Vao tonga tao amin’ny hopitaly dia natoron’ilay mpiandry vavahady ny misy an’i Mihary. Akory ny hatairany raha nahita an’i Mihary nitanondrika teo ambony biraony. Sady mifokofoko mila hitomany raha vao nahita azy roa ...
Tadiom-pitiavana ([email protected])
Nanaraka moramora avy ao aoriana ilay mpamily, izy amin’io tsy tena mifantoka tsara fa toa varimbariana nanara-dia ilay fiara karetsaka teo alohany fotsiny. Tampoka teo, tsy hitany akory fa nisy fiarabe mpitatitra olona nirimorimo mafy avy any ankavanany toa nanezaka mafy ny hijanona amin’izato figikan’ny kodiarana nefa mbola tsy tafajanona ihany raha tsy efa nidona mafy tamin’ilay varavarana manakaiky ny nisy an’i Hery. Avy hatrany dia nipitika teny amin’ny dimy metatra ilay fiara karetsaka, ary i Hery no voadona mafy tamin’ny fiforetan’ilay varavarana.
Nisy olona naratra koa tao anatin’ilay fiarabe fa nidona tamin’ny fitaratra teo alohany. Taitra sady nikoropaka avokoa ny mpandalo rehetra.
Nitangorona ny olona, tao ny nisomaritaka fa saika voadona, tao koa ny avy hatrany dia namonjy ny tao anaty fiara, navoaka ilay mpamily, tsy dia naninona loatra ilay rangahy fa i Hery sady naratra mafy no voadona koa ny lohany, toa tsy mahatsiaro tena…
Ilay fiarakaretsaka iray nitondra an’i Mihary kosa vao lasa lavidavitra ka nahare ilay lozam-pifamoivozana dia nijanona:
- "Azafady ramose mba ajanony kely hoe fa toa nisy loza nitranga io ao aoriantsika io. Mpitsabo mantsy aho ka tsy mandry ny saiko raha handao fotsiny ny zavatra toa izao. Aza mandeha anefa ianao fa andraso aho an."
Avy hatrany dia nivoka ny fiara i Mihary, ny andro rahateo efa maizimaizina fa efa madiva ho alina.
Vao tonga teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza izy, ny olona, mamoaka ity naratra mafy, tsy voavoha mihitsy ilay varavarana voadona fa avy aty amin’ny ilany no nosintonina ity tovolahy tsy mahatsiaro tena. Nihamaro hatrany ny olona nitangorongorona teo.
- "azafady, azafady," hoy i Mihary etsy, misisisisika sady manavatsava anatin’ireto olona marobe nifamahofaho sy nihazakazaka nijery.
- "azafady tompoko ô ! azafady fa dokotera aho hijery izay mitranga e ! azafady indrindra!"
Nomen’ny olona làlana izy, nijery ity lehilahy efa vonton-dra amin’ny tarehiny.
Tsy mbola azony an-tsaina na iza na iza, ny andro koa mihamaizina, ny olona nifanetinety ihany.
- "Azafady ry ise an ! raha azonao atao, dia aza avela hifanototra eto ireo olona marobe ireo, fa mila rivotra isika."
- "Raha misy olona afaka miantso fiara-mpamonjy voina rey olona dia mba antsoy azafady e!" hoy i Mihary niangavy ihany.
…
- "Angony daholo izay vatam-panafody vonjy taitra anatin’ireo fiara ireo, aingàna ianareo izay mahita izany e!"
Vetivety teo dia nipoitra avy any ny fitaovana nangatahiny, novahana ny vovon-dandihazo, nofafàna izay ra tamin’ny tarehin’ny maratra. I Hery amin’io mbola tsy mahatsiaro tena ihany, notsapaina ny fony mbola mitempo fa malefaka, izy zara raha miaina.
Injany fa re manakoako avy any ny anjomaran’ny mpitondra marary satria tsy lavitra avy teo ny toby misy azy, mitarataratra ny jiro manga, manavatsava ireo fiara mitohana noho ity lozam-pifamoivozana.
Vao tonga teo amin’ny toerana dia nobataina i Hery, nakarina teo ambony fandriana kely, nampidirina tao anaty fiara nony avy eo.
I Mihary moa tamin'io tsy maintsy mbola nijery ilay maratra hafa sy ireo mpamily. Nifampiresaka tamin’ilay mpamonjy voina izy nony avy eo ny amin’ny hitondrana ireo maratra hafa!
Alohan’ny hiaingàna dia niakatra tao anatin’ilay fiara i Mihary ary akory ny hatairany, tsy azony an-tsaina mihitsy hatramin’izay, fa i Hery anie ity maratra mafy manoloana azy. Taitra tsy mbola nisy ohatran'izany izy! tsy hitany anefa izay ho tenenina fa ny fony no tsapany nidobodoboka mafy. "Loza ity," hoy izy tany antsainy tany nony avy eo.
- "Tsy maintsy manaraka anareo aho izao fa olom-pantatro io maratra io!" hoy izy tamin'ireo mpamonjy voina. Soa fa lehibe ihany ilay fiara ka afaka nitondra izay tena naratra aloha. Niazakazaka i Mihary namonjy ilay fiara karetsaka niandry azy dia nanazava ny zava-misy tamin'ilay mpamily teo sady nandoa ny volany dia niverina haingana namonjy ilay fiara hitondra an'i Hery tany amin'ny hopitaly.
Natahotra mafy i Mihary teny an-dalana. Nohenoiny matetika ny fitempon’ny fon'i Hery izay tsapany fa toa malefaka dia malefaka. Nisento izy nijery ity olon-tiany rakofan'ny saron-tava mba hifohany rivotra madio iainany. Tsy mbola mahatsiaro tena hatrany i Hery. Ilay mpitsabo mpanampy mpamonjy voina moa mandritra izay fotoana izay tsy nitsahatra nanadio ny ratra amin’ireo marary hafa.
Vao tonga tao amin’ny hopitaly dia nikoropaka ny rehetra ary efa vonona ny handray azy ireo avokoa ny mpitsabo, mahafantatra an’i Mihary avokoa izy ireo satria hopitaly iasan’i Mihary koa ny nitondrana ireo maratra ireo.
- "Tsy maintsy miakatra any amin’ny efitra fandidiana izao dia izao, mila fitarafana izy ity hoy i Mihary fa mety misy tapaka any amin’ny tongony any,"
Nirodorodo ny rehetra. Ny maratra hafa moa navelan'ny Mihary nosahanin'ny mpitsabo hafa fa dia noraisiny antanana mihitsy ny momba an'i Hery.
Vao tonga tao amin’ny efitra fandidiana, napetaka avokoa ny fitsapàna rehetra, napetrak’i Mihary tamin’ny mpitsabo namany aloha ny marary fa naka ny akanjo sy nanao ny fanadiovana ny tenany izy.
Fotoana vetivety ihany dia iny i Mihary niditra ny efitra, injany ny feon’ny milina mipipika manambara ny fitempon’ny fon’i Hery, malefaka dia malefaka. Miha-miadana hatrany.
- "Mila mitandrina isika, miha-miadana hatrany ny fitempon’ny fony izany."
- "Ahoana ny valin’ny fitarafana?"
- "Misy tapaka ny taolam-peny dokotera!"
- "Ary ny tratra sy ny ratsam-batana hafa?"
- "Tsy maninona ka! azo tsapaina tsara!"
Notsindritsindrian’i Mihary aloha ny tratran’i Hery, ilay feon’ny milina niha-niadana hatrany. Nanomboka manganohano ny mason'i Mihary.
<<piiip, …piiiiiiip,…. piiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiii>>>>
Tsy nitempo intsony ny fon’i Hery, nikoropaka ny rehetra, nisamahotaka ny eran’ny trano, i Mihary etsy ila ho latsa-dranomaso toa tsy nahita hotenenina. Loza ity, loza marina.
- "Tsy tanantsika intsony, tsy tanantsika intsony, aingàna ianareo, .... "
Tadiom-pitiavana ([email protected])
- "Fantatro ry Mihary fa tsy tokony hanao ity zavatra ity aho, fa na dia ny fiarahantsika hatramin’izay aza dia aleoko manolotra anao ity fanomezana kely ity, mba ho fiarahabana tratry ny Krismasy sy ny taom-baovao e !," hoy i Hery sady nanolotra fonosana miendrika efa-joro mangirana tadiana kely izay izy ;
- "Oh ! misaotra betsaka, tena misaotra ry Hery, hay ve izay no nahatonga anao hitady ahy androany e!"
- "Ie ! eny e ! tsy izay ihany akory fa mba te-hiresaka koa aho, fa mila namana iresahana."
- "Tsy maninona raha vohaiko izao an!"
- "Tsy maninona ka ! enga anie ka ho tianao!"
….
- "Andray ry Hery, fa inona ity fanomezana atolotrao ahy, zavatra lafo vidy be!"
Nitsangana mihitsy i Mihary sady nanatona an’i Hery rehefa nivaha ilay fonosana. Rojo volamena manifinify izay no tao anatiny. Faly aok’izany izy. Nanatona dia nanoroka ny takolak’i Hery.
- "Andray, fa maninona ary aho no toloranao zava-tsarobidy toy izao!" sady niantsalorany ilay firavaka, i Hery tsy niteny.
….
- "Ianao no nanokatra ny masoko, dia tiako mba omena an’iny. Aleoko manao fandaniana be hahatsiarovako tsara izay nataoko. Sady izao fitsaboana ataonao ahy izao, fitsaboana moa no ilazako azy, dia tsy ho voavidim-bola mihitsy ry Mihary fa dia raiso fa natoako amin’ny fo tokoa."
- "Misaotra ary, dia misaotra betsaka, …. fa toa tsy manana fo faly izany mihitsy ho’aho ianao e!"
…
- "Jereo tsara ary ny masoko dia aleo mifampiresaka isika."
- "Ssshhh, ny mampalahelo ahy dia i Alexia tsy namaly ahy mihitsy hatramin’izao, nefa efa nalefako mailaka aminy ny laharan’ny findaiko. Mino aho fa i Tahiana dia mahalala tsara ny misy an-dry zareo fa tsy te-hiteny amiko, azonao atao ve ry Mihary ny mandresy lahatra azy, hanomezany vaovao? Ny atahorako mantsy, isaky ny mifankahita izahay, dia mety hisarika ahy hanao ny tsy tokony hatao foana izy. Moa tsy tiany mihitsy ny handehanako any an-dafy, nefa izaho efa nanao famandrihana tamina ivon-toerana fizahan-tany mba hahamoramora kokoa ny ahazoako ny visa."
- "Fa inona no saika nataony taminao?"
- "Mitady hoe hanao firaisana amiko foana izy!"
- "Hatramin’izao ve?"
- "Tamin’izaho ilay avy tonga tany Mahajanga iny."
- "Ka efa niova ny fandehan-javatra fa mety tsy mahalala ianao, izy ange ka efa miaraka amin’ny dadafaranao e!"
- "izay tokoa angaha fa ny adiresin’i Alexia no tiako ho fantatra aminy na dia laharana an-tarobia fotsiny aza!"
- "Eny e ! azonao atokisana aho fa mila mahandry tsara fotsiny ianao. Sady… ssshhh….eny e!"
Toa tsy nahoan’i Mihary akory ilay resak’i Hery, tsy niditra ny sainy akory aza, fa ity fanomezana ity no nampirehitra indray ny fitiavany toa tsy hainy nosakanana. Nitsangana izy dia niodina tao ambadik’i Hery.
- "Aleo aloha ianao oriko eto amin’ny soroka fa tena vizan-tsaina mihitsy. Mety izao!"
- "Ie ! mety tsara," hoy koa ity iray, naka fy ny otra nataon’i Mihary.
…
Afaka telo minitra, dia najanony, sady nijoro teo anoloan’i Hery izy sady nampitraka ny lohany.
- "Raha fantatrao mantsy ry Hery ny halalin’ny fitiavako anao!…"
Toa tsy nahoan’i Hery izay teny izay fa lasa lavitra tany amin’i Alexia ny sainy. Safosafo malemy no tsapany tamin’ny takolany, dia injay nisy hafanana mitohoka amin’ny molony sady nifanoroka taminy.
Navelany ity vehivavy hipetraka teo ambony lohaliny sady nofeheziny koa. Dia lasa ny safosafo, ny oroka tsy nijanona.
Ny mason’i hery amin’io mikimpy mameno ny endrika soan’i Alexia ao an-tsainy. I Mihary kosa naka fy nanome fisaorana ity fanomezana noheveriny fa tamin’ny fitiavana tokoa.
Rehefa lasa lavitra ny orokoroka, dia nifampikasoka ny lela ary teo vao tsaroan’i Hery ity hamamin’ny fitiavany ilay olon-tiany, nosokafany ny masony, toa diso fanantenana fa vehivavy manao akanjo fotsy fitondran’ny mpitsabo no hitany. Ny tanany efa mamaha tsikelikely ny bokotry ny lobany.
Tampoka, niala i Hery ;
- "Mihary an ! tena miala tsiny, fa …"
- "Hery an ! fantatrao tsara ny halalin’ny fitiavako anao," sady nofeheziny ny lohany hifanoroka taminy indray.
- "Tsia an ! tsia dia tsia, ry Mihary, efa nifampiresaka momba izay isika. Fa tena tsy inoanareo mihitsy ve izany ny fitiavako an’i Alexia no sedrainareo izay sarotra amiko aho?"
Nisento fotsiny i Mihary, tsy nahateny, dia avy eo natsangan’i Hery.
Iny izy niverina nipetraka teo ambony sezany, dia niondrika tsy te-hampiseho ny masony manganohano.
- "Tsy haiko," hoy i Mihary nanomboka latsa-dranomaso, tsy tsapanao tokoa ve fa ny nataontsika tany Mahajanga dia nanamarika zavatra lehibe tamin’ny fiainako? "
- "Azoko dia azoko Mihary an ! fa efa nilaza taminao aho fa efa niova sady efa nifanaiky isika."
Nanatona azy i Hery nefa natosiny tamin’ny tanany , izy nanomboka nitomany no namaha ilay rojo dia natolony an’i Hery.
- "Ento any ity ry Hery an ! tsy anjarako ity, tadidio fa tsy fanao ny manome volamena, na rojo io, indrindra moa fa peratra ho an’ny namana fa midika zavatra hafa izany.
Dia andàna mandeha…" hoy ihany i Mihary nifokofoko, "tadiavo ny Alexia anao fa izy no sahaza ireny."
Tsy nety nandray i Hery, latsaka tamin’ny gorodona ilay rojo, dia noraofin’i Mihary ihany sady natsofony tao anaty paosin’i Hery.
- "Tena miangavy mafy anao aho ry Hery an ! Andàna mandeha.
Efa hendry rahateo moa ianao ka vita ny adidiko! Vita koa izay iraka nampanaovina ahy!"
Tsy azon’i Hery izany teny izany, fa niala teo izy dia nanokatra ny varavarana, soa fa tsy nisy marary hozahana intsony dia nidina ny tohatra izy, niandriandry teo ivelany mba hanarahany maso tsara an’i Mihary sao dia hamerina indray ity nataony tany Mahajanga.
Afaka 15 minitra dia iny i Mihary nivoaka ny trano fiasàny, nisakana fiarakaretsaka sady toa tsy nanontany akory fa niditra dia lasa.
Tsy nisalasala i Hery naka fiarakaretsaka hafa koa dia niteny hoe :
- "azonao arahina ve iny « taxi » iray iny fa aloako ny hofan’ny fiaranao?
Nanaiky koa ilay mpamily dia nifanaraka teny ny fiara roa.
Tadiom-pitiavana ([email protected])
Loulou ([email protected])
Ontsa dia ontsa ny fon’i Tojo mahita ny fipenipenin’i Profesora Mahefa amin’ny fikarakarana azy mianaka vehivavy. Toa ilay profesora mahay nikoizan’ny rehetra ity, na amin’ny fitsaboana na amin’ny torohevitra, no toa kivy sy mitady ho very hevitra ny amin’izay tokony atao manoloana ny olany. Hatramin’izay nahafantaran’i Tojo azy izay tokoa mantsy dia toa tsy mba noseranan-tsampona izany ny fiainan’i Profesora. Lehilahy nahavita be taminy raha i Profesora Mahefa, namonjy azy na tamin’ny lafiny ara-bola na tamin’ny lafiny ara-tsaina, indrindra indrindra moa fa ara-pahasalamana. Izy no mba hany solon-dray aman-dreniny nandritra izay dimy taona naha-taty Frantsa azy izay, ary toy ny zanaka nateraka ihany koa no nitondràn’i Profesora azy hatramin’izay. Ankehitriny hitany ho tena tojo olana i Profesora. Mba te hanampy azy koa araka izay azony hatao izy nefa amin’ny fomba ahoana? Tsy afaka ny hananatra na koa hoe hanome torohevitra, ny tenany koa mantsy mbola zaza loatra raha mihoatra amin’i Profesora. Nohararaotiny ihany anefa ny fotoana sendra nahatafahaona tao andakozia azy mianaka:
- "Profesora a! raha misy azoko anampiana anao dia aza misalasala miantso ahy, na andro mangirandratsy io na alina mamirifiry. Fahafinaretana lehibe ho ahy ny ahafahako manampy anao, ary matokia ahy fa am-pitiavana no hanaovako izany."
- "Eny r’ise Tojo, misaotra indrindra an’ise aho noho izany tenin’ise izany. Fantatro fa olona azo itokisana raha ise, ary tena natoky an’ise foana aho hatramin’izay. Ny tena olako izao dia ny fanahiako ny amin’izay mety ho tohin’izao fandehan-javatra rehetra izao. Ny amin’i Malala moa dia tsy azoko mihitsy hoe inona no tena manjo azy, inona no nahasafotra azy tampoka teo, tena mbola mila fanadihadiana lalina ny amin’iny fa tena misy zavatra tsy mazava amiko. Fa ny amin’i Alexia r’ise no tena mahavaky ny saiko a! Ohatran’ny matahotra aho ny amin’izay mety ho fiovan’ny fihetsiky i Alexia amiko aorian’izao fotoana izao. Tsy vitako akory ny nanadihady izay tena mahazo azy marina tokoa."
- "Aza manahy ianao Profesora a! omeo fotoana izy aloha ahafahany mandinika tsara izay ho ataony. Marina fa tampoka taminy ny nahenony ny tena marina, kanefa na rahampitso na afaka am-bolana dia tsy maintsy ho tampoka ho azy foana no handraisany azy. Araky ny fitantaran’i Madama ahy mantsy dia tena olona tsotra sy be fandeferana raha io tovovavy io, koa mino aho fa ho fantany izay tokony ataony. Manakory raha entoko mivoaka kely izy mianaka Profesora? Sao dia izay no tokony ataoko?"
Tsy nahateny i Mahefa. Tsy fanontaniana nipetraka na fanazavana natao, nefa dia toa arak’i Tojo ny fandehan-javatra rehetra. Tamin’ny fomba ahoana? Tsy maintsy Malala izay. Nanaovan’i Mahefa fijery miorirana i Tojo.
- "Aza manahy ianao Profesora a! Mba entoko haka rivotra kely fotsiny e! Ao anaty fiara ihany fa tsy mivoaka akory sao sanatria hisy fiantraikany amin’ny fahasalaman’i Alexia. Raha manaiky moa izy ireo mazava ho azy."
- "Eny e! eny e! Tena hevitra mety tokoa ny an’ise ka! Tsy misy sakana avy aty amiko mihitsy. Saingy i Alexia ihany entina, hahatsara azy izay hevitr’ise izay. Ilazao ary izy e! I Malala... mbola misy resala kely ifanaovako aminy."
Nanaiky izy, nefa azo lazaina ho nanaiky tsy sazoka ihany satria, raha ny tena faniriany dia i Malala no nentina, i Malala ihany, saingy ny hanampy an’i Mahefa no tanjony, dia izy mianaka no nolazainy, kinanjo … niafara tamin’i Alexia irery. Ity farany koa nanaiky avy hatrany, tsy nisy fihambahambana, toa zarany tokoa hivoaka kely, hihataka kely amin’izao fisafotofotoan-javatra izao. Tsy hitan’i Alexia marina izay hasiany ny tenany sy izay haloaky ny vavany. Toa saron’ny henatra ny hafaliany. Nefa lalina tany anatiny tany dia nisaotra an’Andriamanitra izy fa nivaly sahady ny vavaka nataony, tojo amin’ny niriany izy ity, ny ahafantarany ny ray niteraka azy. Ny fisaorana feno an’i Tojo no nalefany aloha indrindra noho ny fandavantena nananan’ity farany. Zay izy vao nilaza fa mbola hiakanjo aloha, fialantsiny koa nataony noho izany raha tsy maintsy mbola mampiandry kely. “Tsy maninona mihintsy ka, ataovy miadana” hoy i Tojo sady nitsiky.
Nony kelikely,
- "Tojo, izay fa vonona aho, tena tsy manahirana anao a!"
Nahodin’i Tojo niankavanana misy ny varavarana nihavian’ny feo ny lohany. Tovovavy mpanao akanjo mandry hitany foana hatrizay no indro nanao fitafy mendrika nefa mampisongadina ny hatsaram-bikany. Ny volo hitany nifatotra fingotra sady somary misaritaka nandritra izay fotoana vitsy nahalalany azy izay indretsy hitany lava mipariaka manarona ny hatreo an-tsorony. Ny sanga sy ny volo mandady zary manao tana-masoandro hatrizay, indretsy milamaka tsara somary misori-bilana miankavanana. Bika re izao, endrika re izao, ravahan’ny molony feno tsiky sy ivoahan-teny malefaka. Sanganehana i Tojo, ampian’izato fahalalam-pomban’i Alexia
- "An? ...non, tss tsy maninona ho’aho, sssady, ssssady malalaka ny fotoanako androany, tsy mianatra aho."
- "Ndao isika hanainga ary e!"
________________________________________________
- "Ka manao ahoana ianao izay ry Malala?" sady nanantona teo antongom-parafara i Mahefa
- "Efa tsara ka, toa fanina tampoka fotsiny aho teo iny."
- "Tsara izany, fa hono ho’aho ry Malala, fa ahoana ny fifandraisanao sy Tojo moa?"
- "Ahoana ahoana ry Mahefa? Faa… inona no nolazainy anao? Tsy hitako. Tsisy."
- "Toa mampanontany tena ny fihetsikao ry Malala"
- "Fantatro izy ka, fantatro, olona tsy ratsy, ianao koa aza efa niteny izany."
- "Vao afiriana no nahafantaranao azy nefa dia…"
- "Iie! Niara-niantsena izahay, nandehandeha, nisy fotoana izy mba nisakafo hariva niaraka taminay telo mianaka tato, izaho no nanasa azy mba ho fankasitrahana ny fanampiana nataony rehetra. Nisy zavatra notantarainy anao angah? Tsy mbola taitra ve ny ankizy? Aleo aho aloha hijery azy dahy kely. Sady nitsangana izy ho any an’efitra."
Na dia niezaka ny hiala aza i Malala mba tsy hihitaran’ny resaka dia indrisy, nanaraka azy avy ao aoriana i Mahefa.
- "Dia ny tsiambarantelon’olona ve no borahinao aminy na dia hoe nifandray be sahala amin’inona aza ianareo e!"
- "Tsiambaratelo inona ry Mahefa a! Tsory fotsiny raha toa tsy nankasitrahanao ny nanasako azy hisakafo hariva tato amin’ny tokantranonao. Tsory fa aza mody fanontaniana hafahafa tsy misy dikany no asesikao. Miala tsiny aho, manao azafady aminao raha toa ka somary nanjakazaka tato amin’ity trano ity. Tsapako mihitsy izao fa efa tokony hody aho hamonjy ny tokatranoko. Ela loatra no nijanonako tato aminao, ny havan-tiana tokoa angamba tsy tokony hiaraha-monina ka. Sady efa salama izao i Alexia, efa vaky koa izao fa ianao no rainy, ianareo mianaka ve tsy hifampizaka eo. Tsy misy antony intsony tokony ijanonako aty. Sao anjary ho enta-mavesatra ho anareo izahay telo mianaka. Efa hody izahay e! efa hody. Miandry vola avy amin-dRatrema aho. Tsss, maninona tsy tonga dia tsorina fa…"
Gina tsy nahateny ingahy Profesora, nijaikojaiko niditra tany an’efitranony. Tsy dia reny tsara intsony izay tohiny tao. Inona ity nahazo an’ity Ramatoa ity? Izany tena hoe bokotra iray no nopotsirina dia tonga dia nanao tifitra basy marovava avy hatrany. Nitsilany teo amparafara i Mahefa, nandinika ny zava-nitranga rehetra, takany, tena takany ny zava-niseho. Tadidiny ny fisian’ilay silipo indray maraina iry. Hein! Izany no hoe gisavavy homa-ketsa, izy manao ny tsy fanao indray ity no avo vava. Iny ketsa iny kosa tao amin’ny nilàna azy tsara, sa dia efa ity Malala ity mihitsy no tsy mifidy ketsa? Sady nihomehy irery teo i Mahefa. Ny tena nahavaka ny sainy indray avy eo dia ny hoe “nahoana ary I Malala no niezaka nampiaraka an’I Tojo tamin’I Alexia nefa I Tojo efa niaraka taminy? Tena tsy mazava amiko ny toetran’ity Malala ity ka! Nefa tokony ho tsinjoko lavitra ihany ka, izy aza vao nahita ahy dia nanaiky ny niray tamiko. Ssshh, deinn! Kiriko aho, marina tsy tena sady kiriko amin’ny tenako aho izany. Tsy tiako ho sainina akory izay mety ho fomba fiainany ka! Samy manana ny fiainany tokoa ny olona. Azy any izany, izay fomba itondrany ny tenany tsy ahoako.” Sady nihivingivindoha i Mahefa no namonjy nihohoka teo am-pandriana. “Nefa … nefa izay fiainana niainany dia nahakasika an’I Alexia, I Alexia zanako, izay mahakasika an-janako tokony koa ahakasika ahy. Tsy afaka ny hialangalana aho, adidiko ny zanako. Mba ahafahako mifankahazo am-po aminy sy manampy azy tanteraka dia tsy maintsy ezahiko ny miaina izay fiainana rehetra niainany tany aloha tany. Inona no nitranga? Ny fahazazany, ny fahamatoiny, izao ny fahatanorany. Hery, Hery, inona no olana nosedrain’izy sy Hery ka nahatonga iny loza-pifamoivoizana iny? Eny e! reko hoe nisy tovovavy iray hafa… nefa na dia izany aza ve? Ary i Malala safotra teo, toa ny anaran’i Hery no naverimberiny, sa Hery hafa? Azoko antoka zato isan-jato izao fa mihodina amin’io Hery io ny safotofoton-tadiom-piainan’ity fianakaviana ity. Saingy sahala amin’ny ahoana ny fitsokany?
Loulou ([email protected])
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |