Tadiom-pitiavana

Pejy 78
2006/09/06,00:29
Ny  nahavitan'ny fandroan'izy roa no ela dia indro i Ratrema sy Malala nanao dia maika namonjy ny efitrano fandriana. Nakaton'i Ratrema haingana ny varavarana dia iny koa izy no nanala ny akanjo lava miloko ran'ombalahy  mivolombolona servieta malefaka teny aminy hamonjy an' Malala izay efa tafatsofoka tao anatin'ilay lamba fotsy malefaka nandrakotra ny fandrinan'izy roa.
- " Avy haingana aky chéri fa mangatsiaka be aho" hoy i Malala tamin'ny feo miangoty. " Sady ampio kely an'itsy lamba firakotra matevina itsy aloha vetivety"
Tsy namaly Ratrema fa ny fihetsiny nandray ilay lamba teo antongom-pandriana izay narakotrany ny velaran'ny fandrianan'izy roa no nanehoany fa voarainy tsara ny fangatahan'ity vadiny. Namonjy niditra tao anaty lamba amin'izay izy nony avy eo sady nitankisinkisina nakeo akaikin'i Malala.
Nihodina nihorinana i Malala hifanatrika tamin'ny vadiny sady nanomboka nanafosafo ny lamosiny.
- " Manina  be an'ilay nanaovanao ahy tany Paris talohan'ny niverenanao taty Madagasikara  iny aho " hoy i Malala somary nibitsibitsika moramora amin'ity andefomandriny.
- " Izaho koa anie tena manina anao mafy" hoy i Ratrema sady nampanatonony moramora hifanohoka tamin'ny molony ny molotry ny vadiny.
- " Tsapako fa tena mila anao eo anilako eo foana aho ry Malala" hoy i Ratrema nanohy ny teniny rehefa somary nihataka kely izy nony avy eo. Niserana tampoka tao antsainy anefa tamin'izay segondra izay ny endriky i Corine izay noheveriny fa mba afaka hanampy azy sy ny orinasany amin'izao olana mianjady aminy izao. Henony nihorona tampoka ny hodi-dohany nahatsiaro ilay fotoana niarahan'izy sy Corine farany sy ny nahatratraran'ny vadin'i Corine azy ireo tao  ampiasany. Tsy te hiheritreritra iny fotoana iny ny saina aman'eritreriny saingy henony fa toa nibosesika tao aminy ny faniriana te hilaza amin'i Malala ny fandehan'ny toe-java-misy izay tsy maintsy mbola ho vahany.
- " Malala ah!" hoy i Ratrema somary niahotra kely niantso ambadiny tamin'ny feo somary farimparina.
- " Ahoana chéri!" hoy i Malala somary nitsiky sady nitohy nanafosafo ny sandrin'ny vadiny ihany.
- " Tena misy zavatra tena manahirana ny lohako mafy mba tiako ho zaraina aminao ity " hoy i Ratrema tapakevitra ny hamaky resaka ny amin'ny olana mianjady aminy.
- " Resaho fa mihaino anao tsara aho Ratrema ah " hoy i Malala sady somary nihataka kely izy ahafahany tena mijery tsara an-dRatrema izay somary namonjy natory mihorirana ihany koa hiresaka aminy. 
Dia nanomboka nitantara ny fandehan'ny olana rehetra tamin'ny vadiny teo i Ratrema. Saika voalazany avokoa izay tokony ho tenenina afatsy ilay fotoana nahatratraran'ny vadin'i Corine azy tao ampiasana ihany sisa...

- " De ho votsitra ve izany ity tranontsika ity Ratrema? " hoy i Malala nony avy eo. Hita ho tena very hevitra tampoka teo.
- " Raha ny tena marina aloha" hoy i Ratrema namaly " dia izay tokoa no tena izy saingy  rehefa tena nisaintsaina lalina ny fandehan'izy ity aho dia ohatran'ny te hanolotra an'izao soson-kevitra izao an'ilay rangahy nampindram-bola antsika, sao dia mba mety ihany izy?"
- " Hoe ahoana?" hoy i Malala liana dia liana fatratra ny amin'izay hevitra hitan'ity vadiny.
- " Nieritreritra aho" hoy i Ratrema " hoe maninona moa raha resahina ilay rangahy iny raha vonona ny ho mpiombon'antoka amintsika ao amin'ny orinasa? Izany hoe lasa mampiasa vola ao amintsika izany izy, sa ve tsy mety izany eritreritro izany?" hoy ihany Ratrema sady nifantoka teny amin'ny tarehan'i Malala ny fijeriny miandry fatratra izay mety ho hevitry ity farany.
Nangina tanteraka aloha ny efitrano nisy azy roa nandritra ny segondra vitsivitsy. Tsy nampoizin'i Malala ary tsy noheritrerentiny mihitsy tokoa matnsy izay vaha olana hitan'i Ratrema izay. Ny fanontaniana nibahana tao antsainy anefa nony avy eo dia ny hoe hanaiky an'izany tolon-kevitra izany tokoa ve ilay rangahy.
- " Dia ahoana raha tsy mety izy," hoy i Malala toa te hanontany raha efa misy hevitra hafa hitan'i Ratrema raha mandamoka io hevitra voalohany hitany io.
- " Raha tsy mety moa izy izany dia lasany ny trano" hoy i Ratrema sady nisento kely izy niheritreritra ny zavatra mety hiseho.
- " Tena tsy foiko mihitsy ity trano ity ry Malala. Be ny zavatra raketin'izy ity" hoy i Ratrema " fa tsy maintsy mitady fomba hafa aho hamerenana ny volan'olona"
- " ...Dia rahoviana izany ianao no mieritreritra ny hiresaka amin'ilay olona?"
- " Hitanao mety ihany ve anefa izany hevitro hanasa azy hampiasa vola amin'ny orinasantsika izany?"
- " Ohatran'ny tsy hitako hoe misy hevitra hafa firy intsony aloha" hoy i Malala sady naka toerana tsara izy. " Enga anie mba hanaiky fotsiny izy fa raha tsy izany de asa fotsiny izay hanjo antsika..."
- " Tsy manana safidy tokoa aho ry Malala fa aleo andramana aloha sao dia mba manaiky ihany izy fa tena efa andohalika ity ranombary ity" hoy i Ratrema.
Afaka tanteraka ny fanirian'izy roa ny hiray aranofo teo fa ny olana mianjady amin'ny fianany no toa lasa samy nibahana tao antsain'izy ireo.
- " Andao izany aloha hatory" hoy i Malala " Fa ataovy izay fomba hihaonanao haingana amin'ilay rangahy io. Iza tsara moa no anarany?" hoy ihany Malala nanohy sady niverina nitsilany hiatrika ny torimasony io alina io.
- " Tsy tadidiko ilay tena anarany feno" hoy i Ratrema fa ingahy  Ramanana no tena ahafantarako azy"
- " Antsoy izy izany " hoy i Malala " dia hohitantsika eo indray izay tohiny fa aza be eritreritra aloha fa ndao hatory amin'izay" sady novonjeny notakarina ilay famonoana jiro tsy dia lavitra ny andoha fandrianany teo.
- " f'angaha tsy hoe mbola haka tsirony amiko eto ambony fandriana ianao izao" hoy i Ratrema somary nanatsafa kely an'i Malala.
- " An, an, an!" hoy i Malala tsy niherika tany amin'i Ratrema akory. " Ohatran'ny tapaka tanteraka mihitsy ilay fahazotoako teo. " Rahampitso indray !" sady nakimpiny moramora ny masony niezaka nitady torimaso. Tsy namaly i Ratrema fa ny tanambadiny fotsiny no noraisiny moramora dia norohany sady hoy izy hoe"
- " Matoria tsara ary izany vadiko izany" dia iny koa izy no niezaka nitady torimaso iny alina iny.

Ny ampitso maraina...
Vao maraina i Mihary dia indro namikiviky nandeha tany ampiasan'i Tahiana araka ny fotoana efa nifanomezan'izy mirahavavy mianaka tamin'ny antso io maraina io ihany.
- " Manao ahoana aky izy ao?" hoy i Tahiana nanontany ny toe-pahasalaman'i Hery rehefa vita ny fifampiarahaban'izy mianaka.
- " Efa miresaka be mihitsy izy ao fa dia izy mbola mila didina haingana io no tena tsy mampandry ny saiko." hoy i Mihary. " Niresaka tamin'i Alexia" moa izy omaly araka ireny efa noteneniko anao anikeo ireny dia tena ohatran'ny velombelom-bolo izany ihany koa izy eh.
- " Gaga andry ity mihitsy aho ry Mihary!" hoy i Tahiana nony avy eo nanohy ny resaka. " Dia  tena tapakevitra ny handeha hanatritra azy any Frantsa tokoa ve ity indry ity?"
- " Efa matotra be ny hevitro ny amin'iny ry nenitoa fa dia ny hikarakara ny taratasy rehetra izany izao aloha no imasoako."
- " Indry aloha dia nandova tanteraka ny toetran'-drenin-dry e. Mahavita manao zavatra tsy azo eritrerentina mialoha mihitsy...  Eny e!, tsy dia misy maharatsy an'izay ihany koa aloha." Hoy i Tahiana.
- " Izay ve no fahitanao ahy?" hoy i Mihary somary gaga amin'izao fanamarihana nataon'ity nenintoany.
- " Mba resaka fotsiny koa aky ny ahy iny fa ndao amin'izay isika handeha, efa nomen'i Hery andry ve ny fanalahidin'ny tranony?"
- " Ity antanako ity" hoy i Mihary sady natolony an'i Tahiana moramora ilay lakile.
Nivoaka ny toeram-piasan'i Tahiana izy ireo dia nanakana ilay fiarakaretsaka sendra nandalo teo.

Tsy ela taorian'izay dia nigadona teo amin'ny varavaran'ny tranon'i Hery i Mihary sy Tahiana. Vao tafiditra tao anatiny.
- " Vohay haingana aloha ny varavaran-kely hidiran'ny rivotra madio" hoy i Tahiana sady nanodro ny toerana tokony haleha tamin'i Mihary " Ohatran'ny mitady hisy fofona lao sahady izy izany ah."
Niserana kely tao antsain'i Tahiana ny fotoana nandalovany tao amin'ity trano ity. Nitsiky kely fotsiny izy tany anatiny tany nahatsiaro ny tsirom-pahasambarana niainany niaraka tamin'i Hery tao. Efa tantara fotsiny tokoa moa ireny hoy izy tany anatiny tany.
Vetivety dia hitan'i Tahiana sy Mihary ny zavatra notadiaviny dia indro izy roa vavy mianaka fa namikiviky namonjy ny hopitaly mba hanaovan'i Hery sonia ny seky tsy mbola misy tarehim-bola hoentina hividianana ny tapakilany sy ireo taratasy ho fenona maro isankarazany. Izay no ela dia lasa izy roavavy namonjy ny biraon'ny zotra an'habakabaka teo Analakely sady nikarakara ny fahazon-dalana mivoaka hoany Frantsa.

Tany amin'ny hopitaly nandritra izay fotoana izay...
- " Mbola tsara vintana lesy ialahy ry Hery tsy vita tanteraka tamin'iny loza iny fa saiky ratsy anie iny e" hoy i Fano mipetraka tamin'ny seza tsy dia lavitra ny fandriana nisy an'i Hery
- " Mbola tsy afaka misioka aho aloha aho izao ry Fano" hoy i Hery " fa mbola tsy tafavoaka ny ala! Mbola ho didina anie aho, ary raha sanatria moa ka misy ny tsy fihetezan-javatra dia ..." sady toa tsy te hiheritreritra an'ity zavatra saika holazainy loatra i Hery.
- " Marina ny tenin'ialahy" hoy i Fano toa nahatsiaro diso nampitsidika an'izay resaka izay. Fa izao lesy eh. Misy vaovao ity. Tapaka ny hevitro fa hifamatotra amin'i Tahiana aho an."
- " Marina tokoa ve izany?" hoy i Hery somary niarina kely teo amin'ny fandrianany.
- " Tena resaka matotra izany ry Hery ary efa hevitra tapakay roa"
- " An, an, an. Tsara izany ry " Da'toa," hoy i Hery somary nitsiky kely " Tena mankasitraka an'izany fanapahan-kevitrareo roa izany aho. Dia rahoviana no hatao ny raharaha? Aleo mihitsy mba rehefa tavaferina aho vao atao, sa ahoana?"
- " Ialahy indray ve lesy no hatao diso anjara amin'izany" hoy i Fano miramirana naheno ilay teny feno fanantenana navalin'i Hery azy teo.
- " Avadiko kely indray aloha ny tafa, fa ahoana lesy izany ialahy niresaka tamin'i Alexia omaly alina izany?  Manao ahoana izy any izay?"
Niontana kely ny fon'i Hery naheno ny anaran'i Alexia voantonona. Tsapany ho mitondra herinaratra mampangoritsina ny tenany iray manontolo mihitsy ny feo avoakan'ny fanononana ny anaran'ilay olontiany io.
- " Ohatran'ny nanonofy aho ry Fano a!" hoy i Hery feno fientanam-po. Tena tsy nampoiziko ilay izy ary ohatran'ny nitondra fahavitrihana tampoka ho ahy teo mihitsy ny naheno ny feony. Tiako izy iny e. Be izay vehivavy nandalo tamin'ny fiainako izay fa tsy misy mahasolo ny toerany...tsy andriny mihitsy hono ny hahitana ahy?"
- " Ary ialahy kah!" hoy i Fano nitsatsaingoka.
- " Izany ve moa ho hita ho lazaina intsony fa dia efa tena dondona mihitsy aho ny handeha amin'ny Alahady."
- " Vaovao tsara izany" hoy i Fano. " Apetraho amiko daholo fotsiny ny momba momba ny tranon'ialahy aty fa izaho no mikarakra azy amin'ny fotoana tsy maha eto an'ialahy.
- " Misaotra Da'toa ah!" hoy i Hery mody tsy naka sarotra.
- " Ohatran'ny tsy mahazatra ahy lesy ilay antsoin'ialahy hoe Da'toa, Da'toa izany fa aleo hifampiantso amin'i anarana ohatran'ny teo aloha fotsiny ihany kah!"
- " Ka ianareo anie izany efa hampaka-bady atsy ho atsy ka tsy aleo ve mba omena an'izay anaram-boninahitra izay sa ...?
- " Leity koa letsy!... " hoy i Fano sady nitsangana moramora teo amin'ny seza nipetrahany izy nandeha namonjy naka an'ilay gazety nipetraka teo ambony latabatra tsy lavitra teo.
- " Marina izany Da'toa, ndray, Fano mantsy eh!" hoy i Hery sady nampiakariny moramora tao amin'ny hatony ny tanany anakiroa toa ireny olona maka bahana hieritreritra ireny.
Nony hariva tao amin'ny hopitaly,...
- " Vita daholo ny fanomanana ry Hery fa vonona ny handeha isika" hoy i Mihary nientanentana nilaza ity vaovao.
- " Misaotra betsaka Mihary an. Manana havana tokoa aho manana anareo telo mianadahy mianaka mikarakara ahy kah. Tsy ho voavaliko mihitsy fa dia Andriamanitra hamaly soa dia mba samy ho tojo izay irian'ny fony daholo ianareo rehetra.
- " Tsy misy fisaorana ry Hery " hoy i Tahiana fa sitrana haingana ianao dia modia haingana koa sa hijanona any? Sady nitsiky  kely ny anao vavy?
- " Tsy fantatro izay ho fandehany any " hoy i Hery " fa dia izay hahasalama ahy aloha izany no atao dia eo indray isika mahita izy hoy i Jaojoby."
Nihomehy kely izy telo mianadahy nihaino an'i Hery teo.
- " Ary ianao izany anie lasa ohatran'ny be vazivazy ry Hery e" hoy i Tahiana tsy naharitra.
- " An, an, an. Tsy misy resaka vazivazy mihtisy izany resako izany" hoy i Hery fa resaka tena matotra be ohatran'ny anareo sy Da'toa Fano." Vao maika toran'ny hehy nikakaka i Tahiana sy Mihary naheno an'ilay hoe Da'toa Fano.
- " F'angaha efa fantatrao?" hoy i Tahiana tamin'i Hery.
- " Aza atao mandritra ny fotoana tsy maha eo ahy fotsiny ny mba fangatahako" hoy i Hery toa tsy namaly ny fanontaniana niantefa tany aminy.
- " Ianao angady nanana sy vy nahitana indray ve" hoy i Mihary no ho hadinoin-dry zareo amin'izany fa sitrana haingana fotsiny ianao hidiran'izy roa amin'ny lalindalina."
- " Izay mihitsy !" hoy i Tahiana. I Fano moa amin'io fotoana io ohatran'ny sadaikatra dia sadaikatra tsy nahita ho tenenina firy izany fa dia nanaraka izay onjan'ny fandehan'ny resaka fotsiny teo.
Tany amin'ny biraon'i Ratrema ny tolakandro io...
- " Izay ilay izy ry ingahy Ramanana araka an'ireny resan-tsika mirahalahy anikeo maraina ireny. Ahoana ny fanapahan-kevitrareo mivady?" hoy i Ratrema liana fatratra ny amin'izay valin-teny entin'ity olona manambola aminy.
- " Raharaha sarotra izy ity ry ingahy Ratrema ka aleo aloha hifampidinika amin'ireo zanako koa aho izao hariva izao dia mba mihaona indray isika mirahalahy rahampitso" hoy i Ramanana hita ho misalasala amin'ilay tolotra nomena azy.

 

 

Mbola hitohy.

Tadio ([email protected])

Pejy 77
2006/08/29,09:34
- " Allo! Dr Mihary?" Hoy i Mahefa raha vao henony fa tafapaka taty Madagasikara ny antsony.
- " Ie, izy indrindra ity fa izy izao azafady?" hoy i Mihary rehefa avy nitopy maso haingana teo amin'ny laharana niseho teo amin'ny findainy izy.
- " Profesora Mahefa  ihany ity e.  Tsy manelingelina anao?"
- " An, an, an" hoy i Mihary " Miandry an'i Hery aty amin'ny hopitaly aho io. Anjarako mantsy no miandry azy anio alina"
- " Hay, eo akaikinao eo ve izany i Hery?" hoy i Mahefa somary nientanentana.
- " Io mihitsy izy sady mijery ahy tsara" hoy i Mihary nitsiky nangalam-pijery kely tany amin'i Hery izay tsinjony nangilantsofina mafy vao naheno ny firesahana ny momba azy.
- " Misy hafatra ho azy angaha sa te hiresaka kely aminy mihitsy ianao profesora?"
-  " Tsy hoe misy hafatra akory fa ity zanako vavy eto akaikiko eto ity no mba te hiresaka kely vetivety aminy raha ohatra ka mety? "
- " Efa afaka miresaka tsara mihitsy izy fa aza miala ary" hoy i Mihary sady nanatona teo amin'i Hery izy. Somary notapenany kely aloha ilay faritra fitenenana dia hoy izy somary nibitsibitsika tamin'i Hery:
- " Te hiresaka aminao hono i Alexia".  
- " Alexia?
Marina ve izany?" hoy i Hery taitra dia taitra. Toa tsy nampino azy ity zavatra nolazain'i Mihary.  Tsy namaly anefa ity farany fa ny finday teny antanany fotsiny no natolony an'i Hery izay efa tsindrin-daona aok'izany. Nahatsiaro tohina kely anefa i Mihary na dia tsy niniany loatra aza.  Saika hamonjy hipetraka izy kinanjo tsapany fa mety mba mila fotoana hiresahana mangina ireto mpifakatia ka dia naleony namonjy moramora ny varavarana mivoaka hoany andalan-tsara. "Mila miezaka ny manadino azy tanteraka aho" hoy izy miezaka manamboatra saina " hijaly aho raha izao zavatra tsapako izao no mitohy" isaky ny haheno ny anaran'i Alexia ve aho dia harary foana ny foko? " hoy ihany izy miteny irery sady niasa dia nandroso sy niverina nanaraka an'ilay lalantsara foana tsy nisy olona izy. 
Mandritra izay fotoana izay ...
Nangovitra ny tanan'i Alexia nandray ny finday teny antanan'i Mahefa. Toa tsy mampino azy fa handre ny feon'ilay malalany indray izy tao anatin'izay fotoana ela izay. Natahotra izy fa sao dia feon'i Hery tsy mitovy amin'izay raiki-tadidy ao antsainy no ho henony.
- " Hery! Allo!" hoy i Alexia tamin'ny feo somary farimparina.
Nangorivintsika ny tenan'i Hery iray manontolo vao naheno ny feon'i Alexia. Nampitamberina fahatsiarovana be dia be tao antsainy ilay feo. Toa nanonofy no fahatsapany ny tenany.
- " Alexia? Ianao tokoa ve izany?"
- "Izaho ilay olon-tinao hatrizay ihany ity Hery ah" hoy i Alexia namaly moramora tany ambadika lavitra tany. Nanganohano ny mason'ity tovovavy resim-pitiavana lalim-paka. Vao nahatsikaritra ny zava-nitranga i Mahefa dia naleony nitsaitsaika moramora nivadika tany amin'ny efitranony aloha hamela ireto mpifankatia hifampita ny vetsovetsompony.
- " Mijaly be aho ry Hery fa lavitra anao"hoy i Alexia sady nanomboka nifokofoko nitomany izy...  Manao ahoana ianao ao izay?"
- "Mijaly mafy toa anao koa aho rahavako" hoy i Hery ila tsy hahaloa-peo. Aza manary toky ianao ry Alexia fa raha sitrak'Andriamanintra ny fitiavantsika dia tsy maintsy ampihaonina foana isika na ho ela na ho haingana!"
- " Eny eh, fa manao ahoana hoy aho ianao ao izay?" hoy indray i Alexia namerina ny fanontaniany ny toe-pahasalaman'ity olontiany.
- " Tsy hitako izay tena hilazako aminao ny momba ahy ry Alexia fa dia mbola eto ampitsaboana moa izao. Izay fitondran'Andriamanitra fa mbola eo ampitadiavana lalana ny handefasana ahy hoatsy La Reunion ry zareo izao. "
- " F'angaha mbola tsy notenenin-dry zareo taminao...?" hoy i Alexia somary gaga tamin'izay zavatra nolazan'i Hery.
- " Ny hoe ahoana?" hoy i Hery somary taitra
- " hoe alefa aty aminay ianao no tsaboina kah!"
- " Izany ve?" hoy i Hery toa velom-panantenana tany anatiny tany tampoka teo. Nijohy moramora indray ny ranomasony.
- " Alexia ah!" hoy izy nanohy sady nisefosefon'ny tomany " Tia anao aho".
Tsy tana fa nipatraka moramora toa ny an'i Hery indray koa ny ranomason'i Alexia. Toa nahatsapa fa nifanakaiky indray izy roa na dia nosarahin'ny elanelan-tany aza.
- " Hery ah!, Tia anao koa anie aho eh... Aza manahy fa tsy miova ny fitiavako anao" hoy i Alexia toa nahatsapa fahatoniana nahazo toky fa mbola tia azy tanteraka i Hery.
- " Ny fitsaboana anao aloha izao" hoy izy nanohy avy eo no mila karakaraina haingana dia ho hitantsika indray izay atao manaraka.
- " Eny eh, marina izany" hoy i Hery. " Ny angatahako amin'Andriamanitra dia ny mba ho vita soamatsara ny fandidina ahy. Mba te hiara miriaria aminao indray toy ny teo aloha aho. Mafy tamiko loatra izay tsy nahateo anilako anao izay" sady toa nitamberina kely tao antsain'i Hery ny fotoana niondranan'i Alexia hoany ampitandranomasina.
- "Aza manambe izany fitiavako izany" hoy i Alexia " Mila mandeha kely izaho sy dada fa miantso anao aho raha vao misy fotoana malalaka kely an." Mbola fenofeno tokoa ny fon'i Hery teo ampiresahana teo ka tsy dia tandritadriny loatra ilay tenin'i Alexia niantso dada an'i Mahefa teo.
- " I Dr Mihary ilay niresahanao teo ihany no antsoy dia izy no afaka milaza aminao ny fotoana mety andalovany aty amiko sy ahafahanao miantso ahy " hoy i Hery nanohy ny resaka rehefa avy eo.
- " Efa voarakitro tsara io laharany io kah" hoy i Alexia namaly tamin'ny feo somary mihantahanta tamin'ity malalany.
- " Aleo ianao havelako kely indray aloha izany fa sao dia reraka loatra miresaka,sady mbola ndeha hisakafo hariva mantsy izahay io"
- " Eny ary" hoy i Hery fa misaotra niantso izany fitiavako izany.
- " Bisous mamy be eo amin'ny molotrao an" hoy ny feon'i i Alexia nanakoako tao antsofin'i Hery sady tapaka ilay antso.
- " Misaotra Alexia ah." Hoy i Hery namaly na dia tsy tafampita intsony aza ny hafany sady norohany moramora ilay faritra firesahana teo amin'ilay finday ho mariky ny famaliany ilay oroka nomen'i Alexia azy teo.
Finaritra ery ny tovolahy nony avy eo. Toa feno fanantenana izany indray ny fahitany ny fiainany. Mbola tiany ihany aho lahy hoy izy tany antsainy tany. Raha izy mbola variana namisavisa ny fiainany teo iny indrindra no indro niditra moramora i avy any andalantsara i Mihary.
- " Nanao ahoana izy tao?" hoy izy somary nitsiky nanatsafa an'i Hery.
- " Nahafinaritra ny naheno ny feony indray ry Mihary ah. Efa ela no naniriako an'iny fotoana iny fa dia misaotra anao aho nampifandray anay toy izao."
- "Tsy misy fisaorana ry Hery ah," hoy i Mihary mody tsy dia rototra. " Efa miezaka ny hanamboatra saina tanteraka aho ny amintsika. Tsofiko rano ianareo roa hahaleo halasa izay kasainareo amin'ny fiainana.
Gina tsy nahateny aloha i Hery nandritra ny segondra vitsy. Tsapany fa tena tafapaka lalina tany anatin'i Mihary ny fitiavana azy. Diso aho ry Mihary hoy izy nony avy eo ary mangata-pamelana aminao aho fa nandratra ny fonao. Tsy hanao ireny adalako ireny intsony aho raha sitrana soamatsara eto. Hasiako hasiny amin'izay ny fitiavako an'i Alexia fa tsy hosimbasimbaiko amin'ny filan'ny nofo etsy sy eroa ary ny faniriako aminao dia ny mba hifanenan'ny lalanao amin'izay olona tena afaka manome ny fitiavany iray manontolo hoanao."
- " Mamela anao aho ry Hery. Misaotra anao amin'ny fampaherezana nomenao. Zava-dehibe amiko mihitsy ny maheno ireo zavatra voalazanao rehetra teo ireo. Ampy ahy hanasitranako moramora ny feriko.  Tsy manary toky koa aho ny amin'ny hoavy e... Teo ampiandrasana anao miresaka tamin'i Alexia teo aho no tena tapa-kevitra ny hanatanja-tsaina ka hamela anao sy Alexia hifankatia amin-kalalahana amin'izay ka mahazo matoky ahy ianao fa manomboka izao dia fitiavana madio toy ny mpinamana tsy mifankafoy fohy no ifankatiavantsika, sa ahoana?."
- " Misaotra ry Mihary" hoy i Hery " vitsy ny vehivay mahavita izao ataonao izao. Mendri-piderana tokoa raha ianao ary inoako fa tsy ho very maina akory izao zavatra rehetra ataonao ho ahy izao."
- " Manana adidy aminao aho" hoy i Mihary lasalasa ny vavany namaly ny zava-boalazan'i Hery sady toa nahatsiaro tampoka ilay fotoana naha teo ambavahoana ny fahafatesana azy tany Mahajanga izy. " Ary raisiko ho tombotsoa ho ahy ny hanatanteraka izany".
Natsotran'i Hery moramora ny tanany ankavanana dia natolon'i Mihary koa ny azy dia nifandray tanana teo izy roa ho mariky ny finamanana vaovao vao natombok'izy ireo teo.

 

 

Navadiky Hery ny tafa nony kelikely ka hoy izy hoe
- " Ary nahoana hoy aho no tsy mba nolazainareo ahy izany izaho halefa ho tsaboina any Frantsa izany, sa i Alexia no diso filaza?
- " An, an, an tsy hoe niniana tsy nolazaina anao akory ilay izy fa fanapahan-kevitra vao vetivety izy io ary anio hariva amin'izaho hoe hiandry anao aty io no saika hilazako aminao ny antsipirihany hay moa ny avy any andafy no tonga mialoha...?" hoy i Mihary somary nitsiky kely nitodika tany amin'i Hery.
Raha mbola somary lasa fisainana teo i Hery mieritreritra sahady ny tenany handeha hiampita ranomasina hamonjy ity malalany no notarin'i Mihary hoe:
- " Ary toa lasa fisainana be hoy aho ity ianao eh"
- " An, an, an, somary variana kely fotsiny aho fa ahoana tsara izany no tena fandehany?"
Nanomboka nanazava ny fikarakara rehetra tokony hatao teo i Mihary sady nanambara ihany koa fa i Profesora Mahefa sy Alexia no tena nanolotra ny soson-kevitra ny amin'ny hitondrana azy any Frantsa sy ny fiantohana ny fitsaboana azy. Tankina tsy nahateny i Hery nandritra izay fanazavana rehetra izay. Tsapany ny hasarobidin'ny fitiavan'i Alexia azy. Nanitikitika kely ny sainy ny mikasika ity profesora toa tena misahirana ny aminy ity saingy navelany ho eritreritra mandalo ihany aloha izany fa izay hahasitrana ahy aloha izao no tokony ho imatimatesako hoy izy tany antsainy tany.
- " Saika adinoko" hoy i Mihary rehefa avy eo..." hanatitra anao hatrany Paris anie aho eh"
- " Zany ve?" hoy i Hery. " Sao dia mba tsy mety kosa izany ry Mihary a, izaho aza efa tena menatra mihitsy mieritreritra ny fisahirananao amiko eto dia mbola handany vola aman-karena hanatitra ahy any koa ve ianao"
- " Tsy maninoa izany ry Hery ah." Hoy i Mihary tsy naka sarotra. " Efa tapaka ny hevitro fa tsy maintsy manampy anao hatramin'ny farany aho. Tadidiko anie ny fisahirananao tamiko e. Mba anjarako indray izao. Sady izaho ihany koa anie no nahatonga an'izao rehetra izao ka tena adidiko mihitsy ny manao izay azoko atao rehetra hoanao kah. Tsy misy eritreritra hafa mihitsy fa fitiavana te hanampy ny namana tena namana toa anao tsotra izao fotsiny ny ahy. Milamina koa ny saiko rehefa hitako fa tonga tsy manahy any amin'ny profesora Mahefa sy Alexia ianao. ... Efa nahavita ny famandrihan-toerana izahay ka amin'ny alahady amin'ny 12 sasany alina no manaiga hoany Paris isika. Ny fangatahana ny fahazon-dalana hivahiny any Frantsa sy ny fividianana ny tapakila izany sisa no karakaraiko rahampitso fa ny ankoatran'izay efa vonona daholo."
Tena handeha hahita an'i Alexia ihany aho marina hoy i Hery na dia atao aza hoe hitsabo tena no halehako any.
- " Mandalova any antrano ianao sy Tahiana rahampitso izany " hoy i Hery  rehefa avy eo" ...hitan'i Tahiana tsara ny toerana nametrahako ilay pasipaoroko niarahanay nikarakara iny, ... sady mila manoratra seky hakanao vola handoavana ny saran-dalako koa aho izany ..." sady natorony an'i Mihary ny toerana fametrahany ny atotan-taratasy saro-bidy any antranony.
 
Tany amin'i Ratrema sy Malala tamin'io alina io...
Avy nampatory an'i Toky sy Cynthia i Malala. Tsy dia nampoiziny loatra ny zava-nitranga fa raha izy ndeha hamonjy ny efitrano fandroana iny no avy hatrany dia nosavihin'i Ratrema moramora teo amin'ny valahany. Takatry i Malala ny tian'ny vadiny hatao saingy mody nolaviny moramora aloha:
- " Aoka moa aloha Ratrema a. Mbola mila mandeha mandro vetivety aho fa tena madisadisa be mihitsy izany vatako izany"
Nodian'i Ratrema tsy heno anefa izany fiangavian'i Malala izany fa raha mbola samy teo ampitsaganana teo izy roa dia avy hatrany dia nosintoniny tanteraka hiankina teo antratrany ny lamosin'ity vadiny. Nampanantoniny moramora ny sofin'i Malala amin'izay ny molony rehefa avy eo sady nobitsibitsihany hoe:
- " Efa ela mihitsy anie no niandrasako an'ity vadiko ity e. Tsy ampy anao mihitsy ny fiainako Malala ah." Sady nampiakariny moramora nanafosafo ny nonoben'i Malala mbola tsara sarona tao anaty ankanjo ny tanany anakiroa. Nanentana ny tany anatin'i Malala tany ilay bitsibitsika toa nampangoritsina ny tenany iray manontolo nataon'i Ratrema teo. Tsy ela taorian'izay dia injay fa henony miakatra moramora ao anatiny ny filana te hanakatra ny faratampom-pahasambarana. Adinodinony ilay programany handeha hamonjy ny trano fandroana teo fa navelany nanaram-po tamin'ny safofaso teo aminy teo aloha ingahy Ratrema. Nahodin'i Malala moramora ny lohany hiezaka hanakatra ny molotry Ratrema izay efa niandry mafy tao andamosiny tao. Nanomboka niha haingana ny fidoboky ny fon'i Malala nahazo ny tsiron'ny fifanorohana tsy ankijanona tamin'ity vadiny. Nihamafy tsikelikely ihany koa ny fisefoany. Niha nahatsiaro fahasambarana ny vatany. Tsy tsaroany hoe oviana no namahan'i Ratrema ilay bokotry ny lobaka mbola teny aminy fa ny tanan'i Ratrema efa miezaka mitsofoka eo ambanin'ilay tatinonony ankavia no tsapany nanaitra azy. Nopolipolesin'i Ratrema moramora aloha ny nonom-badiny sady somary nokasohiny kely matetitetika ilay lohanono somary volon-tsaokola manompo mainty izay tonga dia nihijitra avy hatrany iny. Nampidinin'i Ratrema teo amin'ny kibon'i Malala indray ny tanany rehefa avy eo. Tsy andrin'ity farany ny hiverenan'ilay ratsan-tanana manafosafo teo amin'ny lohanonony. Fahafinaretana mampitosaka herin'aratra mamakivaky ny lohany sy ny vatany iray manontolo mantsy no tsapany isaky ny voakasika io faritra io.  Niverenan'i ngahy Ratrema indray tokoa ary ilay lohanono efa nivontovonto anakiroa. Somary notsongotsongoiny kely aloha vao ahodinkodiny amin'ny fanondro sy ny ankihibeny. Toy ireny manodina bokotra amin'ny fitadiavana onjampeo amin'ny vata fandraisam-peo ireny no ilalaovany azy. Ahodiny kely dia avotsitrany... dia iverenany kely indray rehefa avy eo. Mikipy tanteraka ny mason'i Malala mandritra izay fotoana izay. Efa tsy mandia-tany intsony izy amin'io fa mitsingevana eny amin'ny tontolon'ny sambatra. Mihanoka tanteraka ao anatin'ny fahasambaran'ny nofony.
Rehefa nahatsiaro tena kely indray i Malala dia henony fa miha manindrotsindrona moramora sady mitankisinkisina amin'ny maojany avy aoriana ny filahian'ity vadiny efa mangetaheta fatratra azy. Nampidinin'i Ratrema moramora tamin'izay ny tanany ankavanana rehefa avy eo moa ilay tanany ankavia mbola nanohy ny fanapolipolesana an'ireto nono be toa voasary loaranjy mbola mihenjakenjana tsara.  Nampadaloviny teo amin'ny foitra aloha ny safosafo somary nanao faribolana izany vao somary nanaovany herisetra hitsofoka teo amin'ilay zipo tazonin'ny elastika malefaka nanaovan'ity vadiny. Nanomboka nihodina tamin'i Malala indray ny tany aman-danitra. Toa miandrandra fatratra ny tanan'i Ratrema hikasika ny zohim-pahafinaretany izy. Tsy tonga dia namonjy teo anelakelam-pen'i Malala anefa ilay tanan'i Ratrema fa narosony moramora aloha hamakivaky ilay silipo "thong" nanaovan'i Malala ary najanony kely teo amin'ireo volo madinika nandrakotra ilay dongona teo. Naveziveziny moramora aloha ny ratsan-tanany hakany fahafinaretana tsara ny hakanton'ilay vohitra rakotr'ala. Ny fanongotsogoina sy fanapolipolesina ireo nono ery ambony amin'io mandeha ihany sady vao maika nampian'i Ratrema tamin'ny fanorohana moramora ny ravin-tsofin'ity vadiny. Tsy afa nanda intsony ny tenan'i Malala fa dia niha hotsaka tsikelikely ny fivaviany. Naroson' ingahy  Ratrema moramora tamin'izay ny rantsantanany iray rehefa avy eo hanafosafo ilay kitsokely efa niefonefona sady nihenjana aok'izany. Somary nitambotsitra kely i Malala toa ila tsy hahazaka azy intsony ny lohaliny fa nohezahin'i Ratrema notazonina hitsangana hatrany. Tampoka teo... narotsak'ity farany tao amin'ny zohim-pahafinaretan'i Malala ny ratsantany iray manontolo. Efa hotsaka tanteraka ny anao vavy ka rano maditidity nitopatopa no niandry ny tanany tao. Nanaram-po teo aloha ingahy Ratrema nanafosafo ny fivavian'ity vadiny nanatsofotsofoka ny rantsany tany anatiny tany araka izay takany. Tsy voatanan'i Ratrema hitsangana intsony i Malala fa niha godro tanteraka ny lohaliny.
- " Mitsangana Malala ah" hoy ny anao lahy fa toa tsy henon'i Malala heniky ny hasambarana ny fiangaviany.
Nony afaka kelikely.  Nivadika nitodika tany amin'i Ratrema amin'izay i Malala Novahan'i Malala avy hatrany ny bokotra tamin'ilay pataloha fohy teny amin'ingahy Ratrema. Noloharany hivoaka tao ilay filahian'ity farany izay efa nandranoka fotsy tateram-pahazavana teo amin'ny lohany. Tsy nisalasala ny anao vavy fa avy hatrany dia nataony tany ambavany ny filahian'ity vadiny izay niridiridy tsy nisy ohatran'izany.  Nisento tokana ingahy rainy. Ela no nanofinofisany an'ity vadiny mba hanao toy izao azy indray. Noraisin'i Malala nony avy eo ilay vaoniny anakiroa tao ambany sady somary nopotsipotseriny moramora nampanarahiny ny gadon'ny fitsetsafany ilay filahiana teo amin'ny molony. Nanomboka nisefosefo mafy ingahy Ratrema sady vao maika niha nihenjana ny filahiany. Nesorin'i Malala haingana ny tanany sady najanony ny fitsetsafana nataony teo. Nihiratra ingahy Ratrema saingy tsy nahateny. Izy efa tongan'i Malala teo ambaravaran'ny efitrano fandroana vao tafaverina tsara teto ambonin'ny tany ny saina aman'eritreriny.
- " Fa maninona no najanonao" hoy izy tamin'ity vadiny.
- " Tsy mbola azo alefa " hoy i Malala nitsiky sady ohatran'ny nanaraby azy.
" Mbola hangalako tsirony eny ambony fandriana io rehefa avy eo" sady nohesoriny tanteraka ny ankanjo kely sisa tavela teny amin'izy roa.
 

Tadio ([email protected]) 

 

Pejy 76
2006/08/22,20:11
Teny andalana hody i Tojo sy Alexia,..
- " Fa inona marina no tena mahatonga anao te hianatra ao amin'ity American Univerity of Paris, ity ry Alexia?" hoy i Tojo somary nitopy kely tany amin'ny Alexia ny masony.
- " Te hanohy fianarana any Etazonia aho ry Tojo indray andro any ah. Izay no mba tena nofinofiko hatrizay na dia tsy mbola nolazaiko na tamin'iza na tamin'iza aza."
- " Miheritreritra ny handeha lavitra mihitsy anie ianao izany e, dia ahoana izany aho?" hoy i Tojo nananihany sady toa nitsapa izay mety ho fihetseham-pon'i Alexia?
- " Ahoana amin'ny ahoana?... Tsy azoko?" hoy i Alexia gaga toa tsy nanampo fanontaniana sangy zary tenan'ity tovolahy nitondra ny fiara teo anilany.
- " An, an, an, mba manala aminao fotsiny aho fa tsy maninona akory kah. Izaho anie be sangisangy ry Alexia. Mbola tsy arakao foana ve?"
- " Fa ianao angaha moa tia ahy?" hoy i Alexia toa matotra tampoka teo tamin'ity fanontaniana napetrany.
- " Eny e, ..." sady niahotra kely aloha i Tojo toa tsy nahita havaly ity fanontaniana mivantambatana niantefa tany aminy." Voasarika aminao aho ry Alexia fa tsy haiko raha mahatsapa toa izany koa ianao?"
- " Tena marina ve izany zavatra lazainao izany ry Tojo sa hoe mampiresaka ahy fotsiny ianao?" sady lasa kely tany amin'i Hery tampoka ny eritreritry Alexia. " Tena tia ahy tokoa ve ity Tojo ity sa hanadala ahy fotsiny,  dia ataoko ahoana i Hery?" hoy ihany ny eritreriny lasa lavitra. Tsapany ho finaritra anefa ny sainy mahatsapa fa misy olona mampiseho fahalianana aminy. Henony fa injay nisy hafanana nitosaka tampoka nanenika ny tarehiny iray manontolo.
- "Tena marina izany Alexia a!" hoy i Tojo namaly sady tsy sahy nijery an'i Alexia fa ny lalana izoran'ny fiarany ihany no nobanjininy. Tamin'izay fotoana izay indrindra no tsinjon'i Alexia nisy toerana fijanonanana somary mivoaka kely ny arabe tsy lavitra azy ireo ka hoy i Alexia hoe:
- " Ajanony kely etsy mihitsy aloha ny fiara ry Tojo dia ndao isika sy ianao hiresaka?"
Tsy nampoizin'i Tojo iny fiangaviana nataon'i Alexia iny sady tsy nampoiziny ihay koa hoe hivadika resaka matotra be ohatran'izao ilay sangisangy nataony teo.
Nijery ny fitaratra fitazanana ny fiara any aoriana aloha i Tojo vao nampirehitra ny jiro filazana fa hivily miankavanana rehefa mby akaiky ilay fiviliana ary dia niroso moramora nakeo amin'ilay toerana maladalaka notondroin'i Alexia.
Nifampijery kely izy roa nony tafajanona tanteraka ny fiara sady niara nitsiky toa samy te hilaza zavatra saingy samy tsy nisy sahy na koa hoe tsy te hilaza izay ao antsainy.
- " Alefaso ary ny resakao " hoy i Tojo fa ianao no nangataka ny hijanonantsika eto.
- " Efa tsikaritro ihany aloha ireny fihetsikao rehetra ireny ry Tojo ary tsy afeniko aminao fa voasarika aminao koa aho. Misy itovizana be amin'ilay olona miaraka amiko any Madagasikara mantsy ianao raha ny tena marina e. Mahatsiaro finaritra izany aho rehefa miaraka aminao ary dia mahatsikaritra an'io daholo na i Dada na i Neny..." somary nitsiky toa faly tany anaty izany i Tojo naheno izay voalazain'i Alexia. "rehefa nieritreritra anefa aho ry Tojo" hoy ihany Alexia nanohy rehefa avy eo dia " ohatran'ny tsy ho haiko izany hitia olona anakiroa izany. Tiako be mantsy izay olona any Madagasikara izay ary ambonin'izay mandalo olana goavana mihitsy izy amin'izao fotoana izao any. Ianao aloha dia olona tsotra sady tsara fanahy  ary dia tena lanin'ireo ray aman-dreniko toetra mihitsy saingy aleo re mba hijanona ho eo amin'ny sehatry ny finamanana ihany ny amintsika raha sitrakao?" hoy i Alexia somary namaranana tamin'ny feo malefaka ny teniny.
Gina tanteraka ny tovolahy. Tafaondrika kely teo amin'ny familiana aloha izy vao nitraka moramora. Tsy nampoiziny ny zavatra nolazain'i Alexia teo. Mifanohitra tamin'ny eritreriny ny fanapahan-kevitry ity farany.  Henon'i Tojo fa nihanafana tampoka teo ny lohany sady toa nanganohano ny masony. Tsy te hiteny na inona na inona izy raha ny sitrapony nefa fantany fa miandry azy mafy mba hisoka-bava ity tovovavy mipetraka eo anilany.
- " Inona moa no azoko tenenina ry Alexia" hoy i Tojo ila tsy hahaloa-peo. " Izay moa no fantatrao fa mety dia hajaiko ny safidinao."
- " Aza fady Tojo fa tsapako hoe tena nandiso fanantenana anao aho an. Tsy tiako anefa ny miolakolaka sy ny mampanantena poakaty ka aleoko tsoriny e."
- " Tsy diso mihitsy ny eritreritro nihevitra fa zaza vavy tsara fo sady tsotra ianao ry Alexia. Mahatoky amin'izay nomenao ny fonao. Olona toa anao mihitsy no mba nofinofisiko ho ravaky ny fiainako indray andro any." Hoy i Tojo niezaka nampahery tena nony avy eo.
- " Aza manahy ianao Tojo fa amin'ny fotoana tsy hampoizinao dia hifanena amin'izay olona izay ny lalanao ah."
- " Enga anie" hoy ilay tovolahy somary naneho tsiky niharo henatra.
- " Ekenao ve izany ny hoe ho mpinamana tsy mifankafoy izaho sy ianao?" hoy i Alexia nony avy eo te haka toky sao dia tsy te hahita azy intsony i Tojo aorian'izao resaka ifanaovan'izy roa izao.
- " Aza manahy ianao ny amin'izay ry Alexia fa tsy hanary ny finamanako aminao aho. Mila amboariko fotsiny ny saiko isaky ny mahita anao aho" sady nitsiky i Tojo te hampita amin'i Alexia fa efa tony izy.
- " Avy ary enao ho fihiniko" hoy i Alexia ho mariky ny dina ifanaovantsika sady nanatonantona teo akaikin'i Tojo kokoa izy. Somary sahirana ihany anefa satria tery tao anaty fiaraka saingy tsy nanakana azy roa tsy hifamihina izany. " Tiako ho fantatrao ry Tojo fa ho raisiko ho namana akaiky ahy indrindra eo amin'ny fiainana ianao" hoy i Alexia somary nibitsibitsika moramora teo amin'ny soroky ity tovolahy nony avy eo.
- " Misaotra amin'ny fahatokisana Alexia" hoy i Tojo namaly mora koa rehefa samy namonjy nipetraka tsara tamin'ny sezany avy izy roa.
- " Ndao amin'izay andeha hody" hoy i Alexia  sao dia mitebiteby i dada any antrano.
Inona tokoa fa tsy ela taorian'ny niagan'izy roa dia injay naneno ny finday tany amin'i Alexia.
- " Allo! Dada?" hoy ity tovovavy nahita avy hatrany ny anaran'i Mahefa niseho.
- " Aiza ho aiza ianareo izay anaka?"
- " Efa aty andalana hody mihitsy izay ry Dada fa afaka dimy ambinifolo minitra eo izahay tonga any antrano."
- Eny ary!" hoy i Mahefa sady notapahany ny antso.

....

Tonga  tao amin'ny tranon'i Alexia.
- " Izay Tojo fa misaotra betsaka an. Hiresaka amin'i Dada aho dia antsoiko ianao rahampitso. Aza malahelo an. Izaho tsy mankaiza fa eto ihany, sady ianao namako be moa e?" hoy i Alexia niezaka nampahery ity tovolahy fantany fa somary naratra tany ampony.
- " Eny ary," hoy i Tojo. " Nahafinaritra ny niaraka taminao na dia saika nampitomany aza, " sady mody nitsiky izy toa te hampita amin'i Alexia fa diso fanantenana tokoa izy.
Novelomin'i Tojo ny fiarany dia lasa izy namonjy ny fodiany.

....
Novohan'i Mahefa ny varavarana. Nanoroka azy teo amin'ny takolaka vetivety fotsiny i Alexia dia namonjy nametraka ny poketrany teo ambony latabatra.
- " Fa maninona izany zanako izany no ohatran'ny manjombon-tarehy? " hoy i Mahefa tsy nihambahamba nanontany.
- " fa inona no mahatonga an'i Dada manontany an'izany?" hoy i Alexia niezaka nanamboatra ny fijorony sy ny endriny mba hanafenany ny aditsainy izy nivoaka ny fiaran'i Tojo teo.
- " Efa mba ela niainana ihany anie aho anaka" hoy i Mahefa somary nisarika anjanany handeha hamonjy hipetraka teo amin'ny seza lava eo amin'ny efitrano fandraisam-bahiny.
- " An, an, an. Sahirana ny saiko ry dada fa ohatran'ny nanao sangisangy izay i Tojo tamiko androany rehefa nolazaiko izy hoe izaho maniry ny hanohy ny fianarako any Etazonia indray andro any dia hoy izy hoe ary ahoana hono ny aminy izany. Gaga be aho dia nasaiko nanjanony mihitsy moa ny fiara dia niresaka tsara izahay ary dia nolazainy fa te hiaraka amiko hono izy... Saika halaim-panahy hanaiky ihany aho saingy tsapako hoe mbola mavesa-danja lavitra ato anatiko ny fitiavana an'i Hery dia notsoriko taminy fa namana akaiky no tena tiako andraisana azy. "

Nihaino tsara sady namela an'ity zanany hampita ny tao ampony rehetra i Mahefa.
- "Aza atao manahirantsaina be anao izany anaka. Izay zavatra tsapanao no nambaranao azy ka tsy misy mahadiso anao amin'izany mihitsy...Ahoana anefa hoy izy rehefa no lavinao ny faniriany?"
- "kivy tanteraka izy ry dada sady tsapako tamin'ny feo navoakany mihitsy fa saika hitomany izy saingy tsy te hamitaka azy aho. Tsy mahatsapa fitiavana aminy koa aho raha ny tena marina eh. fitiavan'ny mpinamana no tena tsapako aminy, asa anefa na hainy ny manavaka an'izay?"
- "Marina ny anao ry Alexia,  izay sitraky ny fonao tanterahina. Azoko tsara mihitsy ny zavatra tsapanao satria efa nandalovako."
- " Nandalovan'i dada ahoana?" sady ohatran'ny taitra kely i Alexia nijery an'i Mahefa.
Nitantara ny fihaonany tamin'ilay tovovavy nandrato fianarana tany Etazonia amin'izay i Mahefa sy ny antony tsy naharaikitra ny fiarahan'izy roa na dia nifandray sady tsy nifankafohy tsy nisy ohatran'izany aza.
- " Mitovitovy amin'ny zavatra iainako izao mihitsy izany tantaranao izany ry Dada an!" hoy Alexia. " Dia aiza izao izay Ramisarivo izay amin'izao fotoana izao. Mbola any Etazonia ihany ve izy?"
Nitamberina kely tao antsain'i Mahefa ny fiarahany tamin'i Ramisarivo fony izy nandalo tany Etazonia. Niserana tao antsainy ny endrik'ilay tovovavy toa nahasodriana azy nefa tsy nety tena nambabo ny fony.
- " Tsy fantatro hoe aiza izy izao anaka. Niha nihena tsikelikely ny fifandraisanay na tamin'ny fifandefasana mailaka izany na tamin'ny antso antelefona ary nony farany dia tsy heno intsony izy moa izaho koa tsy niezaka nitady azy. Ohatran'ny mbola nanantena mafy ny hihaona tamin-dreninao koa aho raha ny tena marina" sady velon-tsento kely ny lehilahy.
- "Dia ahoana izany izao ianao io? Tsy hanambady intsony?"
Tsy nampoizin'i Mahefa ilay fivatambatanan'i Alexia rehefa miresaka. Teo vao tsikariny fa misy itovitovizany amin'ny reniny ihany ny fomba firesaky ity zanany.
- "Ianao ity dia tena reninao navela mihitsy an." Hoy i Mahefa somary nitsiky kely.
- " Fa maninona kah!" hoy i Alexia te hahalala mafy izay tian'i Mahefa lazaina.
- " Tso-po, sady tsara fanahy, nefa mivatambatana rehefa miresaka."
- " Izaho tokoa aloha dia izay e. Efa mahazo an'izay fanamarihana izany ihany aho matetitetika fa tsy mbola mety haiko foana ny manontany ankolaka ny zavatra tiako ho fantatra,... ary tsy novalian'i Dada anie ny fanontaniako teo eh?"
- " Hay moa!" hoy i Mahefa na dia niniany nahodina aza ny resaka mba handinihany ny valiny homena ity zanany vavy.
- " Taorian'ny nahafatarako fa maty reninao izay aho vao nieritreritra ny amin'izay zavatra nanontanianao izay anaka. Tsy ataoko raharaha tsy maintsy atao ilay izy fa raha sanatria ka mifanojo amin'ny olona mety andrian'ny foko ve aho tsy hilaza aminao eny ihany."
- " Hitadiavako ve i Dada e" hoy i Alexia somary nanadrohadro an-drainy sady nitsangana teo amin'ny seza nipetrahany.
- " Aza mbola mandeha aloha ianao" hoy i Mahefa nony avy eo" Misy vaovao tiako lazaina anao"
- " Vaovao ratsy sa vaovao tsara " hoy i Alexia sady niverina nipetraka indray izy. Ny masony amin'io tsy miala teny amin-drainy toa miezaka mitady valiny mialoha ny tena ilazan'i Mahefa ny vaovao.
- " Ho avy aty amintsika i Hery"
- " Zany ve ry dada? Rahoviana? " hoy i Alexia sady tafatsangana mihitsy niala teo amin'ny toerany izy nanatona an'i Mahefa sady nisintona azy hitsangana mba ho fihininy.
- " I Dada ve no nanafatra azy sa ahoana?" hoy izy nibitabitaka sady niandrandra nijery ny tarehan'i Mahefa.
- " Eny e, tsy hoe izaho no nanafatra azy fa ny dokotera any Madagasikara no nilaza fa misy fandidiana maika mila atao amin'ny lohany. Misy ra mandry tavela mantsy hono ao amin'ny lohany ao."
Tsy nahateny indray aloha i Alexia na dia diboky ny hafaliana be aza ny fony teo. Lasa lavitra ny sainy nieritreritra ny zavatra mbola handalovan'i Hery. Toa tsy azony sary antsaina mihitsy izany i Hery tsy salama sady malemy eo ambony fandriana izany.
- " Dia iza no miantoka ny fandefasana azy aty ry Dada, manambola an'izany ve izy?"
- " Aza be ahiahy ny amin'izay ianao anaka fa efa mikarakara an'izay aho. Misy dokotera vavy izay namany no mikarakara azy ... Mihary no anarany, io no hanatitra azy aty?
- " Misaotra betska dada a! Sambatra mihitsy aho manana anao antra olona sady be fitiavana. Tsy andriko mihitsy izay fotoana hahitako an'izay malalako izay ry Dada. Mba azonao anontaniana an'izany dokotera izany ve raha mba misy laharana ahazoako miresaka mivantana amin'i Hery any amin'ny hopitaly androany, sa mbola tsy afaka miresaka izy?"
- " Ananako mihitsy ny laharan'io Dr Mihary io hoy i Mahefa fa aleo hantsointsika mianaka izy rehefa avy eo hanontaniana ary? Fa nanao ahoana aloha ny dianao sy Tojo tany androany fa toa variana be isika mianaka izany?
- "Nahafinaritra kah. Ny niafarany teo fotsiny no iny efa notantaraiko an'i dada teo iny...Nitety toerana roa samihafa izahay androany fa ilay ao amin'ny American University of Paris ao amin'ny 6, Rue du Colonel Combes no ohatran'ny tena andrian'ny saiko," sady navoakan'i Alexia ihany ireo atotantaratasy nomena azy tany.
- " Inona izany no sampana tinao ianarana anaka?"
- " Ity resaka International Business Administration" ity ry dada no tena tiako an. Mba afaka manampy an'i Papa any Madagasikara amin'ny raharaham-barotrany aho amin'izay indray andro any raha ilaina izany moa fantatro hoe tsy ho sahirana mihitsy aho mitady asa raha manana MBA na aiza na aiza toerana hipetrahako.
- " Tsy mba hanao mpitsabo ohatra ahy angaha ny zanako" hoy i Mahefa nanahihany anjanany sady notsongoiny kely ny takolak'i Alexia.
- " Ahoana moa ilay fitenintsika Malagasy hoe " ny adala moa hoy izy no toa an'iza..." sady toran'i hehy i Alexia nandamindamina ireo taratasy niparitaka nojeren'izy mianaka.
- " Ka tsy izay mihitsy anie no hevitr'iny fomba fitenenana iny ry Alexia e? " hoy i Mahefa lokin'ny hehy koa amin'ity sangisangin-janany.
- " Eny eh!, fantatro mihitsy izany fa mba te hanadala anao fotsiny aho. Tsy hoe tokony mba hikendry hahavita mihoatra izay nataonao ve moa izany aho sa tsy izay?
- " Izay aloha no fahazoako azy koa" hoy i Mahefa fa asa na mbola misy heviny hafa. Fa hono hoy aho, tsy voatery hanomana TOEFL ve izany indry raha hiditra mianatra ao?"
- " Toa tsy izay fotsiny aza no tadiaviny fa efa ireto voatanisa eto ireto" hoy i Alexia sady nasehon'i an'i Mahefa ilay taratasy.
- " Mila mianatra miteny anglisy amin'izay izany ny zanako! Hiteny anglisy indray izany isika mianaka ato antrano?"
- " An,an, an!" hoy i Alexia. " Tsy te hanadino ny teny gasy nahalehibe ahy aho fa aleo aho any ivelany any no mitady fomba hampiarana azy.
- " Mino aho" hoy i Mahefa " fa misy toerana afaka manampy andry hanomana an'ireo fanandinana ireo ao amin-dry zareo fa anontanio any rahampitso"

Nony afaka kelikely,...
- " Ndao hivoaka hisakafo any amin'n restaurant" isika mianaka androany hariva fa ohatran'ny kamokamo ny hahandro aho izany hoy i Mahefa,  sa mazoto ny hahandro indry?"
- " An, an, an. Ohatran'ny kamo koa aho izany fa ndao ary hihinana any ivelany." Hoy i Alexia tsy naka sarotra sady nandray ny poketrany. " Tsy aleo ve anefa aloha antsoina ilay dokotera naman'i Hery izany vao mandeha isika?"
- " Ndao ary " hoy i Mahefa sady navoakany ny taratasy kely tany anaty paosiny mirakitra ny laharan'i Mihary.

 Tadio ([email protected])

Pejy 75
2006/08/19,06:44
 - Tsy "epidural hematoma" ve izy izany Dokotera" hoy i Mihary nony avy eo somary nibitsibitsika.  "Mafy loatra mihitsy izany dona nahazo ny lohany izany ka nahatonga ity lalandra ity ho tapaka an." Sady notondroin'i Mihary ilay lalandra madinika miseho teo amin'ny sary.  " Soa ihany aloha fa ato anelanelan'ity taolana ity sy ny rakotry ny atidoha no nivainganan'ny ra fa raha tsy izany an..." sady ohatran'ny nihivingivin-doha ilay dokotera nampiseho ny tahony sy ny ahiahiny ny amin'izay mety hiseho.
- " Aleo averina any amin'ny efitra misy azy aloha izany i Hery " hoy ilay dokotera tompon'andraikitra voalohany nony avy eo tamin'i Mihary " ...dia ho dinihintsika haingana izay tokony hatao fa tsy azo ampiandrasina ela izy ity."
...
Tao amin'ny biraon'i Mihary izay tsy dia lavitra ilay toerana fitarafana.
- "Mety afaka miantoka ny fandefasana azy hoatsy La Réunion ve anefa io tovolahy namanao io ry Mihary?"
- "Izy aloha toa tsara asa fidiram-bola ihany raha ny fahalalako azy fa izay tahiriny any indray no tsy fantatro?"
- "Aleo aloha ary izany resahintsika izy izao dia ho hitantsika eo izay hatao rehefa avy eo" sady nitsangana teo amin'ny seza nisy azy ilay dokotera ary dia nitsangana nivoaka nanaraka azy koa i Mihary.
Tsy nahitana teny firy i Mihary teny andalana. Lasa lavitra ny sainy ny amin'izao zavatra mahazo an'i Hery izao. Mihasarotra izy izany hoy izy tany antsainy tany. Dia noho izaho ve no nahatonga an'izao rehetra izao? Tsy maintsy manampy an'i Hery aho raha mbola azoko atao ihany koa hoy izy tapakevitra tanteraka.
Afaka minitra vitsy dia tonga tao amin'ny efitra nisy an'i Hery izy ireo.  Efa i Fano indray moa no nisolo toerana ny fiandrasana ny marary tamin'io fotoana io. Vao niditra ny efitrano i Mihary sy ilay dokotera namany dia indro fa niara nitopy tany ny mason'izy roalahy mianaka.  Toa tsy mahandry izay valin'ny fizahana natao fotoana vitsy teo aloha. Hita taratra teny amin'ny endriny fa toa nisy hafaliana niserana tao amin'i Hery rehefa nifanojo tamin'ny mason'i Mihary ny masony. Miha miverina tsikelikely tokoa ny fitadidiany
- "Efa azoazo?" hoy i Mihary tamin'ny endrika mirana tamin'ity tovolahy nambabo tanteraka ny fony.
- "Efa tsy dia maninona kah!" hoy i Hery toa miezaka mampatanja-tsaina manoloana ny toe-java misy andalovany.
- " Nanao ahoana ny fahitanareo azy tao Dokotera" hoy ihany i Hery nony avy eo nanohy sady liana fatratra ny amin'izay vokatry ny fizahana natao azy.
- " Tsy dia misy atahorana aloha ny ain'ise" hoy ilay dokotera nanomboka ny teniny toa miezaka mafy hampilamina ny sain'i Hery " saingy misy fandidina  tsy maintsy atao hanesorana ilay ra mivaingana tavela eo anelanelan'ny taolana sy ilay fonosana mandrakotra ny atidohan'ise. Azo atao tsara io fandidiana io ary betsaka ny antoka ny amin'ny hahombiazany.
Gina tanteraka ny anao lahy teo ampandrenesana ity vaovao netin'ilay dokotera. 
- "Tsy manana safidy hafa afatsy izay fandidiana izay ve moa izany aho?" hoy izy nony avy eo.
- " Satriko tokoa r'ise ny hilaza zavatra hafa amin'ise fa tsy maintsy fandidiana ihany no ahafahana manala io vongan-dra mandry ao amin'ny lohan'ise io"
Nivadibadika ny sain'i Hery manoloana ity fanapahan-kevitry ny mpitsabo azy ity. Nanomboka  nanenika azy ny tahotra. "Tsy manan-tsafidy anefa aho raha izany " hoy izy aneritreritra fa dia izay fitondran'Andriamanitra eo izany sisa."
- " Eny ary Dokotera fa tsy maintsy mivonona aho fa mbola mamy izany te ho sitrana izany moa" sady nanompy maso kely tany amin'i Mihary izy.
Tsinjony fa toa onena azy fatratra ny mason'ity farany.
- "Ka eo indrindra no tena ilainay resaka amin'ise. Tsy mbola azo tanterahina eto amintsika mantsy ity karazana fandidiana iray ity. Atsy amin'ny nosy La Réunion izao no akaiky indrindra na koa hoe any Frantsa."
Niontana indray ny fon'i Hery vao naheno fa tsy ho vita eto Madagasikara ny fandidiana azy. Ketraka tampoka ny saina aman'eritreriny.
- " Izany ve Dokotera tsy ho vola be? Ny saram-pitanterana handefasana ahy any aloha ho voalohako ihany" sady tsaroany tampoka ilay fikasany ny handeha hoany Frantsa hamonjy an'i Alexia sy ny fikarakarana pasipaoro nataon'izy sy Tahiana. " ... fa ny saram-pitsaboan'ny hopitaly no tena ho raharaha. Izaho mantsy tsy mba manana ireny fiantohana ny lany amin'ny fitsaboana toy ny an'ny olona any ivelany ireny!" Nakimpin'i Hery indray aloha ny masony toa mitady fitoniany izy handihany akaiky izay tokony hataony.
- " Mbola hamonjy marary hafa aho" ilay dokotera nony avy eo fa aleo rahariva aho miverina eo indray izany ny amin'izay fanapahan-kevitra ho raisintsika sa ahoana?
- " Eny ary! " hoy i Mihary sady naroson'i Mihary akaikikaiky kokoa an'i Hery teo ampandriana ny seza nipetrahany.
- " Ahoana letsy ny atao an'ialahy ity?" hoy i Fano avy nanatona an'i Mihary ihany koa.
- " Tsy manan-tsafidy aho raha ny fahitako azy ry zareo fa na izany izaho mety ho faty na hanantakaitra ka tsy aleo ve miroso amin'izany fandidiana izany!"
- " Marina mihitsy ny anao " hoy i Mihary nankahery ity namany toa valaky ny aditsaina tampoka teo mieritreritra ny zavatra tsy maintsy ho diaviny. " Azo tanterahina tsara io fandidiana io kah". Inona ary hoy i Mihary eo ampitoerana eo no azoko anampiana an'ity Hery ity. Nanavotra ahy teo ambavahoana ny fahafatesana izy ka tsy maintsy ampiko, sady izay indray mbola izaho ihany koa no fototr'izao mahazo azy izao" hoy ihany izy nanohy niresaka an'eritreritra sady nahatsiaro ilay zava niseho taminy tany Mahajanga sy ilay fotoana vitsy nialohan'ny nitrangan'ny loza.
- " Aleo aloha aho hiantso an'i Nenitoa Tahiana vetivety izany hilaza aminy an'ity vaovao ity dia ho hitantsika eo izay eritreririny, sa ve i Fano no hiantso azy?"
- "An, an, an , aleo ianao ihany no miresaka aminy" hoy ity farany " fa ianao anie no tena afaka manazava amin'ny antsipirihany ny antony tena tsy maintsy handefasana azy any ivelany e."  Somary sorena kely aloha i Mihary naheno ny valin-tenin'ity dadafaran'i Hery saingy tsy dia nahoany loatra ka avy hatrany izy dia namoaka ny finday tao anaty paoketrany sady lasa nivoaka kely tany andalan-tsara ary dia nanindry ny laharan'i Tahiana:
- " Allo? ... Allo?  Tantine Tahiana?"
- " Allo! , iee, izaho ihany ity aky fa ahoana? Nanao ahoana ny tany amin'ny fitarafana anikeo?"
- " Ka izay indrindra no iantsoako anao fa angaha tsy loza fa nisy vonga-dra tavela ao amin'ny lohan'i Hery ka mila didina haingana izy." Hoy i Mihary somary mibitsibitsika.
- " Andriamanitro o! Izany ve aky? "
- " Tena tsy nampino ahy ilay izy eh! ...Tsy vita eto amintsika anefa ny fandidiana azy  fa mila entina atsy La Réunion na any koa hoe any Frantsa izy!"
- " Izany a? henjakenjana ny vola ho lany amin'izany sa ahoana ny fahitan-dry azy?"
- " izy aloha dia tsy vitan'ny tsy manam-bola ka izay indrindra no niatsoako anao handinihina tsara izay tokony hatao.  I Fano moa nanatrika teo tamin'ny fotoana niresahan'ny dokotera tamin'i Hery saingy tsy nilaza izay tena heviny loatra izy ka tsy haiko be ihany izay tena any antsainy any."
- " Ahoana ny hevitry i Hery?" hoy ihany i Tahiana nanadihady.
- " An, an, an, izy moa ve nanda fa ny zavatra noteneniny dia ny hoe mety tsy ho voalohany ny saram-pitsaboana fa ny saran-dalana ihany no ananany.
- " Ahoana re izany e? ... Aleo aloha ary aho hiantso an'i Malala hampita aminy an'ity vaovao ity sao dia mba mba afaka manampy ry zareo dia antsoiko indry rehefa avy eo.
Nony afaka kelikely...Naneno ny finday tany anaty poketran'i Mihary.
- " Allo, Dr Mihary ihany ity mihainao anao?"
- " Malala naman'i Tahiana ihany aky ity a!, Manao ahoana, ... ahoana aky izany vaovao nolazain'i Tahiana ahy teo izany?"
-  " Tsy atahorana ve?" hoy ny feo toa mangovitra henon'i Mihary.
- " Raha tafala haingana aloha ilay vongan-dra dia tsy misy ahiana loatra ny aminy fa ny olana dia ny fiantohana ny fitsaboana sy ny toerana hitondrana azy. ... tsy efa notenenin'i Tahiana taminao moa hoe ..."
- " Iee! Efa noteneniny kah!" hoy i Malala tsy namela an'i Mihary hanohy. " I Ratrema aky nilaza hoe aleo mba anontaniana ihany aloha ny hevitry Mahefa sy Alexia alohan'ny tena andraisana fanapahan-kevitra hentitra ka asa na miombom-kevitra aminay indry?" Somary narary kely ny fon'i Mihary naheno indray ny anaran'i Alexia voantonona. Vetivety ihany anefa dia nisinda izany satria tsapany fa misy zavatra hafa manandanja kokoa noho ny hasarotam-piarony dia ny famonjena ity tovolahy toa mampijaly ny fony.
- " Hevitra mety ihany koa aloha izay!" hoy i Mihary.  " antsoy haingana aho izany raha vao henonao ny hevitry ry zareo an."
- " Eny, eh! " hoy i Malala. " Izao dia izao ihany aho dia hiantso".
- " Rehefa avy eo izany Mme Malala a!"
- " Eny ary aky ry Mihary fa apetrako vetivety aloha izany ianao" sady notapahin'i Malala ny antso.

Any Paris, Frantsa ...
Eo ampandinihina ny taratasy mirakitra ny marary iray izay iandraiketany tao amin'ny biraony i Mahefa no injany fa naneno ny finday teny aminy. Nojereny ny tarehimarika niseho. " Avy any Madagasikara izy izany" hoy izy aneritreritra sady notsindriany ilay bokotra afahahana mandray ny antso:
- " Allo! Profesora Mahefa ihany ity?... Malala?"
-  " Izaho ihany ity" hoy i Malala niezaka ny ho tony.
- " Inona ny vaovao" hoy i Mahefa "tsy nananosarotra ny fizàrana ny fiainana any amintsika indray? "
- "Somary sahirana kely fotsiny kah. Fa izao hoy aho no tena niantsoako anao. Ao akaikinao ao angaha i Alexia?"
- " An, an, an. Aty ampiasana aho io. Lasa nandeha niaraka amin'i Tojo naka torohevitra ny amin'ny fomba fidirana hianatra amin'ny anjerimanontolo malaza iray eto Paris izy?"
- " Hay!" hoy i Malala toa niserana tampoka tao antsainy ny endriky Tojo sy ny fiarahan'izy roa. " F'angaha tsy loza fa nolazain'ilay dokotera vavy mikarakara an'i Hery tamiko teo fa mila didina haingana hono i Hery hanalana an'izany vongan-dra mandry ao amin'ny lohany izany."
- " Hnnn! Hnnn!" hoy i Mahefa toa tsy nahita havaly.  " Rahoviana izy izany no ho didina?"
- " Eo indrindra no tena olana sady ilana hevitra aminao fa tsy vita eto Dago hono ilay izy fa tsy maintsy entina atsy La Réunion na aty aminareo aty Frantsa"
- " Misy olom-pantatrareo na i Hery angaha ao La Réunion?" hoy i Mahefa
- " Izahay mivady aloha tsy mahalala na iza na iza any e, ianao angaha mahafantatra?"
- " Misy dokotera mpiara mianatra tamiko izay no lasa miasa any amin'ny hopitaly iray ao Saint-Pierre any sady Neurochirurgie mihitsy no niarany taty. Aleo fa hantsoiko izy sao mba afaka manampy anareo."
Vao tapitra anefa ny tenin'i Mahefa teo dia tsaroany tampoka ilay resak'izy sy Alexia ny amin'ny hoe hanafarana an'i Hery hoany Frantsa.
- " Malala, mbola ao ve ianao? Ohatran'ny  tsy henoko intsony mantsy ?"
- " Mbola ato tsara mihitsy aho fa mieritreritra an'izany soson-kevitra arosonao izany aho eh. Ilay fomba handoavan'i Hery ny saram-pitsaboana any ivelany no tena maha vaka ny saiko?"
- "Izao e,  ary ity angamba no mety kokoa. Aleo alefa mankaty aminay izy dia izaho no hisahana ny fitsaboana azy rehetra. Raha mba afaka miantoka ny saran-dalany fotsiny ianareo na izy dia tena tsara."
" Izany ve ry Mahefa?" sady toa nihiratra tampoka ilay tarehin'i Malala somary  niketrona rakotry ny adintsaina teo. " Tena azonao antoka ve izany fanapahan-kevitrao izany?"
- " Olon-dehibe anie aho ry Malala no miresaka aminao e. Efa voasainako tsara izany zavatra lazaiko anao izany fa izao,  Ampifandraiso amin'izany dokotera mitsabo an'i Hery izany aho handaminanay ny antsipirihany rehetra"
- "Eny ary, izay dokotera vavy toa hoe mpiara mianatra tamin'i Hery taloha izay no tsara ampifandraisana aminao fa izy mantsy no tena mikarakara be an'i Hery ao izao miaraka amin'i Tahiana namako. Eny e, ilay dadatoa sa dadafaran'i Hery koa aloha toa hitako tao. Mihary no anaran'ilay dokotera. Ity ny laharan'ny fidainy fa tonga dia antsoy izao dia izao ihany izy raha afaka ianao." Sady notononin'i Malala ny laharan'ny fidain'i Mihary.
- " Aleo fa antsoiko izy izany. Raha tsy tafa antso aho izany androany dia io dokotera Mihary io no anontanianareo ny fandehany sa ahoana?"
Nifanao veloma teo izy roa dia niantso avy hatrany an'i Mihary i Mahefa.
- " Allo! Dr Mihary?"
- " Allo, Dr Mihary indrindra ity tompoko, fa avy aiza izao azafady?"
- " Avy aty Frantsa aho io miantso anao io. Profesora Mahefa, fianankaviana akaiky an'i Mme Malala sy ingahy Ratrema aho?"
- " Faly mahalala tompoko! Inona no azoko anampianana anao izay raha tsy mahadiso?"
- " Ny mikasika an'i Hery no niantsoako anao dokotera. Mieritreritra aho hoe maninona moa raha aty amin'ny hopitaly iasako aty Frantsa no andefasanareo azy? Sa ahoana ny eritreritrao?"
Nidobodoboka ny fon'i Mihary naheno ny soson-kevitra naroson'i Mahefa.
- " Ka hisy ohatran'izany aiza indray moa tompoko?"
Dia nanazava ny zava-nisy sy ny fitsaboana mila atao amin'i Hery teo i Mihary.
- " Karakarao ny antontan-taratasy rehetra momba azy ary." Hoy i Mahefa rehefa avy eo.
Nisy hevitra tampoka nitsiry anefa tao antsain'i Mihary teo ampihainoana an'i Mahefa tao anaty telefona.
- " Mila olona manaraka azy i Hery sao misy fahasarotana tampoka eny andalana ka raha tsy dia manahirana anao mba azonao andefasana taratasy fampiantranoana koa ve aho hanaterako azy any?"
Somary hafahafa tamin'i Mahefa aloha ny naheno ity fiangaviana nataon'i Mihary ity. Taiza hoy izy aneritreritra no nisy dokotera nanolon-tena hanatitra ny marariny avy any Madagasikara ho aty Frantsa ohatran'izany fotsiny eo?
- " Dia ahoana ny asanao sy ny saran-dalana?" hoy i Mahefa toa tsy dia nahatoky loatra.
- " An, an, an. Izaho ihany no mikarakara an'izay fa aza manahy ny amin'ireo ianao...mpinamana mpiara mianatra mantsy izaho sy Hery tany amin'ny kilasy famaranana. Mahatsiaro ho manana adidy aminy aho raha ny tena marina ary ny fotoana toa izao indrindra no tena tokony hitondrako fanampiana ho azy."
- " Hay! Izay vao mazava amiko fa somary gaga kely ihany mantsy aho tamin'ilay fiangavinao teo."  hoy i Mahefa nanomboka nahazo ny antony nanosika ity mpitsabo hahafoy vola aman-karena sy ny asany hanampy an' i Hery.
- "... tsy misy olana izany Dr Mihary fa mahazo miomana ny handeha koa izany ianao e. Karakarao haingana ny fividianana tapakila fa izaho hikarakara ny fandraisana anareo aty. Ity ny laharako fa ny anao moa efa nomen'i Malala ahy teo."
"Asa na hanao ahoana izao ny hafalian'i Alexia raha maheno izy hoe hoavy i Hery? ... eny e, hitsabo tena moa no alehany aty fa inoako anefa fa hisy azy ny hafaliana hahita an'ilay olontiany  indray." Hoy i Mahefa tany ampony tany nony avy namarana ny resaka nifanaovana tamin'i Mihary. 

Tadio ([email protected])

Pejy 74
2006/08/15,12:25

    - " Tsy izany hoy aho ry Mahefa fa nandeha nitady an'i Hery tany ampiasana araka ilay fiangavian'i Alexia aho ary dia tena zavatra tsy nampoizina no sendra ahy tany fa  hoe voan'ny lozam-piarakodia teny amin'ny lalan'ny fahaleovantena teny hono i Hery andro vitsivitsy lasa izay ary dia eny amin'ny hopitaly izy amin'izao fotoana izao.
- " Ahoana tsara hoe Ratrema?" hoy i Mahefa toa tsy nino ny zavatra henony.
- "Voadonan'ny fiara nirimorimo teo amin'ny valahany hono ny fiara karetsaka nitondra azy ary dia voa mafy mihitsy izy. "
- " Tena raharaha izany marina. Manao ahoana anefa hono izy amin'izao fotoana izao?
- " Eo indrindra no tena raharaha sady mahavaky ny lohanay mivady ry Mahefa. Nandeha tany mantsy izahay io atoandro io... Fa tena mbola tsy mahatsiaro tena i nedala raha ny tena marina. Nisy fotoana kely fotsiny hono izy no nifoha dia ohatran'ny nidelira niantsoantso ny anaran'i Alexia. Ireo namany sy ilay dadafarany no nilaza an'izay."
- " Ny fomba hilazana an'izay amin'i Alexia koa izany izao no raharaha. Efa nanontany ahy foana mantsy izy sao dia efa niantso ahy ianao nampita ny vaovao momba an'i Hery. Tsssss!...ahoana re izany e!"
- " Ka vaka ohatranao izany koa anie izahay mivady hoe ahoana no fomba hilazana azy ity vaovao ratsy ity e. Ianao izao no heveriko hoe mety mba afaka miresaka moramora aminy. Tsy fantatra mihitsy koa mantsy izay ho fihetsiny sy hitranga raha vao maheno izao vaovao izao izy...fa angaha tsy tena raharaha izy ity ry Mahefa?
- " Tena raharaha tokoa izy izany ringahy Ratrema. Aleo ary hiresaka moramora aminy aho rehefa avy eo dia ho hitako eo indray izay atao fa antsoiko ianao rahampitso na rehefa kelikely eo ihany."
- "Eny ary fa mba amboary ao ny sainy Mahefa fa tena matahotra mafy mihitsy izahay ato. Sao dia te hiresaka kely amin'i Malala aloha ianao alohan'ny hanapahana azy?
- " An, an, an aleo aho amin'ny manaraka miresaka aminy fa mampamangy ao fotsiny hoe" sady naforitry Mahefa moramora ny telefona finday teny antanany. Namonjy nipetraka kely teo ambonin'ilay seza tsy dia lavitra azy teo aloha izy naka saina sady nanontany tena ny amin'ny fomba tokony hilazana amin'i Alexia izay tsy manampo na inona na inona ny amin'izay nanjo ity olontiany any Madagasikara. Tapakevitra ny hivoaka ny efitra nisy azy i Mahefa nony farany ary dia namindra moramora nakeo amin'ny toerana fandraisam-bahiny izay nijerevan'i Alexia ny fahitalavitra.
- " Dada, efa hitanao ve ity documentaire anakiray mandeha ity?" hoy izy tamin'i Mahefa sady nientanentana ery.
- " Fa documentaire resaka inona izy izany? " hoy i Mahefa somary nanompy maso teo amin'ny sary mandeha.
- " Hay,
Machu Picchu
?" hoy i Mahefa nanohy tsy namela an'i Alexia hanazava.
- " Efa hitanao koa angaha?"
- " Efa tany amin'io toerana io mihitsy aho efa taona lasa izay. Mahalasa fisainana be ny mandinika io toerana io ry Alexia. Ohatran'ny hoe mitondra anao miverina any amin'ny lasa mihitsy izay topazan'ny masonao.  Efa ela angaha izy io no nandeha?
- " An, an, an vao nanomboka mihitsy fa tantarao ahy hoe ny dianao tany izany fa ohatran'ny mahaliana ahy.  Mbola hiverina handeha mantsy izy ity amin'ny manaraka dia aleo ny an'i Dada aloha no henoiko voalohany raha efa tany any i Dada."
Somary sadaikatra kely aloha i Mahefa naheno ity fiangavian-janany satria zavatra hafa mihitsy no antondiany teo aminy. Hitany fa mety hahamora kokoa ny resaka ataon'izy mianaka anefa ilay fitantarana kely ny diany tany
Machu Picchu
dia naleony nisafidy ny hanome fahafahampo anjanany aloha izay vao tena miditra moramora amin'ny tena tiany hambara. Namonjy naka toerana tsy dia lavitra an'i Alexia teo ambonin'ilay seza lava malemilemy misy fiankinana izy dia nanontany hoe:
-  " Efa fantatrao hoe any
Peru no misy an'ity tananan'i Machu Picchu
ity? Tsy niteny i Alexia fa ny lohany fotsiny no nahatokatony sady nitsiky izy.
- " Vao teo vao teo no nahafantarako azy kah!" sady toran'ny hehy kely izy.
- " Ay! Raha te hoany izany ianao ohatra dia mandeha fiaramanidina ianao mandrapahatonga ao
Lima na koa hoe tonga dia mandeha mivantana any Cusco ianao. Avy eo Cusco indray ianao no mandray fiarandalam-by mankany amin'ilay tanana antsoina hoe Aguas Calientes. Ny foko indiana
antsoina hoe Incas no nipetraka tao amin'io toerana io taloha. Tsy nisy nahafatatra ny fisian'io tanana vita amin'ny rary vato niorina antampokavoana ohatran'io mihitsy aloha raha tsy vao tamin'ny 1911 angaha izy izay. Mahatonga saina ilay toerana e." hoy ihany i Mahefa toa sondriana tampoka nanazava. Toa adinodinony ny tahony hilaza ny vaovao mampalahelo mikasika an'i Hery tamin'i Alexia.
- " Mandehana amin'ny google dia soraty hoe
Machu Picchu
fa dia ho hitanao ao daholo ny momba azy io."
- " Mahavariana izy izany" hoy i Alexia toa nientanentana ery nihaino ny fanazavana nomen'i Mahefa.
- " Rahoviana aho no mba ho afaka hoany?"
- "
Tonga
any foana ianao rehefa tena maniry ny ho any" hoy i Mahefa tsy naka sarotra sady somary naka toerana tsara nitodika tany amin'i Alexia.
- "F'izao ry Alexia ah! Niantso teo i papanao..?"
- " Zany ve? Dia ahoana hoy izy? Nahita an'i Hery ve hono izy?"
- " Nahita azy tokoa izy mivady saingy nisy lozam-piarakodia nahazo azy hono vao andro vitsivitsy lasa izay dia any amin'ny hopitaly izy amin'isika miresaka izao"
- " Izay ary la efa nahiako" hoy i Alexia sady novonjeny notampenany tamin'ny tanany anakiroa ny tarehiny sady niankohoka teo amin'ny lohaliny izy.
- " Efa nanindry mandry ahy mihitsy fa misy zavatra mahazo azy any" sady nanomboka nifokofoko nitomany ny anao vavy.
- " Mitonia aloha ianao anaka" hoy i Mahefa nony avy eo fa efa eo ampikarakarana azy ireo havany sy Ratrema mivady.
- " Ahoana no nahavoa azy? Hoy ihany i Alexia mbola nisefosefo sady namafa ny ranomasony. I Mahefa moa tamin'io fotoana io efa tafakisaka teo akaikiny sady niezaka namihina azy mba hampitony ny alahelony.
- " Tsy tena fantatro ny tena zava-nitranga anaka fa ho fantantsika miandalana eo ihany moa izany fa araka ny nilazan-dRatrema ahy teo dia hoe niantsoantso ny anaranao hono izy tamin'ny fotoana nahatsiarovany tena kely izany angaha?
Vao naheno an'izay i Alexia dia vao maika nigogogogo nidradradradra. Teo i Mahefa vao
tonga
saina hoe tokony tsy niteny azy an'izay aho saingy efa voateniny moa ka dia niezaka niantrika ampahatoniana ny zava-nisy teo fotsiny izy aloha.
- " Hery a!" hoy ihany i Alexia sady mitomany. " Maninona ianao any e! Aza ilaozanao aho e! mijaly aho raha ilaozanao. Tsy misy dikany amiko intsony ny fiainana,..."
- " Alexia" hoy i Mahefa. " Tsy maty anie izy fa nisy dona mafy nahazo ny vatany fotsiny angamba ka izay no mahatonga azy mbola tsy mahatsiaro tena. Raha nisy fotoana nahatsiarovany tena kely izany dia mbola betsaka ny fanantenana ny aminy."
- " Ndao isika hiantso an'i Madagasikara fa tena te hiresaka mafy amin'i papa aho izany eh!" sady mbola nanohy nifokofoko ihany i Alexia.
- " Hiantso azy isika" hoy i Mahefa "fa mila mitony aloha ianao, Izay zany zanako izany!" sady nosafosafoin'i Mahefa ny lamosin'ity zanany vavy trotraky ny alahelo.
- " Andraso aloha hangalako rano mangatsiaka kely vetivety ianao mba ho sotroinao" hoy ihany i Mahefa sady nitsangana moramora izy nakeo amin'ny vata fampangatsiahana tao andakozia.
- " Ity anaka sotroy fa manampy anao mba ho tonitony ity. Maka aina tsara aloha dia miantso any Madagasikara isika mianaka". Eny ary hoy i Alexia tamin'ny lohany nihatokatoka sady nisotro ny rano nomen'i Mahefa azy ihany.
...
Vao nahazo an'i Ratrema i Alexia,
- " Papa, manao ahoana izy ao?" sady nanomboka nifokofoko indray ny anao vavy.
- " Alexia," hoy i Ratrema niezaka ny ho tony dia tony naheno ny feon-jananany nanako tao anaty telefona. ' Aza manao ohatran'io ianao anaka fa eto izahay mikarakara azy. Tiako ho fantatrao fotsiny fa tiany ianao ary ny anaranao hono no nantsoiny."
- " Efa notenenin'i dada ahy teo izay " hoy i Alexia amin'ny feo somary kentsokentson'ny tomany sy ny alahelo.
- " Tiako anie izy iny Papa, ndeha hody any aho hijery azy fa tena tsy mandry mihitsy izany saiko izany" Taitra tampoka i Ratrema naheno ity soson-kevitra naroson-janany. Niahotra kely aloha izy vao namaly,
- " An, an, an Alexia. Aleo aloha hotsaboina tsara izy dia ho hitantsika eo izay hatao manaraka. F'angaha moa ianao tsy hoe hanohy fianarana any indray?" hoy ihany i Ratrema miezaka manary dia ity zanany difotry ny alahelo sy tomany.
- " Eny e!, te hianatra aty aho fa saika hoe mba te hahita azy kely fotsiny aho dia avy eo miverina aty indray."
- " Aleo dinihitsika tsara izay anaka fa amboary ny sainao an. Misy maromaro izahay no mikarakara azy aty. Niresaka tamin'ilay dokotera vavy anisan'ny nikarakara azy sady namany izahay anikeo ary nilaza izy fa misy fanantenana ny aminy fa aza dia alefa lavitra ny sainao anaka."
- Eny e!" hoy ihany no navalin'i Alexia toa tsy dia resy lahatra loatra amin'ny fanazavana nentin'ingahy Ratrema rainy. " Aza adinonareo mihitsy ny mampita vaovao aty amiko na rahoviana na rahoviana an" hoy i Alexia nony ela ela niezaka nampatanja-tsaina.
- " Aza matahotra ianao anaka fa tsy ataoko ambanin-javatra ny amin'izay. Mandehana aloha ianao makamaka aina dia rahampitso aho miantso sa ahoana?
- " Eny ary Papa?" hoy i Alexia nanaiky tsy sazoka ny fiangavian'i Ratrema.
" Lazao azy rehefa mifoha izy fa tia be azy aho".
- " eny anaka" hoy i Ratrema namaly moramora. "ataoko tsara lazaina any aminy ny hafatrao. Izay an!" sady tapaka ny antso tany amin'i Alexia.
Toa tsy nampino an'i Alexia ny zavatra henony sy niainany teo. Adinony tanteraka ny momba an'i
Machu Picchu sy ny faniriany mba te hoany indray andro any. Ny momba an'i Hery sy ny fitiavany no nameno tanteraka ny sainy.

....
Tany amin'ny Hopitaly.

Raha mbola variandresaka tamin'ny fandalovan'i Ratrema sy Malala teo izy telo mianadahy no tsinjon'i Tahiana tampoka fa toa nihetsika kely indrany ratsan-tanan'i Hery teo ambony fandriana. Taitra nikoropaka ny anao vavy sady nosintoniny haingana i Mihary hitodika hijery.
- " Tena manomboka mihetsika tokoa izany tananay izany!" hoy i Mihary nitsiky moramora toa velom-panantenana. Nitsangana nanatona ny fandriana daholo izy telo. Niha navitrika hatrany ny fihetsik'ireo rantsana izay toy ny maty teo aloha ary tsy ela taorian'izay dia nihetsika koa ny lohan'i Hery toa te hiharina izany nefa tsy afaka. Novonjen'i Mihary noesorina haingana ny sarona nanarona ny mason'ity tovolahy. Hafaliana moa ny azy fa ny nialan'ilay sarona no ela dia nanokatra moramora ny masony i Hery. Nifampijery izy telo mianadahy sady velon-tsiky no namonjy  nifamihina toy ireny olona velon-kafaliana mahita ny ekipa tohanany mandrobaka ny fandresena ireny. Hita fa mbola tsy tena mahatsiaro saina izany anefa i Hery fa toa nivandravandra nijery ny valin-drihana fotsiny.
- " Hery a! Hery!" hoy Tahiana nony avy eo sady nanatona moramora teo akaikin'i loham-pandriana nisy an'i Hery izy.  Nihodina moramora nanaraka izay niavian'ilay feo ny lohan'i Hery.
- " Tahiana ihany ity! Manao ahoana ianao izay?" Nisokatra moramora ny molotry Hery sady niteny tamin'ny feo malefaka hoe,
- " Fa aiza aho izany?"
- " Aty amin'ny hopitaly ianao" hoy i Mihary velon-tsiky
- " Aiza i Alexia teo?" hoy i Hery nony avy eo toa ireny nanantena an'i Alexia ho anisan'iray tamin'ireo nanatrika azy teo.
- " Tsy eo izy" hoy i Fano " Fa i Ratrema sy Malala no
tonga
teo nijery anao. Vao haingana teo mihitsy ry zareo no lasa"
Tsy namaly i Hery fa niverina nibanjina ny valin-drihana indray izy aloha. Lasa nandeha niantso ilay mpitsabo namany izay nandray antanana ny fitsaboana an'i Hery haingana i Mihary sady nanazava ny zava-nitranga.
- " Vaovao tsara izany nentinao izany" hoy ilay dokotera fa ndeha hisika hijery azy any izao dia izao.

...  - " Efa nanahy be ihany aho an. Isaorana an'Andriamanitra fa velona soamatsara izy. Ny zavatra mampanahy ahy kely fotsiny dia mety misy ratra any anatin'ny lohany any ka aleo izy ho tarafina rahampitso maraina " hoy ilay dokotera nony avy nijery an'i Hery sady nandeha nitokana kely niresaka tamin'i Mihary.
- "
Marina
mihitsy izany fa dia rahampitso izany isika mikarakara an'izay." Hoy i Mihary.
- "
Havana
akaiky anao moa izy io?" hoy ilay dokotera tamin'i Mihary nony avy eo.
- " An, an, an. Eny e! azo lazaina hoe havako ihany izy na dia hoe namako aza no tena marina." Sady somary niahotra ny anao vavy.
- " Hay! Karakaraintsika tsara izy fa aza manahy ianao. Rahampitso izany
tonga
dia ary amin'ny efitrano fitarafana isika mianadahy no mihaona sa ahoana?"
- " Eny ary!" hoy i Mihary velon-tsiky tanteraka sady maika ery handeha hamonjy teo anilan'ny fandriana nisy an'i Hery.

 

...

 

- " Allo! Tahiana ve izao? ... Malala ihany aky ity a!"
- " Ahoana? Tena tsy nampoiziko mihitsy aky iny nahatongavanareo taty amin'ny hopitaly anikeo iny an. Tsy afeniko fa ohatran'ny nahavelom-panantenana ahy izany, fa izao aloha ny vaovao. Nifoha i Hery ary dia niresaka kely taminay izy?"
- " Izany ve? Misaotra anao Andriamanitro!
Marina
ve aky izany?"
- " Ka efa hoe nifoha hoy aho izy ary dia nanontany hoe aiza hono no misy azy, nankaiza hono i Alexia teo, sns... Hafaliana ny anay telo! Ohatran'ny hoe ny nandalovan-dry no nandrasany dia taitra izy"
- " De ahoana hoy i Dokotera Mihary?"
- " An, an, an. Nijery azy teo daholo izy roa. Mbola misy mpiara miasa amin'i Mihary koa mantsy miara mitsabo azy eo"
- " Tsara izany aky fa dia tena faly mihitsy aho maheno an'izany vaovao izany. Asaiko miantso an'i Alexia izany i Ratrema rehefa avy eo mampita ny vaovao. Efa ratsy mihitsy aky ny saiko nijery azy tsy nihetsika teo ambony fandriana anikeo iny fa tsy afeniko an-dry a!"
- " Izaho koa aloha e, saingy mbola niezaka nanatanja-tsaina ihany aho na dia izany aza."
- " Fa hono hoy aho, mba resaka tsetratsetra tsy aritra ny ahy ity, taiza hono no nifankahalalan'i Hery sy Dr Mihary?"
- " Saro-piaro angaha ity indry sa ...?" sady namonjy nivoaka ny efitrano moramora i Tahiana.
- " Fa angaha rehefa manontany an'izany dia hoe saro-piaro, tsy mpinamana fotsiny ry zareo akory?"
- " An, an, an... Eny e! mpinamana ry zareo ary mpiara mianatra tamin'ny kilasy famaranana hono raha ny filazan'ilay zana-drahavaviko azy.
- " Zana-drahavavin-dry izany i Dr Mihary?"
- " Ie. Izay mihitsy. Tena kely mihitsy anie ity tanana misy antsika ity e."
- "
Marina
tokoa izany! Izay izany aky fa rahampitso aho mandalo any a. Lazao azy fa handalo eo aho rahampitso fa tena mbola valaka be koa tsinona aho fa izao vao tena mitaky indray ny torimasoko  ..." hoy i Malala toa nionona tamin'ny fanazavana azony.
- " Eny ary aky fa rahampitso izany e! antsoy aho alohan'ny hiangain-dry aty dia mba manao fotoana eto izany isika fa i Mihary mantsy no hiandry azy ato anio alina." Sady notapahan'i Tahiana ny antso no namonjy niverina tao anefitra nisy ny marary izy.

 

 

Vao tafiditra anefa i Tahiana dia gaga nahita an'i Mihary sy Fano mipetraka akaiky dia akaiky eo amoron'ny fandriana nisy an'i Hery. Nanomboka nanontany ny zavatra niseho taminy i Hery. Sarotra tamin'i Mihary ny tena hampatsiahy azy ny tena zava-nisy fa dia notsotsoriny fotsiny tamin'ny hoe
- " Nandeha fiara karetsaka ianao no nisy fiara nirimorimo nandona anareo ka izay no nahavoa anao toy izao"
- " Saika maty aho lahy!" hoy i Hery nony avy eo toa niezaka nitsiky ho mariky ny fidifirany ny fahafatesana.
- " Tena saika maty tokoa ianao" hoy i Mihary namaly ny tsikiny tamin'ny feo malefaka. " Isaorana an' Andriamanitra fa veloma soamatsara ianao izao" sady nanomboka nanazavazava ny hitondrana an'i Hery ho tafarina ny ampitso maraina izy. Ninian'i Mihary tsy nolazaina mihitsy aloha ny momba an'i Alexia izay natahorany hamoha tanteraka ny fitadidian'ity marary tsaboina ka dia noezahiny nahodina amin'ny zavatra hafa foana ny resaka.
...

Ny ampitso maraina tao amin'ny toeram-pitarafana.
Nasehon'ilay dokotera namany an'i Mihary ny sary teo amin'ny fitaratra mampiseho ny taova ao amin'ny lohan'i Hery. Nikentrona kely ny anao vavy toa tsy nino ny zavatra hitany. Nitodika tany amin'ilay dokotera namany indray izy. Toa samy tsy nisy nahateny izy roa fa nifampivandravandra fotsiny teo.

 Tadio ([email protected])
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype