Tadiom-pitiavana

« Pejy 52 | Main | Pejy 54 »

Pejy 53
2006/06/08,04:41

Nazotozoto ery i Hery nandeha namonjy ny toeram-piasany ny ampitson’iny. Nanao ny tatitra tamin’ny iraka nataony tany Mahajanga izy aloha, ary fantany fa tsy nametraka ny olana teo anivon’ny orinasa ny dia izay nalehany. Tomombana tsara avokoa ny iraka nampanaovina.

Tsy andriny intsony nony avy eo fa vao nahita solosaina nisokatra i Hery dia nijery ny tranonkala no nataony voalohany. Nosokafany ny mailaka nifanaovany tamin’i Alexia omaly, tsy nisy hafatra voaray. Dia lasa indray ny lehilahy nanoratra vetsovetsom-po vaovao hatolony an’ity olon-tiany lavitra azy.

Alexia,
raha fantatrao mantsy ny alaheloko tsy mahita anao,
dia hitady ahy koa ianao ary fantatro fa hifanena eny amin’ny habakabaka sy ny lanitra eny isika. Irery aho fa tsy eo ianao ! Manina ilay tiako aho, te-hitady anao, ary ho avy tsy ho ela fa ny saiko efa any aminao tanteraka
Alexia, hitady anao any aho,
hitady anao na aiza na aiza misy anao !
Ho avy tsy ho ela arak’izay azoko atao !
Raiso eo an-tratranao ity foko manirery !
Hery !

Tsy kivy fa velom-bolo hatrany i Hery, tena lasa aina namelombelona azy ilay mailaka farany nalefan’i Alexia. Tsy andriny mihitsy ilay antso avy any aminy fa efa nomeny tamin’ny mailaka ny laharan’ny findainy. Raha nisy ny zavatra tsy niala teny aminy dia iny findainy iny. Ary raha maneno iny dia hikoropaka izay tsy izy ny lehilahy hamaly ny antso ao.

Tonga ihany anefa ny hariva, tsy nisy na inona na inona, ny tranokala no nosokafany matetika fa tsy nisy hafatra na dia iray aza, eny fa na dia izay avy amin’i Tiana koa. Ilay finday rahateo na dia kitika kely monja aza tsy nisy naneno.
Tsy nataony nahakivy anefa izany, azony an-tsaina ihany ny manjo an’i Alexia. Mety ho sahirana na koa tsy afaka loatra ny hikitika solosaina ka handefa mailaka isan’andro izao. Izy rahateo moa mbola tsy tena tomombana ny fahasalamany. Tsy mampaninona izany, mbola misy foana ny fanantenany.

Vao nirava izy dia nahatsiaro fa tokony hihaona amin’i Mihary, efa hafatr’ity farany rahateo fa tsy maintsy misy fotoana hifampiresahany mikasika ny fiainan’i Hery. Tsy tian’i Mihary hofaranana mantsy ny fanaraha-maso, indrindra ny fiovan’ny toe-tsain’i Hery tato ho ato.

Lasa izy namonjy ilay birao efa natoron’i Mihary azy. Hitany tsara ny toerana fa ny tena misy ilay birao kosa no tsy maintsy nanontaniany ny mpiandry ny lalantsara ;
Niakatra tany amin’ny rihana faharoa izy aloha, dia niditra varavarana lehibe, olona vitsivitsy no tao, ny sasany bevohoka, mbola tanora koa ny hafa fa saika vehivavy avokoa. Dia variana moa ny sasany mijery an’ity tovolahy sady manam-bika sy tarehy. Nipetraka teo amin’ny efitra fiandrasana aloha i Hery rehefa avy nifampanontany izay olona eo alohany hatao fizahàna.  Dia niandry izy, namaky ny revio teo anoloany. Nifampijery ihany izy amin’ireo vehivavy hafa fa toa tsy nahoany akory. Vao nisokatra ny varavaran’ny efitra fizahàna ny marary dia indro i Mihary manao veloma ilay olona vao avy nozahany. Aron’akanjo fotsy no notafiany, ao anatiny ao lobaka mena manifinify dia pataloha lava arahin’ny kiraro mainty somary misy vodi-tongotra. Nitsiky izy nahita an’i Hery, sady toa faly aoka izany. Nifampiarahaba lavitra izy roa. Dia nampidirin’i Mihary ny olona manaraka, dia tahak’izay foana isaky ny 15 mn.

Olona iray sisa no teo alohan’i Hery, injay fa misy olona mandeha any an-dalantsara any, re ny figadogadon’ny tongony ary fantatra avy hatrany ny kiraro avo vody tongotra anaovany fa manako manenika ny rindrina efatry ny lalantsara. Mirindra tsara ny figadon’ny tongony, manakaiky ny efitra fiandrasana dia niditra ilay varavarana lehibe:
Taitra i Hery nahita ilay olona, ilay olona koa toa nitsamboatra tampoka nahita an’i Hery.
- "Hery, fa maninona ato koa ianao?"
- "Oay, Tahiana, tsy nihevitra ny hahita anao aty aho, fa angaha misy tsy salama no…"
- "Non ! salama tsara aho ka, resaka hafa mihitsy no andehanako aty ! Ary ianao, fa angaha ianao misy aretina nahazo anao no aty no dokotera andehananao?"
- "Zavatra hafa koa ka ! tsy resaka aretina fa…"

Toa niahotra tampoka i Hery, tsy sahy nilaza tamin’i Tahiana. Ity farany rahateo tsy nahalala izay nitranga tany Mahajanga na dia sombin-tantara iray aza ! Naleony aloha nangina.

Vao tafapetraka dia hoy i Tahiana nanohy :
- "Tokony hotantaraiko anao ihany fa niara-nisakafo tamin’i dadafaranao ange aho io atoandro io e! Mahafinaritra kosa ny Dadafaranao koa, izy moa tsy mety antsoina izany Dadafara izany, fa sady mahay mampiresaka no mahay mihaino izay teneninao, mahay mikarakara ihany koa. Noheveriko fa saro-kenatra be ange izy tamin’ny voalohany ireny izaho naterinareo tany am-piasàna omaly ireny e! Fa hay izy tena mahafinaritra kosa ko!
Vao tonga tao am-piasàna aho io maraina io dia efa nandrasany tsara teo akaikin’ny varavarana, dia hoy izy:
- "Vehivavy tsara tarehy toa anao izao, hono, dia mendrika omena voninkazo tsara tahaka itony." Dia gaga be aho, izy aloha tonga dia tadidiko tsara mihitsy, fa tena gaga aho notolorany ilay voninkazo; tsy nampoiziko kosa aloha e ! Sady tiako ilay voninkazo.
- "Dia avy eo ahoana," hoy i Hery lasa liana amin’ny tantaran’i Tahiana.
- "Dia hoy izy hoe "fohy ny fotoana ifanenako aminao izao fa raha sitrakao dia hotohizantsika ka manasa anao aho hiara-misakafo isika rahatoandro!"
Dia tsy haiko fa lasa nahatoky be azy izany aho, toa teny tsotra nefa mitory fahatokiana. Eny e! izay mihitsy, dia nifanao fotoana izahay, izaho moa nandeha niasa, ilay voninkazo mbola mipetraka tsara ao anaty biraoko ao.
Dia tonga ny atoandro, iny i Fano efa miandry ahy teo am-baravarana indray. Dia lasa izahay, resaka izany nataonay izany, tena mahafinaritra ahy izy! Tsy lainga lainga!"
- Tsara izany ka," hoy i Hery, <<<il était temps aussi, ouff>>> dia nanao ahoana ny tohiny?
- "Ka izaho aty izao fa tsy maintsy nofaranana ny resakay, dia mbola nifanome fotoana indray izahay amin’ny faran’ny herinandro, sady efa akaiky Krismasy koa."
Nisento tokana i Hery, faly am-po izy, tahaka ny nisy valiny ny fisasarany rehetra ;

Tampoka anefa, nanontany indray i Tahiana:
- "Mbola tsy novalianao tsara ange ny ataonao aty e?
- "Izaho ve," nisalasala kely i Hery, namako i Dr Mihary ka, namako mpiara-mianatra tamiko izy tany amin’ny kilasy famaranana! Dia fantatro fa efa tafaverina izy dia mba mamangy azy aho!"
- "Hay ve? hay ve namanao izy e! Tsara kosa izany! Tena tsara mihitsy. "
- "Fa ahoana? Fa ahoana no ialazanao fa tsara izany?"

Tamin’izay no nisokatra indray ny varavaran’ny efitra fizahana, faly ery i Mihary nahita an’i Tahiana koa, ary gaga izy fa tena mifampiresaka be aminy i Hery. Nanontany izy avy eo:
- "Fa angaha mifankafantatra ianareo?"
- "Ie !" hoy izy roa niara-namaly sady nifampijery.
- "Andraso aloha handray ity olona hozahako farany ity aho dia mifampiresaka isika ! Izay an! rehefa avy eo!"

Tsy nisy nifampiteny aloha i Hery sy Tahiana ! Nifampijery tsara. Farany tsy naharitra i Hery fa nanontany :
- "Fa inonao i Dr Mihary ry Tahiana?"


Tadiom-pitiavana ([email protected])

Hevitra

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype