Tadiom-pitiavana

Pejy 48
2006/05/30,04:15
  Roa andro monja izay no nivoahan'i Alexia ny hopitaly. Tsy maintsy mbola maka aina tsara izy na dia saika hiaraka hivoaka amin-dReniny ihany aza hiantsena. Nangingina irery tao izy. Nanokatra ny solosaina izy, niditra tao amin'ny aterineto, nanokatra ny tranonkalan'ny Yahoo. Nino izy fa efa maro dia maro tokoa izay ny mailaka azony nandritra izay iray volana izay nitsaboany tena izay. Nanantena mafy koa izy fa ny mba hisian'ny mailaka na dia iray monja aza avy any amin'ilay malalany ao. Io tokoa eny, efa ho telo herinandro lasa no nandroratany azy, fotoana taoriana kelin'ny niampitany taty Parisy. Nosokafany avy hatrany:

Alexia malalako,

Any ianao izay, tsy haiko manakory
Nitraka? salama? angamba mbola ory
Fantatrao? Izaho aty fadiranovana
Latsanenina anaty, toa akaiky fahalovana

Any ianao izay, mety ho leo, miantso tody
Mifi-dranomaso, miandry izay ho fanafody
Ny ratram-pitiavana iafiana
Ny hirifirin'ny vatana ijaliana

Tsy vanona aho, tsy valahara, ekeko
Namitaka anao aho, neniko, tena neniko.
Iny zava-bitako iny re! ahoana raha fafàko
Fantatrao fa iny anie, tsy sanatria tanaty ràko.

Etsy anie e! avalomy irony hatezeranao irony
R'ilay ravaky ny foko, voninkazo mani-bony
Mbola manentoento ho'aho izany fofonao e!
Iainako andro aman'alina, ao anatiko ao.

Soa aho kenda hahay mitsako
Ny toetra ratsiko hatrizay ialako
Soa aho lavo hahay hamindra
Raha sitrakao re, ndao mbola hirindra.

Tena ifonako iny zava-bitako iny. Tiako loatra ianao Alexia, very aho raha very anao. Fantatrao izany ry hany malalako?
Hery tia anao.
Tena gaga i Alexia, tsy nampoiziny ho i Hery no andeha hanoratra tononkalom-pitiavana ho azy. Dia zava-baovao ho azy indray izao fahaiza-manao nasehon'i Hery azy izao, hafa kely. Faly indray izy, tena faly satria fantany fa tsy maintsy ho niezaka ny hahazo vaovao mikasika azy i Hery fa i Ratrema no nanapaka izay mety ho fifandraisana rehetra. Raha ny sitrapony dia ny hiantso an'i Hery an-tarobia avy hatrany, saingy tsy misy ao an-trano, ny finday koa tsy manana izy, tsy afaka ny hampiasa ny an'i Malala anefa izy, tsy tiany ho fantatry Malala mantsy izao ho fifandraisany amin'i Hery izao sao hanimba zavatra indray. Hany azony natao dia ny mamaly ny mailaka. Tsy hitany koa anefa izay ho soratana. Ny tononkalon'i Rado nianarany, ary isan'ny tena tiany fony mbola tany an-tsekoly no nindraminy:

Hery tiako ianao,
Tiako ianao no sady halako,
Fa mangidy koa no mamiko
Fahavaloko, malalako
Samy anaranao raha amiko.

Angolaiko hoe fitiavako
Na bantiko hoe mpamitaka
Mifangaro ao am-bavako
Ny hatezerana sy sitraka.

Tezitra aminao ny foko
Misamboaravoara erikitra
Kelikely indray misoko
Ilay fitiavako mamikitra

(Rado - Dinitra pejy 77)

Alexia tia anao, efa salama aho fa mikasa ny hanohy ny fianarako aty.

Loulou. ([email protected])

 

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype