Samy gina nandritra ny dimy segondra teo zahay telo. Samy nijery ny valin-drihana fa tsy nisy sahy nifampijery. Ny hikiakan'i Toky tany ambony no nanapaka tampoka izany fahanginana izany. Nitsangana nanararaotra an'iny i Malala (izay moa no anarany) dia nosarongotiny niaraka taminy ny drap norakofanay. Izaho sy Alexia miboridana be sisa no tavela teo. Nitsangana haingana koa aho dia nampidiriko ny fitafiako. I Alexia angamba tamin'io mbola tena tsy tonga saina fa notopazako maso kely izy fa toa mbola mikipy ny masony. Fanararaotana hitsoaka no tato an-dohako avy hatrany kanjo tara loatra. Ny masony efa mivandravandra mibanjina ahy no tadidiko manaraka avy eo. Tsy misy soritra te hitomany teny amin'ny endriny, sa ve tezitra loatra hoy aho nanontany tena?
- "Efa ela ve?” hoy izy.
Tsy hitako zay navaly azy fa ny kiraroko no nezahiko nampidirina sady nivoaka ny efitra moramora aho tsy sahy nitodika tany aminy. Tafavoaka ny vavahady ihany aho saingy tsapako ohatran'ny lavitra be izany ilay nankeo am-bavahadiny. Nisento elaela aloha aho vantany vao tafavoaka taty ivelany no sady niteny irery nanompa tena, no vaky hehy koa. Lasa mitapy angamba aho hoy ny eritreritro. Notohizako moramora ny diako sady namisavisa ny amiko sy Alexia aho. Izaho mantsy no nanala ny maha virjiny azy. Ny mamany indray koa anefa tsy azo lavina fa tena mbola mitana tsara mihitsy. Efa roa herinandro taty aoriana mbola tsy naharenesana akony ihany iny zava-nitranga iny, ka dia ny revy niaraka tamin'ireo namana mpiara misotrosotro aloha no nataoko mba hanamaivanako ny fiketriketrehan’ny tao antsaiko.
Indray andro tsy nampoiziko, naharay antso an-telefonina tamin'ny findaiko aho. Nojereko ilay laharana fa an'i Alexia. Vaka teo ny saiko, ho raisina ve sa havela haneno fotsiny eo. Tapaka ilay antso mandra-panapahako hevitra amin'izay hataoko. Aleo koa rangahy ho tapaka any hoy aho kinanjo, injay fa namerina niantso indray izy. Aleo rangahy raisiko hoy aho an’eritreritra fa ohatran'ny misisika be izy izany. Vao namaly anefa aho dia akory ny hatairako fa ny mamany no tao. Saika latsaka indray ny pipiako. Nilaza izy fa mila miresaka hono izahay telo mianaka: Alexia, Mama, ary izaho izany. Tsy nanda aho fa dia nanaiky tsy sazoka. Nony tonga tokoa ary ny fotoana nifanarahana dia ny mamany mitrotro an'i Toky no tonga teo.- "F'angaha tsy ho avy Alexia hoy aho tsy naharitra".
- "An, an, an! mila miresaka aminao mitokana aloha aho" hoy izy.
- "Tsy maintsy ampahafantarina an'i Alexia fa zanakao i Toky".
- "Fa ahoana? tsy izany anie no nifanarahantsika raha tadidinao tsara" hoy aho somary niaka-peo.
- "Tsy misy an'izany hoe fa ahoana-nao izany".
Tsy nanam-potoana hamaliana intsony aho fa i Alexia efa tamy manatona akaiky be anay telo mianaka no hitako. Asa na naninona teo, fa te handray an'i Toky aho, ary i Toky efa teny an-trotroako no tonga teo aminay izy.
- “L'amour a trios”, hoy izy tamin'ny feo hentitra, “fa 'zaho tsy handrafy ny reniko na oviana na oviana fa dia ampahafantariko anao tsara izany. Samy maka ny anjarany”.
Hila tsy hahajery azy aho nefa tsapako ihany koa fa toy ny nisy vato be nesorina tao an-damosiko tao. Nisento mora aho no sady niezaka nitraka hibanjina azy. Tsy nahita ho tenenina. Izahay efa ao anaty fiara nizotra ho any an-tranon-drizareo vao ohatran'ny niverina tsara ny saiko.
Na dia nilamina aza ny amin'iny tantara iny, dia mbola nisy olana hafa indray mitambesatra eto ambony lohako: ilay papan'i Alexia. Ilay zanany ity toa nahazo ny fandehan-javatra ihany fa ity rangahy lehibe no asa... i Alexia moa efa nanaiky ihany tamin' ilay niresaka tamin'i Malala iny fa tsy hamoaka izao resaka izao na amin'iza na amin'iza. Fa na izany aza mbola ho lehibe ihany ity Toky ity ary ho hita be eo amin'ny tarehiny atsy ho atsy fa misy itovizana izahay mianaka. Indray alakamisy atoandro dia nifanao fotoana fa hitsangatsangana teny Tsimbazaza miaraka amin'i Toky izaho sy Malala. Nataonay tao anaty poussette ny zazakely sady miresaka izahay roa. Tena tiako aloha ilay zanako ary ohatran'ny tsy nanenina izany aho nahazo azy. Tsy hitanay roa mihitsy anefa tamin'io fotoana io fa nisy olona nanaraka foana izahay hatramin'ny fotoana nifankahitanay io antoandro io. Raha iny izaho ndeha handray ny zanako nitomany iny indrindra no nipoitra tampoka ilay rafozan-dahiko: "Dry! hay i Hery ihany ve ity e! Tena tsy fantatro mihitsy ‘nareo rangaha raha atao tazan-davitra, efa hatry ny antoandro aho no nanaraka anareo" hoy izy nanohy avy eo. "Noheveriko ho mampirafy ahy i Malala, ka izay no nisahiranako nanaraka azy tetsy sy teroa. Azafady indrindra r'ise fa rehefa tia tokoa hono ny tena tsy maintsy saro-piaro. Ary aiza i Alexia no tsy niaraka taminareo?"
Nitopy tany amin' Toky ny masony no sady niteny hoe: "Bonjour mon petit bébé " taminy izy. "Mihantahanta amin'i zokilahy an?" hoy izy nony avy eo.
Nangalam-pijery tany amin'i Malala aho tamin'io fotoana io ary gaga amin'ny tena fahaizan'ny vehivavy mampitony ny fihetseham-pony fa dia tena tony dia tony mihitsy ny fahitako azy, ary ohatran'ny olona mpifakahalala fotsiny ireny izahay. Izaho moa tsy afenina fa dia tena tera-tsemboka hatrany anaty kilaotiko.
- "Inona indray no manaraka? hoy Ratrema nanohy, izay moa no fiantson'i Malala ny vadiny.
- "Efa hitako eto ihany ianao ka tsy aleo ve ho lazaiko anao eto ny tena tiako holazaina hatramin'izay?"
Dray dray dray!!! inona indray ary no mety holazain'ity antidahy ity hoy aho niketriketrika fa sao dia efa fantany ihany ary ny fandehan-javatra rehetra fa modiany manao sary adala fotsiny eo...
- "Tsy izany mantsy fa efa ela loatra ianareo sy Alexia no niaraka, ka tsy aleo ve mba atao fombafomba ianareo fa hainao ihany ny vavan'ny olona?"
Saika tsy tana ny vavako tonga dia namaly azy hoe: "Hay ve izay izany fotsiny e!!!" noheveriko fa hilaza inona teo koa ity izy.
Nandalo tany amin'ilay ilay jôbako aho fa fotoananay tamin'io. 17 taona izy ary izaho 25 taona. Zoma tolakandro ny andro. Tsy ao izy hoy ilay mpanampiny fa mbola nirahin'ny mamany ary mety ho elaela vao ho avy. Nandroso ihany aho satria nampandrosoina. Ilay mamany no tao amin'ny salon nijery fahitalavitra. Naka vera izy dia nampidina zava-pisotro misy alikaola kely ho ahy. 15 minitra taty aoriana, naka DVD izy dia nilaza tamiko fa hoe aleo mijery horonan-tsarimihetsika fa tsy mamely ilay fandaharana nandeha teo. Tantaram-pitiavana masaka be ilay nojerenay. Nisy olona manao matetika. Izaho mbola variana tsara iny indrindra no nosafoin'ilay mamany tampoka ny filahiako sady hoy izy:
- "Tsy dangitra ve ialahy amin'izao?"
Niala kely aho saingy tonga dia nobedainy sady mbola vao maika nangaroniny ny tao anaty patalohako no notereny hovahana ny hidiny. Izaho moa efa te hanao dia navelako izy nanao izay tiany hatao teo. Sady nanafosafo ny fivaviany mbola tao anaty silipony teo izy no nitsetsitsetsitra ny filahiako. Tsy naharitra intsony izy nony kelikely fa nesoriny tanteraka ny silipo teny an-kodiny ary dia nanao be teo izahay. 35 taona eo angamba ilay mamany ary tena mbola mitana, na tarehy na bika. Vita ny natao dia menamenatra aho fa izy mody tsy nanisy sira. Efa somary harivariva vao tonga ilay zanany. Nitady hevitra hivoahana tao haingana aho dia nilaza fa mbola maimaika. Sakodiavatra be anefa aho no tena marina. Tsy nandalondalo tany amin-drizareo intsony aho taorian'io fisehoan-javatra io. Roa herinandro taty aoriana, nisy nametraka hafatra tao am-piasana fa mila ahy maika dia maika ary miandry ahy any ivelany hono io olona io. Nivoaka aho ary akory ny hagagako fa ilay maman'ilay jôbako no tao. Tonga aho dia notaritiny hoe mila miresaka aminy. Niditra tamin'ilay Salon de thé tsy dia lavitra teo izahay dia nilaza izy vao tafapetraka izahay fa matahotra hono izy sao misy mahita ka dia notaominy aho haka toerana mangingina miaraka aminy ao anaty fiara. Vao tafiditra tao anaty fiarany izahay dia efa tsy tratra ny tanany iray fa efa mitady hanafosafo sahady ny filahiako mbola mifono tsara tao anaty pataloha. Tsy hay tohaina ny tao anatiko fa tonga dia nivonto avy hatrany ary dia tsy haritro intsony ka navelako izy hanaram-po tamin'izay tiany hatao teo. Bikan'olona kosa aloha izy e ! Tena ao amin'ilay mampatsiro azy mihintsy. Vita ny natao dia nody fanina indray ny anao vavy. Telo volana taty aoriana, efa lasa fahazaranay ny mangala-dia mandeha manao firaisana ara-nofo antselika. Mandritra izay fotoana rehetra izay anefa dia mbola miaraka amin'ilay jôbako ihany aho. Enim-bolana aty aoriana izao, bevohoka hono i rabofy ary izaho no lazainy fa tompony ary ho tazoniny ilay zaza fa reveny be hono aho.
Nadi-doha be ity maman'ilay jôbako ity ary sarotra noresena lahatra ka dia naterany soa aman-tsara ilay zazalahy kely. I Toky no nataony anarany. Mbola miaraka foana izaho sy ilay jôbako amin'io fotoana io. Faly ery ary izy fa hoe nahazo zandry lahy kely hono. Notaominy hamangy ny reniny teny amin'ny hôpitaly aho. Akory ny hagagako fa tena mitovy tsy misy valaka amiko ilay hoe "zanako". Toy ny akoho kely notsipazam-potsimbary aho tamin'izay fotoana izay fa sady faly no sahirana. Nitsikin-drabofy indray mandeha fotsiny aho vao nifanojo ny masonay dia azoko ny tiany hambara rehetra. Iray volana taty aoriana, nifanena indray izaho sy ilay maman'ny jôbako dia hoy izy tamiko hoe: "Aza matahotra ianao fa tsy ho lazaiko na amin'iza na amin'iza fa ianao no rain'i Toky. Tsy mahazo misaraka amiko kosa anefa ianao no tambiny angatahako. Tsy maninona” hoy izy “na ho lasa 2eme bureau-ny zanako vavy aza aho.”Fangatahana miaro fanerena moa ny azy ka dia nanaiky tsy sazoko aho sady ity zaza koa tena tsy misy ivoasana amiko mihitsy amin'ny endriny. Nifanao fotoana tao an-tranony izahay indray alakamisy hariva fa nianatra ny jôbako tamin'io. Efa nanomboka nirevy be iny izahay, efa samy niboridana fa nafana be ny andro, no indro niditra tampoka i Alexia (izay no anaran'ilay jôbako). Tsy renay mihitsy izay nidirany fa izy efa tonga teo ambaravaran'ny efitra fatorian'ny mamany vao hitanay. Tsy nisy hirika azo nialana intsony fa tena tonga amin'ilay fitenintsika malagasy manao hoe tratra ambody omby aho, na dia teo ambodin'ny mamany aza no marimarina kokoa. Mody tsy taitra izy sady nanontany hoe:
- "Fa inona ity ataonareo?"
Izahay roa moa samy gina tsy nahateny niandry izay haloaky ny vavany manaraka fotsiny. Samy tsy nisy nanampo izahay tamin'ilay teniny manaraka nanao hoe
- "Aleo aho mba hitsilailay hiaraka aminareo eto koa fa tena reraka be aho izany!"
Kelymaditra (9 Juin 2005)Angano (10 Juin 2005)Tohiny3 (10 juin 2005)Scandale (11 Juin 2005)Tourbillon de l'amour (11 Juin 2005)Tierse personne (12 Juin 2005)Tadiom-pitiavana (21 Septembre 2005)Andrana (15 Novembre 2005)Loulou (25 Avril 2006)Tadio (22 juillet 2006)Latina (Octobre 2006)Mpanoratra nandray anjara betsaka indrindra:
Namorona ny lohahevitra nipoiran'ny tantara:
Tadio(Etazonia)
Disclaimer:
AROVY NY TENANAO SY NY MANODIDINA ANAO. MAMPIASA FIMAILO RAHA MIOVAOVA OLONA IRAISANA ARA NOFO.
Tantara noforonina ary norafetin'ireo mpanoratra avy amin’ny fahitan'izy ireo ny fiainan'ny olona andavanandro. Fifanandrifian-javatra ihany ny toe-java-misy na toerana ary ny anaran'ny olona voalaza ato anatin'ity tantara ity. Misaotra tompoko
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |