- Tsy "epidural hematoma" ve izy izany Dokotera" hoy i Mihary nony avy eo somary nibitsibitsika. "Mafy loatra mihitsy izany dona nahazo ny lohany izany ka nahatonga ity lalandra ity ho tapaka an." Sady notondroin'i Mihary ilay lalandra madinika miseho teo amin'ny sary. " Soa ihany aloha fa ato anelanelan'ity taolana ity sy ny rakotry ny atidoha no nivainganan'ny ra fa raha tsy izany an..." sady ohatran'ny nihivingivin-doha ilay dokotera nampiseho ny tahony sy ny ahiahiny ny amin'izay mety hiseho. - " Aleo averina any amin'ny efitra misy azy aloha izany i Hery " hoy ilay dokotera tompon'andraikitra voalohany nony avy eo tamin'i Mihary " ...dia ho dinihintsika haingana izay tokony hatao fa tsy azo ampiandrasina ela izy ity." ... Tao amin'ny biraon'i Mihary izay tsy dia lavitra ilay toerana fitarafana. - "Mety afaka miantoka ny fandefasana azy hoatsy La Réunion ve anefa io tovolahy namanao io ry Mihary?" - "Izy aloha toa tsara asa fidiram-bola ihany raha ny fahalalako azy fa izay tahiriny any indray no tsy fantatro?" - "Aleo aloha ary izany resahintsika izy izao dia ho hitantsika eo izay hatao rehefa avy eo" sady nitsangana teo amin'ny seza nisy azy ilay dokotera ary dia nitsangana nivoaka nanaraka azy koa i Mihary. Tsy nahitana teny firy i Mihary teny andalana. Lasa lavitra ny sainy ny amin'izao zavatra mahazo an'i Hery izao. Mihasarotra izy izany hoy izy tany antsainy tany. Dia noho izaho ve no nahatonga an'izao rehetra izao? Tsy maintsy manampy an'i Hery aho raha mbola azoko atao ihany koa hoy izy tapakevitra tanteraka. Afaka minitra vitsy dia tonga tao amin'ny efitra nisy an'i Hery izy ireo. Efa i Fano indray moa no nisolo toerana ny fiandrasana ny marary tamin'io fotoana io. Vao niditra ny efitrano i Mihary sy ilay dokotera namany dia indro fa niara nitopy tany ny mason'izy roalahy mianaka. Toa tsy mahandry izay valin'ny fizahana natao fotoana vitsy teo aloha. Hita taratra teny amin'ny endriny fa toa nisy hafaliana niserana tao amin'i Hery rehefa nifanojo tamin'ny mason'i Mihary ny masony. Miha miverina tsikelikely tokoa ny fitadidiany - "Efa azoazo?" hoy i Mihary tamin'ny endrika mirana tamin'ity tovolahy nambabo tanteraka ny fony. - "Efa tsy dia maninona kah!" hoy i Hery toa miezaka mampatanja-tsaina manoloana ny toe-java misy andalovany. - " Nanao ahoana ny fahitanareo azy tao Dokotera" hoy ihany i Hery nony avy eo nanohy sady liana fatratra ny amin'izay vokatry ny fizahana natao azy. - " Tsy dia misy atahorana aloha ny ain'ise" hoy ilay dokotera nanomboka ny teniny toa miezaka mafy hampilamina ny sain'i Hery " saingy misy fandidina tsy maintsy atao hanesorana ilay ra mivaingana tavela eo anelanelan'ny taolana sy ilay fonosana mandrakotra ny atidohan'ise. Azo atao tsara io fandidiana io ary betsaka ny antoka ny amin'ny hahombiazany. Gina tanteraka ny anao lahy teo ampandrenesana ity vaovao netin'ilay dokotera. - "Tsy manana safidy hafa afatsy izay fandidiana izay ve moa izany aho?" hoy izy nony avy eo. - " Satriko tokoa r'ise ny hilaza zavatra hafa amin'ise fa tsy maintsy fandidiana ihany no ahafahana manala io vongan-dra mandry ao amin'ny lohan'ise io" Nivadibadika ny sain'i Hery manoloana ity fanapahan-kevitry ny mpitsabo azy ity. Nanomboka nanenika azy ny tahotra. "Tsy manan-tsafidy anefa aho raha izany " hoy izy aneritreritra fa dia izay fitondran'Andriamanitra eo izany sisa." - " Eny ary Dokotera fa tsy maintsy mivonona aho fa mbola mamy izany te ho sitrana izany moa" sady nanompy maso kely tany amin'i Mihary izy. Tsinjony fa toa onena azy fatratra ny mason'ity farany. - "Ka eo indrindra no tena ilainay resaka amin'ise. Tsy mbola azo tanterahina eto amintsika mantsy ity karazana fandidiana iray ity. Atsy amin'ny nosy La Réunion izao no akaiky indrindra na koa hoe any Frantsa." Niontana indray ny fon'i Hery vao naheno fa tsy ho vita eto Madagasikara ny fandidiana azy. Ketraka tampoka ny saina aman'eritreriny. - " Izany ve Dokotera tsy ho vola be? Ny saram-pitanterana handefasana ahy any aloha ho voalohako ihany" sady tsaroany tampoka ilay fikasany ny handeha hoany Frantsa hamonjy an'i Alexia sy ny fikarakarana pasipaoro nataon'izy sy Tahiana. " ... fa ny saram-pitsaboan'ny hopitaly no tena ho raharaha. Izaho mantsy tsy mba manana ireny fiantohana ny lany amin'ny fitsaboana toy ny an'ny olona any ivelany ireny!" Nakimpin'i Hery indray aloha ny masony toa mitady fitoniany izy handihany akaiky izay tokony hataony. - " Mbola hamonjy marary hafa aho" ilay dokotera nony avy eo fa aleo rahariva aho miverina eo indray izany ny amin'izay fanapahan-kevitra ho raisintsika sa ahoana? - " Eny ary! " hoy i Mihary sady naroson'i Mihary akaikikaiky kokoa an'i Hery teo ampandriana ny seza nipetrahany. - " Ahoana letsy ny atao an'ialahy ity?" hoy i Fano avy nanatona an'i Mihary ihany koa. - " Tsy manan-tsafidy aho raha ny fahitako azy ry zareo fa na izany izaho mety ho faty na hanantakaitra ka tsy aleo ve miroso amin'izany fandidiana izany!" - " Marina mihitsy ny anao " hoy i Mihary nankahery ity namany toa valaky ny aditsaina tampoka teo mieritreritra ny zavatra tsy maintsy ho diaviny. " Azo tanterahina tsara io fandidiana io kah". Inona ary hoy i Mihary eo ampitoerana eo no azoko anampiana an'ity Hery ity. Nanavotra ahy teo ambavahoana ny fahafatesana izy ka tsy maintsy ampiko, sady izay indray mbola izaho ihany koa no fototr'izao mahazo azy izao" hoy ihany izy nanohy niresaka an'eritreritra sady nahatsiaro ilay zava niseho taminy tany Mahajanga sy ilay fotoana vitsy nialohan'ny nitrangan'ny loza. - " Aleo aloha aho hiantso an'i Nenitoa Tahiana vetivety izany hilaza aminy an'ity vaovao ity dia ho hitantsika eo izay eritreririny, sa ve i Fano no hiantso azy?" - "An, an, an , aleo ianao ihany no miresaka aminy" hoy ity farany " fa ianao anie no tena afaka manazava amin'ny antsipirihany ny antony tena tsy maintsy handefasana azy any ivelany e." Somary sorena kely aloha i Mihary naheno ny valin-tenin'ity dadafaran'i Hery saingy tsy dia nahoany loatra ka avy hatrany izy dia namoaka ny finday tao anaty paoketrany sady lasa nivoaka kely tany andalan-tsara ary dia nanindry ny laharan'i Tahiana: - " Allo? ... Allo? Tantine Tahiana?" - " Allo! , iee, izaho ihany ity aky fa ahoana? Nanao ahoana ny tany amin'ny fitarafana anikeo?" - " Ka izay indrindra no iantsoako anao fa angaha tsy loza fa nisy vonga-dra tavela ao amin'ny lohan'i Hery ka mila didina haingana izy." Hoy i Mihary somary mibitsibitsika. - " Andriamanitro o! Izany ve aky? " - " Tena tsy nampino ahy ilay izy eh! ...Tsy vita eto amintsika anefa ny fandidiana azy fa mila entina atsy La Réunion na any koa hoe any Frantsa izy!" - " Izany a? henjakenjana ny vola ho lany amin'izany sa ahoana ny fahitan-dry azy?" - " izy aloha dia tsy vitan'ny tsy manam-bola ka izay indrindra no niatsoako anao handinihina tsara izay tokony hatao. I Fano moa nanatrika teo tamin'ny fotoana niresahan'ny dokotera tamin'i Hery saingy tsy nilaza izay tena heviny loatra izy ka tsy haiko be ihany izay tena any antsainy any." - " Ahoana ny hevitry i Hery?" hoy ihany i Tahiana nanadihady. - " An, an, an, izy moa ve nanda fa ny zavatra noteneniny dia ny hoe mety tsy ho voalohany ny saram-pitsaboana fa ny saran-dalana ihany no ananany. - " Ahoana re izany e? ... Aleo aloha ary aho hiantso an'i Malala hampita aminy an'ity vaovao ity sao dia mba mba afaka manampy ry zareo dia antsoiko indry rehefa avy eo. Nony afaka kelikely...Naneno ny finday tany anaty poketran'i Mihary. - " Allo, Dr Mihary ihany ity mihainao anao?" - " Malala naman'i Tahiana ihany aky ity a!, Manao ahoana, ... ahoana aky izany vaovao nolazain'i Tahiana ahy teo izany?" - " Tsy atahorana ve?" hoy ny feo toa mangovitra henon'i Mihary. - " Raha tafala haingana aloha ilay vongan-dra dia tsy misy ahiana loatra ny aminy fa ny olana dia ny fiantohana ny fitsaboana sy ny toerana hitondrana azy. ... tsy efa notenenin'i Tahiana taminao moa hoe ..." - " Iee! Efa noteneniny kah!" hoy i Malala tsy namela an'i Mihary hanohy. " I Ratrema aky nilaza hoe aleo mba anontaniana ihany aloha ny hevitry Mahefa sy Alexia alohan'ny tena andraisana fanapahan-kevitra hentitra ka asa na miombom-kevitra aminay indry?" Somary narary kely ny fon'i Mihary naheno indray ny anaran'i Alexia voantonona. Vetivety ihany anefa dia nisinda izany satria tsapany fa misy zavatra hafa manandanja kokoa noho ny hasarotam-piarony dia ny famonjena ity tovolahy toa mampijaly ny fony. - " Hevitra mety ihany koa aloha izay!" hoy i Mihary. " antsoy haingana aho izany raha vao henonao ny hevitry ry zareo an." - " Eny, eh! " hoy i Malala. " Izao dia izao ihany aho dia hiantso". - " Rehefa avy eo izany Mme Malala a!" - " Eny ary aky ry Mihary fa apetrako vetivety aloha izany ianao" sady notapahin'i Malala ny antso.
Any Paris, Frantsa ... Eo ampandinihina ny taratasy mirakitra ny marary iray izay iandraiketany tao amin'ny biraony i Mahefa no injany fa naneno ny finday teny aminy. Nojereny ny tarehimarika niseho. " Avy any Madagasikara izy izany" hoy izy aneritreritra sady notsindriany ilay bokotra afahahana mandray ny antso: - " Allo! Profesora Mahefa ihany ity?... Malala?" - " Izaho ihany ity" hoy i Malala niezaka ny ho tony. - " Inona ny vaovao" hoy i Mahefa "tsy nananosarotra ny fizàrana ny fiainana any amintsika indray? " - "Somary sahirana kely fotsiny kah. Fa izao hoy aho no tena niantsoako anao. Ao akaikinao ao angaha i Alexia?" - " An, an, an. Aty ampiasana aho io. Lasa nandeha niaraka amin'i Tojo naka torohevitra ny amin'ny fomba fidirana hianatra amin'ny anjerimanontolo malaza iray eto Paris izy?" - " Hay!" hoy i Malala toa niserana tampoka tao antsainy ny endriky Tojo sy ny fiarahan'izy roa. " F'angaha tsy loza fa nolazain'ilay dokotera vavy mikarakara an'i Hery tamiko teo fa mila didina haingana hono i Hery hanalana an'izany vongan-dra mandry ao amin'ny lohany izany." - " Hnnn! Hnnn!" hoy i Mahefa toa tsy nahita havaly. " Rahoviana izy izany no ho didina?" - " Eo indrindra no tena olana sady ilana hevitra aminao fa tsy vita eto Dago hono ilay izy fa tsy maintsy entina atsy La Réunion na aty aminareo aty Frantsa" - " Misy olom-pantatrareo na i Hery angaha ao La Réunion?" hoy i Mahefa - " Izahay mivady aloha tsy mahalala na iza na iza any e, ianao angaha mahafantatra?" - " Misy dokotera mpiara mianatra tamiko izay no lasa miasa any amin'ny hopitaly iray ao Saint-Pierre any sady Neurochirurgie mihitsy no niarany taty. Aleo fa hantsoiko izy sao mba afaka manampy anareo." Vao tapitra anefa ny tenin'i Mahefa teo dia tsaroany tampoka ilay resak'izy sy Alexia ny amin'ny hoe hanafarana an'i Hery hoany Frantsa. - " Malala, mbola ao ve ianao? Ohatran'ny tsy henoko intsony mantsy ?" - " Mbola ato tsara mihitsy aho fa mieritreritra an'izany soson-kevitra arosonao izany aho eh. Ilay fomba handoavan'i Hery ny saram-pitsaboana any ivelany no tena maha vaka ny saiko?" - "Izao e, ary ity angamba no mety kokoa. Aleo alefa mankaty aminay izy dia izaho no hisahana ny fitsaboana azy rehetra. Raha mba afaka miantoka ny saran-dalany fotsiny ianareo na izy dia tena tsara." " Izany ve ry Mahefa?" sady toa nihiratra tampoka ilay tarehin'i Malala somary niketrona rakotry ny adintsaina teo. " Tena azonao antoka ve izany fanapahan-kevitrao izany?" - " Olon-dehibe anie aho ry Malala no miresaka aminao e. Efa voasainako tsara izany zavatra lazaiko anao izany fa izao, Ampifandraiso amin'izany dokotera mitsabo an'i Hery izany aho handaminanay ny antsipirihany rehetra" - "Eny ary, izay dokotera vavy toa hoe mpiara mianatra tamin'i Hery taloha izay no tsara ampifandraisana aminao fa izy mantsy no tena mikarakara be an'i Hery ao izao miaraka amin'i Tahiana namako. Eny e, ilay dadatoa sa dadafaran'i Hery koa aloha toa hitako tao. Mihary no anaran'ilay dokotera. Ity ny laharan'ny fidainy fa tonga dia antsoy izao dia izao ihany izy raha afaka ianao." Sady notononin'i Malala ny laharan'ny fidain'i Mihary. - " Aleo fa antsoiko izy izany. Raha tsy tafa antso aho izany androany dia io dokotera Mihary io no anontanianareo ny fandehany sa ahoana?" Nifanao veloma teo izy roa dia niantso avy hatrany an'i Mihary i Mahefa. - " Allo! Dr Mihary?" - " Allo, Dr Mihary indrindra ity tompoko, fa avy aiza izao azafady?" - " Avy aty Frantsa aho io miantso anao io. Profesora Mahefa, fianankaviana akaiky an'i Mme Malala sy ingahy Ratrema aho?" - " Faly mahalala tompoko! Inona no azoko anampianana anao izay raha tsy mahadiso?" - " Ny mikasika an'i Hery no niantsoako anao dokotera. Mieritreritra aho hoe maninona moa raha aty amin'ny hopitaly iasako aty Frantsa no andefasanareo azy? Sa ahoana ny eritreritrao?" Nidobodoboka ny fon'i Mihary naheno ny soson-kevitra naroson'i Mahefa. - " Ka hisy ohatran'izany aiza indray moa tompoko?" Dia nanazava ny zava-nisy sy ny fitsaboana mila atao amin'i Hery teo i Mihary. - " Karakarao ny antontan-taratasy rehetra momba azy ary." Hoy i Mahefa rehefa avy eo. Nisy hevitra tampoka nitsiry anefa tao antsain'i Mihary teo ampihainoana an'i Mahefa tao anaty telefona. - " Mila olona manaraka azy i Hery sao misy fahasarotana tampoka eny andalana ka raha tsy dia manahirana anao mba azonao andefasana taratasy fampiantranoana koa ve aho hanaterako azy any?" Somary hafahafa tamin'i Mahefa aloha ny naheno ity fiangaviana nataon'i Mihary ity. Taiza hoy izy aneritreritra no nisy dokotera nanolon-tena hanatitra ny marariny avy any Madagasikara ho aty Frantsa ohatran'izany fotsiny eo? - " Dia ahoana ny asanao sy ny saran-dalana?" hoy i Mahefa toa tsy dia nahatoky loatra. - " An, an, an. Izaho ihany no mikarakara an'izay fa aza manahy ny amin'ireo ianao...mpinamana mpiara mianatra mantsy izaho sy Hery tany amin'ny kilasy famaranana. Mahatsiaro ho manana adidy aminy aho raha ny tena marina ary ny fotoana toa izao indrindra no tena tokony hitondrako fanampiana ho azy." - " Hay! Izay vao mazava amiko fa somary gaga kely ihany mantsy aho tamin'ilay fiangavinao teo." hoy i Mahefa nanomboka nahazo ny antony nanosika ity mpitsabo hahafoy vola aman-karena sy ny asany hanampy an' i Hery. - "... tsy misy olana izany Dr Mihary fa mahazo miomana ny handeha koa izany ianao e. Karakarao haingana ny fividianana tapakila fa izaho hikarakara ny fandraisana anareo aty. Ity ny laharako fa ny anao moa efa nomen'i Malala ahy teo." "Asa na hanao ahoana izao ny hafalian'i Alexia raha maheno izy hoe hoavy i Hery? ... eny e, hitsabo tena moa no alehany aty fa inoako anefa fa hisy azy ny hafaliana hahita an'ilay olontiany indray." Hoy i Mahefa tany ampony tany nony avy namarana ny resaka nifanaovana tamin'i Mihary.