Nihomehy fotsiny ilay rangahy, nosokafany, hay solosaina ireny azo entina manaraka anao amin'izay alehanao ireny no tao. Faly ery i Hery nahita ilay izy. Tena mbola vaovao izy izany ary an-tapitrisa ariary no vidin'izy ity hoy izy tany antsainy tany.
- "Misy teknisiana ampanarahiko anao izao hanazava aminao ny ifandraisan’ity solosaina ity amin’ny orinasa. Iny izy iny efa vonona rahateo. Manam-bintana ianao rangahy an! Manao sonia eto ianao dia asiana anarana sy ny laharanao atao am-piasàna."
Tsy vintana anefa ny azy fa tena ilainy amin’ny asany io solosaina io. Izy mantsy no mitantana ny fikajiana ny resaka ara-bola amin’ny orinasa iray manontolo. Efa manana solosaina tokoa izy ao amin’ny biraony fa tena vao maika hanampy be azy ny fahafahany mitondra ity solosaina ity manaraka azy mody rehefa misy asa ilaina maika. Hafaliana ny azy ka somary nandihindihy kely mihitsy izy niditra ny biraony. Novelomina avy eo dia natsatoka ny karazana tariby fifandraisana.
Toa nanarina ny alahelon’i hery tampoka teo ity solosaina ity, satria azony entina mody any antrano.
Vita izay rehetra izay dia niditra tamin’ny tranon-kala i Hery, nosokafany ny mailaka dia nanoratra ho an’ity malalany izy, nitory fitiavana, nanontany raha voaray ny hafatra.
Hay efa tonga dia misy ilay fifandraisana haingana (Messenger) ilay solosaina vaovao ka dia nampidiriny ny adiresiny ary dia nandefa mailaka tany amin’i Tiana izy ;
Tampotampoka teo, nivaly ; vetivety kosa izany an !
Hery : Manao ahoana ianao ?
Tiana: Salama fa ianao no manao ahoana?
Nanazava izay fandehan-javatra teo i Hery, ny momba ilay disadisa tamin’ny alatsinainy, ny momba an’i Alexia tsy mandray antso hatramin’izao. Namaritra izay anarana izy ireo ka R :Ratrema, M : Malalatiana, A : Alexia ary Hery ny tenany.
Hery : -Tsy azoko antso mihitsy i A hatramin’izao, alefako avokoa izay karazana fifandraisana rehetra, mailaka, antso an-tariby, finday fa tsy mahazo azy foana.
Tiana: Sao dia nisy zavatra nahatohina ny fony taminao?
Hery : Efa nifona taminy aho, fa mbola tsy namaly izy hatramin’izao ;
Tiana : Manana solosaina ve izy ao an-tranony ?
Hery : Ao amin’ny efitranony mihitsy aza ! Fa ahoana?
Tiana: Sao dia hitany ity lohahevitra noforoninao ity ka heveriny tsy azo itokisana ianao fa mampiahaka ny tsiambaratelon’ny fianakaviana?
Hery : ...........
Tiana : Izay ary ilay efa nampoiziko ! loza ampian’ny loza ny anao raha izany ; tsy maintsy ataonao izay hifankahitàna aminy mivantana ; tandremo anefa, mety mbola tohina ny fony fa tsy maintsy alefanao mailaka ihany aloha ny fifonanao.
Hery : Ka raha toa tsy mbola hitany ilay izy dia hitonon-tena eo ve aho. Tsy vao mainka loza! Ka ilay izy koa anie tena very hevitra aho fa tsy inona akory e! Nila namana aho hilazako ny manjo ahy fa tena tsy tantiko intsony. Te hiantso an’i A mafy aho fa tsy tafita mihitsy tamin’io andro namoronako io takelaka io.
Tiana : Azo eritreretina izay, fa sao dia misy zavatra adinonao tanteraka aza teo amin’izay fotoana nampiova hevitra azy tsy hifandraisany aminao intsony?
Hery : Zavatra toy ny inona ohatra ?
Tiana : Asa, mety fisaorana ohatra. Toa fifonana sy fitoriana fitiavana foana no alefanao nefa mety tsy izay no andrasany ; sao dia nisy zavatra lehibe nataony taminao talohan’io nefa adinonao tanteraka ny nisaotra azy. Vehivavy anie aho e ! Malahelo ihany aho raha misy zavatra ataoko amin’olon-tiako nefa tsy noraharahiany akory. Diniho sy saintsaino tsara aloha ny niainanao hatramin’izay. Jereo ny ora, ny minitra sy ny segondra niarahanareo mbola tena nifandraisanareo be!
Hery : Tena tsy azoko veroka mihitsy, aleo aho aloha hiasa dia misaintsaina lalina ny momba izay. Antsoiko ihany ianao rehefa miverina ato an-tsaiko izay zavatra hadinoko. Veloma.
Tiana : Tsy eto intsony aho aloha raha tsy rahampitso maraina tahaka izao. Mahereza indrindra Hery an! Tena tsapako mihitsy ny fitiavanao an’i A; Raha izaho no manana olon-tiana tahaka anao dia mirehareha mihitsy aho. Veloma ary.
Nofaranana ny fifandraisana, nisaintsaina teo i Hery, namerina tao an-dohany ny tany Ambatofotsy, ny zavatra rehetra nitranga ny alin’ny alatsinainy.
Ny asa rahateo tsy azo avela fa nitombo hatrany amin’ity andro efa akaiky faran’ny volana. Revo tao indray i Hery ka toa nandalo taminy fotsiny iny alakamisy tontolo andro iny.
Nony tonga tany an-trano avy eo.Tsy mbola azony an-tsaina mihitsy izay zavatra hadinony izay, na dia naverimberiny foana aza ny fotoana niarahan’izy sy Alexia ny alatsinainy sy ny talohan’izany. Tsy hitako mihitsy hoy izy.
Natsofony tamin’ny solosaina ilay tariby fifandraisana an-telefaona dia nampiditra ny fahana izy ary nijery indray ny tohin’ilay tantara nosoratan-dry Tourbillon de l’Amour sy ny tariny, tena mahay maminany ry zalahy ireto, aleoko tsy mamaky ity intsony fa harary fo eo ny farany.
Nisakafo izy dia namindrafindra ny fanaka handraisana ireto namany ny ampitso hariva.
Dia inona izao no hotantaraiko amin’i Haja rahampitso raha tsy mahita an’i Alexia izy, tsy hanontany ve izy fa angaha nisaraka izahay roa ?
Tsy manaiky izany aho, fa raha mbola misy afo mitsilopilopy fotsiny atao anatiko ato dia ampy hanazava ny foko hidraradrarako ny fitiavako an’i Alexia. Tiako izy, tsy mody tia fa tena tia tokoa.
Tsy niala tao an-tsain’i Hery ny endrik’i Alexia. Endrika mahafatifaty mahababo fo avy hatrany. Naveriny tao an-tsainy ilay fotoana niraisan'izy roa ara nofo voalohany. Tsy ho hadinoko mandrakizay iny fotoana iny hoy izy. Tadidiny fa fetim-pahatsiarovana ny vaninandro nahaterahan’i Alexia tamin’izay.
Vao nandray ny faha-fito ambin’ny folo taonany izy tamin’io. Ny ankizy namany rehetra any ambany mitotorebika tsy ifandrenesana amin’ny dihy sy ny vazo isan-karazany. Izy roa any ambony mifanorokoroka sady nifampiondakondana mifandefa hafatra amin’ny safosafo tsy nisy ohatran'izany.
- "Hery, tiako homena anao androany ny fanomezana faran’izay lafo vidy indrindra aty amiko ; ny tenako iray manontolo no omeko anao. Ianao no tiako hampiala ahy amin’ny maha-tovovavy, hirosoako amin’ny maha-vehivavy ahy amin’izay. Raiso aho ho anao."
Aleo i Hery mihitsy no asaintsika mitantara azy ...
Azoko tsara ny tian’i Alexia ho lazaina. Zavatra tsy mba nangatahiko azy mihitsy izay sady mbola tsy dia ela koa no niarahanay. Faly aho anefa sady norohako teo amin’ny molony izy.
Naveriko vetivety tato an-tsaiko ireo lesona marobe efa voaraiko raha hanao firaisana ara nofo voalohany amin'ny tovovavy virjiny. Sambany aho no hiaraka amin'ny tovovavy virijina na dia efa maro ihany aza ireo vehivavy niarahako. Nisy iray tamin'ireny vehivavy ireny no nampianatra ahy tamin’ny antsipirihany ny tokony hataoko rehefa tahaka izao. Tojo ilay niriko tokoa aho izao, ary tsy tiako raha hanenina noho ny nataoko ity tovovavy manolotra ny tenany ho ahy manontolo ity. Tsy tiako mihitsy ny hanenenany fa indray mandeha tsy azo iverenana intsony ka mila fahamalinana be dia be avy aty amiko.
Ny fanehoam-fitiavana aloha izany no voalohany indrindra hoy aho niezaka namerina ny lesona efa nianarako. Manaraka izany, izay tsy azo atao ambanin-javatra mihitsy ny fanomanana ny sainy, na dia tiany aza ny hiroso avy hatrany dia tsy maintsy atao izay hampifantoka tanteraka azy sy hahatokisany ahy mba hahazoany fifaliana ka tsy hahenoany firy ny fanaintainany. Rehefa avy eo tsy atao ampirotorotoana mihitsy fa atao ampahatoniana avokoa izay atao rehetra.
Poa toy izay no nisaintsainako an'ireo rehetra ireo dia iny aho no nitsangana nanidy ny efitranony. Tsy niteny mihitsy i Alexia fa nandry teo ambony fandriana izy sady nibanjina ny tenako iray manontolo. Ilay jiro kely teo amin’ny sisim-pandriana no hany sisa nanazava anay roa. Namonjy nipetraka teo anoloany aho dia niharina koa izy, nosokafany ny feny hidirako manakaikikaiky azy dia nifanoroka moramora izahay sady nikaroka mafy ny lelany aho. Nofihiniko izy sady nosafosafoiko malefaka ny lamosiny, notadiaviko ilay tadi-nonony dia nosarahiko moramora. Novako ny bokotry ny ankanjony ambony rehefa avy eo dia nanao tahaka izany koa izy tamiko. Zipo fohifohy izay no nanaovany, misy elasitika, efa tafanika teo amin’ny maojany noho ilay fikisahany hamonjy ny vatako teo, hany ka mora tamiko ny nampiakatra azy handalo ny tratrany, ningainy koa ny sandriny roa handalovan’ilay lamba sady narahin’ny tanako misafo ireto sandry rakofan’ny hoditra malefaka izay toa sasa miandry ny hotolomiko.
Ny atin’akanjony sisa no teny aminy, izaho indray efa tsy nisy akanjo intsony ny tapany amboniko. Nosafosafoiny moramora ny tratrako hitsapany ireo nofo sy hozatra maneho ny tanjako. Mbola tsy navelako hesoriny ny fitafiako ambany mba ahafahako mifehy tsara ny fisehoan-javatra iray manontolo. Nosarihiko moramora ilay tadi-nono teo amin’ny sorony. Tsy naneho fandavana mihitsy i Alexia. Indro nono roa mahafatifaty tarafin'ny hazavan'ilay jiro mitsilopilopy teo antsisim-pandriana no nanoloana ahy. Notazomiko tamin’ny tanan-droa ny ambany sorony ka ny ankihibeko no nandalo nisafo ireto loha-nono roa iza efa nanomboka taitran’ny fitiavana natolotro azy, nitsiky kely ilay malalako.
Nifanoroka indray izahay, nalefako tany amin’ny lamosiny ny sandriko, nofihiniko, nahodiko hamonjy ny takolany ny molotro dia nampidiniko tamin’ny tendany. Avy hatrany dia niverina nandry tsimoramora tamin’ny lamosiny indray izy, ny molotro kosa, nanaraka ny fatoriny ka nandalo ilay havoana amin’ny nonony iray. Ilay ondana teo ambony fandriana no nisakana azy tsy ho marin-drano tanteraka, vao tafajanona izy dia nifanandrify tamin’ny molotro ny loha-nonony ; norokorohako moramora teo iny ary tsy niala mihitsy aho fa tahaka ireny mpivahiny mitety tendrombohitra ireny, tsy maintsy mandalo havoana aloha raha te hidina eny andohasaha. Nisento mora izy, nafindrako indray ny tanako hamonjy ny takibany, niezaka mafy aho mba tsy hiala amin’ny vatany mihitsy ireto molotro ka hitsapàny ilay fitiavana tsy ankijanona hamelombelony ilay ny lavaky ny fahafinaretany iray manontolo.
Nisefosefo kely i Alexia dia nalefany teny amin’ny lohako ny tanany ilany sady nanindry kely ahy ihany izy.
Nampiako tosika tamin’ny lela avy eo ny orokoroka, tsapany ilay hafanana manenika ny vatany. Izy amin’io ilay kilaoty kely sisa no teny aminy, tsy mbola nokitihiko mihitsy fa ny hahazoany fahafinaretana amin’ity vatany ambony aloha no tiako hatosaka voalohany indrindra aminy.
Nalefako hidina amin’ny kibony amin’izay ny lelako, nihodina moramora manodidina ny foitrany; nisy hozatra mangorintsina azy tany anatiny tany ka nanainga ny maojany nahazaka ny lohako iray manontolo. Reko fa somary nimenomenom-pitiavana izy.
Nosarihiko avy eo ny molotro handalo ny faritra ambany, nolalovako fotsiny ilay tadin’atin’akanjo fotsy ranoray dia nanohy nidina hanaraka ny feny sy ny ranjony aho. Ny tanako indray manainga ilay fe sy ny ranjo hamonjy ny soroko hahamora ny fanorohako azy.
Te hikiakiaka fitiavana ilay malalako fa tsy nahateny, ny tanany no namonjy haingana ilay string, te-hanala azy mafy nefa notazomiko. Asa, mety nanelingelina azy angamba, nefa tena niriko mihitsy fa izaho ihany no hanala azy teo.
Toa azony avy hatrany ilay hafatro na dia tsy nisy teny iram-bava aza naloaky ny vavako. Navelany amin’izay aho hanohy izay ataoko, reko any anatiny any ilay onjam-pitiavana manefika azy, niala teo ambony fandriana aho, ny molotro amin’io mbola eny amin’ny kibon-dranjony ihany mba hampitohy hatrany ilay hafatra ampitiavana alefako any aminy.
Nitsangana teo amorom-pandriana aho, nalefako indray ny tanako hamonjy ny nonony, nidina avy eo hamonjy amin’izay ilay faritry ny fahasambarana tsy hita pesimpesenina. Faritra madio tsy misy pentina, fa toy ireny ala kitroka voaaron-janahary ireny ka tsy nisy sahy nikapa na dia hazo iray aza. Tsapan’ny ratsan-tanako ilay faritra mafana efa mandom-paharavoana. Tsy andriko intsony, nataoko nandroso sy ny niverina ireto ratsan-tanako hanafosafo, hotsaky ny hamandoana tanteraka ny fivaviany. Taratro fa efa lena ilay lamba kely fotsy hany teny an-kodiny. Fantatro avy hatrany fa tena misamboaravoara aminy ilay onjam-pitiavana mampite-hikiakiaka azy ilay malalako. Ny fihetsiky ny tanako dia efa mampiova ny fisefosefony, nesoriny tampoka niala teny amin’ny soroko avy eo ny tongony ka nidaboka teo ambony fandriana, nivezivezy, manokatra ny feny hahamora ny safosafon’ity tanako ilany izy.
Ny filahiako tamin'io efa tena henjana tsy nisy ohatran'izany eo am-pitsapàna ity fivaviana madio hisantatra ny fiainam-baovao. Toa henoko mihitsy ny filahiako mitalao manao hoe « avoahay amin’izay fa mba te hahita hazavana e!" Nampandeferiko ihany anefa aloha ny filako sy ny hetahetako fa tsaroako tsara ilay dingana tsy maintsy andalovako. Efa notsapainy ny filahiako fa mbola tsy hitany ary azoko antoka fa miandrandra mafy ny fotoana hahitany azy izy.
Somary natosik’i Alexia ilay atin’akanjo hiala, tonga dia nampiako izy fa efa ela loatra angamba no nitadiavany hanalàna azy iny. Niseho teo ambany masoko amin’izay ilay lavaky ny fitiavany izay tena efa vonona handray fahasambarana. Ny ratsan-tanako amin’io mbola manafosafo hatrany ny manodidina azy, nandramako nalefa tany ny fanondroko iray, nisento mafy izy, reny miakatra any anaty lohany any ny fahasambarana entin’ity fitaovana atolony ity malalany ity. Navoaka indray ilay fanondro dia nanafosafo ilay bokotra kely mibotsina miendrika loha-nono tsy lavitra teo aho. Vao voakitika fotsiny anefa iny dia niainga tsimoramora ny maojany fa nahare onjam-pahasambarana hafa indray. Nitombo hatrany ny fahamandoana nivoaka tamin’ny lava-pitiavany. Ny molony amin’io mimonomonona te hiteny fa tsy mahita ambara, ny masony mikipy miezaka manamboatra sary tsaran’ity malalany manome fahasambarana ho azy.
Novahako tamin'izay avy eo ny bokotry ny patalohako.Tsy nanaosarotra fa tonga dia niborotsaka raha vao natosika nidina kely fotsiny. Ny tongony no nampiasainy hanala azy tanteraka nony avy eo. Ny silipo sisa no teny an-koditro izay nibotsina aok'izany toy ireny mpanao ady totohondry efa vonona eo ambony ringa. Naveriko indray ilay ratsan-tanako teo hiditra tany anatiny tany, tahaka ny sambokely atopatopan’ny onjan-dranomasina ny fijery azy. Ny fidaboky ny onja amin’ny sisin-dranomasina no mifandraika amin’ny fisentony sy ny fisefosefony. Niondrika aho handefa indray ilay lelako hanafosafo ity vatany, nolelafiko mora teny amin’ny nonony, nidina teny amin’ny kibony, niodinkodina teo amin’ny foitrany, ny ratsan-tanako amin’io mbola mijanona ao aminy ihany manomana mafy ity fivaviana virjiny hiroso amin’ny maha-vehivavy azy. Heniky ny fahasambarana ity malalako, efa tena vonona tokoa.
Saingy tiako ho tsapan’ny lelako izany maha-virijiny izany ka nidina teny amin’ilay faritry ny fitiavana mamy loatra aho, namboloin’ny oroko ny fofona somary masiaka manaitra ny atidohako rehetra, nolalovan’ny lelako ilay fisarahan’ny fivaviany efa vonton’ny ranom-pitiavana, nikiaka kely izy, kiaky ny fitiavana, hafa noho ny hafa tokoa ny herin’ny lela fa io no anisan’ny hozatra faran’izay malemy indrindra no sady ambony hafanana ka tsy misy maharesy azy raha mbola lalovany. Tsy naharitra intsony i Alexia fa nalefany tany amin’i filahiako ny tanany hitsapa ny habeny efa mijaridina, tahaka ireny mpilalao baolina ireny ka mirehareha hiditra ny kianja, nolalaoviny teo amin’izato fahasambarana efa manenika ity malalako amin’ny vatany iray manontolo. Niharina aho dia niezaka nitady ny famonoan-jiro, vao maizina anefa dia hoy izy: " -Hery an ! aza vonoina fa te-hahita aho?" Gaga ihany aho tamin’iny, ankoatry ny andro atoandro izay tsy azo anoharana dia amin’ny maizina hatrany no anaovan’ny vehivavy firaisana, ity malalako nefa te-hahita mafy. Tsy azoko mihitsy fa vao voalohany mampisantatra ny firaisana amina tovovavy virijiny ity, ka nanaiky koa aho, mba te hahita ihany koa na izaho aza.
Novelomiko indray ilay jiro kely, tahaka ireny sary hosodo-doko manintona ny maso ireny i Alexia miaraka amin’ity bikany soa sy mahafinaritra efa vonona tanteraka handray ahy ka hiara-miampita aminy ity fiainana maha-vehivavy.
Nampidiniko amin’izay ny silipiko, tahaka ireny miaramila mijaridina mitoraka fiarahabana amin’ny handriny ireny i Balita, efa tena ela niandrasana fa atao ahoana moa, ny lesona nampianarin’ny olona ahy fahizay anefa tsy maintsy ankatoavina mba tsy hanaonaoko foana.
Niakatra teo ambony fandriana amin’izay aho, novelariko moramora ny fen’ity mamin’ny foko, nikisakisaka moramora aho hanatona ny fivaviany, natohatohako moramora teo ny lohan’ny filahiako, nanafosafo, tsy mitsaha-miraraka ilay ranom-pitiavana, efa tena vonona tanteraka. Nandrasako kely, nampidiniko ambanin’ny fivaviany aloha ny filahiako dia ny ratsan-tanako roa indray no natsofoko moramora, nikiaka kely indray i Alexia, reny misy fanaintainanana miakatra any aminy. Najanoko teo aloha, somary novelariko tamim-pahendrena ireo fanondroko roa, ary tiako raha rovitra amin’izay ity hozatra manify maha-virijiny azy. Niandry kely fotsiny aho, reko mihitsy ny fanaintainany kanefa ny fahasambarana efa nolalovany teo dia mifangaro amin’izany ka nanadinoany ny mety hanjo azy.
Nesoriko amin’izay fanondroko, dia nihorirana aho namonjy ny lohany, nanakatra ny molony dia nibitsibitsika taminy nanao hoe : - "tiako raha eo ambony ianao." Nanaiky izy, sady niharina, izaho kosa nandry tamin’ny lamosiko. Niondrika nanoroka ahy izy dia naka lamba fotsy madio dia madio tao ambany ondany tao, tena efa vonona tokoa hatry ny ela hay i Alexia, tohina ny foko tamin'ny fihetsiny. Notsapainy sy nojereny tsara ity filahiako ary hitany fa tena nihenjana be, napetrako teo amboniko aloha izy, manatrika ahy, voasintona teny amin’ilay fivaviany ny masoko sady tarafin’ilay jiro tsara ka noraiketiko tao an-tsaiko ny firafiny soa izay tsy ho adinoko mandrakizay.
Napetrako teo ambonin’ny ahy izay mbola mitsilany manaraka ny kiboko aloha ilay lavaky ny fitiavany, ningaiko tamin’ny maojako ny vatany iray manontolo. Ny safosafon’ny vatan’i filahiako tamin’ny fivaviany efa mando no nampiakatra indray ilay hasambarana tsy hita noanoa tamin’i Alexia. Nasaiko nihantona kely fotsiny izy hijoroan’ny filahiako dia nampifanandrifiako ny ahy sy ny azy. Nasaiko nidina moramora izy avy eo dia injay fa nitsofoka sady efa vonton’ny hamandoana rahateo koa moa.
Tsapako tokoa ny fanaintainany nefa tsapako ihany koa fa nahatsapa hasambarana toy izay efa nolalovany teo izy. Vao tafiditra tany anatiny tanteraka aho dia tsy navelako nihetsika mihitsy izy aloha. Tsy ela taorian'izay dia indro nivoaka avy tao anatiny tao ilay rà tarafin’ny jiro mitsilopilopy, ra manamarika ilay fahadiovany izay natolony ho ahy samy irery ary ho ahy manontolo.
Nosintomiko teny an-tanany ilay lamba fotsy madio tahaka ny oram-panala dia nofafako ilay ra. Somary niondrika kely izy nijery. Natopiko teny amin'ny masony ny masoko. Te hiara-mizara aminy izay fanaintainana aho. Vao nifanena anefa ny fijerinay dia tsiky no natolony ho ahy. Somary nihetsika kely izy kanjo mbola nisy naharary azy ihany, nijanona teo amin’ny toeranay teo izahay roa, efa ho minitra iray.
Ny masonay nifampijery no nampita hafatra hifampizaràna ny fanaintainany. Ningaiko kely izy avy eo, nakipiny ny masony fa tena mbola maharary azy ilay fihetsika, nohozongozoniko ny maojako hampihetsika azy, narahiny fotsiny izay onja nalefako, elaela tahaka izay ihany , nanomboka niverina taminy ilay fahasambarana teo, tsy fantany intsony fa toa nahafinaritra azy ilay maharary nefa arahin’ity fahasambarana mandondom-baravarana ao anatiny ao. Niainga tsimoramora teo ambony maojako teo izy, nisefosefo mafy, ny fony midobodoboka tsy misy ohatr’izany, nikiaka indray mandeha dia namonjy nidaboka tany aoriana; tamin’izay fotoana izay no tonga ihany koa ny fahasambarako ka nifatsitsiatra ilay ranon’aina izay efa te hibosesika hivoaka efa hatry ny ela.
Heniky ny fahasambarana izahay roa, tena tsara, tena hafa kay ilay voalohany, tsy hadinoko mandrakizay eo amin’ny fiainako.
Afaka kelikely, nihodina avy eo i Alexia namonjy ahy, nikisakisaka ka somary taitra ny amin’ity hatsiaky ny ranon’aiko teo ambony fandriana, noraisiny indray ilay lamba fotsy misy ra teo dia namafany izay ambiny mbola tavela teo ambony lambam-pandriana. Nifanoroka izay tsy izy izahay roa, velona indray ilay fantsona iray ifampitanay ny hafatra marobe tsy vitan’ny teny ny mamboraka azy.
Nijanona natoritory aloha izahay, nifampisafosafo, nifampijery tamim-pitsikiana.
- "Hery, tiako raha ho ahy irery ianao!"
- "Alexia, fiainam-baovao no iarahako aminao!"
Tsy tapitapitr’izay, injay fa nisy nandondona tao am-baravarana,
- "Ato ve ianao Alexia?"
Tsy nisy namaly izahay fa nangina fotsiny tahaka ireny hoe tsy misy olona ireny. Nony afaka kelikely dia niala teo ambaravarana ihan ilay niantso. Natompiko teny amin'i Alexia ny masoko ary dia tsiky malefaka feno fitiavana no navaliny ahy.
Iny Hery handeha hiverina hiasa iny ny tolakandro no taitra tampoka fa nisy nikapokapola mora tao amin'ny sorony avy ao aoriana. Nitodika izy,
- "Hay ve ialahy indray ity ry Haja, dia ahoana letsy?"
Mpinama tsy mifankafoy i Haja sy Hery. Mifampitondra toy ny mpirahalahy mihitsy izy roalahy. Lahitokana toa azy koa mantsy i Haja. Efa nifankazatra fony kely izy roalahy ary dia mbola nampitambaran'ny vitana hiray toeram-piasana ihany koa rehefa lehibe taty aoriana. I Haja no nahafantarany an’i Alexia raha ny tena marina.
- "Dia ahoana l’ty, revy be izany any amin’ialahy amin’ny zoma an! milay izany ka. Tsara rehefa nofaranan’ialahy amin’izay ny andro fisaonana. Sady efa ela koa aho letsy tsy nahita an’i Alexia! manao ahoana letsy izy izay?"
Tsy nahita havaly i Hery, ny ora fidirana efa antomotra, i Haja rahateo mbola any amin’ny rihana ambony no miasa.
- "Amin’ny zoma hariva letsy an! aleo rehefa mirava isika roalahy dia tonga dia miaraka amiko mba manampy ahy mikarakara ihany koa," hoy i Hery namaly.
- "Fa angaha tsy hanampy an’ialahy i Alexia, izaho aza mbola hody aloha haka ny ankizy, ka ialahy ‘ty koa! tsy ialahy ihany ve no niteny hoe mahazo mitondra izay tiany ho entina e!"
Very hevitra teo i Hery, ahoana tokoa moa izany, i Haja izany izao mieritreritra ny hahita an’i Alexia, dia tsy maintsy mbola hampahafantariko azy ve ny marina, ny marina inona anefa, ny fiainako niaraka tamin’i Malala ve, sa ny fampirafesan-dRatrema an’i Malala ?
Na ho ela na ho aingana tsy maintsy ho gaga izy fa tsy eo i Alexia amin’ny zoma. Malala, Malala, toa mihodinkodina eo amin’i Malala foana koa izany fiainako manontolo izany, misy mahamarina azy ihany ilay hoe ndàna mitsoaka ny fiainanao amin’izao dia avelao any izay hitranga. Inona tokoa moa, raha ilaozako anie i Malala, efa manana ny rainy eo amin’ny lalàna ireo zanako roa ireo. Fa i Alexia no mampalahelo ahy.Zazabodo kely sady tsara tarehy no mahafatifaty, mahate ho tia ary tena tia fa tsy mody tia.
Noraisin’i hery indray ny findainy, dia nantsoiny ity mamin’ny fony, nahazo, nidobodoboka kely ery ny fony fa handre ny feon’ity malalany, kanjo tsy nisy nandray, nisy nanapaka aza nony avy eo. Naveriny nantsoina afaka kelikely, tsy tafiditra intsony. Nalahelo i Hery, mbola tena nankarary ny fon’i Alexia ilay tsy niraharahiako azy omaly maraina, hoy izy tany an-tsainy tany. Izao koa no loza, efa vita ny fizarana asa nataony tamin'ilay orinasa iray iry ka dia tsy any am-pianarany intsony izy izany no sady tsy any am-piasàny ihany koa fa mamita ny lahatsoratra famaranana ao an-tranony. Izaho anefa tsy mahazo miditra any akory. Raha andramana antsoina amin’ny Telma,... noraisiny ny telefaona dia niantso indray izy.
- "Allo, saika hitady an’i Alexia anie?"
- "Iza izao azafady," hoy ilay feo tao anaty antso;
- "I Hery ka,"
- "Hay Ramose Hery, lasa niaraka tamin’i Madama any izy ka tsy fantatro rahoviana vao hiverina."
- "Ilazao ary izy rehefa tonga fa niantso teo aho e ! Misaotra ary!"
- "Veloma tompoko!"
Saika hiantso an’i Malala indray i Hery nefa, raha fantatr’i Alexia ve fa izaho no miantso hoy izy niteny irery tsy vao mainka ho loza. Tsy hitany intsony izay atao, sady vao nipetraka ilay vata fitenenana dia naneno indray ny telefaona ka resaka asa no niantsoan’ny lehibeny azy, dia revo tamin’ny asa teo indray aloha ny tovolahy.
Efa nirava ny mpiasa vao nanokatra ny takila misy ilay mailaka noforoniny izy. Naveriny novakiana aloha ilay hafatra nalefan’ilay mpianatra eny Ankatso, lehilahy ary ve izy ity sa vehivavy? Dia namaly ilay hafatra i Hery, tsy dia nataony lava ny resany:
<<Ho an’i…
Misaotra aloha namaly ny antsoko, raisiko ho fandavantena lehibe ny nataonao. Kanefa mba te hahafantatra ny momba anao ihany aho, vhv sa lhl no miresaka amiko, raha azoko fantarina koa ny taona sns. Dia aleoko koa anontaniana dieny izao raha tokony hifankahita!
Misaotra anao mialoha.>>
Nalefany avy eo dia nosokafany indray ilay takelam-pifandraisana wanadoo.mg, tsy mitsahatra ny mitombo ny valim-panontaniana, dia nosokafany indray. Ny teo aloha ihany, ilay tantara mbola mitohy dia revo ery izy namaky sady nitsikanikany ny amin’ny tohiny nanaovan-dry zareo fôrômista ny mety ho tohin’ny fiainany. Taitra tampoka izy,fa hay misy teny tokony holazainy ilay olona mifandray aminy. Naveriny nosokafana indray ilay mailaka.
Nisy hafatra vaovao tao. Tena vetivety izy izany, hoy izy fa mijery tranonkala koa izany ilay olona any ho any. Novakiany:
« Tiana no anarako, vhv mpianatra ary mbola tsy manambady ary manomana maîtrise.
Tsy dia tiako loatra ny iantsoana anao hoe : kelimaditra fa mba omeo izay anarana tianao iantsoako anao hafa aho. Tu as un nom n’est-ce pas ?
Ary aza tonga dia maika aloha ny hifankahita fa aleo mifankafantatra tsara ny toetra, dia manantena aho fa hanome izay any am-ponao marina ianao>>.
Tsss, tsy hanana fotoana hamaliana izao dia izao aho, ity solosaina ity koa mbola tsy misy ahafahana mifanoratra eo noho eo raha ity tranonkala yahoo.fr ity. Aleo aloha valiako amin’ny mailaka ihany.
« Misaotra fa namaly ahy vetivety tokoa ianao, saingy mbola misy fahasahiranana kely aho aloha, tsy mampaninona fa azonao antsoina hoe: Hery aho.
Ny atahorako indrindra dia mety olona fantatro ianao ka hanaparitaka ny toe-javatra mitranga amin’ity fianakavianay ity. Mangataka aho mba tsy hilazalazanao izay zavatra mety hoteneniko satria tsy ny trangan-javatra rehetra akory ireo voalazako anaty forum ireo. Ary mino aho fa ireo zavatra voalazako ireo dia tsy misy mahalala afa-tsy izahay ao anatiny ihany, tsy ho tsikaritry ny olona eny ivelany mihitsy.
Fa mbola marobe ny vaovao nitranga indrindra tato anatin’ny andro vitsivitsy. Niova be ny fiainanay fa manjary nisy valifaty nataon’ilay raim-pianakaviana.
Tena tiako ilay fofombadiko, satria efa vita fisehoana izahay, ka izany no maha-vaka ny saiko. Efa tena raiki-pitia be loatra aminy aho fa ny hetraketrak’ilay reniny no nahatonga ahy nanao zavatra mamoa fady.
Tsy haiko mihitsy fa lasa manana fahatokisana be anao izany tampoka aho ry Tiana. Ary inoako fa tsy hanosi-boho tanana ahy akory ianao !
Misaotra fa rahampitso indray aho mamaky ny hafatrao ».
Nalefany ilay mailaka. Nieritreritra kely teo izy : « tsy misy mahalala afa-tsy izahay ao anatiny ihany » : raha fantatry ny ao amin-dRatrema tokoa moa io takila noforonina io, dia asa angamba. Raha i Malala aloha tsy mandraharaha izay internet, i Ratrema koa, tsy dia mino loatra aho, fa i Alexia ... ka izy aza anie tsy mety azoko mihitsy rehefa antsoina e! Tsy tokony ho fantany ve fa tena mijaly ny saiko amin’izao fotoana izao?
Najanony ilay solosaina dia nivoaka ny fiasàna izy. Nitombo ihany anefa ny alahelony an’i Alexia ka nivily lalana izy ho any aminy. Toa manomboka tsy zakan’ny sainy izany tsy hahita an’i Alexia mandritra ny andro maromaro izany, indrindra hoe tsy raisin’i Alexia mihitsy koa ny antsony. Nahatsiaro nanenina izy tamin’ilay firaisana ara-nofo tampoka niarahany tamin’i Tahiana. Tsy dia nanan-kevitra ny hitantara izany na amin’iza na amin’iza anefa izy fa ny fahitàny an’i Alexia fotsiny dia efa ampy hampitony ny alahelony.
Iny izy efa manaraka ny sisin'ny tambohon'ny tranon-dRatrema iny no indro hitany nitsotsotsotso avy any ilay fiara 4x4 sady nampiasa fanairana teo ambavahady miantso ny mba hamohana ny vavahady hidirany.
- Loza ity, inona no ataoko… ho tratra eto aho marina! Hoy izy tany antsainy tany.
Vetivety dia nivoha ilay vavahady lehibe. Ilay fiara 4x4 koa moa ireny mainty fitaratra ireny ka tsy nisy irika mihitsy afahantarana izay tao anatiny. Nihodina tampoka i Hery, nisy fiara kely teo akaikiny teo dia namonjy niafina taorinany izy mba tsy ho hitan-dRatrema izay ninoany zato isan-jato fa nitondra io fiara io. Vetivety taorinan'izay dia nikatona indray ilay vavahady rehefa tafiditra ilay fiara.
- "Ouufff, efa nivarahontsana aho," sady tera-tsemboka izy.
Kelikely taorian'izay anefa dia nisokatra indray ilay vavahady vy fidiran’olona.I Hery amin’io efa nanohy nandroso nanatona ilay vavahady. Tsy hitany izay hatao, hiodina hiverina handositra sao dia ataon’ny mpandalo ho mpangalatra ka dia naleony nanohy ny diany.
- "M’se Hery. Efa hitako mihitsy ianao tam’za nanokatra ilay vavahady teo; mitady an’i Madimôzely Alexia angaha Ram’se?"
Hay ity ilay mpiambina tanàna niaraka taminy nividy fanafody tamin’ny alatsinainy alina.
- "Aza mampitahotra rangahy fa tena .. ao angaha i Alexia?"
- "Iéé, ao mihitsy izy fa efa niverina niaraka tamin’i Madama teo, toa avy nandalo tany amin’ny dokotera hono izy ireny, ireo ankizy ao an-trano no nilaza izany. Antsoiko ve izy fa ato ianao Ram’se?"
- "Ary Ingahy Rainy ve ilay niditra tamin’ny 4x4 teo?"
- "Tena izy mihitsy iny ka!"
- "Izao ary e! aleo aho handalo fotsiny, ilazao ihany i Alexia fa nandalo teo i Hery hoe"
Niahotra indray izy dia nandray taratasy tany anaty kitapony tany, nosoratany hoe : « Alexia, tu me manques tellement, réponds à mes appels, je veux te voir » Nohidiany tao anaty valopy dia nasiany ny anaran’ity malalany tsy foiny.
- "Ity ary omena azy e! Misaotra dia veloma."
- "Veloma Ram’se!"
Dia lasa i Hery nandeha, tsy tena lasa anefa izy fa niandriandry teny lavidavitra teny toa nanantena mafy an’i Alexia hivoaka ny vavahady hihazakazaka sady mitomany hiantsampy eny amin’ny sorony. Izy amin’io efa mieritreritra lalina izay teny havaliny ity malalany. Ny fony feno fitiavana midobodoboka manaraka ny gadon’ny famataran’ora, ny masony tsy miala mihitsy amin’ilay vavahady atsilopilopin’ny jiro, miandry izay hisokafany fotsiny. Tsy nampaninona ahy mihitsy izany, na dia efa miha-maizina aza ity andro hoy izy.
Noraisiny indray ny findainy, natsoiny i Alexia, mbola tsy tafiditra ihany ny antso. Tsy nahakivy azy izany fa naleony niandriandry teo amin’ny toerany teo ihany. Izao tokoa rehefa tia hoy izy fa dia miandry izay higadonany fotsiny.
- Tahaka ny sokina nanani-bato letsy ialahy ry Hery ka tapi-dalan-kaleha. Izao mitogaigy tahaka ireny tovolahy kely vao 15 taona matahotra ny ho hitan’ny ray amandrenin’olona ireny dia tsy sahy fa miafina anjoron-dalana nefa te mba hahita mafy ilay malalany.
Afaka dimy ambin’ny folo minitra, injay fa henony nikarantsana ilay vavahady kely fivoahan'ny olona. Indro i Alexia nivoaka ny vavahady. Ankanjo fotsy ambony sy ambany no teny ankodiny. Somary maizimaizina ny manodidina azy, nefa ny fitafiana nanaovany dia toa namerina ny hazavan'ny jiro teny aminy ho amin'ireo nanodidina azy. Nitoditodika izy nijery ny arabe toa mbola nanantena ny hahita ity nandefa taratasy taminy. Tsy nampoiziny, injay nisy feo niantso tery lavidavitra tery nanao niantso ny anarany: "Alexia!" sady nihazakazaka nanantona azy i Hery. Izy koa tsy nahajanona teo amin’ny toerany fa niampita ny arabe hanatona ity fitiavany sady nanganohano ihany ny masony. Nosokafan’i Hery ny sandriny roa handray ity mamin’ny fony. Nofeheziny indray mandeha monja dia nahankiny tamin’ny tratrany sady nobatainy hotrotroina. Diboky ny fitiavana ny fon'izy roa ary ny ranomaso latsaka aza dia toa zary naneho fifaliana tsy omby tratra fa tsy noho ny alahelo akory. Tahaka ireny olon-droa tsy nifankahita efa hatry ny taona maro ireny ny fahitàna azy ireo. Nifanoroka elaela sady nifampijery dia avy eo niverina nifanoroka indray na dia samy tsy nisy nahaloa-peo aza. Indro misy hazavan’ny fiara mirimorimo tsy lavitra ny sisin'arabe nijoroan'izy roa sady nandefa antso fanairana. Nikisaka namojy ny sisin-dalana haingana izy roa.
...Teo vao taitra i Hery fa hay nofinofy fotsiny ilay nitranga rehetra teo izay vokatry ny eritreriny lasa lavitra teo am-piandrasana izay ho fivoahan’Alexia teo ambavahady. Nojereny ny manodidina azy fa toa tsy nisy olona akory. Kivy izy sady nisento tokana. Tsapany fa hay mafy tokoa ny manjo rehefa tsy tian'ny olona hifandraisana ireny. Izy anefa no mazana mpanao ny toy izao tamin’i Malala sy Alexia ary nisy naharitra andro maromaro mihitsy aza tamin' izany.
Tapakevitra ny handeha izy ary dia nitodi-doha moramora hamonjy ny tananany. Toy ireny akoholahy voakapoka tsy mahatàna rambo intsony ireny ny fahatsapany ny tenany.
Tao amin-dRatrema mianakavy…
Foana tanteraka ny fifaliana tao an-trano. Tsy misy mifampiresaka, ary tsy misy mivazavaza ihany koa. I Alexia moa efa manomana ny lahatsoratra famaranana izay namitany ny fizarana asany hany ka saika eo ampototry ny solosaina no andaniany ny androny iray manontolo. Raha mandeha mivoaka aza izy, dia miaraka amin-dreniny mandeha fiara fa tsy mba mandeha an-tongotra samirery intsony mihitsy. Diso fanantenana izy tamin’ity nataon-dRainy. Tsy nampoiziny fa nahavita hamaly faty andreniny sy Hery ity rainy. Lasa zary fanelingelenana ho azy ny fidradradradran’ny finday sy ny antso an-tariby ary dia naleony najanony avokoa raha mbola azony natao.
Izy mivady indray dia zara raha mifampiresaka. Tsikaritra anefa fa tsy mody alina intsony i Ratrema fa tonga aloha ao an-trano ary dia nandray anjara mavitrika tamin'ny fitaizana azy mianadahy kely. Mijerijery izay toe-pahasalaman'i Malala no ataon-dRatrema isa-maraina alohan'ny andehanany miasa dia mametraka ny vola mety hilaina dia lasa avy eo. Tahaka izany foana ny fiainana niseho tao amin-dry zareo nandritra ny roa andro misesy mandrapahatongan'ilay taratasy napetraky Hery tamin'ilay mpiambina tao ambavahady.
Avy namelona ny fahitalavitra Ratrema no nandondòna i Zefa:
- "Azafady Ram’se fa misy taratasy ho an’i Mademôzely Alexia ity. Tany amin’i M’se Hery."
- "Alexia!" hoy Rainy, niantso ny zanany tsy naka sarotra. "Midìna fa misy taratasinao ity."
Nidina i Alexia. Niezaka nitsiky ny rainy fa toa tsy hitan’i Alexia akory, ny masony amin’io bongon’ny ranomaso fa asa izay nampalahelo azy tao an’efitranony tao.
- "Misaotra," nojereny, sora-tanan’i Hery ny amin’ilay valopy. Niverina nanganohano indray ny masony sady niakatra haingana tany an’efitranony izy. Novahany ka hitany ilay hafatr’i Hery. Niditra tamin’ny tranonkala izy dia nanoratra ny hafatra vaovao ho an’ity malalany.
« Hery, mon amour, toi aussi tu me manques tellement »
Nieritreritra kely teo izy, raha tokony hampiana ilay hafatra.
Kanjo injay ny rainy mandondòna ao am-baravarana. Dia niofafàny ilay hafatra.
- "Alexia, avelao aho hiditra fa te hiresaka amin’izany zanako izany aho." Nataon-dRatrema tamin’ny feo malemy sy fo tony ny teniny sady naka seza izy hipetraka teo akaikin’i Alexia. Ity farany niankina tamin’ny soron-drainy sady nifokofoko nitomany no latsa-dranomaso.
- "Diso ny rainao anaka, mamelà ahy", sady nosafosafoiny ny lohan’ity zanany vavy tsy foiny indrindra ity.
Dia notantarainy teo ny zavatra rehetra nanjo azy nandritra izay enim-bolana izay. Tsy fantany intsony izay mety hampalahelo an’i Alexia fa dia naleony nampahafantatra ity zanany ny antsakany sy andavany ny momba ny fiainany sy izay antony nisakaizàny tamin’i Corine. Nibaboka izy fa vava tsy ambina ny azy ilay nadroahany an'i Hery tsy hiditra ny tranony intsony.
Tsy tonga dia niditra tao antranony i Hery rehefa tonga tany aminy fa mbola naka fisainana nipetrapetraka teo antokonam-baravarany teo aloha. Efa tena alina izy vao niditra ny tranony. Tranony izay tsy misy afa-tsy izy irery. Nahandro sakafo aloha izy dia avy eo tapakevitra ny handro sady hisaintsaina lalina ity manjo azy. Varimbariana teo izy ka notsindriany ny ankanjo nanaovany ilay atin’akanjo mainty navelan’i Tahiana. Adinony taneraka mihitsy ny fisiany na dia toa nandalovan'ny masony izao aza.
- Vehivavy iray ve letsy no mahatonga an’ialahy toy izao ry Hery! Tadidio letsy fa ny lehilahy tsy boka herin-taona a!
Ny nahavitan'ny sakafony no ela dia nidaboka natory izy.
Vao nazava ny andro dia efa taitra i Hery. Nifoha dia nikarakara sakafo sy nampirina ny tranony fa tsy misy afaka hanao izany rahateo koa tsinona.
Niomana izy avy eo dia lasa namonjy ny toeram-piasàny.
Valopy mihidy no niandry azy teo amin'ny biraony. Valopin’ny orinasa ihany. Noraisiny dia nosokafany. Hafatra fiangaviana azy hiakaratra tany aminny Tale teknika no tao anatiny. Nivoaka ny biraony izy, dia niakatra tany ambony. Niditra tao amin’ilay biraon’ny Tale, nifampiarahaba sy nanontaniany ny vaovao momba ny resaka asa. Resaka fifandraisana eo amin’ny orinasa no ventin-dresaka tao.
Na dia niezaka ny hifantoka tanteraka amin’izany aza i Hery dia lasalasa tany amin’i Alexia foana ny sainy. Toa ny lohany fotsiny no nahatokatony tamin'izay zavatra notenenin’ity lehibeny. Nanolotra valopy azy ilay lehibeny nony avy eo izay misy ny anarany teo ivelany. Teo izy vao tonga saina rehefa naheno ilay lehibeny niteny hoe: "alaivo any amin’ny mpiandraikitra ny fampitaovana any ambany ary ny anjaranao, dia ity ny taratasy hangalanao azy."
Gagagaga izy, loza izany, tsy nisy azoko ilay notenenin’ingahy Tale teo fa variana loatra aho tamin’ilay nofinofiko omaly hariva. Tena tsy mety miala ato an-tsaiko mihitsy ilay Alexia nihazakazaka namonjy ahy.
Nitsangana ingahy Tale dia mba nanaraka nitsangana koa izy.
- "Any ambany moa izy teo Andriamatoa Tale, mpiandraikitra ny fampitaovana!
- "Iéé! anontanio rehefa tonga any ambany ianao e!"
Dia lasa i Hery nidina, tsy azony an-tsaina mihitsy hoe: inona ary izany, fa ilay valopy koa mihidy ka tsy novahany akory na dia misy ny anarany aza.
Tonga teo amin’ny varavarana misy ny fampitaovana dia nanontany i Hery hoe: "Ato ve ity no tokony hateriko?"
Dia noraisin’ilay mpiandraikitra ilay valopy ary niditra tany an’efitra tany izy, niverina, nitondra kitapo mainty teny an-tanany.
- "Fantatrao ve Ramose hoe inona ity ? sady natolony an’i Hery.
- "Tena tsy azoko veroka mihitsy."
« | Aprily 2006 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | ||||||
2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 |
9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 |
16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 |
23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 |
30 |