Tadiom-pitiavana

Pejy 34
2006/05/01,10:28
Ny hazavan’ny varavaran-kely nitaratra tany amin’i Hery no nampiodina azy teo ambony fandriana. Nosokafany kely ny masony, nitsirempirempy, kanjo….
Niarina kely ny lohany, tsy nisy afa-tsy izy irery sisa no teo ambony fandriana. Notsapatsapainy, tsy nisy olona mihitsy teo, ary mety vao haingana no lasa. Tsy ho nofy kosa aloha ilay alina e! hoy izy sady nakipany ny lamba nirakotra azy dia nitsangana izy. Noraisiny ny akanjony dia lasa izy nankao amin’ny efitra fandroana. Nihevitr'izy fa mety ho hitany tao i Mihary saingy indrisy fa foana ny tao. Farany, nivoaka ny efitranony izy ary nandondona tao amin’ny efitra ilany. Tsy nisy namaly aloha. Afaka kelikely vao naneno ny famoaham-baravarana, iny lehilahy mbola manao akanjo mandry iray no nivoaka tao, gaga be i Hery. Fa inona ity?
- "Azafady Ramose fa, angaha moa tsy ato ny efitra fandrian’i Dr Mihary?" hoy i Hery.
- "Dr Mihary? Tsy azoko mihitsy ny tianao hotenenina ! Tsy misy izany ato ka!"
- "Ka izaho aza ange tena niditra tato mihitsy omaly e!"
- "Tena miala tsiny Ramose fa tsy misy izany ato an!" hoy ilay Rangahy, sady nakaratony ny varavarana.
- "Fa lasa aiza i Mihary, fa ahoana koa izany? Izaho ve no matory atoandro sa…"
Iny izy saika handondona fanindroany iny no nisokatra ilay varavaran’efitra ilany sady nisy nivoaka tao, niantso an’i Hery.
- "Hery ! avia aty fa inona no ataonao any?"
- "Andray ry Mihary, tena very tadiny aho, afa-baraka marina."
- "Ianao ity an ! ianao ve dia ho tratran’ny tamberin-tany mihoatra noho izaho aty."
- "Aleo aho aloha hiditra, sady menamenatra ihany ny tovolahy, vahotra be koa aho tsy nahita anao teo ambony fandriana teo, dia mety nampikorontana ny saiko."
Niditra ny efitr’i Mihary i Hery, boky roa sy antontan-taratasy maromaro no teo ambony latabatra. Niverina namonjy ny zavatra nataony i Mihary.
- "Tsy maintsy manomana ny famelabelaran-kevitra hataoko rehefa avy eo aho dia izay no nahatonga ahy niverina tato. Mandamina izay porofon-kevitra entiko manohana ny asako."
- "Hay, efa natahotra be aho mantsy nifanena tamin’ilay lehilahy teo. Loza izany."

Tsy nisy niteny intsony fa i Mihary variana namaky ny firaiketany, i Hery naka fandriana, ary rehefa kelikely dia nitsangana izy, nivoaka ny efitra, toa tsy noraharahian’i Mihary akory.
- "Izay izany ilay hoe manam-pahaizana, rehefa mifototra amin’ny zavatra iray ny saina dia mifantoka tsara, ny anio no atrehina. Hahita ialahy ry Hery miaraka amin’io Mihary io. Tadidiko tsara i Mihary ilay nanampoaka entona tamin’ny simia tany am-pianarana fahiny. Tia fanandramana. Nitsoka nivoaka ny trano daholo izahay, izy aza saika nifamonjena tao.

