Niezaka mafy i Hery hitadidy ny anarany, fantany tsara mantsy, fa ilay naman’i Malala nivarotra fanafody taminy tamin’ny alina teo no manoloana azy.
- "Fa angaha ianao tsy manao « garde », sa izao vao andeha hiasa?"
- "Manao ahoana aloha i Hery e!" sady natolony ny tanany hiarahaba.
- "Manao ahoana ianao? Tany amin’i Malala ihany ve ianao androany, dia nanao ahoana izy sy ny zazakely izay?"
- "Tany amin’i Malala tokoa aho tamin’ny maraina dia io hariva io koa; ary efa tena mihatsara izy fa aza matahotra ianao. Nahazo fialan-tsasatra kely aho anio tontolo andro dia rahampitso maraina indray no miditra miasa."
- "Tsara izany," hoy i Hery sady nisento kely izy ; toa azo resahina tsara ity vehivavy ity izany, tsy nisy nahodiny mihitsy ny fanontaniako, tsy maintsy fantatro eto androany izay nolazain’i Malala tamin’ity sipa ity momba ny fiainanko sy izay hadalako nataoko hatrizay. Tena tsy matiko lolo mihitsy mantsy ny nahafantarany ny anarako ; misy zavatra ao.
- "Hisakafo ato angaha ianao?" hoy ihany i Hery.
- "Eny tokoa ! saika hisakafo irery aho kanjo nahita anao dia nanatona. Tsy aleo ve miaraka misakafo e! Dia mba miresadresaka koa fa tahaka ny fohy loatra ilay omaly alina."
Mahamahana ihany i Hery. Kanefa ny trangan-javatra tsy misy tahaka izao, nanaiky mihitsy izy, dia nilaza tamin’ilay serveuse fa tsy ho fonosina entina mody indray ny safako vao nafarany teo fa hohaniny eo ihany. Dia nanafatra ny sakafo tiany koa ilay vehivavy. Tena tsy niverina tao an-tsainy mihitsy ny anaran’ilay vehivavy ka nibaboka ny anao lahy hoe :
- "tena tsy tadidiko mihitsy ilay anaranao fa iza moa? azafady indrindra."
- "Tsss ! tena tsy tadidinao ve, menatra be aho izao hilaza : Tahiana hoy izy!"
- "Azafady Mademoiselle Tahiana fa tena hadinoko tokoa."
- "Aza antsoinao Mademoiselle izany aho fa tsy tiako ka ! Antsoy hoe : Tahiana fotsiny aho dia ampy izay."
Marina tokoa ny azy. Raha olona niray dabilio tamin’i Malala izany dia tokony hitovitovy taona aminy, izany hoe : eo amin’ny 37 eo ho eo, fa mbola azo lazaina hoe : mitàna aloha e ! misy ahareseny an’i Malala tokoa ; asa mety mbola tsy manan-janaka koa angamba ; nefa hita ihany hoe manakaiky tokoa ny faha-efapolo taona.
Dia niara-nisakafo teo i Tahiana sy Hery. Nitantara ny fahasalaman’i Malala hatramin’izay. Nitantara ny fiainan’izy roa tany aloha tany. Ny asa ataony amin’izao izy miandry raharaha izao. Fa toa tsy voalaza mazava mihitsy izay notantarain’i Malala mikasika ny nataon’i Hery antsokosoko efa ho telo taona mahery izao. Tsy mampandry ny sain’i Hery mihitsy hoe : nahoana marina no mahatonga ity vehivavy ity mahafantatra be loatra ny momba azy. Tena havanana amin’ny fampiresahana aloha ity Tahiana ity e !
Vita ny sakafo dia niara-nandeha hody izy ireo; dia mahagaga tokoa fa mitovy lalana hodiana. Naleon’izy ireo niaraka nandray fiarakaretsaka. Nitohy ihany ny resaka.
- "Tsy aleo ve mba tohizana ato an-trano fa mahaliana be ny miresaka aminao. Te hahalala misimisy kokoa ny momba anao aho," hoy i Hery mody manatsafa, fa ny tena tanjony dia ny hanapotsitra mafy ny resaka mba hivoahan’ny marina.
Tsy nisalasala mihitsy i Tahiana nanaiky, asa koa izay notadiaviny.
Nampandrosoin’i Hery rehefa novoahainy ny trano.
-"Angaha ianao irery no ato?" hoy indray i Tahiana.
- "Marina izany, izaho irery aloha no ato fa lasa tamin’ny maraina teo ny ray amandrenibe-ko."
- "Tsara kosa izany ! Manana fahalalahana tsara ianao amin’izao ! Mahafinaritra anie izany hoe mahazo manao izay tianao hatao sady tsy misy mibedy izany eh."
- "Mahazo manao izay tiako hatao tahaka ny hoe mitondra an’i Malala aty ve? sa koa mitondra anao samirery tahaka izao ataoko izao dia avy eo…"
Nojeren’i Tahiana tsara i Hery dia niverina nitsiky indray izy sady somary latsaka hehy.
- "Izy roa mitambatra, mampaninona moa e !!!!!"
Gagagaga be i Hery tamin'ny valinteny azony.
- "Ianao ity koa tsss, aleo aho aloha hikarakara ravim-boafotsy sy mofomamy harosoko anao." Sady lasa ihany i Hery nankany an-dakozia.
I Tahiana amin’io variana mijery izay hoso-doko mirenty amin’ny rindrina, sy izay sary teny ambony latabatra teny. Niverina avy eo i Hery tonga dia niteny.
- "Tena tsy azoko mihitsy ry Tahiana ny hoe ahoana ny ahalalanao ny anarako sy izay momba ahy? Efa hatramin’ny omaly izay no fanontaniana nipetraka tamiko ka mba tiako hazava. Inona avy no notantarain’i Malala anao fa manjary mampikorontana ny saiko fotsiny ny fisianao."
Tsy niteny mihitsy i Tahiana fa nobanjininy tsara i Hery sady nanatona azy ihany izy. Notazominy teo amin’ny sandriny roa aloha i Hery dia nalefany ny indray ny tanany hisafo ny tratrany ary hamonjy ny vozon’akanjony izay mody namboariny teo.
- "Dia tsy azonao an-tsaina mihitsy ve?" hoy ihany izy, sady nanakatra moramora ny molotr’i Hery izy, ny tanany lasa nisarika ny hatoka sady mangeja an-kolaka ity tovolahy bikana sady tsara tarehy.
Nifanoroka efa ho folo segondra teo izy roa. Tsy hitan’i Hery izay natao. Ity iray vao mainka namihina mafy ka tsapany ny lanjan’ireo nono roa mitohoka teo amin’ny vatany. Tahaka ireny ondana malemy dia malemy tsara fono ireny ka manonja raha vao kitihina. Nijanona tampoka izy sady toa tonga saina amin'ity zavatra ataony. I Tahiana amin'io toa tsy nanaiky fa vao maika nisarika indray ny lohan’i Hery hanatona azy. Tsy nahatohitra ny lehilahy dia nitohy indray ny orokoroka, ny lelan'izy roa amin’io mifampitady mafy te hifandray am-pitiavana. Tsy nahaleo intsony i Hery fa tonga dia nanafosafo ny lamosin’i Tahiana, nikaroka ny vodi-lamba hampidirany ny tanany hamonjy ny faritra mafana any anaty akanjo any. Ny oroka amin’io tsy misy fitsaharany. Ny tanany koa moa efa zatra mamaha tsy ankasarotana ny faraingoka amin’ny tadi-nono ka poa toy izay dia tsy nisy sakantsakana intsony izay tian'ny tananay haleha. Safosafo izao, tahaka ny tsy teo ny nanalàn’i Tahiana ny akanjo ambony somary mifintina manara-batana hahamora ny fanalàna ity tati-nono teny ankodiny.
Hatsaran-tarehina nono izany. Naleon’i Hery aloha somary niondrika hitsapàn’ny takolany ny hafanan’ireto nono roa nanoloana azy. Norokorohany teo ka nampiakatra ny onjam-pahasambarana tany anatin’i Tahiana tany. Ity farany tonga dia nisarika indray ny lohan’i Hery hanoroka azy sady nanala ilay lobaka mba hampifangaro ny hafanan’ny vatan’izy roa. Ny safosafo amin’io nitohy tsy ankijanona toa mikaroka mafy izay onjam-pasahambarana hoan'izy roa.
Tampotampoka teo, tonga dia nobatain’i Hery hipetraka teo amin’ny seza lava I Tahiana. Novahany ilay fehikibo lamba sy ny bokotra dia nosintosintoniny teo ny pataloha jean’s manara-batana izay avy hatrany koa dia nanala ny kiraro teny an-tongotr’i Tahiana. Hatsaran-batan'olona izany hoy izy tany antsainy tany. I Tahiana amin’io manafosafo ny faritra mahavehivavy azy izay efa tsapany fa mando saroman’ny string maintimainty mbola teny aminy. Tsy nihetsika intsony i Hery nony avy eo fa niandry fotsiny izay hataon’i Tahiana manaraka. Tsy nisy niteny, tsy nisy nivolana izy roa fa i Tahiana no tonga dia namaha avy hatrany izay teny amin'i Hery. Tsy nisalasala izy fa naborotsany avokoa izay akanjo sisa tavela teny aminy. Ny maha-lehilahy azy amin’io mihenjana mafy tsy nisy ohatran'izany. Niala vetivety i Hery ary noraisiny ny tanan’i Tahiana ilany, dia nosarihiny hitsangana. Notaritarihin’i Hery izy hiakatra tsimoramora tany ambony, ary navelan’izy ireo teo amin’ny fandraisam-bahiny ny akanjony. I Tahiana amin’io string kely sisa no teny an-kodiny. Tonga dia nampidirin’i Hery tao amin’ny efitra fandroana dia nitohy indray ny safosafo sy ny orokoroka samihafa manenika ny vatan’izy roa. Nalefan’i Hery tampoka ny rano ka saika nitsamboatra i Tahiana niantsampy teny aminy sady nikiakiaka kely, nefa vao mainka nampifikitra mafy tamin’ity akaiky azy izany. Tsy naharitra intsony ny anao vavy fa nanala ilay string. Niteny tampoka I Hery hoe: " Andraso kely aloha fa haka zavatra vetivety aho." Sady lasa nivoaka ny efitrano fandroana izy. Ny rano amin'io mifatsitsitra moramora manaraka ny vatan’i Tahiana, mahafinaritra ery ny mijery ny nonony irarahan’ny rano tahaka ireny tendrombohitra ivoahan’ny loharano ireny, sady safosafoiny ihany. Tsy andriny izay hiverenan'i Hery teo anilany. Iny tokoa ny lehilahy nitondra fimailo avy any. Novahany dia natolony an’i Tahiana izay tsy nisalasala nampiditra azy.
Tsy ela taorian'izay dia tavela tao anatin'ny firaisana ara-nofo tanteraka izy roa ka tsy nahoany akory ny rano mandeha mikoriana nifafy tamin'ny vatany sy ny hatsiaky ny taila fotsy manemitra ny efitra izay niankinan'izy roa nifandimby. Satrin’i Hery foana hampitohaka ny tarehiny ao anatin’ireto nono tsara bika toa tendrombohitra tsy manam-paharoa. Tsy nitsahatra izy ireo raha tsy samy tojo tamin'ny faratampo-pahafinaretan'ny nofony avy. Rehefa vita izay dia nivoaka ny efitrano fandroana izy ireo. I Tahiana amin’io feno tsikitsik toy ny nahitan'i Hery azy tamin'ny voalohany ihany.
Niverina nidina izy ireo namonjy ny efitra fandraisam-bahiny, tsy nisy nifampiteny fa niara-nipetraka teo amin’ny seza lava, dia samy nampiditra ny ankajony. Vita izany dia nampofoin’i Hery i Tahiana sady nanomboka ny resaka.
- "Tsy diso mihitsy i Malala milaza fa « étalon » mihitsy kay ianao ity. Tena lafatra, mbola tsy nanao tahaka izay aho fa hafa mihitsy aloha iny hevitrao tany anaty fandroana iny e!" sady nanoroka indray an’i Hery izy.
- "Te hitsapa ilay sensation an’i Malala nanana fisakaizana taminao fotsiny aho."
- "Fa inona marina no nambaran’i Malala anao e!" hoy indray i Hery somary tezitra. Niondana i Tahiana dia niteny hoe :
- "Efa fantatro daholo ny momba anao rehetra, fa ianao fotsiny no sisa mbola tsy hitako. Izaho koa tonga dia babo avy hatrany raha vao nahita anao. Tiako ho fantatrao fotsiny fa valifaty ataoko amin’i Malala izao, ary efa elabe mihitsy no nandrasako izany. Efa nisy sipako izay mantsy taloha, bandy milay izany fa dia nangalarin’i Malala, tezitra be aho tamin’izay an ! dia mba anjarako indray izao ny mamaly izay nataony tamiko. Fa aza matahotra ianao e ! Tsy hiditra amin’izay olana mianajady aminao mihitsy aho fa mba te hanana aventure kely fotsiny ! Sa tianao ny miaraka amiko?"
- "Tsss !" sady tsy niteny intsony i Hery no nalahelo kely ihany nandre izany. Amin’ny lafiny iray, nanenina izy noho ity Malala izay neveriny ho azo itokisana amin’ny nataon’izy roa, nefa hay mamboraka ny tsiambaratelo amin’izao olona tsy fantany izao akory. Amin’ny lafiny faharoa kosa, ny tenin’i Tahiana izay mandratra azy noho ity izy toa andrakandraman'ny olona fotsiny. Ary ny lafiny fahatelo dia izy tsy naharitra ela akory dia efa nivadika tamin’ny toky nomeny an’i Alexia vao omaly harivan’io.
Tena ditran’olona marina letsy ny an’ialahy ry Hery, sady nanongo tena izy.
Nitsangana avy eo i Tahiana dia niteny hoe :
- "Aleo aho handeha fa efa miha-alina ny andro ; tsy aleo ve mba aterinao kely vetivety."
- "Tsy maninona," hoy izy, "aleo mihitsy ianao ateriko eny amin’ny arabe ka rehefa mahita fiarakaretsaka vao miverina aho."
- "Misaotra fa tena nahafinaritra ahy mihitsy ianao. Mbola mifankahita foana isika an! aza atao mahakivy anao mihitsy ny fihetsiko fa mba mila ny tahaka ireny nataontsika teo ireny aho indraindray. Tena marina anie izany fa tena milay ilay teo e!"
Tsy novalian’i Hery intsony ny resaka fa ny handehanan’ity Tahiana ity no mahamaika azy. Efa azony koa moa izay nilainy tsy ampy azy ve izay ; ilay ravim-boafotsy rahateo efa nangatsiaka tsy nisy nikitika akory.
Nony niverina tao an-trano izy dia niakatra hamafa ny efitra fandroana, hay najanon’i Tahiana iny tao ilay string maintimainty mbola hotsaky ny rano.
Ahoana indray ary ny hanaovako ity. Tsss !
Noraisin'i Hery ilay izy mbola tena lena be iny dia niasa saina teo izy na hariany na hafeniny. Raha hafenina amin'ity izy mbola lena be ity anefa hoy izy tany antsainy tany mety hasiso any ity. Tsy hitany izay hatao fa nahantony tamin’ny tady fanamainana ilay izy no niafarany.
Nidina tany ambany izy avy eo nikarakara izay sakafo kely mbola azony nohanina fa nahatsiaro noana indray. Vita ny sakafo dia nijery fahitalavitra hanaraka horonan-tsarimihetsika tany amin’ny efitranony. Ny ampitso maraina vao taitra hamonjy indray ny asa.
Tonga tany am-piasana i Hery, nahatsiarotsiaro an’i Alexia, te-hiantso mafy ka nandray ny findainy, nantsoiny ary avy hatrany dia nahazo ; tampoka teo anefa tapaka indray. Aza hitako, hoy i Hery, mety niantso ahy foana i Alexia fa tsy nahazo mihitsy ; tena tsy afaka namelona ity finday ity mihitsy aho hatramin’ny omaly. Dia maninona ary raha nantsoiny tato am-piasàna? Aza hitako ka tsy te-hiresaka amiko intsony izy.
Tsy nihevitra ny momba izay resaka izay intsony i Hery, fa manjary hanenina eo indray ny amin’ity nataony omaly hariva. Henjana kosa aloha ilay nataon’i Tahiana e ! Amin’izao, na handalo eo amin’io farmasia io aza rehefa mody toa misalasala ihany. Ny nenina marina hoy izy tsy ao aloha hananatra, fa aoriana handatsa.
Notohizany ny asany. Nony tonga ny atoandro dia nojereny ilay tranon-kala novangiany omaly. Nosokafany ilay lohahevitra noforoniny. Efa ho 35 ny valin-teny tao ; saika isaky ny 30 minitra dia misy mamaly foana. Valin-teny izany, ao ny tonga dia manome tsiny avy hatrany, ao ny manolo-kevitra ny hoe : ndàna mitsoaka ny tany misy anao izao fa hahavanon-doza eo indray, ny teny amin’io vary amin’anana tsy ifankahazoana. Ao koa ny manolotra sahady izay mety ho tohin’ny fiainako amin’ny alalan’ny tantara. Lava izany valim-panontaniana izany, tsy nampoiziny ho tahaka izao mihitsy. Asa tokoa, fa hafa nohon’ny hafa angamba ity ditra nataoko ity hoy izy. Tsy nisy vonoan’olona akory, satria hafa ny heloka izay mampigadra, fa ity fahotana mampigatra ara-tsaina amam-panahy no mihatra aminy.
Tapitra vinakiny avy eo ilay takila noforoniny dia nisento tokana izy. Toa tsy ahitako vahaolana akory izy izany fa fanomezan-tsiny ny be dia be.
- Ataoko ahoana tokoa moa ny handao ny asako sy izy efa-mianaka, ireo no fiainako na dia manahirana ahy aza. Tsy maintsy mitraka fa lehilahy.
Nosokafany ihany koa ny mailaka dia nisy hafatra tao ny momba ilay fotoana amin’ny zoma hariva. Faly ery ry zalahy izany, hisy revy be izany ao an-trano. Aleo marina manala azy fa mila tsy ho tanty intsony raha izao foana no iainana, sady faran’ny volana rahateo moa ny andro tamin'io. Nandefa mailaka tany amin’i Alexia izy avy eo, hafatra mitory fitiavana fa tsy manadino azy akory i Hery.
Teo vao tadidiny fa hay moa namorona mailaka vaovao izy omaly, izay nataony hoe : [email protected] mba ahafahany mifandray amin’izay olona te-hifampitafa aminy momba io lohahevitra nosokafany io. Nojereny izay tao.
« Bienvenu Kelimaditra »
Vous avez 1 nouveau(x) message(s).
Nosokafany indray. Mbola tsy fantany mihitsy ilay adiresy. Mazava koa ange fa tsy hisy olona hanome izay tena anarany akory raha ny amin’ny fifandraisana tahaka izao e! Notohizany nidirana ka izao no soratra tahaka tao :
Slt à toi Kelimaditra !
Nahita ny forum nataonao aho ka mba hanoro hevitra fa mety hisy vahaolana ihany omeko anao. Koa raha sitrakao indrindra dia hifanoratra isika.
Mianatra manokana momba ny sociologie eny Ankatso aho ary manomana maitrise ka mba te-hahafantatra izay manjo anao, ary afaka mihitsy koa manoro hevitra amin’izay tokony hataonao.
Manantena valiny avy aminao.>>>
Tsss ! sociologie, inona koa no hifandraisan’izany. Manomana maitrise, mpianatra eny ankatso izany, hafa dia hafa tokoa aloha ny fiainana atrehin’ialahy ry Hery ka izay angamba no ilàny an’ialahy. Kanefa izy moa nilaza fa misy vahaolana azony atolotra. Mety efa niainany koa angamba izany e ! aleo valiana amin’ny manaraka fa tsy izao aloha. Tsy fantatro akory na lehilahy na vehivavy izao manoratra izao.
Nofaranany avokoa ny asany teo ambodin’ny solosaina dia nivoaka izy hisakafo atoandro.
Dia tsy nitsahatra ny revy fa nitohy ihany, izao efa teraka koa ny zaza faharoa izay mbola ahy, ary fantatry ny rafozan-dahiko satria efa tratran'izy sy ny jobako ambody omby izahay.
Voaroaka aho izao tsy mahazo mankany amin-dry zareo intsony. Dia tsy hitako izay hatao : tsy hiraharaha, zanaky ny tena roa tsy foiko mihitsy, ilay jobako nefa mbola tena tiako sady tia ahy koa.
Vonjeo re olona fa loza.
****************************************************
Dia tsy nisalasala i Hery nandray ny solon'anarana hoe : Ikelimaditra. Ary mailaka vao noforonony no nataony ifandraisana tao.
Ikelimaditra : Maditra marina letsy ialahy ity ry Hery. Izao hadalàna izao vitan'ialahy daholo. Leo sahady indray izy fa toa mampisaina azy zavatra betsaka ity nataony ity.
-Asa indray izay mbola hadalako nandefa io sujet io, sady toa niontana tampoka teo ny fony.
Aleo hitranga any izay hitranga fa ho hitantsika eo.
Najanony ny solosaina dia nandeha nivoaka izy hitady harapaka tany ivelany.
Loza fa hay lany fahana ny findainy. Ny chargeur any an-trano. Tsy nampaninona azy akory anefa izany, sao dia manenoneno eo koa, hoy izy, ka vao mainka mankarary an-doha.
Nony tafaverina avy nisakafo izy dia nanohy ny asany indray. Na izany aza anefa toa mahatsiarotsiaro an'i Alexia foana, i Malala ve izay nanao ahoana, i Toky sy Cynthia. Mba nanao ahoana ange izy ireo izay e !
Variana tamin'ny asany teo izy ka saika tsy nahatsiaro ny firavàna. Raha tsy nanao veloma azy ny mpiara-miasa vao taitra ny lehilahy, dia mba nampirin'entana koa dia lasa nody.
-Tsy misy olona izao ao an-trano mikarakara sakafo, fa aleo aloha mandalo ato amin'ity snack ity, hividy sakafo efa vonona ka hafanaina fotsiny rehefa hatory.
Nataony ny commande, niandry elaela kely. Nipetraka teo amin'ny seza fiandrasana, sady misy fitaratra lehibe velarana nanoloana azy. Tsy sahiny akory ny nijery ny tarehiny fa tahaka ny misy omby masiaka izany tady hanoto azy ao aoriana ao. Aleo marina enjehin'ny omby masiaka toy izay enjehin'ny eritreritra hoy izy sady niondrika izy fa tsy nijery.
Tampoka anefa, tao aoriany tao nisy feo henony toa niteny hoe : " SALUT MON BEAU-GOSSE "
« salut mon beau-gosse !!!! » Feom-behivavy tsy dia fandreny matetika ilay izy. Nefa vao haingana no nahatadidiavany azy. Nitraka kely i Hery, somary nikentrona, dia nojereny teo amin’ilay fitaratra lehibe. Indro vehivavy mitsikitsiky izay maniry hiresaka mafy no mifanila aminy, ary tonga dia vavany fa tsy mba fijery mifanena akory. Mody mangata-maso, mibory volo hatreo amin’ny hatoka, manana endrika falifaly aok’izany. Nihodina tsimoramora teo ambonin’ilay seza i Hery hifanatrika amin’ity vehivavy, kanjo somary voasarika vetivety ny masony hibanjina ireto nono mampite-hamehy anaty tanan-droa ireto. Nifampijery tsara izy ireo avy eo.
- "Hay ve ianao e ! Gaga be aho."
Misy taratasiko any dia vakio tsara, sady niteny tamin’ny teny malefaka izy, nampidiriny tao anaty kitapo kelin’i Hery ilay zavatra.
- "fa maninona ianao e ! marary angaha? " Nisento tokana fotsiny izy.
Injay fa nidina i Alexia, tsy niteny intsony i Malala, ny fanondrony roa no natsindriny ny handriny dia lasa izy nipetraka teo amin’ny seza lava.
- "Ity misy fanomezana kely avy taty amiko," hoy i Alexia, boaty kely efajoro voafono mangirana ilay izy sady misy fatorana. Noraisin’i Alex ilay kitapo teny an-tanan’i Hery dia nosokafany hampidirany ity fanomezana. Nojereny ny tao anatiny, antontan-taratasy vitsy nentin’i Hery avy tany am-piasàna, misy horonan-karona ahitàna zavatra mifono, dia nalainy sady hoy izy, - "inona kay ity ry Hery ? "
Nivandravandra be i Malala tetsy amin’ny salon, nivaloharika ohatr’izany. I Hery tsy nahita hotenenina. Nidobodoboka ny fony, ny mason’i Alexia no nobanjininy tsara. Tsy dia nahoan'i Alexia anefa izay tao anatin'ilay fonosana ary dia naveriny tao anaty kitapo ilay zavatra. Nifanoroka indray izy roa dia nandeha nanao veloma an’i Malala i Hery. I Malala anefa amin’io mibanjina ny mason’i Hery tsy misy ohatran'izany mba hampitany ny adin-tsaina mahazo azy kanefa tsy nety tody tamin’i Hery mihitsy izay tiany hambara. Raha rahona mandalo miserana tokoa, tsy ampy hanaloka ilay masoandro mibaliaka niainan’izy roa ny tolakandro teo.
Nandray fiarakaretsaka i Hery nody, nisaintsaina lalina ny fahasambarana niainan’izy roa tany Ambatofotsy. Andro iray tsy ho hadinony amin’ny fiainany iny andro iny. Na dia efa maizina aza ny andro tamin'izay dia toa masoandro mibaliaka no namiratra tao an-tsainy.
Tsaroany ery i Alexia mijoro eo anoloany, ny hafanàna amin’io mamely, sary miraikitra amin’ny masony ny hatsaran-tarehy, ny volo lava any an-damosina, ny tratra lafatra tsy misy toa azy. Raha nisy anjely teto an-tany hoy izy tany antsainy tany dia tsy azo lavina fa i Alexia anisany. "Nahazo letsy ialahy RaHery," hoy izy, iza eto amin’ny tanàna no tsy te-hahazo an’iny sipa iny na ny mitovitovy aminy fotsiny aza ! Nanofinofy teo izy, kanjo, nisy fiara 4x4 nandefa ny jiro mahajambena tamin’ity fiara-karetsaka kely. Ni-klaxon ilay mpamily sady nanapipika ny jirony izay tsy nahaovoka akory fa tafajanona mihitsy. Natorak’i Hery teny amin’ny sisin-dalana ny masony, taitra tamin’ilay nofinofiny teo izy, nandalo tampoka taminy ny sarin’i Malala ilay fotsy hatsatra teo. Nalainy ilay kitapo keliny dia nojereny, tsy azony an-tsaina mihitsy hoe inona ity, sao dia misy manjo an’i Malala ary, ka tsy tiany ho fantatry ny ao an-trano. Tsy andriny izay nahatongavany tao aminy. Tonga izy dia niakatra tany amin’ny efitranony. Valopy iray sy lamba mifono taratasy hafa ny tao. Nisokafany kanjo...
Nivoaka tao ilay silipiny efa tsy hitany izay ela izay, tsy adinony akory iny resaka iny fa nodiany tsy fantatra fotsiny. Nandalo niserana tao an-tsainy ny enim-bolana lasa, nampikorontana ny sainy indray ity zavatra-mitranga ity.
Nosokafany ilay taratasy, teny vitsy monja ny tao :
« Hery, miady mafy ny saiko fa tratrako Ratrema nampirafy ahy,
kely loatra ny aiko ».
Soratra tahaka izay no hany tao dia nampiova tanteraka ny fara-vodilanitra manga nofinofin’i Hery teo, toa nilentika tampoka ilay masoandro, nangatsiaka, nodimbiasan’ny rahona matevina. " Inona ity, ahoana indray no ataoko ?"
Noraisiny ny finday, hay adinony ny namelona azy hatrany Ambatofotsy. Novelominy dia niantso an’i Malala izy !
- "Allo ! Malala, maninona ianao izao. "
- " Hery, tsy afaka miteny mafy aho fa marary be daholo ny vatako iray manontolo. "
Tsy nahatanty ilay fihetsik’i Alexia teo tokoa ny anao vavy ka niakatra tany ambony niverina natory. Niandry izay higadonan-dRatrema fotsiny sisa; I Cynthia koa tamin'io fotoana io nitomany foana nefa tsy nety nampinonoana. Izy rahateo tsy manana aina intsony. Ny saina mety ihany, fa ny vatany no torovana tanteraka.
- "Hery an ! miverena aty fa mila anao aho ! "
Tsy hitan’i Hery izay hatao, noraisiny ny akanjo mafàna, niteny tamin-dry Dadabe fa tsy maintsy misy alehany any amin-dry Alexia dia nihazakazaka namonjy nivoaka ny arabe izy hitady fiarakaretsaka. Tsy nandry intsony ny sainy fa nieritreritra an’i Malala sy izay nahazo azy izy teny an-dalana.
Fotoana elaela taorian’ny nandehanan’i Hery vao nigadona teo am-bavahady ny fiaran-dRatrema. Tao anatin’izay no niantsoan’i Hery an’i Malala teo.
Niditra tao an-trano ilay raim-pianakaviana, avy dia nipetraka teo ambony seza namelona ny fahitalavitra. Ren’i alexia ny fahatongavan-drainy, sady hitany rahateo koa ny fiara avy teny am-baravaran-keliny. Nidina izy, falifaly ery, nanoroka an-dRainy.
- " Papa, tsara ve ny tontolo andronao androany ?" Nojeren-dRatrema tsara ity zanany.
- "Han, falifaly indray ange izany zanako izany e ! Tsy androany moa ilay noteneninao ahy tamin’ny zoma fa hivoaka kely ny renivohitra hiaraka amin’i Hery ? Tsy naninona ny fiara an, faly aho rehefa miramirana tahaka izao ity zanako ity."
- "Ie ! sady tena nahafinaritra, tany Ambatofotsy izahay roa, nilalao rano. Amin’ny manaraka isika rehetra angamba mankany, sady nipetraka izy no nitositosy teo amin-drainy teo, tahaka ireny zazavavy kely ireny.
Mahagaga tokoa fa tena miray fo sy saina mihitsy izy mianaka, mety ahatsiarovan-dRatrema an’i Vololona koa angamba i Alexia, indrindra izy izao efa mandia ny fahatanorany izao.
- "Fa aiza ny ankizy kely ? te hahita azy aho izany."
Nitsangana i Ratrema, dia niakatra tany ambony, nojereny aloha ny efitr’i Toky, tsy nisy olona tao, nanantena an’i Malala izy hoe mitaiza an’i Cynthia tao amin’ilay efitra vaovao, mbola tsy tao ihany koa.
- "Malala an !" sady nankany amin’ny efitranony izy.
Hitany teo i Toky kely matory aok’izany eo ambony fandriana sady eo akaikin’ny reniny. I Cynthia koa eo amin’ilay berceau fatoriany taitra sady manomboka mikenfonkefona. Nanatona azy izy dia noraisiny notrotroiny. Taitra tamin’ny fahatongavan-dRatrema i Cynhtia ka niverina nitomany indray.
I Malala amin’izay manome lamosina tsy nahateny tsy nahavolana, sady mibonoka ity lamba matevina nefa ny andro nivaivay aok’izany tamin’ny atoandro teo.
Nipetraka teo ambony fandriana Ratrema, ny zaza amin’io eny an-tanana ihany sady mitomany izay tsy izy. Ny reniny toa tsy taitra akory fa maninona angaha ?
- "Malala an!" hoy indray Ratrema, "mitomany ange ity zaza ity e!" Sady nokitihany ny vadiny hanaitra azy. Vao mainka anefa i Malala nihodina indray ka ny lamosiny no nataony ambony no nafeniny tao anaty ondana ny lohany.
- "Fa maninona ianao e?" Noritin-dRatrema tamin’ny tanany ilany ny lamba ka indro ny vadiny hitany fotsy hatsatra, malemilemy tsy nahasintona intsony ilay lamba. Ny sainy torovana tsy nahavita intsony izay tetika hamaliany faty an-dRatrema. Hany heriny dia nihodina tsimoramora, nandatsaka ny ranomasony sady nifokofoko.
Taitra koa i Toky sady tonga dia nitomany nahare an-jandriny. Tsy hitan-dRatrema izay hatao, nikoropaka izy, natsoiny i Alexia hiakatra hampangina an’i Toky no hitondra azy hijery fahitalavitra any ambany. Nantsoiny koa ilay mpanampy mpitaiza hanome biberon an’i Cynthia any amin’ny efitranony dia niverina teo amin’i Malala izy.
- "Malala, malala an ! maninona izany havako izany e?" Vao mainka nidradradradra nitomany i Malalatiana. Niezaka ny hanakifika ny tanan-dRatrema fa tsy nahavita intsony. Tomany eran’ny trano, ny zazakely angamba misy maharary azy fa tsy nijanona nitomany na dia nanao izay azony natao aza ilay mpanampy, i Toky raha vao misy mitomany dia iny koa lery manampy trotraka, sahirana ery Alexia mitaiza azy, Rafotsy ao ambony midradradradra aok’izany tsy laitra hampanginina.
Noraisin-Dratrema izy dia natohony tamin’ny tratrany, reny fa tena mafàna be ny lohan’ity vadiny, nosafosafoiny mora teo.
- "Malala an! aok’izay izany havako izany
- "fa misy inona ary ato ? dia ho sanatria ve ho fantatr’i Malala ny nataonay sy Corine tany am-piasàna, tsy mino izany aho, tsy misy mahalala mihitsy izay ataoko ao anaty birao, sao dia ilay Corine iny ary no nanao menace an’i Malala ? aza hitako," hoy Ratrema tany an-tsainy tany.
Noraisiny ny telefaona, niantso dokotera izy, dokotera efa mahazatra ny fianakaviana izy io, ary antsoina rehefa misy marary ato an-trano. Nazavain-dRatrema teo izay zava-mitranga. Naka fitsapàna hafanana izy avy eo, dia nandrotsaka fanafody anaty rano fa izay no nafaran’ilay dokotera mandra-pahatongany. Tena marary mafy ity vadiko ity, hoy izy, aleo aloha ho tonga i Dokotera dia ampidirina hopitaly indray fa sao dia hanahirana eto. Taitra izy nahita ny hafanàn’i Malala, tena loza ity. Efa nanomboka nitonitony i Malala tamin’izay fa tsy nitomany intsony, tsy nisy sahy niresaka, lasalasa saina i Ratrema amin’ity zavatra mitranga, efa narary ary i Malala ka tsy niantso ahy, fa maninona ary ?
Roapolo minitra taorian’izay vao tonga ny dokotera, hay niaraka niditra taminy tao koa i Hery.
- " Oay, tonga niverina ny malalako," hoy i Alexia, nanoroka ery, i Toky amin’io velon-tsiky indray nahita an’i Hery sady nanomboka nibitabitaka.
- " Faly ery izy izany nahita anao, izaho teto tena sahirana mihitsy nampangina azy, sady nomeny an’i Hery hotrotroiny i Toky.
- "Fa maninona i Malala ry Alex fa nantsoiny aho teo, marary hono izy ?"
- "Nitomany be izy teo, tsy haiko fa tena fotsy hatsatra be aloha tamin’izaho nandalo tao. Efa iny ny dokotera niakatra ao aminy ao, aleo aloa isika miandry aty fa tsy hitany eo ve izay tokony hatao?"
Adinodinon’i Hery izay zavatra nitranga, ity zanany faly ery eny an-trotroany no nahafinaritra azy. " Dray letsy ialahy ry Toky hoy izy aneritreritra, tena misy itovizana be amiko hono ialahy?" ity zazakely amin’io faly ery manafosafo ny lohan'ity "rainy" nitrotro azy . Dia variana teo izy telo mianaka.
Tany ambony kosa tamin’io…
Nanazava Ratrema fa 40°5 ny hafanan’i Malala teo ; vao hitan’ny dokotera ilay marary dia nojereny ny aty vavany,
- "Tena décalcifiée be mihitsy ny vadinao ry Ingahy Ratrema, raha izao fahitako azy izao, sady nojereny ny hohon’i Malala, tsy maintsy mitsindrona haingana, efa nitondra aho aty. Mampinono moa izy io ? Sao dia nisy zavatra nanaitra azy ary androany." Sady naka ny fitaovana fanindromana ihany izy. Reny koa i Cynthia mbola mitomany ao amin’ny efitra ilany ;
- "Ilay zanakareo angaha izany," hoy indray izy, "aleo aloha ho vitako ity dia mijery azy isika. Sao dia taitra tampoka ianao Ramatoa androany, sao dia nisy fiara saika handona anao teny an-dalana?"
Tsy nahateny mihitsy i Malala fa ny masony no natsirempirempiny fa nahatsiaro naharary azy ilay tsindrona.
Aleo aloha izy haka aina tsara, ireto no fanafody tsy maintsy vidianareo izao, any amin’ny farmasia mpiandry raharaha, dia nanoratra izy.
- "andao ary jerena izao zazakely mitomany izao, nivadika tao an’efitra izy dia noraisiny ilay zaza efa tora-kelin’ny tomany ; novahany ny akanjony, nojereny ny atin’akanjony, somary taitra kely izy, nangatahany ilay mpanampy raha mbola hitany ny lamban-jaza fanary teo alohan’io.
- "Andana jereo," hoy Ratrema, dia nidina ilay Ramatoa nitady ilay lamba efa nariany teo. Afaka kelikely, maharary kibo be ity zaza ity, raha izao no fandehany dia nivadi-nono ny reniny, mino mihitsy aho nisy nahataitra azy tampoka tany ho any, asa efa tamin’ny maraina angamba, tsy fantapantatrao ve ?"
- "Toneo tsara ny fon’ny vadinao ry Ingahy Ratrema, mila maka aina be mihitsy izy, mila entina maka rivotra kely koa any ambanivohitra any aza.
Naka tatatasy vaovao indray izy dia nanoratra izay fanafody tokony ho an’i Cynthia sy ny momba izay tokony hampiasàna azy. Efa dokoteran-dry zareo izy io,efa ho 5 taona izay, manana fahaizana manokana momba ny reny sy ny zaza rahateo, ka izy foana no manara-maso an’i Toky, ary amin’izao dia i Cynthia indray.
Gaga i Ratrema, vita izay rehetra izay, dia nidina ry zareo,
- "Rahampitso aho," hoy ilay Dokotera, "tsy maintsy miverina, inoako fa miasa haingana ilay tsindrona teo, rehefa atosiky ny fanafody hafa koa iny dia hiafana haingana ny vadinao. Tandremo fotsiny izy, tsy hampinono aloha fa …"
Vao tafidina tany ambany anefa dia nahita an’i Hery Ratrema, nivandravandra aok’izany mahita an’ity vinantony mitrotro an-janany. Navelany nandeha ilay Dokotera dia niverina izy.
Mody tony aloha, vao niteny tampoka,
- "Tsy efa niteny ve aho fa tsy mahazo mankaty ialahy raha vao alina toy izao, sady nanomboka nitrerona izy. Ialahy an ! rahefa izay dia izay, maninona aty koa ialahy io ? Tsy manana lava-trano hatoriana angaha?"
- " Azafady indrindra ry Papa fa.." sady nosintomin’i Alexia ny rainy, "Papa an, nantsoin’i Neny ange izy hono teo e, ary aza mampiaka-peo fa misy marary ange eto e!"
Na reraka aza i Malala tany ambony dia reny ihany ilay trerona nataon-dRatrema teo, azony an-tsaina fa tonga i Hery. Nitomany indray izy.
- "Hijery an’i Malala mihitsy no nahatongavako aty amin’izao alina izao. Izy mihitsy no niantso ahy, efa ho antsasak’adiny izay ; aleo aho hiakatra hijery azy.
Tezitra i Ratrema fa tsy nahavita nanainga tanana akory, ny zanany vavy etsy, misarangotra aminy mba hampitony ny fahatezerany.
Lasa i Hery niakatra, i Toky mbola trotroiny ihany; niditra tao amin’ny efitrano, nalahelo kely izy nahita an’i Malala fotsy hatsatra matory eo ambony fandriana.
Nipetraka izy, navelany handehandeha i Toky kely, noraisiny ny tanan’i Malala, azony an-tsaina sahady ny tebiteby mahazo ity renin-janany. Ny mason’i Malala sisa no natopiny teny amin’I Hery hilazany izay manjo sy mampiady mafy ny sainy.
Afaka kelikely dia niteny mora dia mora izy :
- "Hery an ! nivadi-nono hono aho," hoy ilay dokotera teo.
Tsy niteny intsony izy roa, fa ny safosafon’ny tanana no natao hampitony ity marary.
Niakatra moramora i Alexia, narahin-dRatrema tao aoriana, nony niditra izy ireo, niverina indray ny fivandravandrana be ! Tsy hitan’i Alexia izay hatao, i Malala etsy mampikimpy ny masony fotsiny, tsy te-hahita izay zavatra hitranga indray.
Tsy nahatony fo intsony i Hery dia nitsangana :
- "Ianao ihany Rangahy ity no nahatonga izao an!" Sady natsipiny teny amin-dRatrema ilay taratasy kely avy tany amin’i Malala.
Taitra i Ratrema, novakiany ilay taratasy kely. Romotra ny anao lahy, nalatsany tamin’ny tany ilay taratasy dia nisintona an’i Hery izy sady noraisiny ny vozon’akanjony.
- "Iza no miteny an’ialahy mba hiditra amin’ny fiainan-tokantranoko. Tsy anjaran’ialahy ny aty, any amin’ialahy ialahy manatsipitsipy izay tian’ialahy hatsipy fa tsy aty amiko velively. Lehilahy tsy vanona, adinon’ialahy angaha ny nataon’ialahy hatramin’izay; Ny zanako no potipotehin’ialahy tahaka izao. Hahalala an-dRatrema ialahy anio."
Niakatra ny feo, izy mianaka vehivavy etsy mitomany, ilay taratasy efa nalain’i Alexia sady efa novakiany, niverina indray ny tomany, ny dardradradra, ren’ny mpanampy rehetra tany ambany izay nitranga.
Nanalan-dRatrema ny fony teo aloha i Hery, ity farany tsy nahita hotenenina intsony fa nangina aloha.
Asa tokoa, nahatsiaro ho diso ihany angamba Ratrema ka napetrany ihany i Hery fa tsy nokitihany akory. Nafàna ny fony, naleony nidina tany ambany, nanaovany ny akanjony avy niasa teo, nakarapony ny varavarana dia lasa izy namelona ny fiarany. Klaxon nanaitra ny manodidina no niantsoany ilay mpiambina ny tanàna hivoahany. Nigika aok’izany ny fiaingan’ilay 4x4 teo amin’ny arabe. Tsy hita intsony izay hatao, izy mianaka etsy mitomany izay tsy izy, very hevitra amin’izay tokony hatao.
Somary nihorirana kely Malala hamoha ity varavarana, nahodiny moramora ny poignet, kanjo nihidy ilay izy. Naveriny fanindroany dia najanony tampoka.
Nitodika nijery ilay sekretera izy:
- "Tena cliente-nareo be mihitsy moa izany ramatoa izany e?"
- "Eny Mme Malalatiana, efa ho valo volana izy izay no manana tolotr’asa atao ato aminay. Sady orinasa tena mifandray be aminay koa no tantanan’io ramatoa io."
- "Hay," sady nanapotsitra ny handriny tamin’ny fanondrony izy fa nahare nanaintaina teo ambony masony teo. Ny zazakely amin’io eny an-trotroana ihany. Niezaka ny hitandrina Malala mba tsy hianjera sady nanatona ny biraon’ilay sekretera.
- "An! nieritreritra aho fa aleo angamba izy tsy helingelenina sao dia tena manahirana azy. Manjary mampifangaro ny asany amin’ny tokantranony koa izy raha niditra tampoka teo aho. Nandalo fotsiny aho fa tsy hoe inona akory ka! Aza tenenina azy akory hoe teo aho; fa raha manontany izy dia… eny e! aza tenenina akory fa teo aho. Misaotra betsaka Mme Sahondra an!"
Lasa Malala niverina teny amin’ny amin’ny ascenceur, dia naterin’ilay sekretera izy mianaka. Tsy tantin’i Malala intsony ity zavatra nahazo azy, hitany amin’izao fa hay nisy zavatra hafa nandalo teo amin’ny fiainan-tokantranony kanefa tsy reny sady tsy fantany akory.
- "Valo volana…" Izay ilay valifaty, loza tokoa.
Raha ny tena tian’i Malala tokoa angamba dia ny hampitsikafona amin’ny tany izao ramatoa izao fa saingy nihidy ilay biraon-dRatrema. Tsy tiany hahoraka eo amin’ny mpiasa koa sao ny ho avin’ireto zazakely no ho sampona tampoka eo. Noraisiny ny findainy, nantsoiny Ratrema, saingy teo am-piandrasana ilay antso dia notapahiny. Nanganohano ny masony ary mila tsy ho tantiny intsony ny hitana izay ranomaso latsaka, ka i Cynthia no natohany tamin’ny takolany mba hanalàny izay mavesatra rehetra mianjady taminy. Soa tokoa fa feo no reny fa raha izany rehetra izany angamba no hitany maso mivantana, dia ho nivadi-po tampoka teo izy.
- "Ratrema, efa nampoiziko ihany. Hitako tokoa ny vehivavy maro no saro-piaro, kay ny tsy hitrangan’ny toy izao."
Nezahiny naverina tao an-tsaina avokoa ny valo volana lasa: taiza avy Ratrema? Hay izany tena hambaboana ahy amin’ny hafaliana fotsiny ireny tambitamby, fanomezana sarobidy, fa ny akon’izay tany am-badika tany tena loza! Ity izy nanana fahaizana manokana tsy nandairan’ny safosafo rehefa izaho miara-matory aminy iny! Kay tamin’olon-kafa no tiany hampisehoana ny heriny. Lehilahy tokoa izany.
Hay izany izy ilay nandeha tournée tampoka taorian’ny nandevenana ny maman’i Hery iny ka… Lehilahy tsy vanona!
- "Tsy hanaiky ny hitsakitsahinao amin’izao fotsiny raha i Malalatiana! Ho hitanao ny valy bontana ataoko aminao."
Lasa izy namonjy ny fiarany hitondra azy sy Cynhtia any an-tranony.
Fa tao amin’ny biraon-dRatrema,
Olon-droa mananika ny lanitra fahafito no mifampitolona eo ambony birao. Mihamafy hatrany ny fihetsika rehetra, mandeha avokoa izao teny mitalaho, ny sefosefo, ny orokoroka samihafa; ny teny frantsay amin’io tsy teny frantsay intsony, voambolana hafa no re.
Hatraiza marina ny fiafaran’ny fahasambaran’ny lehilahy nahazoazo taona no ho tapitra raha tahaka izao e!
Sendra nitopy teny am-baravarana ny mason-dRatrema ka nahita ilay poignet nihodina; nijanona tampoka ny fihetsiny rehetra. Mbola hitany indray fa nihodina fanindroany; niala tamin’ilay ramatoa izy (Corine no anarany). Ity farany anefa tena efa eny amin’ny lanitra faha-fito, saingy mbola latsaka fahefany ihany; nofatorany tamin’ny sandriny roa ny valahan-dRatrema hanatona azy kokoa.
Tafala taminy ihany anefa Ratrema, tonga dia niezaka nandao ny biraony, kanjo voasaringotry ny patalohany teo amin’ny moro-tongony ka nampianjera azy. Nahay nitazona ny sezany izy ka tsy potraka, niharina, nampidiriny ny patalohany dia namonjy moramora ilay varavarana izy. Nahodiny koa ilay poignet dia hitany fa nihidy tsara. Nisento indray mandeha izy dia niverina teo amin’ny biraony ka naka ny sezany.
Corine amin’io naka toerana hitsilany teo ambony birao.
- "Ialahy kosa leitsy Ratrema tena tsss… efa tena kely ve leitsy sisa dia asa izay nahazo an’ialahy tampoka teo! Sa nahatsiaro tampoka an’i Madama indray ialahy ity ? Izaho ho’aho indraindray, ny vadiko tena manirikiry ahy mihitsy, tampotampoka eo izy tonga dia tsy te hanao intsony. Mbola tena mitana aloha raha ialahy e!" hoy i Corine nanohy ihany.
- "Sshhh, tahaka ny nahita olona namoha varavarana aho teo" sady naka afokasika izy no namelona ny pipany.
-"Angaha hadinon’ialahy fa izaho mihitsy aza no nanidy an’io teo?"
Noraisin-dRatrema ny telefaonina dia niantso an’i Mme Sahondra izy, kanjo tsy nisy namaly. Nampidiriny ny palitaony sady nankeny amin’ny varavarankely izy hanokatra ny lamba fanakonana. Nojereny Corine, tsy taitra akory fa maka aina eo ambony biraony. Ny akanjony amin’io mbola misokatra be mampiseho ireto tendrombohitra roa mampite-hiondana. Dray, dray, dray!
- "Anaovy ny akanjonao, dia mialà eo ambony biraoko eo, fa hosokafako ity lambam-baravaran-kely ity e!" hoy Ratrema
- "Sokafy fa maninoma moa, andro atoandro be io ka hisy hahita ve? Fitaratra be mangamanga no hitan’izay mpitily eny ivelany fa tsy ny ataontsika eto akory. Sady ialahy leitsy, izaho mbola tena te hankafy! Avia indray moa faranana ilay nataontsika teo e!"
Tsy nanaiky intsony Ratrema. Izaho hoy izy te hivoaka…
Nipotikana ery Corine nandray ny akanjony, nampiditra ny atin’akanjony ambany, ny zipony moa tsy niala teny aminy. Nesoriny tahaka ny tsy teo ilay akanjo ambony teny an-kodiny, ka nampiseho ny vatany ambony manontolo. Bika izany, ireny mahararak’ivy ny lehilahy sendra manara-maso ireny, ary koa maha-saro-piaro ny vehivavy izay efa manambady.
Nalainy ny tati-nono latsaka tamin’ny moquette dia nanaovany. Ratrema amin’io manara-maso azy ihany, mbola te hanafosafo kanefa…
Nampidirin’i Corine avy eo ny lobaka lava tanana misy peta-kofehy fotsy ranoray. Naveriny nanaovana ilay akanjo ambony nesoriny teo, dia namonjy fitaratra lehibe izy nijery ny maha-metimety azy kokoa, manjamaso, lokomena sns. Vita izay rehetra izay dia niverina nipetraka manoloana ny biraon-dRatrema izy.
Namerina niantso indray Ratrema, fa mbola tsy nisy namaly.
Novahany ny varavarana kanjo Mme Sahondra no indro hitany niditra teo amin’ny biraony, avy nanatitra an’i Malala.
- "Avy taiza ianao fa indroa aho teo no niantso?"
- "Azafady Ramose fa … (tsaroany ilay tenin’i Malala), nanatitra an’i …
- "Nisy olona nitady ahy angaha teo?"
Tsy hitan’ilay sekretera intsony izay hotenenina.
- Tsy haiko Ramose fa i Madama vadinao sy ilay zazakely trotroina iny no tonga teo. Nanontany fotsiny izy raha afaka hihaona aminao dia nolazaiko azy fa Mme Corine no miresaka aminao ao. Nefa nolazainy fa sao manelingelina anao hono dia lasa izy nony avy eo. Avy nanatitra azy teo amin’ny ascenceur aho izao tonga eto izao."
- "Madama a?! fa naninona taty koa i Malala? Naninona aho no tsy nantsoina tamin’ny telefaonina?"
- "Azafady Ramose fa efa niantso anao ange izy fa tsy nisy namaly fa angamba occupé! dia lasa izy namoha ny varavarana kanjo nihidy. Naleony nandeha fa sao hono manelingelina anao."
Tsy notohizan-dRatrema intsony ny resaka fa niditra avy hatrany izy sady niresaka tamin’i Corine:
- "Izay ary ilay efa nahiako, kely fotsiny dia tratran’i Malala teto isika. Mila malina fa tena hafahafa izany fandehan-javatra izany.
- "Hafahafa ahoana?" hoy Corine.
Tonga tany an-trano Malala afaka kelikely. Namonjy ny efitranony izy dia nidiny ny varavarany. Nataony tanaty berceau Cynthia avy eo, namonjy nipetraka ambony fandriana izy dia nitsilàny. Nalainy indray ny finday tany anaty poketrany dia nantsoiny Hery. Messagerie vocale no azony tao, dia naleony notapahana. Namerina niantso indray izy avy eo, fa mbola tahaka izay ihany.
Niharina kely izy dia nitanondrika indray. Nirotsaka ny ranomasony, nanala ny fony teo izy. Teo vao tsapany ny maha irery azy. “Navadiky ny vadiko” aho hoy izy niteny irery. Nisangodina ny sainy ary nahatsiaro fanina izy.
- "Hery, Hery tsy foiko, aiza ilay malalako?" Nidaboka tamin’ny fandriana indray… Nanaintaina be ny lohany ka lasa izy naka fanafody hampihafana azy. Dia niverina natory indray mba haka torimaso hanalàna ity zaka mavesatra reny tao an-tsofiny.
Nitatao vovonana ny andro vao niharina teo am-pandriana izy. Naka ny findainy indray dia namerina niantso an’i Hery.
Fa aiza moa Hery amin’io …
Eny an-dalana i Hery no nantsoin’ i Malala. Vao nahita ilay soratra MALALATIANA teo amin’ny findainy izy dia notapahany. Efa akaiky koa ny toerana nifanaovany fotoana tamin’i Alexia, ka naleony notapahana aloha.
Alexia tamin'io fotoana io efa niherikerika teo am-baravaran’ny restaurant nitady azy.
- "Soa fa tsy noraisiko," hoy izy niteny irery "fa aleo koa ho any…"
- "Manao ahoana ny malalako?" hoy Alexia, sady nifanoroka kely izy roa.
- "Andao tonga dia hiditra fa miha-vitsy ny toerana ato."
- "Efa ela angaha ianao no teo!"
- "Vao teo mihitsy fa andao hiditra e!"
Naka seza sy latabatra izy roa, navoakan’i Hery teo ny findainy tany am-paosiny tany.
- "Aleo aho aloha hamonjy efitra fivoahana fa efa tany am-piasàna aho no poritra kanefa maika hamonjy anao; sao dia lasa niandry elabe teo ny malalako ka tsy tantiko ny hampijoro irery anao teo."
Lasa izy nandeha. Afaka kelikely, niverina naneno indray ilay finday an'i Hery. Noraisin’i Alexia:
- "Allo Neny! fa ahoana?"
Diso fanantenana Malala fa i Hery no tiany hotadiavina.
- "An!" (nangina tampoka ny fifandraisana)… "fa angaha ianareo tsy ho avy hisakafo antoandro aty? Miandry anareo ange aho e!" hoy Malala.
- "O ry Neny a! alatsinainy anie androany e! rahampitso Hery vao mankany amintsika (efa tafaverina teo amin’ny toerany i Hery amin’io). Neny koa, fa maninona ary no manelingelina olona aty amin’ny restaurant aty!"
Nanontany Hery hoe iza no miresaka amin’i Alexia? Novaliany tamin’ny baiko moana fa ny reniny. Hendratrendratra ihany Hery, fa efa ela tokoa mantsy izay Malala no tsy niantso azy. Tadidiny ny tamin’ny andro taloha, ilay antsoantso an-telefaonina miverimberina milaza loza. Fa inona indray ity? Misy zavatra mitranga indray any ho any hoy izy tany an-tsainy tany.
Nony nifarana ilay antso dia nanontany Hery:
- "Fa misy inona indray hono?"
- "Sshhhh, asa indray izay mahazo an’i Neny fa lazainy hoe miandry antsika hono izy hisakafo, nefa alatsinainy androany. Ny fandaharam-potoanantsika roa efa vita. Efa naka permission aloha ialahy ity an!" sady nitsikitsiky ery Alexia.
- "Ieee! efa tamin’ny alakamisy aho no nangataka dia navelan-dry zareo. Tena tsy afaka mihitsy aho aloha raha androany maraina e! fa hoentin’ialahy ho aiza tokoa aloha ity izaho ity e!"
- "Surprise izany"! hoy Alexia. Notakariny horohana i Hery sady tsy menatra akory izy. Izy rahateo: ny bika aman’endrika ananany avokoa, ka narahan’ny olona maso tahaka ireny mpanakanto malaza ireny, na dia efa eny an-tratran’i Hery aza.
Nanatona avy eo ny serveuse, nandray an-tsoratra ny sakafo hohanin’izy roa.
Fa i Malalatiana tany an-trano, vao maika nalahelo. Tsy sahy niteny tamin’i Alexia hoe omeo ahy i Hery fa namorona izay tao an-tsainy tao. Fantany tsara fa rahampitso vao ho tonga any aminy Hery, ka naleony mody navadika ny resaka hoe: aiza ianareo no tsy tonga sns.
Nitsangana izy, dia nijery an-janany. Efa nampitonitony azy koa ilay fanafody ka afaka nijoro ihany izy. Misy manitontsintona azy anefa ny hozany iray manontolo; ny nonony toa reny misy mangidihidy. Rehefa hitany fa matory Cynthia dia nandeha nidina tany ambany rihana izy. Gaga izy nony avy eo nahita an-dRatrema mamaky gazety teo amin'ny salon. Tonga dia namonjy ny latabatra fisakafoanana izy mody tsy nahita an'ity vadiny.
- "Ary hay ve nareo mianaka nandalo tany am-piasàna e? Naninona ary raha niandry."
- "Ka efa namoha ny biraonao mihitsy ange aho fa nihidy dia naleoko tsy nanelingelina intsony sao manahirana anao e!"
- "Hay ve ianao ilay nanodina ny poignet teo. Nivory izahay dia nidina ny birao. Fa raha fantatro ange hoe tao ianao dia nivoaka aho e! “Rien n’est plus important que ma famille” sady naka an’i Toky izy hotrotroiny ary nentiny nanatona ny latabatra nisy an’i Malala.
- "Tsy maninona re izany fa mba nandalo fotsiny aho hijery izany biraonao vaovao ao amin’io trano fitaratra be io izany e!"
- "Fivoriana aho, fivoriana, plus important aho hoe, plus important…" hoy Malala tany an-tsainy tany. Nampitony fo mafy fotsiny izy mba tsy hitroatra.
Mafy ny mahazo azy fa nafeniny an-dRatrema. Ity farany indray kosa, toa faly ery mitaiza an’i Toky sady namahana azy ihany koa. Tsy azony an-tsaina anefa fa fantatr’i Malala izay nataony tany am-piasàna niaraka tamin’i Corine.
Tsy nahatelin-kanina Malala fa toa te hilaza amin-dRatrema ny mahazo azy, nefa tsy sahy. Ny hamaly faty no nibosesika tao an-tsainy
Nanomboka indray ny lohataona, nampidi-drano-ketsa i Betsimitatatra. Niova endrika avokoa ny voahary rehetra. Efa mihitsan-dravina ny zakarandahy ary mivonona ny hamonina volomparasy indray. Nanomboka namelana ny voninkazo rehefa avy niharitra ny hatsiaka mamirifirin’ny ririnina teto andrenivohitra.Zara raha nahitana rahona madinika teny amin’ny fara-vodilanitra.
Amin'ny iray ora antoandro ny andro tamin'izay. Indro Alexia sy Hery nivoaka ny toeram-pisakafoanana iray. Nafana ny andro tamin’izay ka akanjo ambony fotsy manifinify sy zipo lava mikopakopaka manaraka ny famindrany, ary kiraro misy taditady madinika izay rafetin’izato vodi-tongotra avo mampihenjana ny ranjony sady mapisongadina ny bikany tsy manam-paharoa, no nianjaikan'i Alexia. Hatsaran-tarehy izany. Maro tamin'ireo mpiandry taxi be nahita azy ireo no tsy naharitra fa nanara-maso azy ireo mandra-pidifiny tao anaty fiara izay najanona teo amin'ny kianja MDRM teo Ambohijatovo.
Niresaka kely izy roa:
- "Aleoko izaho no mitondra fa izaho no mahalala ny misy ilay toerana nofinidiko handehanantsika" hoy Alexia tamin'ny feo miangoty.
Nitsiky kely Hery ;
- "Tsy mampaninona mihitsy kah" hoy izy feno fahatokiana an’ity malalany sady niditra tao anaty fiara izy.
- "Tsy mampaninona anao akory fa mba hivoaka kely ny renivohitra isika? efa malalaka koa izao ny lalana ka vetivety isika dia tonga any."
- "Ianao no eo amin’ny familiana ka tsy afaka hiteny intsony aho," hoy Hery.
Nitsikitsiky ery Alexia. Nanaraka iny lalambem-pirenena mizotra mankany Antsirabe iny ry zareo. Afaka telopolo minitra taty aoriana dia nivily tamin'izay toerana mahafinaritra amoron-drano sady tsara rivotra izay ry zareo. Nisy Bungalow maorimaorina tao amin'io toerana io ary dia tsy nisalasala fa nanatona ny reception avy hatrany ry zareo. Gaga Hery nony nahafantatra fa efa nanantena ny fahatongavan'izy ireo ny mpiasa tao amin'ilay hotely. Hay efa nomanin’i Alexia tamin’ny antso an-taroby mialoha ny fahatongavan’izy roa. Efitrano voaravaka voninkazo mahafinaritra sady nisy sakafo efa voaomana no niandry azy roa handaniany ny alatsinainy harivany iray manontolo. Tsy niditra avy hatrany ny efitrano anefa izy roa fa mbola nijoro kely nitazatazana teo an-davarangana, ary finaritra ery nahatsinjo ilay farihy tsy dia lavitra teo nahitàny ankizy maromaro milalao pédalo.
- "Tsara e!" hoy Alexia, sady naka seza fipetrahana azo hatoritoriana izy, dia nasainy nipetraka teo i Hery. "Mbola tsy taty mihitsy ianao e?"
-"Iee, efa fantatro fotsiny ny fisiany, fa izao aho vao nahita maso azy. Marobe ny vahiny na tompon-tany mandalo aty. Merci Alexia," hoy indray Hery sady nisarika azy hiara-mipetraka taminy teo ambonin’ilay seza izy no nitrotro ilay malalany. Nifanoroka mafy izy roa tahaka ny mifandefa hafatra mangina mampiseho ny fisaorana sy mampifamatotra mafimafy kokoa ny fifankatiavany.
Afaka kelikely...noraisin’i Alexia ny finday rehetra dia novonoiny avokoa.
-"Hery a! efa natolotro anao ny tenako ary mbola hatolotro anao ihany koa ny ho aviko iray manontolo. Tiako mihitsy ny handefa any an-damosiko any ny olana mianjady amintsika, ny disadisa hatrizay afitsoky ny ao an-trano, te hiara-dia aminao aho, hitantana ny tananao. Tiako loatra ianao ry Hery a! Tsy mahay mitia hafa aho ankoatra anao,fa ianao irery."
Niondana moramora teo an-tratran’i Hery izy, hay nanganohano ny masony.
- "Tiako dia tiako tokoa ianao Alexia, ary raha ny faniriako aza dia ny hampakatra anao na dia izao anio dia anio izao ihany aza. Kenefa tadidio fa mbola mianatra ianao, ampiako tokoa ianao amin’ny lafiny rehetra hahavitanao izany, tsy handao anao mihitsy aho na oviana na oviana fa aza matahotra. Tsy ahoantsika izay disadisa any fa ny fifankatiavantsika no asandratro ambony."
Nisotro ranom-boankazo teo aloha izy roa, dia avy eo niara-niditra tao an-trano. Nitohy ny safosafo sy orokoroka misantatra sahady ny firaisan’izy roa ho nofo iray.
.................
Efa harivariva mody masoandro vao nihevitra ny hiverina izy roa, rehefa avy nitsidika ity toerana mahafinaritra. Nandeha sambokely nitety an’i Madagasikara tao anatin’ny ora iray monja.
Nahafinaritra aok’izany iny tontolo andro hariva iny. Tsy ho hadinon’izy roa mihitsy akory iny alatsinainy hariva iny; fa hafa tokoa raha ny mpifankatia no mandalo maka rivotra any, indrindra raha mbola tsy tany mihitsy. Toa nisava tanteraka ny sorisory sy ny alahelon’i Hery rehetra navesatra taminy hatrizay. Tahaka ny hoe: adinony tany amin’ilay toerana mahafinaritra tany ny olana mianjady taminy nandritra ny taona iray sy tapany mahery, ka maivamaivana ery izy mitondra ny fiara nody, sady akaikin’olon-tiana rahateo.
Fa Malala kosa tany an-tranony mieritreritra lalina izay hataony. Tsy azony mihitsy ny ainy fa mararirary avokoa ny vatany. Tsy sahy nilaza tamin-dRatrema izay nitranga taminy izy, fa ny tetika hamaliana faty no nameno ny fony. Te hiantso dokotera nefa tsy sahy fa sao.........
Nantsoiny indray ny findain’i Hery, tsy nahazo mihitsy mandra-paharivan’ny andro.
Efa maizimaizina vao tonga tao an-drenivohitra izy roa. Nifanena tamin’izy ireo ny fitohanan’ny fifamoivozana mandalo an’Andoharanofotsy, Tanjombato, Akandimbahoaka iny; ny lalan’izy roa kosa, misosa satria ny rehetra andeha hody mivoaka ny tanàna, izy roa miverina hiditra ny renivohitra. Teny an-dalana dia nandeha ny resaka ny amin’ity Alexia tsy maintsy mody aloha any an-trano ity; indrindra moa fa tsy afaka matory any amin’i Hery mihitsy. Taorian’ilay nidiran’i Malala tany amin’ny hopitaly sy nahafatesan-dramatoa Ramihary dia niova be ny fiainan-dRatrema mianakavy. Niha-entitra izy amin’ireto zanany.
Raha ny tena tian’i Alexia dia ny hanatitra an’i Hery aloha vao mody, nefa ity andro efa miha-maizina ka tsy maintsy ny any aminy aloha no novonjena, avy eo i Hery mandray fiarakaretsaka mody.
Nampidirina ny tokontany ny fiara dia niara-niditra ny trano izy roa, faly ery sady mifampitantana aok’izany.
- "Mandrosoa aloha dia mipetrapetraha; misy zavatra tiako homena anao fa any ambony ilay izy," hoy Alexia.
-"An, aann annnnn! tena efa maizina ny andro fa tsy aleo aho aloha handeha!"
Tsy nohenoin’i Alex akory Hery fa tonga izy dia niakatra. Kanjo, iny Malala nijaikojaiko moramora avy any ambony, hay raha nahare ny fiara niditra sy nahita an’i Hery nitantana an’i Alexia teo izy dia nitsangana avy hatrany naka ity zavatra kely mifono efa nomaniny homena ity vinantony no sady olon-tiany rahateo.
Nitsikitsiky fotsiny Alexia nahita an-dreniny sady mampidoladola ny lohany. Nandrasany tsara Alexia ho tafiditra tany an’efitranony dia natolony an’i Hery ilay zavatra mifono.
- "Inona indray ity," hoy i Hery tamin’i Malala.
- "Shhhhut! sady nataon’i Malala teo amin’ny molony ny fanondrony."
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |