Tadiom-pitiavana

« Pejy 56 | Main | Pejy 58 »

Pejy 57
2006/06/14,08:04

   - "Mandrosoa Tatie, mandrosoa dia mipetrapetraha!"
- "Ie, handroso tokoa moa izany! andray akia izany hatsaran’ny biraon-driako! tena mahafinaritra be sady manaraka ny tsara toetr’andro ankehitriny an! Tena lafatra, hita mihitsy hoe avy any Amerika!"
- "Tatie ity koa, manao ahoana aloha e ! mahazo mifampiantso amin’ny anarana ve isika e?"
- "Ie ! tsy mampaninona, rehefa eo amin’ny fianakaviana ihany no tokony hifampiantso Tatie, satria manjary manakorotan-javatra, sady isika koa ange tsy dia mifanalavitra taona e! Na dia zokin-dry lavidavitra kely aza aho, niara-nilalao ange tamin’ny mbola kely e! ahatsiarovako lehilahy iray… ha, ha, ha !!!"
- "Fa inona aloha no anton-dian’i Tahiana e? Misy vaovao matoa
tonga aty!"
tena misy mihitsy ary tsy nampoiziko aza! Hay ve indry ty ka niara-nianatra tamin’i Hery e! Aiza moa no ahafantarako izany fa dia nifankahita tampoka tao alatrano tao izahay."
- "Niara-nianatra foana aza izahay hatrany amin’ny kilasy famaranana fa nony afaka bacc dia samy nanana ny nalehany ka atao ahoana! Fa maninona no mahaliana be an’i Tahiana izany?"
- "Ka mikasika izay mihitsy ange akia no tiako nandehanana aty amin-dry aty e!
Aleo
tonga dia tsoriko akia ny resaka ry Nomena an, ary tsy miolakolaka intsony aho iny akia no hitako fa mety ho sahaza ho an-dry an!"
Nitaraina tamiko ange ny renin-dry hoe mba hitadiavo namana any hono indry fa sao dia hiafara tahaka anareo sy Manitra eo koa. Dia iny akia no hitako an, ary tena tolo-janahary mihitsy fa hay efa mifankafantatra ianareo roa! Tena mety mihitsy."
- "Fa ahoana aloha ny momba anareo e! Mbola hanao mademôzely be eny ihany ve ianareo mirahavavy sa efa misy mikasakasa?" hoy i Mihary mody nanodina ny resaka.
- "Ka izay indrindra, misy akia any an! sady mety tsara ho ahy, fa izany hoe: mbola tsy azo 100% fa andalana e! ary ny tena zavatra dia izao: rahalahin-dRain’i Hery iny ange ilay izy e! dia lasalasa akia ny saiko, raha toa ka indry no mba tiako hiaraka amin’i Hery an! Indry ange izany tsy atoro intsony fa hay efa fantatr’indriako tsara izy, he izany izy hoe mpiara-nianatra! Ka misy ohatr’izany indray ve. Sao dia efa miaraka kosa ary aloha ianareo fa izaho no lany rora mampiditra eto fotsiny."
- "Fa ahoana kosa ary no ialazan’i Tah… an’izany e!"
- "Ka maninona aty amin’ny biraon-driako ary izy, sa marary mila fitsaboana, sao dia voan’ny … SIDA," hoy i Tahiana somary niahotra.
- "An an an ! tsy misy an’izany ka, fa aleo hipetraka anatin’ny tsiambaratelon’ny asa fa manjary manahirana."
Fa marina tokoa izany, i Tah… koa ange toa mahalala an-dry zareo tsara mihitsy e ! Fa taiza marina aloha no nifankahalalanareo?"

Sadaikatra ihany i Tahiana, nitady izay havaly.
- "…Sendra nandalo tao amin’ny farmasia akia izy fa niandry raharaha izahay tamin’izay an ! Dia… tena … sshhh, tantara lava akia izany an ! fa ny andro koa moa ity efa miha-maizina, tsy aleo ve mba eny an-dalana isika no manohy ny resaka e!"

- "Fa angaha moa i Hery tsy efa vita fisehoana tany ho any e?" hoy i Mihary nanamafy.
- "Mampalahelo ahy ange izy iny fa toa tsy tia azy akory izay fofombadiny izay e ! Sady mety hahitany olana be dia be akia an ! Tadidio fa tsy hanolo-bato mafana andry mihitsy aho akory."
- "Eny e ! misaotra amin’ny tolo-kevitra fa misy hosaintsainina izany!
efa hariva marina ny andro fa tsy aleo ve ny lalana mody no asiana olona tokoa."
« Mody miala bala indray ikala Tah… fa mitady hitifitra azy ny marina, tsy azony an-tsaina mihitsy ny fahafantarako ny zava-mitranga », hoy i Mihary tany an-tsainy tany, « ity izy mitady hiditra amin’ny fianakavian-dry Hery koa no loza, tsy ho lasa amboadia mitafy hodi-janak’ondry ve? Mila mitandrina ianao ry Hery fa sarotra foana ny lalanao, jereo ity nataony tamin’ny voalohany teo, tahaka ny olona mpifankatia ireny izy roa, ny fanalan’i Hery ny tanany vao nisokatra ny varavarana marina,! mbola amin’ny fotoana manaraka no hamatsimpatsihako an'ity Tahiana ity, dia tena tsy niova mihitsy fa mandangolango eny foana, tsy mahay mifikitra amin’izay hananana fa mitady etsy, mitady eroa. Nahita ianao ry hery, nahita iny vehivavy iny fa mitandrema !»

Nanidy ny biraony i Mihary dia niara-nivoaka ilay trano lehibe izy mirahavavy mianaka.
Teny an-dalana dia tsy naharitra intsony i Tahiana fa nilaza hoe
- "Izao akia ry Mihary an ! Manana olana ara-pitiavana goavana be mihitsy i Hery, ary matoa aho nanatona an-dry dia fantaro fa mety hitondra vahaolana aminy mihitsy ny fisian-dry. Ary ianareo moa mifankafantatra dia vao mainka tsara. Asa, mety efa mahalala izay tantara marina in-dry fa raha tena mila fanazavàna lalindalina kokoa dia mankanesa any an-tranoko e! Mila vahana maika mantsy izy olany izay. Izay fa eto isika mianaka no misaraka, veloma Nomena an!"

Nandefa eritreritra lalina i Mihary ambara pahatongany tany aminy, sarotra ary anisan’ny sarotra raha izao olana mitranga amin’i Hery izao, mifamatopatotra be daholo ny trangan-javatra rehetra, ny fanapahan-kevitra mety azo raisina toa mety handamoka indraindray. 

Fa tany an-dafin-dranomasina kosa tamin’io fotoana io :

- "Malala an ! Malala an ! naninona ianao izany e? hoy i Mahefa nihazakazaka nidina ny tohatra. Nikoropaka izy nahita an'i Malala nitsirara teo amin'ny gorodona. Nareniny moramora aloha ity vehivavy sady nahankiny tamin’ny tratrany. Tsy nahatsiaro tena tanteraka i Malala. I Alexia koa anefa any ambony rihana mbola tahaka izany koa.  Fa inona loatra ary ity miseho ity hoy Mahefa nanontany tena.
  - "Malala an ! fa naninona tampoka teo ianao e!" Sady nokosikosehiny aloha ny tanany, dia nobatainy avy eo haka toerana teo ambony seza lava.
- "Inona indray ary ity mitranga ity!" Noraisin’i Mahefa ny findainy, nantsoiny aloha i Tojo…
- "Tojo an ! tongava aty an-tranoko izao dia izao aloha ise fa tena mila fanampiana maika dia maika aho."
- "Fa misy inona Profesora ? … tsy azoko…"
- "Haingàna ise fa mila an’ise maika dia maika mihitsy aho izao e!"
- "Eny e ! ho avy aho" hoy i Tojo namaly tsy sazoko tamin'ity fiangaviana toa miharo baiko ny hahatongavany.

Nandinika kely aloha i Mahefa amin’ity mahazo azy mianaka, mbola teny an-tratrany ny fitsapàna marary dia nohenoiny tsara ny fitempon’ny fon’i Malala, mbola tsy misy atahorana aloha, soa fa efa vitany ny nampatory ny zazakely fa raha tsy izany…
" Fanina tampoka izy izany, asa izay nahazo azy tampoka teo, ilay niaka-nidina tamin’ny tohatra angamba, nefa… Tsy dia tena misy atahorana kokoa ny reniny noho ny zanany, ny vokatr’ilay fianjerany teo no tsy fantatra. I Alexia nefa tsy maintsy jerena koa. "

Niakatra vetivety izy rehefa avy nandrakotra lamba an’i Malala,
Indro i Alexia mbola tsy mahatsiaro izay ambonin’ny tany, natsofony tamin’ny sandriny ny fitsapàna tosi-drà dia nojereny, ambanimbany ihany fa mbola azo itokisana tsara.

Very hevitra teo i Mahefa, ny amin’ny tokony hataony,
"Ho entina any amin’ny Hopitaly ve izy mianaka, dia ahoana ny ankizy kely. I Malala koa mbola mitaiza, dia ahoana ?  
Aleo aho hiantso ilay mpitsabo namako hoy izy aneritreritra d ho hita eo izay hatao. I Ratrema kosa aloha dia tsy azo antsoina mihitsy amin'izao e. Asa izay hahazo azy. Izaho anefa efa nampanantena ny hilaza vaovao aminy.
Olana goavana koa ity, hitako ny namana aman-tsakaiza mpiray tanindrazana no somary mihisatrisatra rehefa mandray ny havany mandritra ny fotoana maharitraritra. Hay moa ny mba tsy hisian’ny toy izao.  Atao ahoana moa fa zanaky ny tena ve holavina, zara aza mba natolotr’Andriamanitra ahy ity zanako ity. "

Nantsoiny ilay mpitsabo vazaha namany sady nazavainy izay mitranga.
Nidina izy avy eo, nijery an’i Malala indray, vao noraisiny ny tanany dia nanomboka nihetsiketsika kely ny hodimason'i Malala ary nisokatra moramora nony avy  !
- "Hery!" hoy ny tenin’i Malala voalohany. Dia tsy nahateny intsony izy fa i Mahefa fotsiny no nobanjininy tsara.
- "Malala an ! Aleo aloha tsapaiko ny tosi-dranao, soa fa taitra ihany ianao !
-Fa aiza i Hery? i Hery, aiza izy izay?
- "Malala an! aza mbola mandefa saina lavitra aloha fa manjary hamizana anao fotsiny an! Izay!"

injay fa nisy nandondona tao am-baravarana.
-« Entrez ! » hoy i Mahefa, « c’est ouvert ! »
Dia iny i Tojo, niditra ny trano, toa kaodikaody, nangarangarana aloha, nijery, taitra tampoka nahitan’i Malala matory eo ambony seza lava nefa tsapain’i Profesora ny tosi-drany.
- "Fa nisy inona Profesora?" sady nanatona ny tovolahy no niarahaba.
- "Aza mbola be fanontaniana aloha ise fa aleo i Malala entina miakatra any ambony, mbola tena vizana be izy ka tsy hay raha hahazaka tena."
- "Mila bataina izany?"
- "Aleo aloha andrasana kely hahazo aina tsara izy dia entina miakatra rehefa avy eo! Sady ho avy koa ilay dokotera namako dia aleo any izy no zahana. Mbola amin’izay no ahafantarana raha tokony hitondra azy mainaka any amin’ny hopitaly isika!"
- "Fa izy mianaka iza moa ry Profesora, ilay zananany menavava ve? "
- "Aza taitaitra aloha ise e!" hoy i Mahefa nahita an’i Tojo toa hendratrendratra be ihany, " i Malala sy Alexia no tiako holazaina, nefa mety hanahirana be satria izy mianadahy kely mbola taizaina."

- "Malala an ! entinay sy Tojo hiakatra ianao an! miandry kelikely fotsiny."
- "Io ry ise an! tsy
tonga dia zakan’ise hotrotroina ve izy amin’izao!"

Nobatain’i Tojo i Malala,
tonga dia nataony teo an-tratrany, avy hatrany dia nentiny niakatra sady nanaraka an’i Mahefa tao aoriana koa izy. Nitombo ihany ny fahatairany mahita an’i Alexia hatsatra dia hatsatra toa tsy mahatsiaro tena eo ambony fandriana.
- " Aleko mhitsy ry ise izy mianaka no hiray fandriana eto aloha alohan’ny hahatongavan’ilay dokotera an!"

Nipetraka teo akaikin’i Alexia indray i Mahefa sady namoaka fanafody tany am-paosiny tany. Rehefa nampandriana tsara kosa i Malala dia norakofana lamba hahazo hafanana. I Tojo no nampandry azy, ilay fandriana rahateo moa be velarana fa afaka natorian’izy mianaka tsara ;
Vao nitohoka teo amin’ny oron’i Alexia ilay fanafody mani-pofona dia nanaomboka nitsirempirempy ny masony, somary nisokatra kely sady nihamafifamy ny fisefony.
- "Papa! papa an!"
- "Efa eto aho izany zanako izany! aza mbola miteny betsaka aloha an!" hoy i Mahefa nampitony an’i Alexia, sady nanarina azy hiankina eo an-tratrany.
- "Mbola ato ve aho, sa mbola nofiko ihany izao!"
- "Tsia anaka, natory lalina ianao teo fa efa mifoha tsara izao!"
- "Tojo an ! hoy i Mahefa, andana ange ry ise, mba raofy ilay vazy vaky ao ambany io fa sao dia handratra olona e!"
- " Eny tompoko," hoy i Tojo tsy nisalasala, tsy tian’i Mahefa ho fantany koa izay tena mitranga fa naleony naniraka azy hiala teo. I Malala toa tsy nanana aina na dia ny hitenenana aza fa dia nipitrapitra fotsiny.
- "Tena marina ve fa ianao no ray niteraka ahy?"
- "Alexia an! aza mbola mieritreritra izany aloha fa mbola vizana be ianao!"
- "Tena nanofy aho sady faly nahare ilay izy! nofiko fa i Papa hono no nilaza tamiko hoe ity ny ray niteraka anao anaka! Avy aminy no nipoiranao fa izaho nirahin’Andriamanitra nitaiza anao fotsiny! dia nampian’i Papa hoe Dada no iantsoanao azy manomboka izao! dia hafaliana moa ny ahy, sady notoloran’ilay raiko ranomanitra aho, dia tsy fantatro intsony fa … Dada an ! menatra be anao aho, tena menatra mihitsy, raha fantatro mialoha izany dia tsy nanao ny tahaka ireny aho!"
- "Aza malahelo amin’izany ny fonao anaka, izaho eto mikarakara anao!
Tsy misy maninona an! Tsy misy maharary ny an-doha na zavatra hafa ! Ary sao dia mahatsiaro maharary ny faritra nodidiana."
- "Mahatsiaro reraka fotsiny aho, somary taitra ihany fa efa tsy dia maninona izao."

- "Izay fa
tonga ilay dokotera namako," hoy i Mahefa.
Nampatoriany teo ambony ondana aloha ity zanany, dia nitsangana izy niteny tamin’i Tojo hamoha ny varavarana sy hampiakatra ilay dokotera.
Vao tafiditra ny efitra dia nifampiresaka izy roalahy. Nazavain’i Mahefa izay nitranga, ary nanontany izy raha tokony entina hiverina any amin’ny hopitaly izy mianaka.
Nataony avokoa aloha ny fitsapana rehetra, indrindra teo amin’ny faritra nodidiana tamin’i Alexia, dia afaka kelikely izy niteny hoe:

- "Tu vois mon cher confrère, elles ont reçu un choc, mais vu que : elles se sont reveillées aussitôt, et toi aussi qui est toubib dans la maison, je n’y vois pas l’inconvenient de rester ici ! en tout cas, il sera bientôt Noël, on aime tous être chez soi n’est-ce pas les filles ? hoy ilay dokotera somary nananihany.

Nitsikitsiky fotsiny i Alexia, i Malala kosa tsy nahateny na dia indraim-bava aza.
- "tu vois Mahefa ce que tu vas faire ?… en tout cas, je vous rassure que tout ira bien les filles, et soyez sans crainte, ce n’était qu’un petit malaise, alors, joyeux Noël à tous et à toutes. "

Lasa nidina ilay dokotera, sady naterin’i Mahefa tao am-baravarana.

Vao tafaverina nefa izy dia indro i Malala niverina nitomany :
- "Mahefa sy Alexia an ! malahelo loatra ny any
Antananarivo aho, te-hody mafy mihitsy. Te-hody any an-tranoko aho e ! Mahatsiaro irery loatra aho aty !
Sady nitohy hatrany ny fidradradradrany. Raha ny tiany aloha dia ny hiantsoantso hoe Hery an ! aiza ianao e !

Voatery nampangiana an’i Malala indray i Mahefa, vao nahare izany koa i Tojo dia niakatra nefa toa tsy nahoan’i Malala akory. Voatery nobataina tany an’efitrano hafa, lavitry ny ankizy kely ary soa ihany fa mbola matory tsara.

Dia tao i Tojo nanao izay faraheriny hampitony ity malalany.

Tadiom-pitiavana ([email protected])

Hevitra

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype