Tadiom-pitiavana

« Pejy 31 | Main | Pejy 33 »

Pejy 32
2006/04/29,15:43
Nitoditodika nijery izay manodidina azy i Hery sady nitsimpona ny akanjony niparitaka tamin'ny gorodona teo ambany. Natsofony haingana sady niketriketrika ihany ny sainy ny amin'izay nahazo azy iny alina iny.
Tena nanonofy mamy niaraka tamin'i Alexia aho. Toa tsy nofy koa anefa satria lasa tsy nisy ankanjo intsony teny ankoditro nony
tonga
ny maraina.
- Fa iza no nandry tamiko? Nitsangana izy nony avy eo sady nanomboka namalona ilay lamba norakofany dia niverina nitombona teo ambonin'ilay seza lava indray.
Tsy ela taorian'izay, iny Tahiana nidina ny tohatra tamy nanatona azy.
- "Manao ahoana i Tahiana, natory tsara ve ianao alina?"
-"Bonjour Hery, sady nanoroka ny tarehiny, eny e! nahita tory ihany aho fa efa tsaroako ho alina be. Ary ianao?"
- "Hay, izaho indray natory loatra aza!"
Tsy nanohy ny resaka i Hery, ary tsy te-hanao lava resaka, nahafinaritra azy loatra ilay nofiny alina, ka notazominy azy irery.
- "Hery an! raha fantatro fa nijanona teto ihany ianao dia nasaiko niakatra tany amiko natory. Nanatena mihitsy aho fa ho teo anilako teo foana ianao."
- "Fantatro mihitsy ny fahadisoam-panantenanao fa mety tamiko kokoa ny natory taty ambany. Tahiana an! Tsy asiantsika resaka intsony ny nitranga omaly fa vao mainka aza hampifandrafy antsika. Aleo iny hivalona any, ary fantatro fa te-hiova mihitsy ianao, izay no tena zava-dehibe amiko."
- "Misaotra Hery an! rehefa resy lahatra fotsiny ianao fa tsy hanohy ny hadalana nataoko hatramin'izay intsony aho dia mahafaly ahy."

...dia sanatria ve i Manitra no nahavita ny nanala ny akanjoko hoy i Hery nanontany tena. Sa ve nanala akanjo aho vao nandeha natory, sa i Tahiana no mody fanina?
Tsy niresaka momba ny nofiny akory i Hery fa
tonga
dia ny fandaharam-potoana iarahan'izy sy Tahiana no noresahany teo ampikarakaràna ny sakafo maraina. Efa teo ambony latabatra nisotro dite izy roa vao nifoha tamin'ny torimasony I Manitra. 
Naleon'i Hery nangina na dia vaka azan y sainy. Nofy mamy niarahany tamin'i Alexia iny. Navalony tahaka ilay lamba norakofany iny fanontaniana mampisalasala azy. 
 
Vita ny fiomanana rehetra dia lasa izy roa nankany an-tranon'i Hery aloha, naka izay zavatra rehetra mety ilaina sy nikaroka ny karatra nitsaràna miaramila sady nanararaotra nisolo akanjo ihany koa.
Nanomboka tamin'izay ny fitetezana birao samihafa, fokontany, mpaka sary, mpanao dika mitovy, firaisana, ary saika filaharana hatrany no niandry azy ireo. Teny amin'ny firaisana izany moa dia karazan'olona maro no mitandahatra manoloana ny varavarana. Havizanana tsy nisy ohatran'izany no nianjady tamin'i Tahiana toa tsy naharitra nijoro intsony tamin'ny faraparany. Soa fa vita ihany daholo ny fanaterana ireo taratasy rehetra fa dia miandry ny hivoahany ny ampitso sisa ry zareo.
Tonga
ny tamin'ny iray ora atoandro dia niverina nankany amin'i Hery izy ireo niala sasatra rehefa avy nisakafo tany ivelany tany.

- "Hafanana izany ry Hery," hoy i Tahiana, nitombina teo ambony seza sady nikopakopaka tarehy.
- "Aleo fa hangalako ranom-boankazo ianao fa hanala fahavizanana ihany koa."
Dia niara-nisotro izy roa, nifandom-bera. Tahaka ny nanana firaisam-po tamin'ny soa nifanampiana.
- "Fantatrao ve ny zavatra tiako hatao amin'izao?"
- "Inona," hoy i Hery
- "Raha izao aho no maka fandroana misy rano mangatsiatsiaka tsara, dia mahafinaritra mihitsy."
- "Azo atao izany ka!" sady nitsangana i Hery, "tsy mampaninona mihitsy raha izay no tianao, sady hitako mihitsy ianao fa tena torovana."
Lasa izy niakatra tany amin'ny efitra fandroana, nandraraka rano ilay koveta lehibe fotsy sady nasiany ranon-tsavony manitra. Avy tany ambony no niantsoany an'i Tahiana hiakatra fa efa vonona ny rano handroany.
Tsy nisalasala akory Tahiana nanala ny akanjony rehetra, teo imason'i Hery, ity farany mody nitodika nefa ny maso mangala-pijery kely ihany.
Niroboka moramora tao anatin'ilay ranon-tsavony mandroatra be izy, naka aina vetivety. I Hery amin'io tsy nahateny, ny hafanana koa mba namely azy.
- "Efa nanandrana ve ianao niaraka nandro tamin'i Alexia teto amin'ity fa toa malalaka tsara izy izany? Tsy te-hanandrana miaraka amiko ve ianao?"
- "Tsss! mbola tsy nanandrana aho aloha e! io aza ange, zara raha ampiasaiko, rehefa faran'ny heriandro aho no maka sasatra eo rehefa vizaky ny asa iny."
- "Avia ary e!" hoy i Tahiana niangola, sady niarina teo anatin'ilay koveta bakoly lehibe izy, ny roatran-tsavony no nameno ny tenany sady nanainga tanana hisarika an'i Hery. Tsy nahaleo intsony i Hery fa nanala ny akanjony, ny hafanana namely, izy koa te-handro, i Tahiana nisarika.
Hay na dia lehibe aza ilay bakoly, ny nidiran'i Hery no nameno azy ka saika nitobaka fa tsy maintsy nanalàna ny rano tao anatiny.
Rehefa nahazo toerana tsara izy ireo dia nifampitsikitsiky. Ny fe nifampikasoka, ny lohalika nampiadiana nifanandrify tsara. Tampoka, nitsangana i Tahiana sady niteny hoe:
- "tiako be izao raha ampofoinao aho sady niodina tsimoramora izy no nanome lamosina an'i Hery, dia naka fitoerana nitsilany teo ambonin'ity olona tiany. Ity farany koa nanaiky, sady vao maika aza nanafosafo mora ny nonon'i Tahiana no nankafy.
Afaka fotoana fohy.
- "Tahiana an! mihenjana ny ahy."
- 'Efa tsapako koa fa miha-mafy ilay izy," hoy ny iray, sady somary nanainga valahana nanamboatra ny fitoerany.
- "Tsara e!," hoy ihany izy, sady nanoroka ny takolak'i Hery no nampitsangana tsara ilay filahiana ary nanafosafo iny tao anatin'ny tery.
- "Fantatrao ry Tahiana fa tsy mahatohitra izao ataonao izao aho!"
Nakimpin'i Hery ny masony no sady nalefany tany amin'i Alexia ny sainy tamin'ilay nofiny alina. Injay fa tsapany norohan'i Tahiana ny molony, ny filahiany mbola voafehy tsara ao anaty rano ary lalaovin'ny ratsan-tanana malefaka. Nifanoroka mafy izy roa, ny sandrin'i Hery ilany maka tohana tsara amin'ny sisin'ny bakoly, ny ilany kosa iondanan'i Tahiana ary ny tanany manafosafo moramora ny nonony.
I Tahiana kosa nanohy hatrany ny kilalao nataony teo. I Hery mankafy, ny hafanan'ny rano efa mifandraika tsara amin'ny mari-panan'izy roa. Nankafiziny ilay kilalao, tamin'ny fihetsika fohy dia naka tohana tamin'ny tongony i Hery ary nanala ny sandriny ilany ary nikaroka tao anaty rano ny fivavian'i Tahiana. Nosafoiny mora, nolalovany ireo molotra roa, ilay bokotra kely hay efa tsapa mafimafy ihany koa, dia nosokatsokafany kely tamin'ny fanondrony roa. Somary nianga ny maojan'i Tahiana, sady nianika teo ambonin'i Hery tamin'izay. Ny filahiany no nankininy tamin'ny foto-peny ary samy nanaitra ny fananahan'ny iray avy. Safosafo, orokoroka, samy nanao izay ho afany izy ireo.
Tampoka, iny Tahiana fa nanala ny tanany tamin'i Hery, niantsampy teny amin'ny sorony, namihina mafy. Ny tanan'i Hery amin'io manamafy hatrany ny fikarohany ilay fahasambaran'ity vehivavy. Injay fa nikiaka tampoka i Tahiana no naka sento lalina. Dia nanoroka an'i Hery indray ary niondana taminy noho ny fahavizanana...
tonga indray ny fahasambarana notadiaviny. fahasambarana natolotr'i Hery azy indray. Fahasambarana azony notakarina anefa nosarihin'i Hery hatolotra azy. 
 Safosafo sisa no afaka nataony noho ny tanany torovana. Afaka fotoana vitsy dia nitsangana indray izy ary nipetraka nifanatrika tamin'ity olon-tiany. Nampifanatoniny ny maojany ary nasainy nakarina tamin'ny sisin'ny bakoly ny tongotr'i Hery. Dia nikaroka ilay filahiana mbola nihenjana navelany tampoka teo izy. Naveriny ilay safosafo sy otra malefaka nataony. Ny masony tsy niala teny amin'i Hery mihitsy. Ny ratsan-tanany rehetra dia nafehiny ilay filahiana, nampiakariny, nampidininy, ary im-betsaka no nanaovany izany.
Tsapan'i Hery fa ho avy koa ny onjam-pahafinaretany, somary niarina izy, ny tanany no nalefany teny amin'ny sandrin'i Tahiana. Ary najanony ny fisefosefony, injay fa nivaoka ilay tsirin'ainy, nifangaro tao anaty rano. Ny ratsan-tanan'i Tahiana no nahatsapa ny fivoahan'ny tsirim-pitiavana tamin'i Hery.
Farany navotsiny fa torovana loatra ny tanany. Vita!
Samy naka aina tamin'ny toerana nisy azy izy roa! samy vizana, samy reraky ny filaharam-be natao ny maraina ihany koa tsinona.
Ny safosafon'ny tongotra sisa no nifanaovan'izy ireo. Kanjo nararak'i Hery ny rano ary nandefa ny rano madio vaovao, kanjo nangatsiaka tampoka sady tafatsangana izy ireo no nifanoroka, ny rano kosa no nanala izay roatran-tsavony sisa teny aminy.

Rehefa avy nifafa dia hoy i Hery nanatsafa!
- "Tandremo ary adinonao eo indray iny "string"-nao iny fa mety ahitan-doza.
- "Andray ry Hery," sady natorany teny aminy ilay servieta famafàna. Sady nitsikanikany fotsiny izy ireo.

Nifampitarika namonjy fandriana tena hiala sasatra nony avy eo, navelany teo ny akanjony rehetra fa
tonga
dia nankao an'efitra ary niditra tao anaty lamba sy nirakotra ary nifampitositosy naka torimaso.
- "Hery an!"
- "mmhhhhh!"
- "Inona kay no tianao kokoa, ny eo akaikiko sa ny eo akaikin'i Malala?"
- "Fa maninona?"
- "Tiako ho fantatra fotsiny!"
-"Tsy fantatro mihitsy, i Malala ange ry Tahiana ka renin-janako e! na dia mafy aza indraindray ny ataony tamiko, dia tahaka ny saro-piaro izany aho rehefa tsy te-hahalala ahy izy.Indraindray aza, toa tsiky sy fihetsika fotsiny dia mandrava ahy tanteraka fa mitady azy foana. Nefa i Alexia amin'io no mizaka ny tsy eran'ny ainy noho ny hadalàna nataonay."
- "Ary izaho?"
- "Vehivavy manana fitiavana be dia be ianao nefa mety diso fitoraka. Tsapako ny fahalemenao, ny fitiavanao, ny fahatsoram-ponao; Ary rehefa tia tokoa ianao dia tena tia. Nanonofy an'i alexia aho ange tamin'ny alina e!"
- "Izany?"
- "Nofiko, hono hoe nomeny fahafinaretana aho teo ambonin'ilay seza natoriako tamin'ny alina dia vita izay dia lasa izy ary tsy afaka nanaraka azy akory aho. Inona ary ny mety ho dikan'izany?"
- "Asa! mety hoe manina anao izy, te-hilaza fa mbola tiany omena izay tadiavinao ianao nefa tsy afaka hijanona aminao akory izy!"
-"Tsy azoko!"
- "Tantarao e!"

Dia notantarain'i Hery ny nofiny alina...
- "Hery an! Tsy fantatro fa mety ho tezitra amiko ianao, fa tamin'izao tsy nahita tory alina dia nidina aho saika hisotro rano, hitako nefa ianao mikofokofoka ao anaty lamba tao, dia nijereko, mbola matory, ny tananao manamboatra ny ..., dia nalako ilay lamba sady nesoriko koa ny pataloha sy izay teny aminao. Dia nataoko tahak'izay nataonay izay mihitsy, hay ve ianao nanofy e! Tsy taitra mihitsy ianao nefa tongako hatramin'ny fara-tampony; faly ery aho nahita ny tsirin'ainao nitifitra ny lanitra. Hay ve ianao manofy an'i Alexia tamin'iny e!"
Sady faly izy no toa nirehareha ery mitantara izany! dia farany nalefany teny amin'i Hery ny molony.
- "Ianao ity an! hitako no falifaly ery nanoroka ny takolako nony
tonga
ny maraina. Hay nahavita..."
- "Dia tsy azoko mihitsy, fa efa tratran'ny tahak'izay aho tany amin-dry Malala! Ary hatramin'izao aza mbola tsy azoko ny nahazo ahy."
- "Hery an! aleo matory aloha fa vizana isika!" dia niondana teo an-tratran'i Hery i Tahiana ary naka torimaso mamy.

Rehafa renoka iny Hery afaka ora roa, dia nitsangana tsiporamora i Tahiana. Niditra tao anaty efitra fandroana ary nanao ny akanjony rehetra; dia niverina tao amin'ny efitr'i Hery ary nanoratra taratsy kely hoe:
"Hery! Nandeha aho fa tsy tiako ho tratran'ny orana ianao hanatitra ahy! Rahampitso vao maraina aho dia
tonga
aty aminao, mandeha maka izay taratasy rehetra natao,
ary mankany amin'ny atitany mametraka ny antontan-taratasy hanaovana ny pasipaoronao."
Bisous be! Tiako ianao" sady nasiany sarisary kely misy fo tamin'ny soniany.

Dia napetrany iny ary lasa nijaikojaiko mora nidina ny tohatra, nanidy ny trano dia namonjy ny fodiany. Faly izy, heniky ny haravoana tany anatiny tany, toa maivana taminy ny fahavizanany nahazo azy hatramin'ny maraina.

Fa i Hery kosa raha niezaka ny niarina fa tsy nahatsapa ilay malalany teo anilany intsony dia gaga nahita ny efitranony milamina aok'izany sy ireto fitafiany mivalona eo ambony seza, nihevitra aza izy fa lasa any trano fidiovana i Tahiana ka nanararaotra nampiditra ny fitafiany izy satria moa mbola betska ny taratasy hokarakarainy izao hariva izao. gaga anefa izy nahita ity taratasy kely nivalona tsara nipetraka teo anilan'ny fitafiany ary noraisiny haingana hojereny izay tao anatiny. Inona moa hoy izy izany fa dia mandeha irery androany na dia mbola teo aza ny havizanana nahazo ahy

Fa mba nanao ahoana kosa ny tany am-pitandranomasiana tany?

Indreo izy roa Ratrema sy Malala fa toa faly sahirana toy ny akoho kely notsipazam-potsimbary, faly satria niverina niredareda indray ilay afo saika maty, kivy indray satria voatery hisara-toerana noho ny asa aman-draharaha tsy maintsy atao, toa zary adino daholo ireo disadisa nisy hatrizay, rehefa teny an-dalàna hamonjy ny trano fodiana dia taratra eny izany fifankatiavan'izy roa izany, ny safosafo tao anaty fiara karetsaka tsy holazaina intsony, variana hatramin'ny mpamily aza ka raha tsy notarain'ny fiara hafa dia efa nidona tamin'ny andrin-jiro iray, ny tao anaty tohatra mandeha amin'ny herin'aratra moa dia nahavitan'i Ratrema nanala sahady ny string-ni Malala ary ny nahatongavana teo ambony fandriana no ela dia efa tafala ny akanjo rehetra. Toa tsy ampy dimy minitra anefa iny fa
tonga
ny an'i Ratrema sady menamenatra ery fa toa tsy afaka nanome fahafaham-po an'ity malalany. Nihodina ralehilahy fa ramatoa kosa toa tsy nahatsapa izany fa niezaka niondana teo amin'ny sandriny. Kinanjo injay naneno ny antso an-tariby ka toy ny tsy teo ny nitsanganan-dRatrema
- "Allo, Mr Ratrema ihany ve izao?"
- "Izy indrindra " sady azony antsaina avy hatrany ny feon'ilay olona niantso azy.
- " Mialatsiny indindra tompoko raha manelingelina anao fa.."
- " fa misy inona" hoy izy nitsatsaingoka nanapaka ny resaky ity mpitantsoratran'ny orinasany
- "Tsy izany Atoa Tale fa misy olana ara-bola ato amin'ny orinasa nefa ny faran'ny volana fandoavana ny karaman'ny mpiasa efa antomotra."  
Niresaka elaela teo izy ilay mpitantsoratrany niantso avy aty Madagasikara.
Niezaka ny ho tony i Ratrema nony avy eo nanoloana izany olana izany satria tsy tiany ho faty sahady ilay fifalian'ny tokan-tranony

I Hery indray kosa amin'io fotoana io, …
Nalainy ny findainy tao am-paosiny ary nanindry nomerao teo izy
- "Tahiana? afaka mitsena anao ve za rahariva?"
- "Tsy maninona fa mety taratara kely izahay vao mikatona anio"
- "Andriko foana izany fa andrasako eo am-pita eo ianao sa aiza no tsaratsara?"
- "Izay iandrasanao ahy tsy mampaninona fa antsoiko ianao alohan'ny hiravako"
Vao avy niantso teo i Hery dia toa lasa saina izany, azom-pitia koa ve za sa dia maninona loatra e? Toa tsy mety ny saiko raha tsy mahita an'i Tahina isan'andro nefa fiarahana ara-nofo no tena hilako azy na izy koa aza mahatsapa an'izany satria toa mahita ny lanitra fahafito foana izy isaky ny miray amiko
Nandeha ihany ny fotoana, ny zavatra nokarakarakaina koa moa efa vita satria naka azy fotsiny no natao iny tolak'andro iny. Raha iny niandry ny filentehan'ny masoandro iny Hery no niditra fivarotana kely iray ka nanararaotra niala hetaheta, nandeha teo ny vinaniny nieritreritra an'i Alexia sy ireo zanany, hatramin'izay mantsy dia tsy naheno ny momba azy ireo intsony izy fa toy ny nofinofy sisa ny niseho hatrizay, nanao ahoana re izy izay efa nisy fiatsarana sa, ary izy telo mianaka kely, izy dahy mantsy e, toa mahasorena ahy na dia ny manonona ny anaran'ni Malala aza satria nampitondra ahy tao anatin'ny mangidy tanteraka namoizako ilay olo-tiako sy nanaovaoko nahatafalatsaka ahy hiaraka an'i tahiana izao, nefa, na dia izany indray aza renin-janako izy, iza ary Alexia izay nanome ny fony tanteraka ho ahy sa Malala izay renin-janako nampitondra fahoriana hoa ahy sa Tahiana na dia efa zokiko lavitra aza dia te tena tia ahy koa ary namonjy ahy tamin'ny sarotra, iza, iza ????
Toa tsy nisasaka akoty ny ranom-boankazo tao anaty tavoahangy de injany naneno ny findainy. Noraisiny, nojereny tsara ny soratra teo, nanantena mafy laharana avy any ampitan-dranomasina izy, kanjo laharana miafina no tao, tsy fantatra na avy aiza, mbola tsy diso fanantenana anefa izy fa noraisiny ihany.
- "Allo, iza kay izao azafady?"
- "Allo! (toa feom-behivavy), iza ary izao raha fantatrao!
- "I Malala ve?"hoy i Hery falifaly.
- "Malala an? Andray ry Hery, asa mihitsy izay nahazo anao. Eny e! Ekeko fa mafy ny olana ary mila tsy ho zakanao mihitsy. Fa i Tahiana ihany ity."
- "Hery an! sao dia misy zavatra tsy zakanao fa gaga be mihitsy aho noresahianao teo. Averiko fa mananihany ange ianao teo nanontany ahy hoe  tsenaiko ve ianao rehefa mirava? Izaho ange tsy miasa androany e! Tsy tsaroanao ve fa efa niteny taminao aho alina hoe tsy hiasa androany sy rahampitso fa hiaraka aminao hikarakara ny taratasy rehetra hanamboarana ny pasipaorinao? Sao dia mbola manonofy an’i Alexia foana aza ity ianao ity?
Hery an ! Mampanahy ahy ianao! tianao ve ny hamonjeko anao any amin’izay toerana misy anao izao? Nefa ny andro ity efa manomboka maizin-drahona.
Hery an ! am-pitiavana no iangaviako anao mandehana aloha mody fa ho avy any aho rahampitso vao maraina araka ilay taratasy nataoko teo.
Izay an! Veloma i Hery!"

Mafy tokoa izany ! Fa inona ity nahazo an’i Hery, dia sanatria ve tsy tsaroany intsony na ny andro sy ny ora aza? Fa nankaiza ny eritreriny?
Iny izy nijaikojaiko samirery niverina nody dia naka fandriana, lasa saina lalina amin’ity manjo azy.

Vao
tonga
tao an-trano dia niketriketrika indray ny sainy:
- Maninona aho no tsy mahatohitra fakam-panahy?
- Inona no tokony hataoko raha sendra ny vehivavy tahaka an’i Tahiana aho nefa tsy manana fo mitempo aminy akory?
- Dia sahiko ve ny hanararaotra azy nefa izy aza mba tia? Nefa toa onena azy aho rehefa tsoriko ny marina rehetra momba ny tsy fitiavako azy akory? Efa kapoka mafy eny an-tratrany ireny noteneniko azy ireny, nefa izy tahaka ireny alika kely mandadilady amin’ny tompony ireny ihany na dia mahare maharary aza!
-Iza marina no tokony hanambarako ny olako rehetra, ary afaka hamaha izao tady tsy zakako izao ?
Valaka teo ny tovolahy niezaka nitady valiny hoan'ireo fanontaniana toa nihodikondina tao anatin'ny sainy. Tapa-kevitra ny hiezaka hatory ihany anefa izy nony farany rehefa naka tsoa-kevitra fa toa misy maha marina azy ihany ny ny tenin’i Tahiana taminy hoe tsara aminy mihitsy ny mandeha mankany Mahajanga aloha maka rivo-dranomasina kely mba hampitony ny sainy.

 Tonga tokoa ny maraina, dia iny i Tahiana nanaitra azy nampaneno ny lakolosy teo am-bavahady. Rehefa samy vonona izy ireo dia lasa namonjy ny biraom-panjakana samihafa, naka ny taratasy. Nisy ireo mbola tsy vita fa tsy maintsy niandry, nefa nososohan’i Tahiana tany anatiny tany, hainy mihitsy ny nandangolango ireo mpiasa sasany dia iny fa nivoaka avy any taratasy voatombokase sy sonia. Niaraka nankany amin’ny atitany izy ireo nony hariva nanatitra ireo taratasy voaangona, nitady ilay polisy naman’i Tahiana, ka na dia hariva izay tsy fandraisana antontan-taratasy intsony aza, dia nampanantena ity farany fa afaka andro vitsivitsy monja dia hivoaka ny pasipaorin’i Hery, ary ampanatsoiny i Tahiana haka azy rehefa vita.
Nilamina aloha ny amin’iny, vita izay dia nankany am-piasany i Hery naka izay toro-marika rehetra mikasika ny dia ho any Mahajanga.

Tsy naharitra i Hery nony teny andalana fa nanontany an'i Tahiana.
-"Tena tamin’ny fonao ve no nitenenanao fa tsaratsara amiko ny manadino ny lasa rehetra momba an’i Alexia sy Malala fa tokony hitady olon-kafa vaovao aho ?"
Nangina vetivety i Tahiana dia nijery teny aminy.
- "Hery an ! aza eritreretinao fa te-hanana anao samirery aho, fa ny tiako hahatongavana dia ny hoe mety kokoa, satria aleo mamaky ny fon’i Alexia in-dray mandeha dia vita hatreo, toy izay ianao hanohy ny hiaraka aminy nefa hamaky ny fony foana. Tadidio fa lala-malama no handehananao, i Ratrema ve dia hamela anao fotsiny tamin’ireny fanalam-baràka nataonao teny Ivato ireny, dia jereo koa i Malala, mbola eo koa… izaho, eny e ! vitako ny hamehy tena tsy hisary zoro aminao intsony rehefa mahita izay anjarako aho."
- "Anjarako!" hoy i Tahiana, sady toa nanganohano ny masony.
Nosakambinin’i Hery izy, inona no vahaolana omena ity vehivavy ity? Asa
- "Tahiana ! Rahampitso maraina amin’ny 10ora ny fiaramanidina mankany Mahajanga no miainga eny Ivato. Antsoiko amin’ny telefaona foana ianao fa aza matahotra rehefa
tonga
any aho."
- "Tsy esoriko any aminao ny eritreritro, hoy i Tahiana sady nanoroka an’i Hery.
- "mbola tsy maintsy hitako ny hisaorana anao tamin’ny zavatra nataonao hatramin’izay, fa matokia, hihevitra lalina izany aho rehefa any Mahajanga any."
Nony
tonga
teo am-bavahady dia nifanao velma satria mbola handamina ny entana ho entiny i Hery :
- "Veloma Tahiana an ! Misaotra anao foana aho fa tena be fitiavana tokoa ianao."
- "Veloma Hery ! Soava dia dia mialà sasatra tsara!"

 Tany ampitan-dranomasina indray  kosa tamin'io fotoana io!

Indreo olon-droa mifampisakambina no hita ao anatin’ny efitra fisakafoanana. Misotro kafe sy dité mafana miaraka amin’ny mofomamy misy sokolà.
- "Malala an ! Fantatro fa tampoka ny niverenan’ny fifankatiavantsika. Efa tsy maintsy handeha aho hiverina any an-tanindrazana. Hazavaiko aminao vetivety ny mahatonga ahy tsy maintsy mody. Taloha dia nisy fitaka tsy maintsy natao teo amin’ny sampan-draharahan’ny hetra, azoko navilivily tsy naloa, kolikoly tsy maintsy natao izany hampandeha tsara ny orinasa.
Efa niova anefa ankehitriny ny fitantanana, misy ity resaka Bianco ity mety hahatratra izay nataoko taloha, ka tsy maintsy mandamina izay haingana dia haingana aho."
- "Ratrema an ! marina tokoa fa tena hanirery aho raha tsy eo ianao! zaho irery izany no hiantoka ny fikarakaràna an’i Alexia, nefa i Mahefa koa aza mbola tsy tomombana tsara. Eny e ! ny famelomana ny orinasa sy ny fitadiavana tsy maintsy atao Ratrema an!"
- "Malala an ! Fantatrao fa tena tia anao aho, ary izay indrindra no tiako tsy hanafinafenana izay zavatra rehetra aminao!"
- "Tsapako tokoa ny fitiavanao ahy Ratrema," sady nanoroka am-badiny izy.
- "Malala an ! misy zavatra mbola tsy nambarako taminao ity. Kanefa fantaro fa tena fitiavana anao no ilazako azy: Taorian’ny nahaterahan’i Cynthia dia nifampiresaka tamin’i Profesora Ranaivo aho, nila resaka taminy ny tokony hamerako ny isan’ny zanako. Dia natorony hevitra aho fa azo atao ny manao izany ka ny tadin’ny tsirin’aiko no hanapahana dia hampilamina ahy. Tsy misy olana, tsy misy fiantraikany amiko ny fandidiana fa dia tsy afaka miteraka intsony fotsiny".
- "Ratrema an ! nisy an’izany koa nahoana ianao no tsy niresaka tamiko."
- Eny e ! henoy fotsiny aho. Nasainy nanao fitiliana aho aloha satria nihevitra izy fa tsy maintsy mitahiry tsirin’aina aho fa sao dia misy ilàna azy any aoriana. Nefa nony natao ilay izy dia teo vao fantatra fa hay momba aho; izany hoe : tsy afaka hiteraka intsony. Dia gaga aho, nanontany tsara ilay Profesora, ary naverina natao ny fitiliana, dia nambarany fa tena momba aho hatramin’izay niainako. Nisafoaka aho, tsy hitako intsony izay noraisina, dia ireny loza nataoko ireny nampirafy ireny, nefa eto aho dia mifona aminao fa hay ianao niezaka ny hoe tia ahy nandritra ny enim-bolana, hatramin’ny niterahanao an’i Cynhtia, niova tanteraka ianao ary nitombina tamin’ny tokantranonao nomenao fitiavana tsy hay novaliana."
Taitra tampoka i Malala, nahatsiaro menatra, niondrika izy tsy sahy nijery an-dRatrema.
- "Malala an ! aza taitra amin’izany ianao fa tena tia anao aho matoa sahy niteny izany, ary tena porofom-pitiavana tokoa fa tsy fankahalana na kapoka nataoko taminao akory izany."
- "Ratrema an!" sady nanomboka nanganohano ny mason’i Malala, no niondana teo an-tsorony. "Hay fantatrao avokoa izany ny fahadalàna rehetra nataoko hatramin’izay."
- "Malala an ! aza mitomany izany malalako izany, aza mitomany fa tena fitiavana anao no nanambarako izany, tiako haposaka aminao avokoa fa tsy tiako hotazomina ho ahy samirery intsony. Jereo izao isika, fianakaviana iray. Fianakaviana feno tsara. Malala an! raha tsy nisy anao sy Vololona ange ka tsy nanan-janaka aho izany e! Ary isaorako an’andriamanitra lehibe aza fa nomeny zanaka mahafinaritra telo be izao aho hotiaviko, ary mitondra ny anarako avokoa. Malala an ! aza malahelo mihitsy ianao fa tena tiako ianao izay reniny, tiako koa ireo zanako ireo."
- "Ratrema an! mifona aminao aho fa nanfeniko taminao ny amin’i Toky, nefa tena nino aho fa zanakao i Cynthia, kanjo, hay tena zanak’i Hery…"
- "Malala an," sady namafa ny ranomasony, "azontsika avela any amin’izay iny Hery iny, jereo ity nataony tany Ivato, manala-bara-batana fotsiny. Tsy havelantsika hanelingelina antsika intsony iny. Minoa ahy marimarina fa hanantena ny tsy misy ilay iny raha mbola mikasa ny hiditra amin’ny fiainantsika…"

Efa nanakaiky ny fotoana tsy maintsy hiaingan'i Ratrema ho aty an-tanindrazana. Raha ny sitrapony dia ny hijanona miaraka amin'ny vady aman-janany izy, hitaiza an'i Toky sy Cynthia. Hikarakara an'i Alexia.
Naniry mafy izy ny hijanona aloha, nefa ny asa tsy azo anoharana fa tsy maintsy atao, miankina aminy ny zava-drehetra.  
Raha niditra teo an-dalan-tsaran'ny hotely izy sy Malala dia nasainy niakatra avy hatrany ity farany satria mbola handamina ny fandoavam-bola rehetra i Ratrema, tsy tiany ho hitan'i Malala koa izany satria mety hidangana loatra ny sarany mety haloa, moa  ny zazakely rahateo efa sasa-miandry ity reniny.

Dia iny Malala niakatra irery namonjy ny efitra fatorian'izy ireo.
Nandalo teo amin'ny efitra nisy an'izy dahy kely, hay efa natory aok'izany fa voakarakara tsara tamin'ilay mpitaiza, dia nomen'i Malala oroka mamy ny takolak'izy ireo, dia lasa nisolo akanjo ary nandraraka rano mafana. Rehefa izany dia nakatony ny varavarana ary nidiny tamin'ny karetsaka ary nandeha nandro izy. Lasa ny sainy nieritreritra ny aminy, ny amin'izy sy Ratrema, nefa tsaroany ihany koa ny momba an'i Hery.
Mba nanao ahoana ary i Hery izay, asa, mifamahofaho aminy ny alahelo, eo aloha i Ratrema izay handao azy. Toa lasa hanirery ilay fitiavany. Fa teo koa ny alahelony an'i Hery, na dia safononoky ny fitiavan-dRatrema aza ny fony, toa zara-raha voaly manakona ny masony fotsiny iny fa i Hery toa mbola tazana ao ambadika ao ihany.
Nanafosafo ny tenany tamin'ny savonimanitra i Malala, ny rano mafana no natopatopany sy navelany handifotra ny vatany, ny tanany kosa manomboka milalao ireo loha-nonony izay tsapany fa mangitikitika azy rehefa nosafosafoiny, tiany ilay mangoritsina kely amin'ny vatany, dia nataony mafimafy ihany, nofenjainy indray ireo nonony sady nalefany tany amin'i Hery ihany ny sainy. Nanonofy ilay nataon'izy roa tamin'ny voalohany, ilay tao amin'ny efitra lehibe, nitsiriritany mafy azy ary nanamparany ny faniriana te hitsapa izany hoe: hilalao fitiavana amim-binanto...

Naleony nanafosafo ny vatany satria efa fantany rahateo fa manomboka miha-mahazo vahana amin-dRatrema ny fitantanana ny orinasany, ka na dia miezaka mafy aza ity farany hanome fahafaham-po azy, ny filàny kosa mbola mirongatra mafy ka mitady izay mety hahazoany fahasambarana bebe kokoa.
Nampidininy tany amin'ny fivaviany ny tanany dia nosasany, satriny aza hanaitra azy izay nataony, ny sainy tsy miala amin'ilay manafosafo ny filahian'i Hery, ary raha vao tsapany fa mitambolona ao an-kibony ao ny fahafinaretany dia niala tao anaty rano izy sady naka fitoerana no nanamafy hatrany ilay fanafosafoana ny molotry ny fivaviany teo.
Natsofony tany ny ratsan-tanany iray, dia nampiany iray hafa koa, nohetsiketsehany mora no sady naveziveziny kely ireo fanondrony roa. Nandray fahafinaretana hafa indray izy manomboka miakatra any anaty lohany any. Nakimpiny ny masony hameno tsara ny endrik'i Hery tiany hanoloana azy eo. Miha-mitombo hatrany ilay fahafinaretany, tiany ho azo ilay fahasambarana. Satriny mihitsy i Hery no hanome azy izay, nefa ny tanany ihany dia ampy hahatonga azy amin'izay tiany hatao.
Rehefa tsapany fa mando tsara ny molotry ny fivaviany dia nampiany ny tanany ilany indray ka ny fanondrony indray no nanafosafo ilay bokotra kely efa mihenjana mafy, nokitikitihany, ny tanany ilany mbola milentika any anatiny any, ny ilany manapotsitra hatrany ny taova keliny ahazoany fahafinaretana izany tsy izy.
Nataony mafimafy hatrany ny fihetsiny, novelariny tsara ny feny hahazoany aina, ny tongony mitehana amin'ny taila mangatsiaka. Sefosefo no nasetriny ny fahasambarany izay te-hanafotra azy, farany, nakimpiny mafy ny masony sady nanjanony ny sefosefony ary tsy nahahetsika intsony izy, tsy nikiaka, tsy nivolana fa ny tanany no nakorisany mora nanaraka ny feny dia avy eo niverina indray tao anaty rano nanala ny havizanana kely mety mahatorovana ny vatany.

Afaka dimy minitra dia nivoaka tao izy, nitsangana namafa ny vatany ary nahatsapa hatsiaka, dia niakanjo ary namonjy ny efitra fatoriany. Kanjo, hitany Ratrema mitaiza an'i Toky kely matory eo an-tratrany. Zaza tsy manan-tsiny fa dia mandry fehizay eo amin'ity "rainy".
Nanantona azy ireo i Malala, namihina azy mianaka sady nitositosy taminy.
- "Halahelo ireto zaza ireto aho ry Malala an! Hanirery aho rehefa
tonga any Antananarivo any. Malala an! rahafaka ampitso atoandro aho no handeha hitodi-doha any Antananarivo. Rahampitso i Alexia sy Mahefa no mivoaka ny hopitaly, afaka tonga
dia miaraka aminy isika dia mitoetra any amin-dry zareo aloha alohan'ny handehananareo miverina ihany koa."
- "Ratrema an! izaho koa tena malahelo anao, izaho irery no aty. Ahoana no ataoko, ahoana no ampahafantarana an'i Alexia fa rainy niteraka azy i Mahefa?" 
  Tsy nahateny intsony Ratrema, olana goavana iray izay, nefa noho ny fotoana mety tsy hananany mihitsy dia tahaka ny hatodiny ao an-damosiny ao fotsiny.
I Toky no notaizainy tsara, nitady hevitra izy.
- "Malala an! Aleo fa hiresaka amin'i Mahefa aho aloha rahampitso rehefa hivoaka ny hopitaly izy mianaka. I Alexia mbola marefo dia marefo raha ampilazana izany, ianao koa mbola eto ka inoako fa hahita hevitra hatrany ianareo sy Mahefa ny amin'izany. Mino aho fa vao mainka aza izy ho faly raha mahafantatra izany. Entintsika am-bavaka e! Ny Krismasy koa efa manakaiky, aty izany ianareo efa-mianaka no manao fety. Tsy maintsy mifampiantso an-telefaona isika fa tsy hanadino anao aho. Izany Malala an!" sady nomeny oroka kely ny molotr'ity vadiny.

Nampatoriany moramora i Toky teo ambony fandriana.
Nanomboka nianjady taminy tamin'izay ny fisalasalàna, ny any Antananarivo mandrirotra azy, soa fa voavaha ihany ny olan'izy sy Malala.
Tsy nisalasala izy nisolo ny akanjony ary namonjy ny efitra fandroana, notarihiny nanaraka azy koa i Malala, nanampy azy nikosoka ny lamosiny. Nahafinaritra azy ny otra malefaka nataon'ity vadiny.
Rehefa vita izany dia niara-namonjy ny fandriana izy mivady, i Malala mbola mitady fahafinaretana hafa indray, i Ratrema koa mitady hanalana ny sorisory mitady hianjady aminy. Niray tamim-pitiavana izy ireo, nifanome hasambarana, izay no nanehoany ny firaisam-pony sy ny fifamelàna tamin'ny resany ny atoandro teo.
Teo no nahatsapan-dRatrema indray ilay safosafom-behivavy hanadinoana vetivety ireo olana rehetra tsy mampitony ny sainy. Ny fahasambarana no nanenika ny fandrian'izy roa iny alina iny, ary rehefa nahatsiaro vokim-pitiavana tsara vao nihevitra ny hatory, nifanome hafanana amin'ity alina mangirifiry manakaiky ny fetin'ny Krismasy.
- "Ratrema an! mbola tiako foana ianao!"
- "izaho koa mbola tia anao foana izany Malalako izany." 

 Tany Mahajanga...
Lanitra manga tsy misy pentina, masoandro mibaliaka mitondra hafanana migaingaina no nitsena an’i Hery raha vao nivoaka ny fiaramanidina nitondra azy avy any Antananarivo.
Vao tafavoaka seranam-piaramanidina Phillibert Tsiranana izy dia nandray ny fiarakaretsaka namonjy ny renivohitr’i Boina. Nankany amin’ny masoivohon’ny orinasa nanao ny sonia sy nametraka ny antontan-taratasy samihafa. Nomen’ny orinasa fiara ahafahany mivezivezy eran’ny tanàna, sady ilay hotely handray azy somary lavitra ny masoivoho. Dia lasa izy namonjy ny hotely. Napetraka ny entana, dia naka fandroana nanala ny hafanana efa mila tsy ho tanty sahady.
Hafanana izany, amin’ny fotoana tena mampivaivay rahateo izao tapatapaky ny volana desambra izao. Ny lanitra manga tsy misy pentina, ny masoandro mibaliaka sy migaingaina.
Nivoaka ny hotely i Hery, nandeha an-tongotra sahabo ho dimy minitra, niditra tamin’ilay toerana fisakafonanana. Ny tsiotsio drivotry ny ny fikopahana no feo manenika ny trano.
Tsy inona fa dia ranom-boankazo sy ronono mangatsiaka hatrany no tena mandeha amin’ny fotoana tahak’izao.
Dia roso nisotro sy nihinana i Hery. Nanirery teo, ny hanitry ny rivotra madio sy mafanan’i Mahajanga no nalainy ho namana nanohana azy.
Efa ela rahateo izy no tsy nandalo teto Mahajanga ary efa hitany tamin’ny fahitalavitra fa nisy fanamboarana be ny sisin-dranomasina ary efa nifaly havanja teny ny mpanao vakansy nandritra ny volana aogositra.

Vita ny sakafo, lasa izy niverina tao amin’ny hotely, natoritory sy naka aina ary tonga ny tamin’ny roa ora, dia nandray fiara ary niverina nankany amin’ny masoivohon’ny orinasa indray. Mahajanga rahateo tsy misy izany mitohy izany ny ora fiasàna fa tsy maintsy mijanona amin’ny atoandro noho ny hafanana.

Iraka no halehany aty, asa tsy dia hanahirana loatra, fa tena iraka nentina hampitony ny fanaintainany hatramin’izay. Asa tokoa izay tena hevitr’ilay talen’ny fitantanana ny mpiasa, fa tsapany hoe mila maka fialan-tsasatra marina i Hery fa mafy loatra ny asany. Izy rahateo tsy nilaza tamin’ny mpiara-miasa mihitsy ny olana misy aminy tamin’ny lozam-pifamoivozana nanjo an’i Alexia.
Nalefa ny antso nankany Antananarivo, naka ny toromarika rehetra dia nanainga niaraka tamina mpiasa iray nankany amin’ny sampan-draharahan’ny fananan-tany. Tsy dia fivezivezena loatra ny tao, fa dia tsy maintsy amin’ny alatsinainy indray satria misy taratasy mbola alefa mankany amin’ny talen’ny sampan-draharaha.
Nataony ny tatitra nalefa mailaka nankany  Antananarivo, dia lasa izy aloha nandehandeha teny amoron-dranomasina, naka alokaloka teo akaikin’ny baobab ary namonjy nipetrapetraka tamin’ny seza vato nony avy eo.
Nijery izay mpandalo nefa ny toerana tahaka ny efitra tsy misy olona, fa zara raha fiara vitsy monja no mandalo, ny andro rahateo vao amin’ny 3 ora sy sasany. Naka ny rivo-dranomasina mafana amin’ity masoandro mitolaka manamena ny fara-vodilanitra. Nanala ny sorisoriny teo ambony tamboho vato no mijery ny ranomasina manopy mena an’i Mahajanga.

Any izay i Alexia, malahelo izy fa atao ahoana moa, tsy misy afaka hanova ny fitiavany na iza na iza, fa dia resaka fotsiny ireny ataon’i Tahiana hoe ny manova no mety. Dia sanatria ve tahaka an’i Tahiana izy ka tsy hahita izay tsara mendrika azy fa mitady randrana manendrika ny hafa.
Tsia an! Hoy i Hery tany antsainy, tena fitia mifamaly ny anay roa ary tena  fitia mifamato-maty mihitsy.

Nandany ny harivany teo i Hery, nanomboka niha-betska ny olona no tonga teny amoron-dranomasina. Nijerijery izao olom-patany nefa tsy nahita. Ny andro rahateo mbola ao anatin’ny fotoana anaovan’ny ankizy fanandinana any am-pianarana ka mbola vitsy ny mpitsidika an’i Mahajanga. Asa mety ho tonga rahampitso vao maraina kosa izao ny mpanao vakansy.

Lasa izy, namelona ny fiara dia nody niverina tany amin’ny hotely, satriny hijanona nefa izy manirery moa ny fahavizanana toa nanainga azy hody.

Raha hanokatra ny efitranony iny izy dia nisy vehivavy vao tonga miaraka amin’ny valizy ampian’ny mpitondra entana teo amin’ny efitra nifanila taminy. Nifampijery izy ireo:

- "I Hery! I Hery ve ianao? Oay, tena i Hery ity!"

 Tsy nihetsika teo amin’ny toerany izy fa nitsiky fotsiny. Ilay mpitondra entana no nasainy namoha ny varavarana sady nampiditra ny valiziny.
Asa, toa faly ny fahitana ny endriny mahita an’i Hery sady nibanjina tsara amim-pitsikiana.

Fitafiana mihaja miloko lavenona no nanaovany. Ny zipony hatreo amin’ny lohalika ary misy tataka manaraka ny atsasam-pe. Lobaka fotsy somary manify no anatiny, ary ny moro-tendany mivoaka ety ivelany maka zoro telolafy tsara
Solomaso fotsy ary lokomena sy manjamaso manify no nandravaka ny tarehiny. Mihaja, hita amin’izao fitafiny izao fa olona manam-pahaizana sy manam-pahalalana.

- "Hery! Ela izany! Andraso ange e! Tamin’ny 1996 no nahitako anao farany." Nanatona an’i Hery izy, sady nandray tanana azy. I Hery kosa amin’io nitsiky fotsiny. Tsy nahateny. Fantany tsara ity vehivavy ity.  

Hevitra

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype