Tadiom-pitiavana

« Pejy 25 | Main | Pejy 27 »

Pejy 26
2006/04/18,13:20
Nisara-dalana ry zareo nony tonga teny amin'ny hopitaly. I Mahefa moa namonjy ny varavaran'ny mpiasa mpitsabo, fa i Malala kosa niandry teny ivelany, toy ilay aninkeheo ihany. Tsy ela i Ratrema dia tonga ary noraisiny ireo entamben'i Malala. Nipoitra avy any koa i Hery nivimbina harombe misy sakafo mafana, sao hono efa misakafo i Alexia ka noana be eo. Niara-niditra izy telo rehefa nivoha ilay vavahady. Teny andalana dia efa nolazalazain-dRatrema andry zareo ny resak'ilay dokotera. Tsy niala teny amin'i Malala mihitsy ny mason'i Hery hamantarany izay tao ampoin'i Malala momba ity famindrana voa ity. Tsy namaly anefa i Malala fa lasa tany amin'i Mahefa ny sainy rehetra. I Mahefa, ilay lakilen'ity olana ity. Izy no ray niteraka an'i alexia ka izy no tompon'andraikitra voalohany amin'izany. Indrisy anefa fa sarotra ho azy ny hanazava an-dRatrema ny nahalalany an'i Mahefa ka naleony tsy natao fantatry ry zareo aloha ny resaka. Naketoketony fotsiny ny lohany ho mariky ny fihainoany ilay resaka dia izay, tsy niteny izy tsy nivolana. Tsapan-dRatrema fa tsy moramora ny mandray fanapahankevitra toy izany, satria eo aloha ny ainy, ary mbola eo koa izy mianadahy kely. Voatsikaritry i Hery anefa fa tsy tao amin'ilay resaka mihitsy ny lohan'i Malala fa tany ankafa. Nivonto ny fony nahita ny haratsiandohan'i Malala izay tsy mihevitra afa-tsy ny tenany ihany hatramin'izao, nefa fotoana tena ilan'i Alexia ny fanampiany mihitsy ny toa izao.
Niara-niditra tao anefitra izy telo nony tonga tao ambony rihana. Efa naharina sahady ny lohan'i Alexia ary namahana ny fehiloha namatotra azy. Notapahindry zareo fohy kely ny volony ka saiky tsy fantatra ny endriny. Ontsa i Hery ary tsy nahajery azy...nahatsiaro tena ho diso mihitsy izy. Efa afaka misakafo moa izy ka dia navoakan'i Malala ny sakafo nomanin'i Hery...
I Hery no nitolo-tena hamahana azy, kanefa nosakanan'i Alexia izy fa aleo hono i Malala no hamahana azy sady te-hiresaka amin-dReniny koa hono izy.
Nivoaka izy roalahy ary mahamahana indray i Malala sao hilaza inona aminy ity zanany. Mody tsy taitra mihitsy izy aloha sady nanohy namahana an-janany moramora. Naodin'i Alexia anefa ny lohany ary nobanjininy tsara ny reniny...
- "Mama a! niresaka tamiko teo i Pr Andriamahefa, ilay nandidy ahy omaly!"
Taitra mafy i Malala...Niresaka inona sahady??? hoy izy tany antsainy tany...
- "Nohazavainy tamiko fa mila voa vaovao hono aho fa simba ny ahy..."
- "Dia ahoana ry alex, dia ahoana hoy izy?"
- 'An an, izay fotsiny no nolazainy...lasa eritreritra aho ry Mama, ianao izany sisa no tena afaka manampy ahy..."
- "Ka.."
- "Mama a! tsy te-hanery anao aho fa sahy ve i Mama?"
- "Inona moa anaka no isalasalako raha izay no hahavonjy anao?" hoy i Malala nirotsa-dranomaso...tsy vitany ny handa an'i Alexia izay nanantena valiny mahafa-po avy aminy. Izy rahateo no efa nanaiky tamin'ny maty fa hikarakara ity zazavavy ity ka na dia nohon'ny zokiny ihany aza dia nekeny ny zava-misy. Tsy fotoana koa izao hilazana an'i Alexia ny momba ny rainy ka naleony notatazana irery ny andraikitra.
- "Misaotra ry Mama!" hoy i alexia nitsiky taminy sady namihina ny ratsan-tanany...."hatry ny nahazaza ahy ry Mama tsy mba nahatsiaro tena ho kamboty mihitsy aho tamin'ny fikarakaranareo...na inona na inona fitondran-tenanao dia tsy nanome tsiny anao mihitsy aho satria mbola kely ianao dia efa nivesatra ahy tsy fidiny…"
- "Alexia a! aza miresaka be aloha anaka fa hano ny sakafo hanovozana hery...aza adino anaka fa sitra-poko no nanaiky hitaiza anao fa tsy voatery mihitsy aho tamin'izany...ataovy aloha izay hahazoanao hery fa ialina amin'ny fandidiana anao manaraka izany."
Nitsikilo kely teo ambaravarana Ratrema ary niditra nony nahita fa tsy miresaka intsony izy mianaka. Efa nanasa ny lovia i Malala ary namoaka ny bodofotsy tao anaty fonosany. Gaga i Hery nahita ireto bodofotsy roa be izao ka nanontany...
- "Ho an'izay miandry marary aty ny iray," hoy i Malala taminy...
- "Izaho androany alina," hoy Ratrema niteny haingana, toy ny hifanenjika amin'i Hery izany..
Tsy niteny i Hery fa nipi-maso an'i Alexia fotsiny izy, toa te-hiteny hoe rehefa rahampitso ahy indray.
Nony tapitra ny ora famangina dia nivoaka ny efitra i Malala sy Hery fa i Ratrema kosa nijanona teo andoha fandiananjanany hanafosafo azy.
Nandray taxi haingana ry zareo dia nody tany antrano. Tsy nisy niresaka loatra.
Vao voapetraky Malala anefa ny poketrany dia indro izy niakatra haingana hijery an-janany. I Hery kosa nijanona tany ambany nijery fahitalavitra. I Zefa sy ny rahalahiny moa nanao fanorona teo andakozia ary nanomana ny sakafo haingana avy eo fa efa hidina i Madama.
Elaela ihany i Malala vao nidina fa mbola nampatory an'izy mianadahy izy no sady niverina nadro indray. Tsy nanao peignoir anefa izy fa niverina nampiditra pataloha indray. Avy hatrany dia ny lakozia no novonjeny ary nasainy nihisaka izy roalahy handoarany ny sakafo.
Sosotra i Hery nahita azy roalahy tao andakozia fa te-hiresaka mafy amin'i Malala izy. Gaga mihitsy izy hoe fa maninona ny mpiasa no lasa ato antrano, sady hiray latabatra. Noheveriny mihitsy fa fanahy inian'i Malala izao zavatra izao tsy hahafahany manao na inona na inona. Notapahin'i Malala anefa ny eritreriny...
- "Aza gaga ianao ry Hery fa i Ratrema no nilaza fa tsy tokony hihinana mitokatokana izany ato antrano fa dia miaraka eto daholo a!"
nihomehy i Zefa mirahalahy sady nihisaka kely ry zareo.
- "Efa nihinana mialoha izahay roalahy fa noheverinay fa haharitra ianareo ka aleo izahay handeha hatory amin'izay raha tsy maninona anareo loatra!
Gaga i Malala kanefa nitsiky ihany izy ho mariky ny fanekeny azy roalahy. Indreny ry zareo nivoaka namonjy ny efitranony any ivelany. Vao nihidy ny trano dia nipetraka i Malala. I Hery no nandoatra ny laoka.
- "O Ry Hery a! ianao ve dia tsy menatra ireny ankizy ireny fa ohatry ny manambany azy anie ianao izany  e! mba afeno ny toetra ratsy ry Hery fa mahamenatra a!"
- "Aza avily ny resaka fa ny anao aza no tsy hitanao ko! angaha tsy hitako ny tarehinao tamin'i Ratrema niera taminao raha manaiky ny hanome ny voanao ho an'i Alexia ianao? hitako ny fisalasalanao kanefa zanakao i Alexia...olona tia tena raha ianao!"
- "Mangina ianao ry Hery fa tsy misy na inona na inona hainao ny amin'izany! ary aleo aho hisakafo aloha fa raha tsy hihinana ianao fa hiantsy ady ahy dia mandeha mandeha any!"
Tezitra i Hery dia indro nirintona nitsangana. Lasa izy nankeny amin'ny salon ary nânomboka nanamboatra ny canape atoriany. Narindriny ny varavarana dia tao izy.
Nihinana niadana kosa i Malala. Ny sainy tamin'io lasa tany amin'i Mahefa indray...tena i Andry ve iny sa nanonofy aho? hoy izy lasa saina...misy azy i alexia raha mahalala fa rainy iny! tena boribory marina ny tany ka! any izay i Vololona kely, hoy izy nifia-dranomaso indray. Tsy hitany akory ny ranomasony dia lasa tao ambavany daholo, nifangaro tamin'ny hanina nohaniny. Nitanondrika nitomany teo izy ary tsy henony akory ny tanan'i Hery nitehina ny sorony teo...
- "Malala a! azafady indrindra raha nahatezitra anao ny teniko!" hoy Hery nanafosafo azy.
Nahifiny anefa ny tanan'i Hery, saika hanohy hanafosafo azy iny ihany. Tsy niala i Hery fa mbola nanohy ihany, ary nanomboka nanakatra ny molotry Malala hanoroka azy koa. Nihodina ihany i Malala, toa naharikoriko azy foana teo i Hery... i Hery izay tao anaty fahoriana lalina ka mitady hevitra hisinda kely ka ny fiarahany amin'i Malala eo akaikiny eo no vahaolonana tsotsotra hitany mora indrindra.
Nanomboka namaha ny patalohany izy ary nikisina mafy tamin'i Malala. Niezaka ny hiala izy kanefa ny sandrin"i malala mifatotra teo ambalahany dia tsy nahafahany nihetsika loatra. Nony niala ny tee-shirt nanaovan'i Malala dia indro teo antratrany nibaribary nisy diana oroka mena be teo anelanelan'ny nonony roa izay tsy hita hafenina. Niala moramora i Hery...nivandravandra ny masony, nijery ny vatany i Malala ary izay koa vao hitany ilay izy fa na izy nandro teo aza tsy nahita io akory. Lokin'ny hehy i Malala sady nihodina nandray ilay tee-shirt dia lasa niakatra. Nihodina ny lohan'i Hery...fotoana inona anio tontolo aza no niraisan'izy sy Ratrema? sa efa omaly alina? kanefa io maraina io i Malala tamin'ny nampinono tsy nisy inoninona teo raha ny fahitany azy...tamin'ny firy izany? nefa tsy niaraka ry zareo iny hariva iny fa i Malala nandeha irery...dia niaraka tamin'iza?
Niakatra ny tohatra i Malala sady tsy niherika akory nijery azy mbola miboridana teo. Nakariny ny patalohany efa teny amin'ny tany dia indro izy namindra moramora nankany amin'ny salon. Tsy mino izy fa olonkafa no niaraka tamin'i Malala. tsy fanaon'i Malala izany...sady tsy misy olona ankoatrany sy  Ratrema eo amin'ny fiainan'i Malala.... Tao anaty nofy i Hery sisa no nanaram-po nanampatra ny hetahetampaniriany. Hotsaka ny canape iny maraina iny. Tsy tsaroany intsony izay nataony... 

Tsy tafajanona tao anefitry Alexia Ratrema iny alina iny fa lasa namindra moramora nanaraka ny lalatsaran'ny hopitaly. Rehefa namindra elaela izy dia tonga teo anoloan'ny varavaran'ilay dokotera niresaka taminy iny maraina iny; nisokatsokatra kely ny varavarana ary indro tazany nisy olona roa niresaka teo amin'ny birao. Nandondona kely Ratrema ary indreo nitraka ny lohan'izy roalahy niresaka...
- "Hay ianao ihany? mandrosoa fa ny momba ny zanakao indrindra izao no resakay."
Nandroso i Ratrema sady miramirana ery fa hay mba tena miasa ireto dokotera ireto. Naka fitoerana izy dia nihaino izay nolazain'izy roalahy.
- "Efa mifankahalala daholo angamba isika telo hoy Pr Andriamahefa nandray ny resaka ka tsy mila fifampahafantarana lava intsony. Fa izao Ratrema a! eto ampikarakarana ny taratasy handefasana anjanakao any ivelany izahay izao fa tena maika be ny fandidina azy ka tsy azo iandrasana loatra. Efa nahita toerana tany amin'ny hopitaly any France aho, any amin'ny toerana hiasako ka tsy misy olana intsony fa efa vonona ny équipe rehetra handray azy.
- "Ka i Malala, ny vadiko izao mbola tsy haiko akory izay fanapahankaviny, ary tsy maintsy mbola hifandamina izahay roa ny amin'izay fomba hitazomana ny zazakely..."

- "Fantatro ny adin-tsaina mahazo anao kanefa tsy maintsy haingana isika mandray ity fanapahankevitra ity. Mbola afaka miandry rahampitso isika fa tsy misy mahamaika..."
- "Eny ary fa handeha maraina aho rahampitso hanomana ny passeport sy ny taratasy rehetra..."
- "Raha tsy mampaninona anao dia azoko iantohana ny fandraisana anareo mianakavy," hoy ihany Pr Andriamahefa.
- "Misaotra indrindra," hoy Ratrema nandray tanana azy roalahy.
Nivoaka i Ratrema ary lasa niverina moramora teo andohafandrianan'i Alexia...nosafosafoiny moramora ny takolan-janany ary indro izy nitanondrika lasa saina mafy ny amin'izay hataony rahampitso. Tsy reny akory tao aorianany tao Pr Andriamahefa nijoro nijery azy ary nitehina ny lamosiny.
Naka toerana teo ampototry ny latabatra kely izy roalahy ary nanomboka niresaka...
Nolazain'i Mahefa an-dRatrema teo ny fifanenan'izy sy Malala, ny fomba nifankahalalany, ny tantara efa roapolo taona lasa...tsy nolazainy anefa izay niseho teny amin'ny hotely... Nanaiki-molotra mafy i Ratrema nihaino izay nolazain'ity profesora ity. Tsy afaka ny handa izy amin'ny tsy fahamarinan'ny tantara fa dia nino tanteraka .Nilatsaka ny ranomasony nahatsiaro an'i Vololona.
- "Tovovavy nahantra..." hoy izy nisento mafy.
Niondrika i Mahefa...tena nijaly izany ny olontiany nandritry ny andro niafarany, hoy izy tany antsainy tany...nilatsaka koa ny ranomasony...
- "Fa fony ianareo niaraka," hoy ihany Ratrema,"tovovavy toa inona i Vololona?"
Nisento indray i Mahefa dia nanomboka nitantara..."tovovavy tsara tarehy izy, Tsara toetra,...maotina nefa sariaka, malemy fanahy nefa mahaleo tena, ary tsotra sady matotra. Tsy mba nahitako kilema izany izy hatrizay...."
-"Nanahaka azy izany ity zanany ity..." hoy Ratrema nitopy tany amin'i Alexia...
Niara-nijery tany amin'i Alexia izy roalahy kanjo indro ilay zazavavy nihinjitsinjitra tsy nisy toy izany. Nampanenoin-dRatrema haingana ny lakolosy fanairana ary indro tonga daholo ny mpitsabo mpanampy sy ny dokotera.
- "Tsy afaka miandry intsony ity!" hoy i Mahefa nijery an-dRadoko. Izao dia izao ny évacuation!
Nijery famataranandro Radoko, - "Efa tena tara loatra raha izao no hamonjy ny fiaramanidina handeha anio alina. Efa amin'ny iray izao... inona no hevitra?"
Lasa nivoaka Ratrema, eto no ilako ny fahalalako olona hoy izy, fa tsy maintsy mahita hevitra aho.
Nony vita ny antsony dia niverina haingana namonjy an'i Mahefa izy...
- "Hiainga izao hariva izao ny filohampirenena" hoy izy , hamonjy fivoriana any Eoropa ka afaka hitondra azy...
Nitehaka izy rehetra...asa na i Alexia no tena tsara vintana, na lava dia lava izao tanan-dRatrema izao, fa vetivety dia vonona ny marary, nisy zazakely roa koa nomanina hiaraka amin'i Alexia fa mila fandidina maika be toa azy koa.
Niraondraona avy any ny hélicoptère ary nipetraka teo antokotanin'ny hopitaly. Napetraka ireo marary sy ny mpitsabo vitsivitsy. Niditra tao i Mahefa ary nanolotra taratasy ho an'i Ratrema... Efa feno ny hélico ka tsy afaka nanaraka izy tsinona...
- "Any Paris isika mihaona! hoy i Mahefa namihina an-dRatrema...
Tsy namaly i Ratrema fa ny ranomasony no nikoriana tamin'ny tavany...
Niverina namonjy ny fandrian'i Alexia izy ka namalona ny bodofotsy sy nangorona ny entany rehetra tao. Efa hadiva haraina ny andro, indro izy sy ilay dokotera nivoaka ny hopitaly, handeha hody. Naterin'ilay dokotera hatrany antrano izy iny maraina iny.
Niditra moramora izy satria fantany fa matory ao i Hery... nojereny anefa ilay canape ka tsy nisy olona teo. nitempo mafy ny fony ary nodinganiny daholo ny tohatra mandrapahatongany tany ambony rihana. Novohany ny varavaran'efiny ary indro i Malala mihohoka matory tsy mandre izay ambonin'ny tany, eo akaikiny eo i Cynthia mitsivalampandry.
Nisento izy ary raha iny handeha hanidy varavarana iny izy dia nihiratra ny mason'i Malala... niarina izy ary nikoso-maso..
- "Fa amin'ny firy izao?" hoy izy gaga nahita ity vadiny toa nody sahady...
- "Malala a! efa nalefa any andafy i Alexia fa nihombo ny aretiny..."
- "An?" hoy i Malala nitsangana, notarihin'i Ratrema ny sandriny ary nidina tany ambany ry zareo hiresaka. Nanao café Ratrema sady nitantara ny fandehany rehetra..
- "Fa naninona no tsy notantarainao ahy ny fihaonanareo sy Pr?"
- "Tsy hitako izay hampidirana anao ilay resaka," hoy i Malala nanala ny tasy tamin'ny tarehiny....izaho koa aza ohatry ny mbola tsy nino loatra hoe izy marina ve iny...
- "Tena mahavariana ny fisehoan-javatra!" hoy Ratrema...
- "Ka inona no atao?"
- "Hivoaka maraina aho hanomana ny passeport nareo telo mianaka. Mbola tokony handalo any amin'ny hotely misy an'i Pr koa aho fa mbola any daholo ny entany. Ny hariva aho vao handalo ao amin'ny consulat hanao ny demande de visa..."
- "Ary efa voapetrapetrakareo daholo ange izany ny fandehany e!" hoy i Malala nangaroharo ny café ny...dia aiza isika no mipetraka? fa voatery handeha daholo angaha isika?"
- "Malala a! ataoko ahoana no hitaiza an'izy dahy aty, nefa ianao any hiady mafy koa? aleo miaraka re dia milamina kokoa ny saiko e!"
- "Marina izany," hoy i Malala nierikerika...ary toa mirehitra ny jiro ao amin'ny salon? fa misy olona matory ange ao Ratrema e!
- "Tsy misy olona ao fa milamina ny canapé..."
- "Lasa nandeha indray izany ilay borikilahy iny!" hoy i Malala sosotra...
- "Aleo izy ho any fa tsy manampotoana hitadiavana azy intsony isika. Raha misy vol manaraka afak'ampitso dia lasa isika..."
Vetivety ny andro dia tapitra. Be ny raharaha niandry azy roa ka tsy nisy fotoana very mihitsy...
Ny afaka ampitso dia teny Ivato izy efa-mianaka. Navelan-dRatrema niditra mialoha izy telo mianaka fa izy mbola niandry teny ivelany.
Tampoka teo injao nisy olona namely totohondry azy avy tao aorianany...i Hery io...
- "Fa hoentin'ialahy aiza ny zanako?" hoy izy mbola saika hamely ihany kanefa voatanan'ny polisy teo. Efa mamomamo izy amin'io..."zanako ireny nefa entin'ialahy aiza?"
Tsy namaly i Ratrema fa niditra tany anatiny tany ihany izy...fiainana vaovao izao, hoy izy niherika kely nijery an'i Hery. Veloma ry poizina nandoto ny fiainako! namotika anjanako! veloma tanteraka!
Niainga ny fiaramanidina hitondra azy efa-mianaka. Nifamihina izy mivady..finaritra ery i Toky kely tao anatiny. Natory i Cynthia. Toa niaina tamimpahasambarana indray ry zareo...ady vaovao indray izao no atrehina...

Teny ambony fiaramanidina dia nandalo teo amin’ny toerana nisy an’i Alexia ny Filoham-pirenena, nanontany an’i Profesora Mahefa izy hoe : ity ve ilay zanak’i Ratrema nangatahiny mafy ny ho entina fa miady aman’aina?
- "Eny tompoko!
- "Pr Andriamahefa, manaja anao tompoko!"
- "efa fantatro tsara mihitsy ianao ka! inoako fa efa milamina tsara ny momba anao rehetra mikasika ny tamin’ireny raharaha 1985 ireny ! Manao ahoana anefa ity zaza ity izay, fa inona ny nanjo azy?"
Gaga i Mahefa fa tena olona tanana ankavanan’ny Filoham-pirenena izany ilay Ratrema, ary raha tsy olona lava tanana tsy takatry ny olon-tsotra tsy mahavita izao nataony izao! Antso an-telefaona fotsiny dia vita ny resaka! Ary izao vao nisy olona tao anatin’ny 10 taona nanontany azy ny momba ny raharaha 1985,ary sadaikatra izy fa tonga dia ny Filoham-pirenena mihitsy no nanontany azy.
- "niharan'ny lozam-pifamoivozana izy ity Andriamatoa Filoha ary tsy maintsy manao girefy ny voany izahay izao raha vao tonga any Paris."
- "Mampalahelo ahy ilay rainy," hoy indray ny Filoha sady lasa izy niverina naka ny toerana.

Rainy… rainy… fa iza moa no rainy, tsy izaho ve! tena rainy, io ny zaza navelako ho an’i Vololona, io no hany navelan’i Vololona ho ahy.
Teny amin’ny habakabaka dia tsy niala teny amin’i Alexia ny mason’i Mahefa, ahatsiarovany an’i Vololona ny endriny, niverina tao an-tsainy ny 20 taona lasa.
-Ity zaza ity izany no hany sisa navelan’i Vololona ho ahy. Hitako ihany ny fanantenana tsy namborako tamin’iza na iza. Naleoko nifofotra tamin’ny fianarana mba hanadinoako ny disadisa rehetra nitranga tamin’ireny fotoana ireny, nanantena mafy ny hahita an’i Vololona aho raha niverina tany Dago kanjo, tantara hafa tokoa no reko sy hitako tany….
Hay izany izaho narary mafy nafenin’ny fianakaviako ireny dia tsapan’i Vololona fa bevohoka izy ka tsy nanana isarangotana, dia Ratrema no nampakatra azy.
Fiainana izany, fiainana tena mampiseho ny maha-boribory ity tany ity.

Vao nigadona ny seranana ny fiaramanidin’ny Repoblikan’i Madagasikara dia efa vonona avokoa ny porizenitra rehetra handray amin’ny fomba ofisialy ny Filoham-pirenena izay nidina voalohany, noventesina ny hiram-pirenana. Tsy maintsy mbola miandry aloha ny olon-kafa rehetra, ary anisan’izany i Alexia sy ny Profesora Andriamahefa sy ireo zazakely roa mbola hatao fandidiana.
Vao afaka nifandray amin’ny finday tamin’ny hopitaly handray an’i Alexia i Mahefa dia nanafatra haingana ny helikoptera hanao ny famoahana vonjimaika fa tena ady aman’aina ity hoy izy.

Rehefa tafiditra tany anaty seranam-piaramanidina tany ny Filoha dia injay fa nipetraka ny helikoptera hitondra ny marary. Indreny ny mpitsabo mpanampy haka an’i Alexia mitondra ny fandriana misy kodiarana manatona ny fiaramanidina. Tsy ela dia nanainga ny rehetra hiazo ny hopitaly lehibe hitsaboana ity marary. Nisy fiara mpitondra marary koa tonga naka ireo ankizy roa fa tsy niaraka tamin’ilay fiaramanidina hitondra an’i Alexia akory, satria ho entina any amin’ny hopitaly hafa.

Natao ny fitiliana rehetra, scanner, fibroscopie, radiologie. I Mahefa moa amin’io efa mahafantatra tsara ny fitsaboana tokony hatao ary fantany ihany koa fa tsy maintsy hiafara amin’ny fandidiana ny raharaha. Tsy maintsy hisy ny fanoloana taova fa fakàna toky tsara no natao alohan’ny hirosoana amin’izany.
Nivoaka ny sokajin-dra hahamety ny girefy, ny raharaha tsy maintsy atao haingana, ady aman’aina, atahorana koa ny hiharatsy ny fahasalaman’i Alexia noho ny tsy fahatantesany ny dia ny famantaran’ora no isaina hanavotra ity marary.
Novakian’i Mahefa ny valin’ny fitiliana,
-sokajy mitovy amin’ny ahy ity, hoy izy anankampo,
Niredareda tao amin’i Mahefa ilay fitiavan-janaka. Nitempotempo mafy ny fony, tsy maintsy atolotro ity zanako ity ny taovako hamonjeko azy. Nirehitra mafy tao am-pony ny fitiavana an’i Vololona toa misoritra endrika amin’ny tavan’i Alexia.

Inona kosa no niseho tao aorinan'ny nitazonan'ny mpitandro ny filaminana an'i Hery saika mbola hamely totohondry an'i Ratrema tao amin'ny seranam-piaramanidina teny Ivato:

Nobedain’ireto zandary roalahy i Hery sady nobatainy tsy hihetsika intsony. Ny anao lahy efa mamomamo rahateo koa moa ka na dia niezaka nanilika ny tanana mibeda azy aza izy tsy nahaovoka. Nentin’ireo manam-pahefana nivoaka izy sady natsipiny tany ivelany. Horakoraka no re eran’ny efitra lehibe teo amin’ny seranana, tao ny nihomehy fa nahita zavatra tsy fahita raha tsy amin’ny sarimihetsika, tsy ilaozan’izay mahalala an-dRatrema ny iray amin’ireny.
Malala kosa tamin'io tsy nahateny fa niala lavitra ny seho nitranga sady niezaka tsy hampiseho amin’ity zanany ny zava-mitranga. Iny izy tsy tazana intsony rehefa avy nameno ny taratasy kely ahafahany miditra ny seranam-piaramanidina.

Nitsikasina teo ambony tara i Hery raha natsipin’ireo polisy roalahy teo amin’ny varavaram-be. Niharina moramora izy, tsy nahajery olona fa ny lohany miondrika amin’ny tany ihany sady niezaka namonjy toerana takotakona izy ahafahany mipetraka handinika ny zavatra hataony.
Teo ambony sisin-dalana izy no nahita hitombenana, toerana somary takotakonan’ny hazohazo mifefy, naka saina sady nitsapa ny paosiny kanjo mbola tao ilay tavoahangy nisy ilay ranomahery nosotroiny nahamamomamo azy teo.
Tsy nananany antra ilay tavoahangy fa tonga dia nigoka mandra-pahatapitry ny tao anatiny izy. Vita izay dia napetrany iny sady nanondrika indray ny lohany, fa very hevitra tanteraka!!!
Ny feon’ny fiaramanidina miraondraona hanaka-danitra no nanako mafy tao an-tsofiny, lasa ny olon-tiany rehetra, Alexia, Malala, Toky, Cynthia, tsy fantany intsony izay hosarangotina, nanampin-tsofina ny anao lahy hampihena ny tabataba ao anatiny.
Injay fa nanomboka reny ny herin’ny toaka miakatra any anatiny any, mandoro sy atiny manontolo! Mila tsy ho tantiny intsony! Mandondona aminy ny ngidin’ny fiainana, nefa toa entin’ity toaka indray ihany koa izy hananika fahasambarana sadasada.

Tampoka teo anefa, indro misy vehivavy iray nanolona azy, nanarina ny lohany sady nampitraka azy. Nanjavozavo ny fijerin’i Hery azy, toa fanina mila hikarapoka amin’ny tany izy. Novonjen'ilay vehivavy hotohanana haingana izy mba tsy hianjera.

- "Fa iza ianao?

Hevitra

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype