Tao anatin’ny fotoana indray mipi-maso Ratrema no tonga saina tampoka:
- "Manana ny zoko aho," hoy izy, "manana ny zoko hiantso ny mpisolo vava ahy. Tsy azonareo sambotsamborina tahaka ny mpangalatra aho. Zoko ny miantso ny mpisolo vava ahy izao dia izao."
- "Ianao ity ve rangahy mitapy an! efa olona tratra ambody omby izao ianao mangala-badin'olona ka hoe manana ny zoko aho, ..." hoy ny vadin’i Corine somary nohetanin-katezerana.
- "Manana ny zony tokoa izy," hoy ilay vaditany nanamafy, fa na izany aza, ny fahatratrarana azy dia midika fa azon’ ny polisy entina avy hatrany hanaovana fanadihadiana any amin’ ny kaomisaria izy. Zon’ny kosa araka izay voalazany ny miantso ny mpisolo-vava azy."
Tsy namaly intsony moa ny vadin'i Corine taorianan'izay fa dia niandry izay ho tohiny teo sisa. Ny masony amin'io mivandravandra any amin'ity vadiny mifokofoko mitomany.
Noraisin-dRatrema haingana ny telefaona, niantso avy hatrany ny mpisolo vava azy izy. Rehefa niresaka elaela teo izy dia nanaiky ihany i Ratrema ny ho entina any amin’ny kaomisaria fa any no ifanaovan’izy ireo fotoana. I Corine kosa amin’io mbola nitohy nitomany ihany. Ny manjamasony amin'izany rava daholo sady nitakosina tamin’ny tarehiny. Nofafafafana fotsiny no niafarany.
Afaka folo minitra, indreny ry zareo nivoaka ilay trano fitaratra be eo Ankorondrano misy ny biraon'i Ratrema. Nandray fiara dia nizotra nankany amin’ny kaomisaria teny Tsaralalana.
Natao ny fametrahana fitoriana, nalàna am-bavany ary samy niaiky ny heloka vitany ny tsirairay. Tonga avy eo ny mpisolo vava an-dRatrema, nanambara ny zony sy ny tokony hataony, ary nametraka ny onitra tokony haloany mba ahafahany mivoaka faran’izay haingana indrindra. Zony ihany koa ny hampitoetra ho tsiambaratelo izao zavatra mitranga izao mba tsy hiseho imasom-bahoaka.
Voaloa avokoa ny vola rehetra, dia nisaraka teo ry zareo, Ratrema niaraka tamin’ny mpisolo vavany, i Corine mivady kosa lasa nody.
Niverina tany amin'ny biraony indray aloha i Ratrema naka ny antontan-taratasy mbola tsy vita izay tokony entiny mody. Injay fa naneno ny finday. Noraisinay:
- "Malala an!" nisento fotsiny Ratrema
- "Allo!"
- "Eto ihany aho Malala an! manao ahoana ianareo rehetra any?"
- "Tsy misy maninona aloha hatramin’izao, vita ny fety, izahay salama tsara avokoa. Fa fantatrao ihany ny antony iantsoako. Ratrema an! efa te-hody mafy mihitsy ange aho izao e!"
- "Eny Malala an! tena fantatro mihitsy, fa manana olana goavana be mihitsy aho aty, mbola tohin’ilay olana tamin’izaho tany! Raha mba niaraka tamiko taty mantsy ianao, mety tsy ho tahaka izao mahazo ahy izao ny fitrangan-javatra, ny mason-dRatrema amin’io manganohano ihany."
- "Ratrema an! fa misy inona e?"
- "Omany ny entana amin’izay ry Malala an! aleo mody amin’izay ianareo fa malahelo ny zanako aho! Malahelo anareo rehetra."
Faly aok’izany i Malala nandre ny feon-dRatrema nitalaho taminy ny hodiany amin’izay. Tsy andriny intsony ny ahatongavan’ny andro maraina hanaovany ny famandrihana ny toerana hiverenany an-tanindrazana.
- "Ratrema an! tena tiako be mihitsy ianao ! tsy andriko intsony ny ahatongavako any hanampy anao! Izay chéri an!"
- "Izaho koa mbola tia anao foana ry Malalako," hoy Ratrema sady latsa-dranomaso no nanapaka ny antso.
Niondrika teo ambony birao izy sady nifokofoko nitomany, nidradradradra irery tsy nisy nandre. Nalahelo mafy ary nanenina tamin’izay nataony.
Tahaka ny akoholahy voakapoka Ratrema nandeha nody, ny antanam-botsitra ny nantenain-tsy azo. Tsy kivy anefa ny lehilahy, tsy maintsy hitako foana izay vahaolana amin’izao krizy mandalo amiko izao hoy izy nankahery tena.
Nalahelo mafy ny ankohonany izy, tsy lalim-paka tahaka izao ny fitiavany ireo zanany hatramin’izay, fa nony injay lavitra azy dia toa manembona mafy ny fony te-hahita azy ireo sambatra ery eo anilany.
___________________________________________
Tany ampitan-dranomasina ny ampitson'io:
Endrika falifaly sady miramirana no nifohazan’i Malala tao am-pandriana, Nahavatra nifoha maraina mihitsy izy hiomana sahady handeha. Handeha ho aiza anefa?
Gaga izy raha nandalo ny lalantsara, nahita an’i Alexia nivoaka ny efitranon’i Mahefa, vao avy nifoha mihitsy.
- "Manao ahoana i Neny?"
- "Manao ahoana, natory tsara, fa angaha ity indry tao no natory," hoy Malala somary taitra.
- "Ie! tato amin’i Dada aho no natory tamin’ny alina…"
- "Fa nisy inona?" hoy i Malala sady nanokatra ny varavarana, hitany i Mahefa matory eo ambony seza lava, mitafy bodofotsy, ny fandriana kosa hita fa vao nialàn’i Alexia vao fotoana vitsy.
- "Fa inona koa ary ity mampisendaotra an’i Neny, ka tato aho no natory dia izay."
- "Fa angaha ity indry tsy manana ny efitranon-dry? sady notaritarihiny i Alexia hanaraka azy hidina ny tohatra, alazako amin-dRain-dry fa ataovy tsara, mitady hanararao-p…"
- "ssshhhhh, fa ity Neny ity ve adala e! inona ny fahadisoako amin’izany, ary i Neny izany ange manomboka miheritreritra zavatra hafa mihitsy e!"
- "Fa misy inona indray e!" hoy i Mahefa etsy ambony mitazana azy mianaka!
- "Fa inona no mahatonga an’i Alexia natory tao aminao, nefa ny efitranony malalaka?"
- "Ka tsy nandeha tsinona ny hafanana tao amin'ny efiny dia naleoko nafindra tao amiko izy no natory."
Tsy niteny i Malala, nangina fotsiny. Lasa izy nirintona tany an’efitra hafa. Toa menatra ihany nefa . Fotoana vitsy monja dia nivoaka indray…
- "Eny e ! tsy maninona izany, fa ianareo moa izany efa mifandray am-po tsara, dia ilazako fa handeha amin’izay izahay telo mianaka. Hamandrika ny toerana amin’izay aho rehefa avy eo! Ratrema mihitsy no niantso ahy mba hiverenako amin’izay. Halefany ny vatsy an-dalanay. Azoko atao ve ry Mahefa ny miantso an’i Tojo hiaraka amiko hikarakara ny famandrihantoerana androany?"
- "Ka maninona moa raha afaka izy", hoy i Mahefa.
Nangingina tsy nisy nifampiteny tao an-trano, i Malala toa manjetoka izany, tezitezitra fa asa mihitsy izay nahazo azy tampoka teo.
Nantsoiny tamin’ny telefaona i Tojo, avy koa dia nanaiky ny anao lahy.
Adim-pamantaran’ora iray dia tonga izy. Tsy be resaka fa dia andao fotsiny vao vita ny arahaba.
Nifampiresaka nilamina tamin'izay i Alexia sy Mahefa nony lasa kelilkey i Malala sy ny ankizy.
- "Dada an ! fa maninona kay i Neny no nanao toy ireny."
- "Ireny anaka no atao hoe fon-dreny, mitranga tahaka ireny izy indraindray. Ka naleoko tsy niteny mihitsy mba hanalàny ny fony."
- "Tsy azoko!" hoy i Alexia.
- "Malahelo izy satria amin’ny maha reny azy izay dia saro-piaro izy rehefa mandao azy ilay fitiavan’ny zanany azy. Tonga dia azoko avy hatrany izany teo, isika mianaka rahateo moa mifandray am-po be, dia mahatsiaro ho voailikilika izy, manirery ka nanaitra ny fony ianao natory tato amin’ny efitranoko tamin'ny alina, eny e ! misy fahadisoako ihany ilay izy, nefa tratry ny tampoka koa aho tamin’iny. Eny anaka, mbola ho tsapanao koa izany rehefa lehibe, rehefa…"
Notapahin’i Mahefa tampoka ny teniny, tsaroany fa i Alexia ange ka tsy afaka intsony ny hanana anaka na oviana na oviana satria efa nalàna taminy ny tranon-janany. Hadinony hatramin’izay izany fa dia faly sy nikorana tamin-janany foana no nataony. Navadiny haingana ny resaka:
- "Eny e! trangan-javatra mpiseho ireny fa andao hiresaka zavatra hafa isika mianaka."
- "Ohatran’ny mahatsiaro diso ihany aho ry Dada teo, hay izay tokoa ilay fon-dreny, tsy maintsy mbola ho tsapako izany rehefa lehibe ny zanako any aoriana any. Sa tsy izany ry Dada?"
Sanganehina fotsiny i Mahefa, tsy nahita havaly, hay izay resaka tranon-jaza zay mbola olana goavana mila vahana ! Tsy maintsy ho fantatr’i Alexia na ho ela na ho aingana ny tsy fahampiana aminy, ny toe-batany iray manontolo mihitsy no hiova ary tsy maintsy ho tsapany koa!
- "Alexia, zanako izany, tsy maninona ve raha hiresaka zavatra hafa isika mianaka?"
- "Resaka toy ny inona moa ry Dada!"
- "Asa, tsy mampaninona ve ny miresaka Hery?"
- "Hery, Hery, fa maninona no tian’i Dada horesahina ny momba azy."
- "Asa tokoa, fa aleo tonga dia tsoriko e! mahare izay anarana izay foana aho tato ho ato, ary tamin’ny alina ohatra dia « Hery » no nantsoitsoinao ka nanaitra ahy. Ka asa, ataoko angamba fa fotoana izao. Ny hany fantatro mantsy dia ny hoe fofombadianao hono izy ary efa vita fisehoana ianareo. Asa, mety malahelo azy angaha izany zanako izany?"
Nisento indray mandeha fotsiny i Alexia, dia nifampijery izy mianaka, nanomboka nanganohano ny masony.
- "Azafady izany zanako izany, sady nahankiny tamin’ny tratrany ny lohan-janany, nampalahelo anao indray aho!"
- "Tsy maninona izany Dada an! fotoana koa angamba izao!"
- "Fa angaha tsy afaka mifampiresaka ianareo?"
- "Tsy haiko intsony ! Tsy fantatro intsony koa, nanofy ratsy aho tamin’ny alina hoe nandao ahy ho any amin’ny mandrakizay izy, fa tao anaty nofy fotsiny. Izy nilatsaka tany anaty hantsana no taitra tampoka aho, iny niantsoatso nanaitra an’i Dada iny."
Tamin’izay no nanomboka nilatsaka ny ranomason’i Alexia.
- "Dada an ! misy manjo azy any lavitra any matoa aho manofy tahaka ireny. Ary ny laharan’ny findainy efa tsy miasa intsony ."
Nitomany i Alexia, nanafosafo ny lohany no mba azon’i Mahefa natao.
- "Tsapako mihitsy izany anaka, tena tsapako tokoa, tadidio fa efa niaina ny mafy tahaka izany tokoa aho, indraindray aho taloha, nanofy mihitsy hoe nianjera teny amoron-tevana i Vololona, izaho no nitaty azy avy ety ambany, indraindray nanofy hoe : nofaon’ny fiara izahay….. mafy koa anaka ny nentiko nandritra ny roapolo taona mahery izao, fa dia indro ianao eto anilako eto, tony ny foko manana anao, ka aza malahelo intsony ny fonao fa eto foana aho izany zanako izany."
- "Eny e!" hoy ihany i Alexia mifokofoko, ekeko tokoa ny teninao, fa manana ray azoko itokisana aho, nefa tsy mety afaka ato an-tsaiko ilay fijeriny farany ahy tao anaty nofiko.
Nisento fotsiny i Mahefa, nandrasany aloha i Alexia hanala ny fony teo an-tratrany.
Tadiom-pitiavana ([email protected])
Naka rivotra teny amoron-tevana i Alexia sy Hery tamin’io harivariva io. Na dia nisy soratra aza teo nandrara azy ireo fa tsy azo ipetrapetrahana dia toa tsy nahasakana azy roa ny hankafy ny tsio-drivotra malefaka sy ny hakanton'ny tanàna tazany tery ambany izany.
Nony tafapetraka anefa dia samy nangina tsy nisy niteny izy roa. Toa samy mandinika ny ho aviny angamba, na koa nisaintsaina lalina ny fiainany avy sy izay vita hatrizay. Nitsangana tampoka i Alexia nony avy eo sady niteny tamin’i Hery hoe:
- "Hery an ! efa tena mangatsiaka aho, tsy aleo ve mody amin’izay isika?"
Tsy niteny i Hery fa nibanjina azy fotsiny aloha…
- "Tsy maninona," hoy izy, "andao ary hody fa na izaho koa aza mahatsiaro mangatsiaka aty amin’ny lamosiko aty!…"
Raha nitsangana iny anefa i Hery dia nibolisatra tampoka ary nikorisa nankeo amin’ilay moron-tevana. Ny tanany sisa no namikitra tamin’ny sisin-bato. Ny vatany efa mikiraviravy any amin’ny hantsana; Taitra sady nikoropaka i Alexia niezaka namonjy ity olon-tiany sady niantsoantso hoe:
- "Hery an ! omeo ahy ny tananao, haingana…"
Tsy afa-nanoatra i Hery, ho latsaka ihany izy raha vao manala ny tanany amin’ilay vato namikirany. Ny fony midobodoboka mafy aoka izany, tsy sahy nitodika nijery izay taoriany.
- "Hery, samboriko avy eto ny tananao… Hery an ! matahotra aho."
Raha iny nisambotra ilay tanan’i Hery iny i Alexia, no avy hatrany dia nihongotra teo amin’ny toerany ilay vato namikiran’i Hery teo, nikoropaka izay tsy izy iry roa, nifampisintona, niezaka ny hifamatotra mafy amin’ny tanany.
- "Hery an ! mavesatra be…. Mila tsy ho zakako, maharary ahy ny tanako ! Hery an !!!"
- "Alexia an ! maty aho fa aza avelanao, aza avotsotra fa mamikitra mafy aminao aho."
Tsy nanahetsika aloha izy roa nandritra ny fotoana fohy, nefa ny fisinton’ny hozatra amin’io tsapa niha-mavesatra sy manaintaina ihany.
- "Hery an ! maharary be ny soroko, mila tsy ho tantiko intsony ! Hery an!..." sady nanomboka nangovitra ny feon'i Alexia.
- "Andraso aloha Alexia! hiezaka hamikitra amin’itsy vato itsy aho," hoy i Hery nanomboka nangovitra ihany koa.
Tsy nanantsafidy i Hery fa avy hatrany dia nanala ny tanany ilany tamin’i Alexia ary dia niantsampy tamin’ilay vato teo akaikiny...Azony ihany, namikirany, nefa vao nizaka ny lanjany rehetra ity vato iray hafa ity dia niongotra ihany koa. Tsy nisy azon'i Hery natao intsony fa dia nianjera tamin'ilay tevana izy.
- " Maty aho Alexia, maty aho, vonjeo aho Alexia a..."
- "Hery !!! nnnoooooooooonnnnnnnnnn ! aza mandao ahy ianao ! aza avelanao irery ety ambony ety, sady nikiakiaky nitomany mafy izy niantso ny anaran'i Hery. Niezaka nanarangarana ilay tevana nianjeran'i Hery izy saingy toa maizina ny fahintany ny manondidina azy. Tsy mampino hoy izy tany antsainy fa dia maty ilay olontiany. "inona no hataoko Andriamanitro o!" hoy ihany i Alexia nidradradradra nitomany sady niezaka niala hiakatra hamonjy ilay lalan-kely teo ambony.
Taitra izy ary tafarina tampoka. Gaga izy fa eo ambony fandriana ny tenany fa tsy teny amoron-tevana akory. Teo vao tsapany fa hay nanonofy ratsy ny tenany. Ny zavatra tsy fantany anefa dia fotoana fohy talohan'ny nifohazany teo no nitrangan'ny lozam-piarakodia tamin'i Hery aty Madagasikara. Nahatsiaro nangatsiaka aok’izany izy ary dia nanamboamboatra ny lamba norakofany. Nampirehetiny ny jiro, nojereny ny manodidina azy. Niverina nandry moramora indray izy nony avy eo sady nisaintsaina lalina ity nofy ratsiny.
- "Hery, fa nisy inona, inona ny fambaran’iny nofy iny. Misy manjo azy ve any?"
Tamin’izay fotoana izay indrindra no novoahain’i Mahefa ny varavarany. Asa na naheno zavatra na nanao ahoana izy tany amin'ny efitra fatoriany tany. Nirehitra rahateo koa moa ny jiro tao amin'i efitranon'i Alexia ka tsy naharitra izy fa nanontany anjanany:
- "Fa maninona ianao anaka, ary toa mangatsiaka be ato aminao izany? tsy mandeha angaha itsy fitaovana itsy?"
tsy niteny i Alexia fa toa varimbariana izany na dia mitopy tany amin-drainy aza ny masony. Ndao hatory any amiko hoy izy tamin'ity zanany vavy fa mangatsiaka be ato aminao izany sady nosintoniny moramora hiarina teo ampandriana i Alexia.
-"Dada an ! mangatsiaka aho, nanofy ratsy be aho teo dia izay no nahataitra ahy!"
- " Efa fantatro mihitsy anaka fa nisy zavatra nahazo anao dia izay no nahataitra ahy. Henoko nikikiaka sady niantsoantso anaran’olona ianao teo,..."
- " Anaran'iza no henonao? Hoy i Alexia
- " Tsy dia henoko mazava tsara ilay izy fa ny kiakikanao no tena nanako tao antsofiko fa Aleo aloha aho hanao rano mafana vetivety ho sotroinao." Sady nivadika nankany an-dakozia nanomana rano mafana tamin'ny vata famanana hosotroin'i Alexia izy.
Lasa fisainana irery teo i Alexia nandinika ny zavatra niainany tao anaty nofy. Dia sanatria ve hoy izy ka misy zavatra manjo an'i Hery any lavitra any e?.
Na dia tsy nivaky fa naheno ny Anaran'i Hery aza i Mahefa dia lasa ihany koa ny sainy sady nanontany tena fa dia inona loatra no manjo ity zanany ary iza loatra izao "Hery" tafititra any anaty nofin-janany izao. Iza ary hoy izy no azoko hanontaniana momba ity Hery ity. Ny zanako ve ? sa i Malala ?
------------------------------------------------------------------------
Tany amin'ny hopitaly nisy an'i Hery aty Antananarivo:
- "Tahiana an ! mifohaza amin’izay fa efa maraina ny andro!"
hoy i Fano nibitsibitsika teo amin’ny sofiny.
- "Fa amin’ny firy izao?"
- "Efa amin’ny fito sady norohany tamin’ny takolaka ihany ity olon-tiany."
- "Tsy nahita tory mihitsy aho raha tsy efa nadiva haraina ny andro."
- "Nitondra sakafo maraina ho anao aho, ahoana, nanao ahoana nedala io?
- "Tsy nisy niova aloha, fa mbola tsy dia misy ahiana raha izao."
Tamin’izay no niditra ny efitra i Mihary sy ilay dokotera mpandidy maso. Nijery sy nizaha ity marary mbola tsy mahatsiaro na inona na inona.
Natao aloha ny fifampiarahabàna sy ny fifankafantarana, avy eo nivoaka ny efitra i Fano, mody niala teo imason’ny olona rehetra, asa, mety maro loatra koa angamba ny olona tao ka naleony nivoaka.
Nosokafan’ilay dokotera ny mason’i Hery, notarafiny….
Naka fanafody tao anaty kitapony izy dia nahosony teo ivelan’ny tata-maso. Avy eo norarahany fanafody mitete goty vitsivitsy tao anatiny. Nandrasany kely dia nojereny sady notarafiny indray.
- "Mbola tsy mahatsiaro tena izy ka fanafody hampitony ny fanaintainany fotsiny aloha iny nataoko iny. Izy ihany moa no ahafantarantsika izay manjo azy, fa manomboka izao dia aleo saronana lamba mainty ny masony sao dia tsy tantiny ny hazavana be rehefa mihiratra eo izy!
Izay Dr Mihary, antsoinao indray aho rehefa mahatsiaro tena tsara ny marary."
- "Misaotra Dokotera!" hoy i Mihary namaly moramora.
Tsy te-hanontany zavatra hafa aloha i Mihary, ilay dokotera rahateo mbola manana ny asany izay mbola sahaniny any amin’ny sampan-draharaha hafa ka teny an-dalantsara izy no nifampiresaka izay tokony hatao sy izay mitranga marina.
Vao lasa i Mihary sy ilay Dokotera, iny i Fano niditra sady nanontany an’i Tahiana:
- "Nanao ahoana?"
- "Nanao ahoana ahoana moa? hoy i Tahiana somary nanjetoka. Fa ny tsy azoko ry Fano dia izao, ianao ange no tena havany akaiky! nefa maninona ianao no ohatran'ny mialangalana izany. Tsy hita indraindray, lasa tampoka, tsy tamàna ato mihitsy. Toa tsy taitra akory ianao nilazako fa tratran’ny lozam-pifamoivozana i Hery."
- "Tsss ! ianao koa! raha nialangalana aho ve dia hiverina eto amin’izao!"
- "Ka izay indrindra, angaha izy manana havana intsony, tsy ray, tsy reny, ianao izao no mba havany akaiky, tsssss, tsy azoko indraindray. Izahay ange ka namany fotsiny e!"
- "Namany fotsiny an!……….. raha izany tokoa moa…………… i Hery, i Hery foana, i Hery hatrany no ambetin-dresakao hatramin’izay niarahantsika, fa inona marina ny ny fifandraisanareo e! Ianao milaza fa naman’ny rafozan’i Hery, nefa omaly alina, ny zana-drahavavinao milaza fa olon-tiany i Hery, nefa ange i Hery efa vita fisehoana amin’i Alexia e! Izaho mihitsy aza nanatrika tamin’iny fotoana iny. Izaho aloha tsy mahalala izay tantarany an!
- "Ka izay mihitsy, tsy fantatrao izay tantara marina. Fa ity ianao miala tampoka no loza, nefa dia havanao akaiky."
- "Ahatsiarovako tantara ratsy foana ny tahaka izao, dia izay no mahatonga ahy tsy miroboka lalina, ianareo koa moa mazoto dia avelako hikarakara azy tsara, ary isaorako anareo be dia be! Fa na izany aza, sarotra ny manadino ny tantara nitranga rahafa raikitra ao am-po tsy afaka mihitsy ary nitondra takaitra teo amin’ny fiainako."
- "Fa tantara inona indray izany," hoy i Tahiana somary sadaikatra.
- "Tsiambaratelon’ny fianakaviana izany, ary tsy hambarako mihitsy fa mankarary fo fotsiny…"
Tsy nifampiteny intsony izy roa, nangina ny efitrano. Ny sakafo moa no noloarana hihinanan’ity mpiandry marary. Ary afaka fotoana elaela….
Injay fa niverina niditra tao i Mihary, niverina niaraka tamin’ny dokotera hafa. Tsy tapitra teo akory ilay disadisa kely tamin’i Fano sy Tahiana, fa mody nifampianjonanjona tsy nifampiteny aloha…..
- "Izy no dokotera hikarakara an’i Hery amin’izay, hoy i Mihary, fa izaho moa nanavotra aina no nataoko, sady diso toerana rahateo i Hery ato amin’ity efitra ity fa entina any amin’ny sampan-draharaha tokony hisy azy amin’izay izy.
Mody nitsaitsaika hivoaka indray i Fano, fa tonga dia nosintomin’i Tahiana tamin’ny tanany hijanona sady nivandravandrany!
- "Efa ho avy any ny mpitsabo mpanampy rehetra hitondra ny marary, hafindra any amin’ny rihana ambony mihitsy izy izao," hoy ilay dokotera teo…
Tamin’izay indrindra anefa no nihetsika kely ny ratsan-tanan’i Hery, avy eo toa nimonomonona feo malefaka izy hoe :
- "Alexia ! … ampio aho…… avia Alexia…"
Nikoropaka i Mihary nijery azy, i Tahiana koa nitsamboatra mihitsy teo amin’ny seza nipetrahany. Nefa tsy nitohy intsony ilay fiteny, nangina indray ny iray trano.
- "Tsy Tonton Fano izao no hijanona hiandry ny marary? aleo angamba izahay sy Tahiana hody aloha … efa io ny Dokotera hanampy anao amin’izay ilaina rehetra."
- "Eny tompoko," hoy i Fano tsy naka sarotra, sorisorena koa natsoin’i Mihary hoe « tonton »
Iny fa lasa nivoaka ny efitra izy mirahavavy mianaka. Vao teo amin’ny lalan-tsara anefa dia hoy i Mihary :
- "Tahiana an ! tsy azoko atao ny mijery fotsiny amin’izao fa vao mahatsiaro tena eo i Hery dia tsy maintsy Alexia no hany hotadiaviny."
- "Fa ahoana?" hoy ny iray.
- "Izay fotsiny e ! fantatro avokoa ange ny tantara rehetra e! Fantatro fa manana ny laharana ahafahana miantso azy indry fa tsy te-hanome an’i Hery fotsiny. Izany foana no ambetin-dresany tamiko."
- "Ka misy antony ao, tsy tiako mihitsy ny handratrana ny fony rehefa any aoriana."
- "Azoko tsara izany, fa miangavy an-dry mihitsy aho mba omeo azy izay laharana izay rehefa ary saina tsara izy. Te-handeha izy, dia aleo alefa handeha. Aleo omena azy izay tadiaviny."
- "Ka efa hoe…"
- "Aza asiana izany Tahiana an! raha misy ny zavatra tadiavin’i Hery voalohany dia i Alexia! ka tsy mampaninona izay mety hitranga fa omeo azy re! miangavy an-tanan-droa mihitsy aho!
- "Dia ahoana anefa ny amin-dry, tsy vao alina ve i indry no nilaza fa tian-dry izy? Hoy i Tahiana somary nanao fijery miahotra.
Nisento fotsiny i Mihary, tafajanona tamin’ny toerana nisy azy mihitsy izy, nefa nandefitra amin’ity rahavavin-dreniny. Naleony tsy niteny. Naka poketra tao amin’ny birao fotsiny i Mihary dia niaraka nivoaka ny lalan-tsara izy mirahavavy mianaka.
Vao hivoaka ny vavahadin’ny hopitaly anefa, injay fa nisy fiara nampaneno ny anjomara tao aorian’izy ireo :
- "Dr Mihary. Andeha ho aiza ianareo izany? Ndao hateriko?
- "an, an, an, efa nivonona ny handray fiarakaretsaka etsy izahay fa tsy maninona Dr Harinaivo an!"
- "Tena tsy olana amiko mihitsy ka, afaka ateriko ianareo, jereo ange ny masonareo e! vizana dia vizana, hita mihitsy fa tsy nopoizinin-tory."
Nitsiky fotsiny i Mihary, somary menamenatra. Ka atao ahoana moa, ny maso no tsy mahay mandainga indrindra amin’ny tenan’ny olombelona fa hita taratra eo avokoa ny fihetsikao rehetra ; mbola saika handà ihany i Mihary nefa nodomin’i Tahiana tamin’ny sorony, dia nanaiky niditra tsy zazoka tao anatin'ilay fiara. I Mihary no teo aloha, i Tahiana kosa naka afovoany tao aoriana.
- "Dr Harianaivo an ! ity rahavavin-dreniko ity mbola tsy maintsy mandalo atsy amin’ny farmasia atsy fa haka fialan-tsasatra kely no hampilaza ihany koa, ka tsy mampaninona anao ve ny mandalo any?"
- " Tsy mampaninona mihitsy ka! Fa hono ho’aho, fa inonareo tokoa moa io tra-pahavoazana io ry zareo?"
Asa izay nahazo an’i Tahiana fa saika izy no hisolantsolana hiteny avy hatrany saingy ny an'i Mihary no tonga aloha nanao hoe:
- "Havana akaiky izy io ka! zana-drahalahin’ilay Mr.Fano teo izy ary ho vadin’izato ramatoa ato aoriantsika ato. Moa izy rahateo mpiara-mianatra tamiko tamin’ny mbola kely!"
Tsy niteny i Tahiana fa ny masony no navandravandrany tamin'’i Mihary izay nangalam-pijery kely tany aminy fotsiny.
- "Hay ve?", hoy ilay dokotera,…"eny e ! mafy avokoa rehetra tratran’ny tahaka izao, fa ny anareo moa ry zareo havana, sady efa andalam-pahatsaràna rahateo koa. Fa ny ahy tamin’izany……… ssshhhh, efa lasa izany fa tsy afaka averina intsony."
- "Fa inona moa izany Dokotera?"
- …ny ahy, efa fofom-badiko teo am-panomanana raharaha izahay no tratry ny lozam-piarakodia koa. Tsy tonga tany amin’ny hopitaly akory dia nafoy ny ainy. Efa nofo mangatsiaka no novantaniko tany amin’ny hopitaly. Raha mba teo aho mantsy tamin’izay… mbola mety ho avotra ihany ... sshhh, efa lasa ho’aho izany, tsy saintsainina intsony. Efa ho 3 taona lasa angamba izay."
- "Mampalahelo izany tantaranao izany dokotera. Miala tsiny raha nampahatsiaro ny fiainanao ny tranga aminay fa atao ahoana moa, izay ilay fiainana."
- "Dokotera an!" hoy i Tahiana, efa tsy ilay farmasia iasako ka tsy maninona fa apetrakareo fotsiny aho sady mety ho elaela koa. Misaotra betsaka nanatitra ahy taty."
Vao nijanona ny fiara dia nanolotra ny tanany i Tahiana, nifanao veloma.
Lasa avy eo Dr Harinaivo sy Dr Mihary nanohy ny diany.
Teny an-dalana:
- "Ary ianao hono mbola tsy manambady? azafady fa lasa tampoka ny vavako!
Menamenatra fotsiny i Mihary.
- "Fa ahoana no nahafantaranao izany"
- "Nalaza be tao amin’ny hopitaly mihitsy ange ny fiverenanao an-tanindrazana e! izao sy izao, hono ny mikasika izany, manam-pahaizana be nikoizana mihitsy fa na ny amerikana aza efa nandokiroky hampijanona azy tany…"
Tsy nisy niditra tamin’ny sain’i Mihary izay noresahin’ity namany dokotera, ny fahavizanany koa moa nanefika azy, moa ity olana mianjady amin’i Hery mbola babeny ao an-damosiny. Toa nanenina ihany anefa izy ny tsy nilazàny fa olon-tiany ange i Hery. "olon-tiako tokoa ve?" hoy izy niteny anankampo.
Rehefa tonga teo akaiki’ny tranony ny fiara dia nolazain’i Mihary fotsiny hoe :
- "itsy ny tranonay fa misaotra betsaka Dr Harinaivo an!, misaotra betsaka nisahirana tamiko. Mandra-pihaona fa antsoiko ianao raha vao tokony hijery an’i Hery" Niala ny fiara izy, nandeha moramora, niditra ny trano, ny reniny no hitany tao an-dakozia.
- "Neny an ! tena torovana tanteraka aho, sady napetrany ny poketrany…….. hiakatra any amin’ny efitranoko aho an ! hatory aloha ? misy zavatra azo hohanina angaha?"
- "ndana ary aloha maka aina izany zanako izany fa ateriko any ny dité mafana hosotrin-dry."
Vao tonga tao amin’ny efitranony izy dia nidaboka teo ambony fandriana. Nanganohano ny masony, niraraka tsimoramora ny ranomasony sady tsy tanany intsony fa nifokofoko nitomany izy.
Tadiom-pitiavana ([email protected])