ny hodiny fotsy, nefa malama sady zara raha misy pentina. Ny masony ihany no ahafantarana fa efa nahazoazo taona ity vehivavy manoloana ahy. Niodina aho nanoloana azy, nifanatrika dia nosarihako moramora izy hiarina sady nifamonjy nifanoroka izahay. Hetsika tsotra dia azony fa hanala ilay lobaka sisa fitafiana teny aminy no tanjoko. Niala iny, dia nifamihina mafy izahay, nifanoroka ihany koa. Ny sarin’i Malala no nataoko tao an-tsaiko. Tsy haritro mihitsy ilay tamin’ny farany niomehezany ahy taitra tamin’ilay «suçon» teo amin’ny nonony iny. 
Nosokafako mora ny masoko, iny Tahiana niverina nitsilany teo ambony fandriana. Ningaiko ny feny dia nekeny koa hovelarina. Natoniko ny maojany dia niondrika aho nanaraka azy hitady ilay hafanan’ny vatany. Norohako ny nonony, ny lelako no nataoko hanafosafo ny lohanonony maranitra tsara. Tiany be ilay nataoko satria nangitikitika azy. Ny filahiako rahateo efa midona amin’ny azy, tsapako avy eo ny hafanany, efa miakatra avo, efa miandry fotsiny, fa naleoko nilalao sy nanaitaitra hatrany ilay bitim-pahasambarana tao aminy. Izy amin’io efa mando, ary ny filahiako aza efa mahare rano mameno azy ary mampitobo hatrany ny faniriana te-hitsofoka sahady. 

Naleoko nanohy hatrany ilay orokoroka samihafa nanaitaitra ny vatako, sady izy rahateo namerina indray ilay tànany teo ami’ny fivaviany, no naka fy ny nataon’ny molotro. Nidina ihany aho, ary arakaraky ny fidinako tany ambany foitrany no nahatsapako hafanany miha-miakatra. Injay fa voamboloko ilay fofom-behivavy, fofona manaitra tampoka ny tsirim-panentan’ny lehilahy. Tiako ilay izy. Vao nahakasika faritra nisy volo ny saokako dia nijanona teo ny orokoroka nataoko; notadiaviko tamin’ny tànako ilany ilay zohy efa vonton-drano. Nosafoiko. Natsofoko tany ny fanondro iray. Injay fa nofenjain’ny hozatra tao anatiny tao iny ary tahaka ny notazominy tsy hiala, tsapako fa te-hanery mafy ny soroko ny fe efa mivelatra teo. 
- "Hery a! avia fa miandry sisa aho, avia, fenoy fahasambarana aho fa mila an’izany." 
Tsy ela dia natohoko indray teo amin’ny fivaviany ny ahy. Nakapokapoko mora teo, ny lohan’ny ahy no nasafosafoko aloha. Izy miha-mando tsy misy ohatr’izany. Ny tànako no nampiako hitondra ny filahiako hiditra tany anatin’ny haram-bato malemin’ny fitiavany. Tsapany tsara ny fidiran’ny ahy izay manosika hatrany amin’ny faran’ny fivaviany. Nanomboka nihetsika moramora izy nikaroka ahy koa. Nalefako mora ny mandroso mihemotra. Tiany ilay izy fa ny tànany aza misarika ahy hanatona azy, hanakaiky, hamihina mafy arak’izay azony atao. Nakipiny ny masony, onjam-pahafinaretana no nameno azy isaky ny nifandona ny maojanay roa. 

Afaka kelikely tsy nahazo aina intsony aho tamin’ilay toerako teo, dia niala vetivety ary nitsilany tamin’ny lamosiko. Niaraka tamin’izay dia niharina koa izy ary naka fitoerana teo amboniko. Noraisiny ny filahiako dia natsangany tsara. Iny izy fa nampiditra an’i balita indray tany anatiny tany. Ny lanjany manontolo no mivesatra eo amboniko. Nanomboka nibahan-toerana tamiko ny fitiavana te hanome izay tadiaviny. Hitako ny nonony mihotsankotsana ary mahifinaritra erý ny nijery azy. Ny tànako no nasoloko ny tatiny hiarovana azy amin’ity fihetsiny miainga-ainga mikaroka ny fahasambarana tiako omena azy. 
Ilay fihetsiny niakatra sy nidina teo dia nampiany indray ny ratsan-tànany nikitikitika mafy ny bokotry ny fitiavany efa mihenjana. Izy sady mimonimonim-pahasambarana no te-hikiakiaka mafy. Mankafý ilay fahafinaretana mitombo tsy an-kijanona ao anatiny. Ny fihetsiky ny tànany tsy nijanona fa afaka fotoana elaela dia nikiaka mafy izy sady nisy rano somary maisamaisatra nivoaka tamin’ny fivaviany. Ny filahiako nahatsapa ny hozany miketoketoka arahin’onja mavesatra. Nisento indray mandeha izy dia nampijanona ny fihetsiny rehetra. Tratrany ilay fahasambarana fara-tampony, ary tsy niala teo fa nijery ity rano nandena ireo volo. 
Nitsiky izy sady nisefosefo be, dia niondrika namonjy ny molotro. Tsy hitako intsony izay natao, izay aho vao tratran’izany vehivavy mamoaka rano izany rehefa nahatratra ny lanitra fahafito, asa tokoa, fa filàna tsy hay refesina, angamba efa nisalobona tany anatiny tany, ka vao nalàna ilay lamba narakotra azy, dia nivelatra tsy hay tohaina intsony. 
Fotoana vitsy monja no nifanorohanay, izaho mbola tsy tonga, izy efa tsapako fa vizana tampoka tamin’ilay zava-nitranga teo. 
Dia niala tamin’izay izy sady naka toerana niforitra teo akaikiko. Ny tànany manafosafo ny hay indray, toa manamando tsara ilay filahiako notobasan’ny rano teo. Fahafinaretana be no tsapako avy any ambany any. 
- "Avia Hery a! Avia fa omeko ilay tadiavinao amin’izay ianao”, sady nasainy nitsangana aho hiodina any aoriany. 
- "Avia, ampidiro ato amin’izay ny anao, fenoy tsara aho fa tena te-hahalala ny maharary ahy. Sady ny ratsan-tànany maka ny hamandoana teny aminy no mivezivezy amin’ny lavaka faharoa nasehony ahy." 
- "Vas-y, fais-moi mal!" 
Vao mainka tsy tànako intsony ny filako, natohoko indray teo amin’ny fivaviany ny lohan’ny ahy hanamando tsara azy dia nakariko kely hanoloana ilay lavaka kely teo ankilany. Natsofoko mafy, tena teritery tsara, tsapako fa maharary azy ny nataoko nefa niditra tsimoramora ihany ilay izy, ny lambam-pandriana no namikirany mafy, ny tànany ilany manafosafo tsy an-kijanona ny fivaviany indray. Ny feo navoakan’ny vavany tsy nitsahatra fa naka fahafinaretana hafa kely izy tany anatiny tany. Toa ny fanaintainany no nataony ho fahasambarana. Izaho etsy mankafy sady mandefa mora. Soa fa mando tsara ny taovanay rehetra ka lasa nahafinaritra erý fidirana sy ny fivezivezen’ny filahiako tao anatiny tao. Nankafy tsy nisy ohatr’izany aho. Izy etsy, tsapako fa miharitra ny mafy hanome ahy ny tsara indrindra any aminy. 
Isaky ny mampiditra aho dia toa i Malala hatrany no tiako hatao maharary toy izao, tiako hovaliana amin’ny maharary azy ny nataony ahy hatramin’izay! 

Afaka fotoana vitsy dia reko mitambolona any anatiko any ny fahasambarako, iny efa ho tonga iny aho no navoakako tamin’ny fihetsika haingana ny filahiako ary nafafiko teny amin’ny lamosiny ny tsirin’aina rehetra tany amiko. Taitra izy ary toa izay rano nifafy avy any amiko izay no nahatonga ny fahasambarany faharoa. Naka aina tsara teo izahay aloha ary tsy nisy nifampiteny na nifampiresaka. Nalaiko ilay lobaka lava nanaovany teo dia namafàko ny lamosiny. Nanomboka nitaky taminay ny havizanana ka dia niara-nitsilany izahay roa, iny izy avy eo niondana teo amin’ny tratrako sady niteny hoe: 
- "Hery a! tsy azonao ve ilay hoe omeo fahafahana aho?" 
- "ie! tena tsy azoko fa inona no tianao holazaina?" 
- "Rehefa miaraka aminao aho dia miala ho azy ilay fahadisoam-panantenana rehetra niainako hatramin’izay; toy ny hoe tsy hahita olona tahaka an’i L… intsony fa iny no idealy. Kanefa ianao no nanoro ahy ny làlana mahitsy tokony hizorako. Feno fitiavana ianao, feno fahatsaram-panahy, ary tsy tantinao izany hoe  vehivavy mijaly izany. Tahaka ny hoe any aminao no misy ilay fahasambarana tadiavin’ny vehivavy. Dia ianao ve tsy mba lasa saina mihitsy ny amin’ny hoe nahoana i Alexia no miharitra ny mafy eo akaikinao? nefa ny ataon’i Malala aza ianao tsy mahatanty azy? Izao aho vao mahatsapa fa tsy misy izany olona tsy azo soloina izany eto an-tany, fa samy manana ny maha-tsara azy avokoa ny tsirairay. Anjarako, anjaran’ny vehivavy rehetra ny mandray izay tsara amin’ny lehilahy izay… Pauvre Alexia!" hoy ihany i Tahiana nanohy. 
- "Andray," hoy aho, "ahoana no itenenanao izany?" 
- "Eny e! tsy hitanao ve fa i Alexia ilay tsy manan-tsiny, izy ilay sangan’ny fitiavana, nefa miharitra ny mafy eo anilanao. Tsy afaka ny hanery ny fitiavanao aho, fa izao fotsiny no hevitro, ho feno fijaliana ny fiainanareo roa, raha mbola eo foana i Malala misaodisaody manodidina anareo. Koa manalavira azy, fantatro fa tena tinao i Alexia ary izy koa tena tia anao, kanefa toy ny aloka mety hanavandra anareo foana i Malala, izay tsy mety miala eo akaikinareo. Ary malama maina ny làlana  izoranareo." 
- "Hery a! tsy tokony ho fantatrao ve fa mety hiadana kokoa i Alexia raha miala amin’io fianakaviana io ianao? Diniho tsara ny ho avinao. Raiso ho anatra avy amiko izay. Sao dia tsy anjaranao i Alexia fa misisika fotsiny ianao hanaiky ny sarotra efa diavinao! 
Sao lahy, any ho any, tsy fantatrao akory, fa misy ilay efa voalahatra ho anao, mety ho tsara lavitra noho i Alexia." 

Tsy nahateny aho satria misy mahamarina azy ihany ny tenin’i Tahiana. Inona tokoa moa, toa misoritra tsara fa hamotaka sy hanavandra ny fiainanay sy Alexia! Kanefa, tiako izy, tiako, ary ny anarany efa tsy voafafa intsony any anatin’ny foko any. 
- "Tena tia azy ianao? andana ary izy tadiavo!", hoy indray i Tahiana nitsatsaingoka 
- "Dia ahoana no ataoko?" hoy aho. 
- "Henoy tsara ny fonao fa ho renao any anatinao any ny misy azy." 
Dia iny i Tahiana nitsangana, ny vatany mitanjaka tanteraka, tsy misy hamenarana na dia kely akory aza sady nisarika ahy hiarina no toa falifaly aok’izany. Nosarihiny aho hanaraka azy tany anaty efitra fandroana. Nalefany ny rano dia nananika ny molotro izy ary nifanoroka ela indray izahay. Hafaliana ny hitako misoritra teny amin’ny tarehiny, tahaka ny hoe voavaha izay olany manontolo; ary lasa nanaraka ny rano nifatsitsiatra tamin’ny vatanay izay olany nianjady taminy hatramin'izay.  Ary inoako fa tsapany tsara ny tsy fananako fitiavana azy mihitsy, fa nanome izay fahasambarana notadiaviny fotsiny no nataoko. 
- "Efa amin’ny 7 ora maraina izao," hoy izy, "tsy aleonao ve miara-misakafo maraina amin’ireny salon de thé ireny isika rehefa avy eo!" 
- "Dia ahoana izany ny akanjonao lena be ireto?… Sa aleo aho aloha hikaroka izay akanjon’i Mamanay taloha ao anaty larimoarany ao? sa tsy aleo isika no hiaraka hitady azy?" 
Dia fotoana vitsy monja dia hitany izay akanjo tiany hanaovana, na dia somary nisy fofona lao kely aza. Nefa natanina andro maraina sy nakopaka ary nasiana ranomanitra, dia afaka nanaovany na dia nananosarotra ihany aza ny nanarona ireto nono be nahasarika ahy taminy. 
- "Tandremo indray ary sao dia adinonao ato ny atin’akanjonao rehefa avy eo fa tsy te hahita tantara eto aho." Hoy aho sady lokilokin’ny hehy izahay roa namonjy ny efitranoko. Nojereny tsara tamin’ny fitsiriritana aho nisolo akanjo teo anatrehany. 

Afaka antsasak’adiny dia iny izahay nivoaka ny trano dia nandray ny arabe hitady fiarakaretsaka. Tsy sahiny mihitsy ny nifampitositosy tamiko teny an-dàlana na tany amin’ny fisakafoanana, fa dia tahaka ireny mpianadahy zoky sy zandry ireny izahay. Ny fotoana nifampiresahana rahateo moa tery dia tery, ka ny hahazoana sakafo no masaka an-doha dia nisaraka samy namonjy ny toeram-piasàny. 

Tonga ara-potoana tsara aho namonjy birao. Dia indro indray misy taratasy naterin’ny mpizara fa hirahin’ny orinasa hono aho hanatanteraka iraka mikasika ny fananan-tany any Mahajanga. Dia ahoana indray izany no hataoko? Fa nahoana aho no tsy avela mihitsy hitady ilay malalako? Toa lasa nivadika rahona mitady hanorana indray ilay lanitra mba mangamanga vao maraina nahafinaritra ahy teo.

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype