Tadiom-pitiavana

Pejy 5
2006/03/28,09:52

Nakatoko moramora ny varavaran'ny efitranon'i Malala dia namonjy azy teo am-pandriana aho. Niantsampy teny amiko izy, dia nifanorokoroka teo izahay roa; toa nijanona tsy nisy intsony ny minitra sy ny segondra...

- "Tiako ianao ry Hery â!" hoy izy.

- "Izaho koa tia anao ry Malala â!" hoy aho namaly sady nampiakariko moramora ilay akanjo mandry mena manify tena an-kodiny. Silipo string "dentelle" mena koa no tao ambaniny. Vao maika izy nisisika teo amiko, nisefosefo sady nibitsika tao an-tsofiko hoe: 
- "Ohatran'ny efa ela be aho no tsy nanao taminao..." 
- "Izaho koa ry Malala te hanao aminao be mihitsy" hoy aho.
Nakisako tamin'ny tanako avia ilay silipo mena nanaovan'i Malala, dia nampidiriko moramora ny fanondroko. Nisento izy sady niangoty nilaza hoe:
- "Hitanao 'zany... Efa mando be aho ka avia amin'izay!" 
- "Andraso aloha..." hoy aho.
- "Ianao kosa ê!" 
Toy ny tsy teo ny nanalany ny lobako sy ny palatoako. Nosafoiny teo ambonin'ny silipoko ny filahiako, nampidininy tanteraka ilay silipo nony avy eo.

- "Hery â, avia amin'izay ianao!" sady nalany ilay "string" mena.

Nosokafany ny feny, dia niakatra teo amboniny aho; Noraisiny tamin'ny tanany iray ny filahiako efa nihinjitra be, natosiny moramora hiditra tany anatiny tany... Nanomboka nihetsika moramora izy no sady namihina mafy ny valahako.
- "Aza hajanona Hery â... Ohatran'izay! Tiako be ianao Hery â, raha hilaozanao aho dia tsy hitako intsony ny antony iainako. Tsy fantatro izany hoe lanitra fahafito, fa mino aho fa tsy lavitra azy io intsony aho.”

Tsy ela akory dia tojo tany amin'ny faratampon'ny fahafinaretana izaho sy Malala. Nidina teo ankilan'i Malala aho nony avy eo niezaka naka aina sy nampitonitony ny any anatiko. Tsy tapitapitr'izay anefa dia toa renay fa misy manakatona varavarana tany ambany rihana. Ankona tsy nisy nahateny izahay sy Malala nony avy eo, nahita ny fitratrevatrevan-dRatrema niditra avy any... Ny tanako sisa no nataoko tampi-kenatra fa tena tsy nisy hevitra azo hiafenana intsony... Izay no vita! Izay sisa no nolazaiko tany andohako tany... I Malala indray tonga dia nandohalika tamin'ny tany sady nifompona tamin-dRatrema ... Tafapetraka teo am-pandriana koa i Ratrema sady nitomany mafy...

- "Fa ahoana izao? Fa inona ity ataonareo?"

-"Tsy hanamarin-tena aminao aho Ratrema fa diso a!", hoy Malalatiana tamim-badiny sady mbola nitrositrosina tamin'ny tany ihany izy. "Tena nila olona hanome hery ahy aho eo anatrehan'ity olana mianjady amintsika noho i Alexia ka..."
- "Olona itadiavanao hery no ilainao ka inona ity i Hery no miara-matory aminao ity? Mandehana koa ialahy mandeha any fa lehilahy tsy vanona! Tsy ao an-tsain'ialahy intsony angaha ny zanako, sa heverin'ialahy zazakely foana izy iny ka araraotin'ialahy? Lasa ialahy!"
Nipoitra tampoka anefa i Alexia avy any an’efitranony any...
- "Hay i Papa no ato?..."
- "Ny zanako!" hoy i baina, sady notampenany haingana ny mason-janany tsy hahita ity reniny miboridana...
- "Papa a! avelao ry zareo aloha ho eo fa andao isika sy ianao handeha hivoaka kely... Inona intsony moa no azonao atao amin-drizareo fa ‘ndao handeha haka rivotra kely..."
- "Tsy mivoaka ato aho raha tsy mazava izao resaka izao e! sady tsy izaho no tokony hivoaka! Tranoko ange ity e! Ilay tsy vanona io no tokony handeha any "
- "Ndao re ry Papa fa ianao ve adala noho izy a! Ndao ho'aho!"
Nandritr'izany rehetra izany dia nivandravandra ny mason'i Malala! Asa izay tao an-tsainy fa tena hita mihitsy izy hoe tsy nahazo aina nahita an'i Alexia nitarika an-drainy nivoaka… Izaho tsy nahahetsika fa nijaridina toa nipitrapitra teo fotsiny, tsy nahita izay holazaina... Dia lasa izy mianaka. Vao reko fa nikatroka ny varavarana dia raikitra ny fifampisintonana akanjo. Satria efa tsy hita intsony izay nosarangotina ka ny patalohako indray no notadiavin'i Malala hanaovana!

- "E! akanjoko iny!" hoy aho sady nosintoniko ny pataloako sady natsofoko faran'izay haingana…
- “F'angaha ianao tsy hanao silipo?” hoy Malala tamiko, sady mbola nihomehy ihany nahita ahy nikoropaka...

- "Inona intsony izao no hikoropahanao eo fa efa tratra isika?"
- "Toa moramorainao izy izany ry Malala, nefa tena efa an-tenda ny antsy hahafaty antsika!!!"
- "Ny amintsika aloha eo ihany fa zavatra hafa ny atahorako!"
- " Inona indray?" hoy aho taitra sady mamatotra ny lacet kiraroko ihany.
- " Asa izay hataon'i Alexia amin-dRatrema any, sao dia hotanterahiny ilay teny nampitahorany ahy indray andro iry…"
- "Hoe inona? hanao inona amin-dRatrema izy?"
-"Aza hitako aza ka tsaroany ihany ilay zavatra nolazaiko azy iny?"
- "Fa inona daholo izany lazainao izany ry Malala fa tsy misy fantatro a! Hazavao fa fanina aho!" hoy aho nanohy sady nibanjina azy. 
- "Tamin'ilay resaka mariazy iny ho'aho dia nifamaly izahay mianaka, dia hoy i Alexia hoe hiarahany koa hono ny rainy dia izay iray mahatanty!!!"
-"Inona a? Dia ahoana hoy ianao?"
- "Dia lasa tampoka ny vavako hoe raharahiako inona fa rainao angaha iny?"
- "Maninona hoe ry Malala a? Marina ve izany? Izany izany no nahasafotra an'i Alex tamin'iny andro iny? Ary naninona no tsy nasiany resaka intsony avy eo?"
- "Ka adinony angamba sa tsy haiko intsony e! Loza raha avoakany amin-dRatrema izany fa izay no vita ny amiko…"
- "An, an, an, fianakaviana mitapy kay ity misy ahy ity ka aleo aho handeha "
- "Ho aiza koa ianao e! Mbola tia anao anie aho e!!! avia!!"
- "Mbay tary fa inona intsony no mbola ataoko eto? Lasa aho!"
- "Ary ny zanakao? Ary raha fantatr’i Ratrema hoe tsy zanany io? Hainao aiza izay mety hotantarain'i Alexia any?"
- "Lasa aho aloha fa tena mikorontana ny lohako e, amin'ny manaraka!"
Tsy nahaleo dohika ahy i Malala dia namela ahy nandeha.
Fa inona kosa no nitranga tany anaty fiara tamin'io fotoana io? 
- "Variana amin'ny reaction-nao aho anaka", hoy i Ratrema tamin-janany. "Dia tsy taitra akory ianao?"
- "Tantara lava be izany ry Papa fa izaho no diso a!"
- "Diso ahoana ianao anaka? Vao teo ianao no afa-jaza, dia jereo sahady ity ataon'ny olon-tianao... He ity reninao, tsy hitako mihitsy izay hatao! Efa nadiditra hoatran'iny foana moa izy hatramin'izay nivadianay, tsy hafenina anao intsony izany fa efa lehibe ianao ity. Fa na izany aza, reninao izao no mivadika aminao..."
- "Papa a! Izaho ho'aho no diso e! Tamin'izahay roa tao an’efitra iny dia tsy mba nahavita nampionona an'i Hery akory aho. Tohina sy narary loatra ny fony tamin'ity loza nahazo ahy, ka hoy aho hoe: “Ndana mankany amin'i Mama fa disponible kokoa izy hihaino anao..."
- "Ka na dia izany aza ve anaka dia hiafara amin'ny firaisana ara-nofo mihitsy ny resaka?"
- "Aza omena tsiny izy Papa fa olombelona ihany ange ry zareo e! Sarotra ny mi-comprendre, kanefa raha samy misy problème ny olon-droa dia izao foana no hiafarany e!"
- "Dia midera anao aho ry zanako vavy fa manana ouverture d'esprit be mihitsy ianao sady tsara fo... Fantatro koa fa tena tianao iny lehilahy iny… Fa na izany aza anefa dia tsy maintsy ho malina aho manomboka izao fa tsy hamela an-drizareo ho irery intsony. Mety mbola hiverina mantsy ireny zavatra ireny fa tsy handefitra intsony aho... Atodiho mody ny fiara anaka ka ndeha hody..."
Nifanena teo am-bavahady izahay telo ka hendratrendratra be ihany aho, saika tsy hitako ny lalana...
- "Ndao hiverina hody ry Hery fa ho aiza ianao a!!Nndao!" hoy i Alexia. I Ratrema amin'io nivandravandra ahy tsy nisy ohatran'izany.
- "Notantarainao azy ve? hony? hono ho'aho?
- "Tsy taitra ianao ry Hery a! Izaho ve dia hamono ny raiko?"
Dia nino azy tsy sazoka aho sady nandroso tao amin'ny salon. I Malala koa efa nidina sady nitrotro ny zazakely... Sady nandrehitra ny pipany i Ratrema no niteny mafy mba hahare daholo izahay rehetra: 
- "Amiko dia efa mivalona iny resaka iny, tsy miverina amin'iny intsony aho ary mamela anareo... Voalohany sady farany izay, ary aoka tsy hisy resaka intsony... Arosoy ny sakafo ry Malala fa vizana aho izany. Aiza ny zazakely horaisiko…"
- "An, an, an, vonoy aloha ny pipanao fa sempotra ny zazakely", hoy Malala nanambitamby am-badiny.
- "Etsy ary! Ndrooo, soa ialahy leitsy fa mbola kely ialahy ka mbola sambatra tsy mba be ketriketrika ohatr’anay! 
Hatramin'iny resaka tao amin'ny salon iny, dia tsy nisehoseho tany amin-drizareo intsony aho aloha, fa naleoko nipirimpirina tany amin'ny asako tany. Toa tena lasa nalaina tamin'ilay raharaha aho, sady zary tsy nazoto koa hiditra amin'ilay fianakaviana. Tena tiako anefa izy mianaka, fa saingy tiako lavitra kokoa i Alexia. Voatery mihataka kely anefa aho haka saina tsara sy handinika izay mety ho atao fa toa mbola henjana ny ady... Ny saiko tena mandà mafy fa ny vatako tena te-ho any te ho any foana… Azonareo angamba ny tiako hambara. Ny telephone nandritra izay fotoana tsy nihaonana izay dia naneno tsy an-kijanona, tsy maraina tsy hariva. Ny maraina dia i Malala no miantso ary ny hariva dia ny zanany. Tsy noraisiko mihitsy aloha hatramin'izay fa tena tsy hitako akory izay holazaina e! Na ny messages aza tsy henoiko akory... Dia nisosa teny ny tapa-bolana, roa tokom-bolana, iray volana ... Indray andro efa ho iray volana sy tapany taty aoriana, ity i Alexia niditra avy any... Tsy mitomany izy, tsy tezitra koa, fa velon-tsiky tsy misy ohatr'izany... 

- "Manao ahoana i Hery?" Sadaikatra sady menatra ihany aho mahita azy toa endrik'anjely kely eto anoloako... 
- "Salama aho ary ianao?"
- "Metimety aho ka!!"
- "Afaka miara-misakafo ve isika ratoandro?"
- "Tsy maninona... Amin'ny 12h30 eo amin'ny zaridainan'Antaninarenina aho no haka parking, andrasako eo ianao?"
- "Ie, izaho no ho tonga alohanao eo fa entiko ny fiaran'i Dada! Bonne journée mon amour -MMMhh!!!"
- "A toi aussi ma chérie! Ca m'a manqué tu sais?"
- "A moi aussi, allez à tout à l'heure!"
Tena tsy nahavita asa indray aloha aho avy eo, fa lasa tany amin'i Alexia foana ny saiko. Variana amin'ny toe-tsainy mihitsy aho. Tsy mba mitana lonilony, tsy mba mora tezitra, tsy tia raorao. Raha ny hevitro aloha dia na izao dia izao mihitsy aza dia taritiko any am-piangonana izy dia vadiako eo no ho eo. Fa noho ny fisian'i Malala, dia lasa miahotra aho. Ankoatran'izay, eo koa ilay zanakay... Raha mbola variana nandrevy teo iny aho no nijery famataran'andro tampoka, hay efa ho amin'ny 12 ora sahady... Ny asa tsy vita, ny tena toa vizan-tsaina izany... Raha iny handeha handray ny serviette-ko iny aho hamonjy an'i Alexia no injay naneno ny telephone... Iza ary ity? hoy aho niteny an’eritreritra. Ny numéron'i Malala no niseho teo, inona indray ary ity? hoy aho... ssshhh aleo tsy valiako ka! Kanjo niverina naneno indray!!! SSShhh aleo rangaha valiako hoy aho fa fintiniko ny resaka dia basta a... 
- "Allo? malala? fa misy inona indray e?"
- "An? ho avy izao dia izao aho!"


Pejy 4
2006/03/28,07:22

Vao nahare ilay fanontanian-dRatrema (rafozako sady rafilahiko) izaho sy Malala dia nifampijery. Samy nandalo tao an-tsainay angamba ny hoe: raha izany no hiseho dia mety ho tapitra hatreo ny tantaranay. Nangarika ahy mafy ny fahitako an'i Malala toy ny te hilaza hoe : ataoko mihinan'ny fatinao ianao raha vao manaiky an'izany eo. Niahotra kely aho ilay saika hamaly avy hatrany hoe "eny" iny. Nivadibadika teo ny saiko ary nony farany dia ny hoe: "Aleo aloha hieritreritra tsara fa mety ho efa lerany marina angamba izao" no naloaky ny vavako. Nangarika ahy fanindroany i Malala ary ohatran'ny tsikaritr’i Ratrema. Nihidy vazana ny anao lahy, toy ny nampiseho tamin'i Malala ny tsy fankasitrahany ny fihetsiky ny vadiny. Niaraka nandeha nihinana pizza izahay rehefa avy eo. Tsy dia nahitana teny firy loatra i Malala teo am-pisakafoanana, fa ity ho rafozaniko no toa feno hafaliana milalao ity zana-drafiny.

Nony hariva... Tezitra be nifofofofo avy any i Alexia niditra ny trano. Tonga dia nivatravatra nanao be fiavy tamin-dreniny: "Nolazain'i Dada ahy fa toy ny tsy dia mazoto loatra amin'ny raharahanay sy Hery hono ianao? Fa inona marina no tena tadiavinao ity e?” sady nitrerona izy nentin-katezerana. Vava hono izao nataony izao, hoy i Malala nitantara tamiko taty aorianan'io resaka nataon'izy mianaka io. “Satria nangalarinao ny vadiko” hoy izy, “dia mba hangalariko koa ny vadinao. Hiara-hatory amin'i Dada aho rahariva ary ho hitanao tsara ny vokany afaka sivy volana! Handeha hividy toaka sy hanofa film x aho aloha dieny izao fa ataoko afa-po tsara i Dada rahariva! Ary aza mieritreritra ny hanakatsakana ahy mihitsy ianao sy Hery fa sao dia ataoko mifafa ny kihonareo mitambatra eo ianareo roa”. Mba nisafoaka koa ny anao vavy niantefan'ity fiantsian'ny zanany vavy azy ka navoakany hatramin'izay misitery tsy tokony hambarany azy akory. "K'inona moa ny olana ry Kalakely fa zanany naterany angaha ianao io? ndana, ndana ataovy izay tianao atao aminy fa tsy raharahako akory!!!!!" Nivandravandra i Alexia... Asa raha azony izay nolazain-dreniny azy teo na tsia fa nakipiny ny masony nony avy eo, nihodina taminy ny tany aman-danitra, poa toa izay dia tsy tsaroany intsony ny tenany... Lasa ny sainy sy ny fanahiny niverina tamin'ny fahazazany feno fifaliana sy fahasambarana... Niverina tao an-dohany daholo ny taona maro nifandimby teo anilan'ny ray sy ny reniny, ny fiadanana nilomanosany, ny rotsirotsy, ny safosafo, ny tambitamby... "Alexia! Alexia!... Fa maninona ity indry e! Alexia ho'aho, mifohaza reitsy a! Andriamanitro o! maninona ny zanako? Lozako marina!" hoy i Malala niantsoantso irery. "Ary aiza i Hery teo?" hoy izy. "Iny ihany izao no nahatonga an'izao!!!! Nankaiza koa ny telefoniko teo?" Tsitapitapitr'izay, tonga i Ratrema.

- "Fa misy inona e! Fa inona no mahataitaitra anao io? Fa maninona ny zanakovavy?"

- “Asa leitsy izay nahazo azy teo fa notantaraiko azy ny resakareo sy Hery aninkeo maraina dia faly loatra izy ka io safotra io...”

- “Ary aiza izy? ndao ho any amin'ny hopitaly haingana aloha e! Omany ny zazakely fa ho avela irery ato ve?”

Soa fa tonga haingana tany amin'ny hopitaly i Alexia ka vetivety ny famelomana nataon'ny dokotera azy...
- "Fa aiza aho izany e! fa aiza aho izany?"
- "Aty amin'ny hopitaly ianao anaka", hoy ny rainy nanafosafo ny lohany.
- "Ary aza miteny betsaka aloha ianao fa tena mbola reraka mafy!" 
- "Fa inona no nahazo ahy e! Toa tsy mahatadidy inon’inona ange aho ry Dada e! Aaaay, mbola fanina aho izany!!!"
- "Matoria aloha ianao fa reraka, izahay sy mamanao ao ivelany aho ihany hiandry anao fa ny zazakely tsy azo ampidirina aty tsinona. Maka aina tsara aloha anaka".
Nandritran'io fotoana io dia nitebiteby mafy ramatoa reniny... Aza hitako marina, lozako fa izaho no nahatonga an'izao; ho rava ny fiainako, ho rava ny tokatranoko, vita hatreo ny fahasambarako!!! 
- "Ramatoa a, velona soa aman-tsara izy fa tsy maninona, fa mbola hotazonin'ny dokotera en observation hono mandritry ny efatra amby roapolo ora... Ndeha ianao raha hijery azy e! Ento aty raisiko ny zazakely!"
- "An, an, an..." hoy i Malala, "aleo aho hiandry aty ihany ka!!!"
- "Ndana re fa zanakao ve tsy hojerenao e!!!"

Vahotra i Malala hiditra ny hopitaly... Marina aho raha sahy ho any? Matahotra aho!!! Aza hitako ka hanaovan'ity zaza ity cinema eto aho... Ao aloha hotsikiloviko eto fa tsy hiditra ao mihitsy aho... Kinanjo,
- "Mama, Mama!" hoy Alexia... "avia ampio aho fa tena fanina!"

Niahotra i Malala saingy i Alexia no niantso sady niantoraka teny amindreniny...!!!
- "Haaaaa! Faly aho anaka satria velona soa aman-tsara ianao?"
- "Fa naninona aho ry Mama?"
- "An, an, an, nolazaiko ianao hoe atao ny raharahanareo sy Hery dia iny ianao torana iny. Asa angaha reitsy nafana loatra ny andro tamin'ny anikeheo iny!"
- "Hay?" 
- "Oufff!!!! izay ry Mama vao azoko ny aiko!"
- "Avelako aloha indry fa hody izahay mianaka fa i rainao no hiandry anao aty. Efa alina izao ka hampatory an'i Toky aho! Rahampitso reitsy a!"
Ny tao antsain'i alexia nefa ny alina dia hitany fa misy aloka mitatao izany ny fiainany fa tsy azony antsaina loatra... Inona ary no mahalasa saina ahy? Misy zavatra toa mitatao izany ao ambony lohako? Inona ary no hitranga? Natory ihany anefa izy avy eo, ary toa noheveriny ho nofy ny safotofotom-piainana nianjady taminy nandritry ny volana maromaro izay.
Nony maraina, niditra nijery azy ny dokotera,
- "Manao ahoana ianao izay?" 
- "An, an, an! tsy maninona loatra intsony aho fa reradreraka fotsiny."
- "Hono ho'aho, tsy misy zavatra tsikaritrao ve tamin'ny tenanao tato ho ato?"
- "Inona ohatra dokotera?"
- "Tsy izany mantsy fa misy vaovao tsara ho anao ity... Bevohoka ianao!"


Nisomebiseby ny eran'ny trano. Faly sahirana aho. I Malala toa kaodikaody be izany. Hivoaka ny hopitaly androany i Alexia. Efa samy mahalala izahay fa mitoe-jaza ity zanak'olona fa ny hanatanterahana ny raharaha izao no resaka matetika miverina ato an-trano. Isaky ny mitsidika io resaka io dia mangarika ahy foana i Malala. Asa na kisendrasendra koa, fa isaky ny eo am-piresahana an'io dia mitomany mafy foana i Toky ka tsy misy resaka vanona. Andro vitsivitsy taty aoriana, sendra namangy an'i Alexia aho, olona vonton-dranomaso no nitsena ahy. - "Fa misy inona?" hoy aho taminy taitra sady nanatona. Tsy niteny tsy nivolana i Alexia fa ny ranomasony no vao maika nijohy. Nandroso ihany aho, hay efa niandry tao amin'ny salon koa i ingahy Ratrema sy Malala. Inty indray ny an'ialahy hoy aho anakampo, eto vao ho vaky barara eto ialahy. Niha-faingana ny fidobodoboky ny foko....!
- "Hery a!"

- "Fa misy inona? Misy inona ho'aho?"
- "Hery a!... Afaka ny zanako!!!"
- "Afaka ny zanatsika?" 
Ankona tanteraka aho, maina ny tendako, maina ny vatako... Tsy nahaloa-peo aho aloha tao anatin'ny minitra maromaro. Hany heriko namonjy toerana teo amin'izay seza lava tsy nisy nipetraka izay... Maizina tamiko ny tany aman-danitra. Ny tena nampalahelo ahy dia i Alexia izay efa tena nametraka ny fanantenany sy ny fiononany tamin'ilay ho zanakay! Ny amiko moa, inona no holazaiko? Tsy misy. Nahatsiaro tena ho diso aho kanefa efa tongotra mby an-dakana koa ny lalako ka tsy afa-nihemotra intsony aho... I Alexia indray no nanafosafo ahy sy nampionona ahy tamin'ny ranomasoko. Nangala-pijery tany amin'i Malala aho, dia toa tsikaritro ho mitsiky hafahafa toa faly izany izy... Tsaroako tampoka i Toky, hay moa aho efa manan-janaka, hoy aho anakam-po... 
- "Ka inona moa rankizy no azo atao fa dia aleo haroso ny raharaha fa efa natomboka izy ity a! Aza atao hoe loza ity nahazo anareo anaka fa ataovy hoe mbola tsy iny ilay anjaranareo... Ndeha ny ho avy no hatrehina?" 
- "Ka tsy aleo aloha hahemotra ity raharaha ity?" hoy i Malala nitsatsaingoka. "K'inona intsony izany no mahamaika? Tsy aleo i Alexia mamita ny fianarany aloha? Na i Hery mba ho tsara toerana eo amin'ny asany vao atao izay ho atao?" 
Na te-hidoika an-dreniny aza i Alexia, dia naleony nangina fa tsy nananany akory na ny aina hifamaliana amin-dreniny aza...
- "Izaho aloha manaiky an'izay toro-hevitry Mama izay", hoy aho mody nanome ny hevitro koa..."Ohatry ny manahirana ihany raha tsy manana asa tsara aho hamelomako anao... Sa ahoana ny hevitry Papa?"
- "Amiko aloha, zanako vavitokana i Alexia, ary ianao efa noraisiko ho zanako ihany koa hatramin'izay, ka voninahitra ho ahy ny hikarakara ny mariazinareo, ary raha mbola sahirana aza ianareo roa kely, inona moa ny olana raha hipetraka ato aza ianareo avy eo? Ny trano malalaka. Atsy amin'ilay dépendant atsy aloha ianareo roa no mipetraka fa malalaka tsara ao sady mitokana. Sa ahoana?"
Nitraka ihany i Alexia ary nitsangana moramora izy no nibanjina anay rehetra...
- "Ka tsy aleo aloha ity resaka ity tapahana fa ny alina hono mitondra fisainana; ka aleo rahampitso samy mamoaka ny heviny sady reraka mafy aho izany... Aleo aho hiakatra kely aloha, andao ry Hery ho any ambony... Tsy maninona ve ry Papa?"
- "MMMhhh! Mandehana anaka fa tsy misy tsiny a! Maka aina tsara, aza dia vizanina be aloha izy ry Hery a!"
- "Aza matahotra ianao ry Papa fa tsy ho ela aho!"
Iny koa i Malala fa niakatra haingana; lazainy fa hijery an-janany hono izy. Nosongonany teo an-tohatra aho ary nisy taratasy niforiporitra izay nasisiny tany am-paosin-dobako... Toy ny tsy teo no nangaronako ny paosiko sady namindrako ilay horonan-taratasy tao am-paosin'ny patalohako. Tsy hitan'i Alexia anefa izany rehetra izany... Nony tao an’efitra izahay dia nalan'i Alexia ny akanjony ary niakatra teo am-pandriana izy no sady notarihiny aho... - "An, an, an, ho'aho, angaha ianao mbola afaka manao inon’inona re e?" hoy aho nanambitamby azy... Kanefa tsy nety izy fa nisisika ihany... Nanda ihany anefa aho sady nolazaiko hoe sao tsy mahasalama anao... Nanaiky ihany izy ary resin-tory ho azy teo. Mbola miasa ihany mantsy ny fanafody ohaniny isan’andro. Tsitapitapitr'izay dia nipoitra teo am-baravarana i Malala sady nipihi-maso ahy,
- "Avia" hoy izy.
- "Fa aiza Ratrema?" hoy aho nibitsibitsika. 
- "Lasa nivoaka any izy ary nentiny ny fiarany fa avia!!!"
Ny nihaviany no ela dia nirifatra toy ny tsy teo aho namonjy azy tao anefiny... Efa akanjo mandry manify menamena izay no nanaovany... Tena mbola bikana mihitsy izy ary dia nahatsiaro tena tia azy indray aho... Adinoko daholo i Alexia sy ny nahazo azy, ny rainy, ny zanako, ny asako, fa dia levona tanteraka tao anatin'ny vatan'ity ramatoa mampitsonika ny maha-olona ahy iray manontolo ity indray aloha aho.


Pejy 3
2006/03/28,07:20

Samy gina nandritra ny dimy segondra teo zahay telo. Samy nijery ny valin-drihana fa tsy nisy sahy nifampijery. Ny hikiakan'i Toky tany ambony no nanapaka tampoka izany fahanginana izany. Nitsangana nanararaotra an'iny i Malala (izay moa no anarany) dia nosarongotiny niaraka taminy ny drap norakofanay. Izaho sy Alexia miboridana be sisa no tavela teo. Nitsangana haingana koa aho dia nampidiriko ny fitafiako. I Alexia angamba tamin'io mbola tena tsy tonga saina fa notopazako maso kely izy fa toa mbola mikipy ny masony. Fanararaotana hitsoaka no tato an-dohako avy hatrany kanjo tara loatra. Ny masony efa mivandravandra mibanjina ahy no tadidiko manaraka avy eo. Tsy misy soritra te hitomany teny amin'ny endriny, sa ve tezitra loatra hoy aho nanontany tena?

- "Efa ela ve?” hoy izy.

Tsy hitako zay navaly azy fa ny kiraroko no nezahiko nampidirina sady nivoaka ny efitra moramora aho tsy sahy nitodika tany aminy. Tafavoaka ny vavahady ihany aho saingy tsapako ohatran'ny lavitra be izany ilay nankeo am-bavahadiny. Nisento elaela aloha aho vantany vao tafavoaka taty ivelany no sady niteny irery nanompa tena, no vaky hehy koa. Lasa mitapy angamba aho hoy ny eritreritro. Notohizako moramora ny diako sady namisavisa ny amiko sy Alexia aho. Izaho mantsy no nanala ny maha virjiny azy. Ny mamany indray koa anefa tsy azo lavina fa tena mbola mitana tsara mihitsy. Efa roa herinandro taty aoriana mbola tsy naharenesana akony ihany iny zava-nitranga iny, ka dia ny revy niaraka tamin'ireo namana mpiara misotrosotro aloha no nataoko mba hanamaivanako ny fiketriketrehan’ny tao antsaiko.
Indray andro tsy nampoiziko, naharay antso an-telefonina tamin'ny findaiko aho. Nojereko ilay laharana fa an'i Alexia. Vaka teo ny saiko, ho raisina ve sa havela haneno fotsiny eo. Tapaka ilay antso mandra-panapahako hevitra amin'izay hataoko. Aleo koa rangahy ho tapaka any hoy aho kinanjo, injay fa namerina niantso indray izy. Aleo rangahy raisiko hoy aho an’eritreritra fa ohatran'ny misisika be izy izany. Vao namaly anefa aho dia akory ny hatairako fa ny mamany no tao. Saika latsaka indray ny pipiako. Nilaza izy fa mila miresaka hono izahay telo mianaka: Alexia, Mama, ary izaho izany. Tsy nanda aho fa dia nanaiky tsy sazoka. Nony tonga tokoa ary ny fotoana nifanarahana dia ny mamany mitrotro an'i Toky no tonga teo.

- "F'angaha tsy ho avy Alexia hoy aho tsy naharitra".

- "An, an, an! mila miresaka aminao mitokana aloha aho" hoy izy.

- "Tsy maintsy ampahafantarina an'i Alexia fa zanakao i Toky".

- "Fa ahoana? tsy izany anie no nifanarahantsika raha tadidinao tsara" hoy aho somary niaka-peo.

- "Tsy misy an'izany hoe fa ahoana-nao izany".

Tsy nanam-potoana hamaliana intsony aho fa i Alexia efa tamy manatona akaiky be anay telo mianaka no hitako. Asa na naninona teo, fa te handray an'i Toky aho, ary i Toky efa teny an-trotroako no tonga teo aminay izy.

- “L'amour a trios”, hoy izy tamin'ny feo hentitra, “fa 'zaho tsy handrafy ny reniko na oviana na oviana fa dia ampahafantariko anao tsara izany. Samy maka ny anjarany”.

Hila tsy hahajery azy aho nefa tsapako ihany koa fa toy ny nisy vato be nesorina tao an-damosiko tao. Nisento mora aho no sady niezaka nitraka hibanjina azy. Tsy nahita ho tenenina. Izahay efa ao anaty fiara nizotra ho any an-tranon-drizareo vao ohatran'ny niverina tsara ny saiko.

 Na dia nilamina aza ny amin'iny tantara iny, dia mbola nisy olana hafa indray mitambesatra eto ambony lohako: ilay papan'i Alexia. Ilay zanany ity toa nahazo ny fandehan-javatra ihany fa ity rangahy lehibe no asa... i Alexia moa efa nanaiky ihany tamin' ilay niresaka tamin'i Malala iny fa tsy hamoaka izao resaka izao na amin'iza na amin'iza. Fa na izany aza mbola ho lehibe ihany ity Toky ity ary ho hita be eo amin'ny tarehiny atsy ho atsy fa misy itovizana izahay mianaka. Indray alakamisy atoandro dia nifanao fotoana fa hitsangatsangana teny Tsimbazaza miaraka amin'i Toky izaho sy Malala. Nataonay tao anaty poussette ny zazakely sady miresaka izahay roa. Tena tiako aloha ilay zanako ary ohatran'ny tsy nanenina izany aho nahazo azy. Tsy hitanay roa mihitsy anefa tamin'io fotoana io fa nisy olona nanaraka foana izahay hatramin'ny fotoana nifankahitanay io antoandro io. Raha iny izaho ndeha handray ny zanako nitomany iny indrindra no nipoitra tampoka ilay rafozan-dahiko: "Dry! hay i Hery ihany ve ity e! Tena tsy fantatro mihitsy ‘nareo rangaha raha atao tazan-davitra, efa hatry ny antoandro aho no nanaraka anareo" hoy izy nanohy avy eo. "Noheveriko ho mampirafy ahy i Malala, ka izay no nisahiranako nanaraka azy tetsy sy teroa. Azafady indrindra r'ise fa rehefa tia tokoa hono ny tena tsy maintsy saro-piaro. Ary aiza i Alexia no tsy niaraka taminareo?"

Nitopy tany amin' Toky ny masony no sady niteny hoe:  "Bonjour mon petit bébé " taminy izy. "Mihantahanta amin'i zokilahy an?" hoy izy nony avy eo.

Nangalam-pijery tany amin'i Malala aho tamin'io fotoana io ary gaga amin'ny tena fahaizan'ny vehivavy mampitony ny fihetseham-pony fa dia tena tony dia tony mihitsy ny fahitako azy, ary ohatran'ny olona mpifakahalala fotsiny ireny izahay. Izaho moa tsy afenina fa dia tena tera-tsemboka hatrany anaty kilaotiko.

- "Inona indray no manaraka? hoy Ratrema nanohy, izay moa no fiantson'i Malala ny vadiny.

- "Efa hitako eto ihany ianao ka tsy aleo ve ho lazaiko anao eto ny tena tiako holazaina hatramin'izay?"

Dray dray dray!!! inona indray ary no mety holazain'ity antidahy ity hoy aho niketriketrika fa sao dia efa fantany ihany ary ny fandehan-javatra rehetra fa modiany manao sary adala fotsiny eo...

- "Tsy izany mantsy fa efa ela loatra ianareo sy Alexia no niaraka, ka tsy aleo ve mba atao fombafomba ianareo fa hainao ihany ny vavan'ny olona?"

Saika tsy tana ny vavako tonga dia namaly azy hoe: "Hay ve izay izany fotsiny e!!!" noheveriko fa hilaza inona teo koa ity izy.

Pejy 2
2006/03/28,07:18

Nandalo tany amin'ilay ilay jôbako aho fa fotoananay tamin'io. 17 taona izy ary izaho 25 taona. Zoma tolakandro ny andro. Tsy ao izy hoy ilay mpanampiny fa mbola nirahin'ny mamany ary mety ho elaela vao ho avy. Nandroso ihany aho satria nampandrosoina. Ilay mamany no tao amin'ny salon nijery fahitalavitra. Naka vera izy dia nampidina zava-pisotro misy alikaola kely ho ahy. 15 minitra taty aoriana, naka DVD  izy dia nilaza tamiko fa hoe aleo mijery horonan-tsarimihetsika fa tsy mamely ilay fandaharana nandeha teo. Tantaram-pitiavana masaka be ilay nojerenay. Nisy olona manao matetika. Izaho mbola variana tsara iny indrindra no nosafoin'ilay mamany tampoka ny filahiako sady hoy izy:

- "Tsy dangitra ve ialahy amin'izao?"

Niala kely aho saingy tonga dia nobedainy sady mbola vao maika nangaroniny ny tao anaty patalohako no notereny hovahana ny hidiny. Izaho moa efa te hanao dia navelako izy nanao izay tiany hatao teo. Sady nanafosafo ny fivaviany mbola tao anaty silipony teo izy no nitsetsitsetsitra ny filahiako. Tsy naharitra intsony izy nony kelikely fa nesoriny tanteraka ny silipo teny an-kodiny ary dia nanao be teo izahay. 35 taona eo angamba ilay mamany ary tena mbola mitana, na tarehy na bika. Vita ny natao dia menamenatra aho fa izy mody tsy nanisy sira. Efa somary harivariva vao tonga ilay zanany. Nitady hevitra hivoahana tao haingana aho dia nilaza fa mbola maimaika. Sakodiavatra be anefa aho no tena marina. Tsy nandalondalo tany amin-drizareo intsony aho taorian'io fisehoan-javatra io. Roa herinandro taty aoriana, nisy nametraka hafatra tao am-piasana fa mila ahy maika dia maika ary miandry ahy any ivelany hono io olona io. Nivoaka aho ary akory ny hagagako fa ilay maman'ilay jôbako no tao. Tonga aho dia notaritiny hoe mila miresaka aminy. Niditra tamin'ilay Salon de thé tsy dia lavitra teo izahay dia nilaza izy vao tafapetraka izahay fa matahotra hono izy sao misy mahita ka dia notaominy aho haka toerana mangingina miaraka aminy ao anaty fiara. Vao tafiditra tao anaty fiarany izahay dia efa tsy tratra ny tanany iray fa efa mitady hanafosafo sahady ny filahiako mbola mifono tsara tao anaty pataloha. Tsy hay tohaina ny tao anatiko fa tonga dia nivonto avy hatrany ary dia tsy haritro intsony ka navelako izy hanaram-po tamin'izay tiany hatao teo. Bikan'olona kosa aloha izy e ! Tena ao amin'ilay mampatsiro azy mihintsy. Vita ny natao dia nody fanina indray ny anao vavy. Telo volana taty aoriana, efa lasa fahazaranay ny mangala-dia mandeha manao firaisana ara-nofo antselika. Mandritra izay fotoana rehetra izay anefa dia mbola miaraka amin'ilay jôbako ihany aho. Enim-bolana aty aoriana izao, bevohoka hono i rabofy ary izaho no lazainy fa tompony ary ho tazoniny ilay zaza fa reveny be hono aho.

Nadi-doha be ity maman'ilay jôbako ity  ary sarotra noresena lahatra ka dia naterany soa aman-tsara ilay zazalahy kely. I Toky no nataony anarany. Mbola miaraka foana izaho sy ilay jôbako amin'io fotoana io. Faly ery ary izy fa hoe nahazo zandry lahy kely hono. Notaominy hamangy ny reniny teny amin'ny hôpitaly aho. Akory ny hagagako fa tena mitovy tsy misy valaka amiko ilay hoe "zanako". Toy ny akoho kely notsipazam-potsimbary aho tamin'izay fotoana izay fa sady faly no sahirana. Nitsikin-drabofy  indray mandeha fotsiny aho vao nifanojo ny masonay dia azoko ny tiany hambara rehetra. Iray volana taty aoriana, nifanena indray izaho sy ilay maman'ny jôbako dia hoy izy tamiko hoe: "Aza matahotra ianao fa tsy ho lazaiko na amin'iza na amin'iza fa ianao no rain'i Toky. Tsy mahazo misaraka amiko kosa anefa ianao no tambiny angatahako. Tsy maninona” hoy izy “na ho lasa 2eme bureau-ny zanako vavy aza aho.”

Fangatahana miaro fanerena moa ny azy ka dia nanaiky tsy sazoko aho sady ity zaza koa tena tsy misy ivoasana amiko mihitsy amin'ny endriny. Nifanao fotoana tao an-tranony izahay indray alakamisy hariva fa nianatra ny jôbako tamin'io. Efa nanomboka nirevy be iny izahay, efa samy niboridana fa nafana be ny andro, no indro niditra tampoka i Alexia (izay no anaran'ilay jôbako). Tsy renay mihitsy izay nidirany fa izy efa tonga teo ambaravaran'ny efitra fatorian'ny mamany vao hitanay. Tsy nisy hirika azo nialana intsony fa tena tonga amin'ilay fitenintsika malagasy manao hoe tratra ambody omby aho, na dia teo ambodin'ny mamany aza no marimarina kokoa. Mody tsy taitra izy sady nanontany hoe:

- "Fa inona ity ataonareo?"

Izahay roa moa samy gina tsy nahateny niandry izay haloaky ny vavany manaraka fotsiny. Samy tsy nisy nanampo izahay tamin'ilay teniny manaraka nanao hoe

- "Aleo aho mba hitsilailay hiaraka aminareo eto koa fa tena reraka be aho izany!"


Pejy 1
2006/03/28,07:05
TANTARA NOFORONINA - TENY MALAGASY MADIO - TSY AZON' NY ZAZA SY NY ZATOVO LATSAKY NY 18 TAONA VAKIANA
Nosoratan'ny mpandray anjara maromaro tao amin'ny forum Wanadoo.mg sampana " Séduction et Sexualité"

Kelymaditra (9 Juin 2005)
Angano (10 Juin 2005)
Tohiny3 (10 juin 2005)
Scandale (11 Juin 2005)
Tourbillon de l'amour (11 Juin 2005)
Tierse personne (12 Juin 2005)
Tadiom-pitiavana (21 Septembre 2005)
Andrana (15 Novembre 2005)
Loulou (25 Avril 2006)
 Tadio (22 juillet 2006)
Latina (Octobre 2006)
Mpanoratra nandray anjara betsaka indrindra:
Tadiom-pitiavana (Madagasikara)
Loulou (Eoropa)
Tadio (Etazonia)
Namorona ny lohahevitra nipoiran'ny tantara:
Kelymaditra
Date: 9 juin 2005 - 18:06
Fanontaniana nipetraka izay nitarika ny fiforonan'ny tantara:
Tantarao eto ny aventure sexuelle na amoureuse nao tena tsy ho adinonao mandrakizay

Nanambatra ny tantara sy Mpitantana ny blaogy:

Tadio(Etazonia)

Disclaimer:

AROVY NY TENANAO SY NY MANODIDINA ANAO. MAMPIASA FIMAILO RAHA MIOVAOVA OLONA IRAISANA ARA NOFO.

Tantara noforonina ary norafetin'ireo mpanoratra avy amin’ny fahitan'izy ireo ny fiainan'ny olona andavanandro. Fifanandrifian-javatra ihany ny toe-java-misy na toerana ary ny anaran'ny olona voalaza ato anatin'ity tantara ity. Misaotra tompoko

 (tohiny)
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype