Tadiom-pitiavana

« Pejy 70 | Main | Pejy 72 »

Pejy 71
2006/08/05,18:20
  - " Eny e, tsy voatery hamaly koa anie ianao ry Tojo raha mahasadaikatra anao ilay izy" hoy i Alexia somary nitsiky kely.
- " An, an, kah. Tsy manahirana ahy mihitsy ny mamaly ilay fanontanianao fa tsy nampoiziko fotsiny... Nisy olona niaraka tamiko ihany teo aloha fa efa lasa nody any Dago izy. Herintaona lasa izay. Asa izay nahazo azy fa nifampiantsoantso tamin'ny telefona sy nifanoratra mailaka teo aloha izahay taorinan'ny nandehanany dia nihena tsikelikely ny fifandraisana ary dia tsy heno intsony izy moa izaho koa sahiran-dava. Tsy tena masaka koa ilay izy rehefa dinihiko ankehitriny fa be sakantsakana.  Mety aminay koa angamba ny samy mipetraka.... Nisy bandy namako izay nanoratra tamiko vao tsy ela akory izany nilaza hoe hitany efa misy olona miaraka aminy hono any Dago. Vao naheno an'izay moa aho ry Alexia tonga dia niezaka nanamboatra saina tanteraka mihitsy raha ny aminy. "
- " Izany ve? Tsy malahelo azy intsony izany ianao izao?"
- " Misy fotoana ahalahelovako kely azy tsindraindray ihany rehefa misy zava-mitranga mampitamberina ny niarahanay taty saingy efa  namboariko ny saiko fa vita tanteraka ny aminay e. Ary ianao be fanontaniana io moa mba ahoana? Misy olona miaraka aminao?" hoy i Tojo somary nangalam-pijery kely tany amin'i Alexia izay toa tena mandinika azy tsara eo amin'ny familiana.
Nisento kely i Alexia izay vao namaly sady toa niova tampoka ilay endriny miramirana feno hafaliana teo.
- "Tsy haiko intsony e. .."
- " Tsy hainao intsony ahoana ry Alexia."
- "Ohatran'ny tsy dia tiako resahina anao ilay izy nefa hitako hoe tsy dia rariny loatra koa anefa raha nisikotra ny momba anao aho dia nefa rehefa izaho no ifoteran'ny fanontaniako dia tsy hamaly...Misy olona miaraka amiko any Dago ary noho izy indrindra no nahatonga ahy nalefa notsaboina aty andafy io..." sady nanomboka namintina fohifohy ny tantaram-pitiavan'izy sy Hery teo i Alexia. Tsy niteny mihitsy i Tojo tamin'io fa sondriana dia sondriana nihaino ity tovovavy toa mamboraka aminy ny adintsainy sy ny alahelony.
- " Mampalahelo ahy izany zavatra andalovanao izany ry Alexia" hoy i Tojo nony vita ny fitantaran'i Alexia.
- " Dia ahoana izany no hataonao, hanafatra azy hakaty amintsika araka ilay resakao sy Profesora ve sa hoe ianao no hiverina hody any Dago?"
- " Tsy haiko mihitsy izay tena hataoko ry Tojo "hoy i Alexia fa raha ianao no amin'ny toerako dia ahoana ny ataonao?"
Nangina samy tsy nisy niteny aloha izy roa nandritra ny fotoana vitsy raha niezaka namadibadika tao antsainy ny zavatra vao henony teo i Tojo no sady niezaka nifantoka tsara amin'ny arabe izorany.
- "Sarotra be aloha ilay izy raha izany" hoy i Tojo nanohy ny resaka " tsy tena fantatro daholo koa izay tena antsipirihan'ny fandehany, fa raha izay voalazanao teo aloha raha tena tinao sady tia anao izany bandy tsara vitana nahazo anao izany dia afaro hakatia izy e." sady nitopy kely tany amin'i Alexia indray ny masony.
- "Tsara vitana ahoana izy no tinao lazaina!" sady ohatran'ny nitsiky sady menatra izany i Alexia.
- " nahazo anao tsara tarehy sady mahafinaritra ohatran'io kah!" hoy i Tojo mody tsy nijery izay mety ho akon'ny teniny teny amin'ny endriky Alexia.
Tsapan'i Alexia fa toa mampiseho fahalianana kely aminy ity tovolahy na dia zavatra tokony hanakana izany aza no resahin'izy ireo...
Nony tonga tao seranam-piaramanidin'i CDG...

- " Aleo ianao sy ny entana ajanoko eto" hoy i Tojo tamin'i Alexia sady naka sisiny teo amin'ny toerana fijanona vetivety izy ".. ireo efa miandry ireo ry Malala fa izaho sy Mahefa tsy maintsy mbola hanatitra ny fiara any ambany. Terminal A no halehantsika rehefa avy eo. Any no andraisana ny zotra Air Mad tsinona."
- "Eny ary!" hoy i Alexia tamin'i Tojo sady nitsiky kely izy no narahiny hoe
-  "Aza ela any ianareo an."
- "Vetivety fotsiny kah." Hoy i Tojo sady nivoaka hamoaka ireo valizy napetraka teo amin'ny sezan'ny fiarany taoriana izy.
....

- "Ahoana aky izao no ataoko amin'ireto entako ireto?" hoy i Malala tamin'ity zanany vavy avy nanatona azy.
- "ilay makeo amin'ny fandanjana entana aloha tsy olana satria ianareo mbola eo fa rehefa mandeha miditra any anatiny amin'izay no tena ho sahirana aho hivingitra an'ireto entana entin-tanako ireto. I Cynthia tsy maintsy trotroina moa i Toky koa etsy andaniny tsy maintsy tantanana." Hoy ihany i Malala toa miasa saina mafy.
- " Ahoana tokoa re izany no anaovana azy ry Neny e? " hoy i Alexia sady mierikerika ny manodidina mijery an'ireto olona marobe mifamahofaho mivoaka miditra ny varabaram-be fitaratra teo akaiky teo.
- " Aleo anontaniana i Mahefa sy Tojo rehefa avy eo " hoy ihany i Alexia fa sao dia mba misy olona fantany koa tafara-dalana aminao dia mba izay olona izay no hiangaviana.
- " Izay tokoa angaha no mety azo atao. Enga anie mba hisy izay olona izay fa raha tsy izany dia ho sahirana aho."
Tsy tapitapitr'izay, Iny i Mahefa sy Tojo fa niara-nipoitra avy any namikiviky nanatona ireto mpianaka mbola variana miady hevitra ny amin'izay tokony hatao.
- " Ndao ary!" hoy i Mahefa " fa sao dia variana eto isika" sady nobatainy ny poketra matevina lehibe iray teo akaikin'i Malala. I Tojo kosa namonjy nandray ilay sakosy nisy ny kojakoja mety ilain'ny ankizy eny ampandehanana.

Vao nanomboka niditra ny Terminal A dia tsinjon'izy ireo fa misy tarehy Malagasy maromaro nanao dia maika teo alohan-dry zareo.
Niherikerika i Alexia sady miezaka manaradia ny rehetra ihany. Na dia teo CDG aza moa no niantsonan' ny fiara manidina nitondra azy nankany Frantsa dia tsy nisy zavatra hitany firy raha tsy vao izao indray.
- " Mora mahavery ato izany ry Tojo" hoy izy " Raha tsy mitandrina"
Nitsiky kely fotsiny i Tojo sady namaly hoe:
- "Amin'ny voalohany fotsiny ianao no mahatsapa ohatran'izay fa rehefa mankaty matetika ianao dia mandeha hoazy io sady misy toerana azonao anontaniana foana anie."
Efa nanomboka ny fandraisana entana no tonga ry zareo. Namonjy nilahatra avy hatrany i Malala fa i Mahefa sy Tojo ary i Alexia sy ny ankizy no somary nitokana niresaka kely aloha nfanontany sao dia misy olona fantatr'izy ireo nanodididina teo.
Tovolahy iray tsy mitondra afatsy valizy kely taritina no teo alohan'i Malala. Fantany avy hatrany fa gasy ilay tovolahy ka tsy nisalasala ny anao vavy fa tonga dia nanontany:
- " Azafady anie, io ihany angaha ny entanao?" hoy izy sady nitsikitsiky.
- " Ie," hoy ilay tovolahy namaly tamim-pitsikiana ihany koa " fa ahoana?"
- " tsy izany mantsy fa izaho sy iretsy zanako roa iretsy " sady notondroiny ry I Toky sy Cynthia no handeha ka saika mba hiangavy fotsiny aho raha mba afaka manampy ahy mitondra ny entana sasany ianao rehefa lasa ireo mpanatitra ahy?"
- " Tsy maninona kah" hoy ilay tovolahy tsy naka sarotra sady niverina nitodika tany aloha indray izy.

...

- " Tena raharaha izy ity ry Malala " hoy i Mahefa " fa tena tsy misy olona fantatray sy Tojo mihitsy amin'ireto olona handeha ireto, tsy ho zakanao samy irery anefa ireto rehetra ireto sady mbola hitondra ny ankizy ihany koa."
- " An, an" hoy i Malala tsy taitra ." Efa noresahiko ity tovolahy eto alohako ity fa afaka manampy ahy izy" sady nokitihiny kely ilay tovolahy hiherika tany aminy sy Mahefa.
- " Hay, tsara kosa izany. Misaotra betsaka r'ise" hoy i Mahefa sady nandray ny tanan'ilay tovolahy izy.
- " Tsy misy fisaorana tompoko" hoy ilay tovolahy namaly. " Rado, no anarako"  hoy izy.
- "Profesora Mahefa, ... Mme Malala, zaobaviko" hoy ihany i Mahefa sady nanondro an'i Malala. " Faly mahalala anao. Aiza eto Paris no misy anao?"
- " An, an. Tsy avy eto Paris aho" hoy ilay tovolahy fa mandalo eto fotsiny ny diako. Any Etazonia aho no mipetraka."
- " Wow!" hoy i Mahefa feno tsiky " where in the States do you live?" hoy izy nivadika niteny Anglisy?.
- " In DC" hoy i Rado namaly tsy dia nanampo ny hiteny anglisy amin'ny gasy sendra azy.
- " Ataovy teny gasy ihany ry reto" hoy i Malala somary nanatsafa fa tena tsy misy azoko izany teny tsy fantatrareo izany sady narahiny hehy kely miaro fitsikiana ny teniny.

.....

- "Izay izany" hoy i Mahefa tamin'i Malala telo mianaka nony avy eo "fa dia soava dia ianareo. Aza be ahiahy ny aminay mianaka mijanona aty. Miantsoa raha vao tonga any an."
- " Veloma any amin'i Papa sy Hery any ry Neny a. Aza adino mihitsy ny mandefa vaovao aty amiko ny momba an'i Hery" hoy i Alexia toa nivadika somary nanjombona kely indray ny endriny. I Tojo moa nandritra izay fotoana izay toa tsy nahitana teny firy fa variana izy somary mandinika an'i Malala sy Alexia mifanakalo resaka teo. Toa niserana tampoka tao antsainy indray ilay fotoana niarahany tamin'ny Malala faram-parany omalin'io. "Handeha tokoa moa ity ianao ity" hoy izy an'eritreritra. I Malala nanatona azy sady nanatsotra ny tanany ndeha hanoroka ny takolany havia sy havanana no nanapaka ny eritreriny.
- " Veloma Tojo a" hoy Malala nibitsibitsika" Misaotra betsaka tamin'ny fanampiana rehetra dia aza alefa lavitra ny saina a."  sady nopihany maso ankavia i Tojo raha izy handeha hamonjy an'i Mahefa sy Alexia miaraka tamin'ny ankizy teo akaiky teo.
Nahatsiaro alahelo ny tovolahy saingy inona moa no azoko atao hoy izy tany ampony tany. Vadin'olona mandalo ihany iny fa dia mila amboariko ny saiko.

Tsy ela taorian'izay dia iny I Malala misomebiseby mandalo ny fisavana pasipaoro sy ny tapakila fidirana hamonjy ny zotra hoany Madagasikara. Niherika nanao topi-maso indray mandeha avy fotsiny izy telo mianaka mpanatitra dia lasa namonjy ny tohatra midina nakany amin'ny fametrahana fiara.
- " Izaho lesy Tojo tonga dia handeha hoany ampiasana fa mba afaka manatitra an'i Alexia any antrano ve ialahy?"
- " Tsy maninona " hoy i Tojo tsy naka sarotra "sady lalako mody ihany koa tsinona iny."
....

Tsy feno hipoka toy ny mahazatra ny tao anaty fiara manidina fa betsaka ny seza malalaka na tamin'ny faritra afovoany na tamin'ny sisiny. Fotoana maha vitsy mpandeha koa moa ny fotoana toa izao.  
- " Rado a! tsy aleonao ve mifindra mipetraka miaraka aminay telo mianaka eto ampovoany eto toy izay hitoka-monina eo akaikin'io varavaran-kely  io " hoy i Malala sady nitsiky tamin'ilay tovolahy nipetraka tsy dia lavitra azy teo.
- " Aleo tokoa ary aho hifindra eo aminareo eo " hoy i Rado fa mbola malalaka tokoa izy izany sady mba miresaka koa isika amin'izay hanalana lalana. Mbola adin'ny folo be izao anie ety ampanidinana ety ihany" sady namaha ny fehikibon'ny seza nipetrahany ilay tovolahy.
- " Ohatran'ny hoe be fiangaviana be anao aho e?" hoy i Malala sady nangalam-pijery tamin'i Rado izy.
- " Tsy olana izany Mme Malala fa raha mbola azoko atao dia ataoko fa raha tsy azoko atao indray kosa ve..."
- " Aza asiana an'izany Mme izany fa antsoy fotsiny aho hoe Malala fa ohatran'ny tsy mahazatra ahy ilay izy."
- " Eny ary e." hoy i Rado tsy naka sarotra sady somary hafahafa tamin'izao fihetsika toa feno fahasahiana be ataon'ity vehivavy vao sambany niresaka taminy ity.
- "Efa ela izany ianao no nipetraka any Etazonia?" hoy i Malala nampidi-dresaka.
- " Efa ho sivy taona izay" hoy i Rado namaly.
- " Zany an! Efa tena tsy hody any Dago intsony izany ianao raha azoko" hoy i Malala nanohy sady nametraka tsara an'i Toky teo amin'ny sezany. I Cynthia moa tamin'io efa resin-tory sahady ka tsy dia nanahiran azy firy loatra.
- " Mbola hody ihany aho fa aleo mba mitady kely sady manangonangona aloha vao mody sa ahoana?" hoy i Rado sady nitopy tany amin'ny mason'i Malala ny fijeriny.
- " Marina aloha izany . Ny anao no mety. Mba manonofinofy ny hahita an'izao Etazonia izao aho, asa na ho tonga any ihany indray andro any!'
- " Tonga any foana ianao rehefa tena maniry ny hoany" hoy i Rado.
- " Marina izany" hoy i Malala " Ho avy hamangy anao any aho ..." sady toran'ny hehy izy. Tsy niteny ilay tovolahy fa ny tarehiny no nahatokatony sady narahiny tsiky.  
Nony teny ampanidinana ny fiara...

Toa tsy andrin'i Malala ery izay ahatongavana any Madagasikara. Betsaka ny zavatra nifamahofaho tao antsainy ny amin'izay ho hitany any. Toa tiany hadinoina daholo anefa izany rehetra izany aloha fa mila fitoniana ny sainy. Ndeha mba hisotro divay kely aho androany hoy izy amin'izay tonga dia mahita tory rehefa avy misakafo. Nony nandalo tokoa ilay tovovavy mpikarakara eny ambony fiara manidina dia tsy nisalasala i Malala nangataka ny mba hanomezana azy divay kely miaraka amin'ny sakafony. Maivamaivana sady toa sambatsambatra izany no nahatsapany ny tenany nony vita ny sakafo. Toa adinony avokoa ny sorisorin-tsainy rehetra sy ny ahiahiny ny amin'izay miandry azy any Madagasikara. Nahatsiaro te hatory izy nony avy eo ka dia nesoriny aloha ny kirarony ary novahany ny fehikibon'ny seza nipetrahany mba ahafahany mahazo aina tsara. Tsy naharitra anefa izy nony avy eo fa niangavy tamin'ny Rado hoe:
 - " Mba afaka miankina aminao ve aho raha  hatory?"
- " Tsy maninona kah" hoy i Rado sady tonga dia nosarihiny moramora hanatona azy akaikaiky i Malala no nampandriany hiondana teo amin'ny feny. Nahakasika tsy nahy ny tarehan'i Malala anefa ny tanany tamin'izay ka taitra mafy izy ny amin''ny halefahan'ny hodi-tarehan'ity ramatoa miodana eo aminy.
- " Mba malefaka hoditra koa ity Malala ity  izany " hoy izy aneritreritra sady toa nifoha tampoka ny filana tany anatiny tany. " Tena ohatran'ireny hodi-jaza kely ireny mihitsy  ny halefahany" . Somary efa  maizimaizina moa tao anaty fiara tamin'io araka ny fanao isaky ny vita fisakafo eny ampandehanana eny mba ahafahan'ny mpandeha matory ka dia ohatran'ny vao maika naka fanahy ity tovolahy. Tsy naharitra intsony izy nony farany fa dia nanomboka nolalaoviny moramora ny volon'i Malala.  Tsy nanohitra na dia kely akory aza anefa ity farany, asa na nohon'ny vokatry ny alikaola kely nosotroiny teo na dia izy mihitsy no nahazo fahafinaretana tamin'izay natao azy fa dia navelany hanohy ny safosafony teo i Rado.  Nihitatra ny filana tao amin'ilay tovolahy ka dia nafindrany teo amin'ny takolaky Malala indray ny tanany rehefa avy eo sady nandramany nampandalovina teo amin'ilay molotra somary matevina malefaka feno loko mena teo ny rantsantanany. Hakory ny hagagan'i Rado fa toa nohejehan'i Malala notsetsafina ilay rantsan-tanany anakiray mbola taraikiraiky teo. Taitra nangoritsina i Rado tany anatiny tany ary dia nanomboka nivonto niaraka tamin'ny izay ihany koa ny filahiany izay niondanan'i Malala. Nihatery hatrany ny pataloha nifono ny filahiany. Tsy azony ny ainy ka dia niezaka naka toerana tsara araka izay azony atao izy sady nijery ny manodidina izay toa efa samy mitady torimaso mirakotra lamba avokoa. Henon'i Malala tsara ny fivontosana niondanan'ny hatony.  Na dia vao omaly aza moa izy no nomen'i Tojo ilay fahafinaretana tao amin'ny efitranon'ny Alexia dia tsapany fa mitady mafy indray ny vatany manoloana ity tovolahy bikana sady nofosana teo  anilany. Taitra ny vatany. Toa te hanao adalana izany ny fahatsapany ny tenany. Norakofany lamba tsara ny tenany iray manontolo dia noraisiny  moramora ny tanan'i Rado nony avy eo hamaha ny bokotra akanjony ambony niafina tao anaty lamba. Takatry Rado avy hatrany ny tian'ity vehivavy hatao ka dia tsy nisalasala koa izy fa dia nanatanteraka avy hatrany. Natsofoky Rado moramora teo amin'ny nonon'i Malala amin'izay ny tanany ankavia nony avy eo. Fafiny tsy misy ohatran'izany no tsapany nanenika ny vantany iray manontolo fa toa lafatra loatra ny fahatsapany ireo nono mivohitra be toa voasary voaharony tao. Henony tsara fa henjana sady somary matevintevina aoka izany ireo loha nonon'i Malala. Mbola mitana mihitsy ity madama ity izany hoy izy tany antsainy tany sady notohizany hatrany ny safosafo sy ny fanatsongotsongoina malefaka  ireo lohanono anakiroa. Nony kelikely dia nahiratry Malala moramora ny masony sady nangalam-pijery tany amin'ity tovolahy vao fantany ora vitsivitsy monja izy. Tsy niteny i Rado fa tsiky koa no navaliny azy tao anatin'ny hazavana mitsilopilopy tao.  Tsapany fa samy nanenika azy roa ny filana te hanakatra ny lafatra kokoa...

Tadio
[email protected]

Hevitra

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype