Tadiom-pitiavana

« Pejy 4 | Main | Pejy 6 »

Pejy 5
2006/03/28,09:52

Nakatoko moramora ny varavaran'ny efitranon'i Malala dia namonjy azy teo am-pandriana aho. Niantsampy teny amiko izy, dia nifanorokoroka teo izahay roa; toa nijanona tsy nisy intsony ny minitra sy ny segondra...

- "Tiako ianao ry Hery â!" hoy izy.

- "Izaho koa tia anao ry Malala â!" hoy aho namaly sady nampiakariko moramora ilay akanjo mandry mena manify tena an-kodiny. Silipo string "dentelle" mena koa no tao ambaniny. Vao maika izy nisisika teo amiko, nisefosefo sady nibitsika tao an-tsofiko hoe: 
- "Ohatran'ny efa ela be aho no tsy nanao taminao..." 
- "Izaho koa ry Malala te hanao aminao be mihitsy" hoy aho.
Nakisako tamin'ny tanako avia ilay silipo mena nanaovan'i Malala, dia nampidiriko moramora ny fanondroko. Nisento izy sady niangoty nilaza hoe:
- "Hitanao 'zany... Efa mando be aho ka avia amin'izay!" 
- "Andraso aloha..." hoy aho.
- "Ianao kosa ê!" 
Toy ny tsy teo ny nanalany ny lobako sy ny palatoako. Nosafoiny teo ambonin'ny silipoko ny filahiako, nampidininy tanteraka ilay silipo nony avy eo.

- "Hery â, avia amin'izay ianao!" sady nalany ilay "string" mena.

Nosokafany ny feny, dia niakatra teo amboniny aho; Noraisiny tamin'ny tanany iray ny filahiako efa nihinjitra be, natosiny moramora hiditra tany anatiny tany... Nanomboka nihetsika moramora izy no sady namihina mafy ny valahako.
- "Aza hajanona Hery â... Ohatran'izay! Tiako be ianao Hery â, raha hilaozanao aho dia tsy hitako intsony ny antony iainako. Tsy fantatro izany hoe lanitra fahafito, fa mino aho fa tsy lavitra azy io intsony aho.”

Tsy ela akory dia tojo tany amin'ny faratampon'ny fahafinaretana izaho sy Malala. Nidina teo ankilan'i Malala aho nony avy eo niezaka naka aina sy nampitonitony ny any anatiko. Tsy tapitapitr'izay anefa dia toa renay fa misy manakatona varavarana tany ambany rihana. Ankona tsy nisy nahateny izahay sy Malala nony avy eo, nahita ny fitratrevatrevan-dRatrema niditra avy any... Ny tanako sisa no nataoko tampi-kenatra fa tena tsy nisy hevitra azo hiafenana intsony... Izay no vita! Izay sisa no nolazaiko tany andohako tany... I Malala indray tonga dia nandohalika tamin'ny tany sady nifompona tamin-dRatrema ... Tafapetraka teo am-pandriana koa i Ratrema sady nitomany mafy...

- "Fa ahoana izao? Fa inona ity ataonareo?"

-"Tsy hanamarin-tena aminao aho Ratrema fa diso a!", hoy Malalatiana tamim-badiny sady mbola nitrositrosina tamin'ny tany ihany izy. "Tena nila olona hanome hery ahy aho eo anatrehan'ity olana mianjady amintsika noho i Alexia ka..."
- "Olona itadiavanao hery no ilainao ka inona ity i Hery no miara-matory aminao ity? Mandehana koa ialahy mandeha any fa lehilahy tsy vanona! Tsy ao an-tsain'ialahy intsony angaha ny zanako, sa heverin'ialahy zazakely foana izy iny ka araraotin'ialahy? Lasa ialahy!"
Nipoitra tampoka anefa i Alexia avy any an’efitranony any...
- "Hay i Papa no ato?..."
- "Ny zanako!" hoy i baina, sady notampenany haingana ny mason-janany tsy hahita ity reniny miboridana...
- "Papa a! avelao ry zareo aloha ho eo fa andao isika sy ianao handeha hivoaka kely... Inona intsony moa no azonao atao amin-drizareo fa ‘ndao handeha haka rivotra kely..."
- "Tsy mivoaka ato aho raha tsy mazava izao resaka izao e! sady tsy izaho no tokony hivoaka! Tranoko ange ity e! Ilay tsy vanona io no tokony handeha any "
- "Ndao re ry Papa fa ianao ve adala noho izy a! Ndao ho'aho!"
Nandritr'izany rehetra izany dia nivandravandra ny mason'i Malala! Asa izay tao an-tsainy fa tena hita mihitsy izy hoe tsy nahazo aina nahita an'i Alexia nitarika an-drainy nivoaka… Izaho tsy nahahetsika fa nijaridina toa nipitrapitra teo fotsiny, tsy nahita izay holazaina... Dia lasa izy mianaka. Vao reko fa nikatroka ny varavarana dia raikitra ny fifampisintonana akanjo. Satria efa tsy hita intsony izay nosarangotina ka ny patalohako indray no notadiavin'i Malala hanaovana!

- "E! akanjoko iny!" hoy aho sady nosintoniko ny pataloako sady natsofoko faran'izay haingana…
- “F'angaha ianao tsy hanao silipo?” hoy Malala tamiko, sady mbola nihomehy ihany nahita ahy nikoropaka...

- "Inona intsony izao no hikoropahanao eo fa efa tratra isika?"
- "Toa moramorainao izy izany ry Malala, nefa tena efa an-tenda ny antsy hahafaty antsika!!!"
- "Ny amintsika aloha eo ihany fa zavatra hafa ny atahorako!"
- " Inona indray?" hoy aho taitra sady mamatotra ny lacet kiraroko ihany.
- " Asa izay hataon'i Alexia amin-dRatrema any, sao dia hotanterahiny ilay teny nampitahorany ahy indray andro iry…"
- "Hoe inona? hanao inona amin-dRatrema izy?"
-"Aza hitako aza ka tsaroany ihany ilay zavatra nolazaiko azy iny?"
- "Fa inona daholo izany lazainao izany ry Malala fa tsy misy fantatro a! Hazavao fa fanina aho!" hoy aho nanohy sady nibanjina azy. 
- "Tamin'ilay resaka mariazy iny ho'aho dia nifamaly izahay mianaka, dia hoy i Alexia hoe hiarahany koa hono ny rainy dia izay iray mahatanty!!!"
-"Inona a? Dia ahoana hoy ianao?"
- "Dia lasa tampoka ny vavako hoe raharahiako inona fa rainao angaha iny?"
- "Maninona hoe ry Malala a? Marina ve izany? Izany izany no nahasafotra an'i Alex tamin'iny andro iny? Ary naninona no tsy nasiany resaka intsony avy eo?"
- "Ka adinony angamba sa tsy haiko intsony e! Loza raha avoakany amin-dRatrema izany fa izay no vita ny amiko…"
- "An, an, an, fianakaviana mitapy kay ity misy ahy ity ka aleo aho handeha "
- "Ho aiza koa ianao e! Mbola tia anao anie aho e!!! avia!!"
- "Mbay tary fa inona intsony no mbola ataoko eto? Lasa aho!"
- "Ary ny zanakao? Ary raha fantatr’i Ratrema hoe tsy zanany io? Hainao aiza izay mety hotantarain'i Alexia any?"
- "Lasa aho aloha fa tena mikorontana ny lohako e, amin'ny manaraka!"
Tsy nahaleo dohika ahy i Malala dia namela ahy nandeha.
Fa inona kosa no nitranga tany anaty fiara tamin'io fotoana io? 
- "Variana amin'ny reaction-nao aho anaka", hoy i Ratrema tamin-janany. "Dia tsy taitra akory ianao?"
- "Tantara lava be izany ry Papa fa izaho no diso a!"
- "Diso ahoana ianao anaka? Vao teo ianao no afa-jaza, dia jereo sahady ity ataon'ny olon-tianao... He ity reninao, tsy hitako mihitsy izay hatao! Efa nadiditra hoatran'iny foana moa izy hatramin'izay nivadianay, tsy hafenina anao intsony izany fa efa lehibe ianao ity. Fa na izany aza, reninao izao no mivadika aminao..."
- "Papa a! Izaho ho'aho no diso e! Tamin'izahay roa tao an’efitra iny dia tsy mba nahavita nampionona an'i Hery akory aho. Tohina sy narary loatra ny fony tamin'ity loza nahazo ahy, ka hoy aho hoe: “Ndana mankany amin'i Mama fa disponible kokoa izy hihaino anao..."
- "Ka na dia izany aza ve anaka dia hiafara amin'ny firaisana ara-nofo mihitsy ny resaka?"
- "Aza omena tsiny izy Papa fa olombelona ihany ange ry zareo e! Sarotra ny mi-comprendre, kanefa raha samy misy problème ny olon-droa dia izao foana no hiafarany e!"
- "Dia midera anao aho ry zanako vavy fa manana ouverture d'esprit be mihitsy ianao sady tsara fo... Fantatro koa fa tena tianao iny lehilahy iny… Fa na izany aza anefa dia tsy maintsy ho malina aho manomboka izao fa tsy hamela an-drizareo ho irery intsony. Mety mbola hiverina mantsy ireny zavatra ireny fa tsy handefitra intsony aho... Atodiho mody ny fiara anaka ka ndeha hody..."
Nifanena teo am-bavahady izahay telo ka hendratrendratra be ihany aho, saika tsy hitako ny lalana...
- "Ndao hiverina hody ry Hery fa ho aiza ianao a!!Nndao!" hoy i Alexia. I Ratrema amin'io nivandravandra ahy tsy nisy ohatran'izany.
- "Notantarainao azy ve? hony? hono ho'aho?
- "Tsy taitra ianao ry Hery a! Izaho ve dia hamono ny raiko?"
Dia nino azy tsy sazoka aho sady nandroso tao amin'ny salon. I Malala koa efa nidina sady nitrotro ny zazakely... Sady nandrehitra ny pipany i Ratrema no niteny mafy mba hahare daholo izahay rehetra: 
- "Amiko dia efa mivalona iny resaka iny, tsy miverina amin'iny intsony aho ary mamela anareo... Voalohany sady farany izay, ary aoka tsy hisy resaka intsony... Arosoy ny sakafo ry Malala fa vizana aho izany. Aiza ny zazakely horaisiko…"
- "An, an, an, vonoy aloha ny pipanao fa sempotra ny zazakely", hoy Malala nanambitamby am-badiny.
- "Etsy ary! Ndrooo, soa ialahy leitsy fa mbola kely ialahy ka mbola sambatra tsy mba be ketriketrika ohatr’anay! 
Hatramin'iny resaka tao amin'ny salon iny, dia tsy nisehoseho tany amin-drizareo intsony aho aloha, fa naleoko nipirimpirina tany amin'ny asako tany. Toa tena lasa nalaina tamin'ilay raharaha aho, sady zary tsy nazoto koa hiditra amin'ilay fianakaviana. Tena tiako anefa izy mianaka, fa saingy tiako lavitra kokoa i Alexia. Voatery mihataka kely anefa aho haka saina tsara sy handinika izay mety ho atao fa toa mbola henjana ny ady... Ny saiko tena mandà mafy fa ny vatako tena te-ho any te ho any foana… Azonareo angamba ny tiako hambara. Ny telephone nandritra izay fotoana tsy nihaonana izay dia naneno tsy an-kijanona, tsy maraina tsy hariva. Ny maraina dia i Malala no miantso ary ny hariva dia ny zanany. Tsy noraisiko mihitsy aloha hatramin'izay fa tena tsy hitako akory izay holazaina e! Na ny messages aza tsy henoiko akory... Dia nisosa teny ny tapa-bolana, roa tokom-bolana, iray volana ... Indray andro efa ho iray volana sy tapany taty aoriana, ity i Alexia niditra avy any... Tsy mitomany izy, tsy tezitra koa, fa velon-tsiky tsy misy ohatr'izany... 

- "Manao ahoana i Hery?" Sadaikatra sady menatra ihany aho mahita azy toa endrik'anjely kely eto anoloako... 
- "Salama aho ary ianao?"
- "Metimety aho ka!!"
- "Afaka miara-misakafo ve isika ratoandro?"
- "Tsy maninona... Amin'ny 12h30 eo amin'ny zaridainan'Antaninarenina aho no haka parking, andrasako eo ianao?"
- "Ie, izaho no ho tonga alohanao eo fa entiko ny fiaran'i Dada! Bonne journée mon amour -MMMhh!!!"
- "A toi aussi ma chérie! Ca m'a manqué tu sais?"
- "A moi aussi, allez à tout à l'heure!"
Tena tsy nahavita asa indray aloha aho avy eo, fa lasa tany amin'i Alexia foana ny saiko. Variana amin'ny toe-tsainy mihitsy aho. Tsy mba mitana lonilony, tsy mba mora tezitra, tsy tia raorao. Raha ny hevitro aloha dia na izao dia izao mihitsy aza dia taritiko any am-piangonana izy dia vadiako eo no ho eo. Fa noho ny fisian'i Malala, dia lasa miahotra aho. Ankoatran'izay, eo koa ilay zanakay... Raha mbola variana nandrevy teo iny aho no nijery famataran'andro tampoka, hay efa ho amin'ny 12 ora sahady... Ny asa tsy vita, ny tena toa vizan-tsaina izany... Raha iny handeha handray ny serviette-ko iny aho hamonjy an'i Alexia no injay naneno ny telephone... Iza ary ity? hoy aho niteny an’eritreritra. Ny numéron'i Malala no niseho teo, inona indray ary ity? hoy aho... ssshhh aleo tsy valiako ka! Kanjo niverina naneno indray!!! SSShhh aleo rangaha valiako hoy aho fa fintiniko ny resaka dia basta a... 
- "Allo? malala? fa misy inona indray e?"
- "An? ho avy izao dia izao aho!"


Hevitra

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype