Tadiom-pitiavana

« Pejy 5 | Main | Pejy 7 »

Pejy 6
2006/03/29,05:21
 Nikoropaka indray aho aloha fa asa indray ity antso maika natao'i Malala tampoka teo... Tao anaty taxi aho vao niantso an'i Alexia saika hilaza aminy hoe taratara aho vao tonga,

- “Alexia, allo?”

- “Hay i Hery? vao saika hiantso anao mihitsy aho fa niantso ahy koa i Mama teo? fa misy inona hono?”

- “Asa tsy fantatro koa... any izany mifankahita e! bye”

Fa inona indray aza ny loza mety holazain-drabofy eo e! Ohatry ny misy loza mitatao izany teo ambony lohako!! Inona ary ity, ary sao i Ratrema no marary? sa ny zazakely? Ity vao ho loza ho'aho raha ny zazakely. Dia vitako ny tsy nijery ny zanako efa ho iray volana sy tapany??? Tena tsy vanona leitsy ialahy ity ry Hery, hoy aho niteny an’eritreritra.

- “Tonga ianao Ramose a! hoy ilay Saofera, 25.000 izany!”

- “Oay, tonga sahady ve? Ity ary ny volanao e!”

- “Veloma Ramose be a!”

Vao nivoaka ny fiarakaretsaka aho dia nihazakazaka niditra, tsy nisy olona tao ambany fa reko izy mianaka tao ambony no miresaka sady henoko mitomany i Malala. Nony niditra aho dia hitako nitanondrika i Alexia... i Malala kosa mitomany mafy…
- “Fa misy inona? Aiza ny zazakely?”

- “Nalefako niaraka amin'ny rahavaviko any izy fa niangaviako ry zareo androany fa mila fotoana hiresahana aminareo aho... Alexia a, tsy manan’aina hamerenana ilay resaka intsony aho anaka fa mba lazao azy…”
- “Tsia ry Mama a! mba raiso ny andraikitrao amin'ity indray mitoraka ity, fa tsy misy idirako izany resaka izany.”

- “Fa inona e?” hoy aho somary niaka-peo kely.

- “Bevohoka indray aho!” hoy Malala sady niverina nitomany izy.

Na varatra aza mety mbola maivana raha nitontona teo ambony lohako,
- “Inona indray? bevohoka a? fa ianao ve ry Malala tsy mitandrina mihitsy a! Ary iza no rainy?”

- “Mba fanontaniana adala anie ny anao izany ry Hery e?” hoy i Alexia nitsangana…

– “Fa iza indray raha tsy ianao? tamin'ilay ianareo tratran'i Papa iny?”

- “Tssss! tena leo be aho e!!!!Lleo problème aho!” hoy aho sady nitomany mafy indray aho aloha, nanala izay tao am-poko navesatra tao!!! Tena tezitra sy nalahelo aho, sady nanenina tanteraka amin’ ity tantara ity... “An, an, an, Malala a, dia inona no hevitrao?”

- “Tsy hitazona an'ity aho” hoy Malala, “aiza ve ka vao oviana aho no vao teraka dia bevohoka indray? Efa firy taona aho izao? An, an an, manimba ny bikako izany...”

Gaga aho fa tsy mba ny olona no tsaroan'i Malala, na ny zaza tezainy izay hanan-jandry sahady, na i Ratrema rehefa tsy hahatsiaro an'i Alexia ihany izy, fa ny tenany... Teo aho vao tena nahita ny toetran'ity ramatoa ity... Tia tena tsy misy ohatr'izany!

- “Izay ataonao ataonao ho'aho” hoy aho nitsangana nandray ny serviette-ko indray. Ny fantatro dia izao, tsy te hiaraka aminao intsony aho fa leo. Lasa aho, antsoiko ianao ry Alexia rahariva a…”

Raha iny handeha hivoaka iny anefa aho no hitako tampoka ny lohaben-dRatrema, amin'ilay masony mivandravandra iny!!!

- “He! miverina ianao, miverina ho'aho... Reko daholo ny resaka rehetra teo fa etsy miverina... Mitady hiala moramora? Dray dray dray....”

Vao naheno ny feon-dRatrema indray Malala dia lavo tamin'ny tany... nifandrombaka nikosoka azy indray aloha izahay rehetra fa adino teo ny ady... Izaho nikosoka ny tongony fa tsy navelan-dRatrema nikasika ny vatany sy ny tarehany mihitsy... Minitra kely vitsy avy eo, nihiratra ny mason'i Malala...

- “Fa nisy inona?“ hoy izy mbola jembijemby...

- “Bevohoka ianao, ary i Hery ny rain-janakao!” hoy i Ratrema nitrerona azy... Izay ny vokatry ny hadalana nihoampampana...

- “Ratrema a! Mamela ahy e!!! Efa nifona taminao anie aho e!!”

- “Efa noraisiko ny fifonanao tamin'iny ry Malala, ka ahoana ny hevitrao ny amin'io zaza io?”

- “Tsy hitazona an'io aho Ratrema a... ampio aho e!!!”

- “Tsy manaiky an'izany aho, hoy Ratrema, famonoana olona izany! Tazomy ny zaza dia izay! Tsy maninona fa zanahako indray!” hoy izy sady lasa izy nirintona nivoaka...

- “Indray ahoana?” hoy aho nijery azy mianaka... F'angaha fantany hoe tsy zanany i Toky? sa nolazainao azy ry Malala?” sady nanopy maso tany amin’i Alexia ihany aho.

- “An, an, an, inona moa no idirako amin'izany? Efa miteny anao aho fa tsy izaho mihitsy no hamono ny raiko!”

Niara-nijery an'i Malala izahay, izy amin’io niolanolana ohatry ny olona very saina... Hay vehivavy tena malemy mihitsy izy ity... Tsara tarehy fotsiny fa ny ambiny dia tsy misy itovizana amin-janany vavy mihitsy... I Alexia indray dia tsy misy hafa amin'ny rainy anefa na toetra ity na fihetsika...

- “Dia ahoana ry Alexia? hoy aho nijery azy? ”

- “Ka inona izany moa? dia mazava ny resaka... Aterany ny zanakareo dia mitohy ny tantara e! Ny ahy ny fantatro dia vita hatreo ny aminareo roa, ahy indray ianao izao, ahy tanteraka, manontolo! Raha mahita zavatra hafahafa aho, dia ho hitanao ry Hery fa ho rava koa ny aminao, fa ataoko ren'izao tontolo izao ity tantaranao ity ary ho rava ny asanao. Ho faty am-pitsanganana ny reninao, d’efa miteny aho izay.”

- “Manome toky anao aho fa tsy hivadika aminao intsony...” hoy aho namaly azy.

- “Aleo aloha isika hisaraka fa mbola hiverina hianatra aho androany après-midi... Rahariva isika miara-misakafo?”

- “Tsy aleonareo ato an-trano no mihinana miaraka aminay?” hoy i Malala nitsatsaingoka rehefa nahazoazo aina.

 - “An, an, an, ry Mama a! mba haka fotoana ho anay amin'izay izahay! Vita hatreo ny aminao fa ny lamban-jaza atao vonona!”

Dia nanao veloma an'i Malala aho, ny masony nanganohano ity mbola mijery ahy am-pihantana ihany... Saika vaky indray ny foko, ary saika tafapetraka teo aminy indray aho; fa ny tanan'i Alexia no nisavika ny sandriko hivoaka...


Hevitra

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype