Raha dia sahirana tamin’ny nahazo azy tany Mahajanga i Hery, Ratrema kosa aty Antananarivo somokotra aok’izany miezaka mafy ny miavo-tena hanarenana ny orinasany. Tsy natory andro izy, tsy natory alina. Nivezivezy nanatona izay olom-pantany rehetra. Nifampiantso an-telefaona. Nitady hevitra hanarenana ny eo am-pelatanany.
Manakaiky ny Krismasy, ny taona efa hifarana. Tsy azo atao hoe mandeha, nefa tsy azo atao hoe mihisatra ihany koa ny varotra. Ny kely izay tombony ho lany hanefaina ny karama fahateloambinifolo volan’ny mpiasa. Very hevitra izy. Ny fananana efa lany tamin’ny fandoavana ny hetra. Tampoka taminy koa iny resaka iny ary ny loza dia tamin’ny fotoana tsy naha-teo azy no niantombohany. Tsy afaka ny hanome tsiny na iza na iza anefa izy. Na ireo mpitantana nametrahany fitokisana aza tsy afa-nanoatra noho ny antony maro tsy niafina taminy hatramin’izay.
Dia ahoana ny hilazàna amin-dry Malala sy Alexia hoe namidy tampoka ny trano tao Ivandry. Asa tokoa, fa raha mbola misy koa ny farany dia tsy ho foana akory ny fanantenako, hoy Ratrema tany anatiny tany. Mbola manana telo volana aho ary raha tratrako ao anatin’ny telo volana ny mamerina ny vola naloan’ilay namako nividy ny trano, miampy ny zana-bola efa nifanarahanay dia miverina amiko ihany izy io. Asa anefa, apetraka amin’Andriamanitra ny ho avy hoy izy nanohy ny teny ireriny anakampo.
Nisy hevitra nitsiry tampoka anefa tonga tao antsaina ary avy hatrany izy dia nandray ny findainy:
- “Allo ! …..Corine?”
- “Ratrema! Inona ny vaovao. Elaela indray ialahy tsy niantso ahy an! Ka ahoana ?”
- “Tss ! sahirana e! Fantatrao angamba fa tsy maintsy nandao tanindrazana kely aho teo fa narary mafy nalefa any Frantsa ilay vavimatoa.”
- “Dia nanao ahoana? ialahy letsy tsy niantso ahy mihitsy,” sady nanao feo niangoty ilay ramatoa.
-“Tsy maintsy nandeha aho ..., efa vita ny fandidiana sady mbola any ny reniny. Fa na izany aza…” Nisento tokana Ratrema… “sshhh”
-“Fa na izany aza ahoana Ratrema an! ialahy koa… Sao dia resaka tsy vita an-telefaona izany. Aleo mihitsy aho ho any amin’ialahy. Tsy mbola any Ankorondrano ialahy io?”
- “Ie ! izay mihitsy, tongava fa tsy vita eto ny resaka tiako hatao aminao.”
- “Resaka momba ny inona aloha e! sao dia adim-pianakaviana fa ialahy ange izao efa ho iray volana sy tapany tsy niantso ahy intsony, taorian’ilay isika nananona be iny e! Fa angaha tena nihitatra be tsy azo nalamina?”
-“Tss ! ianao koa ! tsy maninona ho’aho fa tongava fotsiny aty.”
- “ Eny ary e ! ho avy any aho izao dia izao fa aza matahotra.”
Tsy hitan-dRatrema intsony izay azony natao, i Corine angamba no fanantenana mety ahitany vahaolana amin’izao mianjady aminy izao. Fantany tsara ny fomba fiharian’i Corine, vehivavy mahay manao afera ikoizana ary tena sahisahy manao zavatra. Tena hainy ny mandangolango ary anisan’ny babony tamin’izany i Ratrema tamin’ny fotoana tsy nampoiziny.
Loza koa iny resaka iny, zara aza voalamina fa raha tsy izany, hoy i Ratrema toa miteny irery anaty nony avy eo. Atao ahoana fa mijinja izay nafafiny avokoa ny rehetra. Ity tokoa hoy izy no tonga amin’ilay fitenenana hoe « izay mamafy rivotra hijinja tadio». Tsy maintsy mitraka anefa aho, hoy ihany izy nankahery tena fa ny fiainana tsy maintsy mitohy. Olombelona mandia tany aho ary tsy maintsy solafaka fa ny fihezahako mitraka ary mibanjina ny ho avy no fanoitra lehibe hoentiko misedra izao fahasahiranana goavana mianjady amiko izao.
Tsy ela taorian’izay, Naneno ny telefona teo anoloan'i Ratrema. Tsy iza akory no niantso tao fa i Mme Sahondra, mpitan-tsoratrany ihany nilaza fa efa tonga ao i Mme Corine. - " Ampandrosoy avy hatrany izy" hoy i Ratrema dondona ery. Tsy ampy iray minitra monja taorian'izay, injay fa nisy nandondona tao am-baravarana. Nitsangana izy namoha ary indro i Corine mitsiky sady nanolo-tanana azy.
- “Mandrosoa!” hoy Ratrema sady nifanolotra takolaka teo izy ireo dia niditra tao amin'ny biraony.
Akanjo mihaja sady raitra no nanaovan’i Corine, tena manendrika azy tanteraka. Vehivavy bikana sy tsara tarehy koa moa izy ka dia tena nahafinaritra ny nitombana azy. Ananany rahateo ny vola ka azony avokoa izay karazan’akanjo lafo vidy tiany ho vidiana. Manginy fotsiny ny fandehanana miampita ranomasina sy ny fanamboarana tarehy. Mora aminy ny maka izay tiany halaina sy misarika izay tiany hanaraka azy.
Nakaton’i Ratrema ny varavarana ary dia samy naka toerana izy ireo.
- “Dia ahoana letsy Ratrema ! Inona indray izao olana tsy hain’ialahy vahàna izao e!”
- “Sshhh ! Tena olana goavana, ary tsy resaka ara-pianakaviana araka ny noheverinao azy teo!”
- “Olana inona ary izany e!”
- “Banky ry Corine ny orinasako an! Voatery tsy maintsy namidiko ny fanananako, resaka Bianco no niantombohany. Lasa tsy ampy intsony ny vola hanakaramàna ny mpiasa nefa ny andro ity efa akaiky Krismasy.”
- “Le aza! Efa nampitandrina an’ialahy aho ange letsy tamin’io resaka io e! Fa ialahy nihevitra fa akaiky ny filoham-pirenena nefa mila mitandrina fa tsy afaka hanavotra an’ialahy izy raha vao tratra eo.”
- “Olana goavana le izy ry Corine an! Ny ankizy izao tsy misy mahalala akory fa efa namidiko ny trano tany Ivandry. Dia tsy maintsy hiditra eo amin’izay ny resaka olana ara-pianakaviana.”
- “Dia inona letsy no azoko atao amin’izany?”
- “Niantso anao aho fa misy mangirana kely ihany araka ny nieritreretako azy. Manana telo volana aho mantsy hamerenako ny volan’ilay olona nividy ny tranonay. I Rafenomanana letsy ilay izy an! Tsy ny tontalin’ny vidin-trano rehetra anefa no nomeny fa izay tena nilaiko ihany, izy koa mbola tsy ampy ny tany aminy. Ka raha toa ka voaveriko alohan’izay ny vola rehetra sy ny zanabola dia ho avotro ihany ny tranoko. Izay no nahatonga ahy tsy nilaza tamin-dry Malala aloha.”
- “Gaigy be izany an, nefa misy mahamarina azy ihany ny an’ialahy. Fa na izany aza, ny trano nahalehibeazana ny ankizy letsy tsy fanao mihitsy ny mivarotra azy raha tsy ifampieràna an!”
- “Ka izay ilay afera eh! Rehefa tratra dia manefa. I Alexia moa amin’izao mbola marary any an-dafy ka tsy sahy manakotaba an’dry zareo amin’ity resaka ity mihitsy aho aloha amin’izao fa sao dia vao maika hanahirana eo.”
Gina samy tsy nisy nahateny aloha izy roa nandritra ny fotoana vitsy. Toa samy miady saina lalina amin’izay hevitra tokony hatao. Ny tanan-dRatrema no nalefany nankany aoriana hanotra ny hatony. Nahita izany i Corine dia nitsangana koa, niodina nanatona azy sady nanampy otra malefaka ny sorony.
Naka aina Ratrema. Tsaroany fa raha i Malala no nanao azy tahaka izao dia mety hampitony bebe kokoa ny fanaintainany. Any amin’ny amanarivorivony kilometatra any anefa no misy ilay Malalany. Tsapany ny hafanan’ny tarehin’i Corine manatona ny lohany, manoroka ny tarehiny. Ary avy ao aoriana ao manakatra ny molony. Somary niala kely izy.
- “Corine an ! tena miala tsiny aho fa tsy amin’izany intsony ny saiko ! Aza tsiny re fa mety hanahirana indray e!”
- “Ratrema an ! izaho tonga eto hanala izay sorisorim-piainana mianjady amin’ialahy na dia amin’ny ampahany fotsiny aza.” Tahaka ny notazominy ny lohan-dRatrema dia notakariny moramora ny molony. Ny tanany roa midiny hatrany hanafosafo ny tratrany…
Tadiom-pitiavana ([email protected])
« | Mey 2006 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
28 | 29 | 30 | 31 |