Tadiom-pitiavana

Pejy 57
2006/06/14,08:04

   - "Mandrosoa Tatie, mandrosoa dia mipetrapetraha!"
- "Ie, handroso tokoa moa izany! andray akia izany hatsaran’ny biraon-driako! tena mahafinaritra be sady manaraka ny tsara toetr’andro ankehitriny an! Tena lafatra, hita mihitsy hoe avy any Amerika!"
- "Tatie ity koa, manao ahoana aloha e ! mahazo mifampiantso amin’ny anarana ve isika e?"
- "Ie ! tsy mampaninona, rehefa eo amin’ny fianakaviana ihany no tokony hifampiantso Tatie, satria manjary manakorotan-javatra, sady isika koa ange tsy dia mifanalavitra taona e! Na dia zokin-dry lavidavitra kely aza aho, niara-nilalao ange tamin’ny mbola kely e! ahatsiarovako lehilahy iray… ha, ha, ha !!!"
- "Fa inona aloha no anton-dian’i Tahiana e? Misy vaovao matoa
tonga aty!"
tena misy mihitsy ary tsy nampoiziko aza! Hay ve indry ty ka niara-nianatra tamin’i Hery e! Aiza moa no ahafantarako izany fa dia nifankahita tampoka tao alatrano tao izahay."
- "Niara-nianatra foana aza izahay hatrany amin’ny kilasy famaranana fa nony afaka bacc dia samy nanana ny nalehany ka atao ahoana! Fa maninona no mahaliana be an’i Tahiana izany?"
- "Ka mikasika izay mihitsy ange akia no tiako nandehanana aty amin-dry aty e!
Aleo
tonga dia tsoriko akia ny resaka ry Nomena an, ary tsy miolakolaka intsony aho iny akia no hitako fa mety ho sahaza ho an-dry an!"
Nitaraina tamiko ange ny renin-dry hoe mba hitadiavo namana any hono indry fa sao dia hiafara tahaka anareo sy Manitra eo koa. Dia iny akia no hitako an, ary tena tolo-janahary mihitsy fa hay efa mifankafantatra ianareo roa! Tena mety mihitsy."
- "Fa ahoana aloha ny momba anareo e! Mbola hanao mademôzely be eny ihany ve ianareo mirahavavy sa efa misy mikasakasa?" hoy i Mihary mody nanodina ny resaka.
- "Ka izay indrindra, misy akia any an! sady mety tsara ho ahy, fa izany hoe: mbola tsy azo 100% fa andalana e! ary ny tena zavatra dia izao: rahalahin-dRain’i Hery iny ange ilay izy e! dia lasalasa akia ny saiko, raha toa ka indry no mba tiako hiaraka amin’i Hery an! Indry ange izany tsy atoro intsony fa hay efa fantatr’indriako tsara izy, he izany izy hoe mpiara-nianatra! Ka misy ohatr’izany indray ve. Sao dia efa miaraka kosa ary aloha ianareo fa izaho no lany rora mampiditra eto fotsiny."
- "Fa ahoana kosa ary no ialazan’i Tah… an’izany e!"
- "Ka maninona aty amin’ny biraon-driako ary izy, sa marary mila fitsaboana, sao dia voan’ny … SIDA," hoy i Tahiana somary niahotra.
- "An an an ! tsy misy an’izany ka, fa aleo hipetraka anatin’ny tsiambaratelon’ny asa fa manjary manahirana."
Fa marina tokoa izany, i Tah… koa ange toa mahalala an-dry zareo tsara mihitsy e ! Fa taiza marina aloha no nifankahalalanareo?"

Sadaikatra ihany i Tahiana, nitady izay havaly.
- "…Sendra nandalo tao amin’ny farmasia akia izy fa niandry raharaha izahay tamin’izay an ! Dia… tena … sshhh, tantara lava akia izany an ! fa ny andro koa moa ity efa miha-maizina, tsy aleo ve mba eny an-dalana isika no manohy ny resaka e!"

- "Fa angaha moa i Hery tsy efa vita fisehoana tany ho any e?" hoy i Mihary nanamafy.
- "Mampalahelo ahy ange izy iny fa toa tsy tia azy akory izay fofombadiny izay e ! Sady mety hahitany olana be dia be akia an ! Tadidio fa tsy hanolo-bato mafana andry mihitsy aho akory."
- "Eny e ! misaotra amin’ny tolo-kevitra fa misy hosaintsainina izany!
efa hariva marina ny andro fa tsy aleo ve ny lalana mody no asiana olona tokoa."
« Mody miala bala indray ikala Tah… fa mitady hitifitra azy ny marina, tsy azony an-tsaina mihitsy ny fahafantarako ny zava-mitranga », hoy i Mihary tany an-tsainy tany, « ity izy mitady hiditra amin’ny fianakavian-dry Hery koa no loza, tsy ho lasa amboadia mitafy hodi-janak’ondry ve? Mila mitandrina ianao ry Hery fa sarotra foana ny lalanao, jereo ity nataony tamin’ny voalohany teo, tahaka ny olona mpifankatia ireny izy roa, ny fanalan’i Hery ny tanany vao nisokatra ny varavarana marina,! mbola amin’ny fotoana manaraka no hamatsimpatsihako an'ity Tahiana ity, dia tena tsy niova mihitsy fa mandangolango eny foana, tsy mahay mifikitra amin’izay hananana fa mitady etsy, mitady eroa. Nahita ianao ry hery, nahita iny vehivavy iny fa mitandrema !»

Nanidy ny biraony i Mihary dia niara-nivoaka ilay trano lehibe izy mirahavavy mianaka.
Teny an-dalana dia tsy naharitra intsony i Tahiana fa nilaza hoe
- "Izao akia ry Mihary an ! Manana olana ara-pitiavana goavana be mihitsy i Hery, ary matoa aho nanatona an-dry dia fantaro fa mety hitondra vahaolana aminy mihitsy ny fisian-dry. Ary ianareo moa mifankafantatra dia vao mainka tsara. Asa, mety efa mahalala izay tantara marina in-dry fa raha tena mila fanazavàna lalindalina kokoa dia mankanesa any an-tranoko e! Mila vahana maika mantsy izy olany izay. Izay fa eto isika mianaka no misaraka, veloma Nomena an!"

Nandefa eritreritra lalina i Mihary ambara pahatongany tany aminy, sarotra ary anisan’ny sarotra raha izao olana mitranga amin’i Hery izao, mifamatopatotra be daholo ny trangan-javatra rehetra, ny fanapahan-kevitra mety azo raisina toa mety handamoka indraindray. 

Fa tany an-dafin-dranomasina kosa tamin’io fotoana io :

- "Malala an ! Malala an ! naninona ianao izany e? hoy i Mahefa nihazakazaka nidina ny tohatra. Nikoropaka izy nahita an'i Malala nitsirara teo amin'ny gorodona. Nareniny moramora aloha ity vehivavy sady nahankiny tamin’ny tratrany. Tsy nahatsiaro tena tanteraka i Malala. I Alexia koa anefa any ambony rihana mbola tahaka izany koa.  Fa inona loatra ary ity miseho ity hoy Mahefa nanontany tena.
  - "Malala an ! fa naninona tampoka teo ianao e!" Sady nokosikosehiny aloha ny tanany, dia nobatainy avy eo haka toerana teo ambony seza lava.
- "Inona indray ary ity mitranga ity!" Noraisin’i Mahefa ny findainy, nantsoiny aloha i Tojo…
- "Tojo an ! tongava aty an-tranoko izao dia izao aloha ise fa tena mila fanampiana maika dia maika aho."
- "Fa misy inona Profesora ? … tsy azoko…"
- "Haingàna ise fa mila an’ise maika dia maika mihitsy aho izao e!"
- "Eny e ! ho avy aho" hoy i Tojo namaly tsy sazoko tamin'ity fiangaviana toa miharo baiko ny hahatongavany.

Nandinika kely aloha i Mahefa amin’ity mahazo azy mianaka, mbola teny an-tratrany ny fitsapàna marary dia nohenoiny tsara ny fitempon’ny fon’i Malala, mbola tsy misy atahorana aloha, soa fa efa vitany ny nampatory ny zazakely fa raha tsy izany…
" Fanina tampoka izy izany, asa izay nahazo azy tampoka teo, ilay niaka-nidina tamin’ny tohatra angamba, nefa… Tsy dia tena misy atahorana kokoa ny reniny noho ny zanany, ny vokatr’ilay fianjerany teo no tsy fantatra. I Alexia nefa tsy maintsy jerena koa. "

Niakatra vetivety izy rehefa avy nandrakotra lamba an’i Malala,
Indro i Alexia mbola tsy mahatsiaro izay ambonin’ny tany, natsofony tamin’ny sandriny ny fitsapàna tosi-drà dia nojereny, ambanimbany ihany fa mbola azo itokisana tsara.

Very hevitra teo i Mahefa, ny amin’ny tokony hataony,
"Ho entina any amin’ny Hopitaly ve izy mianaka, dia ahoana ny ankizy kely. I Malala koa mbola mitaiza, dia ahoana ?  
Aleo aho hiantso ilay mpitsabo namako hoy izy aneritreritra d ho hita eo izay hatao. I Ratrema kosa aloha dia tsy azo antsoina mihitsy amin'izao e. Asa izay hahazo azy. Izaho anefa efa nampanantena ny hilaza vaovao aminy.
Olana goavana koa ity, hitako ny namana aman-tsakaiza mpiray tanindrazana no somary mihisatrisatra rehefa mandray ny havany mandritra ny fotoana maharitraritra. Hay moa ny mba tsy hisian’ny toy izao.  Atao ahoana moa fa zanaky ny tena ve holavina, zara aza mba natolotr’Andriamanitra ahy ity zanako ity. "

Nantsoiny ilay mpitsabo vazaha namany sady nazavainy izay mitranga.
Nidina izy avy eo, nijery an’i Malala indray, vao noraisiny ny tanany dia nanomboka nihetsiketsika kely ny hodimason'i Malala ary nisokatra moramora nony avy  !
- "Hery!" hoy ny tenin’i Malala voalohany. Dia tsy nahateny intsony izy fa i Mahefa fotsiny no nobanjininy tsara.
- "Malala an ! Aleo aloha tsapaiko ny tosi-dranao, soa fa taitra ihany ianao !
-Fa aiza i Hery? i Hery, aiza izy izay?
- "Malala an! aza mbola mandefa saina lavitra aloha fa manjary hamizana anao fotsiny an! Izay!"

injay fa nisy nandondona tao am-baravarana.
-« Entrez ! » hoy i Mahefa, « c’est ouvert ! »
Dia iny i Tojo, niditra ny trano, toa kaodikaody, nangarangarana aloha, nijery, taitra tampoka nahitan’i Malala matory eo ambony seza lava nefa tsapain’i Profesora ny tosi-drany.
- "Fa nisy inona Profesora?" sady nanatona ny tovolahy no niarahaba.
- "Aza mbola be fanontaniana aloha ise fa aleo i Malala entina miakatra any ambony, mbola tena vizana be izy ka tsy hay raha hahazaka tena."
- "Mila bataina izany?"
- "Aleo aloha andrasana kely hahazo aina tsara izy dia entina miakatra rehefa avy eo! Sady ho avy koa ilay dokotera namako dia aleo any izy no zahana. Mbola amin’izay no ahafantarana raha tokony hitondra azy mainaka any amin’ny hopitaly isika!"
- "Fa izy mianaka iza moa ry Profesora, ilay zananany menavava ve? "
- "Aza taitaitra aloha ise e!" hoy i Mahefa nahita an’i Tojo toa hendratrendratra be ihany, " i Malala sy Alexia no tiako holazaina, nefa mety hanahirana be satria izy mianadahy kely mbola taizaina."

- "Malala an ! entinay sy Tojo hiakatra ianao an! miandry kelikely fotsiny."
- "Io ry ise an! tsy
tonga dia zakan’ise hotrotroina ve izy amin’izao!"

Nobatain’i Tojo i Malala,
tonga dia nataony teo an-tratrany, avy hatrany dia nentiny niakatra sady nanaraka an’i Mahefa tao aoriana koa izy. Nitombo ihany ny fahatairany mahita an’i Alexia hatsatra dia hatsatra toa tsy mahatsiaro tena eo ambony fandriana.
- " Aleko mhitsy ry ise izy mianaka no hiray fandriana eto aloha alohan’ny hahatongavan’ilay dokotera an!"

Nipetraka teo akaikin’i Alexia indray i Mahefa sady namoaka fanafody tany am-paosiny tany. Rehefa nampandriana tsara kosa i Malala dia norakofana lamba hahazo hafanana. I Tojo no nampandry azy, ilay fandriana rahateo moa be velarana fa afaka natorian’izy mianaka tsara ;
Vao nitohoka teo amin’ny oron’i Alexia ilay fanafody mani-pofona dia nanaomboka nitsirempirempy ny masony, somary nisokatra kely sady nihamafifamy ny fisefony.
- "Papa! papa an!"
- "Efa eto aho izany zanako izany! aza mbola miteny betsaka aloha an!" hoy i Mahefa nampitony an’i Alexia, sady nanarina azy hiankina eo an-tratrany.
- "Mbola ato ve aho, sa mbola nofiko ihany izao!"
- "Tsia anaka, natory lalina ianao teo fa efa mifoha tsara izao!"
- "Tojo an ! hoy i Mahefa, andana ange ry ise, mba raofy ilay vazy vaky ao ambany io fa sao dia handratra olona e!"
- " Eny tompoko," hoy i Tojo tsy nisalasala, tsy tian’i Mahefa ho fantany koa izay tena mitranga fa naleony naniraka azy hiala teo. I Malala toa tsy nanana aina na dia ny hitenenana aza fa dia nipitrapitra fotsiny.
- "Tena marina ve fa ianao no ray niteraka ahy?"
- "Alexia an! aza mbola mieritreritra izany aloha fa mbola vizana be ianao!"
- "Tena nanofy aho sady faly nahare ilay izy! nofiko fa i Papa hono no nilaza tamiko hoe ity ny ray niteraka anao anaka! Avy aminy no nipoiranao fa izaho nirahin’Andriamanitra nitaiza anao fotsiny! dia nampian’i Papa hoe Dada no iantsoanao azy manomboka izao! dia hafaliana moa ny ahy, sady notoloran’ilay raiko ranomanitra aho, dia tsy fantatro intsony fa … Dada an ! menatra be anao aho, tena menatra mihitsy, raha fantatro mialoha izany dia tsy nanao ny tahaka ireny aho!"
- "Aza malahelo amin’izany ny fonao anaka, izaho eto mikarakara anao!
Tsy misy maninona an! Tsy misy maharary ny an-doha na zavatra hafa ! Ary sao dia mahatsiaro maharary ny faritra nodidiana."
- "Mahatsiaro reraka fotsiny aho, somary taitra ihany fa efa tsy dia maninona izao."

- "Izay fa
tonga ilay dokotera namako," hoy i Mahefa.
Nampatoriany teo ambony ondana aloha ity zanany, dia nitsangana izy niteny tamin’i Tojo hamoha ny varavarana sy hampiakatra ilay dokotera.
Vao tafiditra ny efitra dia nifampiresaka izy roalahy. Nazavain’i Mahefa izay nitranga, ary nanontany izy raha tokony entina hiverina any amin’ny hopitaly izy mianaka.
Nataony avokoa aloha ny fitsapana rehetra, indrindra teo amin’ny faritra nodidiana tamin’i Alexia, dia afaka kelikely izy niteny hoe:

- "Tu vois mon cher confrère, elles ont reçu un choc, mais vu que : elles se sont reveillées aussitôt, et toi aussi qui est toubib dans la maison, je n’y vois pas l’inconvenient de rester ici ! en tout cas, il sera bientôt Noël, on aime tous être chez soi n’est-ce pas les filles ? hoy ilay dokotera somary nananihany.

Nitsikitsiky fotsiny i Alexia, i Malala kosa tsy nahateny na dia indraim-bava aza.
- "tu vois Mahefa ce que tu vas faire ?… en tout cas, je vous rassure que tout ira bien les filles, et soyez sans crainte, ce n’était qu’un petit malaise, alors, joyeux Noël à tous et à toutes. "

Lasa nidina ilay dokotera, sady naterin’i Mahefa tao am-baravarana.

Vao tafaverina nefa izy dia indro i Malala niverina nitomany :
- "Mahefa sy Alexia an ! malahelo loatra ny any
Antananarivo aho, te-hody mafy mihitsy. Te-hody any an-tranoko aho e ! Mahatsiaro irery loatra aho aty !
Sady nitohy hatrany ny fidradradradrany. Raha ny tiany aloha dia ny hiantsoantso hoe Hery an ! aiza ianao e !

Voatery nampangiana an’i Malala indray i Mahefa, vao nahare izany koa i Tojo dia niakatra nefa toa tsy nahoan’i Malala akory. Voatery nobataina tany an’efitrano hafa, lavitry ny ankizy kely ary soa ihany fa mbola matory tsara.

Dia tao i Tojo nanao izay faraheriny hampitony ity malalany.

Tadiom-pitiavana ([email protected])

Pejy 56
2006/06/13,08:39

  - "Mipetrapetraha ianao ry Hery…"
Naka ny sezany koa i Mihary dia nandray taratasy fotsy. I Hery koa variana mijery ny manodidina azy aloha. Efitra fizahana marary fa dia milamina aok’izany.

- "Dia nanao ahoana ry Hery an ! Inona avy ary ny vaovaonao?"
- "Inona moa no tokony hambarako aminao fa ny tena zava-dehibe dia nanoratra mailaka tamiko i Alexia."
- "Hay," hoy i Mihary somary gaga.
- "Tena hafaliana moa ny ahy, sady daty vao afakomaly mihitsy. Tena faly aho ry Mihary an! raha tsy izany aho ve raha vao nalalaka androany dia nankaty aminao?"
- "Eny ary e! izay resaka izay no iaingantsika" sady nanoratsoratra tao anatin’ilay taratasy ihany i Mihary.
- "Tamin’ny oviana no nandraisanao ilay hafatra, dia nanao ahoana ary ny fandraisanao ilay izy?"
- "Omaly hariva, ary tena nanaitra ny foko tokoa ny tononkalo nalefany, eny e! tononkalon’i Rado ilay izy fa na izany aza! raha fantatrao moa ny hafaliako. Fa niteny moa izy fa hijanona any hanohy fianarana dia vao mainka hanosika ahy hitady azy."
- "Efa niverina nifampiresaka izany ianareo?"
- "… tsy haiko, efa nomeko ny laharan’ny findaiko izy fa mbola miandry foana ny antsony aho hatramin’izao!"
- "Dia ahoana ny fandraisanao izay izy tsy miantso anao izay, sy ilay hoe izy  hijanona any?"
- "Tsy kivy aho ka, tsy kivy mihitsy, fa ny saiko aloha dia alefako any aminy foana e! Roa volana latsaka aza izay no tsy nifandraisanay mivantana mihitsy nefa dia  nanantena azy aho, koa izy efa fantatro fa salama izao indray ve vao ho ketraka aho?"
- "Mieritreritra azy foana izany ianao, nanofy azy ve nefa?"
- "Marina izany, omaly efa madiva haraina no nanofy azy aho…"
dia notantarain’i Hery ilay nofiny tao an-jaridaina mahafinaritra iny.
- "Fa ity hoy aho no tsy azoko mihitsy ry Mihary an! Maninona ny manodidina ahy no mandrara ahy tsy hifankahita amin’i Alexia?"
- "Fa ny manodidina anao iza moa no tianao hotenenina?"
- "Tsy haiko, tahaka an’i Tahiana ohatra, izy nikarakara ny pasipaoroko ho any an-dafy, izy anefa omaly dia toa nandrara ahy an-kolaka indray ny tsy handehanako!"
- "Ny antony ve? Asa, ny fiantraikany any aoriana no mety mahatonga azy hanao izany. Efa nolazaiko moa ianao fa ny antony nahatonga ahy nanadihady ny momba anao hatramin’izao dia satria miavaka amin’ny maro loatra ny fiainanao sy izay mitranga ankehitriny, Fa raha amin’ny fo sy ny saina tsy miangatra ve ry Hery, raha olon-kafa moa no nanaovanao ireny tany Mahajanga ireny tsy efa nifanome tsiny sy tody aza isika? Fa satria misy tanjona tiako hahatongavana ao, dia mba hanamarinako ilay fehin-kevitra nambarako taminao tany Mahajanga ireny, dia ekeko na dia sarotra aza. Sarotra ny hitahiry izay mavesatra aty am-poko, sy hitazona ny tsiambarateloko noho ny fahadisoam-panantenana nahazo ahy. Eny fa na dia tokony hanana namana aza aho hilazako izany dia tsy maintsy mangina fotsiny, tsy afaka ny haneho izany na amin’iza na iza."

- "Fa izany eo ihany ry Hery fa hiverina amin’ilay fanontanianao teo aho
Maninona hoy ianao no mandrara anao ny manodidina anao. Eny e ! na izaho koa aza mety ao anatin’izany, fa safidy anao manokana io, manome hevitra fotsiny aho, ianao no tompon'ny teny farany."

- "Alaivo sary an-tsaina tsara ity teneniko ity. Eritrereto ho tahaka ny afo ny fitiavanao, manana be dia be mihitsy ianao, tena miredareda be ary lasa manome hafanana ny manodidina anao aza. Ary io fitiavana io dia miredareda tsy hay afenina intsony, hany ka na ireo manodidina anao aza dia tamàna satria ilay hafanàna dia ahafahany mamindro koa eo akaikinao..
Tadidio anefa fa ao anatin’io afonao io dia manana anjara be dia be mampirehitra azy i Alexia. Ka raha toa tokoa moa, i Alexia mihitsy no mamono ny afonao, dia inona no hitranga ? tsy ho faty avokoa izay natsanganao rehetra. Ary na iza na iza mikasa ny hamelona izany afo izany indray, dia ho sarotra satria famoizam-po lalina no hanjo anao. Sarin-teny ihany izay tantara kely izay ry Hery, fa mba tena nodinihinao tsara ve ny ho avinao, « raha miaraka amin’i alexia ianao dia inona avy no mety hitranga, ny zanakao kely roa, marina fa efa manana izay ray sy reny mpitaiza azy izy, nefa mbola eo anivonareo, saintsaino lalina e! Ary ity no farany … " Nisarika ilay vata marobokotra tao ambany latabatry ny biraony tao izy dia nitendritendry litera maromaro, afaka fotoana vitsy dia nasehony an’i Hery ny fahitalavitry ny solosaina teo anoloany:
- "Hitanao ity?"
- "Inona?," hoy i Hery.
- "Jereo fa mino mihitsy aho fa ianao izao no nanao an'ity.

Io fa nivelatra teo ambany mason’i Hery ilay takelaka nametrahany hafatra tao amin’ny www.wanadoo.mg. Hankina izy, tsy nahateny, tsy nahajery akory an’i Mihary fa dia nitanondrika moramora. Vao mainka aza nampitombo ny havesatry ny lanja mibaby aminy ilay seho nataon’i Mihary. Menatra ihany ny anao lahy manoloana ity namany manadihady azy, « kelymaditra », kely maditra tokoa no hany azo hamaritana ny anarany.

- "Tsy hitanao, …izaho aza, tsy niaina io tantaranao io akory tonga dia mahafantatra fa ianao no nanao io! mba fantatrao moa ny fiantraikan’io tantaranao io raha fantatr’i Malala, na Ratrema, ary indrindra moa raha i Alexia?
- "Tena satriko ry Mihary ny hiteny hoe tsy izaho no nanao io, kanefa porofo mivaingana mitohaka amin’ny tendako izao, raha fantatrao mantsy ny fahaverezan-tsaina nahazo ahy tamin’izany."
- "Fantatro e ! fantatro mihitsy ny nanjo anao. Fa ny hafatro dia tandremo tsy ianao indray no hametraka fandrika hamitaka ny tenanao."
- "Ary i Tahiana, « c’est elle n’est-ce pas» ? izy no ilay naman’ny rafozam-bavianao e?" hoy ihany i Mihary namatrapatratra.

Tsy nahaovoka niteny intsony i Hery fa ny masony aza no nanomboka nanganohano. Nitanondrika tahaka ny akoho voakapoka.
I Mihary etsy manomboka lotika ny fony ka ny hamantsipantsika ity namany no hanaparany ny alahelony.
- "Efa azoko an-tsaina mihitsy izay, fa mbola nisalasala aho hatrany Mahajanga satria tsy nambaranao tsara moa, vao nahita anareo teo aho dia nazava tamiko, vao mainka moa izy niteny fa nandrara anao ny tsy handeha dia azoko tsara ny toky fa dia izy tokoa no nanaovanao izao hadalana izao. Tena miala tsiny aminao aho ry Hery, fa namana aho, ary tsy misalasala mandefa ny teny tokony hambarako aminao. Mafy dia mafy ny teniko fa anjaranao ny manadihady tsara izay tokony hataonao."
- "Ka inona ary no tokony hataoko e!," hoy i Hery somary latsa-dranomaso. "Raha tena tsapanao marina mantsy ny halalin’ny fitiavako an’i Alexia."
Isaky ny manonona ny anaran’i Alexia i Hery, dia vao mainka mapirehitra ny hatezeran’i Mihary ka te hamatrapatratra indray ity namany.

- "Ny tokony hataonao? Manana safidy ianao, na handeha na hijanona;
raha hijanona ianao, dia tsy hahita an’i Alexia intsony, izy rahateo moa efa niteny fa hijanona any hanohy fianarana, handeha ianao, dia tsy anao intsony ny tohiny fa an’i Alexia no mandahatra izay tiany. Efa nisafidy izy ny hanohy fianarana dia ho vitanao ve ny hanodina ny sainy amin’ny fanapahan-kevitra nataony?
- "Mihary an ! aoka izay fa mila tsy ho tantiko intsony e!"

- "hay mahatsapa maharary ohatr’izany ihany, manao ny hafa tsy mihevitra izay vokany, tsy amelako kosa aloha fa dia aleo hisaina tsara fa manahirana, enga anie ka hilentika tsara any an-tsainy any izany ary mba hahahendry azy fa tady hiborioka mihitsy ity Hery ity " hoy i Mihary tany aneritreriny tany.

- "Eny ary," hoy i Mihary, "Ampy angamba izay, mino aho fa hainao tsara ny mitandrina ny tenanao, indrindra moa fa misaodisaody eny akaikinao izany i Tatie Tahiana. Fantatro tsara ange izy e! Ary tadidio fa izaho mahafantatra azy talohanao…" sady nitsangana i Mihary nanatona ny varavarana, dia iny koa i Hery nitsangana nanao veloma azy, tahaka ireny akoho voan’ny barika ireny ny tovolahy nivoaka ny biraon'ity namany.
- "Izay ry Hery, tsy maintsy nanao teny mahery tahaka ireny aho fa anjaranao ny manakotsako izay teniko rehetra izay."
- "Veloma ary," hoy ihany izy.
- "Azafady ry Mihary fa i Tahiana ange tsy mahalala mihitsy ny nataontsika tany Mahajanga ka tsy haiko izay hoteneninao azy. "
- "hitantsika eo izany e! inoako fa mahatoky ahy ianao."
sady natolony an’i Hery ny tanany.
- "Veloma ianao Dr Mihary!"
- "Veloma ary."

Dia nifanao veloma tamin’i Tahiana i Hery, ary rehefa lasa ny lehilahy dia…

- "Tatie Tahiana an! afaka miandry kely vetivety ve aloha ianao fa mbola misy zavatra halamiko kely." Nakaton’i Mihary ny varavarana, dia namonjy ny efitra fisasana izy fa latsa-dranomaso nahita an’i Tahiana sy Hery, ary toa sary nibahana tao an-tsainy ny hadalàna nataon’ireo hatramin’izay.
Nifokofoko irery tao izy, ary raha tsy elaela tsy niverina. Rehefa tony tsara izy vao niverina namoha indray ny varavaran'ny biraony sady nampandroso ity nenitoany.

Tadiom-pitiavana ([email protected])

 

Pejy 55
2006/06/11,23:14

  Vao vita ny asan'i Mahefa dia ny hamonjy ny tranony no nahamay azy indrindra. Naleony aloha tsy nifampiantso an-telefaona intsony ambara-pahatongany any aminy.   Ahoana ary hoy izy niasa sainy mafy no ahafantaran’i Alexia an' izany, izahay sy Malala anefa nifanaraka tsara fa mbola tsy amin’izao fotoana izao no hilazana izany aminy, sa i Ratrema ve no tsy mahazo resaka?
Raha fantatr’i Alexia ve izany tsy izaho aloha no nantsoiny voalohany, marina fa mety hampikorontana ny sainy ny tampoka ny fahafantarany fa izaho no tena rainy, nefa dia ho sahin’i Malala ve ny hanao izany?
Atao ahoana, mila raharaha mihitsy letsy ialahy ity ry Mahefa! Hoy ihany izy nanohy anakampo.

Misy zavatra marobe mbola tsy mazava amiko hatramin’izao ny tantaran’ity fianakaviana ity? Fa inona marina no tena olana?
Tamin’izaho tany Antananarivo mantsy, ilay nifankahita voalohany tamin’i Malala, dia ahoana ary no tonga dia nahasahiany tonga dia niray tamiko nefa izy aza tsy mahafantatra ahy akory. Izy anefa olona manambady izao. Mety tena nisy olana mihitsy izany teo amin’ny fiainan-tokantranony. Tsy mifanaraka ve izy sy Ratrema? Fifanandrifian-javatra koa tsy nisy tahaka iny. Marina mafy.

Na hanontany fahazato sy arivo aza aho ny amin’izay fiainan’izy rehetra, dia tsy maintsy hisy foana ny marina tsy fambara, nefa tokony ho fantatro.
Dia ahoana koa ilay silipo tavela tao an-dakoziako indray mandeha iry? inona koa no nitranga tamin’iny. Asa mihitsy, fa olona tahaka ny inona marina ity Malala ity e! Ny toetrany aloha dia mifanipaka amin’i Vololona, ny vatana sy ny endrika no maro ifandraisana, fa ny fomba fisainany, na ny toetrany dia tena mifangarika be mihitsy ary izay no mahatonga ahy tsy hihevitra ny hiray aminy intsony. Izy aloha dia ahatsiarovako an’i Vololona mihitsy e. Ampy ho ahy koa anefa i Alexia.

Misy zavatra tsy mazava amiko mihitsy e. Ohatran'ny hoe noterena an-kolaka izany i Malala handeha aty hanampy sy hikarakara an’i Alexia. Marina fa zanany saingy tsy naterany, fa na dia izany aza anefa, izy no efa solon-dreniny. An an ! tena tsy hiditra amin’i Malala intsony aho kah. Izy raha teo koa moa vadin’olona! sshhh aleo ho any fa manahirana. Hoy ihany i Mahefa miresaka amin'ny tenany  sady ny niha nanakaiky ny tranony rahateo koa ny diany.

Vao tafiditra ny tokontany i Mehefa dia najanony teo ivelany ny fiarany. Vao teo an-dalantsara izy dia tsinjony i Malala sady mitrotro an'i Cynthia no  misonanina tsara ery eo ambony seza lava mijery fahitalavitra.

- "Ahoana Malala, nanao ahoana ianareo rehetra tato izay?"
- "Tsara daholo ka, fa ahoana ? tsy nisy naninona mihitsy izahay."

Gagagaga i Mahefa, fa misy inona ary ato an-trano? Hoy izy sady somary niherikerika nijery ny manodidina azy izy. Te-hitantara mafy amin’i Malala izy ny amin’izay resaka nataony tamin-dRatrema fa toa niahotra kely aloha.

- "Ary i Alexia izay moa aiza izao?"
- "Ao amin’ny efitranony ao izy ka, mety matory angamba, fa efa elaela izy izay tsy nidina."
- "Fa misy inona?"

Tsy niteny aloha i Mahefa, nifampijery fotsiny izy sy Malala.

- "Aleo aho aloha ho any aminy e!"

Dia gaga i Mahefa fa toa tsy nahoan’i Malala akory ny resany, tahaka ny tsy mahalala zavatra mihitsy ny anao vavy. Fa misy inona ary? Hoy izy vao maika sahiran-tsaina sady namonjy niakatra ny tohatra nankany ambony rihana.
Nodondominy mora aloha ny varavarana, tsy nisy namaly, dia nosokafany fa tsy nihidy. Io Alexia matory eo ambony fandriana. Nanatona izy hijery raha matory marina tokoa. Hay, indro ity "zanany" mipitrapitra fotsiny tsy miteny tsy mivolana fa toa lasa saina lalina. Ny masony bongon’ny ranomaso sady mifariparitra mena. Somary nitodika niakatra izy raha nahita an’i Mahefa, dia niarina nefa nanondrika ny lohany teo ambony lohaliny indray.

- "Alexia," hoy i Mahefa, "maninona ianao anaka?"

Tsy namaly aloha i Alexia fa toa nisento lalina vao nanokatra ny vavany.

- "Mavesatra amiko loatra, mila tsy ho zakako intsony ny fiainako," hoy izy tamin’ny feo vizana dia vizan’ny toloko.
- "Alexia an ! izaho eto afaka hanampy anao hanamaivana izany. Mba tantarao amiko izay manahirana anao e!" Sady namonjy nipetraka teo ambony fandriana koa i Mahefa namihina ity zanany teo amin’ny sorony roa.
-Raha mba teto mantsy Papa dia nitony kokoa ny foko, izy hatrany no manana teny hentitra hamahana izao olako izao. Raha mba nihaino azy aho hatramin’ny voalohany dia mety tsy nandalo izao lanja mampianjera ahy izao. Tena izao fao tena tsapàko ny dikan’ilay teny hoe  « ny ana-dRay aman-Dreny toy ny tsipak’ombalahy, ka raha mahavoa mahafaty, raha tsy mahavoa mahafanina».
Mahefa an! hoy i Alexia, iza no olona afaka hanampy ahy? sady nibanjna vetivety ny mason’ity "rainy" izay tsy fantany akory izy.
- "Aza manao izany ianao ry Alexia an! nifampiantso teo izahay sy Ingahy Ratrema ny amin’ny olanao, izay no antony nahatongavako aloha. Tantarao e! Inona avy izany marina fantatrao rehetra izany, naniraka ahy mantsy ny rainao fa tsy mitombin-tsaina mihitsy izy any Antananarivo, tonga dia izaho no nametrahany ny hafatra hiresaka mivantana aminao!
- "Nitady ny marina aho, dia nahita tokoa, kanjo ilay marina fantatro toa tsy ho zakako akory ny mibaby azy, nefa tsy azoko alana ato an-damosiko intsony. Nahoana re no mianjady amiko izao rehetra izao e!"
- "Alexia an ! avia horohako izany zanako izany," sady nalefany teo amin’ny takolany ny molony!

Izay, oroka vetivety izay dia tsapan’i Alexia nandalo teo amin’ny takolany toa nanambara fitiavana taminy. Hafanana vetivety, toa nampitraka azy koa.
Nifampijery maharitra izy mianaka. Tsy nifampiteny fa toa nifampita hafatra, nefa hay hafatra tsy nifankahazo.
I Mahefa nihevitra fa efa fantatr’ity zanany fa izy no rainy, I Alexia kosa indray toa nihevitra fa ilay fitiavana nitsiry ao aminy hoan'i Mahefa iny nohamafisin'ny oroka teo amin'ny takolany teo iny. Nampanantonin’i Alexia mora tamin’ny molotr’i Mahefa ny azy, nakimpiny ny masony sady nalefany tsimoramora ihany.
Niala tampoka nefa i Mahefa, tsy sahy niteny, nivarahontsana amin’ity nitranga. Vao nisokatra ny mason’i Alexia tsy nahazo izay notadiaviny, dia nifampijery indray izy mianaka.
- "Mahefa an! fa maninona e? sady notazominy ny ny takolak’ity lehilahy hanorohany indray ny molony.
-An, an! Aoka ry alexia, tsy sahiko ny hanao izao, tsy mety amintsika.
Somary kivy ny anao vavy, ny tanany efa mamihina tsara ny saokan’i Mahefa, somary natosiny hitsilany ity «rainy» sady noteneniny hoe:
- "Ianao ihany no fantatro fa afaka hanaisotra izao vesatra mila hampitolefika ahy izao; Fantatrao tsara fa mitoky fitiavana aminao aho ary ny fanomezanao ny fitiavanao ho ahy fotsiny dia ampy hanala ny adin-tsaiko. Mahefa an ! aza asiana sakana ny fiarahantsika." Sady niezaka mafy ny hanoroka an’i Mahefa ihany i Alexia. Niezaka mafy haingana araka izay azony hatao hanala an’i Alexia teo amboniny anefa i Mahefa. Nitontona tery ambony fandriana ity zanany vavy. Tsy hitan’i Mahefa zay natao. Niarina izy, toa tsy tantiny indray ny nahita an’i Alexia manomboka nifokofoko mafy mila hitomany.
- "Alexia an! tsy fantatrao tokoa ny marina!
- " An, an ry Mahefa an! ny marina dia izao, menatra ny amiko ianao nefa tianao tokoa aho fa afeninao. Tsy sahinao aseho na amin’iza na iza, eny na dia aminao ihany aza!"
- " An, an, tena diso hevitra ianao ry Alexia an ! tsy afaka hanao izany aho" sady nigogogogo nitomany koa i Mahefa. Nandalo tao an-tsainy ny mafy niainan’izy sy Vololona tamin’ny fisarahana tampoka efa ho roapolo taona lasa izay.
- "Tsy afaka manao izany aho satria ny marina tokony ho fantatrao dia izao " IZAHO NO RAY NITERAKA ANAO,"  hoy ihany Mahefa sady nidradradradra nitomany izy.
 
- " RAY NITERAKA AHY, RAY niteraka ahy, izany ve ??? ray niteraka ahy……………"

Nihodina tamin’i Alexia ny tany aman-danitra ; toa nivalombalona teo anoloany izay sary rehetra mba hitany, tsy tantiny intsony fa nidaboka teo ambony fandriana indray izy dia tsy nahatsiaro tena intsony.

Tamin’izay, nisokatra ny varavarana, iny i Malala niditra sady nahare izay notenenin’i Mahefa farany. Taitra izy nahita an’i Alexia fanina sy nidaraboka teo ambony fandriana. I Mahefa latsa-dranomaso toa tsy nahita hatao amin’ity zanany.
Very hevitra i Malala. Efa fantany fa na ho ela na ho aingana dia hiboraka ny marina, nefa ny fiantraikany no tsy nampoiziny mihitsy.

- "Mahefa an! aza variana mitoloko eo ity ianao e! safotra ange i Alexia e! Jereo ity izy! " Sady nokosokosehiny ihany ny tanan’i Alexia rehefa avy nareniny teo ambony fandriana.
- "Mety tsara izao ataonao izao, tsy maintsy maka rivotra madio tsara izy aloha. Aleo voahaina ny varavaran-kely. Nefa tsy mety, ririnina mamirifiry izao, tsy azo atao mihitsy. Tohizo ihany aloha izao ataonao izao fa haka fitsofan-drivotra any ambany aho mba hampivoivoy tsara ny ato anaty efitra."
Vetivety dia niverina izy, natsatony haingana tamin'ny herin'aratra dia nalefany. Novelombelomina teo i Alexia. Nakàna ranomanitra notohofana teo amin’ny orony. I Malala koa moa tamin’io taitra tampoka tamin’ilay nitranga teo, ka toa fanimpanina izany. Mbola naharin-tena tsara ihany aza anefa izy na dia izany aza. Rehefa hitany fa eo am-pelatanan’i Mahefa tsara ity zanany dia lasa naka toerana aloha izy. Izy eo ampipetrahana eo no tsinjony ny fidainy. Tonga dia ny hiantso an-dRatrema avy hatrany no nandalo tao an-tsainy voalohany.

Izy ndeha hanindry ny larahan'ingahy Ratrema iny anefa no tsaroany fa hay moa  any ambany rihana ny poketrany misy ny laharana tiany antsoana. Nitsangana izy nidina tany ambany haka azy. Asa anefa na dia nanao ahoana fa ny  laharan’ny fidain'i Hery no sendra azy. Tapa-pevitra tampoka teo izy fa hiantso an’i Hery, dia notsindriany ilay laharana ary dia nantsoiny.
Tafiditra ny antsony saingy indrisy fa « Ce numéro n’est plus en service,  Efa tsy miasa intsony tompoko io laharana io.» no feo henony tao sady niverimberina foana toa nandreraka ny sofiny. Tsy hitan’i Malala izay natao, toa manampy trotraka azy koa ilay hafatra vao henony teo. Naninona i Hery hoy izy nanomboka niasa saina mafy. Nidina tampoka ny tosi-drany, nihafanina izy ary tsy ela taorian'izay dia nidaraboka tamin’ny tany ka nanjera ilay vazy tsara tarehy tsy lavitra azy teo. Taitra i Mahefa tany ambony rihana naheno ilay dobodoboka tany ambany rihana. Nihazakazaka izy nivoaka ny efitra nisy an'i Alexia sady namonjy nidina. Fa dia inona loatra ary ity miseho androany ity hoy izy aneritreritra sady niezaka nanarina an'i Malala.

Tadiom-pitiavana ([email protected])

Pejy 54
2006/06/09,01:51

 Tsy nisy nifampiteny aloha i Hery sy Tahiana ! Nifampijery tsara. Farany tsy naharitra ny tovolahy fa nametraka fanontaniana:
- "Fa inonao i Dr. Mihary ry Tahiana?"
….
- "Dr Mihary, hay izay no fiantsoanao azy, ao amin’ny fianakaviana dia i Nomena no iantsoanay azy. Zana-drahavaviko izy. Tsy tena rahavaviko fa zanak’olona mirahavavy kambana izahay. Hay ve mpiara-mianatra ianareo taloha e!
Tena tsara kosa izany, tena tsara mihitsy…"
- "Ary tsy fantatro mihitsy izany, nefa izahay sy Mihary aza efa niara-nianatra ela fa tsy tandritandriko mihitsy ianao hatramin’izay."
- "Ka izay ilay tany boribory re ry Hery an," hoy ity iray nanakatra ny saokan’i Hery.

Tsy nisy nifampiteny intsony aloha fa samy nieritreritra izay teny tokony hambarany. I Tahiana amin’io toa nazava taminy ny lalan-kombàna. Iza no nanampo hoy izy aneritreritra fa mifankafantatra i Hery sy ity zana-drahavaviko. Ho tafaray mihitsy ny tia sy ny manina raha izany hoy ihany izy nanohy ny resany samy irery tany anatiny tany.

I Hery kosa etsy, toa sadaikatra ihany, na ho ela na ho aingana tsy maintsy ho fantatr’i Mihary fa i Tahiana anie ka efa niaraka taminy ary tsy in-dray mandeha fotsiny ihany. Ary izy ilay naman’ny renin’i Alexia. Tsy voalazany amin’ny antsipirihiny mantsy na ny anarana na ilay mety ho bikan’i Tahiana, fa dia amin’ny ambangovangony ihany no nitantarany azy tany Mahajanga. Ary toa tsy sahiny koa ny hilaza amin’i Tahiana fa ity zana-drahavaviny anie ka …
Dia angamba ataon’i Tahiana fihomehezana aho hoy izy miady saina irery teo ny amin'ny nilazako taminy fa efa niova aho, hay, vao nifindra lasy vetivety dia efa tafa roboka tanatin’ny rano lalina indray. Raha fantany tokoa ny marina, vao mainka angamba hataony toto-afo ny fandavany ny handehanako hitady an’i Alexia ? Very hevitra teo izy… 
Nony kelikely,  
- "Tahiana an ! Tena mahatsiaro nanenina ihany aho nanao teny mahery taminao omaly. Aza tsiny re fa vava tsy ambina e ! Tena mampanantena aho fa tsy hanao ny tahaka ireny intsony."
- "Tsy maninona izany Hery an ! na izaho koa aza nanao fihetsika tsy voahevitra. Eny e ! Samy diso isika ! Tsy mampaninona izany ! Sady tsy tsaroako intsony ireny fa nahafinaritra ahy loatra ny nataon’ilay Dadafaranao androany izay. Tsy maninona mihitsy re izany ry Hery an!"
- "Eny ary e! fa te hiresaka zavatra hafa indray aho! Ka atao ahoana moa fa ny tany boribory araka ny voalazanao teo, zana-drahavavinao izany i Mihary, Nomena moa ny fiantsoanareo azy. Dia mba angatahiko ianao mba hijanona tsiambaratelontsika ireny nitranga hatramin’izay ireny an!" hoy i Hery, somary menamenatra. Toa hahatsiaro afa-baraka amin’i Mihary aho mantsy raha fantany izany!"
- "Ahoana moa no ahafantarany izany raha tsy misy milaza azy, fa aza matahotra ianao fa ataoko ho toy ny tsy misy tavela na dia pitiny kely aza ny momba an'iny eh. Sa tsy izany?" sady noraisin’i Tahiana ny tanany.
Izao ary ry Hery an ! Mba manitikitika kely ny saiko ihany ity zavatra ity, fa ianao sy Nomena, Mihary moa, fa tena mpinamana tokoa ve ianareo taloha sa… ? Toa hitako amin’ny masonao mijery azy teo fa efa misy rohy hafa mihitsy ifandraisanareo ! Sa diso aho?"
- "Tahiana koa ! sshhh ! ahoana koa aza no andefasanao saina lalina amin’izany ? "
- "Ka inona ary no ataonao aty aminy izao ka! Sa hitsabo tena ianao! Tahaka ny efa nandrasany izany mihitsy anie ianao teo e! Ohatran’ny hoe: nahazo « rendez-vous » efa hatry ny ela!"
- "Ppffff ! ianao koa!" sady nakifik’i Hery ny tanan’i Tahiana.
- "Hery an ! raisiko ho toy ny zandry tiako ianao ary ataoko ho toy ny zanako ihany koa, sady naveriny noraisina ihany ny tanany, ohatran’ ny manana tsindrimandry izany foana aho fa mety hanimba anao anie ny handehananao any an-dafy any e ! Raha toa ka tena mitady anao marina ve i Alexia dia hiteny hoe hijanona any izy hanohy fianarana? Diniho tsara aloha Hery an! Sady sao dia varivarian’ny lavitra ianao ka tsy mahita ny ambany maso?"

Tamin’izay indrindra no nisokatra ny varavaran’ny efitra nisy an’i Mihary, ny masony
tonga dia any amin’ny tanan’i Hery sy Tahiana mifandray sady mifanome hevitra. Vao nahita izany koa i Hery dia nakifiny toy ny tsy teo ny tanan’i Tahiana. Tsy niteny aloha i Dokotera, fa rehefa lasa ilay olona nozahany dia nanatona azy ireo izy.

- "Elabe Tatie Tahiana no tsy hitako, tamin’izaho taty efa ho roa taona izay no nahitako anao farany." Dia nifanorokoroka teo izy mianaka, i Hery kosa noraisiny tanana fotsiny. Avy eo izy naka seza teo akaikiny.
- "Fa dia gaga mihitsy aho, hay ve ianareo ireto ka mifankafantatra tsara e!"
- "Eny akia ry Nomena an ! izaho no nanampy an’i Hery niakarakara ny pasipaorony fa tsy andriny mihitsy izao handehanana any an-dafy izao."
- "Hay ve, hoy i Mihary, tsara be izany ka! izy moa ry Hery dia nenitoanay, zanak’olona kambana izy sy Mama."
- "Hay izay no nahatsiarovako endrik’olona mitovy be amin’i Mamanareo ; tena eto vao tsaroako ilay izy," hoy i Hery.
- "Eny e ! satriko tokoa hifampitafa sy dinika eto foana fa aleo aloha aho hiresaka amin’i hery manokana atsy amin’ny biraoko, dia mitohy ny tafa antsika sy Tatie rehefa avy eo ? Izay aloha fa rehefa avy eo Tatie an!"

Nipia-kelika i Tahiana, tena andro mahafinaritra mihitsy ny androany raha izao. Ho mora aminy mihitsy ny hampiditra an’i Hery amin’i Mihary, ary tena tojo amin’ny faniriany amin’izay izy izao. Ho very any amin’izay ianareo ry Ratrema mianakavy, ataovy izay tianareo fa i Hery, hono, tsy any intsony.
<<< ho reseko lahatra fotsiny ikala Nomena dia hanaiky ho azy ity Hery ity. Mino aho fa vetivety dia hadinony io faniriana tsy misy fetra hitady an’i Alexia io !.  Veloma ry Malalatiana fa dia tanteraka amin’izay ny faniriako rehetra >>>

Tany amin-dRatrema kosa tamin’io fotoana io,
- "Allô ! Allô Malala an!"
- "Ratrema, manao ahoana izany vadiko izany? Inona ny vaovaonao, tena efa saika hiantso anao mihitsy aho izao kanjo, ialahy no niantso ahy."
- "Salama tsara ve ianareo efa-mianaka izay. Tsy misy olana an?"
- "Hatramin’izao aloha dia tsy misy mampanahy, i Alexia efa mandroso ho tsara, izy mianadahy kely koa tsy maninona ka. Izaho rahateo moa tsy dia mitondra azy ireo mivoaboaka loatra, fa sao dia tsy mahatanty ny hatsiaka."
- "Ary i Alexia ve izay efa afaka mivoaka ny trano."
- " Tsy dia mbola afaka mihetsika ato aloha izy e ! i Mahefa rahateo moa mbola tsy mamela azy handeha lavitra, fa tsy maninona izahay ka, tsara karakara daholo. Io anie i Alexia raha hiresaka aminy ianao e!"
- "Hay, tena tsara izany, fa toa mahare ny feon’i Toky koa aho izany, angaha efa be resaka kely nedala."
- "Ie ! tena mibadabada foana izy, aleo tohofako amin’ny sofiny ny finday e!"
- "Toky !, Toky kely, manao ahoana letsy ialahy?"
- "Papa, Papa," hoy ilaikely mamaly ny antson-drainy. Sady miramirana ery, falifaly sy mbitabitaka fa tonga dia fantany ny feon-dRatrema.
- "Hendry tsara ialahy an! dia manaiky tsara an’i Neny."
Ren-dRatrema tsara ny hehin-jaza nataon’i Toky, somary nalahelo kely izy te hamihina an-janany mafy, fa any lavitra tsy taka-maso moa ka atao ahoana, soa fa nisy ny fifandraisana an-telefaona mba ahafahana mifampita mivantana ny vetsovetsom-pony. Notrotroin’i malala i Toky sady noraisiny indray ilay finday.
- "Ratrema an ! malahelo anao koa ange aho e!" Somary nihataka kely teo amin’i Alexia izy dia nanohy hoe: "Te-hody ange aho e ! Tena malahelo ny trano, ny havana sy ny namana rehetra ; marina fa mety hahafinaritra ny manao Krismasy aty Paris fa rehefa tsy eo ialahy dia toa banga be izany ny fiainako."
- "Eny ry Malala an ! tena izaho koa te ho eo anilanao, fa tsy maintsy mbola mihafy kely aloha isika. Rehefa salama tsara i Alexia dia afaka miverina amin’izay ianareo fa ianao aloha no azoko antoka hahay hanohana tsara iny zanantsika vavy iny. Raha eo izy ve dia azonao omena ahy?"
- "Ie ! io izy ka…" sady natolony an’i Alexia ny finday.

- "Allo Alexia, manao ahoana izany zanako tsy foiko izany!"
- "Papa an ! efa mihatsara aloha e, efa tsy dia maninona loatra, misy manaintaina ihany indraindray fa i Profesora Mahefa koa mijery sy manadihady tsara izay mahazo ahy. Aza manahy ny amin’ny fahasalamako fa efa tsara karakara ny zanakao e!" Sady nitsangana i Alexia no nandao azy telo mianaka, lasa izy namonjy ny efitranony dia nihidy irery tao niresaka tamin-dRatrema.
- "Papa an ! raha fantatrao mantsy ny alaheloko! hoy i alexia nanomboka nifokofoko, Papa an!
- "Alexia an ! maninona ianao e ! aza malahelohelo izany zanako izany, tsy tantiko ny maheno anao malahelo izany, na izaho aza aty tena miaritra ny mafy mihitsy.
- "Papa an!" hoy ihany Alexia nanomboka nitomany,
- "Fa maninona e ! Fa maninona ianareo lehilahy no tsy maharitra ny fakam-panahy mihitsy?"
- "Fakam-panahy toy ny inona no lazainao anaka," hoy Ratrema somary hendratrendratra.
- "Tsy mba noheveriko ho izaho no hiharan’izao vesatra mila tsy ho tantiko izao, kanjo ny foko toa miha-maratra mila ho vaky hatrany. Fa tena tsy azonareo atao mihitsy ve Papa ny manda ny langolanom-behivavy manjo anareo?"
- "Alexia an!…"  
Tsy nahateny aloha Ratrema, tsapany ho niletika tany an-tsainy lalina tany ny tenin-janany. Teo vao tsapany ny fahadisoany tamin’ny nataony tamin’i Corine andro vitsivitsy monja izay.
- "…Aza tapahinao aloha ny teniko, fa… izay ny fianana ry zanako malala, mbola tanora ianao ankehitriny fa rehefa hiroso amin’izany fiainana izany dia handalo aminao koa izany… mbola feno fitiavana ianao nefa voavadika…
Fa nisy inona anefa, ambarao, nisy naninona izany zanako izany?"
- "Papa an ! fantatro avokoa ny tantara rehetra. Fantatro amin’ny antsipirihany ary hafatra mazava no voaraiko. Eto vao fantatro fa hay marina ilay hira hoe mitovy avokoa ny lehilahy rehetra. Mila tsy ho tantiko intsony fa aleo aloha faranana ny resaka Papa an ! Misamboaravoara be ny foko, mila hanefika ahy ny fahadisoam-panantenana. Veloma aloha Papa an!"
- "Alexia, andraso aloha, aza tonga dia tapahina fa eto foana aho izany zanako izany. Raha misy ilanao ahy dia aza misalasala mihitsy miantso ahy na amin’ny fotoana inona na inona. Zanako tiako indrindra ianao. Veloma izany zanako izany."

Hankona Ratrema, fantatr’i Alexia avokoa ny tantara rehetra, fantany izany ny tena rainy, fantany izany… fantany daholo marina ve ? Ahoana nefa no nahafantarany izany, sa i Malala indray no tsy nahatam-bava tao? Hoy i Ratrema miady saina irery tamin'ny tenin-janany.

Aleo aloha antsoina i Mahefa.
- "Allô ! Profesora Mahefa an!"
- "Allô ! iza moa izao azafady?"
- "Ratrema e! manao ahoana ianao Profesora?"
- "Hay ingahy Ratrema, miarahaba anao. Misy ilanao resaka amiko angaha?"
- "Ie ! tiako ho fantatra fotsiny, fa angaha efa fantatr’i Alexia fa ianao no tena rainy? nifampiresaka mantsy izahay dia tena nalahelo sy diso fanantenana mihitsy izy! asa, tsy fantatro?"
- "An an an ! tena efa nifanaraka mihitsy aza izahay sy ny vadinao fa tsy hilaza na amin’iza na iza izany. Nefa tsy fantatro, fa ahoana nefa hoy i alexia?"
- "Fantany avokoa hono ny tantara rehetra."
- "Izany ve ! Aleo fa hifampiresaka amin’i Malala aho raha izany. Mba tena tsy azoko mihitsy no nahafantaran’i Alexia ilay izy. Antsoiko ianao ry Ingahy Ratrema raha vao fantatro avokoa ny zava-mitranga an ! mandra-piresaka ary!"

Mila ho vaky ny lohan-dRatrema, nenina no tany aminy tamin’ny nataony tamin’i Corine, tena marina ny nolazain-janany hoe ny lehilahy tsy maharitra fakam-panahy, fa langolangoin’ny vehivavy dia roboka tokoa. Nefa mahavaka ny sainy koa ity fahadisoam-panantenana manjo an’i Alexia ity, raha mba tany mantsy izy dia afaka nampitony na dia kely fotsiny aza ity zanany tsy foiny. 

Tadiom-pitiavana (
[email protected])

Pejy 53
2006/06/08,04:41

Nazotozoto ery i Hery nandeha namonjy ny toeram-piasany ny ampitson’iny. Nanao ny tatitra tamin’ny iraka nataony tany Mahajanga izy aloha, ary fantany fa tsy nametraka ny olana teo anivon’ny orinasa ny dia izay nalehany. Tomombana tsara avokoa ny iraka nampanaovina.

Tsy andriny intsony nony avy eo fa vao nahita solosaina nisokatra i Hery dia nijery ny tranonkala no nataony voalohany. Nosokafany ny mailaka nifanaovany tamin’i Alexia omaly, tsy nisy hafatra voaray. Dia lasa indray ny lehilahy nanoratra vetsovetsom-po vaovao hatolony an’ity olon-tiany lavitra azy.

Alexia,
raha fantatrao mantsy ny alaheloko tsy mahita anao,
dia hitady ahy koa ianao ary fantatro fa hifanena eny amin’ny habakabaka sy ny lanitra eny isika. Irery aho fa tsy eo ianao ! Manina ilay tiako aho, te-hitady anao, ary ho avy tsy ho ela fa ny saiko efa any aminao tanteraka
Alexia, hitady anao any aho,
hitady anao na aiza na aiza misy anao !
Ho avy tsy ho ela arak’izay azoko atao !
Raiso eo an-tratranao ity foko manirery !
Hery !

Tsy kivy fa velom-bolo hatrany i Hery, tena lasa aina namelombelona azy ilay mailaka farany nalefan’i Alexia. Tsy andriny mihitsy ilay antso avy any aminy fa efa nomeny tamin’ny mailaka ny laharan’ny findainy. Raha nisy ny zavatra tsy niala teny aminy dia iny findainy iny. Ary raha maneno iny dia hikoropaka izay tsy izy ny lehilahy hamaly ny antso ao.

Tonga ihany anefa ny hariva, tsy nisy na inona na inona, ny tranokala no nosokafany matetika fa tsy nisy hafatra na dia iray aza, eny fa na dia izay avy amin’i Tiana koa. Ilay finday rahateo na dia kitika kely monja aza tsy nisy naneno.
Tsy nataony nahakivy anefa izany, azony an-tsaina ihany ny manjo an’i Alexia. Mety ho sahirana na koa tsy afaka loatra ny hikitika solosaina ka handefa mailaka isan’andro izao. Izy rahateo moa mbola tsy tena tomombana ny fahasalamany. Tsy mampaninona izany, mbola misy foana ny fanantenany.

Vao nirava izy dia nahatsiaro fa tokony hihaona amin’i Mihary, efa hafatr’ity farany rahateo fa tsy maintsy misy fotoana hifampiresahany mikasika ny fiainan’i Hery. Tsy tian’i Mihary hofaranana mantsy ny fanaraha-maso, indrindra ny fiovan’ny toe-tsain’i Hery tato ho ato.

Lasa izy namonjy ilay birao efa natoron’i Mihary azy. Hitany tsara ny toerana fa ny tena misy ilay birao kosa no tsy maintsy nanontaniany ny mpiandry ny lalantsara ;
Niakatra tany amin’ny rihana faharoa izy aloha, dia niditra varavarana lehibe, olona vitsivitsy no tao, ny sasany bevohoka, mbola tanora koa ny hafa fa saika vehivavy avokoa. Dia variana moa ny sasany mijery an’ity tovolahy sady manam-bika sy tarehy. Nipetraka teo amin’ny efitra fiandrasana aloha i Hery rehefa avy nifampanontany izay olona eo alohany hatao fizahàna.  Dia niandry izy, namaky ny revio teo anoloany. Nifampijery ihany izy amin’ireo vehivavy hafa fa toa tsy nahoany akory. Vao nisokatra ny varavaran’ny efitra fizahàna ny marary dia indro i Mihary manao veloma ilay olona vao avy nozahany. Aron’akanjo fotsy no notafiany, ao anatiny ao lobaka mena manifinify dia pataloha lava arahin’ny kiraro mainty somary misy vodi-tongotra. Nitsiky izy nahita an’i Hery, sady toa faly aoka izany. Nifampiarahaba lavitra izy roa. Dia nampidirin’i Mihary ny olona manaraka, dia tahak’izay foana isaky ny 15 mn.

Olona iray sisa no teo alohan’i Hery, injay fa misy olona mandeha any an-dalantsara any, re ny figadogadon’ny tongony ary fantatra avy hatrany ny kiraro avo vody tongotra anaovany fa manako manenika ny rindrina efatry ny lalantsara. Mirindra tsara ny figadon’ny tongony, manakaiky ny efitra fiandrasana dia niditra ilay varavarana lehibe:
Taitra i Hery nahita ilay olona, ilay olona koa toa nitsamboatra tampoka nahita an’i Hery.
- "Hery, fa maninona ato koa ianao?"
- "Oay, Tahiana, tsy nihevitra ny hahita anao aty aho, fa angaha misy tsy salama no…"
- "Non ! salama tsara aho ka, resaka hafa mihitsy no andehanako aty ! Ary ianao, fa angaha ianao misy aretina nahazo anao no aty no dokotera andehananao?"
- "Zavatra hafa koa ka ! tsy resaka aretina fa…"

Toa niahotra tampoka i Hery, tsy sahy nilaza tamin’i Tahiana. Ity farany rahateo tsy nahalala izay nitranga tany Mahajanga na dia sombin-tantara iray aza ! Naleony aloha nangina.

Vao tafapetraka dia hoy i Tahiana nanohy :
- "Tokony hotantaraiko anao ihany fa niara-nisakafo tamin’i dadafaranao ange aho io atoandro io e! Mahafinaritra kosa ny Dadafaranao koa, izy moa tsy mety antsoina izany Dadafara izany, fa sady mahay mampiresaka no mahay mihaino izay teneninao, mahay mikarakara ihany koa. Noheveriko fa saro-kenatra be ange izy tamin’ny voalohany ireny izaho naterinareo tany am-piasàna omaly ireny e! Fa hay izy tena mahafinaritra kosa ko!
Vao tonga tao am-piasàna aho io maraina io dia efa nandrasany tsara teo akaikin’ny varavarana, dia hoy izy:
- "Vehivavy tsara tarehy toa anao izao, hono, dia mendrika omena voninkazo tsara tahaka itony." Dia gaga be aho, izy aloha tonga dia tadidiko tsara mihitsy, fa tena gaga aho notolorany ilay voninkazo; tsy nampoiziko kosa aloha e ! Sady tiako ilay voninkazo.
- "Dia avy eo ahoana," hoy i Hery lasa liana amin’ny tantaran’i Tahiana.
- "Dia hoy izy hoe "fohy ny fotoana ifanenako aminao izao fa raha sitrakao dia hotohizantsika ka manasa anao aho hiara-misakafo isika rahatoandro!"
Dia tsy haiko fa lasa nahatoky be azy izany aho, toa teny tsotra nefa mitory fahatokiana. Eny e! izay mihitsy, dia nifanao fotoana izahay, izaho moa nandeha niasa, ilay voninkazo mbola mipetraka tsara ao anaty biraoko ao.
Dia tonga ny atoandro, iny i Fano efa miandry ahy teo am-baravarana indray. Dia lasa izahay, resaka izany nataonay izany, tena mahafinaritra ahy izy! Tsy lainga lainga!"
- Tsara izany ka," hoy i Hery, <<<il était temps aussi, ouff>>> dia nanao ahoana ny tohiny?
- "Ka izaho aty izao fa tsy maintsy nofaranana ny resakay, dia mbola nifanome fotoana indray izahay amin’ny faran’ny herinandro, sady efa akaiky Krismasy koa."
Nisento tokana i Hery, faly am-po izy, tahaka ny nisy valiny ny fisasarany rehetra ;

Tampoka anefa, nanontany indray i Tahiana:
- "Mbola tsy novalianao tsara ange ny ataonao aty e?
- "Izaho ve," nisalasala kely i Hery, namako i Dr Mihary ka, namako mpiara-mianatra tamiko izy tany amin’ny kilasy famaranana! Dia fantatro fa efa tafaverina izy dia mba mamangy azy aho!"
- "Hay ve? hay ve namanao izy e! Tsara kosa izany! Tena tsara mihitsy. "
- "Fa ahoana? Fa ahoana no ialazanao fa tsara izany?"

Tamin’izay no nisokatra indray ny varavaran’ny efitra fizahana, faly ery i Mihary nahita an’i Tahiana koa, ary gaga izy fa tena mifampiresaka be aminy i Hery. Nanontany izy avy eo:
- "Fa angaha mifankafantatra ianareo?"
- "Ie !" hoy izy roa niara-namaly sady nifampijery.
- "Andraso aloha handray ity olona hozahako farany ity aho dia mifampiresaka isika ! Izay an! rehefa avy eo!"

Tsy nisy nifampiteny aloha i Hery sy Tahiana ! Nifampijery tsara. Farany tsy naharitra i Hery fa nanontany :
- "Fa inonao i Dr Mihary ry Tahiana?"


Tadiom-pitiavana ([email protected])

Pejy 52
2006/06/07,03:21
  - "Tsy maintsy mitady olon-kafa hisari-zoro amin’ity Hery ity aho fa fantatro tsara ny toetrany, ... Iza re? Sa i … ! Marina tokoa, ny zanak’i Flô, mety mitovitovy taona amin’i Hery iny, sady nianatra tany an-dafy. I Flô koa moa nimenomenona taminay foana hoe mba hitadiavo namana any hono ny zanany fa sao dia hanao tokan-tena eny koa !! Be loatra marina tokoa ny tokan-tena amin’ny fianakavianay an! Koa maninona moa !Tsy fantatra marina anie izay anjara !
Ssshhh ! ny hafa indray moa ity no andaniako rondoha, nefa ity izaho aza mba mitady nefa tsy mahita !" hoy i Tahiana toa miady saina irery na dia teo akaikiny teo aza i Hery.

- "Hery an ! hitako tokoa fa tena faly ianao izao fa na izany aza mba misy zavatra mampiahiahy ahy ihany!"
- "Inona aloha no tianao hambara amin’izany e?"
- "Efa azonao moa iny ny pasipaoronao, dia haka visa an’ny amin’ny masohivoho frantsay amin’izay izao ianao! Sao dia tokony hiandry aty ihany ianao fa tsy mandeha mankany, ho fandaniana mihoam-pampana anie no hataonao izao e! Moa tsy fantatrao akory izay mety hitranga any!"
- "Andray ry Tahiana ! efa tongotra mby an-dakana ny ahy ka tsy hiverenako intsony. Fa eritrereto fa mailaka vao omaly anie no nalefan’i Alexia tamiko e! Ary nanafatra izy fa hijanona any hamita fianarana. Dia efa mivonona ny hahita azy ny saiko na inona na inona fitrangany. Fa maninona aloha ianao no lasa manohitra ahy indray amin’ny handehanako e!"
- "Tsy hoe manohitra na manakana anao akory aho ny handeha ho any, fa ny tranga reko tamin’i Malala dia tsy mifanaraka akory amin’izany voalazanao izany aza!"
- "Fa inona marina anefa ny zavatra nolazain’i Malala anao e?"
- "Misy ifandraisany aminao hono ny
antony nahatonga an-i Alexia tsy hiverina aty! Nolazainy fa tsy mba niresaka momba anao mihitsy izy fa te-hanadino anao tanteraka!"
- "Izao ry Tahiana an! ny fihevitrao, na ny fihevitry Malala dia tsy mitovy amin’i Alexia. Vao afaka namaly ny antsoko fotsiny izy dia faly aho, rehefa azoko toky fa salama tsara izy dia misaotra an’Andriamanitra aho fa mbola avotra soa aman-tsara ilay tiako. Ka tsy ahoanao izay hataoko, ny hevitro efa tapaka, handeha aho, dia izay. Vao mahazo fialan-tsasatra fotsiny aho dia lasa!"

Tsy niteny intsony i Tahiana, ny tranony rahateo koa moa efa akaiky, nampandroso an’i Hery izy dia navelany hipetraka teo ambony seza teo ny tovolahy, izy kosa lasa naka ranom-boankazo tany an-dakozia hosotroina.
- "Tsy haiko", hoy i tahiana tany an’eritreriny, "fa maninona marina ary aho!
Tena fantatro! fahasarotam-piaro no mahazo ahy, fa maninona, tena tia an’i Hery aho, dia tsapako fa mitady handao ahy izy dia lasa saro-piaro tampoka teo aho. Dia sahiko ve ny hanimba ny saiko amin’i Hery nefa izy aza efa mivaky fa tsy mihevitra izay momba ahy akory. Inona re no ataoko?"

Iny izy nitondra vera roa dia niara-nipetraka teo ambonin’ilay seza lava ary samy nisotro  ranom-boankazo mangatsiatsiaka tsara.  Lany iny dia hoy i Hery :
- "Misaotra betsaka Tahiana an !, tsy hadinoiko mihitsy ny zavatra nataonao hatramin’izay."  
Nitsiky fotsiny i Tahiana ! Tsy nahateny fa ny mason’i Hery no nobanjininy tsara sady niorirana nanatrika ity tovolahy no nanatona moramora ny molony hifanoroka.

Efa nifanakaiky tokoa ny molotr’izy ireo, fa dia nosakanan’i Hery tamin’ny fanondrony ny molotr’i Tahiana. Dia natosiny hihataka taminy moramora.
- "Hery an ! aza manao ahy izao ianao an! Fantatrao tsara ny any am-poko. Hery an ! Izaho ange tena tia anao e! Raha mba tsapanao mantsy ny halalin’ny fitiavako anao!"
- "Tahiana an ! efa nifampiresaka tsara ny momba izay isika sy ianao ! Ataoko fa fantatrao tsara ny hamafin’ny fitiavako an’i Alexia. Ary efa nampanantena olona iray aho fa ho hendry tsy hanao hadalana intsony fa hijanona amin’i Alexia irery ihany."
- "Hery an ! noho ny fitiavako anao anie no mahatonga ahy hiteny hoe mijanona aty, aza mankany fa hanimba ny fonao any ianao. Tsy fantatrao marina izay mitranga ka halahelo mafy aho raha vaky ny fonao miverina avy any"
- "Tsia dia tsia kosa e!" hoy i Hery nitsangana, "fantatro ny ataoko, fantatro tsara ny fitiavako an’i Alexia, ary fatatro tsara koa ny fitiavany ahy ; faniriany ny hijanona hianatra any an-dafy dia mandefitra aho noho izay fitiavako izay, izaho no hankany aminy, tsy andriko intsony ny hifankahita aminy."
- "Hery an ! irery ange aho tsy eo intsony ianao e!"
- "Tsy te-handratra ny fonao aho ry Tahiana fa ianao angamba efa manatona anao ny anjaranao, nefa toa ny ravaka manendrika ny hafa no tianao hofihizina ho anao irery. Efa nanome toky olona iray aho fa tsy hanao hadalàna intsony, ka tsy ianao no handravako izay toky nataoko izay. Efa niova aho fa tsy toy ny taloha intsony."
- "Dia hadinonanao avokoa ve ny nataontsika hatramin’izay?"
- "Miala tsiny aminao aho fa mafy ny teniko, nefa tsy maintsy mijoro am-pahamendrehana amin’izay aho fa lehilahy ; tsy maintsy mandeha aho veloma ianao Tahiana an!"

Lasa i Hery. Efa fantany fa mety hihafara amin’izay indray ny zavatra hitranga fa naleony nandà avy hatrany mba tsy hisian’ny fanenenana rehefa avy eo.

 Toa tsy nahahetsika teo i Tahiana. Ny varavarana nivoahan'i Hery no nobanjininy mafy. Nalahelo mafy tamin’izay nanjo azy izy. Very  ny heviny amin’ity fahasarotam-piarony. Te-hitroatra anefa tsy afaka. Malahelo fa toa handamoka am-boalohany ilay valifaty tiany hatao amin’i Malala. Izy anefa mihevitra fa ho nenina tsy misy fiafarany no hahazo an’i Hery raha mbola midikiditra amin’ny fianakavian-dRatrema ihany izy.

Niverina tao antsainy indray ilay eritreriny teo aloha nony afaka kelikely.
- "Tsy maintsy ampifanatoniko amin’ny zanak’i Flô aloha i Hery mandra-pandehany fa sao dia afaka ny hanova hevitra azy ihany ikalakely iny." Hoy izy anankapo. Noraisiny ny findainy dia niantso an’i Flô izy.
- "Allo Flô!"
- "I Tahiana marina, ahoana akia ! inona ny vaovao?"
- "Tsy dia misy akia an ! Fa te-hanontany aho hoe aiza moa no ahitako ny zanak’indry fa mba te-hiresaka aminy aho."
- "Fa ahoana akia! angaha misy tsy metimety, i Nomena aloha io tadiavin-dry io an!"
- "Ie ! i Nomena mihitsy."
- "Tongava aty amiko rahampitso fa mody misakafo atoandro eo izy, fa indraindray izy aloha dia alina vao mody noho ny asany."
- "Tena ny asako koa tsy ahafahako mankany aminareo, izay anie no mahatonga ahy hanontany ny misy azy e!"
- "Eny ary e ! omeko an-dry ny toerana misy ny biraony fa inona aloha no tena itadiavan-dry azy e ! hilazako mialoha mantsy izy!
- "ttssss ! in-dry ilay niteny tamiko fa tokony hitadiavana vady ikalakely iny sao dia hadino eo koa. Misy akia any an! sao dia mba mahaliana ny zanak’indry. Tsy ratsy an! sady mitovitovy taona aminy tsara."
- "ha, ha, ha ! Tahiana ity koa tena mampihomehy, ary ny an-dry aloha manao ahoana e! Mba efa nahita ve? aza dia fatra-pifidy loatra akia fa indraindray anie anenenana e ! Efa fotoana tsy fanaovana safidy intsony izao taonan-dry izao. Sady efa leo mihitsy aho amin’ity aminareo tsy mahita vady ity. Aiza ka ianareo mirahavavy no mba zanak’i Tatie Hortense, nefa dia tsy mbola misy manambady ihany. Sa ve dia efa tarazo amin’ny fianakaviana mihitsy ity tokan-tena ity? "
- "Ka atao ahoana re ry Flô an ! izahay anie angatahina fa tsy mpangataka e!"
- " Eny e! fa lazaiko fotsiny i Nomena fa ho avy any amin’ny biraony izany ny rahavavin-dreniny. Ilazako ihany indry raha sendra tsy ao izy, mino fa ho faly mihitsy izy mahita an-dry
tonga mitsidika azy. Ao antsahavola ao ny biraony."
- " Izay Flô fa aza miteniteny azy hoe misy bandy afaka hiaraka aminy any an! Aleo izaho ihany no hilaza ilay izy rehefa
tonga any! Izay! Veloma ary akia an!"

Vita ny antson’izy mirahavavy dia lasa nikarakara sakafo i Tahiana ! I Manitra rahateo moa naka rivotra any ambanivohitra fa dia tokan-tena irery tao izy. Izay koa angamba no mampanahy be ihany ny sainy, tsy manana namana horesahina.

Tadiom-pitiavana ([email protected])

Pejy 51
2006/06/02,13:02
   Iny i Hery nifampitantana tamin’i Alexia, nandeha tamin’ny toerana mahafinaritra, mangingina, tontolo kanto feno zava-boahary maitso mavana mahate-hitoetra. Siotsiokam-boronkely malefaka no mikanto ny hatsaran’ny tontolo, ary toa izy roa irery ihany no olombelona tamin’ilay toerana. Voron-kely mandeha tsiroaroa no misidintsidina toa mitarika ny diany teo akaikiny teo. Miramiran’endrika ery ireto mpifankatia, mifampitantana, toa ho doria.
Mifampiondankondana, mifampitositosy, ny tontolo manodidina no vavolombelona mijoro sy mandrotsirotsy. Toa manaiky ny fiarahan’izy roa hitambatra ho iray izay nanodidina azy rehetra teo. Tsy misy mifampiteny fa mifampita hafatra tamin’ny maso fotsiny ihany. Ny sainy toa mifandray tsy ankijanona, tsy te-hiala amin’ilay toerana soa sy mahafinaritra. Nandeha miadana namakivaky ilay tanàna soa toa zaridaina edena. Tampoka teo, nisy anjomaran’ny fiara iray nanakoako tao aorian’izy roa toa manaitra azy ireo hikisaka hanome làlana.
- "Sao dia diso toerana koa aza izany fiara izany," hoy i Hery nisarika an’i Alexia.  Nitodika i Hery, " fiaran-dRatrema marina,"  mbola manohy ny tabatabany ihany ilay anjomara fanairana. Taitra i Hery, taitra tamin’ny torimasony sady namonjy niarina tampoka. Nihevitra izy fa nanonofy nefa toa mbola reny ihany ilay anjomara any an-tokontany any.
" Fa inona koa ary izany," hoy izy sady naka aina kely aloha izy alohan'ny nitsangana teo am-pandriana. Nosokafany ny varavaran-kely dia nangarangarana tany antokontany ny masony..
- "Fa inona koa ary ity, ssshhhh?" hoy i Hery tany an-tsainy tany sady vinitra dia vinitra. Nojereny ny famantaran’ora, mbola vao amin’ny 6 ora sy sasany.
Nanaovany ny akanjo fitena dia nidina tany ambany izy, namoha ny varavarana sady nanatona ny vavahady.
Tarehy toa tsy dia ravo loatra no namahan’i hery ny vavahady hidiran’ilay fiara. Vao nijanona ny môtera dia nivoaka tao lehilahy iray:
- "Ialahy ity letsy matory maraina, efa andro mazava be izao ve letsy, nampanenoina ny kiririoka fanairana, tsy nisy namoha, ny jiro eo an-tokontany anefa mbola mirehitra."
- "Sshhh, ianareo koa ry Dadafara manapaka torimaso vao maraina mihitsy kah". Sady nifandray tanana izy roalahy mianaka.
- "inona aloha ny vaovao entin’i Dadafara? sady te-hanao ialahy ihany i Hery. "Efa ela mihitsy ange ianareo izany no tsy nandalo e!"
- "Andao aloha hiditra ao an-trano e!" hoy  ny dadafarany namaly..

Lehilahy ranjanana izay no dadafaran’i Hery, izy no faralahy amin-drainy, mahay mihaingo sady ireny tsy miankanjo raha tsy fitafiana lafo vidy hatrany ireny. Tsy dia mifanalavitra loatra ny taonan'izy mianaka. Mety niara-nilalao akory aza tamin’ny fahakeliny. Izay no saika nahatonga an’i Hery saika hifampiatso ialahy taminy.   - "izaho izao vao mifoha, vao avy namita iraka tany Jangil tany aho ange e ! dia vao
tonga omaly e!"
- "Hay ve? mandeha tsara ny asa,"
- "Eny e ! metimety ao ry Dadafara a!"
- "Dadafara, dadafara an’ialahy inona koa letsy. Zaza niara-lehibe izao ihany."
- "izay mihitsy, niara-lehibe fa ianareo niha-lehibe kokoa. Efa hita miavaka amin’izay izao ny 6 taona elanelany."
- "Ny vady aza letsy mbola tsy hita be ny ihany, ka aleo rehefa
tonga amin’izany vao antsoin’ialahy dadafara izany aho e!"
- "Fa angaha mbola tsy nahita foana hatramin’izao e! Bandy tahaka anareo izao ve dia tsy hirara-kopana ny vehivavy hanatona."
- "Ny sipa amin’izao ange letsy ry Hery, toa ilay miriaira miaraka amin’ny fiara sy mandeha mirevirevy etsy sy eroa no tena itadiavany an’ialahy ; Izaho efa mitady sipa mba matotra fa na izy izay tsy mirevy, na izy izay efa lasan’ny sasany."
- "Mbola tsy sendra ny milay izany ianareo koa ! Fa sipa tahaka ny inona izany no tadiavinareo le!"
- "Ho avy foana letsy izany fa aza matahotra ialahy an?"
"Fa ny tena ahatongavako dia izao, manontany ny fianakaviana hoe efa mba vitan’ialahy ve ny nikarakara ny taratasy amin’ny famindrana ny fananan-dRain’ialahy rehetra amin’ialahy?"
- "Eny e !" hoy i Hery, nisafosafo loha, "efa vita ny tombam-pananana fa ny ankoatr’izay mbola sahirana aho."
- "Ka izay mihitsy letsy an ! efa nifampiresaka tamina tale ao amin’ny fanana-tany aho. Afaka manampy amin'ny fikarakarana hono izy. Noho izay no nandehanako taty. Omen’ialahy fotoana fotsiny aho dia miaraka mankany isika."
- "izaho izao androany no afaka satria rahampitso dia miverina miasa indray. Ka maninona moa raha miomana aho dia afaka miaraka isika e!"
- "OK! tsy mampaninona koa, fa rehefa mbola tsy misy azo hohanina aloha ato amin’ialahy dia aleo aho haka rivotra any an-tokontany any."
- "ie, aleo aho aloha hiomana fa tsy maninona e!"

Lasa i Hery niakatra, nandefa ny famanan-drano. Nanomana izay hohaniny izao maraina. Teo am-pikarakaràna ny sakafo izy vao nandalo kely tao an’eritreriny i Tahiana;
- "Oay leaza, hay moa tokony hihaona amin’i Tahiana aho izao maraina izao! tsy maintsy manontany ilay pasipaoro, dia hanontany vaovao koa ! Angamba iny izay nikorapaka fa tamin’ny niantso azy farany aho dia hoe any amin’ny hopitaly. Tena tsy maintsy mankany aloha. Inona indray ary no ataoko. 
 Vita fiomanana i Hery, dia nidina, nandraraka dite mafana, naka ny mofo efa novidiany omaly hariva. Nantsoiny i Feno, ilay dadafarany, hisakafo miaraka aminy.
- "fa angaha leity tsy netsehin’ialahy intsony ilay 504 an-dRabainin’ialahy ao anaty garazy ao io?"
- "Fa ahoana ? Efa ho erin-taona io izay nipetra-potsiny tao. Ohatran’ny alahelovako an’i Neny koa ilay izy dia tsy sahiko kitihina, fa sasako ihany indraindray kah."
- "Fantatr’ialahy moa fa vao teraka ialahy no nividianan-dRatompokolahy an'io. Nataony ho fahatsiarovana hono, dia io izy io. Notantarain-dRenin’ialahy tamiko izany, nanafarany ahy mihitsy aza hoe mba karakarao io fiara io fa mety tsy ho vitan’i Hery rehefa miasa izy."
- "SSshhh ! mbola hisy foana ny fotoana hikarakarako an’io. Fa tsy izao fotsiny. Fa hono ho’aho, ianareo ve afaka mba mandalo kely eny Faravohitra aloha fa mbola misy olona tokony hojereko kely mikasika taratasy samihafa?"
- "Bof, tsy mampaninona izany, fa misy inona?"
- "Tsy dia misy ifandraisany loatra amintsika fa rehefa afaka mandalo any dia tsara;"
- "Andao ary e ! rehefa vonona ialahy dia lasa isika."

Roso ny dia, somary nisy fitohanana teny an-dalana ! Vao nahita vehivavy mba manjamanja Radadafara dia efa nisiotsioka ery, pppssssittt, pppssssiiit !
Nitodika ilay zazavavy sady nitsiky, somary nipihin-dRadadafara maso, dia namaly oroka lavitra koa!
- "Hitan’ialahy, ohatran’izany sipa amin’izao fotoana, rehefa miaraka amina vam milay ialahy dia mitodika koa izy; sady isika koa ange letsy tsy dia hoe ratsy e! fa tsy maintsy misy foana letsy any ny sipa matotra ary mbola hahita ihany aho!

Tsy niteny aloha i hery fa lasa saina lalina.
<<Ary maninona moa raha ampihaonina amin’i Tahiana ity RaDadafara ity e ! sady mety hiaraka mihitsy fa mitovy revy an ! ka maninona moa, ny taonany mifanaraka tsara, sady amin’izay koa aho afaka amin’iny vehivavy iny, na dia fotoana vitsy ihany aza. Mety azo atao tsara an >>

- "Efa itsy akaiky itsy ilay trano fa afaka maka fitoerana tsara eto isika;"
- "Fa iza aloha no tadiavin’ialahy aty e! Sipa sa bandy;"
- 'Sipa be izany ry Dadaf… azafady e!"
- "Hay, fa angaha moa tsy any Ivandry no mipetraka ny sipan’ialahy?"
- "Sipa hafa izany fa sady akama koa, mety miady amin’ny piesinareo an!"
- "Liana be izahay raha izany!"

 Nivoaka ny fiara i Hery, nanatona ny varavarana dia nampaneno ny kiririoka fanairana. Injay fa nivoha ny trano, i Tahiana io, faly dia faly ery no sady taitra aok’izany.

- "Hery, tena nalahelo be anao aho ! fa naninona ianao e ! tsy niantso ahy mihitsy." Sady namihina mafy an’i Hery ity vehivavy, Radadafara etsy sady mitsiky ihany mahita azy ireo, moa i Hery rahateo somary nitodika no nijery azy. Somary nanainga loha;
- "Miaraka aminao angaha io olona io ; Mandroso aloha e ! tena faly mihitsy aho mahita anao ! asaivo mandroso koa io namanao io fa tsy maninona e!"
" Eisy, mandeha tsara izy izany,"  hoy i Hery tany an-tsainy.
Nokopahiny tanana i Feno dia nivoaka sady nanidy ny fiarany dia nandroso tao amin'i Tahiana.
Vao tafiditra dia raikitra ny fampifankahalalana.
- "Izy no Tahiana, namako izy dia mikarakara ny pasipaoroko. Dia izy no Fano, rahalahin-draiko, izy no faralahy amin-dry zareo."
- "Faly mahafantatra" , hoy i Tahiana sy Feno saika niara niteny.  
i Tahiana toa somary menamenatra, I Dadafara toa saika tsy nahaloa-peo.

"Ohatran'ny mety ho tsara ny fandehan'ireto" hoy i Hery tany antsainy tany " fa toa somay menamenatra sady somary nitsiky kely izy.
Nony afaka kelikely :
- "Fa naninona ho’aho ianao no tsy niantso mihitsy, efa nivarahontsana mihitsy aho taty."
- "Tena very ny findaiko, nefa ny laharan’ny findainao tany anatiny tany. Tsy hitako izay nantsoina moa izaho rahateo sahirana."
- "Fa toa hoe tany amin’ny hopitaly ianao!"
- "Ie! tsy izaho no narary fa namana iray izay!"
- "hay ve! tena mampitaintaina mihitsy ianareo ity. Inona aloha no arosoko anareo e!"
- "Misaotra betsaka fa efa avy nisakafo izahay," sady  somary nodomin-dRadadafarany i Hery.
- "Mbola misy dité mafana ange raha te-hisotro ianareo e!"
- "Ianao koa ve tsy handeha hiasa moa ka elingeleninay, fa ny tena nandalovako dia hanontany vaovao mikasika ilay pasipaoro;"
- "Ny an’i hery koa moa izany no zavatra mahamaika azy, efa vita izay ilay izy fa mandalo any fotsiny isika rahariva, azonao alaina aho dia miaraka any isika, afaka miala aloha aho mantsy."
- "Vao mainka tsara!"

Vetivety dia voaroson’i Tahiana ny dite, dia nanasa hipetraka sy hisotro, i Feno etsy faly ery. Te hanontany mafy i Hery mikasika izay vaovao fantatr’i Tahiana nefa naleony aloha niandry. Vita ny sakafo.
- "Ka ianao moa izany Mlle Tahiana, notananay teto nefa mbola hiasa, tsy aleo ve aterinay."
- "Tsy mampaninona mihitsy ka!" hoy koa ity farany.
- "Sady lalantsika ihany ny toeram-piasàny."

Nifampijery tsara izy roa, samy menamenatra, i Hery etsy mipi-kelika fa nahita namana ho an’i Tahiana dia mba afaka amin’izay ny geja an-kolaka mahazo azy.

Nivoaka ny trano avy eo, mailamailaka ery i Feno namoha ny fiara, nefa hoy i Tahiana.
- "Ka tsy aleo izaho no ato aoriana fa izaho ange izany no miala aloha e!"
- "
Marina izany," hoy i Feno, sady menamenatra ihany izy.

Tsy dia nisy niresaka firy aloha taorian'izay fa dia toa samy variana nijery ny zava misy tany ivelan'ny fiara avokoa. I Tahiana rahateo moa naka afovoany tao aoriana tao, hitan'i Fano tsara amin’ny fitarafana. Saika nifanojo matetika ny mason'izy roa. Naterin'izy mianaka teo ambaravarana mihitsy i Tahiana. Nivoaka ny fiara izy sady nisaotra no nanao veloma. I Fano tsy nahateny fa nihanahana fotsiny. Asa, raha azony atao ny niodina eran’antananarivo dia nataony.
Lasa izy mirahalahy mianaka, niteny amin’izay i dadafara.
- "Fa taiza letsy no nahitan’ialahy an’ireny sipa ireny le?"
- "Naman’ny bôfin’ny ankizy iny! sady dokotera ange iny e! Miady aminareo tsara mihitsy raha hiditra, sady mbola tsy manambady."
- "Milay kosa izany, ao amin’io farmasia io izany no ahitàna azy."
- "ié ! fa izy manana ny biraony any ambony rihana fa tsy eo am-pivarotana."
- "Mihetsiketsika ianao ry Papa an!" hoy i Hery nananihany an’ity rahalahin-dRainy.

------------------------

Maivamaivana ery i Alexia avy nanoratra ho an'i Hery teo. Lasalasa eritreritra teo anoloan'ny solosaina, nandrevorevo ireo lasa niarahan'izy roa. Ny fotoana nahalalany an'i Hery voalohany, nitsena sy naka azy tany am-pianarana. Ny oroka voalohany nifanaovan'izy roa, tsy ho hainy adinoana. Maika moa fa ilay andro niraisany tamin'i Hery voalohany? naharary nefa toa nahasambatra ihany koa. Izany mivoaka kely ny renivohitra rehefa faran'ny herinandro, aoka fotsiny, sangisangy, resadresaka, orokoroka... " Rehefa any amin'ny toeram-piasana vao miditra maraina izy izao no afaka mamaky iny mailaka iny. Toa tsy andriko ery izay hahenoana indray ny feony. Sa andramako antsoina amin'ny findain'i Neny ihany re rehefa avy eo e?" hoy izy tany antsainy tany sady velontsiky kely irery teo izy nefa koa toa nisento tokana. Mbola tsy
tonga ry Malala, ny famantaran'ora koa toa nihisatra dia nihisatra. NIvezivezy nitety ireo pejy isankarazany teo amin'ny vohin-kalam-pifandraisana teo aloha izy. Nidikidirany daholo izao karaza-tranonkala rehetra izao, indrindra indrindra fa ny mahakasika an'i Gasikara sy ny vaovaony. Tafatsofoka tany amin'ny wanadoo.mg no niafarany ary dia tadidiny tampoka ilay adiresy mailakany iray hafa nampiasainy fony izy niserasera tamin'ny karazan'olona sy naneho karazan-kevitra tao amin'ny forum. Adiresy nifandraisany tamin'olona iray izay namboraka ny olany ara-pitiavana taminy, ary nomeny toro-hevitra.

Nosokafany io mailaka, io eny, nanoratra indray ilay tovolahy, efa mailaka telo no avy aminy. Novakiany ... Arahaba, fialan-tsiny, fiangaviana ny mba hanomezana torohevitra azy indray no fehezanteny maromaro niantombohany. Novakiany ... Solafaka indray aho ry Tiana, manahy aho ny tsy ho tafarina intsony, ...., vehivavy ianao, inoako fa afaka manome toro-hevitra ahy satria ianao afaka mipetraka eo amin'ny toeran'ilay olon-tiako. ...., ianao no afaka amborahako ny rehetrako ....

....

- "Andray, dia mbola niaraka ihany kay izy sy ilay rafozany notantariny tamiko farany .... an! ny naman'ilay rafozany hatramin'ny fahazaza koa ve nanaovany firaisana aranofo? Tsy azoko, aleo hoe averiko kely .... tena marina. ... Mba lehilahy tsy vanona koa ity ka, saingy izaho ve moa hiteny azy izany tsy ho asa. Aleo tohizana ny famakiana " Saika namoy fo i T, (izay marihiko fa mpitsabo), ilay naman'ny rafozam-baviko raha vao tsy nety sy nandà mafy ny hiaraka taminy aho." Iee! Raharaha tadiavina ny anao izany ry tovolahy koa. Raha tena te hanohitra ny fakam-panahy marina ianao dia vitanao izany, saingy ianao mihitsy koa no mankafy ilay toetra ratsy, tsss ...."

- "An!...loza ity! ... Andriamanitra o! ... Inona ity lazain'ity? ... notohizany: " ny silipon'i T. adinony tao amiko, nivalombalona tany anaty lambam-pandriako no hitany raha iny izahay avy niray iny. ..... Nirifatra tsy tana izy .... voan'ny lozam-pifamohivohizana ny alina .... tsy maintsy nalefa notsaboina any an-dafy...."

Maizina tamin'i Alexia ny tany aman-danitra. Te hitomany izy, nefa tsy nahalatsa-dranomaso. Te hikiaka mafy izy, nefa toa kenda tanteraka, nitambolombolona be ihany ny tao anatiny. Niondrika moramora izy. Navokony mafy ny totohondriny havia, ny tanany havanana kosa namihina mafy ilay totozin'ilay solosaina nampiasainy.

- "Tsia an! Tsy marina izany e,  tsy mino aho," hoy izy nanomboka nifokofoko. Tena i Hery io. Lehilahy tsy vanona, sssh ... tsy mataho-tody sssh... tsy vanona... hheinnnn.... Hay an'i Tatie Tahiana izany iny? ...iny no naman'i Neny, sady mpitsabo, tsy nampoiziko hheinnn! Ranomaso tsy ranomaso amin'izay no nameno ny tavany. Ambonin'akanjo sendra nihantona teo an-damosin'ny seza no notakariny namafana ireo ranomasony mipatrapatraka. Lehilahy tsivanona,  tsivanona izay no naverimberiny.

Rehefa avy nanala ny fony elaela teo izy dia... mba tonitony ihany.

- "Noho ianao no efa saika namoizako ny aiko farany teo. Sanatria ny mbola hamoy fo noho ianao ry Hery, tsy mba hiova raha ianao. Tena tsy misy ilàna anao. Nateraka tsy ho vanona angamba, mandratra ihany koa izay rehetra sendra anao. Mieritreritra ny tsy mba ho tratran'ny aloka ianao ry Hery nandrintra ny taona maro niainanao, ka izao tsy mba aloka intsony no hahazo anao fa dia ny aizina mandrakizay. Aizim-pitiavana, manodiava anao ny mahazo ahy sy izay mety ho efa nataonao koa tamin'ny karazam-behivavy rehetra hafa manan'alahelo aminao."

Na dia niezaka ny hampitony tena mafy aza i Alexia, dia toa azony sary an-tsaina izany ny firaisana ara-nofo niarahan'i Hery tamin'i Malala, tamin'i Tahiana, niserana tao an-tsainy koa vehivavy hafa. Ireny nahasambatra azy tamin'i Hery ireny, hay nahasambatra olon-kafa koa, noheveriny fa izy irery. Indraindray tsapany ho voatsindrona mafy ny fony dia mitomany izy. Indraindray mihevitra ny tenany ho vendrana izy ka voafitaka, dia manome tsiny kely ny tenany. Indraindray toa mahatsiaro izy fa voazimbazimba sy voaviravira ny vatany, dia kiriko sy misafoakan'ny hatezerana. Nitsangana izy, nivezivezy eran'ny trano, tsy hitany izay ho sarangotina.

- Te hamaly faty azy aho. Tahak'izay aho tsy nandefa iny mailaka iny, tahak'izay ity aloha no nosokafako izay vao ny tena ahy. Hamaly faty aho ve? amin'ny fomba ahoana anefa? izaho aty, izy any, soa ihany aza aho fa aty lavitra aty! Aleo izy ho any. Tsy hiantso azy aho, tsy hanoratra ho azy intsony, tsy te hanana fifandraisana aminy intsony aho na dia kely aza. Tsy maintsy mitraka aho, hoy ahy sy ho an'ny ho aviko manontolo. Tsaroako ny tenin'i Profesora Mahefa tamiko. Tazomiko ho ahy samirery izao trangan-javatra izao. Iza moa no mba azoko itokiana? Ny reniko, olona tokony ho faran'izay akaiky ahy aza no toa lasa vahavaloko voalohany? Eny e! tsy naloaky ny kibony aho. Izany angamba no nanaovany ireny. Tsy te hanome tsiny azy aho. olombelona ihany ny olombelona, mitoetra foana ny hoe "nateraka" sy "tsy nateraka" na dia tsara fo sy toetra aza ny olona."

Nandinika ny fiainany manontolo teo izy. Nisaina kely ny zava-nitranga taloha notantaraina taminy. Ny amin'ny TENA FIAINANY.
- "Indrisy! nahoana re ry Neny no dia nandao ahy ianao e! Any ianao izao mahalala ny manjo ahy rehetra. Neny a! ampio ny zanakao, inona no tokony ataoko? aiza no tokony izorako? Neny a! tsy afaka ny hiverina ety an-tany intsony ianao. Eny fa na dia izay aza ny faniriako faran-tampony izao. Tarito any amin'izay raiko niteraka ahy aho Neny a! Mahatsiaro loatra ho irery aho eto amin'ity tany fandalovana ity. Tafasaraka samy mbola tao anatiny fitiavana tanteraka hono ianareo, mino aho fa ho tia sy hanaiky ahy zanany izy e! Andriamanitra o!
Mino aho fa izao no fotoana tokony mba ahalalàko izay tena raiko niteraka ahy, mahatsiaro ho irery loatra aho. 

 Loulou ([email protected]) & Tadiom-pitiavana ([email protected]

Pejy 50
2006/05/31,23:06
 Nanembonembona an’i Mihary ihany i Hery nony izy samy irery no teny ambony fiara niaraka tamin'ilay mpamily ndeha hanatitra azy tany antranony. Tsapany ho tahaka ny misy hafatra tian’ity tovovavy ity hambara, nefa tsy sahiny nolazaina taminy akory .  Sanatria hoe tsy misy fo mitempo ho an’i Mihary mihitsy any anatiny any, fa afo roa tsy mitovy ireo hoy izy ka ny iray, fitiavany an’i Alexia izay niredareda hatramin’izay ary tsy mety maty ao am-pony, ny iray kosa afo nitsilopilopy efa saika maty nefa narehitry ny solika tampoka.
Fantany fa naharary an’i Mihary ny nataony, kanefa, raha ny hamafin’ny fitiavany an’i Alexia dia tokony tsy hisy haharava azy araka ny eritreriny.
Fantatr’i Hery tokoa fa maditra izy, tsy mahatanty ny langolangon’olona ary  rendrika hatrany raha vao tobasan’ny safosafo sy ny orokoroka. Na izany aza anefa no niseho, dia tsy mba nampihena ny fitiavany an’i Alexia mihitsy ny fihetsika tsy voahevitra nataony.
Toky no nataony tamin’i Mihary, izy ilay niteny hoe : « raha tena tianao marina izy dia hajao ny tenanao ». Satria izay ny marika voalohan’ny fitiavana, mitoky amin’ny fifanajàna. Raha mba fantatr’i Alexia marina moa ny hadalàny rehetra nataony tao anatin’izay fotoana izay. Dia inona marina re no hitranga ?

Tonga teo am-bavahady ilay fiara nanatitra azy. Nidina izy sady namoaka ny entany.
- "Misaotra anao mihitsy Rangahy fa tena mahafatra-po ianao nanatitra ahy hatraty an-tranoko. Tsy maintsy manome ity aho fa ataovy ho toy ny fahafaliam-po izany e! Ianao rahateo moa mbola nanaiky nandeha na dia andro tsy fiasàna aza."
- "Tsy maninona izany Ramose fa anisan’ny iraka nampanaovina ahy ange ny naka azy tany e! tokony ho rahampitso aza isika no niverina fa zarako aza,.. mba te hahita ny vady aman-janaka koa e !…Tsy maninona fa raisiko ihany ny fanomezana atolotrao ahy. Raisiko ho fanomezana izany fa tsy tambin-karama akory."

Nanampy an’i Hery nitaona ny entana ilay mpamily. Vita izay dia lasa izy nitondra ny fiara namonjy ny fitobiana.

Nosokafan’i Hery avokoa ny varavaran-kely rehetra. Ny andro rahateo mbola tsy tena maizina. Novohainy midanadana hidiran’ny rivotra madio. Hafa ihany ny ato an-trano hoy izy niteny aneritreritra. Tao tokoa no nahalehibe azy. Tao no niriariavany tamin’ny reniny. Nakany ny anatra mamy sy feno fitiavana hatramin’izay. Tao koa anefa no nanaovany izao hadalàna mihoa-pampana tsy fampiseho masoandro rehetra izao.

Nitsilanilany teo ambony fandriany izy. Namelombelona ny nofinofiny amin’i Alexia.
- "Mino mihitsy aho fa mbola velon’aina soa aman-tsara any izay ilay tiako. Matoa aho manembonembona azy dia fantatro fa misy rohy mifandray foana any ho any. Raha mba miantso ahy izy izao dia ho feno ny fifaliako; Oay, tsy maintsy miantso an’i Tahiana marina fa izy izao no mahalala ny vaovao.
Andray, hay moa tany anatin’ilay findaiko very ny laharana azo ianatsoana azy. Loza izany ! Ny andro koa ity efa miha-maizina, izaho reraky ny dia.
Aleo aloha handeha hisakafo atsy amin’ilay hotely kely atsy dia maka aina tsara rehefa avy eo. Rahampitso avokoa vao heverina izany rehetra izany."

Narindrin’i Hery indray ireo varavaran-kely rehetra dia iny izy nandeha tongotra moramora nankany amin’ilay fisakafoanana eo akaiky ny tranony. 

Fa tany amin’i Tahiana amin’io, izy irery no mijery fahita lavitra ao amin’ny efitranony. Akanjo mandry manify no teny an-kodiny, ny tapany ambany mitsofoka any anaty lamba.Toa tsy amin’izay fandaharana amin’ny fahitalavitra anefa ny sainy fa mieritreritra lalina ny tokony hataony :

- "Fa mba maninona koa ary ry Hery no mamono finday foana hatramin’izao. Nahoana no tsy nandrenesam-baovao mihitsy, tsy niantso. Tsy sahiko koa ny nanadihady tany amin’ny toeram-piasàny fa sao dia raikitra eo ny fanontaniana be! Dia sanatria ve nivari-lavo araka ny nolazain’i Malala ? aza hitako.
Nefa fantany tsara fa izaho no manana vaovao mikasika an-dry Ratrema mianakavy. Inona ary ny manjo ilaikely iny?" hoy ihany izy anankampo.
" Fa na izany na tsy izany, ny valifatiko ataoko amin’i Malala aloha tsy maintsy omaniko tsara. Iny izay any efa tsy mitombina mihitsy. Angamba efa nanandrana niantso fa tsy nahazo. Mba adaladala fisaina koa ange izaho ity e !
Teo aho nanampy an’i Hery nanao ny pasipaorony mba ahafahany mitady an’i Alexia. Vao niantso ahy anefa i Malala dia lasa valifaty ny tsy hahitan’i Hery azy intsony indray no aty an-dohako. Inona re no tena paika tsara e !
Tsy tiako mihitsy aloha ny mbola hidiran’i Hery amin’ny fianakavian-dRatrema e ! Fa izy moa manao mafy loha ny hitady izao malalany izao foana no masaka ao an-tsainy! He izany izy hoe: i Alexia aza tsy te-hiverina aty intsony!
Ka tsy aleo ve itadiavana sipa hafa mba tsaratsara i Hery ? Iza anefa ? Raha mba misy izao ato amin’ny fianakaviana dia tena lafatra mihitsy. "
Variana teo am-pandriana teo i Tahiana, lasa saina lalina amin’izato tetik’ady valifaty ketrehiny.


Tadiom-pitiavana ([email protected])

Pejy 49
2006/05/31,05:12
- "Andray letsy Ratrema, fa angaha letsy dia tena mafy mihitsy ity adin-tsaina mahazo an’ialahy. Izaho letsy eto manovokovoka mihitsy mamelona fa toa tsy taitra akory ny an’ialahy. Fa maninona ialahy ity e?" Sady niala i Corine no nitsangana teo anoloany.
- "Tsss ! izao ve letsy no ataon’ialahy. Ka raha tsy mitohana ko!" hoy ihany izy.
- "Miala tsiny!", hoy Ratrema namaly azy tamin’ny fahamenarana. "Tena tsy fantatro mihitsy e!" ssshhh, raha mba tena fantatrao marina mantsy ny olana mianjady amiko!"

- "Ssshhh!" hoy i Corine, andramako farany fa efa tena za-draharaha amin’io aho, hitan’ialahy tsara Ratrema ny asan’ny tanako fa tsy misy lehilahy tsy azo velomina izany eo!"

Nipetraka teo ambon’ilay fandriana kely aloha i Corine, vetivety monja niala teny aminy ilay tati-nono mainty manify namehy ny tratrany, hita nibaribary teo anoloan-dRatrema amin’izay ny hakanton’ny nono roa mipetraka tsara sady voakolokolo fatratra.Tahaka ny voankazo masaka tsara mampite-hioty sy hihinana. Notazotazominy vetivety aloha, sady nojereny tsara, dia nalainy ny tanan-dRatrema hisafo ireo nonony roa.
Nataon’i Corine tany am-bavany amin’izay ny fanondro adalany sady no tsetsitsetsafiny teo. Ny masony amin’io manao fijery miangoty amin-dRatrema ihany. Ity farany rahateo mba te hankafy, ny tànany roa amin'io tsy miala amin’ireo voankazo matoy.
Rehefa vonton’ny rora tsara ny fanondron'i Corine notsetsitsetsafiny teo dia hoy izy hoe :
- "Fanaoko letsy ity rehefa vizana iny ny vadiko, misy maha-mety azy ihany fa aza kivy mihitsy ialahy fa tsy maharary akory !!!"
- "Fa inona no hataonao ahy?"
- "Sshhhut ! Tsapao fotsiny!"
Naverin’i Corine tao am-bavany indray ny fanondrony teo, dia nasainy ningain-dRatrema ny feny roa.  Naka fitoerana tsara manatrika ny kibon-dRatrema izy avy eo, ny tanany ilany miverina manafosafo tsara ny filahian’ity lehilahy tiany hotairina amin’ny torimasony.
Vao niala teny am-bavany ilay ratsan-tanany dia nosafoiny ireo kitapo mifono hoditra roa voloina madinika nanoloana azy. Natsofony moramora teo amin'ilay lavaka teo aoriana ilay ratsan-tanany mando teo. Somary taitra kely Ratrema sady nijery an’i Corine.
- "Fa inona ity ataonao e?
- "sshhut ! manaitra ny taovan’ialahy aho ho’aho ! Avelao fotsiny fa izaho no manao azy. Tsy maintsy atao « contre-attaque » ity. 

 Somary natosiny ny fen-dRatrema ahafahany mahita tsara ny filahiany, dia nampanantoniny teo ny molony, nokitikitihany tamin’ny lela ilay lohany mbola matory iny, ny ratsan-tanany ilany ao aoriana mikarokaroka mora hamelona indray izay tsirim-panentana mbola tavela amin-dRatrema.

Injay fa tsapan-dRatrema misy tosa-dra mandalo amin’ny maojany manomboka mameno ny filahiany. Ilay kitikitiky ny fanondron’i Corine koa toa lasa mahafinaritra azy tampoka. Ny lela manafosafo malefaka ny loham-pilahiany vao mainka manampy tosika azy hihenjana kokoa.
Vao tsapan’i Corine fa mitombo halehibe ny filahiana teo amin’ny molony dia somary nateliny moramora no sady lalaoviny ihany koa. Ny tanany mbola tsy miala nanafosafo tao aoriana tamin'io raha tsy efa mafy tsara ny filahian-dRatrema.
Nirehareha mihitsy ny anao vavy fa mahay zavatra. I Ratrema koa toa te-hankafy mafy. Vao tsy omby tao am-bavany intsony ilay filahian-dratrema dia  noleladelafiny tamin’izay. Nesoriny moramora ilay tanany nanafosafo tao aoriana.
- "Ao amin'izay", hoy i Corine !
- "Corine an ! izaho ange efa niteny taminao fa efa milamina tsara ny aminay sy Malala e ! sao dia tsy mety izao ataontsika izao?"
- "izay indray ialahy, akimpio ary ny maso dia eritrereto ao ny Malalan’ialahy fa ny ahy izay hahazoako fahafinaretana no ataoko."

Natsotran’i Corine tsara i Ratrema teo ambony fandriana, naveriny indray ilay safosafo sy nononono teo, nalefany manaraka ny vatan-dRatrema ny tanany, nisafo ny tratrany, nidina teny amin’ny feny. Ratrema amin’io manakimpy ny masony tsy mijery fa mieritreritra an’i Malala tahaka ny manafosafo sy manome fahasambarana azy.

Rehefa tsapan’i Corine fa tena mihenjana amin’ny fara-tampony amin’izay Ratrema, dia nitsangana izy nanaisotra ilay atin’akanjo kely teny aminy, niakatra teo ambony fandriana, nosafosafoiny tamin’izay ny fivaviany efa mando sy vonton-dranom-pahafinaretana.
Nitingitingina teo ambonin-dRatrema izy, noraisiny sady najorony ny an'i Ratrema sady natohony teo amin’ireo molotry ny zohim-pahafinaretany.
Natsofony moramora dia nalentiny lalina dia lalina tany anatiny tany. Tsy nihetsika avy hatrany izy aloha. Ny tanany no nanafosafo ireo molo-pivaviany toa nihitatra be nidiran’ilay tehina mihitsitra mafin'i Ratrema teo. Tsapany tena feno ny ambany foitrany, manenika azy sahady ny hasambaran’ny nofo efa tsy nolalovany efa ho elaela izay. Notereny moramora tamin’ny fanondrony ny fotory ny filahian-dRatrema, dia ningainy moramora ny maojany, nakariny kely, dia nampidininy indray avy eo ;
- "Tena tiako be mihitsy ilay eo ambony an!" hoy izy sady miangola be amin’ny fiteniny.
Nahetsiketsiny tamin’izay ny maojany sady nataony  niaka-nidina, nihamafimafy, ny filahian-dRatrema amin’io tazana mangirana mihitsy mivoaka sy miditra avy tao anatin'ilay zohim-pahafinaretana vonton-kamandoana tsy misy ohatran'izany.
Fito minitra taorian’izay, manomboka misefosefo Ratrema, mitrentrena tsy fantatra hoe ahoana sady nanomboka nanaingainga ny fitombenany toa nanipitsipy an'i Corine.
- "OOOhhhh ! ouiii ! tena tsara Malala an!"  
Farany, tsy nahatana intsony ingahibe fa nalefany tao amin’i Corine avokoa ny ranon’ainy iray manontolo.
Tsy taitra tamin’izay akory anefa i Corine. Tsy navelany hihetsika mihitsy Ratrema, ilay tosa-pahasambarana teo rahateo tena tsapany nanome hafanana hafa  nameno ny kibony, vao mainka aza nampitombo ny fahafinaretany tsy tiany hijanona intsony. Nohidiny mafy tsara ny hozatry ny fivaviany. Somary nietsiketsika kely teo izy, niaingainga indray, nanamafy ny fihetsiny ; Ratrema amin’io efa mangorintsina aminy daholo ny faritry ny maojany rehetra, nitady hitolefika fa tsy afaka. Ny filahiany mikorisarisa fotsiny tahaka ny osoran-tsavony malama mandroso sy mihemotra anatin’ity zohy mafana efa voatondraky ny ranom-pahasambarany.
Tampoka teo, "Ho avy aho letsy Ratrema an ! oouuuiiiii !"
Tsy tantin’i Corine intsony, rian’aratra mila tsy ho zakany no nanenika ny vatany, tafatorombina ny anao vavy, nidaboka teo an-tratran-dRatrema, mbola tsapan’ity farany ny fiemponempon’ny fivaviana vao tonga fahasambarana, misintona ny ranon’aina hiditra any aminy hamonjy ny lalindalina kokoa.
Raha tsy nanainga ny maojany i Corine hitsotra manaraka ny vatan-dRatrema tsy nisaraka ny taovam-pananahan’izy roa.
Tsy nisy nifampiteny aloha nandritra ny minitra vitsy fa samy reraka, sady naka aina vetivety teo am-pifampitositosiana teo.
Nony afaka kelikely,
- "Ratrema an ! fa angaha dia tena tany amin’i Malala marina ny sain’ialahy teo,"
- "Fa ahoana?" hoy i Ratrema namaly sady ohatran'ny gaga.
- "Tena tsy tsaroan’ialahy angaha ny notenenin’ialahy teo?"
- "Fa inona no noteneniko?"
- "Shhh ! aleo ho any e …"
Soa fa fantatro fa tsy afaka manana anaka ialahy, fa raha tsy izany tsy navelako hanao ny tahaka ny teo iny!"
- "Tsy mazava mihitsy ho’aho," hoy Ratrema.
- "Izaho ange letsy mbola tonga fotoana foana hatramin’izao e ! Na dia efa tsapako aza manakaiky ny fitsaharan’ny fadim-bolako dia mbola tsy haiko mahatonga ahy mitady foana, ny vadiko anefa tsy mahatosika intsony indraindray. Dia ialahy koa asa izay nataon’ialahy tany efa ho iray volana sy tapany. Mba mila tambitamby ange letsy ny vehivavy, mila an’ireny, raha tsy izany aho ve hikoropaka hankaty vao niantso ahy ialahy? Izaho kosa aloha matahotra ireny bandy tanora ireny sao dia mbola bevohoka eo!"
- "fa ahoana koa ianao no ho bevohoka, ny zanakao farany aza efa lehibe any an-dafy no mianatra, ka hoe bevohoka."
- "Ny vadiko ange letsy no notapahina ny làlan’ny tsirin’ainy fa tsy ny ahy e ! Izaho izany mbola mety ho bevohoka tsara mihitsy. Fa izaho aloha tsy sahy manao an’ireny nataontsika teo ireny raha mbola bandy kely e ! Fa sssshh, ialahy koa moa efa tsy afaka miteraka dia izay no tena mahatonga ahy mitady an’ialahy foana… Fa ny tena tsy azoko ange letsy Ratrema e ! Ohatran’ny odian’ialahy tsy hita ny nataon’i Malala an’ialahy, ny zanany tsy misy an’ialahy akory fa nomeny teny amin’ny sisiny ialahy, ny ataony amin’i Alexia koa vao mainka loza. Dia gaga fotsiny aho naheno an'ilay hoe efa milamina ny aminay e" - "Tsy te-hanao afa-tsy amin’ny vadiko intsony aho raha ny tena marina e! Ohatran’ny tsy nazava taminao koa ny nolazaiko," hoy Ratrema, "efa hoe tiako lavitra tsy araka ny fiheveranao azy ireo zanako ireo, ireo no nomen’Andriamanitra ahy hotazaiko dia efaiko ny adidiko, ary tena tiako ireo, dia rehefa tiako koa ny reniny dia ampy ahy izay!"
- "Eny e ! Ekeko izany, fa vehivavy aho no miteny, fa araka ny fitantaran’ialahy an’i Malala, dia… tsy fantatr’ialahy akory izao izay ataony any lavitra any…, izaho ange letsy manana fom-behivavy fa rehefa zatra izay, tsy mety fa mitady foana."
- "Ny an’iny Hery ihany no tena tadiaviny, ankoatr’izay inoako fa tsy misy. Izy any, ilay Herin-doza iny aty, dia milamina ny saiko."
- "Enga anie ka izany tokoa!"
Tsy nahoan’i Corine intsony izay resaka hafa manarontsarona ny sainy, fa ny hafaliany namelona ity lehilahy efa tototry ny adin-tsaina no lasa reharehany tany anatiny tany.

Dia naka torimaso vetivety aloha izy ireo. Afaka antsasak’adiny vao niarina, niara-nisasa teo ambonin’ilay bakoly lehibe izy roa nony avy eo. Niakanjo tamin'izay dia niala hetaheta tao amin’ny birao rehefa avy eo.
- "Dia ahoana izany no hataontsika! Afaka manavotra ahy ve ianao e?"
- "Mbola manana roa volana sy tapany isika ! Aza matahotra ialahy, vitantsika foana io."
Nitsangana i Corine nandao ny seza nipetrahany ary nanatona ny varavarana, dia notolorany oroka lavitra kely Ratrema sady nikopakopa-tanana izy no nanao veloma. Jejojejo ery nivoaka ny birao.
--------------------------
Tany amin’ny hopitaly no nandanian’i Hery ny fotoana mba fialan-tsasatra azony taorian’ny asa nanirahana azy. Miandry an’i Mihary no nataony vaindohan-draharaha na dia tsy nisy soritr’aretina tavela intsony aza tamin’ilay izy fefiky ny ranomasina. Ilay Dokoteran’ny hopitaly aza moa, latsa-bava mihitsy fa misy fitahian’Andriamanaitra mahazo ity tovovavy dokotera ity fa na dia fahasemporana, na aretin’andoha kely aza tsy nisy, ny fahavizanany rahateo afaka vetivety. Tsy natahorana ihany koa ny mbola mety hiverenan'ilay  fahadisoam-panantenany teo. Faly avokoa ny rehetra, i Hery moa tsy hitany izay hambara amin’i Mihary tamin’ilay nanavotany azy teo amin’ny fanontanian’ny polisy. Tsy nisy resaka intsony fa dia nilamina ny raharaha.

Fa ny loza dia nandritra ny fivezivezena i Hery eran’i Mahajanga no very ny findainy. Tsy tsaroany mihitsy na taiza na taiza no nanadinoany ilay izy. "mety ho lasan’ny mpangarom-paosy ve? Hoy izy nanontany tena. " Misy an'izany ve aty Mahajanga?" hoy ihany izy nanohy ny eritreriny. Soa ihany fa ahy izy iny hoy izy fa tsy an'ny orinasa. Rehefa tonga any Tanà aho manolo azy indray izany.

I Mihary kosa amin'io nisaintsaina lalina ny hevitr’ilay nofiny. Nofy no nahatsapany azy satria nandritra ilay fotoana tsy nahatsiarovany tena no nisehoany. Indraindray anefa toa mitamberina ao an-tsainy ihany rehefa miresaka amin’i Hery izy. Indraindray very hevitra izy amin’izay tokony hatao. Dia tena tsy azo tantaraina na amin’iza na iza marina ve iny nofy iny, nofy tsara sa nofy ratsy ? nofy mifono hafatra lalina tsy maintsy tanterahina.
Dia inona no tena hitranga raha tsy tanany ny vavany fa mitantara iny izy ? "Mbola tia an’i Hery aho" hoy izy tany antsainy tany. " Ho vitako ve anefa ny hanova azy amin’ity hadalàny be mihoam-pampana ity, ary raha tsy vitako, dia inona no hitranga?" vaka teo ny sainy mandinika ny tokony hataony. Ireo fanontaniana ireo no niverimberina tao antsain'i Mihary tao. Tsy hita soritra tamin’ny tavany akory na dia izany aza anefa ny adin-tsaina mahazo azy.
Toa nentin-javatra izany aho izy tamin’ilay niroboka tany anaty ranomasina. Asa, inona marina no nahatonga ahyy nanao ireny fihetsika tsy voahevitra ireny ?
---------------------
Nony dila ny efatra andro dia nanapa-kevitra i Hery fa hiverina hody any Antananarivo amin’izay. Na dia afaka nandeha fiaramanidina aza izy dia naleony niaraka tamin’i Mihary satria tsy foiny nilaozana ary tsy hampandry saina azy ny handefa an’i Mihary irery hamakivaky ny 600 kilometatra izay tsy mbola nahazatra azy akory. Ilay fiara nandehanan’i Mihary koa malalaka satria izy irery no saika ho entin’ny mpamily. Dia niray dia izy roa, tsy dia nisy resaka lava teny andalana.

Vao tonga teto Antananarivo dia i Mihary aloha no naterina tany an-tranony.
Nampidinina ny entany dia nobatain’i Hery nankeny amin’ny varavaram-be.
Nampanenoina ny lakolosy fanairana.
Injay fa namoha trano ny maman’i Mihary,
- "Tonga soa ny zanako!" 
- "Manao ahoana i Neny! nanao ahoana ianareo taty izay?"
- "Mandrosoa aloha e ! ary olona efa fantatro izany miaraka aminao izany! tsy i Hery ilay niara-nianatra taminao ve ity," hoy ny mamany sady nampiditra ny solomasony.
- "Ie ! izy mihitsy io ry Neny an ! nifankahita tany Mahajanga izahay. Ka tsy aleo aloha ampidirina avokoa ny entana."

Faly dia faly ery ny maman’i Mihary nahita indray an’i Hery. I Hery aza gagagaga fa toa tsy fantatr’ity reniny akory izay nanjo an-janany. Ary tahaka ny olona efa fahitany izany ny endrik’ilay ramatoa, tsy tadidiny mihitsy na dia niezaka aza ny sainy hikaroka lalina.
Ny fiaran’ny ministera moa tsy maintsy mody ka tsy afaka ny hijanona ela ao an-tokontany, ilay mpamily rahateo nanaiky ny hanatitra an’i Hery any an-tranony.

Nony vita ny resaka rehetra tao an-trano dia naterin'i Mihary teo an-tokontany ny tovolahy. Nosintominy ny tanany mba hiresahany.
- "Hery an ! aza gaga ianao raha tsy mahalala ny nanjo ahy tany Mahajanga i Neny fa marary fo izy io ka raha fantany izany dia mitarika aretina ho azy." Noferana tany Mahajanga iny resaka iny fa tsy tody taty mihitsy ka ianagaviako ianao hihevitra iny toy ny tsy misy akory."
- "Eny e!" hoy i Hery menamenatra.
- "Izay fa mitandrema tsara ianao, hendre tsara. Araka ireny noilazaiko anao ireny dia mahonona tena tsara tsy ho azon’ny fakam-panahy. Tsy maintsy mbola manara-maso anao foana aho fa mila mifampiantso isika."
- "Azoko atao mihitsy ny mampanantena anao izany ry Mihary, ary ny zavatra rehetra ataoko manomboka izao dia noho ny fitiavako an’i Alexia daholo. Ekeko ny teninao fa hampionona ny tenako aho, ary tena ataoko ho an’i Alexia izany."
- "Veloma ary! antsoiko ianao raha vao  mahavidy finday vaovao aho an!" hoy ihany i Hery.
- "Eny ary ry Hery, mirary Krismasy sambatra raha toa ka tsy mifankahita alohan’izay."

Nifanoroka tamin’ny takolaka izy roa, dia nandray ny fiara i Hery hanatitra azy tany an-tranony.
I Mihary kosa variana nibanjina ilay fiara nandao ny tanànany. Tahaka ny lasa nanaraka iny avokoa ilay fanantenana nipololotra tampoka noheveriny hiara-dalana amin’ny fiainany.
Lasa i hery, lasa nanaraka azy ilay fitiavana nantenainy hatramin’ny fahazazàny.
Toa nanganohano ny masony; teo no nahatsapàny fa tena mbola tia an’i Hery tanteraka izy na dia saika namoizany ny ainy aza izay fitiavany izay…
Ity olona antenainy anefa toa tsy mitempo fitiavana azy akory!

Tadiom-pitiavana (
[email protected])

Pejy 48
2006/05/30,04:15
  Roa andro monja izay no nivoahan'i Alexia ny hopitaly. Tsy maintsy mbola maka aina tsara izy na dia saika hiaraka hivoaka amin-dReniny ihany aza hiantsena. Nangingina irery tao izy. Nanokatra ny solosaina izy, niditra tao amin'ny aterineto, nanokatra ny tranonkalan'ny Yahoo. Nino izy fa efa maro dia maro tokoa izay ny mailaka azony nandritra izay iray volana izay nitsaboany tena izay. Nanantena mafy koa izy fa ny mba hisian'ny mailaka na dia iray monja aza avy any amin'ilay malalany ao. Io tokoa eny, efa ho telo herinandro lasa no nandroratany azy, fotoana taoriana kelin'ny niampitany taty Parisy. Nosokafany avy hatrany:

Alexia malalako,

Any ianao izay, tsy haiko manakory
Nitraka? salama? angamba mbola ory
Fantatrao? Izaho aty fadiranovana
Latsanenina anaty, toa akaiky fahalovana

Any ianao izay, mety ho leo, miantso tody
Mifi-dranomaso, miandry izay ho fanafody
Ny ratram-pitiavana iafiana
Ny hirifirin'ny vatana ijaliana

Tsy vanona aho, tsy valahara, ekeko
Namitaka anao aho, neniko, tena neniko.
Iny zava-bitako iny re! ahoana raha fafàko
Fantatrao fa iny anie, tsy sanatria tanaty ràko.

Etsy anie e! avalomy irony hatezeranao irony
R'ilay ravaky ny foko, voninkazo mani-bony
Mbola manentoento ho'aho izany fofonao e!
Iainako andro aman'alina, ao anatiko ao.

Soa aho kenda hahay mitsako
Ny toetra ratsiko hatrizay ialako
Soa aho lavo hahay hamindra
Raha sitrakao re, ndao mbola hirindra.

Tena ifonako iny zava-bitako iny. Tiako loatra ianao Alexia, very aho raha very anao. Fantatrao izany ry hany malalako?
Hery tia anao.
Tena gaga i Alexia, tsy nampoiziny ho i Hery no andeha hanoratra tononkalom-pitiavana ho azy. Dia zava-baovao ho azy indray izao fahaiza-manao nasehon'i Hery azy izao, hafa kely. Faly indray izy, tena faly satria fantany fa tsy maintsy ho niezaka ny hahazo vaovao mikasika azy i Hery fa i Ratrema no nanapaka izay mety ho fifandraisana rehetra. Raha ny sitrapony dia ny hiantso an'i Hery an-tarobia avy hatrany, saingy tsy misy ao an-trano, ny finday koa tsy manana izy, tsy afaka ny hampiasa ny an'i Malala anefa izy, tsy tiany ho fantatry Malala mantsy izao ho fifandraisany amin'i Hery izao sao hanimba zavatra indray. Hany azony natao dia ny mamaly ny mailaka. Tsy hitany koa anefa izay ho soratana. Ny tononkalon'i Rado nianarany, ary isan'ny tena tiany fony mbola tany an-tsekoly no nindraminy:

Hery tiako ianao,
Tiako ianao no sady halako,
Fa mangidy koa no mamiko
Fahavaloko, malalako
Samy anaranao raha amiko.

Angolaiko hoe fitiavako
Na bantiko hoe mpamitaka
Mifangaro ao am-bavako
Ny hatezerana sy sitraka.

Tezitra aminao ny foko
Misamboaravoara erikitra
Kelikely indray misoko
Ilay fitiavako mamikitra

(Rado - Dinitra pejy 77)

Alexia tia anao, efa salama aho fa mikasa ny hanohy ny fianarako aty.

Loulou. ([email protected])

 

Pejy 47
2006/05/28,19:12

- "An! ahoana an!... an! Hafarana aty i Hery? Izaho hody any dia i Hery ho aty?"
- "Inona no ho tokony ho olana amin'izany ry Malala?"
- "I Hery anie any no miasa e! Sady... iny lehilahy iny ve no efa nampijaly azy ho toa izao dia mbola ianao indray no ndeha mbola hampidikizo azy amin'iny?"
- "Izaho ve ry Malala dia hanolo-bato mafana an-janako a! Saingy tena tsy hitako mihitsy izay atao. Very hevitra aho. Aleoko lavitra izy hitia sy hiaraka amin'ny olona tiany azo tiavina, toa izay ....izaho rainy no..."
- "Hitako ny hevitra, i Tojo. Tsy dia mifankaiza loatra amin'i Hery izy raha bika aman'endrika, ny fihetsiny sy ny fahaizany miresaka, olona sariaka sy tia olona ihany koa, tahaka an'i Hery.
Mino aho fa ho tian'i Alexia izy, aleo aloha hampifankafantarintsika izy roa ry Mahefa a! Hiresaka amin'i Alexia koa aho."
- "I Tojo aloha efa ela ihany no nahafantarako azy e! Tovolahy azo lazaina ho tsara fitondran-tena. Ny fianarana sy ny fitadiavam-bola no tena nandaniany fotoana. Tsy ho sahy hanao ratsy an'i Alexia iny noho ny tahony sy ny fanajany ahy. Eny ary ry Malala, fantatrao ny toetran-janakao, mino aho fa ny hahasoa azy no imasoanao, toa izany ny ahy."

Nanaiky i Mahefa. Gaga ihany anefa izy noho ny fahafantaran'i Malala an'i Tojo tsara. Saika tsy tsaroany na ny fototana nifankahalalan'izy roa voalohany aza. Raha iny nandeha nisotro kafe iny izy roa no i Alexia kosa tao an'efiny, namerimberina tao an-tsainy ilay fanontaniana napetraky Mahefa teo: "Mbola tianao i Hery e!"

Hery, efa iray volana mahery izay no tsy mba nandrenesan'ny sofiko izany anarana izany. Tsy mba nisy mihitsy resaka nifanaovanay ambamin-dry Papa sy Neny ka voantonona tao ny anaran'i Hery. Nefa niventiventy azy isan-kariva anefa ny saiko, rehefa izao irery iny no ato an'efitra. Mba nanao ahoana izy izay any? Dia tsy mba niezaka ny hiresaka amiko mihitsy ve, dia tsy mba nanontany vaovao mikasika ny fahasalamako akory ve? Sa dia nosakanan'i Papa tanteraka? Izaho koa tsy sahy hanontany fa sao dia ho voalatsalatsa eo. Mba iza loatra ary re no vehivavy niaraka taminy tamin'iny andro iny e! Ity izaho dia tsy mba nihaino izay fanazavana avy taminy akory. Mino aho fa tena nanenenany iny, tsy mino aho hoe i Hery tsy hanontany vaovao mikasika ahy, fantatro fa tena tia ahy izy saingy mety ho avy aty amiko ihany koa ny olana. Tsapako, tsy manana traikefa aho amin'ny fanaovana fitiavana, tsy mba nikarokaroka hanatsarana ny fiarahanay roa. Nionona taminy aho, tsy nahalala afa-tsy izy ny boziko. Izaho no nahazo fahafinaretana tanteraka taminy rehefa niray ny vatanay, saingy izy kosa... mety izay ihany no niarahany tamin'ny vehivavy hafa. Te hanarina ny mety ho fahadisoako tamin'ny fiarahanay aho. Nefa amin'ny fomba ahoana? izaho ity hoe hianatra aty? Mbola tia azy aho. Tena tia azy aho. Manina azy aho izany.  
 

---------

Hivoaka ny hopitaly i Alexia. Voaorona avokoa ny fitaovana madinidinika tokony ho entina mody, i Tojo sy ny fiara koa efa niandry teo haka ny marary sy ny reniny. Nanandrana ny niantso an'i Malala antelefona foana i Tojo taorian'iny alina iray iny, saingy tsy noraisin'i Malala mihitsy. Gaga anefa izy fa dia ity farany indray no niantso azy hoe mba hanampy amin'ny fakàna an'i Alexia. Mbola nanantena an'i Malala tanteraka izy, tsy hainy adinoana ny fomba nitiavan'i Malala azy iny alina iray manontolo iny.

- "Izy no Alexia, zanakovavy, izy kosa ry Alexia no Tojo, tovolahy mpianatra eto Paris. Mino aho fa ho afaka ny hanampy anao betsaka tokoa izy amin'ny fikarakarana ny fianaranao sy ny fifankahazaranao an'i Paris. Sady tena azo atokisana, namana akaiky an'i Profesora Mahefa. Sa tsy izany ry Tojo?"
- "Ianao izato koa ... Madama, eny afaka manampy anao aho rahefa mbola azokoa atao."
- "Misaotra anao mialoha, mino fa mba hanana fotoana ihany koa i Profesora hanampy ahy."

Kivy kely i Malala, tsy nisy fahatairana na avy tamin'i Alexia na avy amin'i Tojo. I Alexia moa ny toetrany tsy mba ho taitra amina lehilahy vao miserana izany. I Tojo indray, i Malala no nifantohan'ny sainy, i Alexia rahateo koa moa, saron'ny havizanan'ny tsy fahasalamana teo ny maha izy azy. Na ny fiakanjony aza tsy mba nofantenina.

- "Etsy izato indry ry Alexia midira etsy aloha, fa aleo aho ho ato aoriana. Amin'izay ianao afaka mahita tsara ny hakanton'ny Paris."

Tsy nisy teny anefa nifankalozan'izy roa teo aloha, i Alexia koa toa sorisorena tamin-dreniny ka tsy nahitana teny firy. I Tojo indray i Malala ihany no noezahiny ampiresahina na dia somary namaly bontolo foana aza. Ny masony amin'io mitily an'i Malala eo amin'ny fitaratra fitarafana ny any aoriana foana.

Nanatitra ny entana tany ambony i Tojo dia hoe handeha hody. Nosintoniny nanaraka azy hivoaka ny varavarana i Malala. I Alexia koa variana nisomaritaka tamin'izy mianadahy kely elaela tsy hitany.
- "Nahoana ianao no tsy nety niresaka tamiko mihitsy ry Malala? misy olana angaha?"
- "Tsy tiako ho tsikaritry i Alexia ry Tojo a! Ataovy ho toy ny tsy nisy iny alina niarahantsika iny, tsy hisy intsony koa ny tahaka an'iny. Miangavy anao aho, aza adalainao aho. Hanaovako azafady aminao koa raha nanadala anao aho. Loza raha fantatr'io zanako vavy io izany. Sady tsy mitempo fitiavana anao ny foko ry Tojo, manambady aho, mbola manan-janaka kely. Izay fa aleo aho hiverina hiditra, veloma ianao, dia misaotra indrindra."

Sady nivonto ny fon'i Tojo no gaga izy amin'ny fihetsiky Malala. Fantany hatrany am-boalohany fa tsy ho fiarahana matotra mihitsy no nilàn'i Malala azy, fa faniriam-behivavy zatra firaisana ara-nofo tsy tapaka tao anivon'ny tokantranony fotsiny, saingy ankehitriny tafasaraka naharitra tamin'ny andefimandriny izy  ka tsy nahatohitra ny faniriana sy ny filàna tao anatiny. Nila azy fatratra i Malala, nefa izao dia manosika azy fatratra handeha ihany koa, noho i Alexia marina angaha.

Loulou ([email protected])

Pejy 46
2006/05/26,09:01
- "Izany eo ihany Profesora fa dia mbola manantitra ny fisaorako feno anao ihany ny tenako noho ny soa lehibe vitanao taminay mianakavy, indrindra moa fa tamin'ny tenako. Tsy vitan'ny hoe nandray an-tanana ny fitsaboana ahy ianao fa dia mbola nekenao tsy am-pisalasalana ihany koa ny hikarakara ny fianarako aty am-pita. Tena olona hafa raha samy olona tokoa raha ianao."
- "Tsy misy tokona hisaoranao ny amin'izany ry Alexia a!" Hoy i Mahefa somary nikaroka izay hambara.
Tonga
dia fanahiana avy hatrany ny amin'izay mety ho tohin'ny resaka no tao an-tsainy. Na olon-kafa aza no teo amin'ny toerako mba nanao toa izany koa.
- "Tsy marina izany, na izaho na ianao samy mahalala fa tsy marina izany. Koa raha izao fifandraisana misy amintsika izao ve Profesora no hitranga matetika any amin'ny toeram-pitsaboana isan-karazany, na iray ho velona ny ady saritaka, na koa dia ho zary lasa hitempo fitiavana ho an'ny mpitsabony avy avokoa ny marary rehetra, sady lokilokin'ny hehy i Alexia.
- "Ka ianao anie ry Alexia tsy mitovy amin'ny marary rehetra fa..."
- "Izay indrindra mantsy, hafa raha samy marary mila fitsaboana no fandraisanao ahy Profesora. Ary hafa raha samy mpitsabo no fandraisako anao ankehitriny. Samy mahatsapa izany isika, tsy tokony nefa tsy tokony ho resin'ny tahotra isika."
Tsy nahateny i Profesora.
- "Hitanao! marina ny nolazaiko ka sy mahita ambara izato ianao o!"
Vao maika izy nivaloharika. Mahery loatra ny fibanjin'i Alexia ny masony, te hanodina ny fijeriny izy, fantany anefa fa tsy maintsy miteny ny vavany. Hany heriny, nanantona avy eo ankavanan'i Alexia, nitingitingina, nandray ny felantanany, sady somary nanafosafo azy no somary namihina, mikaroka izay hambara.
- "Alexia a! mbola tanora loatra raha ianao, mety ho sarotsarotra aminao ny hahazo ny zavatra tena misy marina."
- "Aza manahy ianao, ny elanelan-taona misy amintsika no mampisy tahotra ao aminao fa fantatro, ka zary ho lasa sakana amin'ny firosoana rehetra. Ry Dada sy Neny koa mielanelan-taona be ihany, saingy tsy misy ny olana, maro koa ny olona no toa izany, tsy maninona..."
- "An! an! Alexia a! henoy aho aloha, miangavy anao aho, henoy aho. Hitsabo tena no maha eto Frantsa anao. Efa azo lazaina ho teo ambavahoan'ny fahafatesana ianao, iray volana lasa izay, sitrana soa aman-tsara ianao izao noho ny fitahiana'Andriamanitra. Ezaho mba tsy hiverina aminao intsony iny fahadisoam-panantenana goavana nanjo anao iny. Afo mandoro ny fitiavana anaka, tena mandoro, indrindra indrindra fa raha milalalo azy ny iray nefa ny iray mandray azy ho tena matotra. Diniho tsara, taiza ny lesoka, mahaiza mandanjalanja ny halalin'ny fahatokisana sy ny fitiavana sahaza olona iray amin'ny manaraka."
- "Hay tsy misy miafina aminao ny fiainako na dia kely aza? Hay dia notantarain-dry Neny avokoa ny momba ahy rehetra a!"
- "Alexia a! aza misendaotra aloha ianao. Resaka tsotra nifanaovanay no nahafantarako izany mba hahafahana mitsabo anao tsara. Fantaro fa nomena fanafody fankaherezan-tsaina anie ianao e! Nandeha koa ny resaka ny amin'ny mety ho
antony
nahatonga iny lozam-pifamoivoizana nahazo anao iny."
- "Na izany aza ry Mahefa tsy anjarany no mampahafantatra aminao ny momba ahy a! Ahy izany, fiainako, ary efa fanaon'i Neny mihitsy ny mitsabaka foana amin'ny fiainako ka nampisy olana taminay matetika hatrizay. Tiany atao avokoa ny zavatra tokony ataoko, te hipetraka eo amin'ny toerako mandrakariva izy, ary tiany ho azy izay ananako."
- "Alexia a! fitiavany anao izany,"
- "Fitiavana ahy sa fitiavan-tena? Tsy fantatrao ny fiainanay ka miteny izany izato ianao."

Fahanginana no niserana nandritra ny segondra vitsy. Fotoana fohy nampitonian'i Alexia ny fony, fotoana fohy nametrahan'i Mahefa tany an-tsainy fanontaniana izay mety ho fiainan-dRatrema mianakavy marina tokoa. Nisento i Mahefa. Porofon'ny fifankahazoany am-po amin'i Alexia ny fahafahany mananatra an-janany. Nefa porofom-pitiavana velona tao amin'i Alexia ny fiantsoany hoe "Mahefa" tampoka teo, tsy nisy hoe "Profesora" toy ny mahazatra.

- "Mbola tianao i Hery e!" hoy i Mahefa nanohy. Nisento tokana fotsiny anefa i Alexia.
- "
Mino
aho fa mbola mitempo fitiavana lalina azy ny foanao."
- "Fa ahoana no ilazanao izany? Fantatrao tsara nefa ny hirifiry nosedraiko taminy. Ankoatry ny tsy nolazain'i Neny aza."
- "Fitiavana miredareda toa ireny, anaka, tsy mora ny mamono azy. Mety mangina vetivety fotsiny izy, matory fa tsy maty. Ny sainao no mety mandà azy, fa ny fonao mbola mitempo fitiavana aminy. Ny sainao no miezaka mitady olon-kafa hotsiriritina hasolo azy, fa ny fonao, na dia mbola marary aza, tsy mahafoy azy."
- "Niainanao angaha izany? hoy i Alexia sady nitsiky."
- "Eny e! ny ampahany angamba. Olona iray no hany fitiavako, 21 taona lasa izay, taonanao e? Nisy fotoana kivy tanteraka aho, nikasa ny hitady izay hasolo azy, saingy, tsy nety satria efa niorim-paka lalina ny fitiavanay."
Toa vonona tanteraka ny hamboraka ny tsiambaratelo izany i Mahefa. Somary nihilana kely niankavanana i Alexia. Notakariny tamin'ny tanany havia ny takolaky i Mahefa, ity farany nipararetra tampoka, soa ihany indro,..., niditra tampoka i Malala. Nivontirika ny masony nahita ny fihetsik'izy mianaka teo.
- "Neny, fa naninona i Neny no izao vao
tonga
? fa nisy inona? Izao efa mba tsindrian-daona ery."

I Malala niady saina hoe " Nolazain'i Mahefa azy angaha ny marina ka mampahery azy i Alexia fa tsy nisy hadisoany ny tsy nifankahitan'izy mianaka?"

- "Vao nifanena tamin'i Professeur Dubois aho teo, nilaza izy fa afaka roa andro ianao ry Alexia dia efa afaka mivoaka ny hopitaly raha tianao. Efa salama tsara hono ianao."
- "Izay no adinoko tokoa," hoy i Mahefa toa nahazo aina tampoka, "saingy tsy mbola mahazo manao vizana be ianao na dia izany aza. Tsy maintsy karakaraina ny taratasy momba izany. Andao anie aloha isika ry Malala hiaraka hanao izay taratasy izay a! manaraha ahy ho any amin'ny birao vetivety. Sitran'ny ahay vita izao izay vita."

 

Notantarain'i Mahefa tamin'ny antsipirihany ny fihetsiky Alexia hatramin'izay. Ketraka i Malala, tsy nampoiziny. Teo vao nitamberina tao an-tsainy ny fanontaniana madinidinika mikasika an'i Mahefa napetraky i Alexia taminy hatramin'izay.
- "Dia ahoana? Inona no ataontsika manoloana izany?"
- "Izay mihitsy no isany nahavaky ny saiko hatramin'izay. Tsy aiko ry Malala, tsy aiko, mila hiorona mihitsy ny ati-dohako."
- "Koa inona moa ny hisalasalan-tsika fa dia aleo lazaina azy amin'izay ny marina."
- "Tsia an!" hoy i Mahefa nanivingivin-doha mafy. "Tsia dia tsia ry Malala, hanimba an-janako izany."
- "Efa mba salama anie izy izao e!"
- "Tsy ny fahasalamany intsony indray izao no olana,
tara
loatra isika, efa andohalika ny ranom-bary. Raha izao no lazaina aminy fa izaho no ray niteraka azy, dia na iray alehany ho tezitra amintsika izy, indrindra amiko hoe nahoana no tsy nambara taminy hatramin'ny voalohany izany. Na iray ho fatin'ny henatra io zaza io ka tsy te hifampikasoka amiko sy hatita ny salovan-tavako intsony. Amin'izay aho vao tena ho very. Tsia an! Nikasa ny hanomboka hanome azy ny anjara fitaizako aho, hiantoka ny fianarany sisa. Fantatrao fa izao no mba fotoana tokony hanararaotako ny fotoana very taminay mianaka hatramin'izay. Sanatria anie izany ry Malala. Hanimba ny sainy izany, eny fa na dia ny hieritreritra fotsiny aza fa izaho rainy no nanaovany ireny fihetsika mamoafady ireny."

- "
Marina
izany ry Mahefa nefa, na dia olona tsotra sy tia olona ary be fandeferana tokoa aza i Alexia dia manana ny hasiny sy ny hajany izy ary niezaka ny nitandro izany foana hatramin'izay. Mety hanimba ny sainy tokoa. Tsy diso izy akory nitempo fitiavana taminao mpitsabo azy,... saingy... ianao rainy..... Dia ahoana ny atao ry Mahefa?"
- "Ianao sy izy mianadahy kely koa tsy ho ela intsony dia hiverina hody any antanindrazana. Izao no angamba no hevitra hitako, hafarana aty i Hery."
- "An! ahoana an!... an! Hafarana aty i Hery? Izaho hody any dia i Hery ho atyy?

Loulou ([email protected])

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype