Tadiom-pitiavana

Pejy 80
2006/09/19,21:43
- " Allo, Malala ihany ity, Manao ahoana!" hoy i Malala. Fantany avy hatrany fa i Mahefa no tao ambadik'ilay antso. Nifampanontany vaovao teo aloha izy roa. Tsy naharitra anefa i Mahefa nony avy eo ka nanontany an'i Malala.
- " Ohatran'ny hoe misy zavatra maika tena niantsonao ahy izany ry Malala sa ahoana?"
- "Izany mihitsy! Misy zavatra manitikitika ny saiko ry Mahefa a. Ianao ve tsy nahatsikaritra zavatra tamin'ny fotoana nifampiresahanao tamin'i Dr Mihary?"
- " Zavatra ohatran'ny ahoana ? " hoy i Mahefa somary taitra.
- " Tsy izany mantsy fa nandeha tany amin'ny hopitaly namangy an'i Hery izahay mivady androany dia sendra tao koa i Dr Mihary. Lasa nandinika tsy nahy azy izany aho ary tena ohatra'ny misy itovitovizany be dia be amin'ilay sarin'ilay tovovavy noresahinao tamiko taty aminareo iny endriny"
- " Izany ve ry Malala? Dia tena hitombona tokoa ve ny ahiahiko. Izaho koa mantsy somary taitra ihany raha vao nahita ny anarany tamin'ny fotoana nikarakarana ny taratasiny hakaty Frantsa. Nieritreritra indray anefa aho hoe mety ho anarana mitovy fotsiny ilay izy. Ity ianao milaza azy ho mitovitovy endrika amin'i Ramisarivo ity indray no tena mahalasa saina ahy. Mety ho izy tokoa ve? Efa ela ela ihany tokoa moa izay fotoana tsy nifandraisanay izay ka tsy dia namoha ny fitadiako loatra ny feony tamin'izahay niresaka."
- " Tsy sahy nanotany azy aho" hoy i Malala "fa dia naleoko aloha miresaka aminao, hay moa izany dia tena tsy mandiso ahy mihitsy ny eritreritro. Ahoana izany raha izy tokoa io ry Mahefa?"
- " Dia ahoana amin'ny ahoana moa no tinao ho tenenina?" hoy i Mahefa mody tsy nahazo ny fanontanian'i Malala nefa naka fotoana kely hieritrerentana.
- " Ndeha ataontsika hoe ilay olona niarahanao tany Etazonia ihany i Dr Mihary,.."
Nangina kely aloha i Mahefa nandritra ny segondra vitsy. Toa tsy nampoiziny loatra ity mety ho tranga-javatra iray ity.
- " ... tsy mbola hitako izay tokony hatao ry Malala fa aleo aloha ry zareo ho tonga dia ho hitako eo raha izy marina ilay olona na tsia, sa ahoana ny hevitrao?"
- " An, an, an. Ianao ihany kah. Tsy manan-kevitra haroso anao aho fa mba te hanontany fotsiny. ... Manao ahoana ny zanako vavy ao!" hoy i Malala niezaka namily ny resaka rehefa avy eo.
- " Efa tena tsindrin-daona mihitsy ny anao vavy ato. Asa na hanao ahoana ny fotoana hifankahitan'izy roa indray?"
Nisaotra an'i Mahefa teo i Malala noho izao fanampiana lehibe ataony an'i Hery izao dia nofaranan'izy ireo ny antso.

Ny ampitso Alahady teny amin'i seranam-piaramanidina teny Ivato.
Indro i Hery natosika tamin'ny fandriana misy kodiarana namonjy ny efitra hiondranany.
- " Hatreto ihany izany ianareo mpanatitra no afaka miditra" hoy ilay tovolahy iray niandraikitra ny fisavana ny antontan-taratasy"
- " Eny ary!" hoy i Fano tamin'i Hery "fa dia mirary an'ialahy ho tody soamatsara any izahay sady ho tontosa ampahombiazana ihany koa ny fitsaboana, ary mba ho finaritra ihany koa ialahy mahita ny an'i Alexia"
- " Misaotra betsaka anareo roa tamin'ny fisahiranana rehetra " hoy i Hery. " Tsy ho adinoko izay vitanareo tamiko. Aza mbola atao mihitsy aloha ny raharahanareo roa raha tsy tonga aho an!" Tsy naharitra fa toran'i Hehy i Fano sy Tahiana ary i Mihary naheno ity zavatra nolazain'i Hery farany ity.
- " Aza matahotra ianao ry Hery fa miandry anao izahay an!" hoy i Tahiana mbola lokilokin'ny hehy sady nanao veloma azy roa hanainga tsy ho ela handao an'i Madagasikara.

Vao dify tsy hita maso tany ambadiky ny rindrina fitaratra tany i Hery sy Mihary dia indro i Fano sy Tahiana nivoaka ny seranana  hamonjy ny fiarany niantsona tao ivelany. Nojeren'i Tahiana ny famantaran'ora teny antanany.
- " Hay efa amin'ny iraikambinifolo sasany alina izao!" hoy izy ohatran'ny somary taitra sady nangalam-pijery tany amin'i Fano.
- " Inona moa no mahamaika izato malalako?" hoy i Fano tsy naka sarotra. " Eto anilanao anie aho eh"
- " Marina tokoa izany" hoy i Tahiana. "Ohatran'ny tsy mahazatra ahy fotsiny ilay mandeha amin'ny andro alina be toy izao fa tsy hoe misy mahamaika kah." sady niditra tao anaty fiara izy roa.
Mangina be iny lalana miala ny seranam-piaramanidin'Ivato iny. Tsy misy mpandeha intsony eny amin'ny arabe fa fiara mahalana dia mahalana no nifanena tamin'izy roa. Samy tsy nahitana teny firy na i Fano na i Tahiana. Nony injay hiditra an'i Talatamaty, dia tsy naharitra intsony i Fano fa tapakevitra ny hanapaka ny fahanginana tao anaty fiara.
- " Inona ary no mampangingina anao izany ry Tahiana? Ohatran'ny lasa fisainana be izany anie ianao eh, Malahelo an'i Hery sy Mihary ve?"
Nitsiky kely fotsiny aloha i Tahiana sady nitodika tany amin'i Fano izay  nangalam-pijery kely nijery azy fotsiny sady nifantoka tamin'ny lalana teo anoloany ihany.
- " inona no tinao ho eritreretiko" hoy i Tahiana somary ohatran'ny lokin'ny hehy kely.
- " ohatra hoe manonofinofy ianao hoe mandeha mijanona eo ampovoan'ilay tany malalaka be nototofana ery amin'ny  digue ery isika izao alina izao d..."
- " Ianao ity koa ry Fano tena tssss.... tsy izaho amin'izao taonako izao intsony no mahavita zavatra ohatran'izany" hoy i Tahiana sady mbola lokilokin'ny hehy somary menatra ihany izy.
- " F'angaha mbola tsy arakao moa ry Fano fa efa betsaka anie ny nilaza ho voatsilon'ny jiron'ny mpitandro ny filaminana teo eh. Tsy maintsy namoaka ampaosy daholo hono vao navelan-dry zareo nandeha"
- " Izany ve?" hoy i Fano somary gaga. " Fa ahoana no nandrenesanao zavatra ohatran'izany?"
- " an, an, an, rehefa mba te hanalanala azy iny aho taloha dia mandeha mitsidika ilay forum natokana hoan'ny zatovo sy ny olon-dehibe ao amin'ny wanadoo.mg, dia tao no nahitako an'izany resaka izany."
- " Ary ianao izany anie maharaka zavatra mihitsy ry Tahiana eh."
Nony afaka minitra vitsy.
Nihananakaiky ilay toerana nolazain'i Fano ny fiaran'izy roa.
- " Etsy izany no tinao hijanonantsika" hoy i Tahiana
- " Ahoana sahy ve ianao? " hoy i Fano.
- " An, an, an. Tsy sahy aho fa toa mangina be loatra izy izany sady sao dia hietraketrahan'ny olon-dratsy eo fa ndao any antranonao ihany kah!"
Tsy namaly i Fano fa ny masony fotsiny no natopiny kely tany amin'i Tahiana ho mariky ny fanekeny ny fangatahan'ity farany.
...
Ny nanidian'i Fano ny varavaran'ny tranony no ela fa avy hatrany dia noraisiny  teo amin'ny valahany i Tahiana sady nofihininy mafy. Nahankiny tamin'ny rindrina i Tahiana nony avy eo sady noezahiny notakarina nosafoina moramora avy any amin'ny lohaliny miakatra mamonjy ny feny. Somary taitra aloha ny anao vavy nefa toa tsy andriny ihany koa ny hahatsapany tanteraka ny tanan'i Fano any anatiny. Nakimpiny moramora ny masony sady naveziveziny tao andamosin'i Fano ny tanany anakiroa nitady irika ahafahany mampiditra ny tanany hanafosafo ny vatan'ity olon-tiany.
Raha mbola varimbariana teo i Tahiana dia tsy tratrany fa efa tafiditra tanteraka tao anatin'ilay silipo dantela manify nanaovany ny tanan'i Fano. Nisento tokana izy naheno azy. Toa tsy andriny ny hikasihan'ny tananan'ity lehilahy eo amin'ny molotry ny fivaviany. Injay fa henony nandalo teo amin'ny kitsom-pahafinaretany ny ratsan-tanan'i Fano. Poa toy izay dia nihenjana aok'izany ilay faritra matsokotsoko teo.  Nihontsana daholo ny vatany iray manontolo tsy nahazaka ilay onjam-pahafinaretana tsapany. Satriny hiverina handalo eo indray ilay rantsan-tanana toe ary tsy hiala eo mihitsy raha tsy tonga any amin'ny tampom-pahasambarana ny tenany. Henony miha ampoka ranoka ny fivaviany. Hotsaka tanteraka ny tenany.
- " Fano ah! ampidiro any ny tananao!" hoy izy tamin'ny feo miangoty dia miangoty. Mbola tsy tapitra akory anefa ny teniny dia indro fa efa mivezivezy manafosafo ireo molotra efa malama hotsaky ny rano madity ny ratsantanan'i Fano ankavanana. Lafatra no nahatsapan'ny Tahiana ny fiainany. Tsy niteny intsony izy fa ny tarehan'i Fano indray no novonjeny notazonina mafy tamin'ny tanany roa sady norohany araka izay azony nataony. Henony fa miha godro ny lohaliny. Fantany fa tsy hahatsangana ela intsony izy raha mitohy izao fanafinaretana tsapany izao. Nitambotsitra ny anao vavy saingy novonjen'i Fano nampiakarina hainganana sady nahankiny mafimafy kokoa tamin'ny rindrina.
- " Ndao moa hoany ambony fandriana?" hoy i Tahiana niangavy mafy fa toa nodian'ity olontiany tsy nohenoina.  Tampoka teo, nohaingain'i Fano tanteraka ny zipo lava teo anoloana teny amin'i Tahiana. Saika hiteny zavatra ny anao vavy fa avy hatrany dia notapenan'i Fano tamin'ny fanondrony ny molony tsy hisoka-bava.  Tsy nanohitra intsony izy fa namela izay tian'i Fano hanaovana azy. Noesorin'i Fano moramora ilay silipo dantela fotsy izay vao maika tena nampiredareda ny filana tao anatiny ny fahitana azy.  Nampidininy hatreo ampototry ny fen'i Tahiana fotsiny aloha dia indro izy efa eo ampandoalihina sahady mitohoka ilay dongona somary misy volo kely vao avy nolalaovin'ny tanany teo. Somary nikisinkisina kely i Tahiana hanalany tanteraka ilay silipo niantona teo amin'ny lohaliny ary dia nisabaka kely izy nony avy eo sady niankina tsara tamin'ny rindrina. Natompiny tany amin'ny valin-drihana ny masony sady nakimpiny moramora nony avy eo handraisany izay fahafinaretana omen'i Fano azy. Tsy aritry i Fano intsony fa dia tiany ho rakotry ny molony avokoa ny molotry ny fivavian'ity Tahiana ka dia nampiakariny teo ambonin'ny valahan'i Tahiana ny tanany anakiroa ahafahany misintona tsara ny vatan'ity farany hanakaiky azy be be kokoa. Lafatra ny fahatsapan'i Fano ny tenany. Injay fa henony toa misy tsiranoka kely mivoaka ny filahiany izay efa nibontsina hatramin'ny segondra voalohany nidirany ny varavaran'ny tranony.  Nahatsiaro saina kely ny anao lahy nony avy eo. Najanony tampoka ny zavatra nataony. Nitsangana izy dia noraisiny ny tanan'i Tahiana sady ohatran'ny notaritaritiny izany ny zanak'olona hoany anefitra fatoriana. Mbola saika ndeha hiondrika haka ilay silipony tavela teo amin'ny tany anefa i Tahiana saingy tsy afaka intsony noho ilay sintona romodromotry ny filana nataon'i Fano azy.
 Ny nidirana ny efitra fatoriana sy ny nampirehetany ny jiro zara fa nanazava ny ny tao anatiny no ela dia indro i Fano nanala tsimoramora ny lobaka teny amin'i Tahiana sady toa misefosefo be ihany. Tsy niteny i Tahiana. Nahitany fahafinaretana ny mandinika ity sakaizany mila azy fatratra. Nifanojo matetika ny mason'izy roa saingy tsy nisy niloa-bava. Ny lobaka sy ny zipo lava ihany no noesorin'i Fano fa ny tati-nono sy ny kiraro avo vodi-tongotra navelany  nanaovan'i Tahiana ihany. Saika ndeha hanala ireo i Tahiana no nosakanan'i Fano.
- " Aza mbola esorina aloha" hoy izy. Tsy nanda ny anao vavy fa niezaka namaha ny bokotry ny lobaka teny amin'ilay olontiany.
Mailaka dia mailaka no nanalan'i Fano ny ankanjo teny aminy rehefa avy ary dia indro fa nirangaranga toy ny basy antifi-kavana ilay filahiany izay nahatsiaro afa-patorana tao anaty silipo sy pataloha. Nidoboka kely ny fon'i Tahiana ary toa henony nisy tsela-baratra izany namakivaky ny tenany iray manontolo nahita ity filahiana miridiridy be teo anoloany. Nampanantonony akaikikaiky an'i Fano ny faritry ny foitrany dia somary nakasokasony kely teo amin'ny tampon'ny fivaviany ilay lohany nisy rano kely tanteram-pahazavana iny. Nojereny tsara ny akon'ny zavatra ataony teny amin'ny endrik'i Fano. Tsinjony fa naka tsirony ny anao lahy sady nanankipy moramora ny masony. Raha mbola varimbariana iny i Fano no nidina nitingitingina tampoka i Tahiana miaraka amin'izato kiraro avo vodi-tongotra eny aminy. Nobedainy moramora tamin'ny tanany ankavia ny ireo vaonin'ny filahian'i Fano ary dia natsofony moramora tao ambavany ny lohan'ilay filahiana sady narahiny tsetsitra tamin'ny molony rehefa avy eo. Nikiakam-pahafinaretana ny anao lahy.
- " Ahhhhhhhhhhhhh! Hoy ny fisenton'i Fano toa tsy nanampo izato fahasahian'ity olon-tiany nandrombaka ny fitarihana izay hataon'izy ireo. Navezivezin'i Tahiana teo ny molony sady navoakany koa ny lelany hanafosafo ny halavan'ilay filahiana toa nitombo hadiry tsy nisy ohatran'izany. Somary ningainy kely ilay izy nony avy eo dia io izy nanakatra ireo vaoniny roa tao ambany tamin'ny molony sy ny lelany. Ohatran'ny ho afaka izany ny fahatsapan'i Fano ny ainy. Nifandimbiasan'i Tahiana noteriterena tamin'ny molony roa ireo vaoniny roa ireo. Ny tanany ankavanana amin'io manafosafo hatran'ny ny lavan'ny filahian'i Fano izay nanomboka efa niha nalamalama ny tsiranoka nivoaka teo amin'ny lohany.
- " Miakara etsy ambony fandriana amin'izay" hoy i Tahiana nony avy eo sady nosintoniny tamin'ny filahiany i Fano hanantona ilay fandriana mirakotra lamba fotsy malefaka izay tsy lavitra teo. Tsy namaly mihitsy i Fano fa nanaiky tanteraka izay nampanaovina azy. Tsy araka ny niheritreretany azy ny zava-nitranga saingy tiany ihany koa ny mba mamela ity olon-tiany hanao izay tiany hatao aminy.
- " Mandoaliha" hoy izy tamin'i Fano " sady nasainy niamboho azy ity lehilahy.
- " Sokafy tsara ny fe!" hoy ihany i Tahiana vonona ny hanatateraka ny nofinofiny tao antsainy tao izay elabe izay tamin'ity olon-tiany. Nangorintsina tanteraka ny tenan'i Tahiana nanoloana ny zavatra hitany. Vao maika nampitombo ny fientanana tao anatiny ny fahatsapany fa nanaiky ny hanatanteraka izay ampanaoviny azy rehetra i Fano. Nandroso moramora teo antongom-pandriana izy dia noraisiny moramora ny filahian'i Fano izay mijaridina tsara manaraka ny halavan'ny kibony. Niverenany notohofany tamin'ny molony indray irey vaoniny anakiroa nikiraviravy taty aoriana. Somary niontana kely i Fano fa tsy nahoany. Vao maika aza nobedainy mafimafy kokoa ilay zavatra teo antanany. Nampiakariny moramora teo amin'ilay vaky manasaraka ny ravi-maojan'i Fano ny lelany. Henon'i Fano somary nangitikitika ka nitroatra kely ny tenany.  Tsy tratra anefa fa efa indro mamihina ny valahan'i Fano ny tanan'i Tahiana ankavanana. Nampandaloviny teo amin'ilay lavaka tsy lavitra teo amin'izay ny molony. Nisento sady nanomboka nisefosefo be ny anao lahy. Navezivezin'i Tahiana teo ihany aloha ny molony. Nony tsapany fa nihazatra ilay tsirom-pahafinaretana tsapany i Fano dia natohany moramora teo amin'ilay lavaka tamin'izany ny ratsan-tanany iray. Injay fa henon'i Tahiana fa nihetsika moramora ny maojan'ity malalany. Noezahany nampidirina moramora tany ny tanany. Natsofony kely dia avoakany.  Afaka segondra vitsy taty aoriana, nasain'i Tahiana nivadika amin'izay i Fano. Toa ireny olona mamon'ny toaka mena maso sady manganohano ireny no nahitan'i Tahiana ny endriny.  "Hitako tsara izany ny anaovana anao amin'ny manaraka" hoy i Tahiana tany antsainy tany. Raha mbola miandradra fatratra izay tian'i Tahiana atao teo i Fano no indro ny anao vavy namonjy nikisaka tamin'ny lohaliny sady nisabaka teo ambony sady nandray tamin'ny tanany ny filahian'i Fano ary nampiditra azy tao amin'n'y zohim-pahafinaretany.  Niara nihiakam-pahasambarana izy roa raha vao samy nahatsapa ny tenany nifampikasoka tanteraka tany anatiny tany. Nanomboka nikimpy moramora amin'izay i Tahiana sady nanetsiketsika ny valahany hamiliany ny filahian'i Fano any amin'ny toerana izay tena hahenoiny ny fafiny indrindra. Somary niharina kely haingana i Fano hanongotra ilay tatinono mbola tavela teny antratran'i Tahiana saingy tsy afaka. Sady nanovokovoka ihany i Tahiana no niezaka namaha tamin'ny tanany avy any aoriana ilay tatinono hanome fahafinaretana ity malalany. Toa nitselaram-baratra indray tany andohan'i Fano tany vao nahita ireo nono be anakiroa mirongaronga sady miraviravy teo antratran'i Tahiana. Novonjeny nosamborina haingana tamin'ny tanany anakiroa mba tsy hiontsankotsana hanaraka ny onjan'ny fihetsehan'i valahan'i Tahiana izay nihamafy hatrany. Noesorin'i Tahiana anefa ny tanany dia nahankiny tamin'ny fandriana hivelatra amin'ny andaniny roa toa ireny namatsihana ny olona fahizay tamin'ny hazo fijaliana ireny. Tsy nahahetsika intsony ny anao lahy fa sady voabeda tamin'ny tanany anakiroa no voatsindry tsara teo ampovoany teo amin'ny filahiany. Hany heriny dia nanaiky izay tian'i Tahiana itondrana azy teo. Naka toerana tsara i Tahiana sady tena niezaka nampiditra ny filahian'i Fano tany anatiny araka izay azony natao.  Notohizany indray ilay fitakisinkisinana teo sady somary nahodin-kodiny kely ohatran''ireny manaroharo dite ao anaty kaopy ireny ny valahany. Vaovao amin'i Fano ity Tahiana manaram-po amin'ny vatany ity saingy ohatran'ny mitondra fahafinaretana be tsy misy ohatran'izany ho azy ihany koa.  Raha mbola varimbariana mianoka ny fahasambaran'ny nofony teo i Fano no injay henony fa nihananindry mafy dia mafy ny fivaviany teo aminy i Tahiana sady nanodin-kodina fatratra toa ireny olona tsy tompon'ny tenany ireny intsony.  Fantany avy hatrany fa efa manakaiky ilay varavarana mitondra any  amin'ny faratampom-pahasambarana i Tahiana. Tsy ela taorian'izay:
- " Fano aaaaaaaaa! Alefaso miaraka fa tiako be annnnnnn!" Ohatran'ireny olona hetsehin'ny tromba ireny no fahitan'i Fano an' i Tahiana. Tsy tantiny ny nijery ny tarehiny fa tena heniky ny fahasambarana tanteraka ny tenan'ity vehivavy. Niova ho nalefaka sady toa miramirana izany ny fahitan'i Fano an' Tahiana. Nahatsiaro sambatra koa izy ary injay fa henony mibosesika te hivoaka avy any anatiny avy any ny tsirinainy. Tsy niezaka nitana intsony i Fano fa dia navelany hanaram-po ny vatany. Tretrika loatra ny fahatsapany ny tenany iray manontolo. Henon'i Tahiana tsara ny fantsitsitra voalohany tany anatiny tany ka vao maika namovokovoka izy hanome fahafinaretana araka izay azony atao ity malalany.
Afaka fotoana fohy. Samy nanokatra ny masony izy roa. Nifampitsiky kely aloha vao nanantona ny molotr'i Fano moramora ny molotr'i Tahiana.
- " Tiako be ianao  ry Fano" hoy izy. " Ianao tena mahay manao be mihitsy an"
Tsy namaly aloha i Fano fa tsiky fotsiny koa no navaliny an'izay fiderana kely azy izay.
- " Ary ianao kah!" hoy izy nony avy eo." Taiza no niaranaranao an'ireny teo ireny?"
- " Tinao sa tsy tinao aloha e?" hoy i Tahiana somary miangoty teo antratran'i Fano.
- " Tiako be mihitsy fa tsy nampoiziko. Menatra kely aloha aho tamin'ny voalohany ... fa nilamina ihany aho nony avy eo." Sady somary toran'ny hehy kely izy.
- " Hitako hoe tinao koa ilay izy" hoy i Tahiana. Resakay samy vehivavy mifanakalo traikefa no nahaizako azy. Efa ela mihitsy no tiako handramana taminao fa androany aho vao sahy, Hnnn,hnnn" .

Niresaka kely vetivety teo izy roa sady nifoha nandeha nidio maimaika. Sendra nitopy tany amin'ilay famataran'ora elektronika nihantona tamin'ny rindrina i Tahiana raha izy hiverina ho eo ambony fandriana iny:
- " Oay! Efa amin'ny roa maraina sahady fa ndao hatory amin'izay." Sady nitsofoka tao anatin'ilay lamba fotsy nandrakotra ny fandriana izy no namonjy niondana kely teo antratran'i Fano.

 

Mbola hitohy.

Tadio ([email protected])

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype