Tadiom-pitiavana

Pejy 60
2006/06/19,08:38
   Efa madiva ho maizina ny andro vao tafaverina i Alexia sy Tojo. Maivamaivana tokoa i Alexia nony tonga tao an-trano. Ampy nandinihiny ny mikasika izay mety ho aviny ny tolakandro nolaniany teo. Faly izy e! faly. Adinony avokoa ny zava-nanahirana azy rehetra teo. Asa, izao tokoa ve ilay hoe ao anatin'ny mangidy no misy ny mamy? Sa ny mamy mihitsy no tsy mipoitra raha tsy avy misedra ny mangidy? Niverina indray ilay hatsara-pon'i Alexia hatrizay. Ny manodidina azy maizina tanteraka taminy teo iny toa nanjary rakotra hazavana mitsilo ny ho aviny. Miramirana ny endriny, mailamailaka ny fihetsiny, nampita tara-pankasitrahana izay nanodidina azy ny fitsikiny. Adinony fa mbola tohana mafy tamin'i Malala izy vao ora vitsivitsy lasa izay. Toa nanolatra sahady koa angamba ireo fery nateraky ny tantaran'ny setrasetram-pitiavan'i Hery. Nivimbina fehitenda mitsoriadriaka manga tanora izay izy nokasainy hatao fanomezana ho an'i Mahefa, ary fehezam-boninkazo maro loko ho an'i Malala. Saingy indrisy, tsy tao an-trano intsony ny rainy.

Vao tsinjon'i Malala ho navitribitrim-pamindra sy velombelon-tsiky i Alexia dia mba niezaka ihany izy nanafina ny adi-tsainy. Im-polo tokoa mantsy raha kely indrindra ny nanandramany niantso an-tarobia an'i Hery. Ny laharan'ny any am-piasana raha teo tsy nananany.
- "Bonsoir Neny, ngaha i Profesora efa lasa? ity voninkazo ho an'i Neny ho mariky ny tena hafaliako sy ny fankasitrahako an' i Neny. Fofony anie e! Manitra a! Sady namonjy nipetraka teo ankavananan-dreniny teo ambony sezalava fijerena fahitalavitra izy, nasampiny ny sorony ny tanany havanana, dia natohony moramora ny andriny ny molony."
- "Ary aiza i Tojo? "
- "Nanatitra ahy fotsiny izy dia lasa koa"
Nitsiky Malala, noraisiny ilay fehezam-boninkazo sady nahankiny tamin-tsandrin-janany ny lohany.
- "Misaotra izany zanako izany. Tsara fo sy saina loatra raha ianao Alexia a! Miondrika manoloana ny fahendrenao aho." Nanomboka nanganohano ny masony. Indraindray aho mieritreritra fa tsy mendrika ny ho reninao anaka. Toa Reny iray vaovao no sahaza ho anao fa tsy Ray vaovao, satria Ratrema dia nahafeno mandrakariva ny toetra vanona maha-Ray azy. Na dia niezaka ny hanafina aza i Malala dia tsinjon'i Alexia ihany ny fipatrapatrakin'ny ranomason'ity reniny.

- "Neny a! Aza manao izany ianao. Ianao no reniko, tsy manana reny hafa ankoatra anao aho, ary tsy mitady na haniry ny hanana reny vaovao. Tsapako ny fitiavanao ahy, aza manana eritreritra hafa ankoatr'izay ianao. Tsy hary aho raha tsy ianao sy Papa, ary raha mahita toetra tsara aty amiko ianao dia saino fa ianareo no nikolokolo ahy nandritra izay 22 taona niainako izay. Fotoana fanovozana ny tena maha-olona ifehezana ny fahatanorana, ary ireharehana amin'ny fahanterana. Afaka miantso an'i Papa amin'ny findainao tokoa ve aho, manina azy aho izany. Efa mahafantatra koa izany izy ry Neny hoe Profesora Mahefa no raiko?"
- "Eny anaka efa fantany!"
- "Ary ianareo an! Tena mba gisitra indray aho izany tamin'iny koa. Nefa vaovao tsara lafatra be iny Tsss. Iza izany sisa no tsy mahalala? Toky sy Cynthia? Hoy i Alexia nananihany."
- "Ka ianao anie teo tsy salama e! Dia nifanaraka izahy telo mianadahy fa hoe rehefa sitrana tsara ianao vao ampahafantarina ny marina. I Hery izao no tsy mahalala."
- "An ! Hery! hein! Mihevitra ve i Neny fa ho liana amin'izany? Tsss"
- "Andray, raha izay ranomasony teny Ivato izay anie ry Alexia, hein, tsy mino ianao hoe i Hery matanja-be iny no nidradradradra nitomany tery imasom-bahoaka. Andramo antsoy ihany hoe izy, dia lazao azy e!"

Zava-baovao tamin'ny sofin'i Alexia indray iny hoe i Hery nidradradradra teny an-tseranam-piaramanidina iny.
Marina
ve izany? hoy izy tany an-tsainy tany. Resy lahatra ve izy ny amin'ny tokony ampahafantarana an'i Hery ny marina? Sa dia mba te hampiseho andreniny fotsiny fa hoe manaraka ny toroheviny, sa tsy tiana ho tsikaritry Malala fa nihitatra anie ny olana amin'izy sy Hery, na koa mba te haheno ny feon'i Hery tsotra izao izy. Tsy fantatra aloha izay marina fa dia noraisiny ny findain'i Malala. Gaga izy raha nandre ilay famantarana fa tsy miasa intsony ny laharana. Namporisika anefa i Malala sao mba misy naman'izy ambamin-dry Hery azo antsoina, na koa raha tadidin'i Alexia ny laharan'ny any am-piasany. Na dia namporisika fatratra aza i Malala dia nanda i Alexia. Toa natahotra izy sao dia ho fambara hafahafa indray izao tranga miseho izao. Matahotra izy sao dia haheno zavatra hafahafa mikasika an'ilay olon-tsy foiny indray. Naleony ninia tsy niezaka ny ahafantatra izay momba azy.
- "Ary ny mailaka?" hoy i Malala niezaka hatrany handroso soso-kevitra, angah ianareo tsy mba mifanoratra amin'ny mailaka? Sao mba nandefa vaovao momba azy any izy?"
- "an an! mino aho fa efa maty izay ny adiresy mailaka-ko."
Sady niodina i Alexia ho any amin'ny trano fidiovana, toa tsy te hanohy ny resaka intsony. Niserana kely indray ilay aloka nanamaizina ny lanitry ny fiainany. Teo ambony bakoly fotsy fivalanan-drano izy no nitanondrika latsa-dranomaso indray. Nino izy fa efa tsy maintsy namaly ilay mailakany farany iny izay i Hery. Saingy... tsy tiany ho fantatra izay mety ho tohin'ny ao. Nanomboka iny andro mangidy iny dia toa zary nihozona anaty mihitsy izy tsy hanokatra ny aterineto intsony. Tahotra no nibahana tao anatiny. Tsapany fa marefo izy, ary ilay olona nantenainy ho andry matanjaka, azo iankinana rahatrizay no indray inty ninia namela takaitra ho azy. Tsy maintsy nahodiny any amin'ity rainy vaovao ny sainy mba hampitony azy indray. Iantso azy mba hifanao fotoana rahampitso na dia hiara-hisotro kafe fotsiny aza.

Loulou ([email protected])

 

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype