Tadiom-pitiavana

« Pejy 32 | Main | Pejy 34 »

Pejy 33
2006/04/30,06:07

I Mihary io. Ela tokoa izany, tamin’izy nanala bacc no nifankahitan’izy ireo farany. Niray kilasy, nitovy fahaizana, nifanjinja ary niady toerana ho voalohany hatrany tany am-pianarana.

- "Mihary! Niova be ianao, tonga soa, vao tonga izao ianao e?"
Nanatona i Mihary sady nandray ny tanan’i Hery havia:
- "Mbola tsy manambady ve i Hery?" Sady nihomehy kely izy.
Dia noraisin’i Hery koa ny an’ity vehivavy.
- "Ary ianao ka! Mbola tsy misy peratra mihitsy. Ela izany ry Mihary, tsy nampoiziko mihitsy ny hahita anao aty Mahajanga. Fa inona no anton-dianao aty?"
- "Andao aloha hiditra ato amin’ny efitranoko e!" Sady niverina teo am-baravarany izy.
Ilay mpitondra entana mbola niandry azy tao no nomeny fahafaliam-po dia lasa.
Nijoro kely teo an-tokonana I Hery, nandinika an’i Mihary no toa lasalasa saina izany.
- "Samy mivahiny isika eto, hoy i Hery, fa ianao inona no anton-dianao?"
- "Tena faly mihitsy aho ry Hery mahita anao aty, nanana tahotra be mihitsy fa vao izao aho no mandalo an’i Boina. Napetraky ny fiaran’ny minisitera fotsiny aho dia lasa indray izy nitondra olona nankany Mampikony. Saritany fotsiny izao no tokony tsy hahavery ahy eto."
- "Tsy very izany ianao ka! Izaho koa eto afaka hanampy anao."
- "Misaotra mialoha," hoy i Mihary, nametraka ny valiziny teo ambony fandriana, avy eo naka seza ary nampandroso an’i Hery.

- "Nanao ahoana aloha ianao e! firy taona izay isika tsy nifankahita! Sivy taona. Izaho tany Amerika tsy dia nahalala vaovao mikasika ny namako rehetra taty Dago fa zara raha nandalo fotsiny dia niverina tany indray. Ny toerana koa tena lavitra, tsy maintsy mandalo Paris foana rehefa mba hody, dia mievrina any indray rehefa ho any New-York. Inona izao no ataon’i Hery?"
- "Izaho ve? Tsy fantatro, inona no tianao?"
- "Andray ry Hery, mbola be vazivazy foana! Izaho nalefa nianatra tany Amerika iny dia nanao fianarana mpitsabo, vita izay dia naka fandalinana manokana momba ny fananahana sy ny fampiterahana. Ary resaka momba izay mihitsy aza no anirahana ahy aty."
- "Tsara be izany, izaho indray, ... tsy haiko ny hanambaràna azy anao.
..."
Nifampijery izy ireo. Samy nahatsiaro ny lasa efa ho folo taona izay.
Nifampanontany an’eritreritra izay samy nanjo azy nandritra izany fotoana rehetra izany.

Sivy taona lasa, ... , samy nitana ny laharana voalohany hatrany moa, niady toerana, nifampitaha fahaizana , dia nanandrana nifankatia tamin’ny fotoana tsy nampoizina, kanjo, nandrehitra afom-pitiavana tampoka tao am-pon’ny tsirairay, dia nanandrana nanao ny fifanorohana voalohany, nitempo niaraka tamin’izay ilay fitia vao nitsiry ka avy dia nidoroboka.
Ny nahagaga dia lasa nisy nisosoka ilay laharana roa voalohany tao an-dakilasy. Dia noravàna tampoka koa ny fifankatiavan’izy ireo. Lasa nifanalàn’ny ankizy tao am-pianarana izy roa, ny esoeson-teny tsy zaka intsony. Dia naleo nisaraka tsy nisy naratra. Ilay fo nitempo fitiavana voalohany anefa na dia izany aza  dia mbola nifonoka nitsilopilopy tao ihany.

Tsy nisy niteny, nitsangana i Mihary dia namaha ny valiziny, nanala ireo akanjo vitsivitsy teo imason’i Hery, nanokatra ny larimoara dia nanantona ireny tao.
I Hery kosa tsy niala any amin’i Mihary ny masony. Nandinika sy namerina taminy ny lasa rehetra niainan’izy roa. Fitiavan’ankizy, sa tanora saina loatra tamin’izany, sa fianarana no nibahana tao anatin’ny loha? Izao, tsy izany intsony fa efa manjaka tanteraka ao anaty ny fitiavana, efa lasa tsy maintsy atao indray aza izany fa tsy mety intsony. Lehibe ny tena, mitombo taona tsy toy ny tamin’ny lasa. Miha-matotra ara-batana fa ny saina indrindray no misavilivily te-hiverina amin’ny taona nahazaza.

- "Mihary an! Avelako aloha ianao hiala sasatra tsara fa vizaky ny nandeha fiara. Atsy ambadika atsy ihany aho raha miisy ilànao ahy. Tsy maninona angamba raha miara-misakafo isika sy ianao izao e? Dia entiko mankeny amoron-dranomasina avy eo hijery ny hakanton’i Mahajanga."
- "Iée! Mandondona ao aminao aho rehefa vonona, mbola mety hatory kely minitra vitsivitsy fotsiny aho dia miaraka aminao misakafo fa tsy mampaninona," hoy izy nitsiky.

Nangingina irery teo i Mihary, nampirina ny entany, nandray ny efitra fandroana sady nandinika ny lasany. Namerina tao an-tsainy ny fifanorohan’izy roa voalohany. Oroka natao ho andrana fotsiny, tsy naharitra akory nefa nampirehitra ilay afom-pitiavana niredareda ary tsy navelan’ny sasany hahazo aina dia tsy maintsy novonoina. Lasa nifanalavitra avy eo rehefa vita ny fanadinana, lavitry ny fo ve moa, tsy ho lavitry ny maso? Dia nifanadino, nefa tsy navelan’ny fotoana tsy nifankahita.

I Hery kosa, rehefa avy naka fandroana vetivety dia nandamina ny antontan-taratasy rehetra nokarakarainy ny hariva teo. Vita izay, nalefany ny fahitalavitra dia nanaraka tantaram-pitiavana izy teo am-piandrasana izay handondona teo am-baravarana.

Injay fa nihodina ilay hidin-trano, dia nojereny tsara. Iny Mihary fa niditra ny efitra. Niova akanjo ary raoby fohifohy hatreo amin’ny lohalika no nanaovany, ny moro-tongony tahaka ny felam-boninkazo manonjanonja manopy manga tanora. Ilay didin’akanjo manaraka ny toe-batany tsara. Izy rahateo, tsy dia ratsy, eny e! azo sokajiana ho tsara aza, miaraka amin’ny volony hatreo amin’ny hatoka mibokona tsara manendrika ny akanjony.
Niova i Mihary, niova ara-batana, ary ara-tsaina ihany koa. Tsy i Mihary ilay nanao sain-jaza fahiny, fa efa Mihary, manana ny maha-izy azy.

- "Hay, vonona ianao ! Efa miha-alina koa ny andro! Tonga dia handeha isika an! Izaho no manasa anao na dia izay taona maromaro tsy nifankahitàna izay aza," hoy i Hery.
- "Tsy maninona ka, fa amin’ny manaraka dia izaho no miantoka! Mahagaga tokoa fa ny efitra antsika sy ianao dia mitovy tanteraka, na dia ny lamba sy ny fanaka samihafa aza."
- "Ka Hotely ange ny ato e! Andao handeha fa ianao rahateo vizaky ny dia, mila matory aloha."

Iny i Hery sy Mihary nandray fiara nankany amin’ny trano fisakafoanana akaikin’ny moron-dranomasina. Nifampitafa. Namerimberina ny fiarahana fahiny, nanontany ny vaovaon’ireo mpiara-mianatra nilaozana hatramin’izay.
Dia nifankahazo am-po tsara. niresaka ny amin’ny asa sy ny iraka ataony avy:
- "Inona no tena anirahan’ny minisitera anao aty fa tsy azoko tsara?"
- "Hanao famelabelaran-kevitra momba ny reny bevohoka sy ny ady amin’ny tazomoka aho rahampitso. Ary amin’ny alatsinainy, misy atrik’asa sy fandalinana manokana mikasika izay ihany. Sady mba maka fialan-tsasatra ihany koa e ! Zara aza mba misy izao, sady tafiditra ao anaty faran’ny herinandro hialàna sasatra. Hazakazaka lava anie ny ao Antananarivo ao e ! Ny rivotra mila tsy ho tanty intsony."
- "Marina tokoa izany teninao izany, izaho koa tena miha-vizana mihitsy amin’ny asa. Dia izao faly mahita anao izao aty. Zara aza ny orinasa no miantoka ny lany."

Nandeha teny amoron’ny ranomasina izy ireo rehefa vita ny sakafo, betsaka ny olona nifamezivezy teny, ny andro koa diavolana, ny kintana no mameno ny lanitra. Feno olona misakafo sy mihinana masikita eny amin’ny sisin-dalana akaikin’ny Alliance Française iny. Efa miha-tonga ihany koa ny mpanao vakansy, ary mameno ny arabe ireo fiaran’Antananarivo mitsidika an’i Mahajanga. Eny no fotoana hifankahitàna sy ifanomezana fotoana, iresadresahana, ijerena ny ranomasina somary mangina tsy dia manonja akory. Ary eny koa ny zanaky ny alina no mihaodihaody hitady izay jonoiny amin’iny alina iny.

Nitodika tany amin’ny ranomasina izy ireo dia nifampiankina moramora.
- "Ohatran’ny mampihomehy fa tsy niezaka mihitsy aho na dia ny hanoratra tany aminao aza tany Amerika tany."
- "Eny e ! na dia izaho koa ! repotry ny fianarana sy ny olana mitranga samihafa, isika koa moa tsy tena natao hoe nifankahazo tanteraka talohan’ny fanadinana dia naleo aza tsy nahatsiaro intsony."

Ny nahagaga dia isaky ny resaka momba azy roa tsy maintsy miafara amin’ny fahanginana foana. Asa, mety misy afo mirehitra foana any anaty fon’izy ireo tsirairay any fa tiany hotondrahana rano ho faty fa tsy avelan’ity tany be fahoriana ity tsy hihaona sy hirehitra hiredareda indray.

Tsy naharitra ela teo akory izy ireo fa samy vizaky ny dia natao, indrindra i Mihary, dia nitodi-doha niverina tany amin’ny hotely indray, haka torimaso amin’izay.
Tonga teo an-tokonana ! Dia samy nirary torimaso mamy sy nifanao veloma. Samy niditra tany amin’ny efitranony ny tsirairay. Niara-namelona fahitalavitra , samy fandaharana mitovy no nojerena. Tantaram-pitiavana maneho ny fitiavan’olon-droa mifanalavitra. Niara-natoritory sy naka aina tsara. Nieritreritra ny fiainany teo sady nanao fampitahàna ilay sarimihetsika amin’izay manjo azy. Rindrina sisa no nampisaraka. Rindrina manakona ny fiainana roa mety miara-dalana. Rindrina sisa mety hiaro an’i Hery amin’ny fakam-panahy. Ary rindrina kely sisa manakona ny tsy nifankahitan’olon-droa nifankatia efa ho sivy taona lasa.

Tampoka, nitsangana i Mihary namonjy ny varavarana. Nivoaka ny efitranony, vao saika handondona, i Hery koa manokatra ny varavarany sady taitra nahita an’i Mihary efa manoloana azy.
- "Mihary!"
- "Hery!" hoy ity zazavavy, sady nisarangotra teny amin’ny sorok’i Hery no namihina azy mafy. "Tsy avelan’ny fotoana tsy hifankahita isika. Nalahelo anao aho tany, ary fantatro tsara fa mbola tia anao foana aho."
Iny Mihary nanakatra ny molotr’ity « malalany » izay nanaiky ihany koa satria nahatsiaro loatra ny fahiny.
Niredareda tampoka tao am-pony ilay afo tena nitsilopilopy kely hatramin’izay. Niverina nahazo aina, nanafàna ny fon’izy ireo ; Nifanoroka ela, nifamihina mafy koa, niditra tao an’efitra ary nakatony varavarana.

Nifanakalo fitiavana tamin’ny oroka mamy teo izy fotoana fohy. Dia nifampitarika nipetraka teny ambony fandriana. Namerina ilay oroka teo indray, ny tanan’i Mihary amin’io eny an-tendan’i Hery, midina manafosafo ny tratrany mitsapa sady manindry mora ny hozatra manodidina. Lehilahy sady bikàna no manana endrika. Naka fy sy mitsapa ny herim-batan’ity olona horohany. I Hery kosa mitazona mafy ny valahan’i Mihary ary mamikitra ny molotra toa malai-misaraka izany.
Ilay tanan’i Mihary avy eo nihodina nankany aoriana namonjy koa ny lamosin’i Hery ary nidina nikaroka ny morotr’akanjo ambony nanaovan’i Hery.
Natsofony tany ny tanany naka hafanàna ary nampiakatra ilay lamba manify nanaraka ny lamosiny. Ny safosafony amin’io malefaka dia malefaka. Mandalo ny hazon-damosina mafy sy mahery vaika.
I Hery kosa, nikisaka kely nanoroka ny tarehiny sady nandalo ny hatoka naka ny fofona manitr’i Mihary. Nitsiry taminy ny faniriana handry amin’ity fitiavany voalohany, efa faniriany taloha hatry ny ela saingy tsy hitany indray raha tsy izao. Tsapany koa ny tanan’i Mihary manainga ny akanjony ambony ary somary niala tamin’i Mihary vetivety izy, nikisaka sy niditra lalindalina kokoa tamin’ny fandriana, nanala ilay akanjo teo ary niseho niharihary amin’izay ny toe-batany tomady sy bikàna nahafatifaty vehivavy mihoatra lavitra ny iray.

Nipetraka izy nijery ity tovovavy eo akaikiny, nijery izato bika niofo sy niova ho tena vehivavy.

Mihary kosa, nipetraka teo ambony lohaliny, nifanatrika. Ny tongony roa no naforitrany dia niarina indray izy nandohalika, nanankina ny tratrany tamin’ny tarehin’i Hery, nisy hafanana nifandrirotra tamin’izy roa, i Hery nahatsapa ny halemilemin’ny nonon’i Mihary, ity farany kosa, nahare ny hafanana nivoaka tamin’ny molotr’i Hery mitohaka amin’ny akanjony manify.

Nahodin’i Hery tany aminy avy eo tanany roa, namatotra an’i Mihary hitohoka eo amin’ny molony. Nanafosafo indray ny lamosina, ny dongona roa malemilemy ary nidina hatreny amin’ny feny hanakatra ny moro-tongotr’ilay raoby manga tanora. Ningainy moramora, nakariny hiakatra. Saingy nalatsany indray, nitady irika kely izy hanorohana mivantana ny tratran’i Mihary, norohany homeny hafanana. Iny oroka iny no niampita namelona ny tsirim-pitiavana hampiray azy roa.
Tsapan’i Mihary fa mando ny fivaviany, efa notadiaviny koa, vetivety dia hitan’i Hery ny famaha ilay akanjo raoby avy ao aoriana ary notaritiny hidina, teo amin’ny tadi-nono dia najanony, novahàny tamin’ny tanana efa zatra tokoa, dia notohizany indray hamaha tanteraka ilay famaha teo.
Ilay tanany avy eo niakatra indray nanafosafo mivantana ny lamosina, isaky ny santimetatra dia nisy onjam-pahafinaretana nandalo tamin’i Mihary, ny tanany no mamikitra mafy amin’ny lohan’i Hery mbola manoroka ny tratrany. Vetivety dia nilatsaka ilay raoby ary nanaraka azy teo ilay tadi-nono.
Namonjy moramora ireo nono roa avy eo ny tanan’i Hery, nitsapa ny haleminy, nono somary kelikely nefa miatrika tsara, vontom-pitiavana efa te-hiray rahateo.

Niahaka tamin’i Hery tanteraka i Mihary, nanolotra ny vatany ho azy, ho an’ity olon-tiany nilaozany elabe.

Efa ela no nahatsapan’i Hery ny fihenjanan’ny filahiany, efa naniry mafy an’i Mihary izy raha vao nifanoroka fotsiny izy ireo. Niala vetivety monja, nanala tanteraka ilay raoby teo amin’ny lohaliny. Tsy tratra fa novahany haingana koa ny patalohan’i Hery, ary natosiny hidina, ity iray nanampy sady nanainga ny maojany ary samy iray sisa ny fitafiana teny amin’izy roa. Ny iray fotsy ranoray, ny iray mainty misy dantela manify dia manify manaraka ny vatany.
Hita teo ilay silipy fotsy efa mibontsina managadra filahiana efa tena mihenjana. Nosafoin’i Mihary vetivety dia nakariny ny tanany, nifanoroka indray izy roa. Nifanome hafanana, hafanana nitondra fitiavana, fitiavana nitondra fahafinaretana, ary fahafinaretana hitondra fahasambarana.

Avy eo dia niarina, nitsangana teo amorom-pandriana dia nidina tamin’ny tany, nanakatra ny faritry ny filahian’i Hery, nosafosafoiny ilay silipo fotsy, nosafoiny ny fe dia nakariny indray. Avy eo nosintoniny vetivety ilay izy ary niseho tanteraka ny fihenjanan’ity hazo tokana mifono nofo mahery. Natsangany tsara, nosafoiny, nofeheziny ary nofenjainy tamin’ny ratsan-tanany.
I Hery amin’io mangitakitaka ny any anatiny any. Isaky ny mandalo manafosafo ny voan-tsirinainy ny tanan’ity olon-tiany dia mangoritsina kely ny any anaty lohany any. Eo am-pelatanan’ity tovovavy ity ny fahafinaretany tsy tiany hajanona. Dokotera matihanina amin’ity raharaha ity no mikarakara azy.

Nanondrika ny lohany i Mihary, nanoroka ny fari-pahasambarana somary voloina madinika, nanaraka ny vatam-pilahiana, teo amin’ny lohany dia ny lelany no nanafosafo ilay hoditra malama, farany, ny molony no nakombony ary nampidiriny amin’izay ity taovam-piraisana lehibe ary nameno ny ati-vavany. Ningainy kely dia navoakany indray, nosafoiny tamin’ny tanany, naveriny natsofony tany indray.

Tsy naharitra i Hery fa nimenomenom-pitiavana tamin’i Mihary, te-hanao mafy izay atao aminy, ny tanany manafosafo ny volon’ity tovovavy mikarakara azy. Farany, niantso an’i Mihary izy hiakatra eo ambony fandriana, dia nanaiky ary nifanao ambony ambany izy roa, niverina indray ilay nataon’i Mihary, i Hery kosa nanala ilay atin’akanjo mainty ary nandatsaka azy moramora. Ny maojan’i Mihary avy eo no misabaka eo ambony lohan’i Hery, hitany amin’izay ilay faritra maha-vehivavy efa tsy andriny intsony, malama tanteraka, nosafoiny ilay faritra, efa mando dia mando, vao nandalo ny tanany dia nisy tsipika hamandoana nandranoka vetivety nanaraka ny ratsan-tanany, nibitaka hafaliana tamin’izay i Mihary fa ny filahian’i Hery no nopotseriny mafy.

Tsy nanana eritreritra hafa intsony i Hery, ny tiany hatao farany, ny hanome an’i Mihary ny lanja mitovy amin’izao ataony izao.
Nosintominy ny maojan’i Mihary hanatona ny molony, naka tsiro teo izy, i Mihary manomboka mipararetra, tsy nahatàna ny fihetsiny, isaky ny mandalo ny lelan’i Hery eo amin’ny bokotry ny fitiavany, izy te-hikikiaka mafy, te-hitroatra amin’ny onjam-pahasambarana manefika azy. Farany, tsy tantiny intsony, niala tampoka, ny fivaviany efa mandranoka izay tsy izy, ny lohaliny malemy toran’ny rian’aratra madinika nameno ny tongony. Nandady moramora ary nipetraka teo ambony kibon’i Hery. Natsangany tamin’ny tanany indray ilay filahiana, najorony tsara, ary natohony teo ny fivaviany, nasafosafony teo, i Hery amin’io nahatsapa faniriana mafy, ary miandry fotsiny ny ataon’ity olon-tiany. Tobaky ny hamandoana ny lohan’ny filahiany ary vao mainka aza nampihenjana azy mafimafy kokoa.

Tamin’ny fihetsika malemy no nampidiran’i Mihary azy tany anatiny tany, ny lanjany iray manontolo no nalatsany hidiran’ny filahian’i Hery, nakimpiny faran’izay mafy ny masony, nakatony tahaka izay koa ny hozatry ny fivaviany rahafa tonga hatramin’ny farany.
I Hery etsy mankafy, mahatsapa ity fivaviana manery ny filahiany.

Tsy nihetsika elaela teo i Mihary, nampijanona ny sefosefony, farany nosokafany ny masony, nojereny, nikoropaka tampoka izy naka izay lamba teo akaikiny teo, izay voarain’ny tanany fotsiny kanjo ilay silipo fotsin’i Hery no voarainy. Iny no nalainy namafany ny faritra maha-vehivavy azy.

Gagagaga i Hery, tsy hitany izay mitranga ao aloha ao, niarina izy nijery. Niezaka nanafina i Mihary, kanjo hitany ihany fa niavaka be ilay menamena nitakosina tamin’ilay silipo.

-« Mais, tu es….vierge ! », « pu*$£¤ de &%$*§de », sady niteny ratsy izy no niala tamin’i Mihary tampoka, ary nitsangana niala tamin’ny fandriana. Taitra ny anao lahy, taitra satria tsy nampoiziny ny zava-nitranga taminy. Taitra ary nivadi-po tamin’ny zava-bitany.
Fanindroany izao no nanaovany toy izao, ary tamin’i Alexia ihany no farany.
Niforitra teny ambony seza izy, toa nahatsiaro menatra tamin’i Mihary.
- "Tsy noheveriko hanao toy izao ianao, raha ny mahazatra, ny lehilahy lasa …" - - "Hery an ! tsy azoko mihitsy. Sao dia misy aretina ary ianao dia manenina."
- "Tsia an ! tsia dia tsia ry Mihary, fa tsy nampoiziko mihitsy, tsy ninoako mihitsy izany hoe ianao lasa tany Amerika dia niverina avy any mbola virjiny izany"
- "Misy foana ny maningana. Fa resahiko aminao ny antony amin’ny manaraka. Fa izaho ve aloha havelanao amin’izao!" sady nahatsiaro menatra i Mihary no nisintona lambam-pandriana horakofany. Nidaboka izy avy eo, toa nahatsiaro nenina ihany koa.
- "Raha ny mahazatra fa tsy fantatro loatra, ny lehilahy aza vao mainka faly raha manaisotra ny maha-virjiny ny vehivavy, na misantantra ny firaisana voalohany, nefa ity ianao toa akoho voakapoka mitakoko samirery etsy ambony seza." Nisalobona tao anaty lamba izy, ary tsy nijery an’i Hery intsony.

Tsy hitan’i Hery izay natao, i Mihary, i Mihary ve no nanolotra izay sarobidy taminy natolony ho ahy. Fa inona no dikan’izao?

Tsy sahy niatrika ny hazavàn’ny jiro intsony i Mihary, norakofany lamba tanteraka ny tenany. Naharary azy ny faritry ny fivaviany, ny fanaintainana nanakotsako. Fanaintanana niharo nenina, nenina tamin’ny nataony teo. Reny fa maharary azy isaky ny mikitika iny faritra iny fotsiny ny tanany.
Nefa dia notereny ihany na dia maharary aza, notohizany satria tiany handramana ny hahazo fahafinaretana anatin’ny fanaintainana tsy maintsy nolalovany. Ny ratsan-tanany roa no naveziveziny tsimoramora teo amin’ny molotry ny fivaviany. Safosafo mora, malefaka dia malefaka, hamelona indray ny loharanom-pahasambarana tapaka teo. Ratsan-tanana efa nihoatra ny sehatry ny fanandramana, efa mahay mankafy, ny sainy no nalefany tany amin’ilay olona niriny fatratra hampita azy ny dingana farany ho tena maha-vehivavy azy, tahaka ny taloha, tahaka ny fanaony fony izy samirery. Tsy iza io fa i Hery.
Nisokatra moramora indray ilay molotry ny fivaviany, niverina nandranoka ilay voankazo mamy nisantatra ny fiainana teo.
Niezaka ny tsy hihetsika loatra mba tsy hahitan’i Hery izay nataony tao anaty lamba tao. Tiany ho fahatsiarovana tsara fa tsy ho nenina entiny miaina mandra-maty ilay fanapahan-kevitra hiala amin’ny maha-tovovavy fa hisantatra kosa ny toerany vaovao dia ny antsoina hoe vehivavy.
Voakajy antsakany sy an-davany ny hetsiky ny tanany rehetra. Isaky ny kisaka milimetatra iray ny fanondrony dia voatanjona hitondra fahafinaretana ho azy.
Ilay fanaintainana teo tiany hahena, ary ny fahasambarana kosa tiany hitombo.
Tsy nihevitra zavatra hafa intsony i Mihary, tahaka ny voafafa avokoa izay rehetra manodidina azy. Izy irery manoloana ny faniriany.

Injay fa nisokatra ilay lamba nosalobonany teo, tsapany misy hafanana manakaiky ny tavany, oroka malefaka fotsiny dia nampangorintsina ny sofiny. Nitodika kely izy, ny masony mbola mikipy, dia nanolotra ny molony tamin’ity tarehy mitondra hafanana ho azy.

Oroka faran’izay mamy no nifanaovan’izy ireo, oroka nampitosaka indray onjam-pahafinaretana vaovao, nitambolona tany an-kibony tany, niverina nandranoka ilay voakazom-pitiavana, toa zary tsy tsaroana intsony ilay fanaintainana saika nandifotra azy. Ny ratsan-tanany rahateo nanampy tosika hatrany, farany niala tanteraka ilay lamba norakofany, hany fitafy sisa dia ny rivotra tonitony tsara nameno ny efitra. Naka toerana nandry tamin’ny lamosiny izy avy eo, ny feny somary naforitra nanome vahana ireo tanany teo amin’ny elakela-peny.

Ny fahitan’i Hery an’i Mihary manafosafo ny zohim-pahafinaretana dia nampihenjana indray ny filahiany hatramin’ny faran’ny mafy indrindra. Noraisiny tamin’ny tanany ny azy dia nosafoiny mora koa. Naveriny ilay oroka mandadilady ny vatan’i Mihary teo, nandalo ny tendany, ny nonony, ny lelany nikitikitika ireo loha-nono ary nanaitra tampoka ity vehivavy fa toy ny nolalovan’aratra ny kibony. Niala tampoka avy any ambany ny tanan’i MIhary, namonjy ireo nonony ankiroa, nitady ny loharanon’ilay rian’aratra teo.
I Hery kosa, nidina hatrany, nanorokoroka ny kibo sy ny foitra, nidina hatrany amin’ny faritry ny fahasambaran’i Mihary, hafanana mivaivay no tsapany amin’ny molony.
Nakombony ny molony roa nisintona ilay hozatra kely efa nibontsina sady nivoitra tamin’ny toerany. Niainga tampoka i Mihary, tsara loatra ilay izy, tsy tiany hijanona mihitsy.
Nimonimonina saika hikiakiaka fahasambarana niserana tampoka tany an-dohany tany, nampidinin’i Hery amin’izay ny lelany hitady ilay zohy vao nosokafam-baravarana teo handray fiainana vaovao. Natsofony moramora, lela nitondra hafanana sy ody ratra nanaisotra tanteraka ilay fanaintainana hany sisa nitoetra tao. Molotra efatra no nifangaro hitambatra ho iray, ny lela no nisantatra ny dia ho an’ny fahafinaretana mbola mety tsy hitan’i Mihary mihitsy.

Isaky ny mandalo ilay faritra naratra teo ny lelan’i Hery, i Mihary kosa manindry mafy ny lohany toa manampy azy hiditra amin’ny lalindalina kokoa.
Farany, nitobaka tsy voatana intsony ilay fahafinaretana, tratrany ilay fahasambarana notadiaviny hatrany am-boalohany.
Nadabony tamin’ny fandriana avokoa ny ratsam-batany rehetra, naka aina, sady nitsiky kely no naka sasatra ary teo izy vao nanokatra ny masony.

Nandrasan’i Hery tsara ny fitsonik’ilay voankazo voarara, voankazo namela mamy taminy ary tiany hidirana sy handramana fanindroany.
Nifampijery vetivety izy roa, ny tanan’i Mihary nisarika ny lohan’ity lehilahy hiakatra manaraka ny vatany. Nikorisa niakatra moramora, nifampita hafanana efa mandoro ny any anaty rehetra any. Ary nifanoroka indray, hadino any ivelan’ny trano any izay hoe kiriko, na henatra fa fitia mifamaly no niraisan’izy roa.
I Mihary tsy nahahetsika teo amin’ny toerany intsony, i Hery kosa, te-haka amin’izay ilay anjara tandrifim-pahafinaretany. Ny filahiany mbola mihenjana tsara, te-hanafika amin’izay hitady ilay fahasambarana vaovao, ny sainy efa mikaro-pitiavana homen’i Mihary. Niharina kely izy dia nosokafany tsara ny fe an’i Mihary roa, izay avy hatrany koa dia nanaiky. Naka toerana tsara, nitohoka teo amin’ny fivavian’i Mihary efa mandon’ny hasambarana.

Nasafosafony elaela teo ilay satroka malamalama manopy mena. Voarefy tsara ny fihetsika rehetra, nanomboka nampidiriny amin’izay, nilentika moramora. Tsapany fa mbola niverina ilay fanaintainana tamin’i Mihary, fa ny tanany misaringotra mafy amin’ny lambam-pandriana, nanakimpy ny maso, ary manidy vazana. Ny tanan’i Hery nikaroka izay hozatra mety hampitony izany, noriny moramora, ny maojany kosa manosika hatrany ny filahiany mba ho tafiditra tsara. Nijanona izy, niandry kely, nijery ny fihetsik’i Mihary, dia nahemony tsimoramora indray. Tsy tafavoaka akory dia naveriny niditra indray, niharoharo tamin’ny Mihary ny fitiavana, fahafinaretana, fanaintainana, tsapany amin’izay ny fiantraikan’ny ity filahiana lehibe mameno ny atim-pitiavany. Reny ny fiitatry ny fivaviany, isaky ny tafiditra any anatiny lalina any ny loham-pilahian’i Hery dia noketohiny tamin’ny hozatra malemy. Dia tahak’izay foana. Fihetsika mora sy feno fitiavana no nasetrin’i Hery azy.
Farany, toa tsy tantin’i Hery intsony, nalefany mafy ny fihetsiny, arakaraky ny hamafin’ny fiditry ny filahian’i Hery no nampikia-pahasambarana an’i Mihary, tonga indray ny onjam-pahasambarana faharoa, ary rehefa tena akaiky koa ny an’i Hery dia navoakany tampoka ary nifatsitsitra amin’izay ny tsirin’aina fotsy niraraka tamin’ny kibon’i Mihary.

Nifampijery izy roa, samy nisefosefo, dia nidaboka teo am-pandriana koa i Hery namonjy an’i Mihary. Torovana, vizana, tahaka ireny lakana kely entin’ny ranomasina miditra ny morony ireny izy ireo nifamihina sy nifanakalo oroka malefaka.

Dia niverina indray ilay fahanginana minitra vitsivitsy.
Ary afaka kelikely vao nisy niteny mora:
- "Tahaka ny tsy mino aho, tahaka ny manonofy," hoy i Mihary niteny irery.
- "Fa ahoana?" hoy i Hery.
- "Naharary be ahy tamin’ny voalohany, nefa izao .... Tsy efa lanitra faha-efatra ambin’ny folo ve no nomenao ahy teo?"

Nihomehy fotsiny i Hery ! varimbariana ihany koa, tsy nahasahy niteny intsony ;

Dia notohizan’i Mihary indray ny resaka.
- "Efa tsy nampoiziko intsony!"
- "tsy nampoizinao ny inona?"
- "Efa tsy nampoiziko intsony ny mbola nisian’ny ra teo!"
- "Vao mainka tsy azoko!"
- "Hazavaiko kely aminao, noho ny fandalinana nataoko tamin’izahay nianatra momba ny fananahana, dia rehefa mitombo taona ny vehivavy virijiny, tahaka ahy izao, ary indrindra ireo manao « caresses intimes » matetika dia lasa malemy tahaka ny fingotra ny fivaviany, hany ka maro ireo lehilahy no diso fanantenana satria ilay vehivavy mbola tsy nanao nefa tsy nisy ra nivoaka akory. Misy ny tranga ohatr’izany fa tsy midika akory izany hoe ny rehetra. Misy aza ny efa manao in-droa, in-telo mbola tsy vaky ra ihany."

Nitsangana tampoka i Mihary, nifoha dia nandray ny efitra fandroana sady nosarihiny nanaraka azy i Hery.
Nalefany mafy ny rano, nifatsitsiatra tamin’izy roa, nifampisafosafo, nifanoroka hatrany. Vita ny fandroany dia tsy naharitra intsony i Hery fa nanontany.
- "Mihary an ! Misy zavatra tena tsy azoko mihitsy, ary izay no nampi-tsamboatra ahy teo ! Valo taona ianao tany Amerika, ny olona any, vao miaraka iray andro fotsiny dia miafara eny ambony fandriana, nefa isika vao nifankahita dia tonga dia nanao. Na olona inona aza ve aho dia tsy ho taitra hoe virijiny no niaraka tamiko nefa tonga dia nanaiky tsy am-pihambahambana akory. Tena tsy azoko e!"
- "Misy antony manokana ao fa hazavaiko anao amin’ny manaraka. Izaho rahateo moa sodokan’ilay hoe tsy mbola manambady ianao dia namerina indray nampirehitra ny afom-pitiavako tany anatiko rehetra tany."

Tsy nahateny intsony i Hery, tany an-tsainy tany, Tsy manambady ! tsy manambady ve aho? Nefa, vita fisehoana tamin’i Alexia, efa dingana iray lehibe izay nefa toa tsy noraharahiako akory. Nolotoiko tamin’i Malala aloha, dia notohizako tamin’i Tahiana, dia izao indray i Mihary, vehivavy tsy manan-tsiny akory fa nahatoky ahy fotsiny noho ny fitiavany ahy hatrany am-boalohany, tsy nahalala, fa tonga dia roboka tokoa aho.
Fa maninona aho e! Fa maninona no tsy manana hery mihitsy hahatohitra ny fakam-panahy? Nefa dia Hery no anarako?

Teo izy dia lasa saina tamin’ilay tenin’i Tahiana tany Antananarivo, ilay hoe « tsy aleonao ve miala tanteraka amin’ny fianakavian-dRatrema, aleo manimba ny fon’i Alexia in-dray mandeha toy izay mandia lalan-tsarotra malama sy hamingana ary handratra any aoriana? »

I Mihary nanandrana naka torimaso teo an-tratran’i Hery, vao tonitony anefa izy dia nanomboka niverina indray ilay fanaintaiana na dia somary nihena aza.
I Hery kosa miady saina lalina, feno fisalasalàna, tsy te-handratra na iza na iza ! Nefa te-hivoaka ho mpandresy hatrany amin’ity olana tsy mitsaha-mitombo mianjady aminy.

Iza ary no ho safidiny, i Alexia izay tena tiany tokoa ary tsy mbola nisy fihenany aza. Sa i Mihary izay voaloham-pitiavany. Samy nanome an’i Hery ny tsara indrindra taminy ireo ! Samy nanome ilay fitiavana madio tsy nisy pentina akory. Ka iza, iza amin’ireo, sa olon-kafa mihitsy?  Sahiko holazaina amin’i Mihary ve ny manjo ahy? Tokony havelako ve i Alexia fa efa tolotr’Andrianamitra amiko ity Mihary ity? Ahoana anefa ny hahavitàko izany?

Hevitra

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype