Tadiom-pitiavana

Pejy 70
2006/07/31,12:52

   Nony afaka kelikely dia indro i Mahefa sy Alexia mianaka niakatra ny tohatra niditry ny trano.
- " Misaotra betsaka ry Dada nitondra ahy tany amin'ny hopitaly androany sady nitondra any tany ampiasanao. Nahafinaritra iny fiarahantsika mianaka androany iny an." Nitsiky kely aloha i Mahefa sady nitodika tany amin-janany vao namaly. Ohatran'ny tsy mampino azy ny mieritreritra ny fiovam-piainany tampoka tao. Mananjanaka vavy lehibe sady tsara tarehy no feno fahendrena moa ity izaho hoy ihany izy aneritreritra. Dia tena tsy misy ivohasana amin'ny Vololona reniny mihitsy ity izy.
- " Tsy misy fisaorana anaka fa dia finaritra toa anao koa aho." Sady nanindry ny bokotra fanairana teo ambaravarana izy hamohan'i Malala ny trano avy any anatiny.
 Poa toa izay dia io i Malala mitsikitsiky namoha azy mianaka.
- " Vetivety kosa dia tonga ianareo, tsy nisy tohana be ve teny andalana nody?"
- " An, an, tsy dia naninona kah" hoy i Mahefa " ...dieny mbola tsaroako aloha... mila miantso an'i Ratrema isika rehefa avy eo fa niantso ahy mantsy izy teo fa te hanontany mikasika ny dianareo telo mianaka rahampitso maraina hono... Ianao moa no tena tadiaviny." Sady nanala ny palitao nisalorany ihany i Mahefa moa i Alexia nandeha nametraka ny poketrany sy ny sakafo novidian'izy mianaka teo ambony latabatra.
- " Ahoana vita daholo ve ny nataonareo niaraka tamin'i Tojo anikeo?" hoy i Mahefa nitopy maso tany amin'i Malala nony avy eo. Ohatran'ny mahana kely izany ny anao vavy naheno ny anaran'i Tojo nitselatra tampoka tao antsofiny.
- " iiiieh! Vita daholo kah. Tsy nisy olana mihitsy. Efa voaomako aza ny valizinay telo mianaka koa."
- " Tsara izany! Ary maika ny handeha hody mihitsy anie i Malala izany eh!" hoy i Mahefa toa nanatsafa. Ohatran'ny nangarika kely izay i Malala no sady namaly hoe:
- " Efa vita kosa izay tokony hataoko taty sady efa todiko aty amin'ny rainy ny zanany tsinona ka tsy aleo amin'izay ve aho mody e." Nangalam-pijery tany amin'i Alexia mbola nihodin-kodina namoaka ny sakafo avy ao anaty harona sachet nitondrany azy aloha i Mahefa vao namaly. I Alexia moa amin'io toa nisary tsy naheno ny resaka nifanakalozan'izy roa nefa nitsiky ihany namaly ny tompi-maso nataon-drainy azy.
- " Misaotra betsaka Malala tamin'izay vitanao, ianareo mivady mantsy eh tamiko sy Alexia. Fahagagana ho ahy izao zavatra iainako izao ary fantatro fa tsy hahaonitra velively ny zava-bitanareo tamin'ny fanabeazana an'i Alexia mihitsy aho. Zanaka iaraha manana ny antsika io e...fa aza manahy ianareo fa ataoko izay hahatafita azy amin'ny fiainana. Mba adidiko indray izao... oay! Aza adino tokoa fa tena mila miantso an'i Ratrema isika izao fa efa sasa-miandry izy izay." Sady namonjy ny telefona nihantona teo amin'ny rindrina i Mahefa.
- " Allo! Ngahy Ratrema?"
- " Allo! Izy indrindra ity e! Profesora Mahefa?"
- " Izaho ihany ity Ratrema fa efa aty antrano izahay mianaka izao sady efa io koa i Malala fa aleo aloha ianao homeko azy. " sady nomeny an'i Malala efa nihazakazaka nanatona akaiky teo ilay telefona.
- " Allo, .... chéri, Ela be akia nareo izany tsy heno mihitsy 'zahay anefa ato tena efa tena tsy andrinay mihitsy ny hodiana fa manina be anao." Sady ohatran'ny niagotingoty izay ny feon'i Malala. Vao naheno an'izay fehezan-teny voalohany izay moa i Mahefa dia naleony aloha niala tanteraka an'ilay efitrano. I Alexia moa tsy niala teo fa dia nanohy nanomana ny latabatra hisakafoanan'izy ireo.
