Tadiom-pitiavana

PEJY 87
2006/10/25,06:50
- Halahelo ity vohitra ity aho ry Hery rehefa any lavitra any isika, asa...
Tsy nisy nifampiteny izy roa nandritra ny minitra iray fa nandinika ny farihy manoloana azy tarafin'ny hazavàn'ny masoandro mibaliaka. Tazana ery ampita ery ny tendrombohitr'Andohalo, arahin'ny vatolampy mitomandavana mibaby an'Anatirova somary rakofan'ny zavona manify. Zavona efa mihalefy natsoniky ny hafanan'ny masoandro hatry ny maraina. Tazana eo ilay Manjakamiadana eo am-panamboarana azy: ijoroan'ny andrim-by mena misampana roa mibata ireo vato hany sisa tsy may.
Dia eo ambany kely eo no misy an'Ampamarinana izay lokoin'ny riandrano nandrakotra azy ny alina, dia midina ny maso mahita an'i Mahamasina sy ireo trano maromaro mitodika miankandrefana, hita miavaka eny ireo zakarandahy mamelana volomparasy efa manitsam-boniny taorian'ny orana, ary mitomandavana amin'ny farihy manodidin an'Anosy izany. Farihy mivolomparasy ny sisiny, izay fenoin'ny fiara marobe mitandahatra amin'izato fitohan'ny fifamoivozana.
Izao sary hitan'i Hery sy Alexia izao no maneho ny endrik' Antanananarivo toa sarotra hadinoina.

- ... tsy haiko ..., tsy haiko ry Alexia fa toa maniry ato anatiko foana ny te-hijanona fa tsy hiverina any an-dafy, hoy i Hery somary nanatsafa ity olon-tiany, sady notrotroiny i Toky hiankina aminy.
-Tsss! ny famandrihan-toerana amin'ny fiaramanidina aza efa vita ka ianao koa! Rahalina ve isika ry Hery no handeha... eny e! fantatro mihitsy ny tianao hotenenina, fa na izaho koa ange mba tahaka izany e! Ny manahirana ny saiko dia i Neny, iza no hikarakara azy? Ny entana farany any Ivandry moa rehefa avy eo isika sy ianao no haka azy fa mila atao madio ny trano alohan'ny handehanana sy handraisan-dry Ramanana azy.
-Hery an! izaho koa te-hijanona fa ... atao ahoana e! Mbola te-hiatrika ny ho aviko koa aho tsinona. Sady nanondrika ny lohany hiankina teo amin'i Hery ihany i Alexia, ny masony kosa mibanjina ny ranon'Anosy tarafin'ny hazavàna manjopiaka nefa tazomin'ireto rano manopy maitso tsy hangilatra noho ny lotony.
-Marina izany ! andao amin'izay ary isika handeha haka ny fiara any amin'i Fano hitondrana ireo entana farany any Ivandry e! aleo mandeha fiarakaretsaka mba ho aingana..

Indreny izy efa-mianaka, i Alexia mitantana an'i Toky, i Hery mitrotro an'i Cynthia efa rendreman'ny torimaso anatin'ity hafanàna fahavaratra.
Tena mpianaka tokoa ve, sa mpianadahy, olon-droa mifankatia mitaiza zaza roa?
Ireto zazakely, zandry sa zanaka... asa isika no mahafantatra izay.
Indreny izy ireo nandray fiarakaretska nankany amin'i Fano, elalela vao
tonga
nohon'ny fitohanan'ny fifamoivozana, ny andro koa efa akaiky faran'ny volana novambra.

-Hay
tonga
ianareo? hoy i Fano nandray azy ireo, mandroso aloha ianareo fa hita mihitsy ho nodanihin'ny hainandro indray, ento ety ny zazakely fa malefadefaka kokoa ny hafanàna.
-Ie, misaotra tokoa mampandroso anay, hoy i Hery, fa araka ny efa noresahiko omaly moa dia mba saika hindrana ilay fiara mpitatitra entana iny izahay fa haka ny fanaka farany any Ivandry dia ho entina any an-trano aloha.
-Eisy, efa nomaniko sy nafanaiko mihitsy tamin'ny maraina ilay izy, sady tsy maninona fa izaho no hiaraka aminareo, misy bandy kely mpanampy ahy koa aza hibata fa tsy maninona izany.
-Misaotra betska Dadafara an!
-Ary Tatie Tahiana angaha tsy ato amin'izao? hoy i Alexia teo am-pitoerana.
-Ka miasa ange izy ry zareo e! Fa ianareo moa izaho handeha, eny e! efa niomana izahay hanatitra anareo rahalina, nefa ... (somary nangina aloha i Fano fa ny ranom-boankazo no nararany tamin'ny vera hosotroin'ireto vahininy)... zava-dehibe loatra ity tiako hambara ity ... tsy eto moa i Tahiana hiara-hanambara aminareo... eny e! tsy maninona fa mikasa ny hanambady alohan'ny faran'ny taona izahay roa, nefa moa ianareo handeha... asa, tsy hitako izay hotenenina, raha ny tokony ho izy dia ianareo no tokony ho vavolombelona na dia any amin'ny fisoratana fotsiny aza! I Tahiana moa niteny tamiko hoe: aleo izy ireo handeha fa aza helingelenintsika amin'ilay resaka mariazy, nefa tsoriko fa tena iriko mihitsy raha eo ianareo amin'ny raharahanay... izay ry izy roa ny tena faniriako.

Hankina tsy nahateny izy roa, taitra ihany koa, tsy nampoiziny ilay vaovao!
-Fa nahoana loatra ary ry Dadafara no dia izao ianao vao milaza izany, zava-dehibe tahaka izany ve dia atao handalo fotsiny... ianareo kosa e!
-Eny tokoa ho'aho, hoy i Alexia, fa maninona kosa ary no nataonareo tahaka izany ilay izy ...
-Tsy afaka hanimba ny fandaharam-potoanareo intsony izahay sady... aleo tsorina fa ... misy manery anay e!
-Inona izany... ?
-Aleo ambaran'i Tahiana anareo rahariva, tsy hisakafo aty aminay akory ianareo alohan'ny handeha?
-Andray ry Dadafara, dia izany tokoa ve? Afaka novanay ange ny andro handehanay raha nilaza mialoha ianareo e! hoy i Alexia somary niangoty am-pitenenana.
-Andao isika handeha re ry zareo an! efa vonona itsy ny fiara, ry zalahy hanampy antsika koa sasa-miandry fa tsy aleo ve aloha tsy resahina ny momba iny e! hoy i Fano nanodina ny resaka. Miaraka daholo isika, ny fiara koa malalaka tsara afaka hitondrana ny ankizy.

Poa tahaka izay, iny izy ireo nivoaka ny vavahady niaraka tamin'ny fiara, nitodi-doha nankany Ivandry...

Tonga
teo am-bavahady, novohaina, anio tokoa ry ingahy Ramanana no hiaraka amin'ny vaditany hanao ny taratasy rehetra amin'ny famindràna ny trano.
Novahana ny trano, nanomboka nobataina ny fanaka ambiny sisa ary nakarina teo ambony fiara.

Hita misoritra eny amin'ny mason'i Alexia ihany anefa ny ranomaso manify izay fafàny matetika. Ahatsiarovany ny fahazazany, ny fotoana nahalehibeazany, ny fahatanorany, tao ny soa, tao ny ratsy, tao ny nahitana ny nahafinaritra indrindra, tao ihany koa anefa no nitelemana ny mangidy saika nanafotra azy efa ho taona iray lasa izay.
Nitambolona tao an-tsainy ny fotoana mamy niainany niarahany tamin-drainy ... raha mba teto tokoa moa ianareo ry Papa! dia tsy nandao tahaka izao ity trano mamintsika loatra ity isika.
Injay reny mitehina ao an-tsorony ny sandrin'ilay malalany manafosafo azy, tsy nahatana intsony i Alexia fa latsa-dranomaso sy nidradradradra teo antsorok'i Hery. Hany azony natao dia nitondra ilay mamin'ny fony nipetraka teo ambony seza vaton'ny, hampitony ny fo misamboaravoaran'ny alahelo.

Tamin'izay indrindra no naneno ny fanairana teo am-bavahady.
-Ry Ramanana izay miaraka amin'ny viditany, hoy i Hery. Azonareo voahaina ve ry zalahy ny vavahady ?

Iny ilay mpibata entana iray nihazakazaka nanatona ny vavahady, nanokatra avy hatrany.
Indreny lehilahy mihaja be roa mitondra kitapo, niditra rehefa nanontany ilay mpanampy, avy eo nanatona azy roa.
Somary gagagaga i Hery fa tsy teo Ramanana na dia ny iray amin'ny zanany izay efa nifampiraharaha taminy, fa olon-kafa no manatona azy. Niontana indray mandeha ny fony sady nisento izy.

-Fa aiza moa ry Ingahy Ramanana, sa olona nirahiny ianareo?
-Azafady Ramose, tsy ato moa no mipetraka Mlle RATREMA Anjaniaina Alexia , araka ity adiresy misoratra eto ity?
-Itsy mipetraka ambony seza vato itsy izy, fa inona moa no itadiavanareo manokana azy, fa angaha moa tsy vaditany ny iray aminareo araka ny nifanarahana? hoy i Hery somary sadaikatra.
-Ie! tena vaditany tokoa aho fa izany hoe: mila miresaka amin'i Mlle Alexia izahay.
-Fa aiza ingahy Ramanana e! tsy efa izay ve no nifanarahana?
-Tsy mahalala izany ingahy Ramanana izany aho rangahy ity fa ianao miresaka aminay io, iza moa ianao? hoy ilay rangahy nitonona ho vaditany...

 

-Aoka aloha ry zareo an! aoka aloha isika tsy hifamaly amin'izay resaka fifankahafantarana. tsy mitondra inona na inona amintsika izany, hoy ilay rangahy mihaja be iray.

Iny ihany koa i Fano nivoaka avy ao an-trano nahare izay zava-nitranga. Toa gagagaga satria tsy mahalala izay zava-misy na dia pitiny akory aza.

-Izao ry ise an! angamba tsy fahadisoanay raha miresaka amin'i Mlle Alexia izahay.
-Fa inona moa no itadiavanareo ahy, hoy i Alexia, mbola menan'ny ranomaso sady mamafa ny tarehiny amin'ny mosoara fanary!
-Azafady Ramatoakely! … Ramatoakely moa sa Madama azafady?
-Ramatoakely ka, hoy ity tovovavy sady nisakambina an'i Hery tamin'ny sandriny.
-Azafady indrindra ary fa toa misolantsolana aty aminareo izahay nefa tsy fantatrareo akory. Kanefa zava-dehibe no
antony
hahatongavanay eto ka tsy mampaninona ve, miangavy indrindra re tompoko, tsy aleo ve raha any an-trano isika no miresaka fa tsy eto amin'ity zaridaina ity? Ary raha azo atao, dia mba ianao irery Mlle no iresahanay fa …
-Ka… ka, tsy misy fanaka intsony ange ao e! Efa mikasa ny hiala ato aza izahay izao, hoy i Hery mbola nanitrikitrika.
-Tsy maninona re fa aleo etsy ambany lavarangana etsy e!
-Adao ary ko! hoy i Alexia sady naniraka an'i Hery sy Fano hamita ny fitaoman' entana.

-Fa iza moa ianareo raha tsy mahadiso, tompoko ?
-Antsoy hoe: Randria aho, manana anjara fitantanana amin'ny ampahany be amin'ny banky iray izay fantatry ny rehetra eto Madagasikara aho, ary fantatro tsara Ratompokolahy rainao anaka. Ito miaraka amiko ito kosa Maïtre Ranaivoson izay vaditany manamarina izao resaka ifanaovantsika izao.
-Vao mainka miha-maizina amiko mihitsy, fa angaha moa tsy nirahin'Atoa Ramanana mianakavy ianareo, satria mantsy androany koa ry zareo no nifamotoana taminay fa hanao ny taratasy famindràna ity trano ity?
-Tsia dia tsia anaka, tsy izany mihitsy no hahatongavanay eto, aleo hazavaiko ary tsy hiolakolaka aho e!

-Olona nifankafantatra tsara izaho sy Rainao, nisy fotoana nampiroborobo be ny asa nataon-dRatrema ary hitako tsara izany, dia nanolo-kevitra taminy aho raha mba afaka mividy anjara fitantanana tamin'io banky misy ahy io fa namidin'ilay tompony ilay izy tamin'izany. Olona nifankahalala tsara moa izahay roalahy ka tsy nisalasala mihitsy aho nanatona azy nitady vahaolana. Nanana ny ampy tokoa Rainao tamin'izany ka novidiany ilay anjara sady mbola nanampy petra-bola hafa ihany koa izy, nefa ny nafarany dia izao hoe:

"Vao tera-bao aho ry ise, ka tsy fantatro izay ho avin'io zanako io, mantsy anao izany ry Alexia, ka aleoko mametraka ny hitsinjovana izay mety ho vody andro ho merika any aoriana any, indrindra rehefa tsy eo intsony aho, ka ataontsika ara-dalàna tsara ny taratasy rehetra fa apetrako ho lova ho an'i Alexia io ny petra-bola miaraka amin-janany io ary tsy hokitihiko na amin'ny fotoana inona na amin'ny fotoana inona …"
Nampiany koa hoe: "raha tsy efa maty enim-bolana aho vao ampahafantarina azy ny fisian'izao rehetra izao".
Dia izao anaka, izao izahay
tonga
eto aminareo izao, ity ny taratasy nametrahany ny zavatra rehetra.
Navoakany avy tao anaty kitapony ilay izy ary natolony an'i Alexia.
-Vakio fa hafatry ny rainao ity anaka.

Niontana ny fon'i Alexia teo am-pamakiana ilay taratasy, herinandro taorian'ny nahaterahany no nanoratana ilay izy, voamarina ihany koa fa misy ny fitombokase rehetra. Tsy hitany izay notenenina, ny masony nanganohano te-hitomany nefa nifangaro tamin'izany ny hafaliana sy ny alahelo amin'ity hafatra napetraky ny rainy.

-Dia inona moa izany tompoko no tokony hataoko ?
-Mba azoazonao an-tsaina ve anaka ny sandan'ny vola izay napetraky ny rainao ho anao amin'izao fotoana izao?
-Asa !, hoy i Alexia, ka raha ity misoratra eto ity ve moa midika inona loatra intsony amin'izao vanim-potoana iainantsika izao. Tamin'izany fotoana izany angamba no nanan-danja be io sora-bola io, fa raha amin'izao.
-Ka izay indrindra anaka, tena nanan-danja tokoa io soratra io tamin'ny vani-potoana nahaterahanao, saingy, ny vola rehetra izay notahirizina dia niteraka zanany ary nitombo hatrany izany, ka aleo asehoko sy soratako amin'ny taratasy kely e!

Naka penina iray izy dia nanoratra ary natolony an'i Alexia.

-Ity, hoy izy, rehefa vitanay ny kajikajy rehetra dia io ny tarehimarika anananao anaka.

Taitra tampoka i Alexia nahita ireo marika marobe mitandrahatra amin'ilay taratasy.

-Sao dia mba mananihany ahy kosa ary ianareo, ahoana moa no nananan'i Papa izao nefa tsy nampiasainy tamin'ny andro nanahirana azy alohan'ny nahafatesany?
-Tsia anaka, tena anao tokoa ireo rehetra ireo, afaka manao ny taratasim-bola ho anao mihitsy aho ho fanamarinana izany, ary tsy niaraka amina vaditany tahaka izao aho raha tsy marina ny nambarako taminao. Fantatro tsara ny fahasahiranan-dRatrema tao anatin'ny herin-taona izay, ary efa nanatona ahy mihitsy izy mba hamonjy azy, nefa, tsaroany tsara ny hafatra nataony. Fantany ny mety hiafaràny ka naleony namela izao zavatra izao ho anao, nilaza aza izy fa tsy afa-niala taminy mihitsy ny fitiavany anao ka naelony notanterahina hatramin'ny farany ny toky nataony.

Nipitrapitra fotsiny i Alexia, nitamberina tao an-tsainy indray ilay fitiavany lalina an-drainy nitaiza sy nanabe azy. Tsapany mihamafy hatrany ao aminy izany. Nanomboka nanganohano ny masony, sady nitanondrika izy no nifokofoko moramora.
-Papa, izaho irery ity sisa no navelanao eto, ny tranontsika nefa lasan'ny olona….
-Mahereza anaka, hoy ingahy Randria, nizaka ny mafy tokoa ingahy Ratrema nandritra izay fotoana lava izay, nefa nataony ambony ny fitiavana anao izay zanany. Fa azafady kely hoe : lasan'ny olona ny tranonareo ? ity trano ity ve izany ?
-eny tompoko ! androany no ho avy eo ireo olona efa tompony.
-koa maninona moa raha…. hoy ilay rangahy.

" Ding_Dong ". Injay fa naneno ny lakolosy fanairana milaza fa misy olona ao am-bavahady. Iny i Hery lasa namoha, nijery ary nampiditra an-dRamanana mianaka.
Nirotoroto aok'izany izy ireo nanatona an'i Alexia, toa tsy nandraharaha akory ireto vahiny mbola miresaka aminy. Tsy nisy arahaba, tsy nisy tafa sy dinika sy firarian-tsoa fa tonga dia olona mivatravatra no niteny :
-Araka ny nifanarahana moa Mlle Alexia, dia tonga ary izahay hanao ny taratasy mikasika ny famindràna ny trano, ataontsika haingankaingana mihitsy mba …
-Azafady tompoko, hoy i Alexia, ahoana moa no ahasahianareo manao izao, mbola manana ny zoko aho amin'ity trano ity, zoko ny mitazona ny tranoko tsy ho anareo, azoko atao ny mamerina ny vola nindramin-draiko taminareo dia samy miala isika.
-Oadray re Ramatoakely, fa heverinao adala angaha Ramanana no azonao lemilemena toy izany, tsy fantatrao angaha fa nandadilady mihitsy tompokolahy rainao nangataka ny vola tany amiko ka izay ianao izay zaza vao omaly no ho sahy hifaninana amiko!

Nivonto ny fon'i Alexia, ary toa velona tampoka tao aminy ny ny fahenterana nananan-drainy hatramin'izay.

-Tsy omeko anareo ny tranoko, ity no hany fananana napetraky ny raiko ho ahy, tsy maintsy mahita vola izay hanonerana ny volanareo aho, fa raha ity trano sy tanàna ity. Sanatria amiko.
-Ha, ha, ha, izany tokoa moa, tsy mbola fantatrao tokoa izany Ramanana izany ry Medemôzely.
-Ka na inona na inona ataonareo, ny lova napetraky ny raiko ho ahy, tsy omeko anareo. Na hifampitaritarika any amin'ny tribonaly aza!
-Hay, hifampitarika any amin'ny tribonaly hoe: ho hitanao izany! ho hitanao izany ny kely anananao no mbola hanefa eo ihany koa! andao l'ty an! … any amin'ny tribonaly isika mifankahita.

Iny izy mianaka nirintona tsy nanao veloma akory, namoha ny vavahady dia lasa. Ny firaondraonan'ny fiara nigika tao ivelany no namaritra ny fahatezeran-dRamanana.

Mbola Hitohy.

Tadiom-pitiavana
[email protected]

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype