Tadiom-pitiavana

« Pejy 3 | Main | Pejy 5 »

Pejy 4
2006/03/28,07:22

Vao nahare ilay fanontanian-dRatrema (rafozako sady rafilahiko) izaho sy Malala dia nifampijery. Samy nandalo tao an-tsainay angamba ny hoe: raha izany no hiseho dia mety ho tapitra hatreo ny tantaranay. Nangarika ahy mafy ny fahitako an'i Malala toy ny te hilaza hoe : ataoko mihinan'ny fatinao ianao raha vao manaiky an'izany eo. Niahotra kely aho ilay saika hamaly avy hatrany hoe "eny" iny. Nivadibadika teo ny saiko ary nony farany dia ny hoe: "Aleo aloha hieritreritra tsara fa mety ho efa lerany marina angamba izao" no naloaky ny vavako. Nangarika ahy fanindroany i Malala ary ohatran'ny tsikaritr’i Ratrema. Nihidy vazana ny anao lahy, toy ny nampiseho tamin'i Malala ny tsy fankasitrahany ny fihetsiky ny vadiny. Niaraka nandeha nihinana pizza izahay rehefa avy eo. Tsy dia nahitana teny firy loatra i Malala teo am-pisakafoanana, fa ity ho rafozaniko no toa feno hafaliana milalao ity zana-drafiny.

Nony hariva... Tezitra be nifofofofo avy any i Alexia niditra ny trano. Tonga dia nivatravatra nanao be fiavy tamin-dreniny: "Nolazain'i Dada ahy fa toy ny tsy dia mazoto loatra amin'ny raharahanay sy Hery hono ianao? Fa inona marina no tena tadiavinao ity e?” sady nitrerona izy nentin-katezerana. Vava hono izao nataony izao, hoy i Malala nitantara tamiko taty aorianan'io resaka nataon'izy mianaka io. “Satria nangalarinao ny vadiko” hoy izy, “dia mba hangalariko koa ny vadinao. Hiara-hatory amin'i Dada aho rahariva ary ho hitanao tsara ny vokany afaka sivy volana! Handeha hividy toaka sy hanofa film x aho aloha dieny izao fa ataoko afa-po tsara i Dada rahariva! Ary aza mieritreritra ny hanakatsakana ahy mihitsy ianao sy Hery fa sao dia ataoko mifafa ny kihonareo mitambatra eo ianareo roa”. Mba nisafoaka koa ny anao vavy niantefan'ity fiantsian'ny zanany vavy azy ka navoakany hatramin'izay misitery tsy tokony hambarany azy akory. "K'inona moa ny olana ry Kalakely fa zanany naterany angaha ianao io? ndana, ndana ataovy izay tianao atao aminy fa tsy raharahako akory!!!!!" Nivandravandra i Alexia... Asa raha azony izay nolazain-dreniny azy teo na tsia fa nakipiny ny masony nony avy eo, nihodina taminy ny tany aman-danitra, poa toa izay dia tsy tsaroany intsony ny tenany... Lasa ny sainy sy ny fanahiny niverina tamin'ny fahazazany feno fifaliana sy fahasambarana... Niverina tao an-dohany daholo ny taona maro nifandimby teo anilan'ny ray sy ny reniny, ny fiadanana nilomanosany, ny rotsirotsy, ny safosafo, ny tambitamby... "Alexia! Alexia!... Fa maninona ity indry e! Alexia ho'aho, mifohaza reitsy a! Andriamanitro o! maninona ny zanako? Lozako marina!" hoy i Malala niantsoantso irery. "Ary aiza i Hery teo?" hoy izy. "Iny ihany izao no nahatonga an'izao!!!! Nankaiza koa ny telefoniko teo?" Tsitapitapitr'izay, tonga i Ratrema.

- "Fa misy inona e! Fa inona no mahataitaitra anao io? Fa maninona ny zanakovavy?"

- “Asa leitsy izay nahazo azy teo fa notantaraiko azy ny resakareo sy Hery aninkeo maraina dia faly loatra izy ka io safotra io...”

- “Ary aiza izy? ndao ho any amin'ny hopitaly haingana aloha e! Omany ny zazakely fa ho avela irery ato ve?”

Soa fa tonga haingana tany amin'ny hopitaly i Alexia ka vetivety ny famelomana nataon'ny dokotera azy...
- "Fa aiza aho izany e! fa aiza aho izany?"
- "Aty amin'ny hopitaly ianao anaka", hoy ny rainy nanafosafo ny lohany.
- "Ary aza miteny betsaka aloha ianao fa tena mbola reraka mafy!" 
- "Fa inona no nahazo ahy e! Toa tsy mahatadidy inon’inona ange aho ry Dada e! Aaaay, mbola fanina aho izany!!!"
- "Matoria aloha ianao fa reraka, izahay sy mamanao ao ivelany aho ihany hiandry anao fa ny zazakely tsy azo ampidirina aty tsinona. Maka aina tsara aloha anaka".
Nandritran'io fotoana io dia nitebiteby mafy ramatoa reniny... Aza hitako marina, lozako fa izaho no nahatonga an'izao; ho rava ny fiainako, ho rava ny tokatranoko, vita hatreo ny fahasambarako!!! 
- "Ramatoa a, velona soa aman-tsara izy fa tsy maninona, fa mbola hotazonin'ny dokotera en observation hono mandritry ny efatra amby roapolo ora... Ndeha ianao raha hijery azy e! Ento aty raisiko ny zazakely!"
- "An, an, an..." hoy i Malala, "aleo aho hiandry aty ihany ka!!!"
- "Ndana re fa zanakao ve tsy hojerenao e!!!"

Vahotra i Malala hiditra ny hopitaly... Marina aho raha sahy ho any? Matahotra aho!!! Aza hitako ka hanaovan'ity zaza ity cinema eto aho... Ao aloha hotsikiloviko eto fa tsy hiditra ao mihitsy aho... Kinanjo,
- "Mama, Mama!" hoy Alexia... "avia ampio aho fa tena fanina!"

Niahotra i Malala saingy i Alexia no niantso sady niantoraka teny amindreniny...!!!
- "Haaaaa! Faly aho anaka satria velona soa aman-tsara ianao?"
- "Fa naninona aho ry Mama?"
- "An, an, an, nolazaiko ianao hoe atao ny raharahanareo sy Hery dia iny ianao torana iny. Asa angaha reitsy nafana loatra ny andro tamin'ny anikeheo iny!"
- "Hay?" 
- "Oufff!!!! izay ry Mama vao azoko ny aiko!"
- "Avelako aloha indry fa hody izahay mianaka fa i rainao no hiandry anao aty. Efa alina izao ka hampatory an'i Toky aho! Rahampitso reitsy a!"
Ny tao antsain'i alexia nefa ny alina dia hitany fa misy aloka mitatao izany ny fiainany fa tsy azony antsaina loatra... Inona ary no mahalasa saina ahy? Misy zavatra toa mitatao izany ao ambony lohako? Inona ary no hitranga? Natory ihany anefa izy avy eo, ary toa noheveriny ho nofy ny safotofotom-piainana nianjady taminy nandritry ny volana maromaro izay.
Nony maraina, niditra nijery azy ny dokotera,
- "Manao ahoana ianao izay?" 
- "An, an, an! tsy maninona loatra intsony aho fa reradreraka fotsiny."
- "Hono ho'aho, tsy misy zavatra tsikaritrao ve tamin'ny tenanao tato ho ato?"
- "Inona ohatra dokotera?"
- "Tsy izany mantsy fa misy vaovao tsara ho anao ity... Bevohoka ianao!"


Nisomebiseby ny eran'ny trano. Faly sahirana aho. I Malala toa kaodikaody be izany. Hivoaka ny hopitaly androany i Alexia. Efa samy mahalala izahay fa mitoe-jaza ity zanak'olona fa ny hanatanterahana ny raharaha izao no resaka matetika miverina ato an-trano. Isaky ny mitsidika io resaka io dia mangarika ahy foana i Malala. Asa na kisendrasendra koa, fa isaky ny eo am-piresahana an'io dia mitomany mafy foana i Toky ka tsy misy resaka vanona. Andro vitsivitsy taty aoriana, sendra namangy an'i Alexia aho, olona vonton-dranomaso no nitsena ahy. - "Fa misy inona?" hoy aho taminy taitra sady nanatona. Tsy niteny tsy nivolana i Alexia fa ny ranomasony no vao maika nijohy. Nandroso ihany aho, hay efa niandry tao amin'ny salon koa i ingahy Ratrema sy Malala. Inty indray ny an'ialahy hoy aho anakampo, eto vao ho vaky barara eto ialahy. Niha-faingana ny fidobodoboky ny foko....!
- "Hery a!"

- "Fa misy inona? Misy inona ho'aho?"
- "Hery a!... Afaka ny zanako!!!"
- "Afaka ny zanatsika?" 
Ankona tanteraka aho, maina ny tendako, maina ny vatako... Tsy nahaloa-peo aho aloha tao anatin'ny minitra maromaro. Hany heriko namonjy toerana teo amin'izay seza lava tsy nisy nipetraka izay... Maizina tamiko ny tany aman-danitra. Ny tena nampalahelo ahy dia i Alexia izay efa tena nametraka ny fanantenany sy ny fiononany tamin'ilay ho zanakay! Ny amiko moa, inona no holazaiko? Tsy misy. Nahatsiaro tena ho diso aho kanefa efa tongotra mby an-dakana koa ny lalako ka tsy afa-nihemotra intsony aho... I Alexia indray no nanafosafo ahy sy nampionona ahy tamin'ny ranomasoko. Nangala-pijery tany amin'i Malala aho, dia toa tsikaritro ho mitsiky hafahafa toa faly izany izy... Tsaroako tampoka i Toky, hay moa aho efa manan-janaka, hoy aho anakam-po... 
- "Ka inona moa rankizy no azo atao fa dia aleo haroso ny raharaha fa efa natomboka izy ity a! Aza atao hoe loza ity nahazo anareo anaka fa ataovy hoe mbola tsy iny ilay anjaranareo... Ndeha ny ho avy no hatrehina?" 
- "Ka tsy aleo aloha hahemotra ity raharaha ity?" hoy i Malala nitsatsaingoka. "K'inona intsony izany no mahamaika? Tsy aleo i Alexia mamita ny fianarany aloha? Na i Hery mba ho tsara toerana eo amin'ny asany vao atao izay ho atao?" 
Na te-hidoika an-dreniny aza i Alexia, dia naleony nangina fa tsy nananany akory na ny aina hifamaliana amin-dreniny aza...
- "Izaho aloha manaiky an'izay toro-hevitry Mama izay", hoy aho mody nanome ny hevitro koa..."Ohatry ny manahirana ihany raha tsy manana asa tsara aho hamelomako anao... Sa ahoana ny hevitry Papa?"
- "Amiko aloha, zanako vavitokana i Alexia, ary ianao efa noraisiko ho zanako ihany koa hatramin'izay, ka voninahitra ho ahy ny hikarakara ny mariazinareo, ary raha mbola sahirana aza ianareo roa kely, inona moa ny olana raha hipetraka ato aza ianareo avy eo? Ny trano malalaka. Atsy amin'ilay dépendant atsy aloha ianareo roa no mipetraka fa malalaka tsara ao sady mitokana. Sa ahoana?"
Nitraka ihany i Alexia ary nitsangana moramora izy no nibanjina anay rehetra...
- "Ka tsy aleo aloha ity resaka ity tapahana fa ny alina hono mitondra fisainana; ka aleo rahampitso samy mamoaka ny heviny sady reraka mafy aho izany... Aleo aho hiakatra kely aloha, andao ry Hery ho any ambony... Tsy maninona ve ry Papa?"
- "MMMhhh! Mandehana anaka fa tsy misy tsiny a! Maka aina tsara, aza dia vizanina be aloha izy ry Hery a!"
- "Aza matahotra ianao ry Papa fa tsy ho ela aho!"
Iny koa i Malala fa niakatra haingana; lazainy fa hijery an-janany hono izy. Nosongonany teo an-tohatra aho ary nisy taratasy niforiporitra izay nasisiny tany am-paosin-dobako... Toy ny tsy teo no nangaronako ny paosiko sady namindrako ilay horonan-taratasy tao am-paosin'ny patalohako. Tsy hitan'i Alexia anefa izany rehetra izany... Nony tao an’efitra izahay dia nalan'i Alexia ny akanjony ary niakatra teo am-pandriana izy no sady notarihiny aho... - "An, an, an, ho'aho, angaha ianao mbola afaka manao inon’inona re e?" hoy aho nanambitamby azy... Kanefa tsy nety izy fa nisisika ihany... Nanda ihany anefa aho sady nolazaiko hoe sao tsy mahasalama anao... Nanaiky ihany izy ary resin-tory ho azy teo. Mbola miasa ihany mantsy ny fanafody ohaniny isan’andro. Tsitapitapitr'izay dia nipoitra teo am-baravarana i Malala sady nipihi-maso ahy,
- "Avia" hoy izy.
- "Fa aiza Ratrema?" hoy aho nibitsibitsika. 
- "Lasa nivoaka any izy ary nentiny ny fiarany fa avia!!!"
Ny nihaviany no ela dia nirifatra toy ny tsy teo aho namonjy azy tao anefiny... Efa akanjo mandry manify menamena izay no nanaovany... Tena mbola bikana mihitsy izy ary dia nahatsiaro tena tia azy indray aho... Adinoko daholo i Alexia sy ny nahazo azy, ny rainy, ny zanako, ny asako, fa dia levona tanteraka tao anatin'ny vatan'ity ramatoa mampitsonika ny maha-olona ahy iray manontolo ity indray aloha aho.


Hevitra

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype