« Pejy 80 | Main
| PEJY 82 »
Nandritra ny alina nandehanan'i Hery ho any Frantsa dia tsy nopoizin-tory i Malala fa toa variana nibanjina ny valin-drihana. Maro dia maro ny zavatra nifamahofaho tao andohany tamin'izay fotoana izay.
" Dia lasa lavitra ahy tokoa lahy i Hery! lasa tsy afaka arahako akory!" Hoy ny vetsovetsony tany ampony tany.
" Ahoana koa moa no anarahako azy any, ny olanay mivady aza eto mbola tsy hita izay amahana azy! ny ankizy atao ahoana" hoy izy niezaka nanodina ny sainy tsy ho lavon'ny alahelo.
Niezaka nivadika izy haka torimaso nefa tsy nety nahazo izany fa toa voasiton'ny valin-drihana hatrany handefa heritreritra momba ity olon-tiany sady rain-janany.
" hanao ahoana ny fitsaboana azy?, mbola hiverina ve izy sa ho lasan'i Alexia tanteraka?....dia ahoana ny fitiavako? dia ho foiny ve ny zanakay?....... Ary Dokotera Mihary ? ... Mino mihitsy aho fa iny ilay sarim-behivavy hitako tao amin'i vata sarihan'i Profesora Mahefa.
Tsy andriko izay rahampitso hoy Malala tany antsainy tany hiantsoana any Frantsa mba hahenoana vaovao.
Raha mbola teo ampamisavisana teo i Malala no nivadi-mandry Ratrema, somary nihiratra kely izy ary gaga nahita ny jiro fandrehitra eo an-doha-fandrian'ity vadiny izay toa mbola mazava.
-" Ndry! ary fa angaha ianao mbola tsy matory ihany? andro efa amin'ny 2 maraina anie izao e!"
Taitra tamin'ny vetsovetsony teo i Malala raha nahare ny tenin-dRatrema, somary nangina kely izy niezaka nitady izay teny halahatra.
-" Miheritreritra ny lalana mbola tsy maintsy handehanan'dry Hery aho Ratrema, ho zakany ve ny dia amin'ity fahavoazany?"
Somary gaga Ratrema raha nahare ny zavatra notenenin'ny vadiny.
-" Fa marary be manahoana moa izy iny? ataoko ity misy Dokotera nanaraka azy any? sa tsy mahatoky ilay Dokotera izato vadiko?" sady nodiany natsafaina kely i Malala.
-"Tsy maninona izany re izy fa matoria ianao e! rahampitso atoandro isika miantso any! dia piho amin'izay io jiro io fa tsy ahitana tory tsara!" hoy ihany i Ratrema sady toa tsy niraharaha am-badiny fa nivadika nihorirana nanome lamosina, izy nefa amin'io finaritra anaty sady, toa mahatsiaro tena ho afa-patorana , maka torimaso milamina.
" Mba afaka hiaina milamina amin'izay aho izao fa tsy hisy an'iny Hery iny intsony misalovantsovana ny tokatranoko, ela izay nihafiako tamin'ialahy izay." Tsy ela taorian'izay dia renoka indray ny anao lahy
Malala kosa tsy nahaloam-peo raha nahare ny zavatra notenenin-dRatrema, takany avy hatrany izay fonosin'ny zava-boalazan'i Ratrema teo ka dia naleony nangina, ary niezaka nanaraka ny baikony amin'ny hamonoana ny jiro. Nipitrapitra irery tao anaty haizina tao izy, navesatra taminy ny alahelo sy ny adin-tsaina ka, efa hadiva haraina mihitsy izy vao babon'ny torimaso.
Fa mba nanao ahoana kosa ny tany Frantsa ny marainan'ny ahatongavandry Hery sy Dokotera Mihary?
Vao Maraina be tamin'io fotoana io dia efa somebiseby i Profesora Mahefa sy Alexia hitsena ireto vahiny, tsy nanana fotoana niresahana firy izy mianaka fa samy niezaka nandamina izay vita sy niomana.
Alexia moa tsindri-daona ny ahita indray ity malalany tsy hitany fotoana naharitra, sady mitaintaina amin'izay mety ho fiovan'endrika hanoloana azy. Vao maraina be izy dia efa vita homana, tsy sasatra ny mivezivezy eo anoloan'ny "coiffeuse" mijery ny tarehy sy volo sao misy tsy lavorary, toa tsy nety afa-po, mitady izay endrika soa sy kanto indrindra hitsenana indray ity olon-tiany.
Hadinony hatramin'ny nisakafo maraina, tsaroany midobodoboka mafy ny fony, moa va tsy toy ireny izy roa vao nanao fotoana voalohany ireny no tsapany tao anatiny tao?
Nipetraka moramora teo amin'ny seza manoloana ny fitaratra i Alexia, sady mibango moramora ny volony amin'ny tanana no nametsovetso moramora tao ampony tao:
"tena mbola tsy niova ny fitiavako anao ry Hery, hihaona indray isika, ....ho tafaraka tanteraka sy hiaina malalaka amin'ilay olon-tiako indray aho lahy!" "tsy hisy an'i Neny hisalovantsovana intsony!" vintana ve sa kisendrasendra?
Nanomboka tsy tafatombona intsony izy fa mbetika mipetraka mijery fitaratra, mbetika mitsangana mandehandeha eran'ny trano miandry lera. Toa tsaroany ho nihisatra mihitsy ny fihodin'ny famantaran'ora teto.
Tsinjon'i Profesora Mahefa izany fihetsiky ny zanany izany ka nahatsiaro sambatra izy! "Lalina izany fitahian'Andriamanitra izany" hoy izy tany an-tsainy tany. Mampatsiahy ahy mafy an'i vololona izany fiainan'ny zanako izany. Raha mba afaka nihaona indray toy izao an'ny zanako sy i Hery izao moa izahay tamin'izany fotoan'andro dia angamba ho tretrika tahaka izao Alexia izao koa izy!
eeeeeeee! soa fa mba nisy An'ity zanako vavy ity nomen'Andriamanitra ahy ho fampihononana. Dia ho lasa fianakaviana kely mihitsy izany izahay atsy ho atsy raha sitrapon'i Tompo! fianakaviana avy amin'i Vololona na dia tsy lasa vadikoaza izy.
Vololona izay nanifihako an'i Ramisarivo! toa niova tampoka ny vetsovetson'i Pr Mahefa!
"Ramisarivo! tena i Dokotera Mihary tokoa ve izy?"
Toa tsy mampino ahy, ny sary aloha misy itovizana be, ny anarana koa. Fa naninona no novany ny fiantsoana azy? Za koa moa tsy dia nana fotoana nandinihana azy loatra fa efa maika tamin'ny fikarakarana ny hipetrahany aty. Ny feo indray anefa toa tsy dia mitovy, sa efa niova rehefa nihanahazo taona?
"Aleo rangaha rehefa mifanena dia iaraha-mahita eo a!" hoy Pr Mahefa niezaka ny nandamina ny sainy manoloana ny tangorom-panontaniana nisangodina tao an-dohany.
Raha mbola variana nihodikodina teo izy dia injao fa nandondona tao ambaravaran'efitra i Alexia.
"Dada a! sao dia efa tokony hanainga amin'izay isika sao dia tara ka manjary miandry ry zareo?"
" "Efa dondona ery izany zanako izany an! ", hoy Mahefa nody nanatsafa.
"Aleo aloha aho mba hanendry sakafo maraina kely fa mbola rahoviana vao ho atoandro ny andro? ary ianao angaha efa nihinana?" hoy izy mantsy an'i Alexia, izay somary niahotra namaly an-dRainy!
"An,..an,..an, tena ohatry ny tsy mahalatsaka aho fa aleo aloha amin'izao!"
"Mihinana na dia kely fotsiny aza, na dia ronono na ranom-boankazo fotsiny aza fa mbola aiza ny zavatra miandry antsika anio!"
"Tena tsy mahatelina aho ry dada a! ohatry ny mihafotra ato an-tendako ato fotsiny ny zavatra ohaniko, marina e!"
"Voky fitiavana izany ny zanako?" sady somary nitsiky tamin-janany izy no nanoroka malefaka ny andriny!
"Aiza kosa e! angamba mitaintaina aho ry Dada no tena marina dia tsy mahatsiaro noana!, rehefa noana ve aho any amin'ny alehatsika any tsy hividy zavatra ohanina e!"
"eny indray ary ko!" hoy Mahefa niezaka nanaja ny safidin-janany.
Nandritra ny làlana nakeny amin'ny seranam-piaramanidina dia samy tsy nisy nahitana teny firy izy mianaka, tsaroan'i Alexia ho tena lavitra taminy mihitsy ny toerana nisy ny seranam-piara-manidina tamin'ity androany ity, tsy sasatra izy ny mijery famantaranandro sao dia tara ny fahatongavan'ny zotram-piaramanidina avy any Madagasikara. Samy nanana ny vetsovetsom-pony sy ny fitaintainany tany moa izy mianaka saingy samy nitana izany samy irery tany anatiny tany.
Mbola Hitohy.
....(Madagasikara)
Hevitra