- “Aza manahy ianao ry Alex fa ho tanterahiko ny fanirianao... Hidinika amin'i Mama aho rehefa tonga izy, dia alamintsika ny resaka. Ary andao aloha hatory fa mbola hiasa aho rahampitso...”
- “Sabotsy anie rahampitso ry Hery e!”
- “Hay moa? marina raha haiko intsony! Tena very mihitsy anie ny saiko tamin'iny omaly iny fa tsy hainao e ”
- “Oh! tsapako dia tsapako tokoa izany rahavako, kanefa atao ahoana moa? Ny hangatahako aminao fotsiny dia aoka izay zavatra nitranga rehetra hijanona ho antsika ihany. Tsy tokony hisy hahalala izay tantara rehetra izay ny havanao, na ny reninao aza... Ekena fa zafikeliny izany i Toky, raha ny marina, nefa tsy tsara ho fantany izany vis à vis an'i Papa... Azonao ve?”
- “Azoko tsara mihitsy ry Alexia a...”
Dia nilamina indray aloha ny tamin'iny. Rehefa avy niresaka tamin'i Mama aho, dia faly ery izy nandre ny fanapahan-kevitro hoe hanambady amin'izay. Efa may ery Rafotsy ny hanan-jafikely. Efa tapaka izany fa amin'ny sabotsy faran'ny volana izao no hatao ny fisehoana ary efa nanaiky Ratrema. Dia nifankahita foana izahay sy Alexia isan'andro fa naleonay nifankahita tany antoeran-kafa. Naleonay nihataka an'i Malala aloha, izay nitaraina tsy salamalama foana tao ho ao. I Ratrema no matetika mijanona ao an-trano mikarakara azy sy ny zazakely.
Andro vitsy tato aoriana anefa dia tonga niandry ahy tao am-piasana ingahy lehibe, efa nampoiziko ihany aloha satria i Alexia efa niteny tamiko fa te hifampidinika amiko alohan'ny raharaha ny rainy ka dia niandry ny antsony aho kanefa tsy nisy...
- “Manao ahoana Rahery?” hoy izy nitsikitsiky..
- “Manao ahoana Papa! Salama?”
- “Metimety ihany aho fa i Malala no tena mandreraka be mihitsy. Manao malaise be foana izy ka tena mazana ny mikarakara azy...”
- “Sao misy azoko atao ry Papa? Asa! sao tsy tianao anefa?”
- “Tena mila anao mihitsy aho ry Hery amin'izao fotoana izao, kanefa noho i Alexia tsy manaiky intsony ny hifankahitanareo sy Malala, dia manahirana ahy ny hakangataka ny fanampinao.”
- “Marina izany ry Papa, nefa tsy afenina anao fa miady koa ange ny lohako e... Manana responsabilité koa aho eo anatrehanareo sy Malala, indrindra moa ny zazakely, kanefa dia tsy hitako izay atao... Je tiens beaucoup à Alexia aussi...”
- “Izao angamba no mety ry Hery a! Mba mandalova any an-trano ianao mijery azy rehefa atoandro avy miasa iny, eo aho manko amin'iny ka na eo aza i Alexia mety tsy hampaninona azy loatra ny fihaonanareo...”
- “Toa mety tokoa izany hevitrao izany... Aleo aza manomboka rahampitso e! fa misy zavatra tiako holazaina aminao izay koa...”
- “Momba ny inona? Momba ahy ve?”
- “Ie, hay ve zanakao manokana i Alexia fa tsy hitambaranao amin'i Malala e!”
- “Tantara mbola lava ny amin'izany ry Hery...”
- “Efa notantarain'i Alexia ahy daholo ka...”
Nisento lalina i Ratrema sady nandeha namoaka ny pipany izy... Iny foana ny azy no paoziny rehefa miasa iny ny sainy...
- “Ny marina rehetra leitsy ry Hery mbola tsy fantatry Alexia a!...”
- “Ny marina? Fa inona indray ny marina? Mbola diso indray ve ireny reko ireny?” hoy aho toa niteny irery, toa namerin-desona...
- “Izao no tena marina...” hoy Ratrema sady namoaka setroka ny vavany... Roapolo taona lasa izay, nanambady an'izay vehivavy faran'izay tsara tarehy izay aho... Tena tiako be izy io ary tsy nahatanty niandry ela aho, fa iray volana taorian'ny nifankahitanay fotsiny dia notereko ny ray aman-dreniko hamita ny raharahanay... Tsy tena fantatro loatra anefa izay momba an’i Vololona, izay moa no anarany... Vita ny raharahanay ary gaga aho fa roa volana tao aoriana dia bevohoka be izy...
Nanontaniako izy hoe ahoana ny anton'izao, dia tsy nafeniny ahy fa tsy zanako io zaza nentiny io. Ny rainy hoy izy dia maty voatifitra tamin'ireny raharaha 1985 ireny, maty voan'ny balles perdues tamin'ireny raharaha Kung Fu ireny ary tsy hita faty hatramin’izao... Efa saika nolazainy ahy ihany ny marina fony izy niahotra ny hanambady ahy, fa izaho no maika ka dia nanaiky ihany izy. Vao avy traumatisée be koa izy tamin'ilay tantarany ka nitsetra azy aho ary nianiana taminy fa ho raisiko ny zanany ho toy ny ahy. Nananosarotra be anefa ny fiterahany ka tsy voavonjy izy fa izay hahavelona ny zaza no natao dia izay... Tonga i Alexia... Nanana rahavavy nitovy aminy izay i Vololona, mbola zandriny be dia be, nefa dia lava sy tsara tarehy koa... Nanampy ahy be izy tamin'ny fikarakarana ny zazakely ka lasa nifankatia izahay. Azon’ise an-tsaina avy hatrany angamba fa tsy iza io olona io fa i Malala ...”
- “Hay izay izany no antony nilazanao indray mandeha iry hoe hozanahanao indray? Azafady aloha fa mamoha fota-mandry...”
- “Ie... ny mahafaly sy mampionona ahy izao sisa,” hoy Ratrema namono ny pipany, “dia i Toky izay hany zanako... Io izany no mba tena ahy, ary hanadinoiko ny tsy nety rehetra natao'i Malala ahy... Mbola kely tokoa izy iny no novadiako, hany ka tsy nanakana azy aho tamin'izay sitra-pony rehetra...”
Ankona aho... Raha hain-dRatrema indray manko fa tsy zanany anie i Toky, dia asa indray izay hitranga... Izay aho vao tena ho faty!
- “Tiako ho fantatrao ny marina, alohan'ny raharahanareo satria expériences efa hitako izany nanambady olona tsy fantatro tsara akory izany, ka dia renao izy izay... Tsy nisy tsinin'i Alexia akory izany rehetra izany...”
- “Fa naninona anefa no tsy nampahalalaina azy izany rehetra izany?”
- “Tsy tantiko ny hahita azy mety hanosiboho-tanana ahy hoe tsy rainy akory aho… Hitanao ny fitiavany ahy, sarotra amiko ny hilaza ny marina... Mety haratra ny fony, tsy haiko... Raha sitrakao, aza lazaina azy aloha izany amin'izao, fa aleo ho vita ny raharahanareo...”
- “Eny ary raha izay no tianao... Rahampitso antoandro izany?”
- “Mampamangy amin'ny reninao ao...”
- “Veloma!”
Vao niditra ny trano aho, dia indro i Mama nitsena ahy, sady nampiseho ilay akanjo vao novidiany anikeheo kasainy hoentina amin’ny fisehoana…
- “Hery a! Jereo, jereo! Tsara ve ity?”
- “Oadray ry Mama! Taiza iny no hitanao? Tena tsy ratsy mihitsy ny lokony, etsy hoe ilay lamba kasihako? Dray!”
- “Somary lafolafo kely aloha izy ity anaka, kanefa tena nikipy aho fa ny tsy fananana ve anaka no haseho any an-tranon’olona any? Toa mahitahita be mihitsy hono ity rafozanao?”
- “Ry zareo aloha ry Mama manana izay tsy izy, fa tsotra be ilay Ratrema,” izany no anarany manko...
- “Hay Ratrema? Ary nanao ahoana ihany ilay vadiny lazainao hoe tsy salamalama izay?”
- “Dia tsy haiko loatra ry Mama ka!” Hoy aho somary niala kely ilay resaka, kanefa tsy te hampiseho be koa hoe tena miala bala, dia mody notohizako ilay resaka...
- “Ohatry ny hoe bevohoka ange izy iny ry Mama fa tsy haiko loatra e!”
- “Hay? Fa firy taona ilay ramatoa ry Hery, mbola tanora angaha ry zareo?”
- “I Ratrema aloha efa zokinjokiny ihany fa ny vadiny vao efapolo taona latsaka… 38 ans angamba? Ny olana dia vao haingana izy no teraka, vaovalo volana izay ilay zanany farany, ka izany no tena mandreraka azy...”
- “Fa naninona hono no izao ry zareo vao miteraka kanefa i Alexia efa ho roapolo taona?”
- “Asa re tsy fantatro izany ry Mama” hoy aho…
- “Ary inona no kiraronao? Ahoana koa, ry Dadabe ve afaka hiakatra amin’io andro io?”
- “Tsy maintsy hiakatra ry zareo e! Fa nahoana izy no tsy ho avy? Iza no hiteny eo aminao? Andro lehibe ange izany ry Hery fa ianao no hany zafikeliny e!!!”
- “Ary ahoana ry Mama ny ambiny rehetra? Ny raharaha sy ny sisa?”
Nisento kely i Rabofy dia naka seza indray aloha rehefa avy nizitizity kely teo anoloako miaraka amin’ity akanjo tsara tarehy…
- “Hery a! Io izao no olana kely... Hitanao ihany fa ny tahiriko tena kely, ny eritreritro izao dia esorina ilay mpanofatranontsika ery Ambohi... dia amidy ilay trano eny...”
- “An, an, an ry mama a! Dia hivarotra lova amin’izay mariazy ve?”
- “Ka ny voninahitry ny fianakaviana ange no arovana ry Hery e! Sa ahoana ny eritreritrao amin’izany? Ny lehilahy anie no miantoka ny mariazy e! Na eo aza ve ny volan-dRatrema, tano ny maha-lehilahy anao anaka, fa ny ao aoriana anie no tsy ho tanty e!”
- “Marina izany teninao izany ry Mama fa efa am-potony kely ange ity raharaha, ka ahoana koa no hanalanao mpanofa amin’izao intsony? Mampalahelo ry zareo raha tairinao eo... Aleo aho hitady hevitra hafa ka...”
- “Asanao anaka!!! Andeha aloha hisakafo fa efa refona koa angamba ianao io… Ny alina hono mitondra fisainana ry Hery ka aleo rahampitso izany tohizana? Andao ho any andakozia e!”
Dia nivadibadika fotsiny ny lohako ny alina fa tsy nahita tory mihitsy aho... Izay aho vao tsaroako nandainga be tamin’i Mama... Tsy sahiko ny nivaky taminy ny marina rehetra... sady menatra azy aho no mahina koa, sao ho fantany ny marina... Ahoana moa no ahalalany raha tsy misy hiteny aminy? Tsy izaho mihitsy aloha e! Na ny iray aminay rehetra...
Ity resa-bola ity koa tena nandevy ny ati-dohako mihitsy. Aiza no hahitako vola? Efa azoko an-tsaina ny mariazy be kasain-dRatrema ho atao, zanany vavitokany iny sady reharehany erak’izay alehany rehetra... Tsy azoko atao intsony ny mi-défile amin’ity, fa ny voninahitro no voatohitohina... Inona anefa no hevitra?
Vao maraina dia reko mivovo ny alika... Iza ary izany? Injao feon’olona midobodoboka no reko mandondona koa... Fa iza ary izany?
- “Haody Ramanga a! Izahay ihany e!”
- “Iza izao?” hoy aho taitra be! Notazaniko avy ety am-baravarankely ka tsinjoko ny satrok’i Dadabe ao ambadiky ny tamboho...
- “Ho avy e!!!”
- “Hay i Bebe sy Dadabe? Mandrosoa e!”
- “Efa ela leitsy izy izany marina!! He ity haben’ialahy? Dia efa hanambady ve leitsy ialahy vao hita indray...”
Menamenatra aho fa marina ity nolazain’i Dadabe. Efa ela tokoa aho no tsy namangy an-drizareo intsony... Impiry moa i Alex, isaky ny mahazo fiara no tiako hoentina any, fa varimbariana eny foana. Sady tato ho ato koa aho tena fanina tanteraka, ka tsy nahatsiaro izay havako intsony mihitsy...
- “Fa inona leitsy ity mahavariana a!! ”
- “Ah! Tsy izany fa efa ela marina no tsy nihaona e!!! Etsy horaisiko ny entanareo aloha ary manaraha an’i Mama…; manao ahoana ry Bebe a!”
- “Salama tsara ka! Izao mbola mandehandeha tonga mijery an’ialahy izao!!!”
Nanao café ho anay rehetra i Mama ary izaho nanararaotra nisolo akanjo sy nisasa fa mbola ndeha hiasa.
Nafana ny resaka tao an-trano ary ny tena anton-dresaka dia izaho. Somebiseby ery ry zareo ary reko hoe hifamory miaraka amin’ny fianakavian-draiko rahariva.
- “Izay tapakareo eo dia tapako” hoy aho “fa tara aho, rahariva izany e!!!”
- “Mazotoa anaka,” hoy izy telo mianaka niara-niredona...
Teny an-dalana aho dia nanenjika ahy indray ny eritreritro... Dia ankiniko amin-drizareo indray ny fakana fanapahan-kevitra izany? Fa ialahy ity ve ry Hery tena tsy misy hazon-damosina mihitsy a!! Na i Alexia no manapaka ny fiainan’ialahy, na i Mama... Tsy ataoko imason’olona aza anefa fa zarako aza aho tsy manapaka... Ratsy fitontona koa ity raharaha ity angamba, fa ao anatin’ilay izaho be olana koa no atao, ka tsy any mihitsy ilay izaho... Eo koa ilay vitan-dratsy mitohy foana... Ny mba faniriako anefa taloha, izany mariaziko izany, dia izaho irery no hanapaka izay tiako ary ny vadiko dia hampiadaniko fotsiny. Izao toa izaho indray no tena taritin’izy rehetra... Te hitroatra aho fa tsy afaka, te hanao aho fa tsy manana hatokona... Ny ao am-piasana koa tena be asa be mihitsy, ary ny ahy ny asa tsy ampifangaroiko amin’ny any ivelany mihitsy... Gaga ihany aloha ilay bandy namako mahita ahy toa miasa saina kanefa tsy lazaiko azy mihitsy ny olana nianjady tamiko…
- “Reko leitsy fa hivady hono ianareo mitsam? Ela leitsy izay!! ”
- “Fa iza no nilaza izany tamin’ialahy?”
- “Nifanena tamiko i Alexia omaly tao amin’ny librairie, dia izy no niteny tamiko. Izany ve leitsy dia tsy nolazain’ialahy ahy... sa tsy tian’ialahy hasaina hanatrika aho?”
- “Ialahy ve adala e! Ialahy no nahalalako an’iny sipa iny ka tsy ho antsoiko ialahy rehefa raikitra? Tsy izany leitsy fa tena mahafanina ilay manao raharaha a... Hitan’ialahy ary tsy hafenina an’ialahy ny any ankilany...”
- “Fa inona moa no mahaory an’ialahy ry Hery? Tsy tsara vintana be ve ialahy? Re laza hatraiza hatraiza leitsy ny hatsaram-panahin-dRatrema? Ny hatsaran-tarehin-janany, ny mety ho fiainan’ialahy isany... Ary angaha moa ialahy kely karama? Efa chef de service ange ialahy e! Na ialahy irery aza ve leitsy tsy hahavelona an’i Alexia lavitra nohon’ny rainy?”
- “Aoka leitsy a! Ny tahiriko ange eo ihany fa raha apoaka, tsy ampy hanaovana ilay raharaha akory e!!! Vaka ny lohako!”
- “Odray, raha misy anampiana leitsy eto aho ry Hery a!”
- “Misaotra leitsy fa namana tokoa ialahy a!!!”
- “Ny amin’ny faire-part, aza misalasala fa ny vadiko hain’ialahy ihany fa miasa amina librairie sy papeterie, ary ilay patron-ny manana imprimerie ka hanaovany prix ialahy raha ao aminy... Na raha sitrak’ialahy, dia io no fandraisako anjara amin’ialahy isany e! Efa naman’ny rahalahiko ange leitsy no nitondrako an’ialahy e!”
- “Sao mahasosotra leitsy izany fa ieraho aloha ny madaman’ialahy a!”
- “Omeko valiny ialahy anio atoandro! Hiasa aho aloha!”
Nony tamin’ny roa ambin’ny folo dia lasa indray aloha aho nihazakazaka tany amin-dRatrema, araka ilay resakay ny omalin’iny.
Hatsatra dia hatsatra i Malala sady niha-nahia izany izy. Ny masony koa somary milentika kely...
- “Manao ahoana i Hery?” hoy izy nisarangotra ny sandriko... Ela ianao izany tsy nandalo...”
- “Manao ahoana ianao izay ry Malala?”
- “Izao hitanao izao... Manasazy ahy angamba ianareo... Nahoana aho no avelanareo mitondra zaza tsy iriako akory? Jereo ity izaho sisa...”
- “Mahereza ry Malala fa mbola eto aho a!!! Raha mamizana anao anie ny zaza rehefa teraka ianao, azonay taizana e!!! Maka aloha tanjaka fa...”
- “Tsy raharahako izany zaza izany rehefa teraka” hoy izy, “tsy raharahako daholo ianareo rehetra... Jereo sisa ny amiko, very ny bikako, simba ny fiainako...”
- “Malala a, inona anefa no azo atao e!!!”
- “Ento mitady dokotera aho fa esoriko ity!!”
- “An, an, an! aza ampidirinao amin’ny kizo intsony aho ry Malala a!”
Dia nitomany idray aloha izy ary nolazainy fa tsy tia azy intsony aho matoa manda ny faniriany...
Tena mbola tia azy ihany aloha ny fo adalako, kanefa ho fanajako an’i Alexia sy mba tsy hahitako olana intsony, dia niezaka ny hipetraka tsara aho...
- “Andao hisakafo aloha ry Malala, fa i Papa efa miandry antsika hidina...”
- “Ho avy aho” hoy izy, “saingy izaho tsy hihinana fa tsy mahatekina akory aho…”
- “Fa inona no tianao hohanina?”
- “Glace izany no tiako...”
Dia naniraka ny mpiasa tao an-trano indray aloha Ratrema hividy glace...
Teo am-pisakafoanana aho no nanararaotra niresaka tamin’izy mivady ny fihavianay hiseho ny sabotsy.
- “Mba manao metimety izany ianao ry Malala fa he ity ianao... Vizana mafy mihitsy… Mandehana mividy akanjo farafaharatsiny... Lasan’eritreritra teo ity Malala ary tampoka teo dia nitsiky izy...
- “Handeha hivoaka aho izany,” hoy izy toa velom-bolo tampoka!
- “Izay tianao hoy i Ratrema, sa entiko ianao?”
- “Raha malalaka moa ianao?”
- “Ho any am-piasana fotsiny aho dia andrasanao vetivety ao anaty fiara, misy dossiers mila signatures fotsiny mantsy any fa niantso ahy teo i Sandra sekreterako. Avy eo isika dia mankany amin’izay tianao, na hanao volo aza ianao handrasako fa tsy maninona…”
Faly kely izany aho nahita ny endrik’i Malala niha-nahazo volony indray... Variana koa aho amin’ity fampihantan-dRatrema azy mihoampampana ity.. Tena hita mihitsy hoe am-pitiavana daholo no ilazany ireny zavatra ireny amin’i Malala fa tsy an-tery...
I Malala koa dia tena mahay mihanta lozan-tany mihitsy, toa mialona an-dRatrema kely izany aho... Mba rahoviana leitsy ialahy ry Hery vao hanana fo toa izao? He ity ialahy, ny fanambadiana tsy vita akory dia ny zaza efa ho roa!!! Ry lanitro o, azo averina kely ve ny fotoana?
Nony lany ny sakafo dia lasa izahay telo nandeha. Napetraky ry zareo tao ampiasana aho… Nony hanao veloma azy mivady aho avy aty ivelany dia tsipalotro ny tanan’i Malala any anaty patalohan-dRatrema...
- “Veloma!” hoy ry zareo sady menamenatra ery Ratrema...
- “Raisiko eto ianao rahampitso ry Hery raha ho any antrano,”
- “Eny“ hoy aho.
Gaga fotsiny aho nahita ilay fihetsika teo!!! Sady gaga aho no faly hafahafa izany... Gaga aho fa tsy nampoiziko ilay fihetsika, nihevitra aho mantsy hoe efa tsy mifankatia intsony ry zareo fa dia fitserana sisa ny an-dRatrema, kanefa tamin’ny fihetsiny rehetra dia tena tia izy... I Malala indray vao eo no nilaza fa mijaly tamiko, nefa he ity izy, toa tsy naninontsimaninona... sa ny fandalovako tampoka no nampisava ny vesatra tao aminy?
Faly koa anefa aho satria raha miravina ny amin-drizareo, mba ho afaka hiroso tsy am-pisalasalana amin’ny raharahanay amin’izay aho ary hazava ny lalana hombako… Satria efa nazava izany ny resaka.
Nony hariva tonga tao antrano aho, dia efa teo daholo ny anabavin-draiko sy ny dadatoako, ny rahalahiny ary ireo cousins sy cousines-ko efatra.
Efa misomebiseby izany ry zareo. Nisy fisotrosotroana kely koa moa ka tena nafana ny resaka. Ry Dadabe no nilaza anikeheo fa hijanona eto Tanà aloha hatramin’ny alahady hariva fa mba hanamboatra tena kely.
Teny ampovoan-dresaka teny no nitsangana tampoka i Dadabe ary niteny hoe:
- “Hery a! ianao ihany moa no zafikelinay mivady ka dia amin’izao fotoana izay tena hilanao vola indrindra izao dia indro misy tahiry kelinay mivady, raiso fa vokatry ny fo tokoa... Indro!”
Natolotr’i Dadabe ahy ilay kitapokely teny an-tanany... Inona ary ity? hoy aho???
Feno vola taratasy nifatopatotra tao, tsy voavinavinako hoe ohatrinona na ohatrinona fa nakipiko ny masoko ary niantoraka teny amin’i Bebe aho...
- “Sao tsy mety izao ry Bebe?” hoy aho...
- “Raiso anaka fa fotoana mety izao... Tehirizo izay tahirinao ho anareo mivady any aoriana any... Vitan’ity angamba ny mariazy, na dia indimy hisolo akanjo aza ianao, ary na hamahana olona telonjato aza ianareo!!!”
- “Telonjato??? An, an, an! tsy hanao an’izany aho ry zareo fa isika ange tena vitsy kely e!!”
- “Ny akanjon’ny ankizy angamba sy ny kiraro no hiantohako, dia ho hita eo ny sakafo sy ny hotely... Mama a! Ankiniko aminao ity vola ity dia tantano amin’izay mahamety azy fa tsy ho harako...”
Toa mikoriana ohatry ny rano indray ny fiainako izany... Vao maraina aho no mifokofoko nohon’ny vitan-dratsy dia ny hariva aho toa maivamaivana... Nony handeha hisakafo izahay no injay reko i Alexia miklaxon tao ivelany...
- “Ha, tsara fahatongavana ny vinantonareo fa izy izay...” hoy aho niteny irery, sady nivoaka ny trano hitsena azy. Dia natao ny fifampafantarana ary faly ery izy rehetra nifankahalala… Dia niara-nisakafo teo indray aloha sady nanararaotra ery ry zareo nanadihady ity ho vadiko… Nilaza tamiko i Alexia avy eo fa reny aho hoe tany an-trano ary efa nohazavain-drainy taminy ny resakay omaly...
- “Metimety mihitsy ao ny anao,” hoy i Alexia momba andreniny... “dray dray... nanolo garde robe mihitsy ny anao vavy, ary toa velombolo be mihitsy... Tsy tezitezitra intsony koa na malahelo fa tena en forme... Nividy akanjo-na bevohoka be dia be, fa mba manana choix hono izy amin’ny lanonana ato ho ato...”
- “Tsara aminy ihany ny manana objectivité tahaka izany,” hoy aho... “Anikeheo anefa izy mbola miteniteny foana hoe tsy tiany ny zaza ao ankibony...”
- “Asa” hoy Alexia... afaka angamba ilay telo volana mandreraka be rehefa bevohoka... Aleo aloha tsy hotairina koa fa sao hanome problème eo indray amin’ny raharaha, sa ahoana ny hevitrao?”
- “Marina izany!”Hoy aho...
- “Hody ve ianao sa hijanona izao?”
- “Aleo aho hody ry Hery fa mahamenatra an’i Mamanareo a! Mahandrasa kely moa e ”
- “Te hanatitra anao aho...”
- “Tsy aleonao any aminay no matory?”
- “An, an, an... mbola te hiresaka amin’i Mama momba ilay amin’ny sabotsy koa aho…”
- “Fa angaha ianareo tena miomana be? Atao tsotsotra ange ry Hery fa aza asarotina a!!”
- “Tsy hainao mihitsy izay omanin-dRatrema ao!!” hoy aho nisafo ny saokany sady nanoroka azy...
- “Aleo ary aho handeha fa alina e! Antsoy aho rahampitso!”
- “Oui ma chérie!”
Ouf!!!! izay vao tena oufff… ny ambiny tsy raharahako intsooooonyyyyy!!!
Nony niditra tao an-trano aho efa niomana ny handeha koa ireto vahiny…
- “Amin’ny sabotsy izany aty no fotoana e!” hoy ry zareo…
- “Eny ary!” hoy aho.
Tsy handriko izay nandroako dia nitsoran’ny lamosiko… Vao nidaboka aho dia toa niverina tao an-tsaiko indray ilay sary tao anaty fiara… Ny tanan’i Malala… nanonofy ny toeran-dRatrema indray aho aloha ary izay no nampatory ahy…
Vao avy nametraka ahy tao am-piasana izy mivady dia niverina nody tany an-tranony. Ny tanan'i Malala amin'io tsy nitsahatra nanafosafo ny filahian’ny vadiny izay nanomboka nibontsina tsikelikely tsy hay nafenina.
- "Aoka aloha Malala fa izaho anie mitondra fiara ka soa dia manao "accident" eto izato isika e!" Ny mifanohitra amin’izay zava-boalazany izay anefa no tena tao an-dohan-dRatrema. Niomehy kely i Malala no sady nanaraby ity vadiny hoe:
- "Tena marina ve izany lazainao izany? Raha ny fahitako an'ity zavatra eto an-tanako ity mantsy dia toa efa fantatro ny zavatra tadiaviny, mino aho fa sahala amin'izay zavatra ilaiko...”
Vao nivoha ny varavaran'ny trano ka voapetraka ireo entana, dia poa toy izay no namahan'i Malala ny fehikibon'i Ratrema, nampidinany ny patalohany. Niondrika sady nandohalika moramora teo anoloan'ny vadiny izy sady nampidiriny tao am-bavany ilay zavatra notadiaviny teny ambony fiara. Toa nahatsiaro nisavoana i Ratrema, eny fa na dia fantany aza ny fombafomban'i Malala rehefa manao firaisana ry zareo. Afaka fotoana vitsivitsy dia natsangany moramora i Malala dia nifanakalo rora teo ry zareo. Ny tanan-dRatrema havanana amin'io manafosafo ny kibon’i Malala sady mitady ny atin’ny silipo mbola teny an-kodiny. Ny tanany havia indray mivezivezy manafosafo ny lohanonony izay efa mihinjitra aoka'izany. Nanomboka nisefosefo i Malala no sady niha nangorintsina ny vatany iray manontolo. Nihataka moramora izy nony avy eo ary notaritiny Ratrema hanaraka azy ho eo ambonin'ilay "canapé" teo amin'ny efitra fandraisam-bahiny. Sady mipetraka izy no manala ilay string fotsy misy sisiny dentelle nanaovany. Nifanoroka indray ry zareo; nampidirin-dRatrema tany anatin’i Malala ny azy. Tsy nisy sakantsakana fa tonga dia nisosa moramora, tsy misy zavatra nandrasan’i Malala hafa tsy iny tsinona fa efa lonaka tanteraka ny tany anatin’ny loharanom-pahasambarany tany. Sady nikiakiaka i Malala no nandrangotra sy nanaikitra an'i Ratrema. Io fahaizany manome ny tenany iray manontolo tsy an-kitsitsy io mihitsy no tena tsy ahafoizan'ny lehilahy izay nifanena taminy tany am-pandriana, ary anisan’ireny aho...
Ny ampitso, dia tena nahatsiaro maivamaivana izany aho fa tsy toy ny isan’andro. Miramirana ery ny saiko handray asa… Ry Mama sy izy mivady lehibe hono handeha hiantsena, sady hividy izay akanjo ho ahy koa. Tsy hanam-potoana hampanjairana intsony koa moa fa dia hijery izay tsaratsara eny amin’ny magasin eny. Niangavy ahy i Mama hanao fotoana aminy ny antoandro avy miasa, kanefa ilay fotoana efa nomeko an-dRatrema tsy tiako holavina indray koa.
Nony tonga tany am-piasana aho dia nisy taratasy kely mipetraka eo ambony biraoko, i Fidy namako no nanoratra azy io ary message koa ilay izy: “Aza mandalo any amin-dRatrema hono ialahy fa hivoaka hono izy mivady hiantsena”.
Nihomehy aho sady afak’olana... Handeha hiantso an’i Alexia aho no gaga fa hay adinoko ny portable-ko. Noraisiko ny telephone fixe-ko ao am-piasana dia nantsoiko ny telephone-ko sao i Mama mbola ao an-trano…
- “Allo! Iza izao hoy izy?”
- “Mama, izaho ihany! Andalovy aty am-piasana aho anio atoandro raha hiaraka isika e! Maimaika aho sady tsy afaka miresaka elabe amin’ity!”
- “Eny anaka, rantoandro izany!”
Dia azo ny akanjo sy kiraro vaovao. Ity kiraro ity ihany no entina amin’izy rehetra, fa tena lafo ilay kiraron-dehilahy. Tena nikipy mihitsy aho nividy azy, ka nangarika mihitsy i Bebe izay nifidy izay tsara indrindra ho ahy...
- “O ry Hery a! Ity fahihiranao?” hoy i Bebe...
- “Lafo loatra re ka!”(kanefa menatra aho eo anatrehany noho izy niantoka ilay izy...)
Tsinjon’i Dadabe angamba ny tao an-tsaiko dia hoy izy hoe: “Aza atao ao an-tsainao hoe avy aty aminay ny vola anaka fa zanakay ange ianao e! Aza menatra izany fa andronao io!”
Dia nisosa haingana ny telo andro ary tonga ny sabotsy andro nandrasana... Bebe sy Dadabe ary ilay anabavindraiko mivady no nandeha, fa ny dadatoako niasa tamin’io, fa mpivarotra ry zareo ka tsy afaka nakatona ny tsena.
Nanomana sakafo be Ratrema fa naka traiteur mihitsy izy mivady hanao ny kanonkanona rehetra. Tsara ery ny akanjon’i Alexia ary miramirana sy hitako sambatra mihitsy ny endriny. Akanjo mavokely tanora somary fohifohy izay no nanaovany, ary navelany hilatsaka ny volony lavabe. I Malala koa tena en forme tsara mihitsy ary tena natanjaka ery. Efa hita kely ny kibony fa saingy mbola tsara ihany ny paoziny ao anatin’ilay akanjo fitondra vohoka miloko grenat lava be, somary manara-tena kely izany, ary misy dakany manaraka ny ranjony hatreny amin'ny manasa-pe mihitsy... Ny lamosiny koa miseho amin’ilay didiny somary milatsaka izay, tena mihaiky ny lamaodiny mihitsy aho...
Varian-dresaka tamin’i Mama mihitsy izy ary hitako mifankahazo be ry zareo. Na i Ratrema koa aza dia hitako nahazo aina izany miresaka amin’ireto havako. Afa-tahotra ry zareo na dia teo aza ny henatra tamin’ny voalohany hiditra ny tranon-dRatrema. Kevokevoka mihitsy i Madamabe, ka lasa nalainy tany ambony ny zazakely hasehony andry Mama ka teo aho vao mailo . Tsikaritr’i Alexia ilay fihetsiko.
– “Aza matahotra ianao ry Hery fa tsy ho fantany izany io e!” hoy izy nandamina ny saiko.
Tapa-kevitra izahay sy Alexia fa hivoaka kely an'i Tanà no hisakafo fa tena nanempotra be ny rivotra iainana tao an-drenivohitra. Nony tao anaty fiara aho dia nofihininy mafy sady norohany. MMMhhh! toa niverina tao an-tsaiko ny fotoana nahalalako azy voalohany; izy mbola nanao tablier manga mpianatry ny Lycée... Vao 15 taona izy tamin’izay ary izaho 23 taona teo... Mbola saro-kenatra ery izy sady tena mbola zaza be. Ilay namako niara-niasa tamiko no nahafantatra azy talohako, ary nifanena taminay roalahy izy tamin'izay, ka hatramin'ny nahitako ny tsikiny malefaka sy ny fijeriny mambabo fo izay, dia tsy te-hisaraka aminy intsony aho. Afaka bacc tamin'ny faha-enina-ambinifolon'ny taonany izy. Faly be Ratrema tamin'izay, ary ilay korana narahim-pandihizana nokarakarainy no fotoana voalohany nidirako tao amin-drizareo. Olona manna-katao ry zareo raha ny tena marina. Manana orinasa lehibe iray eto an-drenivohitra i Ratrema rainy. Vao nahita ahy voalohany ingahy Ratrema tamin'io alim-pandihizana io dia nanafatrafatra ahy mafy ny amin'ny zanany vavy, izay mbola tsy ampy taona. Tsy dia niditra loatra tao an-tsainay anefa ny hanatra nataony fa iny alina iny ihany dia natolotr’i Alexia ho ahy ny tenany... Tena nifankatia be izahay tamin'izany ary nivoady taminy aho fa tsy hisaraka aminy, na oviana na oviana fa ahy izy ary izaho ho azy. Mbola io voady nataoko io angamba no tanany mafy ao ampony ao, fa raha ny hadalana vitako dia efa tsy tokony ho tia ahy intsony mihitsy izy...
- “Toa lasam-borona be i Hery izany?” hoy izy nanapaka ny eritreritro.
- “Variana amin’ny toetranao aho ry Alexia. Tena vehivavy mahate-ho tia tokoa ianao ity... Tena adala aho...”
- “Aza miteny izany ianao ry Hery fa tsy anjely ange aho e! Mbola be ny zavatra tsy fantatro eto an-tany sady mbola tanora koa aho. Mbola tsy hay izay mety any aoriana, ka izany no andeferako sy tsy hitadiavako olana. Izany no nampianarin'i Papa ahy hatramin'ny mbola kely.”
Niverina tampoka tato an-tsaiko ilay tantara nolazain'i Malala ahy momba an-dRatrema sy Alexia...
- “Tena nifanakaiky fo tokoa angaha ianareo mianaka tamin'ny fahazazanao?”
- “Oooh! ny fahazazako angamba no tsara indrindra ry Hery! Papa no tena nikarakara ahy tamin'izaho mbola kely fa i Mama hitanao ihany izy iny. Tadidiko fa tamin'izaho mbola kely dia kely dia i Papa no mpanatitra ahy mianatra ary rehefa maraina dia izy no mampiditra ny akanjoko. Efa valo taona nanomboka nahalala menatra aho, vao tsy nokitihiny intsony. Isaky ny tsy mianatra aho, dia entiny mandehandeha foana fa i Mama manao shopping miaraka amin'ny namany. Ary matetika aho no entiny mankany am-piasany dia miandry azy eo ambony biraony eo rehefa mivory izy.”
- “Izay ianao vao tena nitantara tamiko ny fiainanao...”
- “Mbola be ny tsy fantatrao amin'ny fiainako ry Hery fa tohizako rehefa malalaka iny isika...”
- “Tantarao dieny izao e!”
- “An, an, an... tsy aleo indray amin'ny manaraka? Te-hiresaka aminao ny ho avintsika indray aho... Oh! tonga isika, tianao ve ato? Tsara foana ny menu ato fa brochettes rehefa hariva...”
- “Fa ahoana no nahalalanao ity restaurant aty an-dakira be ity?”
- “Tamin'izahay avy any Majunga izay, dia nandalo teto nony nody ka nivily tato izahay nisakafo fa hoy i Mama hoe tsy hanam-potoana hanao sakafo intsony izy any antrano fa reraka...”
- “ Tsara aloha ilay cadre an, sady ny vue panoramique be... Tazana ny faravodilanitry ny rovan'ny Manjakamiadana avy ety. Saron-javona izany Antananarivo, sa vovoka ireny na setroka tsy fantatro...”
Narahiko avy ao aoriana i Alexia, nampandroso anay ilay tovovavy serveuse, dia nanome anay toerana mahatazana ny any ivelany.
- “Tianao eto?” hoy aho taminy.
- “Tena tiako!” hoy izy nijery ahy, “ianao no mi-commande ka izay tianao no tiako” hoy izy nihantahanta tamiko.
Nosafoiko ny takolany sady nataoko nijanona kely teo amin'ny molony ny ratsan-tanako, nahazo oroka kely aho...
- “Hery a! ahoana ilay resaka” hoy izy namerina ahy tamin’ ny zava-misy iainanay...
- “Inona no tianao?” hoy aho tsy nanana hevitra( tena tsy nisy inoninona mihitsy tao antsaiko ny momba izay ho avy... Tena tsy misy saina aho ve sa entim-bavy? sa tahotra no mahazo ahy? Sa malaina hifamatotra? Tsy fantatro hoe inona no tokony holazaina amin'izany fanontaniany izany. Matahotra aho sao manafintohina azy izay mety ho hevitro. Te hanambady an’i Alexia aho, kanefa hisy zanako roa izany hiara-miaina aminay... Dia ahoana koa ny hahita ny endrik’i Ratrema isan'andro eo? Raha tsy hoe hifindra trano izahay? Dia ireto hoe zanako ataoko ahoana? Tsy handray anjara amin’izay hahalehibe azy aho ve? Fantatro izao i Ratrema fa tsara saina sy mahay mitaiza arak'izay notantarain'i Alexia teo, fa raha zana-drafilahy ve mety ho tiany ihany?
- “Ny tiako? raha mety ianao dia hatao amin'ny faha-sivy ambin’ny folotaonako ny fifamofoantsika, izany hoe afaka iray volana. Mety ve ianao?”
- “Mety ka! Mety mihitsy” hoy aho mody tsy naka sarotra ... Ny saiko anefa amin'io mbola tototr'ireo fanontaniana maro be mifamadibadika tao an-dohako.
- “Faly be aho izany!” hoy izy nanoroka ahy...
- “Bon appétit ary ny malalako e!” hoy izy sady narahiny tsiky. Tsy hitako akory ny nanateran'ilay tovovavy ny sakafo teo aminay. Tena tsy teo mihitsy ve aho izany tamin’iny? Tsara be ireo brochette de fruit de mer nohaninay. tsy naka dessert aho fa i Alexia no naka glace... Café no tiako, kanefa matahotra ny tsy hatory aho rahalina amin’ity adin-tsaiko ity, ka naleoko mandefitra ny café aloha... Infusion no nalaiko... Nony niverina nitodi-doha nody izahay ka namerina ilay resaka i Alexia vao tonga saina aho... Afaka iray volana? dia ahoana? Tsy maintsy hiseho izany ry Mama ho any amin-drizareo, ary tsy maintsy alohan'ity fifamofoana ity. Vola daholo izany. Izaho anefa na dia efa ho telo taona aza izay no niasa, tsy dia betsaka akory izay tahiriko! Ry Mama sahirana ary tsy te hanome fahasahiranana azy aho... Inona no hevitra? efa hatao izany izy ity dia tsy maintsy hatao hatramin'ny farany, fa lehilahy ny tena ka tsy hiamboho adidy! Raha mba teo mantsy i Dada... Naterin'i Alexia hatrany an-trano aho ary rehefa avy nanoroka ahy izy dia namelona ny fiarany hanainga no nilazako hoe:
- “Alexia, tsy aleonao mijanona?”
- “An, an, an, sao dia mahasosotra an'i Mamanareo ” hoy izy.
- “Koa efa ho vadiko ihany ianao afaka herinandro vitsivitsy... Andao moa e!” hoy aho niangotingoty.
- “Ao ary ny fiara mba ampidirinao ao an-tokontany fa tsy haiko,” hoy izy.
Dia niditra tao antrano izahay... Tsy nisy olona tao fa nisy taratasy napetrak'i Mama teo ambony latabatra fisakafoanana nilaza hoe: “Lasa any ambanivohitra aho, ka afaka roa andro vao miverina. Hendre tsara! Mama tia anao!
- “Malalaka izany ny trano ry Alexia fa lasa i Mama. Aza menamenatra intsony fa andao hiakatra? Io ny salle de bain raha handro ianao, izaho handeha hanome sakafo ny alika aloha, fa tsy nihinana izany ilery raha azoko tsara...”
- “Tsy aleo miaraka manome sakafo ny alika dia miara-mandro?” hoy izy namaly ahy.
- “Hevitra tsara izany!!! toa hitako eto sahady...”
Tena nahafinaritra ahy mihitsy iny alina iny fa adinoko daholo ny sorisoriko rehetra! Toy ny izahay roa irery sisa no teto an-tany... Raha marina tokoa mantsy izany? Tsy nisy i Malala. Tsy nisy koa ny akoatrany? Manonofy aho ve? Sao tsy nisy aza izany rehetra izany? Indrisy fa tsy nanonofy aho, fa tena izay no zavatra iainanay amin'izao fotoana izao. Asa izay nahazo ahy teo fa lasalasa tampoka indray ny vavako nanontany an’i Alexia hoe:
- “Ary ianao sy ny Papanao toa akaiky be mihitsy?”
- “Izaho ange ry Hery tsy manana olona afa-tsy i Papa intsony ê" hoy izy namaly ahy, sady nanganohano ny masony.
- “Fa i Mala..., fa i Mamanao kah?”
- “Raha mba fantatrao mantsy...” Nangina kely aloha izy, izay vao nanohy ny teniny.
- “ Noraisiko tahaka ny reniko tokoa izy, kanefa ny zavatra niseho taminareo no nampatsiahy ahy fa tsy izany velively izy.”
Menamenatra sady sadaikatra fotsiny aho mihaino ny zavatra nolazain'i Alexia.
- “Alexia â! mamelà ahy ianao fa diso tokoa aho.”
- “Tsy manome tsiny anareo ihany aho satria ianao moa ry Hery tovolahy tsara endrika sy bikana, ka tsy mahagaga raha revo taminao i Malala... Izy koa moa vehivavy tsara tarehy, ianao indray ve no hatoro izany?”
- “Na izany aza, reninao anie i Malala ê ”
- “Tsy reniko niteraka ahy i Malala ry Hery.”
- “Ah...aho...ahoana tsara hoe e?”
Nangina sy toa lasa saina nandritry ny segondra maro i Alexia vao namaly.
- “...Maty tanora ny reniko, vao herintaona monja hono aho dia nandao anay i Mama. Fantatrao ihany moa ny lehilahy fa vao afa-tsaona i Papa dia nifankahita tamin'i Malala dia naka vady azy. Tsy nisy olana mihitsy teo aminay, satria voakarakarany sy notolorany fitiavana tokoa aho. Izaho moa, noho izany, nandray azy toy ny reniko tamin'ny fo madio.”
Nikoriana teo an-takolan'i Alexia indray ny ranomasony, sady nisefosefo izy no nanohy:
- “Dia izany ry Hery, olona noraisiko ohatran'ny reniko no namadika ahy...”
Tsy hitako intsony izay nasiako ny tenako, mahita ny fahorian'ity olon-tiako. Tena mijaly ao am-pony ao hay izy ity noho ny nataoko, fa miezaka ny manafina izany fotsiny amin’ny fitsikiny sy ny fihetsika toa tsy dia sarotiny loatra hitako avy ety ivelany. Amin'ny lafiny iray anefa, ny fahalalako hoe tsy mpianaka i Malala sy Alex, dia mba nanamaivana kely ny hamohamoko.
- “Fa inona no eritreretinao ry Hery?” hoy izy ohatran’ny nanaitra ahy.
- “Manenjika ahy ny ratsy vitako taminao. Lazao ahy izay tokony hataoko mba hamelanao ahy.”
- “Tsotra ny valin'izany eh! Alaivo ho vadinao aho!”
- “Alexia, allo?”
- “Hay i Hery? vao saika hiantso anao mihitsy aho fa niantso ahy koa i Mama teo? fa misy inona hono?”
- “Asa tsy fantatro koa... any izany mifankahita e! bye”
Fa inona indray aza ny loza mety holazain-drabofy eo e! Ohatry ny misy loza mitatao izany teo ambony lohako!! Inona ary ity, ary sao i Ratrema no marary? sa ny zazakely? Ity vao ho loza ho'aho raha ny zazakely. Dia vitako ny tsy nijery ny zanako efa ho iray volana sy tapany??? Tena tsy vanona leitsy ialahy ity ry Hery, hoy aho niteny an’eritreritra.
- “Tonga ianao Ramose a! hoy ilay Saofera, 25.000 izany!”
- “Oay, tonga sahady ve? Ity ary ny volanao e!”
- “Veloma Ramose be a!”
Vao nivoaka ny fiarakaretsaka aho dia nihazakazaka niditra, tsy nisy olona tao ambany fa reko izy mianaka tao ambony no miresaka sady henoko mitomany i Malala. Nony niditra aho dia hitako nitanondrika i Alexia... i Malala kosa mitomany mafy…
- “Fa misy inona? Aiza ny zazakely?”
- “Nalefako niaraka amin'ny rahavaviko any izy fa niangaviako ry zareo androany fa mila fotoana hiresahana aminareo aho... Alexia a, tsy manan’aina hamerenana ilay resaka intsony aho anaka fa mba lazao azy…”
- “Tsia ry Mama a! mba raiso ny andraikitrao amin'ity indray mitoraka ity, fa tsy misy idirako izany resaka izany.”
- “Fa inona e?” hoy aho somary niaka-peo kely.
- “Bevohoka indray aho!” hoy Malala sady niverina nitomany izy.
Na varatra aza mety mbola maivana raha nitontona teo ambony lohako,
- “Inona indray? bevohoka a? fa ianao ve ry Malala tsy mitandrina mihitsy a! Ary iza no rainy?”
- “Mba fanontaniana adala anie ny anao izany ry Hery e?” hoy i Alexia nitsangana…
– “Fa iza indray raha tsy ianao? tamin'ilay ianareo tratran'i Papa iny?”
- “Tssss! tena leo be aho e!!!!Lleo problème aho!” hoy aho sady nitomany mafy indray aho aloha, nanala izay tao am-poko navesatra tao!!! Tena tezitra sy nalahelo aho, sady nanenina tanteraka amin’ ity tantara ity... “An, an, an, Malala a, dia inona no hevitrao?”
- “Tsy hitazona an'ity aho” hoy Malala, “aiza ve ka vao oviana aho no vao teraka dia bevohoka indray? Efa firy taona aho izao? An, an an, manimba ny bikako izany...”
Gaga aho fa tsy mba ny olona no tsaroan'i Malala, na ny zaza tezainy izay hanan-jandry sahady, na i Ratrema rehefa tsy hahatsiaro an'i Alexia ihany izy, fa ny tenany... Teo aho vao tena nahita ny toetran'ity ramatoa ity... Tia tena tsy misy ohatr'izany!
- “Izay ataonao ataonao ho'aho” hoy aho nitsangana nandray ny serviette-ko indray. Ny fantatro dia izao, tsy te hiaraka aminao intsony aho fa leo. Lasa aho, antsoiko ianao ry Alexia rahariva a…”
Raha iny handeha hivoaka iny anefa aho no hitako tampoka ny lohaben-dRatrema, amin'ilay masony mivandravandra iny!!!
- “He! miverina ianao, miverina ho'aho... Reko daholo ny resaka rehetra teo fa etsy miverina... Mitady hiala moramora? Dray dray dray....”
Vao naheno ny feon-dRatrema indray Malala dia lavo tamin'ny tany... nifandrombaka nikosoka azy indray aloha izahay rehetra fa adino teo ny ady... Izaho nikosoka ny tongony fa tsy navelan-dRatrema nikasika ny vatany sy ny tarehany mihitsy... Minitra kely vitsy avy eo, nihiratra ny mason'i Malala...
- “Fa nisy inona?“ hoy izy mbola jembijemby...
- “Bevohoka ianao, ary i Hery ny rain-janakao!” hoy i Ratrema nitrerona azy... Izay ny vokatry ny hadalana nihoampampana...
- “Ratrema a! Mamela ahy e!!! Efa nifona taminao anie aho e!!”
- “Efa noraisiko ny fifonanao tamin'iny ry Malala, ka ahoana ny hevitrao ny amin'io zaza io?”
- “Tsy hitazona an'io aho Ratrema a... ampio aho e!!!”
- “Tsy manaiky an'izany aho, hoy Ratrema, famonoana olona izany! Tazomy ny zaza dia izay! Tsy maninona fa zanahako indray!” hoy izy sady lasa izy nirintona nivoaka...
- “Indray ahoana?” hoy aho nijery azy mianaka... F'angaha fantany hoe tsy zanany i Toky? sa nolazainao azy ry Malala?” sady nanopy maso tany amin’i Alexia ihany aho.
- “An, an, an, inona moa no idirako amin'izany? Efa miteny anao aho fa tsy izaho mihitsy no hamono ny raiko!”
Niara-nijery an'i Malala izahay, izy amin’io niolanolana ohatry ny olona very saina... Hay vehivavy tena malemy mihitsy izy ity... Tsara tarehy fotsiny fa ny ambiny dia tsy misy itovizana amin-janany vavy mihitsy... I Alexia indray dia tsy misy hafa amin'ny rainy anefa na toetra ity na fihetsika...
- “Dia ahoana ry Alexia? hoy aho nijery azy? ”
- “Ka inona izany moa? dia mazava ny resaka... Aterany ny zanakareo dia mitohy ny tantara e! Ny ahy ny fantatro dia vita hatreo ny aminareo roa, ahy indray ianao izao, ahy tanteraka, manontolo! Raha mahita zavatra hafahafa aho, dia ho hitanao ry Hery fa ho rava koa ny aminao, fa ataoko ren'izao tontolo izao ity tantaranao ity ary ho rava ny asanao. Ho faty am-pitsanganana ny reninao, d’efa miteny aho izay.”
- “Manome toky anao aho fa tsy hivadika aminao intsony...” hoy aho namaly azy.
- “Aleo aloha isika hisaraka fa mbola hiverina hianatra aho androany après-midi... Rahariva isika miara-misakafo?”
- “Tsy aleonareo ato an-trano no mihinana miaraka aminay?” hoy i Malala nitsatsaingoka rehefa nahazoazo aina.
- “An, an, an, ry Mama a! mba haka fotoana ho anay amin'izay izahay! Vita hatreo ny aminao fa ny lamban-jaza atao vonona!”
Dia nanao veloma an'i Malala aho, ny masony nanganohano ity mbola mijery ahy am-pihantana ihany... Saika vaky indray ny foko, ary saika tafapetraka teo aminy indray aho; fa ny tanan'i Alexia no nisavika ny sandriko hivoaka...
Nakatoko moramora ny varavaran'ny efitranon'i Malala dia namonjy azy teo am-pandriana aho. Niantsampy teny amiko izy, dia nifanorokoroka teo izahay roa; toa nijanona tsy nisy intsony ny minitra sy ny segondra...
- "Tiako ianao ry Hery â!" hoy izy.
- "Izaho koa tia anao ry Malala â!" hoy aho namaly sady nampiakariko moramora ilay akanjo mandry mena manify tena an-kodiny. Silipo string "dentelle" mena koa no tao ambaniny. Vao maika izy nisisika teo amiko, nisefosefo sady nibitsika tao an-tsofiko hoe:
- "Ohatran'ny efa ela be aho no tsy nanao taminao..."
- "Izaho koa ry Malala te hanao aminao be mihitsy" hoy aho.
Nakisako tamin'ny tanako avia ilay silipo mena nanaovan'i Malala, dia nampidiriko moramora ny fanondroko. Nisento izy sady niangoty nilaza hoe:
- "Hitanao 'zany... Efa mando be aho ka avia amin'izay!"
- "Andraso aloha..." hoy aho.
- "Ianao kosa ê!"
Toy ny tsy teo ny nanalany ny lobako sy ny palatoako. Nosafoiny teo ambonin'ny silipoko ny filahiako, nampidininy tanteraka ilay silipo nony avy eo.
- "Hery â, avia amin'izay ianao!" sady nalany ilay "string" mena.
Nosokafany ny feny, dia niakatra teo amboniny aho; Noraisiny tamin'ny tanany iray ny filahiako efa nihinjitra be, natosiny moramora hiditra tany anatiny tany... Nanomboka nihetsika moramora izy no sady namihina mafy ny valahako.
- "Aza hajanona Hery â... Ohatran'izay! Tiako be ianao Hery â, raha hilaozanao aho dia tsy hitako intsony ny antony iainako. Tsy fantatro izany hoe lanitra fahafito, fa mino aho fa tsy lavitra azy io intsony aho.”
Tsy ela akory dia tojo tany amin'ny faratampon'ny fahafinaretana izaho sy Malala. Nidina teo ankilan'i Malala aho nony avy eo niezaka naka aina sy nampitonitony ny any anatiko. Tsy tapitapitr'izay anefa dia toa renay fa misy manakatona varavarana tany ambany rihana. Ankona tsy nisy nahateny izahay sy Malala nony avy eo, nahita ny fitratrevatrevan-dRatrema niditra avy any... Ny tanako sisa no nataoko tampi-kenatra fa tena tsy nisy hevitra azo hiafenana intsony... Izay no vita! Izay sisa no nolazaiko tany andohako tany... I Malala indray tonga dia nandohalika tamin'ny tany sady nifompona tamin-dRatrema ... Tafapetraka teo am-pandriana koa i Ratrema sady nitomany mafy...
- "Fa ahoana izao? Fa inona ity ataonareo?"
-"Tsy hanamarin-tena aminao aho Ratrema fa diso a!", hoy Malalatiana tamim-badiny sady mbola nitrositrosina tamin'ny tany ihany izy. "Tena nila olona hanome hery ahy aho eo anatrehan'ity olana mianjady amintsika noho i Alexia ka..."
- "Olona itadiavanao hery no ilainao ka inona ity i Hery no miara-matory aminao ity? Mandehana koa ialahy mandeha any fa lehilahy tsy vanona! Tsy ao an-tsain'ialahy intsony angaha ny zanako, sa heverin'ialahy zazakely foana izy iny ka araraotin'ialahy? Lasa ialahy!"
Nipoitra tampoka anefa i Alexia avy any an’efitranony any...
- "Hay i Papa no ato?..."
- "Ny zanako!" hoy i baina, sady notampenany haingana ny mason-janany tsy hahita ity reniny miboridana...
- "Papa a! avelao ry zareo aloha ho eo fa andao isika sy ianao handeha hivoaka kely... Inona intsony moa no azonao atao amin-drizareo fa ‘ndao handeha haka rivotra kely..."
- "Tsy mivoaka ato aho raha tsy mazava izao resaka izao e! sady tsy izaho no tokony hivoaka! Tranoko ange ity e! Ilay tsy vanona io no tokony handeha any "
- "Ndao re ry Papa fa ianao ve adala noho izy a! Ndao ho'aho!"
Nandritr'izany rehetra izany dia nivandravandra ny mason'i Malala! Asa izay tao an-tsainy fa tena hita mihitsy izy hoe tsy nahazo aina nahita an'i Alexia nitarika an-drainy nivoaka… Izaho tsy nahahetsika fa nijaridina toa nipitrapitra teo fotsiny, tsy nahita izay holazaina... Dia lasa izy mianaka. Vao reko fa nikatroka ny varavarana dia raikitra ny fifampisintonana akanjo. Satria efa tsy hita intsony izay nosarangotina ka ny patalohako indray no notadiavin'i Malala hanaovana!
- "E! akanjoko iny!" hoy aho sady nosintoniko ny pataloako sady natsofoko faran'izay haingana…
- “F'angaha ianao tsy hanao silipo?” hoy Malala tamiko, sady mbola nihomehy ihany nahita ahy nikoropaka...
- "Inona intsony izao no hikoropahanao eo fa efa tratra isika?"
- "Toa moramorainao izy izany ry Malala, nefa tena efa an-tenda ny antsy hahafaty antsika!!!"
- "Ny amintsika aloha eo ihany fa zavatra hafa ny atahorako!"
- " Inona indray?" hoy aho taitra sady mamatotra ny lacet kiraroko ihany.
- " Asa izay hataon'i Alexia amin-dRatrema any, sao dia hotanterahiny ilay teny nampitahorany ahy indray andro iry…"
- "Hoe inona? hanao inona amin-dRatrema izy?"
-"Aza hitako aza ka tsaroany ihany ilay zavatra nolazaiko azy iny?"
- "Fa inona daholo izany lazainao izany ry Malala fa tsy misy fantatro a! Hazavao fa fanina aho!" hoy aho nanohy sady nibanjina azy.
- "Tamin'ilay resaka mariazy iny ho'aho dia nifamaly izahay mianaka, dia hoy i Alexia hoe hiarahany koa hono ny rainy dia izay iray mahatanty!!!"
-"Inona a? Dia ahoana hoy ianao?"
- "Dia lasa tampoka ny vavako hoe raharahiako inona fa rainao angaha iny?"
- "Maninona hoe ry Malala a? Marina ve izany? Izany izany no nahasafotra an'i Alex tamin'iny andro iny? Ary naninona no tsy nasiany resaka intsony avy eo?"
- "Ka adinony angamba sa tsy haiko intsony e! Loza raha avoakany amin-dRatrema izany fa izay no vita ny amiko…"
- "An, an, an, fianakaviana mitapy kay ity misy ahy ity ka aleo aho handeha "
- "Ho aiza koa ianao e! Mbola tia anao anie aho e!!! avia!!"
- "Mbay tary fa inona intsony no mbola ataoko eto? Lasa aho!"
- "Ary ny zanakao? Ary raha fantatr’i Ratrema hoe tsy zanany io? Hainao aiza izay mety hotantarain'i Alexia any?"
- "Lasa aho aloha fa tena mikorontana ny lohako e, amin'ny manaraka!"
Tsy nahaleo dohika ahy i Malala dia namela ahy nandeha.
Fa inona kosa no nitranga tany anaty fiara tamin'io fotoana io?
- "Variana amin'ny reaction-nao aho anaka", hoy i Ratrema tamin-janany. "Dia tsy taitra akory ianao?"
- "Tantara lava be izany ry Papa fa izaho no diso a!"
- "Diso ahoana ianao anaka? Vao teo ianao no afa-jaza, dia jereo sahady ity ataon'ny olon-tianao... He ity reninao, tsy hitako mihitsy izay hatao! Efa nadiditra hoatran'iny foana moa izy hatramin'izay nivadianay, tsy hafenina anao intsony izany fa efa lehibe ianao ity. Fa na izany aza, reninao izao no mivadika aminao..."
- "Papa a! Izaho ho'aho no diso e! Tamin'izahay roa tao an’efitra iny dia tsy mba nahavita nampionona an'i Hery akory aho. Tohina sy narary loatra ny fony tamin'ity loza nahazo ahy, ka hoy aho hoe: “Ndana mankany amin'i Mama fa disponible kokoa izy hihaino anao..."
- "Ka na dia izany aza ve anaka dia hiafara amin'ny firaisana ara-nofo mihitsy ny resaka?"
- "Aza omena tsiny izy Papa fa olombelona ihany ange ry zareo e! Sarotra ny mi-comprendre, kanefa raha samy misy problème ny olon-droa dia izao foana no hiafarany e!"
- "Dia midera anao aho ry zanako vavy fa manana ouverture d'esprit be mihitsy ianao sady tsara fo... Fantatro koa fa tena tianao iny lehilahy iny… Fa na izany aza anefa dia tsy maintsy ho malina aho manomboka izao fa tsy hamela an-drizareo ho irery intsony. Mety mbola hiverina mantsy ireny zavatra ireny fa tsy handefitra intsony aho... Atodiho mody ny fiara anaka ka ndeha hody..."
Nifanena teo am-bavahady izahay telo ka hendratrendratra be ihany aho, saika tsy hitako ny lalana...
- "Ndao hiverina hody ry Hery fa ho aiza ianao a!!Nndao!" hoy i Alexia. I Ratrema amin'io nivandravandra ahy tsy nisy ohatran'izany.
- "Notantarainao azy ve? hony? hono ho'aho?
- "Tsy taitra ianao ry Hery a! Izaho ve dia hamono ny raiko?"
Dia nino azy tsy sazoka aho sady nandroso tao amin'ny salon. I Malala koa efa nidina sady nitrotro ny zazakely... Sady nandrehitra ny pipany i Ratrema no niteny mafy mba hahare daholo izahay rehetra:
- "Amiko dia efa mivalona iny resaka iny, tsy miverina amin'iny intsony aho ary mamela anareo... Voalohany sady farany izay, ary aoka tsy hisy resaka intsony... Arosoy ny sakafo ry Malala fa vizana aho izany. Aiza ny zazakely horaisiko…"
- "An, an, an, vonoy aloha ny pipanao fa sempotra ny zazakely", hoy Malala nanambitamby am-badiny.
- "Etsy ary! Ndrooo, soa ialahy leitsy fa mbola kely ialahy ka mbola sambatra tsy mba be ketriketrika ohatr’anay!
Hatramin'iny resaka tao amin'ny salon iny, dia tsy nisehoseho tany amin-drizareo intsony aho aloha, fa naleoko nipirimpirina tany amin'ny asako tany. Toa tena lasa nalaina tamin'ilay raharaha aho, sady zary tsy nazoto koa hiditra amin'ilay fianakaviana. Tena tiako anefa izy mianaka, fa saingy tiako lavitra kokoa i Alexia. Voatery mihataka kely anefa aho haka saina tsara sy handinika izay mety ho atao fa toa mbola henjana ny ady... Ny saiko tena mandà mafy fa ny vatako tena te-ho any te ho any foana… Azonareo angamba ny tiako hambara. Ny telephone nandritra izay fotoana tsy nihaonana izay dia naneno tsy an-kijanona, tsy maraina tsy hariva. Ny maraina dia i Malala no miantso ary ny hariva dia ny zanany. Tsy noraisiko mihitsy aloha hatramin'izay fa tena tsy hitako akory izay holazaina e! Na ny messages aza tsy henoiko akory... Dia nisosa teny ny tapa-bolana, roa tokom-bolana, iray volana ... Indray andro efa ho iray volana sy tapany taty aoriana, ity i Alexia niditra avy any... Tsy mitomany izy, tsy tezitra koa, fa velon-tsiky tsy misy ohatr'izany...
- "Manao ahoana i Hery?" Sadaikatra sady menatra ihany aho mahita azy toa endrik'anjely kely eto anoloako...
- "Salama aho ary ianao?"
- "Metimety aho ka!!"
- "Afaka miara-misakafo ve isika ratoandro?"
- "Tsy maninona... Amin'ny 12h30 eo amin'ny zaridainan'Antaninarenina aho no haka parking, andrasako eo ianao?"
- "Ie, izaho no ho tonga alohanao eo fa entiko ny fiaran'i Dada! Bonne journée mon amour -MMMhh!!!"
- "A toi aussi ma chérie! Ca m'a manqué tu sais?"
- "A moi aussi, allez à tout à l'heure!"
Tena tsy nahavita asa indray aloha aho avy eo, fa lasa tany amin'i Alexia foana ny saiko. Variana amin'ny toe-tsainy mihitsy aho. Tsy mba mitana lonilony, tsy mba mora tezitra, tsy tia raorao. Raha ny hevitro aloha dia na izao dia izao mihitsy aza dia taritiko any am-piangonana izy dia vadiako eo no ho eo. Fa noho ny fisian'i Malala, dia lasa miahotra aho. Ankoatran'izay, eo koa ilay zanakay... Raha mbola variana nandrevy teo iny aho no nijery famataran'andro tampoka, hay efa ho amin'ny 12 ora sahady... Ny asa tsy vita, ny tena toa vizan-tsaina izany... Raha iny handeha handray ny serviette-ko iny aho hamonjy an'i Alexia no injay naneno ny telephone... Iza ary ity? hoy aho niteny an’eritreritra. Ny numéron'i Malala no niseho teo, inona indray ary ity? hoy aho... ssshhh aleo tsy valiako ka! Kanjo niverina naneno indray!!! SSShhh aleo rangaha valiako hoy aho fa fintiniko ny resaka dia basta a...
- "Allo? malala? fa misy inona indray e?"
- "An? ho avy izao dia izao aho!"
Vao nahare ilay fanontanian-dRatrema (rafozako sady rafilahiko) izaho sy Malala dia nifampijery. Samy nandalo tao an-tsainay angamba ny hoe: raha izany no hiseho dia mety ho tapitra hatreo ny tantaranay. Nangarika ahy mafy ny fahitako an'i Malala toy ny te hilaza hoe : ataoko mihinan'ny fatinao ianao raha vao manaiky an'izany eo. Niahotra kely aho ilay saika hamaly avy hatrany hoe "eny" iny. Nivadibadika teo ny saiko ary nony farany dia ny hoe: "Aleo aloha hieritreritra tsara fa mety ho efa lerany marina angamba izao" no naloaky ny vavako. Nangarika ahy fanindroany i Malala ary ohatran'ny tsikaritr’i Ratrema. Nihidy vazana ny anao lahy, toy ny nampiseho tamin'i Malala ny tsy fankasitrahany ny fihetsiky ny vadiny. Niaraka nandeha nihinana pizza izahay rehefa avy eo. Tsy dia nahitana teny firy loatra i Malala teo am-pisakafoanana, fa ity ho rafozaniko no toa feno hafaliana milalao ity zana-drafiny.
Nony hariva... Tezitra be nifofofofo avy any i Alexia niditra ny trano. Tonga dia nivatravatra nanao be fiavy tamin-dreniny: "Nolazain'i Dada ahy fa toy ny tsy dia mazoto loatra amin'ny raharahanay sy Hery hono ianao? Fa inona marina no tena tadiavinao ity e?” sady nitrerona izy nentin-katezerana. Vava hono izao nataony izao, hoy i Malala nitantara tamiko taty aorianan'io resaka nataon'izy mianaka io. “Satria nangalarinao ny vadiko” hoy izy, “dia mba hangalariko koa ny vadinao. Hiara-hatory amin'i Dada aho rahariva ary ho hitanao tsara ny vokany afaka sivy volana! Handeha hividy toaka sy hanofa film x aho aloha dieny izao fa ataoko afa-po tsara i Dada rahariva! Ary aza mieritreritra ny hanakatsakana ahy mihitsy ianao sy Hery fa sao dia ataoko mifafa ny kihonareo mitambatra eo ianareo roa”. Mba nisafoaka koa ny anao vavy niantefan'ity fiantsian'ny zanany vavy azy ka navoakany hatramin'izay misitery tsy tokony hambarany azy akory. "K'inona moa ny olana ry Kalakely fa zanany naterany angaha ianao io? ndana, ndana ataovy izay tianao atao aminy fa tsy raharahako akory!!!!!" Nivandravandra i Alexia... Asa raha azony izay nolazain-dreniny azy teo na tsia fa nakipiny ny masony nony avy eo, nihodina taminy ny tany aman-danitra, poa toa izay dia tsy tsaroany intsony ny tenany... Lasa ny sainy sy ny fanahiny niverina tamin'ny fahazazany feno fifaliana sy fahasambarana... Niverina tao an-dohany daholo ny taona maro nifandimby teo anilan'ny ray sy ny reniny, ny fiadanana nilomanosany, ny rotsirotsy, ny safosafo, ny tambitamby... "Alexia! Alexia!... Fa maninona ity indry e! Alexia ho'aho, mifohaza reitsy a! Andriamanitro o! maninona ny zanako? Lozako marina!" hoy i Malala niantsoantso irery. "Ary aiza i Hery teo?" hoy izy. "Iny ihany izao no nahatonga an'izao!!!! Nankaiza koa ny telefoniko teo?" Tsitapitapitr'izay, tonga i Ratrema.
- "Fa misy inona e! Fa inona no mahataitaitra anao io? Fa maninona ny zanakovavy?"
- “Asa leitsy izay nahazo azy teo fa notantaraiko azy ny resakareo sy Hery aninkeo maraina dia faly loatra izy ka io safotra io...”
- “Ary aiza izy? ndao ho any amin'ny hopitaly haingana aloha e! Omany ny zazakely fa ho avela irery ato ve?”
Soa fa tonga haingana tany amin'ny hopitaly i Alexia ka vetivety ny famelomana nataon'ny dokotera azy...
- "Fa aiza aho izany e! fa aiza aho izany?"
- "Aty amin'ny hopitaly ianao anaka", hoy ny rainy nanafosafo ny lohany.
- "Ary aza miteny betsaka aloha ianao fa tena mbola reraka mafy!"
- "Fa inona no nahazo ahy e! Toa tsy mahatadidy inon’inona ange aho ry Dada e! Aaaay, mbola fanina aho izany!!!"
- "Matoria aloha ianao fa reraka, izahay sy mamanao ao ivelany aho ihany hiandry anao fa ny zazakely tsy azo ampidirina aty tsinona. Maka aina tsara aloha anaka".
Nandritran'io fotoana io dia nitebiteby mafy ramatoa reniny... Aza hitako marina, lozako fa izaho no nahatonga an'izao; ho rava ny fiainako, ho rava ny tokatranoko, vita hatreo ny fahasambarako!!!
- "Ramatoa a, velona soa aman-tsara izy fa tsy maninona, fa mbola hotazonin'ny dokotera en observation hono mandritry ny efatra amby roapolo ora... Ndeha ianao raha hijery azy e! Ento aty raisiko ny zazakely!"
- "An, an, an..." hoy i Malala, "aleo aho hiandry aty ihany ka!!!"
- "Ndana re fa zanakao ve tsy hojerenao e!!!"
Vahotra i Malala hiditra ny hopitaly... Marina aho raha sahy ho any? Matahotra aho!!! Aza hitako ka hanaovan'ity zaza ity cinema eto aho... Ao aloha hotsikiloviko eto fa tsy hiditra ao mihitsy aho... Kinanjo,
- "Mama, Mama!" hoy Alexia... "avia ampio aho fa tena fanina!"
Niahotra i Malala saingy i Alexia no niantso sady niantoraka teny amindreniny...!!!
- "Haaaaa! Faly aho anaka satria velona soa aman-tsara ianao?"
- "Fa naninona aho ry Mama?"
- "An, an, an, nolazaiko ianao hoe atao ny raharahanareo sy Hery dia iny ianao torana iny. Asa angaha reitsy nafana loatra ny andro tamin'ny anikeheo iny!"
- "Hay?"
- "Oufff!!!! izay ry Mama vao azoko ny aiko!"
- "Avelako aloha indry fa hody izahay mianaka fa i rainao no hiandry anao aty. Efa alina izao ka hampatory an'i Toky aho! Rahampitso reitsy a!"
Ny tao antsain'i alexia nefa ny alina dia hitany fa misy aloka mitatao izany ny fiainany fa tsy azony antsaina loatra... Inona ary no mahalasa saina ahy? Misy zavatra toa mitatao izany ao ambony lohako? Inona ary no hitranga? Natory ihany anefa izy avy eo, ary toa noheveriny ho nofy ny safotofotom-piainana nianjady taminy nandritry ny volana maromaro izay.
Nony maraina, niditra nijery azy ny dokotera,
- "Manao ahoana ianao izay?"
- "An, an, an! tsy maninona loatra intsony aho fa reradreraka fotsiny."
- "Hono ho'aho, tsy misy zavatra tsikaritrao ve tamin'ny tenanao tato ho ato?"
- "Inona ohatra dokotera?"
- "Tsy izany mantsy fa misy vaovao tsara ho anao ity... Bevohoka ianao!"
Nisomebiseby ny eran'ny trano. Faly sahirana aho. I Malala toa kaodikaody be izany. Hivoaka ny hopitaly androany i Alexia. Efa samy mahalala izahay fa mitoe-jaza ity zanak'olona fa ny hanatanterahana ny raharaha izao no resaka matetika miverina ato an-trano. Isaky ny mitsidika io resaka io dia mangarika ahy foana i Malala. Asa na kisendrasendra koa, fa isaky ny eo am-piresahana an'io dia mitomany mafy foana i Toky ka tsy misy resaka vanona. Andro vitsivitsy taty aoriana, sendra namangy an'i Alexia aho, olona vonton-dranomaso no nitsena ahy. - "Fa misy inona?" hoy aho taminy taitra sady nanatona. Tsy niteny tsy nivolana i Alexia fa ny ranomasony no vao maika nijohy. Nandroso ihany aho, hay efa niandry tao amin'ny salon koa i ingahy Ratrema sy Malala. Inty indray ny an'ialahy hoy aho anakampo, eto vao ho vaky barara eto ialahy. Niha-faingana ny fidobodoboky ny foko....!
- "Hery a!"
- "Fa misy inona? Misy inona ho'aho?"
- "Hery a!... Afaka ny zanako!!!"
- "Afaka ny zanatsika?"
Ankona tanteraka aho, maina ny tendako, maina ny vatako... Tsy nahaloa-peo aho aloha tao anatin'ny minitra maromaro. Hany heriko namonjy toerana teo amin'izay seza lava tsy nisy nipetraka izay... Maizina tamiko ny tany aman-danitra. Ny tena nampalahelo ahy dia i Alexia izay efa tena nametraka ny fanantenany sy ny fiononany tamin'ilay ho zanakay! Ny amiko moa, inona no holazaiko? Tsy misy. Nahatsiaro tena ho diso aho kanefa efa tongotra mby an-dakana koa ny lalako ka tsy afa-nihemotra intsony aho... I Alexia indray no nanafosafo ahy sy nampionona ahy tamin'ny ranomasoko. Nangala-pijery tany amin'i Malala aho, dia toa tsikaritro ho mitsiky hafahafa toa faly izany izy... Tsaroako tampoka i Toky, hay moa aho efa manan-janaka, hoy aho anakam-po...
- "Ka inona moa rankizy no azo atao fa dia aleo haroso ny raharaha fa efa natomboka izy ity a! Aza atao hoe loza ity nahazo anareo anaka fa ataovy hoe mbola tsy iny ilay anjaranareo... Ndeha ny ho avy no hatrehina?"
- "Ka tsy aleo aloha hahemotra ity raharaha ity?" hoy i Malala nitsatsaingoka. "K'inona intsony izany no mahamaika? Tsy aleo i Alexia mamita ny fianarany aloha? Na i Hery mba ho tsara toerana eo amin'ny asany vao atao izay ho atao?"
Na te-hidoika an-dreniny aza i Alexia, dia naleony nangina fa tsy nananany akory na ny aina hifamaliana amin-dreniny aza...
- "Izaho aloha manaiky an'izay toro-hevitry Mama izay", hoy aho mody nanome ny hevitro koa..."Ohatry ny manahirana ihany raha tsy manana asa tsara aho hamelomako anao... Sa ahoana ny hevitry Papa?"
- "Amiko aloha, zanako vavitokana i Alexia, ary ianao efa noraisiko ho zanako ihany koa hatramin'izay, ka voninahitra ho ahy ny hikarakara ny mariazinareo, ary raha mbola sahirana aza ianareo roa kely, inona moa ny olana raha hipetraka ato aza ianareo avy eo? Ny trano malalaka. Atsy amin'ilay dépendant atsy aloha ianareo roa no mipetraka fa malalaka tsara ao sady mitokana. Sa ahoana?"
Nitraka ihany i Alexia ary nitsangana moramora izy no nibanjina anay rehetra...
- "Ka tsy aleo aloha ity resaka ity tapahana fa ny alina hono mitondra fisainana; ka aleo rahampitso samy mamoaka ny heviny sady reraka mafy aho izany... Aleo aho hiakatra kely aloha, andao ry Hery ho any ambony... Tsy maninona ve ry Papa?"
- "MMMhhh! Mandehana anaka fa tsy misy tsiny a! Maka aina tsara, aza dia vizanina be aloha izy ry Hery a!"
- "Aza matahotra ianao ry Papa fa tsy ho ela aho!"
Iny koa i Malala fa niakatra haingana; lazainy fa hijery an-janany hono izy. Nosongonany teo an-tohatra aho ary nisy taratasy niforiporitra izay nasisiny tany am-paosin-dobako... Toy ny tsy teo no nangaronako ny paosiko sady namindrako ilay horonan-taratasy tao am-paosin'ny patalohako. Tsy hitan'i Alexia anefa izany rehetra izany... Nony tao an’efitra izahay dia nalan'i Alexia ny akanjony ary niakatra teo am-pandriana izy no sady notarihiny aho... - "An, an, an, ho'aho, angaha ianao mbola afaka manao inon’inona re e?" hoy aho nanambitamby azy... Kanefa tsy nety izy fa nisisika ihany... Nanda ihany anefa aho sady nolazaiko hoe sao tsy mahasalama anao... Nanaiky ihany izy ary resin-tory ho azy teo. Mbola miasa ihany mantsy ny fanafody ohaniny isan’andro. Tsitapitapitr'izay dia nipoitra teo am-baravarana i Malala sady nipihi-maso ahy,
- "Avia" hoy izy.
- "Fa aiza Ratrema?" hoy aho nibitsibitsika.
- "Lasa nivoaka any izy ary nentiny ny fiarany fa avia!!!"
Ny nihaviany no ela dia nirifatra toy ny tsy teo aho namonjy azy tao anefiny... Efa akanjo mandry manify menamena izay no nanaovany... Tena mbola bikana mihitsy izy ary dia nahatsiaro tena tia azy indray aho... Adinoko daholo i Alexia sy ny nahazo azy, ny rainy, ny zanako, ny asako, fa dia levona tanteraka tao anatin'ny vatan'ity ramatoa mampitsonika ny maha-olona ahy iray manontolo ity indray aloha aho.
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |