« Pejy 49 | Main
| Pejy 51 »
Nanembonembona an’i Mihary ihany i Hery nony izy samy irery no teny ambony fiara niaraka tamin'ilay mpamily ndeha hanatitra azy tany antranony. Tsapany ho tahaka ny misy hafatra tian’ity tovovavy ity hambara, nefa tsy sahiny nolazaina taminy akory . Sanatria hoe tsy misy fo mitempo ho an’i Mihary mihitsy any anatiny any, fa afo roa tsy mitovy ireo hoy izy ka ny iray, fitiavany an’i Alexia izay niredareda hatramin’izay ary tsy mety maty ao am-pony, ny iray kosa afo nitsilopilopy efa saika maty nefa narehitry ny solika tampoka.
Fantany fa naharary an’i Mihary ny nataony, kanefa, raha ny hamafin’ny fitiavany an’i Alexia dia tokony tsy hisy haharava azy araka ny eritreriny.
Fantatr’i Hery tokoa fa maditra izy, tsy mahatanty ny langolangon’olona ary rendrika hatrany raha vao tobasan’ny safosafo sy ny orokoroka. Na izany aza anefa no niseho, dia tsy mba nampihena ny fitiavany an’i Alexia mihitsy ny fihetsika tsy voahevitra nataony.
Toky no nataony tamin’i Mihary, izy ilay niteny hoe : « raha tena tianao marina izy dia hajao ny tenanao ». Satria izay ny marika voalohan’ny fitiavana, mitoky amin’ny fifanajàna. Raha mba fantatr’i Alexia marina moa ny hadalàny rehetra nataony tao anatin’izay fotoana izay. Dia inona marina re no hitranga ?
Tonga teo am-bavahady ilay fiara nanatitra azy. Nidina izy sady namoaka ny entany.
- "Misaotra anao mihitsy Rangahy fa tena mahafatra-po ianao nanatitra ahy hatraty an-tranoko. Tsy maintsy manome ity aho fa ataovy ho toy ny fahafaliam-po izany e! Ianao rahateo moa mbola nanaiky nandeha na dia andro tsy fiasàna aza."
- "Tsy maninona izany Ramose fa anisan’ny iraka nampanaovina ahy ange ny naka azy tany e! tokony ho rahampitso aza isika no niverina fa zarako aza,.. mba te hahita ny vady aman-janaka koa e !…Tsy maninona fa raisiko ihany ny fanomezana atolotrao ahy. Raisiko ho fanomezana izany fa tsy tambin-karama akory."
Nanampy an’i Hery nitaona ny entana ilay mpamily. Vita izay dia lasa izy nitondra ny fiara namonjy ny fitobiana.
Nosokafan’i Hery avokoa ny varavaran-kely rehetra. Ny andro rahateo mbola tsy tena maizina. Novohainy midanadana hidiran’ny rivotra madio. Hafa ihany ny ato an-trano hoy izy niteny aneritreritra. Tao tokoa no nahalehibe azy. Tao no niriariavany tamin’ny reniny. Nakany ny anatra mamy sy feno fitiavana hatramin’izay. Tao koa anefa no nanaovany izao hadalàna mihoa-pampana tsy fampiseho masoandro rehetra izao.
Nitsilanilany teo ambony fandriany izy. Namelombelona ny nofinofiny amin’i Alexia.
- "Mino mihitsy aho fa mbola velon’aina soa aman-tsara any izay ilay tiako. Matoa aho manembonembona azy dia fantatro fa misy rohy mifandray foana any ho any. Raha mba miantso ahy izy izao dia ho feno ny fifaliako; Oay, tsy maintsy miantso an’i Tahiana marina fa izy izao no mahalala ny vaovao.
Andray, hay moa tany anatin’ilay findaiko very ny laharana azo ianatsoana azy. Loza izany ! Ny andro koa ity efa miha-maizina, izaho reraky ny dia.
Aleo aloha handeha hisakafo atsy amin’ilay hotely kely atsy dia maka aina tsara rehefa avy eo. Rahampitso avokoa vao heverina izany rehetra izany."
Narindrin’i Hery indray ireo varavaran-kely rehetra dia iny izy nandeha tongotra moramora nankany amin’ilay fisakafoanana eo akaiky ny tranony. Fa tany amin’i Tahiana amin’io, izy irery no mijery fahita lavitra ao amin’ny efitranony. Akanjo mandry manify no teny an-kodiny, ny tapany ambany mitsofoka any anaty lamba.Toa tsy amin’izay fandaharana amin’ny fahitalavitra anefa ny sainy fa mieritreritra lalina ny tokony hataony :
- "Fa mba maninona koa ary ry Hery no mamono finday foana hatramin’izao. Nahoana no tsy nandrenesam-baovao mihitsy, tsy niantso. Tsy sahiko koa ny nanadihady tany amin’ny toeram-piasàny fa sao dia raikitra eo ny fanontaniana be! Dia sanatria ve nivari-lavo araka ny nolazain’i Malala ? aza hitako.
Nefa fantany tsara fa izaho no manana vaovao mikasika an-dry Ratrema mianakavy. Inona ary ny manjo ilaikely iny?" hoy ihany izy anankampo.
" Fa na izany na tsy izany, ny valifatiko ataoko amin’i Malala aloha tsy maintsy omaniko tsara. Iny izay any efa tsy mitombina mihitsy. Angamba efa nanandrana niantso fa tsy nahazo. Mba adaladala fisaina koa ange izaho ity e !
Teo aho nanampy an’i Hery nanao ny pasipaorony mba ahafahany mitady an’i Alexia. Vao niantso ahy anefa i Malala dia lasa valifaty ny tsy hahitan’i Hery azy intsony indray no aty an-dohako. Inona re no tena paika tsara e !
Tsy tiako mihitsy aloha ny mbola hidiran’i Hery amin’ny fianakavian-dRatrema e ! Fa izy moa manao mafy loha ny hitady izao malalany izao foana no masaka ao an-tsainy! He izany izy hoe: i Alexia aza tsy te-hiverina aty intsony!
Ka tsy aleo ve itadiavana sipa hafa mba tsaratsara i Hery ? Iza anefa ? Raha mba misy izao ato amin’ny fianakaviana dia tena lafatra mihitsy. "
Variana teo am-pandriana teo i Tahiana, lasa saina lalina amin’izato tetik’ady valifaty ketrehiny.
Tadiom-pitiavana ([email protected])
Hevitra