Tadiom-pitiavana

« Pejy 51 | Main | Pejy 53 »

Pejy 52
2006/06/07,03:21
  - "Tsy maintsy mitady olon-kafa hisari-zoro amin’ity Hery ity aho fa fantatro tsara ny toetrany, ... Iza re? Sa i … ! Marina tokoa, ny zanak’i Flô, mety mitovitovy taona amin’i Hery iny, sady nianatra tany an-dafy. I Flô koa moa nimenomenona taminay foana hoe mba hitadiavo namana any hono ny zanany fa sao dia hanao tokan-tena eny koa !! Be loatra marina tokoa ny tokan-tena amin’ny fianakavianay an! Koa maninona moa !Tsy fantatra marina anie izay anjara !
Ssshhh ! ny hafa indray moa ity no andaniako rondoha, nefa ity izaho aza mba mitady nefa tsy mahita !" hoy i Tahiana toa miady saina irery na dia teo akaikiny teo aza i Hery.

- "Hery an ! hitako tokoa fa tena faly ianao izao fa na izany aza mba misy zavatra mampiahiahy ahy ihany!"
- "Inona aloha no tianao hambara amin’izany e?"
- "Efa azonao moa iny ny pasipaoronao, dia haka visa an’ny amin’ny masohivoho frantsay amin’izay izao ianao! Sao dia tokony hiandry aty ihany ianao fa tsy mandeha mankany, ho fandaniana mihoam-pampana anie no hataonao izao e! Moa tsy fantatrao akory izay mety hitranga any!"
- "Andray ry Tahiana ! efa tongotra mby an-dakana ny ahy ka tsy hiverenako intsony. Fa eritrereto fa mailaka vao omaly anie no nalefan’i Alexia tamiko e! Ary nanafatra izy fa hijanona any hamita fianarana. Dia efa mivonona ny hahita azy ny saiko na inona na inona fitrangany. Fa maninona aloha ianao no lasa manohitra ahy indray amin’ny handehanako e!"
- "Tsy hoe manohitra na manakana anao akory aho ny handeha ho any, fa ny tranga reko tamin’i Malala dia tsy mifanaraka akory amin’izany voalazanao izany aza!"
- "Fa inona marina anefa ny zavatra nolazain’i Malala anao e?"
- "Misy ifandraisany aminao hono ny
antony nahatonga an-i Alexia tsy hiverina aty! Nolazainy fa tsy mba niresaka momba anao mihitsy izy fa te-hanadino anao tanteraka!"
- "Izao ry Tahiana an! ny fihevitrao, na ny fihevitry Malala dia tsy mitovy amin’i Alexia. Vao afaka namaly ny antsoko fotsiny izy dia faly aho, rehefa azoko toky fa salama tsara izy dia misaotra an’Andriamanitra aho fa mbola avotra soa aman-tsara ilay tiako. Ka tsy ahoanao izay hataoko, ny hevitro efa tapaka, handeha aho, dia izay. Vao mahazo fialan-tsasatra fotsiny aho dia lasa!"

Tsy niteny intsony i Tahiana, ny tranony rahateo koa moa efa akaiky, nampandroso an’i Hery izy dia navelany hipetraka teo ambony seza teo ny tovolahy, izy kosa lasa naka ranom-boankazo tany an-dakozia hosotroina.
- "Tsy haiko", hoy i tahiana tany an’eritreriny, "fa maninona marina ary aho!
Tena fantatro! fahasarotam-piaro no mahazo ahy, fa maninona, tena tia an’i Hery aho, dia tsapako fa mitady handao ahy izy dia lasa saro-piaro tampoka teo aho. Dia sahiko ve ny hanimba ny saiko amin’i Hery nefa izy aza efa mivaky fa tsy mihevitra izay momba ahy akory. Inona re no ataoko?"

Iny izy nitondra vera roa dia niara-nipetraka teo ambonin’ilay seza lava ary samy nisotro  ranom-boankazo mangatsiatsiaka tsara.  Lany iny dia hoy i Hery :
- "Misaotra betsaka Tahiana an !, tsy hadinoiko mihitsy ny zavatra nataonao hatramin’izay."  
Nitsiky fotsiny i Tahiana ! Tsy nahateny fa ny mason’i Hery no nobanjininy tsara sady niorirana nanatrika ity tovolahy no nanatona moramora ny molony hifanoroka.

Efa nifanakaiky tokoa ny molotr’izy ireo, fa dia nosakanan’i Hery tamin’ny fanondrony ny molotr’i Tahiana. Dia natosiny hihataka taminy moramora.
- "Hery an ! aza manao ahy izao ianao an! Fantatrao tsara ny any am-poko. Hery an ! Izaho ange tena tia anao e! Raha mba tsapanao mantsy ny halalin’ny fitiavako anao!"
- "Tahiana an ! efa nifampiresaka tsara ny momba izay isika sy ianao ! Ataoko fa fantatrao tsara ny hamafin’ny fitiavako an’i Alexia. Ary efa nampanantena olona iray aho fa ho hendry tsy hanao hadalana intsony fa hijanona amin’i Alexia irery ihany."
- "Hery an ! noho ny fitiavako anao anie no mahatonga ahy hiteny hoe mijanona aty, aza mankany fa hanimba ny fonao any ianao. Tsy fantatrao marina izay mitranga ka halahelo mafy aho raha vaky ny fonao miverina avy any"
- "Tsia dia tsia kosa e!" hoy i Hery nitsangana, "fantatro ny ataoko, fantatro tsara ny fitiavako an’i Alexia, ary fatatro tsara koa ny fitiavany ahy ; faniriany ny hijanona hianatra any an-dafy dia mandefitra aho noho izay fitiavako izay, izaho no hankany aminy, tsy andriko intsony ny hifankahita aminy."
- "Hery an ! irery ange aho tsy eo intsony ianao e!"
- "Tsy te-handratra ny fonao aho ry Tahiana fa ianao angamba efa manatona anao ny anjaranao, nefa toa ny ravaka manendrika ny hafa no tianao hofihizina ho anao irery. Efa nanome toky olona iray aho fa tsy hanao hadalàna intsony, ka tsy ianao no handravako izay toky nataoko izay. Efa niova aho fa tsy toy ny taloha intsony."
- "Dia hadinonanao avokoa ve ny nataontsika hatramin’izay?"
- "Miala tsiny aminao aho fa mafy ny teniko, nefa tsy maintsy mijoro am-pahamendrehana amin’izay aho fa lehilahy ; tsy maintsy mandeha aho veloma ianao Tahiana an!"

Lasa i Hery. Efa fantany fa mety hihafara amin’izay indray ny zavatra hitranga fa naleony nandà avy hatrany mba tsy hisian’ny fanenenana rehefa avy eo.

 Toa tsy nahahetsika teo i Tahiana. Ny varavarana nivoahan'i Hery no nobanjininy mafy. Nalahelo mafy tamin’izay nanjo azy izy. Very  ny heviny amin’ity fahasarotam-piarony. Te-hitroatra anefa tsy afaka. Malahelo fa toa handamoka am-boalohany ilay valifaty tiany hatao amin’i Malala. Izy anefa mihevitra fa ho nenina tsy misy fiafarany no hahazo an’i Hery raha mbola midikiditra amin’ny fianakavian-dRatrema ihany izy.

Niverina tao antsainy indray ilay eritreriny teo aloha nony afaka kelikely.
- "Tsy maintsy ampifanatoniko amin’ny zanak’i Flô aloha i Hery mandra-pandehany fa sao dia afaka ny hanova hevitra azy ihany ikalakely iny." Hoy izy anankapo. Noraisiny ny findainy dia niantso an’i Flô izy.
- "Allo Flô!"
- "I Tahiana marina, ahoana akia ! inona ny vaovao?"
- "Tsy dia misy akia an ! Fa te-hanontany aho hoe aiza moa no ahitako ny zanak’indry fa mba te-hiresaka aminy aho."
- "Fa ahoana akia! angaha misy tsy metimety, i Nomena aloha io tadiavin-dry io an!"
- "Ie ! i Nomena mihitsy."
- "Tongava aty amiko rahampitso fa mody misakafo atoandro eo izy, fa indraindray izy aloha dia alina vao mody noho ny asany."
- "Tena ny asako koa tsy ahafahako mankany aminareo, izay anie no mahatonga ahy hanontany ny misy azy e!"
- "Eny ary e ! omeko an-dry ny toerana misy ny biraony fa inona aloha no tena itadiavan-dry azy e ! hilazako mialoha mantsy izy!
- "ttssss ! in-dry ilay niteny tamiko fa tokony hitadiavana vady ikalakely iny sao dia hadino eo koa. Misy akia any an! sao dia mba mahaliana ny zanak’indry. Tsy ratsy an! sady mitovitovy taona aminy tsara."
- "ha, ha, ha ! Tahiana ity koa tena mampihomehy, ary ny an-dry aloha manao ahoana e! Mba efa nahita ve? aza dia fatra-pifidy loatra akia fa indraindray anie anenenana e ! Efa fotoana tsy fanaovana safidy intsony izao taonan-dry izao. Sady efa leo mihitsy aho amin’ity aminareo tsy mahita vady ity. Aiza ka ianareo mirahavavy no mba zanak’i Tatie Hortense, nefa dia tsy mbola misy manambady ihany. Sa ve dia efa tarazo amin’ny fianakaviana mihitsy ity tokan-tena ity? "
- "Ka atao ahoana re ry Flô an ! izahay anie angatahina fa tsy mpangataka e!"
- " Eny e! fa lazaiko fotsiny i Nomena fa ho avy any amin’ny biraony izany ny rahavavin-dreniny. Ilazako ihany indry raha sendra tsy ao izy, mino fa ho faly mihitsy izy mahita an-dry
tonga mitsidika azy. Ao antsahavola ao ny biraony."
- " Izay Flô fa aza miteniteny azy hoe misy bandy afaka hiaraka aminy any an! Aleo izaho ihany no hilaza ilay izy rehefa
tonga any! Izay! Veloma ary akia an!"

Vita ny antson’izy mirahavavy dia lasa nikarakara sakafo i Tahiana ! I Manitra rahateo moa naka rivotra any ambanivohitra fa dia tokan-tena irery tao izy. Izay koa angamba no mampanahy be ihany ny sainy, tsy manana namana horesahina.

Tadiom-pitiavana ([email protected])

Hevitra

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype