Tadiom-pitiavana

Pejy 47
2006/05/28,19:12

- "An! ahoana an!... an! Hafarana aty i Hery? Izaho hody any dia i Hery ho aty?"
- "Inona no ho tokony ho olana amin'izany ry Malala?"
- "I Hery anie any no miasa e! Sady... iny lehilahy iny ve no efa nampijaly azy ho toa izao dia mbola ianao indray no ndeha mbola hampidikizo azy amin'iny?"
- "Izaho ve ry Malala dia hanolo-bato mafana an-janako a! Saingy tena tsy hitako mihitsy izay atao. Very hevitra aho. Aleoko lavitra izy hitia sy hiaraka amin'ny olona tiany azo tiavina, toa izay ....izaho rainy no..."
- "Hitako ny hevitra, i Tojo. Tsy dia mifankaiza loatra amin'i Hery izy raha bika aman'endrika, ny fihetsiny sy ny fahaizany miresaka, olona sariaka sy tia olona ihany koa, tahaka an'i Hery.
Mino aho fa ho tian'i Alexia izy, aleo aloha hampifankafantarintsika izy roa ry Mahefa a! Hiresaka amin'i Alexia koa aho."
- "I Tojo aloha efa ela ihany no nahafantarako azy e! Tovolahy azo lazaina ho tsara fitondran-tena. Ny fianarana sy ny fitadiavam-bola no tena nandaniany fotoana. Tsy ho sahy hanao ratsy an'i Alexia iny noho ny tahony sy ny fanajany ahy. Eny ary ry Malala, fantatrao ny toetran-janakao, mino aho fa ny hahasoa azy no imasoanao, toa izany ny ahy."

Nanaiky i Mahefa. Gaga ihany anefa izy noho ny fahafantaran'i Malala an'i Tojo tsara. Saika tsy tsaroany na ny fototana nifankahalalan'izy roa voalohany aza. Raha iny nandeha nisotro kafe iny izy roa no i Alexia kosa tao an'efiny, namerimberina tao an-tsainy ilay fanontaniana napetraky Mahefa teo: "Mbola tianao i Hery e!"

Hery, efa iray volana mahery izay no tsy mba nandrenesan'ny sofiko izany anarana izany. Tsy mba nisy mihitsy resaka nifanaovanay ambamin-dry Papa sy Neny ka voantonona tao ny anaran'i Hery. Nefa niventiventy azy isan-kariva anefa ny saiko, rehefa izao irery iny no ato an'efitra. Mba nanao ahoana izy izay any? Dia tsy mba niezaka ny hiresaka amiko mihitsy ve, dia tsy mba nanontany vaovao mikasika ny fahasalamako akory ve? Sa dia nosakanan'i Papa tanteraka? Izaho koa tsy sahy hanontany fa sao dia ho voalatsalatsa eo. Mba iza loatra ary re no vehivavy niaraka taminy tamin'iny andro iny e! Ity izaho dia tsy mba nihaino izay fanazavana avy taminy akory. Mino aho fa tena nanenenany iny, tsy mino aho hoe i Hery tsy hanontany vaovao mikasika ahy, fantatro fa tena tia ahy izy saingy mety ho avy aty amiko ihany koa ny olana. Tsapako, tsy manana traikefa aho amin'ny fanaovana fitiavana, tsy mba nikarokaroka hanatsarana ny fiarahanay roa. Nionona taminy aho, tsy nahalala afa-tsy izy ny boziko. Izaho no nahazo fahafinaretana tanteraka taminy rehefa niray ny vatanay, saingy izy kosa... mety izay ihany no niarahany tamin'ny vehivavy hafa. Te hanarina ny mety ho fahadisoako tamin'ny fiarahanay aho. Nefa amin'ny fomba ahoana? izaho ity hoe hianatra aty? Mbola tia azy aho. Tena tia azy aho. Manina azy aho izany.  
 

---------

Hivoaka ny hopitaly i Alexia. Voaorona avokoa ny fitaovana madinidinika tokony ho entina mody, i Tojo sy ny fiara koa efa niandry teo haka ny marary sy ny reniny. Nanandrana ny niantso an'i Malala antelefona foana i Tojo taorian'iny alina iray iny, saingy tsy noraisin'i Malala mihitsy. Gaga anefa izy fa dia ity farany indray no niantso azy hoe mba hanampy amin'ny fakàna an'i Alexia. Mbola nanantena an'i Malala tanteraka izy, tsy hainy adinoana ny fomba nitiavan'i Malala azy iny alina iray manontolo iny.

- "Izy no Alexia, zanakovavy, izy kosa ry Alexia no Tojo, tovolahy mpianatra eto Paris. Mino aho fa ho afaka ny hanampy anao betsaka tokoa izy amin'ny fikarakarana ny fianaranao sy ny fifankahazaranao an'i Paris. Sady tena azo atokisana, namana akaiky an'i Profesora Mahefa. Sa tsy izany ry Tojo?"
- "Ianao izato koa ... Madama, eny afaka manampy anao aho rahefa mbola azokoa atao."
- "Misaotra anao mialoha, mino fa mba hanana fotoana ihany koa i Profesora hanampy ahy."

Kivy kely i Malala, tsy nisy fahatairana na avy tamin'i Alexia na avy amin'i Tojo. I Alexia moa ny toetrany tsy mba ho taitra amina lehilahy vao miserana izany. I Tojo indray, i Malala no nifantohan'ny sainy, i Alexia rahateo koa moa, saron'ny havizanan'ny tsy fahasalamana teo ny maha izy azy. Na ny fiakanjony aza tsy mba nofantenina.

- "Etsy izato indry ry Alexia midira etsy aloha, fa aleo aho ho ato aoriana. Amin'izay ianao afaka mahita tsara ny hakanton'ny Paris."

Tsy nisy teny anefa nifankalozan'izy roa teo aloha, i Alexia koa toa sorisorena tamin-dreniny ka tsy nahitana teny firy. I Tojo indray i Malala ihany no noezahiny ampiresahina na dia somary namaly bontolo foana aza. Ny masony amin'io mitily an'i Malala eo amin'ny fitaratra fitarafana ny any aoriana foana.

Nanatitra ny entana tany ambony i Tojo dia hoe handeha hody. Nosintoniny nanaraka azy hivoaka ny varavarana i Malala. I Alexia koa variana nisomaritaka tamin'izy mianadahy kely elaela tsy hitany.
- "Nahoana ianao no tsy nety niresaka tamiko mihitsy ry Malala? misy olana angaha?"
- "Tsy tiako ho tsikaritry i Alexia ry Tojo a! Ataovy ho toy ny tsy nisy iny alina niarahantsika iny, tsy hisy intsony koa ny tahaka an'iny. Miangavy anao aho, aza adalainao aho. Hanaovako azafady aminao koa raha nanadala anao aho. Loza raha fantatr'io zanako vavy io izany. Sady tsy mitempo fitiavana anao ny foko ry Tojo, manambady aho, mbola manan-janaka kely. Izay fa aleo aho hiverina hiditra, veloma ianao, dia misaotra indrindra."

Sady nivonto ny fon'i Tojo no gaga izy amin'ny fihetsiky Malala. Fantany hatrany am-boalohany fa tsy ho fiarahana matotra mihitsy no nilàn'i Malala azy, fa faniriam-behivavy zatra firaisana ara-nofo tsy tapaka tao anivon'ny tokantranony fotsiny, saingy ankehitriny tafasaraka naharitra tamin'ny andefimandriny izy  ka tsy nahatohitra ny faniriana sy ny filàna tao anatiny. Nila azy fatratra i Malala, nefa izao dia manosika azy fatratra handeha ihany koa, noho i Alexia marina angaha.

Loulou ([email protected])

Pejy 46
2006/05/26,09:01
- "Izany eo ihany Profesora fa dia mbola manantitra ny fisaorako feno anao ihany ny tenako noho ny soa lehibe vitanao taminay mianakavy, indrindra moa fa tamin'ny tenako. Tsy vitan'ny hoe nandray an-tanana ny fitsaboana ahy ianao fa dia mbola nekenao tsy am-pisalasalana ihany koa ny hikarakara ny fianarako aty am-pita. Tena olona hafa raha samy olona tokoa raha ianao."
- "Tsy misy tokona hisaoranao ny amin'izany ry Alexia a!" Hoy i Mahefa somary nikaroka izay hambara.
Tonga
dia fanahiana avy hatrany ny amin'izay mety ho tohin'ny resaka no tao an-tsainy. Na olon-kafa aza no teo amin'ny toerako mba nanao toa izany koa.
- "Tsy marina izany, na izaho na ianao samy mahalala fa tsy marina izany. Koa raha izao fifandraisana misy amintsika izao ve Profesora no hitranga matetika any amin'ny toeram-pitsaboana isan-karazany, na iray ho velona ny ady saritaka, na koa dia ho zary lasa hitempo fitiavana ho an'ny mpitsabony avy avokoa ny marary rehetra, sady lokilokin'ny hehy i Alexia.
- "Ka ianao anie ry Alexia tsy mitovy amin'ny marary rehetra fa..."
- "Izay indrindra mantsy, hafa raha samy marary mila fitsaboana no fandraisanao ahy Profesora. Ary hafa raha samy mpitsabo no fandraisako anao ankehitriny. Samy mahatsapa izany isika, tsy tokony nefa tsy tokony ho resin'ny tahotra isika."
Tsy nahateny i Profesora.
- "Hitanao! marina ny nolazaiko ka sy mahita ambara izato ianao o!"
Vao maika izy nivaloharika. Mahery loatra ny fibanjin'i Alexia ny masony, te hanodina ny fijeriny izy, fantany anefa fa tsy maintsy miteny ny vavany. Hany heriny, nanantona avy eo ankavanan'i Alexia, nitingitingina, nandray ny felantanany, sady somary nanafosafo azy no somary namihina, mikaroka izay hambara.
- "Alexia a! mbola tanora loatra raha ianao, mety ho sarotsarotra aminao ny hahazo ny zavatra tena misy marina."
- "Aza manahy ianao, ny elanelan-taona misy amintsika no mampisy tahotra ao aminao fa fantatro, ka zary ho lasa sakana amin'ny firosoana rehetra. Ry Dada sy Neny koa mielanelan-taona be ihany, saingy tsy misy ny olana, maro koa ny olona no toa izany, tsy maninona..."
- "An! an! Alexia a! henoy aho aloha, miangavy anao aho, henoy aho. Hitsabo tena no maha eto Frantsa anao. Efa azo lazaina ho teo ambavahoan'ny fahafatesana ianao, iray volana lasa izay, sitrana soa aman-tsara ianao izao noho ny fitahiana'Andriamanitra. Ezaho mba tsy hiverina aminao intsony iny fahadisoam-panantenana goavana nanjo anao iny. Afo mandoro ny fitiavana anaka, tena mandoro, indrindra indrindra fa raha milalalo azy ny iray nefa ny iray mandray azy ho tena matotra. Diniho tsara, taiza ny lesoka, mahaiza mandanjalanja ny halalin'ny fahatokisana sy ny fitiavana sahaza olona iray amin'ny manaraka."
- "Hay tsy misy miafina aminao ny fiainako na dia kely aza? Hay dia notantarain-dry Neny avokoa ny momba ahy rehetra a!"
- "Alexia a! aza misendaotra aloha ianao. Resaka tsotra nifanaovanay no nahafantarako izany mba hahafahana mitsabo anao tsara. Fantaro fa nomena fanafody fankaherezan-tsaina anie ianao e! Nandeha koa ny resaka ny amin'ny mety ho
antony
nahatonga iny lozam-pifamoivoizana nahazo anao iny."
- "Na izany aza ry Mahefa tsy anjarany no mampahafantatra aminao ny momba ahy a! Ahy izany, fiainako, ary efa fanaon'i Neny mihitsy ny mitsabaka foana amin'ny fiainako ka nampisy olana taminay matetika hatrizay. Tiany atao avokoa ny zavatra tokony ataoko, te hipetraka eo amin'ny toerako mandrakariva izy, ary tiany ho azy izay ananako."
- "Alexia a! fitiavany anao izany,"
- "Fitiavana ahy sa fitiavan-tena? Tsy fantatrao ny fiainanay ka miteny izany izato ianao."

Fahanginana no niserana nandritra ny segondra vitsy. Fotoana fohy nampitonian'i Alexia ny fony, fotoana fohy nametrahan'i Mahefa tany an-tsainy fanontaniana izay mety ho fiainan-dRatrema mianakavy marina tokoa. Nisento i Mahefa. Porofon'ny fifankahazoany am-po amin'i Alexia ny fahafahany mananatra an-janany. Nefa porofom-pitiavana velona tao amin'i Alexia ny fiantsoany hoe "Mahefa" tampoka teo, tsy nisy hoe "Profesora" toy ny mahazatra.

- "Mbola tianao i Hery e!" hoy i Mahefa nanohy. Nisento tokana fotsiny anefa i Alexia.
- "
Mino
aho fa mbola mitempo fitiavana lalina azy ny foanao."
- "Fa ahoana no ilazanao izany? Fantatrao tsara nefa ny hirifiry nosedraiko taminy. Ankoatry ny tsy nolazain'i Neny aza."
- "Fitiavana miredareda toa ireny, anaka, tsy mora ny mamono azy. Mety mangina vetivety fotsiny izy, matory fa tsy maty. Ny sainao no mety mandà azy, fa ny fonao mbola mitempo fitiavana aminy. Ny sainao no miezaka mitady olon-kafa hotsiriritina hasolo azy, fa ny fonao, na dia mbola marary aza, tsy mahafoy azy."
- "Niainanao angaha izany? hoy i Alexia sady nitsiky."
- "Eny e! ny ampahany angamba. Olona iray no hany fitiavako, 21 taona lasa izay, taonanao e? Nisy fotoana kivy tanteraka aho, nikasa ny hitady izay hasolo azy, saingy, tsy nety satria efa niorim-paka lalina ny fitiavanay."
Toa vonona tanteraka ny hamboraka ny tsiambaratelo izany i Mahefa. Somary nihilana kely niankavanana i Alexia. Notakariny tamin'ny tanany havia ny takolaky i Mahefa, ity farany nipararetra tampoka, soa ihany indro,..., niditra tampoka i Malala. Nivontirika ny masony nahita ny fihetsik'izy mianaka teo.
- "Neny, fa naninona i Neny no izao vao
tonga
? fa nisy inona? Izao efa mba tsindrian-daona ery."

I Malala niady saina hoe " Nolazain'i Mahefa azy angaha ny marina ka mampahery azy i Alexia fa tsy nisy hadisoany ny tsy nifankahitan'izy mianaka?"

- "Vao nifanena tamin'i Professeur Dubois aho teo, nilaza izy fa afaka roa andro ianao ry Alexia dia efa afaka mivoaka ny hopitaly raha tianao. Efa salama tsara hono ianao."
- "Izay no adinoko tokoa," hoy i Mahefa toa nahazo aina tampoka, "saingy tsy mbola mahazo manao vizana be ianao na dia izany aza. Tsy maintsy karakaraina ny taratasy momba izany. Andao anie aloha isika ry Malala hiaraka hanao izay taratasy izay a! manaraha ahy ho any amin'ny birao vetivety. Sitran'ny ahay vita izao izay vita."

 

Notantarain'i Mahefa tamin'ny antsipirihany ny fihetsiky Alexia hatramin'izay. Ketraka i Malala, tsy nampoiziny. Teo vao nitamberina tao an-tsainy ny fanontaniana madinidinika mikasika an'i Mahefa napetraky i Alexia taminy hatramin'izay.
- "Dia ahoana? Inona no ataontsika manoloana izany?"
- "Izay mihitsy no isany nahavaky ny saiko hatramin'izay. Tsy aiko ry Malala, tsy aiko, mila hiorona mihitsy ny ati-dohako."
- "Koa inona moa ny hisalasalan-tsika fa dia aleo lazaina azy amin'izay ny marina."
- "Tsia an!" hoy i Mahefa nanivingivin-doha mafy. "Tsia dia tsia ry Malala, hanimba an-janako izany."
- "Efa mba salama anie izy izao e!"
- "Tsy ny fahasalamany intsony indray izao no olana,
tara
loatra isika, efa andohalika ny ranom-bary. Raha izao no lazaina aminy fa izaho no ray niteraka azy, dia na iray alehany ho tezitra amintsika izy, indrindra amiko hoe nahoana no tsy nambara taminy hatramin'ny voalohany izany. Na iray ho fatin'ny henatra io zaza io ka tsy te hifampikasoka amiko sy hatita ny salovan-tavako intsony. Amin'izay aho vao tena ho very. Tsia an! Nikasa ny hanomboka hanome azy ny anjara fitaizako aho, hiantoka ny fianarany sisa. Fantatrao fa izao no mba fotoana tokony hanararaotako ny fotoana very taminay mianaka hatramin'izay. Sanatria anie izany ry Malala. Hanimba ny sainy izany, eny fa na dia ny hieritreritra fotsiny aza fa izaho rainy no nanaovany ireny fihetsika mamoafady ireny."

- "
Marina
izany ry Mahefa nefa, na dia olona tsotra sy tia olona ary be fandeferana tokoa aza i Alexia dia manana ny hasiny sy ny hajany izy ary niezaka ny nitandro izany foana hatramin'izay. Mety hanimba ny sainy tokoa. Tsy diso izy akory nitempo fitiavana taminao mpitsabo azy,... saingy... ianao rainy..... Dia ahoana ny atao ry Mahefa?"
- "Ianao sy izy mianadahy kely koa tsy ho ela intsony dia hiverina hody any antanindrazana. Izao no angamba no hevitra hitako, hafarana aty i Hery."
- "An! ahoana an!... an! Hafarana aty i Hery? Izaho hody any dia i Hery ho atyy?

Loulou ([email protected])

«Mialoha   1 2 3
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype