Tadiom-pitiavana

PEJY 84
2006/10/11,16:43
 " Veloma i Patrick!" hoy i Malala sady nivoaka ny fiaran'ny zanak'ingahy Ramanana izy.  Niherikerika kely aloha ny anao vavy vao namonjy niampita iny arabe miakatra hoany Antaninarenina iny. Valabalaka no fahatsapany ny tenany ka dia naleony namindra mora sady nitehina ny valahany namonjy ny fiarany niantsona tsy dia lavitra teo. Vao tafiditra tao anaty fiara izy dia ny hijery ny tarehiny amin'ilay fitaratra nihantona teo anoloana no nahamay azy. " Lalina sady mena be izany masoko izany " hoy izy niteny irery tany antsainy tany. " Tsy ampoiziko ho mahay manao be ohatran'iny mihitsy ilay adala lahy iny" hoy ihany izy toa mbola manonofy ny tosam-pahasambarana nifampitohitohy namizana ny tenany iray manontolo. Navoakany ny boatin'ilay lokomena tany anaty poketrany dia nohosorany kely aloha ireo molotra roa vao avy nanaranan'i Patrick ny fony vao tsy ela akory teo. " Enga anie mba tsy ho tsikaritr'i Ratrema ity masoko mena be ity" hoy izy sady nampidiriny haingana ilay solomaso maintiny  dia iny izy no nirifatra  hamonjy ny Trano Fitaratra eny Alarobia. Afaka antsasakadiny taty aoriana,

- " Ela ela izany!' hoy i Mme Sahondra sady notohizany haingana tamin'ny hoe " Tonga dia mandrosoa hono ianao " ny fiarahabany.

- " Misaotra betsaka Mme Sahondra ah!" hoy i Malala sady nitsiky izy no namonjy namoha ny varavarana miditra makao amin'ny biraon'ingahy Ratrema vadiny.

Nitsangana teo amin'ny seza nisy azy avy hatrany i Ratrema raha vao nahita an'i Malala niditra sady mailaka ery hanoroka sady hamihina ity farany.

- "Ndao isika tonga dia handeha avy hatrany" hoy i Ratrema nony avy eo fa sao dia taraiky eto.

- " Handeha ho aiza?" hoy i Malala tsy nanampo.

- " Ndeha hisakafo atoandro re sa tsy noana ianao?"

- " Tena noana mihitsy aho izany kah." Hoy i Malala somary nahazo toky fa tsy nahatsikaritra fiovana loatra teny aminy ny vadiny.

- " Niantso teo mantsy ingahy Ramanana" hoy ihany i Ratrema nony avy eo " fa hoe mila mandalo haingana any amin-dry zareo hono isika anio tolankandro amin'ny 2 ora."

- " Fa maninona koa ary ry zareo ireny no manao programa tampotampoka be ohatran'izany ?" hoy i Malala sady nanaraka an'i Ratrema nivoaka ny lalantsara hivoaka ny birao ihany izy.

- " Aza atao mahasorena anao re izany ry Malala fa isika anie no mila ny fanampian-dry zareo eh!"

Nisakafo haingana izy mivady dia lasa namonjy ny fotoana teny Tanjombato tao antranon'ingahy Ramanana.

Samy vory teo daholo izy telo mianaka.  I Patrick hafa mihitsy no tsapan'i Malala nanoloana azy teo fa tsy ilay lehilahy nanaram-po tamin'ny filan'ny nofo niaraka taminy ora vitsivitsy teo aloha. Nanantena izy tany antsainy tany fa mba hanampy amin'ny fanapahankevitra ho raisin'ingahy Ranamana mianankavy ny fiarahany tamin'i Patrick teo.

Ingahy Ramanana avy hatrany no nitarika ny resaka sady niala tsiny noho ny fampiantsona tampoka an'izy mivady.

- " Tsy hitazona anareo ela izahay "Hoy ihany ingahy Ramanana " ...fa aleo angaha tonga dia ataontsika ady vomangan'i Kirijavola izy ity ka avy hatrany dia ny voamasony no potsirina."

Nifampijery haingana i Malala sy ingahy Ratrema toa mifanontany an'eritreritra ny mety ho ao ambadik'izao fanombohan-dresaka izao.

- " Niverina nifampidinika indray izahay telo mianaka ry izy mivady taorian'ireny fihaonantsika teto ireny ary dia nihevitra tokoa ny iray taminay fa mety hisy irika azo hamonjena ity orinasanareo ity saingy rehefa no fakainay lalina ny zava misy rehetra dia samy niara niaiky izahay telo mianaka tamin'ny farany fa mety kokoa ho anay ny tsy miditra ho mpiombon'antoka aminareo."

Samy ketoka tsy nahateny na i Ratrema na i Malala  naheno ny zava-boalazan'ingahy Ramanana. Tsy araky ny niheritreretan'i Malala azy mihitsy mantsy ny fanapahan-kevitra noraisin'izy telo mianaka. Raha azony natao ny nikiakiaka haneho ny fahadisoam-panantenany sady hanala ny hatezerany tamin'i Patrick dia izay no nataony. Vehivavy lehibe anefa ny tenany ka dia naleony nangina nanaja tena nikepoka samy irery tany anatiny tany ny nenina sy ny alahelo an'ity vadiny tsy mahalala na inona na inona ny zavatra nitraga. " Tsy nampoiziko!" hoy izy nisento lalina tany ampony tany. " Ataoko masaka homeko teny maharary azy mihitsy io Patrick, Patrick -ndoza io raha mifanena amiko eny andalana eny".

- " Halainareo avy hatrany ve izany ny trano ipetrahanay eny Ivandry " hoy ingahy Ratrema tamin'ny feo somary nangovitra sady nangata-maso tany amin'i Malala mba hanampy azy. Toa maizina tampoka taminy teo mantsy izay topazan'ny masony rehetra.

- "Eny tokoa hoy aho ry izy telo mianaka" hoy i Malala niezaka ny ho tony " tsy misy hevitra hitanareo mba hanavotana anay mihitsy ve izany?"

- " Izao ry izy mivady ah!" hoy I Patrick sady nafantony samy irery tany amin'ingahy  Ratrema ny fijeriny.

- "Tsy haka avy hatrany ny trano ipetrahanareo izahay. Fantatray tsara ny olana mianjady aminareo. Nanapa-kevitra izahay ny hanome enimbolana vaovao anareo mba hitadiavanareo vaha olana hafa"

Nisento tokana i Ratrema. Valaka ny saina aman'eritreriny.

- "Raharaha izy ity " hoy izy nandray fitenenana rehefa avy eo.

- " Misaotra anareo na dia izany aza nanaiky ny handinika an'iny soson-kevitra narosonay iny ary misaotra anareo koa nanome fanalavana ny fotoana hamerenanay ny volanareo."

Tsy andrin'i Malala sy ingahy Ratrema ny ivoahana an'ilay efitra fa raha vantany vao nisy irika hangatahan-dalana dia iny izy roa no nanainga.

Nanganohano ny mason'i Malala niditra ny fiara. Tsy tanany intsony fa avy hatrany dia nigogogogo ny anao vavy raha vao nihidy ny varavarana teo anilany.

- " Aza manao ohatran'io ianao Malala!" hoy i Ratrema sady nosintoniny moramora hiondana teo antsorony ny vadiny.

- "Aza manary toky izany ianao fa tsy maintsy mahita hevitra hafa isika" hoy ihany izy . Tsy azony antsaina anefa fa ketohan'ny nenina sy ny alahelo i Malala ary malahelo azy mafy ihany koa manoloana izao toe-java-misy mitranga amin'ny fiainan'izy ireo izao.

- " Ndao aloha tonga dia hody" hoy i Ratrema tamin'ny vadiny rehefa tonitony ny anao vavy. Rahampitso ianao maka ny fiaranao any ampiasana.

Fa nanao ahoana ny alina voalohany niarahan'i Hery sy Alexia...

- " Hery a!" hoy i Alexia. " Tena heniky ny hasambarana tsy misy ohatran'izany aho eto anilanao"

- " Izaho koa torak'izany ry Alexia havako" hoy i Hery miramirana. " azoko sary antsaina sahady izaho sy ianao mirihariha ao anatin'ny fahasambarana ao amin'ny tokantranon-tsika"

Nifanoroka kely indray ireto mpifankatia dia indro i Alexia nanafosafo moramora ny tratran'ity olon-tiany.

- "Alexia a!" hoy i Hery nony avy eo. " misy zavatra mba tiako resahina anao"

Somary taitra kely ity farany sady niarina mihitsy nijery an'i Hery.

- " Zavatra inona ry Hery?"

- " An, an, an. Tsy fantantro izay mety hitranga aorian'io fandidiana ahy rahampitso io ka aleoko tantaraina aminao daholo ny zava-nitranga tamin'ny fiainako taorian'ireny nifankahitantsika farany tany Madagasikara ireny" hoy izy.

Izay vao tony kely i Alexia. Naverina hidaboka teo amin'ny ondana indray ny lohany.

- " Tantarao fa tsy maninona kah. Tiako ho fantatra daholo koa amin'izay milamina ny saiko"

Dia nanomboka nitantara ny fiainany teo i Hery nanomboka tamin'ny fotoana nahavoazan'ny lozam-piarakodia an'i Alexia, ny fiarahany tamin'i Tahiana, ny fifanenany tampoka tamin'i Mihary ..."

- " Miaraka izany ianao sy Mihary?" hoy izy somary tafarina indray sady nanapaka ny fitantaran'i Hery.

- " Avelao moa aho aloha hitantara" hoy i Hery " dia ho fantatrao eo ihany ny valiny."

- "Hayyy! Izay vao azoko" hoy i Alexia nony afaka segondra vitsy.

- " Azonao amin'ny ahoana" hoy i Hery somary gaga.

- " Efa nisy olona nitantaranao ny fiainanao ohatran'izao ataonao izao ve ry Hery?"

Tsy namaly avy hatrany aloha i Hery fa somary naka toerana tsara izy hahitany ny endrik'i Alexia matory mitsilany eo akaikiny.

- " Nisy tokoa ry Alexia saingy tsy mbola nihaona tamin'ilay olona mihitsy aho"

- " Ahoana koa izany? Olom-pantatrao amin'ny telefona fotsiny izany?" hoy i Alexia mahazo antsaina tsara ny tian'i Hery ho lazaina fa mba te hanadala azy.

- " An, an, an, kah! Tena hafa mihitsy fa izaho moa tia mijerijery ny zava-misy any amin'ny aterineto io dia sendra an'izay "forum" tao amin'ny wanadoo izay aho, dia lasa nifandray tamin'izay olona nitondra pseudo hoe Tina izay."

- " Niarahanao koa izany io Tina io" hoy ihany i Alexia mody serina dia serina mihitsy mametraka ny fanontaniana.

- " Tsia dia tsia no valin'izay ry Alexia. Ny fiainako no voatantarako taminy. Saiky voalazako taminy amin'ny antsipirihany mihitsy eh. ..."

Nangina tsy niteny aloha i Alexia. Niady ny sainy nanontany ny tenany raha tokony hampahafantariny an'i Hery hoe iza tokoa moa io "Tina " nifandray taminy io. Tapaka anefa ny heviny tamin'ny farany fa fotoana tokony hifampitsorana ny marina izao hoy izy ka dia nihorirana moramora izy hifanatrika tsara tamin'i Hery.

- " Hery a, mety tsy hino ianao raha ilazako fa izaho anie ilay "Tina" nifandray taminao iny e.
- " Ahoana tsara hoe ry Alexia" hoy i Hery taitra sady tafa arina mihitsy.

- " Aza manao sangisangy ratsy ohatran'io moa eh"

- " An, an, an" hoy i Alexia sady nosintoniny hiverina hatory teo akaikiny indray i Hery.
- "Tsy misangisangy mihitsy aho milaza anao an'izany fa raha tinao ho fantatra dia noho ny zavatra nosoratanao tamiko tao aza no saika nampamohy fo ahy indray nony tonga taty"

- "Raharaha izany marina" hoy i Hery hankina tanteraka. " tsy misy miafina aminao intsony izany " hoy i Hery nony avy eo sady novonjeny nosafosafoina ny tarehin'ity olon-tiany. " Tia anao aho" hoy izy ary "tena tia anao"

- "Tia anao koa aho ry Hery" hoy i Alexia sady nampanantoniny moramora hanoroka an'i Hery ny molony.

 ...

 Nony ampitso tolakandro,

Vita soamatsara ny fandidiana natao an'i Hery. Indro izy natosika moramora hoany amin'ny efitra natokana ireo vao avy nodidiana. Mirakotra bandy fotsy avokoa ny lohany iray manontolo.

- " Efa nifoha izy " hoy i Mahefa tamin'i Mihary sy Alexia fa aza be eritreritra ianareo. Nandeha antsakany sy andavany ny fandidiana."  Miandalana anefa ny fahasitranany ka mila faharetana be dia be amintsika rehetra. "I Mihary izany no mijanona miandry aty amin'ny hopitaly androany hariva" hoy ihany i Mahefa nony avy eo fa aleo aho aloha hody haka sasatra sady i Alexia koa mba mila maka aina kely any antrano.

Efa niomana ny hijanona rahateo moa i Mihary ka dia iny izy mianaka no nanainga nitodi-doha nody.

- "Misaotra betsaka ry dada nanampy ahy sy Hery" hoy i Alexia nony teny andalana.

- " Tsy misy tokony isaoranao izany anaka" hoy i Mahefa fa adidiko amin-janako no ataoko. " Ny faniriako dia mba hanana tokantrano sambatra ianao any aoriana any"

- " Misaotra ry dada an, ianao koa torak'izany" sady nitopy kely tany amin'i Mahefa ny mason'i Alexia. Nitsiky i Mahefa. Azony tsara ny tian'ity zanany lazaina.

- " Ireny hitanao ireny ry Alexia no zava-misy" sady nanomboka nitantara ny momba an'i Mihary teo izy.

- " Faly aho rehefa sambatra ianao ry Dada a. Vonona ny handray an'i Mihary ho reniko aho raha izay no sitrakao"

 ...

Nivadibadika tsy nahita tory i Alexia teo ambony fandriana niheritreritra ny zavatra notantarain'i Hery azy sy ny zavatra notantarain'i Mahefa teny andalana. " Tiako ianao ry Hery, tiako tena tiako" izay no niverimberina nipololoitra ny molony nony avy eo. Raha mbola variana mamisavisa ny lasa sy ny hoavin'ny fiainany teo izy dia tsy fantany hoe nahoana fa toa nivadika ho  tononkalo mirindra ny eritreritra nandalo tao antsainy. Nosokafany ilay vata sarihana teo akaikin'ny loham-pandrianany dia noraisiny ny  penina sy ilay kahie kely fanoratany tao. Nosoratany ny anaran'ilay olon-tiany: Hery !

Hery!…………… Herin’ny fitiavako!

Anaran-tena kanto

Mirindra sy milanto

Ato anatiko ato!


Hery!……………..

Mambabo ity foko!

Manainga ny fanahiko!

Mampandefitra ahy!

Mandresy ny fitiavako!

………………………

Resinao tanteraka aho!

Malemy toy ny zaza!

Tsy afak’hisarangotra

Na dia voahitsaka aza!

 ………………………

 Andray inty vintako!

Loza inona no tsy hitako

Amin’ny fitiavako azy?

Marina tsy vazivazy!

 

Tapitra niarahany avy Reo karazam-behivavy

Lehibe, tanora, maitso volo

Efa nandramany daholo !

 

Milaza hanatitra marary Ilay hoe  Dr Mihary

‘tsy nampoiziko, fa….. ho reniko faharoa

Hay efa, ... nandalo gara koa!

 

Dada anefa tena tsapako Fa manaja ilay fitiavako

Ary tsy mivazivazy

F’haka ito farany... ho mariazy! ……………………..

 

Fa nahoana kosa lahy

Izany foko tena tia

toa hatramin’ny anio Dia soparan’ny tadio?

 

 

Ngoly ny fanahiko Rotika ny foko

Maizina ny atoandroko

Ka zary toa hikoro

Izay mba niriko ho aviko

 …………………..

Nefa,

Tiako ianao , tena tiako!

Efa ela nihafiako

Tsy hatakaloko an’iza

Na oviana… na oviana!

…………………

Dia ho sanatria ve ireto reniko ankiroa

Dia ho rafiko avokoa?

……………………

toa tsaroako niova tampoka

‘lay halefahana  tanatiko!

 ……………………

Tsy misy reniko ianareo

Sarisariny daholo

Fa ilay niteraka ahy

Efa any ambanin’ny rangolahy

…………………..

Tsia an! Tsy ekeko!

Tsy handefitra intsony aho

Manomboka hatreto

Fa ho rombasako ho ahy daholo

Izay  momba anao manontolo

F’efa …Nomeko anao ts’isy fetra

Ny tontoloko rehetra !

Ahy ianao, ahy irery

Izay no fantatro ao an-dohako!

Ahy ianao hatramin’ny farany

Ahy ianao! Izay no anarany!

LATINA

28/09/06

 

Mbola hitohy

Tadio ([email protected])

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype