Vao tonga tany amin’i Tahiana aho dia hafa mihitsy ny endriky ny ati-tranony. Efitra miloko mavokely feno voninkazo artifisialy no tao. Ny fanaka tahaka ny an’ny ankizy kely tia milalao ireny. Dia nipetraka teo ambonin’ny seza lehibe izay aho sady naka ranom-boankazo mangatsika izy narosony ho ahy.
Ny fahalanian’ilay ranom-boankazo no ela dia iny izy nandray ny tohatra niakatra ary navelany irery teo aho. Naleoko ihany koa namaky izay boky sy revio samihafa teo ambony latabatra iva. Tsy nisy afatsy resa-behivavy no tao, asa tokoa, fanatsaràna tarehy, lamaody, fikarakarana vatana. Ary tena misy karazany maro tokoa. Mba ahoana marina re ny fiainan’ity Tahiana ity? Fa toa feno mistery izy izany hoy aho aneritreritra.
Ity izaho manaiky avy hatrany koa rehefa misy fanasàna ataony no tena loza.
Efa nilaza taminy mivantana aho fa tsy misy mihitsy irika ny hiarahanay roa na dia haniry nify aza ny akoho, eny e! lasa lavitra loatra kosa raha hoe haniry nify fa dia izao fotsiny efa zokiny loatra amiko raha i Tahiana ka na inona na inona fitrangany dia tsy hisary zoro aminy velively mihitsy aho.
Ny olana mianjady amiko aza efa tsy tambo isaina dia hanampy izany indray ve? Sanatria. Ny maha-irery ahy fotsiny izao no mahatonga ahy hihaona aminy, ary tsy mbola foana ny fanantenako fa anisan’ny hitondra vahaolana amin’izao Alexia lasa notsaboina any an-dafy izao izy.
Reko izy fa miantso ahy any ambony any:
- "Hery an! Avia amin’izay fa misy zavatra ampisehoako anao!"
- "Angaha ianao tsy afaka midina aty, tsy aleo ve aho aloha maka aina tsara eto dia ento aty e!"
- "An, an, an! Miakara fa tsy maninona e! angaha tsy tianao mihitsy ny hijery ny efitranoko? Izaho aza efa nitetitety ny tany aminao ka ianao indray ve no avelako irery eo. Avia moa e!" sady nanarangarana teo amin’ny tohatra izy no nanao baiko tamin’ny tanany hiantso ahy hiakatra.
Dia nitsangana aho, napetrako ilay revio novakiako teo dia niakatra tany amin’ny efitranony. Nahagaga fa tena mahafinaritra kely ilay efitranony. Manopy manga tanora izay, feno sarisary maneho ny hatsaran’ny tontolo. Ary manaitra ny maso avy hatrany ireo hoso-doko manerana ny rindrina. Ny fandriana lehibe no mibahana ny efitrano ary mifanaraka tsara amin’ny lokon’ny rindrina ny lambam-pandriana. Larimoara lehibe iray misy fitaratra no maka ny sisin-trano ilany, ary emboka manitra malefaka no manenika ny efitrano. Ny fanaka rehetra dia voalamina tsara ary tena lafatra e! Manana fitiavana be dia be ny olona matory amin’izany efitra izany. Mahatamana sy mampite-hioetra.
Dia nanatona ny sary hoso-doko iray aho sady nijery ilay sonia kely nanaraka azy. Nisy soratra kely hoe “tahianaS”. Tsy hitako izay ambara fa variana tanteraka aho. Izy nanomboka niteny vao niherika aho sady nifanonjo ny masonay.
- "Izaho no nanao sasany amin’ ireo hoso-doko ireo raha tianao ho fantatra, iny nojerenao iny izao tamin’ny tanao 2002 aho no nanao io, “fitiavana manirery” no nataoko anarany, ary ahatsiarovako zavatra nitranga tamiko vao taona vitsivitsy fotsiny izay. Dia amin’ny sary no anehoako azy."
- "Tena manan-talenta ianao ry Tahiana! Ary raha izaho manokana, dia tena diso hevitra tanteraka fa noheveriko fa karazan’ireny vehivavy manidintsidina ireny ianao fa tsy mahavita mitombina amin’ny toerana iray mihitsy. Gaga aho raha nolazain’ny tao amin’ny farmasia hoe dokotera ianao, dia izao mbola hitako fa manan-talenta sady avo lenta."
Nitsiky fotsiny izy sady nijery ahy no toa nanao fisaorana an’eritreritra tsotra dia tsotra. Nitodika izy avy eo dia naka ilay taratasy vita sora-pirinty teo ambony latabatra kely. Dia lasa nipetraka teo ambony fandriana izy no niantso ahy hanatona.
- "Ity," hoy izy, "ny listr’ireo taratasy samihafa ilainao hanaovana ny pasipaoro. Mila maka sary tapaka manakaiky be ny tarehy mihitsy, ny mpaka sary dia mahalala io tsara fa teneninao fotsiny izy hoe sary tapaka hanaovana pasipaoro. Dia ity no mety ho elaela, mitady ny karatra nanaovana fitsaràna miaramila dia entina eny amin’ny toby eny Andohalo maka ity fanamarinana voasoratra ity. Ny fanamarinam-ponenana sns e! mbola karohanao avokoa ireny." Dia nazavainy teo ny lalana tokony halehako, ary efa natorony sahady ny antontan-taratasy rehetra mety ilaina raha haka fahazahoan-dalana hivoaka any ivelany. Dia nofaranany tamin’ny hoe:
- “tsy mampaninona anao ve raha miaraka aminao aho rahampitso hikarakara ireo fa efa naka fiatoana kely aho amin’ny asako?”
- "Fa ahoana?" hoy aho somary taitra?
Tsy niteny izy fa nidaboka teo ambony fandriana dia nijery ny valin-drihana misy sarisarin-kintana marobe.
- "Asa an! Fangatahana fotsiny ange ny ahy raha tianao e! ohatran’ny mahatsiaro te hanampy anao izany aho tato ho ato fa mampalahelo ahy ianao!"
Tsy nifampiteny izahay nandritra ny minitra iray fa nihevitra izay tokony hotenenina aho. Tampoka! tsy nisalasala mihitsy aho niteny taminy he:
- "Sao dia mba mitempo fitiavana amiko kosa ary ianao ity ry Tahiana?… "
Tsy nisy valiny ilay resaka moa izaho koa ny lamosiko no nanoloana azy.
Nitodika aho nony avy eo kanjo maso manganohano no tazako. Ny molony no nokaikeriny tsy ahafahany miteny. Ary raha nifanojo ny fijerinay roa dia nilatsaka ny ranomasony nanaraka ny takolany.
- "Sssshhhuut!" hoy aho, sady nandry teo akaikiny, nofafako tamin’ny mosoara kely teo akaikikiny teo ny ranomasony, avy hatrany dia nomeko oroka malefaka izy teo amin’ny takolany.
- "Azafady Tahiana fa tsy nihevitra ny handratra anao aho tamin’ilay teniko teo. Tena mifona mihitsy fa tsy hamerina ny tahak’ireny intsony aho!"
- "Eny e!," hoy izy, raha ny tantarako no ambarako dia mbola betsaka no tsy fantatrao ary niaina ny mangidy sy mafaitra aho, ary nisy ihany koa ny nahafinaritra dia tahaka izao fotoana ahafahako manampy anao izao. Tiako ho fantatrao fa raha tena lalim-paka ny fitiavana, ny fanehoana izany voalohany indrindra dia ny famelàna ny olon-tianao hanatanteraka ny faniriany. Dia izao kasaiko hatao aminao izao. Tahaka ny hoe raha misy vorona faran’izay tianao dia ny famelàna azy hanidina no tokony hatao hiainany eny amin’ny tontolo fa tsy ny famatoranao azy ao an-tranonao na sanatria gadraina anaty vy akory."
Tampoka niarina izy no naka toerana teo amboniko. Tsy nandà mihitsy aho fa nosafoiny tamin’ny tanan-droa ny takolako dia nampidininy teny amin’ny tratrako sady notsindritsindriany malefaka. Naka fy ny vatako teo izy, tsy niteny fa ny fanotran’ny tanany ahy no narahiny maso tsara.
Te hamazivazy azy aho tamin’izay hanalàko ny sorisoriny.
- "Fantatrao ve ry Tahiana ny zavatra tiako eny aminao?"
- "mmmhhh, asa? Inona hoy ianao?"
- "Annn! …ireo nononao anankiroa ireo!"
- "Andray ry Hery! Ianao ity miteniteny foana mihitsy, izany ve dia mba filaza eo anoloan’ny vehivavy. Ianao ity an! Sady nofenjainy mafy ny takolako hanaratsy tarehy ahy."
- "Nonoko, ny nonoko! Maro ny nitsiriritra ireo hatramin’izay, tsy lahy tsy vavy, eny fa na dia i Malala aza."
- "Eny e! fa ny tiako hanontanianao anao ange dia hoe raha ny taona anananao, ahoana ny fomba ataonao mbola mampijoro tsara azy ireo fa tsy miroraka?"
- "Mbola tsy fantatrao marina fa tamin’izaho nianatra momba ny farmasia tany an-dafy dia nianatra ihany koa aho momba ny fikarakaram-batana. Izy io dia tena asa manokana mihitsy, ary fantatro avokoa ny tokony hatao na tsia mikasika ny fikolokoloana azy. Ny ahy ireo aloha dia voa-janahary fa tsy nampiana « silicones » tahaka ny fanaon’ny sasany an!"
Fa io samy manana ny toe-batany ny tsirairay, ao ny kely, ao ny antonony tsara, ao ny lehibe. Ary ny mahatonga io samihafa dia satria tsy mitovy ny tahan’ny tsirim-panentan’ny vehivavy tsirairay. Fa ny tiako hataon’ny vehivavy fotsiny dia ny hitiavany izay ananany aloha. Satria mantsy matetika dia matetika ny vehivavy dia lasa manana « complexe » amin’ny nonony.
Ka ianao koa ange lehilahy ka ahoana ary no hitantarako anao izany e! Ny anao zara raha mba loha-nono no tazana mivoitra dia ny ahy no tianao hofantarina."
Tsy aritro intsony ny nahita ireo voasary lehibe roa manoloana ahy fa dia nalefako teny ny tanako hankafy ny halemileminy ary tsaroako fa niha-nihenjana tsimoramora ny filahiako tao ambany tao.
Notohizako ihany ny nataoko ary ireo lohany kely roa mivoitra amin’ny lamba no nokitikitihiko ary nampitsikitsiky azy. Tsy ariny intsony fa nalàny ny tanako fa mangitiktika loatra hono.
Injay fa misy lakile mamoha ny varavarana any ambany any, niala teo amiko izy dia nitsangana sady lasa nangarangarana tao amin’ny tohatra.
- "I Manitra angaha izany?"
- "Hay ve indry efa ao e! dia efa lasa saina mihitsy aho fa efa nifindra lasy angamba ity rahavaviko."
Iny i Tahiana nidina tany ambany, dia nifampiresaka tao izy roa.
Niarina teo ambony fandriana aho. Zarako aza nisy izay rahavaviny izay niditra dia notapahina ilay nataonay teo sao dia ho lasa lavitra indray.
Reko miakatra any amin’ny tohatra any indray izy niantso ahy mora hoe
- "Hery an ! avia fa misy ny rahavaviko ao tiako hampahafantarina anao. Tsy maninona ve raha midina any ambany isika?"
- "Eny ary e! tsy mampaninona mihitsy."
Vehivavy somary fohifohy izay ilay rahavaviny. Mbola tanora kokoa fa hita ihany fa mbola zokiko aman-taona.
- "Izy no Hery, …, namako."
- "Faly mahalala anao, ianao no …. ?"
- "Manitra, torak’izany koa ! sady somary nitsiky izy no mbola niteny hoe hay ve ianao ilay Hery e !!!" no vao mainka izy lokilokin’ny hehy.
Dia gagagaga teo aho, i Tahiana kosa menatra be tsy nahateny mihitsy;
Asa na inona na inona no notantarain’i Tahiana fa misy zavatra tsy mazava amiko mihitsy. Afaka kelikely vao nitohy ny resaka.
- "Tena faly mahafantatra anao mihitsy aho ry Hery fa hitako no… sady nodominy tamin’ny sandriny ity rahavaviny. Aza matahotra ianao fa be sangisangy izay mantsy izahay roa. Ary izahay roa irery no mipetraka ato fa monina any ambanivohitra any ny reninay ary efa tsy eto intsony ny rainay.
Izay fa ilaozako aloha ianareo fa hampirina ireto entako ireto aho." Lasa izy namonjy ny lakozia.
Asa tokoa izay ifampiresahan’izy roa, fa raha izay roa andro tsy nodian’i Tahiana an-trano izay dia tsy maintsy hametraka fanontaniana amin’ny iray. Fa na izany aza, tonga dia azoko fa efa lalim-paka ao anatin’i Tahiana ny fitiavana ahy.
Izao vao tsapako izany hoe misy olona tena tia, ary potika tanteraka amiko, izaho kosa tsy manana fo mitempo aminy mihitsy. Mety nisy ihany angamba tany aloha tany fa mety tsy sahy namboraka toy izao. Fa toa tsapako any anatiko any fa misy fo mandondona amin’ny foko nefa tsy tiako hosokafam-baravarana mihitsy. Raha ianareo ny tamin’ny toerako, sahiko ve ny hamboly fitiavana tsy misy fakany, na hamelon'afo tsy misy kitay?
Asa, izao tokoa angamba ny mahatonga ny sasany hanararoatra ny fitiavan’ny vehivavy ka indraindray mamela takaitra tsy azo afenina.
Eritrereto fa na dia ny elanelan-taonanay fotsiny aza dia tsy azoko sangiana intsony. Mbola mety hisy irika ny ahafahany mahita izay olon-tiany nefa raha araraotiko dia ho rava tanteraka izany.
Sanatria amiko, raha hanaiky izay fitiavany izay aho. Ary i Alexia no masaka ato an-tsaiko, ny hahita azy no afo mirehitra mila handoro ahy ka te hanainga handaozako tanindrazana hamonjy toerana mbola tsy nolalovako akory.
Nentin’i Tahiana niakatra tany ambony indray aho dia nosoloiny ilay akanjon’i Mama, navalony tsara.
- "ohatran’ny menatra be aho hanome anao ireto akanjo ireto amin’izao fa tokony hosasako aloha, nefa aleoko manome anao azy izao mba ahatsiarovanao ahy."
Navalony ireto akanjo sady naka harona pilasitika izy dia nataony tao.
- "ohatran’ny tena mangataka be aminao aho fa tsy mampaninona anao ve raha mba asaiko ianao misakafo aty aminay anio hariva?"
Toa nisalasala kely aho nefa nanaiky ihany, amiko koa zarako aza mba misy namana hiresahana amin’ity sorisory nahazo ahy.
- "Eny ary," hoy aho, "fa izao fotsiny, manampy anao aho hikarakara ny sakafo fa mba te-handray lakozia ihany koa aho izany!"
- "Tsy maninona mihitsy," hoy i Tahiana sady faly ery. "Andao ary hidina hikarakara ny nahandrontsika. Sady i Manitra izao efa te-hiala sasatra fa roa alina izy irery no niandry trano tato."
Dia niaraka nikarakara ny sakafonay telo izahay. Hitako tena faly mihitsy i Tahiana mahita ahy eo anilany eo. Mifanojo ny masonay roa indraindray dia mifampitsiky. Indraindray izy manoro ahy ny tokony hatao hahatsara ny nahandro. Indraindray izy toa te-hanoroka ahy mafy fa mody mifehy tena fotsiny. Raha izao no misy pitik’afo tahaka ilay tamin’ny vao maraina dia lasa efitra fandriana ity lakozia ity. Fa ny nahagaga dia nionona tamin’ny fisiako teo akaikiko teo fotsiny izy. Nisy fanontaniana nanitikitika ahy ihany koa dia ny hoe manana bika tsara sy endrika raha i Tahiana, ary manam-pahaizana ihany koa fa nahoana no tsy nahita izay sahaza azy izy hatramin’izay? Valin-teny tsotra no navaliny ahy.
- "Fatra-pifidy loatra aho ry Hery an ! Nahita fy tamin’ny fitiavana ihany koa tany am-boalohany. Rava tampoka teo iny dia lasa nanana valifaty nikotrika tamin’i Malala dia iny aho lasa nianatra tany an-dafy. Nanary dia tamin’ny fianarana. Nony tafaverina dia nitady hatrany izay mba tsaratsara amiko, nivezivezy tetsy sy teroa, voafitaka, nototofan’ny sasany fampanantenana tsara lahatra. Tsy nanam-pitiavana intsony. Dia izao."
- Aza matahotra ianao fa tsy foana ny fanantenako, hahita izay sahaza anao foana ianao. Matokia ahy fa misy hatrany any."
Afaka elaela voa vonona ny sakafo nomaninay roa. Namboarina ny latabatra. Vita dia nantsoiny i Manitra. Akanjo fohy kely hatreny amin’ny foto-pe no nanaovany, tsy menatra akory. Ny masony tsy miala aminay roa. I Tahiana amin’io te-hibedy azy nefa tsy sahy fa vao mainka aza menamenatra izany; ny sakafoko no nohaniko tsara, ny fen’i Manitra rahateo takona tao ambany latabatra tao. Resaka izany nataonay izany. Vita ny sakafo dia iny i Tahiana nitsangana nampirina ny teo ambony latabatra. Tsy navelany mihitsy aho hitsangana fa nasainy niresaka tsara tamin’i Manitra. Tafaverina avy any an-dakozia izy dia nasainy nanaraka azy aho hiakatra any ambony, iny koa i Manitra nitsangana nanaraka anay no sady nitsikitsiky…
« | Aprily 2006 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | ||||||
2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 |
9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 |
16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 |
23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 |
30 |