- " Rahampitso izahay no miainga" hoy i Malala "fa tongava eny Ivato ianao mitsena anay telo mianaka ... andraso kely aloha aza miala fa haka ny billet- ko vetivety fotsiny aho hanomezako anao ny ora ahatongavanay any."  Poa toy izay i Malala dia efa tafaverina sady nanome an'i Ratrema ny ora ahatongavany any Madagasikara.
- " Tsy andriko mihitsy ny ahatongavanareo telo mianaka fa tena mila anareo mihitsy aho. Manina mafy an'i Toky sy Cynthia koa aho. Tsy efa fetsifetsy ratsy ery izay le nedala lahy iny. Manao ahoana i Cynthia ao?"
- " Efa matory ry zareo fa reraky ny fivezivezena nandeha naka ny billet sy niantsena anikeo angamba. Salama tsara ry zareo."
- " Tsara izany" hoy i Ratrema. " Fa izao hoy aho." Sady niahotra kely Ratrema aloha. Ahoana marina no tena nahatonga an'i Alexia niangavy ahy hitady an'i Hery e? Efa noresahiny anao ve? "
- " An, an " hoy i Malala somary niova feo tampoka. " Fa ahoana?"
- " Niresaka mantsy izahay mianaka teo  tamin-dry zareo mbola teny andalana hody io dia niangavy ahy izy mba hitady an'i Hery ". Niontana ny fon'i Malala naheno ny anaran'i Hery toa niverimberina tao anatin'ny zava-boalazan'i Ratrema. " Hery" hoy izy aneritreritra. " Aiza ianao? "
- "Dia ahoana ny navalinao azy" hoy i Malala mody tsy rototra nony avy eo sady liana mafy ny amin'izay ho valintenin'i Ratrema manaraka. I Alexia moa amin'io fotoana io tsy maheno izay voalazan'i Ratrema fa izay lazain'i Malala ihany no henony.
- "  Nanaiky tsy fidiny aho ry Malala fa tsy te handratra ny fonjanako izay mbola marefo dia marefo iny aho. "
- " Eny eh, karakarao izany ny amin'izay dia ho hitantsika eo indray izay atao rehefa tonga any aho."
- " Izay aloha fa omeo kely an'i Profesora aho aloha hisaorako azy" sady narahiny hoe " ...tongava haingana ianao malala fa tena mila anao mihitsy ny tenako iray manontolo ah."  Nitsiky kely fotsiny i Malala naheno ny tenin'ny Ratrema farany teo:
- " Kely sisa akia chéri a!" sady niantso an'i Alexia izy mba hiantso an'i Mahefa fa te hiresaka aminy hono hoe i Ratrema. Lasa nandeha nivadika tao anefitra ilany i Alexia dia niverina avy eo niteny tamin'i Malala fa efa miresaka ao ry zareo. Napetraky Malala amin'izay ny telefona teny antanany dia namonjy nakeo amin'i latabatra efa nomanin'i Alexia hisakafoanana izy.
- " Nanao ahoana aky ny fandehan'ny fizahana nataon-dry tany androany?" hoy i Malala nanontany ampitsikiana toa miezaka manala soritra eny amin'ny tarehany ny havizanana taorian'ilay fanaranampon'ny filany niarahany tamin'i Tojo ora vitsivitsy talohan'io.
- " An, an. Tsy misy blema kah. Mandeha tsara daholo ny zavatra rehetra. Efa mihatsara mihitsy hono aho ary ho afaka ny hiditra hianatra amin'izay atsy ho atsy. Mila mandalo any indray fotsiny aho afaka enimbolana."
- " Tsara izany akia. Indry ve izany izao tena hoe tapa-kevitra ny hijanona tanteraka aty mihitsy sa hoe mbola mety hody any Madagasikara ihany?"
Somary nangina kely aloha i Alexia vao namaly.
- " Eo mihitsy izao no tena mbola mahavaka ny saiko na dia nisy fotoana aza tena efa nanapahako hevitra hoe tena hijanona hianatra aty amin'i Dada!"
- " Fa ahoana indray " hoy i Malala sady toa nikentrona ny tarehiny.
- " Ohatran'ny lasa tena malahelo be an'i Hery izany aho tao ho ao na dia nisy fotoana aza tena efa tsy nieritreretako azy intsony. Tamin'ny alina izany aza moa aho dia tena nanonofy ratsy ny momba azy mihitsy....ohatran'ny hoe maty izany hono izy tamin'ny fahitako azy tao anaty nofiko tao. Inona koa angaha no mety ho dikan'izany nofiko izany e. Tsy aritro intsony moa dia tamin'izaho niresaka tamin'i Papa teo dia niangaviako izy mba hitady an'i Hery fa mijaly loatra ny saiko."
Nisento tokana aloha i Malala vao nanomboka niteny.
- " Efa nisy nitantara tamin-dry moa ny zava nitranga tamin'izahay hiondrana teny Ivato hitondra an-dry aty andafy?"
- " An, an, fa nisy inona?" hoy i Alexia namonjy nipetraka mihitsy tamin'iray tamin'ireo seza teo anoloany.
_ " Tantara lava ilay izy sady tsy fantatro hoe tokony ho lazaiko amin-ndry ve sa ahoana fa tena gidragidra anie no niseho teo Ivato teo ry Alexia e. Mbola tsy nahita an'i Hery nila sotasota imasom-bahoaka ohatran'izany aho. Ohatran'ny mamo rahateo koa moa ny fahitako azy. Ny ahy dia izay hanavotana ny an-dry no tena masaka tao antsaiko ka nialako lavitra daholo izay mbola azo nialana rehetra fa i Papanareo no nifanazava taminy tao. Raha ny filazan'i Ratrema tamiko taty aoriana aloha dia hoe notadiaviny tsy havela handeha hono indry fa azy. Taorianan'izay dia samy tsy naheno izay vaovao momba azy intsony izahay."
 Gina tsy nahateny sady niondrika nitehin-kiho teo amin'ny latabatra nanoloana azy i Alexia. Toa nalainy sary antsaina ny zava-niseho vao avy notantarain 'i Malala taminy teo. Niserana tampoka tao antsainy ihany koa ny antony nahatonga azy niharan'iny lozam-piara kodia iny. Tsy niteny aloha izy elalela fa ny tanany no nampiakariny moramora hamafa ny ranomaso nikoriana moramora tamin'ny takolany anakiroa.
- " Aza fady akia Alexia fa tsy ny hampalahelo an-dry mihitsy no antony hilazako an'izany fa mba tiako ho fantatry indry daholo ny zava niseho mba ahafahan-dry maka fanapahan-kevitra voalanjalanja tsara."
- " Misaotra anao aloha ry Neny tsy nanafina tamiko. Tena tsy haiko mihitsy hoe ahoana e.  Mijaly be mihitsy ny foko sy ny saiko fa tena mifamahofaho be amiko ny aminay sy Hery. Niezaka nanadino azy tanteraka mihitsy aho rehefa tena nandinika ny adalany sy ny fampijaliany ahy avy etsy sy eroa saingy rehefa tena manontany ny tenako aho dia tsapako fa tena tia tanteraka azy aho ary tsy ho sambatra mihitsy raha tsy izy no vadiko."
- " Eny e! azoko ny tiandry tenenina fa izao. Mbola mandalo fiovana be dia be fotsiny ny fiainandry izao dia izay no mahatonga an-dry mihevitra toa izany fa minoa ahy marimarina anie indry fa rehefa miditra mianatra eo ianareo sady miha zatra ny fiainana aty andafy aty indry dia tsy ho tadidin-dry firy intsony ny aminy e."
- " An, an, an. Tsy haiko aloha izay ho avy any fa ny zavatra tsapako amin'izao fotoana izao no amborako aminao. Mbola tena tia be azy mihitsy aho ary izaho sy Dada ary anikeo teny andalana ndeha hody io niresaka hoe ..."
-  "niresaka hoe ahoana" hoy i Malala nitsatsaigoka nanapaka ny tenin'ity zanany vavy.
-  "...i dada no nampiditra an'io hevitra io fa tsy izaho an. Hoe maninona moa raha afarana makaty France koa i Hery"
- " Zany ve no nolazainy" hoy i Malala sady ohatran'ny niaka maso nijery ny valin-drihan'ny efitrano niresahan'izy mianaka izy. Nalain'i Malala sary antsaina haingana ny mety ho fizotran'ny fiainan'i Hery sy ny fiainany ilaozan'i Hery hoany andafy. " Dia tsy hahita an'i Hery intsony izany ve aho? Dia ahoana ny zanany aty amiko? ..."
- " Ahoana ny eritreritry i Neny amin'izay soson-kevitry Dada izay" hoy i Alexia nanapaka ny tohivankan-kevitra nifanesisesy tao antsain'i Malala tampoka teo.
- " An, an, an. Raha mety ve moa i Ratrema raindry izaho indray ve no hisakana an'izany eo. Ny soa hoandry ve ry Alexia dia ho sakanako." Toa tsy nampoizin'i Alexia iny valin-tenin'i Malala iny. Hatramin'izay tokoa mantsy dia tsapany ho nanalokakoka ny fifankatiavan'izy sy Hery foana ny fisian'ny Malala manodidina an'izy roa eo.  Raha tonga aty andafy tokoa angamba i Hery hoy izy dia mety mba milamindamina amin'izay ny fiainako fa tsy misy an'i Neny hanalokaloka ahy eo foana intsony.
-" Faly aho izany rehefa tsy manisy olana amin'ilay izy i Neny fa i Papa indray haiko ny miresaka aminy." Sady toa nihiratra tampoka ilay tarehiny nanjombona nolalovan-dranomaso teo.
Fotoana vitsy taorinan'io dia indro niditra ny efitrano nisy azy mianaka i Mahefa.
- " Mampamangy hono ianao Alexia hoy i Ratrema fa miantso anao eo izy raha vao malalala amin'ity herinandro ity.
 -  "Hay, misaotra dada" hoy i Alexia nitsiky sady nanokatra ny seza teo akaikikiny hipetrahan'i Mahefa. " Efa noresahiko an'i Neny ry Dada ilay resantsika mianaka teny andalana hoe hanafarana an'i Hery hakaty France a. D'accord hono izy fa i Papa izany sisa no mila resena lahatra."
-  " Izay tokoa no eritreritro ry Malala " hoy i Mahefa nagalam-pijery tany amin'i Malala toa miezaka mamaky izay ankon'ny teniny eny amin'ny endriky farany.
- " Efa noteneniko an'i Alexia teo ny hevitro Mahefa fa dia resaho i Ratrema hikarakara an'izay fa ohatran'ny ho sarotsarotra amiko ihany aloha eh."
- " Efa noresahiko i Papa hitady an'i Hery any ampiasana rahampitso ry Neny a." hoy i Alexia. Hiantso ahy eo izy raha vao mahazo vaovao. Somary taitra kely sady niontana ny fon'i Malala naka sary antsaina ny mety ho fihaonana voalohany indray eo amin'ny Hery sy Ratrema taorianan'ireny fisehoan-javatra teny Ivato farany ireny.
" Hay, " hoy fotsiny i Malala toa tsy naka sarotra sady nanomboka nandray ny sotro rovitra sy ny antsy nanoloana azy.
- " Dieny mbola tsaroako tokoa aloha ry Mahefa dia nanafatra i Tojo hoe mba te hanatitra anay telo mianaka miaraka aminareo hono izy rahampitso ka mba antsoy izao hariva izao ihany raha ohatra ka tsy misy olana hanomanany ny fandaharam-potoanany rahampitso." 
Somary nangina kely aloha ny rehetra sady nifantoka tany amin'i Mahefa daholo ny mason'izy mianaka niandry izay ho valin-teniny.
- " An, an, an. Inona moa ny olana amin'izany fa vao maika aza mba misy manampy antsika amin'ny fitondrana entana koa... Lasa tsara resaka aminao mihitsy anie iny Tojo iny ry Malala eh!" sady somary nitsiky kely toa manatsafa izany i Mahefa.
- " Tsara resaka amin'ny ahoana aloha izany e." hoy i Malala mody niseho ho matotra. " Ohatran'ny somary hafahafa ihany aloha i nedala tamin'ny voalohany fa lasa niresaka be mihitsy izy nony avy eo sady tsapako hoe tena tsara fanahy sady tena tsotra mihitsy izy. Olona mitovitovy toetra amin'i Tojo ireny no tena tsara miaraka amin-dry ry Alexia?" hoy ihany i Malala nanohy sady nijery izay mety ho fihetsiky ity zanany vavy.
- " Zany ve?" hoy i Alexia toa tsy rototra akory. " Ohatran'ny mbola zaza be izany anefa ny fahitako azy. Ny ahy lehilahy somary efa matomatotra ireny no tena mahasarika ahy."
- " Ohatran'i Hery ve?" hoy i Malala toa tsy namela an'i Alexia saika mbola hanohy ny teniny.
- " Ohatraohatrany fa hendry kokoa, tsy dia tia vehivavy " sady ohatran'ny toran'ny hehy kely izany izy.
- " Aleo fa antsoiko izany i Tojo rehefa avy eo " hoy i Mahefa nanapaka ny resak'izy mianaka toa milaza hoe ajanony any izany resaka izany.
Ny ampitso ...
Tonga tao antranon'i Mahefa araka ny fotoana nifanomezana i Tojo. I Alexia no nanao dia maika namonjy namoha ny varavarana raha vao nanenony ny kiririoka fanairana fa misy vahiny ao ambaravarana. Somary taitra kely i Tojo nahita an'ity tovovavy bikana sady tsara tarehy ary feno tsiky niarahaba sady nampandroso azy teo ambaravarana.
- " Mandroso Tojo a. Efa ianao sisa no andrasana dia lasa isika? Mitady hanao fotoan-gasy an! Efa aty andafy anie isika izao eh" hoy ihany i Alexia.
Toa tsy tsikaritry Tojo akory ny tanany ankavanana nandeha nihaotraotra ny lohany toa lasa nangidihidy tampoka nanoloana izato anihany nitsenan'i Alexia azy. Sambany tokoa mantsy vao tena niresaka mivantana toa izao izy roa taorinan'ilay nitondran'i Tojo an'i Alexia nitsangatsangana indray mandeha iry.
- " Voatery tsy maintsy nivily lalana aho fa misy " accident" amin'ilay lalana fandehanko haingana mankaty fa dia ilana tsiny re tompoko fa dia nampiandry ela anareo rehetra sady niditra ny varavarana nosokafan'i Alexia hidanadana ihany izy.
- " Vazivaziko izany" hoy Alexia fa mbola tsy vonona akory ary ry zareo. Tonga dia mipetrapetraha ery amin'ny salon ery aloha fa inona no entiko ho sotroinao? Efa nisakafo maraina?" toa fanina tsy nahita havaly ny tovolahy naheno an'izato hanihany, iraka, fanontaniana nifanesisesy niantefa teny aminy. Nizotra moramora namonjy ny seza lava teo amin'ny salon izy aloha sady nieritreritra ihany hoe ary tena niova be tampoka tato ity jo ity an.
- " Jus d'orange omena ahy Tompoko raha misy ao?"
- " Hatramin'ny oviana indray ary ity tompoko, tompoko ity ry Tojo. Izaho anie tsy ..."
- " Azafady fa ohatran'ny varimbariana aho fa efa zatra be an'io tompoko io aho raha vao miditra ato amin'ity trano ity mantsy" sady nitsiky kely izy.
Tsy ela taorian'izay dia nipoitra avy any Mahefa.
- " Hay efa tonga ato ise? Efa kely sisa dia ho vonona ry zareo kah. Rehefa vita ny jus an'ise dia tonga dia ampidiro ao anaty fiaran'ise ny entana. Aleo i Malala sy izy mianadahy hiaraka amiko dia ise sy Alexia izany no miaraka rehefa avy eo."
Ohatran'ny nisy herin'aratra nikoriana tampoka nanenika ny vatan'i Tojo teo ampihainoana an'i Mahefa. " Izaho sy Alexia no miaraka. Hipetraka eo akaikiko indray ve izany ity jo ity. Gaigy be izy izany" hoy ihany izy niteny irery sady nanatelina ny faramparany tamin'ilay ranom-boasary natolotry Alexia azy teo. Lasa nivadika tao anefitra izy naka ireo valizy nisy ny entan'i Malala sy ny ankizy dia nitondra azy tao anaty fiarany. Lehibe loatra anefa ilay valizin'i Malala ka naleon'i Tojo napetraka teo ambonin'ny seza aoriana fotsiny.
Iny Tojo ndeha hanidy ny varavarana aoriana ny fiarany iny no nivoaka avy any I Malala nitrotro an'i Cynthia. Nanao akanjo ambony sy ambany miloko fotsy vita amin'irony lamba cotton malefaka irony. Indray mipi-maso no nandinihan'i Tojo an'i Malala avy any antampon-dohany ka hatrany ampaladihany. Tsy tsinjony fa tsikaritry Malala tsara anefa ny fihetsiny. Efa i Malala eo akaikiny eo niteny moramora hoe " Mandinindinika an..." taminy vao taitry izy sady nitsiky.
- " An, an, an...mankafy mijery anao faraparany fotsiny  aho kah. Diso ve aho? ... nataoko eto ambony seza ato aoriana ny valizinao fa tena tsy tafatsofoka tao amin'ny fasiana entana."
Raha mbola iny nifanatsafa teo iny i Tojo sy Malala no indro i Alexia niteny hoe tamin'ny Malala hoe:
- " Izaho sy Tojo" hono no miaraka hoy Dada fa ianao miaraka aminy."
" Efa fantatro" hoy i Malala "fa mba te hiarahaba an'i Tojo fotsiny aho." Tsy nisalasala i Alexia fa tonga dia namonjy nipetraka teo akaikin'i Tojo teo amin'ny familiana. Tera-tsemboka tampoka ny tovolahy nahita izato hakanton'i Alexia eo anilany. Toa manonofy tampoka teo izy. " Ohatran'ny mety hiady amin'ny pieces ko ihany ity jo ity izany fa ny fomba hampiresahana azy izao no gaigy" hoy i Tojo miady saina mafy sady toa nanadino avy hatrany ny eritreriny mbola voasarika tamin'ny Malala minitra vitsy teo aloha.
Niroso nilahatra kely teo amin'ny toerana niantsonan'i Tojo i Mahefa dia nifampijery izy roalahy mianaka sady toa nanao baiko moana azy i Mahefa hoe manarahy ahy fotsiny.
Dia indro fa niainga izy ireo hamonjy an'i CDG hanatitra an'i Malala telo mianaka hitodi-doha hoany Madagasikara.
Teny andalana...
Tsy niteny mihitsy i Tojo fa ny lalana sy ny fiara mirimorimo teo alohany no nobanjininy tsara.  Tsy naharitra i Alexia dia izy no namaky ny fahanginana.
- " Inona ny vaovao Tojo a! mandeha tsara ny fianarana? Izay indray isika sy ianao vao tafara-dalana an. Ilay izaho netinao nitsangatsana iry izao no tadidiko farany. Tezitezitra tamin'i Neny aho tamin'iny fa nisinda mihitsy ny hatezerako nony tafaverina tao antrano aho nony hariva"
- "zany an." Hoy i Tojo nitsiky. " Aza mba mora tezitezitra izany ianao Alexia fa mora mampiketrona io tarehinao mahafatifaty io an'ie izany e."
- " Ahoana tsara hoe ry Tojo?" hoy i Alexia toa tsy nino ny zavatra henony teo.
- " an, an, an. Mora mampiketrona tarehy hoy aho ny hatezerana."
- " Eny e. Mety misy mahamarina an'izany ihany aloha fa indraindray anefa ianao tena tezitra ihany rehefa tena tsy zakanao intsony ny zava miseho. Fa hono hoy aho, efa manana sipa angaha i Tojo?"
Toa tsy nampino an'i Tojo ny fanontaniana henony.
- " Ary mivantambatana be anie ianao izany ry Alexia e?"
- " mivatambatana ahoana ary? Misy mahadiso angaha ny manontany zavatra ohatran'izany? ... Manontany tena fotsiny aho izany izao hoe be gasy be hifanena amintsika ao CDG, dia raha ohatra hoe efa manana sipa ianao dia misy mahita  antsika roa irery mandeha rehefa tonga any dia mety hisy hitatitra any aminy hoe hitako niaraka tamin'izay sipa izay i Tojo dia ahoana ny hanazavanao azy.
- " Ka isika anie tsy hoe mandeha irery fa miaraka amin-dry Malala sy Mahefa ka tsy hitako hoe inona no mety ho olana amin'izany e." hoy i Tojo.
- " Eny e. valinao aloha ny fanontaniako e?" hoy ihany i Alexia sady somary nitodika kely tany amin'i Tojo mihitsy izy. Ity farany indray moa amin'io toa tsy sahy mijery azy fa mibanjina tsara ny arabe eo anoloany.
- " ah, ah,...." hoy i Tojo sahirana mafy mifidy izay teny hamaliany ity tovovavy tsara tarehy miandry fatratra ny valin-teniny.

Tadio (USA).
[email protected]

 

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype