Tadiom-pitiavana

Pejy 45
2006/05/23,05:26

- "Mandroso ianao, ianao mihitsy izao no andrasanay."
Tsy nahateny i Hery, ny fony no nidobodoboka mafy ary mila hangovitra mihitsy aza ny anao lahy.

- " Mahazoa toerana, ... Hono ho’aho Dr Mihary. Izy moa izany no nanavotra anao tany anaty ranomasina? " hoy ny fanontanian'ilay polisy mpaka ambavany.
- "Eny tompoko," hoy i Mihary.
- "Fa mpifaninona moa ianareo?"
Somary niahotra i Mihary tsy niteny, fa i Hery no nojereny tsara.
- "Mpinamana mpiara-mianatra izahay efa hatramin’ny fony kely, dia nifankahita taty."
- "Hay, tsy mpifankatia akory."
- "Tsia tompoko," hoy i Mihary. I Hery etsy efa mivaloharika tsy misy ohatr’izany.
- "Azonao ambara aminay ve anefa ny antony nahatonga anao nanao izao fihetsikao izao."
Tsy sahy nijery intsony i Hery fa ny masony no nakimpiny.
- "Euuhh ! sarotra be izany tompoko! fa resaka asa izay nahatsiarovako fahadisoana lalina no nahatonga ahy nanao izao."
Nisokatra tampoka ny mason’i Hery.
- "Hay!"…tsy niteny aloha ilay polisy, tany amin’ny varavaran-kely no nojereny.
- "Matetika mantsy dia fahadisoam-panantenana ara-pitiavana no mahatonga ny olona hamono tena."
- "Eny e!" hoy ihany izy. Rehefa tsapanao fa tsy nisy olona nanery an-kolaka nanao izao dia miala ny fiahiahianay!

Gaga i Hery, toa niverina tampoka tamin’i Mihary ilay fo mahery tsy ravan’iza na iza. Izy etsy tsy nahateny, ny tanany fotsiny no natolony ireo polisy, ary ilay iray nikapoka ny lamosiny sady niteny hoe :
- "Misaotra ry ise izany nanavotra ain’olona an!"

Tahaka ny nisy lanja mavesatra izany niala tamin’i Hery. Tsy nampitony ny fony mihitsy ny fahatongavan’ireo polisy roalahy. Ny mason’i Mihary no nojereny tsara izay tsikariny fa nanomboka nanganohano indray. Nanatona teo akaikiny izy nandray ny tanany nefa nakifik’ity farany no sady nakimpiny ny masony tsy hijery.
Fahanginana tanteraka no taorian'izay. Tonga ilay dokotera mpizaha marary vao nanokatra ny masony  indray  i Mihary.
- "Tsy aleo aloha ise mba mivoaka fa hanao fizahana aho."  
- " Eny tompoko," hoy i Hery, sady nitsangana izy nivoaka ny efitra;

Tsy hitan’i Hery intsony izay hatao, ny alehelony an’i Alexia mbola mitombo ihany. I Mihary ity toa manavotra azy nefa tsy te-hierika aminy intsony. Tsy azony intsony ny fandehan-javatra.
Farany, nangataka tamin’ireo dokotera mpiandry raharaha izy aloha hiverina any amin’ny hotely hiomana sy handeha hamita ny asa izay iraka nalehany aty Mahajanga. Fa mbola hiverina kosa araka izay azony hatao vao misy malalaka kely.

Tsy nitombin-tsaina mihitsy i Hery, na inona na inona nataony. Zara raha vita ny asa. Nanaraka ny onjany teny fotsiny no azony natao.

Tonga tao am-piasana izy dia nahita solosaina afaka mifandray amin’ny tranonkala. Nosokafany ny mailakany, tsy nisy olona namaly, tsy nisy nantenanina ihany koa fa i Alexia aza mbola marary izay ka tsy afaka ny hanoratra ho azy. Nojereny indray ilay mailaka kelymaditra, nosokafany ireo nifanoratra taminy. Mbola eo ilay hafatr’i Tiana nifampiresahany farany. Nojereny ilay daty, ity ilay daty nahatratraran’i Alexia ilay string an’i Malala tao anaty efitra fandroana. Tsy nisy tohiny intsony taorian’izay.
Mila namana aho hifampiresahiko izao zava-manjo ahy izao.
Nialàny aloha ilay mailaka, nijery indray ny takela-pifandraisana tao amin’ny wanadoo.mg izy. Efa nivadika ho tantara lava dia lava ilay « tourbillon de l’amour ». Gaga izy, variana nijery sy namaky. Isaky ny andalana iray dia toa mamakivaky ny fiainany. Kivy sy ketraka izy, tena nisento tokana amin’ity zava-bitany. Ny alahelo mitoetra, i Toky sy Cynthia re izay nanao ahoana ? Tsy nahazoako vaovao intsony. I Malala maninona no tsy miantso azy mihitsy?
Farany, niverina niditra tamin’ilay mailaka kelymaditra teo indray izy. Nandefasany hafatra i Tiana raha mbola afaka mifandray aminy.
Notantarainy teo izay rehetra nanjo azy taorian’ny nifampiresahan-dry zareo farany iny. Voatantara teo avokoa na ny nataony tamin’i Tahiana, na ilay resaka string, na izao manjo azy misy an’i Mihary izao. Namborakany teo ny adin-tsainy rehetra ary voalazany hatramin’ny antsipirihiny. I Tiana no fantany fa mety afaka hanome torohevitra azy.

 

 --------------------

Vao maraina dia niarina teo ambony fandriana i Tahiana. Tsy tafandry mandry ny anao vavy fa lasa saina tamin’ny nanjo an’i Hery. Nisy hevitra nipoitra anefa tany an-tsainy tany, hevitra ratsy naniry ho azy, mikasika ny valifaty tiany hatao amin’i Malala. Niomana haingana izy, nahandro sy nisakafo, nampirina ny trano dia lasa nandeha niasa.

Vao tonga tany am-piasàna dia namita izay asa mbola tsy efany omaly hariva. Tamin’ny 9 ora sy sasany tany ho any. Nantsoiny tamin'ny fidainy amin'izay i Malala:
- "Allo ! Malala an!"
- "Ahoana Tahiana?"
- "Afaka antsoin-dry aho ve fa lafo loatra ny miantso mankany an-dafy amin’ity findaiko ity?"
- "Tsy mampaninona ka!"
Nony afaka kelikely,

- "Allo!"
- "Ahoana akia! Nahita vaovao ve indry mikasika an’i Hery?"
- "Ie ! avy tany amin’ny toeram-piasàny aho izao, nalefa namita iraka hono izy, kanefa mbola tsy nahandrenesam-baovao mihitsy izy lasa any,"
- "!!!!!! ahoana tsara hoe?"
- "Efa hoe nalefan’ny orinasany hono izy dia tsy nahitam-baovao mihitsy. Antsoy ange ny findainy e! tsy azo mihitsy… Efa niantso azy im-piry aho izay…."
Tsy nisy niteny aloha...
- "Tahiana an ! tsy mampitombina ny saiko mihitsy izany lazain-dry izany. Aleo aloha tapahiko ny antso fa manomboka marary ny andohako."
- " Eny ary Malala an! tsy maninona fa andramo antsoina indray e!"

Izay mihitsy no tian’i Tahiana hahatongavana. Ny tsy hampitombin-tsaina an’i Malala. Tsy nahoany fa valifaty no nanenika ny sainy. Na izany aza. Mbola mivilivily ihany koa ny any anatiny any ny amin’ny nanjo an’i Hery.

Tadiom-pitiavana (tadiom_pitiavana@yahoo.fr)

Pejy 44
2006/05/21,03:50
   Raha iny nitsirempirempy iny ny mason’i Hery dia tsapany fa lavo tamin’ny tany izy. Natrakany moramora ny lohany. Ny gorodona mirakotra taila miendrika efajoro marobe no milahadahatra manodidina ny seha-pijeriny. Hitany koa ny kodiaran’ny fandriana izay misy an’i Mihary. Ny lohany maharary azy, ny kibony toa misalebolebo mila tsy ho tantiny. Izy mbola fanimpanina, ary mahatsiaro mangatsiaka tsy misy ohatr’izany.
Niarina izy, tsy teo intsony Ratrema saika namono nahafaty azy teo. Ilay salebolebo tao anaty vavoniny teo no tsy maintsy nampitsangana azy hamonjy ny efitra fidiovana haingana. Raha vao
tonga teo amin’ilay bakoly lehibe fanarian-drano izy dia nihoaka nandoha.  M bola henony naharary azy mafy ny lohany, toa fanimpanina sy badenina mila hitsirara amin’ny tany indray izy. Naka toerana nipetraka tamin’ny tany indray izy aloha sady niankina tamin’ny rindrina. Rehefa nahatsiaro saina sy tony tsara vao nitsangana nijery ny tarehiny tamin’ny fitaratra…..

Akory ny hagagany fa tsy nisy na dia ratra iray akory aza tamin’ny tarehiny. Fa nisy inona teo ?
- Nahatsiaro tena naharary mihitsy aho teo, nefa izao tsy misy diam-pery akory. Tena nanonofy ratsy aho! Tena loza fa mihatra hatramin’ny nofiko ny adin-tsaiko.

Afaka fotoana elaela izy vao nivoaka tao amin’ny efitra fidiovana rehefa avy nisasa tarehy. Hitany avy hatrany i Mihary mijery azy tsara.
- "Hery an! fa maninona ianao?
Tsy niteny aloha ny lehilahy fa naka ny seza ary nanatona teo akaikin’ity marary.
- "Mihary an ! efa niteny ny dokotera fa mila maka aina tsara ianao ! Tsy aleo aloha matory ihany?"
- "Fa tamin’ny firy aho no
tonga tato amin’ny hopitaly?"
- "Tamin’ny valo sy sasany alina tany ho any."
- "Ary izao amin’ny firy."
Nojeren’i Hery ny famataran’ora teo an-doham-pandriana :
- "Efa amin’ny roa maraina."
Tsy namaly aloha i Mihary. Nakimpiny indray ny masony.

- "Hery an! … nitsangana tampoka ianao teo dia nitsirara tamin’ny gorodona. Asa, nihevitra ny ho atsy amin’ny efitra fidiovana angamba. Manana olana amin’ny resaka tosi-dra angaha ianao? Ianao nianjera tamin’ny tany no nanaitra ahy. Nikarokaroka ilay bokotra fiantso vonjy aho fa tsy hitako akory fa voatsindry tato ambany ondako tato. Tafatsangana ihany ianao ny farany dia naleoko niandry fa tsy niantso mpitsabo indray.

Tsy niteny i Hery fa nangina fotsiny, nisaintsaina izay nanjo azy. - "Tena tianao izy e?"
- " Izy iza no tianao hotenenina!" hoy i Hery.
- "I Alexia ! izay foana no anarana naverimberinao tamin’ianao nitsirara amin’ny tany teo."
Nanganohano ny mason’i Hery. Niondrika izy tsy sahy nijery intsony, menatra an’i Mihary loatra. Ary ny henatra eo ihany fa ny fahadisoana goavana naverimberiny no tena tsy tantiny.
Na dia nofy ratsy aza ny nahazo azy teo, toa hafatra miletra any am-pony any mihitsy. Ary tahaka ny kapoka maharary tamin’ny vatany akory aza ilay nofy ratsiny.
Tsy nanana eritreritra afa-tsy izao intsony izy: hitady an’i alexia, na inon-kihatra, na inon-kidona. Eny, na dia handaniany izay kely mba hananany aza. Tsy maintsy mandeha izy, tsy maintsy mahita ilay olon-tiany.
Nitsangana teo amin’ny toerany i Hery dia nivoaka ny efitra, namonjy seza fiandrasan’ny marary tao an-dalantsara. Alahelo tsy roa aman-tany no niainany.

I Mihary kosa, niverina tsikelikely tao an-tsainy ny hafatra voarainy nandritra ilay fotoana nameloman’i Hery azy. Toa nofy, nefa mitory ny marina entiny hiatrika ny fiainany any aoriana. Inona no maha-sarotra ilay iraka. Ary raha tsy vitany ilay iraka : inona no valin’izany?
…………

Na dia tafiditra anatin'ny nofy ratsin'i Hery aza Ratrema, ity farany kosa mbola very hevitra ary tsy mitombin-tsaina mihitsy na dia eo aza ny otra malefaka sy ny safosafo ataon'i Corine  azy.

 

- "Ratrema an ! « Laisse-moi faire, et laisse-toi aller! », hoy i Corine nibitsibitsika mora teo amin’ny sofiny.
  Tsy nanan-kolazaina intsony izy fa nanaiky tsotra izao ny otra nataon’i Corine taminy. Injay fa tsapany ny bokotry ny lobaka mivaha tsirairay. Iny indray ny tanan’ity vehivavy nisintona ilay lobaka hiala tanteraka amin’ny pataloha.
- "Corine an ! efa nilamina ange ilay adinay sy Malala iny e!"
- "Tsy ahoantsika letsy izany Ratrema an ! Tsy fantatr’ialahy akory izay ataony any lavitra tsy taka-maso any." Sady niodina teo anoloany i Corine no nanala ilay akanjo ivelany. Avy eo namaha tsikelikely ny lobaka fotsy nitafy ny hodiny. Toy ny tsy teo no nanalàny iny ary atin’akanjo mainty feno dantela manify sisa no nasarony ny nonony. Natosiny tamin’ny tongony ilay sezan-dRatrema misy kodiarana ary nikisaka kely nahazoany toerana malalaka tsara.
- "Mbola ao ve letsy ilay efitra kely fatorian’ialahy iny rehefa tsy afaka mody atoandro ialahy?" hoy ihany i Corine nanontany an-dRatrema.
- "Corine ann ! aza
tonga dia maika ny amin’izany aloha ianao? izao ihany no nahavoa antsika ilay tamin’ny farany teto."
- "Ialahy koa!" sady nitsangana izy nanokatra ilay varavarana dia niditra tao. Afaka dimy minitra dia nosokafany indray, sady ny fanondrony roa no navoakany teo niantso an-dRatrema tahaka ireny amin’ny sarimihetsika ireny.
- "Ratrema chéri ! Avia letsy fa efa voaomako tsara ny ato an!"
Tsy niteny Ratrema fa ny sezany no nitapikirany mafy. Tsy sahy handingana indray izy ka handrava ilay fifankatiavany efa nirehitra indray tamin’i Malala.
Tsy tratra fa nivoaka tao amin’ilay efitra i Corine, amin’izato bikany mahasarika ny maso; Ny nonony mameno tsara ny tatiny, ny bikany mbola mitana maharesy ireny tovovavy tsy dia mahakarakara vatana loatra ireny. Atin’akanjo mainty ambony ambany no nanaovany, somary mitaditady ny sisiny, ary zara raha takon-kenatra fotsiny fa dia entina hanintona lehilahy no tena andraikiny. Nanatona teo anoloan-dRatrema indray i Corine sady nandray ny tanany roa no nisintona azy hitsangana.
- "Avia letsy Ratrema an ! izaho ange izao efa ho iray volana sy tapany tsy nanao mihitsy e! Ny asa sy ny afera nefa tena manome « stress » mihitsy. Vao niantso ahy fotsiny ange ialahy teo dia nahatsiaro ny nataontsika fahiny aho e! Avia letsy an!"
Fiangotingotiana izany ka fiangotingotiana, notaritaritiny hanaraka azy tao anatin’ilay efitra Ratrema ary nasainy nipetraka teo ambony fandriana. Nampatoriany tamin’ny lamosina. Norokorohany ny tendany sy ny tratrany, nosafosafoiny hatrany ary nampidininy hanaraka ny kibony.
Novahany ny fehikibo sady nosintominy hiala, avy eo novahany koa ny bokotry ny pataloha, ary nampidininy moramora hiala. Ratrema rahateo nanampy tosika tamin’ny tanany.
Rakitra ny orokoroka tamin’ny vatan-dRatrema ; Ilay kalisaona sisa no teny aminy. Safosafo lavareny, orokoroka tsy tana mihitsy. Natsofok’i Corine tany anatin’ilay kalisaona ny tanany ilany, ny ilany manafosafo ny tratrany. Ny molotra miakatra mananika ny an-dRatrema….
- "Mody manao mafy loha an! hoy izy somary mihomehy nefa manoroka an-dRatrema ihany.
Nony afaka kelikely….
- "Andray letsy Ratrema, fa angaha letsy dia tena mafy mihitsy ity adin-tsaina mahazo an’ialahy. Izaho letsy eto manovokovoka mihitsy mamelona fa toa tsy taitra akory ny an’ialahy. Fa maninona ialahy ity e?" Sady niala i Corine no nitsangana teo anoloany.
- "Tsss ! izao ve letsy no ataon’ialahy. Ka raha tsy mitohana ko!" hoy ihany izy.
- "Miala tsiny !" hoy Ratrema namaly azy tamin’ny fahamenarana, Tena tsy fantatro mihitsy e ! ssshhh, raha mba tena fantatrao marina mantsy ny olana mianjady amiko!"

……..

Nanandrana namerina niantso an’i Hery ihany i Tahiana fa tsy nahazo azy. Farany, ilay laharan’ny findain’i Malala teo no nampidiriny tao anaty fitehirizan-daharanan’ny findainy.

- "Mba vehivavy tsy manana ny hajany koa ry Malala, resaka ohatr’izany ve no andaniana vola hiantsoantsoana aty, vadin’ny mpanankarena tokoa, tsy miraharaha izay lany fa dia heveriny ho maniry ohatry ny anana ny vola ao an-tranony. Tsy misy asa atao fa mandany andro mitety magazay Izany mihitsy ny mahatonga iny tsy menatry ny mampirafy. Shhh ! nahazo ihany izy nahazo an-dRatrema fa nahazo koa Ratrema sendra iny vehivavy iny. Atao ahoana fa namana tsy nifankafoy, nifampizara ny manta sy ny masaka, nifampitantaràna ny fiainana rehetra, noraisina ho toy ny rahavavy. Nefa… Tsy handefitra manana ny rariny aminy intsony aho fa ho hitako eo.
… Malahelo aho malahelo, koa maninona raha miverina, lazaina fa nilamina ny aminay sy Ratrema e ! efa hadino daholo ny nataonay taloha e ! nefa tsy miherina akory ny andro dia efa mampirafy sahady. Tsy ho fantatr’i Ratrema angaha moa izany nataony izany? Ho main’ny afo natsangany iny izao. Sshh, aleo tsy eritreretina intsony fa aza manody ny tahaka izany…"

Nidina tany ambany izy nikarakara sakafo, i Manitra rahateo tsy tao an-trano. Lasa eritreritra lalina izy ny amin'izay nahazo an’i Hery, fa maninona izy no any amin’y hopitaly?
 Ora vitsivitsy taorian’izany kosa tany Mahajanga tany,

Tsy naharitra nijanona teo amin’ny sezan’ny lalantsara akory i Hery. Niditra tao an’efitra indray izy, naka ilay seza nipetrahany teo. Ny rano no nosotroiny betsaka, hanala ny makafoka tany anaty vavoniny tany. Nahita tory ihany izy nony avy eo ary efa madiva haraina izy vao nifoha. Hitany i Mihary mbola renoky ny torimaso.
Nitsangana izy avy eo dia nanasa ny tarehiny tamin’ny rano mangatsiaka. Nanadio izay lotoloto rehetra tamin’ny efitra fidiovana. Fofona hafahafa no nameno ny efitra, notobasany tamin’ny rano mba hialan’izany. Vita tanteraka ny fanadiovana ilay efitra kely vao nivoaka tao izy :
I Mihary mbola matory no nobanjininy tsara sady lasa ny fisainany.
- I Mihary ve?
Vao nivaly ny bakalorea dia nahazo vatsim-pianarana ho any Amerika izy, nilamina ny antontan-taratasy rehetra dia lasa niampita ranomasina nianatra momba ny fitsaboana, ary nandalina manokana momba ny fananahana sy ny reny bevohoka. Valo taona izy tany foana. Nitazona ny fahadiovany ary voaporofo mihitsy.
Tsy nijanona tany fa nody an-tanindrazana, dia nahita ahy, dia tsy nisy na inona na inona fa nomeny ahy tsotra izao ilay fahadiovany tsy noheveriko akory. Dia diso aho teo, tokony nilaza taminy ny fiainako aho, nefa nahoana ary izy no tsy nanohitra na dia kely fotsiny aza tamin’ilay firaisana nataonay tamin’ny zoma hariva? Raha izaho manokana aloha dia tsy mba nievitra an’i Mihary ho virjiny izany mihitsy aho na dia kely aza. Nihevitra mihitsy aza aho fa olona niaina tany Amerika izany efa malalaka fomba fisainana, nefa nahoana?
Tsy afaka miala amin’izao manjo azy izao aho, ary tsy maintsy misy ny fanadihadiana ataon’ny manam-pahefana ny amin’iny loza iny.

Noraisin’i Hery moramora ny tanan’i Mihary, ary iny no nanaitra azy sy nampisokatra moramora ny masony.
- "Nanao ahoana ianao izay," hoy i Hery.
- "Mihatsara kokoa fa misaotra anao!" hoy i Mihary nanisy tsiky kely tamin’ny molony.
- "Faly aho rehefa tsy naninona intsony ianao. Tsy misy tokony hisaoranao mihitsy na dia kely aza, mifona aminao aza aho… sady latsaka ihany ny ranomason’i Hery, nanondrika ny lohany teo amin’ny tanan’i Mihary.
Tsy niteny aloha i Mihary fa ny tanany no nasafosafony tamin’ny tarehin’i Hery. Somary namafa koa ny ranomason-toloko sy fitarainana.

-fotoana ela no tsy naha-teto an-tanindrazana ahy. Tsy hoe tsy niaraka tamin’iza na iza aho tao anatin’izay fa nisy gasy izay niaraka tamiko, roa taona taorian’ny nahatongavako tany, nifanalavitra anefa ny oniversite nisy anay dia nifanoratra mailaka sy taratasy fotsiny no natao betsaka, ary zara raha isam-bolana vao mifankahita.
Ny Amerikana moa, hitanao ihany fa olona lava sy ranjanana avokoa, izaho hatreny amin’ny tratran’izy ireo, dia nihevitra ahy mbola zaza avokoa ny rehetra. Ny antontan-taratasiko koa tsy dia niparitaka firy. Ny fianarana rahateo no nataoko ho vaindohan-draharaha. Ary tsy nisy nampiraika ahy izay mpiara-mianatra tamiko.

Niaraka nandritra ny herin-taona teo izahay sy ilay bandy gasy izay, izaho foana no nandeha nankany aminy, zara raha in-dray mandeha ihany izy no namangy ahy. Ary isaky ny nifankahita izahay dia tsy nitady afa-tsy ny firaisana ara-nofo tamiko no ambetin-dresany. Tsy nanaiky mihitsy aho ary farany dia reko tamin’ny namako fa miaraka amina vazaha amerikana izay hono izy.
Tsy nanaiky mihitsy aho ny handry niaraka taminy satria nanana hambom-po be loatra, hambom-po amina safidy roa monja:
Ny voalohany dia ny hitazona ny fahadiovako ambara-pahatongan’ny fampankarana ahy. Ary ny faharoa dia ianao, ilay fitiavako voalohany.

Dia tampoka ny nahitako anao taty, dia naleoko nisafidy ilay faharoa, indrindra moa ianao hoe: mbola tsy manambady. Ny taona rahateo mandroso ihany.
Dia izay, izay ilay fahadisoam-panantenana taty amiko.
Valo taona lasa izay, tsy niova ny fitiavako anao na dia nafeniko aza. Na dia nosaromako tamin’ny fianarana foana aza ny fitiavako, ilay afo mbola nirehitra nitsilopilopy nanazava sy nanafana ny foko tao ihany.

Dia izao , izaho raiki-pitia taminao, nefa ianao raiki-pitia amin’olon-kafa, samy manana fitiavana mipololotra tsy mety maty isika fa tsy mitovy làlana.
Samy diso angamba isika satria tsy nilaza ny marina, (nanomboka nanganohano koa ny mason’i Mihary), Izay ry Hery no nahatonga ahy nanontany anao tamin’ny alina hoe : « tena tianao izy e? »
Fantatro avy hatrany ny valiny na dia tsy te-hiteny aza ianao !

Zavatra roa loha no tiako hotenenina aminao :
Raha tena tianao marina IZY dia hajao amin’ny fonao rehetra.
Voalohany amin’izany aloha, hajao ny tenanao. Aza mihevitra ny tenanao ho very fa mahaiza mionona amin’ny fiainanao: ajanony aloha ny filàn’ny nofo, mety anatra mikapoka anao ange izao manjo ahy izao e ! Dia sanatria ve sahinao ny hamerina izany amin’olon-kafa?
Mitandrema fa maro ny fakam-panahy, ary ianao dia manam-bika sy endrika, mety ho maro ny misari-zoro sy mitady hisintona anao hanaraka azy. Ka eo no ilàna ny fahamatoran-tsaina satria efa nilaozanao lavitra ny fahazazana.
Ary tadidio fa raha fantatr’i Alexia izao ataonao izao dia mety hamoy fo ihany koa izy! Mitandrema mihitsy mba tsy ho lavon’ny fakam-panahy indray ianao.

Ny faharoa dia tsy hiteny aho hoe : tia na tsy tia anao.
Marina fa mavesatra amiko ny fahadisoam-panantenana, fa tsy izany akory no hampijanona ny fiainako. Ary eo foana aho, hanampy sy hanoro hevitra anao. Raisiko ho adidy ny hanitsy anao amin’ny làlana marina. Fa apetrako kosa fa tsy hanana firaisana ara-nofo aminao intsony aho…
 Tampoka, nisy nandondona tao am-baravarana,
tonga dia niditra ny dokotera sy ny mpitsabo mpanampy.
- "Dia ahoana Dokotera? Nanapa-kevitra ny handao anay tampoka angaha ity ianao?" hoy ilay Dokotera nanao fizahana sady mananihany ihany. "Tsy izahay irery ange no hilaozanao fa i Madagasikara mihitsy e!"
Raha tsy nisy izao tovolahy mirijarija be izao dia efa tsy nisy azo natao na inona na inona intsony. Ka dia nanao ahoana aloha izato Dokoteranay e?"

Tsy niteny i Mihary fa nitsiky fotsiny tamin’ilay hanihany nataon’ilay dokotera.
- "Ka inona izao no atao anao?"
- "Manao ahoana anefa izy io dokotera," hoy i Hery nitsatsaingoka ;
- "Iza izao no tena mahalala izany fa izaho ange mijery ivelany fotsiny e!"
- "Ka inona no fanafody tianao hosoratako ato dokotera? sady nitsapa ny tosi-dra ihany izy.
- "Mody ihany izao no fanafody hitako fa tsara indrindra.! hoy i Mihary ;
- "Ha, ha, ha!" hoy ilay dokotera nihomehy. "Ianao ity koa mampihomehy ahy mihitsy. Tsy maintsy misy ny fepetra tokony harahina ; mino aho fa ho avy tsy ho ela ny polisy hanadihady ny zava-nitranga ; amin’ny tahaka izao koa dia tsy maintsy misy mpitsabo hafa manamarina fa efa mitombin-tsaina ny tra-boina sao dia mamerina indray ka loza ! vita izay… tsy maintsy hotazominay roa na telo andro eto aloha ianao fa mba namanay hangalanay hevitra e!"

Nivaloharika i Hery, tsy nahateny fa natahotra akory aza. Toa misamboaravoara indray ny kibony.
- "Ary ny tovolahy nefa manao ahoana?"
- "Izy aza no tena marary kokoa noho izaho Dokotera," hoy Mihary namaly, vizana koa ny fahitako azy, mila jerena kely fa nandoha tampoka, mety nahatelina ranomasina koa angamba dia izay no tsy zakany.
- "Manaraka ahy any amin’ny biraoko izany izao hojerena tsara. Efa nisakafo moa ise io?
- "Tsia tompoko!" hoy i Hery.
- "Ka izay ange no mahavoa anareo e! eny e ! Andao fa hojerentsika izay manjo an’ise"

Tsy nahatobin-tsaina intsony i Hery, nitaintaina izay tsy izy satria hiafara aminy izao loza manjo an’i Mihary izao. Tsy amin’izay fitsaboana ny tenany ny sainy, ary na ny sakafo nohanininy aza tsy tsaroany intsony.
Vao niverina tao amin’ny efitranon’i Mihary izy dia indreo Polisy roalahy efa manao fanadihadiana sy mametraka fanontaniana amin’i Mihary.
- "Mandroso ianao Andriamatoa ! ianao mihitsy izao no nandrasanay ;
Nidobodoboka tsy misy ohatr’izany ny fon’i Hery. 


 Tadiom-pitiavana (tadiom_pitiavana@yahoo.fr) 
Pejy 43
2006/05/19,10:22

Tsy nahateny akory i Hery, zara izy raha nahavoalaza hoe « aty amin’ny hopitaly aho » dia tapaka ilay antso. Nantsoiny indray i Tahiana fa tsy nety azony intsony. Kivikivy ihany izy niverina tao amin’ny efitry ny marary. Ilay findainy rahateo koa ritra herin'aratra ka tsy afaka narehitra intsony.

Very hevitra ny amin’ity nataon’i Mihary izy. Tsy nampoiziny mihitsy ny tahaka izao. Tsy mba malaky kivy izany mihitsy raha i Mihary araka ny fahalalany azy. Izy aza no anisan’ny mpampitraka ny namany, kanefa, dia miova tokoa ve ny toetran’ny olona hoy izy rehefa miha-lehibe. Fa dia naninona loatra ary i Mihary?
Nahatsiaro tena ho diso i Hery, nanenina tanteraka tamin’ny tsy fahatsiarovan-tsainy. Tsy nampoiziny ho tahaka izao ny ho fandehan’ny tantara. Nihevitra izy mantsy fa mbola tahaka ny fisakaizàna tamin’ireo namany fahiny ihany ity indray mitoraka ity, kinanjo…

Lasa saina teo izy niandry an’i Mihary eo am-parafaran’ny hopitaly. Nojereny tsara I Mihary toa tsy mahatsiaro izay manodidina azy. Reraka ny endriny sady  toa hatsatra tampoka. Ny tanany havia mitsindrona fanjaitra mitondra ny serôma mitsitaitaika miditra moramora amin'ny vatany.

Eo am-pibanjinana an’i Mihary izy no nandefa tsy nahy ny sainy tamin'ny  fahazazany. Tadidiny ny fotoana niarahan'izy sy Mihary nianatra voalohany. Mbola zaza saina tokoa aho tamin’ireny hoy izy. Niditra ny kilasy faharoa, tamin’izay rahateo vao nanomboka niara-nianatra ny lahy sy ny vavy, i Mihary nianatra tany amin-dry Masera foana hatramin’ny naha-kely azy tsinona moa I Hery nianatra tao amin-dry Mompera, dia raikitra tamin’izay ny fifangaroan’ny fianarana; Samy nitondra izay fahaizany avy any avy. Nifandany an-kolaka tamin’ny fahaizana; niady mafy ny ho voalohany. Dia rehefa samy tsy nisy resy sy naharesy dia niray làlana, niaraka tamin’ny fotoana tsy nampoizina. Mody niaraka fa tsy tena niaraka, nefa nampitsiry tampoka ilay afom-pitiavana voalohany tany anatin’ny tsirairay izany.
Toa fotoana nandalo ireny nahavarimbariana azy roa ireny, nisongonan’ny sasany izy ireo, ary samy tsy
tonga saina raha tsy efa avy nijery ny valim-panadinana. Dia notapahina teo ilay saika ho doria, ary tsy nisy nifamela ny mamy na koa ny mangidy fa ny hahatafitàna ny bakalorea no natao tanjona. Lasa tany Amerika moa i Mihary nony avy eo nanohy ny fianarany ary izao indray izy roa vao nifankahita. 

Raha lasalasa saina teo izy nijery ny lasany, indro fa somary nihetsika kely ny rantsan-tanan’i Mihary, nahita izany i Hery dia noraisiny tsimoramora. Nofeheziny sy nomeny hafanana ilay tanana mangatsiaka saika fefiky ny rano teo.
Tsy niala teo amin’ny tarehin’i Mihary intsony ny masony. Indro nanomboka nitsirempirempy, toa taitra tamin’ny torimasony.
- "…Fa aiza aho izao?"
- "Aty amin’ny hopitaly ianao fa aza mbola miteny mafy aloha Mihary an!"
Tsy niteny i Mihary, ny masony no nahirany nijery ny manodidina. Tsapany ny hafanan’ny tanan’i Hery nanotra malefaka ny sandriny.
Raha sendra nifanojo ny mason’izy roa, dia niraraka moramora ny ranomasony. Nifokofoko nitomany nefa nampanginin’i Hery tamin’ny safosafo sy tambitamby.
- "Mihary an! mbola vizana be ianao fa aza manao toa io e!
- "Hery an ! Tsy fantatro intsony izay nahazo ahy, tsaroako ho diso fanantenana tanteraka aho ary nahita ilay ranomasina mangeniheny dia niroboka tsy ampiheverana akory."
- "An, an, ry Mihary an ! aza alefa amin’izany intsony ny sainao fa mbola eto aho ary tsy handao anao mihitsy."
- "Hery an ! … Tsy fantatrao ny tena
antony…" hoy i Mihary, nisento tokana izy sady nampikimpy ny masony tsy hijery intsony…

Toa fantsika niletra ny fon’i Hery izay teny farany izay. Teny nampitroatra ny nenina tany anatiny. Teny nikapoka sy nively ny sainy. Ary toa nipoipoitra nanodidina azy ny hadalàna rehetra nataony hatramin’izay. Tsy mandry mihitsy ny eritreriny, isaky ny mandefa sary ao an-tsainy dia tsy nisy afatsy zava-dratsy nataony no nameno ny fijeriny. Naka ilay seza fiandrasana marary izy dia nitoetra teo. Nanala izay sorisorin-tsainy nameno ny atidohany.
Afaka fotoana elaela dia resin-tory izy noho ny fahavizanana be nahazo azy.

_________________________________

Tsy hitan’i Hery akory fa nisy olona niditra tao an’efitry ny hopitaly.
Tonga dia nandray ny vozon’akanjony no nibata sady nanipy azy tamin’ny tany. Tsy nahaetsika akory izy. Ilay olona misaron-tava, tsy fantatra na iza na iza. Vao nitsikasina tamin’ny tany dia nampiany daka mandrivorivo indray teo amin’ny kibony. Nanaintaina tsy nisy ohatr’izany ny fahatsapany azy.
Totohondry izany, tsy nanana hery intsony izy hiadiana fa tratry ny tampoka tsy maha-lehilahy. Vao niarina kely anefa izy dia notsetsefan’ilay olona totohondry mafy indray teo amin’ny tarehiny; nidaboka tamin’ny tany izy avy eo, sady mbola voadakadaka tsy nananan'ilay olona antra.
- "Fantatr’ialahy amin’izay hoe iza aho?"
- "Mifona re tompoko o ! mifona e !" hoy i Hery mitomany, ny tarehiny mivindimbindina sy mivoara-mena, ny vavany tsapany fa mivoa-dra.
- "Izao no anaovako an’ialahy rehefa tsy vanona. Mpamitaka sy mihevitra ny tenany ho tsy misy mpahita. Mbola aiza ny hanjo an’ialahy?"
- "Mifona sy mibaboka re tompoko o! aza ampijaliana aho re!"
- "Tsy misy an’izany leity an! Iny indray ny an’ialahy …" Sady nobatainy i Hery no nasiany totohondry farany ary natsikasiny teo ambany fandriana nisy an'i Mihary. Niezaka ny hiarina izy fa tsy nahavita. Izay mba hery kely tany anatiny tany no namikirany tamin’ny tongom-pandriana, niezaka mafy nitsangana nanakatra ny tanan’i Mihary.
Nihomehezan’ilay lehilahy fotsiny anefa izy fa tsy noraharahiany.
Mbola niezaka hatrany ny hitsangana ihany anefa i Hery. Ny masony amin’io efa mivindana mila tsy hahita intsony. Vao naharay ny tanan’i Mihary izy dia niantso vonjy taminy,
- "Mihary an ! Mihary an ! Misy manafika isika e, Vonjeo !" hoy i Hery tamin’ny feo reraka dia reraka.
Rehefa hitany fa tsy nandre azy mihitsy i Mihary fa renoky ny torimaso lalina dia nijery ilay lehilahy izy. Gaga i Hery, toa nofy ratsy izato mahazo azy. Ilay lehilahy etsy mbola mitsikanikany mijery azy sady nanala ilay saron-tava.
- "Ratrema marina ! loza ity." Ny hery am-pelantanana tsy misy intsony. Ilay tanany teo voakifika sady teha-maina mandrivorivo no nipetaka tamin’ny tarehiny.
- "Mihary an ! mifona e !" hoy i Hery mitomany ihany.
- "Hay izao no ataon’ialahy ? sao dia heverin’ilahy fa ekeko foana ny ditra ataon’ialahy?"
- "Tsia re tompoko o ! manina an’i Alexia foana aho rehefa tsy eo izy!" sady nidradradradra nitomany hatrany.
- "Iny ny an’ialahy," hoy i Ratrema ! "Ny zanako tsy azon’ialahy antsointsoina intsony raha mbola eto aho." Sady nomeny daka mandrivorivo indray tamin’ny takibany ary nampitsikasina an’i Hery. Lavo izy, nitsirara tamin’ny tany.
Hany heriny, niantsoantso :
- "Vonjeo aho Alexia an ! mifona tamin’ny nataoko anao rehetra e!"

Tsy nanana aina intsony i Hery fa fanina tsy nahatsiaro tena;
Raha tsy afaka fotoana elaela vao nisokatra ny masony. Ny taila fotsin’ny hopitaly no lasa ondana ipetrahan’ny firihifany. "Fa nanino aho? " hoy izy nanontany tena.

 Tadiom-pitiavana (tadiom_pitiavana@yahoo.fr)

Pejy 42
2006/05/16,06:06

Na dia naniry ny handeha ho any Mahajanga mihitsy aza i Tahiana, hamonjy an’i Hery hitantaràny ny resaka nifanaovan’izy sy Malala. Dia ilay olon-kafa no voatery nandeha satria mbola misy asa izay tsy azony navela koa. Nalahelo izy fa naniry loatra ny hahita an’i Hery.  Ny nahagaga anefa dia tsy sahy nanambara mihitsy tamin’i Lala ny nataon’izy roa izy, eny fa na dia ny nanavotany an’i Hery teny Ivato aza. Zava-dehibe loatra taminy anefa ny zava- niseho nandritra izay fotoana tsy naha-teto an-toerana an-dRatrema mianakavy izay ary tiany hijanona ho tsiambaratelo ho azy sy Hery samy irery.

Vao nigadona tany an-trano izy dia…, injay fa naneno ny findainy.
- “Allo Tahiana!”
- “Lala ! Manao ahoana indry?”
- “Tsara ka, tsy maninona mihitsy izahay aty, hatramin’izao aloha dia mbola mahazaka ny hatsiaka izy mianadahy kely. Tsy misy atahorana. Ary tsy dia entiko mivoaka ny trano loatra.”
- “Ary nanao ahoana anefa i Alexia?”
- “Efa mandroso miha-tsara koa izy ka. Mampisaotra an’Andriamanitra mihitsy.”
- “Hay, tsara izany!”
- “Eto aho akia vao mahatsiaro. Tamin’izaho ilay narary ilay nivadi-nono iny, tadidin-dry moa? Ny nahafantaran-dry hoe narary aho moa tsy i Hery ve? Tena hadinoko tokoa fa hay moa isika nifanena teny Ivato talohan’ny nandehananay. Dia tonga teny koa i Hery fa tena naharikoriko be ahy. Mamo, sady nila ady tamin-dRatrema. Noraofin’ny polisy izy avy eo. Nahita iny ve ndry?”

Nisalasala kely i Tahiana, tsy nahateny. Tiany tsy ho fantatr’i Malala ny fifaneraseran’izy sy Hery.
- “an ! Tsy hitako aloha e! tsy nahatsikaritra izay aho, sady vao nisaraka teo ange isika dia lasa aho tamin’iny e ! Fa maninona akia?”
- “Tsy haiko akia fa toa malahelo azy aho an! Tsy haiko mihitsy hoe maninona. Isaky ny manao firaisana aho na manafosafo ny tenako dia ohatran’ny tsy mahazo aina raha tsy mieritreritra azy, mieritreritra ny nataonay roa.
- “izany an!” hoy i Tahiana nihomehy.
- “Aza ihomehezan-dry aho fa tena izany mihitsy. Amiko akia ny fahitako ny atao hoe lehilahy « sexy » dia tahaka an’i Hery an ! Vao mahita azy fotsiny aho hatramin’ny voalohany dia te-hanao be taminy. Ohatran’ny miontana izany daholo ny any anatiko rehetra any te hitady azy. Ary rehefa tonga eo am-pandriana indry miaraka aminy dia tsy mahatsiaro izay ambonin’ny tany intsony fa tahaka ny mitsingevaeva eny amin’ny rahona sy ny habakabaka.
- “Ka izy koa ange soavaly voafantina e! Bandy ohatran’iny ve akia!”
- “Soavaly voafantina ahoana izany?”
- « Etalon » akia an! Ndry koa tsy mahazo resaka.
- “Marina izany!”
- “Fa izany eo ihany fa maninona anefa izy raha antsoin-dry e! angaha tsy ananandry ny laharan’ny findainy?”
- “Ka eo indrindra no tena olako. Tsy fantatro intsony izay nanjo azy, mety nogadrain’ny polisy angamba izy, na koa nivarilavo niboboka toaka. Tsy haiko intsony e! Matahotra koa aho ny hiantso azy. Vao miezaka ny mamerina ny laharany fotsiny aho dia efa midobodoboka ny foko. Manginy fotsiny raha sendra tafiditra famelan-kafatra eo dia hitaintaina tsy misy ohatr’izany. Ary indrindra moa fa raha sendra ny hoe « tsy miasa intsony io laharana io» dia hivadi-po eo indray aho. Rain-janako ange iny ry Tahiana e! Ary izahay rehetra ange sisa no mba azony ianteherana ! Ny raibeny sy ny renibeny any ambanivohitra lavitra any, tsy mahalala izay nataony any Antananarivo any akory. Ary ny tena loza dia Ratrema tsy te-hierika azy intsony
- “Dia ahoana nefa hoy i Alexia?”, hoy ihany i Tahiana manatsafa.
- “Misy tsy mazava amiko amin’izy roa! Tamin’i Alexia notsaboina tany amin’ny hopitaly, nitady foana an’i Hery. Izao indray izy anefa nilaza fa hijanona aty fa tsy hody intsony, hanohy fianarana. Ny fifankatiavan’izy roa sisa no mba hianteherako hahitàna an’i Hery. Tena miangavy aho akia an ! Raha mba sendra hitan-dry izy dia ilazao aho, ity ny azon-dry iantsoana ahy. Tena malahelo ange akia e ! Ary tsy malahelo fe malahelo fotsiny fa tena misy filàna tsy haiko tanana intsony.”
- “ Fa angaha indry tsy mahita hanaovana any e!”
- “Misy bandikely izay akia aty fa mbola votsavotsa be izy an ! Kilometatra maromaro no mbola  hodinganiny vao tody amin’ny fahaizan’i Hery izy. Izaho aza mbola mampianatra azy. Nihevitra aho fa mba hanadinoako ny sorisoriko amin’i Hery no niarahako taminy, nefa vao mainka aza malahelo ilay tiako aho.”
- “ Dia inona anefa no tiandry lazaiko aminy raha hitako tampoka izy. Azoko atao ange ny mitady azy any am-piasàny e!”
- “Ilazao fotsiny izy fa malahelo mafy azy i Malala. Dia ampiasao ny fahaizan-dry mandangolango azy fa tsy ho resin-dry lahatra eo ve izy e! Dia mitandrema fa mitaintaina fatratra aho amin’izay niafaràny. Raha sendra hitan-dry izy nefa efa potika tanteraka na sanatria namono tena, tsy fantatro e! dia mba ilazao moramora aho fa aza tonga dia tairina. Izay Tahiana an!”
- “Eny ary e! tsy dia afaka hampanantena be aho fa ezahiko aloha ny hitady azy ao amin’ny orinasany; dia hitako eo. Izay ! Veloma ary Malala an ! Bisous be!”
...
Aza matahotra indry ry Malala fa azoko amin’ny fahalemen-dry amin’izay indry androany. Tanteraka eto amin’izay ny valifaty ataoko amin-dry. Ary efa am-polontaonany izay no niandrasako izao. Nandefitra foana aho fa ho hitan-dry amin’izay ny hijinja izay nataon-dry.

Valifaty tahak’izany no nisesika tao an-tsain’i Tahiana, ho vitany ve, ahoana no hanatanterahany ny sitrapony? vitany ve ny hampisaraka tanteraka an’i Hery amin’ny fianakavian-dRatrema. Hitako eo izay hataoko rahampitso, fa aleo aloha aho hatory hoy izy fa ny alina tsinona hono mitondra fisainana.

Noraisiny indray ny findainy. Nosokafany ny bokin-daharana tao dia nalefany ny antso. Natohony tamin’ny sofiny ny finday : naharitra elaela kely vao nisy nandray.
- “allo!”
- “allo!”
- “Hery? i Tahiana ihany.”
- “Tena miandry ny antsonao mihitsy aho io. Loza fa tena tratry fahasahiranana lehibe mihitsy aho. Efa niala any Tanà angaha ianao io?”
- “Fa ahoana?”
- “Rehefa tonga aty ianao dia miresaka tsara isika fa manahirana be ny mahazo ahy.”
- “Tena miala tsiny ry Hery fa olon-kafa no nirahin’ny farmasia nankany, fa izaho tsy maintsy mijanona.”
- “Tssss ! dia mbola manirery aty aho izany ! inona ary izao no hataoko?”
- “Fa ahoana ry Hery an!”
- “Aty amin’ny hopitaly aho izao! mbo…. Krkrrrr krrrk…..kkrrr “
- “Allo ! Hery ? allo…. ! kkrrr kkrr ppîîîîîp.”

Tapaka ny antso. Fa nisy inona. Naverin’i Tahiana indray. Tsy nahazo intsony. Fa ahoana? Vaky ny sainy ary taitra tampoka izy. Any amin’ny hopitaly i Hery! toa nisendoatra be ny fahenoany azy. Loza izany ! hoy izy fa misy inona ary?
---------------------
 - “Fa aiza i Neny no tsy mbola tonga foana ry Profesora Mahefa? Isan’andro izy amin’ny 10 ora maraina fara fahatarany dia efa tonga mamangy ahy aty. Izao anefa jereo efa amin’ny 1 ora antoandro. Sao mba diso làlana ary izy ka very any. Ny laharan’ny findainy tsy mba nomeny akory, izy koa anefa tsy miantso.”
- “Aza manahy ianao Alexia a! Izaho niserana tany an-trano naka akanjo io maraina io dia tena mbola natory mihitsy izy. Izaho aza no niangaviany hanatitra ny ankizy.”
- “Fa naninona? Tsy mba fanaony mihitsy izany matory maraina izany, olona faran’izany mavitrika raha i Neny.”
- “Tsy haiko retsy a, mety naditra angamba ny ankizy ny alina tontolo, na koa reraky ny niantsena izy, dia mety nampian’ny hatsiaka ka malaina ny hitsangana eo am-pandriana. Tsy maintsy ho avy eo izy fa aza manahy ianao.”

Somary nangina i Mahefa toa lasa saina izany. Sarotra inoana tokoa ireo mety ho antony notantarainy an’i Alexia ireo. Nefa dia ireo no antony nolazain’i Malala taminy. Tsy mino i Alexia, maika moa fa i Profesora, izay nahatsikaritra trangan-javatra hafahafa raha niserana tany io maraina io? Fa inona tokoa ary no nitranga?

Vao maraina nangirandratsy i Tojo dia efa niainga hamonjy ny fodiany fa mbola hianatra koa avy eo. Maivamaivana ery ny famindrany, ny hatsiaka koa nampavitribitrika azy na dia zara raha nipoizin-tory aza izy. Naharitra ela tokoa ny faharetan’ny lalaon’izy sy i Malala iny alina iny. Avy eo mbola narahina resaka lavabe ifankahalalan’ny roa tonta bebe kokoa. Samy nitantara ny ambangovangom-piainany teo. I Tojo moa tsy dia mbola nisy nivaingana ho tantaraina afa-tsy ny olany teo anivon’ny ray aman-dreniny, ny fahombiazany tamin’ny fianarany, ny karazam-pitadiavam-bola efa nosedrainy. I Malala indray somary nitantara ny tantaran-tokatranony, indrindra indrindra ny amin’i Alexia, Vololona, Ratrema. Nolazainy koa fa i Mahefa no tena rain’i Alexia, saingy ampahafantarina azy izany amin’ny fotoana mahamety azy. Niangavy tamin’i Tojo izy noho izany mba tsy hamoaka izany na amin’iza na amin’iza aloha. I Tojo sy Alexia koa moa tsy mbola nifankafantatra rahateo. Tsy notononiny mihitsy kosa ny anaran’i Hery sy ny momba azy, eny fa na dia amin’ny maha fofombadin’i Alexia azy ihany aza. Tsy nitsangana teo am-pandriana mihitsy i Malala, nasainy nakaton’i Tojo mora fotsiny ny varavarana. Oroka mamy no nifanoloran’izy ireo ho mariky ny mandrapihaona. Dia iny izy nibonoka tanaty lamba mafana, nihodina kely dia renoka.

Mbola tao anaty torimaso tanteraka i Malala no niditra ny trano i Mahefa. Tsy mbola zatra i Malala hoy izy ka adinony ny nanidy ny varavarana, soa ihany fa mihidy ny any amin’ny farany ambany. Nijaikojaiko izy niditra tao andakozia nanao dite. Nino izy fa mbola natory daholo satria na hiakan-jaza iray aza tsy re. Olona faran’izay tia filaminanana raha i Mahefa, hany ka tsikariny avy hatrany ny fisavoritahan’ny seza tao amin’ny trano fihinanana, saingy ankizy moa no ampiantranoiny ka tsy dia nahoany loatra. Nisintona seza iray izy hipetrahany, nisotro ilay dite anomezana hafanana kely ny vatany, no sady nisaina ny mety ho fizotry ny tontolo androny. Somary niondrika ambany ny fijeriny, natopiny kely niankavia avy eo, hitany lambakely dentelle fotsifotsy indry etsy amin’ny tany. Noraisiny, nodinihiny akaiky, toa tsy madio, nohamboloiny, misy fofon-tsiranom-pitiavana. Gaga izy, nefa tsy te hamisavisa izay mety ho nitranga. Lasa nankany anefiny izy avy eo. Vao maika akory ny hatairany nahita an’i Malala nandry tamin’ny farafarany? Taitra koa i Malala fa toa nandindona azy ny fidiran’i Mahefa ny efitra. Sadaikatra avy hatrany izy satria tsaroany tampoka fa ny vatany anaty lamba mihanjaka tanteraka. Hitan’i Mahefa avy hatrany koa ny akanjomandriny eo amorontongom-pandriana. Tsy nanontany i Mahefa, moa i Malala nanesika hoe naditra ny ankizy alina …. I Mahefa koa tsy te hiditra lalina na dia nametra-panontaniana ihany aza izy tany antsainy tany.

Natahotra an’i Mahefa i Malala, fantany loatra ny maha-olon’ny moraly an’i Mahefa. Nanahy tanteraka izy sao ho rava ilay fomba nandraisan’i Mahefa azy hatramin’izay: tia rahavavy, tsara fitondran-tena, nahay nitaiza, fitondran-tena tsara no notahafin’i Alexia. Fantany fa tsy fahamendrehana ihany koa ny nanaovany firaisana tamin’olona teo ambony farafaran’ny Mahefa. Raha fantatry Mahefa hoy izy tany antsainy tany izay olona niaraka tamiko tato de asa fotsiny izay hanjo ahy.
Niangavy an’i Mahefa mba hanatitra ny ankizy izy nony avy eo fa hoe handeha metro hono izy hoany amin’ny hopitaly. Tsaroany ny fahatahoran’i Tojo an’i Mahefa, tsy misy hevitra hoy izy ny amin’i Tojo, mbola tsy lasa lavitra aho. Mbola azoko atao tsara mihitsy ny mihemotra. Nitopy tany amin’i Hery ny sainy, nanao ahoana tokoa izy any? Rehefa niheritreritra kely teo izy dia tapa-kevitra ny hiantso an’i Tahiana hanadihadiany izay nanjo an’i Hery.
- “Allo Tahiana!”


Tadiom-pitiavana (Madagasikara) tadiom_pitiavana@yahoo.fr & Loulou (France) ralouloune@yahoo.fr

Pejy 41
2006/05/15,10:16

Raha dia sahirana tamin’ny nahazo azy tany Mahajanga i Hery, Ratrema kosa aty Antananarivo somokotra aok’izany miezaka mafy ny miavo-tena hanarenana ny orinasany. Tsy natory andro izy, tsy natory alina. Nivezivezy nanatona izay  olom-pantany rehetra. Nifampiantso an-telefaona. Nitady hevitra hanarenana ny eo am-pelatanany.
Manakaiky ny Krismasy, ny taona efa hifarana. Tsy azo atao hoe mandeha, nefa tsy azo atao hoe mihisatra ihany koa ny varotra. Ny kely izay tombony ho lany hanefaina ny karama fahateloambinifolo volan’ny mpiasa. Very hevitra izy. Ny fananana efa lany tamin’ny fandoavana ny hetra. Tampoka taminy koa iny resaka iny ary ny loza dia tamin’ny fotoana tsy naha-teo azy no niantombohany. Tsy afaka ny hanome tsiny na iza na iza anefa izy. Na ireo mpitantana nametrahany fitokisana aza tsy afa-nanoatra noho ny antony maro tsy niafina taminy hatramin’izay.

Dia ahoana ny hilazàna amin-dry Malala sy Alexia hoe namidy tampoka ny trano tao Ivandry. Asa tokoa, fa raha mbola misy koa ny farany dia tsy ho foana akory ny fanantenako, hoy Ratrema tany anatiny tany. Mbola manana telo volana aho ary raha tratrako ao anatin’ny telo volana ny mamerina ny vola naloan’ilay namako nividy ny trano, miampy ny zana-bola efa nifanarahanay dia miverina amiko ihany izy io. Asa anefa, apetraka amin’Andriamanitra ny ho avy hoy izy nanohy ny teny ireriny anakampo.

Nisy hevitra nitsiry tampoka anefa tonga tao antsaina ary avy hatrany izy dia nandray ny findainy:
- “Allo ! …..Corine?”
- “Ratrema! Inona ny vaovao. Elaela indray ialahy tsy niantso ahy an! Ka ahoana ?”
- “Tss ! sahirana e! Fantatrao angamba fa tsy maintsy nandao tanindrazana kely aho teo fa narary mafy nalefa any Frantsa ilay vavimatoa.”
- “Dia nanao ahoana? ialahy letsy tsy niantso ahy mihitsy,” sady nanao feo niangoty ilay ramatoa.
-“Tsy maintsy nandeha aho ..., efa vita ny fandidiana sady mbola any ny reniny. Fa na izany aza…” Nisento tokana Ratrema… “sshhh”
-“Fa na izany aza ahoana Ratrema an! ialahy koa… Sao dia resaka tsy vita an-telefaona izany. Aleo mihitsy aho ho any amin’ialahy. Tsy mbola any Ankorondrano ialahy io?”
- “Ie ! izay mihitsy, tongava fa tsy vita eto ny resaka tiako hatao aminao.”
- “Resaka momba ny inona aloha e! sao dia adim-pianakaviana fa ialahy ange izao efa ho iray volana sy tapany tsy niantso ahy intsony, taorian’ilay isika nananona be iny e! Fa angaha tena nihitatra be tsy azo nalamina?”
-“Tss ! ianao koa ! tsy maninona ho’aho fa tongava fotsiny aty.”
- “ Eny ary e ! ho avy any aho izao dia izao fa aza matahotra.”

Tsy hitan-dRatrema intsony izay azony natao, i Corine angamba no fanantenana mety ahitany vahaolana amin’izao mianjady aminy izao. Fantany tsara ny fomba fiharian’i Corine, vehivavy mahay manao afera ikoizana ary tena sahisahy manao zavatra. Tena hainy ny mandangolango ary anisan’ny babony tamin’izany i Ratrema tamin’ny fotoana tsy nampoiziny.
Loza koa iny resaka iny, zara aza voalamina fa raha tsy izany, hoy i Ratrema toa miteny irery anaty nony avy eo. Atao ahoana fa mijinja izay nafafiny avokoa ny rehetra. Ity tokoa hoy izy no tonga amin’ilay fitenenana hoe  « izay mamafy rivotra hijinja tadio». Tsy maintsy mitraka anefa aho, hoy ihany izy nankahery tena fa ny fiainana tsy maintsy mitohy. Olombelona mandia tany aho ary tsy maintsy solafaka fa ny fihezahako mitraka ary mibanjina ny ho avy no fanoitra lehibe hoentiko misedra izao fahasahiranana goavana mianjady amiko izao.

Tsy ela taorian’izay, Naneno ny telefona teo anoloan'i Ratrema. Tsy iza akory no niantso tao fa i Mme Sahondra, mpitan-tsoratrany ihany nilaza fa efa tonga ao i Mme Corine. - " Ampandrosoy avy hatrany izy" hoy i Ratrema dondona ery. Tsy ampy iray minitra monja taorian'izay, i
njay fa nisy nandondona tao am-baravarana. Nitsangana izy namoha ary indro i Corine mitsiky sady nanolo-tanana azy.
- “Mandrosoa!”  hoy Ratrema sady nifanolotra takolaka teo izy ireo dia niditra tao amin'ny biraony.
Akanjo mihaja sady raitra no nanaovan’i Corine, tena manendrika azy tanteraka. Vehivavy bikana sy tsara tarehy koa moa izy ka dia tena nahafinaritra ny nitombana azy. Ananany rahateo ny vola ka azony avokoa izay  karazan’akanjo lafo vidy tiany ho vidiana. Manginy fotsiny ny fandehanana miampita ranomasina sy ny fanamboarana tarehy. Mora aminy ny maka izay tiany halaina sy misarika izay tiany hanaraka azy.

Nakaton’i Ratrema ny varavarana ary dia samy naka toerana izy ireo.
- “Dia ahoana letsy Ratrema ! Inona indray izao olana tsy hain’ialahy vahàna izao e!”
- “Sshhh ! Tena olana goavana, ary tsy resaka ara-pianakaviana araka ny noheverinao azy teo!”
- “Olana inona ary izany e!”
- “Banky ry Corine ny orinasako an! Voatery tsy maintsy namidiko ny fanananako, resaka Bianco no niantombohany. Lasa tsy ampy intsony ny vola hanakaramàna ny mpiasa nefa ny andro ity efa akaiky Krismasy.”
- “Le aza! Efa nampitandrina an’ialahy aho ange letsy tamin’io resaka io e! Fa ialahy nihevitra fa akaiky ny filoham-pirenena nefa mila mitandrina fa tsy afaka hanavotra an’ialahy izy raha vao tratra eo.”
- “Olana goavana le izy ry Corine an! Ny ankizy izao tsy misy mahalala akory fa efa namidiko ny trano tany Ivandry. Dia tsy maintsy hiditra eo amin’izay ny resaka olana ara-pianakaviana.”
- “Dia inona letsy no azoko atao amin’izany?”
- “Niantso anao aho fa misy mangirana kely ihany araka ny nieritreretako azy. Manana telo volana aho mantsy hamerenako ny volan’ilay olona nividy ny tranonay. I Rafenomanana letsy ilay izy an! Tsy ny tontalin’ny vidin-trano rehetra anefa no nomeny fa izay tena nilaiko ihany, izy koa mbola tsy ampy ny tany aminy. Ka raha toa ka voaveriko alohan’izay ny vola rehetra sy ny zanabola dia ho avotro ihany ny tranoko. Izay no nahatonga ahy tsy nilaza tamin-dry Malala aloha.”
- “Gaigy be izany an, nefa misy mahamarina azy ihany ny an’ialahy. Fa na izany aza, ny trano nahalehibeazana ny ankizy letsy tsy fanao mihitsy ny mivarotra azy raha tsy ifampieràna an!”
- “Ka izay ilay afera eh! Rehefa tratra dia manefa. I Alexia moa amin’izao mbola  marary any an-dafy ka tsy sahy manakotaba an’dry zareo amin’ity resaka ity mihitsy aho aloha amin’izao fa sao dia vao maika hanahirana eo.”

Gina samy tsy nisy nahateny aloha izy roa nandritra ny fotoana vitsy. Toa samy miady saina lalina amin’izay hevitra tokony hatao. Ny tanan-dRatrema no nalefany  nankany aoriana hanotra ny hatony. Nahita izany i Corine dia nitsangana koa, niodina nanatona azy sady nanampy otra malefaka ny sorony.
Naka aina Ratrema. Tsaroany fa raha i Malala no nanao azy tahaka izao dia mety hampitony bebe kokoa ny fanaintainany. Any amin’ny amanarivorivony  kilometatra any anefa no misy ilay Malalany. Tsapany ny hafanan’ny tarehin’i Corine manatona ny lohany, manoroka ny tarehiny. Ary avy ao aoriana ao manakatra ny molony. Somary niala kely izy.
- “Corine an ! tena miala tsiny aho fa tsy amin’izany intsony ny saiko ! Aza tsiny re fa mety hanahirana indray e!”
- “Ratrema an ! izaho tonga eto hanala izay sorisorim-piainana mianjady amin’ialahy na dia amin’ny ampahany fotsiny aza.” Tahaka ny notazominy ny lohan-dRatrema dia notakariny moramora ny molony. Ny tanany roa midiny hatrany hanafosafo ny tratrany…

Tadiom-pitiavana (tadiom_pitiavana@yahoo.fr)

1 2 3  Manaraka»
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype