Tadiom-pitiavana

« Pejy 27 | Main | Pejy 29 »

Pejy 28
2006/04/21,09:10

- " Fa ahoana," hoy i Malala tafatsangana tampoka, iny koa Ratrema niakatra avy any an-tokontany namonjy ny vadiny sy ilay dokotera mpandidy.
- "Aza matahotra ianareo mivady fa vita soa aman-tsara ny fandidiana rehetra natao!"
- "Fandidiana rehetra?" hoy i Ratrema nitsatsaingoka, "fa angaha moa nisy fandidiana hafa natao tamin-janako no hoe: fandidiana rehetra."
- "Tsy azonao ve ry Ingahy Ratrema," hoy ilay dokotera vazaha, fa ilay nanome voa ihany koa ange niaraka natao fandidiana taminy e!"
- "Vita soa aman-tsara ary tsy nisy natahorana ny amin-janakao sy ilay mpanome voa ka izay no nahatonga ahy nilaza hoe: toneo tsara ny fonareo. Fa zao fotsiny, noho ny fahasalaman'i Alexia tena narefo dia narefo dia mbola haharitraritra izy ao amin'ny efitra famelomana marary fa tsy misy atahorana akory."
Nisento tokana i Ratrema, ny mason'i Malala nanomboka nanganohano.
Nihabetsaka ny fanantenana, fotoana elaela no nandrasana dia afaka nitsidika an-janany izy mivady rehefa nifandimby niditra tsirairay.
Indro i Alexia eo ambony fandriana mbola matory, ny tanana misy serôma, toa mitsiky ao anatin'ny torimaso, ary namelona ny fanantenana rehetra ny fihatsaràny.

Afaka ny andro roa, injay fa migadona ny hatsiaka mamirifiry eran'i Frantsa, ny hazo efa tsy misy ravina intsony ary vetivety dia miha-maizina ny andro.
Zara Ratrema raha niala tao amin'ny hopitaly, eny fa na dia nalahelo ireto zanany menavava aza izy dia fotoana vitsy ihany no nandalovany tany amin'ny hotely dia niverina indray teo akaikin'i Alexia. I Malala rahateo moa tsy maintsy mitaiza ireto zaza mianadahy kely ka fotoana vitsy monja no mba nahafahana nijanona teo akaikin'i Alexia fa dia ny rainy foana no nazoto niaritra sy niandry marary.
Lasa anefa ny sain-dRatrema ny amin'ity zava-manjo azy, aiza i Mahefa izay efa nampanantena azy ny fampiantranoana, mifamahofaho ao aminy ny fidangan'ny fandaniana nataony andro vitsivitsy izay. Tsy zakan'ny saram-piantohana an'ny orinasany intsony izay fandaniana natao rehetra izay ka tsy maintsy ny avy any am-paosiny no miala. Tany mahantra rahateo ihany koa moa i Madagasikara, ka na ny saran'ny hotely fotsiny aza dia efa manahirana ny mandoa azy. Ny orinasa izay any Antananarivo asa izay fandehany, ny antso an-telefaona samihafa na mandeha isan'ora aza tsy mahasehaka ny fanatrehana mivantana ireo mpiasa.
Vaka ny sainy, tsy andriny izay nahatongavan'i Malala dia notarihiny hanatona ilay dokotera vazaha. Nanontaniany mivantana ny toerana izay misy an'i Mahefa , eny fa na dia ny fisaorana tsotra fotsiny aza noho ny nahitàna voa ho an-janany. Saika hanafina mihitsy ilay dokotera kanefa noho ny fifandresen-dahatra ny amin'ny maha-samy Malagasy azy ireo sy Mahefa fotsiny dia tsy maintsy misy ny fisaorana ity dokotera mpiray tanindrazana.
Tsy naharitra intsony ilay Dokotera vazaha fa nitondra azy ireo tany amin'ny efitry ny marary iray.
Vao nisokatra ny varavarana dia taitra be izy mivady mahita an'i Mahefa eo am-pandriana marary. Nefa vao andro vitsivitsy izay, mbola olona mirijarija be tsy naninon-tsy naninona. Gaga i Ratrema, i Malala kosa tonga dia nahazo ny fandehan-javatra sady tonga dia latsa-dranomaso nanatona ity marary.
- "Mahefa," hoy i Malala sady niondrika no nandohalika teo ambody fandriana, "noraisiny ny tanany sady norokorohany tao anaty ranomaso, vitanao ve no nanao izao?"
- "Tsia, mitsangàna ianao fa tsy mahatanty izao ataonao izao aho," hoy i Mahefa tamin'ny feo malefaka tokoa, "adidiko tsy maintsy nataoko izao mba hamonjeko an'i Alexia. Eny fa na dia ny aiko manontolo aza dia mbola homeko raha mbola hahavelona azy." Sady latsaka koa ny ranomasony. Nahita izany ilay Dokotera mpandidy dia voatery namoaka azy mivady tao amin'ny efitra noho ny fihetsem-po be loatra.
Tsy nahateny intsony Ratrema fa tonga dia azony ny amin'ny maha-tena ray nihavian'i Alexia avy tamin'i Vololona. Faly sahirana izy. Niverina tao an-tsainy ireo fotoana rehetra nitaizany an'i Alexia, izy vao teraka nifamahofahoan'ny fahoriana sy ny fifaliana, izy menavava, ny nisoloan'i Malala ny reniny, ny fianarana voalohany natrehany, ny fahazazany, ny fahatanorany, ny fitiavany nifototra manokana tamin'i Hery. Fotoana maro no nandraisany fanapahan-kevitra samihafa nanabeazana an-janany. nefa eto indray dia lalan-kafa vaovao no hitranga. Boribory marina ny tany ka tsy avelan'ny marina tsy hifankahita.

Nitohy tsara ny fitsaboana an'i Alexia, afaka andro vitsivitsy dia efa misoritra mihatsara ny toe-pahasalamany; Nanome toky ny dokotera fa ho avotra soa aman-tsara izy mianaka ary tsy hisy atahorana intsony. I Malala matetika no mandalo ao amin'ny efitra misy an'i Mahefa, mamangy sy mampahery ity nanavotra an-janany. Ny mpitsabo rehetra kosa dia nanery an-dRatrema amin'izay haka aina amin'izay fa efa ho herinandro izay ralehilahy tsy nody natory tany amin'ny hotely mba hahazo fandriana tsara.
Hita misoritra amin'izy mivady ny hafaliana, saingy hafaliana mitanila noho ny disadisa mbola tsy voaravona hatrany antananarivo fa toa noterena haravona ankolaka fotsiny noho ity loza nitranga tamin-janany. Hita ihany anefa fa toy ny mpivady tsy mifankahazo ry zareo.

Ny alina alohan'ny hatory, rehefa vitan'i Malala avokoa ny fikarakaràna an'i Toky sy Cynthia, indro izy nandray fandriana dia nibonoka tao. Asa, mety tsy zatra ity hatsiaka mamanala any ivelany angamba fa na dia mandeha tsara aza ny milina fanafanàna trano, dia mitady hafanana hafa izany izy eo aminy. Asa ihany koa, fa noho ity Ratrema voatery hiray fandriana indray aminy taorian'ilay nisintahany tany amin'i Hery tany Antananarivo dia miambakavaka ny sainy.

Injay Ratrema nijaikojaiko moramora nanokatra ny lamba dia niditra tao am-pandriana. I Malala amin'io manome lamosina no tsy noraharahian-dRatrema rahateo. Novonoina ny jiro dia samy nangina. Samy mieritreritra izay hanjo azy avy. Samy misaina izay lolom-po any anatiny any.
Nangatsiaka angamba Ratrema fa nisintona moramora ny lamba ho any aminy, kanjo notazomin'i malala mafy tsy hihetsika. Nanandrana namerina indray ilay fihetsiny teo indray izy sady nisintona mafimafy kokoa. Kelikely rahateo ilay fandriana, ka iny raha niezaka nitazona mafy ny sisin-damba iny i Malala, injay fa tafahodina tampoka satria mafy dia mafy ny nisintoman-dRatrema ilay lamba ka indro izy roa nifanatrika tao anaty maizina. Nifanakaiky ny molony, nisy hafanana niampita tamin'izy roa nisarika azy hifanatona bebe kokoa. Ny tanan'i malala eo ambony tratran-dRatrema, nisy hery tsy fantatra nampifanantona ny molony roa ary nitohy lava tahaka ny olon-droa tsy nifankahita hatry ny ela.
Ela nifampitadiavana ireto mpivady ka indro i Malala nitsilany nametraka ny lamosiny teo ambony fandriana; ny molotr'i Ratrema amin'io tsy miala eny aminy. Nitsiry haingana tamin-dRatrema ny filàna ity Malalany, nosafoiny tamin'ny tanan-droa ny tarehim-badiny, fifanorohana tsy misy ohatr'izany, ny lela mifanositosika toa mitady fifandraisana tsy hanampahataperana.
Afaka minitra roa na telo, niharina Ratrema sady nanakipaka ny lamba, dia nampidininy teny amin'ny nonon'i malala ny tanany, nanafosafo moramora sady nidina ihany nitady ny faran'ilay akanjomandry teny amin'ity vadiny. Ity iray efa ela nitadiavana fahafinaretana, sady nanaiky mora no nanainga vetivety ny maojany hiakaran'ilay akanjomandry. Tsy ela dia injay fa niala teny an-kodiny ilay fitafiana teo. Niverina indray ilay orokoroka teo. Ny tanana amin'io manafosafo hatrany,ny fanondro roa mikitikitika ireo lohanono toa efa mivontovonto sahady. Injay fa ren'i Malala manomboka mitambolombolona any anatiny any ny filàna ny vadiny. Ity farany rahateo tsy tana fa nampidina ny tanany ilay teny amin'ny foitrany, dia nandalo ny maoja ary nanafosafo ny feny. Niverina indray dia nijanona teo amin'ny silipo sady niezaka nampiditra ny ratsan-tanany tany amin'ny lavaky ny fahafinaretan'i Malala. Efa nihenjana ny filahiany raha vao nahatsapa ilay faritra telozoro misy volovolo madinika. Nidina moramora nitady ilay fizaran'ny nofo izy ka nandalo ilay bokotra efa manomboka mibontsina sy miha-henjana tokoa. Reny teo amin'ny molotr'i Malala ny tsikiny raha voakitika ilay bokotry ny fahafinaretany. Naveriny nokitihana indray ary somary nanainga ny maojan'i malala ilay kitika nataony teo. Nampidininy ihany ny fanondrony roa hitady ilay molotra efa mando; nosokatsokafany teo, kanjo noketohan'i Malala tamin'ny feny roa ny tanany sady noteritereny tsy navelany hihetsika. Nakarin-dRatrema indray ny ratsan-tanany ho eo amin'ilay bitika efa mihenjana tanteraka nony avy eo ka sady faly ery i Malala manainganainga ny fitombenany manaraka ilay kitika madinika ataon-dRatrema azy. Ny lelany amin'io mangarongarona ny ati-vavan'ity vadiny mikaroka fahasambarana tsy mbola takatra hatramin'izay. Ela tsy nifankahitàna izy roa, samy manina tampoka amin'ny fotoana tsy nampoizina. Toa hiverina indray ilay olon-droa hitambatra ho iray.
Tsy ela Ratrema dia nanala ilay pataloha teny aminy, natsipiny tahaka ny tsy teo dia novahany ny bokotry ny akanjomandriny. Tsy aritr'i malala fa nosintominy indray ny tanany hamonjy ilay faritra mitelozoro teo.
- "Mmhhhh, tiako be ilay nataonao teo fa aza ajanona! Avereno indray fa teny mahafinaritra be!!!" Sady nosokafan'i Malala tsara ny feny roa handray ity tanam-badiny hahitany fahafinaretana. I Ratrema rahateo tsy nisalasala nikaroka ny fifavian'ny vadiny efa mando aok'izany. Tsy naharitra intsony i Malala fa nanala ilay atin'akanjo hany sisa teny aminy, ny ranjony no nakipakipany hanalany ilay izy teny amin'ny tongony. Tsy tratra fa iny ny fanondron-dRatrema nitsofoka tany anatin'ny zohy ihafenan'ny fahafinaretan'i Malala, ny ankihibe manapotsipotsitra tsimoramora ilay bokotra no maka ny hamandoana avy eo amin'ny fivaviana.
Fahasambarana tsy hita noanoa no manenika an'i Malala, fahasambarana mitohy hatrany, mihalehibe tsy hainy tohaina. Nampian-dRatrema ny fanondroadala rahateo ny rantsana niditra tany amin'i Malala, mandroso miditra teo izy, ilay ankihibe amin'io manapotsipotsitra tsy ankijanona ilay taovam-pahafinaretana efa mibotsina sy mafimafy, toa faly ery atolatolaky ny onjam-pahasambarana manenika an'i Malala. Minitra vitsy monja dia injay fa nanainga ny maojany arak'izay azony hatao i Malala sady nikiaka tampoka namoaka ny fahafinaretany. Tsapan-dRatrema fa tonga amin'ilay fara-tampony ity vadiny izay sady nisarika ny hatony no nanoroka azy mamy be.
- "Ratrema an! mbola vitanao foana ny mahatonga ny fahafinaretako hatramin'izao! anjarako indray izao ny manao ny tahaka ny nataonao teo!"

Notoloran’i Malala oroka mamy be ny vadiny. Novahany ilay bokotra farany tamin’ny akanjon-dRatrema dia nesoriny niala tery. Somary natosiny hitsilany indray amin’ny lamosiny I Ratrema. Nosafosafoiny teo ny tratrany, nanaovany otra malefaka sady nidina tsimoramora manaraka ny kibony. Niondrika izy avy eo nanoroka indray ny takolak’i Ratrema, nalatsany ny sandriny ilany handry ambony fandriana sady nitsilany niorirana izy. Ny tanany ilany manafosafo ny foitra sy ny kibon’ity vadiny, ny molotra amin’io manorokoroka ny tenda, midina amin’ny tratra ary ny lelany avy eo no natohiny hanafosafo ireo loha-nono kely mivoitra amin’ity lehilahy. Maizina rahateo ny tao an’efitra ka samy misaintsaina izay mety ho endriky ny vatany ny tsirairay.
Ilay fihetsiketsiky ny lelan’i Malala teo amin’ny tratran-dRatrema no nampihenjana mafy ny filahiany, hany ka tsy andriny mihitsy ny handraisan’ity vadiny an-tanana ny ambany foitrany ao. Niandry fotsiny izy na dia maika aza fa henjanin’ity kalisaona ny filahiany. Fantany tsara ary tsaroany ireo kilalaom-pitiavana nifanaovan’izy roa hatramin’izay.
Tsapan’i Malala izany rehetra izay dia tonga dia nampidininy amin’izay ny tanany hikaroka ilay taova efa mibotsina izay tsy izy, ary efa ela dia ela izy izay no tsy tsapany tahak’izao.
Avy hatrany dia nangaroniny tao, tiany ery ny fihenjany fa saika nananosarotra azy ny nampiditra ny tanany tao anatin’ilay kalisaona.
Tsy niteny Ratrema fa tonga dia nanainga maojany sady ny tanany roa no nampidina ilay atin’akanjo hany sisa teny aminy.
Nalalaka ny tokontany hilalaovan’i Malala, toa mahafinaritra azy ny manao ity kilalao ao anaty maizina ity, nahodiny ny lohany hanatrika ny filahiam-badiny sady nieritreritra izay mety ho endriny teo izy. Ny sofiny ilany mifanitsy amin’ny fon-dRatrema ka sady naheno ny fidobodobony manaraka ny fihetsem-po. Ny tanany milalao no sady manafosafo no manotranotra ity filahiana miantrana tahaka ny miaramila. Natsangany moramora ilay izy, sady nampidininy ihany ny tanany hitady ireo voam-pilahiana roa somary niroraka tany ambany. Faly ery ny anao vavy, efa am-bolana maromaro tokoa no tsy nanaovan-dry zareo izao.
Tsy ariny intsony, injay fa nakorisany hidina ihany ny lohany hanaraka ny kibo, nandalo ny foitra ary tsy nijanona raha tsy nidona tamin’ny tarehiny ny lohan’ny filahian-dRatrema. Nahitsiny io hifanandrify amin’ny molony ary ny lelany avy eo no nataony fitaovana hanafosafo ity vadiny.
Taitra avokoa ny tsirim-panentan-dRatrema, naka fofon’aina izy sady nisento. Tsy nisy nahateny fa toa baiko moana amin’ny fihetsika isan-karazany dia nifankahazahoan’izy roa tao anatin’ny maizina.  Injay fa nanomboka natelin’i Malala ny loham-pilahiana, ninonononoany teo dia nampidiriny tsimoramora tany am-bavany arak’izay azony natao.
Hasambarana izany mihatra amin-dRatrema izany. Iza moa no tsy tia ho eo amin’ny toerany ?
Nimenomenom-pifaliana ny anao lahy, toa niverina indray ny fahatanorany. Zava-mahafinaritra ny nataom-badiny azy, ny fikasokasoky ny molotra izay manamando ny filahiany toa zary fahasambarana ho azy.
Tampoka, toa tsy aritr’i Malala intsony ny fitoerany tao anaty maizina :
- "Ratrema an ! te-hahita aho fa efa ela loatra izay naniriako anao hanao toy izao !", hoy izy nampijanona ny fihetsiny.
Tsy niteny Ratrema fa ilay jiro teo akaikiny no nampirehetiny. Indro tazany ny volon’i Malala miparitaka eo ambony kibony, sady manafosafo no mangitikitika. Kely anefa izany mihoatra ny ataon’i Malala aminy etsy ambany, ity farany mahazo fy ery mitelina ny filahiam-badiny. Avoakany indraindray dia jereny tsara amin’ny hazavana kely takonan’ny volony. Ratrema amin’io tsy maharitra fa entanim-pahasambarana ka manafosafo no tahaka ny mibango ny volon’i Malala, sady mba te hahita ihany koa izay ataom-badiny.

- "Malala an ! avia fa te-hiray aminao aho," hoy Ratrema tsy naharitra intsony.
Satrin’i Malala hanohy tsy anki-janona izay ataony mandra-pahatongan’ny tsirin’aina, fa na izy koa aza mba te-hiray mafy amin-dRatrema. Niarina izy dia niverina nitsilany tamin’ny fandriana indray, nitsangana ihany koa Ratrema sady niodina teny amin’ny tongom-pandriana nifanatrika tamim-badiny. Nojereny tsara ny faritra telozoro teo amin’i Malala, indro misy pitika hamandoana mangirana kely tazany, dia nosafoiny. Tsapany fa teny mila azy mafy ity vadiny.
- "Ratrema an!" efa ela aho no nitady ny hanaovanao ahy tahak’izao. "Avia fa miandry aho!"
Naka toerana tsara ny lehilahy, natohony teo amin’ny fivaviana aloha ny azy, nosafosafoiny tamin’ny lohan’ny filahiana mihenjana tsara, fihetsika somary nampisaraka ireo molotra roa no nidona teo amin’ilay bokotry ny fitiavana. Naveriny in-droa, intelo. Injay fa nisy tsiranoka nanamando tanteraka an’i Malala, nosokafany ny feny nampisokatra ilay zohy te-hidiram-pahasambarana.
Tsapan-dRatrema fa tonga ilay fotoana hiraisan’izy roa. Ningainy ny ranjo sy ny fen’i Malala ho eny an-tratrany. Ny tanany ilany no mitondra ny familiana ary nampiditra ny filahiany tany anatin’i Malala. Natsofony tsara hilentika arak’izay azony natao. Nahemotra dia natosiny indray.
- "Mmmhhhh !!" hoy i malala manakimpy ny masony. Fikarohana fahasambarana tsy misy ohatr’izany. Mamovokovoka Ratrema, ny tanany roa mifenja ireo nono sy mitazona azy tsy hihetsiketsika be loatra. Ny ranjon’i Malala no orokorohany nakany fahafinaretana. Ny filahiany mifanjevo anaty fahasambarana amin’ny an’i Malala.
Mihazakazaka ny fandehan-javatra. Nahatsiaro sambatra ery ity vehivavy mahatsapa ny molotr’i Ratrema eny amin’ny kibon-dranjony. Ny tongony ilany kosa nahodiny hisarika ny lamosin-dRatrema. Tsy ariny intsony fa nampidininy ny tanany hikaroka ilay bokotra kely efa mihenjana, nanampy sy nikaroka fahasambarana izay nomen-dRatrema azy, izay tiany haharitra ela nefa toa tiany hiara-tonga amin’ity lehilahy ihany koa.
Minitra maromaro no lasa , injay fa tsapan-dRatrema ho tonga ny fahasambarany izay tsy voatazony intsony. Nikiaka mafy indray mandeha izy dia nalefany tany anatin’i Malala ny ranon’ainy, izany fitosahana izany no nampiakatra ny fahafinaretana faratampony ka takatr’i Malala ihany koa. Injay fa tonga ihany koa ny azy, narahany fimenomenomana madinika izay tsy dia mazava loatra ny tiany hambara.
Niala tsimoramora ny lehilahy, namonjy nitsilany sady nanakaiky an’i Malala. Nosafosafoiny ny nonony ary ity farany nikaroka ny molony.
Dia nifanoroka ela izy roa. Toa ireny mpifankatia vao niray fandriana ireny. Samy tsy nisy nahateny fa samy soneniky ny fahasambarana.
Nony afaka kelikely :
- "Malala an ! mbola tia anao foana aho," hoy Ratrema.
- "Izaho koa mbola tena tia anao," hoy i Malala sady nataony teo ambony tratran-dRatrema ny tanany nanafosafo.
Samy nahatsiaro reraka izy roa ka vetivety dia nahita torimaso rehefa namono ilay jiro kely nanazava azy ireo. Tampoka sy tao anatin’ny fotoana tsy nampoizina no nampitsiry sy nampiredareda indray ny firaisam-pon’i Ratrema sy Malala. Torimaso mamy no niainan’izy mivady iny alina iny. Torimaso mamy izay iainan’ny mpivady rehetra tahaka ny isan’alina ihany, nefa niavaka tokoa fa efa ho fito volana tsy nanaovana tahak’izany izy mivady ireto.
Asa, mety mbola mitohy any anaty nofin’izy ireo angamba ilay fitadiavana fahasambarana tsy tiany ho tapitra teo fa alina tokoa ny andro, alina mangina. Alina mamirifiry izay nilatsahan’ny oram-panala voalohany tany Frantsa manamarika ny ivon'ny ririnina.

Vao maraina, raha mbola maizina ny andro dia efa taitra Ratrema. Nampirehetiny ny jiro teo akaikiny. Nojereny i Malala mbola soneniky ny torimaso mamy miondana eo an-tratrany. Ny volony misandrahaka amin'ny ondana. Toa miramiran'endrika izato izy matory fehizay eo an-tratram-badiny. Asa tokoa fa mbola mitohy angamba ny nofy mamy, zarany aza tsy hijanona. Ny nofon'izy roa efa nitambatra ho iray, mifanome hafanana amin'ity hatsika mamanala.
Ny fen'i Malala ilany miforitra eo ambonin'ny an-dRatrema, toa zary vesatra manotra ireo lohaliny efa vizan'ny fiaretan-tory nandritra ny herinandro. Tsy sahiny nahisaka fa zarany aza manome hafanana, tsapany koa ny faritra somary voloina kely mikasoka amin'ny maojany. Faritra nitadiavany ny fahafinaretana hatramin'izay, hafanana ambony kokoa no tsapany mivoaka avy eo. Ny fahitàny izany fomba fatorin'i Malala teo aminy izany dia nampisy tosi-dra manainga ny maha-lehilahy azy hiverina hihenjana toy ny tamin'ny alina teo. Nitsiry taminy indray ny faniriana am-badiny nefa izy ity mbola matory.
Norasiny ny filahiany dia namboariny hipetraka tsara tamin'izay nahazoany aina.
Noraisiny avy eo ny bokotra famonoan-jiro dia naveriny tao anatin'ny haizina indray ilay efitranon'ny hotely.

Nisaintsaina lalina teo izy ny aminy sy Malala. Tantara lava no niainan'izy roa. Tao ny faran'ny mamy, nefa tao ihany koa ny faran'izay mafaitra sy mangeroka indrindra. Asa tokoa fa raha mbola teo ve i Vololona dia ho tahak'izao ny tokantranony? Asa, tsy maintsy hazavaiko amin'i Malala anio ihany ny anton'izao rehetra izao! hoy izy tany an-tsainy tany, sady niondrika kely izy nanoroka ny lohan'i Malala.
Tsy nahaverin-tory intsony Ratrema taorian'izay, lasa tany amin'i Alexia indray ny eritreriny. Tsy ariny intsony, nakisany moramora ny lohan'i Malala teo an-tratrany hihazo ny ondana. Namboariny tsara ihany koa ny feny dia niarina moramora izy, niakanjo dia namonjy ny efitrano nisy an-dry Toky sy Cynthia, rehefa hitany fa mbola natory tsara ireo dia iny izy namonjy ny efitra fandroana.

Afaka ora iray, nojereny teo amin'ny fitaratra kelin'ny fandroana, efa mangiran-dratsy ny andro. Injay fa nisy nandondona teo am-baravarana. Novoahainy, indro ny mpiasan'ny hotely manatitra sakafo ambony latabatra misy kodiarana. Nasainy nampidirina teo alatrano dia nomeny fahafaliam-po ilay mpiasa.
Indro izy nanokatra tsimoramora ny varavaran-kely. Nahafinaritra azy ny nahita ny sisim-baravarana feno oram-panala fotsy. Mitovy loko amin'izany avokoa ny manodidina rehetra. Andro ririnina tokoa aty amin'ny faribolan-tany avaratra.
Mba manao ahoana re izay ny any Antananarivo. Any angamba izay miposaka izay tsy izy ny masoandro rehefa avy nikija ny orana. E! Antananarivo, tsy hay hadinoana.
Nitodika izy, hay Malala efa taitra, vao nahita an-dRatrema dia nitsikitsiky sady heniky ny hafaliana. Nanatona azy Ratrema sady nipetraka teo ambony fandriana. Nifanatona ny molotr'izy roa, toa nifandefa hafatra am-pitiavana be. Tsy nijanona iny raha tsy ren'i Malala nangatsiaka ny lamosiny fa tsy nisy lamba nandrakotra azy akory. Nitsangana i Ratrema naka akanjo mafana ho am-badiny. Natolony azy dia las tampoka tsy hitan'i Malala teo izy.
Afaka fotoana fohy, iny ny anao lahy manosika latabatra misy ny sakafo maraina nanatona ny fandriana. Sady nitsiky i Malala no faly aok'izany nahita ity vadiny. Toa volan-tantely vaovao ny azy mivady. Toa nofinofy tsy noheveriny ho tanteraka intsony, nanongo tena izy.
Nitsangana haingana i Malala niala teo ambony fandriana, sady nipi-maso tamin-dRatrema:
- "Ratrema an! andraso vetivety fotsiny fa tsy ela aho!" sady norohany kely ny tarehim-badiny.
Iny izy tahaka ny tadio nankao amin'ny efitra fandroana. Nisasa sy nanala ny hatsembohan'ny alina teny aminy. Namboariny haingana arak'izay azony natao ny volony, nanao manjamaso sy lokomena hahatsara endrika azy bebe kokoa.
Afaka ny folo minitra dia iny nisokatra ny varavarana. Ny maso nifanojo amin'ity malalany efa sasa-miandry. Efa te-hanolotra tambitamby aok'izany.
Indreo izy niara-nipetraka teo ambony fandriana, nanokatra ireo sakafo teo ambony latabatra. Sakafom-pitiavana tahaka ny andro voalohany no niarahany nihinana. Sady mamy ny etsy, no fy ny ery, fifampizaràna tsy nisy ohatr'izany, no orokoroka madinidinika tsy nisy fiafaràny. Tsy aritra intsony fa vao vita ny sakafo dia nentanim-pitiavana indray izy roa nanatanteraka faniriana ny hiray indray. Ary raha tsy i Cynthia nitomany tao ambadika tao saika tsy nijanona izy ireo.

Afaka ora vitsivitsy, iny izy mivady mifampitantana mandalo ny lalan-tsaran'ny hopitaly, toa tsy andriny ery izay hahitàna an'i Alexia. Vao nahita azy mivady ity zanany dia velon-kafaliana, toa mila ho latsaka ny ranomasony.
- "Nanao ahoana ianao izay anaka!" hoy i Ratrema sady nanoroka an-janany.
- "Efa reko mihatsara aho ry Dada an! efa omen'ny dokotera fitsaboana tena ampy mihitsy. Na dia tsy teo aza Papa alina dia nivezivezy teo foana ry zareo. Efa nesorina koa ny serôma tamin'ny tanako."
- "Efa afaka fotoana fohy isika dia hody amin'izay. Aza manahiahy intsony izany zanako izany an!"
Tsy maintsy hitady ilay dokotera mpandidy aho aloha izao fa ilaozako vetivety aloha ianao sy ny reninao.
Iny Ratrema nankany amin'ny efitra nisy an'i Mahefa. Nodondominy dia niditra izy. Efa mihatsara kokoa ilay marary, ary efa afaka mipetraka soa aman-tsara.
- "Miarahaba anao aho Profesora," hoy Ratrema, hitako tokoa fa tena miha-tsara mihitsy ianareo mianaka ankehitriny ka izay no tena ahatongavako mamangy anao izao.
- "Manao ahoana anefa izy izay ao?" hoy i Mahefa.
- "Efa tena miha-tsara izy ary tena mampisaotra an'Andriamanitra tokoa. Ary raha tsy nisy anao ve Profesora nanome ny taova ho azy, inona moa no afaka natao. Tsy haiko valina mihitsy izao nataonao izao."
- "Tsia ry Ingahy Ratrema, aza manahy ny amin'izany ianao fa hanavotra olon-kafa aza hatao, fa indrindra ny mpiray tanindrazana izay silaky ny ainao? Tsia, neniko mandra-pahafatiko raha nanilaka izany adidiko izany aho."
- "Izao Profesora, efa miharihary tanteraka izao fa i Alexia dia zanakao avy amin'i Vololona. koa ahoana no ataontsika, na ho ela na ho aingana tsy maintsy hanontany i Alexia ny amin'ny olona nanome voa azy, dia inona no hataontsika. Holazaina azy ve ny marina rehetra?"
- "Tsia dia tsia ry ingahy Ratrema, miala tsiny aminao aho. Fantatro fa tena mila hahavaky saina anao ity fandehan-javatra ity. Kanefa matokia fa raha ny amin'i Alexia dia ahitantsika vahaolana hatrany. Ary sanatria dia sanatria ny hilaza aminy izany rehetra izany izao fa mety hampikorontana ny sainy ka handamoaka ny fitsaboana nataontsika rehetra. Miangavy anao an-tanan-droa mihitsy aho ry Ingahy Ratrema mba tsy hampiditra izany resaka izany amin-janakao...zanatsika moa e!"
- "Eny ary Profesora..."
- "An an an! Aza antsoinao tahak'izany intsony aho fa manomboka izao dia toy ny mpirahalahy isika, antsoy hoe Mahefa aho!"
- "Eny e! metimety kokoa izay. Fa mba te-hanontany anao aho mikasika ilay "hébergement" noresahintsika tany Antananarivo. Efa tena midangana be ny laniko amin'ny fitsaboana sy ny saran'ny hotely. Izahay mantsy tonga dia mandoa ny sarany rehetra aloha, kanefa mino aho fa ny azon'ny fiantohana averina aza dia efa nihoatra lavitra ny taha tokony ho laninay. Ny sandam-bola any Madagasikara ihany koa hitanao ihany."
- "Azoko tsara mihitsy ny amin'izay. afaka andro iray na roa aho dia efa afaka mivoaka ny hopitaly ary handamina ny amin'izay. Inoako rahateo fa tokony mbola hijanona aty maharitraritra kely aloha i Alexia mandra-pahasitrany soa aman-tsara fa sao tsy mahatanty ny dia lavitra mbola hiverenany an-tanindrazana."
Nifandray tanana izy roalahy. Dia iny Ratrema nivoaka ny efitra nijaikojaiko moramora namonjy an'i Alexia.
Toa tsy mitombina indray anefa ny sainy:
"ny orinasa amin'izao hiatrika ny fetin'ny faran'ny taona, ny mpiasa efa manantena ny fahatelo ambinifolon'ny volana hiatrehana ny fety. Ny vola laniko taty tsy toko tsy forohana. Ampahany kely ihany no mba azon'ny trano fiantohana averina amin'ny saram-pitsaboana an'i Alexia.Indrisy fa tsy maintsy miditra amin'ny lalan-tery aho, hatao ahoana moa, tsy maintsy mivaro-pananana aho hamerenako ny lany rehetra taty."

Nandritra izay fotoana izay, i Malala no niandry an'iAlexia tao an'efitra.
- "Neny an! saika tsy hanontany ihany aho nefa tena manitikitika ahy ity! Mba nanao ahoana ho'aho izay i Hery e! Efa nantsoinareo ve izy hatramin'izay nandidiana ahy izay."
Vaka ny sain'i Malala, nitady izay havaly;
- "Alexia an! aza alefanao amin'izany mihitsy ny sainao, ataon'i Hery ahoana moa ny hanaraka anay, nefa izy aza mbola tsy nankaty an-dafy mihitsy. ny fikarakaràna ny pasipaoro, ny asany angaha moa azony ialàna."
- "Eny e! fa na izany aza tsy niantso an-telefaona azy i Neny?"
- "An an an! Alexia an! aza heverina mihitsy izany fa ny olanay mivady aloha no nalaminay ka aza mbola ampidirina mihitsy aloha i Hery. Efa miravona tanteraka ny disadisa taminay ary tena mifankatia tokoa izahay izao. Izay fotsiny dia ataovy ampy ho anao." Toa tsy tanany fa nanomboka nanganohano ny mason'i Malala.
- "Eny ary e! fantaro anefa fa banga be ny fiainako raha tsy eo izy." Sady niondrika izy no namafa ny masony saika hilatsahan'ny ranomaso.

Injay fa niditra i Ratrema. Namonjy ny varavaran-kely. Toa lasa saina. Tsy nisy niteny fa samy nangina.
- "Alexia an! hivoaka kely aloha izaho sy reninao an! misy resaka ifanaovanay ! Tsy maninona avelanay vetivety ianao?"
- "Fa resaka inona kay ry Dada!...Tsy maninona ary e! aza ela any fotsiny!"
Teo an-dalan-tsara:
- "Malala an! efa niresaka tamin'i Mahefa aho, fa rehefa mivoaka ato i Alexia dia any aminy ianareo no mipetraka."
- "Isika hoe!" hoy i Malala, "fa angaha tsy hiaraka aminay ianao?"
- "Tena tsy maintsy miverina aho hikarakara ny orinasa sy ny saran'ny fitsaboana rehetra. Efa manomboka kely sisa ny eto an-tanako sy izay any amin'ny banky. Efa nampanantena i Mahefa fa hikarakara ny taratasinareo rehetra raha vao mivoaka ato.
- "Dia ahoana, tsy halahelo ve i Alexia raha lasa ianao."
- "Satriko dia satriko tokoa hijanona fa tsy afa-manoatra aho. Ny orinasa ihany koa mila ahy, misy sonia tsy maintsy ataoko maromaro , efa manakaiky ny fety, ny fitantanana ny mpiasa tsy maintsy atrehina. Vao tafapetraka any amin'i Mahefa fotsiny ianareo dia tsy maintsy mandeha aho."
Nisento kely aloha i Malala, toa tady ho tapitra sahady ilay nofinofy tena izy niainany hatry ny omaly alina. Niankina tamin-dRatrema izy, somary nalahelo.
- "Ratrema an! dia hilaozanao sahady ve ity foko tia!"
- "Fantatro tsara ny alahelonao ry Malala fa tadidio fa tsy androany aho ange no hanainga e! Tsy maintsy miverina aho aloha hitady vola ahafahanareo miaina aty. Azontsika araraotina tsara ny andro izay mbola hijanonako hikarakaràna anareo efa-mianaka."
- "Eny e! fa jereo izao i Alexia teo, nanontany ny momba an'i Hery, tsy hitako ny havaly azy."
- "Ratrema an! mila anao foana ange aho e!"
 
Nanao ahoana kosa ny zava niseho taty Antananarivo nandritra izay fotoana izay,

"Na fantatro fa ho diso fidirana aza aho, dia naleoko tsy nikoropaka mihitsy, ny vokatry ny fisotroako toaka koa manginy fotsiny. Zara aza nisy ilay fanafody nomen’i Tahiana teo mba mampitony ny vavoniko. Elaela aho vao vonona dia iny nanidy trano, nandray fiarakaretsaka dia nankany am-piasàna. Lasa tany amin’i Alexia ny eritreritro manontolo. Nanao ahoana izy izay, nahazo izay fitsaboana sahaza azy ve? Raha mba nanan’elatra tokoa aho angamba dia niainga nanaka-danitra sy nisidisidina namakivaky iny ranomasina iny hamonjy an’ilay olon-tiako. Nefa afaka ho aiza moa, ary tena eto vao tsapakao fa hay tena nisy dikany ilay hoe: manaova ianao pasipaoro fa misy ilànao izany tampoka amin’ny fotoana tsy ampoizina. Naleoko lavitra nijanona eto Madagasikara fa tsy nisaina na dia in-dray mandeha akory aza ny hoe hiampita ranomasina. Sodoka ery tafiditra seham-pampianarana malaza teto Antananarivo dia tavela teo. Izao na te-hanidina aza tsy afaka. Tsy tadidiko intsony na izay antontan-taratasy ilaina amin’ny fanamboarana pasipaoro izany aza." Hoy i Hery miteny irery tany antsainy tany.

Teny an-dalana ihany koa, ny fitohanan’ny fiara marobe tsy hay lazaina intsony sady tena amin’ilay fotoany tsara izao ka nijanonjanona foana ilay fiarakaretsaka. Ilay mpamily niteny hoe "tonga isika Ramose" no nanapaka ny eritreriny.

Niditra ny fiasana izy dia gaga nahita taratasy teo amin’ny biraony. Taratasin’ny orinasa amin’ny anarany. Nosokafany sady novakiany izay tao anatiny. Teny tsotra ny tao:
"Miangavy anao hiakatra haingana any amin’ny sampan-draharahan’ny mpiasa fa misy iantson’ny tale anao"
Inona indray ity? Aza hitako, nanao fahataràna matetika aho tato ho ato, noho ny loza nanjo an’i Alexia, hoy izy. Nisy fotoana tokoa mantsy izy tsy hita tampoka teo fa tonga dia lasa tsy niera nankany amin’ny hopitaly nisy an'i Alexia.
Nivoaka ny biraony izy dia niakatra tany ambony. Nandondona tao amin’ny mpitantsoratra. Vao nahita azy ilay vehivavy dia nandray telefaona sady niantso ny taleny.
Vonton’ny hovitra ny vatany iray manontolo. "Tena ho loza ity!" Hoy izy "aza hitako ka ho voaroaka ato aho marina."
- "Afaka mandroso ianao M. Hery," hoy ilay sekretera sady nitsangana namoha ny varavarana mainty mifono hoditra voapetapetaka bokotra.
- "Miarahaba anao Monsieur le Directeur," hoy i Hery sady nanolotro ny tanany.
- "Manahoana ianao! sady mipetraha," Tsy nisy tsiky fa dia baiko hentitra avy hatrany no nataon’ilay Tale taminy.
-"Asa raha azonao an-tsaina ny antony iantsoako anao izao vao maraina izao. Mahatsikaritra zavatra tsy mety mihitsy izahay ato amin’ny orinasa tato ho ato, herinandro vitsivitsy izay. Ary rehefa nojerena dia toa lasa varimbariana izany ianao. Ela vao mandray fanapahan-kevitra. Ny fahatarana matetika ka nampitaraiky ny asa rehefa maraina. Ary ny zavatra mahagaga dia ity ianao sahy mangataka congé nefa fantatrao tsara fa efa tapitra nalainao avokoa izany tany amin’ny volana martsa sy aprily tany ho any." Sady namoaka taratasy mipaingotra tao anaty biraony izy dia nojereny tsara.

-"Izao letsy ry Hery an !, sady niova ny endriny no somary nikentrona izy nijery an'ity tovolahy teo anoloany.
- "Tsy fantatr’ialahy mihitsy angamba fa olona fantatro tsara Itompokolahy Rain’ialahy. Olona niara-nianatra ela izahay ary tsy nifanary mihitsy fa nifanavotra. Ary noho izy aza no nahatonga ahy amin’izao toerana izao.
Fantatro tsara fa fifaninanana no nidiranareo roalahy tato, dia ialahy sy Haja, kanefa noho izay fanavotan-dRain’ialahy nataony tamiko izay, dia nataoko avokoa izay nandresen-dahatra ireo tale namako rehetra ny mba handraisan’ialahy io asa misy an’ialahy izao io. Tadidio fa manana toerana ilàna fanapahan-kevitra betsaka ny toerana misy an’ialahy, ary raha ny tokony ho izy dia olona efa mato-tsaina sy nahazo taona vao tokony handray izany. Ady hevitra be tamin’izany ny teto amin’ny filan-kevi-pitantanana. Nanohitra ahy avokoa ny rehetra, nefa fantatro fa tokony ho vitan’ialahy ilay izy, ary notsapaina rahateo koa ianareo dia nety. Izao anefa jereo ity mitranga. Misy zava-manjo tampoka any an'ialahy any ho any dia ny asan'ialahy no atao tandrevaka. Raha tsy noho ny nataon’Itompokolahy dia efa taratasy fandroahana no nalefako tao amin’ny biraon’ialahy. Mba asio lanjany ihany letsy ny fiainana sy ny asa ary aza porofoina eto anatrehako fa diso hevitra aho nanome an’ialahy io toerana io !" Sady natolony an'i Hery ilay taratasy milaza fa mijanona amin’ny asany mandritra ny dimy andro izy ho fampitandremana. Voasonian’ilay tale sy voatomboka.

- "Ssshhh !!" hoy I Hery tany an-tsainy tany, "rehefa izay izany dia aleo hanaraka ny onjany eny. Raha ny tiako aza dia ny tsy hiasa mihitsy mandritra ny iray volana hitadiavako an’i Alexia". Nefa toa nisy kibay nikapoka mafy azy tany an-damosiny namerina ilay hoe «noho ny nataon-dRatompokolahy…» " I Dada, hoy izy izay tsy fantatro akory nefa hay nahavita be tamin’olona. Dia tsy ho raharahiako akory ve?"
- "Dia inona moa izany tompoko no tokony hataoko!" hoy indray izy tsy nahita havaly.
- "Omeo ahy iny taratasy iny," hoy ilay Tale.
Dia natolotry Hery azy, noraisiny dia naforiporiny sady norovitiny.
- "Andana tohizo ny asan’ialahy, tsy ekeko intsony ny solafaka na dia in-dray mandeha monja aza amin’ny manaraka fa tsy afaka ny hanavotra an’ialahy intsony aho. « Alors, ne me considère pas comme un imbécile », hoy izy namarana tamin’ny teny frantsay.
Nitsangana I Hery dia nidina tany amin’ny biraony, toa tsy zakany intsony ny adin-tsaina tao anatiny. Ny olana amin’i Alexia tsy voavahany akory, ny asa ity anefa vao mainka manery sy hanagadra azy tsy afaka hihetsika intsony. Firifiry moa, na ireo mpiara-nianatra taminy aza no tsy mitsiriritra ny toerana misy azy, eny fa na dia i Haja fotsiny aza? "Te-hiala amin’ny asako aho, tsy te hanohy fa te hiampita ranomasina hitady ilay malalako, malalako iza? i Malala ve, i Alexia? any avokoa ireo, nefa tsy fantatro akory na izay misy azy aza." Hoy izy niady saina mafy.

Noraisiny ny telefaona, niantso ny laharana 12 izy nanontany ny farmasia nisy an’i Tahiana. Avy eo dia niantso:
- "Allo ! saika hitady an’i Mademoiselle Tahiana aho azafady."
- "Mlle Tahiana, Mlle Tahiana iza moa no antontanianao azafady fa Docteur Tahiana no fantatray."
- "Hay ve ? eny e ! mitady an’i Docteur Tahiana aho izany."
- "Tsy eto izy tompoko, fa niera nody vetivety fa afaka adiny iray eo angamba izy miverina ! Iza moa no miantso azafady."
- "Lazao ary izy fa niantso teo hono i Hery ! Misaotra an!"
Hay ve Dokotera Ramatoakely iny e ! ary tsy hita amin’ny fihetsiny mihitsy izany marina ! Tsy maintsy mifankahita amin’iny aho androany, mino aho fa tsy manitsy hiantso azy izao i Malala ahafantarako ny vaovao. Eny fa na dia hisaotra azy ny nataony tamiko fotsiny aza no entiko hihaonana aminy.

Fa nankaiza marina i Tahiana tamin’io fotoana io :
Naka fahazoan-dalana hivoaka ora iray monja izy tany amin’ny farmasia. Nararaotiny izay hodiana sy hisoloany akanjo, nihazakazaka madinika izy teny an-dalana ka tera-tsemboka ery.
Vao tonga tao an-trano,… tahaka ny tsy teo no nanalàn’i Tahiana ilay akanjo ambony teny aminy. Novahany nanaraka izay ilay tati-nono mavokely sady notohofany tamin’ny orony: nanamboloany ny fofom-batany nandritra ny iray andro manontolo. Nalatsany tamin’ny tany ireo, avy eo dia noraisiny indray nataony tao anaty fitoeran-damba maloto. Akanjo nanaovany hatry ny omaly ka ny nahatongavany tany an-trano no ela dia natsipiny tahaka ny kitain’i lagara.
Toa tsy andriny mihitsy ny hanalàny tanteraka ny eny an-kodiny hahazoany maka fy ny hatsiaka malefaky ny andro maraina.. Iny izy efa mitanjaka namoha ny trano fidiovana. Asa, raha misy tokoa angamba ireny mpitily varavaran-kely ireny dia nahazo fahafaham-po mahita izato bikan’i Tahiana manintona loatra ny maso.Nalefany ny rano tao anaty fandroana dia nitsofoka tao anaty trano fitaratra izy naka aina sy nisaintsaina lalina.
Teo am-panafosafoana ny tenany nanala izay hatsembohana hany sisa tavela teny an-tsorony: injay fa misy sary maromaro mandalo ao an-tsainy. I Hery.
I Hery ve? tovolahy sady nofosana no tsara tarehy. Iza moa no vehivavy tsy roboka taminy na dia ny fijeriny fotsiny aza. Nefa sady manam-pahaizana no manana toerana ambony ao amin’ny toeram-piasàny. Saingy mbola tovolahy kely loatra izy aminy nefa dia tena nahitany fahafinaretana ery ny nisakaiza taminy tao anatin’ny ora vitsy monja.
Sshhh ! hoy i Tahiana tany an-tsainy tany, sendra fifandrifian-javatra fotsiny izany fa raha izay Tahiana akory tsy andairan-tsikin-dehilahy izany! Sady nosafoiny no nofenjainy ny nonony roa dia nampidininy moramora ny tanany hamonjy ny faritra maha-vehivavy azy. Dia nosasany tsara teo tahaka ny mahazatra isan’andro.

Tampoka anefa, toa nisy tsirim-panentana nandalo ny faritry ny kibony. Asa, mety naniry mafy an’i Hery izy angamba tamin’iny alina iny nefa tsy nahavita na inona na inona. Tsy hainy notohaina ny fahafinaretany, ny hafanan’ny rano vao mainka nanampy azy hitady ny tsaratsara kokoa. Toa zary sary mihetsika ao an-tsainy i Hery ilay nifampitolona azy tao anaty trano fidiovana tahaka izao. Notohizany ny safosafon’ny tanany mikaroka fahasambarana efa hitany nefa tiany haverina indray amin’izato izy irery. Tahaka ny tanan’i Hery no mitazona sy manampy azy ho tody amin’ilay tanjona iriny sy ahatongavany.
Tsy ariny intsony fa ny tanany ilany nandray ilay fantsona mitondra rano matimaty mifatsitsitra dia natohony teo amin’ny fivaviany. Ny fanondrony amin’ny tanany ilany manamafy hatrany ny safosafo manaitra tsy tapaka ny maha-vehivavy azy. Fahasambarana tsy hainy najanona no tsapany mandalo amin’ny vatany. Nitorombona nipetraka teo ambony taila fotsy izy no nanokatra ny feny hiasan’ny tanany tsara. Ilay hozatra kely vonton-dra efa mihenjana dia tsy nananany antra intsony fa nidiloriny arak’izay tiany, ambara-pahatongavany amin’ny fara-tampon’ny fahafinaretany.
Afaka fotoana elaela : injay fa nisy feom-behivavy nikiaka tampoka sady nanao hoe:
-Heryyyy ! oouuuuiiiiiii !
Nijanona avy eo ny fihetsiny rehetra, sady faly izy no heniky ny fahasambarana.

Tampoka, nivoha ilay varavaran’ny efitra fandroana sady hoy ilay vehivavy niditra tao nanao hoe:
-Fa inona ity ataon-dry ry Tahiana ????

Sady taitra amin’ny nofiny nahafinaritra teo i Tahiana, ny rano mbola mifatsitsitra milatsaka eo anelakela-peny. Nitsiky fotsiny izy nijery ity rahavaviny miray trano aminy.
- "Fa taiza aloha ity indry ity alina e!" hoy i Manitra, sady lokilokin’ny hehy. Averiko fa dia lasa nanaraka ity vahiny naterina any an-dafy. Zara raha antso an-telefaona fotsiny hoe: tsy afaka hody aho! Hay dia mbola mitohy hatraty an-trano ny fahafinaretana.
- "Fa iza aloha ity Hery e! toa amin’ny menomenom-pahasambarana mihitsy ny anehoana azy?"
- "Tsy idiran-driako izay fa omeo itsy servieta fotsy itsy aho aloha hifafako!" sady najanony ilay rano no nitsangana izy namafa ny rano teny an-kodiny. Dia iny servieta iny ihany no nahodiny teny amin’ny vatany nataony fitafy.
- "Hay dia misy vaovao indray izany any an!"
Toa nahatsiaro menatra tamin-drahavaviny i Tahiana; tsy nahajery fa ny tany feno rano no nofafainy tamin’ny lamba.Tsy niteny intsony izy fa vao tafavoaka ilay efitra fidiovana dia naka izay akanjony tao anaty larimoara dia nijery ny bikany teo ambody fitaratra.
- "Ah zalahy!" hoy izy tany an-tsainy tany. "mahagaga ahy ity izaho lasa mitempo fitiavana an’ity Hery. Mbola zaza iny amiko nefa tsy azoko mihitsy. Izao izany no antony nahatamàna an-dry Malala sy ry Alexia tamin’iny bandy iny. Dia izao koa tady hihatra amiko? aza hitako!"
Najolony ilay akanjo lava dia iny izy aloha nidaboka teo ambony fandriany naka aina vetivety nanala ny fahavizanany teo.

Hevitra

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype