« Pejy 45 | Main
| Pejy 47 »
- "Izany eo ihany Profesora fa dia mbola manantitra ny fisaorako feno anao ihany ny tenako noho ny soa lehibe vitanao taminay mianakavy, indrindra moa fa tamin'ny tenako. Tsy vitan'ny hoe nandray an-tanana ny fitsaboana ahy ianao fa dia mbola nekenao tsy am-pisalasalana ihany koa ny hikarakara ny fianarako aty am-pita. Tena olona hafa raha samy olona tokoa raha ianao."
- "Tsy misy tokona hisaoranao ny amin'izany ry Alexia a!" Hoy i Mahefa somary nikaroka izay hambara. Tonga dia fanahiana avy hatrany ny amin'izay mety ho tohin'ny resaka no tao an-tsainy. Na olon-kafa aza no teo amin'ny toerako mba nanao toa izany koa.
- "Tsy marina izany, na izaho na ianao samy mahalala fa tsy marina izany. Koa raha izao fifandraisana misy amintsika izao ve Profesora no hitranga matetika any amin'ny toeram-pitsaboana isan-karazany, na iray ho velona ny ady saritaka, na koa dia ho zary lasa hitempo fitiavana ho an'ny mpitsabony avy avokoa ny marary rehetra, sady lokilokin'ny hehy i Alexia.
- "Ka ianao anie ry Alexia tsy mitovy amin'ny marary rehetra fa..."
- "Izay indrindra mantsy, hafa raha samy marary mila fitsaboana no fandraisanao ahy Profesora. Ary hafa raha samy mpitsabo no fandraisako anao ankehitriny. Samy mahatsapa izany isika, tsy tokony nefa tsy tokony ho resin'ny tahotra isika."
Tsy nahateny i Profesora.
- "Hitanao! marina ny nolazaiko ka sy mahita ambara izato ianao o!"
Vao maika izy nivaloharika. Mahery loatra ny fibanjin'i Alexia ny masony, te hanodina ny fijeriny izy, fantany anefa fa tsy maintsy miteny ny vavany. Hany heriny, nanantona avy eo ankavanan'i Alexia, nitingitingina, nandray ny felantanany, sady somary nanafosafo azy no somary namihina, mikaroka izay hambara.
- "Alexia a! mbola tanora loatra raha ianao, mety ho sarotsarotra aminao ny hahazo ny zavatra tena misy marina."
- "Aza manahy ianao, ny elanelan-taona misy amintsika no mampisy tahotra ao aminao fa fantatro, ka zary ho lasa sakana amin'ny firosoana rehetra. Ry Dada sy Neny koa mielanelan-taona be ihany, saingy tsy misy ny olana, maro koa ny olona no toa izany, tsy maninona..."
- "An! an! Alexia a! henoy aho aloha, miangavy anao aho, henoy aho. Hitsabo tena no maha eto Frantsa anao. Efa azo lazaina ho teo ambavahoan'ny fahafatesana ianao, iray volana lasa izay, sitrana soa aman-tsara ianao izao noho ny fitahiana'Andriamanitra. Ezaho mba tsy hiverina aminao intsony iny fahadisoam-panantenana goavana nanjo anao iny. Afo mandoro ny fitiavana anaka, tena mandoro, indrindra indrindra fa raha milalalo azy ny iray nefa ny iray mandray azy ho tena matotra. Diniho tsara, taiza ny lesoka, mahaiza mandanjalanja ny halalin'ny fahatokisana sy ny fitiavana sahaza olona iray amin'ny manaraka."
- "Hay tsy misy miafina aminao ny fiainako na dia kely aza? Hay dia notantarain-dry Neny avokoa ny momba ahy rehetra a!"
- "Alexia a! aza misendaotra aloha ianao. Resaka tsotra nifanaovanay no nahafantarako izany mba hahafahana mitsabo anao tsara. Fantaro fa nomena fanafody fankaherezan-tsaina anie ianao e! Nandeha koa ny resaka ny amin'ny mety ho antony nahatonga iny lozam-pifamoivoizana nahazo anao iny."
- "Na izany aza ry Mahefa tsy anjarany no mampahafantatra aminao ny momba ahy a! Ahy izany, fiainako, ary efa fanaon'i Neny mihitsy ny mitsabaka foana amin'ny fiainako ka nampisy olana taminay matetika hatrizay. Tiany atao avokoa ny zavatra tokony ataoko, te hipetraka eo amin'ny toerako mandrakariva izy, ary tiany ho azy izay ananako."
- "Alexia a! fitiavany anao izany,"
- "Fitiavana ahy sa fitiavan-tena? Tsy fantatrao ny fiainanay ka miteny izany izato ianao."
Fahanginana no niserana nandritra ny segondra vitsy. Fotoana fohy nampitonian'i Alexia ny fony, fotoana fohy nametrahan'i Mahefa tany an-tsainy fanontaniana izay mety ho fiainan-dRatrema mianakavy marina tokoa. Nisento i Mahefa. Porofon'ny fifankahazoany am-po amin'i Alexia ny fahafahany mananatra an-janany. Nefa porofom-pitiavana velona tao amin'i Alexia ny fiantsoany hoe "Mahefa" tampoka teo, tsy nisy hoe "Profesora" toy ny mahazatra.
- "Mbola tianao i Hery e!" hoy i Mahefa nanohy. Nisento tokana fotsiny anefa i Alexia.
- "Mino aho fa mbola mitempo fitiavana lalina azy ny foanao."
- "Fa ahoana no ilazanao izany? Fantatrao tsara nefa ny hirifiry nosedraiko taminy. Ankoatry ny tsy nolazain'i Neny aza."
- "Fitiavana miredareda toa ireny, anaka, tsy mora ny mamono azy. Mety mangina vetivety fotsiny izy, matory fa tsy maty. Ny sainao no mety mandà azy, fa ny fonao mbola mitempo fitiavana aminy. Ny sainao no miezaka mitady olon-kafa hotsiriritina hasolo azy, fa ny fonao, na dia mbola marary aza, tsy mahafoy azy."
- "Niainanao angaha izany? hoy i Alexia sady nitsiky."
- "Eny e! ny ampahany angamba. Olona iray no hany fitiavako, 21 taona lasa izay, taonanao e? Nisy fotoana kivy tanteraka aho, nikasa ny hitady izay hasolo azy, saingy, tsy nety satria efa niorim-paka lalina ny fitiavanay."
Toa vonona tanteraka ny hamboraka ny tsiambaratelo izany i Mahefa. Somary nihilana kely niankavanana i Alexia. Notakariny tamin'ny tanany havia ny takolaky i Mahefa, ity farany nipararetra tampoka, soa ihany indro,..., niditra tampoka i Malala. Nivontirika ny masony nahita ny fihetsik'izy mianaka teo.
- "Neny, fa naninona i Neny no izao vao tonga? fa nisy inona? Izao efa mba tsindrian-daona ery."
I Malala niady saina hoe " Nolazain'i Mahefa azy angaha ny marina ka mampahery azy i Alexia fa tsy nisy hadisoany ny tsy nifankahitan'izy mianaka?"
- "Vao nifanena tamin'i Professeur Dubois aho teo, nilaza izy fa afaka roa andro ianao ry Alexia dia efa afaka mivoaka ny hopitaly raha tianao. Efa salama tsara hono ianao."
- "Izay no adinoko tokoa," hoy i Mahefa toa nahazo aina tampoka, "saingy tsy mbola mahazo manao vizana be ianao na dia izany aza. Tsy maintsy karakaraina ny taratasy momba izany. Andao anie aloha isika ry Malala hiaraka hanao izay taratasy izay a! manaraha ahy ho any amin'ny birao vetivety. Sitran'ny ahay vita izao izay vita."
Notantarain'i Mahefa tamin'ny antsipirihany ny fihetsiky Alexia hatramin'izay. Ketraka i Malala, tsy nampoiziny. Teo vao nitamberina tao an-tsainy ny fanontaniana madinidinika mikasika an'i Mahefa napetraky i Alexia taminy hatramin'izay.
- "Dia ahoana? Inona no ataontsika manoloana izany?"
- "Izay mihitsy no isany nahavaky ny saiko hatramin'izay. Tsy aiko ry Malala, tsy aiko, mila hiorona mihitsy ny ati-dohako."
- "Koa inona moa ny hisalasalan-tsika fa dia aleo lazaina azy amin'izay ny marina."
- "Tsia an!" hoy i Mahefa nanivingivin-doha mafy. "Tsia dia tsia ry Malala, hanimba an-janako izany."
- "Efa mba salama anie izy izao e!"
- "Tsy ny fahasalamany intsony indray izao no olana, tara loatra isika, efa andohalika ny ranom-bary. Raha izao no lazaina aminy fa izaho no ray niteraka azy, dia na iray alehany ho tezitra amintsika izy, indrindra amiko hoe nahoana no tsy nambara taminy hatramin'ny voalohany izany. Na iray ho fatin'ny henatra io zaza io ka tsy te hifampikasoka amiko sy hatita ny salovan-tavako intsony. Amin'izay aho vao tena ho very. Tsia an! Nikasa ny hanomboka hanome azy ny anjara fitaizako aho, hiantoka ny fianarany sisa. Fantatrao fa izao no mba fotoana tokony hanararaotako ny fotoana very taminay mianaka hatramin'izay. Sanatria anie izany ry Malala. Hanimba ny sainy izany, eny fa na dia ny hieritreritra fotsiny aza fa izaho rainy no nanaovany ireny fihetsika mamoafady ireny."
- "Marina izany ry Mahefa nefa, na dia olona tsotra sy tia olona ary be fandeferana tokoa aza i Alexia dia manana ny hasiny sy ny hajany izy ary niezaka ny nitandro izany foana hatramin'izay. Mety hanimba ny sainy tokoa. Tsy diso izy akory nitempo fitiavana taminao mpitsabo azy,... saingy... ianao rainy..... Dia ahoana ny atao ry Mahefa?"
- "Ianao sy izy mianadahy kely koa tsy ho ela intsony dia hiverina hody any antanindrazana. Izao no angamba no hevitra hitako, hafarana aty i Hery."
- "An! ahoana an!... an! Hafarana aty i Hery? Izaho hody any dia i Hery ho atyy?
Loulou ([email protected])
Hevitra