Somary nihorirana kely Malala hamoha ity varavarana, nahodiny moramora ny poignet, kanjo nihidy ilay izy. Naveriny fanindroany dia najanony tampoka.
Nitodika nijery ilay sekretera izy:
- "Tena cliente-nareo be mihitsy moa izany ramatoa izany e?"
- "Eny Mme Malalatiana, efa ho valo volana izy izay no manana tolotr’asa atao ato aminay. Sady orinasa tena mifandray be aminay koa no tantanan’io ramatoa io."
- "Hay," sady nanapotsitra ny handriny tamin’ny fanondrony izy fa nahare nanaintaina teo ambony masony teo. Ny zazakely amin’io eny an-trotroana ihany. Niezaka ny hitandrina Malala mba tsy hianjera sady nanatona ny biraon’ilay sekretera.
- "An! nieritreritra aho fa aleo angamba izy tsy helingelenina sao dia tena manahirana azy. Manjary mampifangaro ny asany amin’ny tokantranony koa izy raha niditra tampoka teo aho. Nandalo fotsiny aho fa tsy hoe inona akory ka! Aza tenenina azy akory hoe teo aho; fa raha manontany izy dia… eny e! aza tenenina akory fa teo aho. Misaotra betsaka Mme Sahondra an!"
Lasa Malala niverina teny amin’ny amin’ny ascenceur, dia naterin’ilay sekretera izy mianaka. Tsy tantin’i Malala intsony ity zavatra nahazo azy, hitany amin’izao fa hay nisy zavatra hafa nandalo teo amin’ny fiainan-tokantranony kanefa tsy reny sady tsy fantany akory.
- "Valo volana…" Izay ilay valifaty, loza tokoa.
Raha ny tena tian’i Malala tokoa angamba dia ny hampitsikafona amin’ny tany izao ramatoa izao fa saingy nihidy ilay biraon-dRatrema. Tsy tiany hahoraka eo amin’ny mpiasa koa sao ny ho avin’ireto zazakely no ho sampona tampoka eo. Noraisiny ny findainy, nantsoiny Ratrema, saingy teo am-piandrasana ilay antso dia notapahiny. Nanganohano ny masony ary mila tsy ho tantiny intsony ny hitana izay ranomaso latsaka, ka i Cynthia no natohany tamin’ny takolany mba hanalàny izay mavesatra rehetra mianjady taminy. Soa tokoa fa feo no reny fa raha izany rehetra izany angamba no hitany maso mivantana, dia ho nivadi-po tampoka teo izy.
- "Ratrema, efa nampoiziko ihany. Hitako tokoa ny vehivavy maro no saro-piaro, kay ny tsy hitrangan’ny toy izao."
Nezahiny naverina tao an-tsaina avokoa ny valo volana lasa: taiza avy Ratrema? Hay izany tena hambaboana ahy amin’ny hafaliana fotsiny ireny tambitamby, fanomezana sarobidy, fa ny akon’izay tany am-badika tany tena loza! Ity izy nanana fahaizana manokana tsy nandairan’ny safosafo rehefa izaho miara-matory aminy iny! Kay tamin’olon-kafa no tiany hampisehoana ny heriny. Lehilahy tokoa izany.
Hay izany izy ilay nandeha tournée tampoka taorian’ny nandevenana ny maman’i Hery iny ka… Lehilahy tsy vanona!
- "Tsy hanaiky ny hitsakitsahinao amin’izao fotsiny raha i Malalatiana! Ho hitanao ny valy bontana ataoko aminao."
Lasa izy namonjy ny fiarany hitondra azy sy Cynhtia any an-tranony.
Fa tao amin’ny biraon-dRatrema,
Olon-droa mananika ny lanitra fahafito no mifampitolona eo ambony birao. Mihamafy hatrany ny fihetsika rehetra, mandeha avokoa izao teny mitalaho, ny sefosefo, ny orokoroka samihafa; ny teny frantsay amin’io tsy teny frantsay intsony, voambolana hafa no re.
Hatraiza marina ny fiafaran’ny fahasambaran’ny lehilahy nahazoazo taona no ho tapitra raha tahaka izao e!
Sendra nitopy teny am-baravarana ny mason-dRatrema ka nahita ilay poignet nihodina; nijanona tampoka ny fihetsiny rehetra. Mbola hitany indray fa nihodina fanindroany; niala tamin’ilay ramatoa izy (Corine no anarany). Ity farany anefa tena efa eny amin’ny lanitra faha-fito, saingy mbola latsaka fahefany ihany; nofatorany tamin’ny sandriny roa ny valahan-dRatrema hanatona azy kokoa.
Tafala taminy ihany anefa Ratrema, tonga dia niezaka nandao ny biraony, kanjo voasaringotry ny patalohany teo amin’ny moro-tongony ka nampianjera azy. Nahay nitazona ny sezany izy ka tsy potraka, niharina, nampidiriny ny patalohany dia namonjy moramora ilay varavarana izy. Nahodiny koa ilay poignet dia hitany fa nihidy tsara. Nisento indray mandeha izy dia niverina teo amin’ny biraony ka naka ny sezany.
Corine amin’io naka toerana hitsilany teo ambony birao.
- "Ialahy kosa leitsy Ratrema tena tsss… efa tena kely ve leitsy sisa dia asa izay nahazo an’ialahy tampoka teo! Sa nahatsiaro tampoka an’i Madama indray ialahy ity ? Izaho ho’aho indraindray, ny vadiko tena manirikiry ahy mihitsy, tampotampoka eo izy tonga dia tsy te hanao intsony. Mbola tena mitana aloha raha ialahy e!" hoy i Corine nanohy ihany.
- "Sshhh, tahaka ny nahita olona namoha varavarana aho teo" sady naka afokasika izy no namelona ny pipany.
-"Angaha hadinon’ialahy fa izaho mihitsy aza no nanidy an’io teo?"
Noraisin-dRatrema ny telefaonina dia niantso an’i Mme Sahondra izy, kanjo tsy nisy namaly. Nampidiriny ny palitaony sady nankeny amin’ny varavarankely izy hanokatra ny lamba fanakonana. Nojereny Corine, tsy taitra akory fa maka aina eo ambony biraony. Ny akanjony amin’io mbola misokatra be mampiseho ireto tendrombohitra roa mampite-hiondana. Dray, dray, dray!
- "Anaovy ny akanjonao, dia mialà eo ambony biraoko eo, fa hosokafako ity lambam-baravaran-kely ity e!" hoy Ratrema
- "Sokafy fa maninoma moa, andro atoandro be io ka hisy hahita ve? Fitaratra be mangamanga no hitan’izay mpitily eny ivelany fa tsy ny ataontsika eto akory. Sady ialahy leitsy, izaho mbola tena te hankafy! Avia indray moa faranana ilay nataontsika teo e!"
Tsy nanaiky intsony Ratrema. Izaho hoy izy te hivoaka…
Nipotikana ery Corine nandray ny akanjony, nampiditra ny atin’akanjony ambany, ny zipony moa tsy niala teny aminy. Nesoriny tahaka ny tsy teo ilay akanjo ambony teny an-kodiny, ka nampiseho ny vatany ambony manontolo. Bika izany, ireny mahararak’ivy ny lehilahy sendra manara-maso ireny, ary koa maha-saro-piaro ny vehivavy izay efa manambady.
Nalainy ny tati-nono latsaka tamin’ny moquette dia nanaovany. Ratrema amin’io manara-maso azy ihany, mbola te hanafosafo kanefa…
Nampidirin’i Corine avy eo ny lobaka lava tanana misy peta-kofehy fotsy ranoray. Naveriny nanaovana ilay akanjo ambony nesoriny teo, dia namonjy fitaratra lehibe izy nijery ny maha-metimety azy kokoa, manjamaso, lokomena sns. Vita izay rehetra izay dia niverina nipetraka manoloana ny biraon-dRatrema izy.
Namerina niantso indray Ratrema, fa mbola tsy nisy namaly.
Novahany ny varavarana kanjo Mme Sahondra no indro hitany niditra teo amin’ny biraony, avy nanatitra an’i Malala.
- "Avy taiza ianao fa indroa aho teo no niantso?"
- "Azafady Ramose fa … (tsaroany ilay tenin’i Malala), nanatitra an’i …
- "Nisy olona nitady ahy angaha teo?"
Tsy hitan’ilay sekretera intsony izay hotenenina.
- Tsy haiko Ramose fa i Madama vadinao sy ilay zazakely trotroina iny no tonga teo. Nanontany fotsiny izy raha afaka hihaona aminao dia nolazaiko azy fa Mme Corine no miresaka aminao ao. Nefa nolazainy fa sao manelingelina anao hono dia lasa izy nony avy eo. Avy nanatitra azy teo amin’ny ascenceur aho izao tonga eto izao."
- "Madama a?! fa naninona taty koa i Malala? Naninona aho no tsy nantsoina tamin’ny telefaonina?"
- "Azafady Ramose fa efa niantso anao ange izy fa tsy nisy namaly fa angamba occupé! dia lasa izy namoha ny varavarana kanjo nihidy. Naleony nandeha fa sao hono manelingelina anao."
Tsy notohizan-dRatrema intsony ny resaka fa niditra avy hatrany izy sady niresaka tamin’i Corine:
- "Izay ary ilay efa nahiako, kely fotsiny dia tratran’i Malala teto isika. Mila malina fa tena hafahafa izany fandehan-javatra izany.
- "Hafahafa ahoana?" hoy Corine.
Tonga tany an-trano Malala afaka kelikely. Namonjy ny efitranony izy dia nidiny ny varavarany. Nataony tanaty berceau Cynthia avy eo, namonjy nipetraka ambony fandriana izy dia nitsilàny. Nalainy indray ny finday tany anaty poketrany dia nantsoiny Hery. Messagerie vocale no azony tao, dia naleony notapahana. Namerina niantso indray izy avy eo, fa mbola tahaka izay ihany.
Niharina kely izy dia nitanondrika indray. Nirotsaka ny ranomasony, nanala ny fony teo izy. Teo vao tsapany ny maha irery azy. “Navadiky ny vadiko” aho hoy izy niteny irery. Nisangodina ny sainy ary nahatsiaro fanina izy.
- "Hery, Hery tsy foiko, aiza ilay malalako?" Nidaboka tamin’ny fandriana indray… Nanaintaina be ny lohany ka lasa izy naka fanafody hampihafana azy. Dia niverina natory indray mba haka torimaso hanalàna ity zaka mavesatra reny tao an-tsofiny.
Nitatao vovonana ny andro vao niharina teo am-pandriana izy. Naka ny findainy indray dia namerina niantso an’i Hery.
Fa aiza moa Hery amin’io …
Eny an-dalana i Hery no nantsoin’ i Malala. Vao nahita ilay soratra MALALATIANA teo amin’ny findainy izy dia notapahany. Efa akaiky koa ny toerana nifanaovany fotoana tamin’i Alexia, ka naleony notapahana aloha.
Alexia tamin'io fotoana io efa niherikerika teo am-baravaran’ny restaurant nitady azy.
- "Soa fa tsy noraisiko," hoy izy niteny irery "fa aleo koa ho any…"
- "Manao ahoana ny malalako?" hoy Alexia, sady nifanoroka kely izy roa.
- "Andao tonga dia hiditra fa miha-vitsy ny toerana ato."
- "Efa ela angaha ianao no teo!"
- "Vao teo mihitsy fa andao hiditra e!"
Naka seza sy latabatra izy roa, navoakan’i Hery teo ny findainy tany am-paosiny tany.
- "Aleo aho aloha hamonjy efitra fivoahana fa efa tany am-piasàna aho no poritra kanefa maika hamonjy anao; sao dia lasa niandry elabe teo ny malalako ka tsy tantiko ny hampijoro irery anao teo."
Lasa izy nandeha. Afaka kelikely, niverina naneno indray ilay finday an'i Hery. Noraisin’i Alexia:
- "Allo Neny! fa ahoana?"
Diso fanantenana Malala fa i Hery no tiany hotadiavina.
- "An!" (nangina tampoka ny fifandraisana)… "fa angaha ianareo tsy ho avy hisakafo antoandro aty? Miandry anareo ange aho e!" hoy Malala.
- "O ry Neny a! alatsinainy anie androany e! rahampitso Hery vao mankany amintsika (efa tafaverina teo amin’ny toerany i Hery amin’io). Neny koa, fa maninona ary no manelingelina olona aty amin’ny restaurant aty!"
Nanontany Hery hoe iza no miresaka amin’i Alexia? Novaliany tamin’ny baiko moana fa ny reniny. Hendratrendratra ihany Hery, fa efa ela tokoa mantsy izay Malala no tsy niantso azy. Tadidiny ny tamin’ny andro taloha, ilay antsoantso an-telefaonina miverimberina milaza loza. Fa inona indray ity? Misy zavatra mitranga indray any ho any hoy izy tany an-tsainy tany.
Nony nifarana ilay antso dia nanontany Hery:
- "Fa misy inona indray hono?"
- "Sshhhh, asa indray izay mahazo an’i Neny fa lazainy hoe miandry antsika hono izy hisakafo, nefa alatsinainy androany. Ny fandaharam-potoanantsika roa efa vita. Efa naka permission aloha ialahy ity an!" sady nitsikitsiky ery Alexia.
- "Ieee! efa tamin’ny alakamisy aho no nangataka dia navelan-dry zareo. Tena tsy afaka mihitsy aho aloha raha androany maraina e! fa hoentin’ialahy ho aiza tokoa aloha ity izaho ity e!"
- "Surprise izany"! hoy Alexia. Notakariny horohana i Hery sady tsy menatra akory izy. Izy rahateo: ny bika aman’endrika ananany avokoa, ka narahan’ny olona maso tahaka ireny mpanakanto malaza ireny, na dia efa eny an-tratran’i Hery aza.
Nanatona avy eo ny serveuse, nandray an-tsoratra ny sakafo hohanin’izy roa.
Fa i Malalatiana tany an-trano, vao maika nalahelo. Tsy sahy niteny tamin’i Alexia hoe omeo ahy i Hery fa namorona izay tao an-tsainy tao. Fantany tsara fa rahampitso vao ho tonga any aminy Hery, ka naleony mody navadika ny resaka hoe: aiza ianareo no tsy tonga sns.
Nitsangana izy, dia nijery an-janany. Efa nampitonitony azy koa ilay fanafody ka afaka nijoro ihany izy. Misy manitontsintona azy anefa ny hozany iray manontolo; ny nonony toa reny misy mangidihidy. Rehefa hitany fa matory Cynthia dia nandeha nidina tany ambany rihana izy. Gaga izy nony avy eo nahita an-dRatrema mamaky gazety teo amin'ny salon. Tonga dia namonjy ny latabatra fisakafoanana izy mody tsy nahita an'ity vadiny.
- "Ary hay ve nareo mianaka nandalo tany am-piasàna e? Naninona ary raha niandry."
- "Ka efa namoha ny biraonao mihitsy ange aho fa nihidy dia naleoko tsy nanelingelina intsony sao manahirana anao e!"
- "Hay ve ianao ilay nanodina ny poignet teo. Nivory izahay dia nidina ny birao. Fa raha fantatro ange hoe tao ianao dia nivoaka aho e! “Rien n’est plus important que ma famille” sady naka an’i Toky izy hotrotroiny ary nentiny nanatona ny latabatra nisy an’i Malala.
- "Tsy maninona re izany fa mba nandalo fotsiny aho hijery izany biraonao vaovao ao amin’io trano fitaratra be io izany e!"
- "Fivoriana aho, fivoriana, plus important aho hoe, plus important…" hoy Malala tany an-tsainy tany. Nampitony fo mafy fotsiny izy mba tsy hitroatra.
Mafy ny mahazo azy fa nafeniny an-dRatrema. Ity farany indray kosa, toa faly ery mitaiza an’i Toky sady namahana azy ihany koa. Tsy azony an-tsaina anefa fa fantatr’i Malala izay nataony tany am-piasàna niaraka tamin’i Corine.
Tsy nahatelin-kanina Malala fa toa te hilaza amin-dRatrema ny mahazo azy, nefa tsy sahy. Ny hamaly faty no nibosesika tao an-tsainy
Nanomboka indray ny lohataona, nampidi-drano-ketsa i Betsimitatatra. Niova endrika avokoa ny voahary rehetra. Efa mihitsan-dravina ny zakarandahy ary mivonona ny hamonina volomparasy indray. Nanomboka namelana ny voninkazo rehefa avy niharitra ny hatsiaka mamirifirin’ny ririnina teto andrenivohitra.Zara raha nahitana rahona madinika teny amin’ny fara-vodilanitra.
Amin'ny iray ora antoandro ny andro tamin'izay. Indro Alexia sy Hery nivoaka ny toeram-pisakafoanana iray. Nafana ny andro tamin’izay ka akanjo ambony fotsy manifinify sy zipo lava mikopakopaka manaraka ny famindrany, ary kiraro misy taditady madinika izay rafetin’izato vodi-tongotra avo mampihenjana ny ranjony sady mapisongadina ny bikany tsy manam-paharoa, no nianjaikan'i Alexia. Hatsaran-tarehy izany. Maro tamin'ireo mpiandry taxi be nahita azy ireo no tsy naharitra fa nanara-maso azy ireo mandra-pidifiny tao anaty fiara izay najanona teo amin'ny kianja MDRM teo Ambohijatovo.
Niresaka kely izy roa:
- "Aleoko izaho no mitondra fa izaho no mahalala ny misy ilay toerana nofinidiko handehanantsika" hoy Alexia tamin'ny feo miangoty.
Nitsiky kely Hery ;
- "Tsy mampaninona mihitsy kah" hoy izy feno fahatokiana an’ity malalany sady niditra tao anaty fiara izy.
- "Tsy mampaninona anao akory fa mba hivoaka kely ny renivohitra isika? efa malalaka koa izao ny lalana ka vetivety isika dia tonga any."
- "Ianao no eo amin’ny familiana ka tsy afaka hiteny intsony aho," hoy Hery.
Nitsikitsiky ery Alexia. Nanaraka iny lalambem-pirenena mizotra mankany Antsirabe iny ry zareo. Afaka telopolo minitra taty aoriana dia nivily tamin'izay toerana mahafinaritra amoron-drano sady tsara rivotra izay ry zareo. Nisy Bungalow maorimaorina tao amin'io toerana io ary dia tsy nisalasala fa nanatona ny reception avy hatrany ry zareo. Gaga Hery nony nahafantatra fa efa nanantena ny fahatongavan'izy ireo ny mpiasa tao amin'ilay hotely. Hay efa nomanin’i Alexia tamin’ny antso an-taroby mialoha ny fahatongavan’izy roa. Efitrano voaravaka voninkazo mahafinaritra sady nisy sakafo efa voaomana no niandry azy roa handaniany ny alatsinainy harivany iray manontolo. Tsy niditra avy hatrany ny efitrano anefa izy roa fa mbola nijoro kely nitazatazana teo an-davarangana, ary finaritra ery nahatsinjo ilay farihy tsy dia lavitra teo nahitàny ankizy maromaro milalao pédalo.
- "Tsara e!" hoy Alexia, sady naka seza fipetrahana azo hatoritoriana izy, dia nasainy nipetraka teo i Hery. "Mbola tsy taty mihitsy ianao e?"
-"Iee, efa fantatro fotsiny ny fisiany, fa izao aho vao nahita maso azy. Marobe ny vahiny na tompon-tany mandalo aty. Merci Alexia," hoy indray Hery sady nisarika azy hiara-mipetraka taminy teo ambonin’ilay seza izy no nitrotro ilay malalany. Nifanoroka mafy izy roa tahaka ny mifandefa hafatra mangina mampiseho ny fisaorana sy mampifamatotra mafimafy kokoa ny fifankatiavany.
Afaka kelikely...noraisin’i Alexia ny finday rehetra dia novonoiny avokoa.
-"Hery a! efa natolotro anao ny tenako ary mbola hatolotro anao ihany koa ny ho aviko iray manontolo. Tiako mihitsy ny handefa any an-damosiko any ny olana mianjady amintsika, ny disadisa hatrizay afitsoky ny ao an-trano, te hiara-dia aminao aho, hitantana ny tananao. Tiako loatra ianao ry Hery a! Tsy mahay mitia hafa aho ankoatra anao,fa ianao irery."
Niondana moramora teo an-tratran’i Hery izy, hay nanganohano ny masony.
- "Tiako dia tiako tokoa ianao Alexia, ary raha ny faniriako aza dia ny hampakatra anao na dia izao anio dia anio izao ihany aza. Kenefa tadidio fa mbola mianatra ianao, ampiako tokoa ianao amin’ny lafiny rehetra hahavitanao izany, tsy handao anao mihitsy aho na oviana na oviana fa aza matahotra. Tsy ahoantsika izay disadisa any fa ny fifankatiavantsika no asandratro ambony."
Nisotro ranom-boankazo teo aloha izy roa, dia avy eo niara-niditra tao an-trano. Nitohy ny safosafo sy orokoroka misantatra sahady ny firaisan’izy roa ho nofo iray.
.................
Efa harivariva mody masoandro vao nihevitra ny hiverina izy roa, rehefa avy nitsidika ity toerana mahafinaritra. Nandeha sambokely nitety an’i Madagasikara tao anatin’ny ora iray monja.
Nahafinaritra aok’izany iny tontolo andro hariva iny. Tsy ho hadinon’izy roa mihitsy akory iny alatsinainy hariva iny; fa hafa tokoa raha ny mpifankatia no mandalo maka rivotra any, indrindra raha mbola tsy tany mihitsy. Toa nisava tanteraka ny sorisory sy ny alahelon’i Hery rehetra navesatra taminy hatrizay. Tahaka ny hoe: adinony tany amin’ilay toerana mahafinaritra tany ny olana mianjady taminy nandritra ny taona iray sy tapany mahery, ka maivamaivana ery izy mitondra ny fiara nody, sady akaikin’olon-tiana rahateo.
Fa Malala kosa tany an-tranony mieritreritra lalina izay hataony. Tsy azony mihitsy ny ainy fa mararirary avokoa ny vatany. Tsy sahy nilaza tamin-dRatrema izay nitranga taminy izy, fa ny tetika hamaliana faty no nameno ny fony. Te hiantso dokotera nefa tsy sahy fa sao.........
Nantsoiny indray ny findain’i Hery, tsy nahazo mihitsy mandra-paharivan’ny andro.
Efa maizimaizina vao tonga tao an-drenivohitra izy roa. Nifanena tamin’izy ireo ny fitohanan’ny fifamoivozana mandalo an’Andoharanofotsy, Tanjombato, Akandimbahoaka iny; ny lalan’izy roa kosa, misosa satria ny rehetra andeha hody mivoaka ny tanàna, izy roa miverina hiditra ny renivohitra. Teny an-dalana dia nandeha ny resaka ny amin’ity Alexia tsy maintsy mody aloha any an-trano ity; indrindra moa fa tsy afaka matory any amin’i Hery mihitsy. Taorian’ilay nidiran’i Malala tany amin’ny hopitaly sy nahafatesan-dramatoa Ramihary dia niova be ny fiainan-dRatrema mianakavy. Niha-entitra izy amin’ireto zanany.
Raha ny tena tian’i Alexia dia ny hanatitra an’i Hery aloha vao mody, nefa ity andro efa miha-maizina ka tsy maintsy ny any aminy aloha no novonjena, avy eo i Hery mandray fiarakaretsaka mody.
Nampidirina ny tokontany ny fiara dia niara-niditra ny trano izy roa, faly ery sady mifampitantana aok’izany.
- "Mandrosoa aloha dia mipetrapetraha; misy zavatra tiako homena anao fa any ambony ilay izy," hoy Alexia.
-"An, aann annnnn! tena efa maizina ny andro fa tsy aleo aho aloha handeha!"
Tsy nohenoin’i Alex akory Hery fa tonga izy dia niakatra. Kanjo, iny Malala nijaikojaiko moramora avy any ambony, hay raha nahare ny fiara niditra sy nahita an’i Hery nitantana an’i Alexia teo izy dia nitsangana avy hatrany naka ity zavatra kely mifono efa nomaniny homena ity vinantony no sady olon-tiany rahateo.
Nitsikitsiky fotsiny Alexia nahita an-dreniny sady mampidoladola ny lohany. Nandrasany tsara Alexia ho tafiditra tany an’efitranony dia natolony an’i Hery ilay zavatra mifono.
- "Inona indray ity," hoy i Hery tamin’i Malala.
- "Shhhhut! sady nataon’i Malala teo amin’ny molony ny fanondrony."
« | Aprily 2006 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | ||||||
2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 |
9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 |
16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 |
23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 |
30 |