Niverina i Hery afaka fahaefa-kadiny sady nitondra ny sakafo sy ny dité mafana ho azy roa. Nijaikojaiko moramora, tsy ren’i Mihary akory. Ity farany mbola manoratsoratra eo ambony taratasy, tsy mahatsiaro izay manodidina azy.
Farany, napetrak’i Hery teo ambony latabatra ilay vilia lehibe fisaka nisy ny sakafo. Nanoroka mora ny tarehin’i Mihary izy sady hoy izy hoe raha noana anie ny kibo ry Mihary ka hivezivezy ny fanahy eh.
Nitsiky kely fotsiny i Mihary sady namaly moramora hoe:
- "Manandrana manova ahy an!"
- "Ilaina foana ny fanombohan’ny zavatra rehetra."
Tamin’ny fihetsika tsotra dia tsotra no nisarihan’i Mihary ny lohan’i Hery hifanoroka aminy. Nakipiny ny masony, naka fitiavana vaovao.
- "Misaotra betsaka ry malalako, hoy ity vehivavy. Sady hita miran’endrika ery izy notoloran’i Hery ireto sakafon’ny nofo."

Dia niara-nihinana teo  izy roa sady nifampanontany, nifanakalo hevitra.
Niaraka nandray fandroana sy namerina indray ny safosafo sy ny oroka mamy rehefa avy eo. Toa hita hoe nifankatia tokoa ary nigoka ilay fitiavana vao niverina nandrobona indray.

Afaka ora roa taty aoriana dia indreny lehilahy iray sy vehivavy iray namonjy ny lapan’ny tanàna, i Hery no mitondra ny fiara, i Mihary eo akaikiny eo mitafy fitafiana mihaja, manara-damaody tsara, nahafatifaty ny fijery azy. Tsotra, nefa tena mametraka ny maha-mpitsabo azy.
Nandeha ny famelabelaran-kevitra nataony teo anoloan’ireo manam-pahefana sy mpitsabo maromaro, variana avokoa ny rehetra, nihaino, nandray ny hevitra aposak’ity manam-pahaizana manokana momba ny fananahana sy ny reny bevohoka. Nandeha ny fametrahana fanontaniana, nahafapo avokoa izay valiny nomen’i Mihary.

Anisan'ireo nanatrika teo koa i Hery. Nangilan-tsofina tsara, mankafy, mitsiriritra ity ravaka efa eny an-tanany. Nanomboka niha-nahazo vahana tao am-pony ilay fitiavany voalohany. Tahaka ny misy lalana vaovao misokatra eo anoloany, lalana milamina, nefa etsy amin’ny ilany, lalam-potaka mandrevo sy mila handetika; iza ary izao no lalana hofidiako? Hoy izy nanontany tena.

Efa tamin’ny 11 ora sy sasany vao vita ny ady hevitra, fiarahabana maro sy firarian-tsona no noraisin’i Mihary. Farany, nivoka izy roa, namonjy ny fiara ary nankany Amborovy hitsangatsangana. Asabotsy rahateo moa ny andro, andro mahafinaritra. Ny hafanàna mivaivay, soa fa nisy ny fiara azo nentina nitsangatsangana. Nijanona vetivety nisotro madrafo (ranom-boanio) teny andalana amin'ireny mpivaro antalantalana amoron'ny lalam-pasika mankany amoron-dranomasina iny izy roa. Tao amin'ny Zahamotel no nisafidianany hisakafoanana ary namonjy ny tora-pasika izy ireo nony avy eo mba hialas sasatra teo ambany elo-be feno alokaloka. Zara raha nisy olona teo  amoron-dranomasina tamin'izay ka tena fahafinaretana aok'izany no tsapan'ireto mpifankatia nampihaonin'ny kisendrasendra indray.

Vetivety anefa dia niha-maro ireo mpitsangatsangana
tonga
hilalao rano, andro asabotsy fialan-tsasatra rahateo moa. Ary efa manakaiky ny fakan-drivotry ny Noely.
Variana ery izy roa mitazana izay ataon’ny olona. Fitafy manify fitena anaty rano sisa no teny aminy. I Mihary mirakotra lambahoany manify, i Hery mipetraka eo ambony fasika, ny tanany mamikitra amin'ity tovovavy eo anilany.
Natsofony tany anaty lambahoany norakofan'i Mihary ny tanany. Voakasiny ny  lohalik’i Mihary ary dia nanomboka nosafosafoiny miadana. Nampiakariny kely hiakatra nandalo ny fe nony avy eo ary dia notohizany niakatra teo amin’ny kibo. Nankafy ny halaman’ny hoditr’i Mihary teo izy aloha. Malefaka sady toa  mipetraka tsara. Nampiakariny moramora amin'izay ny tanany hamonjy ilay tati-nono somary kelikely nefa fenofeno sady midongona, nopolipolesiny mora, dia nokitikitihiny ireo loha-nono kely izay tsapany fa toa
tonga
dia niha vonton-dra avy hatrany.
I Mihary amin’io tsy miteny fa toa mandrimandry maso sady mandinika tsara an'i Hery sy ny fihetsiny. Tsy sahy nihetsika izy anefa fa natahotra sao dia hisarika ny mason'ny manodidina hitodika any aminy. Tsy aritrany intsony anefa nony kelikely  fa tsapany nangitikitika loatra azy ny tany anatiny tany. Injay i Hery fa nampidina ny tanany amin’izay, nafindrafindrany tahaka ireny olona mamindra amin'ny fidinanana ireny ny rantsan-tananay. Toa mijaikojaiko teo ambony kibon’i Mihary, nidina ihany, nahatsapany ny hafanana miha-miakatra tamin'ny vatan'ity vehivavy eo anilany. Niova kely anefa ny famindrany nony
tonga
teo amin’ilay tady kely mihazona ny tako-kenatra, novelariny ny felan-tanany ka nampandriany teo ambon'ny foitran'i Mihary ary dia notohizany tamin'ny safosafo malefaka nidina nanaraka ilay hantsana mitondra any amin'ny fizaran’ny hoditra ho roa izay mbola voafono tao anaty silipo tsara.
Tsapan'i Mihary fa miha-mando ny fivaviany, tiany hotohizana kanefa… notazominy mafy ny tanan’i Hery, sady nivandravandra tamin'i Hery izy.
- "Hery ! aoka aloha!"
- "Fa ahoana!"
- "Aoka aloha, misy maharary raha vao kitihanao eo."
- "Tsy mampaninona izany…ho tsapanao fa tsy haharary intsony io rehefa avy eo !"
- "sssshhh! Hery an! Mahalalà menatra, efa miha-be olona ange eto e!"
- "Tsy sahy?"
- "Andray ry Hery," sady nosintominy tsara ilay lambahoany, "ianao ity an ! Fa angaha ianao tsy misaina afa-tsy izany?"
- "Bof! Ohatran’ny te-hanandrana fotsiny aho, raha sahy ianao!"
- "Fa angaha moa voatery tsy maintsy manao foana vao mifankatia!"
- "Porofom-pitiavana io amiko! Io no anisan’ny lalana iray ifampitàna hasambarana eo anivon’ny olon-droa. Fahafinaretana iaraha-manana sy ifampizarana."
- "Eny e! misy maha-marina azy izany, fa aiza ny fifampiresahana, aiza ny firaisam-po, aiza ny teny mamy ifanaovana sy ny tambitamby, sehatra faharoa ireny fa ny manao ihany ny anao no voalohany? Ianao izany toa ny hanafosafo sy hitady fahasambarana amin’ny alalan’ny firaisana hatrany no masaka ao an-dohanao."
- "I Mihary koa! mba te-hanandrana izany manao ety amorom-pasika izany aho e !"
- "Dia amin’izao ora manomboka miha-be olona izao? Andray ry Hery ! Tsy tiako !"
- "Tsy tianao amin’ny ahoana ary?"
- "Tsy haiko! izaho izao mba nanantena mihitsy izay fahitanao ilay famelabelaran-kevitra teo. Tsy nahitan-teny mihitsy ianao, nefa mba te-haheno izay fihetseham-ponao aho."
- "Pffff ! ianao koa ! Zavatra tsy misy kianina ireny ve dia inona moa no ambarako eo! Hay, tena marina izany, variana mihitsy aho tamin’ilay resaka hoe tsy tokony hipetrapetra-poana ny vehivavy rehefa bevohoka fa manjary msy fiantraikany amin’ny zanany any aoriana. Fa ahaona koa no hitenenanao izany, tsy amin'izy miasa mafy iny indrindra ary ve no hampisy tarazo amin’ny fiainan’ny zanany.
- "Tsy azonao mihitsy ny tiako hambara. Ahoana re ny hilazako azy e!
Tadidinao moa tamintsika tao amin'ny kilasy famaranana. Nisy an'izay  mpampianatra antsika siansa sy ny zavaboahary izay. Niteny izy hoe aza avelanareo hipetrapetraka mihitsy ny vadinareo, na ianareo rehefa bevohoka! Fa izaho izao mihitsy mantsy hoy izy no nahatsapa an’izany! Tadidinao iny Madama iny? "
- " Tadidiko tsara, izy ilay niteny hoe ny zanako voalohany, mbola nianatra teny Ankatso aho tamin’izaho bevohoka azy, dia lasa matselatselaka be amin’ny fianarana, fa ilay faharoa, efa vita ny fianarana, dia naka aina tsy nanao inona na inona firy intsony fa novelomim-bady, nampiasa mpanampy, fa dia nahagaga fa dia lasa kamokamo no vontsavontsa izany ilay zaza.
- "Izay heviny izay no narahiko sy nifototrako hatramin’izay. Nandinika sy nanao famakafakàna lalina momba ny fiainan’ny reny bevohoka aho. Jerenao tsara ary, nahoana ny zanaky ny mpanakanto no lasa mpanakanto, ny mpampianatra matematika no mahay matematika be, ny zanaka dokotera vavy, lasa profesora manam-pahaizana. Noho ny inona no anton’izany hoy ianao?! Satria voatefy tao an-kibo ny sain’ilay zazakely. Tadidio fa ny loha ange no miforona voalohany ao an-kibo ao e!
Ka andramo ary, andramo dia ho hitanao, fa raha mitomany lava ny vadinao rehefa bevohoka, dia asa izay hanjo ny zanakao any aoriana, raha misendoatra lava izy, taitaitra, angamba mety harary fo ny zanakao. Ary io tsy ilay ara-batana ihany, tahaka ny hoe : marary ilay reny, na koa hoe mifoka sigara na misotro toaka, fa miantraika mihitsy amin’ny ara-tsaina.
Ka izaho dia tena mamporisika mihitsy ny reny rehefa bevohoka, tsy hipetrapetraka na handany andro fotsiny. Fa manao zavatra marobe, fanadrahoana sakafo, famakiana boky, fianarana marika sy kajikajy, fampiasan-tsaina isan-karazany. Ovaovaina ny zavatra atao. Ny fiaraha-monina ange manefy ny saina ry Hery e ! Fa hafa kokoa ilay saina raha efa voatefy tao am-bohoka. Nahoana tokoa ary no misy hatrany ny mahay kokoa ao am-pianarana, ary mifanalavitra amin’ny gisitra ny voalohany?"

- "Tsy manda izany teninao izany aho," hoy i Hery, "fa ny mahatonga ahy tsy niresaka ange, izaho lehilahy, tsy mahatsapa izany fiainan’ny bevohoka izany aho, nefa izaho no iresahanao azy. Ny tiako izao dia ny mba hampianaranao ahy izay mbola tsy fantatro mikasika ny fananahana. Ianao rahateo moa mandalina manokana momba io. Dia mba ilazao e!"
- "Fa inona anefa no tianao ho fantatra?"
- "Asa, maninona ohatra no misy olona tsy maharay lamba fa te hanao foana, nefa misy ny olona tsy taitra akory, na lahy io na vavy?"
- "Tsy haiko," hoy i Mihary, "fa maninona ianao no manontany izany?"
-" Tssss! fa ahoana koa. Aiza no tsy hahalalanao izany," sady nanao tarehy ratsy i Hery.
- "Io ry Hery, samy manana ny heviny ny tsirairay, ary tena hita tokoa, fa ny sasany tsy manaiky mihitsy, ny sasany manao amin’ny antonony, ny sasany mety tsy taitra. Fa amiko manokana, satria izaho ihany no nanao ity fanadihadiana ity dia izao:
Mbola mipetraka ihany ilay mikasika ny reny bevohoka teo. Satria, maro ny reny rehefa bevohoka dia tsy manao firaisana intsony, misy ny mbola manao mahalana, mety ho tsindraindray, ary misy aza ny tsy manaiky mihitsy fa vao mainka mitady be tsy misy ohatran'izany.
Dia mazava fa miantraika amin’ny zazakely io. Ny firaisan’ny mpivady dia fifandraisan’izy telo mianaka. Ray, Reny, Zanaka. Mety misy fahafinaretana io, ary io dia tokony ho
tonga
any amin’ilay zaza koa.
Ka raha ohatra izany ny vadinao, tsy maninona ve raha ataoko hoe « izaho », sady nipi-maso ihany i Mihary, tsy manao mihitsy isika mandritra ny maha-bevohoka ahy, dia tsy dia rototra firy amin’izay firaisana ny zanantsika rehefa lehibe, fa mety ny fiaraha-monina any aoriana no hanefy azy.
Fa raha manao tsindraindray nefa voalanjalanja tsara isika ohatra dia efa mizatra izay koa ny sain’ilay zaza, hany ka mifoha tsara ny sainy sy ny vatany raha vao miresaka fananahana.
Raha tena mpanao be indray isika amin'izaho mitondra vohoka, dia mety ho lasa tsy mahatan-damba araka ny noteneninao teo ny zaza mivoaka eo rehefa lehibe.
Aleo aloha hazava fa fanadihadiana nataoko io an! Fa ny marika hitako hatramin’izay fotsiny no ametrahako ny hevitro, tsy mbola misy manam-pahaizana hitako nandalina manokana ny momba io tsinona ary tena mahaliana ahy ny hanamarina ny mampitombona tanteraka an'ireo petra-kevitro ireo na tsia.
Fa ilay tranga faharoa no tsaratsara, na dia ilay fifampitan’ny fifankatiavana sy ny firaisana amin’izay telo maianaka fotsiny aza dia mahafinaritra.

Izaho izao, te hahafantatra mihitsy ny fiafaran’ireny zaza tao an-kibo niaina tao anatin’ny fampirafesana ireny. Izany hoe ilay reny bevohoka mihitsy no mampirafy, misy olona sahy manao izany an! Sao ianao dia taitra, fa tena misy mihitsy.

Nisendoatra kely i Hery, niezaka ny hitony haingana anefa izy sady niteny hoe:

- "Fa araka ny fihevitrao, tahaka ny inona ary no fiainan’ilay zaza rehefa lehibe ?"
- "Asa ! Ilay izy aloha raha ny fandinihako, tsy eo amin’ny maha-zaza azy no mitranga ny tena toetrany fa rehefa
tonga
amin’izay ilay fotoana hananany fahaleovan-tena isintahany amin’ny reniny na ny rainy. Rehefa mahatsapa izany izy fa afaka mitondra ny fiainany amin’izay.
Asa tokoa! mety olona ikoizana amin’ny fampirafesana, tsy mahatan-damba fa mivezivezy etsy sy eroa, raha misy olona misary zoro aminy angamba dia latsaka ao anaty dobony avy hatrany. Ary mety ho tena fahafinaretana ho azy ny manao ary tsy mifidy olona hiarahana, eny na dia olona bevohoka aza. Tsy haiko e! Eritreritro fotsiny izay fa te-hahita mihitsy aho.
Indraindray aza aho, te-hiresaka amin’ireny olona ireny hoe mba nanao ahoana kay ny mamanao tamin’izy bevohoka anao? Ratsy be izany ry Hery an! tsy fanao mihitsy, fa ho loza ny mitranga raha tahaka izany daholo ny miseho."

Very hevitra teo i Hery, tsy hitany izay hotenenina. Naforitrany ny lohaliny, dia nahankiny teo ny lohany. I Mihary mbola te-hanohy ny fanazavàny amin'io satria mbola toa mbola betsaka ny zavatra tiany holazaina.
Tonga
dia notapahin'i Hery avy hatrany anefa ny resany raha iny ndeha hanohy indrindra iny izy:
- "Mihary an! Tsy maninona ve raha
tonga
dia mody isika izao fa... "
- "Fa... fa maninona hoy ianao?"
- "Tsy haiko e! ohatran'ny te hody fotsiny aho fa ampy angamba izay nijanonantsika teto izay!"
- "Oay! Isika aza tsy mbola nitsoboka ranomasina akory," hoy i Mihary mbola nidongy.
- "Tsy mampaninona, andàna ary raha te-hilalalao ranomasina ianao fa izaho aloha hijanona eto sady hanomboka hampirina entana. Rehefa afa-po ianao dia miverena fa tonga dia mody isika."
Tsy niteny intsony i Mihary fa nitsangana, nanala ilay lambahoany teny aminy dia nihazakazaka madinika namonjy ny ranomasina efa manomboka miakatra ary nankaiky ny nisy azy roa.
I Hery kosa, nijanona teny lavidavitra teny, toy nianjadian'ny vatolampy mavesatra tao andamosiny izay mila hanapotsitra azy tanteraka raha tsy mitandrina kely fotsiny izy. Nanakoako tao an-tsainy ilay hafatry ny reniny teo ampialana aina, hafatra tsy nampoiziny nefa nambara taminy tamin'ny fotoana farany niresahan'izy mianaka.
"Misy fahamarinany ve ny tenin'i Mihary? Hoy izy niteny irery.
"Raha ampifandraisina tamin'ny hafatr'i Neny farany, dia tena mitombina tokoa izay zavatra nolazain 'i Mihary teo e. Nefa petra-kevitra ange ny azy fa tsy voaporofony akory e! Nefa dia izaho izao no porofo izay andrasany".

I Mihary amin'io fotoana io mankafy ery hatsiakan'ny ranomasina amin'ity andro migaingaina. Nakopakopany ny tanany hiantso an'i Hery, nefa ity farany tsy nihetsika teo amin'ny toerany fa toa niantso azy hiala tao anaty ranomasina indray aza.

Farany, nanatona an'i Hery izy nanontany izay manjo ity olon-tiany.
- "Fa ahoana?"
- "Metimety kokoa isika miverina any amin'ny hotely amin'izay e!"
- "Fa maninona ary i Hery no miova tampoka tahaka an'io e! Sa nalahelo ianao tamin'ilay tsy navelako hanao tamiko teo?"
- "Sshh! te-hody fotsiny aho fa tsy aleonao ve misolo akanjo amin'izay."
- "Eny ary ko! ianao moa no mitondra fiara ka ataoko ahoana. Fa sao dia marary ity ianao e! Sao dia tsy zakanao ny sakafontsika teo. Izaho ange dokotera ry Hery e!"

Tsy niteny intsony i Hery fa ny fiara no novonjeny, i Mihary kosa lasa namonjy efitra kely fisoloana akanjo. Vita iny dia namonjy ny fiara nisy an'i Hery izy.
Tsy nisy niteny teny an-dalana, i Hery miankina amin'ny sisin'ny varavaran-kely, toa tsy mitombina mihitsy ny sainy, lasalasa vinany, toa mivaloharika, ny lalana no nojereny tsara.
Tonga tao amin'ny hotely dia nosokafany ny varavarana aoriana hakany ny  akanjo sy ny entan'i Mihary. I Hery no nitaridalana hamonjy ny efitrano nony avy eo moa i Mihary nanaraka moramora avy ato aoriana.
Nony tonga tao an'efitra…
- "Hery an! Mahatsikaritra zavatra hafahafa mihitsy aho aminao ity. Lazao fa naninona tampoka teo ianao e? Marary inona? Izaho ange eto afaka hitsabo ny aretina mahazo anao e!"
- "Raha vitan'ny fitsaboana izany dia efa nolazaiko taminao," hoy i Hery somary tezitra.
- "Andray ry Hery! Nisy zavatra tsy tantinao nolazaiko angaha?"

Nanomboka nanganohano ny mason'i Hery, nanondrika ny lohany sady naka andry teo ambony latabatra kely ny tanany. Nalahelo mafy ny reniny izy ka nila ho latsa-dranomaso. I Mihary amin'io tsy tonga saina mihitsy amin'izay zava-miseho tany andohany tany fa ny hany azony natao dia ny nanatona an'i Hery  sady nanafosafo ny lamosiny.
- "Hery! Fa maninona ho'aho ianao? Izaho ve no mahatonga anao mitady hitomany?"
- "Mihary an! Fa maninona ianao no mandalo amin'ny fiainako? Fa nahoana ianao no nifanena amiko taty? Ny fiainako efa feno fahoriana sy fijaliana ary mangidy sy mafaitra nefa mbola omenao ny tangena mety hanapoizina ahy indray."
- "Fa nahoana, inona no nataoko taminao."
- "Hevitra manokana daholo ireny nambaranao teo ireny, hevitra nolalininao hatramin'izay, nefa dia taty amiko no nahitanao ny porofony ary tsy midivotra mihitsy."
- "Hery an!" hoy i Mihary manambitamby, "fa inona moa no ifandraisanao amin'ilay noteneniko teo?"
- "Ilay mikasika ny reny bevohoka nefa mampirafy, dia tranga nanjo ahy mihitsy! Asa izay tsoa-kevitra nahazoanao azy fa tena fiainako no nambaranao!"
sady latsa-dranomaso i Hery no nigogogogo nitomany.

Gaga be i Mihary.
- "Fa nahoana?"
Fahiny mantsy dia nandalondalo tany amin'i Hery foana i Mihary, ary ny Maman'i Hery aza dia olona niana tamin'ny fivavahana ary tena niaritra ny mafy tamin'ny fitaizana sy fanabeazana an-janany ho olom-banona, tsy naka vady hafa mihitsy fa nikolokolo samirery ity zanany lahitokana samy irery. Ka nahoana no hoe nampirafy; zavatra tsy azo eritreretina izany hoy i Mihary manontany tena.
Safosafo fotsiny no nataony tamin'i Hery hampitony ny fony. I hery mbola mifokofoko mitomany hatrany, tsy naharesaka intsony.
...
Efa afaka ny minitra vitsy vao niteny izy hoe
- "Talohan'ny nahafatesan'i Mama, dia nametraka hafatra tamiko izy..., nitantara ny fiainany taloha tamin'ny fahaveloman'i Dada, ary nifona tamiko izy noho ny fahotana tsy roa aman-tany nataony tamin'izy bevohoka ahy. Dia arak'ireny nolazainao ireny, nampirafy izy ary izany aza no tena nampaharary fo an'i Dada ka nitarika ny fahafatesany.
Nafenin'i Mama ahy izany rehetra izany, ary rehefa ho tapitra ny ainy vao  nangataka famelàna tamiko izy.  
Nefa izao, ianao tonga eto anoloako eto, dia manambara ahy ny fiainako ary voalazanao amin'ny ankapobeny tsy misy hokianina mihitsy."
- "Ka iny ange ry Hery petra-kevitra mbola tsy voamarina akory e! vao  noeritreretiko fotsiny ireny aloha araka ny fahitako ny zava-misy fa tsy voatery ho tahak'izay ny tena fandehany."
- "an, an! Tsia dia tsia ry Mihary an! Tena ilay voalazanao no mamaritra ny fianako. Tsy afaka ny hanafina na inona na inona aminao intsony aho. Menatra aminao aho Mihary an! Nitovy fahaizana isika, niady ny toerana voalohany hatrany, ary izao aho vao mahatsapa fa tena anjaranao amin'izay ny maka ny toerana voalohany fa izaho tsinona efa nivary lavo" Mihary an! Mifona aminao aho, mifona fa namitaka sady tsy sahy nanambara anao akory izay tena fiainako."

Dia notantarain'i Hery avokoa ny lasany rehetra nandritra ny tsy naha-teto an-toerana an'i Mihary, ny fiarahany tamin'i Alexia, ny fisakaizany tamin'i Malala na dia efa bevohoka aza, ny zanany mianadahy, ny sangisangy tamin'i Tahiana ary izao izy mbola roboka amin'i Mihary izao indray.

- "Gadran'ny antson'ny nofo aho, ary tsy nahatohitra fakam-panahy, nitady porofo ianao? Ity manoloana anao ity no izy, porofo mivaingana satria vao nanomboka niasa fotsiny aho, araka ilay teninao hoe manana fahaleovan-tena, dia tsy nahatohitra ilay fakam-panahy fa nisakaiza tamin'i Malala nefa renin'ny fofombadiko. Izao efa tsy eo intsony i Mama, dia nivarilavo ny fiainako.
Ka iza no omeko tsiny, i Mama efa any am-pasana ve? Sanatria, sanatria amiko izany! Fa izaho manokana, izaho sy ny rendrarendrako, ny hadalako sy ny fitiavako diso teorana loatra."
- "Hery an! aza manao izany ianao! Fantatrao tsara fa voaloham-pitiavana nahay nifamaly tsara ny antsika. Voatery najanona satria nanana tanjona nitovy. Ary izay tanjona mitovy izay no entiko hobanjinitsika, tsy maintsy hanampy anao aho, na inona na inona fomba ampiasaiko hanovako io toetranao io. Mino tanteraka aho fa azo amboarina tsara ny fiainanao, azo averina tefena indray ny sainao mba ho olo-marina. Izaho mihitsy no handray an-tanana ny fanomezana ny toro-lalana fa matokia, tsy hanary anao aho."

Samy nanana ny fahadisoam-panantenany avy izy roa, ny iray ilay tonga dia nisarangotra, tsy nanadihady tsara akory, ny iray tsy nahatan-damba fa tonga dia nitsabaka fitiavana tamin'ny fotoana fohy loatra.

Soa i Mihary fa olona tsy be fihetsem-po fa na dia nanenina ny zava-bitany tamin'i Hery aza izy dia vonona hitraka hiatrika ny fiainany ho avy indray.
Olom-baovao no ezahiny hotefena, olona tokony hahay hiatrika ny ho avy am-pamendrehana ho reharehan'ny firenena. Mety ho eny an-tanany ny fanalahidin'izany.
Naleony namela an'i Hery irery tao an'efitranony, fa lasa izy namonjy ny fandriany, namoaka ny boky mikasika ny psykolojia nikaroka izay petra-kevitra vaovao homeny ity namany notolorany fitiavana voalohany ary tsy maty hatramin'izao.

[email protected] (Misaotra betsaka an'i Tadiom-pitiavana tamin'ny finiavana hanoratra ity tantara ity hatreto. Mankasitraka.) I Loulou indray no manohy azy ao amin'ny Pejy 35. Misaotra an'i Loulou (France).

[email protected]

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype