Raha iny nitsirempirempy iny ny mason’i Hery dia tsapany fa lavo tamin’ny tany izy. Natrakany moramora ny lohany. Ny gorodona mirakotra taila miendrika efajoro marobe no milahadahatra manodidina ny seha-pijeriny. Hitany koa ny kodiaran’ny fandriana izay misy an’i Mihary. Ny lohany maharary azy, ny kibony toa misalebolebo mila tsy ho tantiny. Izy mbola fanimpanina, ary mahatsiaro mangatsiaka tsy misy ohatr’izany.
Niarina izy, tsy teo intsony Ratrema saika namono nahafaty azy teo. Ilay salebolebo tao anaty vavoniny teo no tsy maintsy nampitsangana azy hamonjy ny efitra fidiovana haingana. Raha vao tonga teo amin’ilay bakoly lehibe fanarian-drano izy dia nihoaka nandoha. M bola henony naharary azy mafy ny lohany, toa fanimpanina sy badenina mila hitsirara amin’ny tany indray izy. Naka toerana nipetraka tamin’ny tany indray izy aloha sady niankina tamin’ny rindrina. Rehefa nahatsiaro saina sy tony tsara vao nitsangana nijery ny tarehiny tamin’ny fitaratra…..
Akory ny hagagany fa tsy nisy na dia ratra iray akory aza tamin’ny tarehiny. Fa nisy inona teo ?
- Nahatsiaro tena naharary mihitsy aho teo, nefa izao tsy misy diam-pery akory. Tena nanonofy ratsy aho! Tena loza fa mihatra hatramin’ny nofiko ny adin-tsaiko.
Afaka fotoana elaela izy vao nivoaka tao amin’ny efitra fidiovana rehefa avy nisasa tarehy. Hitany avy hatrany i Mihary mijery azy tsara.
- "Hery an! fa maninona ianao?
Tsy niteny aloha ny lehilahy fa naka ny seza ary nanatona teo akaikin’ity marary.
- "Mihary an ! efa niteny ny dokotera fa mila maka aina tsara ianao ! Tsy aleo aloha matory ihany?"
- "Fa tamin’ny firy aho no tonga tato amin’ny hopitaly?"
- "Tamin’ny valo sy sasany alina tany ho any."
- "Ary izao amin’ny firy."
Nojeren’i Hery ny famataran’ora teo an-doham-pandriana :
- "Efa amin’ny roa maraina."
Tsy namaly aloha i Mihary. Nakimpiny indray ny masony.
- "Hery an! … nitsangana tampoka ianao teo dia nitsirara tamin’ny gorodona. Asa, nihevitra ny ho atsy amin’ny efitra fidiovana angamba. Manana olana amin’ny resaka tosi-dra angaha ianao? Ianao nianjera tamin’ny tany no nanaitra ahy. Nikarokaroka ilay bokotra fiantso vonjy aho fa tsy hitako akory fa voatsindry tato ambany ondako tato. Tafatsangana ihany ianao ny farany dia naleoko niandry fa tsy niantso mpitsabo indray.
Tsy niteny i Hery fa nangina fotsiny, nisaintsaina izay nanjo azy. - "Tena tianao izy e?"
- " Izy iza no tianao hotenenina!" hoy i Hery.
- "I Alexia ! izay foana no anarana naverimberinao tamin’ianao nitsirara amin’ny tany teo."
Nanganohano ny mason’i Hery. Niondrika izy tsy sahy nijery intsony, menatra an’i Mihary loatra. Ary ny henatra eo ihany fa ny fahadisoana goavana naverimberiny no tena tsy tantiny.
Na dia nofy ratsy aza ny nahazo azy teo, toa hafatra miletra any am-pony any mihitsy. Ary tahaka ny kapoka maharary tamin’ny vatany akory aza ilay nofy ratsiny.
Tsy nanana eritreritra afa-tsy izao intsony izy: hitady an’i alexia, na inon-kihatra, na inon-kidona. Eny, na dia handaniany izay kely mba hananany aza. Tsy maintsy mandeha izy, tsy maintsy mahita ilay olon-tiany.
Nitsangana teo amin’ny toerany i Hery dia nivoaka ny efitra, namonjy seza fiandrasan’ny marary tao an-dalantsara. Alahelo tsy roa aman-tany no niainany.
I Mihary kosa, niverina tsikelikely tao an-tsainy ny hafatra voarainy nandritra ilay fotoana nameloman’i Hery azy. Toa nofy, nefa mitory ny marina entiny hiatrika ny fiainany any aoriana. Inona no maha-sarotra ilay iraka. Ary raha tsy vitany ilay iraka : inona no valin’izany?
………… Na dia tafiditra anatin'ny nofy ratsin'i Hery aza Ratrema, ity farany kosa mbola very hevitra ary tsy mitombin-tsaina mihitsy na dia eo aza ny otra malefaka sy ny safosafo ataon'i Corine azy.
- "Ratrema an ! « Laisse-moi faire, et laisse-toi aller! », hoy i Corine nibitsibitsika mora teo amin’ny sofiny.
Tsy nanan-kolazaina intsony izy fa nanaiky tsotra izao ny otra nataon’i Corine taminy. Injay fa tsapany ny bokotry ny lobaka mivaha tsirairay. Iny indray ny tanan’ity vehivavy nisintona ilay lobaka hiala tanteraka amin’ny pataloha.
- "Corine an ! efa nilamina ange ilay adinay sy Malala iny e!"
- "Tsy ahoantsika letsy izany Ratrema an ! Tsy fantatr’ialahy akory izay ataony any lavitra tsy taka-maso any." Sady niodina teo anoloany i Corine no nanala ilay akanjo ivelany. Avy eo namaha tsikelikely ny lobaka fotsy nitafy ny hodiny. Toy ny tsy teo no nanalàny iny ary atin’akanjo mainty feno dantela manify sisa no nasarony ny nonony. Natosiny tamin’ny tongony ilay sezan-dRatrema misy kodiarana ary nikisaka kely nahazoany toerana malalaka tsara.
- "Mbola ao ve letsy ilay efitra kely fatorian’ialahy iny rehefa tsy afaka mody atoandro ialahy?" hoy ihany i Corine nanontany an-dRatrema.
- "Corine ann ! aza tonga dia maika ny amin’izany aloha ianao? izao ihany no nahavoa antsika ilay tamin’ny farany teto."
- "Ialahy koa!" sady nitsangana izy nanokatra ilay varavarana dia niditra tao. Afaka dimy minitra dia nosokafany indray, sady ny fanondrony roa no navoakany teo niantso an-dRatrema tahaka ireny amin’ny sarimihetsika ireny.
- "Ratrema chéri ! Avia letsy fa efa voaomako tsara ny ato an!"
Tsy niteny Ratrema fa ny sezany no nitapikirany mafy. Tsy sahy handingana indray izy ka handrava ilay fifankatiavany efa nirehitra indray tamin’i Malala.
Tsy tratra fa nivoaka tao amin’ilay efitra i Corine, amin’izato bikany mahasarika ny maso; Ny nonony mameno tsara ny tatiny, ny bikany mbola mitana maharesy ireny tovovavy tsy dia mahakarakara vatana loatra ireny. Atin’akanjo mainty ambony ambany no nanaovany, somary mitaditady ny sisiny, ary zara raha takon-kenatra fotsiny fa dia entina hanintona lehilahy no tena andraikiny. Nanatona teo anoloan-dRatrema indray i Corine sady nandray ny tanany roa no nisintona azy hitsangana.
- "Avia letsy Ratrema an ! izaho ange izao efa ho iray volana sy tapany tsy nanao mihitsy e! Ny asa sy ny afera nefa tena manome « stress » mihitsy. Vao niantso ahy fotsiny ange ialahy teo dia nahatsiaro ny nataontsika fahiny aho e! Avia letsy an!"
Fiangotingotiana izany ka fiangotingotiana, notaritaritiny hanaraka azy tao anatin’ilay efitra Ratrema ary nasainy nipetraka teo ambony fandriana. Nampatoriany tamin’ny lamosina. Norokorohany ny tendany sy ny tratrany, nosafosafoiny hatrany ary nampidininy hanaraka ny kibony.
Novahany ny fehikibo sady nosintominy hiala, avy eo novahany koa ny bokotry ny pataloha, ary nampidininy moramora hiala. Ratrema rahateo nanampy tosika tamin’ny tanany.
Rakitra ny orokoroka tamin’ny vatan-dRatrema ; Ilay kalisaona sisa no teny aminy. Safosafo lavareny, orokoroka tsy tana mihitsy. Natsofok’i Corine tany anatin’ilay kalisaona ny tanany ilany, ny ilany manafosafo ny tratrany. Ny molotra miakatra mananika ny an-dRatrema….
- "Mody manao mafy loha an! hoy izy somary mihomehy nefa manoroka an-dRatrema ihany.
Nony afaka kelikely….
- "Andray letsy Ratrema, fa angaha letsy dia tena mafy mihitsy ity adin-tsaina mahazo an’ialahy. Izaho letsy eto manovokovoka mihitsy mamelona fa toa tsy taitra akory ny an’ialahy. Fa maninona ialahy ity e?" Sady niala i Corine no nitsangana teo anoloany.
- "Tsss ! izao ve letsy no ataon’ialahy. Ka raha tsy mitohana ko!" hoy ihany izy.
- "Miala tsiny !" hoy Ratrema namaly azy tamin’ny fahamenarana, Tena tsy fantatro mihitsy e ! ssshhh, raha mba tena fantatrao marina mantsy ny olana mianjady amiko!"
……..
Nanandrana namerina niantso an’i Hery ihany i Tahiana fa tsy nahazo azy. Farany, ilay laharan’ny findain’i Malala teo no nampidiriny tao anaty fitehirizan-daharanan’ny findainy.
- "Mba vehivavy tsy manana ny hajany koa ry Malala, resaka ohatr’izany ve no andaniana vola hiantsoantsoana aty, vadin’ny mpanankarena tokoa, tsy miraharaha izay lany fa dia heveriny ho maniry ohatry ny anana ny vola ao an-tranony. Tsy misy asa atao fa mandany andro mitety magazay Izany mihitsy ny mahatonga iny tsy menatry ny mampirafy. Shhh ! nahazo ihany izy nahazo an-dRatrema fa nahazo koa Ratrema sendra iny vehivavy iny. Atao ahoana fa namana tsy nifankafoy, nifampizara ny manta sy ny masaka, nifampitantaràna ny fiainana rehetra, noraisina ho toy ny rahavavy. Nefa… Tsy handefitra manana ny rariny aminy intsony aho fa ho hitako eo.
… Malahelo aho malahelo, koa maninona raha miverina, lazaina fa nilamina ny aminay sy Ratrema e ! efa hadino daholo ny nataonay taloha e ! nefa tsy miherina akory ny andro dia efa mampirafy sahady. Tsy ho fantatr’i Ratrema angaha moa izany nataony izany? Ho main’ny afo natsangany iny izao. Sshh, aleo tsy eritreretina intsony fa aza manody ny tahaka izany…"
Nidina tany ambany izy nikarakara sakafo, i Manitra rahateo tsy tao an-trano. Lasa eritreritra lalina izy ny amin'izay nahazo an’i Hery, fa maninona izy no any amin’y hopitaly?
Ora vitsivitsy taorian’izany kosa tany Mahajanga tany,
Tsy naharitra nijanona teo amin’ny sezan’ny lalantsara akory i Hery. Niditra tao an’efitra indray izy, naka ilay seza nipetrahany teo. Ny rano no nosotroiny betsaka, hanala ny makafoka tany anaty vavoniny tany. Nahita tory ihany izy nony avy eo ary efa madiva haraina izy vao nifoha. Hitany i Mihary mbola renoky ny torimaso.
Nitsangana izy avy eo dia nanasa ny tarehiny tamin’ny rano mangatsiaka. Nanadio izay lotoloto rehetra tamin’ny efitra fidiovana. Fofona hafahafa no nameno ny efitra, notobasany tamin’ny rano mba hialan’izany. Vita tanteraka ny fanadiovana ilay efitra kely vao nivoaka tao izy :
I Mihary mbola matory no nobanjininy tsara sady lasa ny fisainany.
- I Mihary ve?
Vao nivaly ny bakalorea dia nahazo vatsim-pianarana ho any Amerika izy, nilamina ny antontan-taratasy rehetra dia lasa niampita ranomasina nianatra momba ny fitsaboana, ary nandalina manokana momba ny fananahana sy ny reny bevohoka. Valo taona izy tany foana. Nitazona ny fahadiovany ary voaporofo mihitsy.
Tsy nijanona tany fa nody an-tanindrazana, dia nahita ahy, dia tsy nisy na inona na inona fa nomeny ahy tsotra izao ilay fahadiovany tsy noheveriko akory. Dia diso aho teo, tokony nilaza taminy ny fiainako aho, nefa nahoana ary izy no tsy nanohitra na dia kely fotsiny aza tamin’ilay firaisana nataonay tamin’ny zoma hariva? Raha izaho manokana aloha dia tsy mba nievitra an’i Mihary ho virjiny izany mihitsy aho na dia kely aza. Nihevitra mihitsy aza aho fa olona niaina tany Amerika izany efa malalaka fomba fisainana, nefa nahoana?
Tsy afaka miala amin’izao manjo azy izao aho, ary tsy maintsy misy ny fanadihadiana ataon’ny manam-pahefana ny amin’iny loza iny.
Noraisin’i Hery moramora ny tanan’i Mihary, ary iny no nanaitra azy sy nampisokatra moramora ny masony.
- "Nanao ahoana ianao izay," hoy i Hery.
- "Mihatsara kokoa fa misaotra anao!" hoy i Mihary nanisy tsiky kely tamin’ny molony.
- "Faly aho rehefa tsy naninona intsony ianao. Tsy misy tokony hisaoranao mihitsy na dia kely aza, mifona aminao aza aho… sady latsaka ihany ny ranomason’i Hery, nanondrika ny lohany teo amin’ny tanan’i Mihary.
Tsy niteny aloha i Mihary fa ny tanany no nasafosafony tamin’ny tarehin’i Hery. Somary namafa koa ny ranomason-toloko sy fitarainana.
-fotoana ela no tsy naha-teto an-tanindrazana ahy. Tsy hoe tsy niaraka tamin’iza na iza aho tao anatin’izay fa nisy gasy izay niaraka tamiko, roa taona taorian’ny nahatongavako tany, nifanalavitra anefa ny oniversite nisy anay dia nifanoratra mailaka sy taratasy fotsiny no natao betsaka, ary zara raha isam-bolana vao mifankahita.
Ny Amerikana moa, hitanao ihany fa olona lava sy ranjanana avokoa, izaho hatreny amin’ny tratran’izy ireo, dia nihevitra ahy mbola zaza avokoa ny rehetra. Ny antontan-taratasiko koa tsy dia niparitaka firy. Ny fianarana rahateo no nataoko ho vaindohan-draharaha. Ary tsy nisy nampiraika ahy izay mpiara-mianatra tamiko.
Niaraka nandritra ny herin-taona teo izahay sy ilay bandy gasy izay, izaho foana no nandeha nankany aminy, zara raha in-dray mandeha ihany izy no namangy ahy. Ary isaky ny nifankahita izahay dia tsy nitady afa-tsy ny firaisana ara-nofo tamiko no ambetin-dresany. Tsy nanaiky mihitsy aho ary farany dia reko tamin’ny namako fa miaraka amina vazaha amerikana izay hono izy.
Tsy nanaiky mihitsy aho ny handry niaraka taminy satria nanana hambom-po be loatra, hambom-po amina safidy roa monja:
Ny voalohany dia ny hitazona ny fahadiovako ambara-pahatongan’ny fampankarana ahy. Ary ny faharoa dia ianao, ilay fitiavako voalohany.
Dia tampoka ny nahitako anao taty, dia naleoko nisafidy ilay faharoa, indrindra moa ianao hoe: mbola tsy manambady. Ny taona rahateo mandroso ihany.
Dia izay, izay ilay fahadisoam-panantenana taty amiko.
Valo taona lasa izay, tsy niova ny fitiavako anao na dia nafeniko aza. Na dia nosaromako tamin’ny fianarana foana aza ny fitiavako, ilay afo mbola nirehitra nitsilopilopy nanazava sy nanafana ny foko tao ihany.
Dia izao , izaho raiki-pitia taminao, nefa ianao raiki-pitia amin’olon-kafa, samy manana fitiavana mipololotra tsy mety maty isika fa tsy mitovy làlana.
Samy diso angamba isika satria tsy nilaza ny marina, (nanomboka nanganohano koa ny mason’i Mihary), Izay ry Hery no nahatonga ahy nanontany anao tamin’ny alina hoe : « tena tianao izy e? »
Fantatro avy hatrany ny valiny na dia tsy te-hiteny aza ianao !
Zavatra roa loha no tiako hotenenina aminao :
Raha tena tianao marina IZY dia hajao amin’ny fonao rehetra.
Voalohany amin’izany aloha, hajao ny tenanao. Aza mihevitra ny tenanao ho very fa mahaiza mionona amin’ny fiainanao: ajanony aloha ny filàn’ny nofo, mety anatra mikapoka anao ange izao manjo ahy izao e ! Dia sanatria ve sahinao ny hamerina izany amin’olon-kafa?
Mitandrema fa maro ny fakam-panahy, ary ianao dia manam-bika sy endrika, mety ho maro ny misari-zoro sy mitady hisintona anao hanaraka azy. Ka eo no ilàna ny fahamatoran-tsaina satria efa nilaozanao lavitra ny fahazazana.
Ary tadidio fa raha fantatr’i Alexia izao ataonao izao dia mety hamoy fo ihany koa izy! Mitandrema mihitsy mba tsy ho lavon’ny fakam-panahy indray ianao.
Ny faharoa dia tsy hiteny aho hoe : tia na tsy tia anao. Marina fa mavesatra amiko ny fahadisoam-panantenana, fa tsy izany akory no hampijanona ny fiainako. Ary eo foana aho, hanampy sy hanoro hevitra anao. Raisiko ho adidy ny hanitsy anao amin’ny làlana marina. Fa apetrako kosa fa tsy hanana firaisana ara-nofo aminao intsony aho…
Tampoka, nisy nandondona tao am-baravarana, tonga dia niditra ny dokotera sy ny mpitsabo mpanampy.
- "Dia ahoana Dokotera? Nanapa-kevitra ny handao anay tampoka angaha ity ianao?" hoy ilay Dokotera nanao fizahana sady mananihany ihany. "Tsy izahay irery ange no hilaozanao fa i Madagasikara mihitsy e!"
Raha tsy nisy izao tovolahy mirijarija be izao dia efa tsy nisy azo natao na inona na inona intsony. Ka dia nanao ahoana aloha izato Dokoteranay e?"
Tsy niteny i Mihary fa nitsiky fotsiny tamin’ilay hanihany nataon’ilay dokotera.
- "Ka inona izao no atao anao?"
- "Manao ahoana anefa izy io dokotera," hoy i Hery nitsatsaingoka ;
- "Iza izao no tena mahalala izany fa izaho ange mijery ivelany fotsiny e!"
- "Ka inona no fanafody tianao hosoratako ato dokotera? sady nitsapa ny tosi-dra ihany izy.
- "Mody ihany izao no fanafody hitako fa tsara indrindra.! hoy i Mihary ;
- "Ha, ha, ha!" hoy ilay dokotera nihomehy. "Ianao ity koa mampihomehy ahy mihitsy. Tsy maintsy misy ny fepetra tokony harahina ; mino aho fa ho avy tsy ho ela ny polisy hanadihady ny zava-nitranga ; amin’ny tahaka izao koa dia tsy maintsy misy mpitsabo hafa manamarina fa efa mitombin-tsaina ny tra-boina sao dia mamerina indray ka loza ! vita izay… tsy maintsy hotazominay roa na telo andro eto aloha ianao fa mba namanay hangalanay hevitra e!"
Nivaloharika i Hery, tsy nahateny fa natahotra akory aza. Toa misamboaravoara indray ny kibony.
- "Ary ny tovolahy nefa manao ahoana?"
- "Izy aza no tena marary kokoa noho izaho Dokotera," hoy Mihary namaly, vizana koa ny fahitako azy, mila jerena kely fa nandoha tampoka, mety nahatelina ranomasina koa angamba dia izay no tsy zakany.
- "Manaraka ahy any amin’ny biraoko izany izao hojerena tsara. Efa nisakafo moa ise io?
- "Tsia tompoko!" hoy i Hery.
- "Ka izay ange no mahavoa anareo e! eny e ! Andao fa hojerentsika izay manjo an’ise"
Tsy nahatobin-tsaina intsony i Hery, nitaintaina izay tsy izy satria hiafara aminy izao loza manjo an’i Mihary izao. Tsy amin’izay fitsaboana ny tenany ny sainy, ary na ny sakafo nohanininy aza tsy tsaroany intsony.
Vao niverina tao amin’ny efitranon’i Mihary izy dia indreo Polisy roalahy efa manao fanadihadiana sy mametraka fanontaniana amin’i Mihary.
- "Mandroso ianao Andriamatoa ! ianao mihitsy izao no nandrasanay ;
Nidobodoboka tsy misy ohatr’izany ny fon’i Hery.
Tadiom-pitiavana ([email protected])