Tadiom-pitiavana

PEJY 83
2006/10/06,08:51

- " Mahefa, fa maninona anie ianao no tsy nisisika nitady ahy fa dia navelanao tany fotsiny aho rehefa tsy niantso anao intsony eh" hoy i Mihary tamin'ny feo miangoty sady mitana ny vera misy ranomboakazo vao nampidinin'i Mahefa ho azy.
Tsy
tonga dia namaly avy hatrany anefa ny anao lahy fa somary naka saina kely aloha sady mody sondriana nampidina rano mangatsiaka hosotroiny ihany koa. Namindra moramora nanatona teo akaikin'i Mihary izay nipetraka teo ambony seza lava izy nony avy eo sady namaly hoe:
- " An, an, an, ry Mihary a! aza alefa amin'izany intsony aloha ny sainao, ianao eto anilako no eritrereto, sa tsy tinao ho tanterahina amin'izay ireny vetsovetsom-ponao taloha ireny?" sady namonjy nipetraka teo akaikin'ity tovovavy toa manara-maso tsara ny fihetsiny iray manontolo i Mahefa.
- " Tena azonao antoka ve ry Mahefa fa mbola tia ahy ianao?" hoy ihany i Mihary  tsy sahy tena nijery tsara an'i Mahefa.
- " Raha nisalasala aho ry Mihary dia tsy toy ireny zava-nitranga teny amin'ny seranam-piaramanidina tamin'ny fotoana nahitako anao teo ireny ny fihetsiko."
- " Mba maka toky fotsiny aho kah" hoy i Mihary nitsiky sady nahankiny moramora teo antsorok'i Mahefa ny lohany.
Tsy naharitra ity farany fa avy hatrany dia nanainga moramora ny tanany hanafosafo ny volo lavan'ity tovovavy henim-pahasambarana tamin'ny fotoana tsy nampoiziny. Nangina tsy nisy niteny aloha izy roa fa ny feon'ny vata fampangatsiahana tao andakozia no sisa feo heno. Toa samy lasa fisainana tamin'ity fihodinan'ny fiainany tampoka teo. Tsy fantatry Mihary ny mety ho tohin'ny fiainany rahampitso fa ny zavatra tsapany tamin'izay fotoana izay dia tsy nisy afatsy fahatoniana tanteraka.  Adinony tanteraka ny momba an'i Hery sy ny tebitebiny amin'ny hahitany an'i Alexia. Tsy nanampotoana handinihina ny fihaonan'i Hery sy Alexia izy raha ny tena marina. Raha mbola varimbariana teo izy no injay henony misy hafanana manalokaloka ny tarehiny. Nakariny ny masony ary io tsinjony fa efa antomotra dia antomotra azy ny molotry Mahefa. Toa azom-panafody ny fahatsapany ny tenany. Nalemy izy ary tsy nanana hery hanoherana intsony fa dia namela an'ity lehilahy hanaram-po teo amin'ny molony teo. Nankimpiny ny masony. Tany Mahajanga no nahatsapany farany ny tsiron'izany oroka izany. Tsy te hieritreritra an'izany anefa izy fa fitiavana vaovao feno fanantenana no tiany hameno ny fiainany.  Raha mbola variana naka fahafinaretana tamin'ny orokorok'i Mahefa teo izy no Injay henony nivadika moramora tao andamosiny ny tanan'i Mahefa sady nanomboka nanafosafo malefaka ny tenany. Niakatra tanteraka ny filana tao anatin'i Mihary. Tsy tiany hifarana intsony izao zavatra tsapany izao fa satriny hitohy foana. Nihilana moramora izy hidaboka teo amin'ilay seza lava vita amin'ny hoditra sady nosintoniny hanaraka azy teo amboniny i Mahefa. Tsy nanohitra na dia kely akory aza ny anao lahy fa dia nanaraka izay nitondran'i Mihary azy. Nosokafany kely ny masony sady nitsiky tamin'i Mahefa izy.
- "Vahao ny bokotr'ity lobako ity" hoy izy tamin'ity farany tamin'ny fihetsika toa sahisahy. Ny nahazoan'i Mahefa ny baiko no ela fa indro izy nanokatra nibanabana ny tratran'ity tovovavy sady nampiharihary ireo nono be mirongaronga mbola voasarona taty nono tao anatiny. Saika ndeha hamaha ny hidin'ilay taty nono avy hatrany i Mahefa no nosakanan'i Mihary haingana.
- "Mbola tsy iny aloha Mahefa fa ity indray no manaraka" hoy izy sady notondroiny  ny pataloha teny aminy. Vaovao tamin'i Mahefa ity fihetsiky Mihary mihasahy mitaky ny zavatra tadiaviny ity saingy tsy nampaninona azy fa vao maika aza toa nampiredareda ny filana niakatra tao anatiny. Ohatran'ny nanonofy indray i Mahefa nahita ny hasohan'ny vatan'ity tovovavy efa nambabo ny fony. Henony fa nihafaingana ny fisefoany ary nanomboka nihateritery ny pataloha teny aminy.
- " Ao sokafy amin'izay ity " hoy i mihary sady noraisiny ny tanan'i Mahefa hakeo amin'ny ilay hidin'ny taty nonony teo anoloana.  Toa nijanona kely ny fahatsapan'i Mahefa ny fitempon'ny fony raha vao nahita ireo nono somary kelikely nefa tsara rafitra.
- " Io ho anao io!" hoy i Mihary " Anarano fo amin'izay itiavanao azy fa omeko anao ambongadiny"
Nitsiky heniky ny hasambarana ny vatan'i Mahefa. Nihodrika izy sady nampanantoniny moramora teo amin'ilay lohanon'i Mihary teo ankavanana ny molony. Ny tanany iray kosa amin'io nanafosafo ilay nono teo ankavia. notsetsafiny kely indray mandeha aloha sady narahiny kitikitika moramora tamin'ny lohalelany. Nikiaka i Mihary, tsy tanany fa nitroatra avokoa toy ireny nokakerin'ny herinaratra ireny ny tenany. Niverina nakeo indray anefa i Mahefa afaka segondra vitsy sady nitsentsitsetsitra toy ireny zaza kely menavava noana ny rononon-dreniny ireny. Tsy hitan'i Mihary intsony izay hasiany ny tenany. Lafatra loatra ny zavatra tsapany ka hany heriny dia nanakimpy ny masony hianoka izato fahasambarana manenika ny vatany.
Henony fa injay misy ranoka mirotsaka tsikelikely mamonto ny atin'ny fivaviany. Nohenjanin'i Mahefa indray ny lohalelany rehefa avy eo dia nakasokasony sady nahodinkodiny nanodidina ilay loha nonon'i Mihary efa nihenjana izay tsy izy. Nivadibadika ny mason'i Mihary. Toa te ho safotra izany ny fahatsapany ny tenany. Mbetika izy te hihiratra te hijery an'i Mahefa, mbetika izy te hikimpy tsy hihaino afatsy ny tsirony tsapany any anatiny any fotsiny.
- " Mahefa, tiako be izany ataonao izany!" hoy ilay tovovavy tsy naharitra intsony fa  nilaza ny tao antsainy.
- " Tinao?" hoy i Mahefa somary mingonongonona sady manohy ny orokoroka sy ny tsetsitra nanerana ny nonon'i Mihary. Tsy nisy navelany ho afa maina fa noleladelafiny avokoa ny tratran'i Mihary iray manontolo. Nampidininy moramora tamin'izay ny tanany hanafosafo ny fen'ity tovovavy efa miha malemin'ny fahafinaretana sady zara raha hahasokatra ny masony hijery azy.  Nampiakariny kely hanafosafo teo amin'ny andilan'i Mihary aloha ny tanany izay vao nafindrany teo atampon'ilay dongona mbola tsara fono tao anaty silipo manify mampiseho manjavozavo ireo volo kely ao ambaniny. S
afosafo malefaka  fotsiny aloha no nataony teo.  Tampoka tamin'ny tsy nampoizin'i Mihary, Injay fa henony ny tanan'i Mahefa mivezivezy amin'ny halavan'ny molotry ny fivaviany. Lafatra loatra izy. Nosokafany hivelatra kokoa ny feny. Injay fa henon'i Mahefa miainga moramora ny maonjan'i Mihary toa te hanenjika mafy ny toerana andalovan'ny tanany. Novonjeny norohana haingana aloha ny molotr'i Mihary fa tsy tantiny ny nijery ny molony efa mivontovonton'ny hasambarana somary nisanasana toa tsy mahatsiaro tena. Nikiaka kely kely ny anao vavy isaky ny ampandalovin'i Mahefa eo amin'ny kitson'ity farany ny ratsantanany. Satrin'i Mihary hiditra lalina any anatiny any ny tanan'i Mahefa iray manontolo. Toa miha tsy tompon'ny tenany intsony no fahatsapany azy. Tosam-pahasambarana no henony mananika ny tenany.
Niakatra ihany koa ny filana tao anatin'i Mahefa fa toa tsy ampy azy intsony ny ratsantanana iray fa dia telo avy hatrany no naveziveziny nivoaka niditra tao anatin'ilay zohim-pahafinaretan'i Mihary izay hotsaky ny hamandoana tanteraka. Nanomboka nimonomonona ity tovovavy. Te hiezaka hahazo izay tian'ity farany ho lazaina i Mahefa nefa toa tsy foiny ny hanapaka ny zavatra iainan'izy roa. Voatery tsy maintsy niarina kely ihany anefa izy nony avy eo fa tsapany toa nanelingelina azy ilay silipo mbola teny amin'i Mihary. Nahisany haka sisiny tsara mba hampiseho ireo molotra hotsaky ny hamandoana dia iny izy niverina nanohy ny nataony teo aloha indray. Vetivety dia mamon'ny filana indray i Mihary. Nafindran'i Mahefa moramora hanafosafo ny kibo sy ny nonon'i Mihary tamin'izay ny tanany ankavanana rehefa avy eo. Ny tanany ankavia kosa mbola nanohy nanafosafo fivavian'i Mihary iray manontolo. Raha mbola sondriana teo izy no injay henony fa nangovingovitra sady toa manenjika mafy ny onjan'ny tanany ny maojan'ity tovovavy. Tsinjon'i Mahefa fa efa tsy ho ela dia ho
tonga any amin'ny farantampom-pahasambaran'ny nofo ity olon-tiany ka dia notohizany hatrany ny safosafo sy ny horokoroka sady mijery tsara ny tarehin'i Mihary izy.   Tamin'ny fotoana tsy nampoiziny no injay henony nitaraina toa te hitomany sady niantsoantso " Maaaaheeeefaaa!" i Mihary. Azon'i Mahefa avy hatrany ny zava-nitranga. Ranoka fotsifotsy madio  tanteram-pahazavana no indro nifantsitsitra nivoaka ny fivavian'i Mihary. Nikoropaka haingana izy nitady izay azony sarangotina hamafana ity rano mitsonika tamin'ity malalany. Tampoka loatra ary tsy nampoiziny ilay fitrangany teo. Nitsangana haingana izy nony avy eo sady nihazakazaka nankany amin'ny efitrano fandroana naka izay servieta sendra azy. Nofafany aloha izay raraka tamin'ny seza izay vao namafa moramora izay ambiny tavela teo amin'ny fivavian'i Mihary izy. Niharina moramora i Mihary nony avy afaka kelikely sady menamenatra nitompy maso tany amin'i Mahefa.

- "Azafady aky Mahefa!" hoy ny voalohan-tenin'i Mihary. "Efa ela loatra aho no tsy nanao sady tiako be ny anaovanao ahy dia tsy tanako intsony fa tonga dia niakatra tany antampony mihitsy"
- " Mahalana be aho vao tena mamoaka rano ohatran'iny " hoy ihany i Mihary nanohy. " Tena nahazo fahafinaretana be aho mantsy"
- "Efa fantatro ny fisian'izy iny" hoy i Mahefa fa mbola tsy sendra fotsiny aho ka izay no nahataitra ahy teo...  Hay ohatran'ireny mihitsy izy ity".
- " Dia ahoana izany zaho amin'izao?" hoy i Mahefa te hananihany an'i Mihary nony avy eo.
- " Ndao aloha ento mandro aho dia rehefa avy eo ianao mahazo ny anjaranao any ambony fandriana" hoy i Mihary.
- " Tsy avelako ho
tonga vetivety ohatran'iny intsony ny anao rehefa avy eo" hoy i Mahefa fa maty antoka be aho raha izao no mitohy sady nobatainy hotrotroina i Mihary.

 ...

 Tany antranon'i Malala, ny ampitso maraina.
Injay fa naneno ny telefona nihantona teo amin'ny rindrina:
- " Allo, Mme Malala ihany ity, Manahoana tompoko"
- " I Patrick zanaky ingany Ramanana ihay ity e, manao ahoana ianao madama?"
- " Manao ahoana ianao" hoy i Malala somary sadaikadaikatra sady nahatsiaro tampoka ny tarehan'ilay tovolahy.
- " Saika mba hitady an'ingahy Ratrema aho azafady fa misy fanontaniana mba manitikitika ahy mafy" hoy  ny feon'i Patrick toa nanafosafo tao antsofin'i Malala.
- " Tena tara kely azy fotsiny  ianao Mr Patrick, vao teo mihitsy izy no lasa, maninona raha antsoinao any ampiasany izy afaka antsasakadiny eo ho eo,...sao dia mba azoko valiana ihany anefa ny fanontanianao ...Sa?" hoy i Malala toa liana fatratra ny amin'ny antony niantson'ity tovolahy ny vadiny vao maraina.
Nangina kely aloha i Patrick izay vao nanohy indray sady nilaza tamin'i Malala hoe
- " Maninona raha manao fotoana miara misotro ranomboakazo isika rehefa avy eo dia any no miresaka sa tsy afaka ianao?"

 Tsy nahateny aloha ny anao vavy. Toa tsy nampoiziny loatra ilay fivadihan'ny resaka teo ity. "Hafahafa ihany ny fijerin'ity Patrick ity ahy tamin'ny fotoana nihaonanay farany iny an" hoy izy anankampo "fantatro ny zavatra tiany hahatongavana fa aleo mody andehanako any ihany aloha handinihako izay tena paikany."

 - " Efa eo ampihomanana ny handeha hivoaka mihitsy aho io fa aiza no fotoanantsika izany" hoy i Malala. " Tsy resaka lava anefa fa mila mandalo eny  amin'ny trano Fitaratra eny Alarobia aho amin'ny atoandro"
- " Vetivety fotsiny kah" hoy i Patrick sady nanondro ny toerana hihaonany amin'i Malala teo izy.

 Nony afaka antsasakadiny mahery,

 Iny i Malala miakatra ilay tohatra kely miditra ao amin'ilay trano fialana hetaheta eo Ambohijatovo. Efa tonga mialoha kely noho izy teo anefa i Patrick na dia mbola tsy nivoaka tao anatin'ilay fiara maizim-pitaratra tanteraka aza. Nikoropaka nivoaka haingana ny tovolahy sady nanaraka avy ato aoriana nony avy eo. Raha eo ampiherikerehana teo i Malala no nifanojo ny mason'izy ireo. Nitsiky ny tovolahy ary dia namaly tamim-pitsikiana toa izany koa ny anao vavy.

 - " Noheveriko fa diso ny toerana nandehanako" hoy i Malala nitari-dresaka.
- " Efa folo minitra izay no nahatongavako teto " hoy i Patrick fa te hahita ny fahatongavanao fotsiny aho dia izay no tsy niandrasako taty anatiny... mba afaka mandinindinika tsara ny hakanton'ny bika aman'endrikao mantsy aho amin'izay raha ny tena marina."
Tsy namaly i Malala fa tsiky miharo fangarihana no nasetriny ny tenin'i Patrick. "Ho hitanao tsara ny hahazo anao fa miadaladala amiko eo" hoy i Malala tany antsainy tany.  Tery amin'ny latabatra nitokatokana somary takotakona ny daholo be tery izy roa no naroson'ilay tovovavy mpampandroso olona.
- " Ahoana, hiara hiasa ihany ve isika sa tsia?" hoy i Malala sahisahy nahita ny fihetsiketsik'ilay tovolahy taminy.
- " Ka ny amin'izay mihitsy anie no nitadiavako an'i Ratrema teo iny eh?"
- " Misy olana be angaha?" hoy i Malala somary taitaitra.
- " Eny eh! Misy sakana ihany ilay izy satria ilay rahalahiko tena tsy mazoto mihitsy, i Dada moa izany mihazohazo eo ampovoany eo fa miandry izay tena hevitro sisa"
- " Ary ahoana ny hevitrao? " hoy i Malala mody nitsiky te halalala fantatra izay ao andohan'i Patrick.
- " tena tinao ho fantatra ny hevitro?" hoy i Patrick sady nanatokatoka ny lohany no mibanjina tsara ny mason'i Malala
- " Izay mihitsy" hoy ity farany.
- " Sady te hanampy anareo aho no te hiaraka aminao koa"
- " Ahoana tsara hoe ry Patrick" hoy i Malala mody taitra tamin'ny zavaboalazan'ity farany.
- " zany e, te hiaraka aminao aho fa raha mazoto ianao dia alamiko ny lohan'izy mianaka"
Tsy niteny i Malala fa i Patrick izay nandray ny vera nisy ny ranom-boakazo teo anoloany no nodinihiny tsara.
- " Maninona ianao no tsy miteny " hoy i Patrick afaka segondra vitsy toa tsy naharitra an'i Malala mandinika mafy azy.
- " Mahalasa fisainana ahy izany zavatra lazainao izany ry Patrick" hoy izy. " Raha tsy hiaraka aminao aho izany dia tsy hanampy anay ianao?"
- " Ohatra ohatran'izay no mety ho fitrangany " hoy i Patrick mody tsy naka sarotra.
Nangina tsy niteny indray ny anao vavy. Lasa tany amin'i Ratrema sy ny zanany mianadahy ny sainy. Nalainy sary antsaina ny mety hanjo azy ireo raha tsy manaiky ny hiombon'antoka aminy ry Patrick mianankavy.
- " Ngaha moa ianao io tsy manambady?" hoy izy tamin'i Patrick nony avy eo niezaka ny ho tony.
- " Manambady aho fa manakana ahy tsy ho voasintona aminao angaha moa izany"
Ndeha ho faiziko ataoko mahalala tsara ahy ity bandy ity hoy i Malala anakampo fa ndeha aloha hakeko any izay zavatra tadiaviny.
- " Tena sur ianao fa te hiaraka amiko?" hoy i Malala .
- " Tsy isalasalako izany ry Malala a! vao nahita anao aho tamin'ilay fihaonantsika tany amin'ny biraon'i dada iny dia tena efa tapaka ny hevitro"
- " Tsy mora anie ny miaraka amiko" hoy i Malala " fa ampijalijaliako mihitsy eh"
- " Tsy olana izany fa rehefa manaiky fotsiny ianao dia omeko anao izay tadiavinao"
- " Ndao ary!" hoy i Malala sady nitsangana moramora izy rehefa avy nisotro ilay ambiny faraparany tao anatin'ny verany.

 Nalohan'i Patrick ny vola dia indro izy nivoaka sady nanokatra ny fiarany hidiran'ny Malala.
- " Aterinao eto ihany aho rehefa avy eo? " hoy ny anao vavy. " Ny fiarako mantsy iry miantsona ery ambany iry!"
- " Midira haingana" hoy i Patrick "fa tsy olana izany sady nakatony ny varavarana."
- " Ho aiza isika izany?" hoy i Malala nitodika tany amin'i Patrick.
- " Efa misy toerana nantsoiko teo handray antsika"
- " Mila
tonga any Alarobia alohan'ny amin'ny roambinifolo anie aho eh?"
- " Eny hoy aho," hoy i Patrick sady nosafoiny kely ny fen'i Malala ao anaty zipo.
Tsy niteny intsony i Malala fa ny mpandeha teny amin'ny arabe no nobanjininy mafy. Lasa ny fisainany mandinika izay ho mety ho tohin'izao fanapahan-kevitra noraisiny izao.
 Mbola hitohy.

 Tadio ([email protected])

 

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype