Nony afaka kelikely dia tsy naharitra i Malala fa namaky ny fahanginana tao anaty fiara nisy azy efa-mianaka.
- " Manao ahoana ny fandehan'ny orinasa aky chéri?, fa inona marina no tena nitranga fa ianao moa tsy nety niteny tamiko fa hoe aleo aho rehefa tonga aty ilazanao azy?"
- " Raharaha sarotra ilay izy ry Malala fa aleo rehefa tonga any antrano isika miresaka azy milamina" hoy i Ratrema sady nivily namonjy an'iny lala-manitsy mivoaka any Alarobia avy eo Ambohimanarina iny izy hamonjy ny tranon'izy ireo eny Ivandry. Nanomboka niketriketrika ny sain'i Malala nanontany tena ny amin'ny olana mety mianjady amin'ny vadiny sy ny orinasa.
Tsy ela taorianan'izay dia indro fa migadona eo anoloan'ny vavahady be miditra ao antananany i Malala mianakavy kely. Toa nahatsapa finaritra izany ny anao vavy nahita ity toerana mahazatra azy. " Hafa ihany lahy izany tonga aty amin'ny an'ny tena izany!" hoy izy tany ampony tany. Nasainy nampidirin'ny mpanampy tany antrano ny entana dia iny izy mivady miaraka ny ankizy nanaraka avy ato aoriana.
- " Tonga soa izany vadiko izany!" hoy i Ratrema sady nosintoniny hanatona azy akaiky i Malala sady norohany moramora teo amin'ny molony nony lasa ireo mpanampy roalahy. " Banga anao mihitsy ity tonkatranon-tsika ity." Hoy ihany Ratrema toa niha fenofeno hafanana izany ny tarehany. "Ilaiko mihitsy ny fisinao eo amin'ny fiainako ry Malala a!"
- " Misaotra aky chéri fa mila anao koa aho ary tsapako mihitsy ny fahabanganao tamin'ny namelanao anay irery tany andafy tany." Nisento kely aloha i Malala nony avy eo vao nanohy
- " Ity vaovao ratsy momba an'i Hery sy ny resaka orinasa ity no hitako manembatsembana ny fahasambarako tonga soamatsara eto anilan'ny vadiko"
- " Aza alefa lavitra ny eritreritrao aloha fa efa ndeha hijery an'i Hery isika rehefa kelikely. Ny resaka orinasa indray dia inoako fa hahita vaha olana isika" hoy ihany Ratrema sady norohany moramora indray ny handrin'ny vadiny.
- " Mahatsapa fahatoniana izany aho rehefa eto anilako ianao " hoy i Ratrema nony avy eo. Teo vao tena tsapan'i Malala ny hasarobidiny eo anatrehan'ny vadiny.
- "Aleo aloha aho handro vetivety" hoy i Malala "dia mba makamaka aina kely isika vao mandeha misakafo sa ahoana?"
- " Eny ary!" hoy i Ratrema sady nandeha nanantona an'i Toky sy Cinthya tsy dia lavitra teo izy.
- " Nihalehibe tany andafy tany letsy ialahy ry Toky kely nefa vao vetivety ihany anie izay tsy nifankahitantsika izay eh". Vao hitan'i Toky fa tamy nanatona azy ny dadany dia inyizy no nIhazakazaka hifanena aminy ihany koa sady namelatra ny tanany anakiroa toa mangataka ny hibatana azy...
Ny nialan'i Malala teo amin'i Ratrema anefa no ela dia niverina tao aminy indray ny fahamaizana te hahalala mafy izay tena nanjo an'i Hery. Nifamadibadika tao antsainy daholo izao eritreritra ratsy isan-karazany rehetra izao. Toa tsy andriny ny fotoana handehanana any amin'ny hopitaly. Midobodoboka mafy ny fony raha vao mieritreritra an'i Hery sady toa mangoritsin'ny tahotra ny vatany.
...
Namonjy natoritory teo ambony fandriana i Ratrema nony avy eo toa miandry ny vadiny hamonjy azy. Tsy ela taorian'izay tokoa dia Indro tamy nanatona azy i Malala manao akanjo malefaka ireny fitondra avy mandro ireny.
- " Tsy andriko mihitsy ny nahatongavanao ry Malala" hoy i Ratrema sady nikisaka nanakaiky kokoa ity vadiny izy.
- " Izaho koa anie!" hoy i Malala ohatran'ny namaly tsy sazoka izany. "Asa na mbola reraky ny dia anefa aho na manao ahoana fa tena ohatran'ny tsy manana aina hanomezana fahafaham-po anao izany mihitsy aho izao? Maninona raha amin'ny hariva vao manao isika?"
Ohatran'ny notapohina ranomangatsiaka ny vatan'i Ratrema naheno ilay tenin'i Malala farany teo ka avy hatrany dia nalefaka avy hatrany ilay filahiany efa somary nibotsina tsikelikely teo ampieritreretana ny fahafinaretana mety ho azony miaraka amin'ny vadiny.
- " Tsy maninona ary!" hoy izy " fa azoko tsara ny havizananao sady mety nanampoka anao koa ilay vaovao ratsy momba an'i Hery teo. Rehefa vonona ny handeha ianao dia ilazao aho fa handeha hoany amin'ny hopitaly izany isika" hoy i Ratrema niezaka nanamboatra saina sady te hampitony ny fiasan-dohan'ity vadiny.
- "Aleo ary hatoritory kely fotsiny isika dia mandeha misakafo any ivelany rehefa avy eo sady tonga dia mandeha mivantana any amin'i Hopitaly. Tsy efa fantatrao hoe aiza no toerana misy azy?" Hoy i Malala naka toky ny amin'ny hahitana an'i Hery io andro io ihany.
- " Efa fantatro kah" hoy Ratrema sady niarina moramora niala teo ampandriana izy.
...
Teo ampisakafoanana tao amin'ny hotely mihaja iray eto andrenivohitra.
- " Saika hoe rahariva moa aho vao te hiresaka aminao mikasika ny orinasa fa ohatran'ny tsy andriko ilay izy dia aleo hazavaiko tsotsotra aminao ny fandehany." Hoy i Ratrema toa somary nitankisina tsy dia nahazo aina teo amin'ilay seza nipetrahany.
Na dia ny momba an'i Hery aza no nameno ny sain'i Malala dia tsy afa-niala intsony izy fa dia voatery naneho fahavononana hihaino ity vadiny izay tsinjony fa toa niha malok' endrika tampoka.
Nanomboka nitantara ny zavatra novantaniny avy any ampitan-dranomasina amin'izay ary i Ratrema. Nohazavainy tamin'i Malala teo ny fahabangana ara bola goavana diavin'ny orinasa, ny hetram-panjakana tsy maintsy aloha, ny tsy aneken'ny banky hanpindram-bola azy ireo intsony sy nahavoatery azy nanao antoka ny tranon-dry zareo eny Ivandry amin'ilay namany. Teo i Malala vao tafatombina tsara tamin'ny resaka resahin'i Ratrema ny sainy. Toa tsy mampino azy ny zavatra henony. "Dia ho sanatriavin'ny vava ve" hoy izy tany antsainy tany "dia ho lasan'izany olona izany io trano ipetrahanay io?" Adinon'i Malala tampoka teo ny momba an'i Hery aloha.
- " Dia rahoviana no tokony hamerenanao ny volan'izany namanao izany " hoy i Malala toa mangovitra sady mijery tsara an'i Ratrema mipetraka amin'ny eo amin'ny seza mifanatrika aminy.
- " Mbola manana roa volana aho" hoy i Ratrema " Fa raha vao dify kosa anefa io dia izay ny amin-tsika fa dia votsitra ny trano... Tsy maintsy mitady vaha olana hafa isika fa tena tsy foiko ho lasan'olona io trano io kah. Tao daholo no lehibe ny zanako ka tena tsy foiko mihitsy e... Inona no mety ho hevitra hitanao?" hoy Ratrema sambany nanontany an'i Malala amin'ny fanapahan-kevitra goavana mikasika orinasa sy ny fiainan'izy ireo tahak'izao. Niherikerika nijery ny manodidina azy teo aloha i Malala tsy nanampo ity fanontaniana miantefa eny aminy vao namaly:
- " Tena tsy hitako izay hatao Ratrema fa aleo aloha aho hieritreritra dia rahariva indray isika miresaka fa tena mila sainina milamina izany zavatra izany. Aza manary toky fotsiny fa mino aho fa tsy maintsy hisy làlana hosokafan' Andriamanitra hoantsika" sady noraisiny moramora ny tanan'i Ratrema nipetraka teo ambony latabatra mba hankahery azy.
- " Misaotra Malala a. Mahatsiaro sambatra aho manana anao" sady nitsangana i Ratrema no nametraka ny hafaliam-po hoan'ilay mpandroso sakafo teo ambony latabatra. Tsy ela taorian'izay dia indro izy mivady nizotra moramora namonjy ny fiara tao ivelany.
Afaka antsasa-kadiny taty aoriana...
Niantsona teo amin'ny fametrahan'ny mpamangy ao amin'ny hopitaly fiara i Ratrema. Tsy dia nahitana teny firy loatra moa i Malala teny andalana. Niha mafy indray ny fidobodoboky ny anao vavy. Noezahiny naverina tao antsaina ny endriky Hery. Dia sanatria ve hoy izy dia tsy ho ohatran'izay no zavatra ho hitako ato? ...Efa azon'i Ratrema tamin'ny maraina avokoa moa ny laharan'ny efitrano nisy an'i Hery dia indro izy mivady namikiviky moramora niakatra ny tohatra sy namakivaky ny lalantsara lava be hoany amin'ity tovolahy izay nampisavoaravoara ny fiainan'izy ireo.
Niahotra kely aloha izy mivady nony tonga teo ambaravarana fa toa nisy olona maromaro tao amin'ilay efitrano. Sendra nahatsikaritra an'ireto mpivady nisalasala anefa ny iray tamin'ireo tao anatiny ka dia namonjy nivoaka sady nanontany:
- " Misy azo anampiana anareo ve tompoko?"
- "Saika hanontany fotsiny izahay raha ato no itazonana an'i Hery, ilay tovolahy voan'ny lozam-piarakodia tamin'iny làlan'ny fahaleovantena iny, andro vitsivitsy lasa izay?"
- " Fa iza moa ianareo" hoy ihany ilay tovovavy nanohy nanadihady.
- " Namany akaiky izahay, i Malala no anarako ary izy no Ratrema vadiko" hoy i Malala toa tsy namela an'i Ratrema hamaly ilay fanontaniana.
- " Faly mahalala anareo tompoko. Ato indrindra izy ary io mbola matory tsy mahatsiaro tena io. Izaho no Dr Mihary. Sady mpitsabo ato aho no namana akaiky an'i Hery ihany koa. Mandroso ary ianareo" hoy ihany i Mihary sady nanome seza ireto mpivady izay sambany vao hitany. Betsaka ny fanontaniana nifandimby nifanesisesy tao antsainy teo ampahitana ireto mpivady toa olona manan-katao mitady an'i Hery ireto. Mbola tsy henoko niresadresaka ny fisian'izy ireto tamiko mihitsy i Hery hoy ihany izy tany antsainy tany. Mino anefa aho fa misy ifandraisany akaiky aminy izy ireo matoa misahirana mankaty mihitsy. Raha mbola somary lasa fisainana kely teo moa i Mihary no nandeha nifampiharahaba tamin'i Tahiana sy Fano ry ingahy Ratrema mivady.
Valaka i Malala tamin'ny zavatra hitany. Moa tsy toa ireny tsy misy aina ireny intsony ny fahitany an'i Hery matory eo amin'ny farafaran'ny hopitaly. Nanganohano ny ranomasony. Tsaroany avokoa ireny fotoana mamy niarahany tamin'i Hery rehetra ireny. Dia ho sanatria ve dia ho faty na hanan-kilema mandrakizay ity rain-janako ity hoy izy tany antsainy tany. Toa tsy nanaiky ny sainy na dia kely dia kely aza ny tsirim-panantenana tao ampony mihaino ny fanazavana nomen'i Mihary an'i Ratrema.
- "Efa ho telo andro izy io izao" hoy i Mihary "no tsy nahatsiaro tena. Nisy tapaka moa ny taolan'ny feny dia efa io nasiana platira io hitazona azy tsy hihetsiketsika. Miandry azy hifoha izahay izao. Nisy voadona mafy ihany koa tamin'ny hoza-masony ka izay no nahatonga anay nanapa-kevitra ny hanarona ny masony ohatran'io. Mbola tsy tena fantatra aloha izay tena fandehany fa raha vao mahatsiaro saina izy dia ho tarafina amin'izay ny lohany hahitana raha zavatra mandalo ihany ilay fahajambana andalovany izao na hoe mety hijanona ho takaitra mandra-maty ho azy mihitsy."
- " Mbola tsy nahatsiaro tena mihitsy ve izany izy io " hoy i Ratrema nitompy maso tany amin'i Mihary sady nifindra haingana nijery ny tarehin'i Hery izay mitsilany eo ampandriana.
- " Nisy fotoana izy taitra kah. Izay no nanome fanantenana anay fa efa natahotra ihany aloha izahay tamin'ny voalohany. Ni-delira niantsoantso an'i Alexia izy...Toa hoe fofombadiny lasa nalefa notsaboina any andafy any izany Alexia izany raha araka ny fahafantarako azy " hoy ihany i Mihary nanohy.
Gina tsy nisy nahateny ingahy Ratrema mivady fa ny mason'izy ireo fotsiny no nifampijery toa nifanontany an'eritreritra. Nisento kely aloha i Ratrema vao nanohy hoe:
- "Zanakay vavimatoa izay Alexia notadiaviny izay. Vao anikeo moa aho vao naheno ny vaovao ary dia izao hitanao tonga aty izao. Ramatoa vadiko aza mbola reraky ny dia lavitra avy any Paris fa dia tsy nety mandry mihitsy ny sainay raha tsy tonga aty izahay.
- " Ianareo izany no ray amandrenin'i Alexia" hoy i Mihary tamin'ny feo somary malefaka. " Niresaka matetika tamiko momba an'i Alexia tokoa izy ry izy mivady ary dia tena tiany tokoa izany zanakareo izany..." sady niserana tao anatin'indray mipi-maso tao antsain'i Mihary indray ilay hariva nanomezan'i Hery azy ilay rojo volamena izay noheveriny ho fanehoam-pitiavana azy. Tadidiny fa nitady fitiavana mafy tamin'i Hery izy saingy toa nahatsapa ho voatosi-boho tanana. Tsaroany ihany koa ny hadisoam-panantenany ary toa mbola hitan'ny masony tsara mihitsy izy nirintona nivoaka ny trano fiasany sady nandray ilay fiara karetsaka izay narahin'i Hery avy ato aoriana ary dia niafara tamin'iny lozam-piaradia iny ... toa tsy tiany ho heritrerentina intsony anefa ny tohiny avy eo...
"Izahay ireo hitanao ireo moa no ohatran'ny hoe havany akaiky eto na dia namany fotsiny ihany aza." Hoy i Mihary nanohy ny resany rehefa avy eo.
- " Dia misaotra anareo be dia be" hoy i Malala fa raha tsy nisy anareo izany izy dia asa izay nanjo azy.
- " Marina tokoa izany " hoy i Ratrema nanohy " fa raha misy ilanareo fanampiana dia aza misalasa miantso anay mivady sady navoakany ny baoritra kely misy ny laharan'ny fidainy sy ny adiresin'ny birao fiasany eny Ankorondrano sady nomeny an'i Mihary.
- " Hoavy mitsidika eo ihany izahay mivady na mifandimby mandalo aty. Mba ilazao mihitsy izahay raha vao misy vaovao ny momba ny fikarakarana azy na ny toe-pahasalamany an!" hoy ihany i Ratrema nony avy eo sady toa nioman-komana ny handeha.
- " Tsy misy isaorana" hoy izy telo mianadahy mianaka toa saika niara-namaly saingy i Mihary ihany no nitohy nanohy avy eo nanao hoe
- " Aza manahy ianareo fa ianareo no antsoiko voalohany raha vao mifoha eo izy."
- " Eny ary" hoy Ratrema fa hangata-dalana aloha izahay mivady fa mbola reraka mafy ramatoa vadiko sady nanolotra valopy avy any ampaosiny izy hoan'i Mihary. "Ity mba misy fanampiana kely avy aminay mivady hanampiana amin'ny fitsaboana ny mararintsika."
- " Na dia tsy fianankaviana aza moa aho" hoy i Mihary dia raisiko izy ity satria izahay telo no miara mitsabo azy eto dia onera be ny nialany sady marary iaraha manana ny antsika io fa dia misaotra. Aza manahy ianareo fa miantso aho raha vao misy vaovao na dia anio ihany aza."
Nitopy teny amin'ny Hery indray ny mason'i Malala. Toa tsy mino ny sainy fa io ilay tovolahy tomady sady bikana mpanome fahafinaretana azy sady nanova tanteraka ny lalam-piainany. Tsy maintsy miverina aty ihany aho rahariva na rahampitso hoy izy tany antsainy tany fa aleo aloha hody kely haka saina amin'izay tokony hatao.
Nanantona manokana an'i Tahiana tamin'izay i Malala nony avy eo sady ohatran'ny nibitsibitsika moramora hoe:
- " Fa dia nanao ahoana loatra aky ity indry no tsy henoheno mihitsy. Raha tsy i Ratrema nandeha nanontany tany ampiasan'i Hery ve izany dia tsy ho nahafantatra an'izao mihitsy izahay?
- " Ialako tsiny be dia be akia fa tena be loatra ny erehan'ny lohako niakitra ny zava-niseho taty ah. Efa nieritreritra ny hiantso an-dry ihany aho hay moa indry no tonga taty mialoha... Manao ahoana i Alexia any?
- " Eny e, mba gagagaga fotsiny aho hoe zavatra ohatran'izao ve no mitranga dia kobokoboninareo aty fotsiny. ... efa mihatsara mihitsy i Alexia kah! Ny tena mahavaka ny sainay mivady izao dia fomba hilazana aminy ny vaovao. Asa izay hanjo azy. Izy mihitsy mantsy no nagataka tamin'i Ratrema ny hitadiavana an'i Hery tamin'izaho niala tany. "
- " Raharaha tokoa aky izany" hoy i Tahiana toa vaka mihaino ity namany.
- " Aleo akia aloha handeha izahay fa miverina eo aho na antsoiko indry rehefa avy eo." Sady lasa namonjy nanao dia maika hanenjika an'i Ratrema efa namindra moramora tao andalan-tsara izy.
Hita soritra teny amin'izy roa ny hakiviana raha iny izy ireo nidina ny tohatra hivoaka ny hopitaly iny. Toa adinon'i Ratrema ilay disadisa teny amin'ny seranam-piaramanidina teny Ivato mialoha ny nitondra an'i Alexia tany Frantsa. Ontsa an'ity tovolahy indray ny tenany.
- " Ahoana izany ny hevitrao" hoy i Malala tamin'i Ratrema.
- " Ahoana ny amin'ny ahoana moa no tinao tenenina ry Malala " hoy ity farany.
- " Ny fomba hampitana ny vaovao amin'ny Alexia izao no tena ho raharaha" hoy ingahy Ratrema nony avy eo. "Hanao ahoana re izy raha ilazana izao vaovao mampalahelo izao?"
- " Na tiantsika na tsy tiantsika" hoy i Malala "dia tsy maintsy tsorina aminy ny marina fa sao sanatria ny vava ka misy fivadihan-javatra tampoka eo izay vao tena mety ho raharaha be ny mety ho vokany."
Sady namoha ny varavaran'ny fiarany ingahy Ratrema no nijery ny famataran'ora teny antanany. Mbola mety afaka miantso an'i Profesora aho izao hoy izy tany antsainy tany sady noraisiny ny fiday nihantona teo amin'ny fehikibony. Naka toerana tsara tao anaty fiara izy nony avy eo. I Malala moa amin'io fotoana io naka toerana moramora ihany koa sady nangina tanteraka toa lasa fisainana lalina mandinika ny zavatra rehetra niandry azy taty Madagasikara. "Inona loatra re ity mahazo anay mianankavy ity eh" hoy izy tany antsainy tany. Ho tafavoaka amin'izao olana izaho ihany ve?
Nony afaka iray minitra...
- " Allo, Profesora Mahefa? ...ingahy Ratrema ihany ity! Manankorontana anareo mianaka fa azafady indrindra?"
- " An, an, An. Tsy misy olana mihitsy" hoy i Mahefa henon'i Malala nanako amin'ilay famoaham-peon'ilay telefona finday.
- " Ao akaikinao ao angaha i Alexia?"
- " Atsy anefitra fandraisam-bahiny atsy izy mijery fahitalavitra , hantsoiko vetivety ve?"
- " An, an, an. Aleo aloha isika mirahalahy no miresaka dia avy eo hita eo izay hatao" hoy i Ratrema somary nandamina ny feony.
- " Eny ary ry ingahy Ratrema fa alefaso fa mihaino anao aho " sady nandeha nivadika nikatontrano moramora tao amin'ny efitrano fatoriany izy.
Tadio ([email protected])
Tapakevitra i Rado fa hanome izay tadiavin'ity vehivavy sendra nandalo tamin'ny fotoana tsy nampoiziny teo amin'ny fiainany ity. Narosony hidina lalindalina tany anaty atin'akanjon'i Malala tany ny tanany ankavia ary ny tanany ankavanana indray kosa dia nitohy nanafosafo moramora ny lohan'ity farany. Niverina nikipy indray ny mason'i Malala toa nankafy ny safosafon'izato olon-tsy fantany fa nahasarika azy tsotra izao fotsiny. Tiany ny mahatsapa ny fahasahian'ilay tovolahy mamakivaky tsy ampihambahambana ny tenany iray manontolo. Zipo fotsy malefaka vita amin'ny lamba landy ireny moa no teny ankoditr'i Malala. Elastika no nitazona azy teo ambalahany ka tsy nananosarotra tamin'ny ratsan-tananan'i Rado ny nitsofoka tao anatiny. Tsy ela akory dia tonga teo amoron'ilay dongona teo anelanelam-pen'i Malala izy. Somary niahotra kely aloha i Rado sady nijery ny manodidina azy. Tsaroany tampoka mantsy fa tsy irery akory izy roa. Efa voaentanin'ny filana anefa i Rado ka tsy poa toy izay dia efa niroso moramora niditra tao anatin'ilay silipon'i Malala ny rantsan-tanany vitsivitsy. Somary taitra kely ny anao vavy sady ohatran'ny hoe ndeha hanakatona ny feny vao naheno ny safosafon'i Rado efa tafapaka hatreo amin'ny tampon'ny zohim-pahafinaretany. Iny Malala mbola varimbariana iny no nampidinin'i Rado hiditra lalindalina ny fanondrony sy ny fanondro adalany. Niontana kely ny fon'ny tovolahy nahatsapa fa hay efa tena hotsaky ny rano tanteraka ny fivavian'i Malala. Navezivezin'i Rado moramora tamin'izay ary ny rantsantanany anankiroa nony avy eo sady somary nataony niaka-nidina rehefa avy nampandaloviny kely teo amin'ilay kitsom-pahafinaretan'i Malala izay tena nihijitra aoka izany. Tsapan'i Malala fa miha manenika ny tenany ny hasambarana. Novelariny kely ny feny hisabaka tsara mba ahafahan'ny tanan'i Rado nanafosafo tsara ny fivaviany efa tena lonaka tanteraka. Toa tsy misy zavatra tian'i Malala ho tadidiana intsony tamin'izay fotoana izay afatsy ny fahafinaretana tsapany miha mananika tsikelikely ny tenany iray manontolo. Henony fa nihamafy ny fisefony sady toa niha nafana ny fofon'aina nivoaka tamin'ny vava orony. Niezaka naina moramora izy mba tsy hanaitra ny manodidina na dia toa ila tsy ho voafehiny intsony aza izato fahasambarana mananika ny vatany. Nampidirin'i Rado lalina tany anatin'i Malala tany ny rantsantanany iray ka tsapany fa toa somary mikentron-tarehy izay i Malala isaky ny voakasiny ilay faritra misy nofo kely mihantona ao anatin'ny fivavian'i Malala ao. Noverenany nokasihina indray ilay faritra ka somary nimaona tsirom-pahafinaretana izay ny anao vavy. Teo i Rado vao tena nahatsiaro fa mety tsy hahatana ny haka fafiny ampahanginana ao intsony i Malala raha mitohy izao ataony azy izao ka dia novonjeny notapenana haingana tamin'ny tanany ilany ny vavan'i Malala mba ty hamoaka feo. Toa vao maika nampihodina ny bokotra fampandehanana tao anatin'i Malala anefa izany fihetsiky Rado toa manakana azy izany ka vao maika nitankisina tamin'ny toerana natoriany teo ny anao vavy sady toa nanenjika ireo rantsan-tanana niditra sy nivoaka ary namakivaky ny halavan'ny zohim-pahafinaretany. Natahotra tampoka i Rado nanoloana ny zava nisy fa toa miha tsy tompon'ny tenany hatrany ilay vehivavy omeny fahafinarentana. Tamin'izay fotoana izay indrindra no nisy vehivavy lehibe iray nipetraka tsy dia lavidavitra kely teo alohan'i Rado nizotra nanatona ny lalantsara hoan'ny amin'ny toerana fivoahana izay tany aoriana. Nahenan'i Rado avy hatrany ny fihetsin'ireo rantsantanany havia mbola tavela teo anelakelam-pen'i Malala sady nikoropaka haingana ny tanany ankavanana nanarona tsara ny lamba nirakofan'i Malala izay efa ila ho latsaka tamin'ny tany. Nihiratra tampoka i Malala sady niandradra nijery an'i Rado toa manontany hoe fa maninona no ajanonao. Tsy namaly anefa i Rado fa ny tanany ankavia no nosintoniny moramora hiala tao anaty silipon'i Malala. Niondrika moramora i Rado nony avy eo dia nibitsibitsika tamin'i Malala izay niondana teo amin'ny feny hoe:
- "misy olona!!".
Tadio
[email protected]
- " Aleo ianao sy ny entana ajanoko eto" hoy i Tojo tamin'i Alexia sady naka sisiny teo amin'ny toerana fijanona vetivety izy ".. ireo efa miandry ireo ry Malala fa izaho sy Mahefa tsy maintsy mbola hanatitra ny fiara any ambany. Terminal A no halehantsika rehefa avy eo. Any no andraisana ny zotra Air Mad tsinona."
- "Eny ary!" hoy i Alexia tamin'i Tojo sady nitsiky kely izy no narahiny hoe
- "Aza ela any ianareo an."
- "Vetivety fotsiny kah." Hoy i Tojo sady nivoaka hamoaka ireo valizy napetraka teo amin'ny sezan'ny fiarany taoriana izy.
....
Vao nanomboka niditra ny Terminal A dia tsinjon'izy ireo fa misy tarehy Malagasy maromaro nanao dia maika teo alohan-dry zareo.
Niherikerika i Alexia sady miezaka manaradia ny rehetra ihany. Na dia teo CDG aza moa no niantsonan' ny fiara manidina nitondra azy nankany Frantsa dia tsy nisy zavatra hitany firy raha tsy vao izao indray.
- " Mora mahavery ato izany ry Tojo" hoy izy " Raha tsy mitandrina"
Nitsiky kely fotsiny i Tojo sady namaly hoe:
- "Amin'ny voalohany fotsiny ianao no mahatsapa ohatran'izay fa rehefa mankaty matetika ianao dia mandeha hoazy io sady misy toerana azonao anontaniana foana anie."
Efa nanomboka ny fandraisana entana no tonga ry zareo. Namonjy nilahatra avy hatrany i Malala fa i Mahefa sy Tojo ary i Alexia sy ny ankizy no somary nitokana niresaka kely aloha nfanontany sao dia misy olona fantatr'izy ireo nanodididina teo.
Tovolahy iray tsy mitondra afatsy valizy kely taritina no teo alohan'i Malala. Fantany avy hatrany fa gasy ilay tovolahy ka tsy nisalasala ny anao vavy fa tonga dia nanontany:
- " Azafady anie, io ihany angaha ny entanao?" hoy izy sady nitsikitsiky.
- " Ie," hoy ilay tovolahy namaly tamim-pitsikiana ihany koa " fa ahoana?"
- " tsy izany mantsy fa izaho sy iretsy zanako roa iretsy " sady notondroiny ry I Toky sy Cynthia no handeha ka saika mba hiangavy fotsiny aho raha mba afaka manampy ahy mitondra ny entana sasany ianao rehefa lasa ireo mpanatitra ahy?"
- " Tsy maninona kah" hoy ilay tovolahy tsy naka sarotra sady niverina nitodika tany aloha indray izy.
...
- " Tena raharaha izy ity ry Malala " hoy i Mahefa " fa tena tsy misy olona fantatray sy Tojo mihitsy amin'ireto olona handeha ireto, tsy ho zakanao samy irery anefa ireto rehetra ireto sady mbola hitondra ny ankizy ihany koa.".....
- "Izay izany" hoy i Mahefa tamin'i Malala telo mianaka nony avy eo "fa dia soava dia ianareo. Aza be ahiahy ny aminay mianaka mijanona aty. Miantsoa raha vao tonga any an."Tsy ela taorian'izay dia iny I Malala misomebiseby mandalo ny fisavana pasipaoro sy ny tapakila fidirana hamonjy ny zotra hoany Madagasikara. Niherika nanao topi-maso indray mandeha avy fotsiny izy telo mianaka mpanatitra dia lasa namonjy ny tohatra midina nakany amin'ny fametrahana fiara.
- " Izaho lesy Tojo tonga dia handeha hoany ampiasana fa mba afaka manatitra an'i Alexia any antrano ve ialahy?"
- " Tsy maninona " hoy i Tojo tsy naka sarotra "sady lalako mody ihany koa tsinona iny."
....
Toa tsy andrin'i Malala ery izay ahatongavana any Madagasikara. Betsaka ny zavatra nifamahofaho tao antsainy ny amin'izay ho hitany any. Toa tiany hadinoina daholo anefa izany rehetra izany aloha fa mila fitoniana ny sainy. Ndeha mba hisotro divay kely aho androany hoy izy amin'izay tonga dia mahita tory rehefa avy misakafo. Nony nandalo tokoa ilay tovovavy mpikarakara eny ambony fiara manidina dia tsy nisalasala i Malala nangataka ny mba hanomezana azy divay kely miaraka amin'ny sakafony. Maivamaivana sady toa sambatsambatra izany no nahatsapany ny tenany nony vita ny sakafo. Toa adinony avokoa ny sorisorin-tsainy rehetra sy ny ahiahiny ny amin'izay miandry azy any Madagasikara. Nahatsiaro te hatory izy nony avy eo ka dia nesoriny aloha ny kirarony ary novahany ny fehikibon'ny seza nipetrahany mba ahafahany mahazo aina tsara. Tsy naharitra anefa izy nony avy eo fa niangavy tamin'ny Rado hoe:
- " Mba afaka miankina aminao ve aho raha hatory?"
- " Tsy maninona kah" hoy i Rado sady tonga dia nosarihiny moramora hanatona azy akaikaiky i Malala no nampandriany hiondana teo amin'ny feny. Nahakasika tsy nahy ny tarehan'i Malala anefa ny tanany tamin'izay ka taitra mafy izy ny amin''ny halefahan'ny hodi-tarehan'ity ramatoa miodana eo aminy.
- " Mba malefaka hoditra koa ity Malala ity izany " hoy izy aneritreritra sady toa nifoha tampoka ny filana tany anatiny tany. " Tena ohatran'ireny hodi-jaza kely ireny mihitsy ny halefahany" . Somary efa maizimaizina moa tao anaty fiara tamin'io araka ny fanao isaky ny vita fisakafo eny ampandehanana eny mba ahafahan'ny mpandeha matory ka dia ohatran'ny vao maika naka fanahy ity tovolahy. Tsy naharitra intsony izy nony farany fa dia nanomboka nolalaoviny moramora ny volon'i Malala. Tsy nanohitra na dia kely akory aza anefa ity farany, asa na nohon'ny vokatry ny alikaola kely nosotroiny teo na dia izy mihitsy no nahazo fahafinaretana tamin'izay natao azy fa dia navelany hanohy ny safosafony teo i Rado. Nihitatra ny filana tao amin'ilay tovolahy ka dia nafindrany teo amin'ny takolaky Malala indray ny tanany rehefa avy eo sady nandramany nampandalovina teo amin'ilay molotra somary matevina malefaka feno loko mena teo ny rantsantanany. Hakory ny hagagan'i Rado fa toa nohejehan'i Malala notsetsafina ilay rantsan-tanany anakiray mbola taraikiraiky teo. Taitra nangoritsina i Rado tany anatiny tany ary dia nanomboka nivonto niaraka tamin'ny izay ihany koa ny filahiany izay niondanan'i Malala. Nihatery hatrany ny pataloha nifono ny filahiany. Tsy azony ny ainy ka dia niezaka naka toerana tsara araka izay azony atao izy sady nijery ny manodidina izay toa efa samy mitady torimaso mirakotra lamba avokoa. Henon'i Malala tsara ny fivontosana niondanan'ny hatony. Na dia vao omaly aza moa izy no nomen'i Tojo ilay fahafinaretana tao amin'ny efitranon'ny Alexia dia tsapany fa mitady mafy indray ny vatany manoloana ity tovolahy bikana sady nofosana teo anilany. Taitra ny vatany. Toa te hanao adalana izany ny fahatsapany ny tenany. Norakofany lamba tsara ny tenany iray manontolo dia noraisiny moramora ny tanan'i Rado nony avy eo hamaha ny bokotra akanjony ambony niafina tao anaty lamba. Takatry Rado avy hatrany ny tian'ity vehivavy hatao ka dia tsy nisalasala koa izy fa dia nanatanteraka avy hatrany. Natsofoky Rado moramora teo amin'ny nonon'i Malala amin'izay ny tanany ankavia nony avy eo. Fafiny tsy misy ohatran'izany no tsapany nanenika ny vantany iray manontolo fa toa lafatra loatra ny fahatsapany ireo nono mivohitra be toa voasary voaharony tao. Henony tsara fa henjana sady somary matevintevina aoka izany ireo loha nonon'i Malala. Mbola mitana mihitsy ity madama ity izany hoy izy tany antsainy tany sady notohizany hatrany ny safosafo sy ny fanatsongotsongoina malefaka ireo lohanono anakiroa. Nony kelikely dia nahiratry Malala moramora ny masony sady nangalam-pijery tany amin'ity tovolahy vao fantany ora vitsivitsy monja izy. Tsy niteny i Rado fa tsiky koa no navaliny azy tao anatin'ny hazavana mitsilopilopy tao. Tsapany fa samy nanenika azy roa ny filana te hanakatra ny lafatra kokoa...
Tadio
[email protected]
Nony afaka kelikely dia indro i Mahefa sy Alexia mianaka niakatra ny tohatra niditry ny trano.
- " Misaotra betsaka ry Dada nitondra ahy tany amin'ny hopitaly androany sady nitondra any tany ampiasanao. Nahafinaritra iny fiarahantsika mianaka androany iny an." Nitsiky kely aloha i Mahefa sady nitodika tany amin-janany vao namaly. Ohatran'ny tsy mampino azy ny mieritreritra ny fiovam-piainany tampoka tao. Mananjanaka vavy lehibe sady tsara tarehy no feno fahendrena moa ity izaho hoy ihany izy aneritreritra. Dia tena tsy misy ivohasana amin'ny Vololona reniny mihitsy ity izy.
- " Tsy misy fisaorana anaka fa dia finaritra toa anao koa aho." Sady nanindry ny bokotra fanairana teo ambaravarana izy hamohan'i Malala ny trano avy any anatiny.
Poa toa izay dia io i Malala mitsikitsiky namoha azy mianaka.
- " Vetivety kosa dia tonga ianareo, tsy nisy tohana be ve teny andalana nody?"
- " An, an, tsy dia naninona kah" hoy i Mahefa " ...dieny mbola tsaroako aloha... mila miantso an'i Ratrema isika rehefa avy eo fa niantso ahy mantsy izy teo fa te hanontany mikasika ny dianareo telo mianaka rahampitso maraina hono... Ianao moa no tena tadiaviny." Sady nanala ny palitao nisalorany ihany i Mahefa moa i Alexia nandeha nametraka ny poketrany sy ny sakafo novidian'izy mianaka teo ambony latabatra.
- " Ahoana vita daholo ve ny nataonareo niaraka tamin'i Tojo anikeo?" hoy i Mahefa nitopy maso tany amin'i Malala nony avy eo. Ohatran'ny mahana kely izany ny anao vavy naheno ny anaran'i Tojo nitselatra tampoka tao antsofiny.
- " iiiieh! Vita daholo kah. Tsy nisy olana mihitsy. Efa voaomako aza ny valizinay telo mianaka koa."
- " Tsara izany! Ary maika ny handeha hody mihitsy anie i Malala izany eh!" hoy i Mahefa toa nanatsafa. Ohatran'ny nangarika kely izay i Malala no sady namaly hoe:
- " Efa vita kosa izay tokony hataoko taty sady efa todiko aty amin'ny rainy ny zanany tsinona ka tsy aleo amin'izay ve aho mody e." Nangalam-pijery tany amin'i Alexia mbola nihodin-kodina namoaka ny sakafo avy ao anaty harona sachet nitondrany azy aloha i Mahefa vao namaly. I Alexia moa amin'io toa nisary tsy naheno ny resaka nifanakalozan'izy roa nefa nitsiky ihany namaly ny tompi-maso nataon-drainy azy.
- " Misaotra betsaka Malala tamin'izay vitanao, ianareo mivady mantsy eh tamiko sy Alexia. Fahagagana ho ahy izao zavatra iainako izao ary fantatro fa tsy hahaonitra velively ny zava-bitanareo tamin'ny fanabeazana an'i Alexia mihitsy aho. Zanaka iaraha manana ny antsika io e...fa aza manahy ianareo fa ataoko izay hahatafita azy amin'ny fiainana. Mba adidiko indray izao... oay! Aza adino tokoa fa tena mila miantso an'i Ratrema isika izao fa efa sasa-miandry izy izay." Sady namonjy ny telefona nihantona teo amin'ny rindrina i Mahefa.
- " Allo! Ngahy Ratrema?"
- " Allo! Izy indrindra ity e! Profesora Mahefa?"
- " Izaho ihany ity Ratrema fa efa aty antrano izahay mianaka izao sady efa io koa i Malala fa aleo aloha ianao homeko azy. " sady nomeny an'i Malala efa nihazakazaka nanatona akaiky teo ilay telefona.
- " Allo, .... chéri, Ela be akia nareo izany tsy heno mihitsy 'zahay anefa ato tena efa tena tsy andrinay mihitsy ny hodiana fa manina be anao." Sady ohatran'ny niagotingoty izay ny feon'i Malala. Vao naheno an'izay fehezan-teny voalohany izay moa i Mahefa dia naleony aloha niala tanteraka an'ilay efitrano. I Alexia moa tsy niala teo fa dia nanohy nanomana ny latabatra hisakafoanan'izy ireo.
- " Rahampitso izahay no miainga" hoy i Malala "fa tongava eny Ivato ianao mitsena anay telo mianaka ... andraso kely aloha aza miala fa haka ny billet- ko vetivety fotsiny aho hanomezako anao ny ora ahatongavanay any." Poa toy izay i Malala dia efa tafaverina sady nanome an'i Ratrema ny ora ahatongavany any Madagasikara.
- " Tsy andriko mihitsy ny ahatongavanareo telo mianaka fa tena mila anareo mihitsy aho. Manina mafy an'i Toky sy Cynthia koa aho. Tsy efa fetsifetsy ratsy ery izay le nedala lahy iny. Manao ahoana i Cynthia ao?"
- " Efa matory ry zareo fa reraky ny fivezivezena nandeha naka ny billet sy niantsena anikeo angamba. Salama tsara ry zareo."
- " Tsara izany" hoy i Ratrema. " Fa izao hoy aho." Sady niahotra kely Ratrema aloha. Ahoana marina no tena nahatonga an'i Alexia niangavy ahy hitady an'i Hery e? Efa noresahiny anao ve? "
- " An, an " hoy i Malala somary niova feo tampoka. " Fa ahoana?"
- " Niresaka mantsy izahay mianaka teo tamin-dry zareo mbola teny andalana hody io dia niangavy ahy izy mba hitady an'i Hery ". Niontana ny fon'i Malala naheno ny anaran'i Hery toa niverimberina tao anatin'ny zava-boalazan'i Ratrema. " Hery" hoy izy aneritreritra. " Aiza ianao? "
- "Dia ahoana ny navalinao azy" hoy i Malala mody tsy rototra nony avy eo sady liana mafy ny amin'izay ho valintenin'i Ratrema manaraka. I Alexia moa amin'io fotoana io tsy maheno izay voalazan'i Ratrema fa izay lazain'i Malala ihany no henony.
- " Nanaiky tsy fidiny aho ry Malala fa tsy te handratra ny fonjanako izay mbola marefo dia marefo iny aho. "
- " Eny eh, karakarao izany ny amin'izay dia ho hitantsika eo indray izay atao rehefa tonga any aho."
- " Izay aloha fa omeo kely an'i Profesora aho aloha hisaorako azy" sady narahiny hoe " ...tongava haingana ianao malala fa tena mila anao mihitsy ny tenako iray manontolo ah." Nitsiky kely fotsiny i Malala naheno ny tenin'ny Ratrema farany teo:
- " Kely sisa akia chéri a!" sady niantso an'i Alexia izy mba hiantso an'i Mahefa fa te hiresaka aminy hono hoe i Ratrema. Lasa nandeha nivadika tao anefitra ilany i Alexia dia niverina avy eo niteny tamin'i Malala fa efa miresaka ao ry zareo. Napetraky Malala amin'izay ny telefona teny antanany dia namonjy nakeo amin'i latabatra efa nomanin'i Alexia hisakafoanana izy.
- " Nanao ahoana aky ny fandehan'ny fizahana nataon-dry tany androany?" hoy i Malala nanontany ampitsikiana toa miezaka manala soritra eny amin'ny tarehany ny havizanana taorian'ilay fanaranampon'ny filany niarahany tamin'i Tojo ora vitsivitsy talohan'io.
- " An, an. Tsy misy blema kah. Mandeha tsara daholo ny zavatra rehetra. Efa mihatsara mihitsy hono aho ary ho afaka ny hiditra hianatra amin'izay atsy ho atsy. Mila mandalo any indray fotsiny aho afaka enimbolana."
- " Tsara izany akia. Indry ve izany izao tena hoe tapa-kevitra ny hijanona tanteraka aty mihitsy sa hoe mbola mety hody any Madagasikara ihany?"
Somary nangina kely aloha i Alexia vao namaly.
- " Eo mihitsy izao no tena mbola mahavaka ny saiko na dia nisy fotoana aza tena efa nanapahako hevitra hoe tena hijanona hianatra aty amin'i Dada!"
- " Fa ahoana indray " hoy i Malala sady toa nikentrona ny tarehiny.
- " Ohatran'ny lasa tena malahelo be an'i Hery izany aho tao ho ao na dia nisy fotoana aza tena efa tsy nieritreretako azy intsony. Tamin'ny alina izany aza moa aho dia tena nanonofy ratsy ny momba azy mihitsy....ohatran'ny hoe maty izany hono izy tamin'ny fahitako azy tao anaty nofiko tao. Inona koa angaha no mety ho dikan'izany nofiko izany e. Tsy aritro intsony moa dia tamin'izaho niresaka tamin'i Papa teo dia niangaviako izy mba hitady an'i Hery fa mijaly loatra ny saiko."
Nisento tokana aloha i Malala vao nanomboka niteny.
- " Efa nisy nitantara tamin-dry moa ny zava nitranga tamin'izahay hiondrana teny Ivato hitondra an-dry aty andafy?"
- " An, an, fa nisy inona?" hoy i Alexia namonjy nipetraka mihitsy tamin'iray tamin'ireo seza teo anoloany.
_ " Tantara lava ilay izy sady tsy fantatro hoe tokony ho lazaiko amin-ndry ve sa ahoana fa tena gidragidra anie no niseho teo Ivato teo ry Alexia e. Mbola tsy nahita an'i Hery nila sotasota imasom-bahoaka ohatran'izany aho. Ohatran'ny mamo rahateo koa moa ny fahitako azy. Ny ahy dia izay hanavotana ny an-dry no tena masaka tao antsaiko ka nialako lavitra daholo izay mbola azo nialana rehetra fa i Papanareo no nifanazava taminy tao. Raha ny filazan'i Ratrema tamiko taty aoriana aloha dia hoe notadiaviny tsy havela handeha hono indry fa azy. Taorianan'izay dia samy tsy naheno izay vaovao momba azy intsony izahay."
Gina tsy nahateny sady niondrika nitehin-kiho teo amin'ny latabatra nanoloana azy i Alexia. Toa nalainy sary antsaina ny zava-niseho vao avy notantarain 'i Malala taminy teo. Niserana tampoka tao antsainy ihany koa ny antony nahatonga azy niharan'iny lozam-piara kodia iny. Tsy niteny aloha izy elalela fa ny tanany no nampiakariny moramora hamafa ny ranomaso nikoriana moramora tamin'ny takolany anakiroa.
- " Aza fady akia Alexia fa tsy ny hampalahelo an-dry mihitsy no antony hilazako an'izany fa mba tiako ho fantatry indry daholo ny zava niseho mba ahafahan-dry maka fanapahan-kevitra voalanjalanja tsara."
- " Misaotra anao aloha ry Neny tsy nanafina tamiko. Tena tsy haiko mihitsy hoe ahoana e. Mijaly be mihitsy ny foko sy ny saiko fa tena mifamahofaho be amiko ny aminay sy Hery. Niezaka nanadino azy tanteraka mihitsy aho rehefa tena nandinika ny adalany sy ny fampijaliany ahy avy etsy sy eroa saingy rehefa tena manontany ny tenako aho dia tsapako fa tena tia tanteraka azy aho ary tsy ho sambatra mihitsy raha tsy izy no vadiko."
- " Eny e! azoko ny tiandry tenenina fa izao. Mbola mandalo fiovana be dia be fotsiny ny fiainandry izao dia izay no mahatonga an-dry mihevitra toa izany fa minoa ahy marimarina anie indry fa rehefa miditra mianatra eo ianareo sady miha zatra ny fiainana aty andafy aty indry dia tsy ho tadidin-dry firy intsony ny aminy e."
- " An, an, an. Tsy haiko aloha izay ho avy any fa ny zavatra tsapako amin'izao fotoana izao no amborako aminao. Mbola tena tia be azy mihitsy aho ary izaho sy Dada ary anikeo teny andalana ndeha hody io niresaka hoe ..."
- "niresaka hoe ahoana" hoy i Malala nitsatsaigoka nanapaka ny tenin'ity zanany vavy.
- "...i dada no nampiditra an'io hevitra io fa tsy izaho an. Hoe maninona moa raha afarana makaty France koa i Hery"
- " Zany ve no nolazainy" hoy i Malala sady ohatran'ny niaka maso nijery ny valin-drihan'ny efitrano niresahan'izy mianaka izy. Nalain'i Malala sary antsaina haingana ny mety ho fizotran'ny fiainan'i Hery sy ny fiainany ilaozan'i Hery hoany andafy. " Dia tsy hahita an'i Hery intsony izany ve aho? Dia ahoana ny zanany aty amiko? ..."
- " Ahoana ny eritreritry i Neny amin'izay soson-kevitry Dada izay" hoy i Alexia nanapaka ny tohivankan-kevitra nifanesisesy tao antsain'i Malala tampoka teo.
- " An, an, an. Raha mety ve moa i Ratrema raindry izaho indray ve no hisakana an'izany eo. Ny soa hoandry ve ry Alexia dia ho sakanako." Toa tsy nampoizin'i Alexia iny valin-tenin'i Malala iny. Hatramin'izay tokoa mantsy dia tsapany ho nanalokakoka ny fifankatiavan'izy sy Hery foana ny fisian'ny Malala manodidina an'izy roa eo. Raha tonga aty andafy tokoa angamba i Hery hoy izy dia mety mba milamindamina amin'izay ny fiainako fa tsy misy an'i Neny hanalokaloka ahy eo foana intsony.
-" Faly aho izany rehefa tsy manisy olana amin'ilay izy i Neny fa i Papa indray haiko ny miresaka aminy." Sady toa nihiratra tampoka ilay tarehiny nanjombona nolalovan-dranomaso teo.
Fotoana vitsy taorinan'io dia indro niditra ny efitrano nisy azy mianaka i Mahefa.
- " Mampamangy hono ianao Alexia hoy i Ratrema fa miantso anao eo izy raha vao malalala amin'ity herinandro ity.
- "Hay, misaotra dada" hoy i Alexia nitsiky sady nanokatra ny seza teo akaikikiny hipetrahan'i Mahefa. " Efa noresahiko an'i Neny ry Dada ilay resantsika mianaka teny andalana hoe hanafarana an'i Hery hakaty France a. D'accord hono izy fa i Papa izany sisa no mila resena lahatra."
- " Izay tokoa no eritreritro ry Malala " hoy i Mahefa nagalam-pijery tany amin'i Malala toa miezaka mamaky izay ankon'ny teniny eny amin'ny endriky farany.
- " Efa noteneniko an'i Alexia teo ny hevitro Mahefa fa dia resaho i Ratrema hikarakara an'izay fa ohatran'ny ho sarotsarotra amiko ihany aloha eh."
- " Efa noresahiko i Papa hitady an'i Hery any ampiasana rahampitso ry Neny a." hoy i Alexia. Hiantso ahy eo izy raha vao mahazo vaovao. Somary taitra kely sady niontana ny fon'i Malala naka sary antsaina ny mety ho fihaonana voalohany indray eo amin'ny Hery sy Ratrema taorianan'ireny fisehoan-javatra teny Ivato farany ireny.
" Hay, " hoy fotsiny i Malala toa tsy naka sarotra sady nanomboka nandray ny sotro rovitra sy ny antsy nanoloana azy.
- " Dieny mbola tsaroako tokoa aloha ry Mahefa dia nanafatra i Tojo hoe mba te hanatitra anay telo mianaka miaraka aminareo hono izy rahampitso ka mba antsoy izao hariva izao ihany raha ohatra ka tsy misy olana hanomanany ny fandaharam-potoanany rahampitso."
Somary nangina kely aloha ny rehetra sady nifantoka tany amin'i Mahefa daholo ny mason'izy mianaka niandry izay ho valin-teniny.
- " An, an, an. Inona moa ny olana amin'izany fa vao maika aza mba misy manampy antsika amin'ny fitondrana entana koa... Lasa tsara resaka aminao mihitsy anie iny Tojo iny ry Malala eh!" sady somary nitsiky kely toa manatsafa izany i Mahefa.
- " Tsara resaka amin'ny ahoana aloha izany e." hoy i Malala mody niseho ho matotra. " Ohatran'ny somary hafahafa ihany aloha i nedala tamin'ny voalohany fa lasa niresaka be mihitsy izy nony avy eo sady tsapako hoe tena tsara fanahy sady tena tsotra mihitsy izy. Olona mitovitovy toetra amin'i Tojo ireny no tena tsara miaraka amin-dry ry Alexia?" hoy ihany i Malala nanohy sady nijery izay mety ho fihetsiky ity zanany vavy.
- " Zany ve?" hoy i Alexia toa tsy rototra akory. " Ohatran'ny mbola zaza be izany anefa ny fahitako azy. Ny ahy lehilahy somary efa matomatotra ireny no tena mahasarika ahy."
- " Ohatran'i Hery ve?" hoy i Malala toa tsy namela an'i Alexia saika mbola hanohy ny teniny.
- " Ohatraohatrany fa hendry kokoa, tsy dia tia vehivavy " sady ohatran'ny toran'ny hehy kely izany izy.
- " Aleo fa antsoiko izany i Tojo rehefa avy eo " hoy i Mahefa nanapaka ny resak'izy mianaka toa milaza hoe ajanony any izany resaka izany.
Ny ampitso ...
Tonga tao antranon'i Mahefa araka ny fotoana nifanomezana i Tojo. I Alexia no nanao dia maika namonjy namoha ny varavarana raha vao nanenony ny kiririoka fanairana fa misy vahiny ao ambaravarana. Somary taitra kely i Tojo nahita an'ity tovovavy bikana sady tsara tarehy ary feno tsiky niarahaba sady nampandroso azy teo ambaravarana.
- " Mandroso Tojo a. Efa ianao sisa no andrasana dia lasa isika? Mitady hanao fotoan-gasy an! Efa aty andafy anie isika izao eh" hoy ihany i Alexia.
Toa tsy tsikaritry Tojo akory ny tanany ankavanana nandeha nihaotraotra ny lohany toa lasa nangidihidy tampoka nanoloana izato anihany nitsenan'i Alexia azy. Sambany tokoa mantsy vao tena niresaka mivantana toa izao izy roa taorinan'ilay nitondran'i Tojo an'i Alexia nitsangatsangana indray mandeha iry.
- " Voatery tsy maintsy nivily lalana aho fa misy " accident" amin'ilay lalana fandehanko haingana mankaty fa dia ilana tsiny re tompoko fa dia nampiandry ela anareo rehetra sady niditra ny varavarana nosokafan'i Alexia hidanadana ihany izy.
- " Vazivaziko izany" hoy Alexia fa mbola tsy vonona akory ary ry zareo. Tonga dia mipetrapetraha ery amin'ny salon ery aloha fa inona no entiko ho sotroinao? Efa nisakafo maraina?" toa fanina tsy nahita havaly ny tovolahy naheno an'izato hanihany, iraka, fanontaniana nifanesisesy niantefa teny aminy. Nizotra moramora namonjy ny seza lava teo amin'ny salon izy aloha sady nieritreritra ihany hoe ary tena niova be tampoka tato ity jo ity an.
- " Jus d'orange omena ahy Tompoko raha misy ao?"
- " Hatramin'ny oviana indray ary ity tompoko, tompoko ity ry Tojo. Izaho anie tsy ..."
- " Azafady fa ohatran'ny varimbariana aho fa efa zatra be an'io tompoko io aho raha vao miditra ato amin'ity trano ity mantsy" sady nitsiky kely izy.
Tsy ela taorian'izay dia nipoitra avy any Mahefa.
- " Hay efa tonga ato ise? Efa kely sisa dia ho vonona ry zareo kah. Rehefa vita ny jus an'ise dia tonga dia ampidiro ao anaty fiaran'ise ny entana. Aleo i Malala sy izy mianadahy hiaraka amiko dia ise sy Alexia izany no miaraka rehefa avy eo."
Ohatran'ny nisy herin'aratra nikoriana tampoka nanenika ny vatan'i Tojo teo ampihainoana an'i Mahefa. " Izaho sy Alexia no miaraka. Hipetraka eo akaikiko indray ve izany ity jo ity. Gaigy be izy izany" hoy ihany izy niteny irery sady nanatelina ny faramparany tamin'ilay ranom-boasary natolotry Alexia azy teo. Lasa nivadika tao anefitra izy naka ireo valizy nisy ny entan'i Malala sy ny ankizy dia nitondra azy tao anaty fiarany. Lehibe loatra anefa ilay valizin'i Malala ka naleon'i Tojo napetraka teo ambonin'ny seza aoriana fotsiny.
Iny Tojo ndeha hanidy ny varavarana aoriana ny fiarany iny no nivoaka avy any I Malala nitrotro an'i Cynthia. Nanao akanjo ambony sy ambany miloko fotsy vita amin'irony lamba cotton malefaka irony. Indray mipi-maso no nandinihan'i Tojo an'i Malala avy any antampon-dohany ka hatrany ampaladihany. Tsy tsinjony fa tsikaritry Malala tsara anefa ny fihetsiny. Efa i Malala eo akaikiny eo niteny moramora hoe " Mandinindinika an..." taminy vao taitry izy sady nitsiky.
- " An, an, an...mankafy mijery anao faraparany fotsiny aho kah. Diso ve aho? ... nataoko eto ambony seza ato aoriana ny valizinao fa tena tsy tafatsofoka tao amin'ny fasiana entana."
Raha mbola iny nifanatsafa teo iny i Tojo sy Malala no indro i Alexia niteny hoe tamin'ny Malala hoe:
- " Izaho sy Tojo" hono no miaraka hoy Dada fa ianao miaraka aminy."
" Efa fantatro" hoy i Malala "fa mba te hiarahaba an'i Tojo fotsiny aho." Tsy nisalasala i Alexia fa tonga dia namonjy nipetraka teo akaikin'i Tojo teo amin'ny familiana. Tera-tsemboka tampoka ny tovolahy nahita izato hakanton'i Alexia eo anilany. Toa manonofy tampoka teo izy. " Ohatran'ny mety hiady amin'ny pieces ko ihany ity jo ity izany fa ny fomba hampiresahana azy izao no gaigy" hoy i Tojo miady saina mafy sady toa nanadino avy hatrany ny eritreriny mbola voasarika tamin'ny Malala minitra vitsy teo aloha.
Niroso nilahatra kely teo amin'ny toerana niantsonan'i Tojo i Mahefa dia nifampijery izy roalahy mianaka sady toa nanao baiko moana azy i Mahefa hoe manarahy ahy fotsiny.
Dia indro fa niainga izy ireo hamonjy an'i CDG hanatitra an'i Malala telo mianaka hitodi-doha hoany Madagasikara.
Teny andalana...
Tsy niteny mihitsy i Tojo fa ny lalana sy ny fiara mirimorimo teo alohany no nobanjininy tsara. Tsy naharitra i Alexia dia izy no namaky ny fahanginana.
- " Inona ny vaovao Tojo a! mandeha tsara ny fianarana? Izay indray isika sy ianao vao tafara-dalana an. Ilay izaho netinao nitsangatsana iry izao no tadidiko farany. Tezitezitra tamin'i Neny aho tamin'iny fa nisinda mihitsy ny hatezerako nony tafaverina tao antrano aho nony hariva"
- "zany an." Hoy i Tojo nitsiky. " Aza mba mora tezitezitra izany ianao Alexia fa mora mampiketrona io tarehinao mahafatifaty io an'ie izany e."
- " Ahoana tsara hoe ry Tojo?" hoy i Alexia toa tsy nino ny zavatra henony teo.
- " an, an, an. Mora mampiketrona tarehy hoy aho ny hatezerana."
- " Eny e. Mety misy mahamarina an'izany ihany aloha fa indraindray anefa ianao tena tezitra ihany rehefa tena tsy zakanao intsony ny zava miseho. Fa hono hoy aho, efa manana sipa angaha i Tojo?"
Toa tsy nampino an'i Tojo ny fanontaniana henony.
- " Ary mivantambatana be anie ianao izany ry Alexia e?"
- " mivatambatana ahoana ary? Misy mahadiso angaha ny manontany zavatra ohatran'izany? ... Manontany tena fotsiny aho izany izao hoe be gasy be hifanena amintsika ao CDG, dia raha ohatra hoe efa manana sipa ianao dia misy mahita antsika roa irery mandeha rehefa tonga any dia mety hisy hitatitra any aminy hoe hitako niaraka tamin'izay sipa izay i Tojo dia ahoana ny hanazavanao azy.
- " Ka isika anie tsy hoe mandeha irery fa miaraka amin-dry Malala sy Mahefa ka tsy hitako hoe inona no mety ho olana amin'izany e." hoy i Tojo.
- " Eny e. valinao aloha ny fanontaniako e?" hoy ihany i Alexia sady somary nitodika kely tany amin'i Tojo mihitsy izy. Ity farany indray moa amin'io toa tsy sahy mijery azy fa mibanjina tsara ny arabe eo anoloany.
- " ah, ah,...." hoy i Tojo sahirana mafy mifidy izay teny hamaliany ity tovovavy tsara tarehy miandry fatratra ny valin-teniny.
Tadio (USA).
[email protected]
Tonga dia niverina namonjy natoritory kely teo amin'ny seza lavan'ny efitrano fandraisam-bahiny aloha i Malala nony avy nanatitra an'i Tojo teo ambaravarana ndeha hody. Henony somary valabalaka daholo ny vatany iray manontolo. Nandalo niverina kely tao antsainy ilay fahafinaretana nomen'ilay tovolahy azy vao tsy ela akory teo. Efa ela tokoa aho izay no tsy nanao raha tsy vao iny indray an. "Mampalahelo ahy ilay bandy kely iny nefa inona moa no azoko atao azy" hoy izy aneritreritra. " Enga anie mba hampilamina tsikelikely ny sainy ireny zavatra nolazaiko azy ireny, sady efa nomeko azy koa anie izay tadiaviny e." hoy ihany izy miezaka manamboatra saina fa toa mahatsiaro kely meloka tamin'ilay fahafinaretan'ny nofo nangalariny teo. "Tsy ho sitrana eo ihany ve izy rehefa lasa aho e.!" sady nitakisina kely izy nanamboatra ny ondana teo ambonin'ilay seza hakany aina tsara. Nitompy tany amin'i Ratrema amin'izay ny eritreriny rehefa avy eo. "Ndeha hody tokoa moa izahay telo mianaka rahampitso, aleo koa mody fa ohatran'ny tsy mety amiko mihitsy ny aty sady i Alexia efa tsara mpiantoka tsinona. ...Fa inona loatra aza izany zavatra olana goavana mianjady amin'i Ratrema izany. Dia ho sanatria ve ka ho rava ny orinasa e? " Tsy te hanaiky ity eritreriny farany ity i Malala dia naleony nivadika nieritreritra zavatra hafa haingana sady niarina izy fa tadidiny fa tokony hampirimpirina ny valiziny hoentiny mody any Madagasikara amin'izay izy io tolankandro io. " Aleo aho hifoha teto fa hay moa mbola miparitaka eran'ny efitro ny entako tokony ho entiko". Niverenany notompazana indray mipi-maso indray aloha ny manodidina azy sao misy zavatra tavela mety hampidi-doza ohatran'ilay tamin'ny indray mandeha eto indray ity hoy izy tany antsainy. Rehefa hitany fa tsy misy tokony hampiahiahy an'i Mahefa sy Alexia, dia lasa namonjy ny efitrano nisy ireto zanany natory izy. Eo ampampirimana entana eo izy no toa mahatsiaro dondona ny handeha ery. "Tsy andriko mihitsy izay hahitana an'i Ratrema kah" Manina azy iny ihany hay aho rehefa tena lavitra azy" hoy izy manohy miresaka amin'ny tenany. " Ary mba nanao ahoana ary izay i Hery izay ela be izay, .... an, an aleo hoany izany eritreritra izany fa rehefa tonga any Dago aho mahita izay fandehany e." sady nanidy ny valizy hipoky ny fitafiana lafo vidy vao azony tamin'izao fandalovany an'i Paris izao ihany izy. " Vita izany ny amin'iny fa ny an'ny ankizy sisa no ampidiriko atsy anatin'iny sakosy iray itsy " dia vonona izahay telo mianaka, sady nandray ny poketrany izy nijery hoe tao ve ny pasipaorony sy ny tapakila handraisany fiaramanidina ny ampitso. Niverina namonjy ny efitrano fandraisam-bahiny izy nony avy eo sady namelona ny fahita lavitra hanarinariana dia mandrapahatongan'izy mianaka avy any amin'ny hopitaly...
- " Fa hono hoy aho ry Alexia" hoy i Mahefa tamin'i Alexia iny izy mianaka eny andalana ndeha hody.
- " Ahoana izay ry Dada?" sady nitodika tany amin-drainy izy sady nitsiky.
- " Mbola tena lasa tamin'ilay zava-niseho taminao alina ny saiko. Ahoana no tena eritreritrao ny mikasika an'i Hery ?" sady nitodika kely tany amin-janany koa izy no sady niverina nibanjina ny fiara teo alohany izany nandroso moramora. Ora famonjen'ny ankamaroan'ny olona fodiana koa moa tamin'izay ka dia somary nitohana ny lalam-be mikodana mivoaka kely ny tananan'ny Paris.
Niova tampoka ny endriky Alexia naheno izato fanontanian-drainy. Tsy nampoiziny. Toa nandalo niserana tao anatin'ny segondra vitsy tao antsainy indray ny fiainan'izy sy Hery iray manontolo. Mifamahofaho be ny fahitany azy. Nandalo tao antsainy avokoa ny fifankatiavana be teo amin'izy roa, ny ditran'i Hery, ny fahadisoam-panantenany, ireo fintantarana marobe nataon'i Hery mikasika fiainan'izy roa tamin'ilay olona tao amin'ny wanadoo.mg izay tsy iza moa fa izy tenany ihany, ..." Mbola tia ahy tokoa ve izy matoa namboaraka ny fiainany tamin'olona ohatran'ireny sady mitady torohevitra sy fanampiana?" hoy ihany izy niady saina irery teo.
- "Aleo hijanona any aloha izay resaka izay raha manahirana anao anaka" hoy i Mahefa nanapaka ny eritreritry Alexia fa tsinjony fa toa lasa fisainana be ity zanany.
- "An, an, an kah! Misy zavatra tsaroako tampoka fotsiny" hoy i Alexia mody nitady hevitra ialana " raha ny momba an'i Hery ry Dada dia tena miroharoa be ny saiko. Indraindray aho tena tsy te hiherika azy intsony rehefa mieritreritra ny zavatra nandalovako taminy, rehefa tena mandinika lalina any anatiko any anefa aho dia tena tsapako fa mbola tena tia azy aho. " tadidin'i Alexia tampoka teo ilay nofiny momba an'i Hery tamin'ny alina.
- "Ary tena te haheno vaovao mafy momba azy mihitsy aho izao fa ratsy anie izay nofiko momba azy tamin'ny alina izay ry Dada eh!".
- "Izay tokoa ve no zavatra tena tsapanao? Mbola tena mahatsiaro tena tia ianao?" sady ohatran'ny notsindrian'ny Mahefa mafy ny feony rehefa nanonona ilay teny hoe "Tia".
- "Tena mbola Tia aho ry Dada a" izay no tena marina fa niezaka ny nanery ny saiko tsy hitia azy fotsiny aho indraindray.
- "Izay ve izany no mety hahasambatra anao?" hoy ihany i Mahefa nanontany toa naka toky tsara amin'ity tenin-janany.
- " Izay mihitsy ry Dada. Raha mba aty Paris koa i Hery miaraka amiko, ianao ray niteraka ahy moa eo. Izaho afaka manohy ny fianarako aty. Mandeha any Madagasikara mamangy izahay rehefa manomboka manana fidiram-bola izahay roa, dia izay no tena fahasambarako" sady ohatran'ny miramirana izany i Alexia mitanisa ny nofinofim-piainany.
- "Lafatra tokoa izany anaka raha izay no tanteraka. Azo tanterahina anefa izany fa mila faharetana kely fotsiny."
- " Zany ve ry Dada?" sady naka toerana somary nitodika tany amin'ny Mahefa i Alexia "Tena faly be aho raha mba tonga aty i Hery. Milamina aho raha izay no mitranga."
-" Izao no ataontsika e. Hiresaka amin'i Malala isika mianaka anio hariva dia hampitondra hafatra azy hoan'i Hery mba hifandraisany mivantana amintsika mianaka amin'ny telefona na amin'ny mailaka, sa ahoana?"
- "Hevitra mety tokoa izany ry Dada an, faly be aho sady nitsikitsiky miramirana toa feno fanantenana izany i Alexia.
Madagasikara....Tany amin'ny hopitaly misy an'i Hery amin'io fotoana io.
Lasa nandeha nody moa i Mihary sy Tahiana ka dia i Fano irery sisa no tavela teo miandry ity zana-drahalahiny. Lasa fisainana irery teo ny lehilahy mandinika an'ity zanany matory eo ambony fandriana. Ny masony amin'io mbola notampenan'ny dokotera aloha. - "Hanao ahoana lesy ny hoavin'ialahy ity ry Hery fa toa tena misamboaravoara izany fiainan'ialahy izany?" hoy izy lasa fisainana. " Raha izao moa ialahy no jamba tampoka eo dia inona no ataon'ialahy? Iza no hamelona? ..." tsy te hiheritreritra ny valin'ny fanotaniana napetrany tamin'i tenany i Fano dia naleony navadika tampoka tamin'ny zavatra noresahin'i Tahiana azy ny sainy. " Mialangalana ahoana koa ary aho araka ny fahitan'i Tahiana ahy teo?" sady namerina nitadidy izay fihetsiny sy zavatra nolazainy tamin'i Miary sy Tahiry izy. " Marina tokoa aloha ny teniny fa tsy misy havan'i nedala ity afatsy izaho irery eto akaiky eto, izy roa vavy mianaka ireny aza tsy taova tsy volovolony, jereo fa tena misahirana mafy tokoa." Sady ohatran'ny nahatsiaro menatra no tonga saina izany ny lehilahy. " Aleo fa hiresaka amin'i Tahiana aho rahampitso hisaotra azy nanokatra ny masoko fa tena marina mihitsy ny teniny. Miha tiako foana koa anie izy iny na dia ohatran'ny hoe andrakandrana fotsiny no niarahako taminy tamin'ny voalohany e. .. .izay mihitsy no ataoko kah." Sady nitsangana teo amin'ny toerany i Fano namonjy nivoaka ny efitrano mba haka rivotra kely. " Ndeha hitady gazety any ivelany any vetivety aloha aho" hoy izy aneritreritra hanalako an'ity alina mbola ho lava ity.
...Somary namaoka ny masony vonton'alahelo i Ratrema no niharina nitsotra naka toerana tsara teo ambonin'ilay seza hoditra nipetrahany teo amin'ny biraony. Nalefany tao ankatony ny tanany anakiroa sady niketriketrika ny sainy manoloana ity olana marobe mianjady aminy. " Ahoana re no hataoko hahitako hevitra hivoahako amin'izao olana mianjady amin'ny orinasa izao e? ny volan'olona anefa ity tsy maintsy efaiko haingana fa raha tsy izany dia ho votsitra eo ny trano ipetrahanay io" sady lasa tampoka tany amin'i Alexia, Toky ary Cynthia zanany ny sainy. " Tsy andriko mihitsy izay ahatongavan'i Malala kah. Mihoatra ny zakan'ny saiko vahana samy irery ity olana ity fa aleo borahiko aminy ny zava- nisy rehetra dia eo izahay mivady miara mitady izay hevitra tokony hatao... tsy dia fanaoko izao saingy andohalika tokoa ity ny ranom-bary ka tsy maintsy miditra amin'izay aho fa ho hita eo izay heviny." Sady nandray ny findainy i Ratrema ary nanomboka nanindry ny bokotra misy ny laharana ahazoana an'i Mahefa.
- " Allo,... Allo!" hoy i Ratrema somary nidobodoboka kely ny fony.
- " Allo" hoy i Mahefa namaly somary nanako ny fahenon'i Mahefa azy.
- " Profesora Mahefa ve izao? Ingahy Ratrema ihany ity e"
- " Ah, ingahy Ratrema marina, Inona no vaovao?
- " An, an, an tsy dia misy hambara fa te hanontany mikasika ny fandehanan'ny ankizy rahampitso fotsiny aho kah?"
- " Hay! Mbola aty anaty fiara andalana hody izahay mianaka io fa i Malala efa any antrano fa aleo antsoinay ianao afaka 15 minitra eo ho eo eh."
- " Eny ary e." hoy i Ratrema somary diso fanantenana kely.
- " Allo, mbola ao ve ianao? Aza miala ianao fa io akaikiko i Alexia te hiresaka aminao" hoy i Mahefa sady nanolotra ny findainy tamin'i Alexia velon-tsiky hiresaka amin'ity "rainy".
- "Papa!..."
Niontana kely ny fon'i Ratrema nandre ny fikarantsan'ny feon-janany nanako tao anaty finday.
- " ny zanako," hoy i Ratrema toa te hitomany izany. " Manao ahoana ianao izay anaka? Efa tsara?"
- " Efa mihatsara mihitsy aho ry Papa fa aza be ahiahy ianao. Manina anao fotsiny aho. Raha mba eto akikiko eto daholo mantsy ianareo rehetra olontiako amin'ny fiainako dia izay no tena lafatra indrindra" sady narahiny tsiky kely ny teniny izay fantany fa nofinofy sarotra taterahina. Nitsiky kely koa Ratrema nandre izany na dia nalahelo aza izy tany ampony lalina tany. Mbola manjavozavo aminy tsinona ny haloaky ny ampitson'ny fiainany noho izao olana andalovany izao.
- "Izay tokoa no lafatra anaka fa mety mbola hitranga ihany izany raha izay no sitrapon'Andriamanitra, sa ahoana?"
- " Nandeha nanao fizahana tany amin'ny hopitaly aho androany dia efa tena misy fihatsarana mihitsy ny toem-pahasalamako ry Papa a. Faly mihitsy aho sady finaritra mihitsy koa aho aty fa ianao sy Hery fotsiny sisa no ilaiko akaikiko dia milamina ny saiko" Toa nitselatra no nandrenesan'i Ratrema ny anaran'i "Hery" tao antsofiny. Toa tsy nampino azy fa mbola tafiditra lalina ao ampon'ity "zanany" ny amin'iny tovolahy nandreraka azy iny.
- " Eny eh, ho hitantsika eo ihany izany anaka" hoy i Ratrema tsy te hanohina ny fon-janany. " Ka manao ahoana ny fanomanan-dreninareo ny fandehanany rahampitso ao?"
- " An, an. Inoako fa efa vonona izy kah. Anikeo maraina mantsy aho no nahita azy farany fa izaho sy Dada tany amin'ny hopitaly foana androany tontolo sady nentiny nijery ny toeram-piasany aho. Aleo rehefa tonga any antrano indray izany izahay miantso fa misy izao Papa ah! Misy zavatra mba tiako iangaviana anao ity raha tsy dia manahirana anao? ..."
- " Ahoana izay anaka" hoy i Ratrema somary hendratrendratra mamaly sady manontany tena hoe "inona indray ary izany olana vaovao hangatahin'ity zanako ho vahako ity izany"
- " tsy izany hoy aho fa mba te hahazo vaovao mikasika an'i Hery mafy mihitsy aho fa nanonofy ratsy be momba azy aho tamin'ny alina ka tena tsy milamina mihitsy ny saiko."
Somary nisento kely ingahy Ratrema sady toa niha nafana tampoka ny tenany. " tena tsy ho afa-bela amin'ilay borikilahy iny mihitsy ve izany aho " hoy izy tany antsainy tany.
- " Tena tsy nahare vaovao momba azy mihitsy aho anaka" hoy izy aloha sady niketriketrika ihany izay teny ho lazaina tsy hanohana ity fon-janany marefo dia marefon'ny fitiavana.
- " Mba antsoy anie ry Papa ny any ampiasany fa tena te haheno vaovao mafy ny momba azy aho e. Efa nandramako nantsoina mantsy ny fidainy fa efa tsy mandeha intsony ilay laharana. Ilay laharany tany ampiasana taty amiko indray tsy hitako intsony hoe nankaiza."
- " Eny eh. Aleo ary fa hiantso any aho anaka fa mety tsy androany anefa satria efa nirava ry zareo izay. Rahampitso vao maraina amin'ny valo aho miantso any dia antsoiko ianao." Hoy i Ratrema namaly tsy zazoka tsy nahita fomba hialana intsony. Tiany loatra i Alexia ka tsy vitany ny handratra ny fony sy hampitondra alahelo azy. Teo izy vao tonga saina hoe ary raha mahazo an'ilay kary lahy iny avy hatrany eo moa aho raha miantso azy rahampitso dia ahoana no holazaiko azy. Niverina tao antsain'i Ratrema ny zava niseho teny Ivato tamin'ny fotoana niagan'izy ireo hitondra an'i Alexia hoany Frantsa. " Aleo rangahy hoany izany aloha fa tsy ho hitako eo foana ve izay hamaliana azy rehefa tena miresaka eo ah!"
- " Allo,...mbola ao ve i Papa? Ohatran'ny tsy henoko intsony tsinona!"
- " Mbola ato mihitsy aho anaka fa asa inona koa angamba no tsy nahenonao ahy teo fa izao, miandry anareo miantso aho izany rehefa avy eo an."
- " ie, rehefa avy eo izany Papa ah!" sady naforitry Alexia hikatona ny finday teny antanany.
Rehefa vita ny resak'izy mianaka teo dia tapakevitra ny handeha hody hamonjy fodiana i Ratrema. Niverina tao antsainy indray ny fangatahana nataon-janany teo. "dia tena olana miampy olana mihitsy anie izany iainako izany e. Dia voatery hitady an'i Hery tokoa ve aho? Niady teo ny sainy. Nony farany anefa dia tapaka ny heviny fa hiantso any ampiasan'i Hery araka ny nampanantenainy anjanany teo tokoa izy ny ampitso. Aleo hampandeferiko ny ambom-poko hoy izy noho ny fitiavako anjanako sady nanodina ny fanalahidin'ny biraony izy ary namonjy ny ny tohatra midina hoany ambany.
- " Lehilahy be fitiavana tokoa raha ingahy Ratrema iny ry Alexia" hoy i Mahefa sady mibanjina tsara ny fiara misosa eo anoloany izy.
- " Marina mihitsy izany teninao izany ry Dada a. Tena be fitiavana sady tsotra raha izy iny. Tsy arakaraky ny toerana misy azy ny toetrany e. Mampalahelo ahy izy indraindray fa dia toa ampijalian'i Neny izany ny fahitako azy" sady nangalam-pijery kely tany amin'i Mahefa i Alexia.
- " Zany ve? " hoy i Mahefa somary mody tsy taitra toa azony antsaina hoe inona no tian'ity zanany lazaina.
- " Aiza ve ry Dada ka dia iarakarahany daholo izao lehilahy rehetra izao, tsy andalovana mihitsy eh! Indraindray aho dia tena manontany tena mihitsy hoe inona loatra no manosika azy hanao tahaka izany. Fitiavana haka fahafinaretan'ny nofo fotsiny ve sa tena zavatra hafa mihitsy? "
Somary menatra tany anaty kely Mahefa nahatsiaro ilay fiarahany indray mandeha tamin'ny Malala tany amin'ny hotely ny fotoana voalohany nifakahalalan'izy roa.
-" hein, " somary nitelin-drora kely aloha izy vao niteny. " Ary tsy nampoiziko ho manao zavatra toa izany mihitsy izy iny an. Mety ho azoko ihany aloha ny antony ny mahatonga azy manao izany, nefa mety ho diso koa anefa ny eritreritro"
- "hoe ahoana?" hoy i Alexia ohatran'ny liana dia liana amin'izato valintenin'i Mahefa.
- " Betsaka no mety ho antony fa anisan'izany angamba aloha ny elanelan-taona be misy eo amin'izy mivady e. Mety mba te hiaraka amin'ny olona mitovitovy taona aminy i Malala na sahala amin'izany, dia .." Tonga dia nitsatsaingoka i Alexia
- " ka tsy olona mitovitovy taona aminy anie no anaovany ny adalany ry Dada fa bandy kely ireny daholo e."
- " izay indrindra no tiako anohizany ny eritreritro teo hoe mety mahatsiaro efa mandrosondro taona angamba izy mba te hitsapa hoe mbola voasarika amiko ve ny tovolahy, mbola tsara tarehy ve aho... na koa dia tia manao firaisana ara nofo amin'ny karazan'olona marobe tsotra izao fotsiny izy anaka, tombatombana daholo ny ahy izany fa tsy voatery ho marina an."
- "Mety misy mampitombina ny eritreritrao ihany aloha ry Dada fa de i Papa no tena mijaly amin'izay rehetra izay moa. Raha izaho aloha no tamin'ny toeran'i Papa mety tena mba lasa koa aho nanao ny adalako hamaizako azy"
- " Aiza kosa anaka dia hoe valiana amin'ny adalana ny adalana ataon'ny sasany aminao. Vao maika mampiditra amin'ny kizo ny vaha olana toa izany kah."
Tapaka tampoka teo moa ny resak'izy mianaka fa naneno indray ny fidain'i Mahefa.
- " Allo! Mahefa?"
- " Ie. Izaho ihany ity fa ahoana" hoy i Mahefa fa fantany avy hatrany fa i Malala no miantso.
- " Efa akaiky angaha ianareo?"
- " Efa akaiky mihitsy izahay kah. Afaka dimy minitra eo ho eo angamba"
- " Hay, eny ary e. Rehefa avy eo izany.
Mbola hitohy.
Tadio ([email protected])
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |